Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-4 — Nomery

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-4 — Nomery

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-4 — Nomery

Mpanoratra: Mosesy

Toerana Nanoratana: Tany an’efitra sy ireo Lemak’i Moaba

Vita Tamin’ny: 1473 al.f.i.

Fe-potoana Voafaoka: 1512 al.f.i. – 1473 al.f.i.

1. Nahoana no noraketina an-tsoratra ireo fisehoan-javatra ao amin’ny Nomery, ary inona no ataony latsa-paka ao amintsika?

 IREO fisehoan-javatra nandritra ny dian’ny Isiraelita tany an’efitra dia noraketina an-tsoratra ao amin’ny Baiboly mba hahasoa antsika amin’izao andro izao. a Hoy ny nolazain’ny apostoly Paoly: “Ary izany zavatra izany dia tonga anatra ho antsika, mba tsy ho mpila zava-dratsy isika”. (1 Kor. 10:6). Ataon’ilay firaketana an-tsoratra ao amin’ny Nomery, izay toy ny hitan’ny maso, latsa-paka ao amintsika fa ny fahatafitana velona dia miankina amin’ny fanamasinana ny anaran’i Jehovah sy ny fankatoavantsika azy amin’ny toe-javatra rehetra ary ny fanehoantsika fanajana ireo solontenany. Ny fahazoana sitraka aminy dia tsy noho izay hatsarana na fahamendrehana eo amin’ny vahoakany akory, fa noho ny famindram-pony lehibe sy ny hatsaram-panahiny lehibe amin’izay tsy mendrika akory.

2. Manondro inona ny anarana hoe Nomery (na hoe Isa), ary lohateny mety kokoa inona no nomen’ny Jiosy an’ilay boky?

2 Ny anarana hoe Nomery (na hoe Isa) dia manondro ny fanisana ilay vahoaka izay natao voalohany teo an-tendrombohitra Sinay ary tatỳ aoriana dia teo amin’ireo Lemak’i Moaba (NW ), araka ny voarakitra an-tsoratra ao amin’ny toko 1-4 sy 26. Io anarana io dia noraisina avy tamin’ny lohateny hoe Numeri ao amin’ny Vulgate latina ary azo avy tamin’ny hoe A·rith·moiʹ ao amin’ny Septante grika. Kanefa ireo Jiosy dia miantso ilay boky amin’ny anarana mety kokoa hoe Bemidh·barʹ, izay midika hoe “Tany An’efitra”. Ny teny hebreo hoe midh·barʹ dia manondro toerana an-kalamanjana iray, tsy misy tanàna na vohitra. Tany an’efitra tany atsimo sy tany atsinanan’i Kanana no nitrangan’ireo fisehoan-javatra ao amin’ny Nomery.

3. Inona no manaporofo fa i Mosesy no nanoratra ny Nomery?

3 Miharihary fa ny Nomery dia anisan’ilay boky dimy sosona tany am-boalohany izay nahafaoka ireo boky nanomboka tamin’ny Genesisy ka hatramin’ny Deoteronomia. Ny andininy voalohany dia manomboka amin’ilay teny fampitohizana hoe “ary”, ka mampifandray azy amin’ny teo aloha. Noho izany, dia tsy maintsy ho i Mosesy, ilay mpanoratra ireo firaketana an-tsoratra teo aloha, no nanoratra azy io. Izany koa dia mazava avy amin’ilay fanambarana ao amin’ilay boky hoe “nosoratan’i Mosesy” sy ilay famaranan-teny hoe “Ireo no didy sy fitsipika izay nandidian’i Jehovah ka nampitondrainy an’i Mosesy”. — Nom. 33:2; 36:13.

4. Fe-potoana toy inona no voafaokan’ny Nomery, ary oviana no vita ny fanoratana ilay boky?

4 Niala avy tany Egypta herintaona mahery kely talohan’izao ireo Isiraelita. Mandray ilay fitantarana teo amin’ny volana faharoa tamin’ny taona faharoa taorian’ilay Fifindrana Rodobe ny Nomery ary mahafaoka ireo 38 taona sy sivy volana nanaraka, nanomboka tamin’ny 1512 ka hatramin’ny 1473 al.f.i. (Nom. 1:1; Deot. 1:3). Na dia tsy nifandray tamin’io fe-potoana io aza ireo fisehoan-javatra voatantara ao amin’ny Nomery 7:1-88 sy 9:1-15, dia nampidirina tao mba hanomezana fanazavana ara-tantara. Ireo fizarana voalohany ao amin’ilay boky dia tsy isalasalana fa nosoratana arakaraka ny nitrangan’ireo fisehoan-javatra, kanefa miharihary fa tsy afaka namarana ny Nomery i Mosesy raha tsy tany amin’ny faran’ny taona faha-40 tany an’efitra, tany am-piandohan’ny taona 1473 al.f.i. araka ny kalandrie.

5. Lafin-javatra inona avy no manamarina ny maha-azo itokiana ny Nomery?

5 Tsy misy isalasalana ny maha-azo itokiana ilay fitantarana. Momba ilay tany karakaina amin’ny ankapobeny izay nanaovan’izy ireo ny diany, dia nilaza i Mosesy fa “efitra lehibe sy mahatahotra” ilay izy, ary na dia amin’izao andro izao aza dia marina fa ireo mponina miparitaka any dia mandeha tsy tapaka mitady kijana sy rano. (Deot. 1:19). Ambonin’izany, ireo toromarika amin’ny an-tsipiriany momba ny fitobian’ilay firenena sy ny filaharan’ilay fandehanana ary ny fanomezana baiko tamin’ny fitsofana trompetra teo amin’ny fandaminana ny raharaha tao amin’ny toby, dia manamarina fa tena nosoratana ‘tany an’efitra’ tokoa ilay fitantarana. — Nom. 1:1.

6. Ahoana no anohanan’ireo zavatra hitan’ny arkeolojia ny Nomery?

6 Na dia ilay tatitra mahatahotra nataon’ireo mpisafo tany aza, izay nilaza fa “ny tanàna dia mimanda sady lehibe dia lehibe”, rehefa niverina avy tany Kanana izy ireo, dia hamafisin’ny arkeolojia. (13:28). Ireo zavatra hita amin’izao andro maoderina izao dia nampiseho fa ireo mponin’i Kanana tamin’izany fotoana izany dia nanamafy ny fiarovany tamin’ny alalan’ny fitohitohizana manda namakivaky ilay tany tamin’ny toerana maromaro, nanomboka teo amin’ny Lemak’i Jezirela tany avaratra ka hatrany Gerara tany atsimo. Tsy vitan’ny hoe nimanda ireo tanàna, fa mazàna dia naorina teny an-tampon’ny havoana, ka nisy tilikambo nihoatra ireo manda, izay nahatonga azy ireo ho nahatahotra indrindra tamin’ny olona toy ny Isiraelita izay nonina tany amin’ny tany marin’i Egypta hatramin’ny taranaka maro tany aloha.

7. Mariky ny filazana ny marina inona no entin’ny Nomery?

7 Ireo firenena eo amin’izao tontolo izao dia mirona hikosoka ny tsy fahombiazany sy hanitatra ny fandreseny, kanefa tamin’ny filazana ny marina izay porofon’ny fahamarinany ara-tantara, ny fitantarana ao amin’ny Nomery dia milaza fa ny Isiraely dia nampandosirin’ny Amalekita sy ny Kananita tanteraka. (14:45). Tsy miolakolaka izy io miaiky fa tsy nahatoky ilay vahoaka no sady namotsifotsy an’Andriamanitra. (14:11). Tamim-pahatsorana miavaka, i Mosesy mpaminanin’Andriamanitra dia nanala sarona ireo fahotan’ilay firenena, ny an’ireo zana-drahalahiny ary ny an’ny rahalahiny sy anabaviny iray tam-po taminy. Tsy nitsimbina ny tenany koa izy, satria resahiny ilay fotoana tsy nanamasinany an’i Jehovah rehefa nomena ny rano tany Meriba, hany ka namoizany ny tombontsoa hiditra tao amin’ny Tany Nampanantenaina. — 3:4; 12:1-15; 20:7-13.

8. Ahoana no anamarinan’ny mpanoratra ao amin’ny Baiboly hafa fa azo tamin’ny tsindrimandry ny Nomery?

8 Ny maha-tena anisan’ireo Soratra ara-tsindrimandrin’Andriamanitra marina sady mahasoa ilay fitantarana dia hamafisin’ny hoe: saiky ny fisehoan-javatra lehibe rehetra ao aminy, ary koa ny tsipirian-javatra maro hafa, dia anaovan’ny mpanoratra hafa ao amin’ny Baiboly fakan-teny mivantana, ka ny maro aminy dia manasongadina ny hevitr’izy ireo. Ohatra, i Josoa, (Josoa 4:12; 14:2), i Jeremia, (2 Mpanj. 18:4), i Nehemia, (Neh. 9:19-22), i Asafa, (Sal. 78:14-41), i Davida, (Sal. 95:7-11), i Isaia, (Isaia 48:21), i Ezekiela, (Ezek. 20:13-24), i Hosea, (Hosea 9:10), i Amosa, (Amosa 5:25), i Mika, (Mika 6:5), i Lioka ao amin’ny firaketana an-tsoratra nataony momba ny lahateny nataon’i Stefana, (Asa. 7:36), i Paoly, (1 Kor. 10:1-11), i Petera, (2 Pet. 2:15, 16), i Joda, (Joda 11), ary i Jaona nirakitra an-tsoratra ireo teny nataon’i Jesosy ho an’ny kongregasionan’i Pergamosy, (Apok. 2:14), izy rehetra ireo dia niorina tamin’ny firaketana an-tsoratra ao amin’ny Nomery, ary toy izany koa ny tenan’i Jesosy Kristy. — Jaona 3:14.

9. Inona no antitranterin’ny Nomery momba an’i Jehovah?

9 Inona àry no zava-kendrena tanterahin’ny Nomery? Tena marina fa ny fitantarana ao anatiny dia tsy manana vidiny ara-tantara fotsiny. Ny Nomery dia manantitrantitra fa i Jehovah no Andriamanitry ny filaminana, izay mitaky fifikirana tsy mizarazara avy amin’ny zavaboariny. Izany dia manjary latsa-paka mazava tsara ao an-tsain’ny mpamaky rehefa mandinika ny fanisana sy ny fitsapana ary ny fanasivanana ny Isiraely izy ka mahita fa ny lalan’ny tsy fankatoavana sy fikomiana narahin’ilay firenena dia ampiasaina mba hanantitranterana fa tena ilaina ny fankatoavana an’i Jehovah.

10. Mba hahasoa an’iza no nitahirizana ny Nomery, ary nahoana?

10 Ilay firaketana an-tsoratra dia notahirizina mba hitondra soa ho an’ireo taranaka ho avy, araka ny nohazavain’i Asafa hoe “mba hametraka ny fanantenany amin’Andriamanitra [izy] ka tsy hanadino ny asany, fa hitandrina ny didiny”, ary koa “mba tsy ho tahaka ny razany, izay taranaka maditra sy miodina, izy, dia taranaka izay tsy nampiomana ny fony, sady tsy marina tamin’Andriamanitra ny fanahiny”. (Sal. 78:7, 8). Ireo fisehoan-javatra ao amin’ny Nomery dia naverimberina tao amin’ireo salamo, izay hira masina teo amin’ireo Jiosy ka naverina matetika satria nahasoa ilay firenena. — Sal. 78, 95, 105, 106, 135, 136.

LOHA HEVITRA RAKETIN’NY NOMERY

11. Tapany telo inona avy no azo izarana ny loha hevitra ao amin’ny Nomery?

11 Mizara ho azy ho tapany telo ny Nomery. Ny voalohany amin’izany, izay mifarana eo amin’ny toko faha-10, andininy faha-10, dia mahafaoka ireo fisehoan-javatra nitranga fony mbola nitoby teo an-tendrombohitra Sinay ny Isiraelita. Ny tapany manaraka, izay mifarana eo amin’ny toko faha-21, dia milaza izay nitranga nandritra ireo 38 taona sy iray na roa volana nanaraka, fony izy ireo tany an’efitra ary mandra-pahatongany tany amin’ireo Lemak’i Moaba. Ny tapany farany, hatreo amin’ny toko faha-36, dia momba ireo fisehoan-javatra tany amin’ireo Lemak’i Moaba rehefa nanomana ny fidirany tao amin’ny Tany Nampanantenaina ny Isiraelita.

12. Nanao ahoana ny halehiben’ny tobin’ny Isiraelita tany Sinay, ary ahoana no nandaminana ilay toby?

12 Ireo fisehoan-javatra teo an-tendrombohitra Sinay (1:1–10:10). Ireo Isiraelita dia teo amin’ny faritra be tendrombohitr’i Sinay efa hatramin’ny herintaona teo ho eo. Teto izy ireo dia namboarina ho fandaminana iray tafaray tsara. Araka ny baikon’i Jehovah, dia natao ny fanisana ny lehilahy rehetra 20 taona no ho miakatra. Hita fa ny isan’ireo foko dia teo anelanelan’ny 32 200, izay isan’ny lehilahy tao amin’ny fokon’i Manase, sy ny 74 600, izay isan’ny tao amin’ny fokon’i Joda. Ny tontalin’isan’izy ireo dia lehilahy 603 550 nahafeno fepetra mba hanompo tamin’ny naha-miaramilan’ny Isiraely, ankoatra ireo Levita sy zaza amam-behivavy — toby iray nisy teo amin’ny telo tapitrisa na mahery teo ho eo angamba. Ny tranolay fihaonana dia teo afovoan’ny toby, niaraka tamin’ireo Levita. Ireo Isiraelita hafa dia nitoby tamin’ny toerana nanendrena azy teo amin’ny andaniny avy, ka foko telo avy no niaraka, ary ny foko tsirairay dia samy nahazo toromarika raha ny amin’ny filaharana tokony harahiny rehefa tsy maintsy niainga ilay toby. Nanome toromarika i Jehovah, ary ilay firaketana an-tsoratra dia milaza hoe: “Ny Zanak’Isiraely dia nanao araka izay rehetra efa nandidian’i Jehovah an’i Mosesy”. (2:34). Nankato an’i Jehovah izy ireo ary naneho fanajana an’i Mosesy, ilay solontena hita mason’Andriamanitra.

13. Araka ny fandaharana inona no nanendrena ireo Levita teo amin’ny fanompoana?

13 Voatokana ho an’ny fanompoana an’i Jehovah àry ireo Levita, toy ny avotra ho an’ny lahimatoan’ny Isiraely. Zaraina ho antoko telo izy ireo, araka ny fiaviany avy tamin’ireo zanaka telo mirahalahin’i Levy: Gersona sy Kehata ary Merary. Ny toeran’izy ireo tao amin’ny toby sy ny andraikitra teo amin’ny fanompoana dia nofaritana araka io fizarana io. Hatramin’ny 30 taona no ho miakatra, dia tsy maintsy nanao ilay asa navesatra nitondrana ilay tabernakely izy ireo. Mba hahavitana ny asa maivana kokoa, dia natao ny fandaharana mba hisian’ny hafa koa hanao fanompoana, nanomboka tamin’ny 25 taona. (Nahena ho 20 taona io tamin’ny andron’i Davida.) — 1 Tant. 23:24-32; Ezra 3:8.

14. Toromarika inona avy no nomena mba hahazoana antoka ny amin’ny fahadiovan’ilay toby?

14 Mba hahafahana hihazona ilay toby ho madio, dia nisy toromarika nomena mba hanokanan-toerana ireo marary, mba hanaovana fanavotana noho ny fahadisoana, mba handaminana ireo raharaha rehefa nety ho niahiahy ny amin’ny fitondran-tenan’ny vadiny ny lehilahy iray, ary mba hahazoana antoka fa tsara fitondran-tena ireo izay voatokana noho ny voady mba hiaina ho toy ny Nazirita ho an’i Jehovah. Koa satria tsy maintsy nitondra ny anaran’ny Andriamaniny ilay vahoaka, dia tsy maintsy nitondra tena nifanaraka tamin’ireo didiny.

15. a) Nifandray tamin’ny fitokanana ny alitara, fanomezana inona avy moa no natao? b) Fifandraisana inona no tsy maintsy notadidin’ny Isiraely, ary natao mba hampahatsiahy azy ireo ny amin’inona ny Paska?

15 Nanampy tsipirian-javatra sasany avy tamin’ny volana teo aloha (Nom. 7:1, 10; Eks. 40:17) i Mosesy, ary avy eo dia nilaza momba ireo fanomezana nataon’ireo lohan’ny firenena 12 nandritra ny 12 andro nanomboka tamin’ny fotoana nitokanana ny alitara. Tsy nisy fifaninanana na fitadiavana laza ho an’ny tena tamin’izany; ny tsirairay dia samy nanao fanomezana nitovy tsy nisy hafa tamin’ny an’ny hafa. Ny rehetra izao dia tsy maintsy nitadidy tao an-tsaina fa teo ambonin’ireo lohan’ny firenena ireo, ary teo ambonin’i Mosesy aza, dia nisy an’i Jehovah Andriamanitra, izay nanome toromarika an’i Mosesy. Tsy tokony hanadino na oviana na oviana ny fifandraisany tamin’i Jehovah izy ireo. Ny Paska dia tokony hampahatsiahy azy ireo ny fanafahana nahatalanjona avy tany Egypta nataon’i Jehovah, ary nankalaza azy io teto an’efitra tamin’ny fotoana voatendry izy ireo, herintaona taorian’ny nialany tany Egypta.

16. Tamin’ny fomba ahoana no nitarihan’i Jehovah ilay firenena, ary fanomezam-baiko tamin’ny fitsofana trompetra inona avy no nalamina?

16 Nitovy tamin’ny nitarihany ny fandehan’ny Isiraely niala avy tany Egypta no nanohizan’i Jehovah nitarika ilay firenena teo amin’ireo dia nataony, izany hoe tamin’ny rahona nanarona ny tabernakely, dia ny tranolain’ny Vavolombelona, nandritra ny andro, ary tamin’ny fisehoan’ny afo teo, nandritra ny alina. Rehefa niainga ilay rahona, dia niainga koa ilay firenena. Rehefa nitoetra teo ambonin’ilay tabernakely ilay rahona, dia nitoby ihany ilay firenena, na andro vitsivitsy izany, na iray volana, na ela kokoa, satria hoy ny fitantarana amintsika: “Araka ny didin’i Jehovah no nitobiany, ary araka ny didin’i Jehovah no niaingany; nitandrina izay nasain’i Jehovah notandremany izy, araka ny tenin’i Jehovah izay nampitondrainy an’i Mosesy.” (Nom. 9:23). Rehefa nihantomotra ny fialana avy tao Sinay, dia nalamina ny hanomezana baiko tamin’ny fitsofana trompetra, tsy hoe mba hanangonana ilay vahoaka fotsiny, fa mba hitarihana ireo fizarana samihafa tao amin’ilay toby koa teo amin’ny diany tany an’efitra.

17. Lazalazao ny amin’ny fandehan’ny dia.

17 Fisehoan-javatra tany an’efitra (10:11–21:35). Tamin’ny farany, tamin’ny andro faha-20 tamin’ny volana faharoa, dia nampiakarin’i Jehovah ilay rahona teo ambonin’ny tabernakely, ho fanomezam-baiko ny hialan’ny Isiraely teo amin’ny faritr’i Sinay. Teo afovoan’izy ireo ny fiaran’ny faneken’i Jehovah, ary dia niainga izy ireo ho any Kadesi-barnea, 240 kilaometatra teo ho eo tany avaratra. Rehefa nandeha nandritra ny andro izy ireo, dia teo amboniny ny rahon’i Jehovah. Isaky ny niainga ilay Fiara, dia nivavaka tamin’i Jehovah i Mosesy mba hitsangana ka hampiely ny fahavalony, ary isaky ny tonga ilay izy mba hijanona, dia nivavaka tamin’i Jehovah izy mba hiverina “ho amin’ny Isiraely tsy omby alinalina”. — 10:36.

18. Fitarainana inona no nipoaka teny an-dalana ho any Kadesi-barnea, ary ahoana no nanitsian’i Jehovah ny fandaharana teokratika tao amin’ilay toby?

18 Kanefa, nisy zava-nanahirana nitranga tao amin’ny toby. Teny an-dalana ho any Kadesi-barnea tany avaratra, dia nisy toe-javatra telo fara fahakeliny nisehoan’ny fitarainana. Mba hampanginana ilay voalohany, dia nandefa afo mba handoro ny sasany tamin’ilay vahoaka i Jehovah. Avy eo, ireo “olona hafa firenena” dia nampirisika ny Isiraely himenomenona satria tsy nanana ny hazandrano, ny voatangom-bazaha, ny voatango, ny poireaux, ny tongolo be ary ny tongolo lain’i Egypta hohanina intsony izy ireo, fa ny mana fotsiny. (11:4, NW ). Nanjary ketraka aoka izany i Mosesy ka nangataka an’i Jehovah mba hamono azy, fa tsy hamela azy hanohy hiasa ho toy ny ray mpitaiza io vahoaka rehetra io. Tamim-panehoam-piheverana, i Jehovah dia naka tamin’ny fanahy tao amin’i Mosesy ka nametraka izany tao amin’ny 70 tamin’ireo loholona, izay nanomboka nanampy an’i Mosesy ho toy ny mpaminany tao amin’ilay toby. Avy eo dia nisy hena tondraka tonga. Toy ny efa nitranga indray mandeha taloha, dia nisy rivotra avy tamin’i Jehovah nitondra papelika avy tany an-dranomasina, ary nisambotra be dia be tamin’izany tamim-paniriana mihoa-pampana ny vahoaka ka nanangona izany tamim-pitiavan-tena. Nirehitra tamin’ilay vahoaka ny fahatezeran’i Jehovah ka namono maro taminy izy, noho ny fanirian’izy ireo feno fitiavan-tena. — Eks. 16:2, 3, 13.

19. Inona no nataon’i Jehovah tamin’i Miriama sy i Arona meloka ny amin’ny fanomezan-tsiny tsy amin’antony?

19 Nitohy ny zava-nanahirana. Tsy nihevitra araka ny tokony ho izy an’i Mosesy zandriny lahy ho toy ny solontenan’i Jehovah i Miriama sy i Arona, fa nanome tsiny tsy amin’antony azy noho ny vadiny, izay vao tonga tao amin’ilay toby. Nitaky fahefana bebe kokoa izy ireo, nitovy tamin’ny an’i Mosesy, kanefa i “Mosesy dia lehilahy nalemy fanahy mihoatra noho ny olona rehetra atỳ ambonin’ny tany”. (Nom. 12:3). I Jehovah mihitsy no nandamina ilay zavatra sy nampahafantatra fa i Mosesy dia nitana toerana manokana, tamin’ny famelezana tamin’ny habokana an’i Miriama, izay azo inoana fa rangory fototry ny afo tamin’ilay fitarainana. Noho ny fanelanelanan’i Mosesy ihany izy vao sitrana tatỳ aoriana.

20, 21. Fisehoan-javatra inona avy no nitarika ho amin’ny didim-pitsaran’i Jehovah hoe tsy maintsy nirenireny nandritra ny 40 taona tany an’efitra ny Isiraely?

20 Rehefa tonga tao Kadesy ny Isiraely, dia nitoby teo an-tokonan’ny Tany Nampanantenaina. Nanome baiko an’i Mosesy izao i Jehovah mba haniraka mpisafo tany hizaha sy hamantatra ilay tany. Niditra avy tany atsimo izy ireo, ka nianavaratra hatrany “akaikin’i Hamata” mihitsy, ary nanao an-jatony kilaometatra maro tao anatin’ny 40 andro. (13:21). Rehefa niverina nitondra sasany tamin’ireo vokatra tondrak’i Kanana ny folo tamin’ireo mpisafo tany, dia tsy naneho finoana tamin’ny filazana fa ho hadalana ny hanafihana olona mahery toy izany sy tanàna mimanda sady lehibe toy izany. Nanandrana ny nampitony ilay fiangonana i Kaleba tamin’ny fanomezana tatitra nanorina, nefa tsy nahomby. Ireo mpisafo tany mpikomy dia nampiditra tahotra tao am-pon’ireo Isiraelita, tamin’ny filazana fa ilay tany dia “mandevona ny monina eo” ary koa fa “ny olona rehetra izay hitanay teo dia olona vaventibe”. Rehefa nameno ilay toby ny fimenomenonana feno fikomiana, dia nitalaho i Josoa sy i Kaleba hoe: “Jehovah momba antsika; koa aza matahotra azy hianareo.” (13:32; 14:9). Kanefa dia nanomboka niresaka ny hitora-bato azy roa lahy ilay fiangonana.

21 Tamin’izay i Jehovah dia nanelanelana nivantana, ka nilaza tamin’i Mosesy hoe: “Mandra-pahoviana no hamotsifotsian’ity firenena ity Ahy? ary mandra-pahoviana no tsy hinoany Ahy noho ny famantarana rehetra izay nataoko teo aminy?” (14:11). Niangavy azy mafy i Mosesy mba tsy handringana ilay firenena, satria voafaoka tamin’izany ny anaran’i Jehovah sy ny lazany. Noho izany, i Jehovah dia namoaka didim-pitsarana fa tsy maintsy nanohy nirenireny tany an’efitra ny Isiraely mandra-pahalany ritra tanteraka an’ireo rehetra anisan’ny nisaina teo amin’ny vahoaka, hatramin’ny 20 taona no ho miakatra. Tamin’ireo lehilahy anisan’ny nisaina, dia i Kaleba sy i Josoa irery no havela hiditra ny Tanin’ny Fampanantenana. Very maina foana ny nanandraman’ilay vahoaka hiakatra araka ny fanapahan-keviny manokana, satria niharan’ny faharesena nahatsiravina avy tamin’ny Amalekita sy ny Kananita izy ireo. Endre ny halehiben’ny sazy naloan’ilay vahoaka noho ny tsy fanajany an’i Jehovah sy ireo solontenany nahatoky!

22. Tamin’ny fomba ahoana avy no nanantitranterana ny maha-zava-dehibe ny fankatoavana?

22 Tena marina fa mbola nanan-javatra maro tsy maintsy nianarana momba ny fankatoavana izy ireo. Nety indrindra àry ny nanomezan’i Jehovah azy ireo lalàna fanampiny mba hanasongadinana fa nila izany izy ireo. Nampahafantatra azy ireo izy fa rehefa tonga tao amin’ny Tany Nampanantenaina izy ireo, dia tsy maintsy nanao fanavotana noho ny fahotana tsy nahy, fa ireo ninia tsy nankato kosa dia tsy maintsy nofongorana tokoa. Araka izany, rehefa hita nanangona kitay ka nandika ny lalàna momba ny Sabata ny lehilahy iray, dia nandidy i Jehovah hoe: “Hatao maty tokoa izany lehilahy izany”. (15:35). Ho fampahatsiahivana ireo didin’i Jehovah sy ny maha-zava-dehibe ny fankatoavana azy ireo, dia nasain’i Jehovah nanisy somotraviavy tamin’ny sisin’ny fitafiany ilay vahoaka.

23. Inona no fiafaran’ny fikomian’i Kora sy i Datana ary i Abirama?

23 Na dia izany aza dia nipoaka indray ny fikomiana. I Kora, i Datana, i Abirama ary ny lehilahy 250 nanan-toerana ambony teo amin’ny fiangonana dia niangona mba hanohitra ny fahefan’i Mosesy sy i Arona. Nentin’i Mosesy teo anatrehan’i Jehovah ilay raharaha, ary hoy izy tamin’ireo mpikomy: ‘Makà fitondran’afo sy ditin-kazo manitra ary asehoy eo anatrehan’i Jehovah ireo, ka avelao izy hifidy.’ (16:6, 7). Niseho tamin’ny fiangonana rehetra izao ny voninahitr’i Jehovah. Nampihatra didim-pitsarana haingana izy, ka nahatonga ny tany hivava sy hitelina ny ankohonan’i Kora sy i Datana ary i Abirama, sady nandefa afo mba handevona ireo lehilahy 250, anisan’izany i Kora, teo am-panaterana ditin-kazo manitra. Ny ampitson’iny sahady ilay vahoaka dia nanomboka nanameloka an’i Mosesy sy i Arona noho izay nataon’i Jehovah, ka dia nandefa areti-mandringana teo amin’izy ireo indray Izy, ary nandripaka mpitaraina 14 700.

24. Famantarana inona no nataon’i Jehovah mba hamaranana ny fikomiana?

24 Noho ireo fisehoan-javatra ireo, dia nandidy ny hanoloran’ny foko tsirairay avy tehina teo anatrehany i Jehovah, anisan’izany ny tehina iray nisy ny anaran’i Arona ho an’ny fokon’i Levy. Ny ampitson’iny dia naseho fa i Arona no nofidin’i Jehovah ho an’ny fisoronana, satria ny tehiny irery no hita fa namelana sy namoa amandes masaka (NW ). Tsy maintsy notahirizina tao amin’ny fiaran’ny fanekena izy io “ho famantarana ho an’ny mpiodina”. (Nom. 17:10; Heb. 9:4). Aorian’ny toromarika fanampiny ho an’ny fanohanana ny fisoronana tamin’ny alalan’ny ampahafolon-karena sy momba ny fampiasana ny rano fanadiovana niaraka tamin’ny lavenon’ny ombivavy mena iray, dia mamerina antsika any Kadesy ilay fitantarana. Teo i Miriama no maty sy nalevina.

25. Tamin’ny ahoana i Mosesy sy i Arona no tsy nanamasina an’i Jehovah, ary inona no vokany?

25 Teto indray koa, teo an-tokonan’ny Tanin’ny Fampanantenana, dia nila ady tamin’i Mosesy ilay fiangonana noho ny tsy fisian’ny rano. Noraisin’i Jehovah ho toy ny filana ady Taminy izany, ka dia niseho tao amin’ny voninahiny Izy, ary nandidy an’i Mosesy mba haka ny tehina sy hampivoaka rano avy tamin’ny vatolampy. Nanamasina an’i Jehovah ve izao i Mosesy sy i Arona? Mifanohitra amin’izany aza, fa nikapoka ny vatolampy indroa tamim-pahatezerana i Mosesy. Nahazo rano hosotroina ny vahoaka sy ny bibiny, fa i Mosesy sy i Arona kosa tsy nilaza an’i Jehovah ho tompon’andraikitra noho izany. Na dia efa ho tapitra aza ilay dia nanasatra fatratra tany an’efitra, dia samy nahazo ny tsy fankasitrahan’i Jehovah izy mirahalahy ary nilazana fa tsy hiditra ny Tanin’ny Fampanantenana. Maty teo an-tendrombohitra Hora i Arona, ary nandimby azy teo amin’ny andraikitry ny mpisoronabe i Eleazara zanany.

26. Fisehoan-javatra inona avy no nanamarika ny fihodidinana an’i Edoma?

26 Niantsinanana ny Isiraely ary nitady hamakivaky ny tanin’i Edoma, kanefa nolavina. Raha nanodidina an’i Edoma ilay vahoaka, dia tafiditra tao anatin’ny zava-nanahirana indray satria nitaraina tamin’Andriamanitra sy i Mosesy. Leon’ny mana izy ireo sady nangetaheta. Noho ny fikomiany, dia nandefa menarana nisy poizina (NW ) teo amin’izy ireo i Jehovah, hany ka maro no maty. Tamin’ny farany, rehefa nifona i Mosesy, dia nasain’i Jehovah nanao menarana varahina iray toy ny afo sy nanantona izany teo amin’ny hazo lava iray. Ireo izay voakaikitra kanefa nijery ilay menarana varahina dia tsy maty. Rehefa nianavaratra ny Isiraelita, dia nosakanan’i Sihona mpanjakan’ny Amorita, avy eo dia i Oga mpanjakan’i Basana, samy mpanjaka liana ady. Nandresy azy ireo an’ady ny Isiraely, ka nanorim-ponenana tao amin’ny faritanin’izy ireo tany atsinanan’ny Lohasahan’i Jordana.

27. Ahoana no namadihan’i Jehovah ny tetik’i Balaka nifandray tamin’i Balama?

27 Fisehoan-javatra tany amin’ireo Lemak’i Moaba (22:1–36:13). Teo am-piandrasana tamim-pahadodonana ny fidirany tao Kanana, ny Isiraelita izao dia niangona teo amin’ireo lemak’i Moaba toy ny efitra (NW ), tany avaratry ny Ranomasina Maty sy atsinanan’i Jordana, teo ampitan’i Jeriko. Rehefa nahita io toby goavana nivelatra teo anoloany io ny Moabita, dia nangorohoro. I Balaka mpanjakany, rehefa avy nifandinika tamin’ireo Midianita, dia nampiantso an’i Balama mba hampiasa fankatovana sy hanozona ny Isiraely. Na dia nilaza nivantana tamin’i Balama aza Andriamanitra hoe: “Aza mandeha miaraka aminy”, dia naniry handeha ihany izy. (22:12). Naniry hahazo ilay valisoa izy. Tamin’ny farany izy dia nandeha ihany, kanefa voasakan’ny anjely iray sady niresahan’ny borikiny niteny azy mafy tamim-pahagagana. Rehefa afaka nanao fanambarana momba ny Isiraely i Balama tamin’ny farany, dia nanindry azy ny fanahin’Andriamanitra, hany ka ireo oha-teny efatra nataony dia tsy naminany afa-tsy fitahiana ho an’ny firenen’Andriamanitra, ary nanambara mialoha mihitsy aza fa hisy kintana hiseho avy amin’i Jakoba sy tehim-panjakana hiposaka avy amin’ny Isiraely mba hanapaka sy handringana.

28. Fandrika an-kolaka inona no nentin’ny fanipazan-kevitr’i Balama teo amin’ny Isiraely, kanefa ahoana no namaranana ilay areti-mandringana?

28 Rehefa avy nampisafoaka an’i Balaka i Balama noho ny tsy nanozonany ny Isiraely, izao izy dia nitady hahazo ny fankasitrahan’ilay mpanjaka tamin’ny fanipazana hevitra fa ireo Moabita dia tokony hampiasa ny vehivavy teo aminy mba hampirisika ny lehilahin’ny Isiraely handray anjara tamin’ireo fanao vetaveta teo amin’ny fanompoam-pivavahana tamin’i Bala. (31:15, 16). Teto, teo an-tsisin’ny Tany Nampanantenaina, dia nanomboka nania noho ny fijangajangana lehibe sy ny fanompoam-pivavahana tamin’andriamani-diso, ny Isiraelita. Rehefa nirehitra tamin’ny alalan’ny areti-mandringana ny fahatezeran’i Jehovah, dia nitaky ny hanasaziana mafy ireo mpanao ratsy i Mosesy. Rehefa nahita ny lohan’ny fianakaviana iray nitondra vehivavy midianita iray tao an-dainy tao afovoan’ilay toby mihitsy i Finehasa, dia nanaraka azy ireo ary namono azy ireo, tamin’ny fanagorobahana ilay vehivavy teo amin’ny fivaviany (NW ). Nitsahatra tamin’izay ilay areti-mandringana, kanefa efa nahafaty olona 24 000 aloha.

29. a) Inona no nahariharin’ny fanisana natao tamin’ny faran’ny taona faha-40? b) Fiomanana inona izao no natao mba hidirana tao amin’ny Tany Nampanantenaina?

29 Nandidy an’i Mosesy sy i Eleazara izao i Jehovah mba hanisa ny vahoaka indray, toy ny efa natao efa ho 39 taona taloha teo an-tendrombohitra Sinay. Ny tontalin’isa farany dia nampiseho fa tsy nisy fitomboan’isa teo amin’izy ireo. Mifanohitra amin’izany aza, fa voaisa fa latsaka 1 820 ny isan’ireo lehilahy. Tsy nisy na dia iray aza tavela tamin’ireo nisaina tany Sinay mba hanao ny fanompoana tao amin’ny tafika, afa-tsy i Josoa sy i Kaleba. Araka ny nolazain’i Jehovah fa hitranga, izy rehetra dia maty tany an’efitra. Nanaraka izany, i Jehovah dia nanome toromarika momba ny fizarana ny tany ho lova. Naveriny fa i Mosesy dia tsy hiditra ny Tanin’ny Fampanantenana noho ny tsy nanamasinany an’i Jehovah teo amin’ny ranon’i Meriba. (20:13; 27:14, NW, f.a.p.). Notendrena ho mpandimby an’i Mosesy i Josoa.

30. Ahoana no nandaminana ilay raharaha nifandray tamin’ireo Midianita, ary fizarana faritany inona no natao tany atsinanan’i Jordana?

30 Tamin’ny alalan’i Mosesy, nanaraka izay i Jehovah dia nampahatsiahy ny Isiraely ny amin’ny maha-zava-dehibe ireo lalàny momba ny fanatitra sy ny andro firavoravoana ary ny maha-zava-dehibe ny voady. Nasainy nalamin’i Mosesy koa ilay raharaha momba ireo Midianita noho izy ireo nanosika ny Isiraely hanota noho ny amin’i Balan’i Peora. Ny lehilahy midianita rehetra dia novonoina tany an’ady, niaraka tamin’i Balama, ary ankizivavy mbola virjiny ihany no tsy novonoina, ka 32 000 taminy no nentina ho babo niaraka tamin’ny biby 808 000 norobaina. Tsy nisy na dia Isiraelita iray avy tany an’ady aza voalaza fa tsy teo. Ny taranak’i Robena sy ny taranak’i Gada, izay niompy ondry aman’osy, dia nangataka ny hanorim-ponenana tao amin’ilay faritany teo atsinanan’i Jordana, ary rehefa avy nanaiky ny hanampy handresy ny Tany Nampanantenaina izy ireo, dia nekena ny fangatahany, hany ka nomena ho an’ireo foko roa ireo ary koa ho an’ny antsasaky ny firenen’i Manase ho zara-taniny io lembalemba lonaka io.

31. a) Teo am-pidirana tao amin’ilay tany, ahoana no tsy maintsy nanohizan’ny Isiraely nampiseho ny fankatoavany? b) Toromarika inona avy no nomena momba ireo zara-tany?

31 Rehefa namerina ireo toerana nijanonana nandritra ilay dia naharitra 40 taona ilay firaketana an-tsoratra, dia mifantoka indray amin’ny ilana ny fankatoavana an’i Jehovah. Hanome azy ireo ilay tany Andriamanitra, saingy tsy maintsy ho mpanatanteraka ny didim-pitsarany izy ireo, tamin’ny fandroahana ireo mponina nikororosy fitondran-tena sy mpanompo demonia, sy tamin’ny fandravana izay soritra farany rehetra tamin’ny fivavahany fanompoan-tsampy. Nomarihina tamin’ny an-tsipiriany ireo sisin-tanin’ilay tany nomen’Andriamanitra azy. Tsy maintsy nozaraina teo aminy araka ny filokana izy io. Ireo Levita, izay tsy nanana zara-tany teo amin’ny taranany, dia tsy maintsy nomena tanàna 48 niaraka tamin’ny tany kijana nanodidina azy (NW ), ka ny 6 tamin’ireo dia ho tanàna fandosirana ho an’izay nahafaty olona tsy nahy. Tsy maintsy nijanona teo anivon’ny foko tsirairay avy ny faritaniny, ka tsy hafindra ho amin’ny foko hafa noho ny fanambadiana. Raha tsy nisy lehilahy mpandova, ireo zanakavavy izay nahazo zara-tany — ohatra ireo zanakavavin’i Zelofada — dia tsy maintsy nanambady olona tao amin’ny fokony ihany. (27:1-11; 36:1-11). Ny Nomery dia mifarana amin’ireo didin’i Jehovah tamin’ny alalan’i Mosesy ireo, sy amin’ny zanak’Isiraely vonona ny hiditra ny Tanin’ny Fampanantenana tamin’ny farany.

MAHASOA — NAHOANA?

32. Tamin’ny fomba ahoana avy no nanomezana tandindona ao amin’ny Nomery, momba an’i Jesosy sy ny sorona nataony?

32 I Jesosy dia niresaka imbetsaka momba ny Nomery, ary ny apostoliny sy ny mpanoratra ao amin’ny Baiboly hafa dia nampiseho mazava tsara fa tena misy heviny sady mahasoa ny firaketana an-tsoratra ao anatiny. Ny apostoly Paoly dia nampitaha tamin’ny fomba voafaritra tsara ny fanompoana feno fahatokian’i Jesosy tamin’ny an’i Mosesy, izay voarakitra an-tsoratra amin’ny lafiny lehibe ao amin’ny Nomery. (Heb. 3:1-6). Ireo fanatitra biby sy ny famafazana ny lavenon’ilay vantotr’ombivavy mena ao amin’ny Nomery 19:2-9 dia mampiseho indray ilay fandaharam-panadiovana lehibe lavitra atao amin’ny alalan’ny soron’i Kristy. — Heb. 9:13, 14.

33. Nahoana no tokony hahaliana antsika amin’izao andro izao ilay famoahana rano tany an’efitra?

33 Tsy misy hafa amin’izany koa, i Paoly dia nampiseho fa ny famoahana rano avy tamin’ilay vatolampy tany an’efitra dia feno heviny ho antsika, satria hoy izy: “Nisotro tamin’ny vatolampy fanahy izay nanaraka azy izy, ary Kristy izany vatolampy izany.” (1 Kor. 10:4; Nom. 20:7-11). Nety indrindra àry ny nilazan’i Kristy momba ny tenany toy izao: “Na iza na iza no misotro ny rano izay homeko azy dia tsy hangetaheta mandrakizay; fa ny rano izay homeko azy dia ho loharano miboiboika ao anatiny ho fiainana mandrakizay.” — Jaona 4:14.

34. Ahoana no nampisehoan’i Jesosy fa nanana heviny ara-paminaniana ilay menarana varahina?

34 I Jesosy koa dia nanisy firesahana nivantana momba ny zava-niseho voarakitra an-tsoratra ao amin’ny Nomery izay sary nampiseho ny fandaharana mahatalanjona nataon’Andriamanitra tamin’ny alalany. “Tahaka ny nanandratan’i Mosesy ny menarana tany an-efitra”, hoy izy, “no tsy maintsy hanandratana ny Zanak’olona, mba hanana fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy.” — Jaona 3:14, 15; Nom. 21:8, 9.

35. a) Tokony hitandrina ny amin’inona ny Kristiana, araka ny nasehon’ireo Isiraelita tany an’efitra, ary nahoana? b) Tao amin’ny taratasin’izy ireo avy, ohatra ny amin’ny faniriana mihoa-pampana sy fikomiana inona avy no nasian’i Joda sy i Petera firesahana?

35 Nahoana ireo Isiraelita no nomelohina mba hirenireny nandritra ny 40 taona tany an’efitra? Noho ny tsy fananany finoana. Nanome fananarana mahery toy izao momba io hevitra io ny apostoly Paoly: “Tandremo, ry rahalahy, fandrao hisy aminareo hanana fo ratsy tsy mino ka hiala amin’Andriamanitra velona; fa mifananara isan-andro”. Noho ny tsy fankatoavany sy noho ny tsy fahatokiany, ireny Isiraelita ireny dia maty tany an’efitra. “Koa aoka isika hazoto hiditra amin’izany [fitsaharan’Andriamanitra] izany, fandrao hisy olona latsaka amin’ny tsi-finoana tahaka izany koa.” (Heb. 3:7–4:11; Nom. 13:25–14:38). Rehefa nampitandrina ny amin’ireo olona ratsy fanahy izay niteny ratsy ny zavatra masina i Joda, dia nanisy firesahana momba ny faniriana mihoa-pampan’i Balama hahazo tamby sy momba ny fiodinan’i Kora tamin’i Mosesy mpanompon’i Jehovah. (Joda 11; Nom. 22:7, 8, 22; 26:9, 10). I Balama koa dia nantsoin’i Petera ho ilay “tia ny tambin’ny tsifahamarinana” ary nantsoin’i Jesosy nomem-boninahitra ho ilay ‘nanisy fahatafintohinana teo anoloan’ny Isiraely, dia ny an’ny fanompoan-tsampy sy ny fijangajangana’, tao amin’ny fanambarana nomeny an’i Jaona. Azo antoka fa tokony hahazo fampitandremana momba ny olona tsy masina toy izany ny kongregasiona kristiana amin’izao andro izao. — 2 Pet. 2:12-16; Apok. 2:14.

36. Ny amin’ny zava-dratsy inona avy no nampitandreman’i Paoly, ary ahoana no mety hahazoantsika amin’izao andro izao soa avy amin’ny toroheviny?

36 Rehefa nipoitra ny fijangajangana tao amin’ny kongregasiona korintiana, dia nanoratra tamin’izy ireo “mba tsy ho mpila zava-dratsy” i Paoly, ka niresaka momba ny Nomery tamin’ny fomba voafaritra tsara. Nananatra toy izao izy: “Ary aoka tsy hijangajanga isika tahaka ny sasany tamin’ireny, ka telo arivo amby roa alina no ringana indray andro.” (1 Kor. 10:6, 8; Nom. 25:1-9; 31:16). b Ahoana ny amin’ilay toe-javatra fony nitaraina ny vahoaka fa hoe nitondra zava-tsarotra ho an’ny tenany ny fankatoavana ireo didin’Andriamanitra, ary koa fa hoe tsy afa-po tamin’ny fanomezan’i Jehovah ny mana izy ireo? Momba izany, dia hoy i Paoly: “Ary aoka tsy haka fanahy [an’i Jehovah, NW ] isika, tahaka ny nakan’ny sasany tamin’ireny fanahy Azy, ka matin’ny menarana ireny.” (1 Kor. 10:9; Nom. 21:5, 6). Avy eo, dia nanohy toy izao i Paoly: “Ary aoka tsy himonomonona hianareo tahaka ny sasany tamin’ireny, izay matin’ny mpandringana.” Endre ny hangidin’ny fanandraman-javatra hitan’ny Isiraely ho vokatry ny fimonomononany tamin’i Jehovah sy ny solontenany ary ny fandaharany! Ireo zavatra izay “nanohy nanjo azy ho anatra” ireo dia tokony ho fampitandremana mazava tsara ho antsika rehetra amin’izao andro izao, mba hahafahantsika hanohy hanompo an’i Jehovah amin’ny fahafenoan’ny finoana. — 1 Kor. 10:10, 11, NW; Nom. 14:2, 36, 37; 16:1-3, 41; 17:5, 10.

37. Manomeza ohatra manazava fa manampy antsika hahatakatra andininy hafa ao amin’ny Baiboly ny Nomery.

37 Ny Nomery koa dia manome ny fototra ara-tantara ahazoana mahatakatra tsara kokoa ny andininy maro hafa ao amin’ny Baiboly. — Nom. 28:9, 10Matio 12:5; Nom. 15:38Matio 23:5; Nom. 6:2-4Lioka 1:15; Nom. 4:3Lioka 3:23; Nom. 18:311 Kor. 9:13, 14; Nom. 18:26Heb. 7:5-9; Nom. 17:8-10Heb. 9:4.

38. Amin’ny fomba manokana inona avy ny bokin’ny Nomery no mahasoa, ary misarika ny saintsika ho amin’inona izy io?

38 Izay voarakitra an-tsoratra ao amin’ny Nomery dia tena nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra, ary mahasoa mba hampianatra antsika ny maha-zava-dehibe ny fankatoavana an’i Jehovah sy ny fanajana ireo izay notendreny ho mpiandraikitra eo amin’ny vahoakany. Amin’ny alalan’ny ohatra izy io dia manome tsiny ny fanaovan-dratsy, ary amin’ny alalan’ny fitrangan-javatra nisy heviny ara-paminaniana, izy io dia misarika ny saintsika ho amin’Ilay nomen’i Jehovah ho Mpamonjy sy Mpitarika ny vahoakany amin’izao andro izao. Izy io dia manome ny fampitohizana tena ilaina sy ahitana fianarana ao amin’ilay firaketana an-tsoratra mitarika ho amin’ny fanorenana ny Fanjakana marin’i Jehovah eo an-tanan’i Jesosy Kristy, ilay notendreny ho Mpanalalana sy Mpisoronabe.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Insight on the Scriptures, Boky 1, pejy 540-542.

b Auxiliaire pour une meilleure intelligence de la Bible, pejy 160.

[Fanontaniana]