Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-48 — Galatiana

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-48 — Galatiana

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-48 — Galatiana

Mpanoratra: Paoly

Toerana Nanoratana: Korinto na Antiokia tany Syria

Vita Tamin’ny: 50 – 52 am.f.i. tany ho any

1. Kongregasiona iza avy no iresahana ao amin’ny Galatiana, ary ahoana sy oviana no nandaminana azy ireo?

 IREO kongregasionan’i Galatia iresahan’i Paoly ao amin’ny Galatiana 1:2 (NW ), dia toa nahafaoka an’i Antiokia tany Pisidia, i Ikonioma, i Lystra ary i Derbe — toerana tany amin’ny zara-tany samy hafa, saingy samy tao amin’io provansy romana io avokoa. Ny Asan’ny Apostoly toko faha-13 sy faha-14 dia milaza ny amin’ny dia misionera voalohany nataon’i Paoly niaraka tamin’i Barnabasy, namakivaky an’io faritra io, ary nitarika ho amin’ny fandaminana ireo kongregasionan’i Galatia. Voaforona fifangaroana Jiosy sy tsy Jiosy, izay azo inoana fa nahafaoka Celtes, na Gaulois, izy ireo. Izany dia tsy ela taorian’ny nitsidihan’i Paoly an’i Jerosalema tany amin’ny 46 am.f.i. tany ho any. — Asa. 12:25.

2. a) Inona no vokatry ny dia faharoa nataon’i Paoly tany Galatia, kanefa inona no nanaraka izany tatỳ aoriana? b) Nandritra izany fotoana izany, ahoana no nanohizan’i Paoly ny diany?

2 Tamin’ny taona 49 am.f.i., dia nanomboka ny dia misioneran’i Paoly faharoa niditra tao amin’ny faritanin’i Galatia, i Paoly sy i Silasy, ka ny vokatr’izany dia ‘[kongregasiona, NW ] nihanahery finoana sady nihamaro isan’andro’. (Asa. 16:5; 15:40, 41; 16:1, 2). Kanefa, nanaraka tao aorian’izy ireo avy hatrany ireo mpampianatra sandoka, dia ireo mpihazona ny fivavahan’ny Jiosy (Jodaisma), izay nampiaiky ny sasany tao amin’ireo kongregasionan’i Galatia, hino fa ny famorana sy ny fitandremana ny Lalàn’i Mosesy dia tapany tena nilaina tamin’ny Kristianisma marina. Nandritra izany fotoana izany, i Paoly dia efa nanohy ny diany hatrany ambadik’i Mysia, tany Makedonia sy Grisia, ka tamin’ny farany dia tonga tany Korinto, izay nandaniany maherin’ny 18 volana niaraka tamin’ireo rahalahy. Avy eo, tamin’ny 52 am.f.i., izy dia nandeha nankany Antiokia, tany Syria, ny toerana niaingany sy nodiany, tamin’ny fandalovana tany Efesosy, ka tonga tany, tamin’io taona io ihany. — Asa. 16:8, 11, 12; 17:15; 18:1, 11, 18-22.

3. Taiza ary oviana no nety ho nanoratana ny Galatiana?

3 Taiza ary oviana i Paoly no nanoratra ny taratasy (NW) ho an’ireo Galatiana? Tsy isalasalana fa nanoratra azy io izy raha vantany vao tonga tany aminy ny teny mikasika ny zavatra nataon’ireo mpihazona ny Jodaisma. Nety ho tany Korinto, na Efesosy, na Antiokia tany Syria, izany. Tena nety ho nandritra ireo 18 volana nivahiniany tany Korinto, 50 am.f.i. ka hatramin’ny 52 am.f.i., izany, satria ho ampy tsara ny fotoana hahatongavan’ilay vaovao tany aminy tany, avy tany Galatia. Tsy azo inoana ho Efesosy àry ilay toerana, satria tsy nivahiny tao afa-tsy vetivety ihany izy tamin’ny diany niverina. Kanefa, avy eo izy dia ‘nitoetra elaela ihany’ tany Antiokia, tany Syria, dia ilay toerana niaingany sy nodiany, toa tamin’ny fahavaratry ny taona 52 am.f.i. Koa satria nisy fifandraisana tsara koa teo anelanelan’io tanàna io sy i Azia Minora, dia nety ho naharay ilay tatitra mikasika ireo mpihazona ny Jodaisma izy ka nanoratra ny taratasiny ho an’ireo Galatiana, tany Antiokia, tany Syria, tamin’io fotoana io. — Asa. 18:23.

4. Inona no ampahafantarin’ny Galatiana raha ny amin’ny naha-apostoly an’i Paoly?

4 Ilay taratasy dia milazalaza an’i Paoly ho “Apostoly — tsy avy tamin’olona, na tamin’ny alalan’olona, fa tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy sy Andriamanitra Ray”. Mampahafantatra zava-nisy maro momba ny fiainan’i Paoly sy ny naha-apostoly azy koa izy io, ka manaporofo fa, tamin’ny naha-apostoly azy, izy dia niara-niasa tamin’ireo apostoly tany Jerosalema ary koa fa nampihatra ny fahefany mihitsy aza izy mba hanitsiana apostoly hafa iray, dia i Petera. — Gal. 1:1, 13-24; 2:1-14.

5. Zava-misy inona avy no manaporofo ny maha-azo itokiana sy ny maha-kanônika ny Galatiana?

5 Zava-misy inona avy no manaporofo ny maha-azo itokiana sy ny maha-kanônika ny Galatiana? Izy io dia tononina anarana ao amin’ireo asa soratr’i Irénée, i Clément avy tany Aleksandria, i Tertullien ary i Origène. Ambonin’izany, dia tafiditra ao amin’ireto sora-tanana amin’ny Baiboly lehibe indrindra manaraka ireto, izy io: ny Sinaïticus, ny Alexandrinus, ny Vaticanus No. 1209, ny Kodeksa Ephraemi Syri rescriptus, ny Kodeksa Bezae ary ny Papyrus Chester Beatty No. 2 (P46). Ambonin’izany, dia mifanaraka tanteraka amin’ireo asa soratra hafa ao amin’ny Soratra Grika izy io, ary koa amin’ny Soratra Hebreo, izay asiana firesahana matetika.

6. a) Hevitra roa inona avy no nampiorenin’ny taratasin’ny Galatiana? b) Inona no tsy nahazatra momba ny fanoratana io taratasy io, ary inona no antitranteriny?

6 Ao amin’ny taratasin’i Paoly mahery sady mandaitra aoka izany “ho an’ireo kongregasionan’i Galatia”, dia porofoiny 1) fa apostoly marina ny tenany (zava-misy izay notadiavin’ireo mpihazona ny Jodaisma holavina) ary koa 2) fa avy amin’ny finoana an’i Kristy Jesosy ny fanamarinana, fa tsy avy amin’ny asan’ny Lalàna, ka noho izany dia tsy ilaina ho an’ny Kristiana ny famorana. Na dia fanaon’i Paoly aza ny nanana mpitantsoratra mba hanoratra ireo epistiliny, dia izy mihitsy no nanoratra ny Galatiana ‘tamin’ny sora-baventy izay nosoratan’ny tanany’. (6:11). Ireo loha hevitra raketin’ilay boky dia lehibe indrindra, tsy ho an’i Paoly ihany fa ho an’ireo Galatiana koa. Manantitrantitra ny fankasitrahana noho ny fahafahana ananan’ny Kristiana marina amin’ny alalan’i Jesosy Kristy, ilay boky.

LOHA HEVITRA RAKETIN’NY GALATIANA

7, 8. a) Inona no hevitra aroson’i Paoly mikasika ny vaovao tsara? b) Ahoana no nanamafisana ny naha-apostoly an’i Paoly tany amin’ireo tsy voafora, ary ahoana no nampisehoany ny fahefany, tamin’ilay zava-nitranga nifandray tamin’i Kefasy?

7 Niaro ny naha-apostoly azy i Paoly (1:1–2:14). Rehefa avy niarahaba ireo kongregasiona tany Galatia i Paoly, dia gaga fa nifindra faingana ho amin’ny karazana vaovao tsara (NW ) hafa izy ireo, ka nanambara tamin’ny fomba hentitra hoe: “Na izahay, na anjely avy any an-danitra aza, no mitory [vaovao tsara, NW ] hafa aminareo afa-tsy izay efa notorinay taminareo, aoka ho voaozona izy.” Ny vaovao tsara nambarany dia tsy an’olombelona, sady tsy nampianarina azy afa-tsy “tamin’ny fanambaran’i Jesosy Kristy ihany”. Teo aloha, tamin’ny naha-mpiaro be zotom-po ny Jodaisma azy, i Paoly dia nanenjika ny kongregasionan’Andriamanitra, kanefa avy eo dia niantso azy tamin’ny hatsaram-panahiny amin’izay tsy mendrika akory Andriamanitra, mba hitory momba ny Zanany tany amin’ny jentilisa. Telo taona taorian’ny niovany finoana vao niakatra tany Jerosalema izy, ary tamin’izay, tamin’ireo apostoly, dia tsy nisy hitany afa-tsy i Petera, ary koa i Jakoba, rahalahin’ny Tompo. Tsy fantatr’ireo kongregasiona tany Jodia nivantana ny tenan’i Paoly, na dia efa nandre momba azy aza izy ireo ka ‘nankalaza an’Andriamanitra’ noho izy. — 1:8, 12, 24.

8 Rehefa afaka 14 taona, dia niakatra tany Jerosalema indray i Paoly ary nanazava mangingina ny vaovao tsara izay notoriny. Tsy notakina akory ny hamorana an’i Titosy namany, izay Grika. Rehefa hitan’i Jakoba sy i Kefasy ary i Jaona fa nanankinana (NW ) ny vaovao tsara ho an’ny tsy voafora i Paoly, tahaka an’i Petera nanankinana ny vaovao tsara ho an’ny voafora, dia notolorany ny tanana ankavanan’ny fihavanana i Paoly sy i Barnabasy, mba hankany amin’ny jentilisa, fa izy ireo kosa nankany amin’ny voafora. Rehefa tonga tany Antiokia i Kefasy ary tsy nandeha mahitsy “araka ny fahamarinan’ny [vaovao tsara, NW ]”, noho ny fahatahorana ny kilasin’ny voafora (NW ), dia niteny azy mafy teo anatrehan’ny olona rehetra i Paoly. — 2:14.

9. Miorina amin’inona no anamarinana ny Kristiana?

9 Hamarinina amin’ny finoana, fa tsy amin’ny lalàna (2:15–3:29). Fantatsika Jiosy, hoy ny hevitra naroson’i Paoly, “fa tsy hamarinina amin’ny asan’ny lalàna ny olona, fa amin’ny finoana an’i Jesosy Kristy”. Velona tafaray amin’i Kristy (NW ) izy izao ary velona amin’ny finoana mba hanao ny sitrapon’Andriamanitra. “Raha avy amin’ny lalàna ny fahamarinana, dia maty [tsy amin’ny antony, NW ] i Kristy.” — 2:16, 21.

10. Inona no zava-dehibe mba hahazoana ny fitahian’Andriamanitra, koa inona àry no zava-kendren’ny Lalàna?

10 Moa ve ireo Galatiana adala aoka izany ka hino fa, rehefa avy nanomboka nandray ny fanahy noho ny finoana ny tenany, dia afaka nanohy nanompo an’Andriamanitra tamin’ny asan’ny lalàna? Ny fandrenesana noho ny finoana (NW ) no zava-dehibe, toy ny tamin’i Abrahama, izay “nino an’Andriamanitra, ka dia nisaina ho fahamarinany izany”. Izao, araka ny fampanantenan’Andriamanitra, “izay [mifikitra, NW ] amin’ny finoana [dia] notahina mbamin’i Abrahama mpino”. Nafahana (NW ) tamin’ny ozon’ny Lalàna izy ireo tamin’ny alalan’ny fahafatesan’i Kristy teo amin’ny hazo. I Kristy no Taranak’i Abrahama, ary ilay Lalàna natao 430 taona tatỳ aoriana dia tsy nanafoana ilay teny fikasana mikasika izany Taranaka izany. Inona àry no zava-kendren’ny Lalàna? Izy io dia “mpitaiza antsika ho amin’i Kristy, mba hohamarinina noho ny finoana isika”. Tsy fehezin’ny mpitaiza intsony isika izao, no sady tsy misy fanavahana intsony eo amin’ny Jiosy sy ny Grika, satria iray ao amin’i Kristy Jesosy ny rehetra ary “taranak’i Abrahama sy mpandova araka ny teny fikasana”. — 3:6, 9, 24, 29.

11. a) Fanafahana inona no nodian’ireo Galatiana tsy hita? b) Ahoana no nampisehoan’i Paoly an’ohatra ny fahafahana kristiana?

11 Miorena mafy ao amin’ny fahafahana kristiana (4:1–6:18). Nirahin’Andriamanitra ny Zanany mba hanafaka ireo izay teo ambanin’ny Lalàna, ‘mba handraisany ny fananganana anaka’. (4:5). Koa nahoana izy ireo no hiverina indray ho amin’ny fanandevozan’ny (NW ) abidim-pianarana malemy sady tsy misy na inona na inona? Koa satria nitandrina andro, volana, fotoana ary taona izao ireo Galatiana, dia natahotra i Paoly fandrao very maina foana ny asa nataony ho azy ireo. Tamin’ny fitsidihany azy ireo voalohany, dia nandray an’i Paoly tahaka ny anjelin’Andriamanitra izy ireo. Efa tonga fahavalon’izy ireo ve izy izao satria nilaza ny marina taminy? Aoka ireo izay te ho eo ambanin’ny Lalàna handre izay nolazain’ny Lalàna: I Abrahama nanana zanaka roa lahy avy tamin’ny vehivavy roa. Ilay vehivavy iray, i Hagara andevovavy, izay nifanitsy tamin’ny firenen’ny Isiraely ara-nofo, dia nifamatotra tamin’i Jehovah tamin’ny alalan’ny faneken’ny Lalàn’i Mosesy, fanekena izay niteraka ho amin’ny fahandevozana. Ilay vehivavy tsy andevo kosa, i Saraha, dia nifanitsy tamin’i Jerosalema any ambony, izay, araka ny nolazain’i Paoly, dia “renintsika, [ary] tsy mba andevo”. “Ahoana”, hoy ny fanontanian’i Paoly, “no lazain’ny Soratra Masina?” Izao: “Ny zanaky ny andevo tsy hiray lova amin’ny zanaky ny tsy andevo.” Ary tsy zanaky ny andevovavy isika, “fa zanaky ny tsy andevo”. — 4:30, 31.

12. a) Araka ny inona izao no tsy maintsy nandehanan’ireo Galatiana? b) Fampifanoheran-javatra lehibe inona no nataon’i Paoly?

12 Tsinontsinona na ny famorana na ny tsy fisian’ny famorana, hoy ny nohazavain’i Paoly, fa ny finoana izay miasa amin’ny fitiavana no zava-dehibe. Tanteraka amin’izao teny izao ny Lalàna manontolo: “Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.” Mandehana araka ny fanahy, satria “raha tarihin’ny Fanahy hianareo, dia tsy mba ambanin’ny lalàna”. Raha ny amin’ny asan’ny nofo kosa, dia nampitandrina mialoha i Paoly “fa izay manao izany dia tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra”. Tamin’ny alalan’ny fampifanoheran-javatra namirapiratra, izy dia nilazalaza ny amin’ny vokatry ny fanahy, izay tsy misy lalàna manohitra azy, ary nanampy teny hoe: “Raha velon’ny Fanahy isika, dia aoka handeha araka ny Fanahy” ary hanary ny fitiavan-tena (NW ) sy ny fialonana. — 5:14, 18, 21, 25.

13. Ahoana no ahatanterahana ny lalàn’i Kristy, ary inona no zavatra iankinan’ny aina tokony hahina?

13 Raha misy olona azon’ny ota tsy nahy, ireo izay manana ireo toetra ara-panahy ilaina (NW ) dia tsy maintsy miezaka hanarina (NW ) azy “amin’ny fahamorana”. Mahatanteraka ny lalàn’i Kristy ny Kristiana amin’ny fifampitondrana izay mahavesatra, kanefa samy hitondra ny entany avy ny olona rehetra, amin’ny fizahana toetra ny asany avy. Hijinja araka izay afafiny ny olona iray, na fahasimbana avy amin’ny nofo izany na fiainana mandrakizay avy amin’ny fanahy. Ireo izay naniry ny hamorana ireo Galatiana dia tsy nitady afa-tsy ny hahazo sitraka (NW ) tamin’ny olona sy handositra ny fanenjehana. Ny zavatra iankinan’ny aina tokony hahina dia tsy ny famorana na ny tsy famorana, fa ny ho olom-baovao. Ho amin’ireo izay mandeha araka io fitsipi-pitondran-tena io ny fiadanana sy ny famindram-po, eny, ho amin’ny “Isiraelin’Andriamanitra”. — 6:1, 16.

MAHASOA — NAHOANA?

14. Ohatra inona no navelan’i Paoly ho an’ny mpiandraikitra?

14 Ny taratasy ho an’ireo Galatiana dia mampiharihary an’i Paoly ho ilay mpanenjika sady mpandrava, izay tonga ilay apostoly mailo tany amin’ny jentilisa, ary vonona foana ny hiady ho an’ny tombontsoan’ny rahalahiny. (1:13-16, 23; 5:7-12). Nasehon’i Paoly tamin’ny ohatra fa ny mpiandraikitra dia tokony hihetsika haingana mba handaminana zava-manahirana, amin’ny fampanginana ireo fanjohian-kevitra sandoka, amin’ny alalan’ny fandrindran-kevitra sy ny Soratra Masina. — 1:6-9; 3:1-6.

15. Tamin’ny ahoana ilay taratasy no nahasoa ireo kongregasionan’i Galatia, ary fitarihan-dalana inona no omeny ho an’ny Kristiana amin’izao andro izao?

15 Nahasoa ireo kongregasiona tany Galatia ilay taratasy mba hampiorenana mazava tsara ny fahafahana nananan’izy ireo tao amin’i Kristy, sy mba handavana ireo mpamadika ny vaovao tsara. Nataony mazava tsara fa amin’ny alalan’ny finoana no anamarinana ny olona iray, ary koa fa tsy ilaina intsony ny famorana mba hahazoana famonjena. (2:16; 3:8; 5:6). Rehefa nailika ireo fanavahana ara-nofo ireo, dia nanjary tafaray ny Jiosy sy ny Jentilisa tao amin’ilay kongregasiona. Tsy tokony hoentina hanarahana ny nofo akory ny fahafahana tamin’ny Lalàna, satria mbola manan-kery ihany ilay fotopoto-pitsipika hoe: “Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.” Mbola manan-kery ho toy ny mpitari-dalana ho an’ny Kristiana amin’izao andro izao ihany izy io. — 5:14.

16. Fanazavana ny Soratra Hebreo mampiorina ny finoana inona avy no hita ao amin’ny Galatiana?

16 Nanampy ireo Galatiana teo amin’ny foto-pampianarana maro ny taratasin’i Paoly, tamin’ny fiorenana tamin’ireo Soratra Hebreo mba hahazoana fanoharana mahery. Nolazainy ny hevitra ara-tsindrimandrin’ny Isaia 54:1-6, tamin’ny fampahafantarana fa ilay vehivavy vadin’i Jehovah no i “Jerosalema any ambony”. Nohazavainy ilay “fanoharana” ny amin’i Hagara sy i Saraha, mba hampisehoana fa ireo mpandova ny teny fikasan’Andriamanitra dia ireo izay nafahan’i Kristy, fa tsy ireo nitoetra ho andevon’ny Lalàna akory. (Gal. 4:21-26; Gen. 16:1-4, 15; 21:1-3, 8-13). Nohazavainy tsara fa tsy nanafoana ny fanekena abrahamika akory ny faneken’ny Lalàna, fa nanampy azy io kosa. Notondroiny koa fa nisy 430 taona ny fotoana teo anelanelan’ireo fanekena roa ireo, izay zava-dehibe ao amin’ny fandaharan-taonan’ny Baiboly. (Gal. 3:17, 18, 23, 24). Ny firaketana ireo zavatra ireo an-tsoratra dia notahirizina mba hampiorenana ny finoana kristiana amin’izao andro izao.

17. a) Fampahafantarana lehibe inona no omen’ny Galatiana? b) Fananarana tsara dia tsara inona no omena an’ireo mpandova ilay Fanjakana sy ireo mpiara-miasa aminy?

17 Ny zava-dehibe indrindra dia ny fampahafantaran’ny Galatiana tsy misy diso an’ilay Taranaka handova ilay Fanjakana, izay nantenain’ny mpaminany rehetra. “Ary tamin’i Abrahama sy ny taranany [i Kristy izany] no nilazana ny teny fikasana.” Ireo izay tonga zanak’Andriamanitra amin’ny alalan’ny finoana an’i Kristy Jesosy dia aseho ho noraisina tao amin’io taranaka io. “Raha an’i Kristy hianareo, dia taranak’i Abrahama sy mpandova araka ny teny fikasana.” (3:16, 29). Izao fananarana tsara dia tsara omena ao amin’ny Galatiana izao dia tokony harahin’ireo mpandova io Fanjakana io sy ireo izay miara-miasa mafy aminy: ‘Tomoera tsara ao amin’ilay fahafahana nanafahan’i Kristy anareo!’ ‘Aza ketraka amin’ny fanaovan-tsoa, fa amin’ny fotoan’andro dia hijinja isika, raha tsy reraka.’ ‘Manaova soa, indrindra fa amin’ny mpianakavin’ny finoana.’ — 5:1; 6:9, 10.

18. Fampitandremana sy fananarana mahery farany inona no omena ao amin’ny Galatiana?

18 Farany, dia eo ilay fampitandremana mahery fa hoe “tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra” ireo izay manao ny asan’ny nofo. Aoka àry ny rehetra hiala tanteraka amin’ny fahalotoana sy ny fifandiran’izao tontolo izao ary hametraka tanteraka ny fony amin’ny famokarana ny vokatry ny fanahy, dia ny “fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, hatsaram-panahy, hatsaram-po, finoana, fahalemem-panahy, fifehezan-tena”. — 5:19-23, NW.

[Fanontaniana]