Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-42 — Lioka

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-42 — Lioka

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-42 — Lioka

Mpanoratra: Lioka

Toerana Nanoratana: Kaisaria

Vita Tamin’ny: 56 am.f.i. tany ho any – 58 am.f.i.

Fe-potoana Voafaoka: 3 al.f.i. – 33 am.f.i.

1. Karazana Filazantsara manao ahoana no nosoratan’i Lioka?

 NY FILAZANTSARAN’I Lioka dia nosoratan’ny lehilahy iray nanana saina natsilo sy fo tsara. Ny vokatr’io fitambaran-toetra tsara dia tsara io àry, niaraka tamin’ny fitarihan’ny fanahin’Andriamanitra, dia fitantarana izay sady araka ny marina no feno hafanana sy fihetseham-po. Ao amin’ireo andininy fanokafana, dia izao no lazainy: “Sitrako koa, rehefa nofotorako [araka ny marina, NW ] ny zavatra rehetra hatramin’ny niandohany, ny hanoratra izany aminao araka ny filaharany”. Manamarina izany fanambarana izany ny fampisehoany feno tsipiriany sy tamim-pitandremana fatratra. — Lioka 1:3.

2, 3. Porofo ivelany sy anatiny inona no manondro fa i Lioka dokotera no nanoratra io Filazantsara io?

2 Na dia tsy voatonona na aiza na aiza ao amin’ilay fitantarana aza i Lioka, ireo fahefana fahiny dia nanaiky fa izy no nanoratra azy io. Lazaina ao amin’ny Fragment de Muratori (Tapatapa-tsoratra Hitan’i Muratori) (170 am.f.i. tany ho any) fa i Lioka no nanoratra io Filazantsara io, izay neken’ny mpanoratra tamin’ny taonjato faharoa toa an’i Irénée sy i Clément avy tany Aleksandria. Ny porofo anatiny koa dia manondro an’i Lioka amin’ny fomba hentitra. Niantso azy hoe “Lioka, ilay dokotera malala”, i Paoly ao amin’ny Kolosiana 4:14 (NW ), ary ny asa sorany dia manana ny toetra mampiavaka ny manam-pahaizana izay hantenaina amin’ny lehilahy nahita fianarana iray, toy ny dokotera. Ny fomba fiteny tsara dia tsara nofidiny sy ny voambolana maro samihafa nampiasainy, izay betsaka kokoa noho ny an’ireo mpanoratra Filazantsara telo hafa mitambatra, dia nahatonga ny hisian’ny famelabelarana io foto-kevitra tena lehibe io amin’ny fomba feno fitandremana sy tsipiriany. Ny fitantarany ny amin’ilay zanaka adala, na mpandanilany foana, dia heverin’ny sasany ho ny tsara indrindra amin’ny tantara fohy rehetra nosoratana hatramin’izay.

3 Nampiasa teny na voambolana ara-pitsaboana maherin’ny 300 i Lioka, ka ireo dia nomeny dikany ara-pitsaboana hafa noho izay nampiasan’ny mpanoratra hafa rehetra ao amin’ny Soratra Grika Kristiana azy (raha nampiasain’ireo akory aza). a Ohatra, rehefa niresaka momba ny habokana i Lioka, dia tsy nampiasa foana teny mitovy amin’ny an’ny hafa. Tamin’ireto hafa ireto, ny hoe habokana dia habokana, fa ho an’ilay dokotera kosa, dia misy ambaratongany samy hafa ny habokana, toy ny rehefa niresaka momba ny “lehilahy [iray] heniky ny habokana” i Lioka. I Lazarosy, hoy izy, dia “ferena”. Tsy misy mpanoratra Filazantsara hafa nilaza fa azon’ny “tazo mafy” ny rafozambavin’i Petera. (5:12; 16:20; 4:38). Na dia milaza amintsika momba ny nanapahan’i Petera ny sofin’ny mpanompon’ilay mpisoronabe aza ireo mpanoratra telo hafa, dia i Lioka ihany no nilaza fa nositranin’i Jesosy izy. (22:51). Dokotera no miresaka momba ny vehivavy iray nanana “fanahy mahafarofy valo ambin’ny folo taona, ary nanjoko izy ka tsy nahatraka akory”. Ary iza afa-tsy i “Lioka, ilay dokotera malala” no hirakitra an-tsoratra amin’ny an-tsipiriany aoka izany ny fanampiana vonjimaika natolotr’ilay Samaritana ny lehilahy iray, ka “nofeheziny ny feriny, sady nasiany diloilo sy divay”? — 13:11; 10:34.

4. Azo inoana fa oviana no nanoratana ny Lioka, ary toe-javatra inona avy no manohana io fomba fihevitra io?

4 Oviana i Lioka no nanoratra ny Filazantsarany? Ny Asan’ny Apostoly 1:1 dia mampiseho fa ny mpanoratra ny Asan’ny Apostoly (izay i Lioka koa) dia efa nanoratra “ilay boky voalohany”, izany hoe ilay Filazantsara. Azo inoana indrindra fa ny Asan’ny Apostoly dia vita tany amin’ny 61 am.f.i. tany ho any, fony i Lioka tany Roma niaraka tamin’i Paoly, izay niandry ny handahatra teo anatrehan’i Kaisara. Koa azo inoana àry fa nosoratan’i Lioka tany Kaisaria tany amin’ny 56-58 am.f.i. tany ho any ilay Filazantsara. Izany dia taorian’ny niverenany niaraka tamin’i Paoly avy tany Filipy tamin’ny faran’ny dia misioneran’i Paoly fahatelo, ary fony i Paoly niandry nandritra ny roa taona tao amin’ny tranomaizin’i Kaisaria ny hitondrana azy tany Roma noho ilay fangatahany handahatra tany. Koa satria tany Palestina i Lioka, nandritra io fotoana io izy dia tsara toerana mba ‘hamototra araka ny marina ny zavatra rehetra hatramin’ny niandohany’, dia ny mikasika ny fiainan’i Jesosy sy ny fanompoany. Araka izany, ny fitantaran’i Lioka dia toa talohan’ny Filazantsaran’i Marka.

5. Avy amin’ny loharanon-kevitra inona avy no nety ho ‘namotoran’i Lioka araka ny marina’ ireo fisehoan-javatra teo amin’ny fiainan’i Jesosy?

5 Mazava ho azy fa tsy vavolombelona nahita maso ireo fisehoan-javatra rehetra noraketiny an-tsoratra ao amin’ny Filazantsarany i Lioka, satria tsy iray tamin’ireo apostoly 12 izy ary azo inoana fa tsy tonga mpino raha tsy taorian’ny nahafatesan’i Jesosy. Kanefa nifanerasera akaiky dia akaiky tamin’i Paoly teo amin’ny asa misionera izy. (2 Tim. 4:11; Filem. 24). Koa, araka ny mety hampoizina àry, ny asa soratra nataony dia mampiseho porofon’ny hery mitaonan’i Paoly, toy ny hita rehefa ampitahaina ireo fitantarana roa nataon’izy mirahalahy momba ny Sakafo Harivan’ny Tompo, ao amin’ny Lioka 22:19, 20 sy ny 1 Korintiana 11:23-25. Ny loharanon-kevitra fanampiny nety ho nakan’i Lioka teny dia ny Filazantsaran’i Matio. Tamin’ny ‘famotorana araka ny marina ny zavatra rehetra’, izy dia nety ho afaka nanadinadina manokana vavolombelona maro nahita maso ireo fisehoan-javatra tamin’ny fiainan’i Jesosy. Anisan’izany ireo mpianatra mbola velona ary angamba i Maria, renin’i Jesosy. Afaka matoky isika fa tsy nisy navelany tsy ho voakaroka, teo am-panambàrany ireo tsipiriany azo nitokiana.

6. Ampahany toy inona ao amin’ny Filazantsaran’i Lioka no azy manokana, ary ho an’iza no nanoratany? Nahoana no mamaly toy izany ianao?

6 Rehefa dinihina ny fitantaran’ireo Filazantsara efatra, dia manjary mazava fa tsy namerina fotsiny izay zavatra notantarain’ilay iray hafa ny tsirairay tamin’ireo mpanoratra. Tsy nanoratra mba hanomezana fotsiny teny vavolombelona maromaro ny amin’io firaketana an-tsoratra lehibe dia lehibe indrindra ao amin’ny Baiboly io koa izy ireo. Ny fitantaran’i Lioka dia mampiavaka ny tenany indrindra, raha ny amin’ny fomba famelabelarany. Amin’ny fitambarany, ny 59 isan-jaton’ny Filazantsarany dia azy manokana. Nirakitra an-tsoratra fara fahakeliny fahagagana enina voafaritra tsara sy fanoharana maherin’ny indroa torak’izany izay tsy voatonona ao amin’ireo fitantaran’ny Filazantsara hafa, izy. Araka izany àry, ny ampahatelon’ny Filazantsarany dia natokany ho an’ny fitantarana ranofotsiny, fa ny androatokony kosa ho an’ny resaka natao; ny Filazantsarany no lava indrindra amin’izy efatra. I Matio dia nanoratra voalohany indrindra ho an’ireo Jiosy, ary i Marka ho an’ireo mpamaky tsy jiosy, indrindra fa ireo Romana. Ny Filazantsaran’i Lioka kosa dia navantany tamin’i “Teofilo tsara indrindra” ary tamin’ny alalany, dia ho an’ny olon-kafa, na Jiosy izany na tsy Jiosy. (Lioka 1:3, 4). Mba hanaovana ny fitantarany ho an’ny rehetra, izy dia nanoritra ny tsipirian’ny tetirazan’i Jesosy hatrany amin’i “Adama, zanak’Andriamanitra”, fa tsy hatreo amin’i Abrahama fotsiny, toy ny nataon’i Matio izay nanoratra ho an’ireo Jiosy indrindra indrindra. Nomarihiny manokana ireo teny ara-paminanian’i Simeona fa hoe i Jesosy no ho ilay fitaovana “hahazava ny firenena”, ary nolazainy fa “ny nofo rehetra hahita ny famonjen’Andriamanitra”. — 3:38; 2:29-32; 3:6.

7. Inona no manamarina amin-kery ny maha-azo itokiana ny Filazantsaran’i Lioka?

7 Hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny faran’ilay asa sorany, i Lioka dia manaporofo fa mpitantara niavaka ny tenany, satria voalamina tsara sady araka ny marina ireo fitantarany. Ireo toetra tsara ireo, izany hoe ny fanaovan-javatra araka ny marina sy amim-pahatokiana, izay hita ao amin’ireo asa soratr’i Lioka, dia porofo mahery ny amin’ny maha-azo itokiana azy ireo. Hoy ny nomarihin’ny mpanoratra momba ny lalàna iray: “Ireo tantaram-pitiavana sy angano ary teny vavolombelona mandainga dia mitandrina mba hametraka ireo fisehoan-javatra tantarainy amin’ny toerana lavitra iray sy amin’ny fotoana tsy voafaritra iray, ka mandika amin’izany fanao izany ireo fitsipika voalohany ianaranay mpisolovava momba ny fanaovana fiarovana tsara, dia ny hoe ‘tsy maintsy manome ny fotoana sy ny toerana ny fanambarana atao’. Ireo fitantarana ao amin’ny Baiboly kosa anefa dia manome antsika amin’ny fomba faran’izay marina ny daty sy ny toeran’ireo zavatra tantarainy.” b Ho porofon’izany izy dia nanonona ny Lioka 3:1, 2 manao hoe: “Tamin’ny taona fahadimy ambin’ny folo nanjakan’i Tiberio Kaisara, fony Pontio Pilato no governora tany Jodia, ary Heroda no mpanapaka tany Galilia, ary Filipo rahalahiny no mpanapaka ny tany Itoria sy Trakonitisy, ary Lysania no mpanapaka tany Abilena, ary Anasy sy Kaiafa no mpisoronabe, — dia tonga tamin’i Jaona, zanak’i Zakaria, tany an’efitra ny tenin’Andriamanitra.” Tsy misy tsy fahazoana antoka eto raha ny amin’ny fotoana na ny toerana, kanefa i Lioka dia manonona mpiasam-panjakana tsy latsaka ny fito mba hahafahantsika hanaporofo ny fotoana nanombohan’ny fanompoan’i Jaona sy ny an’i Jesosy.

8. Ahoana no nampisehoan’i Lioka “araka ny marina” ny fotoana nahaterahan’i Jesosy?

8 Manome antsika fanondroana roa hamaritana ny fotoana nahaterahan’i Jesosy koa i Lioka, tamin’ny filazana toy izao, ao amin’ny Lioka 2:1, 2: “Ary tamin’izany andro izany dia nisy didy navoak’i Aogosto Kaisara hampanoratra ny anaran’ny vahoaka rehetra amin’ny fanjakany. (Izany no fanoratana voalohany natao fony Kyrenio nanapaka tany Syria.)” Izany dia fony i Josefa sy i Maria niakatra nankany Betlehema mba hosoratana anarana, ary dia teraka tany i Jesosy. c Tsy afaka afa-tsy ny hiombon-kevitra amin’ilay mpivaofy teny nilaza toy izao isika: “Ny iray amin’ireo fitsapana lalina indrindra momba ny fahaizan’i Lioka ara-tantara dia noho izy mahavita milaza zavatra araka ny marina amin’ny fomba tonga lafatra foana.” d Tsy maintsy manaiky isika fa mitombina ny fanambaran’i Lioka fa hoe ‘nofotorany araka ny marina ny zavatra rehetra hatramin’ny niandohany’.

9. Faminanian’i Jesosy inona, noraketin’i Lioka an-tsoratra, no nanana fahatanterahana niavaka tamin’ny 70 am.f.i.?

9 Tondroin’i Lioka koa fa tanteraka araka ny marina tamin’i Jesosy Kristy ireo faminaniana ao amin’ny Soratra Hebreo. Nanonona ny teny vavolombelona ara-paminaniana nataon’i Jesosy momba izany izy. (24:27, 44). Fanampin’izany, dia noraketiny an-tsoratra araka ny marina ireo faminaniana nataon’ny tenan’i Jesosy mikasika ireo fisehoan-javatra ho avy, ary maro amin’ireo no efa nahita fahatanterahana miavaka, araka ireo tsipiriany rehetra nambara mialoha. Ohatra, i Jerosalema dia nohodidinin’ny tsato-kazo naranitra (NW ) tamin’ny fanaovana fahirano, ka ringana tao anatin’ny vonoana olona nahatahotra tamin’ny 70 am.f.i., dia araka ny nambaran’i Jesosy mialoha tsara. (Lioka 19:43, 44; 21:20-24; Matio 24:2). Ilay mpanoratra tantara tsy ara-pivavahana atao hoe Flavius Josèphe, izay vavolombelona nanatri-maso niaraka tamin’ny tafika romana, dia nanamarina fa noripahina ny hazo tany ambanivohitra hatrany amin’ny 16 kilaometatra, mba hahazoana ireo tsato-kazo; fa nisy 7,2 kilaometatra ny halavan’ilay manda nanaovana ilay fahirano; fa zaza amam-behivavy maro no matin’ny mosary, ary koa fa Jiosy maherin’ny 1 000 000 no namoy ny ainy ary 97 000 no nentina ho babo. Hatramin’izao, ny Andohalambon’i Titus any Roma dia manome sarin’ny filaharam-pandresen’ny Romana nitondra zavatra nobaboiny tamin’ny ady avy tao amin’ny tempolin’i Jerosalema. e Afaka matoky isika fa ireo faminaniana ara-tsindrimandry hafa noraketin’i Lioka an-tsoratra dia ho tanteraka araka ny marina toy izany.

LOHA HEVITRA RAKETIN’NY LIOKA

10. Inona no natombok’i Lioka?

10 Ny teny fampidiran’ny Lioka (1:1-4). Noraketin’i Lioka an-tsoratra fa nofotorany araka ny marina ny zavatra rehetra hatramin’ny niandohany ary koa fa tapa-kevitra ny hanoratra azy ireny araka ny filaharany izy mba ‘hahafantaran’i Teofilo tsara indrindra fa mafy orina’ ireo zavatra ireo. — 1:3, 4.

11. Fisehoan-javatra mahafaly inona avy no tantaraina ao amin’ny toko voalohan’ny Lioka?

11 Ireo taona voalohany tamin’ny fiainan’i Jesosy (1:5–2:52). Nisy anjely niseho tamin’ilay mpisorona efa be taona natao hoe Zakaria, nitondra ilay vaovao nahafaly fa hanan-janakalahy izy, ary Jaona no hataony anarany. Mandra-pahaterak’ilay zazalahy anefa, dia tsy ho afaka ny hiteny izy. Araka ny nampanantenaina, dia tonga bevohoka i Elizabeta vadiny, na dia “efa antitra” aza. Enim-bolana teo ho eo tatỳ aoriana, dia niseho tamin’i Maria ny anjely Gabriela ary nilaza taminy fa hitoe-jaza noho ny “herin’ny Avo Indrindra” izy ary hanan-janakalahy izay hatao hoe Jesosy. Nitsidika an’i Elizabeta i Maria, ary taorian’ny fiarahabana falifaly, dia nanambara tamim-paharavoana hoe: “Ny foko mankalaza [an’i Jehovah, NW ] ary ny fanahiko efa ravoravo tamin’Andriamanitra, Mpamonjy ahy”. Niresaka momba ny anarana masin’i Jehovah sy ny famindram-pony lehibe amin’ireo izay matahotra azy, izy. Tamin’ny nahaterahan’i Jaona, dia afaka niteny ny lelan’i Zakaria mba hanambara koa ny famindram-pon’Andriamanitra, ary koa fa ho mpaminany hamboatra ny lalan’i Jehovah i Jaona. — 1:7, 35, 46, 47.

12. Inona no nambara mikasika ny nahaterahan’i Jesosy sy ny fahazazany?

12 Tamin’ny fotoana voatondro, dia teraka tao Betlehema i Jesosy, ary nisy anjely nanambara io “teny soa mahafaly (...), dia fifaliana lehibe” io tamin’ireo mpiandry ondry niambina ny ondriny tamin’ny alina. Notandremana araka ny Lalàna ny famorana, ary avy eo, rehefa ‘nanolotra azy ho an’[i Jehovah, NW ] tany amin’ny tempoly ny ray aman-drenin’i Jesosy, dia niresaka mikasika ilay zaza i Simeona efa be taona sy i Ana mpaminanivavy. Rehefa tafaverina tany Nazareta izy, dia ‘nitombo ka nihahery sady feno fahendrena, ary ny fahasoavan’Andriamanitra no tao aminy’. (2:10, 22, 40). Teo amin’ny faha-12 taonany, nandritra ny fitsidihana nataony avy tany Nazareta nankany Jerosalema, i Jesosy dia nahatalanjona ireo mpampianatra noho ny fahalalany sy ny valin-teny nomeny.

13. Inona no notorin’i Jaona, ary inona no nitranga tamin’ny batisan’i Jesosy sy taorian’izany avy hatrany?

13 Fiomanana ho amin’ny fanompoana (3:1–4:13). Tamin’ny taona faha-15 nanjakan’i Tiberio Kaisara, dia tonga tamin’i Jaona, zanak’i Zakaria, ny tenin’Andriamanitra, ary dia nandeha izy “nitory ny batisan’ny fibebahana ho famelan-keloka”, mba hahitan’ny nofo rehetra “ny famonjen’Andriamanitra”. (3:3, 6). Rehefa natao batisa tao Jordana ny vahoaka rehetra, ary Jesosy koa natao batisa sy nivavaka, dia nidina teo aminy ny fanahy masina, ary naneho ny fankasitrahany azy avy tany an-danitra ny Rainy. Teo amin’ny 30 taona teo ho eo izao i Jesosy Kristy. (Nanome ny tetirazany izao i Lioka.) Nanaraka ny batisany, dia nentin’ny fanahy tany an’efitra nandritra ny efapolo andro i Jesosy. Tany ny Devoly dia naka fanahy azy, kanefa tsy nahomby, ary avy eo dia nandao azy “mandra-pahatongan’ny fotoana mety hafa”. — 4:13, NW.

14. Taiza no nataon’i Jesosy nazava tsara ny asa nanirahana azy, inona izy io, ary nanao ahoana ny fihetsiky ny mpihaino azy teo anoloan’izany?

14 Ny fanompoan’i Jesosy tany am-boalohany, tany Galilia indrindra indrindra (4:14–9:62). Tao amin’ny synagogan’i Nazareta, ilay tanàna niaviany, dia nataon’i Jesosy nazava tsara ny asa nanirahana azy, tamin’ny famakiana sy fampiharana tamin’ny tenany ny faminanian’i Isaia 61:1, 2 nanao hoe: “Ny Fanahin’i Jehovah no ato amiko, satria nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin’ny malahelo Izy; naniraka Ahy hitory fandefasana amin’ny mpifatotra Izy, sy fampahiratana amin’ny jamba, hanafaka izay nampahorina, hitory ny taona ankasitrahan’i Jehovah.” (4:18, 19). Ny fahafinaretan’ny vahoaka tamin’ny voalohany nahare ireo teniny ireo dia nivadika ho fahatezerana, rehefa nanohy ny lahateniny izy, ary dia nanandrana ny hamono azy izy ireo. Nidina nankany Kapernaomy àry izy, ary nanasitrana olona maro tany. Nanaraka azy ny vahoaka ary nitady ny hihazona azy, kanefa nilaza tamin’izy ireo izy hoe: “Tsy maintsy mitory ny teny soa mahafaly ny amin’ny fanjakan’Andriamanitra any amin’ny tanàna hafa koa Aho, satria izany no nanirahana Ahy.” (4:43). Nanohy nitory tany amin’ireo synagogan’i Jodia izy.

15. Lazalazao ny niantsoana an’i Petera sy i Jakoba ary i Jaona ary koa i Matio.

15 Tany Galilia, i Jesosy dia nahatonga an’i Simona (nantsoina koa hoe Petera) sy i Jakoba ary i Jaona hahazo hazandrano tamin’ny fomba mahagaga. Nilaza tamin’i Simona izy hoe: “Hatramin’izao ankehitriny izao dia olona kosa no ho azonao.” Nahafoy ny zava-drehetra àry izy ireo ka nanaraka azy. Nanohy (NW ) nivavaka sy nampianatra i Jesosy, ary “ny herin’ny Tompo dia tao aminy mba hahasitranany”. (5:10, 17). Niantso an’i Levy (Matio), mpamory hetra nohamavoina, izy ary naneho fanajana an’i Jesosy io tamin’ny alalan’ny fanasana lehibe, izay natrehin’ny “mpamory hetra maro” koa. (5:29). Izany dia nitarika ho amin’ny iray tamin’ireo fihaonana sasantsasany tamin’ireo Fariseo izay nihatezitra hatrany sady niray tetika hanisy ratsy azy.

16. a) Nanaraka ny inona ny nifidianan’i Jesosy ireo apostoly 12? b) Hevitra inona avy no nasongadin’i Lioka tamin’ny fanomezana filazana nifanitsy ny amin’ny Toriteny teo An-tendrombohitra?

16 Rehefa avy nivavaka tamin’Andriamanitra nandritra ny alina manontolo (NW ) i Jesosy, dia nifidy ireo apostoly 12 avy tamin’ireo mpianany. Nisy asa fanasitranana fanampiny nanaraka izany. Avy eo izy dia nanome ilay toriteny voarakitra an-tsoratra ao amin’ny Lioka 6:20-49, izay mifanitsy amin’ilay Toriteny teo An-tendrombohitra ao amin’ny Matio toko faha-5 ka hatramin’ny faha-7, saingy amin’ny endriny fohy kokoa. Manondro izao fifanoheran-javatra izao i Jesosy: “Sambatra hianareo malahelo, fa anareo ny fanjakan’Andriamanitra. Fa lozanareo izay manan-karena kosa! fa efa azonareo izay nahafa-po anareo.” (6:20, 24). Nananatra ny mpihaino azy izy mba ho tia ny fahavalony, mba hamindra fo, mba hanome, ary mba hamoaka ny tsara avy tamin’ny rakitra tsaran’ny fo.

17. a) Fahagagana inona avy no notanterahin’i Jesosy nanaraka izany? b) Ahoana no namalian’i Jesosy ireo irak’i Jaona Mpanao Batisa nanontany raha i Jesosy no ilay Mesia?

17 Rehefa niverina tany Kapernaomy i Jesosy, dia naharay fangatahana avy tamin’ny kapiteny iray mba hanasitrana ny mpanompo narary iray. Nahatsiaro tena ho tsy mendrika ny hanana an’i Jesosy tao ambanin’ny tafon-tranony izy, ka nangataka an’i Jesosy mba ‘hiteny’ avy tany amin’ny nisy azy. Araka izany, dia sitrana ilay mpanompo, ka voatosika hanao izao teny izao i Jesosy: “Lazaiko aminareo fa tsy mbola nahita finoana lehibe toy izany Aho, na dia tamin’ny Isiraely aza.” (7:7, 9). Voalohany izao i Jesosy no nanangana maty iray, dia ny zanakalahy tokan’ny mpitondratena iray tany Naina, satria “onena azy” izy. (7:13). Rehefa niely teny Jodia rehetra teny ny lazan’i Jesosy, dia naniraka olona tany aminy avy tany amin’ny tranomaizina i Jaona Mpanao Batisa mba hanontany hoe: “Hianao va Ilay ho avy (...)?” Ho valiny, dia nilaza tamin’ireo iraka i Jesosy hoe: “Mandehana hianareo, ambarao amin’i Jaona izao hitanareo sy renareo izao; mahiratra ny jamba, afaka ny mandringa, diovina ny boka, malady ny marenina, atsangana ny maty, ary ny malahelo dia itoriana ny filazantsara. Ary sambatra izay tsy ho tafintohina noho ny amiko.” — 7:19, 22, 23.

18. Mitohy amin’ny alalan’ny fanoharana sy asa ary torohevitra inona avy ny fitoriana momba ilay Fanjakana?

18 Narahin’ireo 12 lahy i Jesosy “nitety ny tanàna sy ny vohitra nitory ny filazantsaran’ny fanjakan’Andriamanitra”. Nanome ilay fanoharana ny amin’ilay mpamafy voa izy, ary namarana ilay fifampiresahana tamin’ny filazana hoe: “Koa tandremo ny fihainonareo; fa izay manana dia homena; ary izay tsy manana kosa, na dia izay ataony ho ananany aza dia halaina aminy.” (8:1, 18). Nanohy nanao asa sy fahagagana nahatalanjona i Jesosy. Nanome an’ireo 12 lahy hery sy fahefana hamoaka ny demonia sy hahasitrana aretina, koa izy, ary naniraka azy “hitory ny fanjakan’Andriamanitra sy hahasitrana ny marary”. Olona 5 000 no nomena hanina tamin’ny alalan’ny fahagagana. Niova tarehy teo an-tendrombohitra i Jesosy ary ny ampitso izy dia nanasitrana zazalahy iray azon’ny demonia (NW ), izay tsy sitran’ireo mpianatra. Nampitandrina toy izao an’ireo izay naniry hanaraka azy izy: “Ny amboahaolo manan-davaka, ary ny voromanidina manana fialofana; fa ny Zanak’olona tsy mba manana izay hipetrahan’ny lohany.” Mba ho mendrika ny Fanjakan’Andriamanitra, dia tsy maintsy mitana ny fangady tarihina ka tsy hiherika, ny olona iray. — 9:2, 58.

19. Ahoana no nampisehoan’i Jesosy an’ohatra ny tena fitiava-namana?

19 Ny fanompoan’i Jesosy tatỳ aoriana tany Jodia (10:1–13:21). Naniraka 70 hafa ho any amin’ny “vokatra” i Jesosy, ary dia feno fifaliana izy ireo noho ny fahombiazan’ny fanompoany. Teny am-pitoriana, dia nisy lehilahy ta hanamarina ny tenany nanontany an’i Jesosy hoe: “Iza ary no namako?” Ho valiny, dia nanome ny fanoharana ny amin’ilay Samaritana tia namana, i Jesosy. Nisy lehilahy iray, nitsitra saiky maty teo an-tsisin-dalana rehefa avy nokapohin’ny jiolahy, ary nody tsy nahita azy io ny mpisorona iray sy ny Levita iray nandalo. Ny Samaritana nohamavoina iray no nijanona, nikarakara tamim-panehoam-pitiavana ny feriny, nampitaingina azy tamin’ny bibiny, nitondra azy tany amin’ny tranom-bahiny ary nandoa ny vidin’ny fikarakarana azy. Eny, ‘ilay niantra azy’ no hita fa namany. — 10:2, 29, 37.

20. a) Hevitra inona no tian’i Jesosy holazaina tamin’i Marta sy i Maria? b) Inona no nantitranteriny momba ny vavaka?

20 Tao an-tranon’i Marta, i Jesosy dia niteny azy tamim-pahalemem-panahy noho izy niahy be loatra ireo raharahan-tokantrano. Nanao teny fiderana an’i Maria kosa izy, noho io nifidy ny anjara tsara kokoa, rehefa nipetraka sy nihaino ny teniny. Nampianariny ilay vavaka modely ireo mpianany, ary koa ny ilana hikirizana amin’ny vavaka, tamin’ny filazana hoe: “Aza mitsahatra mangataka, dia homena anareo izany; aza mitsahatra mitady, dia hahita ianareo.” Tatỳ aoriana izy dia namoaka demonia ary nambarany ho sambatra “ny mihaino ny tenin’Andriamanitra ka mitandrina izany”. Nandritra ny fisakafoana iray, dia nifandona tamin’ireo Fariseo izy momba ny Lalàna ary nanambara loza ho azy ireo noho izy ireo naka “ny fanalahidin’ny fahalalana”. — 11:9, NW, 28, 52.

21. Fampitandremana inona no nomen’i Jesosy momba ny fitsiriritana, ary inona no nampirisihany hataon’ireo mpianany?

21 Rehefa tafaraka tamin’ny vahoaka i Jesosy, dia nisy anankiray nampirisika azy hoe: “Teneno ny rahalahiko mba hizara lova amiko.” Nankany amin’ny fototr’ilay zava-nanahirana i Jesosy tamin’ny famaliana hoe: “Mitandrema ka miarova tena mba tsy ho azon’ny [karazana fitsiriritana rehetra, NW ] hianareo; fa ny ain’ny olona tsy miankina amin’ny habetsahan’ny zavatra ananany.” Avy eo izy dia nanome ny fanoharana ny amin’ilay lehilahy nanankarena izay nandrava ny trano fitahirizany mba hanaovana izay lehibe kokoa, kanefa maty ny alin’iny ihany ary namela ny hareny ho an’ny hafa. Nolazain’i Jesosy fohy toy izao ny tiany holazaina: “Toy izany izay mihary harena ho an’ny tenany ihany, nefa tsy mba manan-karena ny amin’Andriamanitra.” Rehefa avy nampirisika ny mpianany mba hikatsaka voalohany indrindra ny Fanjakan’Andriamanitra i Jesosy, dia nilaza tamin’izy ireo hoe: “Aza matahotra, ry ondry vitsy, fa efa sitraky ny Rainareo ny hanome anareo ny fanjakana.” Ny nanasitranany tamin’ny Sabata vehivavy iray izay narary nandritra ny 18 taona dia nitarika ho amin’ny fifandonana hafa iray koa tamin’ireo mpanohitra azy, kanefa nivoaka nangaihay tamin’izany ireo. — 12:13, 15, 21, 32.

22. Tamin’ny alalan’ny fanoharana mivantana inona avy no nampianaran’i Jesosy mikasika ilay Fanjakana?

22 Ny fanompoan’i Jesosy tatỳ aoriana, tany Pere indrindra indrindra (13:22–19:27). Nampiasa fanoharana tamin’ny alalan’ny teny feno loko i Jesosy mba hampisehoana ny Fanjakan’Andriamanitra tamin’ny mpihaino azy. Nasehony fa ireo izay mikatsaka fitoerana eo aloha sy haja dia haetry. Aoka izay manao fanasana hanasa ny mahantra (NW ), izay tsy manan-kavaly izany; ho sambatra izy ary “hovaliana (...) amin’ny fitsanganan’ny marina”. Nanaraka izany, dia teo ilay fanoharana ny amin’ilay lehilahy nanao fanasana lehibe. Nifandimby niala tsiny ireo nasaina: Ny iray avy nividy tany, ny hafa iray avy nividy omby, ary ny hafa iray koa vao avy nampaka-bady. Tezitra ilay tompon-trano ka naniraka olona mba hampiditra ny “[mahantra, NW ] sy ny kilemaina sy ny jamba ary ny mandringa”, ary nanambara fa tsy hisy “hanandrana” akory ny nahandrony ireny olona nasainy voalohany ireny na dia iray aza. (14:14, 21, 24). Nanome ny fanoharana ny amin’ilay ondry very nefa hita indray izy, tamin’ny filazana hoe: “Lazaiko aminareo fa hisy fifaliana toy izany any an-danitra ny amin’ny mpanota iray izay mibebaka noho ny amin’ny olona marina sivy amby sivi-folo, izay tsy misy tokony hibebahany.” (15:7). Mitovy amin’izany koa ny hevitra tian’ny fanoharana ny amin’ilay vehivavy namafa ny tranony mba hahita drakma (f.a.p.) iray, holazaina. f

23. Inona no naseho tao amin’ny fitantarana ny amin’ilay zanaka mpandanilany foana?

23 Avy eo i Jesosy dia nilaza ny amin’ilay zanaka mpandanilany foana izay nangataka tamin-drainy ny anjara fananany ary avy eo dia nandritra izany “tamin’ny fiveloman-dratsy”. Tafalatsaka tao anatin’ny fahantrana lalina ilay zanakalahy ka nody ny sainy, ary dia niverina tany aminy izy mba hiantehitra tamin’ny famindram-pon-drainy. Onena azy ny rainy ka “nihazakazaka, dia namihina ny vozony sady nanoroka azy”. Nomena fitafiana tsara dia tsara izy, nanomanana fanasana lehibe iray, ary “dia nifaly izy”. Nanohitra anefa ilay zokiny lahy. Nanitsy azy tamin-katsaram-panahy toy izao ny rainy: “Anaka, hianao eto amiko mandrakariva, ary anao avokoa izay rehetra ananako. Fa mety ny mifaly sy miravoravo; fa ity rahalahinao ity efa maty, fa velona indray, ary efa very, fa hita indray.” — 15:13, 20, 24, 31, 32.

24. Fahamarinana inona avy no nantitranterin’i Jesosy tao amin’ireo fanoharana ny amin’ilay mpanankarena sy i Lazarosy ary koa ny amin’ilay Fariseo sy ilay mpamory hetra?

24 Rehefa nahare ny fanoharana ny amin’ilay mpitandrin-draharaha tsy marina ireo Fariseo fatra-pitia vola, dia nanaraby ny fampianaran’i Jesosy, kanefa hoy ny nolazainy tamin’izy ireo: “Hianareo dia mpanamarin-tena eo anatrehan’ny olona, nefa Andriamanitra mahalala ny fonareo; fa izay zavatra heverin’ny olona ho ambony dia fahavetavetana eo anatrehan’Andriamanitra.” (16:15). Tamin’ny alalan’ny fanoharana ny amin’ilay mpanankarena sy i Lazarosy, izy dia nampiseho fa tena makadiry ilay tevana eo anelanelan’ireo izay ankasitrahan’Andriamanitra sy ireo izay tsy ankasitrahany. Nampitandrina ny mpianany i Jesosy fa hisy fahatafintohinana, kanefa “lozan’izay olona mahatonga izany”! Niresaka momba ireo zava-tsarotra hipoitra “amin’ny andro hisehoan’ny Zanak’olona”, izy. “Tsarovy ny vadin’i Lota”, hoy ny nolazainy tamin’izy ireo. (17:1, 30, 32). Tamin’ny alalan’ny fanoharana iray, dia nanome toky izy fa tena hanao zavatra Andriamanitra ho famonjena ireo “izay mitaraina aminy andro aman-alina”. (18:7). Avy eo, tamin’ny alalan’ny fanoharana hafa iray, dia nananatra ireo mpanamarin-tena toy izao izy: Ny Fariseo iray, nivavaka teo amin’ny tempoly, dia nisaotra an’Andriamanitra satria tsy mba tahaka ny olona hafa. Ny mpamory hetra iray kosa, nijanona teny lavitra teny sady tsy nety niandrandra ny lanitra akory, dia nivavaka toy izao: “Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko mpanota.” Ahoana no nanombanan’i Jesosy izany? Nambarany ho marina kokoa noho ilay Fariseo ilay mpamory hetra, “fa izay rehetra manandra-tena no haetry, ary izay rehetra manetry tena no hasandratra”. (18:13, 14). Nasain’ilay mpamory hetra atao hoe Zakaiosy i Jesosy tany Jeriko, ary nanome ny fanoharana ny amin’ireo farantsa folo. Nampifanoheriny tamin’izany ny vokatry ny fampiasana amim-pahatokiana ireo tombontsoa nankinina sy ny vokatry ny fanafenana azy ireo.

25. Ahoana no nidiran’i Jesosy tao amin’ny ambaratonga farany tamin’ny fanompoany, ary fampitandremana ara-paminaniana inona avy no nomeny?

25 Fanompoana ampahibemaso farany tao Jerosalema sy nanodidina an’i Jerosalema (19:28–23:25). Rehefa niditra tao Jerosalema nitaingina zana-boriky i Jesosy ka nohobin’ny mpianany maro be ho ‘Ilay avy amin’ny anaran’i Jehovah’, dia nangataka azy mba hiteny mafy ny mpianany ireo Fariseo. Namaly toy izao i Jesosy: “Raha mangina ireo, dia ny vato no hiantsoantso.” (19:38, 40). Nanome ilay faminaniany tsy hay hadinoina momba ny fandringanana an’i Jerosalema izy, tamin’ny filazana fa ho voahodidin’ny tsato-kazo maranitra sy hampahorina (NW ) ary hatonta amin’ny tany (NW ) izy io, miaraka amin’ny zanany, ka tsy havela hisy vato hifanongoa. Nampianatra ny vahoaka tao amin’ny tempoly i Jesosy, ary nitory ny vaovao tsara (NW ) sy namaly ireo fanontaniana an-kolak’ireo lohan’ny mpisorona sy mpanora-dalàna ary Sadoseo tamin’ny alalan’ny fanoharana sy ny fandrosoana hevitra tamim-pahakingana. Nanome filazalazana mahery ny amin’ilay famantarana lehibe ny farany i Jesosy, ka nanonona indray ny fihodidinan’ny miaramila an’i Jerosalema. Ho reraka ny fon’ny olona noho ny fahatahorany izay zavatra ho tonga, kanefa rehefa hitranga ireo zavatra ireo, ireo mpanara-dia azy dia tokony ‘hiandrandra ka hanandratra ny lohany, fa manakaiky ny fanavotana azy’. Tokony hiambina hatrany izy ireo mba hahery ka handositra izay tsy maintsy ho avy. — 21:28.

26. a) Fanekena inona avy no nampidirin’i Jesosy, ary nampifandraisiny tamin’inona izy ireo? b) Ahoana no nanatanjahana an’i Jesosy tao anatin’ny fisedrana, ary fitenenana mafy inona no nataony tamin’ny fotoana nisamborana azy?

26 Ny faha-14 Nisana 33 am.f.i. tamin’izay. Nankalaza ny Paska i Jesosy ary avy eo dia nampahafantatra ny “fanekena vaovao” tamin’ireo apostoliny nahatoky, ary nampifandray azy io tamin’ilay sakafo nisy heviny ara-panoharana izay nandidiany mba hotandreman’izy ireo ho fahatsiarovana azy. Nilaza tamin’izy ireo koa izy hoe: “Izaho dia manendry fanjakana ho anareo tahaka ny nanendren’ny Raiko ho Ahy”. (22:20, 29). Tamin’iny alina iny ihany, rehefa nivavaka teo amin’ny Tendrombohitra Oliva i Jesosy, dia “nisy anjely avy tany an-danitra niseho teo aminy ka nampahery Azy. Ary fadiranovana Izy, ka dia nivavaka mafimafy kokoa; ary ny dininy dia tahaka ny ra nipotrapotraka tamin’ny tany”. Nihahenjana ny rivo-piainana rehefa nitarika ilay vahoaka maro mba hisambotra an’i Jesosy i Jodasy, ilay mpamadika. Nihiaka ireo mpianatra hoe: “Tompoko, hamely amin’ny sabatra va izahay?” Tena nokapain’ny iray tamin’izy ireo tokoa ny sofin’ny mpanompon’ilay mpisoronabe, kanefa niteny mafy azy ireo i Jesosy ary nanasitrana ilay lehilahy naratra. — 22:43, 44, 49.

27. a) Inona no fahotana nataon’i Petera? b) Fiampangana inona avy no natao tamin’i Jesosy, ary tao anatin’ny toe-javatra inona avy no nitsarana sy nanamelohana azy?

27 Notaritaritina tany an-tranon’ilay mpisoronabe i Jesosy mba hadinina tany, ary tao anatin’ny hatsiaka tamin’ny alina, dia mba nifangaro tamin’ny vahoaka nanodidina ny afo iray i Petera. Intelo izy no nampangaina ho mpanara-dia an’i Jesosy, ary intelo izy no nanda izany. Avy eo dia nisy akoho naneno. Nitodika ny Tompo, dia nijery an’i Petera, ary dia tsaroan’i Petera fa efa nanambara mialoha izay zavatra izay indrindra i Jesosy, ka nivoaka izy ary nitomany mafy indrindra. Rehefa avy notaritina teo amin’ny efitry ny Synedriona i Jesosy, dia nentina teo anatrehan’i Pilato izao ary nampangaina ho nampiodina ny firenena, ho nandrara tsy handoa hetra, ary ho “nilaza ny tenany ho Kristy Mpanjaka”. Rehefa fantatr’i Pilato fa avy tany Galilia i Jesosy, dia nalefany tany amin’i Heroda, izay tao Jerosalema tamin’io fotoana io. Nihomehy azy i Heroda sy ny miaramilany ary namerina azy hotsarain’ny vahoaka maro izay toy ny voan’ny haromotana. ‘Natolotr’i Pilato hataony araka ny sitrapony i Jesosy.’ — 23:2, 25.

28. a) Inona no nampanantenain’i Jesosy an’ilay mpangalatra naneho finoana azy? b) Inona no noraketin’i Lioka an-tsoratra mikasika ny nahafatesan’i Jesosy sy ny nandevenana azy ary ny nitsanganany tamin’ny maty?

28 Ny nahafatesan’i Jesosy sy ny nitsanganany tamin’ny maty ary ny niakarany tany an-danitra (23:26–24:53). Nohomboana teo anelanelan’ny olon-dratsy roa i Jesosy. Nanebaka azy ny iray tamin’ireo, kanefa ilay iray hafa naneho finoana ary nangataka ny hotsarovana ao amin’ny Fanjakan’i Jesosy. Nampanantena i Jesosy hoe: “Lazaiko aminao marina tokoa anio: Hiaraka amiko ao amin’ny Paradisa ianao.” (23:43, NW ). Avy eo dia maizina tamin’ny fomba tsy nahazatra ny tany, triatra nisasaka ny efitra lamba tao amin’ny tempoly, ary i Jesosy nihiaka hoe: “Raiko ô, eo an-tànanao no atolotro ny fanahiko”. Tamin’izay dia afaka ny ainy, ary nampidinina ny fatiny ka nalevina tao amin’ny fasana nolavahana tamin’ny vatolampy. Tamin’ny andro voalohany tamin’ny herinandro, dia nankany amin’ilay fasana ireo vehivavy izay nomba azy avy tany Galilia, kanefa tsy nahita ny fatin’i Jesosy. Tsy misy hafa amin’ny nanambaran’ny tenany azy mialoha, dia nitsangana izy tamin’ny andro fahatelo! — 23:46.

29. Fitantarana mahafaly inona no ifaranan’ny Filazantsaran’i Lioka?

29 Niseho tamin’ny roa tamin’ireo mpianany teny an-dalana ho any Emaosy i Jesosy, nefa tsy nampahafantatra ny tenany. Niresaka momba ny fijaliany izy ary nilaza tamin’izy ireo ny hevitry ny teny tao amin’ny Soratra Masina. Fantatr’izy ireo tampoka izy, kanefa dia nanjavona. Izao dia hoy ny teny fanazavan’izy ireo: “Tsy nangorakoraka va ny fontsika, raha niresaka tamintsika teny an-dàlana Izy ka namoaka ny hevitry ny Soratra Masina tamintsika?” Niverina haingana tany Jerosalema izy ireo mba hilaza izany tamin’ireo mpianatra hafa. Raha mbola teo am-pilazana izany mihitsy izy ireo, dia niseho teo afovoany i Jesosy. Tsy nety nino izy ireo noho ny hafaliana sady mbola talanjona. Avy eo dia ‘nanokatra ny sain’ireo izy hahalala’ avy tamin’ny Soratra Masina ny hevitr’izay rehetra niseho. Namarana ny fitantarana ao amin’ny Filazantsarany tamin’ny filazalazana ny amin’ny niakaran’i Jesosy tany an-danitra i Lioka. — 24:32, 45.

MAHASOA — NAHOANA?

30, 31. a) Ahoana no nanorenan’i Lioka fatokiana ny maha-ara-tsindrimandrin’Andriamanitra ny Soratra Hebreo? b) Tenin’i Jesosy inona avy no tononin’i Lioka mba hanohanana izany?

30 Ny vaovao tsara “nosoratan’i Lioka” dia manorina ny fatokian’ny olona iray ny Tenin’Andriamanitra, ary manatanjaka ny finoany mba hahafahany hahatohitra ireo famelezan’ny tontolo iray tsy mahazatra azy. Manome ohatra maro ny amin’ny fahatanterahan’ny Soratra Hebreo araka ny marina i Lioka. I Jesosy dia aseho ho nampiorina ny asa nanirahana azy tamin’ny teny voafaritra tsara avy tao amin’ny bokin’i Isaia ary i Lioka dia toa mampiasa izany ho loha hevitra tokana hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny faran’ilay boky. (Lioka 4:17-19; Isaia 61:1, 2). Izany no iray amin’ireo toe-javatra nakan’i Jesosy teny avy tao amin’ireo Mpaminany. Naka teny avy tao amin’ny Lalàna koa izy, toy ny rehefa nanohitra ireo fakam-panahy telon’ny Devoly, ary avy tao amin’ireo Salamo, toy ny rehefa nanontaniany ireo fahavalony hoe: “Ahoana no lazaina fa Kristy no Zanak’i Davida?” Ny fitantaran’i Lioka dia mirakitra fakan-teny maro hafa avy ao amin’ny Soratra Hebreo. — Lioka 4:4, 8, 12; 20:41-44; Deot. 8:3; 6:13, 16; Sal. 110:1.

31 Rehefa niditra tao Jerosalema nitaingina zana-boriky i Jesosy, araka ny nambara mialoha tao amin’ny Zakaria 9:9, dia nihoby azy tamim-pifaliana ny vahoaka maro be, ho fampiharana taminy ilay andininy ao amin’ny Salamo 118:26. (Lioka 19:35-38). Amin’ny toerana iray, andininy roa monja ao amin’ny Lioka dia ampy mba hiresahana hevitra enina izay naminanian’ny Soratra Hebreo mikasika ny hahafatesan’i Jesosy ao anatin’ny fahafaham-baraka sy ny hitsanganany amin’ny maty. (Lioka 18:32, 33; Sal. 22:7; Isaia 50:6; 53:5-7; Jona 2:1). Farany, taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty, dia nataon’i Jesosy latsa-paka tamin-kery tao amin’ireo mpianany ny maha-zava-dehibe ny Soratra Hebreo manontolo. “Dia hoy Izy taminy: Izao no teniko izay nolazaiko taminareo, fony mbola tao aminareo Aho, fa tsy maintsy ho tanteraka izay rehetra nanoratana Ahy teo amin’ny lalàn’i Mosesy sy ny mpaminany ary ny Salamo. Dia nanokatra ny sain’ireo Izy hahalala ny Soratra Masina.” (Lioka 24:44, 45). Toy ireo mpianatr’i Jesosy Kristy voalohany ireo, isika koa dia afaka ny hahazo fahazavana sy finoana matanjaka, amin’ny fampifantohana ny saintsika amin’ireo fahatanterahan’ny Soratra Hebreo, izay nohazavain’i Lioka sy ny mpanoratra hafa ao amin’ny Soratra Grika Kristiana araka ny marina aoka izany.

32. Ahoana no anasongadinan’ny fitantaran’i Lioka ilay Fanjakana sy ny tokony ho fihetsitsika eo anatrehan’ilay Fanjakana?

32 Hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny faran’ny fitantarany, i Lioka dia manondro tsy tapaka ny Fanjakan’Andriamanitra amin’ny mpamaky azy. Hatrany am-piandohan’ilay boky, izay ahitana ilay anjely mampanantena an’i Maria fa ilay zaza haterany dia “hanjaka amin’ny taranak’i Jakoba mandrakizay (...) ary ny fanjakany tsy hanam-pahataperana”, ka hatramin’ireo toko famaranana, izay ahitana an’i Jesosy miresaka ny amin’ny fampidirana ireo apostoly tao amin’ny fanekena ny amin’ilay Fanjakana, i Lioka dia manasongadina ny fanantenana ny amin’ilay Fanjakana. (1:33; 22:28, 29, NW ). Asehony i Jesosy nanome ny ohatra eo amin’ny fitoriana ilay Fanjakana sy naniraka ireo apostoly 12 ary tatỳ aoriana dia ireo 70 lahy, mba hanao io asa io ihany. (4:43; 9:1, 2; 10:1, 8, 9). Ny fandavan-tena tsy mizarazara ilaina mba hidirana ao amin’ilay Fanjakana dia nosoritan’ny teny mivantan’i Jesosy hoe: “Aoka ny maty handevina ny maty ao aminy; fa hianao kosa mandehana, ka mitoria ny fanjakan’Andriamanitra”, ary koa hoe: “Tsy misy olona mitana fangady tarihina ary miherika ka mendrika ho ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra.” — 9:60, 62.

33. Manomeza ohatra ny amin’ny fanantitranteran’i Lioka ny vavaka. Fianarana inona no azontsika tsoahina avy amin’izany?

33 Manantitrantitra ny amin’ny vavaka i Lioka. Miavaka ny Filazantsarany amin’io. Lazainy ny amin’ny vahoaka nivavaka fony i Zakaria tao amin’ny tempoly, ny amin’i Jaona Mpanao Batisa teraka ho valin’ny vavaka natao mba hahazoana zanaka, ary ny amin’i Ana mpaminanivavy nivavaka andro aman’alina. Lazalazainy ny amin’ny nivavahan’i Jesosy tamin’ny fotoan’ny batisany, ny amin’ny nandaniany ny alina manontolo nivavahana talohan’ny nifidianany ireo 12 lahy, ary ny amin’ny nivavahany nandritra ny fiovany tarehy. Nananatra ny mpianany i Jesosy mba ‘hivavaka mandrakariva ka tsy ho reraka’, tamin’ny fanomezana ohatra ny amin’ny mpitondratena nikiry iray izay tsy tapaka nangataka tamin’ny mpitsara iray mandra-panomen’io rariny azy. I Lioka ihany no milaza ny amin’ny fangatahan’ireo mpianany mba hampianaran’i Jesosy azy ireo hivavaka, sy ny amin’ny nanatanjahan’ilay anjely an’i Jesosy fony izy nivavaka teo an-Tendrombohitra Oliva; ary izy irery no nirakitra an-tsoratra ireo teny tao amin’ny vavaka farany nataon’i Jesosy nanao hoe: “Raiko ô, eo an-tànanao no atolotro ny fanahiko”. (1:10, 13; 2:37; 3:21; 6:12; 9:28, 29; 18:1-8; 11:1; 22:39-46; 23:46). Toy ny tamin’ny andro niraketan’i Lioka an-tsoratra ny Filazantsarany, amin’izao andro izao koa ny vavaka dia fandaharana lehibe dia lehibe mba hanatanjahana ireo rehetra manao ny sitrapon’Andriamanitra.

34. Toetra tsaran’i Jesosy inona avy no hamafisin’i Lioka ho toy ny modely tsara dia tsara ho an’ny Kristiana?

34 Noho ny sainy nahay nandinika sady natsilo sy ny fomba fanorany milazalaza zavatra, i Lioka dia nanome hafanana sy aina feno hery ny fampianaran’i Jesosy. Ny fitiavana, ny hatsaram-panahy, ny famindram-po ary ny fangoraham-po nasehon’i Jesosy tamin’ireo nalemy sy nampahorina ary ory dia nifanohitra tamin’ny fomba nanaitra tamin’ny fivavahana nangatsiaka, feno fombafomba, nanavakavaka ary nihatsaravelatsihy narahin’ireo mpanora-dalàna sy Fariseo. (4:18; 18:9). Nanome fampaherezana sy fanampiana tsy tapaka ho an’ny nahantra, ny mpifatotra, ny jamba ary ny nampahorina i Jesosy, ka nanome tamin’izany modely mamirapiratra ho an’ireo izay mitady ny ‘hanaraka akaiky ny diany’. — 1 Pet. 2:21, NW.

35. Nahoana isika no afaka ny ho velom-pankasitrahana marina an’i Jehovah noho io Filazantsaran’i Lioka nomeny io?

35 Tsy misy hafa amin’ny nanehoan’i Jesosy, ilay Zanak’Andriamanitra tanteraka sy nanao zava-mahagaga, fiahiana feno fitiavana an’ireo mpianany sy ny olona rehetra tso-po, isika koa dia tokony hiezaka hanatanteraka ny fanompoantsika amim-pitiavana, eny, “noho ny halehiben’ny famindrampon’Andriamanitsika”. (Lioka 1:78). Noho izany zava-kendrena izany, dia tena mahasoa sy manampy indrindra tokoa ny vaovao tsara “nosoratan’i Lioka”. Afaka ny ho velom-pankasitrahana marina an’i Jehovah isika noho izy nanome tsindrimandry an’i Lioka, “ilay dokotera malala”, mba hanoratra io fitantarana araka ny marina sy mampahery ary mampirisika io, izay manondro ilay famonjena amin’ny alalan’ilay Fanjakana tarihin’i Jesosy Kristy, dia ilay “famonjen’Andriamanitra”. — Kol. 4:14, NW; Lioka 3:6.

[Fanamarihana ambany pejy]

a The Medical Language of Luke, 1954, W. K. Hobart, pejy xi-xxviii.

b A Lawyer Examines the Bible, 1943, I. H. Linton, pejy 38.

c Auxiliaire pour une meilleure intelligence de la Bible, pejy 458.

d Modern Discovery and the Bible, 1955, nataon’i A. Rendle Short, pejy 211.

e The Jewish War, V, 491-515, 523 (xii, 1-4); VI, 420 (ix, 3); jereo koa ny Insight on the Scriptures, Boky 2, pejy 751-752.

f Ny drakma dia vola volafotsy grika nilanja 3,4 grama teo ho eo.

[Fanontaniana]