Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-47 — 2 Korintiana

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-47 — 2 Korintiana

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-47 — 2 Korintiana

Mpanoratra: Paoly

Toerana Nanoratana: Makedonia

Vita Tamin’ny: 55 am.f.i. tany ho any

1, 2. a) Inona no nitarika ho amin’ny fanoratan’i Paoly ny taratasiny faharoa ho an’ireo Korintiana? b) Taiza no nanoratan’i Paoly azy io, ary inona no nanahirana ny sainy?

 AZO inoana fa faran’ny fahavaratra izao na fiandohan’ny fararano taona 55 am.f.i. Nisy raharaha sasany tao amin’ny kongregasiona (NW ) kristiana tany Korinto, izay mbola nanahirana ny sain’ny apostoly Paoly. Tsy maro ny volana lasa hatramin’ny nanoratany ny taratasiny voalohany ho an’ireo Korintiana. Hatramin’izay i Titosy dia nirahina tany Korinto mba hanampy teo amin’ilay famoriam-bola natao tany ho an’ireo olona masina tany Jodia ary angamba koa mba handinika ny fihetsik’ireo Korintiana tamin’ilay taratasy (NW) voalohany. (2 Kor. 8:1-6; 2:13). Nanao ahoana ny fandraisan’izy ireo azy iny? Fampiononana toy inona moa no tsapan’i Paoly nahafantatra fa nanosika azy ireny hanenina sy hibebaka ilay izy! Niverina tany amin’i Paoly tany Makedonia i Titosy nitondra io tatitra tsara io, ary izao ny fon’ilay apostoly dia feno, eny, diboky ny fitiavana ho an’ireo Korintiana mpiray finoana taminy sady malalany. — 7:5-7; 6:11.

2 Koa nanoratra ho an’ireo Korintiana indray àry i Paoly. Itỳ taratasy faharoa manafana ny fo sy mahery itỳ dia nosoratana tany Makedonia ary toa nentin’i Titosy. (9:2, 4; 8:16-18, 22-24). Ny iray tamin’ireo raharaha nanahiran-tsaina ka nanosika an’i Paoly hanoratra dia ny fisian’ireo “Apostoly fatratra loatra”, izay nataony koa hoe “Apostoly sandoka (...), mpiasa mamitaka”, teo anivon’ireo Korintiana. (11:5, f.a.p., 13, 14). Notandindomin-doza ny fahasalamana ara-panahin’io kongregasiona mbola tanora ihany io, ary niharam-pamelezana ny fahefan’i Paoly tamin’ny naha-apostoly azy. Nanome fahafaham-po tamin’ny zavatra lehibe iray nilaina àry ny taratasiny faharoa ho an’i Korinto.

3, 4. a) Inona avy ireo fitsidihana nataon’ny tenan’i Paoly tany Korinto? b) Ahoana no andraisantsika soa avy amin’ny Korintiana Faharoa ankehitriny?

3 Azo atao ny manamarika fa nilaza toy izao i Paoly: “Efa fanintelony izao no vonona hankatỳ aminareo aho”. (2 Kor. 12:14; 13:1). Nikasa ny hitsidika azy ireo fanindroany izy rehefa nanoratra ny taratasiny voalohany, kanefa na dia niomana ho amin’izany aza izy, dia tsy tanteraka iny fahafahana ‘hahazo soa fanindroany’ iny. (1 Kor. 16:5; 2 Kor. 1:15). Raha ny tena izy, dia indray mandeha monja i Paoly no tany taloha, nandritra ny 18 volana, tamin’ny 50 am.f.i. ka hatramin’ny 52 am.f.i., fony naorina ilay kongregasiona kristiana tany Korinto. (Asa. 18:1-18). Kanefa, tatỳ aoriana dia notanterahin’i Paoly ny faniriany hitsidika indray an’i Korinto. Fony izy tany Grisia nandritra ny telo volana, azo inoana fa tamin’ny 56 am.f.i., dia nandany fara fahakeliny tapany tamin’izany fotoana izany tany Korinto izy, ary tany izy no nanoratra ny taratasiny ho an’ny Romana. — Rom. 16:1, 23; 1 Kor. 1:14.

4 Ny Korintiana Faharoa, miaraka amin’ny Korintiana Voalohany sy ireo epistilin’i Paoly hafa, dia nekena foana ho tapany azo itokiana amin’ny kanônan’ny Baiboly. Izao indray koa isika dia afaka mijery ny ao anatin’ilay kongregasiona tany Korinto ary hisintona soa avy amin’ireo teny ara-tsindrimandry nomen’i Paoly mba hananarana azy ireo sy antsika koa.

LOHA HEVITRA RAKETIN’NY KORINTIANA FAHAROA

5. a) Inona no nosoratan’i Paoly mikasika ny fampiononana? b) Zavatra inona, izay nanome toky fanampiny, no nitranga tamin’ny alalan’i Kristy?

5 Fanampiana avy tamin’ilay “Andriamanitry ny fampiononana rehetra” (1:1–2:11). Nampidirin’i Paoly tao amin’ny fiarahabany teo am-piandohana i Timoty. ‘Isaorana anie Andriamanitra’, hoy i Paoly, ‘Rain’ny famindram-po sady Andriamanitry ny fampiononana rehetra, izay mampionona antsika amin’ny fahoriantsika rehetra’, mba hahafahantsika kosa hampionona ny hafa. Na dia tao anatin’ny fanerena faran’izay mafy (NW ) aza i Paoly sy ny namany, ka notandindomin-doza ny ain’izy ireo, dia nanafaka azy ireo Andriamanitra. Afaka nanampy (NW ) koa ireo Korintiana, tamin’ny fivavahana ho azy ireo. Tamim-patokiana ny fahatsoram-pony sy ny hatsaram-panahin’Andriamanitra amin’izay tsy mendrika akory (NW ) no nanoratany ho azy ireo. Tonga “eny” tamin’ny alalan’i Jesosy ireo fampanantenan’Andriamanitra (NW ), ary Izy no nanosotra ireo izay an’i Kristy sy nanome azy ireo “ny Fanahy ho santatra” tao am-pon’izy ireo. — 1:3, 4, 20, 22.

6. Inona no nanoroan’i Paoly hevitra fa tokony hatao ho an’ilay mpanao ratsy noroahina kanefa nibebaka izao?

6 Toa noroahina avy tao amin’ny kongregasiona ilay lehilahy nasian’i Paoly fitenenana tao amin’ny toko fahadimy tao amin’ny taratasiny voalohany. Nibebaka izy ary nampiseho fanenenana. Noho izany, dia nilaza tamin’ireo Korintiana i Paoly mba haneho famelan-keloka marina ary hanamafy ny fitiavan’izy ireo an’ilay olona nifona.

7. Ahoana no nampisehoan’i Paoly ny tenany sy ireo Korintiana, ary inona no nambarany marimarina?

7 Mahafeno fepetra mba ho mpanompo ao amin’ilay fanekena vaovao (2:12–6:10). Nasehon’i Paoly ho tao anatin’ny filaharan’ny mpandresy (NW ) niaraka tamin’i Kristy ny tenany sy ireo Kristiana korintiana. (Fantatr’ireo Korintiana tsara ny hanitr’ilay ditin-kazo manitra nahafinaritra narehitra, nanaraka ny lalan’ireo filaharan’ireo tafika mpandresy tamin’izany andro izany.) Nisy fifanoheran-javatra lehibe teo amin’ny ‘hanitra’ nentin’ny Kristiana tany amin’ireo hahazo ny fiainana, sy ny ‘hanitra’ tany amin’ireo izay ho very. “Tsy mpivarotra ny tenin’Andriamanitra isika”, hoy ny nambaran’i Paoly marimarina. — 2:16, 17, NW.

8. a) Porofo fanamarinana inona avy no nananan’i Paoly sy ireo mpiara-miasa taminy, tamin’ny naha-mpanompo azy ireo? b) Amin’ny ahoana ny fanompoana ao amin’ilay fanekena vaovao no ambony kokoa?

8 Tsy nila tahirin-kevitra, na taratasy filazan-tsoa momba azy, na ho an’ireo Korintiana izany na avy taminy, i Paoly sy ireo mpiara-miasa taminy. Ireo mpino korintiana mihitsy no taratasy filazan-tsoa izay “nosoratanay tamin’ny naha-mpanompo anay” ka nosoratana, tsy teo amin’izay tena vato fisaka, fa “teo amin’izay vato fisaka nofo, dia ny fo”, hoy ny nambaran’i Paoly. Nahatonga ireo mpanompo ao amin’ilay fanekena vaovao hanana tsara ireo toetra ilaina (NW ), Andriamanitra. Ilay fehezan-dalàna voasoratra (NW ) dia fanompoana nitondra fahafatesana, izay nihanalazo ny voninahiny, ary tsy naharitra. Ny fanompoana omban’ny fanahy kosa anefa dia mitarika ho amin’ny fiainana, maharitra ary hanan-tombom-boninahitra. Rehefa “vakina ny tenin’i Mosesy”, dia nisy fisalobonana nanarona ny fon’ny zanak’Isiraely, kanefa rehefa niverina tamin’i Jehovah (NW ) izy ireo, dia nesorina ilay fisalobonana, ary dia ‘novana hahazo izany endrika izany indrindra izy ireo avy tamin’ny voninahitra ka ho amin’ny voninahitra’. — 3:3, NW, 15, 18.

9. Ahoana no ilazalazan’i Paoly ilay rakitry ny fanompoana?

9 Avy eo dia nanohy ny teniny toy izao i Paoly: ‘Manana izany fanompoana izany izahay, araka ny ahazoanay famindram-po. Efa nolavinay ny zavatra takona mahamenatra, ka tsy mandeha amin’ny fihendrena, na manatsatso ny tenin’Andriamanitra izahay, fa amin’ny fanehoana ny marina no ideranay tena [“ampisehoanay ny tenanay ho mendrika”, NW ]. Fa raha miafina ny hafatra ny amin’ny filazantsara, dia satria nohajambain’ilay andriamanitr’itỳ tontolo itỳ ny sain’ny tsy mino. Ny fonay anefa dia hazavain’ny fahalalana ny voninahitr’Andriamanitra eo amin’ny tavan’i Kristy. Endre ny halehibiazan’io rakitra anananay io! Ao anaty vilany tany izy io, mba ho an’Andriamanitra ny halehiben’ny hery. Ao anatin’ny fanenjehana sy ny fihenjanana, eny, eo anatrehan’ny fahafatesana mihitsy, dia mino izahay ary tsy ketraka, satria vetivety foana ny fahorianay ary mainka miasa fatratra indrindra ka mahatanteraka voninahitra mavesatra maharitra mandrakizay ho anay. Koa mijery ny tsy hita àry izahay.’ — 4:1-18.

10. a) Inona no nolazain’i Paoly momba ireo izay ao amin’i Kristy? b) Ahoana no nanoloran’i Paoly ny tenany ho mendrika ny ho mpanompon’Andriamanitra?

10 ‘Fantatsika’, hoy ny nosoratan’i Paoly, ‘fa ny tranontsika eto an-tany dia hanome toerana ho an’ny trano iray maharitra mandrakizay any an-danitra. Mandra-pahatongan’izany, dia mandroso amin’ny finoana sy ny fatokiana isika. Na dia tsy mitoetra any amin’i Kristy aza isika, dia mitady ny hankasitrahany.’ (5:1, 7, 9). Ireo izay ao amin’i Kristy dia “olom-baovao” ary manana fanompoana fampihavanana. “Ambasadôra solon’i Kristy” izy ireo. (5:17, 20, f.a.p.). Tamin’ny zavatra rehetra dia nampiseho ny tenany ho mendrika ny ho mpanompon’Andriamanitra, i Paoly. Tamin’ny fomba ahoana? ‘Tamin’ny faharetana be, tamin’ny fahoriana, tamin’ny kapoka, tamin’ny fisasarana, tamin’ny tsy fahitan-tory; tamin’ny fahadiovana, tamin’ny fahalalana, tamin’ny fahari-po, tamin’ny fahamoram-panahy, tamin’ny fanahy masina, tamin’ny fitiavana tsy mihatsaravelatsihy, tamin’ny teny fahamarinana, tamin’ny herin’Andriamanitra, tahaka ny [mahantra, NW ], nefa nampanan-karena ny maro, tahaka ny tsy nanana na dia kely akory aza, nefa nanana ny zavatra rehetra.’ — 6:4-10.

11. Torohevitra sy fampitandremana inona no nomen’i Paoly?

11 ‘[Fandavorariana, NW ] ny fahamasinana amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra’ (6:11–7:16). Hoy ny nolazain’i Paoly tamin’ireo Korintiana: ‘Nihanalalaka ny fonay mba handray anareo.’ Tokony hanalalaka ny firaiketam-pony naneho fitiavana koa izy ireo. Kanefa, indro fa nisy fampitandremana iray! “Aza mety hasiana zioga tsy antonona anareo hikambanana amin’ny tsy mino.” (6:11, NW, 14). Inona no iraisan’ny mazava sy ny maizina, na i Kristy sy i Beliala? Tamin’ny naha-tempolin’Andriamanitra velona azy, dia tsy maintsy nisaraka izy ireo ary tsy hanendry izay zavatra tsy madio. Hoy i Paoly: “Aoka isika hanadio ny tenantsika ho afaka amin’ny fahalotoana rehetra, na amin’ny nofo na amin’ny fanahy, ka [handavorary, NW ] ny fahamasinana amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra.” — 7:1.

12. Nahoana i Paoly no nifaly noho ilay tatitra avy tany Korinto?

12 Hoy ny teny fanampiny nambaran’i Paoly: “Feno fiononana aho sady be hafaliana indrindra amin’ny fahorianay rehetra.” (7:4). Fa nahoana? Tsy noho ny nahatongavan’i Titosy ihany, fa noho ilay tatitra tsara avy tany Korinto, momba ny fanirian’izy ireo sy ny fitomanian’izy ireo ary ny fahazotoan’izy ireo hanaiky an’i Paoly koa. Takany fa niteraka alahelo tsy naharitra ny taratasiny voalohany, kanefa nifaly izy satria nampalahelovina mba hibebaka ho amin’ny famonjena ireo Korintiana. Noderainy izy ireo noho ny fiarahany niasa tamin’i Titosy.

13. a) Ohatra inona avy ny amin’ny fahalalahan-tanana no notononin’i Paoly? b) Fotopoto-pitsipika inona avy, izay nifandray tamin’ny fanomezana, no nodinihin’i Paoly?

13 Hovalian-tsoa ny fahalalahan-tanana (NW ) (8:1–9:15). Nifandray tamin’ireo fanomezana ho an’ireo “olona masina” nahantra, dia nanonona ny ohatr’ireo Makedoniana i Paoly, satria tena nihoatra noho ny fahafahany (NW ) ny fahalalahan-tanany na dia teo aza ny halalin’ny fahantrany; ary izao izy dia nanantena ny hahita izany karazam-panomezana (NW ) izany koa avy tamin’ireo Korintiana, ho fanehoana ny fahamarinan’ny fitiavan’izy ireo an’i Jesosy Kristy Tompo, izay tonga nahantra mba hampanan-karena azy ireo. Io fanomezana araka izay nananany io dia hitarika ho amin’ny fitoviana, hany ka izay nanangona be tsy nanana amby, ary ny nanangona kely tsy nanana ny tsy ampy. Nalefa tany amin’izy ireo niaraka tamin’io fanomezana nampiseho hatsaram-panahy io, i Titosy sy ny hafa koa. Nirehareha noho ny fahalalahan-tanana sy ny fahavononan’ireo Korintiana i Paoly, ary tsy tiany ho menatra izy ireo noho izay tsy ho fahavitany ny fiantrany. Eny, “izay mamafy be, dia be kosa no hojinjany”. Aoka ho avy amin’ny fo no hanaovana izany, satria “ny mpanome amin’ny fifaliana no tian’Andriamanitra”. Hainy koa ny mampitombo ny fanehoana amin’izy ireo ny hatsaram-panahiny amin’izay tsy mendrika akory, sy ny mampanan-karena azy ireo amin’ny zavatra rehetra. “Isaorana anie Andriamanitra noho ny fanomezany [malalaka tsy hay lazaina, NW ].” — 9:1, 6, 7, 15.

14. Hevitra inona avy no nolazain’i Paoly mba hanohanana ny naha-apostoly azy?

14 Nanaporofo ny naha-apostoly azy i Paoly (10:1–13:14). Nanaiky i Paoly fa ambany ny fisehoany ivelany (NW ). Kanefa ny Kristiana tsy mba miady araka ny nofo; ny fiadiany dia ara-panahy, “mahery amin’Andriamanitra” mba handrava fisainana mifanohitra amin’ny fahalalana an’Andriamanitra. (10:4). Tsy nahita afa-tsy ny teo ivelany ny sasany ka nilaza fa ireo epistilin’ilay apostoly dia navesatra fa ny fiteniny kosa tsinontsinona. Aoka ho fantatr’izy ireny fa tahaka ny tenin’i Paoly an-taratasy ihany ny asany. Tokony ho takatr’ireo Korintiana fa tsy nirehareha noho ny zava-bita tany amin’izay efa voafaritra ho an’ny sasany i Paoly. Izy mihitsy no nitondra ny vaovao tsara tany amin’izy ireo. Ankoatra izany, raha tokony hisy fireharehana, dia aoka i Jehovah no ho rehareha.

15. a) Tamin’ny alalan’ny fanoharana inona avy no nahasahian’i Paoly nanohitra an’ireo apostoly sandoka? b) Nanao ahoana ny zava-bitan’ny tenan’i Paoly?

15 Tsapan’i Paoly ny andraikiny hanolotra ny kongregasionan’i Korinto tahaka ny virjiny madio ho an’i Kristy. Tsy misy hafa amin’ny namitahan’ny hafetsen’ilay Menarana (NW ) an’i Eva, dia eo koa ilay loza mety hahasimba ny sain’izy ireo. Noho izany, dia sahy nanohitra tamin-kery ireo “apostoly fatratra loatra” tao amin’ny kongregasionan’i Korinto, i Paoly. (11:5, f.a.p.). Apostoly sandoka izy ireny. I Satana aza mampiova ny endriny ho tahaka ny anjelin’ny mazava, koa tsy mahagaga raha manao toy izany koa ny mpanompony. Kanefa, raha ny amin’ny hoe mpanompon’i Kristy sa tsia, moa ve izy ireo afaka nifampitaha tamin’i Paoly, rehefa jerena ny tantaran’ny fiainany? Niaritra zavatra maro izy: fanaovana an-tranomaizina, fikapohana, vaky sambo intelo, loza maro be, tsy natory sy tsy nihinana matetika. Kanefa tamin’izany rehetra izany, dia tsy hadinony velively ireo zavatra nilain’ireo kongregasiona, ary nahatsiaro ho tezitra mafy (NW ) foana izy rehefa tafintohina ny olona iray.

16. a) Inona no azon’i Paoly nireharehana, kanefa nahoana no naleony niresaka momba ireo fahalemeny? b) Ahoana no nanomezan’i Paoly porofo ny amin’ny naha-apostoly azy?

16 Koa raha nisy nanana antony tokony hireharehana, dia i Paoly izany. Moa ve ireo nantsoina hoe apostoly tany Korinto ireo afaka nilaza fa nakarina ho any paradisa ny tenany mba handre teny tsy tenenina? Kanefa i Paoly dia niresaka momba ireo fahalemeny. Mba tsy hireharehany loatra (NW ), dia nasiana “tsilo tamin’ny nofo” izy. Nangataka ny hanesorana izany taminy izy, saingy nilazana hoe: “Ampy ho anao ny [hatsaram-panahiko amin’izay tsy mendrika akory, NW ]”. Sitrany kokoa ny hirehareha tamin’ny fahalemeny, mba hitoeran’ny “herin’i Kristy” teo aminy tahaka ny tranolay (NW ). (12:7, 9). Tsia, tsy latsaka noho ireo “apostoly fatratra loatra” i Paoly, ary hitan’ireo Korintiana ny porofon’ny naha-apostoly azy, izay nasehony teo amin’izy ireo, “tamin’ny faharetana rehetra, tamin’ny famantarana sy ny fahagagana ary tamin’ny asa lehibe”. Tsy nitady ny fananan’izy ireo izy, tsy nisy hafa tamin’ny tsy nanararaotan’i Titosy sy ireo mpiara-miasa taminy hafa, azy ireo. — 12:11, f.a.p., 12.

17. Fananarana farany inona no nomen’i Paoly ho an’ireo Korintiana?

17 Ny zavatra rehetra dia ho fampandrosoana azy ireo. Kanefa, naneho tahotra i Paoly fandrao, rehefa tonga tany Korinto, dia hahita fa tsy nibebaka tamin’ny asan’ny nofo ny sasany. Nampitandrina mialoha ireo mpanota izy fa hanao dingana araka ny mety, ka tsy hiantra, ary nanoro hevitra ny rehetra tao amin’ilay kongregasiona izy mba handini-tena raha nitoetra tao amin’ny finoana ao amin’i Jesosy Kristy ny tenany na tsia. Hivavaka (NW ) amin’Andriamanitra ho azy ireo i Paoly sy i Timoty. Nandidy azy ireo mba hifaly sy ho tafaverina ao amin’ny firaisan-tsaina indray, izy, mba ho ao amin’izy ireo ny Andriamanitry ny fitiavana sy ny fiadanana. Namarana tamin’ny fandefasana ny fanaovam-beloma avy tamin’ireo olona masina sy tamin’ny firarian-tsoan’ny tenany manokana mba hahazoan’izy ireo fitahiana ara-panahy, izy.

MAHASOA — NAHOANA?

18. Fomba fijery tsara inona no tokony hananan’ny Kristiana raha ny amin’ny fanompoana?

18 Mandrisika sy mampahery toy inona moa ny fankasitrahan’i Paoly ny fanompoana kristiana, araka ny aseho ao amin’ny Korintiana Faharoa! Aoka isika hanana fomba fijery azy io tahaka ny azy. Ilay mpanompo kristiana izay nataon’Andriamanitra nahafeno fepetra tsara dia tsy mpivarotra ny Teny, fa manompo amim-pahatsoram-po kosa. Ny milaza soa momba azy dia, tsy tahirin-kevitra voasoratra akory, fa ny vokatra azony eo amin’ny fanompoana. Kanefa, na dia tena be voninahitra aza ny fanompoana, izany akory tsy antony hahatongavany ho feno eboebo. Ireo mpanompon’Andriamanitra, amin’ny maha-olombelona tsy tanteraka azy, dia manana io rakitry ny fanompoana io ao amin’ny vilany tany malemy, mba hahitana mazava tsara fa an’Andriamanitra ny hery. Koa mitaky fanetren-tena àry ny fanekena ny tombontsoa be voninahitra ho mpanompon’Andriamanitra, ary hatsaram-panahy amin’izay tsy mendrika akory avy amin’Andriamanitra toy inona moa ny hoe manompo amin’ny maha-“ambasadôra solon’i Kristy”! Mifanentana toy inona àry ilay fananaran’i Paoly mba “tsy hanaiky ny hatsaram-panahin’Andriamanitra amin’izay tsy mendrika akory nefa ho diso ny zava-kendren’izy io”! — 2:14-17; 3:1-5; 4:7; 5:18-20, f.a.p.; 6:1, NW.

19. Amin’ny lafiny samihafa inona avy no maha-modely miavaka an’i Paoly ho an’ireo mpanompo kristiana amin’izao andro izao, indrindra fa ny mpiandraikitra?

19 Azo antoka fa nanome ohatra faran’izay tsara hotahafin’ireo mpanompo kristiana i Paoly. Voalohany aloha, dia nihevitra ny Soratra Hebreo ara-tsindrimandry ho sarobidy izy ary nianatra azy ireo, niverimberina naka teny avy tao, niresaka tsy nivantana momba azy ireo ary nampihatra azy ireo. (2 Kor. 6:2, 16-18; 7:1; 8:15; 9:9; 13:1; Isaia 49:8; Lev. 26:12; Isaia 52:11; Ezek. 20:41; 2 Sam. 7:14; Hosea 2:1). Ambonin’izany, tamin’ny naha-mpiandraikitra azy, dia naneho fiahiana lalina ny andian’ondry izy, tamin’ny filazana hoe: “Ary izaho dia faly indrindra handany sy holanina hahasoa ny fanahinareo”. Nanome ny tenany tamin’ny fomba feno ho an’ireo rahalahy izy, araka ny asehon’ilay firaketana an-tsoratra mazava tsara. (2 Kor. 12:15; 6:3-10). Tsy nety vizana izy teo amin’ny fisasarany rehefa nampianatra sy nananatra ary nandamin-javatra tao amin’ny kongregasionan’i Korinto. Nampitandrina mazava tsara tamin’ny fifandraisana tamin’ny maizina izy, tamin’ny filazana tamin’ireo Korintiana hoe: “Aza mety hasiana zioga tsy antonona anareo hikambanana amin’ny tsy mino.” Noho ny fiahiany azy ireo tamim-pitiavana, dia tsy tiany ny hahita ny sain’izy ireo ho simba, “tahaka ny namitahan’ny menarana an’i Eva tamin’ny [hafetseny, NW ]”, hany ka nananatra azy ireo tamim-pahatsoram-po toy izao izy: “Diniho ny tenanareo, na mitoetra amin’ny finoana hianareo, na tsia; izahao toetra ny tenanareo.” Nandrisika azy ireo hanana fahalalahan-tanana kristiana izy, tamin’ny fampisehoana tamin’izy ireo fa “ny mpanome amin’ny fifaliana no tian’Andriamanitra”, ary ny tenany dia naneho ny fisaorana feno fankasitrahana indrindra tamin’Andriamanitra noho ny fanomezany malalaka tsy hay lazaina. Tena voasoratra tamim-pitiavana teo amin’ny vato fisaka ara-nofon’ny fon’i Paoly marina ireo rahalahiny tany Korinto, ary ny fanompoana nataony tamim-pahalalahan-tanana ho azy ireo dia nanana ny marika rehetran’ny mpiandraikitra be zotom-po sady nifoha tanteraka. Endre izany modely miavaka ho antsika amin’izao andro izao! — 6:14; 11:3; 13:5; 9:7, 15; 3:2.

20. a) Ahoana no nametrahan’i Paoly ny saintsika teo amin’ny lalana tsara? b) Fanantenana be voninahitra inona no tondroin’ny Korintiana Faharoa?

20 Nametraka ny saintsika teo amin’ny lalana tsara ny apostoly Paoly ka notondroiny fa ilay “Rain’ny famindrampo sady Andriamanitry ny fampiononana rehetra” no tena loharanon-kery amin’ny fotoam-pisedrana. Izy no ‘mampionona antsika amin’ny fahoriantsika rehetra’ mba hahafahantsika hiaritra ka ho voavonjy ho ao amin’ny tontolony vaovao. Nanondro ilay fanantenana be voninahitra ny amin’ny trano iray “voarafitr’Andriamanitra (...), dia trano tsy nataon-tànana izay maharitra mandrakizay any an-danitra”, koa i Paoly, ary nilaza hoe: “Koa raha misy olona ao amin’i Kristy, dia olom-baovao izy; efa lasa ny zavatra taloha, indreo, efa tonga vaovao ireo.” Ny Korintiana Faharoa dia tena mirakitra teny mahatalanjona feno toky ho an’ireo izay handova ilay Fanjakana any an-danitra, tahaka an’i Paoly. — 1:3, 4; 5:1, 17.

[Fanontaniana]