Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-39 — Malakia

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-39 — Malakia

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-39 — Malakia

Mpanoratra: Malakia

Toerana Nanoratana: Jerosalema

Vita: Taorian’ny 443 al.f.i.

1. Inona no mampiseho ny zotom-pon’i Malakia ho an’i Jehovah?

 IZA moa i Malakia? Tsy misy zavatra na dia iray aza voarakitra an-tsoratra momba ny razambe niaviany na ny tantarany manokana. Kanefa, avy amin’ny hevitra fototry ny faminaniany, dia tena miharihary fa be zotom-po indrindra izy teo amin’ny fifikirany tamin’i Jehovah Andriamanitra, tamin’ny fiarovana ny anarany sy ny fanompoam-pivavahana madio. Hita miharihary koa fa nahatsapa fahatezerana mafy izy tamin’ireo izay nihambo ho nanompo an’Andriamanitra kanefa tsy nanompo afa-tsy ny tenany. Tononina in-48 ny anaran’i Jehovah ao amin’ireo toko telon’ny faminaniany.

2. Inona no mety ho dikan’ny anaran’i Malakia, ary oviana no toa niainany?

2 Ny anarany amin’ny teny hebreo dia hoe Mal·ʼa·khiʹ, izay mety hidika hoe “Ny Irako”. Ny Soratra Hebreo sy ny Septante ary ny filaharan’ireo boky araka ny fandehan’ny fotoana dia samy mametraka ny Malakia ho farany amin’ireo mpaminany 12 antsoina hoe mpaminany madinika. Araka ny lovantsofin’ny Synagoga Lehibe, dia niaina taorian’i Hagay sy Zakaria mpaminany izy, ary tamin’ny andron’i Nehemia.

3. Inona no mampiseho fa nosoratana taorian’ny 443 al.f.i. ny faminanian’i Malakia?

3 Oviana no nosoratana ilay faminaniana? Nandritra ny fitantanan-draharahan’ny governora iray, ka izany dia mametraka azy io ho tamin’ny fotoan’ny famerenana an’i Jerosalema tamin’ny laoniny, nanaraka ireo 70 taona naha-foana an’i Joda. (Mal. 1:8). Ny governora iza anefa? Koa satria voatonona ny fanompoana tao amin’ny tempoly, tsy misy firesahana momba ny fanorenana ilay tempoly, dia tsy maintsy ho taorian’ny andron’i Zerobabela Governora ilay izy, satria nandritra ny nanaovan’io raharaha no nahavitan’ilay tempoly. Tsy nisy afa-tsy governora hafa iray tamin’io fe-potoana io, voatonona ao amin’ny Soratra Masina, ary izany dia i Nehemia. Mifanitsy amin’ny andron’i Nehemia ve ilay faminaniana? Tsy misy na inona na inona voambara ao amin’ny Malakia mikasika ny fanorenana indray an’i Jerosalema sy ny mandany, ka izany dia manilika ny tapany voalohany tamin’ny fotoana naha-governora an’i Nehemia. Kanefa, zavatra be dia be no voalaza mikasika ireo fanao ratsy narahin’ireo mpisorona, ka izany dia mampifandray an’i Malakia amin’ilay tarehin-javatra nisy fony i Nehemia tonga fanindroany tao Jerosalema, nanaraka ny niantsoan’i Artaksersesy azy indray ho any Babylona, tamin’ny 443 al.f.i., dia ny taona faha-32 nanjakan’ilay mpanjaka. (Mal. 2:1; Neh. 13:6). Misy andalan-teny mitovy ao amin’ny Malakia sy Nehemia mampiseho fa mihatra amin’io fotoana manokana io ilay faminaniana. — Mal. 2:4-8, 11, 12Neh. 13:11, 15, 23-26; Mal. 3:8-10Neh. 13:10-12.

4. Inona no manaporofo fa azo itokiana sy ara-tsindrimandry ny bokin’i Malakia?

4 Neken’ireo Jiosy mandrakariva ho azo itokiana ny bokin’i Malakia. Misy fakan-teny avy ao aminy ao amin’ny Soratra Grika Kristiana, ka ny sasantsasany aminy dia mampiseho ny fahatanterahan’ny faminaniany. Porofoin’izy ireo àry fa ara-tsindrimandry ny Malakia, no sady anisan’ny kanônan’ny Soratra Hebreo ka neken’ny kongregasiona (NW ) kristiana. — Mal. 1:2, 3Rom. 9:13; Mal. 3:1Matio 11:10 sy Lioka 1:76 sy Lioka 7:27; Mal. 4:5, 6Matio 11:14 sy Matio 17:10-13, Marka 9:11-13 ary Lioka 1:17.

5. Toe-piainana ara-panahy ambany inona no nitarika ho amin’ny faminanian’i Malakia?

5 Ny faminanian’i Malakia dia mampiseho fa efa tsy hita intsony ilay zotom-po sy hafanam-po ara-pivavahana nofohazin’i Hagay sy i Zakaria mpaminany tamin’ny fotoana nanorenana indray ilay tempoly. Nanjary tsy nitandrina sy niavonavona ary nanamarin-tena ireo mpisorona. Nanjary faneso ireo fanompoana tao amin’ny tempoly. Tsy hita intsony ny ampahafolon-karena sy ny fanatitra, noho ny fiheverana fa hoe tsy niraharaha ny Isiraely Andriamanitra. Tsy tanteraka ireo fanantenana nihodinkodina tamin’i Zerobabela, ary nifanohitra tamin’ny zavatra nandrasan’ny sasany, dia tsy tonga ny Mesia. Latsaka tany amin’ny farany ambany ny toe-piainana ara-panahin’ireo Jiosy. Nisy antony tokony hananana fampaherezana sy fanantenana ve? Ahoana no hahafahan’ny olona hahatsapa ny tena toe-piainany marina, ka hamohazana azy hiverina ho amin’ny fahamarinana? Nanome ny valiny ny faminanian’i Malakia.

6. Manao ahoana ny fomba fanoratr’i Malakia?

6 Mivantana sy feno hery ny fomba fanoratr’i Malakia. Manambara ilay hevitra atolony aloha izy ary avy eo dia mamaly ny fanoheran’ireo izay iresahany. Farany, dia hamafisiny indray ilay hevitra natolony tamin’ny voalohany. Izany dia manampy tanjaka sy aina ho an’ilay hevitra arosony. Tsy mitady hahatratra fahamboniana eo amin’ny fitenenana izy, fa mampiasa fomba fanoratra miova tampoka sy feno hevitra ho famaliana kosa.

LOHA HEVITRA RAKETIN’NY MALAKIA

7. Fitiavana sy fankahalana inona no nasehon’i Jehovah?

7 Ny didin’i Jehovah ho an’ireo mpisorona (1:1–2:17). Naneho ny fitiavany ny olony aloha i Jehovah. Tia an’i Jakoba izy ary nankahala an’i Esao. Avelao i Edoma hanandrana hanamboatra indray ny efa rava; horavan’i Jehovah izy ireo ary hantsoiny hoe “tanin’ny faharatsiana”, dia ilay firenena notezeran’i Jehovah, satria ho “lehibe any an-koatry ny tanin’ny Isiraely” i Jehovah. — 1:4, 5.

8. Ahoana no nandotoan’ireo mpisorona ny latabatr’i Jehovah, ary nahoana no hisy ozona ho tonga amin’izy ireo?

8 Izao i Jehovah dia niresaka nivantana tamin’ireo ‘mpisorona izay nanamavo ny anarany’. Rehefa nitady hanamarin-tena izy ireo, dia notondroin’i Jehovah ireo fanatitra jamba sy nandringa ary narary natolotr’izy ireo. Ary dia nanontany izy hoe: Na dia ny governora aza ve dia hankasitraka ny fanatitra toy izany? Ny tenan’i Jehovah mihitsy dia tsy nankasitraka azy ireo. Tsy maintsy nasandratra teo amin’ny jentilisa ny anarany, kanefa ireto lehilahy ireto nanamavo azy tamin’ny filazana hoe: “Voaloto ny latabatr’i Jehovah”. Ozona no ho tonga amin’izy ireo, satria nandika tamim-pitaka ny voadiny izy ireo, tamin’ny fanolorana fanatitra tsy nisy vidiny. “Fa Mpanjaka lehibe Aho, hoy Jehovah, Tompon’ny maro, ary ny anarako dia mahatahotra any amin’ny jentilisa.” — 1:6, 12, 14.

9. Inona no tsy nety nataon’ireo mpisorona, ary ahoana no nandotoany ny fahamasinan’i Jehovah?

9 Nanome didy ho an’ireo mpisorona izao i Jehovah, tamin’ny filazana fa raha tsy nandray izany torohevitra izany tam-po izy ireo, dia handefa ozona aminy sy amin’ny tsodranony izy. Hofafazany tain-droroha avy tamin’ny andro firavoravoany ny tavany, noho ny tsy nitandremany ilay fanekena tamin’i Levy. “Fa ny molotry ny mpisorona tokony hitahiry fahalalana, ary ny lalàna hotadiavina eo am-bavany, satria irak’i Jehovah, Tompon’ny maro, izy.” (2:7). Niaiky ny fahotana lehiben’ny Isiraely sy Joda i Malakia. Nivadika tamin’ny rahalahiny avy izy ireo ary nandoto ny fahamasinan’i (NW ) Jehovah, Rainy sady Mpamorona azy, tamin’ny fanambadiana ny zanakavavin’ny andriamani-kafa. Nanao zavatra tafahoatra mihitsy aza izy ireo rehefa nanasatra an’i Jehovah. Nanontany mihitsy aza izy ireo hoe: “Aiza [ny] Andriamanitry ny fitsarana?” — 2:17.

10. Ho amin’ny asa fitsarana inona no nahatongavan’ny Tompo tao amin’ny tempoliny?

10 Ilay Tompo marina sy ilay iraka (3:1-18). Izao dia nahatratra ny fara tampony ilay faminaniana amin’ireto tenin’i “Jehovah, Tompon’ny maro” ireto: “Indro, haniraka ny irako Aho, ary izy hanamboatra làlana eo alohako; ary ny Tompo Izay tadiavinareo dia ho avy tampoka ho eo an-tempoliny; ary ny Anjelin’ny fanekena Izay irinareo, dia, indro, tamy Izy”. (3:1). Amin’ny maha-mpandrendrika azy, dia hanadio ny taranak’i Levy izy ary ho vavolombelona faingana hanameloka ny ratsy fanahy izay tsy natahotra Azy. Tsy miova i Jehovah, ary satria taranak’i Jakoba izy ireo, dia hiverina ho aminy amim-pamindram-po izy, raha niverina taminy izy ireo.

11. Ahoana no tokony hizahan’izy ireo toetra an’Andriamanitra izao, ary fitahiana inona avy no hanaraka?

11 Nandroba an’Andriamanitra izy ireo. Izao anefa dia aoka izy ireo hizaha toetra azy amin’ny fitondrana ny ampahafolon-karenany ho ao an-trano firaketana mba hisian’ny hanina ao an-tranony, amin’ny fatokiana fa handatsaka avy any amin’ny varavaran’ny lanitra ny fitahiany manana amby ampy izy. Ho tany mahafinaritra izy ireo, izay hataon’ny firenena rehetra hoe sambatra. Samy niresaka tamin’ny namany avy ireo izay natahotra an’i Jehovah, ary i Jehovah nihaino ka nandre izany. “Ary nisy boky nosoratana teo anatrehany ho fahatsiarovana izay matahotra an’i Jehovah sy mihevitra ny anarany.” (3:16). Ho rakitra soa ho an’i Jehovah amin’ny andro izay hotendreny izy ireo.

12. Inona no ampanantenaina mikasika ny andro mahatahotr’i Jehovah?

12 Ilay andron’i Jehovah lehibe sady mahatahotra (4:1-6). Io no ilay andro ho avy izay handoro ny ratsy fanahy, ka tsy hasiana miangana, na ny fakany na ny sampany. Hiposaka amin’ireo izay matahotra ny anaran’i Jehovah anefa ny masoandron’ny fahamarinana, ary dia ho sitrana izy ireo. Nananatra azy ireo mba hahatsiaro ny Lalàn’i Mosesy, i Jehovah. Dieny mbola tsy tonga ny androny lehibe sady mahatahotra, dia nampanantena i Jehovah fa haniraka an’i Elia mpaminany. “Ary izy hampody ny fon’ny ray ho amin’ny zanaka, ary ny fon’ny zanaka ho amin’ny rainy, fandrao ho avy Aho hamely ny tany amin’ny fandringanana.” — 4:6.

MAHASOA — NAHOANA?

13. Inona no lazain’i Malakia momba a) ny famindram-pon’i Jehovah sy ny fitiavany? b) ny andraikitr’ireo mpampianatra ny Tenin’Andriamanitra? d) ireo izay mandika ny lalàn’Andriamanitra sy ny fotopoto-pitsipiny?

13 Ny bokin’i Malakia dia manampy hahatakatra ireo fotopoto-pitsipika sy ny fitiavana feno famindram-po tsy miovan’i Jehovah Andriamanitra. Eo am-piandohana izy io dia manantitrantitra ny fitiavana lehiben’i Jehovah an’i “Jakoba” olony. Hoy ny nambarany tamin’ny taranak’i Jakoba: “Izaho Jehovah dia tsy miova”. Na dia teo aza ny faharatsiana lehiben’izy ireo, dia vonona ny hiverina ho amin’ny olony izy, raha niverina taminy izy ireo. Tena Andriamanitra mamindra fo tokoa! (Mal. 1:2; 3:6, 7; Rom. 11:28; Eks. 34:6, 7). Tamin’ny alalan’i Malakia i Jehovah dia nanamafy fa “tokony hitahiry fahalalana” ny molotry ny mpisorona. Izay rehetra nanankinana ny fampianarana ny Tenin’Andriamanitra dia tokony hitandrina io hevitra io, amin’ny fanaovana izay hahazoana antoka fa fahalalana araka ny marina no ampitainy. (Mal. 2:7; Fil. 1:9-11; ampitahao amin’ny Jakoba 3:1.) Tsy milefitra eo anoloan’ny mpihatsaravelatsihy i Jehovah, dia ireo izay mitady hanaporofo fa ‘ny fanaovana ratsy dia tsara eo imason’i Jehovah’. Tsy misy tokony hieritreritra fa afaka mamitaka an’i Jehovah izy, amin’ny fodiana manao fanatitra ho an’io Mpanjaka lehibe io. (Mal. 2:17; 1:14; Kol. 3:23, 24). Ho vavolombelona faingana hanameloka izay rehetra mandika ny lalàny sy fotopoto-pitsipiny marina, i Jehovah; tsy misy mahazo manantena ny hanao zava-dratsy ka hoe ho afa-maina amin’izany. Hitsara azy i Jehovah. (Mal. 3:5; Heb. 10:30, 31). Mahazo manana toky feno ireo olo-marina fa hahatsiaro ny zavatra nataony i Jehovah ka hamaly soa azy ireo. Tokony hitandrina ny Lalàn’i Mosesy izy ireo, tsy misy hafa amin’ny nataon’i Jesosy, satria mirakitra zavatra maro izay tanteraka taminy izy io. — Mal. 3:16; 4:4; Lioka 24:44, 45.

14. a) Inona indrindra indrindra no tondroin’ny Malakia? b) Ahoana no nahatanterahan’ny Malakia 3:1 tamin’ny taonjato voalohany am.f.i.?

14 Amin’ny maha-boky farany amin’ny Soratra Hebreo ara-tsindrimandry azy, ny Malakia dia manondro ireo fisehoan-javatra manodidina ny fiavian’ny Mesia. Ny fisehoan’izy io, efajato taona mahery tatỳ aoriana, no nanome antony hanoratana ny Soratra Grika Kristiana. Araka ny voarakitra an-tsoratra ao amin’ny Malakia 3:1, dia hoy i Jehovah, Tompon’ny maro: “Indro, haniraka ny irako Aho, ary izy hanamboatra làlana eo alohako”. Niteny teo ambany tsindrimandry i Zakaria efa tratrantitra, ka nampiseho fa izany dia nanana fahatanterahana teo amin’i Jaona Mpanao Batisa, zanany. (Lioka 1:76). Nanamarina izany i Jesosy Kristy, tamin’ny fanambarana koa hoe: “Tsy mbola nisy nitsangana izay lehibe noho Jaona Mpanao-batisa; nefa ny kely indrindra amin’ny fanjakan’ny lanitra dia lehibe noho izy”. Nirahina i Jaona, araka ny nambaran’i Malakia mialoha, mba ‘hamboatra ny lalana’. Noho izany, dia tsy anisan’ireo izay nanaovan’i Jesosy fanekena ny amin’ny Fanjakana iray, tatỳ aoriana, izy. — Matio 11:7-12; Lioka 7:27, 28; 22:28-30, NW.

15. Iza moa ilay “Elia” ao amin’ny faminanian’i Malakia?

15 Avy eo, ao amin’ny Malakia 4:5, 6, dia hoy ny nampanantenain’i Jehovah: “Indro, Izaho haniraka an’i Elia mpaminany ho aminareo”. Iza moa io “Elia” io? I Jesosy sy ilay anjely niseho tamin’i Zakaria dia samy nampihatra ireo teny ireo tamin’i Jaona Mpanao Batisa. Nasehony fa izy no ilay “hampody ny zavatra rehetra” sy “hamboatra firenena voaomana ho an’ny Tompo” mba handray ny Mesia. Kanefa, nilaza koa i Malakia fa i “Elia” no mpialoha lalana ilay ‘andro lehibe sady mahatahotr’i Jehovah’, ka nampiseho tamin’izany fa mbola hisy fahatanterahana ho avy amin’ny andro fitsarana iray. — Matio 17:11; Lioka 1:17; Matio 11:14; Marka 9:12.

16. Andro voatahy inona no tondroin’ny Malakia, ary fampirisihana mafana inona no omeny?

16 Nijery tamim-panantenana izany andro izany i Jehovah Tompon’ny maro, ka nanao hoe: “Hatramin’ny fiposahan’ny masoandro ka hatramin’ny filentehany dia ho lehibe ny anarako any amin’ny jentilisa (...). Fa Mpanjaka lehibe Aho, (...) ary ny anarako dia mahatahotra any amin’ny jentilisa.” Tena mahatahotra tokoa! Satria ‘handoro toy ny fatana fandoroana ilay andro, ary ny mpirehareha rehetra sy ny mpanao ratsy rehetra dia ho vodivary.’ Kanefa, sambatra izay matahotra ny anaran’i Jehovah, satria ‘hiposaka amin’izy ireo ny masoandron’ny fahamarinana, manana fanasitranana ao amin’ny elany’. Izany dia mifantoka amin’ilay fotoana sambatra rehefa ho sitrana tanteraka — ara-panahy, ara-pihetseham-po, ara-tsaina ary ara-batana — ireo izay mankato eo amin’ny fianakavian’olombelona. (Apok. 21:3, 4). Manondro izany andro be voninahitra sy voatahy izany i Malakia, ka mampirisika antsika toy izao mba hanolotra amin’ny fontsika rehetra ny fanatitsika ho ao an-tranon’i Jehovah: “Izahao toetra amin’izany Aho, hoy Jehovah, Tompon’ny maro, raha tsy hovohàko ny varavaran’ny lanitra ho anareo ka hampidinako fitahiana manana amby ampy ho anareo.” — Mal. 1:11, f.a.p., 14; 4:1, 2, f.a.p.; 3:10.

17. Halefahin’ny fangatahana ho amin’ny fijerena lafy tsaran-javatra inona ireo fampitandreman’ny Malakia?

17 Sady manohy mampitandrina ny amin’ny ‘hamaliana ny tany amin’ny fandringanana’ io boky farany amin’ireo Mpaminany io, no mangataka ny hijerena ny lafy tsaran-javatra sy ny hifaliana, mifanaraka amin’izao tenin’i Jehovah tamin’ny olony izao: “Hianareo hataon’ny firenena rehetra hoe sambatra; fa ho tany mahafinaritra hianareo”. — 4:6; 3:12.

[Fanontaniana]