Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-50 — Filipiana

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-50 — Filipiana

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-50 — Filipiana

Mpanoratra: Paoly

Toerana Nanoratana: Roma

Vita Tamin’ny: 60 – 61 am.f.i. tany ho any

1. a) Tamin’ny fomba ahoana no nahatonga an’ireo Filipiana handre ny vaovao tsara? b) Toe-javatra ara-tantara momba ny tanànan’i Filipy nanodidina ny fanoratana ilay taratasy inona no mahaliana?

 REHEFA naharay ilay antso tao amin’ny fahitana iray mba hitondra ny vaovao tsara (NW ) tany Makedonia ny apostoly Paoly, dia nankato haingana izy sy ireo namany, dia i Lioka sy i Silasy ary i Timoty zatovo. Avy tao Troasy tany Azia Minora izy, dia nandeha an-tsambo ho any Neapolia ary niainga avy hatrany nankany Filipy, 15 kilaometatra teo ho eo niditra an-tanety tamin’ny hady lalana an-tendrombohitra iray. Ilay tanàna dia nolazalazain’i Lioka ho ny “tanàna voalohany amin’izany zara-tanin’i Makedonia izany”. (Asa. 16:12). Nantsoina hoe Filipy izy io araka ny anaran’ilay mpanjaka makedoniana natao hoe Filipo II (rain’i Aleksandra Lehibe), izay namabo ilay tanàna tamin’ny 356 al.f.i. Tatỳ aoriana dia nobaboin’ny Romana izy io. Toerana nanaovana ady ho fanapahan-javatra izy io tamin’ny 42 al.f.i., ka izany dia nanampy mba hanamafisana ny toeran’i Octave, izay tonga i Aogosto Kaisara tatỳ aoriana. Ho fahatsiarovana io fandresena io, dia nataony zana-panjakana romana i Filipy.

2. Tamin’ny fomba ahoana no nandrosoan’i Paoly teo amin’ny fitoriana tany Filipy, ary fisehoan-javatra inona avy no nanjaka tamin’ny fahaterahan’ilay kongregasiona tany?

2 Fanaon’i Paoly, rehefa tonga tao amin’ny tanàna vaovao iray izy, ny nitory tamin’ny Jiosy aloha. Kanefa, rehefa tonga voalohany tao Filipy izy tamin’ny 50 am.f.i. tany ho any, dia nahita fa vitsy izy ireo, no sady toa tsy nanana synagoga, satria nivory teo amoron’ny ony iray tany ivelan’ny tanàna, mba hivavaka. Namokatra haingana ny fitorian’i Paoly, ka ny iray tamin’ireo niova finoana voalohany dia i Lydia, vehivavy mpandraharaha sady proselyta jiosy, izay tsy nisalasala nanaiky ny fahamarinana momba an’i Kristy ary nanizingizina mba hivahinian’ireo mpanao dia tao aminy. “Nanery anay izy”, hoy ny nosoratan’i Lioka. Tsy ela anefa dia nisy fanoherana, ary nokapohina tamin’ny hazo i Paoly sy i Silasy ary avy eo dia natao an-tranomaizina. Fony tao an-tranomaizina izy ireo, dia nisy horohoron-tany, ary ilay mpiandry tranomaizina sy ny fianakaviany, rehefa avy nihaino an’i Paoly sy i Silasy, dia tonga mpino. Ny ampitso, dia nafahana avy tao an-tranomaizina i Paoly sy i Silasy, ary nitsidika ireo rahalahy tany an-tranon’i Lydia sady nampahery azy ireo talohan’ny nandaozany ilay tanàna. Nentin’i Paoly niaraka taminy ny fahatsiarovana mbola nazava tao an-tsainy ny amin’ireo fahoriana nanodidina ny nahaterahan’ilay kongregasiona vaovao tao Filipy. — Asa. 16:9-40.

3. Fifandraisana nanao ahoana avy no nananan’i Paoly tamin’ny kongregasionan’i Filipy tatỳ aoriana?

3 Taona vitsivitsy tatỳ aoriana, nandritra ny dia misionerany fahatelo, dia afaka nitsidika ny kongregasionan’i Filipy indray i Paoly. Avy eo, folo taona teo ho eo taorian’ny nanorenana voalohany ilay kongregasiona, ny fanehoam-pitiavana nanohina ny fo nataon’ireo rahalahy tany Filipy dia nanosika an’i Paoly hanoratra ho azy ireo ilay taratasy (NW ) ara-tsindrimandry izay voatahiry ao amin’ireo Soratra Masina ary mitondra ny anaran’io kongregasiona malalany io.

4. Inona no mampahafantatra hoe iza no nanoratra ny Filipiana, ary inona no manaporofo ny maha-azo itokiana ilay taratasy?

4 Ny hoe i Paoly no nanoratra ilay taratasy, araka ny ambaran’ny andininy voalohany ao aminy, dia eken’ireo mpivaofy teny ao amin’ny Baiboly mazàna, ary misy antony tsara ho amin’izany. Tao amin’ny taratasiny nosoratan’ny tenany ho an’ireo Filipiana, i Polycarpe (69? am.f.i. - 155? am.f.i.) dia nilaza fa nanoratra ho azy ireo i Paoly. Notononin’ny mpivaofy teny ao amin’ny Baiboly tany am-boalohany, toa an’i Ignace, i Irénée, i Tertullien ary i Clément avy tany Aleksandria, ho toy ny taratasy nosoratan’i Paoly izy io. Tononina ao amin’ny Fragment de Muratori tamin’ny taonjato faharoa am.f.i. sy ao amin’ireo kanôna tany am-boalohany hafa rehetra, izy io, ary miseho eo anilan’ireo taratasin’i Paoly valo hafa ao amin’ny Papyrus Chester Beatty No. 2 (P46), izay inoana fa tamin’ny 200 am.f.i. tany ho any.

5. Inona no manondro fa i Roma no toerana nanoratana ilay taratasy?

5 Azo ampiorenina amin’ny fomba azo antoka ihany ny toerana sy ny daty nanoratana azy io. Tamin’ny fotoana nanoratany, dia mpigadra nambenan’ny mpiambin’ny emperora romana i Paoly, ary nisy asa kristiana be dia be natao nanodidina azy. Namarana ny taratasiny tamin’ny alalan’ny fanaovam-beloma avy tamin’ireo olona nahatoky tao amin’ny ankohonan’i Kaisara izy. Ireo zava-misy ireo dia miara-manondro fa avy tao Roma no nandefasana ilay taratasy. — Fil. 1:7, 13, 14; 4:22; Asa. 28:30, 31.

6. Inona no porofon’ny fotoana nanoratana ny Filipiana?

6 Oviana anefa no nanoratana ilay taratasy? Toa ampy tsara ny fotoana naha-tany Roma an’i Paoly mba hahafahan’ny vaovao momba ny fanaovana azy an-tranomaizina sy ny anton’izany, tamin’ny naha-Kristiana azy, hiely hatrany amin’ilay mpiambina andrianan’ny emperora sy ny maro hafa. Afa-tsy izany koa, dia ampy tsara ny fotoana nahatongavan’i Epafrodito avy tany Filipy (1 000 kilaometatra teo ho eo) niaraka tamin’ny fanomezana ho an’i Paoly, niverenan’ny vaovao momba ny nahararian’i Epafrodito tany Roma tany Filipy indray ary nahatongavan’ny fanehoana alahelo momba izany avy tany Filipy nankany Roma. (Fil. 2:25-30; 4:18). Koa satria tany amin’ny 59 am.f.i. ka hatramin’ny 61 am.f.i. tany ho any no nanaovana an-tranomaizina an’i Paoly voalohany tany Roma, dia tena azo inoana fa nanoratra itỳ taratasy itỳ tany amin’ny 60 na 61 am.f.i. tany ho any izy, izany hoe herintaona na mahery taorian’ny nahatongavany voalohany tao Roma.

7. a) Fatorana inona no nisy teo amin’i Paoly sy ireo Filipiana, ary inona no nandrisika an’i Paoly hanoratra? b) Karazana taratasy manao ahoana moa ny Filipiana?

7 Ireo fanaintainana tsapany tamin’ny nahaterahan’ireo zanaka tao Filipy ireo, tamin’ny alalan’ny tenin’ny fahamarinana, ny firaiketam-po sy ny fahalalahan-tanan’ireo Filipiana tamin’ny alalan’ireo fanomezana zavatra nilain’i Paoly ka voarainy nandritra ny maro tamin’ireo diany sy zava-tsarotra nanjo azy, ary ny nitahian’i Jehovah mazava tsara ny asa misionera mafy tany am-boalohany tany Makedonia — ireo rehetra ireo dia niara-nahaforona fatoram-pifankatiavana mafy teo amin’i Paoly sy ireo rahalahy tany Filipy. Izao ny fanomezana nalefan’izy ireo tamin-katsaram-panahy, niaraka tamin’ny fanontanian’izy ireo tamin-tebiteby momba an’i Epafrodito sy ny fandroson’ny vaovao tsara tany Roma, dia nandrisika an’i Paoly hanoratra ho azy ireo, taratasy iray nampiseho hafanam-po sy firaiketam-po mba hampahery azy ireo.

LOHA HEVITRA RAKETIN’NY FILIPIANA

8. a) Ahoana no nanehoan’i Paoly ny fatokiany an’ireo rahalahy tany Filipy sy ny firaiketam-pony tamin’izy ireo? b) Inona no nolazain’i Paoly momba ny fifatorany, ary torohevitra inona no nomeny?

8 Fiarovana (NW ) sy fampandrosoana ny vaovao tsara (1:1-30). Nandefa fiarahabana (NW ) i Paoly sy i Timoty, ary nisaotra an’Andriamanitra i Paoly noho ny anjara noraisin’ireo Filipiana hampandrosoana ny vaovao tsara “hatramin’ny andro voalohany ka mandraka ankehitriny”. Natoky izy fa hahatanteraka ny asa tsarany izy ireo, satria mpiombona ny hatsaram-panahy amin’izay tsy mendrika akory miaraka aminy, ka anisan’izany “ny fiarovana sy ny fampiorenana araka ny lalàna ny vaovao tsara”. Manina azy rehetra tamim-piraiketam-po feno fitiavana izy ary nilaza hoe: “Izao no angatahiko, dia ny mbola hitomboan’ny fitiavanareo bebe kokoa (...) mba hamantaranareo izay zavatra tsara indrindra”. (1:5, 7, NW, 9, 10). Nirin’i Paoly ny hahafantaran’izy ireo fa “izay zavatra nanjo [azy] dia efa tonga fampandrosoana ny [vaovao tsara, NW ]”, satria nanjary fantatry ny olona rehetra ny fifatorany ary nahazo fampaherezana ireo rahalahy mba hitory ny tenin’Andriamanitra tsy amin’ny tahotra. Na dia hahazoan’i Paoly tombony aza ny hahafatesany izao, dia fantany fa, mba hahazoan’izy ireo fandrosoana sy fifaliana, dia nahasoa kokoa ny hitoerany. Nanoro hevitra azy ireo izy mba hanana fitondran-tena mendrika ny vaovao tsara, satria na ho tonga any amin’izy ireo izy na tsia, dia niriny ny hahare fa nanohy niady tamim-piraisan-kina izy ireo ary ‘tsy azon’ny fahavalo nampitahorina’. — 1:12, 28.

9. Ahoana no nahafahan’ireo Filipiana nihazona ny toe-tsain’i Kristy?

9 Fihazonana ny toe-tsaina (NW ) mitovy amin’ny an’i Kristy (2:1-30). Nampirisika ireo Filipiana mba hanana saina tsy manambony tena (NW ) i Paoly, ‘amin’ny fanehoana fiheverana, tsy ny raharahan’ny tenany manokana ihany, fa amin’ny fanehoana fiheverana ny an’ny hafa koa’. Izy ireo dia tokony hanana ny toe-tsaina mitovy amin’ny an’i Kristy Jesosy, izay, na dia nanana ny endrik’Andriamanitra aza, dia nanafoana ny tenany mba ho tonga olombelona, sady nanetry tena tamin’ny fankatoavana hatramin’ny fahafatesana, hany ka nasandratr’Andriamanitra izy ary nomeny ny anarana ambony noho ny anarana rehetra. Nampirisika azy ireo toy izao i Paoly: “Miasà amin’ny tahotra sy ny hovitra hahatanteraka ny famonjena anareo.” “Ataovy ny zavatra rehetra amin’ny tsi-fimonomononana sy ny tsi-fisalasalana”, ary ‘ifikiro mafy ny tenin’ny fiainana’. (2:4, NW, 12, 14, 16, NW ). Nanantena ny haniraka an’i Timoty tany amin’izy ireo izy ary natoky fa ho avy faingana koa ny tenany. Amin’izao aloha, mba hifalian’izy ireo indray, dia naniraka tany amin’izy ireo, an’i Epafrodito, izay efa sitrana, izy.

10. Ahoana no niezahan’i Paoly nanatratra ny tanjona, ary inona no fananarany ho an’ny hafa?

10 ‘Fiezahana hanatratra ny [tanjona, NW ]’ (3:1–4:23). ‘Isika izay voafora’, hoy i Paoly, ‘dia tsy maintsy mitandrin-tena amin’ny amboa, amin’ireo izay [manakilema ny nofo, NW ]’. Raha nisy nanana antony (NW ) nitokiana tamin’ny nofo, dia nihoatra noho izany i Paoly, ary manaporofo izany ny fiainany manontolo tamin’ny naha-Jiosy voafora sady Fariseo azy. Kanefa izany rehetra izany dia nataony ho fatiantoka ‘noho ny fihoaran’ny hatsaran’ny fahalalana an’i Kristy Jesosy Tompony’. Tamin’ny alalan’ny fahamarinana izay avy amin’ny finoana, dia nanantena ny ‘hahatratra ny fitsanganana amin’ny maty’ izy. (3:2, 3, 8, 11). Noho izany, hoy i Paoly, dia “manadino izay zavatra ao aoriana [aho] ka miezaka hanatratra izay zavatra eo aloha, eny, miezaka hanatratra ny [tanjona, NW ] aho hahazoako ny lokan’ny fiantsoan’Andriamanitra any ambony ao amin’i Kristy Jesosy”. Aoka izay rehetra matotra (NW ) hanana izany toe-tsaina izany koa. Nisy ireo izay nanao ny kibony ho andriamaniny, izay nisaina ny an’ny tany, ary fandringanana (NW ) no hiafarany, fa “ny fanjakantsika” kosa, hoy ny nambaran’i Paoly marimarina, “dia any an-danitra”. — 3:13, 14, 20.

11. a) Inona avy ireo zavatra tokony hoheverina sy hampiharina? b) Inona no teny nataon’i Paoly nifandray tamin’ny fahalalahan-tanan’ireo Filipiana?

11 ‘Mifalia amin’ny Tompo’, hoy ny fampirisihan’i Paoly, ‘ary aoka ho fantatry ny olona rehetra ny [fahalalanareo ny antonony, NW ]. Manohiza mihevitra ireo zavatra izay marina, mendrika hahina, mahitsy, madio, mahate ho tia, tsara laza, misy hatsaram-panahy ary misy dera. [Ampiharo, NW ] izay nianaranareo, noraisinareo, renareo ary hitanareo tamiko, ary dia ho aminareo ny Andriamanitry ny fiadanana.’ (4:4-9). Faly indrindra i Paoly noho ny fiheverana nombam-pahalalahan-tanana nasehon’ireo Filipiana taminy, na dia nahay ny zavatra rehetra ‘tao amin’ilay nampahery azy’ aza izy. Nisaotra azy ireo tamin-kafanam-po noho ny fanomezan’izy ireo izy. Hatrany am-piandohan’ny nanambarany ny vaovao tsara tany Makedonia, dia faran’izay niavaka izy ireo raha ny amin’ny fanaovana fanomezana. Fa Andriamanitra kosa hahatanteraka izay rehetra tokony ho azy ireo “araka ny hareny amin’ny voninahitra ao amin’i Kristy Jesosy”. (4:13, 19). Nandefa fanaovam-beloma avy tamin’ny olona masina rehetra izy, anisan’izany ireo tao amin’ny ankohonan’i Kaisara.

MAHASOA — NAHOANA?

12. Ahoana no ahafahantsika amin’izao andro izao, tahaka ireo rahalahy tany Filipy, mahazo ny fankasitrahan’Andriamanitra ka ho tonga fifaliana ho an’ireo rahalahintsika?

12 Mahasoa antsika toy inona moa ny bokin’ny Filipiana! Azo antoka fa maniry ny fankasitrahan’i Jehovah isika, ary koa ilay karazana teny fiderana avy amin’ireo mpiandraikitra kristiana eo amintsika, mitovy amin’izay azon’ny kongregasiona tany Filipy avy tamin’i Paoly. Hahazo izany isika raha manaraka ny ohatra tsara dia tsaran’ireo Filipiana sy ny torohevitra feno fitiavan’i Paoly. Tahaka an’ireo Filipiana, dia tokony haneho fahalalahan-tanana isika, hiahy ny hanampy ireo rahalahintsika rehefa ao anatin’ny fahasahiranana izy ireo, ary handray anjara amin’ny fiarovana sy ny fampiorenana araka ny lalàna ny vaovao tsara. (1:3-7, NW ). Tokony hanohy ‘haharitra amin’ny fanahy iray isika ka hiray fo hiara-miezaka hampandroso ny finoana ny [vaovao tsara, NW ]’, ka hamirapiratra amin’ny maha-“mpanazava” eo anivon’ny firenena meloka sy maditra. Eo am-panaovantsika ireo zavatra ireo sy anohizantsika mandinika ireo zavatra mendrika hahina, dia mety ho tonga fifaliana ho an’ireo rahalahintsika isika, tsy misy hafa amin’ny nahatongavan’ireo Filipiana ho fifaliana sy satroboninahitra ho an’ny apostoly Paoly. — 1:27; 2:15, NW; 4:1, 8.

13. Amin’ny fomba ahoana avy no ahafahantsika rehetra manahaka an’i Paoly amim-piraisan-kina?

13 “Aoka samy hanahaka ahy [amim-piraisan-kina, NW ] hianareo”, hoy i Paoly. Hanahaka azy amin’ny fomba ahoana? Ny fomba iray dia ny hahavita tena amin’ny toe-javatra rehetra (NW ). Na nanam-be i Paoly na tsy ampy fivelomana (NW ), dia nianatra ny hifanaraka tamin’ireo toe-javatra, tsy nitaraina, mba hanohizana tamin-jotom-po sy tamim-pifaliana teo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra. Tokony ho tahaka an’i Paoly koa ny rehetra, amin’ny fanehoana firaiketam-po feno fitiavana amin’ireo rahalahy mahatoky. Tamim-pifaliana feno firaiketam-po toy inona moa no niresahany momba ny fanompoan’i Timoty sy i Epafrodito! Ary toy inona moa ny naha-akaiky azy an’ireo rahalahiny tany Filipy, izay nantsoiny hoe “sady malalako no mahamanina ahy, fifaliako sy satroboninahitro”! — 3:17; 4:1, 11, 12; 2:19-30.

14. Torohevitra tsara dia tsara inona no omen’ny taratasin’ny Filipiana, mifandray amin’ny tanjona ny amin’ny fiainana sy ilay Fanjakana, ary amin’iza indrindra indrindra no avantana ilay taratasy?

14 Amin’ny fomba hafa ahoana koa no azo anahafana an’i Paoly? Amin’ny ‘fiezahana hanatratra ny [tanjona, NW ]’! Izay rehetra manana ny sainy miorina amin’ireo ‘zavatra mendrika hahina’ dia tena liana aoka izany amin’ny fandaharan’i Jehovah mahatalanjona any an-danitra sy etỳ an-tany, izay “haneken’ny lela rehetra fa Jesosy Kristy no Tompo ho voninahitr’Andriamanitra Ray”. Ny torohevitra tsara dia tsara ao amin’ny Filipiana dia mampirisika izay rehetra manantena fiainana mandrakizay mifandray amin’ny Fanjakan’Andriamanitra mba hiezaka hanatratra izany tanjona izany. Ny taratasy ho an’ireo Filipiana anefa dia avantana voalohany indrindra amin’ireo izay ‘any an-danitra ny fanjakany’ ary miandry amim-pahadodonana ny “hitovy endrika amin’ny tenan’ny [voninahitr’i Kristy]”. ‘Amin’ny fanadinoana izay zavatra ao aoriana sy amin’ny fiezahana hanatratra izay zavatra eo aloha’, dia aoka izy rehetra ireo hanahaka ny apostoly Paoly amin’ny ‘fiezahana hanatratra ny [tanjona, NW ] hahazoany ny lokan’ny fiantsoana any ambony’, dia ny lovany be voninahitra ao amin’ilay Fanjakana any an-danitra! — 4:8; 2:10, 11; 3:13, 14, 20, 21.

[Fanontaniana]