Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-41 — Marka

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-41 — Marka

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-41 — Marka

Mpanoratra: Marka

Toerana Nanoratana: Roma

Vita Tamin’ny: 60 am.f.i. tany ho any – 65 am.f.i.

Fe-potoana Voafaoka: 29 am.f.i. – 33 am.f.i.

1. Inona no fantatra mikasika an’i Marka sy ny fianakaviany?

 REHEFA nosamborina tao Getsemane i Jesosy, ka nandositra ireo apostoly, dia narahina ‘zatovo anankiray tsy nitafy afa-tsy lamba hariry madinika’ izy. Rehefa nitady hisambotra azy io ny vahoaka, dia “navelany teny aminy ny lambany hariry madinika, ka nandositra nitanjaka izy”. Io zatovolahy io mazàna dia inoana fa i Marka. Voalazalaza ao amin’ny Asan’ny Apostoly ho “i Jaona, izay atao hoe koa Marka” izy ary nety ho avy tamina fianakaviana iray nanana ny ampy tao Jerosalema, satria nanana ny tranony sy ny mpanompony manokana izy ireo. Kristiana koa i Maria reniny, ary nampiasa ny tranony ho toeram-pivoriana ny kongregasiona tany am-boalohany. Fony i Petera nafahan’ilay anjely avy tao an-tranomaizina, dia nankany amin’io trano io izy ary nahita ireo rahalahy tafavory tao. — Marka 14:51, 52; Asa. 12:12, 13.

2, 3. a) Inona no tsy isalasalana fa nandrisika an’i Marka hiditra hanao ny asa misionera? b) Fifaneraserana tamin’ireo misionera hafa nanao ahoana no nananany, indrindra fa tamin’i Petera sy i Paoly?

2 I Barnabasy misionera, izay Levita avy tany Kyprosy, dia zanak’olo-mpiray tam-po tamin’i Marka. (Asa. 4:36; Kol. 4:10, NW ). Rehefa tonga tao Jerosalema niaraka tamin’i Paoly i Barnabasy, noho ny fanampiana tamin’ilay mosary, dia nanjary nahafantatra an’i Paoly koa i Marka. Ireny fifaneraserana tao amin’ny kongregasiona sy tamin’ireo mpanompo be zotom-po tonga nitsidika ireny dia tsy misy isalasalana fa namelona tao amin’i Marka ny faniriana hiditra tao amin’ny asa misionera. Hitantsika àry fa sady namana no mpanampy an’i Paoly sy i Barnabasy izy tamin’ny dia misionera voalohany nataony. Noho ny antony tsy fantatra anefa, dia nandao azy ireo tao Perga tany Pamfylia i Marka, ary niverina tany Jerosalema. (Asa. 11:29, 30; 12:25; 13:5, 13). Noho izany, dia nanda tsy hitondra an’i Marka tamin’ilay dia misionera faharoa i Paoly, ka izany dia niteraka fisarahana teo amin’i Paoly sy i Barnabasy. Nitondra an’i Silasy i Paoly, fa i Barnabasy kosa nitondra an’i Marka, zanak’olo-mpiray tam-po taminy, ary niondrana an-tsambo niaraka taminy nankany Kyprosy. — Asa. 15:36-41.

3 Noporofoin’i Marka fa azo nianteherana izy teo amin’ny fanompoana, ka nanjary fanampiana sarobidy izy, tsy ho an’i Barnabasy ihany, fa ho an’ny apostoly Petera sy Paoly koa tatỳ aoriana. Niaraka tamin’i Paoly i Marka (60 am.f.i. tany ho any - 61 am.f.i.) nandritra ny fanaovana azy an-tranomaizina voalohany tany Roma. (Filem. 1, 24). Avy eo dia hitantsika niaraka tamin’i Petera tany Babylona i Marka, teo anelanelan’ny taona 62 sy 64 am.f.i. (1 Pet. 5:13). Tao an-tranomaizina tany Roma indray i Paoly, azo inoana fa tamin’ny taona 65 am.f.i., ary tao amin’ny taratasy iray izy dia nangataka an’i Timoty mba hitondra an’i Marka hiaraka taminy, tamin’ny filazana hoe: “Fa mahasoa ahy amin’ny fanompoana izy”. (2 Tim. 1:8; 4:11). Io no firesahana farany momba an’i Marka ao amin’ny firaketana an-tsoratra ao amin’ny Baiboly.

4-6. a) Ahoana no nahafahan’i Marka nahazo ireo tsipiriany manokana ho an’ny Filazantsarany? b) Inona no mampiseho ny fifaneraserany akaiky tamin’i Petera? d) Manomeza ohatra ny amin’ny toetra nampiavaka an’i Petera hita ao amin’ilay Filazantsara.

4 Lazaina fa io Marka io no nanao itỳ fohy indrindra amin’ireo Filazantsara itỳ. Mpiara-miasa tamin’ireo apostolin’i Jesosy izy, sady nanolotra ny fiainany manokana ho an’ny fanompoana ny amin’ny vaovao tsara. Tsy iray tamin’ireo apostoly 12 anefa i Marka, sady tsy namana akaiky an’i Jesosy. Taiza àry no nahazoany ireo tsipiriany manokana izay mahatonga ny fitantarany momba ny fanompoan’i Jesosy ho tena velona, manomboka amin’ny voalohany ka hatramin’ny farany? Araka ny lovantsofina tany am-boalohany indrindran’i Papias sy i Origène ary i Tertullien, ny loharanon-keviny dia i Petera, izay nifaneraseran’i Marka akaiky. a Tsy niantso azy hoe “zanako” tokoa ve i Petera? (1 Pet. 5:13). Vavolombelona nahita maso saiky izay rehetra noraketin’i Marka an-tsoratra i Petera, hany ka nety ho avy tamin’i Petera no nahafantarany ireo filazalazana maro tsy hita ao amin’ireo Filazantsara hafa. Ohatra, i Marka dia miresaka momba ireo ‘olona nokaramaina’ izay niasa ho an’i Zebedio, ilay boka “nandohalika” nitalaho tamin’i Jesosy, ilay lehilahy azon’ny demonia “niteti-tena tamin’ny vato”, ary koa momba ny nanomezan’i Jesosy ny faminaniany ny amin’ny ‘fiavian’ny Zanak’olona amin’ny hery lehibe sy ny voninahitra’, fony izy nipetraka teo amin’ny Tendrombohitra Oliva “tandrifin’ny tempoly”. — Marka 1:20, 40; 5:5; 13:3, 26.

5 Ny tenan’i Petera dia lehilahy nahatsapa fientanam-po lalina, noho izany dia afaka nahatsapa ary nilazalaza tamin’i Marka ireo fihetseham-po sy fientanam-pon’i Jesosy. Noho izany no niraketan’i Marka an-tsoratra matetika izay tsapan’i Jesosy sy ny fihetsiny; ohatra ny amin’izany ny hoe “nijerijery azy tamin’ny fahatezerana Izy sady nalahelo”, sy ny hoe ‘nisento lalina izy’, ary ny hoe “nisento mafy am-panahy” izy. (3:5; 7:34, NW; 8:12). I Marka no milaza amintsika ny amin’ny fihetseham-pon’i Jesosy tamin’ilay mpanapaka tanora nanankarena, amin’ny filazana fa “tia azy” izy. (10:21). Ary hafanana toy inona moa no hitantsika ao amin’ny fitantarany fa i Jesosy dia tsy vitan’ny hoe nametraka zaza iray teo afovoan’ny mpianany, fa ‘nitrotro ilay zaza’ koa, ary tamin’ny fotoana hafa iray fa hoe ‘nitrotro zazakely’ izy! — 9:36; 10:13-16.

6 Ny sasany amin’ireo toetra mampiavaka an’i Petera dia hita ao amin’ny fomba fanoratr’i Marka, izay maimaika, velona, feno hery sy aina ary mahay milazalaza zavatra. Toa toy ny hoe zara raha ho voatantarany haingana tsara ireo fisehoan-javatra. Ohatra, ny teny hoe “niaraka tamin’izay” dia miverimberina foana, ka mitarika ilay tantara amin’ny fomba mampihetsi-po lalina.

7. Inona no mampiavaka ny Filazantsaran’i Marka amin’ny an’i Matio?

7 Na dia afaka nijery ny Filazantsaran’i Matio aza i Marka, ary na dia tsy misy afa-tsy ny 7 isan-jato amin’izay raketiny ihany aza no tsy raketin’ireo Filazantsara hafa, dia ho fahadisoana ny hinoana fa namintina fotsiny ny Filazantsaran’i Matio izy ka nanampy tsipiriany manokana vitsivitsy. Raha nampiseho an’i Jesosy ho ilay Mesia sady Mpanjaka nampanantenaina i Matio, i Marka kosa izao dia mandinika ny fiainany sy ny asany avy amin’ny lafiny hafa iray. Mampiseho an’i Jesosy ho ilay Zanak’Andriamanitra nanao fahagagana, ilay Mpamonjy mandresy, izy. Manantitrantitra ireo asa nataon’i Kristy i Marka fa tsy ireo toriteniny sy fampianarany. Ampahany kely amin’ireo fanoharany sy ny iray amin’ireo lahateny lava nataon’i Jesosy ihany no nanaovany tatitra, ary navelany ilay Toriteny teo An-tendrombohitra. Noho izany antony izany no maha-fohy kokoa ny Filazantsaran’i Marka, na dia mirakitra fanaovan-javatra betsaka mitovy amin’ireo hafa aza izy io. Fahagagana 19 fara fahakeliny no resahina manokana.

8. Lafin-javatra inona avy no mampiseho fa miharihary ny nanoratana ny Filazantsaran’i Marka ho an’ireo Romana?

8 Raha nanoratra ny Filazantsarany ho an’ireo Jiosy i Matio, i Marka kosa dia miharihary fa nanoratra ho an’ireo Romana voalohany indrindra. Ahoana no ahafantarantsika izany? Ny Lalàn’i Mosesy dia tsy voatonona raha tsy rehefa manao tatitra momba ny resaka izay manisy firesahana momba azy, izy, ary ny tetirazan’i Jesosy dia tsy nampidirina. Aseho ho zava-dehibe ho an’ny rehetra ny filazantsaran’i Kristy. Manome teny fanazavana ireo fanao sy fampianarana jiosy, izay nety ho tsy nahazatra ireo mpamaky tsy jiosy, izy. (2:18; 7:3, 4; 14:12; 15:42). Adika ireo fitenenana aramiana. (3:17; 5:41; 7:11, 34; 14:36; 15:22, 34). Ampiany fanazavana ireo anarana ara-jeografia sy anaran-javamanirin’i Palestina. (1:5, 13; 11:13; 13:3). Omena amin’ny vola romana ny sandan’ireo vola jiosy. (12:42, NW, f.a.p.). Mampiasa teny latina betsaka kokoa noho ireo mpanoratra Filazantsara hafa izy. Ohatra ny amin’izany ny hoe speculator (mpiambina) sy praetorium (anaty rova) ary centurio (kapiteny). — 6:27; 15:16, 39.

9. Taiza ary oviana no nanoratana ny bokin’i Marka, ary inona no manamarina ny maha-azo itokiana azy io?

9 Koa satria miharihary fa nanoratra voalohany indrindra ho an’ny Romana i Marka, dia azo inoana indrindra fa tany Roma izy no nanoratra. Ny lovantsofina tany am-boalohany indrindra sy ireo loha hevitra raketin’ilay boky dia samy mamela hanatsoaka hevitra fa natao tany Roma nandritra ny fanaovana ny apostoly Paoly an-tranomaizina voalohany na faharoa izy io, ka noho izany dia nandritra ny taona 60 am.f.i. ka hatramin’ny 65 am.f.i. Tamin’ireo taona ireo i Marka dia tany Roma indray mandeha fara fahakeliny, ary azo inoana fa indroa. Ireo fahefana lehibe indrindra rehetra tamin’ny taonjato faharoa sy fahatelo dia manamafy fa i Marka no nanoratra ilay Filazantsara. Efa nampiasain’ny Kristiana teo antenatenan’ny taonjato faharoa izy io. Ny fisehoany ao amin’ireo katalaogy voalohany rehetra misy ireo Soratra Grika Kristiana dia manamafy ny maha-azo itokiana ny Filazantsaran’i Marka.

10. Ahoana no tokony hiheverana ireo famaranan-teny lava sy fohin’ny Marka, ary nahoana?

10 Kanefa, ireo famaranan-teny lava sy fohy izay anampy indraindray ao aorian’ny toko faha-16, andininy faha-8, dia tsy tokony horaisina ho toy ny azo itokiana. Tsy misy azy ireo ao amin’ny ankamaroan’ireo sora-tanana tranainy, toy ny Sinaïticus sy ny Vaticanus 1209. Ireo manam-pahaizana tamin’ny taonjato fahefatra antsoina hoe Eusèbe sy Jérôme, dia samy nanaiky fa ilay firaketana an-tsoratra azo itokiana dia mifarana amin’ny teny hoe “satria natahotra”. Ireo famaranan-teny hafa dia azo inoana fa nampiana mba hanalefahana ilay fomba ifaranan’ilay Filazantsara tampoka.

11. a) Inona no manaporofo fa araka ny marina tsara ny Filazantsaran’i Marka, ary fahefana inona no antitranterina? b) Nahoana izy io no “vaovao tsara”, ary fe-potoana toy inona no voafaoka ao amin’ny Filazantsaran’i Marka?

11 Ny maha-araka ny marina tsara ny fitantaran’i Marka dia hita amin’ny fifandrindran’ny Filazantsarany amin’ny fomba feno, tsy amin’ireo Filazantsara hafa ihany, fa amin’ny Soratra Masina manontolo koa, manomboka amin’ny Genesisy ka hatramin’ny Apokalypsy. Ambonin’izany, i Jesosy dia aseho miverimberina ho manana fahefana, tsy amin’ny teny lazainy ihany, fa amin’ny herin’ny natiora, amin’i Satana sy ireo demonia, amin’ny aretina sy rofy, eny, amin’ny fahafatesana mihitsy koa aza. I Marka àry dia manokatra ny fitantarany amin’ilay fampidiran-dresaka manaitra hoe: “Ny niandohan’ny [vaovao tsaran’i, NW ] Jesosy Kristy”. Midika ho “vaovao tsara” ny niaviany sy ny fanompoany, ka noho izany, ny fianarana ny Filazantsaran’i Marka dia tsy maintsy ho mahasoa ho an’ny mpamaky rehetra. Ireo fisehoan-javatra voalazalazan’i Marka dia mahafaoka ny fe-potoana nanomboka tamin’ny lohataonan’ny 29 am.f.i. ka hatramin’ny lohataonan’ny 33 am.f.i.

LOHA HEVITRA RAKETIN’NY MARKA

12. Inona no mameno ireo andininy 13 voalohan’ny Marka?

12 Ny batisan’i Jesosy sy ny nakana fanahy azy (1:1-13). Manomboka ilay vaovao tsara amin’ny fampahafantarana an’i Jaona Mpanao Batisa, i Marka. Izy no ilay iraka nambara mialoha sy nirahina mba hanambara hoe: “Amboary ny làlan’i Jehovah. Ataovy mahitsy ny làlan-kalehany”. Momba Ilay ho avy tsy ho ela, dia hoy ilay mpanao batisa: ‘Mahery noho izaho izy.’ Eny, hanao batisa izy io, kanefa tsy amin’ny rano, fa amin’ny fanahy masina. Tonga avy tany Nazareta any Galilia izao i Jesosy, ary dia nanao batisa azy i Jaona. Nidina teo amin’i Jesosy tahaka ny voromahailala ny fanahy, ary nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: “Hianao no Zanako malalako, Hianao no sitrako.” (1:3, 7, 11). Nalain’i Satana fanahy tany an’efitra i Jesosy, ary ny anjely nanompo azy. Ireo fisehoan-javatra mampihetsi-po lalina rehetra ireo dia mameno ireo andininy 13 voalohany amin’ny Marka.

13. Tamin’ny fomba ahoana avy no nampisehoan’i Jesosy tamin’ny voalohany ny fahefany tamin’ny naha-“Ilay Masin’Andriamanitra” azy?

13 Nanomboka ny fanompoany tany Galilia i Jesosy (1:14–6:6). Rehefa avy nosamborina i Jaona, dia nandeha nitory ny filazantsaran’Andriamanitra tany Galilia i Jesosy. Hafatra nanaitra re izany! “Efa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra; mibebaha hianareo ka minoa ny filazantsara.” (1:15). Niantso an’i Simona sy i Andrea ary i Jakoba sy i Jaona avy teo amin’ny haratony, mba ho mpianany, izy. Tamin’ny Sabata izy dia nampianatra tao amin’ny synagoga tao Kapernaomy. Talanjona ny vahoaka, satria nampianatra “tahaka izay manana fahefana Izy, fa tsy mba tahaka ny mpanora-dalàna”. Nampiseho ny fahefany tamin’ny naha-“Ilay Masin’Andriamanitra” azy izy, tamin’ny fandroahana fanahy maloto iray avy tao amin’ny lehilahy iray azon’ny demonia sy tamin’ny fanasitranana ny rafozambavin’i Simona, izay nanavin’ny tazo. Niely haingana toy ny afo ilay vaovao, hany ka rehefa tonga ny alina, dia tafangona teo ivelan’ny tranon’i Simona “ny tao an-tanàna rehetra”. Nanasitrana olona maro narary i Jesosy, no sady namoaka demonia maro. — 1:22, 24, 33.

14. Ahoana no nanomezan’i Jesosy porofon’ny fahefany hamela fahotana?

14 Nambaran’i Jesosy toy izao ny asa nanirahana azy: “Mba hitoriako teny”. (1:38). Nitory nanerana an’i Galilia izy. Na taiza na taiza nalehany, dia namoaka demonia sy nanasitrana ny marary izy, anisan’izany ny boka iray sy ny nararin’ny paralysisa iray izay nilazany hoe: “Voaveloka ny helokao.” Nanjohy hevitra tao am-pony ny mpanora-dalàna sasany hoe: ‘Fitenenan-dratsy izany. Iza no mahavela heloka afa-tsy Andriamanitra?’ Takatr’i Jesosy ny eritreritr’izy ireo, ka noporofoiny fa “ny Zanak’olona manana fahefana etỳ ambonin’ny tany hamela heloka”, tamin’ny filazana tamin’ilay nararin’ny paralysisa mba hitsangana sy hody tany an-tranony. Nankalaza an’Andriamanitra ny vahoaka. Rehefa tonga mpanara-dia azy i Levy (Matio) mpamory hetra, dia hoy ny nolazain’i Jesosy tamin’ireo mpanora-dalàna: “Tsy tonga hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota.” Nasehony fa ny tenany no “Tompon’ny Sabata”. — 2:5, 7, 10, 17, 28.

15. Inona no nambaran’i Jesosy momba ireo izay nanda ireo fahagagany, ary inona no nolazainy momba ny fatorana ara-pianakaviana?

15 Nanendry ireo apostoly 12 i Jesosy izao. Naneho fanoherana ny havany, ary avy eo dia nisy mpanora-dalàna avy tany Jerosalema niampanga azy ho namoaka demonia tamin’ny alalan’ny lohan’ny demonia. Nanontany azy ireo toy izao i Jesosy: “Hataon’i Satana ahoana no famoaka an’i Satana?”, ary dia nampitandrina azy ireo toy izao: “Izay miteny ratsy ny Fanahy Masina (...) dia tsy mahazo famelan-keloka mandrakizay, fa mendrika hohelohina ny amin’ny ota mandrakizay izy”. Nandritra ilay fifampiresahana, dia tonga nitady azy ny reniny sy ny rahalahiny, ary dia voatosika hanambara i Jesosy hoe: “Na iza na iza no manao ny sitrapon’Andriamanitra, dia izy no rahalahiko sy anabaviko ary reniko.” — 3:23, 29, 35.

16. Tamin’ny alalan’ny fanoharana, inona no nampianarin’i Jesosy momba “ny fanjakan’Andriamanitra”?

16 Nampianatra “ny zava-miafina ny amin’ny fanjakan’Andriamanitra” tamin’ny alalan’ny fanoharana i Jesosy. Niresaka momba ny lehilahy iray izay namafy voa izay latsaka teo amin’ny karazana tany samihafa izy (ho fampisehoana ireo karazan’olona samy hafa mandre ny teny) ary momba ny jiro mirehitra avy eo amin’ny fanaovan-jirony. Tao amin’ny fanoharana hafa iray, i Jesosy dia nilaza toy izao fa ny Fanjakan’Andriamanitra dia toy ny rehefa mamafy voa amin’ny tany ny lehilahy iray: “Fa ny tany mahavokatra ho azy: voalohany misy tahony, dia teraka, ary rehefa izany, dia feno voa.” (4:11, 28). Nomeny koa ilay fanoharana momba ny voan-tsinapy iray, izay, na dia kely noho ny voa rehetra aza, dia mihalehibe ka mandrantsana vaventy mba hanome fialofana.

17. Ahoana no nampisehoan’ireo fahagagan’i Jesosy ny haben’ny fahefany?

17 Rehefa nita ny Ranomasin’i Galilia izy ireo, dia nampitsahatra ny rivo-mahery iray tamin’ny alalan’ny fahagagana i Jesosy, ary ilay ranomasina nisamboaravoara dia nanjary tony rehefa nodidiany hoe: “Mangìna, mitsahara.” (4:39). Tany amin’ny tanin’ny Gerasena, i Jesosy dia namoaka demonia iray “Legiona”, avy tao amin’ny lehilahy iray ka namela azy ireo hiditra tao amin’ny andiana kisoa nisy 2 000, izay nitratrevatreva teny amin’ny hantsana kosa ka maty tany amin’ny ranomasina. (5:8-13). Taorian’izany, i Jesosy dia niverina nita ka tonga teny ampita indray. Sitrana tamin’ny fandehanan-dra, tsy azo nositranina nandritra ny 12 taona, ny vehivavy iray, tamin’ny fikasihana fotsiny ny lamban’i Jesosy, izay teny an-dalana hanangana ny zanakavavin’i Jaïro 12 taona ho amin’ny fiainana indray. Tena marina fa nanana fahefana tamin’ny fiainana sy ny fahafatesana ilay Zanak’olona! Kanefa nanda ny fahefany ireo tany amin’ny taniny. Gaga izy noho ny tsy finoan’ireo, kanefa nanohy “nitety ny vohitra manodidina (...) ka nampianatra”. — 6:6.

18. a) Ahoana no niitaran’ny fanompoan’i Jesosy? b) Inona no nanosika an’i Jesosy hampianatra sy hanatanteraka fahagagana?

18 Niitatra ny fanompoana tany Galilia (6:7–9:50). Nirahiny handeha tsiroaroa ny 12 lahy, ka nomeny toromarika sy fahefana hitory sy hampianatra, hanasitrana olona ary hamoaka demonia. Nihanalaza hatrany ny anaran’i Jesosy, ka nisy nihevitra fa i Jaona Mpanao Batisa tafatsangana tamin’ny maty izy. Io nety ho fitrangan-javatra io dia nampanahy an’i Heroda, satria nandritra ny fankalazana ny fitsingerenan’ny andro nahaterahany no nanapahana ny lohan’i Jaona. Niverina avy tamin’ny dia fitoriany ireo apostoly ary nanao tatitra momba ny asany tamin’i Jesosy. Nisy vahoaka betsaka nanaraka an’i Jesosy nanerana an’i Galilia, ary dia ‘onena azy izy, fa tahaka ny ondry tsy nanana mpiandry ireo’. Nampianatra azy ireo zavatra maro àry izy. (6:34). Nanome hanina ara-nofo azy ireo tamim-pitiavana koa izy, ka namahana 5 000 lahy tamin’ny alalan’ny mofo dimy sy hazandrano roa. Tsy ela taorian’izay, rehefa sahirana niady tamin’ny rivo-mahery teny an-dranomasina ireo mpianany tao anaty sambony ho any Betsaida, dia nandeha (NW ) teo ambony ranomasina hanatona azy ireo izy, ary nampitony ilay rivotra. Tsy mahagaga raha “talanjona” na dia ny mpianany aza! — 6:51.

19, 20. a) Ahoana no nanomezan’i Jesosy fananarana an’ireo mpanora-dalàna sy Fariseo? b) Toe-javatra inona avy no nitarika ho amin’ny fahazoan’i Petera fananarana koa?

19 Tany amin’ny distrikan’i Genesareta, i Jesosy dia tafiditra tao amin’ny fifampiresahana tamin’ny mpanora-dalàna sy Fariseo avy tany Jerosalema momba ny fihinanan-kanina tamin’ny tanana tsy voasasa. Noteneniny mafy izy ireo satria ‘nahafoy ny didin’Andriamanitra fa nitana ny fanaon’ny olona kosa’. Nilaza izy fa tsy izay niditra avy tany ivelany no nahaloto ny olona, fa izay nivoaka avy tao anatiny, avy tao am-po, izany hoe “ny sain-dratsy”. (7:8, 21). Nianavaratra tany amin’ny faritanin’i Tyro sy i Sidona izy, ary nanao fahagagana ho an’ny Jentilisa iray, tamin’ny famoahana demonia avy tao amin’ny zanakavavin’ny vehivavy syro-foinika iray.

20 Rehefa tafaverina tany Galilia i Jesosy, dia onena ilay vahoaka nanaraka azy indray ka namahana 4 000 lahy tamin’ny mofo fito sy hazandrano madinika vitsy. Nampitandrina ny mpianany tamin’ny masirasiran’ny Fariseo sy ny masirasiran’i Heroda izy, kanefa tamin’izay dia tsy azon’izy ireo ny tiany holazaina. Avy eo, dia nanao fahagagana hafa iray izy — ny fanasitranana lehilahy jamba iray tany Betsaida. Tamin’ny fifampiresahana iray teny an-dalana nankany amin’ny tanànan’i Kaisaria-filipo, i Petera dia nampahafantatra tamim-piekena an’i Jesosy ho ny “Kristy”. Avy eo anefa dia nanohitra mafy izy rehefa niresaka momba ny fijaliana sy ny fahafatesana nihananaton’ny Zanak’olona i Jesosy. Noho izany, dia nananatra azy i Jesosy hoe: “Mankanesa ato ivohoko, ry Satana, satria tsy misaina izay an’Andriamanitra hianao, fa izay an’ny olona.” (8:29, 33). Nampirisika ny mpianany mba hanaraka azy hatrany (NW ) noho ny vaovao tsara i Jesosy; raha menatra azy izy ireo, dia ho menatra azy ireo kosa izy rehefa ho ao amin’ny voninahitry ny Rainy izy.

21. a) Iza avy no nahita “ny fanjakan’Andriamanitra tonga amin’ny hery”, ary tamin’ny fomba ahoana? b) Ahoana no nanantitranteran’i Jesosy ny fametrahana ilay Fanjakana eo amin’ny toerana voalohany?

21 Nony afaka henemana, rehefa teny amin’ny tendrombohitra avo iray i Petera sy i Jakoba ary i Jaona, dia nahazo tombontsoa nahita “ny fanjakan’Andriamanitra tonga amin’ny hery”, rehefa nahita an’i Jesosy niova tarehy tamim-boninahitra. (9:1). Nampiseho ny fahefany indray i Jesosy tamin’ny famoahana fanahy moana iray avy tao amin’ny zazalahy iray. Ary niresaka fanindroany momba ny fijaliany sy ny fahafatesany ho avy izy. Nanome torohevitra ny mpianany mba tsy hamela na inona na inona hisakana azy ireo tsy hiditra any amin’ny fiainana, izy. Ny tananao ve no manafintohina anao? Tapaho izy! Ny tongotrao ve? Tapaho izy! Ny masonao ve? Esory hiala izy! Tsara lavitra ny hiditra ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra kilemaina, toy izay hatsipy tanteraka any amin’ny Gehena.

22. Torohevitra inona no manasongadina ny fanompoan’i Jesosy tany Pere?

22 Fanompoana tany Pere (10:1-52). Tonga teo amin’ny sisin-tanin’i Jodia sy “tany an-dafin’i Jordana” (tany Pere) i Jesosy. Nanontany azy momba ny fisaraham-panambadiana izao ireo Fariseo, ary nampiasa izany fahafahana izany izy mba hanambarana fotopoto-pitsipika araka an’Andriamanitra momba ny fanambadiana. Nisy zatovolahy nanankarena nanontany azy momba ny fomba handovana ny fiainana mandrakizay. Nalahelo anefa izy io rehefa nahare fa, mba hananana rakitra any an-danitra, dia tsy maintsy nivarotra ny fananany sy nanaraka an’i Jesosy izy. Hoy ny nolazain’i Jesosy tamin’ireo mpianany: “Moramora kokoa ny hidiran’ny rameva amin’ny vodi-fanjaitra noho ny hidiran’ny manan-karena amin’ny fanjakan’Andriamanitra.” Nampahery ireo izay nahafoy ny zava-drehetra noho ny vaovao tsara izy, ka nampanantena azy ireo “zato heny amin’izao andro ankehitriny izao (...) mbamin’ny fanenjehana — ary amin’ny andro ho avy dia fiainana mandrakizay”. — 10:1, 25, 30.

23. Resaka sy fahagagana inona no hita teny an-dalana nankany Jerosalema?

23 Niainga ho any Jerosalema izao i Jesosy sy ireo 12 lahy. Nilaza fanintelony tamin’izy ireo ny amin’ilay fijaliana teo anoloany, sy ny amin’ny hitsanganany amin’ny maty, izy. Nanontaniany izy ireo raha afaka ny hisotro tamin’ny kapoaka izay nosotroiny, ary nilazany hoe: “Na iza na iza no te-ho ambony eo aminareo, dia ho mpanompon’izy rehetra.” Teny an-dalana niala tao Jeriko, dia nisy jamba mpangataka niantsoantso avy teny an-tsisin-dalana hoe: “Ry Jesosy, Zanak’i Davida ô, mamindrà fo amiko!” Nampahiratin’i Jesosy ny mason’ilay jamba — izany no fanasitranana mahagaga farany nataony noraketin’i Marka an-tsoratra. — 10:44, 47, 48.

24, 25. a) Fanaovan-javatra inona avy no nanamarinan’i Jesosy ny fahefany? b) Hevitra inona avy no narosony mba hamaliana ireo mpanohitra azy? d) Fampitandremana inona no nomen’i Jesosy ilay vahoaka, ary inona no nomeny teny fiderana teo anoloan’ny mpianany?

24 I Jesosy, tao Jerosalema sy nanodidina an’i Jerosalema (11:1–15:47). Mandroso haingana ilay fitantarana! Nitaingina zana-boriky niditra tao amin’ilay tanàna i Jesosy, ary nihoby azy ho Mpanjaka ny vahoaka. Ny ampitso izy dia nanadio ny tempoly. Nanjary natahotra azy ireo lohan’ny mpisorona sy mpanora-dalàna ka nitady ny hahafaty azy. “Fahefana manao ahoana no anaovanao izao zavatra izao?”, hoy izy ireo nanontany. (11:28). Namerina ilay fanontaniana taminy tamim-pahakingana i Jesosy, ary nilaza ny fanoharana ny amin’ireo mpamboly izay namono ny mpandova ilay tanimboaloboka. Azon’izy ireo ny tiany holazaina ka dia nandao azy izy ireo.

25 Avy eo, dia nirahin’izy ireo ny sasany tamin’ny Fariseo mba hamandrika azy tamin’ny fanontaniana momba ny vola hetra. Nangataka denaria iray izy, ka nanontany hoe: “An’iza io sary sy soratra io?” Namaly izy ireo hoe: “An’i Kaisara.” Dia hoy i Jesosy taminy: “Aloavy ho an’i Kaisara izay an’i Kaisara, ary ho an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra.” Tsy mahagaga raha gaga taminy izy ireo! (12:16, 17). Izao ireo Sadoseo, izay tsy nino ny fitsanganan’ny maty, dia nitady ny hamandrika azy tamin’ilay fanontaniana hoe: ‘Raha nanana vady fito nifandimby ny vehivavy iray, ho vadin’iza moa izy amin’ny fitsanganan’ny maty?’ Namaly avy hatrany i Jesosy fa ireo izay mitsangana amin’ny maty dia ho “tahaka ny anjely any an-danitra”, satria tsy hanambady. (12:19-23, 25). “Ny didy manao ahoana no voalohany amin’izy rehetra?”, hoy ny mpanora-dalàna iray. Namaly i Jesosy hoe: “Ny voalohany dia izao: ‘Mihainoa, ry Isiraely: Jehovah Andriamanitsika dia Jehovah iray ihany; koa tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra sy ny sainao rehetra ary ny herinao rehetra’. Ary ny faharoa dia izao: ‘Tiava ny namanao tahaka ny tenanao’.” (12:28-31). Taorian’izany, dia tsy nisy sahy nanontany azy. Voaro ny fahefan’i Jesosy tamin’ny naha-mpampianatra tanteraka azy. Nihaino tamim-pahafinaretana ilay vahoaka betsaka, ary dia nampitandrina azy ireo tamin’ireo mpanora-dalàna be fisehosehoana i Jesosy. Avy eo dia noderainy tamin’ireo mpianany ilay mpitondratena nalahelo izay nandatsaka tao amin’ny fandatsahan-drakitry ny tempoly, be kokoa noho ny hafa rehetra, satria ireo farantsakeliny roa dia izay “rehetra nananany, dia ny fivelomany rehetra”. — 12:44.

26. Inona no hany lahateny lava noraketin’i Marka an-tsoratra, ary fananarana inona no namarana azy io?

26 Nipetraka teo amin’ny Tendrombohitra Oliva tandrifin’ny tempoly i Jesosy, ary nilaza mangingina tamin’ny efatra tamin’ny mpianany momba ny “famantarana” ny fifaranan’ireo zavatra ireo. (Io no hany lahateny lava noraketin’i Marka an-tsoratra, ary mifanitsy amin’ilay ao amin’ny Matio toko faha-24 sy faha-25.) Mifarana amin’izao fananaran’i Jesosy izao izy io: “Fa ny amin’izany andro na ora izany dia tsy misy mahalala, na dia ny anjely any an-danitra, ary na dia ny Zanaka aza, afa-tsy ny Ray ihany. Ary izay lazaiko aminareo dia lazaiko amin’ny olona rehetra koa: Miambena.” — 13:4, 32, 37.

27. Lazalazao ireo fisehoan-javatra nitarika ho amin’ny famadihana an’i Jesosy tany Getsemane.

27 Tany Betania, teo akaiky teo, dia nisy vehivavy nanosotra an’i Jesosy tamin’ny menaka manitra sarobidy. Tsy nanaiky ny sasany satria hoe fandanilaniam-poana izany, kanefa nilaza i Jesosy fa asa soa no nataony, ho fiomanana ho amin’ny fandevenana azy. Tamin’ny fotoana voatondro, dia niara-nivory tao an-tanàna ho fankalazana ny Paska i Jesosy sy ireo 12 lahy. Nampahafantatra ilay hamadika azy izy ary nanorina ny sakafo hariva fahatsiarovana niaraka tamin’ireo mpianany nahatoky. Avy eo dia nandeha nankany amin’ny Tendrombohitra Oliva izy ireo. Teny an-dalana i Jesosy dia nilaza tamin’izy ireo fa ho tafintohina avokoa izy rehetra. “Izaho tsy mba ho tafintohina”, hoy ny fihiakan’i Petera. Kanefa hoy i Jesosy taminy: “Amin’ity alina ity, raha tsy mbola misy akoho maneno fanindroany, dia handa Ahy intelo hianao.” Rehefa tonga teo amin’ilay toerana nantsoina hoe Getsemane izy ireo, dia nisintona i Jesosy mba hivavaka, ary nangataka tamin’ny mpianany mba hiari-tory. Nahatratra ny fara tampony ny vavaka nataony tamin’ilay teny hoe: “Aba, Raiko ô, ny zavatra rehetra hainao; esory amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao.” Intelo izy no niverina teo amin’ny mpianany, ary intelo izy no nahita azy ireo natory, dia “amin’ny fotoana toy izao” indrindra! (14:29, 30, 36, 41, NW ). Tonga anefa ny fotoana! Indro! — ilay mpamadika!

28. Inona avy ireo toe-javatra tamin’ny fisamborana an’i Jesosy sy ny fisehoany teo anatrehan’ny mpisoronabe?

28 Nanatona i Jodasy ary nanoroka an’i Jesosy. Izany no famantarana ho an’ireo lehilahy nitondra fiadian’ireo lohan’ny mpisorona mba hisambotra azy. Nentin’izy ireo tany amin’ny kianjan’ny mpisoronabe izy, ary tany dia maro no niampanga lainga azy, kanefa tsy nisy nifanaraka ny filazan’izy ireo. Tsy niteny i Jesosy. Farany dia nanontany azy ilay mpisoronabe hoe: “Hianao va no Kristy, Zanaky ny Isaorana?” Namaly i Jesosy hoe: “Izaho no Izy”. Nihiaka ilay mpisoronabe hoe: ‘Fitenenan-dratsy!’, ary dia nataon’izy rehetra fa mendrika ho faty izy. (14:61-64). Teo ambany teo an-kianja kosa, i Petera dia nanda an’i Jesosy intelo. Nisy akoho naneno fanindroany, ary dia ketraka i Petera ka nitomany, nahatsiaro ny tenin’i Jesosy.

29. Inona no noraketin’i Marka an-tsoratra momba ny fisedrana farany nodiavin’i Jesosy sy ny famonoana azy, ary ahoana no nampisehoana fa ilay Fanjakana no fototr’ilay raharaha?

29 Niaraka tamin’izay, raha vao maraina ny andro, dia niara-nisaina ny Synedriona ary nandefa an’i Jesosy, nifatotra, tany amin’i Pilato. Takatr’io haingana fa tsy mpanao meloka i Jesosy, ary nitady ny handefa azy izy. Kanefa, rehefa nanizingizina ilay vahoaka betsaka izay natosik’ireo lohan’ny mpisorona, tamin’ny farany dia natolony mba hohomboana i Jesosy. Nentina tany Golgota (izay midika hoe “Fitoeran-karan-doha”) i Jesosy ary nohomboana tamin’ny hazo. Nosoratana teo ambonin’ny lohany ny nanamelohana azy hoe: “Mpanjakan’ny Jiosy”. Naneso azy ny mpandalo hoe: “Namonjy ny sasany Izy, fa ny tenany tsy hainy vonjena.” Tamin’ny mitataovovonana (tamin’ny ora fahenina) dia tonga maizina ny tany rehetra hatramin’ny telo ora. Avy eo i Jesosy dia niantso tamin’ny feo mahery hoe: “Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia mahafoy Ahy Hianao”, ary dia afaka ny ainy. Rehefa nahita izany zavatra izany, ny kapiteny iray dia nanamarika hoe: “Marina tokoa fa Zanak’Andriamanitra io Lehilahy io.” Nangataka ny fatin’i Jesosy tamin’i Pilato i Josefa avy tany Arimatia, anisan’ny Synedriona saingy mpino ny Fanjakan’Andriamanitra, ary nametraka azy io tao amin’ny fasana iray nolavahana tamin’ny vatolampy. — 15:22, 26, 31, 34, 39.

30. Tamin’ny andro voalohany amin’ny herinandro, inona no nitranga teny amin’ny fasana?

30 Fisehoan-javatra taorian’ny nahafatesan’i Jesosy (16:1-8). Nony maraina koa tamin’ny andro voalohany amin’ny herinandro, dia nivoaka nankany amin’ilay fasana ny vehivavy telo. Gaga izy ireo nahita fa efa voakodia niala ilay vato lehibe teo amin’ny fidirana. Nisy “zatovo anankiray” nipetraka tao anatiny nilaza tamin’izy ireo fa efa nitsangana i Jesosy. (16:5). Tsy tao intsony izy fa efa nialoha azy ireo nankany Galilia. Nandositra niala tamin’ilay fasana izy ireo, toran-kovitra sy natahotra.

MAHASOA — NAHOANA?

31. a) Ahoana no nanamarinan’i Marka ny naha-Mesia an’i Jesosy? b) Inona no nanaporofo ny fahefan’i Jesosy tamin’ny naha-Zanak’Andriamanitra azy, ary inona no nantitranteriny?

31 Tamin’ny alalan’io sary an-tsoratra toa hitan’ny maso ny amin’i Jesosy Kristy io, ireo mpamaky rehetra ny Marka, hatramin’ny andron’ny Kristiana tany am-boalohany ka mandraka ankehitriny, dia afaka nahafantatra ny fahatanterahan’ny faminaniana maro mikasika ny Mesia ao amin’ny Soratra Hebreo. Manomboka amin’ilay fakan-teny fanokafana hoe: “Indro, Izaho maniraka ny irako hialoha Anao”, ka hatramin’ny tenin’i Jesosy niala aina teo amin’ny hazo nanao hoe: “Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia mahafoy Ahy Hianao”, ilay fitantarana manontolo momba ny fanompoany tamin-jotom-po, noraketin’i Marka an-tsoratra, dia mifanaraka amin’izay nambaran’ny Soratra Hebreo mialoha. (Marka 1:2; 15:34; Mal. 3:1; Sal. 22:1). Ambonin’izany, ireo fahagagany sy asa mahatalanjona nataony, ny fampianarany mahasoa, ireo famaliany tsy nisy kilema, ny fiankinany tanteraka tamin’ny Tenin’i Jehovah sy ny fanahiny, ary ny fiandrasany ny ondry tamim-panehoam-pitiavana — izany zavatra rehetra izany dia manamarika azy ho Ilay tonga tamim-pahefana tamin’ny naha- Zanak’Andriamanitra azy. Nampianatra “tahaka izay manana fahefana” izy, dia fahefana azony avy tamin’i Jehovah. Nantitranteriny fa ny ‘fitoriana ny vaovao tsaran’Andriamanitra’, izany hoe fa “efa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra”, no asany voalohany indrindra teto an-tany. Hita fa nitondra soa tsy hay tombanana ho an’ireo izay nitandrina azy ny fampianarany. — Marka 1:22, 14, NW, 14.

32. Impiry i Marka no nampiasa ilay fitenenana hoe “fanjakan’Andriamanitra”, ary inona avy ny sasany amin’ireo fotopoto-pitsipika mpitari-dalana naoriny mba hahazoana fiainana amin’ny alalan’ilay Fanjakana?

32 Hoy i Jesosy tamin’ny mpianany: “Hianareo no efa nomena ny zava-miafina ny amin’ny fanjakan’Andriamanitra”. Nampiasa io fitenenana hoe “fanjakan’Andriamanitra” io in-14 i Marka ary nanorina fotopoto-pitsipika mpitari-dalana maro ho an’ireo izay hahazo fiainana amin’ny alalan’ilay Fanjakana. Hoy ny nambaran’i Jesosy: “Na iza na iza no hahavery ny ainy noho ny amiko sy ny filazantsara, dia hamonjy izany.” Tsy maintsy esorina izay fanakantsakanana rehetra tsy hahazoana fiainana, araka ny hoe: “Tsara ho anao ny hiditra toka-maso amin’ny fanjakan’Andriamanitra noho ny manana maso roa, nefa hariana any amin’ny helo.” Fanampin’izany, dia nanambara i Jesosy hoe: “Na zovy na zovy no tsy handray ny fanjakan’Andriamanitra tahaka ny zaza, dia tsy ho tafiditra aminy akory”, ary koa hoe: “Manao ahoana ny hasarotry ny hidiran’ny manan-karena amin’ny fanjakan’Andriamanitra!” Nilaza izy fa ilay olona mahatakatra fa ny fitandremana ireo didy lehibe roa dia mihoatra lavitra noho ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hafa rehetra, dia “tsy lavitra ny fanjakan’Andriamanitra”. Ireo sy ny fampianarana hafa momba ilay Fanjakana ao amin’ny Filazantsaran’i Marka dia mirakitra fananarana tsara be dia be izay azontsika ampiharina eo amin’ny fiainantsika andavanandro. — 4:11; 8:35; 9:43-48; 10:13-15, 23-25; 12:28-34.

33. a) Ahoana no mety hahazoantsika soa avy amin’ny Filazantsaran’i Marka? b) Tokony hanosika antsika ho amin’ny fanarahana lalana inona ny Marka, ary nahoana?

33 Ny vaovao tsara “nosoratan’i Marka” angamba dia azo vakina tanteraka ao anatin’ny adiny iray na roa, ka hanome ho an’ilay mpamaky, fandinihana mampientana sy haingana ary amim-paharisihana ny fanompoan’i Jesosy. Ny famakiana tsy miato hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany io fitantarana ara-tsindrimandry io, ary koa ny fandinihana azy akaiky kokoa sy ny fisaintsainana momba azy, dia hahasoa foana. Mitondra soa ny Filazantsaran’i Marka ho an’ireo Kristiana enjehina amin’izao andro izao, toy ny tamin’ny taonjato voalohany, satria ny Kristiana marina izao dia miatrika “fotoan-tsarotra tsy mora setraina” ary mila ny fitarihana ara-tsindrimandry toy izay hita ao amin’io firaketana an-tsoratra io izay mikasika ilay Modelintsika, dia i Jesosy Kristy. Vakio izy io, mientàna noho ireo fanaovan-javatra mampihetsi-po lalina ao aminy, ary manovoza fampaherezana mba hanaraka ny dian’ilay Fiasana Lehibe sady Mpandavorary ny finoantsika, dia i Jesosy, amin’ny fananana ilay fifaliana tsy mety resy toy izay nasehony. (2 Tim. 3:1, NW; Heb. 12:2, NW ). Eny, jereo ho toy ny lehilahy vonona ny hiasa izy, aoka ianao ho feno ny zotom-pony, ary tahafo ny tsy fivadihany tsy nisy fanekena lembenana sy ny herim-pony tao anatin’ny fisedrana sy ny fanoherana. Mahazoa fampiononana avy amin’io tapany feno fanazavana ao amin’ny Soratra ara-tsindrimandry io. Avelao hitondra soa ho anao izy io eo amin’ny fikatsahanao ny fiainana mandrakizay!

[Fanamarihana ambany pejy]

a Auxiliaire pour une meilleure intelligence de la Bible, pejy 970.

[Fanontaniana]