Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-52 — 1 Tesaloniana

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-52 — 1 Tesaloniana

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-52 — 1 Tesaloniana

Mpanoratra: Paoly

Toerana Nanoratana: Korinto

Vita Tamin’ny: 50 am.f.i. tany ho any

1. a) Inona no nitarika ho amin’ny fanoratana ny Tesaloniana Voalohany? b) Oviana moa izany, ary inona no mampiavaka io taratasy io?

 TAMIN’NY taona 50 am.f.i. tany ho any no nitsidihan’ny apostoly Paoly, nandritra ny dia fitoriany faharoa, ny tanànan’i Tesalonika, tany Makedonia, sy nanorenany kongregasiona kristiana iray tany. Tao anatin’ny herintaona, fony izy tany Korinto niaraka tamin’i Silasy sy i Timoty, dia voatosika hanoratra ny taratasiny (NW ) voalohany ho an’ireo Tesaloniana i Paoly mba hampiononana (NW ) azy ireo sy hampaherezana azy ireo tao amin’ny finoana. Azo inoana fa tany amin’ny faran’ny taona 50 am.f.i. tamin’izay. Toa miavaka itỳ taratasy (NW ) itỳ, noho izy io ny voalohany tamin’ireo asa soratr’i Paoly nanjary anisan’ny kanônan’ny Baiboly ary, ankoatra ny Filazantsaran’i Matio angamba, dia ny boky voalohany amin’ny Soratra Grika Kristiana natao an-tsoratra.

2. Inona no porofo ny amin’izay nanoratra ny Tesaloniana Voalohany sy ny maha-azo itokiana azy io?

2 Tondraka ny porofo manohana ny maha-azo itokiana ilay taratasy sy ny fifanarahany akaiky amin’ny soratra tany am-boalohany. Mitonona ho ny nanoratra azy io, i Paoly, ary ny ao anatin’ilay boky dia mifandrindra tsara amin’ny tapany sisa amin’ny Teny ara-tsindrimandry. (1 Tes. 1:1; 2:18). Tononina anarana ilay epistily ao amin’ny maro amin’ireo katalaogin’ireo Soratra ara-tsindrimandry tany am-boalohany indrindra, anisan’izany ny Fragment de Muratori. a Ny Tesaloniana Voalohany dia, na nakan’ny maro tamin’ireo mpanoratra tany am-boalohany anisan’ny klerjy teny, na noresahiny tsy nivantana. Anisan’izy ireo i Irénée (taonjato faharoa am.f.i.), izay nanonona ny anaran’izy io. Ny Papyrus Chester Beatty No. 2 (P46), tamin’ny 200 am.f.i. tany ho any, dia mirakitra ny Tesaloniana Voalohany, ary ny taratasy papyrus hafa iray tamin’ny taonjato fahatelo (P30), izay any Gand, any Belzika, ankehitriny, dia mirakitra tapatapa-tsoratra tamin’ny Tesaloniana Voalohany sy Faharoa. b

3, 4. Inona no vokatry ny fahombiazan’ny fanompoan’i Paoly tany am-boalohany tany Tesalonika?

3 Ny fanopaza-maso amin’ny tantara fohin’ny kongregasiona tany Tesalonika, talohan’ny nanoratana itỳ taratasy itỳ, dia mampiorina ny toe-javatra nanodidina ny fiahian’i Paoly lalina an’ireo rahalahy tao amin’io tanàna io. Hatrany am-boalohany indrindra, dia nandia fanenjehana sy fanoherana mafy ilay kongregasiona. Ao amin’ny Asan’ny Apostoly toko faha-17, i Lioka dia nanao tatitra ny amin’ny nahatongavan’i Paoly sy i Silasy tao Tesalonika, “ary nisy synagogan’ny Jiosy tao”. Sabata telo no nitorian’i Paoly tamin’izy ireo, niadiany hevitra avy tamin’ny Soratra Masina tamin’izy ireo. Ary misy zavatra mampiseho fa nivahiny tao ela kokoa noho izany aza izy, satria nanana fotoana hanaovana raharaha ho asa fivelomany izy, ary, ambonin’ny zavatra rehetra, hanorenana sy handaminana kongregasiona iray. — Asa. 17:1; 1 Tes. 2:9; 1:6, 7.

4 Ny firaketana an-tsoratra ao amin’ny Asan’ny Apostoly 17:4-7 dia mitantara amin’ny fomba azo alaina sary an-tsaina tsara ny vokatry ny fitorian’ilay apostoly tao Tesalonika. Nialona noho ny fahombiazan’ny fanompoana kristian’i Paoly ireo Jiosy, ka nandamina vahoaka betsaka mba hampitabataba ny tanàna. Nanafika ny tranon’i Jasona izy ireo ka nisarika azy sy ny rahalahy hafa ho any amin’ny lehiben’ny tanàna, ary niantso mafy hoe: “Tonga atỳ koa ireo lehilahy namadika izao tontolo izao ireo; ary efa nampandrosoin’i Jasona izy, ka izy rehetra ireo manohitra ny tenin’i Kaisara, satria izy milaza fa misy mpanjaka hafa, dia Jesosy.” Voatery nanome antoka i Jasona sy ireo hafa vao afaka. Noho ireo rahalahy tao amin’ilay kongregasiona, ary koa ho fiarovana ny tenany manokana, dia nalefa haingana tany Beria tamin’ny alina i Paoly sy i Silasy. Efa tafaorina anefa izao ny kongregasiona tany Tesalonika.

5. Ahoana no nampisehoan’i Paoly ny fiahiany ny kongregasionan’i Tesalonika sy ny fiheverany azy tamim-pitiavana?

5 Nanaraka an’i Paoly hatrany Beria ny fanoherana nivaivay avy tamin’ireo Jiosy ary nandrahona ny hampitsahatra ny fitoriany tany. Nanohy ny diany hatrany Atena, tany Grisia, àry izy. Kanefa dia mbola naniry mafy ny hahafantatra ny niafaran’ireo rahalahiny tany Tesalonika tao anatin’ny fahoriana izy. Indroa izy no nanandrana ny hiverina tany amin’izy ireo, nefa “nosakanan’i Satana” foana. (1 Tes. 2:17, 18). Feno fiahiana an’ilay kongregasiona mbola tanora i Paoly sady nahatsiaro tamim-panaintainana ny fahoriana nodiavin’izy ireo, ka naniraka an’i Timoty hiverina tany Tesalonika mba hampionona ireo rahalahy ary hampiorina mafy kokoa azy ireo tao amin’ny finoana. Rehefa niverina nitondra ny tatitra nanafana ny fo nataony i Timoty, dia diboky ny hafaliana i Paoly noho ilay vaovao momba ny tsy fivadihana mafy aoka izany notanan’izy ireo tao anatin’ny fanenjehana nahery vaika. Ny tantaran’izy ireo manontolo izao dia efa nanjary ohatra ho an’ny mpino nanerana an’i Makedonia sy i Akaia rehetra. (1:6-8; 3:1-7). Velom-pankasitrahana an’i Jehovah Andriamanitra i Paoly noho ny fiaretan’izy ireo tamim-pahatokiana, kanefa takany koa fa, mba hahafahan’izy ireo hitombo hatramin’ny fahamatorana, dia nila fitarihana sy torohevitra fanampiny izy ireo. Noho izany, fony tany Korinto niaraka tamin’i Timoty sy i Silasy i Paoly, dia nanoratra ny taratasiny voalohany ho an’ireo Tesaloniana.

LOHA HEVITRA RAKETIN’NY TESALONIANA VOALOHANY

6. Noho ny inona no nideran’i Paoly an’ireo Tesaloniana?

6 Ohatra ho an’ny mpino hafa ireo Tesaloniana (1:1-10). Nanomboka ny taratasiny ho an’ireo Tesaloniana i Paoly tamin’ny teny fiderana feno hafanam-po noho ny asa nataon’izy ireo tamim-pinoana, noho ny fikelezan’izy ireo aina tamin’ny fitiavana ary noho ny faharetan’izy ireo tamin’ny fanantenana. Tsy tonga teo amin’izy ireo tamin’ny teny ihany ny vaovao tsara (NW ), fa ‘tamin’ny hery sy ny fahatokiana be koa’. Nanahaka ny ohatra nomena azy ireo Tesaloniana, ka nandray ny teny ‘tamin’ny hafaliana avy tamin’ny fanahy masina’, ary ny tenany kosa dia tonga fianarana koa ho an’ny mpino rehetra tany Makedonia sy tany Akaia ary lavitra noho izany aza. Niala tanteraka tamin’ireo sampiny izy ireo, “mba hanompo an’Andriamanitra velona sy marina, ary mba hiandry ny Zanany avy any an-danitra”. — 1:5, 6, 9, 10.

7. Fihetsika nanao ahoana no nasehon’i Paoly sy ireo namany fony izy ireo teo amin’ireo Tesaloniana, ary inona no nampirisihan’izy ireo mba hataon’ireo Tesaloniana?

7 Ny fiahian’i Paoly tamim-pitiavana an’ireo Tesaloniana (2:1–3:13). Rehefa avy niharan’ny fisetrasetrana tany Filipy i Paoly sy ireo namany, dia nisikina fahasahiana (NW ) mba hitoriana tamin’ireo Tesaloniana. Tsy nila sitraka tamin’ny olona na nanao teny mandrobo olona na nitady voninahitra tamin’olona akory izy ireo, rehefa nanao izany. Mifanohitra amin’izany aza (NW ), hoy i Paoly, “fa nalemy fanahy teo aminareo izahay, tahaka ny reny mitaiza ny zanany naterany, dia toy izany no nahazoto anay, noho ny [firaiketam-po maneho fitiavana aminareo, NW ] indrindra, hanome anareo, tsy ny [vaovao tsaran’Andriamanitra, NW ] ihany, fa ny ainay koa aza, satria efa malalanay hianareo”. (2:7, 8). Tsy nitsahatra nampirisika ireo Tesaloniana izy ireo, tahaka ny ray amin’ny zanaka, mba handehanan’izy ireo mendrika an’Andriamanitra, izay niantso azy ireo ho amin’ny fanjakany sy ny voninahiny.

8. Tamin’ny ahoana ireo Tesaloniana no nanjary reharehan’i Paoly, ary inona no vavaka nataony ho azy ireo?

8 Nidera azy ireo i Paoly noho izy ireo nanaiky avy hatrany ny vaovao tsara araka izay marina, dia “ny tenin’Andriamanitra”. Tsy izy ireo irery no nenjehin’ny iray firenena taminy, satria ireo mpino voalohany tany Jodia koa dia niharan’ny fanenjehana nitovy tamin’izany koa noho ny nataon’ireo Jiosy. Nitebiteby noho ny fahasalaman’izy ireo i Paoly, ka indroa ny tenany no naniry ny hankany amin’izy ireo manokana kanefa voasakan’i Satana. Ho an’i Paoly sy ireo mpiara-miasa taminy, ireo rahalahy tesaloniana dia satroboninahitra reharehany, ‘voninahiny sy fifaliany’. (2:13, 20). Rehefa tsy naharitra intsony i Paoly noho ny tsy fisian’ny vaovao mikasika azy ireo, dia naniraka an’i Timoty ho any Tesalonika mba hampahery ny finoan’izy ireo sy hampionona azy ireo. Vao tafaverina izao i Timoty nitondra vaovao tsara momba ny fanambinana ara-panahin’izy ireo sy ny fitiavany, ka izany dia nitondra fampiononana sy fifaliana ho an’ilay apostoly. Nisaotra an’Andriamanitra i Paoly ary nivavaka mba hampandrosoan’ny Tompo azy ireo, mba hifankatiavan’izy ireo ary mba “tsy hanan-tsiny amin’ny fahamasinana” ny fon’izy ireo eo anatrehan’Andriamanitra amin’ny fanatrehan’i (NW ) Jesosy Tompo. — 3:13.

9. Inona no nampirisihan’i Paoly mikasika ny fifanamasinana sy ny fifankatiavana?

9 Fanompoana amin’ny fahamasinana sy ny voninahitra (4:1-12, ampitahao amin’ny NW. ) Nidera an’ireo Tesaloniana i Paoly noho ny fandehanan’izy ireo mba hahazoana sitraka amin’Andriamanitra, ary nampirisika azy ireo mba tsy hitsahatra ny hanao izany bebe kokoa ihany. Ny tsirairay dia ‘[tokony, NW ] hahafantatra izay hahazoany ny fanaky ny tenany avy, amin’ny fahamasinana sy ny voninahitra, fa tsy amin’ny filana fotsiny’. Amin’izany, dia tsy tokony hisy hanitsakitsaka ny zon’ny rahalahiny. Ny antony dia satria Andriamanitra tsy niantso azy “ho amin’ny fahalotoana, fa amin’ny fahamasinana. Koa izay mandà, dia tsy olona no laviny, fa Andriamanitra”. (4:4, 5, 7, 8). Nidera an’ireo Tesaloniana i Paoly satria nifaneho fitiavana izy ireo, ary nampirisika azy ireo mba tsy hitsahatra ny hanao izany bebe kokoa ihany, amin’ny fikendrena ny hiaina amim-pahatoniana sy hitandrina ny raharahan’ny tenany ihany ary hiasa amin’ny tanany. Ny antony dia satria tsy maintsy nandeha tamin’ny fitondran-tena mahamendrika “amin’ny eo ivelany” izy ireo. — 4:12.

10. Fihetsika manao ahoana no tokony hananan’ireo rahalahy raha ny amin’ireo izay efa nody mandry?

10 Ny fanantenana fitsanganan’ny maty (4:13-18). Raha ny amin’ireo izay nody mandry, ireo rahalahy dia tsy tokony halahelo tahaka ireo izay tsy nanana fanantenana. Raha ninoan’izy ireo fa efa maty i Jesosy sady efa nitsangana indray, toy izany koa, fa hanangana ny hafa izay nody mandry amin’ny alalan’i Jesosy, Andriamanitra. Amin’ny fanatrehan’ny Tompo, dia hidina avy any an-danitra amin’ny fiantsoana izy, “ka izay maty ao amin’i Kristy no hitsangana aloha”. Aorian’izay, ireo izay ho mbola velona dia “hakarina hiaraka aminy ho eny amin’ny rahona hitsena ny Tompo any amin’ny habakabaka”, mba ho any amin’ny Tompo mandrakariva. — 4:16, 17.

11. Nahoana ireo Tesaloniana no tokony hifoha hatrany, ary tsy tokony hitsahatra hanao inona izy ireo?

11 Mifoha hatrany eo am-panatonan’ny andron’i Jehovah (5:1-28, ampitahao amin’ny NW. ) “Ho avy toy ny mpangalatra amin’ny alina ny andron’[i Jehovah, NW ].” Amin’ny fotoana hilazan’ny olona hoe “fiadanana sy filaminana!” no hanjo azy tampoka ny fandringanana. Noho izany, dia aoka ireo Tesaloniana hiambina hatrany amin’ny ‘maha-zanaky ny mazava sy zanaky ny andro’ azy, hahonon-tena ary “hitafy ny finoana sy ny fitiavana ho fiarovan-tratra, ary ny fanantenana ny famonjena ho fiarovan-doha”. (5:2, 3, NW, 5, 8). Izany dia fotoana tokony tsy hitsaharan’izy ireo hifampionona sy hifampahery. Aoka ny rehetra samy ‘hanaja indrindra amin’ny fitiavana’ ireo izay mikely aina sy mitondra azy ireo. Etsy an-danin’izany, dia tsy maintsy anarina izay tsy milamina, ampaherezina ny reraka, ary tsy maintsy anehoana fandeferana ny rehetra. Eny, hoy ny nosoratan’i Paoly, “miezaha mandrakariva hitady izay tsara, na amin’ny namanareo na amin’ny olona rehetra”. — 5:13, 15.

12. Momba ny raharaha tena lehibe inona avy no nanomezan’i Paoly torohevitra tamin’ny farany, ary ahoana no namaranany ny taratasiny ho an’ireo Tesaloniana?

12 Farany, dia nanome torohevitra momba ny raharaha tena lehibe sasantsasany i Paoly: ‘Mifalia mandrakariva. Mivavaha ka aza mitsahatra, amin’ny fisaorana amin’ny zavatra rehetra. Hazòny ny [afon’ny, NW ] fanahy. Aza manao tsinontsinona ny faminaniana. [Ataovy azo antoka, NW ] ny zavatra rehetra ary hazòny mafy izay tsara. Fadio ny fanao ratsy rehetra.’ (5:16-22). Avy eo izy dia nivavaka mba hanamasinan’ilay Andriamanitry ny fiadanana azy ireo amin’ny fomba feno ary koa mba hitoeran’izy ireo ho tsy manan-tsiny amin’ny fanahy (esprit) sy ny fanahy (âme) ary ny tena amin’ny fanatrehan’i Jesosy Kristy Tompo. Namarana ilay taratasy izy tamin’ny teny fampaherezana mafana sy tamin’ny toromarika hentitra mba hamakiana ilay taratasy tamin’ny rahalahy rehetra.

MAHASOA — NAHOANA?

13. Tamin’inona i Paoly sy ireo namany no ohatra ambony, ary inona no vokatry ny fanehoam-pitiavana an-tsitrapo teo amin’ilay kongregasiona?

13 Ato amin’itỳ taratasy itỳ i Paoly dia maneho toe-tsaina feno fiahiana amim-pitiavana ny rahalahiny. Namela ohatra ambony izy sy ireo mpiara-manompo taminy raha ny amin’ny firaiketam-po maneho fitiavana, tamin’ny fanomezana, tsy ny vaovao tsaran’Andriamanitra ihany, fa ny ainy koa, ho an’ireo rahalahy malalany tany Tesalonika. Aoka ny mpiandraikitra rehetra hiezaka hanefy fatoram-pitiavana toy izany amin’ny kongregasionany! Ny fanehoam-pitiavana toy izany dia handrisika ny rehetra hifaneho fitiavana, tsy misy hafa amin’ny nolazain’i Paoly hoe: “Ary ny Tompo anie hampitombo sy hampandroso anareo amin’ny fifankatiavana sy ny fitiavana ny olona rehetra, dia tahaka anay aminareo koa”. Mampahery indrindra io fitiavana aseho an-tsitrapo eo anivon’ny vahoakan’Andriamanitra rehetra io. Izy io dia ‘mampiorina ny fo tsy hanan-tsiny amin’ny fahamasinana eo anatrehan’Andriamanitra Raintsika amin’ny [fanatrehan’i, NW ] Jesosy Tompontsika mbamin’ny masiny rehetra’. Izy io dia mampisaraka ny Kristiana amin’ny tontolo simba sy maloto fitondran-tena mba hahafahan’izy ireo handeha amin’ny fahamasinana sy ny fanamasinana, ka hahazo sitraka amin’Andriamanitra. — 3:12, 13; 2:8; 4:1-8, NW.

14. Amin’ny ahoana ny Tesaloniana Voalohany no ohatra faran’izay tsara raha ny amin’ny fanomezana torohevitra mampiseho fahaiza-mandanjalanja sy fitiavana?

14 Itỳ taratasy itỳ dia manome modely faran’izay tsara raha ny amin’ny fanomezana torohevitra mampiseho fahaiza-mandanjalanja sy fitiavana ao amin’ny kongregasiona kristiana. Na dia be zotom-po sy nahatoky aza ireo rahalahy tesaloniana, dia nisy zavatra tsy maintsy nahitsy. Tamin’ny toe-javatra tsirairay anefa, dia nidera an’ireo rahalahy i Paoly, noho ireo toetra tsaran’izy ireo. Ohatra, mba hampitandremana tamin’ny fahalotoana ara-pitondran-tena, dia nidera azy ireo aloha izy, noho ny fandehanan’izy ireo mba hahazoana sitraka tamin’Andriamanitra, ary avy eo dia nampirisika azy ireo mba hanao izany “bebe kokoa”, ka samy hihazona ny fanaky ny tenany amin’ny fahamasinana sy ny voninahitra. Avy eo, rehefa avy nidera azy ireo momba ny fitiavan-drahalahy nananan’izy ireo izy, dia nampirisika azy ireo mafy mba hanohy tamin’izany lalana izany “bebe kokoa”, amin’ny fitandremana ny raharahan’ny tenany ihany ary amin’ny fananana fiainana mendrika eo anoloan’izay any ivelany. Tamim-pahaiza-mandanjalanja, i Paoly dia nanome toromarika an’ireo rahalahiny mba ‘hiezaka mandrakariva hitady izay tsara, na amin’ny namanareo na amin’ny olona rehetra’. — 4:1-7, 9-12; 5:15.

15. Inona no mampiseho fa nitory tamin-jotom-po momba ny fanantenana ilay Fanjakana tany Tesalonika i Paoly, ary torohevitra tsara dia tsara inona no nomeny nifandray tamin’izany?

15 Tamin’ny toerana efatra i Paoly dia nanonona ny ‘fanatrehan’i’ Jesosy Kristy. Toa liana aoka izany tamin’io fampianarana io ireo Kristiana niova finoana vao haingana tany Tesalonika. Fony tao amin’ny tanànan’izy ireo i Paoly, dia tsy isalasalana fa nitory tamim-pahasahiana mikasika ny Fanjakan’Andriamanitra eo an-tanan’i Kristy, araka ny asehon’izao fiampangana natao taminy sy ireo namany izao: “Izy rehetra ireo manohitra ny tenin’i Kaisara, satria izy milaza fa misy mpanjaka hafa, dia Jesosy.” (Asa. 17:7; 1 Tes. 2:19, NW; 3:13, NW; 4:15, NW; 5:23, NW ). Nametraka ny fanantenany tamin’ilay Fanjakana ireo rahalahy tesaloniana ary, tamin’ny fananana finoana an’Andriamanitra, dia niandry “ny Zanany avy any an-danitra, Izay natsangany tamin’ny maty, dia Jesosy”, mba hanafaka azy ireo tamin’ny fahatezerana ho avy. Mitovy amin’izany koa, izay rehetra manantena ny Fanjakan’Andriamanitra amin’izao andro izao dia mila ny manaraka ilay torohevitra tsara dia tsaran’ny Tesaloniana Voalohany mba hampitombo ny fitiavany, amin’ny fananana fo miorina sy tsy manan-tsiny, mba hahafahany ‘handeha mendrika an’Andriamanitra, izay miantso azy ho amin’ny fanjakany sy ny voninahiny’. — 1 Tes. 1:8, 10; 3:12, 13; 2:12.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Jereo ny tabilao hoe “Katalaogy Tany Am-boalohany Miavaka Amin’ny Soratra Grika Kristiana”, pejy 303.

b The Text of the New Testament, nataon’i Kurt sy i Barbara Aland, nadikan’i E. F. Rhodes, 1987, pejy 97, 99.

[Fanontaniana]