Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-49 — Efesiana

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-49 — Efesiana

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-49 — Efesiana

Mpanoratra: Paoly

Toerana Nanoratana: Roma

Vita Tamin’ny: 60 – 61 am.f.i. tany ho any

1. Oviana ary tao anatin’ny toe-javatra toy inona avy no nanoratan’i Paoly ny taratasy ho an’ny Efesiana?

 ERITRERETO hoe ao an-tranomaizina ianao. Ao ianao satria enjehina noho ny asa ataonao amin-jotom-po amin’ny maha-misionera kristiana anao. Tsy afaka mandeha mitsidika ireo kongregasiona (NW ) intsony ianao izao mba hampahatanjaka azy ireny, koa inona no hataonao? Tsy afaka manoratra taratasy ho an’ireo izay tonga Kristiana tamin’ny alalan’ny asa fitoriana nataonao ve ianao? Tsy azo inoana ve fa manontany tena ny amin’ny fahasalamanao izy ireo, ary tsy mety hila fampaherezana ve izy ireo? Mazava ho azy izany! Koa manomboka manoratra àry ianao. Izao ianao dia manao ilay nataon’ny apostoly Paoly indrindra, rehefa natao an-tranomaizina voalohany tany Roma izy, tany amin’ny 59 am.f.i. ka hatramin’ny 61 am.f.i. tany ho any. Nangataka ny handahatra teo anatrehan’i Kaisara izy, ary na dia teo am-piandrasana ny fitsarana azy sy nambenana aza izy, dia nanana fahalalahana hanao zavatra sasany. Nanoratra ny taratasiny (NW ) “Ho An’ny Efesiana” tany Roma izy, azo inoana fa tamin’ny 60 na 61 am.f.i., ary nandefa azy io tamin’ny alalan’i Tykiko, narahin’i Onesimosy. — Efes. 6:21; Kol. 4:7-9.

2, 3. Inona no manaporofo amin’ny fomba mampiaiky ny naha-mpanoratra ilay taratasy an’i Paoly, ary, miaraka amin’izany koa, ny maha-kanônika ny Efesiana?

2 Nampahafantatra ny tenany ho ny mpanoratra ilay taratasy i Paoly, raha vao teo amin’ny teniny voalohany ary nanisy firesahana, na niresaka tsy nivantana inefatra, momba ny tenany ho ilay “mpifatotra noho ny amin’ny Tompo”. (Efes. 1:1; 3:1, 13; 4:1; 6:20). Tsy nitondra na inona na inona ireo hevitra naroso hanoherana ny naha-mpanoratra ilay taratasy an’i Paoly. Ny Papyrus Chester Beatty No. 2 (P46), izay ninoana fa tany amin’ny 200 am.f.i. tany ho any, dia misy takelaka 86 avy tamin’ny kodeksa iray misy ireo epistilin’i Paoly. Anisan’izy ireo ilay epistily ho an’ireo Efesiana, ka izany dia mampiseho fa nakambana niaraka tamin’ireo taratasiny tamin’izany fotoana izany izy io.

3 Ireo mpanoratra tany am-boalohany anisan’ny klerjy dia nanamarina fa i Paoly no nanoratra ilay taratasy ary koa fa nataony “Ho An’ny Efesiana” ilay izy. Ohatra, i Irénée, tamin’ny taonjato faharoa am.f.i., dia nanonona ny Efesiana 5:30 toy izao: “Araka ny lazain’i Paoly ilay voatahy, tao amin’ny epistolany ho an’ny Efeziana, fa hoe rantsam-batany isika.” I Clément avy tany Aleksandria, tamin’io fe-potoana io ihany koa, dia nanonona ny Efeziana 5:21 (fandikan-teny katolika) tamin’izao tatitra izao: “Noho izany koa, ao amin’ilay epistola ho an’ny Efeziana izy dia manoratra hoe: Mahaiza mifanoa amim-pahatahorana ny Kristy.” I Origène, nanoratra tamin’ny tapany voalohany tamin’ny taonjato fahatelo am.f.i., dia nanonona ny Efesiana 1:4 tamin’ny filazana hoe: “Kanefa koa ilay apostoly, ao amin’ny epistola ho an’ny Efeziana, dia mampiasa fomba fiteny mitovy amin’izany rehefa milaza hoe: Sy nifidy antsika tao aminy talohan’ny nahariana izao tontolo izao.” a I Eusèbe, fahefana hafa iray raha ny amin’ny tantara kristiana tany am-boalohany (260 am.f.i. tany ho any - 342 am.f.i.), dia nampiditra ny Efesiana tao amin’ny kanônan’ny Baiboly, ary ny ankamaroan’ireo mpanoratra tany am-boalohany anisan’ny klerjy dia nanisy firesahana momba ny Efesiana ho anisan’ireo Soratra ara-tsindrimandry. b

4. Inona no nitarika ny sasany hanombantombana fa hoe nety ho navantana tany an-toeran-kafa ny Efesiana, kanefa porofo inona no manohana fa i Efesosy no nandefasana azy?

4 Ny Papyrus Chester Beatty sy ny Sora-tanana Vaticanus No. 1209 ary ny Sora-tanana Sinaïticus dia tsy nampiditra ny teny hoe “any Efesosy” ao amin’ny toko voalohany, andininy voalohany, ka noho izany dia tsy mampiseho izay nandefasana ilay taratasy. Io zava-misy io sy ny tsy fisian’ny fiarahabana (NW ) ho an’olona manokana tany Efesosy (na dia niasa mafy tany nandritra ny telo taona aza i Paoly), dia nitarika ny sasany hanombantombana hoe nety ho navantana tany an-toeran-kafa io taratasy io, na fara faharatsiny, hoe nety ho taratasy naely eran’ny kongregasiona tany Azia Minora, anisan’izany i Efesosy, izy io. Kanefa, ny ankamaroan’ireo sora-tanana hafa dia mampiditra ny teny hoe “any Efesosy”, ary araka ny efa nomarihintsika tetsy aloha, ireo mpanoratra tany am-boalohany anisan’ny klerjy dia nanaiky azy io ho taratasy ho an’ny Efesiana.

5. Inona no mendrika homarihina momba an’i Efesosy tamin’ny andron’i Paoly?

5 Hanampy antsika hahazo ny zava-kendren’itỳ taratasy itỳ ny fanazavana sasany momba ny toe-javatra nanodidina ny fanoratana azy. Tamin’ny taonjato voalohany amin’ny Fanisan-taona Iraisana, i Efesosy dia nalaza noho ny fankatovana, ny fanaovana majika, ny fanandroana ary ny fivavahana tamin’i Artemisy (f.a.p.), andriamanibavin’ny fahafaha-miteraka. c Nanodidina ny tsangambaton’ilay andriamanibavy, dia nananganana tempoly iray fatratra aoka izany izay noheverina ho ny iray tamin’ireo zava-nahatalanjona fito teo amin’ny tontolo fahiny. Araka ny fihadian-tany natao teo amin’io toerana io tamin’ny taonjato faha-19, ilay tempoly dia naorina teo amin’ny lampihazo iray 73 metatra ny sakany ary 127 metatra ny halavany. Ilay tempoly mihitsy dia nanana sakany 50 metatra teo ho eo ary haavo 105 metatra teo ho eo. Nisy andry vatovandana (marbra) 100 ilay izy, ka 17 metatra teo ho eo ny haavon’ny tsirairay taminy. Voarakotra taila vatovandana fotsy lehibe ny tafony. Volamena no voalaza fa nampiasaina ho solon’ny rihitra teo anelanelan’ireo tonon’ireo vongana vatovandana. Nisarika mpizaha tany avy tamin’ny faritra rehetra tamin’ny tany ilay tempoly, ary mpitsidika niisa ana hetsiny maro no nirohotra tao amin’ilay tanàna, nandritra ireo andro firavoravoana. Nanao raharaha nahazoan-tombony be ireo mpanefy volafotsy tany Efesosy, tamin’ny fivarotana sarin’ny tempolin’i Artemisy volafotsy tamin’ireo mpitsidika tany masina, ho toy ny fahatsiarovana.

6. Nanao ahoana ny fitaran’ny asan’i Paoly tao Efesosy?

6 Nijanona tao Efesosy i Paoly tamin’ny dia misionerany faharoa, mba hanao fitoriana vetivety ary avy eo dia nilaozany mba hanohy ny asa tao i Akoila sy i Prisila. (Asa. 18:18-21). Niverina izy tamin’ny dia misionerany fahatelo ary nivahiny nandritra ny telo taona teo ho eo, ka nitory sy nampianatra “ny làlana” tamin’ny maro. (Asa. 19:8-10, f.a.p.; 20:31). Niasa mafy i Paoly fony tao Efesosy. Ao amin’ny bokiny hoe Daily Life in Bible Times, dia nanoratra toy izao i A. E. Bailey: “Ny fomba narahin’i Paoly ankapobeny dia ny niasa tamin’ny raharahany nanomboka tamin’ny fiposahan’ny masoandro ka hatramin’ny 11 ora maraina, (Asa. 20:34, 35), ora nahavitan’i Tyrano ny fampianarany; avy eo, nanomboka tamin’ny 11 ora maraina ka hatramin’ny 4 ora tolakandro, dia ny nitory tao amin’ilay efitra lehibe, nanao lahateny tamin’ireo mpanampy, (...) avy eo tamin’ny farany dia nanao ady hevitra isan-trano ho fampielezana ny filazantsara, izay naharitra nanomboka tamin’ny 4 ora tolakandro ka hatramin’ny alina be. (Asa. 20:20, 21, 31). Manontany tena isika hoe taiza no nahitany fotoana hisakafoana sy hatoriana.” — 1943, pejy 308.

7. Inona no vokatry ny fitorian’i Paoly tamin-jotom-po?

7 Nandritra ny fitoriany tamin-jotom-po, i Paoly dia nanala sarona ny fampiasana sary teo amin’ny fanompoam-pivavahana. Izany dia nanaitra ny fahatezeran’ireo nanao sy nivarotra izany, toa an’i Demetrio, mpanefy volafotsy, ary tao anatin’ilay tabataba, tamin’ny farany i Paoly dia voatery nandao an’ilay tanàna. — Asa. 19:23–20:1.

8. Tamin’ny ahoana avy ny taratasin’i Paoly ho an’ny Efesiana no tamin’ny fotoana nety indrindra?

8 Izao, fony tao an-tranomaizina i Paoly, dia nieritreritra momba ireo zava-nanahirana natrehin’ny kongregasionan’i Efesosy, izay voahodidin’ny mpanompo sampy sy ny alok’ilay tempoly nahatahotr’i Artemisy. Ireo Kristiana voahosotra ireo izao dia azo inoana fa nila ilay fanoharana nomen’i Paoly azy, mba hampisehoana fa nahaforona “tempoly masina”, izay nitoeran’i Jehovah tamin’ny alalan’ny fanahiny, ny tenany. (Efes. 2:21). Ilay “zava-miafina masina” naharihary tamin’ireo Efesiana, mikasika ny fitondran’Andriamanitra (ny fomba fitantanany ireo raharahan’ny ankohonany) izay hamerenany ny firaisan-kina sy ny fiadanana (NW ) amin’ny alalan’i Jesosy Kristy, dia tsy azo lavina fa nandrisika sy nampionona azy ireo tokoa. (1:9, NW, 10). Nantitranterin’i Paoly ny naha-tafaray ny Jiosy sy ny Jentilisa tamin’i Kristy. Nampirisika azy ireo mba ho iray ihany sy ho tafaray izy. Araka izany, dia afaka mahatakatra ny zava-kendren’itỳ boky itỳ sy ny vidiny ary ny naha-ara-tsindrimandry azy miharihary isika ankehitriny.

LOHA HEVITRA RAKETIN’NY EFESIANA

9. Tamin’ny ahoana no hoe nataon’Andriamanitra be ny fitiavany, ary inona no vavaka nataon’i Paoly?

9 Ny fikasan’Andriamanitra hitondra firaisan-kina amin’ny alalan’i Kristy (1:1–2:22). Nandefa fiarahabana i Paoly ilay apostoly. Isaorana Andriamanitra noho ny voninahitry ny hatsaram-panahiny amin’izay tsy mendrika akory (NW ). Izany dia misy ifandraisana amin’ny nifidianany azy ireo mba ho tafaray amin’i Jesosy Kristy, izay nahazoany fanavotana tamin’ny rany. Ankoatra izany, dia nataony be ny fitiavany azy ireo tamin’ny fampahafantarana ny zava-miafina masina ny amin’ny sitrapony, satria nikasa ny hisian’ny fitondrana izy, mba “hanangonany ny zavatra rehetra ho iray ao amin’i Kristy”, ary ao aminy koa no nanaovana azy ireo ho lovany. (1:10). Ho santatry ny lovany, dia efa nasiana tombo-kase tamin’ny fanahy masina izy ireo. Ny vavak’i Paoly dia ny hahatonga azy ireo hiaiky mafy ny amin’ilay fanantenana niantsoana azy ireo (NW ) sy hahatakatra fa Andriamanitra dia hampiasa ho azy ireo, ilay hery efa nampiasainy tamin’ny nananganany an’i Kristy tamin’ny maty sy tamin’ny nametrahany azy ambony lavitra noho ny fanapahana sy ny fahefana rehetra ary tamin’ny nanaovany azy ho Lohany manapaka ny zavatra rehetra ho an’ny kongregasiona.

10. Ahoana no nahatongavan’ireo Efesiana ho “tompon-tany, mpiray fanjakana amin’ny olona masina”?

10 Andriamanitra, noho izy manankarena amin’ny famindram-po sy manana fitiavana lehibe, dia nahavelona azy ireo, na dia mbola matin’ny fahadisoany sy ny fahotany aza izy ireo, ka nametraka azy ireo niaraka “any an-danitra [tafaray, NW ] amin’i Kristy Jesosy”. (2:6). Izany rehetra izany dia noho ny hatsaram-panahy amin’izay tsy mendrika akory sy ny finoana, fa tsy vokatr’izay nety ho asa nataon’ny tenan’izy ireo akory. I Kristy no fiadanan’izy ireo, izay nandrodana ilay rindrina (NW ), dia ny lalàna nisy didy, izay nampisaraka ny Jentilisa tamin’ny Jiosy. Izao izy roa tonta dia afaka nanatona ny Ray tamin’ny alalan’i Kristy. Noho izany, dia tsy vahiny intsony ireo Efesiana, fa “tompon-tany, mpiray fanjakana amin’ny olona masina” ary nitombo tsara ho tempoly masina honenan’i Jehovah amin’ny alalan’ny fanahy. — 2:19.

11. Inona moa ilay “zava-miafina masina”, ary ny amin’inona no nivavahan’i Paoly ho an’ireo Efesiana?

11 “Ny [zava-miafina masina, NW ] ny amin’i Kristy” (3:1-21). Efa nahariharin’Andriamanitra tamin’ireo apostoliny sy mpaminaniny masina izao “ny [zava-miafina masina, NW ] ny amin’i Kristy (...), dia ny hahatongavan’ny jentilisa ho mpiray lova sy ho tena iray ary ho mpiombona ny teny fikasana ao amin’i Kristy Jesosy noho ny [vaovao tsara, NW ]”. (3:4, 6). Noho ny hatsaram-panahin’Andriamanitra amin’izay tsy mendrika akory, i Paoly dia tonga mpanompon’izany, mba hitory ny haren’i Kristy tsy hita lany ary hampahazava ny olona rehetra mba hahalalany izay fitondrana ilay zava-miafina masina. Tamin’ny fitondrana ny kongregasiona no nampahafantarana ny naha-maro samy hafa ny fahendren’Andriamanitra. Noho izany, dia nivavaka i Paoly mba hohatanjahina fatratra amin’ny fanahin’Andriamanitra izy ireo. Ny anton’izany dia mba hahalalany amin’ny fomba feno (NW ) ny fitiavan’i Kristy, izay mihoatra noho ny fahalalana, ary mba hahatakarany fa afaka manao “mihoatra lavitra noho izay rehetra angatahintsika na heverintsika aza” Andriamanitra. — 3:20.

12. a) Ahoana no tokony handehanan’ny Kristiana, ary nahoana? b) Fanomezana inona avy no nomen’i Kristy, ary ho amin’ny zava-kendrena inona? d) Inona no tafiditra amin’ny fitafiana “ny toetra vaovao”?

12 Fitafiana “ny toetra vaovao” (4:1–5:20). Tokony handeha mendrika ny fiantsoana azy ny Kristiana, amin’ny fanetren-tena, amin’ny fahari-po sy ny fitiavana, ary amin’ny fehim-pihavanana, satria tsy misy afa-tsy fanahy iray, fanantenana iray, finoana iray ihany, ary “Andriamanitra [iray] sady Rain’izy rehetra, Izay ambonin’izy rehetra sy manerana azy rehetra ary ao amin’izy rehetra”. (4:6). Noho izany, i Kristy, ilay ‘Tompo iray’, dia nanome mpaminany, evanjelisitra, mpiandry ary mpampianatra, “ho fanatanterahana ny olona masina, ho amin’ny asan’ny fanompoana amin’ny fiangonana, ho amin’ny fampandrosoana ny tenan’i Kristy”. Koa “amin’ny filazana ny marina” àry, hoy ny nosoratan’i Paoly, dia “aoka isika, amin’ny fitiavana, hitombo amin’ny zavatra rehetra ao aminy izay lohany, dia i Kristy izany”, toy ny tena iray izay akambana sy ampiraisina tsara ary miara-miasa ny rantsambatana (NW ) rehetra. (4:5, 12, 15, NW ). Ny fahalotoam-pitondran-tena sy ny fahafoanana ary ny tsy fahalalana narahin’ny toetra taloha dia tokony hesorina; tokony hohavaozina ny olona tsirairay avy raha ny amin’ny hery manetsika ny sainy (NW ), ary “hitafy ilay toetra vaovao izay noforonina araka ny sitrapon’Andriamanitra amin’ny rariny sy ny fahatokiana marina”. Samy isan’ny momba ny tenan’ny namany avokoa ny rehetra, ka tokony hilaza ny marina, hanaisotra ny fahatezerana, ny halatra, ny teny maloto, ny fo lentika, ka tsy hampalahelo ny fanahy masin’Andriamanitra. Aoka kosa izy ireo ‘halemy fanahy amin’ny namany avy, ka hifampiantra sy hifamela heloka, tahaka ny namelan’Andriamanitra ny helony tao amin’i Kristy’. — 4:24, NW, 32.

13. Mba hanahafana an’Andriamanitra, inona no tsy maintsy ataon’ny olona iray?

13 Tokony hanahaka an’Andriamanitra ny rehetra. Tsy tokony hotononina eo aminy akory ny fijangajangana sy ny fahalotoana ary ny faniriana mihoa-pampana (NW ), satria ireo izay manao ireo zavatra ireo dia tsy manana lova ao amin’ilay Fanjakana. Nananatra ireo Efesiana toy izao i Paoly: “Mandehana tahaka ny zanaky ny mazava”. “Tandremo tsara” izay fandehanareo, amin’ny fanararaotana ny andro azo anaovan-tsoa, “fa ratsy izao fiainana izao”. Eny, tsy maintsy ‘mahafantatra izay sitrapon’i [Jehovah, NW ]’, izy ireo ary hiresaka momba ny fiderana an’Andriamanitra (NW ) amin’ny fomba feno fisaorana. — 5:8, 15-17.

14. Inona avy ireo adidin’ny lehilahy sy ny vehivavy amin’ny vadiny?

14 Fanekena araka ny tokony ho izy; ady kristiana (5:21–6:24). Tokony hanaiky ny vadiny ny vehivavy, tsy misy hafa amin’ny aneken’ny kongregasiona an’i Kristy, ary ny lehilahy kosa tokony hanohy (NW ) ho tia ny vadiny, “dia tahaka ny nitiavan’i Kristy ny [kongregasiona, NW ]”. Toy izany koa fa ‘ny vehivavy manambady dia tokony hanana fanajana lalina ny vadiny’. — 5:25, 33, NW.

15. Inona no torohevitr’i Paoly momba ny ankizy sy ny ray aman-dreny, ny mpanompo sy ny tompo, ary ny fiadian’ny Kristiana?

15 Tokony hiara-miaina amim-piraisan-kina amin’ny ray aman-dreniny ny ankizy, amin’ny fankatoavana (NW ) sy amin’ny fanarahana ny fifehezana (NW ) araka an’Andriamanitra. Ireo mpanompo sy tompo koa dia tokony hitondra tena amin’ny fomba hahazoana sitraka amin’Andriamanitra, satria ny Tompon’ny rehetra “dia any an-danitra; ary tsy misy fizahan-tavan’olona aminy”. Farany, dia aoka ny rehetra hahery “ao amin’ny Tompo sy amin’ny herin’ny faherezany”, amin’ny fitafiana ny fiadian’Andriamanitra rehetra mba hahafahana hiorina mafy hanohitra (NW ) ny Devoly. “Ho fanampin’izany rehetra izany dia tano ny finoana ho ampinga” ary koa “ny tenin’Andriamanitra ho sabatry ny fanahy”. Mivavaha mandrakariva ary miambena. Nangataka azy ireo i Paoly mba hivavaka ho azy, mba hahafahany “hampahafantatra ny zava-miafina masina ny amin’ny vaovao tsara” amin’ny fahasahiana. — 6:9, 10, 16, 17, 19, NW.

MAHASOA — NAHOANA?

16. Fanontaniana inona avy no mahazo valiny azo ampiharina ao amin’ny Efesiana, ary inona no lazaina momba ilay toetra ankasitrahan’Andriamanitra?

16 Mahakasika saiky ny lafiny rehetra amin’ny fiainan’ny Kristiana ny epistily ho an’ny Efesiana. Rehefa jerena ny firongatr’ireo zava-manahirana mampahory sy ny faharatsiam-pitondran-tena eo amin’izao tontolo izao ankehitriny, ny torohevitr’i Paoly marim-pototra sy azo ampiharina dia tena mahasoa an’ireo izay maniry hanana fiainana araka an’Andriamanitra. Tokony hanao ahoana ny fitondran-tenan’ny ankizy eo anatrehan’ny ray aman-dreny, ary ny an’ny ray aman-dreny eo anatrehan’ny ankizy? Inona avy ireo andraikitry ny lehilahy amin’ny vadiny, ary ny an’ny vehivavy amin’ny vadiny? Inona no tsy maintsy ataon’ny tsirairay ao amin’ny kongregasiona mba hihazonana ny firaisan-kina amin’ny fitiavana sy ny fahadiovana kristiana eo anivon’ny tontolo feno faharatsiana? Mahafaoka ireo fanontaniana rehetra ireo ny torohevitr’i Paoly, ary manohy mampiseho izay tafiditra amin’ny hoe fitafiana ny toetra kristiana vaovao, izy. Amin’ny fianarana ny Efesiana, ny rehetra dia ho afaka hahazo tena fahatakarana ilay karazana toetra ankasitrahan’Andriamanitra sady “noforonina araka ny sitrapon’Andriamanitra amin’ny rariny sy ny fahatokiana marina”. — 4:24-32, NW; 6:1-4; 5:3-5, 15-20, 22-33.

17. Inona no asehon’ny Efesiana raha ny amin’ny fiaraha-miasa amin’ireo fandaharana ao amin’ny kongregasiona?

17 Asehon’ilay taratasy koa ny zava-kendren’ireo fanendrena ao amin’ny kongregasiona. Izany dia “ho fanatanterahana ny olona masina, ho amin’ny asan’ny fanompoana amin’ny fiangonana, ho amin’ny fampandrosoana ny tenan’i Kristy”, mba hahatratrarana ny fahamatorana. Amin’ny fiaraha-miasa amin’ny fomba feno amin’ireo fandaharan’ny kongregasiona ireo, ny Kristiana dia afaka, ‘amin’ny fitiavana, mitombo amin’ny zavatra rehetra ao aminy izay lohany, dia i Kristy izany’. — 4:12, 15, NW.

18. Inona no atao mazava tsara raha ny amin’ilay “zava-miafina masina” sy ny tempoly ara-panahy iray?

18 Ny taratasy ho an’ny Efesiana dia nandraisan’ny kongregasiona tany am-boalohany soa be dia be, raha ny amin’ny fanatsarana ny fahazoan’izy ireo ny hevitry “ny zava-miafina masina ny amin’i Kristy”. Atao mazava tsara ao fa, niaraka tamin’ireo Jiosy nino, dia nisy “jentilisa” nantsoina ho “mpiray lova sy ho tena iray ary ho mpiombona ny teny fikasana ao amin’i Kristy Jesosy noho ny [vaovao tsara, NW ]”. Noravana ilay rindrina nampisaraka, “ny lalàna nisy didy”, izay nampisaraka ny Jentilisa tamin’ny Jiosy, ary izy rehetra dia tonga tompon-tany, mpiray fanjakana amin’ny olona masina sady ankohonan’Andriamanitra. Mifanohitra amin’ny fomba manaitra amin’ny tempoly sampin’i Artemisy izy ireo, satria niara-naorina ho tafaray tamin’i Kristy Jesosy tao amin’ny toerana iray onenan’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fanahy, dia “tempoly masina iray ho an’i Jehovah”. — 3:4, NW, 6; 2:15, 21, NW.

19. Fanantenana sy fampaherezana inona no mbola asongadin’ny Efesiana ihany hatramin’izao andro ankehitriny izao?

19 Raha ny amin’ilay “zava-miafina masina”, dia niresaka koa i Paoly momba “ny fitondrana [iray] (...), hanangonany ny zavatra rehetra ho iray ao amin’i Kristy, na ny any an-danitra [ireo voafidy ho ao amin’ilay Fanjakana any an-danitra], na ny etỳ an-tany [ireo hiaina eto an-tany ao amin’ny faritra hanapahan’ilay Fanjakana]”. Araka izany, dia nasongadina ilay fikasana lehiben’Andriamanitra hamerina ny fiadanana sy ny firaisan-kina amin’ny laoniny. Mifandray amin’izany, i Paoly dia nivavaka ho an’ireo Efesiana, izay nampahiratina ny mason’ny fony (NW ), mba hahatakarany amin’ny fomba feno ilay fanantenana niantsoan’Andriamanitra azy sy hahitany “izay haren’ny voninahitry ny lovany eo amin’ny olona masina”. Tsy maintsy ho nitondra fampaherezana be dia be ho azy ireo tao amin’ny fanantenany, ireo teny ireo. Ary ny taratasy ara-tsindrimandry ho an’ny Efesiana dia mbola mampahery ny kongregasiona ihany hatramin’izao andro ankehitriny izao, mba ‘ho feno amin’ny fahafenoana rehetra omen’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra isika’. — 1:9-11, 18; 3:19, NW.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Origin and History of the Books of the Bible, 1868, C. E. Stowe, pejy 357.

b New Bible Dictionary, fanontana faharoa, 1986, natontan’i J. D. Douglas, pejy 175.

c Insight on the Scriptures, Boky 1, pejy 182.

[Fanontaniana]