Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-46 — 1 Korintiana

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-46 — 1 Korintiana

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-46 — 1 Korintiana

Mpanoratra: Paoly

Toerana Nanoratana: Efesosy

Vita Tamin’ny: 55 am.f.i. tany ho any

1. Karazana tanàn-dehibe toy inona moa i Korinto tamin’ny andron’i Paoly?

 I KORINTO dia “tanàn-dehibe nalaza sady fatra-pitia zava-tsoa, izay nihaonan’ireo fanao ratsin’ny Atsinanana sy ny Andrefana”. a Teo amin’ilay andilan-tany ety teo anelanelan’i Peloponezy sy i Grisia teo amin’ny kontinenta no nisy an’i Korinto, ary avy teo aminy no niala ilay lalana an-tanety nankany amin’ny kontinenta. Tamin’ny andron’ny apostoly Paoly, dia ny isan’ny mponin’i Roma sy i Aleksandria ary i Antiokia tany Syria ihany no nihoatra ny isan’ny mponina 400 000 teo ho eo tao aminy. Tany atsinanan’i Korinto ny Ranomasina Egée, ary tany andrefana ny Helo-dranomasin’i Korinto sy ny Ranomasina Ioniana. Koa i Korinto àry, izay renivohitry ny provansin’i Akaia, niaraka tamin’ireo seranany roa, i Kenkrea sy i Léchée, dia nitana toerana stratejika lehibe teo amin’ny ara-barotra. Foiben’ny fahaizana grika koa izy io. “Nankalazaina aoka izany ny hareny”, hoy ny voalaza, “hany ka nanjary ohabolana; toy izany koa ny fanao ratsy sy ny filiban’ny mponina tao aminy.” b Anisan’ireo fanaon’ny fanompoan-tsampiny ny fivavahana tamin’i Aphrodite (izay nifanitsy tamin’i Vénus-n’ny Romana). Vokatra avy tamin’ny fanompoam-pivavahana korintiana ny fanarahana ny filan’ny nofo.

2. Ahoana no niorenan’ny kongregasionan’i Korinto, ka noho izany, fatorana nanao ahoana no nananan’i Paoly taminy?

2 Tany amin’io renivohitra niroborobo kanefa nikororosy ara-pitondran-tena teo amin’ny tontolo romana io no nandehanan’ny apostoly Paoly tany amin’ny 50 am.f.i. tany ho any. Nandritra ireo 18 volana nivahiniany tany, dia nisy kongregasiona (NW ) kristiana iray niorina tany. (Asa. 18:1-11). Fitiavana toy inona moa no tsapan’i Paoly ho an’ireo mpino ireo izay nitondrany ny vaovao tsara (NW ) momba an’i Kristy voalohany! Nampahatsiahiviny azy ireo an-taratasy (NW) ilay fatorana ara-panahy nisy, tamin’ny filazana hoe: “Na dia manana mpampianatra iray alina ao amin’i Kristy aza hianareo, dia tsy maro ray hianareo; fa izaho no niteraka anareo ao amin’i Kristy Jesosy tamin’ny [vaovao tsara, NW ].” — 1 Kor. 4:15.

3. Inona no nanosika an’i Paoly hanoratra ny taratasiny voalohany ho an’ireo Korintiana?

3 Fiahiana lalina ny fahasalaman’izy ireo ara-panahy no nanosika an’i Paoly hanoratra ny taratasiny voalohany ho an’ireo Kristiana korintiana teo am-panaovana ny dia misionerany fahatelo. Taona vitsivitsy no lasa hatramin’ny nivahiniany tany Korinto. Ny taona 55 am.f.i. tany ho any izao, ary tany Efesosy no nisy an’i Paoly. Toa avy naharay taratasy iray avy tamin’ny kongregasionan’i Korinto mbola vaovao ihany, izy ary nitaky valiny izy io. Ankoatra izany, dia nisy tatitra nanelingelina tonga tany amin’i Paoly. (7:1; 1:11; 5:1; 11:18). Nampahory aoka izany izy ireo, hany ka tsy nanisy firesahana momba ny fanontaniana an-taratasy nataon’izy ireo akory izy raha tsy teo amin’ny andininy fanokafana ny toko faha-7 andininy 1 tamin’ny taratasiny. Noho ireo tatitra voarainy indrindra no nahatsiarovan’i Paoly ho voatery hanoratra ho an’ireo Kristiana namany tany Korinto.

4. Inona no manaporofo fa nanoratra ny Korintiana Voalohany tany Efesosy i Paoly?

4 Ahoana anefa no ahafantarantsika fa nanoratra ny Korintiana Voalohany tany Efesosy i Paoly? Voalohany aloha, rehefa namarana ny taratasiny tamin’ny alalan’ny fanaovam-beloma (NW ) ilay apostoly, dia nampidiriny tamin’izany i Akoila sy i Prisila. (16:19). Asehon’ny Asan’ny Apostoly 18:18, 19 fa nifindra avy tany Korinto nankany Efesosy izy ireo. Koa satria nipetraka tao i Akoila sy i Prisila ary nampidirin’i Paoly tao amin’ireo fanaovam-beloma famaranana ny Korintiana Voalohany, dia tsy maintsy ho tao Efesosy izy, fony nanoratra io taratasy io. Ny hevitra iray izay tsy mamela hisalasala ny amin’izany mihitsy anefa dia izao fanambaran’i Paoly ao amin’ny 1 Korintiana 16:8 izao: “Nefa hitoetra [eto, NW ] Efesosy aho mandra-pihavin’ny Pentekosta”. Koa nosoratan’i Paoly tany Efesosy àry ny Korintiana Voalohany, toa tany amin’ny faramparan’ny fivahiniany tany.

5. Inona no mampiorina ny maha-azo itokiana ireo taratasy ho an’ireo Korintiana?

5 Tsy azo iadian-kevitra ny maha-azo itokiana ny Korintiana Voalohany, ary koa ny an’ny Korintiana Faharoa. Nolazaina fa nosoratan’i Paoly ireo taratasy ireo ary neken’ireo Kristiana tany am-boalohany ho kanônika, ka nampidiriny tao amin’ireo fitambaram-bokiny. Raha ny marina aza, ny Korintiana Voalohany dia voalaza fa noresahina tsy nivantana sy nakana teny inenina fara fahakeliny, tao amin’ny taratasy iray avy tany Roma ho any Korinto, tamin’ny 95 am.f.i. tany ho any, ary nantsoina hoe Clément Voalohany. Nanisy firesahana miharihary momba ny Korintiana Voalohany ilay mpanoratra, ka nampirisika mafy ireo nandefasany io taratasy io mba “handray ny epistolan’i Paoly ilay voatahy, dia ilay apostoly”. c Nakan’i Justin le Martyr, i Athénagore, i Irénée ary i Tertullien teny mivantana koa ny Korintiana Voalohany. Misy porofo mahery fa ny fitambaran’ireo taratasin’i Paoly, anisan’izany ny Korintiana Voalohany sy Faharoa, dia “namboarina ary natonta tao anatin’ireo folo taona farany tamin’ny taonjato voalohany”. d

6. Zava-nanahirana inona avy no nisy tao amin’ny kongregasionan’i Korinto, ary inona no nahaliana an’i Paoly indrindra?

6 Manome antsika fahafahana hijery ny tao anatin’ilay kongregasionan’i Korinto mihitsy ny taratasy voalohan’i Paoly ho an’ireo Korintiana. Niatrika zava-nanahirana ireo Kristiana ireo, ary nanana fanontaniana tsy maintsy nalamina. Nisy fisaratsarahana teo anivon’ilay kongregasiona, satria nanaraka olona ny sasany. Nisy fahalotoam-pitondran-tena momba ny lahy sy ny vavy nahatsiravina nipoitra. Ny sasany niaina tao amin’ny tokantrano voazarazara ara-pivavahana. Tokony hitoetra amin’ny vadiny tsy mpino ve izy ireo sa hisaraka aminy? Ary ahoana ny amin’ny fihinanana hena naterina ho an’ny sampy? Tokony handray anjara amin’izany ve izy ireo? Nila torohevitra momba ny fitarihana ny fivoriany, anisan’izany ny fankalazana ny Sakafo Harivan’ny Tompo, ireo Korintiana. Inona no tokony ho toeran’ny vehivavy ao amin’ny kongregasiona? Avy eo koa, dia nisy ireo izay nanda ny fitsanganana amin’ny maty, teo anivon’izy ireo. Maro ireo zava-nanahirana. Ny tena nahaliana ilay apostoly indrindra anefa dia ny hamerina tamin’ny laoniny ny toe-piainana ara-panahin’ireo Korintiana.

7. Toe-tsaina manao ahoana no tokony hoentintsika mandinika ny Korintiana Voalohany, ary nahoana?

7 Manana ny mifanitsy aminy maoderina ireo toe-piainana tao anatin’ny kongregasiona sy ny rivo-piainana tany ivelany, tao amin’ny tanànan’i Korinto fahiny, niaraka tamin’ny fanambinany sy ny fanaranam-pony tamin’ny fahalotoam-pitondran-tena. Noho izany, dia tsy maintsy misarika ny saintsika ny torohevitra faran’izay tsara nosoratan’i Paoly teo ambanin’ny tsindrimandrin’Andriamanitra. Feno heviny ho an’ny androntsika àry izay nolazain’i Paoly, hany ka ho hita fa hahasoa tokoa ny fandinihana amim-pisaintsainana ny taratasiny voalohany ho an’ireo rahalahy sy anabavy malalany tany Korinto. Tadidio ilay toe-tsaina nanjaka tamin’izay fotoana izay sy teo amin’ilay toerana. Mieritrereta lalina, toy ny tsy maintsy ho nataon’ireo Kristiana korintiana, eo am-pandinihantsika indray ireo teny lalina sy mandrisika ary ara-tsindrimandry nataon’i Paoly ho an’ireo mpiray finoana taminy tany Korinto fahizay.

LOHA HEVITRA RAKETIN’NY KORINTIANA VOALOHANY

8. a) Ahoana no nanalan’i Paoly sarona ny maha-hadalana ny fitokotokoana tao amin’ilay kongregasiona? b) Inona no nasehon’i Paoly fa tena ilaina mba hahazoana ny hevitr’ireo zavatr’Andriamanitra?

8 Nalan’i Paoly sarona ny fitokotokoana, nampirisihany ny firaisan-kina (1:1–4:21). Naniry soa ho an’ireo Korintiana i Paoly. Ahoana anefa ny amin’ireo fisaratsarahana, ireo fifampiandaniana, teo amin’izy ireo? “Hita ho voazarazara i Kristy.” (1:13, NW ). Nisaotra an’Andriamanitra ilay apostoly fa vitsy aoka izany tamin’izy ireo no nataony batisa, hany ka tsy afaka nilaza izy ireo fa natao batisa tamin’ny anarany. Nitory an’i Kristy voahombo tamin’ny hazo fijaliana i Paoly. Fahatafintohinana tamin’ny Jiosy ary fahadalana tamin’ny jentilisa izany. Ny adala sy ny malemy eo amin’izao tontolo izao anefa no nofidin’Andriamanitra mba hampahamenatra ny hendry sy ny mahery. Tsy nampiasa teny marevaka àry i Paoly fa namela ireo rahalahy hahita ny fanahy sy ny herin’Andriamanitra tao amin’ireo teniny, mba hiorenan’ny finoan’izy ireo, tsy amin’ny fahendren’ny olona, fa amin’ny herin’Andriamanitra ihany. Milaza ny zavatra nambaran’ny fanahin’Andriamanitra isika, hoy i Paoly, “fa ny Fanahy mamantatra ny zavatra rehetra, na dia ny saina lalina izay an’Andriamanitra aza”. Ilay olona araka ny fanahy ihany no hahazo ny hevitr’izy ireo, fa tsy ilay olona araka ny nofo. — 2:10.

9. Hevitra naroson’i Paoly inona no mampiseho fa tsy tokony hisy hanao olona ho reharehany?

9 Nanaraka olona izy ireo — ny sasany an’i Apolosy, ny hafa an’i Paoly. Iza anefa ireo? Mpanompo ihany, izay nahatonga ireo Korintiana ho mpino. Tsinontsinona izay namboly sy nandena, fa “Andriamanitra no nampitombo”, ary “mpiara-miasa” taminy izy ireo. Ny fitsapana amin’ny alalan’ny afo dia hanaporofo hoe ny asan’iza no maharitra. Nilaza tamin’izy ireo i Paoly hoe “tempolin’Andriamanitra hianareo”, izay nitoeran’ny fanahiny. “Ny fahendren’izao tontolo izao dia fahadalana eo anatrehan’Andriamanitra”. Noho izany, dia aza misy manao olona ho reharehany, fa an’Andriamanitra ny zavatra rehetra. — 3:6, 9, 16, 19.

10. Nahoana no tsy nitombina ny fireharehan’ireo Korintiana, ary dingana inona avy no nataon’i Paoly mba hanarenana ny tarehin-javatra?

10 I Paoly sy i Apolosy dia mpitandrin-draharaha nanetry tena ny zava-miafin’Andriamanitra, ary ny mpitandrin-draharaha dia tokony ho olona mahatoky. Iza moa ireo rahalahy tany Korinto no hirehareha, ary inona moa no nananany, izay tsy noraisiny? Moa ve izy ireo efa tonga nanankarena sy nanomboka nanjaka ary tonga hendry sy nahery aoka izany sahady, kanefa ireo apostoly aza, izay natao ho fizahan’ny anjely sy ny olona, dia mbola adala sady malemy, dia ny faikan’ny olona rehetra? Nirahin’i Paoly ho any amin’izy ireo i Timoty mba hanampy azy ireo hahatadidy ny fanaony tao amin’i Kristy ka hanahaka azy. Raha sitrapon’i Jehovah (NW ), dia i Paoly mihitsy no ho avy faingana ka hahafantatra izay herin’ireo mpirehareha ireo, fa tsy ny fiteniny fotsiny.

11. Fahalotoam-pitondran-tena inona no nipoitra teo amin’izy ireo, inona no tsy maintsy natao momba azy io, ary nahoana?

11 Momba ny fihazonana ny kongregasiona ho madio (5:1–6:20). Nisy fahalotoam-pitondran-tena nahatsiravina teo amin’ireo Korintiana nanaovana tatitra! Naka ny vadin-drainy ny lehilahy iray. Tsy maintsy hatolotra ho an’i Satana izy satria ny masirasira kely dia mahazo ny vongana rehetra. Tsy maintsy nitsahatra (NW ) tsy nifanerasera tamin’izay rehetra nantsoina hoe rahalahy kanefa ratsy fanahy, izy ireo.

12. a) Ahoana no nanoheran’i Paoly ny fifampitondrana tany amin’ny fitsarana? b) Nahoana i Paoly no nilaza hoe: “Mandosira ny fijangajangana”?

12 Nifampitondra tany amin’ny fitsarana mihitsy aza ireo Korintiana! Tsy ho tsara kokoa ve ny haharitra hambakaina? Koa satria hitsara izao tontolo izao sy anjely izy ireo, moa ve izy ireo tsy nahita olona iray teo aminy mba hitsara (NW ) ny adin’ny mpirahalahy? Tsy izay ihany anefa, fa tokony ho madio izy ireo, satria ny mpijangajanga sy ny mpanompo sampy ary ny toy izany, dia tsy handova ny Fanjakan’Andriamanitra. Toy izany ny sasany tamin’izy ireo, saingy efa voasasa sy nohamarinina. “Mandosira ny fijangajangana”, hoy i Paoly. “Fa olom-boavidy hianareo, koa dia mankalazà an’Andriamanitra amin’ny tenanareo.” — 6:18, 20.

13. a) Nahoana i Paoly no nanoro hevitra ny sasany mba hanambady? Raha vao nanambady anefa izy ireo, dia inona no tokony hataony? b) Amin’ny ahoana ny mpitovo no “manao tsaratsara kokoa”?

13 Torohevitra momba ny fitoerana ho mpitovo sy ny fanambadiana (7:1-40, ampitahao amin’ny NW.) Namaly fanontaniana iray momba ny fanambadiana i Paoly. Noho ny fihanaky ny fijangajangana, dia mety ho fahendrena ny hanambadian’ny lehilahy iray na ny vehivavy iray, ary ireo izay manambady dia tsy tokony hisakana ny vadiny tsy hahazo izay tokony homena azy amin’ny maha-vady azy. Tsara ny hitoeran’ny tsy manambady sy ny mpitondratena ho mpitovo, tahaka an’i Paoly; kanefa raha tsy manana fifehezan-tena izy ireo, dia aoka hanambady. Raha vao mivady izy ireo, dia tokony hiara-mitoetra. Na dia tsy mpino aza ny vadiny, dia tsy tokony hiala aminy ilay mpino, satria mety hamonjy ilay vadiny tsy mpino izy. Raha ny amin’ny famorana sy ny maha-mpanompo, dia aoka ny olona rehetra samy hitoetra eo amin’izay toerana efa niantsoana azy ihany. Raha ny amin’ilay olona manambady, dia voazarazara izy, satria maniry hahafaly ny vadiny, fa ilay mpitovo kosa dia tsy miahy afa-tsy ireo zavatry ny Tompo. Tsy manota akory ireo izay manambady, kanefa ireo izay tsy manambady dia “manao tsaratsara kokoa”. — 7:38.

14. Inona no nolazain’i Paoly momba ireo “andriamanitra” sy “tompo”, kanefa amin’ny fotoana toy inona no fahendrena ny hifadiana hanina naterina tamin’ny sampy?

14 Fanaovana ny zavatra rehetra noho ny vaovao tsara (8:1–9:27). Ahoana ny amin’ny hanina naterina ho an’ny sampy? Tsinontsinona akory ny sampy! Misy “andriamanitra” sy “tompo” maro eo amin’izao tontolo izao, fa amin’ny Kristiana kosa, dia tsy misy afa-tsy “Andriamanitra iray ihany, dia ny Ray”, sy ‘Tompo iray, dia i Jesosy Kristy’. (8:5, 6). Kanefa mety ho tafintohina ny olona iray mahita anao mihinana hena naterina ho an’ny sampy iray. Amin’ireo toe-javatra ireo, hoy ny torohevitr’i Paoly, dia fadio ilay izy mba tsy hanafintohinanao ny rahalahinao.

15. Ahoana no nitondran’i Paoly tena teo amin’ny fanompoana?

15 Nanda zavatra maro tsy ho an’ny tenany i Paoly noho ny fanompoana. Tamin’ny naha-apostoly azy, dia nanana zo “hahazo fivelomana amin’ny vaovao tsara” izy; tsy nanao izany anefa izy. Kanefa tsy maintsy nitory izy; raha ny marina aza, dia nilaza izy hoe: “Lozako, raha tsy mitory ny vaovao tsara aho!” Koa nataony ho mpanompon’ny olona rehetra àry ny tenany, ka tonga ‘zavatra rehetra tamin’ny olona rehetra izy mba hamonjeny ny sasany na iza na iza’, tamin’ny fanaovana ny zavatra rehetra “noho ny vaovao tsara”. Mba handreseny tamin’ilay fihazakazahana sy hahazoany ilay satroboninahitra tsy mety lo, dia nandevilevy ny tenany izy, fandrao, rehefa avy nitory tamin’ny sasany, dia ny tenany indray no ‘holavina’. — 9:14, NW, 16, NW, 19, 22, 23, NW, 27.

16. a) Fampitandremana inona no tokony horaisin’ny Kristiana avy amin’ireo ‘razambe’? b) Raha ny amin’ny fanompoan-tsampy, ahoana no mety hanaovan’ny Kristiana ny zavatra rehetra ho voninahitr’Andriamanitra?

16 Fampitandremana amin’ny zava-dratsy (10:1-33). Ahoana ny amin’ireo ‘razambe’? Izy ireo dia teo ambanin’ny rahona ary natao batisa ho amin’i Mosesy. Tsy nahazo sitraka tamin’Andriamanitra ny ankamaroan’izy ireo, fa naringana tany an’efitra. Fa nahoana? Mpila zava-dratsy izy ireny. Tokony haka fampitandremana avy amin’izany ny Kristiana ary hifady ny fanompoan-tsampy sy ny fijangajangana, ny fakana fanahy an’i Jehovah ary ny fimonomononana. Izay manao azy fa mijoro tsara dia tokony hitandrina fandrao ho lavo. Ho avy ny fakam-panahy, kanefa Andriamanitra tsy hamela ny mpanompony halaim-panahy mihoatra noho izay zakany; hanisy lalana hahafahana mba hahazakana izany izy. “Koa amin’izany”, hoy ny nosoratan’i Paoly, dia “mandosira ny fanompoan-tsampy.” (10:1, 14). Tsy mahazo mihinana amin’ny latabatr’i Jehovah sy ny latabatry ny demonia isika. Kanefa, raha toa ka mihinana any an-tranon’olona ianao, dia aza manontany ny amin’ny niavian’ilay hena. Fa raha misy mampahafantatra anao kosa hoe naterina ho an’ny sampy ilay izy, dia aza homana noho ny amin’ny fieritreretan’izany olona izany. “Ataovy ho voninahitr’Andriamanitra izany rehetra izany”, hoy ny nosoratan’i Paoly. — 10:31.

17. a) Fotopoto-pitsipika inona no nosoritan’i Paoly mikasika izay lohany? b) Ahoana no nampifandraisany ny raharaha momba ny fisarahana tao amin’ilay kongregasiona tamin’ny fandinihana momba ny Sakafo Harivan’ny Tompo?

17 Izay lohany; ny Sakafo Harivan’ny Tompo (11:1-34). “Aoka hanahaka ahy hianareo, dia tahaka ny anahafako an’i Kristy”, hoy ny nambaran’i Paoly, ary avy eo dia nanomboka nanoritra ny fotopoto-pitsipik’Andriamanitra ny amin’izay lohany izy: Ny lehilahy no lohan’ny vehivavy, i Kristy no lohan’ny lehilahy, Andriamanitra no lohan’i Kristy. Noho izany, dia tokony hanana “famantaram-pahefana” eo amin’ny lohany ny vehivavy rehefa mivavaka na maminany ao amin’ny kongregasiona. Tsy afaka nidera ireo Korintiana i Paoly, satria nisy fisarahana teo amin’izy ireo rehefa niara-nivory (NW ) izy ireo. Raha tahaka izany ny toe-javatra nisy azy ireo, ahoana no nahafahany nandray anjara araka ny tokony ho izy tamin’ny Sakafo Harivan’ny Tompo? Nodinihiny indray izay nitranga fony i Jesosy nanorina ny Fahatsiarovana ny nahafatesany. Tsy maintsy namantatra ny tenany ny tsirairay talohan’ny nandraisany anjara, fandrao hitondra fanamelohana ho an’ny tenany, raha tsy nahay nanavaka (NW ) “ny tena”. — 11:1, 10, NW, 29.

18. a) Na dia misy fanomezana sy fanompoana samy hafa aza, nahoana no tsy tokony hisy fisarahana ao amin’ny vatana? b) Nahoana no miavaka indrindra ny fitiavana?

18 Fanomezana ara-panahy (NW ); ny fitiavana sy ny fiezahana hitady azy (12:1–14:40). Samy hafa ireo fanomezana ara-panahy, kanefa ny fanahy dia iray ihany; samy hafa ireo fanompoana sy asa, kanefa ny Tompo dia iray ihany ary Andriamanitra dia iray ihany. Toy izany koa fa misy mpikambana maro ao amin’ny tenan’i Kristy tafaray, ka ny tsirairay aminy dia mila ilay iray hafa, toy ny ao amin’ny tenan’olombelona. Nametraka ny rantsam-batana (NW ) tsirairay tao amin’ny tena araka izay tiany Andriamanitra, ary ny tsirairay dia samy manana ny asany avy, mba “tsy hisy fisarahana eo amin’ny tena”. (12:25). Tsinontsinona ireo mpampiasa ireo fanomezana ara-panahy, raha tsy misy fitiavana. Ny fitiavana dia mahari-po sady mora fanahy, tsy mialona, tsy mieboebo. Miara-mifaly amin’ny fahamarinana izy. “Ny fitiavana tsy ho levona mandrakizay”. (13:8). Ireo fanomezana ara-panahy, toy ny faminaniana sy ny fiteny tsy fantatra, dia ho levona, fa ny finoana sy ny fanantenana ary ny fitiavana dia mitoetra. Amin’ireo, ny lehibe indrindra dia ny fitiavana.

19. Torohevitra inona no nomen’i Paoly mba hampaherezana ilay kongregasiona ary mba hisian’ny fandaharan-javatra milamina?

19 “Miezaha mitady ny fitiavana”, hoy ny fananaran’i Paoly. Tokony hampiasaina amim-pitiavana mba hampaherezana (NW ) ny kongregasiona ireo fanomezana ara-panahy. Noho izany antony izany, dia aleo ny faminaniana toy izay ny fitenenana amin’ny fiteny tsy fantatra. Naleony nanao teny dimy nisy heviny mba hampianarana ny hafa, toy izay hanao teny iray alina amin’ny fiteny tsy fantatra. Ny fiteny tsy fantatra dia famantarana ho an’ny tsy mino, fa ny faminaniana kosa dia ho an’ny mino. Tsy tokony ho “zaza” izy ireo raha ny amin’ny fahazoana ny hevitr’ireo zavatra ireo. Raha ny amin’ny vehivavy kosa, dia aoka izy ireo hanaiky (NW ) ao amin’ny kongregasiona. “Aoka ny zavatra rehetra hatao amin’ny fahamendrehana sy ny filaminana.” — 14:1, 20, 40.

20. a) Porofo inona no nomen’i Paoly raha ny amin’ny nitsanganan’i Kristy tamin’ny maty? b) Manao ahoana ny filaharan’ny fitsanganan’ny maty, ary fahavalo iza avy no tokony holevonina?

20 Azo antoka ny fanantenana ny amin’ny fitsanganana amin’ny maty (15:1–16:24). I Jesosy tafatsangana tamin’ny maty dia niseho tamin’i Kefasy, tamin’ireo 12, tamin’ny rahalahy tsy omby 500, tamin’i Jakoba, tamin’ny apostoly rehetra, ary faran’izy rehetra dia tamin’i Paoly. ‘Raha tsy natsangana i Kristy’, hoy ny nosoratan’i Paoly, ‘dia foana ny toritenintsika sy ny finoantsika.’ (15:14). Atsangana araka ny filaharany avy ny tsirairay, i Kristy no santatra, ary rehefa afaka izany, dia ireo izay azy mandritra ny fanatrehany (NW ). Farany, dia hatolony ho an’ny Rainy ilay Fanjakana, rehefa avy nataony teo ambanin’ny tongony ny fahavalony rehetra. Na dia ny fahafatesana, ilay fahavalo farany, aza dia horesena. Inona no antony niatrehan’i Paoly loza nety hahafaty tsy tapaka raha tsy nisy fitsanganana amin’ny maty?

21. a) Ahoana no tokony hitsanganan’ireo izay handova ny Fanjakan’Andriamanitra? b) Zava-miafina masina inona no nahariharin’i Paoly, ary inona no nolazainy momba ny fandresena ny fahafatesana?

21 Hatao ahoana anefa no fanangana ny maty? Mba hahafahan’ny tenan’ny zavamaniry iray hitombo, dia tsy maintsy maty aloha ilay voa nafafy. Mitovy amin’izany ny amin’ny fitsanganana amin’ny maty. “Afafy tena [ara-batana, NW ] izy, atsangana ho tena [ara-panahy, NW ] (...) Ny nofo aman-dra tsy mahazo mandova ny fanjakan’Andriamanitra”. (15:44, 50). Nanambara zava-miafina masina (NW ) iray i Paoly: Tsy hody mandry avokoa ny rehetra, fa, mandritra (NW ) ny trompetra farany, dia hovana ao anatin’ny indray mipy maso. Rehefa hitafy tsy fetezana ho faty izay mety maty, dia ho noresena ny fahafatesana ka ho levona. “Ry fahafatesana ô, aiza ny fandresenao? Ry fahafatesana ô, aiza ny fanindronanao?” Hoy ny fihiakan’i Paoly avy tamin’ny fony: “Fa isaorana anie Andriamanitra, Izay manome antsika ny fandresena amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika.” — 15:55, 57.

22. Torohevitra sy fampirisihana famaranana inona no nomen’i Paoly?

22 Ho famaranana, i Paoly dia nanome torohevitra momba ny filaminana teo am-pamoriana ireo fanomezana halefa tany Jerosalema mba hanampiana rahalahy nahantra. Nilaza ny amin’ny fitsidihany nanaraka tamin’ny fandalovany tany Makedonia izy, ary nampiseho fa nety ho tonga hitsidika koa i Timoty sy i Apolosy. “Miambena”, hoy ny fananaran’i Paoly. “Tomoera tsara amin’ny finoana, aoka hitombandahy, mahereza. Izay rehetra ataonareo dia ataovy amin’ny fitiavana.” (16:13, 14). Nandefa ny fanaovam-beloma avy tany amin’ireo kongregasiona tany Azia i Paoly, ary avy eo dia ny tanany mihitsy no nandefa fanaovam-beloma farany, nampita ny fitiavany.

MAHASOA — NAHOANA?

23. a) Ahoana no nampisehoan’i Paoly an’ohatra ireo vokatra mampidi-dozan’ny fanirian-dratsy sy ny fianteherana amin’ny tena? b) Fahefana inona no nasian’i Paoly firesahana mba hanomezana torohevitra momba ny Sakafo Harivan’ny Tompo sy ny hanina mety?

23 Mahasoa indrindra itỳ taratasin’ny apostoly Paoly itỳ mba hanitarana ny fahazoantsika ny hevitry ny Soratra Hebreo, izay nakany teny maro be. Ao amin’ny toko fahafolo, i Paoly dia mampiseho fa, teo ambany fitarihan’i Mosesy, ireo Isiraelita dia nisotro tamin’ny vatolampy fanahy, ary i Kristy izany. (1 Kor. 10:4; Nom. 20:11). Avy eo dia nanohy ny teniny izy mba hiresahana momba ireo vokatra feno lozan’ny filana zava-dratsy, araka ny nasehon’ny ohatr’ireo Isiraelita teo ambany fitarihan’i Mosesy, ary nanampy teny izy hoe: “Ary izany dia nanjo azy mba ho anatra, sady voasoratra izany ho fananarana antsika izay niharan’ny faran’izao tontolo izao.” Aoka isika tsy hanjary hiantehitra amin’ny tenantsika na oviana na oviana, ka hihevitra fa tsy ho lavo! (1 Kor. 10:11, 12; Nom. 14:2; 21:5; 25:9). Eto indray koa, izy dia naka fanoharana iray avy tamin’ny Lalàna. Nanisy firesahana momba ny fanati-pihavanana teo amin’ny Isiraely izy, mba hampisehoana fa ireo mpandray anjara amin’ny Sakafo Harivan’ny Tompo dia tokony hihinana eo amin’ny latabatr’i Jehovah amim-pahamendrehana. Avy eo, mba hanohanana ny hevitra narosony fa hoe mety ny fihinanana izay hena rehetra namidy teny an-tsena, dia naka teny avy tao amin’ny Salamo 24:1 izy, tamin’ny filazana hoe: “An’i Jehovah ny tany sy izay rehetra eo aminy.” — 1 Kor. 10:18, 21, 26; Eks. 32:6; Lev. 7:11-15.

24. Fakan-teny hafa inona avy, avy ao amin’ny Soratra Hebreo, no nataon’i Paoly mba hanohanana ireo hevitra narosony?

24 Mba hampisehoana ny maha-ambony kokoa ireo zavatra “efa namboarin’Andriamanitra ho an’izay tia Azy” sy ny maha-zava-poana “ny hevitry ny hendry” eto amin’itỳ tontolo itỳ, dia nampiorina izany tamin’ny Soratra Hebreo indray i Paoly. (1 Kor. 2:9; 3:20; Isaia 64:4; Sal. 94:11). Ny fahefana noraisiny ho an’ireo toromarika nomeny ao amin’ny toko faha-5 momba ny fandroahana ny mpanao ratsy, dia ny lalàn’i Jehovah ny amin’ny ‘hamongorana tsy ho eo aminareo ny fanao ratsy’. (Deot. 17:7). Teo am-pandinihana ny zony hahazo fivelomana tamin’ny fanompoana, i Paoly dia nanisy firesahana indray momba ny Lalàn’i Mosesy, izay nilaza fa tsy tokony hakombona ny vavan’ny biby miasa mba hisakanana azy tsy hihinana, ary koa fa tokony hiombona tamin’ny alitara ireo Levita nanompo tao amin’ny tempoly. — 1 Kor. 9:8-14; Deot. 25:4; 18:1.

25. Inona avy no sasany amin’ireo hevitra miavaka ka mitondra fampianarana mahasoa, raketin’ny Korintiana Voalohany?

25 Soa noho ny fampianarana ara-tsindrimandry toy inona moa no noraisintsika avy tamin’ny taratasy voalohan’i Paoly ho an’ireo Kristiana tany Korinto! Saintsaino ilay torohevitra omena momba ny fisarahana sy ny fanarahana olona. (Toko 1-4). Tadidio ilay fahalotoam-pitondran-tena sy ny nanamafisan’i Paoly ny ilana hatsaran-toetra sy fahadiovana ao anatin’ny kongregasiona. (Toko 5, 6). Diniho ny toroheviny ara-tsindrimandry mifandray amin’ny fitoerana ho mpitovo sy ny fanambadiana ary ny fisarahana. (Toko 7). Eritrereto ny fandinihan’ilay apostoly momba ny hanina naterina ho an’ny sampy ary koa ny fanasongadinana amin-kery ny ilana hitandremana tsy hanafintohina ny hafa sy ho latsaka ao anatin’ny fanompoan-tsampy. (Toko 8-10). Ny fananarana mikasika ny fanekena araka ny tokony ho izy, ny fandinihana ireo fanomezana ara-panahy, ilay fandinihana azo ampiharina indrindra ny amin’ny maha-faran’izay tsara ny fitiavana izay toetra maharitra sy tsy mety levona — ireo zavatra rehetra ireo dia nodinihina indray koa. Ary amin’ny fomba tsara toy inona moa no nanamafisan’ilay apostoly ny ilana ny filaminana ao amin’ireo fivoriana kristiana! (Toko 11-14). Teny fiarovana ny fitsanganana amin’ny maty mahatalanjona toy inona moa no nosoratany teo ambanin’ny tsindrimandry! (Toko 15). Nandalo teo anoloan’ny mason’ny saintsika avokoa ireo rehetra ireo sy ny hafa koa — ary sarobidy aoka izany izy ireo ho an’ny Kristiana amin’izao androntsika izao!

26. a) Asa nambara efa ela be mialoha inona no hotanterahin’i Kristy tafatsangana amin’ny maty, rehefa hanapaka amin’ny maha-Mpanjaka izy? b) Miorina amin’ny fanantenana ny fitsanganana amin’ny maty, fampaherezana mahery inona no nomen’i Paoly?

26 Nampitombo tamin’ny fomba niavaka ny fahazoantsika ny hevitry ny loha hevitra be voninahitry ny Baiboly momba ny Fanjakan’Andriamanitra itỳ taratasy itỳ. Manome fampitandremana hentitra izy io fa hoe tsy hiditra ao amin’ilay Fanjakana ny olona tsy marina, ary manome ny lisitr’ireo fanao ratsy izay hahatonga ny olona iray tsy hahafeno fepetra. (1 Kor. 6:9, 10). Ny zava-dehibe indrindra anefa dia ny fanazavany ny fifandraisana misy eo amin’ny fitsanganana amin’ny maty sy ny Fanjakan’Andriamanitra. Asehony fa i Kristy, ‘ny santatra’ amin’ny fitsanganana amin’ny maty, dia tsy maintsy “manjaka (...), mandra-panaony ny fahavalony rehetra ho eo ambanin’ny tongony”. Avy eo, rehefa avy nanafoana ny fahavalo rehetra, anisan’izany ny fahafatesana, izy, dia “hatolony ho an’Andriamanitra Ray ny fanjakana, (...) mba tsy hisy fototra sy antony afa-tsy Andriamanitra ihany”. Farany, ho fahatanterahan’ilay fampanantenana ny amin’ilay Fanjakana natao tany Edena, dia hovitain’i Kristy, miaraka amin’ireo rahalahiny ara-panahy tafatsangana amin’ny maty, ny fanorotoroana tanteraka ny lohan’ilay Menarana. Lehibe tokoa ny fanantenana ny amin’ny fitsanganana amin’ny maty ananan’ireo izay hahazo ny tsy fahalovana miaraka amin’i Kristy Jesosy ao amin’ilay Fanjakana any an-danitra. Niorina tamin’ny fanantenana ny amin’ny fitsanganana amin’ny maty no nananaran’i Paoly hoe: “Koa amin’izany, ry rahalahy malalako, dia miorena tsara, aza miova, ary mahefà be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin’ny Tompo.” — 1 Kor. 15:20-28, 58; Gen. 3:15; Rom. 16:20.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Halley’s Bible Handbook, 1988, H. H. Halley, pejy 593.

b Dictionary of the Bible, nataon’i Smith, 1863, Boky 1, pejy 353.

c The Interpreter’s Bible, Boky 10, 1953, pejy 13.

d The Interpreter’s Bible, Boky 9, 1954, pejy 356.

[Fanontaniana]