Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-51 — Kolosiana

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-51 — Kolosiana

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-51 — Kolosiana

Mpanoratra: Paoly

Toerana Nanoratana: Roma

Vita Tamin’ny: 60 – 61 am.f.i. tany ho any

1. Taiza moa no nisy ny tanànan’i Kolosia?

 NAMELA an’i Efesosy tany aoriany ny lehilahy roa, ary niantsinanana hamakivaky an’i Azia Minora nanaraka ny Ony Méandre (Mendérès). Rehefa tonga teo amin’ilay sampan’io izay nantsoina hoe Lycus, tao amin’ny tanin’i Frygia, izy ireo dia nihodina nankany atsimo-atsinanana mba hanaraka ilay ony namakivaky ilay lohasaha voahodidina tendrombohitra. Faritra kanto no nivelatra teo anoloan’ny mason’izy ireo: kijana maitso lonaka nisy andian’ondry betsaka. (Zavatra vita tamin’ny volonondry no fidiram-bola voalohany indrindra ho an’io faritra io. a) Nandroso niakatra ilay lohasaha ireo mpandeha, ary nandalo, teo amin’ny havanany, an’i Laodikia, tanàna nanankarena sady foiben’ny fitantanan-draharaha romana ho an’ilay zara-tany. Teo amin’ny havian’izy ireo, terỳ ampitan’ilay ony, izy ireo dia nahita an’i Hierapolia, nalaza noho ireo tempoliny sy loharanony nafana. Nisy kongregasiona (NW ) kristiana tao amin’ireo tanàna roa ireo ary koa tao amin’ny tanàna kelin’i Kolosia, teo amin’ny 16 kilaometatra avy teo, tany ambony kokoa an’ilay lohasaha.

2. a) Iza avy ireo iraka roan’i Paoly nankany Kolosia? b) Inona no fantatra mikasika ny kongregasionan’i Kolosia?

2 I Kolosia no toerana nalehan’ireo mpandeha ireo. Samy Kristiana izy mirahalahy. Ny iray taminy, fara faharatsiny, dia nahafantatra tsara ilay faritra, satria avy tao Kolosia izy. Onesimosy no anarany, ary mpanompo niverina tany amin’ny tompony, izay mpikambana tao amin’ny kongregasiona tany, izy. I Tykiko, lehilahy afaka, ilay naman’i Onesimosy, ary samy iraky ny apostoly Paoly izy mirahalahy, nitondra taratasy (NW ) iray avy taminy navantany tamin’ireo “rahalahy mahatoky ao amin’i Kristy” tany Kolosia. Araka ny fantatsika, dia tsy nitsidika an’i Kolosia mihitsy i Paoly. Ilay kongregasiona, voaforona tsy Jiosy tamin’ny ankapobeny, dia azo inoana fa naorin’i Epafra, izay niasa mafy teo anivon’izy ireo ary izao dia niaraka tamin’i Paoly tany Roma. — Kol. 1:2, 7; 4:12.

3. Inona no ahariharin’ny taratasy ho an’ireo Kolosiana mihitsy momba ilay nanoratra azy, ary koa momba ny fotoana sy ny toerana nanoratana azy?

3 Ny apostoly Paoly no nanoratra itỳ taratasy itỳ, araka ny ambarany eo amin’ireo teny fanokafany sy famaranany. (1:1; 4:18). Manambara koa ny teny famaranany fa nanoratra azy io tao an-tranomaizina izy. Izany dia ny fotoana nanaovana azy an-tranomaizina voalohany tany Roma, tamin’ny 59 am.f.i. ka hatramin’ny 61 am.f.i., fony izy nanoratra taratasy fampaherezana sasantsasany, ka ny taratasy ho an’ireo Kolosiana dia niara-nalefany tamin’ilay taratasy ho an’i Filemona. (Kol. 4:7-9; Filem. 10, 23). Toa nosoratana tany amin’ny fotoana nanoratany ny taratasy ho an’ireo Efesiana tany ho any izy io, satria misy hevitra sy fitenenana mitovy ao amin’izy ireo.

4. Inona no manaporofo ny maha-marina ny Kolosiana?

4 Tsy misy antony tokony hisalasalana momba ny maha-azo itokiana ny taratasy ho an’ireo Kolosiana. Ny maha-ao amin’ny Papyrus Chester Beatty No. 2 (P46), tamin’ny 200 am.f.i. tany ho any, azy io miaraka amin’ireo epistilin’i Paoly hafa dia mampiseho fa neken’ireo Kristiana tany am-boalohany ho iray tamin’ireo taratasin’i Paoly izy io. Ny maha-marina azy dia hamarinin’ireo fahefana tany am-boalohany izay nanamarina koa ny maha-azo itokiana ireo taratasin’i Paoly hafa.

5. a) Inona no nanosika an’i Paoly hanoratra ho an’ireo Kolosiana? b) Inona no antitranterin’ilay taratasy?

5 Inona no nanosika an’i Paoly hanoratra taratasy iray ho an’ireo Kolosiana? Voalohany aloha, i Onesimosy dia nandeha niverina tany Kolosia. I Epafra dia tafaraka tamin’i Paoly vao haingana, ary tsy isalasalana fa ny tatitra nataony momba ny toe-javatra tany Kolosia dia nanome antony fanampiny hanoratana. (Kol. 1:7, 8; 4:12). Nisy loza iray nandrahona ny kongregasiona kristiana tany. Teo an-dalam-paharavana ireo fivavahana tamin’izany andro izany, ary nisy fivavahana vaovao foana niforona tamin’ny fampifangaroana tapany sasany tamin’ireo teo aloha. Nisy filozofian’ny fanompoan-tsampy, anisan’izany ny fandavana fahafinaretana sy ny spiritisma ary ny finoanoam-poanan’ny fanompoan-tsampy. Ireo, nakambana tamin’ny fifadian’ny Jiosy hanina sy ny fitandremany andro, dia nety ho nisy fiantraikany teo amin’ny sasany tao amin’ny kongregasiona. Na inona na inona ilay zava-nanahirana, dia toa ampy ny antony hanaovan’i Epafra ilay dia lava nankany Roma mba hahitana an’i Paoly. Kanefa, ny hoe tsy ilay kongregasiona tamin’ny fitambarany no notandindomin-doza nivantana, dia asehon’ny tatitra mampahery nataon’i Epafra momba ny fitiavan’izy ireo sy ny fiorenany tsara. Rehefa nahare ilay tatitra i Paoly, dia tonga niaro mafy ny fahalalana araka ny marina (NW ) sy ny fanompoam-pivavahana madio tamin’ny fanoratana itỳ taratasy ho an’ny kongregasionan’i Kolosia itỳ. Nanantitrantitra ny toetra ambony kokoan’i Kristy, nomen’Andriamanitra azy, raha noharina tamin’ny filozofian’ny mpanompo sampy sy ny fivavahana tamin’ny anjely ary ny lovantsofina jiosy, izy io.

LOHA HEVITRA RAKETIN’NY KOLOSIANA

6. a) Vavaka inona no nataon’i Paoly ho an’ireo Kolosiana? b) Inona no nodinihin’i Paoly momba ny toerana notanan’i Jesosy sy ny fanompoany nifandray tamin’ilay kongregasiona?

6 Manàna finoana an’i Kristy, ny lohan’ny kongregasiona (1:1–2:12, ampitahao amin’ny NW.) Taorian’ireo fiarahabana fanokafana avy tamin’i Timoty sy avy tamin’ny tenany, dia nisaotra an’Andriamanitra i Paoly noho ny finoan’ireo Kolosiana an’i Kristy sy noho ny fitiavan’izy ireo. Ren’izy ireo ny amin’ny hatsaram-panahin’Andriamanitra amin’izay tsy mendrika akory noho ny fitorian’i Epafra ny vaovao tsara teo amin’izy ireo. Hatramin’ny nandrenesany ilay tatitra mikasika azy ireo, dia tsy nitsahatra nivavaka i Paoly mba ho feno ny “fahalalana [araka ny marina, NW ] ny sitrapony [izy ireo] amin’ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina rehetra avy amin’ny Fanahy, mba [handehanany] mendrika [an’i Jehovah, NW ]” ary koa “ho amin’ny faharetana rehetra sy ny fandeferana amin’ny hafaliana”. (1:9-11). Ny Ray dia nanafaka azy ireo ho ao amin’ny “fanjakan’ny Zanany malalany”, izay endrik’Andriamanitra tsy hita, ary izy sy ho azy no nahariana ny zavatra rehetra. Izy no Lohan’ny kongregasiona sady lahimatoa tamin’ny maty. Tamin’ny alalan’ny ran’i Jesosy, dia sitrak’Andriamanitra ny hampihavana aminy indray ny zavatra rehetra, eny, anisan’izany ireo Kolosiana izay olon-ko azy fahiny, ‘raha naharitra tao amin’ny finoana izy ireo’. — 1:13, 23.

7. Inona no notorin’i Paoly, ary noho ny zava-kendrena inona?

7 Nifaly i Paoly satria nahatanteraka ny fahorian’i Kristy ho an’ny kongregasiona, izay nanaovana azy ho mpanompo. Izany dia mba hahatanteraka ho azy ireo ny fitoriana ny tenin’Andriamanitra mikasika ‘ny zava-miafina [masina, NW ], ny haren’ny voninahitra izay efa tian’Andriamanitra hampahafantarina amin’ireo olony masina izao’. ‘I Kristy no torinay’, hoy i Paoly, ‘amin’ny fananarana sy amin’ny fampianarana amin’ny fahendrena rehetra, mba samy hatolotray ho tanteraka ao amin’i Kristy izy rehetra.’ — 1:26-28.

8. Nahoana i Paoly no niezaka ho an’ireo rahalahiny?

8 Ny fiezahana nataon’i Paoly ho an’ireo Kolosiana sy ireo Laodikiana ary ny hafa dia mba hampiononana azy ireo sy mba hampiraisana azy ireo amin’ny fitiavana, ho amin’ny ‘fahalalana [araka ny marina, NW ] ny zava-miafina [masin’Andriamanitra, NW ], dia i Kristy, izay iafenan’ny rakitry ny fahendrena sy ny fahalalana rehetra’. Tsy tiany ny hahita azy ireo hanjary diso hevitra amin’ny teny toa marina, fa tokony ‘handeha ao amin’i Kristy’ kosa izy ireo, “mamaka tsara sy miorina mafy ao aminy ary tafatoetra amin’ny finoana”. Nandefa fampitandremana izao i Paoly. “Tandremo fandrao misy mahalasa anareo ho babony amin’ny filosofia sy ny famitahana foana, araka ny fampianarana voatolotry ny razana”. — 2:2, 3, 7, 8.

9. Nampitandrina tamin’ny karazana fanompoam-pivavahana inona i Paoly, ary nahoana ireo Kolosiana no tsy tokony hety hodidian’ny Lalàna?

9 Aoka ho faty amin’ny asan’ny nofo, fa ho velona kosa amin’i Kristy (2:13–3:17, ampitahao amin’ny NW.) Na dia efa matin’ny fahadisoany sy ny tsy fiforana aza izy ireo, dia novelomin’Andriamanitra niaraka tamin’i Kristy, tamin’ny famonoana ny sora-tanan’ny Lalàna, izay niampanga ny Jiosy. “Koa aza avela hisy hitsara” azy ireo raha ny amin’ny Lalàna na ny andro firavoravoana tao amin’izy io, izay tsy inona fa aloky ny tena izy, izay i Kristy. Afa-tsy izany koa, raha efa niara-maty tamin’i Kristy izy ireo raha ny amin’ny abidim-pianaran’izao tontolo izao, nahoana izy ireo no mbola mety hodidiana foana hoe: “Aza mandray, aza manandrana, aza manendry”, araka ny didy sy ny fampianaran’ny olona? Ny endri-panompoam-pivavahana avy tamin’ny tenany ihany mba haderadera sy ny fanetren-tena sandoka ary ny fampahoriana ny tena — ireo rehetra ireo dia tsy manan-kery akory hahasakana ny fanirian’ny nofo. — 2:16, 21.

10. Ahoana no mety hanohizan’ny olona iray hikatsaka ny zavatra any ambony sy hitafy ny toetra vaovao?

10 Nanome izao torohevitra izao kosa i Paoly: “Katsaho ny zavatra any ambony, any amin’ny itoeran’i Kristy, Izay mipetraka eo an-tànana ankavanan’Andriamanitra. Saino ny zavatra any ambony, fa tsy ny zavatra etỳ an-tany.” Azo atao izany amin’ny fanariana ny toetra taloha sy amin’ny fitafiana ny toetra vaovao, izay amin’ny alalan’ny fahalalana araka ny marina, dia tsy manisy fanavahana ara-nofo eo amin’ny Jiosy sy ny Grika (f.a.p.), satria “Kristy no zavatra rehetra sady amin’ny rehetra”. Izany dia midika hoe mitafy, amin’ny maha-“olom-boafidin’Andriamanitra”, ny firaiketam-po maneho fitiavana voaforon’ny fangoraham-po, ny fahamoram-panahy, ny fanetren-tena, ny fahalemem-panahy ary ny fandeferana. Hoy ilay apostoly hoe: “Tahaka ny namelan’[i Jehovah, NW ] ny helokareo no aoka mba hamelanareo heloka kosa. Ary aoka ho ambonin’izany rehetra izany ny fitiavana, fa [fatorana mampiray tanteraka, NW ] izany.” Na amin’ny teny na amin’ny asa, ny zavatra rehetra dia tokony hatao ‘amin’ny anaran’i Jesosy Tompo, amin’ny fisaorana an’Andriamanitra Ray amin’ny alalany’. — 3:1, 2, 11-14, 17.

11. a) Torohevitra inona no omena mikasika ny fianakaviana sy ny fifandraisana hafa? b) Fanaovam-beloma inona avy no ampitaina ho famaranana?

11 Fifandraisana amin’ny hafa (3:18–4:18, ampitahao amin’ny NW.) Raha ny amin’ny fifandraisana ao amin’ny fianakaviana, dia aoka ny vehivavy hanaiky ny vadiny ary aoka ny lehilahy ho tia ny vadiny, aoka ny ankizy hankato ny ray aman-dreniny ary aoka ny ray tsy hampahasosotra ny zanany. Ny mpanompo dia tokony hankato ny tompony amin’ny fahatahorana an’i Jehovah, ary ny tompo kosa tokony hanao izay marina amin’ny mpanompony. Aoka ny rehetra haharitra amin’ny fivavahana ary handeha amin’ny fahendrena amin’izay eo ivelany. I Tykiko sy i Onesimosy no hitantara amin’izy ireo mivantana ireo zavatra mikasika an’i Paoly sy ireo mpiara-miasa taminy ho an’ny Fanjakan’Andriamanitra. Nandefa fanaovam-beloma tany Kolosia izy ireo, ary nanao veloma ireo rahalahy tany Laodikia koa i Paoly, ary nangataka azy ireo mba hifanakalo ireo taratasy nalefany. Nanoratra fanaovam-beloma famaranana tamin’ny tanany toy izao i Paoly: “Tsarovy ny fifatorako. Ho aminareo anie ny fahasoavana.” — 4:18.

MAHASOA — NAHOANA?

12. Fahamarinana mamelombelona inona avy no nomen’ny taratasin’i Paoly ho an’ireo Kolosiana, ary nitondra soa inona ho an’ilay kongregasiona izy io?

12 Azontsika alaina sary an-tsaina ny hafainganan’ny fielezan’ilay vaovao ny amin’ny fahatongavan’ireo rahalahy roa avy tany Roma, teo amin’ireo rahalahy tany Kolosia. Rehefa niangona izy ireo, angamba tao an-tranon’i Filemona, dia may aoka izany niandry mba handre ny famakiana ny taratasin’i Paoly. (Filem. 2). Fahamarinana namelombelona toy inona avy moa no nomen’izy io momba ny tena toerana notanan’i Kristy sy ny ilana fahalalana araka ny marina! Tamin’ny fomba mazava tsara toy inona moa no namerenana tamin’ny toerany ireo filozofian’ny olona sy ireo lovantsofina jiosy, sy nanandratana ny fiadanana sy ny tenin’i Kristy! Omena eto ny zavatra tokony ho ao an-tsaina sy ao am-pon’ny rehetra ao amin’ny kongregasiona — mpiandraikitra, lehilahy manambady, vehivavy manambady, raim-pianakaviana, ankizy, tompo, mpanompo. Azo antoka fa nisy torohevitra tsara ho an’i Filemona sy i Onesimosy, rehefa tafaverina tao amin’ny fifandraisan’ny tompo sy ny mpanompo indray izy ireo. Ohatra tsara dia tsara toy inona moa no omena an’ireo mpiandraikitra mba hamerenana ny andian’ondry ao amin’ny foto-pampianarana marina! Toy inona moa no nampitomboan’ireo tenin’i Paoly ny fankasitrahan’ireo Kolosiana ny tombontsoany niasa tamin’ny fanahiny rehetra ho an’i Jehovah! Ary ilay torohevitra mampahery ho an’ireo Kolosiana mba hanafa-tena amin’ireo hevitra sy fanao manandevon’izao tontolo izao dia mbola hafatra velona ihany ho an’ny kongregasiona amin’izao andro izao. — Kol. 1:9-11, 17, 18; 2:8; 3:15, 16, 18-25; 4:1.

13. Inona no nananaran’i Paoly momba ny teny feno fahasoavana sy ny vavaka ary ny fifaneraserana kristiana?

13 Torohevitra faran’izay tsara ho an’ny mpanompo kristiana no voasoritra toy izao ao amin’ny Kolosiana 4:6: “Aoka ny fiteninareo ho amin’ny fahasoavana mandrakariva, ho mamy sira, mba ho fantatrareo izay tokony havalinareo ny olona rehetra.” Ny tenim-pahamarinana feno fahasoavana dia hampitelin-drora ny olona manana fo marina ary hitondra soa maharitra ho azy ireo. Afa-tsy izany koa, ny vavaka ataon’ny Kristiana amin’ny saina mifoha tanteraka sy avy amin’ny fo feno fankasitrahana, dia hitondra fitahiana tondraka avy amin’i Jehovah, araka izao: “Mahareta amin’ny fivavahana, ka miambena amin’izany amin’ny fisaorana”. Ary fifaliana sy famelombelomana mampahery toy inona moa no ho hita ao amin’ny fifaneraserana kristiana! “Mifampianara ka mifananara”, hoy i Paoly, “mihira (...) ao am-ponareo ho an’[i Jehovah, NW ].” (4:2; 3:16). Hahita fampianarana marim-pototra sy azo ampiharina toy ny vatosoa maro hafa ianao eo am-panaovana fikarohana momba ny taratasy ho an’ireo Kolosiana.

14. a) Zavatra tena izy inona no asongadin’ny Kolosiana? b) Ahoana no anantitranterana ny fanantenana ny amin’ilay Fanjakana?

14 Mikasika ireo andro firavoravoana tao amin’ny Lalàna, dia hoy ilay taratasy: “Aloky ny zavatra ho avy ireny, fa ny [tena izy, NW ] dia an’i Kristy.” (2:17). Asongadina ao amin’ny Kolosiana io maha-tena izy an’i Kristy io. Miresaka matetika momba ny fanantenana be voninahitra tahirizina any an-danitra ho an’ireo izay tafaray amin’i Kristy (NW ) io taratasy io. (1:5, 27; 3:4). Afaka ny ho velom-pankasitrahana indrindra ireo, noho ny Ray efa nanafaka azy avy tamin’ny fahefan’ny maizina ka namindra azy ireo “ho amin’ny fanjakan’ny Zanany malalany”. Araka izany, izy ireo dia nanjary nanaiky Ilay “endrik’Andriamanitra tsy hita, ny Lahimatoa talohan’izao zavatra ary rehetra izao; fa tao aminy no nahariana ny zavatra rehetra any an-danitra sy etỳ ambonin’ny tany, dia ny hita sy ny tsy hita, na fiandrianana, na fanjakana, na fanapahana, na fahefana”. Izy io no miavaka fa manana ny toetra ilaina mba hanapahana amin’ny fahamarinana ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Araka izany no nananaran’i Paoly an’ireo Kristiana voahosotra toy izao: “Koa raha niara-natsangana tamin’i Kristy hianareo, dia katsaho ny zavatra any ambony, any amin’ny itoeran’i Kristy, Izay mipetraka eo an-tànana ankavanan’Andriamanitra.” — 1:12-16; 3:1.

[Fanamarihana ambany pejy]

a The New Westminster Dictionary of the Bible, 1970, pejy 181.

[Fanontaniana]