Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-45 — Romana

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-45 — Romana

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-45 — Romana

Mpanoratra: Paoly

Toerana Nanoratana: Korinto

Vita Tamin’ny: 56 am.f.i. tany ho any

1. Inona no dinihin’i Paoly ao amin’ny taratasiny ho an’ny Romana?

 TAO amin’ny Asan’ny Apostoly isika dia nijery an’i Paoly, mpanenjika nahery setra ny Kristiana jiosy taloha, tonga apostoly be zotom-pon’i Kristy tany amin’ireo firenena tsy jiosy. Eto amin’ny Romana isika dia manomboka ireo boky 14 ao amin’ny Baiboly izay nanomezan’ny fanahy masina tsindrimandry an’io Fariseo taloha io, izay mpanompon’Andriamanitra mahatoky izao, mba hosoratany. Tamin’ny fotoana nanoratan’i Paoly ny Romana, dia efa nahavita dia fitoriana lava roa izy ary efa lasa lavitra teo amin’ny diany fahatelo. Efa nahasoratra taratasy (NW) ara-tsindrimandry dimy hafa koa izy: Ny Tesaloniana Voalohany sy Faharoa, ny Galatiana, ary ny Korintiana Voalohany sy Faharoa. Kanefa, toa mety ny hisehoan’ny Romana alohan’ireo hafa ireo, ao amin’ny Baibolintsika maoderina, satria izy io dia mandinika amin’ny an-tsipiriany ilay fitoviana vaovao nisy teo amin’ny Jiosy sy ny tsy Jiosy, dia ireo kilasin’olona roa nitorian’i Paoly. Manazava ny fiovana lehibe teo amin’ny fifampiraharahan’Andriamanitra tamin’ny vahoakany izy io, ary mampiseho fa ny Soratra Hebreo ara-tsindrimandry dia nanambara efa ela be mialoha fa hambara any amin’ny tsy Jiosy koa ny vaovao tsara (NW ).

2. a) Zava-manahirana inona avy no dinihin’i Paoly ao amin’ny Romana? b) Inona no ampiorenina mafy ato amin’itỳ taratasy itỳ?

2 Namintina hevitra narosony haingana sy fakan-teny sesehena avy tao amin’ireo Soratra Hebreo, tao amin’ny iray amin’ireo boky manan-kery indrindra ao amin’ny Soratra Grika Kristiana, i Paoly, izay nampiasa an’i Tertio ho mpitantsoratra. Tamin’ny alalan’ny fomba fiteny miavaka noho ny hakantony, izy dia nandinika ireo zava-nanahirana nipoitra rehefa nisy Jiosy sy Grika (f.a.p.) nahaforona ireo kongregasiona (NW ) kristiana tamin’ny taonjato voalohany. Moa ve ireo Jiosy nitana ny toerana voalohany, satria hoe taranak’i Abrahama? Moa ve ireo Kristiana matotra, izay nampiasa ny fahafahany avy tamin’ny Lalàn’i Mosesy, nanana zo hanao izay hahatafintohina ireo rahalahiny jiosy osa kokoa, izay mbola nifikitra tamin’ireo fanao fahiny? Ato amin’itỳ taratasiny itỳ, i Paoly dia mampiorina mafy fa mitovy eo anatrehan’Andriamanitra ny Jiosy sy ny tsy Jiosy, ary koa fa ny olona dia hamarinina, tsy amin’ny alalan’ny Lalàn’i Mosesy akory, fa amin’ny alalan’ny finoany an’i Jesosy Kristy sy noho ny hatsaram-panahin’Andriamanitra amin’izay tsy mendrika akory (NW ). Miaraka amin’izany koa, Andriamanitra dia mitaky ny hanehoan’ny Kristiana fanekena araka ny tokony ho izy ny fahefana samihafa manapaka eo aminy.

3. Ahoana no niantombohan’ny kongregasiona tany Roma, ary inona no mety ho antony nahafantaran’i Paoly olona maro be aoka izany tany?

3 Ahoana no niantombohan’ny kongregasionan’i Roma? Nisy fiaraha-monina jiosy lehibe tao Roma, fara faharatsiny hatramin’ny fotoana namaboan’i Pompée an’i Jerosalema tamin’ny 63 al.f.i. Ao amin’ny Asan’ny Apostoly 2:10, dia ambara amin’ny fomba voafaritra tsara fa tany Jerosalema ny sasany tamin’ireny Jiosy ireny tamin’ny Pentekosta taona 33 am.f.i., ary nahare ny fitoriana ny vaovao tsara tao. Nijanona tao Jerosalema ireny mpivahiny niova finoana ireny, mba hianatra avy tamin’ireo apostoly. Tatỳ aoriana, dia tsy isalasalana fa nody tany aminy ireo izay avy tany Roma, ka ny sasany dia azo inoana fa tamin’ny fotoana nipoahan’ny fanenjehana tao Jerosalema. (Asa. 2:41-47; 8:1, 4). Fanampin’izany, dia mpanao dia lavitra ny olona tamin’izany andro izany, ka izany dia mety hanazava ny nahafantaran’i Paoly akaiky mpikambana maro be aoka izany tao amin’ny kongregasionan’i Roma. Nety ho nahare ny vaovao tsara tany Grisia na tany Azia ny sasany tamin’izy ireo, vokatry ny fitorian’i Paoly.

4. a) Fanazavana inona no omen’ny Romana mikasika ilay kongregasiona tao amin’io tanàna io? b) Inona no asehon’ny naha-tao Roma an’i Akoila sy i Prisila?

4 Ao amin’ny taratasin’i Paoly no ahitana ny fanazavana azo itokiana voalohany momba io kongregasiona io. Hita mazava ao fa voaforona Kristiana jiosy sy tsy jiosy ilay kongregasiona ary koa fa mendri-piderana ny zotom-pon’izy ireo. Nilaza tamin’izy ireo izy hoe: “Efa re eran’izao tontolo izao ny lazan’ny finoanareo”, ary koa hoe: “Efa niely any amin’ny olona rehetra ny lazan’ny [fankatoavanareo, NW ]”. (Rom. 1:8; 16:19). I Suétone, izay nanoratra tamin’ny taonjato faharoa, dia nanao tatitra fa, nandritra ny fanapahan’i Klaodio (41 am.f.i. - 54 am.f.i.), dia noroahina avy tao Roma ny Jiosy. Niverina anefa izy ireo tatỳ aoriana, araka ny asehon’ny naha-tao Roma an’i Akoila sy i Prisila. Jiosy hitan’i Paoly tany Korinto izy ireo, izay nandao an’i Roma tamin’ny fotoana nivoahan’ny didin’i Klaodio, kanefa niverina tany Roma tamin’ny fotoana nanoratan’i Paoly ho an’ilay kongregasiona tany. — Asa. 18:2; Rom. 16:3.

5. Zava-misy inona avy no mampiorina ny maha-azo itokiana ny Romana?

5 Tafaorina mafy ny maha-azo itokiana ilay taratasy. Izy io, araka ny lazain’ny teny fampidirana ao aminy, dia avy tamin’i Paoly, “mpanompon’i Jesosy Kristy, voantso ho Apostoly, (...) ho an’izay rehetra any Roma, malalan’Andriamanitra sady voantso no masina”. (Rom. 1:1, 7). Ny tahirin-kevitra ivelany manamarina azy dia anisan’ireo hita tany am-boalohany indrindra ho an’ny Soratra Grika Kristiana. Mampiasa fitenenana maro be aoka izany mitovy amin’ny hita ao amin’ny Romana, i Petera ao amin’ny taratasiny voalohany. Azo inoana anefa fa nosoratany teo anelanelan’ny enina ka hatramin’ny valo taona tatỳ aoriana izy io, hany ka mihevitra ny manam-pahaizana maro fa tsy maintsy ho efa nahita kopia iray tamin’ny Romana izy. Mazava tsara fa noheverina ho anisan’ireo asa soratr’i Paoly ny Romana ary notononin’ny olona toa an’i Clément avy tany Roma sy i Polycarpe avy tany Smyrna ary i Ignace avy tany Antiokia. Izy rehetra ireo dia niaina tany amin’ny faran’ny taonjato voalohany sy tany am-piandohan’ny taonjato faharoa am.f.i.

6. Ahoana no anamarinan’ny taratasy papyrus tranainy iray ny maha-kanônika ny Romana?

6 Hita ao amin’ny kodeksa iray antsoina hoe Papyrus Chester Beatty No. 2 (P46) ny bokin’ny Romana, miaraka amin’ny taratasy valo hafan’i Paoly. Momba io kodeksa tany am-boalohany io, dia hoy ny nosoratan’i Sir Frederic Kenyon: “Eto àry isika dia manana sora-tanana iray mila ho feno amin’ireo Epistilin’i Paoly, izay toa nosoratana tany am-piandohan’ny taonjato fahatelo tany ho any.” a Ireo taratasy papyrus grika ara-baibolin’i Chester Beatty dia tranainy kokoa noho ireo Sora-tanana Sinaïticus sy Vaticanus No. 1209 fantatra tsara, izay samy tamin’ny taonjato fahefatra am.f.i. Samy mirakitra ny bokin’ny Romana koa izy ireo.

7. Inona no porofo ny amin’ny toerana sy ny fotoana nanoratana ny Romana?

7 Oviana ary taiza no nanoratana ny Romana? Tsy misy tsy fitovian-kevitra eo amin’ireo mpivaofy teny ao amin’ny Baiboly raha ny amin’ny nanoratan’i Paoly io taratasy io tany Grisia, azo inoana indrindra fa tany Korinto, fony izy nitsidika tany nandritra ny volana vitsivitsy, tany amin’ny faran’ny dia misionerany fahatelo tany ho any. Manondro an’i Korinto ny porofo anatiny. Nanoratra ilay taratasy tao amin’ny tranon’i Gaio, izay mpikambana tao amin’ny kongregasiona tao, i Paoly, ary nanao teny fiderana an’i Foiby, izay tao amin’ny kongregasionan’i Kenkrea, seranana amoron-dranomasin’i Korinto, teo akaiky teo. Toa i Foiby no nitondra io taratasy io tany Roma. (Rom. 16:1, NW; 23, NW; 1 Kor. 1:14). Ao amin’ny Romana 15:23 (NW ), dia hoy ny nosoratan’i Paoly: “Tsy manana faritany tsy voakasika intsony aho amin’ireto faritra ireto”, ary nasehony tao amin’ilay andininy manaraka fa nikasa ny hanitatra ny asa misionerany tany andrefana izy, tany amin’ny lalana nankany Espaina (Spania). Tena afaka nanoratra toy izany izy tany amin’ny faran’ny diany fahatelo tany ho any, tany am-piandohan’ny taona 56 am.f.i.

LOHA HEVITRA RAKETIN’NY ROMANA

8. a) Inona no lazain’i Paoly momba ny asa nanirahana azy? b) Ahoana no ampisehoany fa na ny Jiosy na ny Grika dia samy mendrika ny fahatezeran’Andriamanitra?

8 Tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra, na eo amin’ny Jiosy na eo amin’ny Jentilisa (1:1–2:29). Inona no nolazain’i Paoly nahazo tsindrimandry tamin’ireo Romana? Ao amin’ireo teny fanokafany izy dia mampahafantatra ny tenany ho apostoly nofidin’i Kristy mba hitory ‘fankatoavana amin’ny alalan’ny finoana’ tany amin’ireo firenena (NW ). Naneho ny faniriana nafana ny hitsidika ireo olona masina tany Roma izy, mba hisian’ny “fifampaherezana” teo amin’izy ireo, ary mba hanambarana tamin’izy ireo ny vaovao tsara izay “herin’Andriamanitra ho famonjena izay rehetra mino”. Araka ny voasoratra efa ela be, ny marina dia ho velona “amin’ny finoana”. (1:5, 12, NW; 16, 17). Na ny Jiosy na ny Grika, hoy ny nasehony, dia samy mendrika ny fahatezeran’Andriamanitra. Tsy azo alan-tsiny ny faharatsian’ny olombelona satria ‘ny [toetrany tsy hita maso, NW ] dia miseho hatramin’ny nanaovana izao tontolo izao’. (1:20). Ireo firenena anefa dia manao amin-kadalana ny zavatra noforonina ho andriamanitra. Kanefa, tsy tokony hitsara mafy ireo firenena ireo Jiosy, satria ny tenany koa aza dia meloka noho ny ota. Hotsaraina araka ny asany avy ireo kilasin’olona roa ireo, satria tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra. Tsy ny famorana ara-nofo akory no lafin-javatra manapaka; “izay araka ny miafina no Jiosy, ary ny famorana dia amin’ny fo”. — 2:29.

9. a) Amin’ny ahoana ny Jiosy no ambony kokoa, kanefa andinin-teny inona avy no nalain’i Paoly mba hampisehoana fa eo ambanin’ny ota avokoa ny rehetra? b) Ahoana àry no hanamarinana ny olona iray, ary ohatra inona no manohana io hevitra arosony io?

9 Finoana no anamarinana ny rehetra (3:1–4:25). “Koa inona ary no tombony ananan’ny Jiosy”? Lehibe izy io, satria ireo Jiosy no nanankinana ireo fanambarana masin’Andriamanitra (NW ). Kanefa, “mpanota avokoa na ny Jiosy na ny Grika”, ary tsy misy “marina” na iray aza eo imason’Andriamanitra. Fakan-teny fito avy amin’ny Soratra Hebreo no atao mba hanaporofoana io hevitra io. (Rom. 3:1, 9-18, f.a.p.; Sal. 14:1-3; 5:9; 140:3; 10:7; Ohab. 1:16; Isaia 59:7, 8; Sal. 36:1). Nahariharin’ny Lalàna ny maha-mpanota ny olombelona, hany ka “tsy misy nofo hohamarinina amin’ny asan’ny lalàna”. Kanefa, noho ny hatsaram-panahin’Andriamanitra amin’izay tsy mendrika akory sy ny fanafahana tamin’ny alalan’ny avotra, na ny Jiosy na ny Grika dia samy ‘hamarinina amin’ny finoana, fa tsy amin’ny asan’ny lalàna’. (Rom. 3:20, 28). Nanohana io hevitra narosony io i Paoly tamin’ny fanononana ny ohatr’i Abrahama, izay nisaina ho marina, tsy noho ny asa na ny famorana, fa noho ny finoany fakan-tahaka. Araka izany, dia tonga “rain’ny olona rehetra izay mino izy”, fa tsy an’ny Jiosy ihany. — 4:11.

10. a) Ahoana no nahatonga ny fahafatesana hanjaka? b) Inona no vokatry ny fankatoavan’i Kristy, kanefa fampitandremana inona no nomena momba ny ota?

10 Tsy mpanompon’ny ota intsony fa mpanompon’ny fahamarinana amin’ny alalan’i Kristy (5:1–6:23). Tamin’ny alalan’ny olona iray, dia i Adama, dia tafiditra tamin’izao tontolo izao ny ota, ary ny ota nitondra fahafatesana, “ka nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra”. (5:12). Nanjaka hatramin’i Adama ka hatramin’i Mosesy ny fahafatesana. Rehefa nomena tamin’ny alalan’i Mosesy ny Lalàna, dia be dia be ny fahotana, ary mbola nanohy nanjaka ny fahafatesana. Vao mainka nihoatra aza anefa izao ny hatsaram-panahin’Andriamanitra amin’izay tsy mendrika akory, ary tamin’ny alalan’ny fankatoavana nasehon’i Kristy, dia maro no hamarinina ho amin’ny fiainana mandrakizay. Tsy fanomezan-dalana hiaina ao anatin’ny ota anefa izany. Ireo izay natao batisa ao amin’i Kristy dia tsy maintsy maty raha ny amin’ny ota. Nohomboana ny toetrany taloha, ary velona ho an’Andriamanitra izy. Tsy manapaka eo aminy intsony ny ota, fa tonga mpanompon’ny fahamarinana kosa izy, hahatanteraka ny fahamasinana. “Fahafatesana no tambin’ny ota; ary fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika.” — 6:23.

11. a) Ahoana no nampisehoan’i Paoly an’ohatra ny fanafahana ny Jiosy kristiana avy tamin’ny Lalàna? b) Inona no nataon’ny Lalàna niharihary, koa zavatra inona avy àry no miady ao amin’ny Kristiana iray?

11 Maty ny amin’ny Lalàna, velona amin’ny fanahy, ao amin’i Kristy (7:1–8:39). Nampiasa ny ohatra ny amin’ny vehivavy manambady iray i Paoly. Fehezin’ny vadiny izy io raha mbola velona koa ralehilahy, fa raha maty kosa ny vadiny, dia afaka manambady olon-kafa izy. Izany dia mba hampisehoana fa, tamin’ny alalan’ny soron’i Kristy, ireo Jiosy kristiana dia natao maty ny amin’ny Lalàna, ka afaka tamin’izany mba ho tonga vadin’i Kristy sy hahavokatra ho an’Andriamanitra. Nahatonga ny ota hiharihary kokoa ilay Lalàna masina, ary ny ota dia nitondra fahafatesana. Ny ota, izay mitoetra ao amin’ny vatantsika ara-nofo, dia miady amin’ny fikasantsika tsara. Milaza izany toy izao i Paoly: “Fa tsy ny tsara izay sitrako no ataoko; fa ny ratsy izay tsy sitrako no ataoko.” Araka izany, dia “tsy izaho intsony no manao izany, fa ny ota izay mitoetra ato amiko”. — 7:19, 20.

12. Ahoana no nahatongavan’ny sasany ho mpiray lova amin’i Kristy, ary amin’inona izy ireo no mpandresy tanteraka?

12 Inona no afaka mamonjy ny olombelona avy amin’io toe-piainana mahonena (NW ) io? Andriamanitra no afaka mamelona ireo izay an’i Kristy amin’ny alalan’ny fanahiny! Natsangana ho zanaka izy ireo, nohamarinina, tonga mpandova an’Andriamanitra sady mpiara-mandova amin’i Kristy, ary nomem-boninahitra. Hoy i Paoly tamin’izy ireo: “Raha Andriamanitra no momba antsika, iza no hahatohitra antsika? Iza no hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’i Kristy?” Tsy misy na dia iray aza! Hoy ny nambarany tamim-pandresena: “Manoatra noho ny mpandresy isika amin’ny alalan’Ilay tia antsika. Fa matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na anjely, na ireo fanapahana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na hery, na ny ambony, na ny ambany, na inona na inona amin’izao zavatra ary rehetra izao, dia tsy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra izay ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika.” — 8:31, 35, 37-39.

13. a) Araka ny faminaniana, iza avy no tafiditra ao amin’ilay tena Isiraelin’Andriamanitra, ary mifanaraka amin’ny fotopoto-pitsipik’Andriamanitra inona izany? b) Nahoana no tsy nahatratra izay nantenaina taminy ny Isiraely ara-nofo, kanefa inona no ilaina mba hahazoana famonjena?

13 Voavonjy noho ny finoana sy ny famindram-pon’Andriamanitra ny “Isiraely” (9:1–10:21). Naneho ‘alahelo mafy’ noho ireo Isiraelita tahaka azy i Paoly, kanefa nekeny fa tsy izay Isiraely ara-nofo rehetra no tena (NW ) “Isiraely”, satria Andriamanitra manana ny fahefana hifidy ho zanany izay rehetra tiany. Araka ny nasehon’ireo fifampiraharahan’Andriamanitra tamin’i Farao sy ny fanoharana ny amin’ilay mpanefy vilany, dia “tsy avy amin’izay maniry na amin’izay mihazakazaka izany, fa avy amin’Andriamanitra Izay miantra”. (9:2, 6, 16). Miantso zanaka izy, ‘tsy avy amin’ny Jiosy ihany, fa avy amin’ny jentilisa koa’, araka ny efa nambaran’i Hosea mialoha hatramin’ny ela be. (Hosea 2:23). Tsy nahatratra izay nantenaina taminy ny Isiraely, satria nitady ny hahazo sitraka tamin’Andriamanitra, “tsy tamin’ny finoana, fa toa tamin’ny asa”, izy ireo sady tafintohina noho i Kristy, ilay “vatolampy mahasolafaka”. (Rom. 9:24, 32, 33). ‘Nazoto ho an’Andriamanitra’ izy ireny, saingy tsy “araka ny fahalalana”. I Kristy no faran’ny Lalàna ho an’ireo izay maneho (NW ) finoana mba hahazoana fahamarinana, ary mba hahazoan’ny olona iray famonjena, dia tsy maintsy manambara ampahibemaso izy fa “i Jesosy no Tompo”, ary haneho finoana fa “nanangana azy tamin’ny maty Andriamanitra”. (10:2, 9, NW ). Irahina ny mpitory mba hahafahan’ny olona avy amin’ny firenena rehetra handre sy hino ary hiantso ny anaran’i Jehovah (NW ) mba ho voavonjy.

14. Inona no nasehon’i Paoly an’ohatra tamin’ny alalan’ilay hazo oliva?

14 Fanoharana ny amin’ilay hazo oliva (11:1-36). Noho ny hatsaram-panahy amin’izay tsy mendrika akory, dia nisy sisa tamin’ny Isiraely ara-nofo nofidina. Kanefa, satria tafintohina ny ankamaroan’izy ireo, dia ‘nisy famonjena ho an’ny jentilisa’. (11:11). Nampiasa ny fanoharana ny amin’ny hazo oliva iray i Paoly mba hampisehoana fa, noho ny tsy finoan’ny Isiraely ara-nofo, dia nisy tsy Jiosy natsofoka. Na dia izany aza, dia tsy tokony hifaly noho ny fandavana ny Isiraely ireo tsy Jiosy, satria raha tsy nitsimbina (NW ) ireo tena sampana tsy nahatoky Andriamanitra, dia tsy hitsimbina ireo sampan’oliva naniry ho azy, izay natsofoka avy tamin’ireo firenena, koa izy.

15. Inona no tafiditra amin’ny fanolorana fanatitra velona ho an’Andriamanitra?

15 Fanavaozana ny saina; ireo manam-pahefana ambony (NW ) (12:1–13:14). Atolory ho fanatitra velona ho an’Andriamanitra ny tenanareo, hoy ny torohevitr’i Paoly. “Aza manaraka ny fanaon’izao tontolo izao” intsony, fa “miovà amin’ny fanavaozana ny saina” kosa. Aza mieboebo. Ny tenan’i Kristy, tahaka ny tenan’olombelona, dia manana rantsambatana (NW ) maro, izay tsy mitovy asa, kanefa miara-miasa amim-piraisan-kina. Aza mamaly ratsy na amin’iza na amin’iza. Avelao ho an’i Jehovah ny famaliana. “Reseo amin’ny soa ny ratsy.” — 12:2, 21.

16. Amin’ny fomba ahoana no tsy maintsy andehanan’ny Kristiana eo anoloan’ireo manam-pahefana sy ny hafa?

16 Maneke ireo manam-pahefana ambony; izany no fandaharan’Andriamanitra. Aza mitsahatra manao tsara ary aza avela hisy tsy voaloa na amin’iza na amin’iza, afa-tsy ny fifankatiavanareo ihany. Mihamanakaiky ny famonjena, koa ‘ario ny asan’ny maizina ary tafio ny fiadian’ny mazava’. (13:12). Mandehana amin’ny fitondran-tena tsara, fa tsy araka ny filan’ny nofo.

17. Inona no torohevitra omena mikasika ny fitsarana sy ny fampaherezana ny osa?

17 Raiso tsy misy fizahan-tavan’olona ny rehetra, ka aza mitsara (14:1–15:33). Mandefera amin’ireo izay, noho ny finoany malemy, dia mifady hanina sasany na mitandrina andro fety sasany. Aza mitsara ny rahalahinao koa, na manafintohina azy amin’izay haninao sy izay sotroinao, satria Andriamanitra no mitsara ny tsirairay. Miezaha hitady ny fiadanana sy ny fifampandrosoana, ary zakao ny fahalemen’ny hafa.

18. a) Fakan-teny fanampiny inona avy no ataon’i Paoly mba hampisehoana ny faneken’Andriamanitra ny tsy Jiosy? b) Ahoana no nandraisan’ny tenan’i Paoly soa avy tamin’ny hatsaram-panahin’Andriamanitra amin’izay tsy mendrika akory?

18 Nanoratra toy izao ilay apostoly: “Izay rehetra voasoratra fahiny dia nosoratana ho fianarantsika”, ary nanome fakan-teny efatra hafa avy tao amin’ny Soratra Hebreo ho porofo farany fa ireo mpaminany nahazo tsindrimandry dia efa nanambara mialoha hatramin’ny ela be fa hiitatra any amin’ireo firenena tsy jiosy ireo fampanantenan’Andriamanitra. (Rom. 15:4, 9-12; Sal. 18:49; Deot. 32:43; Sal. 117:1; Isaia 11:1, 10). “Koa mifandraisa hianareo”, hoy ny fananaran’i Paoly, “tahaka ny nandraisan’i Kristy anareo koa ho voninahitr’Andriamanitra.” (Rom. 15:7). Naneho fankasitrahana noho ny nanehoan’Andriamanitra taminy hatsaram-panahy amin’izay tsy mendrika akory i Paoly, dia ny mba ho mpanompo ho an’ny firenena, ‘nanao fanompoam-pivavahana tamin’ny fitoriana ny filazantsaran’Andriamanitra’. Ny hanokatra faritany vaovao foana no nokatsahiny, fa tsy ny ‘hanovona teo ambonin’izay efa naorin’ny sasany’ akory. Ary mbola tsy vita ny asany, satria mbola nikasa ny hanao dia fitoriana lehibe kokoa ihany hatrany Espaina izy, rehefa avy nitondra vola fiantrana tany Jerosalema. Teny an-dalana ho any Espaina, izy dia nikasa koa ny hitondra “ny fahafenoan’ny fitahian’i Kristy” ho an’ireo rahalahiny ara-panahy tany Roma. — 15:16, 20, 29.

19. Fiarahabana sy fananarana inona avy no mamarana ilay taratasy?

19 Fampamangiana famaranana (16:1-27). Nandefa fanaovam-beloma manokana ho an’ny mpikambana 26 samy hafa, notononiny anarana, tao amin’ny kongregasionan’i Roma, sy ny hafa koa, i Paoly. Nananatra azy ireo koa izy mba hiala amin’ireo izay niteraka fisarahana ary koa mba ‘ho hendry amin’izay tsara, ary tsy hiharo amin’izay ratsy’. Ny zava-drehetra dia ho voninahitr’Andriamanitra “amin’ny alalan’i Jesosy Kristy mandrakizay mandrakizay. Amena”. — 16:19, 27.

MAHASOA — NAHOANA?

20. a) Antony araka ny fandrindran-kevitra inona no omen’ny Romana mba hinoana an’Andriamanitra? b) Ahoana no nampisehoana an’ohatra ny fahamarinan’Andriamanitra sy ny famindram-pony, ary nitarika an’i Paoly hihiaka hoe ahoana izany?

20 Manolotra fototra araka ny fandrindran-kevitra ho an’ny finoana an’Andriamanitra ny bokin’ny Romana, amin’ny fanambarana fa “ny [toetrany tsy hita maso, NW ], dia ny heriny mandrakizay sy ny maha-Andriamanitra Azy, dia miseho hatramin’ny nanaovana izao tontolo izao, fa fantatra amin’ny zavatra nataony”. Tsy izay ihany anefa, fa mbola manandratra ny fahamarinany ihany koa izy, ary mampahafantatra ny famindram-pony lehibe sy ny hatsaram-panahiny lehibe amin’izay tsy mendrika akory. Sarihina ho amin’izany amin’ny fomba kanto ny saintsika, amin’ny alalan’ny fanoharana ny amin’ilay hazo oliva. Anatsofohana sampana naniry ho azy izy io, rehefa esorina ireo sampany tena izy. Teo am-pisaintsainana momba io toetra hentitra sy hatsaram-panahin’Andriamanitra io i Paoly, dia nihiaka hoe: “Endrey ny halalin’ny haren’Andriamanitra sy ny fahendreny ary ny fahalalany! ny fitsarany tsy hita lany, ary ny làlany tsy azo fantarina!” — 1:20; 11:33.

21. Ahoana no ampisehoan’ny Romana ny fitohin’ny fizotran’ny zava-miafina masin’Andriamanitra?

21 Nifandray tamin’izany no nanazavan’ny bokin’ny Romana ny fitohin’ny fizotran’ilay zava-miafina masin’Andriamanitra. Ao amin’ny kongregasiona kristiana, dia tsy misy fanavahana (NW ) intsony eo amin’ny Jiosy sy ny Jentilisa, fa azon’ny olona avy amin’ny firenena rehetra atao ny mandray soa avy amin’ny hatsaram-panahin’i Jehovah amin’izay tsy mendrika akory, amin’ny alalan’i Jesosy Kristy. “Tsy misy fizahan-tavan’olona amin’Andriamanitra.” “Izay araka ny miafina no Jiosy, ary ny famorana dia amin’ny fo, amin’ny fanahy, fa tsy amin’ny soratra”. “Tsy misy hafa, na Jiosy na jentilisa, fa iray ihany no Tompon’izy rehetra, sady manan-karena homeny izay rehetra miantso Azy Izy.” Amin’izy rehetra ireo, dia ny finoana, fa tsy ny asa, no anamarinana azy ireo. — 2:11, 29; 10:12; 3:28.

22. Torohevitra azo ampiharina inona no omen’ny Romana mikasika ny fifandraisana amin’ireo izay any ivelan’ny kongregasiona?

22 Ny torohevitra azo ampiharina raketin’itỳ taratasy ho an’ireo Kristiana tany Roma itỳ, dia mahasoa tahaka izany koa ho an’ny Kristiana amin’izao andro izao. Voatery miatrika zava-manahirana mitovy amin’ny azy eo amin’ny tontolo iray tsy mahazatra koa mantsy izy ireo. Anarina ny Kristiana mba ‘hihavana amin’ny olona rehetra’, anisan’izany ireo izay any ivelan’ny kongregasiona. Tsy maintsy ‘manaiky ireo manam-pahefana ambony’ ny fanahy (âme) rehetra, satria fandaharan’Andriamanitra izy ireo ary zavatra natao hatahorana, tsy ho an’ireo manara-dalàna akory, fa ho an’ireo izay manao zava-dratsy. Tokony hanaiky sy hanara-dalàna ny Kristiana, tsy noho ny tahotra ny sazy fotsiny, fa noho ny fieritreretana kristiana. Noho izany, dia mandoa ny vola hetrany izy ireo, mandoa izay tokony haloany, manatontosa ny adidiny, tsy mamela hisy tsy voaloa na amin’iza na amin’iza, ‘afa-tsy ny fifankatiavany ihany’. Ny fitiavana no mahatanteraka ny Lalàna. — 12:17-21; 13:1-10, NW.

23. Ahoana no anantitranteran’i Paoly ny maha-zava-dehibe ny fanambarana ampahibemaso, ary ohatra inona no omeny mba hiomanana ho amin’ny fanompoana?

23 Manantitrantitra ny amin’ny fanaovana teny fanamarinana ampahibemaso i Paoly. Na dia amin’ny fo aza no anehoan’ny olona iray finoana mba hahazoana fahamarinana, dia amin’ny vava no anaovany fanambarana ampahibemaso mba hahazoana famonjena. “Izay rehetra miantso ny anaran’[i Jehovah, NW ] no hovonjena.” Mba hitrangan’izany anefa, dia ilaina ny handehanan’ny mpitory sy ‘hilazany teny soa mahafaly’. Sambatra isika raha anisan’ireo mpitory ireo, izay tonga “hatramin’ny faran’izao rehetra izao” ny feony! (10:13, 15, 18). Ary ho fiomanana ho amin’io asa fitoriana io, dia enga anie isika hiezaka hahafantatra tsara ireo Soratra ara-tsindrimandry, sahala amin’i Paoly, satria ao amin’io andalan-teny tokana io, (10:11-21), izy dia manao fakan-teny tsy an-kijanona avy ao amin’ny Soratra Hebreo. (Isaia 28:16; Joela 2:32; Isaia 52:7; 53:1; Sal. 19:4; Deot. 32:21; Isaia 65:1, 2). Tena nety tsara ny nilazany hoe: “Izay rehetra voasoratra fahiny dia nosoratana ho fianarantsika hananantsika ny fanantenana amin’ny faharetana sy ny fiononana avy amin’ny Soratra Masina.” — Rom. 15:4.

24. Torohevitra inona no omen’i Paoly mba hanorenana zotom-po sy fifandraisana sambatra ao amin’ny kongregasiona?

24 Misy torohevitra mahatalanjona azo ampiharina omena momba ny fifandraisana ao amin’ny kongregasiona kristiana. Na inona na inona fiaviany ara-pirenena, ara-pirazanana na ara-tsosialy teo aloha, ny rehetra dia tsy maintsy manavao ny sainy mba hanolorana fanompoana masina ho an’Andriamanitra araka ny ‘sitrapony, dia izay tsara sady ankasitrahana no marina’. (11:17-22; 12:1, 2). Fahalalana ny antonony azo ampiharina toy inona moa no hita taratra amin’ny torohevitr’i Paoly rehetra ao amin’ny Romana 12:3-16! Tena fananarana faran’izay tsara mba hanorenana zotom-po sy fanetren-tena ary fitiavana ao amin’ny rehetra ao amin’ny kongregasiona kristiana tokoa no atolotra eto. Ao amin’ireo toko famaranana i Paoly dia manome fananarana mafy mba hitandremantsika tena amin’ireo izay mahatonga fisarahana sy mba hialantsika amin’izy ireny. Miresaka koa anefa izy momba ny fifampifaliana sy ny fifamelombelomana, izay azo avy amin’ny fifaneraserana madio ao amin’ny kongregasiona. — 16:17-19; 15:7, 32.

25. a) Fomba fijery araka ny tokony ho izy inona ary fahazoana hevi-javatra fanampiny inona no omen’ny Romana mikasika ny Fanjakan’Andriamanitra? b) Amin’ny lafiny inona avy no tokony handraisantsika soa avy amin’ny fianarana ny Romana?

25 Amin’ny maha-Kristiana antsika, isika dia tsy maintsy manohy mitandrina ny fifandraisantsika eo amintsika samy isika. “Fa ny fanjakan’Andriamanitra dia tsy amin’ny fihinanana sy ny fisotroana, fa fahamarinana sy fiadanana ary fifaliana ao amin’ny Fanahy Masina.” (14:17). Hahazo io fahamarinana sy fiadanana ary fifaliana io indrindra indrindra ireo “mpiray lova amin’i Kristy”, izay “hiara-manam-boninahitra” aminy ao amin’ilay Fanjakana any an-danitra. Mariho koa fa ny Romana dia manondro dingana fanampiny iray teo amin’ny fahatanterahan’ilay fampanantenana ny amin’ilay Fanjakana nomena tany Edena, amin’ny filazana hoe: “Andriamanitry ny fiadanana hanorotoro an’i Satana faingana eo ambanin’ny tongotrareo.” (Rom. 8:17; 16:20; Gen. 3:15). Amin’ny finoana ireo fahamarinana lehibe ireo, dia enga anie isika hanohy ho feno ny fifaliana sy ny fiadanana rehetra ary hitombo amin’ny fanantenana. Aoka ny fahatapahan-kevitsika dia ny hivoaka ho mpiara-mandresy amin’ilay Taranaka handova ilay Fanjakana, satria matoky isika fa tsy misy na inona na inona, na any an-danitra na etỳ an-tany, “na inona na inona amin’izao zavatra ary rehetra izao, (...) hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra izay ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika”. — Rom. 8:39; 15:13.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Our Bible and the Ancient Manuscripts, 1958, pejy 188.

[Fanontaniana]