Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-5 — Deoteronomia

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-5 — Deoteronomia

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-5 — Deoteronomia

Mpanoratra: Mosesy

Toerana Nanoratana: Lemak’i Moaba

Vita Tamin’ny: 1473 al.f.i.

Fe-potoana Voafaoka: 2 volana (1473 al.f.i.)

1. Fanontaniana inona avy no azo atao mifandray amin’ny fidiran’ny Isiraely tao amin’ny Tany Nampanantenaina?

 NY BOKIN’NY Deoteronomia dia misy hafatra mahery ho an’ny vahoakan’i Jehovah. Rehefa avy nirenireny tany an’efitra nandritra ny 40 taona ireo zanak’Isiraely, dia teo an-tokonan’ny Tanin’ny Fampanantenana izao. Inona no niandry azy ireo? Inona avy ireo zava-manahirana manokana hatrehin’izy ireo rehefa ho eny ampitan’i Jordana? Inona no holazain’i Mosesy farany tamin’ilay firenena? Azontsika atao koa ny manontany hoe: Nahoana no mahasoa antsika amin’izao andro izao ny fahafantarana ny valin’ireo fanontaniana ireo?

2. Zavatra miavaka inona no maha-zava-dehibe ny Deoteronomia?

2 Ny valiny dia hita ao amin’ireo teny nolazain’i Mosesy ary noraketiny an-tsoratra ao amin’ny boky fahadimy ao amin’ny Baiboly, ny Deoteronomia. Na dia mamerina be dia be amin’izay voalaza tao amin’ireo boky teo aloha aza ny Deoteronomia, dia manana ny maha-zava-dehibe mampiavaka azy manokana izy io. Fa nahoana? Manome fanamafisana fanampiny an’ilay hafatra avy tamin’Andriamanitra izy io, satria nomena tamin’ny fotoana teo amin’ny tantaran’ny vahoakan’i Jehovah fony izy ireo tena nila mpitarika mahery fo sy fitarihana manorina. Efa hiditra ny Tany Nampanantenaina teo ambany fitarihan’ny mpitarika vaovao iray, izy ireo izao. Nila fampirisihana izy ireo mba handroso, no sady nila fampitandremana avy tamin’Andriamanitra mba hanarahana ny lalana mahitsy izay hanome azy ny fitahian’i Jehovah.

3. Inona no antitranterin’i Mosesy hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny faran’ny Deoteronomia, ary nahoana izany no zava-dehibe ho antsika amin’izao andro izao?

3 Nifanaraka tamin’izany zavatra nilainy izany, i Mosesy dia natosiky ny fanahin’i Jehovah tamin-kery mba hiangavy nivantana ny Isiraely mba hankato sy hahatoky. Hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny faran’ilay boky, izy dia nanantitrantitra fa i Jehovah no Andriamanitra Avo Indrindra, izay mitaky fifikirana tsy mizarazara (NW ) ary maniry ny hitiavan’ny vahoakany azy ‘amin’ny fony rehetra sy ny fanahiny [âme] rehetra ary ny heriny rehetra’. Izy no ilay “Andriamanitry ny andriamanitra, sy Tompon’ny Tompo, Andriamanitra lehibe sy mahery ary mahatahotra, Izay tsy mizaha tavan’olona, na mandray kolikoly”. Tsy milefitra eo anatrehan’ny fandrafiana izy. Ny fankatoavana azy dia midika ho fiainana, ny tsy fankatoavana, fahafatesana. Ny fampianaran’i Jehovah, omena ao amin’ny Deoteronomia, dia tsy inona fa ny fanomanana sy ny torohevitra nilain’ny Isiraely ho an’ireo asa goavana niandry azy ireo. Izany koa dia ilay karazana fananarana ilaintsika amin’izao andro izao mba hahafahantsika hanohy handeha amin’ny fahatahorana an’i Jehovah sy hanamasina ny anarany eo anivon’ny tontolo iray simba. — Deot. 5:9, 10, NW; 6:4-6; 10:12-22.

4. Inona no hevitry ny anarana hoe Deoteronomia, ary inona no zava-kendren’ilay boky?

4 Ny anarana hoe Deoteronomia dia avy amin’ny lohateny nomen’ny fandikan-tenin’ny Septante grika azy io hoe Deu·te·ro·noʹmi·on, izay mampikambana ny hoe deuʹte·ros, izay midika hoe “faharoa”, amin’ny hoe noʹmos, izay midika hoe “lalàna”. Ny dikany àry dia hoe “Lalàna Faharoa; Famerenana ny Lalàna”. Izany dia avy amin’ny fandikana amin’ny teny grika ilay teny hebreo ao amin’ny Deoteronomia 17:18 hoe mish·nehʹ hat·toh·rahʹ, izay adika araka ny tena izy hoe ‘fandikana amin’ny tanana ny lalàna’. Na dia eo aza anefa izany dikan’ny anarana hoe Deoteronomia izany, io boky ao amin’ny Baiboly io dia tsy lalàna faharoa na koa hoe famerenana ranofotsiny ny Lalàna. Izy io kosa dia fanazavana ny Lalàna, ka nampirisika ny Isiraely ho tia sy hankato an’i Jehovah tao amin’ny Tany Nampanantenaina izay hidiran’izy ireo tsy ho ela. — 1:5.

5. Inona no manaporofo fa i Mosesy no mpanoratra ny Deoteronomia?

5 Noho izy io ny horonam-boky, na boky, fahadimin’ny Pentateuque, ny mpanoratra azy dia tsy maintsy ho ilay nanoratra ireo boky efatra teo aloha ihany, izany hoe i Mosesy. Ilay fanambarana voalohany dia mampahafantatra fa ny Deoteronomia dia ny “teny izay nolazain’i Mosesy tamin’ny Isiraely rehetra”, ary ny teny sasany atỳ aoriana, toy ny hoe “nosoratan’i Mosesy izany lalàna izany” sy ny hoe ‘nosoratan’i Mosesy izao fihirana izao’, dia manaporofo mazava tsara fa izy no nanoratra azy io. Ny anarany dia miseho efa ho in-40 ao amin’ilay boky, mazàna mba hilazana ny tompon’ireo fanambarana atao. Ny mpisolo anarana hoe “aho”, manondro an’i Mosesy, no ampiasaina imbetsaka indrindra hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny faran’ilay boky. Ireo teny farany dia azo inoana fa nampian’i Josoa na i Eleazara mpisoronabe taorian’ny nahafatesan’i Mosesy. — 1:1; 31:9, 22, 24-26.

6. a) Fe-potoana toy inona no voafaoka ao amin’ny Deoteronomia? b) Oviana no vita ny fanoratana ilay boky?

6 Oviana no nitranga ireo fisehoan-javatra ao amin’ny Deoteronomia? Eo am-piandohana, ilay boky mihitsy dia manambara fa “tamin’ny andro voalohany tamin’ny volana fahiraika ambin’ny folo tamin’ny taona fahefa-polo dia niteny tamin’ny Zanak’Isiraely Mosesy”. Rehefa vita ny firaketana an-tsoratra tao amin’ny Deoteronomia, ny bokin’i Josoa dia mandray ilay fitantarana telo andro talohan’ny nitana an’i Jordana, izay natao “tamin’ny andro fahafolo tamin’ny volana voalohany”. (Deot. 1:3; Josoa 1:11; 4:19). Izany dia manome fe-potoana naharitra roa volana sy herinandro nitrangan’ireo fisehoan-javatra ao amin’ny Deoteronomia. Kanefa, ny 30 andro tamin’io fe-potoana naharitra sivy herinandro io dia nisaonana ny fahafatesan’i Mosesy. (Deot. 34:8). Midika izany fa saika ny fisehoan-javatra rehetra ao amin’ny Deoteronomia dia tsy maintsy ho nitranga tamin’ny volana faha-11 tamin’ny taona faha-40. Rehefa nifarana io volana io, dia tsy maintsy ho efa vita ny fanoratana ilay boky, satria ny fahafatesan’i Mosesy dia teo am-piandohan’ny volana faha-12 tamin’ny taona faha-40, na teo am-piandohan’ny taona 1473 al.f.i.

7. Inona no mampiseho fa azo itokiana ny Deoteronomia?

7 Ireo porofo efa naroso ny amin’ny maha-azo itokiana ireo boky efatra voalohany amin’ny Pentateuque dia marina koa ny amin’ny Deoteronomia, ny boky fahadimy. Izy io koa dia ny iray amin’ireo boky efatra ao amin’ny Soratra Hebreo izay tononina matetika indrindra ao amin’ny Soratra Grika Kristiana, ka ny boky hafa dia ny Genesisy sy ny Salamo ary ny Isaia. Misy 83 ny fakan-teny toy izany, ary 17 amin’ireo boky ao amin’ny Soratra Grika Kristiana no manisy firesahana momba ny Deoteronomia. a

8. Fanamarinana tsy azo iadian-kevitra avy amin’i Jesosy inona no manaporofo ny maha-azo itokiana ny Deoteronomia?

8 Ny tenan’i Jesosy dia nanome ny fanamarinana mahery indrindra manohana ny Deoteronomia. Teo am-piandohan’ny fanompoany, dia nalain’ny Devoly fanahy intelo izy, ary intelo izy no namaly tamin’ny hoe “Voasoratra hoe”. Voasoratra taiza anefa? Tao amin’ny bokin’ny Deoteronomia, (8:3; 6:16, 13), izay notononin’i Jesosy ho ny fahefana azo tamin’ny tsindrimandry nampiasainy, nanao hoe: “Tsy mofo ihany no hiveloman’ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’i [Jehovah, NW ].” “Aza maka fanahy an’i Jehovah Andriamanitrao.” “Jehovah Andriamanitrao no hiankohofanao, ary Izy irery ihany no hotompoinao.” (Matio 4:1-11). Tatỳ aoriana, rehefa tonga mba hitsapa azy momba ireo didin’Andriamanitra ireo Fariseo, dia nanonona ny “didy lehibe [indrindra, NW ] sady voalohany” avy tao amin’ny Deoteronomia 6:5, i Jesosy mba hamaliana azy ireo. (Matio 22:37, 38; Marka 12:30; Lioka 10:27). Ny fanamarinana avy tamin’i Jesosy dia manome ny marika tsy azo iadian-kevitra fa azo itokiana ny Deoteronomia.

9. Fanaporofoana avy any ivelany inona no manamarina ny Deoteronomia?

9 Ambonin’izany, ireo fisehoan-javatra sy fanambarana ao amin’ilay boky dia mifanaraka tsara amin’ny tarehin-javatra sy faritra ara-tantara. Ireo firesahana momba an’i Egypta, i Kanana, i Amaleka, i Amona, i Moaba ary i Edoma dia mifanaraka tsara amin’ny toe-javatra tamin’izany fotoana izany, ary ireo anaran-toerana dia voalaza araka ny marina tsara. b Ny arkeolojia dia manohy mamoaka porofo tsy an-kijanona ny amin’ny maha-araka ny marina tsara ireo asa soratr’i Mosesy. Hoy ny nosoratan’i Henry H. Halley: “Tato ho ato, dia niteny tamin’ny feo avo aoka izany ny arkeolojia, ka nahatonga ny olona hanaiky amin’ny fomba hentitra ilay fomba fihevitra tranainy [fa hoe i Mosesy no nanoratra ny Pentateuque]. Ilay tsangan-kevitra fa hoe tsy fantatra tamin’ny andron’i Mosesy ny fahaiza-manoratra, dia nolavina tanteraka. Ary isan-taona, dia misy porofo hita any Egypta sy Palestina ary Mezopotamia, manamarina, noho ireo soratra sy soson-tany, fa ireo fitantarana ao amin’ireo [Soratra Hebreo] dia firaketana an-tsoratra ara-tantara marina. Ary ny ‘manam-pahaizana’ dia tsy isalasalana fa mihamanaja ilay finoana tranainy fa i Mosesy no mpanoratra azy io.” c Araka izany, na dia ny porofo avy any ivelany aza dia manohana fa ny Deoteronomia, ary koa ny tapany sisa amin’ny Pentateuque, dia firaketana an-tsoratra marina sy azo itokiana nataon’i Mosesy mpaminanin’Andriamanitra.

LOHA HEVITRA RAKETIN’NY DEOTERONOMIA

10. Inona moa no mahaforona ny Deoteronomia?

10 Ny tapany lehibe indrindra amin’ilay boky dia voaforona fitohitohizan-dahateny nataon’i Mosesy ho an’ireo zanak’Isiraely teo amin’ireo Lemak’i Moaba teo ampitan’i Jeriko. Ny voalohany amin’ireo dia mifarana eo amin’ny toko faha-4, ny faharoa dia tonga hatrany amin’ny faran’ny toko faha-26, ny fahatelo dia mitohy hatrany amin’ny toko faha-28 ary ny lahateny iray hafa dia tonga hatrany amin’ny faran’ny toko faha-30. Avy eo, rehefa avy nanao fandaharana farany noho ny fahafatesany nihananatona, anisan’izany ny fanendrena an’i Josoa ho mpandimby azy, i Mosesy, dia nirakitra an-tsoratra ny hira kanto indrindra ho fiderana an’i Jehovah, narahin’ny tsodrano nataony tamin’ireo fokon’ny Isiraely.

11. Ahoana no nampidiran’i Mosesy ny lahateniny voalohany?

11 Ny lahatenin’i Mosesy voalohany (1:1–4:49). Izy io dia nanome fampidiran-dresaka ara-tantara ho an’izay hanaraka. Nandinika indray ny nifandraisan’i Jehovah tamim-pahatokiana tamin’ny vahoakany aloha i Mosesy. Nilaza tamin’izy ireo i Mosesy mba handeha ka handova ny tany nampanantenaina an’i Abrahama sy i Isaka ary i Jakoba, razamben’izy ireo. Tantarainy ny fomba nandaminan’i Jehovah ny asan’io fitambaran’olona teokratika io teo am-piandohan’ny diany tany an’efitra, tamin’ny fanasana an’i Mosesy mihitsy hifidy lehilahy hendry, malina sady voazaha toetra mba ho mpifehy arivo, mpifehy zato, mpifehy dimampolo ary mpifehy folo. Nisy fandaminana faran’izay tsara, narahin’i Jehovah maso, fony “nandeha namaky ilay efitra lehibe sy mahatahotra” ny Isiraely. — 1:19.

12. Fisehoan-javatra inona avy nanodidina ny fisafoana ny tanin’i Kanana voalohany no tsaroany nanaraka?

12 Tsaroan’i Mosesy izao ny fahotan’izy ireo, fony izy ireo nikomy rehefa nandre ny tatitra nataon’ireo mpisafo tany niverina avy tany Kanana, ary nitaraina fa hoe halan’i Jehovah izy ireo satria, araka ny teniny, nitondra azy ireo nivoaka avy tany Egypta Izy mba hanolorany azy teo an-tanan’ny Amorita. Noho ny tsy fahampiam-pinoan’izy ireo, dia nilaza tamin’io taranaka ratsy fanahy io i Jehovah fa tsy hisy na dia iray taminy aza hahita ilay tany soa, afa-tsy i Kaleba sy i Josoa. Tamin’izay izy ireo dia nitondra tena tamim-pikomiana (NW ) indray, ka nanao sahisahy ary nanafika ny fahavalo noho ny fanapahan-keviny manokana, ary dia nenjehin’ny Amorita toy ny fanenjika tantely ka noringaniny.

13. Nifototra tamin’inona ny nanomezan’i Mosesy toky an’i Josoa ny amin’ny fandresena?

13 Nanao dia tany an’efitra hatrany amin’ny Ranomasina Mena izy ireo, ary nandritra ny 38 taona, dia maty ilay taranaka rehetra voaforon’ireo mpanafika. Avy eo i Jehovah dia nandidy azy ireo mba hita ka handova ny tany avaratr’i Arnona, tamin’ny filazana hoe: “Anio no vao hataoko mahazo ny firenena ambanin’ny lanitra rehetra ny horohoro sy tahotra anareo, ka raha reny ny lazanao, dia hangovitra sy hangorohoro eo anoloanao izy.” (2:25). I Sihona sy ny taniny dia lavo teo an-tanan’ny Isiraelita, ary avy eo dia azo ny fanjakan’i Oga. Nanome toky an’i Josoa i Mosesy fa hiady ho an’ny Isiraely amin’izany fomba izany koa i Jehovah mba handresena ireo fanjakana rehetra. Avy eo i Mosesy dia nanontany an’Andriamanitra raha nety hisy fahafahana ho an’ny tenany mba hita ka hahita ny tany soa tany andafin’i Jordana, kanefa mbola tsy nanaiky ihany i Jehovah, fa nilaza taminy kosa mba handidy sy hampahery ary hampahatanjaka an’i Josoa.

14. Nanao ahoana ny fanantitranteran’i Mosesy ny Lalàn’Andriamanitra sy ny fifikirana tsy mizarazara?

14 I Mosesy izao dia nanantitrantitra mafy ny Lalàn’Andriamanitra, ka nampitandrina ny amin’ny tsy tokony hanampiana na hanesorana na inona na inona tamin’ny didiny. Hiteraka loza ny tsy fankatoavana: “Kanefa kosa mitandrema hianao, ka tandremo tsara ny fanahinao, fandrao hadinoinao ny zavatra izay efa hitan’ny masonao, ary andrao miala amin’ny fonao izany, amin’ny andro rehetra hiainanao, fa ampahafantaro ny zanakao sy ny zafinao izany”. (4:9). Tsy nahita endrika izy ireo rehefa nanambara ny Teny Folo taminy tao anatin’ny toe-javatra nahatahotra tao Horeba i Jehovah. Hitondra fandravana ho an’ny tenany izy ireo raha nitodika tany amin’ny fanompoan-tsampy sy ny fivavahana tamin’ny sary izao, satria, araka ny filazan’i Mosesy, “Jehovah Andriamanitrao dia afo mandevona; eny, Andriamanitra saro-piaro [“mitaky fifikirana tsy mizarazara”, NW ] Izy.” (4:24). Izy no tia sy nifidy ny razan’izy ireo. Tsy misy Andriamanitra hafa any an-danitra ambony na etỳ an-tany ambany. Mankatoava azy, hoy ny fampirisihan’i Mosesy, “mba ho maro andro hianao any amin’ny tany, izay omen’i Jehovah Andriamanitrao ho anao mandrakizay”. — 4:40.

15. Fandaharana ny amin’ny tanàna fandosirana inona no natao tany atsinanan’i Jordana?

15 Rehefa avy namarana ny lahateniny nahery i Mosesy, dia nanokana an’i Bazera sy i Ramota ary i Golana ho tanàna fandosirana tany atsinanan’i Jordana.

16. Inona no nohamafisin’ny lahateny faharoan’i Mosesy?

16 Ny lahatenin’i Mosesy faharoa (5:1–26:19). Itỳ dia fiantsoana ny Isiraely hihaino an’i Jehovah, izay niteny nifanatrika tamin’izy ireo tao Sinay. Mariho fa namerina indray ny Lalàna i Mosesy, tamin’ny fanisiana fanitsiana tena nilaina sasany, mba hampifanarahana azy io tamin’ny fiainan’izy ireo vaovao tany ampitan’i Jordana. Tsy fitanisana ranofotsiny fitsipika sy didy akory izany. Ny teny tsirairay dia mampiseho fa ny fon’i Mosesy dia feno zotom-po sy fifikirana tamin’ny Andriamaniny. Niteny ho an’ny tombontsoan’ilay firenena izy. Nohamafisina hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany ny fankatoavana ny Lalàna — fankatoavana avy amin’ny fo feno fitiavana, fa tsy an-tery.

17. Ahoana no tsy maintsy namalian’ny Isiraely ny fitiavana nasehon’i Jehovah taminy?

17 Voalohany aloha, dia namerina ny Teny Folo, na ny Didy Folo, i Mosesy, ary nilaza tamin’ny Isiraely mba hankato azy ireo, ka tsy hivily na ho amin’ny ankavanana, na ho amin’ny ankavia, mba ho maro andro any amin’ilay tany ary mba hitomboany indrindra. “Mihainoa, ry Isiraely: Jehovah Andriamanitsika dia Jehovah iray ihany.” (6:4). Ny fo sy ny fanahy (âme) ary ny hery dia tsy maintsy omena ho an’ny fitiavana Azy, ary ny Isiraely dia tsy maintsy nampianatra ny zanany sy nilaza taminy ireo famantarana sy fahagagana lehibe nataon’i Jehovah tany Egypta. Tsy tokony hifanambady anaka tamin’ireo Kananita mpanompo sampy izy ireo. Nifidy ny Isiraely mba ho firenena rakitra soa ho azy i Jehovah, tsy noho ny hamaroan’izy ireo akory, fa noho ny fitiavany azy ireo sy ny fitandremany ny fianianana nataony tamin’ny razany. Tsy maintsy nandositra ny fandriky ny fivavahana tamin’ny demonia ny Isiraely, nandringana ireo sary tao amin’ilay tany, ary nifikitra tamin’i Jehovah, izay “Andriamanitra lehibe sy mahatahotra” tokoa. — 7:21.

18. Ny amin’inona no nampirisihan’i Mosesy ny Isiraelita mba hitandremany tena?

18 Nampanetry tena azy ireo nandritra ny 40 taona tany an’efitra i Jehovah, ka nampianatra azy ireo fa ny olona dia tsy mivelona amin’ny mana, na mofo, ihany, fa amin’izay rehetra aloaky ny vavan’i Jehovah. Nandritra ireny taona rehetra nananarana azy ireny, dia tsy rovitra ny fitafiany ary tsy nivonto ny tongony. Izao izy ireo dia hiditra tao amin’ny tany iray tondraka zava-tsoa! Kanefa tsy maintsy nitandrin-tena tamin’ny fandriky ny fitiavana fatratra zavatra ara-nofo sy ny fahatsiarovan-tena ho marina izy ireo ary hahatsiaro fa i Jehovah no ‘mpanome hery hahavory harena’ sady mpandresy ireo firenena ratsy fanahy. (8:18). Avy eo i Mosesy dia nitantara ireo toe-javatra nampahatezeran’ny Isiraely an’Andriamanitra. Tsy maintsy tsaroan’izy ireo ny nirehetan’ny fahatezeran’i Jehovah taminy tany an’efitra, sy ny nampiharany areti-mandringana sy afo ary famonoana azy ho faty! Tsy maintsy tsaroan’izy ireo ny fanompoam-pivavahana nikororosy nataony tamin’ilay ombilahy kely volamena, izay niteraka ny fahatezerana mafin’i Jehovah sy ny fanaovana indray ireo vato fisaka nisy ny Lalàna! (Eks. 32:1-10, 35; 17:2-7; Nom. 11:1-3, 31-35; 14:2-38). Tena tsy maintsy nanompo an’i Jehovah sy nifikitra taminy izy ireo izao, dia tamin’i Jehovah izay tia azy noho ny razany sy nahatonga azy ho “maro tahaka ny kintana eny amin’ny lanitra”. — Deot. 10:22.

19. Safidy inona no nambara mazava tsara, ary lalàna inona avy no nosoritana ho an’ilay firenena?

19 Tsy maintsy nitandrina “ny didy manontolo” ny Isiraely, ary tsy maintsy nankato an’i Jehovah tokoa, ho tia ny Andriamaniny sy hanompo azy tamin’ny fony rehetra sy ny fanahiny (âme) rehetra. (11:8, 13, NW ). Hanohana azy ireo sy hamaly soa azy ireo i Jehovah raha nankato azy izy ireo. Kanefa, tsy maintsy niezaka ny tenany ary koa nampianatra ny zanany tamim-pahazotoana. Nambara mazava tsara ny safidy napetraka teo anoloan’ny Isiraely: Ny fankatoavana dia hitondra fitahiana, ny tsy fankatoavana, ozona. Tsy tokony “hanaraka andriamani-kafa” izy ireo. (11:26-28). Avy eo i Mosesy dia nanoritra lalàna voafaritra tsara izay nahakasika ny Isiraely teo am-pandehanany handova ny Tanin’ny Fampanantenana. Nisy 1) lalàna momba ny fivavahana sy ny fanompoam-pivavahana; 2) lalàna nifandray tamin’ny fitantanana ny fitsarana sy ny fitondram-panjakana ary ny ady; ary 3) lalàna nanapaka teo amin’ny fiainana manokana sy ara-tsosialin’ilay vahoaka.

20. Hevitra inona avy no manasongadina ireo lalàna momba ny fanompoam-pivavahana?

20 1) Fivavahana sy fanompoam-pivavahana (12:1–16:17). Rehefa hiditra tao amin’ilay tany ny Isiraelita, ny soritra rehetra avy tamin’ny fivavahan-diso — ny fitoerana avo, ny alitara, ny tsangambato, ny Aseraha (“tsato-kazo masina”, NW ) ary ny sarin-javatra teo aminy — dia tsy maintsy noravana mihitsy. Ny Isiraely dia tsy maintsy nanolotra ny fanompoam-pivavahany teo amin’ny toerana nofidin’i Jehovah Andriamaniny hametrahana ny anarany ihany, ary teo izy ireo dia tsy maintsy nifaly taminy, eny, izy rehetra. Ireo fitsipika momba ny fihinanana hena sy ny fanatitra dia nahafaoka fampahatsiahivana fa tsy tokony hihinana ra izy ireo. “Kanefa tandremo tsara mba tsy hohaninao ny ra (...) eny, aza mihinana azy hianao, mba hahita soa hianao sy ny taranakao mandimby anao, raha manao izay mahitsy eo imason’i Jehovah hianao.” (12:16, 23-25, 27; 15:23). Izao i Mosesy dia nanameloka tamin’ny fomba nivantana ny fanompoan-tsampy. Tsy tokony hamotopototra momba izay fanaon’ny fivavahan-diso akory ny Isiraely. Raha hita fa diso ny mpaminany iray, dia tsy maintsy hatao maty, ary ireo mpivadi-pinoana — na dia havana na sakaiza tsy foin’ny tena aza, eny, na dia tanàna manontolo mihitsy aza — dia tsy maintsy holevonina tahaka izany koa. Nanaraka izany ireo fitsipika momba ny hanina madio sy maloto, ny fandoavana ny ampahafolon-karena ary ny fikarakarana ireo Levita. Ny tombontsoan’ireo nanan-trosa sy nahantra ary andevo dia tokony harovana tamim-pitiavana. Farany, i Mosesy dia nandinika indray ireo andro firavoravoana fanao isan-taona, izay fotoana nisaorana an’i Jehovah noho ireo fitahiany: “Intelo isan-kerintaona ny lehilahy rehetra aminao no hiseho eo anatrehan’i Jehovah, Andriamanitrao, eo amin’ny tany izay hofidiny, dia amin’ny andro firavoravoana fihinanana mofo tsy misy masirasira sy ny andro firavoravoana manarakaraka ireo herinandro ary ny andro firavoravoana fitoerana amin’ny trano rantsan-kazo. Ary aoka tsy hisy hiseho foana tsy mitondra fanatitra eo anatrehan’i Jehovah”. — 16:16.

21. Lalàna inona avy no nomena nifandray tamin’ny fitsarana, ary faminaniana lehibe inona no notononin’i Mosesy?

21 2) Fitsarana sy fitondram-panjakana ary ady (16:18–20:20). Voalohany aloha, dia nanome ireo lalàna nahakasika ireo mpitsara sy mpifehy i Mosesy. Ny rariny no zava-dehibe indrindra, ary ny kolikoly sy ny fitsarana miangatra dia halan’i Jehovah. Nosoritana ny fizotran’ny fametrahana porofo sy fandaminana raharaha ara-pitsarana. “Amin’ny tenin’ny vavolombelona roa na telo no hamonoana izay tokony ho faty”. (17:6). Nambara ireo lalàna momba ireo mpanjaka. Natao ny fandaharana hanohanana ireo mpisorona sy Levita. Norarana ny spiritisma satria “fahavetavetana eo imason’i Jehovah”. (18:12). Nijery tany amin’ny hoavy lavitra i Mosesy ka nanambara hoe: “Mpaminany avy eo aminao, dia avy amin’ny rahalahinao, tahaka ahy, no hatsangan’i Jehovah Andriamanitrao ho anao; izy no hohenoinareo”. (18:15-19). Kanefa ny mpaminany sandoka dia tsy maintsy hatao maty. Itỳ fizarana itỳ dia mifarana amin’ireo lalàna momba ireo tanàna fandosirana sy ny famaliana ra ary koa ireo fepetra takina amin’izay hafahana amin’ny raharaha miaramila ary ireo lalàna momba ny ady.

22. Lalàna nanapaka ny amin’ny raharaha manokana sy ara-tsosialy inona avy no noresahina?

22 3) Fiainana manokana sy fiainana ara-tsosialy (21:1–26:19). Nomena ireo lalàna nifandray tamin’ny fiainana andavanandron’ireo Isiraelita momba ny raharaha toy ny fahitana faty iray, ny fanambadiana vehivavy babo, ny zon’ny lahimatoa, ny zanakalahy maditra, ny fanantonana mpanao meloka iray tamin’ny hazo, ny famantarana ny naha-virjiny, ny heloka teo amin’ny maha-lahy sy ny maha-vavy, ny fanimbana ny filahiana, ny zazasary, ny fitondrana ny vahiny, ny fitandroana ny fahadiovana, ny fampanjanaham-bola (NW ) sy ny voady, ny fisaoram-bady, ny fangalarana olona, ny fampisamborana, ny karama ary ny fitsimponam-boa tavela tamin’ny fijinjana. Ny fetran’ny kapoka tokony homena ny olona iray dia 40. Tsy tokony hakombona ny vavan’ny omby mively vary. Soritana ny fizotran’ny fitondrana loloha. Vato marina no tsy maintsy nampiasaina, satria fahavetavetana eo imason’i Jehovah ny fanaovana ny tsy marina.

23. Inona no nasehon’i Mosesy fa ho vokatra ho azo rehefa nankato ny didin’Andriamanitra ny vahoakany?

23 Talohan’ny namaranany io lahateny feno hafanam-po io, dia tsaroan’i Mosesy ny namelezan’i Amaleka avy tao aoriana ireo Isiraelita reraka teo am-pandosiran’izy ireo avy tany Egypta, ary dia nandidy ny Isiraely i Mosesy mba ‘hamono ny fahatsiarovana ny Amalekita tsy ho eo ambanin’ny lanitra intsony’. (25:19). Rehefa hiditra tao amin’ilay tany izy ireo, dia tsy maintsy nanolotra ny voaloham-bokatry ny tany tamim-pifaliana, sady tsy maintsy nanolotra ny ampahafolon-karena niaraka tamin’ilay vavaka feno fankasitrahana tamin’i Jehovah hoe: “Tsinjovy ao amin’ny fonenanao masina any an-danitra, ka tahio ny Isiraely olonao sy ny tany izay nomenao anay araka izay nianiananao tamin’ny razanay, dia tany tondra-dronono sy tantely.” (26:15). Raha nitandrina ireo didy ireo tamin’ny fony sy ny fanahiny (âme) rehetra izy ireo, i Jehovah kosa dia ‘hanandratra azy ho ambonin’ny firenena rehetra izay nataony, ho fiderana sy ho anarana ary ho voninahitra; ary mba ho firenena masina ho an’i Jehovah Andriamaniny izy ireo, araka izay nolazainy’. — 26:19.

24. Fitahiana sy fanozonana inona avy no napetrak’ilay lahateny fahatelo teo anatrehan’ny Isiraely?

24 Ny lahatenin’i Mosesy fahatelo (27:1–28:68). Teto ny loholon’ny Isiraely sy ny mpisorona dia niray feo tamin’i Mosesy teo am-pitanisany ireo ozon’i Jehovah noho ny tsy fankatoavana sy ireo fitahiana noho ny fahatokiana. Fampitandremana nahatahotra no nomena momba ireo vokatra nampahatahotry ny tsy fahatokiana. Raha nihaino ny feon’i Jehovah Andriamaniny ny Isiraely tamin’ny naha-vahoakany masina azy, dia hahazo fitahiana mahatalanjona, ary ho hitan’ny firenena rehetra ambonin’ny tany fa nantsoina teo amin’izy ireo ny anaran’i Jehovah. Kanefa raha tsy nanao izany izy ireo, i Jehovah dia hampandeha eo aminy “ny ozona, dia horohoro sy fampitahorana”. (28:20). Hiharan’ny famelezan’ny aretina mahatsiravina sy ny hain-tany ary ny mosary izy ireo; hanenjika sy hanandevo azy ireo ny fahavalony, ary ho ringana sy hofongorana tsy ho eo amin’ny tany izy ireo. Ireo ozona ireo sy ny hafa koa, dia hanjo azy ireo raha ‘tsy tandremany ny hanaraka ny teny rehetra amin’itỳ lalàna itỳ, izay voasoratra eto amin’itỳ boky itỳ, hatahorany izao anarana efa nankalazaina sady mahatahotra izao hoe: Jehovah Andriamaniny’. — 28:58.

25. a) Fanekena inona izao no nataon’i Jehovah tamin’ny Isiraely? b) Safidy inona no napetrak’i Mosesy teo anoloan’ilay vahoaka?

25 Ny lahatenin’i Mosesy fahefatra (29:1–30:20). Nanao fanekena tamin’ny Isiraely tao Moaba izao i Jehovah. Tafiditra tamin’izany ny Lalàna, izay naverin’i Mosesy indray sady nohazavainy, ka hitarika ny Isiraely teo am-pidirany tao amin’ny Tanin’ny Fampanantenana. Ilay fianianana niezinezina nanaraka ilay fanekena dia nanipika mafy ny amin’ireo andraikitr’ilay firenena. Farany, i Mosesy dia niantso ny lanitra sy ny tany mba ho vavolombelona rehefa nataony teo anoloan’ilay vahoaka ny fiainana sy ny fahafatesana, ny fitahiana sy ny fanozonana, ka nampirisika izy hoe: “Mifidiana ny fiainana, mba ho velona hianao sy ny taranakao, dia ny ho tia an’i Jehovah Andriamanitrao hianao ka hihaino ny feony sy hifikitra aminy; fa izany no fiainanao sy fahamaroan’ny andronao, mba honenanao eo amin’ny tany izay nianianan’i Jehovah tamin’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba razanao, homena azy.” — 30:19, 20.

26. Fandaharana farany inona avy no nataon’i Mosesy talohan’ny hahafatesany?

26 Fanendrena an’i Josoa, sy ny hiran’i Mosesy (31:1–32:47). Ny toko faha-31 dia mitantara fa, rehefa avy nanoratra ny Lalàna sy nanome toromarika momba ny famakiana azy io ampahibemaso tsy tapaka i Mosesy, dia nanendry an’i Josoa, ary nilaza taminy mba hahery sy hatanjaka. Tantarain’io toko io koa fa nanomana hira fahatsiarovana iray i Mosesy, namita ny fanoratana ireo teny tao amin’ny Lalàna ary nandamina ny hametrahana azy io teo anilan’ny fiaran’ny faneken’i Jehovah. Taorian’izany, i Mosesy dia nilaza ny tonon’ilay hira tamin’ilay kongregasiona (NW ) rehetra ho fampaherezana farany.

27. Hafatra mahery inona no raketin’ny hiran’i Mosesy?

27 Endre ny teny fanokafana feno fankasitrahana ao amin’ny hiran’i Mosesy, izay mampahafantatra ny Loharanon’ny fampianarana azony! “Ho avy tahaka ny ranonorana ny fampianarako, ary hilatsaka tahaka ny ando ny teniko, sy tahaka ny erika amin’ny ahi-maitso ary ny ranonorana amin’ny anana. Fa ny anaran’i Jehovah no hotoriko”. Eny, ekeo ny fahalehibiazan’ilay “Andriamanitsika”, dia “ny Vatolampy”. (32:2-4). Ampahafantaro ny asany lavorary, ny lalany araka ny rariny, ny fahatokiany, ny fahamarinany ary ny fahitsiany. Nahamenatra ny nanaovan’ny Isiraely zava-dratsy (NW ), kanefa i Jehovah dia nanodidina azy tany amin’ny tany efitra foana sady haolo (NW ), sy niaro azy tahaka ny anakandriamasony ary nihelohelo (NW ) teo amboniny toy ny voromahery eo ambonin’ny zanany. Nampahatavy ny vahoakany izy, ary niantso azy hoe Jesorona, “Ilay Mahitsy”, kanefa nampahasaro-piaro azy tamin’ny andriamanitra hafahafa (NW ) izy ireo ka nanjary ‘zaza tsy nahatoky’. (32:20). An’i Jehovah ny famaliana sy ny fampanodiavana. Mahafaty sy mahavelona izy. Rehefa mandranitra (NW ) ny sabany manelatselatra izy ka eo an-tanany ny fitsarana, dia hampanodiaviny ny mpandrafy azy ny ataon’ireo. Toy inona moa ny toky tokony ho azon’ny vahoakany avy tamin’izany! Rehefa mahatratra ny fara tampony ilay hira, dia tonga ny fotoana ‘hihobian’ny jentilisa mbamin’ny olony’. (32:43). Poety iza eo amin’izao tontolo izao no ho afaka na dia hanakaiky akory aza ny hakanto misandratra sy ny hery ary ny halalin’ny hevitr’io hira natao ho an’i Jehovah io?

28. Tamin’ny ahoana no nanandratana an’i Jehovah tao amin’ireo tsodrano faran’i Mosesy?

28 Ny tso-dranon’i Mosesy farany (32:48–34:12). Nomena toromarika farany momba ny fahafatesany izao i Mosesy, kanefa mbola tsy vitany ny fanompoany teokratika. Voalohany aloha, dia tsy maintsy nitso-drano ny Isiraely izy, ary teo am-panaovana izany izy, dia nankalaza indray an’i Jehovah, ilay Mpanjakan’i Jesorona, izay niposaka namirapiratra niaraka tamin’ny masiny tsy omby alinalina. Ireo foko tsirairay dia nandray tsodrano, araka ny anarany avy, ary avy eo i Mosesy dia nidera an’i Jehovah tamin’ny naha-be voninahitra azy: “Ny Andriamanitra hatrizay hatrizay no fonenana, ary ny sandry mandrakizay no eto ambany.” (33:27). Tamin’ny fo diboky ny fankasitrahana, izy avy eo dia nilaza ireo teniny farany tamin’ilay firenena nanao hoe: “Sambatra hianao, ry Isiraely; iza no tahaka anao, ry olona voavonjin’i Jehovah”? — 33:29.

29. Tamin’ny lafiny inona avy i Mosesy no niavaka?

29 Rehefa avy nijery ny Tanin’ny Fampanantenana avy teo amin’ny Tendrombohitra Nebo i Mosesy, dia maty, ary i Jehovah nandevina azy tao Moaba, ka tsy fantatra na ankalazaina mandrak’androany ny fasany. Velona hatramin’ny 120 taona izy, kanefa “tsy pahina ny masony, na nihena ny heriny”. Nampiasa azy mba hanatanteraka famantarana sy fahagagana lehibe i Jehovah, ary araka ny lazain’ny toko farany, dia “tsy nisy mpaminany intsony niseho teo amin’ny Isiraely tahaka an’i Mosesy, izay fantatr’i Jehovah nifanatrika”. — 34:7, 10.

MAHASOA — NAHOANA?

30. Amin’ny ahoana ny Deoteronomia no manome famaranan-teny mety tsara ho an’ny Pentateuque?

30 Amin’ny maha-boky farany amin’ny Pentateuque azy, ny Deoteronomia dia mampifamatotra izay rehetra nitranga taloha mba hanambarana sy hanamasinana ny anarana lehiben’i Jehovah Andriamanitra. Izy irery no Andriamanitra, izay mitaky fifikirana tsy mizarazara ary tsy milefitra eo anatrehan’ny fandrafiana avy amin’ireo andriamanitra demonian’ny fanompoam-pivavahan-diso. Amin’izao androntsika izao, ny Kristiana rehetra dia tsy maintsy mifantoka amim-pahatsorana amin’ireo fotopoto-pitsipika lehibe niorenan’ny lalàn’Andriamanitra ary mankato azy mba ho afaka amin’ny fanozonany, rehefa mandranitra ny sabany manelatselatra mba hampiharana famaliana amin’ny fahavalony izy. Tsy maintsy ho ny mpitari-dalana eo amin’ny fiainan’izy ireo ny didiny lehibe indrindra sady voalohany, manao hoe: “Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao [âme] rehetra ary ny herinao rehetra.” — 6:5.

31. Amin’ny ahoana ny soratra ara-tsindrimandry hafa no miorina amin’ny Deoteronomia mba hanatsarana ny fahatakarana ireo fikasan’Andriamanitra?

31 Ny tapany sisa amin’ny Soratra Masina dia manonona matetika ny Deoteronomia mba hanatsarana ny fahatakarana ireo fikasan’Andriamanitra. Ankoatra ireo teny notononiny avy tao mba hamaliana ilay Mpaka fanahy, i Jesosy dia naka teny maro hafa koa. (Deot. 5:16Matio 15:4; Deot. 17:6Matio 18:16 sy Jaona 8:17). Ireo dia mitohy hatrany amin’ny Apokalypsy, izay ampitandreman’i Jesosy nomem-boninahitra momba ny fanampiana na ny fanesorana amin’ny horonam-bokin’ny faminanian’i Jehovah. (Deot. 4:2Apok. 22:18, NW ). I Petera dia nanonona teny avy tao amin’ny Deoteronomia mba hamaranana mafy ny fanaporofoana mahery nataony fa i Jesosy no Kristy sy ilay Mpaminany lehibe noho i Mosesy izay nampanantenain’i Jehovah fa hatsangany teo amin’ny Isiraely. (Deot. 18:15-19Asa. 3:22, 23). I Paoly dia nanonona teny avy tao rehefa niresaka momba ny valisoan’ny mpiasa sy ny fanaovana famotopotorana lalina avy amin’ny tenin’ny vavolombelona ary ny fampianarana ny ankizy. — Deot. 25:41 Kor. 9:8-10 sy 1 Tim. 5:17, 18; Deot. 13:15 sy Deot.19:151 Tim. 5:19 sy 2 Kor. 13:1; Deot. 5:16Efes. 6:2, 3.

32. Tamin’ny lafiny inona i Josoa sy i Gideoana ary ireo mpaminany no ohatra tsara dia tsara ho antsika?

32 Tsy ireo mpanoratra ao amin’ny Soratra Kristiana ihany, fa ireo mpanompon’Andriamanitra tamin’ny andro talohan’ny Kristianisma koa dia nandray fampianarana sy fampaherezana avy tamin’ny Deoteronomia. Haneho fahendrena isika raha manaraka ny ohatr’izy ireo. Diniho ny fankatoavana tsy nihambahamba nananan’i Josoa, mpandimby an’i Mosesy, tamin’ny fandringanana ireo tanàna resiny teo am-panafihana an’i Kanana, kanefa tsy naka fananana ho babo toy ny nataon’i Akana, izy. (Deot. 20:15-18 sy Deot.21:23Josoa 8:24-27, 29). Ny fanesoran’i Gideona ireo “matahotra sy mangovitra” tao amin’ny tafiny dia ho fankatoavana ny Lalàna. (Deot. 20:1-9Mpits. 7:1-11). Noho ny fatokiany ny lalàn’i Jehovah no nitenenan’ny mpaminanin’ny Isiraely sy Joda tamim-pahasahiana sy tamin-kerim-po mba hanamelohana ireo firenena nikororosy ara-pitondran-tena. Nanome ohatra faran’izay tsara ny amin’izany i Amosa. (Deot. 24:12-15Amosa 2:6-8). Tena misy ohatra an-jatony maro ara-bakiteny mampifamatotra ny Deoteronomia amin’ny tapany sisa amin’ny Tenin’Andriamanitra, ka mampiseho amin’izany fa tapany marina sy mahasoa amin’ilay fitambarana mirindra tsara izy io.

33. a) Amin’ny ahoana ny Deoteronomia no maneho fiderana an’i Jehovah? b) Inona no asehon’ilay tabilao miaraka amin’itỳ toko itỳ raha ny amin’ny faneken’ireo firenena eo amin’izao tontolo izao ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny lalàn’Andriamanitra?

33 Ny foto-kevitry ny Deoteronomia mihitsy no maneho fiderana an’i Jehovah, ilay Andriamanitra Tompom-piandrianana. Hamafisiny hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany ny hoe: ‘Manolora fanompoam-pivavahana ho an’i Jehovah; manehoa fifikirana tsy mizarazara aminy.’ Na dia tsy mamatotra ny Kristiana intsony aza ny Lalàna, ireo fotopoto-pitsipika iorenany dia tsy nofoanana. (Gal. 3:19). Endre ny habetsahan’ny zavatra azon’ny Kristiana marina ianarana avy amin’io boky mahery misy ny lalàn’Andriamanitra io, sy ny fampianarany miandalana, ny fahatsorany ary ny fomba fiteniny tsotra! Eny, na dia ireo firenena eo amin’izao tontolo izao aza dia nanaiky ny amin’ny maha-faran’izay tsara ny lalàna fara tampon’i Jehovah, ka nampiditra maro amin’ireo fitsipika ao amin’ny Deoteronomia tao amin’ny bokin’ny lalàn’ny tenany manokana. Ilay tabilao miaraka amin’itỳ toko itỳ dia manome ohatra mahaliana ny amin’ny lalàna izay nifotorany na nampihariny amin’ny fotony.

34. Fifandraisana inona no misy eo amin’itỳ “Famerenana ny Lalàna” itỳ sy ny Fanjakan’Andriamanitra?

34 Ambonin’izany, io fanazavana ny Lalàna io dia manondro ary mampitombo ny fankasitrahana ny Fanjakan’Andriamanitra. Amin’ny ahoana? Fony teto an-tany ilay Mpanjaka Voatendry, i Jesosy Kristy, dia nahafantatra ilay boky tamin’ny fomba lalina sady nampihatra azy, araka ny asehon’ny fakany teny avy tao tamim-pahakingana. Rehefa hanitatra ny fanapahan’ny Fanjakany manerana ny tany manontolo izy, dia hanapaka araka ireo fotopoto-pitsipika marina ao amin’io “lalàna” io ihany, ary izay rehetra hotahina amin’ny alalany amin’ny maha-‘taranak’ilay Fanjakana’ dia tsy maintsy mankato ireo fotopoto-pitsipika ireo. (Gen. 22:18; Deot. 7:12-14). Sady mahasoa no ahitana tombony ny fanombohana mankato azy ireo dieny izao. Tsy lany andro velively io “lalàna” 3 500 taona io, fa miteny amintsika amin’izao andro izao amin’ny feo mahery, ary hanohy hiteny hatrany amin’ny tontolo vaovao hotarihin’ny Fanjakan’Andriamanitra mihitsy. Enga anie ny anaran’i Jehovah ka hohamasinina hatrany eo amin’ny vahoakany, ho fahatanterahan’ny fampianarana mahasoa rehetra ao amin’ny Pentateuque, izay mahatratra amim-boninahitra ny fara tampony ao amin’ny Deoteronomia — dia tapany iray ara-tsindrimandry sady mamelombelona amin’ny “Soratra rehetra” tokoa!

[Fanamarihana ambany pejy]

a Jereo ny lisitr’ireo “Fakan-teny avy ao Amin’ny Testamenta Taloha” (“Quotations from the Old Testament”), ao amin’ny The New Testament in Original Greek, nataon’i B. F. Westcott sy i F. J. A. Hort, 1956, pejy faha-601-618.

b Deoteronomia 3:9, NW, f.a.p.

c Halley’s Bible Handbook, 1988, Henry H. Halley, pejy 56.

[Fanontaniana]

[Tabilao, pejy 41]

MODELY SASANY ARAKA NY LALÀNA AO AMIN’NY DEOTERONOMIA d

I. Lalàna ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana Toko sy Andininy

A. Fifandraisana manokana amin’ny hafa

1. Ray aman-dreny sy zanaka 5:16

2. Fifandraisana ara-panambadiana 23:1; 27:20, 22, 23

3. Lalàna momba ny fisaoram-bady 22:13-19, 28, 29

B. Zo amin’ny maha-tompom-pananana 22:1-4

II. Lalàna momba ny fanorenana ny fitondrana

A. Toetra tokony hananan’ny mpanjaka 17:14-20

sy adidiny

B. Fitsipika ara-tafika

1. Fanafahana amin’ny raharaha 20:1, 5-7; 24:5

miaramila

2. Mpifehy lefitra 20:9

III. Momba ny fitsarana

A. Adidin’ny mpitsara 16:18, 20, NW

B. Famerenam-pitsarana tampony 17:8-11

IV. Lalàna momba ny heloka bevava

A. Heloka atao amin’ny fanjakana

1. Kolikoly, fanolanana ny rariny 16:19, 20, NW

2. Vavolombelona mandainga 5:17

B. Heloka ara-pitondran-tena

1. Fanitsakitsaham-bady 5:17, NW; 22:22-24

2. Fanambadiana tsy araka ny lalàna 23:1; 27:20, 22, 23

D. Heloka atao amin’ny olona

1. Vonoana olona sy famelezana 5:17; 27:24

2. Fisavihana sy famitahana hanao firaisana 22:25-29

V. Lalàna ho fanehoana hatsaram-panahy

A. Hatsaram-panahy amim-biby 25:4; 22:6, 7

B. Fanehoam-piheverana ny tsy nambinina 24:6, 10-18

D. Lalàna momba ny fiarovana rehefa 22:8

manao fanorenana

E. Fitondrana ireo karazan’olona miankina 15:12-15; 21:10-14;

amin’ny hafa anisan’izany ny andevo 27:18, 19

sy ny babo

F. Fandaharana fanehoam-pitiavana 14:28, 29; 15:1-11;

amin’ny tsy ampy fivelomana 16:11, 12; 24:19-22

[Fanamarihana ambany pejy]

d Ireo Lalàna sy Modely Araka ny Lalàna teo Amin’ny Isiraely, (anglisy), 1907, C. F. Kent, pejy vii ka hatramin’ny xviii; jereo koa ny Auxiliaire pour une meilleure intelligence de la Bible, pejy 924-935.