Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-40 — Matio

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-40 — Matio

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-40 — Matio

Mpanoratra: Matio

Toerana Nanoratana: Palestina

Vita Tamin’ny: 41 al.f.i. tany ho any

Fe-potoana Voafaoka: 2 al.f.i. – 33 am.f.i.

1. a) Fampanantenana inona no naroson’i Jehovah teo anoloan’ny taranak’olombelona nanomboka tany Edena? b) Ahoana no nahatonga ny fanantenana ny Mesia ho tafaorina mafy teo amin’ireo Jiosy?

 NANOMBOKA tamin’ny fotoan’ny fikomiana tany Edena, i Jehovah dia nihazona teo anoloan’ny taranak’olombelona ilay fampanantenana feno fampiononana fa hoe hanome fanafahana ho an’izay rehetra tia ny fahamarinana amin’ny alalan’ny Taranak’ilay “vehivavy” vadiny izy. Io Taranaka, na Mesia, io, araka ny fikasany, dia hapoitrany avy amin’ny firenen’ny Isiraely. Arakaraka ny fandehan’ireo taonjato, dia nataony izay hiraketan’ny mpanoratra hebreo nahazo tsindrimandry an-tsoratra faminaniana am-polony maro. Asehon’izy ireo fa ilay Taranaka dia ho Mpanapaka ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra, ary koa fa hanao zavatra ho fanamasinana ny anaran’i Jehovah izy, mba hanadiovana azy mandrakizay amin’ny fahafaham-baraka natototra azy. Tsipiriany maro no nomena tamin’ny alalan’ireo mpaminany ireo mikasika an’ilay ho mpanamarina an’i Jehovah sy hitondra fanafahana amin’ny tahotra, ny fampahoriana, ny fahotana ary ny fahafatesana. Rehefa vita ireo Soratra Hebreo, dia tafaorina mafy teo amin’ireo Jiosy ny fanantenana ny amin’ny Mesia.

2. Rehefa niseho ny Mesia, tamin’ny ahoana ireo toe-javatra no vonona tsara mba hampielezana ny vaovao tsara?

2 Nandritra izany fotoana izany, dia niova ny sehatr’izao tontolo izao. Notarihin’Andriamanitra ireo firenena mba hiomana ho amin’ny fisehoan’ny Mesia, ary vonona tsara ny toe-javatra mba hampielezana eran’ny vazan-tany ny vaovao momba io fisehoan-javatra io. Ilay herim-panjakana fahadimy, izany hoe i Grisia, dia nanome fiteny niombonana iray, izay fitaovam-pifandraisana nanerana ny firenena rehetra. I Roma, ilay herim-panjakana fahenina, kosa dia nampiray ireo firenena nofeheziny mba ho empira tokana nanerana izao tontolo izao, ary nanomana lalana mba hahatratrarana ny faritra rehetra teo amin’ilay empira. Jiosy maro no naparitaka nanerana io empira io, hany ka nanjary nahafantatra momba ny fiandrasan’ny Jiosy ny Mesia ho avy iray ny hafa. Ary ankehitriny, 4 000 taona mahery taorian’ilay fampanantenana tany Edena, dia efa niseho ilay Mesia! Efa tonga ilay Taranaka nampanantenaina nandrasana hatramin’ny ela! Nivelatra ireo fisehoan-javatra lehibe indrindra hatramin’izay teo amin’ny tantaran’ny olombelona, rehefa nanatontosa tamim-pahatokiana teto an-tany ny sitrapon’ny Rainy ny Mesia.

3. a) Fandaharana inona no nataon’i Jehovah mba hiraketana an-tsoratra ireo tsipiriany tamin’ny fiainan’i Jesosy? b) Inona no mampiavaka ny tsirairay amin’ireo Filazantsara, ary nahoana no tena ilaina izy efatra ireo?

3 Tonga indray ny fotoana hiraketana an-tsoratra ara-tsindrimandry an’ireny zava-nitranga lehibe ireny. Nanome tsindrimandry lehilahy nahatoky efatra ny fanahin’i Jehovah mba hanoratra fitantarana tsy nifampiankina. Tamin’izany izy ireo dia nanolotra teny vavolombelona efatra sosona fa i Jesosy no ilay Mesia, dia ilay Taranaka sady Mpanjaka nampanantenaina, ary nanome ireo tsipiriany momba ny fiainany, ny fanompoany, ny fahafatesany ary ny fitsanganany tamin’ny maty. Antsoina hoe Filazantsara ireo fitantarana ireo, ka ny teny hoe “filazantsara” dia midika hoe “vaovao tsara”. Na dia mifanitsy aza izy efatra ireo, ary matetika no mahafaoka fitrangan-javatra mitovy ihany, dia tsy kopian’ilay iray hafa fotsiny akory ny tsirairay avy aminy. Ireo Filazantsara telo voalohany dia antsoina matetika hoe synoptiques, izay midika hoe “fijery mitovy”, satria mandray ny fitantarana ny fiainan’i Jesosy teto an-tany amin’ny fomba mitovy izy ireo. Ny tsirairay amin’ireo mpanoratra efatra — Matio, Marka, Lioka ary Jaona — anefa dia milaza ny tantarany manokana momba an’i Kristy. Ny tsirairay avy aminy dia manana ny loha heviny sy ny zava-kendreny manokana, manome taratry ny maha-izy azy manokana ary mihazona ao an-tsainy ireo mpamaky azy mivantana. Arakaraka ny ikarohantsika ny asa soratra nataon’izy ireo no itomboan’ny fahatakarantsika ireo lafin-javatra mampiavaka ny tsirairay aminy. Mitombo araka izany koa ny fahatakarantsika fa ireo boky ara-tsindrimandry efatra ao amin’ny Baiboly ireo dia mahaforona fitantarana tsy mifampiankina sy mifameno ary mirindra tsara momba ny fiainan’i Jesosy Kristy.

4. Inona no fantatra momba ny mpanoratra ny Filazantsara voalohany?

4 Ny voalohany nandray an-tsoratra ny vaovao tsara momba an’i Kristy dia i Matio. Azo inoana fa ny anarany dia fanafohezana ilay anarana hebreo hoe “Mattithiah”, izay midika hoe “Fanomezan’i Jehovah”. Iray tamin’ireo apostoly 12 nofidin’i Jesosy izy. Nandritra ny fotoana nitetezan’ilay Mpampianatra ny tanin’i Palestina, nitoriana sy nampianarana momba ny Fanjakan’Andriamanitra, dia nanana fifandraisana akaiky dia akaiky taminy i Matio. Talohan’ny nahatongavany ho mpianatr’i Jesosy, dia mpamory hetra i Matio. Asa nankahalain’ireo Jiosy lalina izany asa izany, satria nampahatsiahy azy ireo tsy tapaka fa tsy afaka izy ireo, fa teo ambany fanapahan’ny empira romana. Fantatra koa tamin’ny hoe Levy i Matio ary zanak’i Alfeo. Nanaiky avy hatrany ny fanasan’i Jesosy mba hanaraka azy izy. — Matio 9:9; Marka 2:14; Lioka 5:27-32.

5. Ahoana no anaporofoana fa i Matio no nanoratra ny Filazantsara voalohany?

5 Na dia tsy manonona an’i Matio ho mpanoratra azy aza ilay Filazantsara, ny teny fanamarinana tondraka avy amin’ireo mpanoratra tantaran’ny fiangonana tany am-boalohany dia manamarina azy ho izany. Tsy misy boky tranainy hafa ahitana ny mpanoratra azy voaporofon’ny rehetra mazava tsara angamba ankoatra ny bokin’i Matio. Nanomboka hatrany amin’i Papias avy tany Hiérapolis (fiandohan’ny taonjato faharoa am.f.i.), isika dia manana lisitra vavolombelona tany am-boalohany manamarina fa i Matio no nanoratra io Filazantsara io ary koa fa tapany azo itokiana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra izy io. Hoy ny ambaran’ny Cyclopedia nataon’i McClintock sy i Strong: “Misy andalan-teny avy ao amin’ny Matio notononin’i Justin le Martyr, ny mpanoratra ilay taratasy ho an’i Diognète (jereo ny Justin Martyr, nataon’i Otto, boky ii), i Hégésippe, i Irénée, i Tatien, i Athénagore, i Théophile, i Clément, i Tertullien ary i Origène. Tsy ilay foto-kevitra fotsiny, fa ny fomba nanaovana ireo fakan-teny, ny fakana hevitra tamim-pahatoniana avy tamin’ny fahefana efa miorina iray, ny tsy fisian’ny fisalasalana na dia kely akory aza, no mahatonga antsika hihevitra hoe voaporofo fa tsy niharan’ny fiovana tampoka velively ilay boky ananantsika.” a Ny naha-apostoly an’i Matio, sy ny nahazoany ny fanahin’Andriamanitra tamin’ny naha-izany azy, dia manome toky fa izay nosoratany dia firaketana an-tsoratra mahatoky.

6, 7. a) Oviana ary tamin’ny fiteny inona no nanoratana voalohany ny Filazantsaran’i Matio? b) Inona no mampiseho fa nosoratana voalohany indrindra ho an’ireo Jiosy izy io? d) Impiry io Filazantsara io no mirakitra ny anaran’i Jehovah ao amin’ny Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao, ary nahoana?

6 Nanoratra ny fitantarany tany Palestina i Matio. Tsy fantatra ny taona marina nanaovany izany, kanefa ireo soratra fanampiny eo amin’ny faran’ireo sora-tanana (samy taorian’ny taonjato fahafolo am.f.i. avokoa izy rehetra) dia milaza fa tamin’ny 41 am.f.i. izany. Misy porofo mampiseho fa nanoratra ny Filazantsarany tany am-boalohany tamin’ny teny hebreo nahazatra tamin’izany fotoana izany i Matio, ary nandika azy io tatỳ aoriana tamin’ny teny grika. Ao amin’ny bokiny hoe De viris inlustribus (Ny Amin’ireo Lehilahy Malaza), toko faha-III, dia hoy ny nolazain’i Jérôme: “I Matio, na koa hoe Levy, izay mpamory hetra talohan’ny naha-apostoly azy, dia nanao voalohany indrindra Filazantsara iray momba an’i Kristy tany Jodia tamin’ny fiteny sy soratra hebreo mba hahasoa ireo teo ambanin’ny lalàn’ny famorana ka nino.” b Nanampy teny i Jérôme fa io Filazantsara io tamin’ny teny hebreo dia notahirizina tamin’ny androny (taonjato fahefatra sy fahadimy am.f.i.) tao amin’ny tahirim-boky nangonin’i Pamphile tany Kaisaria.

7 Tany am-piandohan’ny taonjato fahatelo, i Eusèbe dia nanonona an’i Origène izay niresaka momba ireo Filazantsara ary nilaza fa ilay “voalohany dia nosoratana (...) araka an’i Matio, (...) izay sady namoaka azy io ho an’ireo izay avy tamin’ny Jodaisma ka nanjary nino, no nanao azy io tamin’ny teny hebreo”. c Ny hoe nosoratana ho an’ireo Jiosy voalohany indrindra izy io dia asehon’ny tetirazana ao aminy, izay mampiseho ny firazanana ara-dalàn’i Jesosy nanomboka tamin’i Abrahama. Izany koa dia asehon’ireo fakan-teny maro be avy ao amin’ny Soratra Hebreo, mba hampisehoana fa manondro an’ilay Mesia ho avy izy ireo. Araka ny fandrindran-kevitra ny hinoana fa nampiasa ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah tamin’ny endriky ny Tetragrama i Matio, rehefa naka teny avy tamin’ny Soratra Hebreo nirakitra io anarana io. Izany no antony isian’ny anarana hoe Jehovah in-18 ao amin’ny bokin’i Matio ao amin’ny Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao, toy ilay bokin’i Matio amin’ny teny hebreo navoakan’i F. Delitzsch voalohany tamin’ny taonjato faha-19. Tsy maintsy ho nanana fihetsika nitovy tamin’ny an’i Jesosy teo anatrehan’ny anaran’Andriamanitra i Matio ary tsy ho voasakan’ny finoanoampoana jiosy nanjaka hatraiza hatraiza momba ny tsy fampiasana io anarana io. — Matio 6:9; Jaona 17:6, 26.

8. Ahoana no ahitana taratry ny naha-mpamory hetra an’i Matio ao amin’ireo loha hevitra raketin’ny Filazantsarany?

8 Koa satria mpamory hetra i Matio, dia tsy maintsy hanome avy hatrany fanazavana mazava tsara izy, rehefa nanonona vola sy isa ary vidin-javatra. (Matio 17:27; 26:15; 27:3). Nankasitrahany mafy ny famindram-pon’Andriamanitra, namela azy, izay mpamory hetra nohamavoin’ny hafa, ho tonga mpanompon’ny vaovao tsara sady namana akaiky an’i Jesosy. Noho izany, dia i Matio irery, amin’ireo mpanoratra ny Filazantsara, no hitantsika manome ireo tenin’i Jesosy mamerimberina sy manizingizina fa hoe takina, ankoatra ny fanatitra alatsa-dra, ny famindram-po. (9:9-13; 12:7; 18:21-35). Nahazo fampaherezana be dia be i Matio noho ny hatsaram-panahin’i Jehovah amin’izay tsy mendrika akory ary nirakitra an-tsoratra araka ny mety ny sasany tamin’ireo teny feno fampiononana notononin’i Jesosy, toy ny hoe: “Mankanesa atỳ amiko, hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana. Ento ny ziogako, ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo hianareo. Fa mora ny ziogako, ary maivana ny entako.” (11:28-30). Namelombelona toy inona moa ireo teny feno fanehoam-pitiavana ireo ho an’ilay mpamory hetra taloha, izay tsy isalasalana fa tsy nahazo afa-tsy ompa avy tamin’ireo mpiray firenena taminy!

9. Loha hevitra inona sy fomba fampiseho inona no mampiavaka ny Matio?

9 Nohamafisin’i Matio indrindra indrindra fa ny loha hevitry ny fampianaran’i Jesosy dia “ny fanjakan’ny lanitra”. (4:17). Taminy, i Jesosy dia sady Mpitory no Mpanjaka. Nampiasa ilay teny hoe “fanjakana” matetika aoka izany izy (maherin’ny in-50), hany ka ho azo antsoina hoe Filazantsaran’ilay Fanjakana ny Filazantsarany. Niahy kokoa ny amin’ny fanolorana araka ny fandrindran-kevitra ireo lahateny ampahibemaso sy toriteny nataon’i Jesosy i Matio, toy izany ny amin’ny fifandimbasan-javatra manaraka ny fandehan’ny fotoana hentitra. Ao amin’ireo toko 18 voalohany, ny fanasongadinan’i Matio ny loha hevitra ny amin’ilay Fanjakana dia nitarika azy hivaona tamin’ny fandaharana araka ny fandehan’ny fotoana. Kanefa, ireo toko folo farany (19 ka hatramin’ny 28) mazàna dia sady manaraka fifandimbasan-javatra manaraka ny fandehan’ny fotoana no manohy manamafy ny amin’ilay Fanjakana.

10. Firy amin’ireo loha hevitra raketiny no tsy hita afa-tsy ao amin’ny Matio, ary fe-potoana toy inona no voafaoka ao amin’io Filazantsara io?

10 Ny 42 isan-jaton’ny Filazantsaran’i Matio dia tsy hita ao amin’ireo Filazantsara telo hafa. d Tafiditra amin’izany ny fanoharana folo fara fahakeliny: Ireo tsimparifary any an-tanimbary, (13:24-30), ilay harena nafenina, (13:44), ilay vato soa sarobidy, (13:45, 46), ilay harato tarihina, (13:47-50), ilay mpanompo tsy mamindra fo, (18:23-35), ireo mpiasa sy ilay denaria, (20:1-16), ilay ray sy ireo zanany mirahalahy, (21:28-32), ilay fampakaram-badin’ny zanaky ny mpanjaka, (22:1-14), ireo virjiny folo, (25:1-13) ary ireo talenta, (25:14-30). Amin’ny fitambarany, ilay boky dia manome ny fitantarana hatramin’ny nahaterahan’i Jesosy tamin’ny taona 2 al.f.i. ka hatramin’ny fiarahany tamin’ireo mpianany talohan’ny niakarany tany an-danitra avy hatrany, tamin’ny taona 33 am.f.i.

LOHA HEVITRA RAKETIN’NY MATIO

11. a) Inona no anombohan’ilay Filazantsara araka ny fandrindran-kevitra, ary fisehoan-javatra tany am-boalohany inona avy no tantarainy? b) Inona avy ny sasany amin’ireo fahatanterahana ara-paminaniana isarihan’i Matio ny saintsika?

11 Fampidirana an’i Jesosy sy vaovao ny amin’ny “fanjakan’ny lanitra” (1:1–4:25). Araka ny fandrindran-kevitra ny anombohan’i Matio amin’ny tetirazan’i Jesosy, mba hanaporofoana ny zo ara-dalàn’i Jesosy ho mpandova an’i Abrahama sy i Davida. Araka izany, dia voasarika avy hatrany ny sain’ilay mpamaky jiosy. Avy eo isika dia mamaky ny fitantarana ny amin’ny nahatorontoronina an’i Jesosy tamin’ny fomba mahagaga, ny nahaterahany tany Betlehema, ny fitsidihan’ireo Magy, ny namonoan’i Heroda tamim-pahatezerana ny zazalahy latsaka ny roa taona rehetra tao Betlehema, ny nandosiran’i Josefa sy i Maria nankany Egypta niaraka tamin’ilay zazakely, ary ny niverenan’izy ireo taorian’izay, mba honina tany Nazareta. Nitandrina i Matio mba hisarika ny saina ho amin’ny fahatanterahan’ireo faminaniana nanamarina fa i Jesosy no ilay Mesia nambara mialoha. — Matio 1:23Isaia 7:14; Matio 2:1-6Mika 5:1; Matio 2:13-18Hosea 11:1 sy Jer. 31:15; Matio 2:23Isaia 11:1, NW, f.a.p.

12. Inona no nitranga tamin’ny batisan’i Jesosy sy taorian’izy io avy hatrany?

12 Mandingana ny efa ho 30 taona nanaraka izao ny fitantaran’i Matio. Nitory toy izao tany an’efitr’i Jodia i Jaona Mpanao Batisa: “Mibebaha hianareo; fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra.” (Matio 3:2). Nanao batisa ireo Jiosy nibebaka tao amin’ny onin’i Jordana izy, ary nampitandrina ireo Fariseo sy Sadoseo ny amin’ny fahatezerana ho avy. Tonga avy tany Galilia i Jesosy ary natao batisa. Avy hatrany ny fanahin’Andriamanitra dia nidina teo aminy, ary nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: “Ity no Zanako malalako Izay sitrako.” (3:17). Avy eo i Jesosy dia nentina tany an’efitra, izay nakan’i Satana Devoly fanahy azy, rehefa avy nifady hanina 40 andro izy. Intelo izy no nandresy tosika an’i Satana tamin’ny fakana teny avy tao amin’ny Tenin’Andriamanitra, ary nilaza tamin’ny farany hoe: “Mandehana hianao, ry Satana: fa voasoratra hoe: ‘Jehovah Andriamanitrao no hiankohofanao, ary Izy irery ihany no hotompoinao’.” — 4:10.

13. Ezaka nampientana fatratra inona izao no natomboka tao Galilia?

13 “Mibebaha hianareo, fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra.” Ireo teny mampientana fatratra ireo izao no nambaran’i Jesosy voahosotra, tany Galilia. Niantso mpanarato efatra avy teo amin’ny haratony, mba hanaraka azy sy ho tonga “mpanarato olona”, izy. Avy eo, dia niaraka izy ireo, “nandeha eran’i Galilia ka nampianatra tao amin’ny synagogan’ny olona teo sy nitory ny filazantsaran’ny fanjakana ary nahasitrana ny aretina rehetra mbamin’ny rofy rehetra tamin’ny olona”. — 4:17, 19, 23.

14. Tao amin’ny Toriteniny teo An-tendrombohitra, fahasambarana inona avy no noresahin’i Jesosy, ary inona no nolazainy momba ny rariny?

14 Ilay Toriteny teo An-tendrombohitra (5:1–7:29). Rehefa nanomboka nanaraka azy ny vahoaka, dia niakatra teny an-tendrombohitra i Jesosy, nipetraka ary nanomboka nampianatra ireo mpianany. Nanokatra io lahateny nampientana io tamin’ny alalan’ny ‘fahasambarana’ sivy izy: Sambatra izay mahatsapa fa mila zavatra ara-panahy (NW ), izay ory, izay malemy fanahy, izay noana sy mangetaheta ny fahamarinana, izay miantra, izay madio am-po, izay mpampihavana, izay enjehina noho ny fahamarinana, izay haratsina sy tenenina ratsy. “Mifalia sy miravoravoa hianareo, fa lehibe ny valim-pitianareo any an-danitra”. Niantso ny mpianany hoe ny “fanasin’ny tany” sy ny “fahazavan’izao tontolo izao” izy, ary nanazava ny amin’ilay rariny, izay samy hafa aoka izany tamin’ny fombafomban’ireo mpanora-dalàna sy Fariseo, ka takina mba hidirana ao amin’ny Fanjakan’ny lanitra. “Aoka ho tanteraka hianareo toy ny fahatanterahan’ny Rainareo Izay any an-danitra.” — 5:12-14, 48.

15. Inona no nolazain’i Jesosy momba ny vavaka sy momba ilay Fanjakana?

15 Nampitandrina tamin’ny fanaovana fanomezana sy vavaka feno fihatsarambelatsihy i Jesosy. Nampianatra an’ireo mpianany mba hivavaka ho an’ny fanamasinana ny anaran’ny Rainy izy sy ho an’ny fahatongavan’ny Fanjakany ary ho an’ny haniny isan’andro. Hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny faran’ilay toriteny, i Jesosy dia nanasongadina ilay Fanjakana teo amin’ny toerana voalohany. Nampitandrina ireo izay nanaraka azy izy mba tsy hanahy ny amin’ny harena ara-nofo na hoe tsy hiasa afa-tsy ho amin’izany, satria fantatry ny Ray izay zavatra tena nilain’izy ireo. “Aza mitsahatra àry”, hoy izy, “mikatsaka voalohany indrindra ilay fanjakana sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany zavatra hafa rehetra izany.” — 6:33, NW.

16. a) Inona no torohevitr’i Jesosy momba ny fifandraisana amin’ny hafa, ary inona no nolazainy mikasika ireo izay mankato ny sitrapon’Andriamanitra sy ireo izay tsy mankato? b) Inona no vokatry ny toriteniny?

16 Nanome torohevitra momba ny fifandraisana tamin’ny hafa ilay Mpampianatra, ka nanao hoe: “Koa amin’izany na inona na inona tianareo hataon’ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy kosa tahaka izany”. Ireo olom-bitsy mahita ny lalana mankany amin’ny fiainana dia ho ireo izay manao ny sitrapon’ny Rainy. Ireo mpanao meloka kosa dia ho fantatra amin’ny voany ka holavina. Nampitovy ilay olona nankato ny teniny tamin’ny “lehilahy manan-tsaina (...), izay nanorina ny tranony teo ambonin’ny vatolampy”, i Jesosy. Inona no vokatr’izany lahateny izany teo amin’ilay vahoaka nihaino azy? “Talanjona (...) noho ny fampianarany” izy ireo, “satria nampianatra azy toy izay manana fahefana Izy, fa tsy tahaka ny mpanora-dalàna teo aminy”. — 7:12, 24-29.

17. Ahoana no nampisehoan’i Jesosy ny fahefany tamin’ny naha-Mesia azy, ary fiahiana feno fitiavana inona no nasehony?

17 Niitatra ny fitoriana ilay Fanjakana (8:1–11:30). Nanao fahagagana maro i Jesosy — nanasitrana ny boka sy ny mararin’ny paralysisa ary ny azon’ny demonia (NW ). Nampiseho ny fananany fahefana teo amin’ny rivotra sy ny onja (NW ) mihitsy aza izy tamin’ny fampitsaharana tafio-drivotra iray, ary nanangana ankizivavy iray tamin’ny maty. Toy inona moa ny fangoraham-po tsapan’i Jesosy ho an’ny vahoaka rehefa hitany fa nampahantraina sy nafoy “toy ny ondry tsy misy mpiandry” izy ireo! Araka ny nolazainy tamin’ny mpianany, dia “be ny vokatra, fa ny mpiasa no vitsy; koa amin’izany mangataha amin’ny Tompon’ny vokatra mba hampandehanany mpiasa hamory ny vokatra”. — 9:36-38.

18. a) Fampianarana sy fananarana inona no nomen’i Jesosy an’ireo apostoliny? b) Nahoana no hoe lozan’itỳ “taranaka” itỳ?

18 Nifidy sy naniraka ireo apostoliny 12 i Jesosy. Nanome azy ireo toromarika voafaritra tsara momba ny fanaovany ny asany izy, ary nanamafy toy izao ny fototry ny fampianarany: “Ary raha mandeha hianareo, dia mitoria hoe: Efa mby akaiky ny fanjakan’ny lanitra.” Nanome azy ireo izao fananarana feno fahendrena sy fitiavana izao izy: “Efa nahazo maimaimpoana hianareo, koa manomeza maimaimpoana.” “Hendre tahaka ny menarana, ary morà tahaka ny voromailala.” Hankahalaina sy henjehina izy ireo, na dia avy amin’ny havana akaiky aza, kanefa nampahatsiahy azy ireo i Jesosy hoe: “Izay mamonjy ny ainy no hamery azy; ary izay mamery ny ainy noho ny amiko dia hahazo azy.” (10:7, 8, 16, 39). Niainga àry izy ireo, mba hampianatra sy hitory tany amin’ireo tanàna nanendrena azy! Nampahafantatra an’i Jaona Mpanao Batisa ho ilay iraka nirahina teo alohany, ho ilay “Elia” nampanantenaina, i Jesosy. Tsy nanaiky na an’i Jaona na azy, ilay Zanak’olona, anefa ‘io taranaka io’. (11:14, 16). Koa loza ho an’io taranaka io sy ho an’ireo tanàna izay tsy nibebaka na dia nahita ny asany lehibe aza! Fa ireo izay tonga mpianany kosa dia hahita famelombelomana (NW ) ho an’ny fanahiny (âme).

19. Rehefa naneho fisalasalana momba ny fitondran-tenany tamin’ny Sabata ireo Fariseo, ahoana no nanamelohan’i Jesosy azy ireo?

19 Nolavina ary nomelohina ireo Fariseo (12:1-50). Nitady ny hanakiana an’i Jesosy momba ny Sabata ireo Fariseo, kanefa nolaviny ny fiampangan’izy ireo ary nandefa fanamelohana namely mafy ny fihatsarambelatsihin’izy ireo izy. Hoy ny nolazainy taminy: “Ry taranaky ny menarana! hataonareo, izay ratsy fanahy, ahoana no fahay miteny zavatra tsara? fa avy amin’ny haben’ny ao am-po no itenenan’ny vava.” (12:34). Tsy nisy famantarana homena azy ireo afa-tsy ny an’i Jona mpaminany: Hitoetra hateloan’andro sy hateloan’alina ao anatin’ny tany ny Zanak’olona.

20. a) Nahoana i Jesosy no niteny tamin’ny alalan’ny fanoharana? b) Fanoharana momba ilay Fanjakana inona avy no nomeny izao?

20 Fanoharana fito momba ilay Fanjakana (13:1-58). Nahoana i Jesosy no niteny tamin’ny alalan’ny fanoharana? Nanazava toy izao tamin’ny mpianany izy: “Satria hianareo no navela hahalala ny zava-miafina ny amin’ny fanjakan’ny lanitra, fa ireny kosa tsy mba navela.” Nambarany ho sambatra ny mpianany satria nahita sy nandre. Fampianarana namelombelona toy inona moa no nomeny azy ireo izao! Rehefa avy nanazava ilay fanoharana ny amin’ilay mpamafy voa i Jesosy, dia nanome ireo fanoharana ny amin’ireo tsimparifary any an-tanimbary, ilay voan-tsinapy, ilay masirasira, ilay harena nafenina, ilay vato soa sarobidy ary ilay harato tarihina — izay samy mampiseho zavatra mifandray amin’ny “fanjakan’ny lanitra”. Kanefa tafintohina taminy ny olona, ary dia hoy ny nolazain’i Jesosy taminy: “Tsy misy mpaminany tsy hajaina, afa-tsy amin’ny taniny sy ny mpianakaviny ihany.” — 13:11, 57.

21. a) Fahagagana inona avy no nataon’i Jesosy, ary nampahafantatra azy ho inona izy ireo? b) Fahitana inona no nomena mikasika ny fiavian’ilay Zanak’olona ao amin’ny Fanjakany?

21 Fanompoana sy fahagagana fanampiny nataon’i “Kristy” (14:1–17:27). Nanohina lalina an’i Jesosy ilay tatitra momba ny fanapahana ny lohan’i Jaona Mpanao Batisa, araka ny baikon’i Heroda Antipasy tsy nanana hazon-damosina. Namahana vahoaka nisy 5 000 mahery tamin’ny alalan’ny fahagagana izy; nandeha (NW ) teny ambonin’ny ranomasina izy; nafotiny tamin’ny Fariseo ny fanakianana fanampiny nataon’izy ireo, izay nolazainy fa ‘nandika ny didin’Andriamanitra noho ny fampianarana voatolotra azy’; nanasitrana ireo azon’ny demonia, ny “mandringa, ny jamba, ny moana, ny kilemaina, ary ny maro hafa koa”; ary namahana olona maherin’ny 4 000 indray koa izy, tamin’ny alalan’ny mofo fito sy hazandrano kely vitsivitsy. (15:3, 30). Rehefa namaly ny fanontaniana iray nataon’i Jesosy i Petera, dia nampahafantatra azy tamin’ny filazana hoe: “Hianao no Kristy, Zanak’Andriamanitra velona.” Nanao teny fiderana an’i Petera i Jesosy ka nanambara hoe: “Ambonin’ity vatolampy ity no haoriko ny fiangonako [“kongregasionako”, NW ].” (16:16, 18). Nanomboka niresaka momba ny fahafatesany nihananatona sy ny hitsanganany amin’ny maty amin’ny andro fahatelo, izao i Jesosy. Nampanantena koa anefa izy fa ny sasany tamin’ireo mpianany dia “tsy mba hanandrana fahafatesana mandra-pahitany ny Zanak’olona avy amin’ny fanjakany”. (16:28). Nony afaka henemana, dia naka an’i Petera sy i Jakoba ary i Jaona hiakatra teny amin’ny tendrombohitra avo iray izy mba hahita azy hiova tarehy tamim-boninahitra. Tao amin’ny fahitana iray, dia nahita an’i Mosesy sy i Elia niara-niresaka taminy izy ireo, no sady nahare feo avy tany an-danitra nanao hoe: “Ity no Zanako malalako Izay sitrako; Izy no henoy.” Rehefa avy nidina avy teny amin’ilay tendrombohitra i Jesosy, dia nilaza tamin’izy ireo fa efa tonga ilay “Elia” nampanantenaina, ary fantatr’izy ireo fa i Jaona Mpanao Batisa no noresahiny. — 17:5, 12.

22. Inona no torohevitr’i Jesosy momba ny famelana heloka?

22 Nananatra ireo mpianany i Jesosy (18:1-35). Fony tany Kapernaomy i Jesosy, dia niresaka tamin’ny mpianany momba ny fanetren-tena, ny fifaliana lehibe noho ny fahazoana indray ny ondry nania iray ary ny fandaminana fanafintohinana eo amin’ny mpirahalahy. Nanontany i Petera hoe: ‘Impiry moa no tsy maintsy hamelako ny rahalahiko?’, ary dia namaly i Jesosy hoe: “Tsy lazaiko aminao hoe: Hatramin’ny impito, fa hatramin’ny impito amby fito-polo.” Mba hanamafisana izany, i Jesosy dia nanome ny fanoharana ny amin’ilay mpanompo izay navelan’ny tompony ny trosany nisy denaria 60 tapitrisa. Io mpanompo io tatỳ aoriana dia nampiditra ny mpanompo namany iray an-tranomaizina, noho ny trosa tsy nisy afa-tsy denaria 100. Ho vokatr’izany, dia natolotra ho amin’ny mpiandry tranomaizina (NW ) koa ilay mpanompo tsy namindra fo. e Nohazavain’i Jesosy ny hevitra tiany holazaina: “Ary tahaka izany koa no hataon’ny Raiko Izay any an-danitra aminareo, raha tsy samy mamela ny rahalahinareo amin’ny fonareo avy hianareo.” — 18:21, 22, 35.

23. Inona no nohazavain’i Jesosy mikasika ny fisaraham-panambadiana sy mikasika ny lalana mankany amin’ny fiainana?

23 Ireo andro faran’ny fanompoan’i Jesosy (19:1–22:46). Nihafaingana ny fandehan’ireo fisehoan-javatra ary nitombo ny fihenjanana rehefa nihanisafoaka noho ny fanompoan’i Jesosy ireo mpanora-dalàna sy Fariseo. Tonga mba hamandrika azy momba ny raharaha ny amin’ny fisaraham-panambadiana izy ireo, fa tsy nahavoa; nasehon’i Jesosy fa ny hany antony araka ny Soratra Masina hisaraham-panambadiana dia ny fijangajangana. Nanatona an’i Jesosy ny zatovolahy nanankarena iray, ary nanontany ny amin’ny lalana mankany amin’ny fiainana mandrakizay. Niala tamin’alahelo anefa izy rehefa hitany fa tsy maintsy nivarotra izay rehetra nananany sy hanaraka an’i Jesosy izy. Rehefa avy nanome ilay fanoharana ny amin’ireo mpiasa sy ilay denaria i Jesosy, dia niresaka indray ny amin’ny fahafatesany sy ny hitsanganany amin’ny maty, ka nanao hoe: “Ny Zanak’olona tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo ka hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro.” — 20:28.

24. Rehefa niditra ny herinandro farany tamin’ny fiainany tamin’ny naha-olombelona azy i Jesosy, nanao ahoana avy ireo fihaonany tamin’ireo mpanohitra ara-pivavahana, ary ahoana no namaliany ny fanontanian’izy ireo?

24 Niditra tao amin’ny herinandro farany tamin’ny fiainany tamin’ny naha-olombelona azy izao i Jesosy. Niditra tamim-pandresena tao Jerosalema izy, tamin’ny naha-‘Mpanjaka nitaingina zana-boriky’. (21:4, 5). Nanadio ny tempoly tamin’ireo mpanakalo vola sy mpanararaotra hafa izy, ary nitombo ny fankahalan’ireo fahavalony rehefa nilazany izy ireo hoe: “Ny mpamory hetra sy ny vehivavy janga efa mialoha anareo ho amin’ny fanjakan’Andriamanitra.” (21:31). Nahatratra ny zava-kendreny ireo fanoharany nivantana tsara ny amin’ilay tanimboaloboka sy ilay fanasana fampakaram-bady. Novaliany tamim-pahakingana ny fanontanian’ireo Fariseo momba ny vola hetra, tamin’ny filazana tamin’izy ireo mba handoa “ho an’i Kaisara (...) izay an’i Kaisara ary ho an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra”. (22:21). Nafotiny tamin’ny Sadoseo toy izany koa ny fanontaniana fandrika nataon’izy ireo ary narovany ny fanantenana ny amin’ny fitsanganana amin’ny maty. Nanatona azy indray ireo Fariseo, nanontany azy momba ny Lalàna, ary nilazan’i Jesosy izy ireo fa ny didy lehibe indrindra dia ny hitiavana an’i Jehovah amin’ny fomba feno, ary ny faharoa dia ny hitiavana ny namana tahaka ny tena. Avy eo dia nanontany azy ireo i Jesosy hoe: ‘Ahoana no maha-zanak’i Davida sady Tompony ny Kristy?’ Tsy nisy afaka namaly, ary dia tsy nisy sahy nanontany azy intsony taorian’izay. — 22:45, 46.

25. Ahoana no nanamelohan’i Jesosy tamin-kery ireo mpanora-dalàna sy Fariseo?

25 ‘Lozanareo, mpihatsaravelatsihy’ (23:1–24:2). Niresaka tamin’ny vahoaka teo amin’ny tempoly i Jesosy, ka nanonona fanamelohana namely hafa iray an’ireo mpanora-dalàna sy Fariseo. Tsy vitan’ny hoe tsy nahafeno fepetra hidirany tao amin’ilay Fanjakana izy ireo, fa nampihatra ny hafetsen-dratsiny rehetra mba hisakanana ny hafa tsy hiditra. Tsy nisy hafa tamin’ny fasana voalalotra fotsy izy ireo, niseho ho tsara tarehy tetỳ ivelany, fa tao anatiny kosa dia feno zavatra simba sy lo. Namarana ny didim-pitsarany an’i Jerosalema toy izao i Jesosy: “Avela ho lao ho anareo ny tranonareo.” (23:38). Rehefa nandao ny tempoly i Jesosy, dia naminany ny amin’ny fandringanana azy io.

26. Famantarana ara-paminaniana inona no nomen’i Jesosy mikasika ny fanatrehany ao amin’ny voninahitry ny mpanjaka?

26 Nanome ny ‘famantarana ny fanatrehany’ (NW ) i Jesosy (24:3–25:46). Teo amin’ny Tendrombohitra Oliva, dia nanontany azy ny amin’ny ‘famantarana ny fanatrehany sy ny fifaranan’ny fandehan-javatra’ ireo mpianany. Ho valin’izany, i Jesosy dia nanondro ny fotoana hisian’ny ady, ‘rehefa hisy firenena hamely firenena sy fanjakana hamely fanjakana’, mosary, horohorontany, fitomboan’ny tsy fankatoavan-dalàna, ny fitoriana maneran-tany “ity filazantsaran’ny fanjakana ity”, ny fanendrena “ny mpanompo mahatoky sy manan-tsaina”, ary lafin-javatra maro hafa amin’ilay famantarana maro loha izay hanamarika ‘ny fahatongavan’ny Zanak’olona amin’ny voninahiny, mba hipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianan’ny voninahiny’. (24:3, NW, 7, 14, 45-47; 25:31). Namarana io faminaniana lehibe io i Jesosy tamin’ny alalan’ny fanoharana ny amin’ireo virjiny folo sy ireo talenta, izay mampiseho valisoa mahafaly ho an’ireo mailo sy mahatoky, ary ny fanoharana ny amin’ireo ondry sy osy, izay mampiseho ireo olona toy ny osy izay hiala “ho any amin’ny [fanafoanana, NW ] mandrakizay; fa ny marina ho any amin’ny fiainana mandrakizay”. — 25:46.

27. Fisehoan-javatra inona avy no nanamarika ny andro farany niainan’i Jesosy teto an-tany?

27 Fisehoan-javatra tamin’ny andro farany niainan’i Jesosy (26:1–27:66). Rehefa avy nankalaza ny Paska i Jesosy, dia nanorina zavatra vaovao niaraka tamin’ireo apostoliny nahatoky, ary nanasa azy ireo mba handray anjara tamin’ny mofo tsy nisy masirasira sy ny divay, izay nampiseho ny tenany sy ny rany. Avy eo izy ireo dia nankany Getsemane, ary tany i Jesosy dia nivavaka. Tonga tany i Jodasy niaraka tamin’ny vahoaka nitondra fiadiana ary namadika an’i Jesosy tamin’ny alalan’ny fanorohana feno fihatsarambelatsihy. Nentina tany amin’ny mpisoronabe i Jesosy, ary nitady vavolombelona nandainga hiampanga azy ireo mpisorona sy ny Synedriona manontolo. Araka ny faminanian’i Jesosy, dia nanda azy i Petera rehefa tao anatin’ny fitsapana. Nanenina i Jodasy ka nanipy ilay volan’ny famadihana tao amin’ny tempoly ary nandeha nananton-tena. Ny ampitso maraina i Jesosy dia nentina teo anoloan’i Pilato, governora romana, izay nanolotra azy mba hohomboana tamin’ny hazo, teo ambanin’ny faneren’ny vahoaka izay natosik’ireo mpisorona sady nihiaka hoe: “Aoka ny rany ho aminay mbamin’ny zanakay.” Nihomehy ny naha-mpanjaka azy ny miaramilan’ilay governora ary avy eo dia nitondra azy tany Golgota. Tany izy dia nohomboana tamin’ny hazo teo anelanelan’ny jiolahy roa, ary nasiana soratra nilaza hoe “Ity no Jesosy, Mpanjakan’ny Jiosy”, teo ambonin’ny lohany. (27:25, 37). Rehefa avy nijaly nandritra ny ora maro i Jesosy, dia maty tamin’ny farany tamin’ny telo tolakandro teo ho eo ary avy eo dia napetraka tao amin’ilay fasana vaovaon’i Josefa avy tany Arimatia. Izany no andro feno fisehoan-javatra betsaka indrindra teo amin’ny tantara rehetra!

28. Vaovao tsara indrindra inona ho nataon’i Matio ho fara tampon’ny fitantarany, ary asa fanirahana inona no namaranany azy?

28 Ny nitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty sy ireo toromarika farany nomeny (28:1-20). Nitondra ny fitantarany ho amin’ny fara tampony izao i Matio, tamin’ny alalan’ny tsara indrindra amin’ny vaovao rehetra. Nitsangana tamin’ny maty ilay Jesosy maty teo iny — velona indray izy! Vao maraina tamin’ny andro voalohany tamin’ny herinandro, dia nankeo amin’ny fasana i Maria Magdalena sy “ilay Maria anankiray” ary nahare ilay anjely nanambara ilay zava-nisy nahafaly. (28:1). Mba hanamafisana izany, dia niseho tamin’izy ireo mihitsy ny tenan’i Jesosy. Nanandrana ny hanohitra ilay zava-nisy ny amin’ny nitsanganany tamin’ny maty mihitsy aza ireo fahavalo, ka nanome kolikoly ireo miaramila izay niambina ilay fasana mba hilazany hoe: “Ny mpianany no tonga alina ka nangalatra Azy, raha sendra natory izahay”. Tatỳ aoriana, tany Galilia, dia nifankahita tamin’ireo mpianany indray i Jesosy. Inona no toromarika nomeny azy ireo talohan’ny handehanany? Izao: “Mandehana hianareo (...) dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina”. Hanana fitarihana ve izy ireo amin’io asa fitoriana io? Ny teny farany nataon’i Jesosy ka noraketin’i Matio an-tsoratra dia manome izao toky izao: “Indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao.” — 28:13, 19, 20.

MAHASOA — NAHOANA?

29. a) Amin’ny ahoana ny Matio no fampitohizana avy eo amin’ny Soratra Hebreo mankeo amin’ny Soratra Grika? b) Tombontsoa inona nananan’i Jesosy no mbola misokatra ho an’ny Kristiana amin’izao andro izao?

29 Ny bokin’i Matio, izay ny voalohany amin’ireo Filazantsara efatra, dia tena manome marina fampitohizana faran’izay tsara avy eo amin’ny Soratra Hebreo mankeo amin’ny Soratra Grika Kristiana. Tsy misy diso mihitsy, fa mampahafantatra ilay Mesia sady Mpanjakan’ilay Fanjakana nampanantenain’Andriamanitra izy io, mampahafantatra ireo zavatra takina mba hahatongavana ho mpanara-dia azy, ary manolotra ilay asa miandry azy ireo eto an-tany. I Jaona Mpanao Batisa aloha, dia avy eo i Jesosy, ary farany dia ireo mpianany, no nandeha nitory hoe: “Efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra.” Ambonin’izany, izao didin’i Jesosy izao dia nahatratra ny hatratỳ amin’ny fifaranan’ny fandehan-javatra: “Ary hotorina amin’izao tontolo izao ity filazantsaran’ny fanjakana ity ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany.” Tena marina fa tombontsoa lehibe sy mahatalanjona tamin’izay sy amin’izao fotoana izao, ny fandraisana anjara amin’io asan’ilay Fanjakana io, anisan’izany ny ‘fanaovana mpianatra ny firenena rehetra’, amin’ny fiasana araka ny modely navelan’ilay Mpampianatra. — 3:2; 4:17; 10:7; 24:14; 28:19.

30. Tapany manokana ao amin’ny Matio inona no nahazo ny fankasitrahan’ny olona noho ny maha-azo ampiharina azy?

30 Tena “vaovao tsara” tokoa ny Filazantsaran’i Matio. Ny hafatra ara-tsindrimandry ao aminy dia “vaovao tsara” ho an’ireo izay nitandrina azy tamin’ny taonjato voalohany amin’ny Fanisan-taona Iraisana. Ary nataon’i Jehovah Andriamanitra izay hahavoatahiry azy ho “vaovao tsara” mandrak’androany. Na dia ireo tsy kristiana aza dia voatery niaiky ny amin’ny herin’io Filazantsara io. Ohatra ny amin’izany ilay filoha hindoa natao hoe Mohandas (Mahatma) Gandhi, izay voalaza fa niteny toy izao: “Manovoa lalina ao amin’ny loharano omena anao ao amin’ny Toriteny teo An-tendrombohitra (...) Satria ny fampianarana ao amin’ilay Toriteny dia natao ho an’ny tsirairay avy amintsika.” f

31. Iza no tena mihevitra ny torohevitra ao amin’ny Matio ho sarobidy? Nahoana no mahasoa ny mamerimberina mianatra an’io Filazantsara io?

31 Kanefa, izao tontolo izao manontolo, anisan’izany ilay tapany mihambo ho kristiana, dia mbola manana ny zava-manahirana azy foana. Kristiana marina vitsy an’isa sisa no navela hihevitra ho sarobidy ny Toriteny teo An-tendrombohitra sy hianatra ary hampihatra azy io sy ireo torohevitra feno fahendrena hafa ao amin’ny vaovao tsara araka an’i Matio, ka handray soa tsy hay tombanana avy aminy. Andraisan-tsoa ny famerimberenana mianatra ireo fananarana tsara dia tsaran’i Jesosy momba ny fahitana ny tena fahasambarana, ary koa momba ny fitondran-tena sy ny fanambadiana, ny herin’ny fitiavana, ny vavaka azo ekena, ny fiheverana ny zavatra ara-panahy ampifanoherina amin’ny fiheverana ny zavatra ara-nofo, ny fikatsahana ilay Fanjakana voalohany indrindra, ny fananana fanajana ny zavatra masina ary ny fiambenana sy ny fankatoavana. Ny Matio toko faha-10 dia manome ireo toromarik’i Jesosy momba ny fanompoana ho an’ireo izay mandray ny fitoriana ny vaovao tsaran’ny “fanjakan’ny lanitra”. Mirakitra fianarana tena lehibe ho an’izay rehetra ‘manan-tsofina hihainoana’, ireo fanoharana maro nataon’i Jesosy. Ambonin’izany, ireo faminanian’i Jesosy, toy ny fanambarana mialoha feno tsipiriany momba ny ‘famantarana ny fanatrehany’, dia manorina fanantenana sy fatokiana mahery ny hoavy. — 5:1–7:29; 10:5-42; 13:1-58; 18:1–20:16; 21:28–22:40; 24:3, NW25:46.

32. a) Hazavao amin’ny alalan’ny ohatra ny fanaporofoan’ny faminaniana tanteraka ny maha-Mesia an’i Jesosy. b) Toky mahery inona no omen’ireo fahatanterahana ireo antsika amin’izao andro izao?

32 Tondraka faminaniana izay efa tanteraka ny Filazantsaran’i Matio. Maro amin’ireo fakan-teny avy amin’ny Soratra Hebreo ara-tsindrimandry ao aminy no natao mba hampisehoana ireo fahatanterahana ireo. Manome porofo tsy azo lavina izy ireo fa i Jesosy no Mesia, satria tsy ho azo natao tsotra izao ny namboamboatra mialoha ireny tsipiriany rehetra ireny. Ampitahao, ohatra, ny Matio 13:14, 15 sy ny Isaia 6:9, 10; ny Matio 21:42 sy ny Salamo 118:22, 23; ary ny Matio 26:31, 56 sy ny Zakaria 13:7. Manome antsika toky mahery koa ireo fahatanterahana faminaniana ireo fa ireo fahitana mialoha ara-paminaniana rehetra nataon’ny tenan’i Jesosy, noraketin’i Matio an-tsoratra, dia ho tanteraka amin’ny fotoany, rehefa ho tonga zava-misy ireo fikasana be voninahitr’i Jehovah mifandray amin’ny “fanjakan’ny lanitra”.

33. Noho ny fahalalana sy ny fanantenana inona no mahatonga ireo tia ny fahamarinana ho afaka hiravoravo ankehitriny?

33 Marina tsara toy inona moa ny fanambaran’Andriamanitra mialoha ny fiainan’ilay ho Mpanjaka ao amin’ilay Fanjakana, na dia hatramin’ny tsipiriany madinika indrindra aza! Marina tsara toy inona moa ny niraketan’i Matio nahazo tsindrimandry, an-tsoratra tamim-pahatokiana ny fahatanterahan’ireo faminaniana ireo! Rehefa misaintsaina momba ireo fahatanterahana sy fampanantenana ara-paminaniana rehetra ao amin’ny bokin’i Matio ireo tia ny rariny, dia tena afaka tokoa ny hiravoravo amin’ny fahalalana sy ny fanantenana momba “ny fanjakan’ny lanitra” izay fitaovana ampiasain’i Jehovah hanamasinana ny anarany. Io Fanjakana tarihin’i Jesosy Kristy io no hitondra fiainana sy fahasambarana, dia fitahiana tsy hay lazaina, ho an’ireo malemy fanahy sy noana ara-panahy “rehefa mby amin’ny fanavaozana, ka hipetraka amin’ny seza fiandrianan’ny voninahiny ny Zanak’olona”. (Matio 19:28). Izany rehetra izany dia raketin’ilay vaovao tsara mandrisika “araka an’i Matio”.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Fanontana indray tamin’ny 1981, Boky V, pejy 895.

b Dikan-teny avy tamin’ny soratra latina natontan’i E. C. Richardson ary navoaka tao amin’ilay fitohitohizam-boky hoe “Texte und Untersuchungen zur Geschichte der altchristlichen Literatur”, Leipzig, 1896, Boky 14, pejy 8, 9.

c The Ecclesiastical History, VI, XXV, 3-6.

d Introduction to the Study of the Gospels, 1896, nataon’i B. F. Westcott, pejy 201.

e Tamin’ny andron’i Jesosy, ny denaria iray dia nitovy vidy tamin’ny karama iray andro; ny denaria 100 àry dia nitovy vidy tamin’ny ampahatelon’ny karama herintaona. Ny denaria 60 tapitrisa dia nitovy vidy tamin’ny karama ho nangonina nandritra ny androm-piainan’olona an’arivony maro. — Auxiliaire pour une meilleure intelligence de la Bible, pejy 382.

f Mahatma Gandhi’s Ideas, 1930, nataon’i C. F. Andrews, pejy 96.

[Fanontaniana]