Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-43 — Jaona

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-43 — Jaona

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-43 — Jaona

Mpanoratra: Apostoly Jaona

Toerana Nanoratana: Efesosy na teo akaiky

Vita Tamin’ny: 98 am.f.i. tany ho any

Fe-potoana Voafaoka: Aorian’ny sasin-teny, 29 am.f.i. – 33 am.f.i.

1. Inona no asehon’ny Soratra Masina raha ny amin’ny naha-akaiky ny fifaneraseran’i Jaona tamin’i Jesosy?

 IREO firaketana an-tsoratra ao amin’ireo Filazantsaran’i Matio sy i Marka ary i Lioka dia efa niely nandritra ny 30 taona mahery ary nanjary noraketin’ireo Kristiana tamin’ny taonjato voalohany tao am-pony ho toy ny asa soratra nataon’ny lehilahy nahazo tsindrimandry tamin’ny alalan’ny fanahy masina. Izao, rehefa nihananakaiky ny faran’ny taonjato, ka nihena ny isan’ireo izay niaraka tamin’i Jesosy, dia nety ho nipoitra ny fanontaniana hoe: Mbola nisy zavatra holazaina ve? Mbola nisy olona ve afaka nanome, avy tamin’ny fitadidiany manokana, tsipiriany sarobidy momba ny fanompoan’i Jesosy? Eny, mbola nisy. I Jaona efa be taona dia notahina tamin’ny fomba mahavariana noho ny fifaneraserany tamin’i Jesosy. Toa anisan’ireo mpianatr’i Jaona Mpanao Batisa voalohany izay nampahafantarina an’ilay Zanak’ondrin’Andriamanitra izy, no sady ny iray tamin’ireo efatra voalohany nasain’ny Tompo mba hiaraka taminy manontolo andro teo amin’ny fanompoana. (Jaona 1:35-39; Marka 1:16-20). Nanohy nanana fifaneraserana nisy fifankahazoana am-po tamin’i Jesosy izy hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny faran’ny fanompoany, ary izy no “ilay [mpianatra] tian’i Jesosy” izay nipetraka nihinana teo anilan’i Jesosy tamin’ilay Paska farany. (Jaona 13:23; Matio 17:1; Marka 5:37; 14:33). Teo izy tamin’ilay fisehoan-javatra nahavaky fo rehefa novonoina i Jesosy, izay nanankina taminy ny fikarakarana ny reniny ara-nofo, ary izy no ilay nihoatra an’i Petera rehefa nihazakazaka nankany amin’ny fasana izy mirahalahy mba hamotopototra ny amin’ilay tatitra hoe nitsangana i Jesosy. — Jaona 19:26, 27; 20:2-4.

2. Ahoana no naha-ampy fitaovana an’i Jaona sy nahazoany tanjaka mba hanoratra ny Filazantsarany, ary ho amin’ny zava-kendrena inona no nanaovany izany?

2 Nanjary matotra tsara i Jaona noho ireo efa ho 70 taona laniny teo amin’ny fanompoana feno faharisihana, sady nahazo hery noho ireo fahitana sy fisaintsainana nandritra ny fanaovana azy an-tranomaizina irery vao haingana teo amin’ny nosin’i Patmo. Noho izany dia ampy fitaovana tsara izy mba hanoratra zavatra izay noraketiny tao am-po efa hatramin’ny ela. Nanatanjaka ny sainy izao ny fanahy masina mba hahatsiarovany sy handraisany an-tsoratra ny maro tamin’ireny teny sarobidy sy manome aina ireny ‘mba hinoan’ny tsirairay izay mamaky izany fa i Jesosy no Kristy, Zanak’Andriamanitra, ary mba hananany fiainana amin’ny anarany, raha mino izy’. — 20:31.

3, 4. Inona no porofo ivelany sy anatiny ny amin’ny a) maha-kanônika ilay Filazantsara, sy ny amin’ny b) maha-mpanoratra azy io an’i Jaona?

3 Ireo Kristiana tany am-piandohan’ny taonjato faharoa dia nanaiky fa i Jaona no nanoratra io fitantarana io. Nandray an’io asa soratra io ho toy ny tapany tsy azo lavina amin’ny kanônan’ny Soratra ara-tsindrimandry koa izy ireo. I Clément tany Aleksandria, i Irénée, i Tertullien ary i Origène, izay samy niaina tamin’ny fiafaran’ny taonjato faharoa sy ny fiandohan’ny taonjato fahatelo, dia manamarina ny naha-mpanoratra azy io an’i Jaona. Ambonin’izany, dia misy porofo anatiny hita ao amin’ilay boky mihitsy, fa i Jaona no nanoratra azy. Miharihary fa Jiosy ilay mpanoratra, sady nahalala tsara ireo fanaon’ny Jiosy sy ny tanin’izy ireo. (2:6; 4:5; 5:2; 10:22, 23). Ilay fifankahazoana am-po hita taratra ao amin’ilay fitantarana mihitsy dia mampiseho fa tsy vitan’ny hoe apostoly fotsiny izy, fa iray tamin’ireo nahaforona antokona sakaiza akaiky telo — Petera sy Jakoba ary Jaona — izay niaraka tamin’i Jesosy tamin’ny toe-javatra manokana, koa. (Matio 17:1; Marka 5:37; 14:33). Amin’ireo telo ireo, dia esorina i Jakoba (zanak’i Zebedio), satria novonoin’i Heroda Agripa I ho maritiora izy io tamin’ny 44 am.f.i. tany ho any, izany hoe efa ela be talohan’ny nanoratana itỳ boky itỳ. (Asa. 12:2). Esorina koa i Petera satria voatonona miaraka amin’ny mpanoratra izy ao amin’ny Jaona 21:20-24.

4 Ao amin’ireo andininy famaranana, ilay mpanoratra dia resahina ho ilay mpianatra “tian’i Jesosy”. Io fitenenana io sy ny hafa mitovy aminy dia ampiasaina imbetsaka ao amin’ilay firaketana an-tsoratra, na dia tsy voatonona mihitsy aza ny anaran’ny apostoly Jaona. Voatonona eto izao teny nolazain’i Jesosy momba azy izao: “Raha tiako hitoetra izy mandra-pihaviko, ahoanao izany?” (Jaona 21:20, 22). Izany dia toa manondro fa ilay mpianatra resahina eto dia ho ela velona aorian’i Petera sy ireo apostoly hafa. Mifanentana amin’ny apostoly Jaona izany rehetra izany. Mahaliana fa, rehefa avy nomena ny fahitana ny amin’ny fiavian’i Jesosy ao amin’ny Apokalypsy i Jaona, dia mamarana io faminaniana miavaka io amin’ireto teny ireto: “Amena. Avia, Jesosy Tompo!” — Apok. 22:20.

5. Oviana no inoana fa nanoratan’i Jaona ny Filazantsarany?

5 Na dia tsy manome fanazavana voafaritra tsara momba izany aza ireo asa soratr’i Jaona mihitsy, mazàna dia inoana fa nanoratra ny Filazantsarany taorian’ny niverenany avy tany an-tsesitany tany amin’ny nosin’i Patmo izy. (Apok. 1:9). I Nerva, emperora romana, 96-98 am.f.i., dia nampiverina ny maro tamin’ireo nalefa sesitany tany tamin’ny faran’ny fotoana nanjakan’i Domitien, ilay nodimbasany. Rehefa avy nanoratra ny Filazantsarany, tany amin’ny 98 am.f.i. tany ho any, i Jaona, dia maty tamim-piadanana tany Efesosy tamin’ny taona fahatelo nanjakan’ny Emperora Trajan, tamin’ny taona 100 am.f.i.

6. Porofo inona no mampiseho fa nosoratana tany ivelan’i Palestina, tany Efesosy na teo akaikiny, ny Filazantsaran’i Jaona?

6 Raha ny amin’ny hoe i Efesosy na ny nanodidina azy no toerana nanoratana ny Filazantsaran’i Jaona, dia nanonona izao teny nolazain’i Irénée izao i Eusèbe, mpanoratra tantara (260 am.f.i. tany ho any - 342 am.f.i.): “Ny tenan’i Jaona, mpianatry ny Tompo, izay niankina mihitsy teo an-tratrany, no nanoratra koa ilay Filazantsara, fony izy nonina tany Efesosy, any Azia.” a Ny hoe nosoratana tany ivelan’i Palestina ilay boky, dia tohanan’ireo firesahana maro ataon’izy io momba ireo mpanohitra an’i Jesosy amin’ny alalan’ny teny ankapobeny hoe “ny Jiosy”, fa tsy hoe “Fariseo”, “lohan’ny mpisorona”, sy ny toy izany. (Jaona 1:19; 12:9). Afa-tsy izany koa, ny Ranomasin’i Galilia dia hazavaina amin’ny alalan’ny anarany romana hoe Ranomasin’i Tiberiasy. (6:1; 21:1). Ho an’ireo tsy Jiosy, dia manome fanazavana mitondra fanampiana momba ireo andro firavoravoana jiosy i Jaona. (6:4; 7:2; 11:55). Tany akaikin’i Efesosy no nisy an’i Patmo, ilay toerana nanaovana sesitany azy, ary ny fahafantarany an’i Efesosy, ary koa ireo kongregasiona hafa tany Azia Minora, dia asehon’ny Apokalypsy toko faha-​2 sy faha-​3.

7. Zava-dehibe ve ny Papyrus Rylands 457?

7 Manohana ny maha-azo itokiana ny Filazantsaran’i Jaona ireo sora-tanana lehibe hita tamin’ny taonjato faha-20. Iray tamin’izany ilay tapatapa-tsoratra tamin’ny Filazantsaran’i Jaona hita tany Egypta, fantatra ankehitriny ho ny Papyrus Rylands 457 (P52), izay mirakitra ny Jaona 18:31-33, 37, 38, ary voatahiry ao amin’ny Tranom-boky John Rylands, any Manchester, any Angletera. b Raha ny amin’ny fanaporofoany ilay lovantsofina momba ny nanoratan’i Jaona ilay Filazantsara tamin’ny faran’ny taonjato voalohany, i Sir Frederic Kenyon, efa nody mandry, dia nilaza toy izao ao amin’ny bokiny hoe The Bible and Modern Scholarship, 1949, pejy faha-21: “Noho izany, na dia kely aza izy io, dia ampy mba hanaporofoana fa ny sora-tanana iray amin’io Filazantsara io dia efa niely, azo inoana fa tany ambanivohitr’i Egypta izay nahitana azy, tamin’ny 130-150 A.D. tany ho any. Raha omena fotoana faran’izay kely ny fampielezana ilay asa soratra avy teo amin’ny toerana niaviany, izany dia hamerina ny daty nanaovana azy ho tany akaiky aoka izany an’ilay daty neken’ny lovantsofina tao anatin’ireo folo taona farany tamin’ny taonjato voalohany, hany ka tsy misy antony tokony hisalasalana intsony fa mitombina ilay lovantsofina.”

8. a) Inona no miavaka amin’ny teny fampidirana ny Filazantsaran’i Jaona? b) Inona no porofo omen’izy io ny amin’ireo telo taona sy tapany naharetan’ny fanompoan’i Jesosy?

8 Miavaka ny Filazantsaran’i Jaona raha ny amin’ny teny fampidirany, izay mampiharihary fa ny Teny, izay “niaraka tamin’Andriamanitra tamin’ny voalohany”, no Ilay nahariana ny zavatra rehetra. (1:2, NW ). Rehefa avy nampahafantatra ny fifandraisana sarobidy nisy teo amin’ny Ray sy ny Zanany i Jaona, dia nanomboka nanao sary faran’izay tsara nilazalaza ny asa sy ny lahatenin’i Jesosy. Ny nanaovany izany indrindra dia avy tamin’ny fomba fijery niorina tamin’ilay fitiavana misy fifankahazoana am-po izay mampiray ny zavatra rehetra tao amin’ny fandaharana lehiben’Andriamanitra. Itỳ fitantarana ny amin’ny fiainan’i Jesosy teto an-tany itỳ dia mahafaoka ny fe-potoana teo anelanelan’ny 29 am.f.i. sy 33 am.f.i. Manonona amim-pitandremana ireo Paska efatra natrehin’i Jesosy nandritra ny fanompoany izy io, ka manome araka izany ny iray amin’ireo fanaporofoana mamaritra ireo telo taona sy tapany naharetan’ny fanompoany. Ny telo tamin’ireo Paska ireo no notononiny mivantana ho toy izany. (2:13; 6:4; 12:1; 13:1). Ilay iray hafa dia resahina ho toy ny “andro firavoravoan’ny Jiosy”, kanefa ny teny manodidina dia mametraka azy io ho taoriana kelin’ny nilazan’i Jesosy hoe “efa-bolana no sisa, dia tonga ny fararano”. Izany àry dia mampiseho fa ny Paska io andro firavoravoana io, izay niseho tany am-piandohan’ny fijinjana tany ho any. — 4:35; 5:1. c

9. Inona no mampiseho fa fanomezam-panazavana fanampiny ny Filazantsaran’i Jaona, kanefa moa ve izy io manome ny tsipiriany rehetra momba ny fanompoan’i Jesosy?

9 Ny vaovao tsara “nosoratan’i Jaona” dia fanomezam-panazavana fanampiny indrindra indrindra; ny 92 isan-jato aminy dia fanazavana vaovao tsy voafaoka ao amin’ireo Filazantsara telo hafa. Na dia izany aza, dia mamarana amin’ireto teny ireto i Jaona: “Ary misy zavatra maro hafa koa izay nataon’i Jesosy, ka raha voasoratra tsirairay avokoa izany rehetra izany, ataoko fa izao tontolo izao aza dia tsy omby ny boky voasoratra.” — 21:25.

LOHA HEVITRA RAKETIN’NY JAONA

10. Inona no nolazain’i Jaona momba “ny Teny”?

10 Sasin-teny: Fampahafantarana “ny Teny” (1:1-18). Tamim-pahatsorana kanto, i Jaona dia nanambara fa tamin’ny voalohany “ny Teny dia niaraka tamin’Andriamanitra”, fa hoe izy no nisian’ny fiainana, fa hoe tonga “fanazavana ny olona” izy, ary koa fa hoe vavolombelona nanambara azy i Jaona (Mpanao Batisa). (1:1, NW, 4). Teo amin’izao tontolo izao ny fanazavana, kanefa izao tontolo izao tsy nahalala azy. Ireo izay tena nandray azy dia tonga zanak’Andriamanitra, satria naterak’Andriamanitra. Tsy misy hafa amin’ny Lalàna nomena tamin’ny alalan’i Mosesy, dia toy izany koa fa “ny hatsaram-panahy amin’izay tsy mendrika akory sy ny fahamarinana dia tonga tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy”. — 1:17, NW.

11. Nampahafantarin’i Jaona Mpanao Batisa ho iza moa i Jesosy, ary neken’ny mpianatr’i Jaona ho iza moa i Jesosy?

11 Fampahafantarana “ny Zanak’ondrin’Andriamanitra” tamin’ny olona (1:19-51). Niaiky i Jaona Mpanao Batisa fa tsy i Kristy akory ny tenany. Nilaza kosa izy fa misy olona avy ao aoriany, ary tsy mendrika hamaha ny fehin-kapan’izany olona izany akory ny tenany. Ny ampitso, rehefa nanatona azy i Jesosy, dia nampahafantatra azy ho “ny Zanak’ondrin’Andriamanitra, Izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao”, i Jaona. (1:27, 29). Nanaraka izany izy dia nampahafantatra ny roa tamin’ireo mpianany tamin’i Jesosy. Ny iray tamin’izy ireo, i Andrea, dia nitondra an’i Petera rahalahiny teo amin’i Jesosy. I Filipo sy i Natanaela koa dia nanaiky an’i Jesosy ho ny ‘Zanak’Andriamanitra, Mpanjakan’ny Isiraely’. — 1:49.

12. a) Inona ilay fahagagana voalohany nataon’i Jesosy? b) Inona no nataony rehefa tafakatra tany Jerosalema mba hankalaza ny Paska voalohany tamin’ny fanompoany izy?

12 Manaporofo ny maha-“Ilay Masin’Andriamanitra” azy ireo fahagagan’i Jesosy (2:1–6:71). Nanao ny fahagagany voalohany tany Kana any Galilia, i Jesosy, rehefa nanova rano ho tonga ny tsara indrindra tamin’ny divay, tao amin’ny fampakaram-bady iray. Izany no “voaloham-pamantarana, (...) ary nino Azy ny mpianany”. (2:11). Niakatra tany Jerosalema mba hankalaza ny Paska i Jesosy. Rehefa nahita mpivarotra sy mpanakalo vola tao amin’ny tempoly izy, dia naka kotopia kofehy ary nandroaka azy ireo tamin-tanjaka aoka izany, hany ka takatr’ireo mpianany ny fahatanterahan’ilay faminaniana hoe: “Ny firehetako ny amin’ny tranonao no haharìtra aina ahy.” (Jaona 2:17; Sal. 69:9). Nolazainy mialoha fa ny tenany, izay nantsoiny hoe tempoly, dia ho rava ka hatsangana indray amin’ny hateloana.

13. a) Inona no nasehon’i Jesosy fa tena ilaina mba hahazoana fiainana? b) Ahoana no niresahan’i Jaona Mpanao Batisa momba ny tenany raha nampifandraisina tamin’i Jesosy?

13 Nanatona an’i Jesosy tamin’ny alina i Nikodemosy feno tahotra. Niaiky izy fa nirahin’Andriamanitra i Jesosy, ary nilazan’i Jesosy izy fa tsy maintsy ateraky ny rano sy ny fanahy ny olona iray mba hidirana ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Tena ilaina mba hahazoana fiainana ny finoana ilay Zanak’olona avy tany an-danitra. “Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.” (Jaona 3:16). Mifanohitra amin’ny maizina ilay mazava tonga tamin’izao tontolo izao, “fa izay manao ny marina kosa dia manatona ny mazava”, hoy ny famaranan-tenin’i Jesosy. Nahare ny amin’ny asa nataon’i Jesosy tany Jodia avy eo i Jaona Mpanao Batisa ka nanambara fa na dia tsy izy aza no Kristy, dia ‘ny sakaizan’ny mpampakatra izy ary mifaly indrindra noho ny feon’ny mpampakatra’. (3:21, 29). Tsy maintsy mitombo izao i Jesosy, fa i Jaona kosa tsy maintsy mihena.

14. Inona no nohazavain’i Jesosy tamin’ilay vehivavy samaritana tany Sykara, ary inona no vokatry ny nitoriany tany?

14 Niainga nankany Galilia indray i Jesosy. Teny an-dalana, rehefa feno vovoka sy “sasatra (...) tamin’ny nalehany” izy, dia nipetraka mba hiala sasatra teo am-pantsakan’i Jakoba tany Sykara, fa ny mpianany nandeha nividy hanina tany an-tanàna. (4:6). Mitataovovonana tamin’izay, ny ora fahenina. Nisy vehivavy samaritana iray nanatona mba hantsaka rano, ary nangataka rano hosotroina i Jesosy. Avy eo, na dia reraka toy inona aza izy, dia nanomboka niresaka taminy momba ny tena “rano” izay mamelombelona marina ka manome fiainana mandrakizay ho an’izay manompo an’Andriamanitra “amin’ny fanahy sy ny fahamarinana”. Niverina ireo mpianany ary nampirisika azy hihinana, ary dia nanambara izy hoe: “Ny haniko dia ny manao ny sitrapon’Izay naniraka Ahy sy ny mahavita ny asany.” Nandany andro roa hafa koa izy tao amin’io faritra io, hany ka maro tamin’ireo Samaritana no nanjary nino fa “Izy tokoa no Mpamonjy izao tontolo izao”. (4:24, 34, 42). Rehefa tonga tany Kana tany Galilia i Jesosy dia nanasitrana ny zanakalahin’ny andriandahy iray, kanefa tsy nanatona ny fandriany akory.

15. Fiampangana inona avy no natao tamin’i Jesosy tany Jerosalema, kanefa ahoana no namaliany ireo mpanakiana azy?

15 Niakatra tany Jerosalema indray i Jesosy mba hankalaza ny andro firavoravoan’ny Jiosy. Nanasitrana lehilahy iray narary izy tamin’ny Sabata, ary izany dia nampipoitra fanakianana be tsy nisy ohatra izany. Hoy ny fanoheran’i Jesosy izany: “Ny Raiko miasa mandraka ankehitriny, ary Izaho koa miasa.” (5:17). Nilaza izao ireo mpitarika jiosy fa vao mainka nampian’i Jesosy fitenenan-dratsy an’Andriamanitra, ilay heloka nataony tamin’ny tsy fitandremana ny Sabata, tamin’ny fanaovana ny tenany ho nitovy tamin’Andriamanitra. Namaly i Jesosy fa tsy afaka nanao na inona na inona araka ny fanapahan-keviny manokana (NW ) izy, fa niankina tanteraka tamin’ny Rainy. Nanonona ilay fanambarana nahatalanjona izy fa ‘ny olona rehetra any am-pasana dia handre ny feony ka hivoaka’ ho amin’ny fitsanganana amin’ny maty. Ho an’ireo mpihaino azy tsy nanam-pinoana anefa, dia hoy i Jesosy: “Hataonareo izay mifampitady laza ahoana no fino, nefa ny laza avy amin’ny Andriamanitra Tokana kosa dia tsy tadiavinareo?” — 5:28, 29, 44.

16. a) Inona no nampianarin’i Jesosy mikasika ny hanina sy ny fiainana? b) Ahoana no nanehoan’i Petera ny fieken’ireo apostoly?

16 Rehefa nanome hanina tamin’ny alalan’ny fahagagana ho an’ny 5 000 lahy tamin’ny alalan’ny mofo dimy sy hazandrano madinika roa i Jesosy, dia nitady ny haka azy an-keriny ka hanao azy ho mpanjaka ny vahoaka. Niala teo anefa i Jesosy ka lasa nankany an-tendrombohitra. Tatỳ aoriana izy ireo dia nanariny, satria nikatsaka “ny hanina mety ho levona”. Tokony hiasa mba hahazoana “ny hanina izay maharitra ho fiainana mandrakizay” kosa izy ireo. Notondroiny fa ny fanehoana finoana (NW ) azy ho ny Zanaka no fihinanana ilay mofon’aina, ary nanampy teny izy hoe: “Raha tsy mihinana ny nofon’ny Zanak’olona sy misotro ny rany hianareo, dia tsy manana fiainana ao aminareo.” Maro tamin’ireo mpianany no tafintohina tamin’izany ka nandao azy. Nanontany an’ireo 12 lahy i Jesosy hoe: “Hianareo koa va mba te-hiala?”, ary dia namaly i Petera hoe: “Tompo ô, hankany amin’iza moa izahay? Hianao no manana ny tenin’ny fiainana mandrakizay. Ary izahay mino ka mahalala fa Hianao no Ilay Masin’Andriamanitra.” (6:27, 53, 67-69). Kanefa, i Jesosy, izay nahafantatra fa hamadika azy i Jodasy, dia nilaza fa ny iray tamin’izy ireo dia devoly, na mpanendrikendrika (NW ).

17. Inona no vokatry ny fampianaran’i Jesosy tao amin’ny tempoly tamin’ny Andro Firavoravoana Amin’ny Tabenakely?

17 Mifanohitra amin’ny maizina ‘ilay fahazavana’ (7:1–12:50). Nankany Jerosalema tamim-piafenana i Jesosy, ka niseho rehefa nisasaka ny Andro Firavoravoana Amin’ny Tabernakely, ary nampianatra an-karihary tao amin’ny tempoly. Niady hevitra ny olona raha tena ny Kristy tokoa izy. Hoy ny nolazain’i Jesosy tamin’izy ireo: “Tsy [tonga araka ny fanapahan-kevitro manokana, NW ] Aho, fa marina ny naniraka Ahy, (...) ka Izy no naniraka Ahy.” Tamin’ny fotoana hafa iray izy dia nikiakiaka tamin’ilay vahoaka hoe: “Raha misy olona mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy ka hisotro.” Ireo mpiandry raharaha nirahina mba hisambotra an’i Jesosy dia niverina nitondra tanam-polo ary nanao izao tatitra izao tamin’ireo mpisorona: “Tsy mbola nisy olona niteny tahaka izany.” Nisafoaky ny hatezerana ireo Fariseo ka namaly fa tsy nisy nino na dia iray aza tamin’ireo mpanapaka, na mpaminany natsangana (NW ) avy tany Galilia. — 7:28, 29, 37, 46.

18. Fanoherana inona no nataon’ireo Jiosy tamin’i Jesosy, ary ahoana no namaliany izany?

18 Tao amin’ny lahateny fanampiny iray, i Jesosy dia nilaza hoe: “Izaho no fahazavan’izao tontolo izao”. Tamin’ireo fiampangana feno haratsiana fa hoe vavolombelona (NW ) nandainga izy, fa hoe teraka ivelan’ny fanambadiana izy ary koa fa hoe Samaritana sy azon’ny demonia izy, dia namaly tamin-kery toy izao i Jesosy: “Raha mankalaza ny tenako Aho, dia tsinontsinona ny lazako; ny Raiko, Izay ataonareo fa Andriamanitrareo, Izy no mankalaza Ahy.” Rehefa nanambara izy hoe: “Fony tsy mbola ary Abrahama, dia Izy Aho”, dia nitady haka ny ainy indray ireo Jiosy, kanefa tsy nahomby. (8:12, 54, 58). Kivy izy ireo ka tatỳ aoriana dia nanontany lehilahy iray izay nampahiratin’i Jesosy tamin’ny alalan’ny fahagagana ny masony, ka nandroaka azy io.

19. a) Tamin’ny fomba ahoana no niresahan’i Jesosy momba ny fifandraisany tamin’ny Rainy sy ny fikarakarany ny ondriny? b) Ahoana no namaliany ireo Jiosy nandrahona azy?

19 Niresaka tamin’ireo Jiosy indray i Jesosy, ka tamin’itỳ indray mandeha itỳ dia mikasika ilay mpiandry tsara, izay niantso ny ondriny tamin’ny anarany avy ary nanolotra ny ainy hamonjy ny ondry ‘mba hananany fiainana be dia be’. Hoy izy: “Manana ondry hafa izay tsy amin’ity vala ity Aho; ary ireny koa dia tsy maintsy ho entiko ka hihaino ny feoko; ary ho tonga andiany iray izy, sady iray ihany ny Mpiandry.” (10:10, 16). Nilaza tamin’ireo Jiosy izy fa tsy misy mahay mandrombaka ireo ondry amin’ny tanan’ny Rainy. Nilaza koa izy fa izy sy ny Rainy dia iray ihany. Nitady hitora-bato azy ho faty indray izy ireo. Mba hamaliana ilay fiampangana azy ho niteny ratsy an’Andriamanitra, dia nampahatsiahy azy ireo izy fa, ao amin’ny bokin’ny Salamo, dia noresahina ho toy ny “Andriamanitra” ny olo-mahery sasany teto an-tany, kanefa ny tenany dia niresaka momba ny tenany ho toy ny Zanak’Andriamanitra. (Sal. 82:6). Nampirisihiny mba hino ny asany izy ireo fara faharatsiny. — Jaona 10:34.

20. a) Fahagagana miavaka inona no nataon’i Jesosy nanaraka izay? b) Nitarika ho amin’inona izany?

20 Avy tany Betania tany akaikin’i Jerosalema, dia tonga ilay vaovao fa hoe narary i Lazarosy, anadahin’i Maria sy i Marta. Tamin’ny fotoana nahatongavan’i Jesosy tany, dia efa maty i Lazarosy ary efa tao am-pasana efatra andro. Nanao ilay fahagagana nahatalanjona namerina an’i Lazarosy tamin’ny fiainana i Jesosy, ka nahatonga olona maro hino azy. Izany dia nanafaingana ny hisian’ny fivoriana manokan’ny Synedriona, ka tao i Kaiafa mpisoronabe dia voatery naminany fa natao ho faty hamonjy ilay firenena i Jesosy. Rehefa nikendry ny hahafaty azy, ireo lohan’ny mpisorona sy Fariseo, dia nisintona vetivety tsy niseho ampahibemaso i Jesosy.

21. a) Nanao ahoana avy ny fihetsiky ny vahoaka sy ireo Fariseo teo anoloan’ny fidiran’i Jesosy tao Jerosalema? b) Fanoharana inona no nomen’i Jesosy momba ny fahafatesany sy ny zava-kendren’izany, ary inona no nampirisihany an’ireo mpihaino azy?

21 Rehefa henemana sisa tsy ho tonga ny Paska, dia tonga tany Betania indray i Jesosy teny an-dalana ho any Jerosalema, ary nasain’ny ankohonan’i Lazarosy izy. Avy eo, ny ampitson’ny Sabata, tamin’ny faha-9 Nisana, dia nitaingina zana-boriky iray izy ary niditra tao Jerosalema tao anatin’ny horakoraky ny vahoaka betsaka; ary nifampiresaka toy izao ireo Fariseo: “Tsy mahefa na inona na inona akory hianareo; indro, efa lasa manaraka Azy avokoa izao tontolo izao.” Tamin’ny alalan’ilay fanoharana ny amin’ny voam-bary, i Jesosy dia nampahafantatra fa tsy maintsy ambolena ao anatin’ny fahafatesana izy mba hahavokarany ho amin’ny fiainana mandrakizay. Nangatahiny ny Rainy mba hankalaza ny anarany, ary dia nisy feo re avy tany an-danitra nanao hoe: “Efa nankalaza azy Aho, ary hankalaza azy indray.” Nampirisika ny mpihaino azy i Jesosy mba hiala tamin’ny maizina ka handeha tao amin’ny mazava, eny, mba ho tonga “zanaky ny mazava”. Rehefa nihanangeja azy ireo herin’ny maizina, dia niangavy mafy ampahibemaso izy mba hinoan’ny olona azy tamin’ny naha-‘fahazavana tonga teo amin’izao tontolo izao’ azy. — 12:19, 28, 36, 46.

22. Modely inona no nomen’i Jesosy tamin’ny sakafon’ny Paska, ary didy vaovao inona no nomeny?

22 Torohevitr’i Jesosy ho an’ireo apostoliny nahatoky talohan’ny nisarahana (13:1–16:33). Nandritra ny sakafo harivan’ny Paska niarahany tamin’ireo 12 lahy, dia nitsangana i Jesosy, ary, rehefa avy nanala ny fitafiany ivelany (NW ), dia naka lamba famaohana sy tavy fanasana tongotra, ary nanomboka nanasa ny tongotr’ireo mpianany. Tsy nanaiky i Petera, kanefa nilazan’i Jesosy izy fa tsy maintsy sasana koa ny tongony. Nananatra ny mpianany i Jesosy mba hanaraka ny modelim-panetren-tena nomeny, satria “ny andevo tsy lehibe noho ny tompony”. Niresaka momba ilay mpamadika izy ary avy eo dia nampandeha an’i Jodasy. Rehefa nivoaka i Jodasy, dia nanomboka niresaka tamim-pifankahazoana am-po tamin’ireo hafa izy. “Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo; eny, aoka ho tahaka ny nitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa. Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia.” — 13:16, 34, 35.

23. Ho fampiononana, fanantenana inona sy mpanampy nampanantenaina inona no noresahin’i Jesosy?

23 Nanao teny fampiononana nahatalanjona ho an’ireo mpanara-dia azy i Jesosy tamin’io ora sarotra io. Tsy maintsy naneho finoana an’Andriamanitra sy finoana azy koa izy ireo. Ao an-tranon’ny Rainy, dia misy fitoerana maro, ary ho avy indray izy ka handray azy ireo ho any aminy. “Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana”, hoy i Jesosy. “Tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alalako.” Nampionona ireo mpanara-dia azy izy ary nilaza taminy fa, raha haneho finoana izy ireo, dia hanao asa lehibe noho izy, ary koa fa homeny izay zavatra rehetra hangatahin’izy ireo amin’ny anarany, mba hankalazana ny Rainy. Nampanantena mpanampy (f.a.p.) hafa ho azy ireo izy, izany hoe “ny Fanahin’ny fahamarinana”, izay hampianatra azy ireo ny zavatra rehetra ary hampahatsiaro azy izay rehetra nolazainy taminy. Tokony hifaly izy ireo fa hankany amin’ny Rainy izy, satria, hoy i Jesosy, “ny Ray dia lehibe noho Izaho”. — 14:6, 17, 28.

24. Tamin’ny fomba ahoana no niresahan’i Jesosy momba ny fifandraisan’ireo apostoly taminy sy tamin’ny Ray, ka hitondra fitahiana inona avy ho azy ireo?

24 Niresaka momba ny tenany ho ny tena voaloboka ary momba ny Rainy ho ny mpamboly (NW ) i Jesosy. Nampirisihiny izy ireo mba hitoetra ho tafaray aminy (NW ), tamin’ny filazana hoe: “Izany no ankalazana ny Raiko, mba hamoazanareo be ka ho tonga mpianatro hianareo.” (15:8). Ary ahoana no hahatanteraka ny fifalian’izy ireo? Amin’ny fifankatiavana, tsy misy hafa amin’ny nitiavany azy ireo. Nataony hoe sakaiza izy ireo. Fifandraisana sarobidy re izany! Hankahala azy ireo izao tontolo izao toy ny efa nankahalany azy, ary hanenjika azy ireo, kanefa i Jesosy haniraka ny mpanampy mba ho vavolombelona hanambara azy ary hitari-dalana azy ireo ho amin’ny marina rehetra. Ny alahelo tsapan’izy ireo ankehitriny dia hanome toerana ho an’ny fifaliana rehefa hahita azy ireo indray izy, ary tsy hisy hanaisotra ny fifalian’izy ireo aminy. Nampionona ireto teniny ireto: “Ny Ray dia tia anareo satria hianareo efa tia Ahy, ary efa nino fa nivoaka avy tamin’ny Ray aho.” Eny, haely izy ireo, kanefa, hoy i Jesosy, “izany teny izany efa nolazaiko taminareo mba hanananareo fiadanana amiko. Atỳ amin’izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa matokia; Izaho efa naharesy izao tontolo izao.” — 16:27, 33.

25. a) Inona no neken’i Jesosy tao amin’ny vavaka nataony tamin’ny Rainy? b) Inona no nangatahiny raha ny amin’ny tenany sy ireo mpianany ary ireo izay maneho finoana amin’ny alalan’ny teniny?

25 Vavak’i Jesosy ho an’ireo mpianany (17:1-26). Tao amin’ny vavaka i Jesosy dia nanaiky toy izao teo anatrehan’ny Rainy: “Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao.” Rehefa nahavita ilay asa nanendrena azy hataony teto an-tany i Jesosy, izao izy dia nangataka mba hankalazaina niaraka tamin’ny Rainy tamin’ny voninahitra nananany fony mbola tsy ary izao tontolo izao. Nasehony tamin’ny mpianany ny anaran-dRainy ary nangataka tamin-dRainy izy mba hiambina (NW ) azy ireo ‘noho ny anaran’ny tenany’. Tsy nangataka ny Rainy izy mba hampiala ny mpianany tamin’izao tontolo izao, fa mba hiaro azy ireo tamin’ny ratsy, ary mba hanamasina azy ireo tamin’ny teniny izay fahamarinana. Nitarin’i Jesosy ilay vavaka nataony mba hahafaoka ireo rehetra mbola hino azy amin’ny fandrenesana ny tenin’ireo mpianatra ireo, “mba ho iray ihany izy rehetra, tahaka Anao Ray ato amiko, ary Izaho koa ao aminao, mba ho ao amintsika koa izy, mba hinoan’izao tontolo izao fa Hianao no naniraka Ahy”. Nangataka izy mba hahafahan’ireo hanana ny voninahiny any an-danitra koa, satria efa nampahafantariny azy ireo ny anaran’ny Ray, mba ho amin’izy ireo ny fitiavany. — 17:3, 11, 21.

26. Inona no lazain’ilay fitantarana mikasika ny fisamborana sy ny fitsarana an’i Jesosy?

26 Notsaraina sy nohomboana i Kristy (18:1–19:42). Nankany amin’ny saha iray tany ampitan’ny Lohasahan’i Kidrona izao i Jesosy sy ny mpianany. Teto i Jodasy no niseho niaraka tamin’ny miaramila antokony iray ary namadika an’i Jesosy, izay nanaiky tamim-pahalemem-panahy. Kanefa, niaro azy tamin’ny sabatra i Petera ka nahazo izao fananarana izao: “Ny kapoaka nomen’ny Raiko Ahy tsy hosotroiko va?” (18:11). Avy eo i Jesosy dia nentina nifatotra tany amin’i Anasy, rafozan’i Kaiafa, mpisoronabe. Nanaraka akaiky i Jaona sy i Petera, ary nahazoan’i Jaona lalana izy ireo hiditra tao amin’ny kianjan’ny tranon’ny mpisoronabe, izay nandavan’i Petera intelo ho tsy nahafantatra an’i Kristy. Nadinin’i Anasy aloha i Jesosy ary avy eo dia nentina teo anatrehan’i Kaiafa. Taorian’izay i Jesosy dia nentina teo anoloan’i Pilato governora romana, ary ny Jiosy niantsoantso ny hanamelohana azy ho faty.

27. a) Fanontaniana inona avy momba ny fanjakana sy ny fahefana no napoitran’i Pilato, ary inona no teny fanazavana nataon’i Jesosy? b) Niandany tamin’ny lafiny inona momba ny fanjakana moa ireo Jiosy?

27 Ilay fanontanian’i Pilato hoe “Mpanjaka va ary Hianao?” dia novalian’i Jesosy toy izao: “Voalazanao fa mpanjaka Aho. Izao no nahaterahako, ary izao no nihaviako amin’izao tontolo izao, dia ny hanambara ny marina.” (18:37). I Pilato, izay tsy nahita tena porofo hanamelohana an’i Jesosy, dia nanolotra ny handefa azy, araka ny fanao tamin’ny fanafahana mpigadra iray, tamin’ny Paska. Ilay jiolahy natao hoe Barabasy kosa no nangatahin’ireo Jiosy. Nasain’i Pilato nokapohina i Jesosy, ary nitady hampandeha azy indray izy, kanefa nihiaka ireo Jiosy hoe: “Homboy amin’ny hazofijaliana Izy! homboy amin’ny hazofijaliana Izy! (...) satria nanao ny tenany ho Zanak’Andriamanitra.” Rehefa nilaza tamin’i Jesosy i Pilato fa nanana fahefana ny hanombo azy tamin’ny hazofijaliana ny tenany, dia namaly i Jesosy hoe: “Hianao tsy manana fahefana amiko akory, raha tsy nomena anao avy any ambony”. Nihiakiaka indray ireo Jiosy hoe: “Ento, ento, homboy amin’ny hazofijaliana Izy! (...) Tsy manana mpanjaka afa-tsy Kaisara izahay.” Tamin’izay, dia nanolotra azy mba hohomboana tamin’ny hazofijaliana i Pilato. — 19:6, 7, 11, 15.

28. Inona no nitranga tao Golgota, ary faminaniana inona avy no tanteraka teo?

28 Nentina tany “amin’ny tany atao hoe Ikarandoha, izay atao amin’ny teny Hebreo hoe Golgota” i Jesosy, ary nohomboana teo anelanelan’ny roa lahy hafa. Teo amboniny, dia nasian’i Pilato ilay anarana hoe “Jesosy avy any Nazareta, Mpanjakan’ny Jiosy”, nosoratana tamin’ny teny hebreo sy latina ary grika, mba ho hitan’ny rehetra sy ho azony ny heviny. (19:17, 19). Nankinin’i Jesosy hokarakarain’i Jaona ny reniny, ary rehefa avy nahazo vinaingitra izy, dia nihiaka hoe: “Vita”. Avy eo izy dia nanondrika ny lohany ary niala aina. (19:30). Ho fahatanterahan’ireo faminaniana, dia nilokan’ireo miaramila ny akanjony, tsy notapahiny ny ranjony ary nolefoniny ny lanivoany. (Jaona 19:24, 32-37; Sal. 22:18; 34:20; 22:17; Zak. 12:10). Taorian’izay, dia nanomana ilay faty ho amin’ny fandevenana azy i Josefa avy tany Arimatia sy i Nikodemosy, ary nametraka azy tao amin’ny fasana vaovao iray teo akaiky.

29. a) Fisehoana inona avy no nataon’i Jesosy tafatsangana tamin’ny maty tamin’ireo mpianany? b) Inona no tian’i Jesosy holazaina tao amin’ireo teny farany nataony tamin’i Petera?

29 Ireo fisehoan’i Kristy tafatsangana tamin’ny maty (20:1–21:25). Ny fitambaran’ireo porofo be dia be momba an’i Kristy nomen’i Jaona dia mifarana amin’ny hevitra falifaly ny amin’ny fitsanganana amin’ny maty. Nahita ilay fasana foana i Maria Magdalena, ary nihazakazaka ho any i Petera sy ilay mpianatra anankiray (Jaona), kanefa tsy nahita afa-tsy ny lambam-paty sy ny mosara tamin’ny lohany sisa. I Maria, izay nijanona teo akaikin’ilay fasana, dia niresaka tamin’ny anjely roa, ary farany, araka ny noheveriny, dia tamin’ny mpiandry saha. Rehefa namaly io hoe “Ry Maria!”, dia fantany avy hatrany fa i Jesosy ilay izy. Nanaraka izany, dia niseho tamin’ireo mpianany tao anaty trano nihidy i Jesosy, ary nilaza taminy ny amin’ilay hery ho azon’izy ireo amin’ny alalan’ny fanahy masina. Taorian’izay, i Tomasy, izay tsy teo tamin’izay, dia tsy nety nino, kanefa valo andro tatỳ aoriana i Jesosy dia niseho indray ary nanome azy ny porofo, ka nihiaka i Tomasy hoe: “Tompoko sy Andriamanitro!” (20:16, 28). Andro vitsivitsy tatỳ aoriana, dia nihaona tamin’ireo mpianany indray i Jesosy, teo amin’ny Ranomasin’i Tiberiasy; nahatonga azy ireo hahazo hazandrano tamin’ny fomba mahagaga izy ary avy eo dia niara-nisakafo maraina (NW ) taminy. Intelo izy no nanontany an’i Petera raha tia azy izy io. Rehefa nanizingizina i Petera hoe tia azy tokoa izy, dia nilaza mivantana tsara i Jesosy hoe: “Fahano ary ny ondrikeliko”, “Andraso ary ny ondriko”, “Fahano ary ny ondriko”. Avy eo izy dia nanambara mialoha ny karazana fahafatesana izay hankalazan’i Petera an’Andriamanitra. Nanontany momba an’i Jaona i Petera, ary dia nilaza i Jesosy hoe: “Raha tiako hitoetra izy mandra-pihaviko, ahoanao izany?” — 21:15-17, 22.

MAHASOA — NAHOANA?

30. Ahoana no nanantitranteran’i Jaona manokana ny fitiavana?

30 Ny vaovao tsara “nosoratan’i Jaona” dia mahery satria tsy miolakolaka, ary mampiaiky noho ny filazalazany mampiseho fifankahazoana am-po sy manafana fo momba ny Teny, izay tonga Kristy. Izy io dia manome antsika fahitana akaiky dia akaiky an’io Zanak’Andriamanitra voahosotra io, na amin’ny teniny na amin’ny nataony. Na dia tsotra aza ny fomba fanoratr’i Jaona sy ny voambolany, zavatra izay nanamarika azy ho lehilahy “tsy mba mpahay lalàna na nampianarina”, dia misy hery goavana ao amin’ny fitenenany. (Asa. 4:13). Mahatratra fahamboniana faran’izay avo ny Filazantsarany, amin’ny fampahafantarana ny fitiavana nisy fifankahazoana am-po teo amin’ny Ray sy ny Zanany, ary koa ny fifandraisana sambatra sy feno fitiavana hita rehefa tafaray amin’izy ireo. Mampiasa ny teny hoe “fitiavana” sy hoe “tia” matetika kokoa noho ireo Filazantsara telo hafa mikambana, i Jaona.

31. Fifandraisana inona no hamafisina hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny faran’ny Filazantsaran’i Jaona, ary ahoana no ahatratraran’izy io fara tampony eo amin’ny fitenenana?

31 Tany am-piandohana, fifandraisana be voninahitra toy inona moa no nisy teo amin’ny Teny sy Andriamanitra Ray! Noho ny fahasoavan’Andriamanitra, “ny Teny dia tonga nofo ka nonina tamintsika; ary hitanay ny voninahiny, dia voninahitra mendrika ho an’ny Lahitokana avy tamin’ny Ray, sady feno fahasoavana sy fahamarinana”. (Jaona 1:14). Avy eo, hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny faran’ny fitantaran’i Jaona, i Jesosy dia nanantitrantitra fa ny fifandraisany dia ny an’ny olona iray nanaiky tamim-pankatoavana tsy nisy fisalasalana ny sitrapon’ny Ray. (4:34; 5:19, 30; 7:16; 10:29, 30; 11:41, 42; 12:27, 49, 50; 14:10). Ny fanehoany io fifandraisana misy fifankahazoana am-po io dia nahatratra ny fara tampony be voninahitra tao amin’ilay vavaka manohina ny fo voarakitra an-tsoratra ao amin’ny Jaona toko faha-17. Tao i Jesosy dia nanao tatitra tamin-dRainy hoe vitany ilay asa nasainy nataony teto an-tany, ary nanampy teny toy izao: “Ary koa ankehitriny, Ray ô, mankalazà Ahy amin’ny tenanao, dia amin’ny voninahitra niarahako nanana taminao, fony tsy mbola ary izao tontolo izao.” — 17:5.

32. Amin’ny alalan’ny fitenenana inona avy no ampisehoan’i Jesosy ny fifandraisan’ny tenany manokana tamin’ireo mpianany ary koa fa izy no hany fitaovam-pifandraisana izay ahatongavan’ireo fitahian’ny fiainana amin’ny taranak’olombelona?

32 Nanao ahoana ny fifandraisan’i Jesosy tamin’ireo mpianany? Nasongadina hatrany ny anjara asan’i Jesosy tamin’ny naha-hany fitaovam-pifandraisana azy, izay anitarana ny fitahian’Andriamanitra amin’izy ireo sy amin’ny taranak’olombelona rehetra. (14:13, 14; 15:16; 16:23, 24). Antsoina hoe “ny Zanak’ondrin’Andriamanitra” izy, ny “mofon’aina”, ny “fahazavan’izao tontolo izao”, ny “Mpiandry Tsara”, ny “fananganana ny maty sy fiainana”, ny “làlana sy fahamarinana ary fiainana” ary ny “tena voaloboka”. (1:29; 6:35; 8:12; 10:11; 11:25; 14:6; 15:1). Tao amin’io fanoharana ny amin’ny “tena voaloboka” io i Jesosy no nampahafantatra ilay firaisan-tsaina mahatalanjona, tsy eo amin’ny mpanara-dia azy marina sy ny tenany ihany, fa amin’ny Ray koa. Rehefa mamoa be dia be izy ireo, dia hankalaza ny Rainy. “Tahaka ny nitiavan’ny Ray Ahy no nitiavako anareo; tomoera amin’ny fitiavako hianareo”, hoy ny torohevitr’i Jesosy. — 15:9.

33. Ny zava-kendren’ny fanompoany inona no nolazain’i Jesosy tao amin’ny vavaka?

33 Avy eo dia tamin-kafanam-po toy inona moa no nivavahany tamin’i Jehovah mba ho iray amin’ny Rainy sy amin’ny tenany ireo rehetra tiana ireo ary koa ‘izay mino azy amin’ny alalan’ny tenin’izy ireo’, ka hohamasinina amin’ny tenin’ny fahamarinana! Ny zava-kendrena manontolon’ny fanompoan’i Jesosy dia voalaza amin’ny fomba mahatalanjona tokoa amin’ireto teny farany tamin’ny vavaka nataony tamin-dRainy ireto: “Efa nampahafantariko azy ny anaranao, ary mbola hampahafantariko ihany, mba ho ao aminy ny fitiavana izay nitiavanao Ahy, ary Izaho koa ho ao aminy.” — 17:20, NW, 26.

34. Torohevitra mahasoa inona no nomen’i Jesosy momba ny fomba handresena izao tontolo izao?

34 Na dia namela ny mpianany teo amin’izao tontolo izao aza i Jesosy, dia tsy ho namela azy ireo tsy nisy mpanampy, dia “ny Fanahin’ny fahamarinana”. Ambonin’izany, dia nanome azy ireo torohevitra tamin’ny fotoana nety momba ny fifandraisan’izy ireo tamin’izao tontolo izao, izy ka nampiseho azy ireo ny fomba handresena amin’ny maha-“zanaky ny mazava”. (14:16, 17; 3:19-21; 12:36). “Raha maharitra amin’ny teniko hianareo, dia ho mpianatro tokoa”, hoy i Jesosy, “ka ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo.” Mifanohitra amin’izany kosa, dia nilaza toy izao tamin’ireo zanaky ny maizina izy: “Hianareo avy tamin’ny devoly rainareo, ka izay sitraky ny rainareo no tianareo hatao. Izy (...) tsy nitoetra tamin’ny marina, satria tsy misy marina aminy.” Aoka àry isika ho tapa-kevitra ny hiorina mafy ao amin’ny fahamarinana foana, eny, ny “hivavaka amin’ny Ray amin’ny fanahy sy ny fahamarinana”, ary hanovo hery avy amin’ny tenin’i Jesosy manao hoe: “Matokia; Izaho efa naharesy izao tontolo izao.” — 8:31, 32, 44; 4:23; 16:33.

35. a) Teny fanamarinana inona no nomen’i Jesosy mikasika ny Fanjakan’Andriamanitra? b) Nahoana ny Filazantsaran’i Jaona no manome antony tokony hahasambatra sy hahavelom-pankasitrahana?

35 Izany rehetra izany dia misy ifandraisana koa amin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Hoy ny nohamarinin’i Jesosy tamin’ny fotoana nitsarana azy: “Ny fanjakako tsy avy amin’izao tontolo izao; fa raha mba avy amin’izao tontolo izao ny fanjakako, dia ho niady ny mpanompoko, mba tsy ho voatolotra tamin’ny Jiosy Aho; nefa ankehitriny tsy avy amin’izany ny fanjakako.” Avy eo, mba hamaliana ny fanontanian’i Pilato, dia hoy izy: “Voalazanao fa mpanjaka Aho. Izao no nahaterahako, ary izao no nihaviako amin’izao tontolo izao, dia ny hanambara ny marina. Izay rehetra avy amin’ny marina dia mihaino ny feoko.” (18:36, 37). Sambatra tokoa ireo izay mihaino sy “ateraka indray” mba ‘hiditra ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra’, tafaray amin’ny Mpanjaka. Sambatra ireo “ondry hafa” izay mihaino ny feon’io Mpanjaka sady Mpiandry io ka mahazo fiainana. Tena misy antony tokony hahavelom-pankasitrahana tokoa noho ny nanomezana antsika ny Filazantsaran’i Jaona, izay nosoratana “mba hinoanareo fa Jesosy no Kristy, Zanak’Andriamanitra, ary mba hanananareo fiainana amin’ny anarany, raha mino hianareo”. — 3:3, 5; 10:16; 20:31.

[Fanamarihana ambany pejy]

a The Ecclesiastical History, Eusèbe, V, VIII, 4.

b Insight on the Scriptures, Boky 1, pejy 323.

c Auxiliaire pour une meilleure intelligence de la Bible, pejy 806.

[Fanontaniana]