Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-44 — Asan’ny Apostoly

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-44 — Asan’ny Apostoly

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-44 — Asan’ny Apostoly

Mpanoratra: Lioka

Toerana Nanoratana: Roma

Vita Tamin’ny: 61 am.f.i. tany ho any

Fe-potoana Voafaoka: 33 am.f.i. – 61 am.f.i. tany ho any

1, 2. a) Fisehoan-javatra ara-tantara sy fanaovan-javatra inona avy no voalazalaza ao amin’ny Asan’ny Apostoly? b) Fe-potoana toy inona no voafaoka ao amin’ilay boky?

 AO AMIN’NY boky faha-42 ao amin’ny Soratra ara-tsindrimandry, i Lioka dia manome fitantarana mahafaoka ny fiainana sy ny asa ary ny fanompoan’i Jesosy sy ny mpanara-dia azy, hatreo amin’ny fotoana niakaran’i Jesosy tany an-danitra. Ilay firaketana an-tsoratra ara-tantara ao amin’ny boky faha-44 ao amin’ny Soratra Masina, ny Asan’ny Apostoly, dia manohy ny tantaran’ny Kristianisma tany am-boalohany amin’ny filazalazana ny fanorenana ny kongregasiona (NW ) ho vokatry ny asan’ny fanahy masina. Lazalazainy koa ny fitaran’ny asa fanaovana fanambarana, teo amin’ny Jiosy aloha, ary avy eo tamin’ny olona avy amin’ny firenena rehetra. Ny tapany lehibe indrindra amin’ny fanazavana ao amin’ireo toko 12 voalohany dia mahafaoka ireo asa nataon’i Petera, ary ireo toko 16 sisa, ireo asa nataon’i Paoly. Nifanerasera nifankahazo am-po tamin’i Paoly i Lioka, nanaraka azy tamin’ny maro tamin’ireo diany.

2 Navantana tamin’i Teofilo ilay boky. Koa satria antsoina hoe “tsara indrindra” izy, dia nety ho nitana toerana ofisialy iray, na nety ho fanehoana fanajana ambony fotsiny io teny io. (Lioka 1:3). Manome firaketana an-tsoratra ara-tantara araka ny marina momba ny fanorenana sy ny fitomboan’ny kongregasiona kristiana, ilay fitantarana. Manomboka amin’ireo fisehoan’i Jesosy tamin’ireo mpianany taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty izy io. Avy eo izy io dia mirakitra an-tsoratra ireo fisehoan-javatra lehibe tamin’ny fe-potoana nanomboka tamin’ny 33 am.f.i. ka hatramin’ny 61 am.f.i. tany ho any, ka nahafaoka tokony ho 28 taona amin’ny fitambarany.

3. Iza no nanoratra ny bokin’ny Asan’ny Apostoly, ary oviana no vita ny fanoratana azy io?

3 Hatramin’ny fahiny, dia nolazaina fa ilay nanoratra ny Filazantsaran’i Lioka no nanoratra ny Asan’ny Apostoly. Samy navantana tamin’i Teofilo ireo boky roa ireo. Amin’ny famerenana ireo fisehoan-javatra mamarana ny Filazantsarany ao amin’ireo andininy fanokafana ny Asan’ny Apostoly, i Lioka dia mampifamatotra ireo fitantarana roa ireo ho toy ny asa soratra nataon’ny mpanoratra iray ihany. Toa vitan’i Lioka tamin’ny 61 am.f.i. tany ho any ny fanoratana ny Asan’ny Apostoly, azo inoana fa tany amin’ny faran’ireo roa taona nivahiniany tany Roma, fony izy niaraka tamin’ny apostoly Paoly. Koa satria mirakitra an-tsoratra fisehoan-javatra hatramin’io taona io izy io, dia tsy nety ho vita talohan’izay. Ny namelan’i Lioka ny fangatahan’i Paoly handahatra teo anatrehan’i Kaisara ho mbola tsy voavaly dia mampiseho fa efa vita ny fanoratana azy io tamin’io taona io.

4. Inona no manaporofo fa kanônika sy azo itokiana ny Asan’ny Apostoly?

4 Hatramin’ny fahiny indrindra ny Asan’ny Apostoly dia neken’ireo manam-pahaizana momba ny Baiboly ho kanônika. Misy tapany amin’ilay boky hita teo amin’ny sasany amin’ireo sora-tanana eo amin’ny taratasy papyrus amin’ny Soratra Grika tranainy indrindra mbola misy. Ny miavaka indrindra amin’ireo dia ny Michigan No. 1571 (P38) tamin’ny taonjato fahatelo na fahefatra am.f.i. sy ny Chester Beatty No. 1 (P45) tamin’ny taonjato fahatelo. Izy roa ireo dia mampiseho fa niely niaraka tamin’ireo boky hafa amin’ny Soratra ara-tsindrimandry ny Asan’ny Apostoly, ka noho izany dia anisan’ilay katalaogy tany aloha be. Ny fomba fanoratr’i Lioka ao amin’ny bokin’ny Asan’ny Apostoly dia manome taratr’ilay fanaovan-javatra araka ny marina miavaka izay efa nomarihintsika fa manamarika ny Filazantsarany. Manombana ny mpanoratra ny Asan’ny Apostoly ho “anisan’ireo mpanoratra tantara faran’izay mahay” i Sir William M. Ramsay, ka manazava ny hevitr’izany amin’ny filazana hoe: “Ny toetra tsara voalohany sy tena ilain’ny mpanoratra tantara lehibe dia ny fahamarinana. Tsy maintsy ho mendri-pitokiana izay lazainy.” a

5. Asehoy amin’ny ohatra ny fanaovan’i Lioka tatitra araka ny marina.

5 Ho ohatra hampisehoana ny fanaovana tatitra araka ny marina izay mampiavaka aoka izany ireo asa soratr’i Lioka, dia tononintsika izay nolazain’i Edwin Smith, komandàn’ny andian-tsambo mpiady britanika tao amin’ny Ranomasina Mediterane nandritra ny Ady Lehibe Voalohany. Hoy ny nosoratany ao amin’ny gazetiboky The Rudder, tamin’ny Martsa 1947: “Ny familiana ireo sambo tranainy dia tsy mitovy amin’ny familiana amin’ny andro maoderina, amin’ny alalan’ny familian-tsambo tokana mifatotra amin’ny vody sambo, fa tamin’ny fivoy na familian-tsambo lehibe roa, teo amin’ny andaniny roa avy teo amin’ny vody sambo; noho izany no nanononan’i Md. Lioka azy ireo amin’ny endrika milaza maro. [Asa. 27:40, NW ]. (...) Hitanay tamin’ny fandinihanay fa ny fanambarana rehetra momba ny fandroson’ilay sambo, avy tamin’ny fotoana nandaozany an’i Tsara-fitodian-tsambo mandra-pidonany tany Malta (Melita), araka ny aroson’i Md. Lioka, dia voamarin’ny porofo ivelany sy tsy miankina, izay araka ny marina sy mahafa-po indrindra; ary koa fa ireo fanambarana nataony momba ny fotoana nijanonan’ilay sambo tany an-dranomasina dia mifanentana amin’ilay halaviran-dalana naleha; ary, farany, fa ny filazalazany momba ny toerana nahatongavany dia mifanaraka amin’ilay toerana mihitsy. Izany rehetra izany dia mampiseho fa tena nanao ilay dia araka ny nolazalazainy i Lioka, no sady mampiseho azy ho lehilahy nanao fanamarihana sy fanambarana izay azo heverina ho azo ianteherana sy mendri-pitokiana indrindra.” b

6. Ohatra inona avy no mampiseho fa ireo zavatra hitan’ny arkeolojia dia manamarina ny maha-araka ny marina ny Asan’ny Apostoly?

6 Ireo zavatra hitan’ny arkeolojia koa dia manamarina ny maha-araka ny marina ny fitantaran’i Lioka. Ohatra, ireo fihadian-tany tany Efesosy dia namongatra ny tempolin’i Artemisy (f.a.p.) ary koa ilay trano filalaovana fahiny izay nirotahan’ireo Efesiana ny apostoly Paoly. (Asa. 19:27-41). Nisy soratra hita izay manamarina ny maha-marina tsara ny fampiasan’i Lioka ilay anarana hoe “lehiben’ny tanàna” nampiharina tamin’ireo manam-pahefana tany Tesalonika. (17:6, 8). Misy soratra roa hita tany Malta mampiseho fa marina tsara koa ny firesahan’i Lioka momba an’i Poplio ho “ny mpanapaka” an’i Malta. — 28:7. c

7. Ahoana no ampisehoan’ireo lahateny voarakitra fa araka ny zava-nisy ny firaketana an-tsoratra ao amin’ny Asan’ny Apostoly?

7 Fanampin’izany, ireo lahateny samihafa nataon’i Petera, i Stefana, i Kornelio, i Tertylo, i Paoly ary ny hafa, araka ny noraketin’i Lioka an-tsoratra, dia manana fomba fanoratra sy fandaharana azy samy hafa. Na dia ireo lahatenin’i Paoly aza, izay natao ho an’ny mpihaino samy hafa, dia niova raha ny amin’ny fomba fanoratra mba hifanentana tamin’ilay toe-javatra. Izany dia mampiseho fa izay ren’ny tenany na notaterin’ny vavolombelona nanatri-maso taminy ihany no noraketin’i Lioka an-tsoratra. Tsy mpanoratra tantara noforonina akory i Lioka.

8. Inona no lazain’ny Soratra Masina amintsika momba an’i Lioka sy ny fiarahany tamin’i Paoly?

8 Tsy misy zavatra firy fantatra momba ny fiainana manokan’i Lioka. Tsy apostoly akory i Lioka, saingy niaraka tamin’ireo apostoly. (Lioka 1:1-4). Tamin’ny toe-javatra telo ny apostoly Paoly dia nanonona anarana an’i Lioka. (Kol. 4:10, 14, NW; 2 Tim. 4:11; Filem. 24). Nandritra ny taona vitsivitsy izy dia naman’i Paoly tsy tapaka, izay niantso azy hoe “ilay dokotera malala”. Misy fifindrafindrana tsy tapaka avy amin’ny hoe “izy” ho amin’ny hoe “izahay” ao amin’ilay fitantarana. Izany dia mampiseho fa niaraka tamin’i Paoly tany Troasy i Lioka nandritra ny dia misionera faharoan’i Paoly, fa nety ho nijanona tany Filipy izy mandra-piverin’i Paoly taona vitsivitsy tatỳ aoriana, ary koa fa avy eo izy dia niaraka tamin’i Paoly indray tamin’ny diany nankany Roma mba hotsaraina. — Asa. 16:8, 10; 17:1; 20:4-6; 28:16.

LOHA HEVITRA RAKETIN’NY ASAN’NY APOSTOLY

9. Zavatra inona avy no nolazaina tamin’ireo mpianatra tamin’ny fotoana niakaran’i Jesosy tany an-danitra?

9 Fisehoan-javatra mandra-pahatongan’ny Pentekosta (1:1-26). Eo am-panokafan’i Lioka itỳ fitantarana faharoa itỳ, i Jesosy tafatsangana tamin’ny maty dia nilaza tamin’ireo mpianany efa dodona fa hatao batisa amin’ny fanahy masina izy ireo. Haverina amin’ny laoniny (NW ) amin’izay fotoana izay ve ilay Fanjakana? Tsia. Hahazo hery anefa izy ireo ary ho tonga vavolombelona “hatramin’ny faran’ny tany”. Rehefa nakarina tsy ho hitan’ny mason’izy ireo intsony i Jesosy, dia nisy roa lahy niakanjo fotsy nilaza taminy hoe: “Iny Jesosy Izay nampiakarina niala taminareo ho any an-danitra iny dia mbola ho avy tahaka ny nahitanareo Azy niakatra ho any an-danitra.” — 1:8, 11.

10. a) Zavatra tsy hay hadinoina inona avy no nitranga tamin’ny andro Pentekosta? b) Fanazavana inona no nomen’i Petera, ary nitarika ho amin’inona izany?

10 Ilay andro Pentekosta tsy hay hadinoina (2:1-42). Tafavory tao Jerosalema avokoa ireo mpianatra. Nisy feo tonga tampoka toy ny rivotra nifofofofo nameno ilay trano. Nisy lela nitarehin’afo nipetraka tamin’ny tsirairay nanatrika teo. Feno ny fanahy masina izy ireo ary nanomboka niteny tamin’ny fiteny samy hafa momba “ny asa lehibe ataon’Andriamanitra”. (2:11). Very hevitra ireo mpitazana. Izao i Petera dia nitsangana ka niteny. Nohazavainy fa io filatsahan’ny fanahy io dia fahatanterahan’ny faminanian’i Joela, (2:28-32), ary koa fa i Jesosy Kristy, izay tafatsangana izao ka nasandratra ho eo an-tanana ankavanan’Andriamanitra (f.a.p.), dia ‘nampilatsaka izao hitany sy reny izao’. Voatsindrona tam-pony ny 3 000 lahy teo ho eo, ka nandray tsara ny teny ary natao batisa. — 2:33.

11. Ahoana no nanambinan’i Jehovah ny asa fitoriana?

11 Niitatra ny fanaovana fanambarana (2:43–5:42). Isan’andro, dia nanampin’i Jehovah ho isan’ireo ny olom-bonjena. Tany ivelan’ny tempoly, dia nifanena tamin’ny lehilahy kilemaina iray izay mbola tsy nandeha mihitsy hatramin’izay niainany, i Petera sy i Jaona. “Amin’ny anaran’i Jesosy Kristy avy any Nazareta, [mandehana!, NW ]”, hoy ny fandidian’i Petera. Avy hatrany dia nanomboka “[nandeha, NW ] sy niantsambotsambotra sady nidera an’Andriamanitra” ilay lehilahy. Avy eo i Petera dia niangavy an’ireo olona mba hibebaka sy hiverina, “mba ho avy izay andro famelombelomana avy amin’ny fanatrehan’[ny tenan’i Jehovah, NW ]”. Sosotra noho i Petera sy i Jaona nampianatra momba ny nitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty ireo filoha ara-pivavahana, ka nisambotra azy ireo, kanefa tafakatra ho 5 000 tany ho any ny isan’ny mpino. — 3:6, 8, 19.

12. a) Valin-teny inona no nomen’ireo mpianatra rehefa nodidiana mba hitsahatra tsy hitory izy ireo? b) Noho ny inona no nanafaizana an’i Ananiasy sy i Safira?

12 Ny ampitso, i Petera sy i Jaona dia nentina teo anatrehan’ireo mpanapaka jiosy mba hadinadinina. Tsy niolakolaka i Petera nanamarina fa amin’ny alalan’i Jesosy Kristy ihany ny famonjena, ary rehefa nodidiana mba hampitsahatra ny asa fitoriany na i Petera na i Jaona, dia samy namaly hoe: “Tsaraonareo na marina eo imason’Andriamanitra, na tsia, ny hanaiky anareo mihoatra noho Andriamanitra. Fa izahay tsy maintsy milaza izay zavatra efa hitanay sy renay.” (4:19, 20). Nafahana izy ireo, ary ny mpianatra rehetra dia nanohy nitory ny tenin’Andriamanitra tamim-pahasahiana. Noho ny toe-javatra, dia nanambatra ny fananany ara-nofo izy ireo ary nanao fanomezana araka izay nilaina. Kanefa ny lehilahy iray natao hoe Ananiasy sy i Safira vadiny dia nivarotra tany iray, ary nanafenany ho azy ny vola vidiny, kanefa mody niseho ho nanome ilay vidiny manontolo izy ireo. Nalan’i Petera sarona izy ireo ka niankarapoka maty satria nandainga tamin’Andriamanitra sy tamin’ny fanahy masina.

13. Inona no niampangana an’ireo apostoly, inona no navalin’izy ireo, ary nanohy nanao inona izy ireo?

13 Nataon’ireo filoha ara-pivavahana tezitra mafy an-tranomaizina indray ireo apostoly, kanefa tamin’itỳ indray mandeha itỳ dia nafahan’ny anjelin’i Jehovah izy ireo. Ny ampitso, dia nentina teo anatrehan’ny Synedriona indray izy ireo ary nampangaina ho ‘nameno an’i Jerosalema tamin’ny fampianarany’. Hoy ny navalin’izy ireo: “Andriamanitra no tokony hekena mihoatra noho ny olona.” Na dia nokapohina sy norahonana aza izy ireo, dia mbola tsy nety nitsahatra ihany, ary “tsy nitsahatra nampianatra [ary nanohy, NW ] nitory an’i Jesosy ho Kristy isan-andro teo an-kianjan’ny tempoly sy tao an-trano”. — 5:28, 29, 42.

14. Tamin’ny fomba ahoana no niatrehan’i Stefana ny fanaovana azy ho maritiora?

14 Ny fanaovana an’i Stefana ho maritiora (6:1–8:1a). I Stefana dia iray tamin’ireo fito lahy notendren’ny fanahy masina mba hizara sakafo teo amin’ny latabatra. Nanao fanambarana momba ny fahamarinana tamin-kery koa izy, ary feno zotom-po aoka izany ny fanohanany ny finoana, ka nitondra azy teo anatrehan’ny Synedriona ireo mpanohitra azy romotra, satria nampangain’izy ireo ho niteny ratsy an’Andriamanitra izy. Ho fiarovan-tena, dia nilaza momba ny fahari-pon’i Jehovah tamin’ny Isiraely aloha i Stefana. Avy eo, tamim-pahaiza-miteny tsy nisy tahotra, izy dia tonga teo amin’ilay hevitra hoe: ‘Ry olona mafy hatoka, hianareo manohitra ny fanahy masina mandrakariva, ianareo izay olona nahazo ny lalàna tamin’ny nandaharan’anjely azy, nefa tsy nankato izany.’ (7:51-53). Tsy zakan’izy ireo izany. Nirohotra hamely (NW ) azy izy ireo, nandroaka azy ho any ivelan’ny tanàna ka nitora-bato azy ho faty. Nitazana tamim-pankasitrahana i Saoly.

15. Nitarika ho amin’inona ny fanenjehana, ary fanandraman-javatra teo amin’ny fitoriana inona avy no hitan’i Filipo?

15 Fanenjehana, fiovan’i Saoly finoana (8:1b–9:30). Ilay fanenjehana ny kongregasiona tany Jerosalema izay nanomboka tamin’io andro io dia nampiely azy rehetra afa-tsy ny apostoly ihany, tany amin’ilay tany. Nankany Samaria i Filipo, ary maro no nandray ny tenin’Andriamanitra tany. Nirahina ho any avy tao Jerosalema i Petera sy i Jaona mba handraisan’ireo mpino ireo koa ny fanahy masina tamin’ny alalan’ny ‘fametrahan-tanana’. (8:18). Avy eo dia nisy anjely nitarika an’i Filipo nianatsimo tany amin’ny lalana avy tany Jerosalema nankany Gaza. Tany izy dia nahita ionoka (NW ) iray avy tany an-dapan’i Etiopia, nitaingina ny kalesiny ary namaky ny bokin’i Isaia. Nanome azy fahazavana momba ny hevitr’ilay faminaniana i Filipo, ary nanao batisa azy.

16. Ahoana no niovan’i Saoly finoana?

16 Nandritra izany fotoana izany, i Saoly, izay “mbola nifofofofo fandrahonana sy famonoana tamin’ny mpianatry ny Tompo ihany”, dia nanomboka nisambotra ireo izay ‘nomba ilay [Lalana, f.a.p.]’ tany Damaskosy. Nisy mazava avy tany an-danitra nanelatrelatra tampoka nanodidina azy, ary dia lavo tamin’ny tany izy, lasa jamba. Nisy feo avy tany an-danitra nilaza taminy hoe: “Izaho no Jesosy Izay enjehinao”. Rehefa afaka hateloana, tany Damaskosy, dia nisy mpianatra iray natao hoe Ananiasy nanompo azy. Nahiratra indray ny mason’i Saoly, natao batisa izy ary nanjary feno ny fanahy masina, hany ka tonga mpitory ny vaovao tsara (NW ) be zotom-po sy nahay. (9:1, 2, 5). Tamin’io fitsimbadihan-javatra nahatalanjona io, ilay mpanenjika dia nanjary nenjehina ary voatery nandositra mba hamonjena ny ainy, avy tao Damaskosy aloha ary avy eo dia avy tao Jerosalema.

17. Ahoana no nahatongavan’ny vaovao tsara tany amin’ny Jentilisa tsy voafora?

17 Tonga tany amin’ny Jentilisa tsy voafora ny vaovao tsara (9:31–12:25). Ny kongregasiona izao dia ‘nanam-piadanana sady nandroso tsara sy nandeha tamin’ny fahatahorana [an’i Jehovah, NW ] sy ny fampirisihan’ny fanahy ka nihamaro’. (9:31). Tany Jopa, dia nanangana tamin’ny maty an’i Tabita (Dorkasy), tsy foin’ny rehetra, i Petera, ary teo izy no naharay ilay antso ho any Kaisaria, izay niandrasan’ilay kapiteny natao hoe Kornelio azy. Nitory tamin’i Kornelio sy ny ankohonany izy, ary dia nino ireo, ka nalatsaka tamin’izy ireo ny fanahy masina. Rehefa hitan’i Petera fa “tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra; fa amin’ny firenena rehetra izay olona matahotra Azy ka manao ny marina no ankasitrahany”, dia nataony batisa izy ireo — ny Jentilisa tsy voafora niova finoana voalohany. Tatỳ aoriana, dia nohazavain’i Petera tamin’ireo rahalahy tany Jerosalema io fizotran-javatra vaovao io, ka nankalaza an’Andriamanitra izy ireo. — 10:34, 35.

18. a) Inona no nitranga nanaraka izany tany Antiokia? b) Fanenjehana inona no nipoaka, kanefa nahatratra ny zava-kendreny ve izy io?

18 Nitohy niely haingana ny vaovao tsara, nampianatra olona maro tany Antiokia i Barnabasy sy i Saoly, “ary tany Antiokia no voalohany nanaovana ny anaran’ny mpianatra hoe Kristiana”. (11:26). Nipoaka indray ny fanenjehana. Nampamono an’i Jakoba, rahalahin’i Jaona, tamin’ny sabatra i Heroda Agripa I. Nampiditra an’i Petera an-tranomaizina koa izy, kanefa nafahan’ny anjelin’i Jehovah indray koa i Petera. Tsara ho an’i Heroda ratsy fanahy izay! Noho izy tsy nanome voninahitra an’Andriamanitra, dia nohanin’ny kankana izy ka maty. Tetsy an-danin’izany kosa, dia “nandroso sy niely ny tenin’Andriamanitra”. — 12:24.

19. Tonga hatraiza ny dia misioneran’i Paoly voalohany, ary inona no tanteraka tamin’izany?

19 Ny dia misionera voalohan’i Paoly, niaraka tamin’i Barnabasy (13:1–14:28). d I Barnabasy sy i “Saoly, (...) izay atao hoe koa Paoly”, dia natokana ka nirahin’ny fanahy masina ho any Antiokia. (13:9). Teo amin’ny nosin’i Kyprosy, dia maro no tonga mpino, anisan’izany i Sergio Paolo, governora. Teo amin’ny kontinenta, tany Azia Minora, dia nitety faritra nisy tanàna enina na mahery izy ireo, ary hatraiza hatraiza dia nitovy foana ny zava-nitranga: Nisy fisarahana mazava tsara niseho teo amin’ireo izay nanaiky ny vaovao tsara tamim-pifaliana sy ireo mpanohitra mafy hatoka izay nanosika vahoaka betsaka hitora-bato an’ireo irak’i Jehovah. Rehefa avy nanendry loholona tao amin’ireo kongregasiona vao niforona i Paoly sy i Barnabasy, dia niverina nankany Antiokia tany Syria.

20. Fanapahan-kevitra inona no nandamina ny raharaha momba ny famorana?

20 Fandaminana ny raharaha momba ny famorana (15:1-35). Noho ny faneken’ny tsy Jiosy maro be, dia nipoitra ny fanontaniana raha tokony hoforana izy ireo. Nentin’i Paoly sy i Barnabasy tany amin’ireo apostoly sy ireo loholona tany Jerosalema ilay raharaha. I Jakoba mpianatra no nitari-draharaha tany ary nandamina ny handefasana ilay fanapahan-kevitra neken’ny rehetra, tamin’ny alalan’izao taratasy (NW ) ofisialy izao: “Sitraky ny Fanahy Masina sy izahay tsy hampitondra enta-mavesatra anareo afa-tsy izao zavatra tsy maintsy hotandremana izao ihany: dia ny hifadianareo ny hena aterina amin’ny sampy sy ny ra sy ny zavatra kendaina ary ny fijangajangana”. (15:28, 29). Nifaly noho ilay fampaherezana (NW ) avy tamin’io taratasy io ireo rahalahy tany Antiokia.

21. a) Iza avy no tafaraka tamin’i Paoly tamin’ny dia misionerany faharoa? b) Fisehoan-javatra inona avy no nanamarika ny fitsidihany an’i Makedonia?

21 Niitatra ny fanompoana noho ny dia faharoan’i Paoly (15:36–18:22). e “Rehefa afaka andro vitsivitsy”, dia niondrana an-tsambo nankany Kyprosy i Barnabasy sy i Marka, fa i Paoly sy i Silasy kosa nanomboka namaky an’i Syria sy i Azia Minora. (15:36). Niaraka tamin’i Paoly tany Lystra ilay zatovolahy nantsoina hoe Timoty, ary nanohy hatrany Troasy teo amoron’ny Ranomasina Egée izy ireo. Teo, tao amin’ny fahitana iray, i Paoly dia nahita lehilahy iray nangataka taminy hoe: “Mità mankatỳ Makedonia, ka [ampio, NW ] izahay!” (16:9). Niaraka tamin’i Paoly i Lioka, ary nandeha an-tsambo nankany Filipy, ny tanàna lehibe indrindran’i Makedonia, izy ireo. Tao i Paoly sy i Silasy dia nampidirina an-tranomaizina. Ho vokatr’izany, dia nanjary mpino ilay mpiandry tranomaizina ka natao batisa. Taorian’ny fanafahana azy ireo, dia nanohy hatrany Tesalonika izy ireo, ary tany ny Jiosy nialona dia nanosika vahoaka betsaka hanohitra azy ireo. Koa nony alina àry, dia nampandehanin’ny rahalahy hankany Beria i Paoly sy i Silasy. Teto ny Jiosy dia nampiseho toe-panahy tsara kokoa, tamin’ny ‘fandraisana ny teny tamin’ny zotom-po indrindra sy tamin’ny fandinihana ny Soratra Masina isan’andro’, mba hikarohana fanamarinana ny amin’ireo zavatra nianarany. (17:11). Namela an’i Silasy sy i Timoty tao amin’io kongregasiona vaovao io i Paoly, toy ilay namelany an’i Lioka tany Filipy, ka nanohy nianatsimo nankany Atena izy.

22. Nitarika ho amin’inona ny lahateny nampiseho hakingana nataon’i Paoly teo amin’ny Areopago?

22 Tato amin’itỳ tanànan’ny sampy itỳ, ireo olon-kendry epikoreana sy stoika ambony fisainana dia nanaraby an’i Paoly tamin’ny anarana hoe “mpibedibedy” sy ‘mpitory andriamani-baovao’, ary nitondra azy hiakatra teny amin’ny Areopago, na Havoanan’i Mars. Tamim-pahaiza-miteny ampahibemaso feno hakingana, i Paoly dia nandroso hevitra nanohana ny tokony hitadiavana ilay Andriamanitra marina, ny “Tompon’ny lanitra sy ny tany”, izay manome antoka ny amin’ny fitsarana marina avy amin’ilay natsangany tamin’ny maty. Nampisaraka ny mpihaino azy ny firesahana momba ny fitsanganana amin’ny maty, nefa nisy nino. — 17:18, 24.

23. Inona no tanteraka tany Korinto?

23 Nanaraka izany, tany Korinto, dia nivahiny tao amin’i Akoila sy i Prisila i Paoly, ka niaraka tamin’izy ireo teo amin’ny raharaha fanaovana lay. Ny fanoherana ny fitoriany dia nanery azy hivoaka ny synogaga sy hanao ny fivoriany tao amin’ny tranon’i Titosy Josto, izay nifanila trano taminy. Nino i Krispo, mpanapaka ny synagoga. Rehefa avy nivahiny 18 volana tao Korinto i Paoly, dia niara-niainga tamin’i Akoila sy i Prisila nankany Efesosy. Navelany tao izy ireo ary nanohy nankany Antiokia tany Syria izy, ka namita tamin’izany ny dia misionerany faharoa.

24, 25. a) Tamin’ny fotoana nanombohan’i Paoly ny diany fahatelo, inona moa no nitranga tany Efesosy? b) Tabataba inona no nanamarika ny fifaranan’ireo telo taona nivahinian’i Paoly tany?

24 Nitsidika ireo kongregasiona indray i Paoly, dia fahatelo (18:23–21:26). f Nisy Jiosy iray natao hoe Apolosy tonga tao Efesosy avy tany Aleksandria, tany Egypta, ary niteny tamim-pahasahiana tao amin’ny synagoga momba an’i Jesosy. Hitan’i Akoila sy i Prisila anefa fa tena nilaina ny nampianatra azy marina kokoa, talohan’ny nanohizany hatrany Korinto. Teo am-panaovana ny diany fahatelo izao i Paoly ary tamin’ny farany dia tonga tany Efesosy. Rehefa fantatr’i Paoly fa efa natao batisa tamin’ny batisan’i Jaona ny mpino tao, dia nanazava ny amin’ny batisa ho amin’ny anaran’i Jesosy izy. Avy eo izy dia nanao batisa tokony ho 12 lahy; ary rehefa avy nametrahany tanana izy ireo, dia nahazo ny fanahy masina.

25 Nandritra ireo telo taona nivahinian’i Paoly tao Efesosy, dia ‘fatratra ny fandroson’ny tenin’Andriamanitra sy ny heriny’, ary maro no nahafoy ny fanompoam-pivavahany tamin’i Artemisy, ilay Andriamani-bavy mpiaro ny tanàna. (19:20). Tezitra noho ny nety hamoizany raharaha ireo mpanao sarin’ny tempoly volafotsy, ka nampiditra ilay tanàna tao anatin’ny fikorontanana aoka izany, ka nila ora maro vao niparitaka ilay vahoaka betsaka. Tsy ela taorian’izay i Paoly dia niala teo mba ho any Makedonia sy Grisia, ary nitsidika ireo mpino hitany teny an-dalana.

26. a) Fahagagana inona no nataon’i Paoly tany Troasy? b) Torohevitra inona no nomeny an’ireo mpiandraikitra avy tany Efesosy?

26 Nivahiny telo volana tany Grisia i Paoly talohan’ny hiverenany, tamin’ny fandalovana tao Makedonia, ka tao dia niaraka taminy indray i Lioka. Nita nankany Troasy izy ireo. Tao, rehefa nanao lahateny hatramin’ny alina be i Paoly, dia sondrian-tory ny zatovolahy iray ka nianjera avy teny amin’ny varavarankely teny amin’ny rihana fahatelo. Maty izy rehefa narenina, kanefa naverin’i Paoly ho amin’ny fiainana indray. Ny ampitso, dia niala teo mba ho any Mileto i Paoly sy ireo mpiaraka taminy. Nijanona tao i Paoly, teny an-dalana ho any Jerosalema, mba hiara-mivory tamin’ireo loholona avy tany Efesosy. Nampahafantariny azy ireo fa tsy hahita ny tavany intsony izy ireo. Tena nilaina maika aoka izany àry ny hitarihany sy hiandrasany ny ondrin’Andriamanitra, ‘izay nanaovan’ny fanahy masina azy ho mpitandrina’! Nampahatsiahiviny ny ohatra navelany ho azy ireo, ary nanariny izy ireo mba hiambina ka tsy hitsitsy tena tamin’ny fanomezana ho an’ireo rahalahy. (20:28). Na dia nampitandremana mba tsy hiakatra tany Jerosalema aza i Paoly, dia tsy niverina ilalana. Nanaiky ireo namany ka nanao hoe: “Aoka ny sitrapon’[i Jehovah, NW ] no hatao.” (21:14). Nisy fifaliana lehibe rehefa nanao tatitra tamin’i Jakoba sy ireo loholona mikasika ny nitahian’Andriamanitra ny fanompoany (NW ) tany amin’ny jentilisa, i Paoly.

27. Nanao ahoana ny fandraisana an’i Paoly tany amin’ny tempoly?

27 Nosamborina sy notsaraina i Paoly (21:27–26:32). Rehefa niseho tao amin’ny tempoly tany Jerosalema i Paoly, dia noraisina tamim-pankahalana. Nambosy ny tao an-tanàna rehetra hanohitra azy ny Jiosy avy tany Azia, ary miaramila romana no zara raha nahavita namonjy azy.

28. a) Fanontaniana inona no napoitran’i Paoly teo anatrehan’ny Synedriona, ary nitarika ho amin’inona izany? b) Nirahina ho aiza izy avy eo?

28 Momba ny inona izao fifanaritahana rehetra izao? Iza moa io Paoly io? Inona no heloka nataony? Naniry hahafantatra ny valiny ilay mpifehy arivo sanganehana. Noho i Paoly olom-pirenena romana, dia afa-nandositra ny fikapohana izy, ary nentina teo anatrehan’ny Synedriona. Fitsarana nizarazara ilay izy, voaforon’ny Fariseo sy ny Sadoseo! Noho izany, dia nampipoitra ny fanontaniana momba ny fitsanganana amin’ny maty i Paoly, ka nampifanditra azy ireo. Rehefa nihafeno herisetra ilay fifandirana, dia voatery naka an’i Paoly an-keriny avy teo afovoan’ny Synedriona ireo miaramila romana talohan’ny hahasamatsamaka azy. Nalefa niafinafina tamin’ny alina tany amin’i Feliksa, Governora tany Kaisaria, i Paoly, notronina miaramila be dia be.

29. Rehefa nampangaina ho mpampikomy i Paoly, fitohitohizana fitsarana sy fihainoana azy inona avy no natrehin’i Paoly, ary fangatahana inona no nataony?

29 Rehefa nampangain’ireo mpiampanga azy ho mpampikomy i Paoly, dia niaro tena tamim-pahakingana teo anatrehan’i Feliksa. Niandry ihany anefa i Feliksa, satria nanantena kolikoly ho takalon’ny fanafahana an’i Paoly. Lasa ny roa taona. Tonga governora nandimby an’i Feliksa i Porsio Festosy, ary nandidiana ny hisian’ny fitsarana vaovao iray. Teo indray koa, dia fiampangana lehibe no naroso, ary teo indray koa dia nanambara ny tsy naha-meloka azy i Paoly. I Festosy anefa ta hahazo sitraka tamin’ny Jiosy, ka nanipy hevitra ny hisian’ny fitsarana fanampiny teo anatrehany tany Jerosalema. Noho izany dia nanambara i Paoly hoe: “Handahatra eo anatrehan’i Kaisara aho.” (25:11). Nandeha ny fotoana. Farany, dia tonga niarahaba an’i Festosy ny Mpanjaka Heroda Agripa II, ary dia nentina tao amin’ny efitra fitsarana indray i Paoly. Feno hery sy nampiaiky aoka izany ny teny fanamarinana nataony, ka voatosika hilaza taminy i Agripa hoe: “Kely sisa dia hampiaiky ahy ho tonga Kristiana ianao.” (26:28, NW ). Nanaiky ny tsy naha-meloka an’i Paoly koa i Agripa, ary koa fa ho azo nalefa izy raha tsy nangataka ny handahatra teo anatrehan’i Kaisara.

30. Fanandraman-javatra inona avy no nanaraka ny dian’i Paoly hatrany Malta?

30 Nankany Roma i Paoly (27:1–28:31). g Nentina an-tsambo i Paoly sy ny mpigadra hafa, tamin’ny dingana voalohany tamin’ilay dia ho any Roma. Nanohitra ny rivotra, ka niadana ny fandrosony. Tao amin’ny seranan’i Myra izy ireo dia niova sambo. Rehefa tonga tao Tsara-fitodian-tsambo, tany Kreta, izy ireo, dia nananatra i Paoly mba handany ny ririnina tao, fa nanoro hevitra ny hialana teo kosa ny ankamaroany. Zara raha teny an-dranomasina izy ireo, dia nisy tafio-drivotra nahery nifofofofo sy namezivezy azy ireo tsy nisy fiantrana. Rehefa afaka tapa-bolana, farany dia nidona ka vakivaky teo amin’ny fihaonan-dranomasina iray tsy lavitra ny moron-tsirak’i Malta, ilay sambo. Araka ny toky nomen’i Paoly teo aloha, dia tsy nisy na dia iray aza namoy ny ainy tamin’ireo 276 tao anatin’ilay sambo! Nampiseho hatsaram-panahin’olombelona tsy fahita ireo mponina tao Malta, ary nandritra ny ririnina, dia nanasitrana maro taminy, tamin’ny alalan’ny hery mahagagan’ny fanahin’Andriamanitra i Paoly.

31. Ahoana no nandraisana an’i Paoly tonga tany Roma, ary nandany ny fotoanany nanaovana inona izy tany?

31 Ny lohataona nanaraka, dia tody tany Roma i Paoly, ary nivoaka hatreo amin’ny lalana mba hitsena azy ireo rahalahy. Nahatonga an’i Paoly ‘hisaotra an’Andriamanitra ka hahazo hery’ ny fahitana azy ireo. Na dia mbola mpigadra aza i Paoly, dia navela hitoetra tao an-trano nohofany, niaraka tamin’ny miaramila mpiambina iray. Mamarana ny fitantarany i Lioka, amin’ny filazalazana momba ny fandraisan’i Paoly tsara izay rehetra nankeo aminy, sy momba ny ‘nitoriany ny fanjakan’Andriamanitra ka nampianarany ny amin’i Jesosy Kristy Tompo tamin’ny fahasahiana be, ary tsy nisy fisakanana’. — 28:15, 31.

MAHASOA — NAHOANA?

32. Taloha sy nandritra ny Pentekosta, ahoana no nanamarinan’i Petera ny maha-azo itokiana ny Soratra Hebreo?

32 Ny bokin’ny Asan’ny Apostoly dia manampy teny fanamarinana amin’ny an’ny fitantaran’ireo Filazantsara, mba hanamarinana ny maha-azo itokiana sy ny maha-ara-tsindrimandry ny Soratra Hebreo. Rehefa nihananatona ny Pentekosta, dia nanonona ny fahatanterahan’ny faminaniana roa izay “nampilazain’ny Fanahy Masina rahateo an’i Davida ny amin’i Jodasy”, i Petera. (Asa. 1:16, 20; Sal. 69:25; 109:8). Nilaza tamin’ilay vahoaka nitolagaga tamin’ny Pentekosta koa i Petera fa raha ny tena izy, dia vavolombelona nanatri-maso ny fahatanterahan’ny faminaniana izy ireo, tamin’ny hoe: “Izao ilay nampilazaina an’i Joela mpaminany hoe”. — Asa. 2:16-21; Joela 2:28-32; ampitahao amin’ny Salamo 16:8-11 sy Sal. 110:1 koa ny Asan’ny Apostoly 2:25-28.

33. Ahoana no samy nampisehoan’i Petera, i Filipo, i Jakoba ary i Paoly fa ara-tsindrimandry ny Soratra Hebreo?

33 Mba hampiekena ny vahoaka hafa iray tany ivelan’ny tempoly, i Petera dia naka ny fanampian’ny Soratra Hebreo indray, tamin’ny fanononana an’i Mosesy aloha, ary avy eo dia tamin’ny filazana hoe: “Ary ny mpaminany rehetra koa hatramin’i Samoela sy izay nanarakaraka, na iza na iza niteny, dia nanambara izao andro izao.” Tatỳ aoriana, teo anatrehan’ny Synedriona, dia nanonona ny Salamo 118:22 i Petera mba hampisehoana fa tonga “fehizoro” i Kristy, ilay vato nolavin’izy ireo. (Asa. 3:22-24; 4:11). Nanazava tamin’ilay ionoka etiopiana ny fomba nahatanterahan’ny faminanian’ny Isaia 53:7, 8, i Filipo, ary rehefa nahazo fahazavana io, dia nangataka tamim-panetren-tena ny hatao batisa. (Asa. 8:28-35). Toy izany koa, rehefa niresaka tamin’i Kornelio mikasika an’i Jesosy i Petera, dia nanamarina hoe: “Izy no ambaran’ny mpaminany rehetra”. (10:43). Teo am-pandinihana ny raharaha ny amin’ny famorana, dia nanohana ny fanapahan-keviny i Jakoba tamin’ny filazana hoe: “Mifanaraka amin’izany ny tenin’ny mpaminany, araka ny voasoratra hoe”. (15:15-18). Niantehitra tamin’ireo fahefana ireo ihany koa ny apostoly Paoly. (26:22; 28:23, 25-27). Ny fahavononana mihariharin’ireo mpianatra sy ny mpihaino azy hanaiky fa anisan’ny Tenin’Andriamanitra ny Soratra Hebreo dia manamarika tanteraka fa ekena ho ara-tsindrimandry ireo asa soratra ireo.

34. Inona no ahariharin’ny Asan’ny Apostoly mikasika ny kongregasiona kristiana, ary hafa noho izany ve amin’izao andro izao?

34 Mahasoa indrindra ny Asan’ny Apostoly mba hampisehoana ny nanorenana ny kongregasiona kristiana sy ny nitomboany teo ambanin’ny herin’ny fanahy masina. Hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny faran’io fitantarana mampihetsi-po lalina io, dia hitantsika ny fitarana noho ny fitahian’Andriamanitra, ny fahasahiana sy ny fifalian’ireo Kristiana voalohany, ny fijoroany tsy nisy fanekena lembenana teo anatrehan’ny fanenjehana, ary ny fahavononany hanompo, araka ny nasehon’ny ohatr’i Paoly, izay namaly ireo antso hiditra tao amin’ny fanompoana tany an-tany hafa sy hankany Makedonia. (4:13, 31; 15:3; 5:28, 29; 8:4; 13:2-4; 16:9, 10). Tsy misy hafa amin’izany ny kongregasiona kristiana amin’izao andro izao, satria ampiraisin’ny fitiavana sy ny firaisan-tsaina ary ny tombontsoa iombonana rehefa miresaka momba “ny asa lehibe ataon’Andriamanitra” eo ambanin’ny fitarihan’ny fanahy masina. — 2:11, 17, 45; 4:34, 35; 11:27-30; 12:25.

35. Ahoana no ampisehoan’ny Asan’ny Apostoly ny tokony hanaovana ny fanambarana, ary toetra tsara inona eo amin’ny fanompoana no antitranterina?

35 Asehon’ny bokin’ny Asan’ny Apostoly tsara ny fomba tokony hanatanterahana ny asa kristiana anambarana ny Fanjakan’Andriamanitra. Ny tenan’i Paoly dia ohatra iray ny amin’izany, tamin’ny filazana hoe: “Tsy niahotra aho nilaza taminareo na inona na inona tamin’ireo zavatra izay mahasoa, na nampianatra anareo ampahibemaso sy isan-trano.” Avy eo dia nanohy nilaza izy hoe: “Nanao fanambarana feno aho.” Io foto-kevitra ny amin’ny ‘fanaovana fanambarana feno’ io dia manaitra ny saintsika hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny faran’ilay boky, ary hita ho misongadina aoka izany ao amin’ireo fehintsoratra famaranana. Ny fifikiran’i Paoly tamin’ny fony rehetra tamin’ny fitoriany sy ny fampianarany tokoa mantsy, na dia mpifatotra tany an-tranomaizina aza izy, dia porofoin’ireto teny ireto: “Ary izy nilaza sy [nanao fanambarana feno taminy momba, NW ] ny fanjakan’Andriamanitra hatramin’ny maraina ka hatramin’ny hariva, ary ny teny eo amin’ny lalàn’i Mosesy sy ny mpaminany no nitaomany azy hino an’i Jesosy.” Enga anie isika tsy hiroa fo toy izany koa eo amin’ny asantsika mifandray amin’ilay Fanjakana! — 20:20, 21, NW; 28:23; 2:40, NW; 5:42, NW; 26:22, NW.

36. Torohevitr’i Paoly azo ampiharina inona no mihatra amin-kery amin’ireo mpiandraikitra amin’izao andro izao?

36 Ny lahatenin’i Paoly tamin’ireo mpiandraikitra avy tany Efesosy dia mirakitra torohevitra azo ampiharina be dia be ho an’ireo mpiandraikitra amin’izao andro izao. Koa satria notendren’ny fanahy masina ireo, dia zava-dehibe indrindra ny ‘hitandreman’izy ireo ny tenany sy ny ondry rehetra’, amin’ny fiandrasana ny ondry amim-panehoam-pitiavana sy amin’ny fiambenana azy ireo amin’ireo amboadia mpampahory izay mitady ny haharinganany. Tsy andraikitra maivana mihitsy izany! Mila ny miambina sy mampiorina ny tenany amin’ny tenin’ny hatsaram-panahin’Andriamanitra amin’izay tsy mendrika akory, ireo mpiandraikitra. Rehefa mikely aina mba hanampiana ireo izay osa izy ireo, dia “tokony (...) hahatsiaro ny tenin’i Jesosy Tompo, izay manao hoe: ‘Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.’ ” — 20:17-35.

37. Tamin’ny alalan’ny fandrosoana hevitra tamim-pahaiza-mandanjalanja inona no nahavitan’i Paoly nampita ny hevitra tiany holazaina teo amin’ny Areopago?

37 Ireo lahateny hafa nataon’i Paoly koa dia namirapiratra noho ny fandaharany tamin’ny fomba mazava tsara ireo fotopoto-pitsipika ara-baiboly. Ohatra, teo ilay fandrosoana hevitra tao amin’ilay lahateny nataony tamin’ireo Stoika sy ireo Epikoreana teo amin’ny Areopago. Nanonona ilay alitara nisy ilay soratra hoe “Ho an’Izay Andriamanitra tsy fantatra”, aloha izy. Nampiasainy izy io ho antony hanazavana fa ilay hany Andriamanitra marina, ny Tompon’ny lanitra sy ny tany, izay nanao ny firenena rehetra avy tamin’ny iray ihany, dia “tsy mba lavitra antsika rehetra”. Avy eo izy dia nanonona ny tenin’ny mpanao tonon-kiran’izy ireo hoe “Fa terany koa isika”, mba hampisehoana fa mahatsikaiky aoka izany ny fiheverana fa nipoitra avy tamin’ny sampy volamena, volafotsy, na vato tsy nisy aina izy ireo. Araka izany no nanaporofoan’i Paoly tamim-pahaiza-mandanjalanja ny fiandrianan’ilay Andriamanitra velona. Tao amin’ny teny famaranany ihany izy vao nampipoitra ilay raharaha momba ny fitsanganana amin’ny maty, ary na dia tamin’izay aza dia tsy nanonona ny anaran’i Kristy akory izy. Nahavita nampita ny hevitra tiany holazaina momba ny fiandrianana fara tampon’ilay hany Andriamanitra marina izy, ary dia nino ny sasany, ho vokatr’izany. — 17:22-34.

38. Hitarika ho amin’ny fitahiana inona avy ilay karazana fianarana ampirisihan’ny Asan’ny Apostoly?

38 Mampirisika ny hanaovana fianarana mitohy sy amim-pahazotoana ny “Soratra rehetra”, ny bokin’ny Asan’ny Apostoly. Rehefa nitory voalohany tany Beria i Paoly, ny Jiosy tany dia nanaovana teny fiderana hoe ‘tsara toe-panahy’, satria “nandray ny teny tamin’ny zotom-po indrindra ireo ka nandinika ny Soratra Masina isan-andro, na marina izany, na tsia”. (17:11). Amin’izao andro izao, toy ny tamin’izay, io fikarohana ny Soratra Masina iaraha-manao amim-pahadodonana amin’ny kongregasionan’i Jehovah feno ny fanahy io dia hitondra fitahiana, dia fiekena sy finoana matanjaka. Amin’ny alalan’ny fianarana toy izany no hahafahan’ny olona iray ho tonga amin’ny fahatakarana mazava tsara ireo fotopoto-pitsipik’Andriamanitra. Voarakitra an-tsoratra ao amin’ny Asan’ny Apostoly 15:29 ny fanambarana tsara dia tsara momba ny sasany amin’ireo fotopoto-pitsipika ireo. Eto ny fitambara-mpitantana voaforon’ireo apostoly sy loholona tany Jerosalema dia nampahafantatra fa, na dia tsy notakina tamin’ny Isiraely ara-panahy aza ny famorana, dia nisy fandrarana voafaritra tsara ny fanompoan-tsampy sy ny ra ary ny fijangajangana.

39. a) Ahoana no nanatanjahana ireo mpianatra mba hiatrika fanenjehana? b) Teny fanamarinana feno fahasahiana inona no nomen’izy ireo? Nandaitra ve izany?

39 Tena nianatra ireo Soratra ara-tsindrimandry tokoa ireny mpianatra voalohany ireny ary afaka nanonona sy nampihatra azy ireo araka ny nilana izany. Nohatanjahin’ny fahalalana araka ny marina sy ny fanahin’Andriamanitra, mba hiatrika fanenjehana feno halozana izy ireny. Namela ny modely ho an’ny Kristiana mahatoky rehetra i Petera sy i Jaona, rehefa nilaza tamim-pahasahiana toy izao tamin’ireo mpanapaka nanohitra: “Tsaraonareo na marina eo imason’Andriamanitra, na tsia, ny hanaiky anareo mihoatra noho Andriamanitra. Fa izahay tsy maintsy milaza izay zavatra efa hitanay sy renay.” Ary rehefa nentina indray teo anatrehan’ny Synedriona, izay ‘nandrara azy mafy dia mafy’ mba tsy hampianatra tamin’ny anaran’i Jesosy, izy ireo, dia nilaza mazava tsara hoe: “Andriamanitra no tokony hekena mihoatra noho ny olona.” Io teny fanamarinana tsy nisy tahotra io dia nitarika ho amin’ny fanaovana fanambarana tsara dia tsara tamin’ireo mpanapaka, ary nitarika an’ilay mpampiana-dalàna nalaza natao hoe Gamaliela hanao ny fanambarany fantatra tsara ho fiarovana ny fahalalahana hanolotra fanompoam-pivavahana, izay nitarika ho amin’ny fanafahana ireo apostoly. — 4:19, 20; 5:28, 29, 34, 35, 38, 39.

40. Antony manosika inona no omen’ny Asan’ny Apostoly antsika mba hanaovana fanambarana lalina momba ilay Fanjakana?

40 Ny fikasana be voninahitr’i Jehovah mikasika ny Fanjakany, izay hita mitohy toy ny kofehy volamena hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny faran’ny Baiboly manontolo, dia miharihary amin’ny fomba miavaka aoka izany ao amin’ny bokin’ny Asan’ny Apostoly. Eo am-piandohana, i Jesosy dia aseho ho “nilaza ny amin’ny fanjakan’Andriamanitra”, nandritra ireo 40 andro talohan’ny niakarany tany an-danitra. Mba hamaliana ny fanontanian’ireo mpianatra momba ny famerenana ilay Fanjakana tamin’ny laoniny, no nilazan’i Jesosy tamin’izy ireo fa tsy maintsy ho vavolombelony hatramin’ny faran’ny tany aloha izy ireo. (1:3, 6, 8). Nanomboka tany Jerosalema ireo mpianatra nitory ilay Fanjakana tamin’ny fahasahiana tsy nihozongozona. Nitarika ho amin’ny fitoraham-bato an’i Stefana ny fanenjehana ary nampiparitaka maro tamin’ireo mpianatra tany amin’ny faritany vaovao. (7:59, 60). Noraketina an-tsoratra fa i Filipo dia nitory “ny teny soa mahafaly ny amin’ny fanjakan’Andriamanitra” tamim-pahombiazana aoka izany tany Samaria, ary koa fa i Paoly sy ireo niaraka taminy dia nanambara “ny fanjakana” tany Azia, Korinto, Efesosy ary Roma. Namela ohatra namirapiratra ny amin’ny fianteherana tsy nety lefy tamin’i Jehovah sy ny fanahiny manohana, ireny Kristiana voalohany rehetra ireny. (8:5, 12; 14:5-7, 21, 22; 18:1, 4; 19:1, 8; 20:25; 28:30, 31). Rehefa mandinika ny zotom-pony sy ny herim-pony tsy azo resena isika, ka manamarika ny nitahian’i Jehovah tamin’ny fomba tondraka ny ezaka nataony, dia manana antony manosika mahatalanjona mba hahatoky eo ‘am-panaovana fanambarana feno mikasika ny fanjakan’Andriamanitra’. — 28:23, NW.

[Fanamarihana ambany pejy]

a St. Paul the Traveller, 1895, pejy 4.

b Natao fakan-teny tao amin’ny Mifohaza! (anglisy) tamin’ny 22 Jolay 1947, pejy 22-23; jereo koa ny Mifohaza! (anglisy) tamin’ny 8 Aprily 1971, pejy 27-28.

c Auxiliaire pour une meilleure intelligence de la Bible, pejy 111-112, 462-463; Insight on the Scriptures, Boky 2, pejy 748.

d Insight on the Scriptures, Boky 2, pejy 747.

e Insight on the Scriptures, Boky 2, pejy 747.

f Insight on the Scriptures, Boky 2, pejy 747.

g Insight on the Scriptures, Boky 2, pejy 750.

[Fanontaniana]