Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-53 — 2 Tesaloniana

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-53 — 2 Tesaloniana

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-53 — 2 Tesaloniana

Mpanoratra: Paoly

Toerana Nanoratana: Korinto

Vita Tamin’ny: 51 am.f.i. tany ho any

1. Inona no manondro ny fotoana sy ny toerana nanoratana ilay taratasy, ary inona no nanosika hanoratra ny taratasy faharoa ho an’ny Tesaloniana?

 NY TARATASY (NW ) faharoan’ny apostoly Paoly ho an’ny Tesaloniana dia nanaraka akaiky ilay voalohany. Fantatsika fa nosoratana fotoana fohy taorian’ilay taratasy voalohany izy io, ary koa fa tao amin’ny tanànan’i Korinto ihany koa no nanoratana azy, satria nandefa fiarahabana niaraka tamin’i Paoly ho an’ilay kongregasiona (NW ) tany Tesalonika indray koa i Silasy sy i Timoty. Samy mpanompo mpitety faritany tao amin’ny kongregasiona kristiana tany am-boalohany izy ireo, ary tsy misy firaketana an-tsoratra milaza fa tafaraka indray izy telo mirahalahy ireo taorian’io fifaneraserany tany Korinto io. (2 Tes. 1:1; Asa. 18:5, 18). Ilay foto-kevitra sy ilay fandinihana mihitsy dia manondro fa tsapan’i Paoly fa nilaina maika ny nanitsy haingana ilay kongregasiona tamin’ny fahadisoana iray nahatafalatsaka azy io.

2. Inona no manamarina ny maha-azo itokiana ny Tesaloniana Faharoa?

2 Voamarina tsy misy hafa amin’ny nanamarinana ny maha-azo itokiana ny Tesaloniana Voalohany ny maha-azo itokiana itỳ taratasy itỳ. Izy itỳ koa dia tononin’i Irénée (taonjato faharoa am.f.i.) ary koa ny mpanoratra hafa tany am-boalohany, anisan’izany i Justin le Martyr (tamin’ny taonjato faharoa koa), izay toa nanisy firesahana momba ny 2 Tesaloniana 2:3, rehefa nanoratra momba “ilay lehilahin’ota” izy. Miseho ao amin’ireo katalaogy tany am-boalohany nisy ny Tesaloniana Voalohany koa izy itỳ. Na dia tsy hita ao amin’ny Papyrus Chester Beatty No. 2 (P46) aza izy ankehitriny, dia saika azo antoka tanteraka fa voarakitra tao amin’ny roa voalohany tamin’ireo takelaka fito aorian’ny Tesaloniana Voalohany, izay tsy hita.

3, 4. a) Zava-nanahirana inona no nipoitra tao amin’ny kongregasionan’i Tesalonika? b) Oviana sy taiza no nanoratana ilay taratasy, ary inona no notadiavin’i Paoly hotanterahina tamin’ny alalan’izy io?

3 Inona no zava-kendren’itỳ taratasy itỳ? Avy amin’ilay torohevitra natolotr’i Paoly an’ireo Tesaloniana, dia ianarantsika fa nanantitrantitra ny sasany tao amin’ilay kongregasiona hoe efa antomotra ny fanatrehan’ny (NW ) Tompo, fa tena nitory mihitsy io tsangan-kevitry ny tenany manokana io ireo mpanombantombana ireo, ary koa fa niteraka fikorontanam-be tao amin’ilay kongregasiona izy ireo. Toa nampiasa izany mihitsy aza ny sasany ho toy ny fialan-tsiny tsy hiasana ho fameloman-tena. (2 Tes. 3:11). Tao amin’ny taratasiny voalohany, i Paoly dia nanisy firesahana momba ny fanatrehan’ny Tompo, ary tsy isalasalana fa, rehefa nahare ny famakiana azy io ireo mpanombantombana ireo dia maika erỳ ny hanolana ny tenin’i Paoly ary namaky hevitra izay tsy nokasaina ny holazaina tao velively. Toa nisy taratasy iray koa nolazaina tamin’ny fomba diso fa nosoratan’i Paoly ary noheverina fa nampiseho hoe “efa miandoha ny andron’[i Jehovah, NW ]”. — 2:1, 2.

4 Toa naharay tatitra momba io toe-javatra io i Paoly, azo inoana fa avy tamin’ilay olona nanome ny taratasiny voalohany ho an’ilay kongregasiona, ka noho izany dia may mafy izy ny hanitsy ny fomba fisainan’ireo rahalahiny izay nahatsapany firaiketam-po lehibe aoka izany. Koa tamin’ny taona 51 am.f.i. àry, i Paoly, niaraka tamin’ireo namany roa lahy, dia nandefa taratasy iray avy tany Korinto ho an’ny kongregasiona tany Tesalonika. Ambonin’ny fanitsiana ny fomba fijery diso momba ny fanatrehan’i Kristy, dia nanome fampirisihana feno hafanam-po mba hiorina mafy tao amin’ny fahamarinana i Paoly.

LOHA HEVITRA RAKETIN’NY TESALONIANA FAHAROA

5. Noho ny inona no nisaoran’i Paoly sy ireo namany an’Andriamanitra, toky inona no nomen’izy ireo, ary ho amin’inona no nivavahan’izy ireo?

5 Ny fisehoan’i Jesosy Tompo (1:1-12). Nisaotra an’Andriamanitra i Paoly sy ireo namany noho ny fitomboana tsara dia tsaran’ny finoan’ireo Tesaloniana sy ny fifankatiavan’izy ireo. Famantarana ny fitsarana marin’Andriamanitra izay nanao azy ireo ho mendrika ny fanjakan’Andriamanitra, ny fiaretana sy ny finoan’izy ireo tao anatin’ny fanenjehana. Hamaly fahoriana an’ireo izay nitondra fahoriana ho an’ilay kongregasiona Andriamanitra, ary hanome fitsaharana ho an’ireo izay nampahorina. Izany dia amin’ny fotoana ‘hisehoan’i Jesosy Tompo, avy any an-danitra mbamin’ny anjelin’ny heriny, raha tonga izy mba hankalazaina eo amin’ny olony masina’. (1:7, 10). Nivavaka (NW ) ho an’ireo Tesaloniana foana i Paoly sy ireo namany mba hataon’Andriamanitra ho mendrika ny fiantsoany izy ireo ary koa mba hankalazaina ny anaran’i Jesosy Tompo ao amin’izy ireo ary izy ireo ho tafaray (NW ) aminy.

6. Inona no tsy maintsy tonga alohan’ny andron’i Jehovah, ary amin’ny fomba ahoana?

6 Fivadiham-pinoana alohan’ny fanatrehan’i Jesosy (2:1-12). Tsy tokony hanjary taitaitra (NW ) ireo rahalahy noho izay teny rehetra fa hoe niandoha ny andron’i Jehovah. “Tsy ho avy izany, raha tsy efa tonga aloha ny fihemorana, ka hiseho ilay lehilahin’ota, dia ilay zanaky ny fahaverezana”. Fantatr’izy ireo izao ilay “zavatra misakana”, kanefa efa niasa sahady ny zava-miafina, dia ny tsy fankatoavan-dalàna. Rehefa hesorina io zavatra nisakana io, “dia haseho ilay tena mpandika lalàna, izay holevonin’i Jesosy Tompo amin’ny fofonain’ny vavany ary hofoanany amin’ny fisehoan’ny [fanatrehany, NW ]”. Ny fanatrehan’ilay mpandika lalàna dia araka ny fiasan’i Satana amin’ny hery sy ny famitahana, ary Andriamanitra namela (NW ) ny fiasan’ny fahadisoan-kevitra ho amin’ireo izay tsy nandray ny fitiavana ny fahamarinana, mba hinoan’izy ireo ny lainga. — 2:3, 6, 8.

7. Ahoana no ahazoan’ireo rahalahy miorina mafy sy mahita fiarovana amin’ilay ratsy?

7 Miorena mafy (NW ) ao amin’ny finoana (2:13–3:18). Nanohy ny teniny toy izao i Paoly: “Izahay tsy maintsy misaotra an’Andriamanitra mandrakariva ny aminareo, ry rahalahy malalan’[i Jehovah, NW ], satria Andriamanitra efa nifidy anareo hatramin’ny voalohany hahazo famonjena amin’ny fanamasinan’ny Fanahy sy ny finoana ny marina”. Noho izany zava-kendrena izany no nanambarana ny vaovao tsara (NW ) tamin’izy ireo. Noho izany dia tokony hiorina mafy ireo rahalahy ary hihazona ny fampianarana natolotra izay nampianarina azy ireo, mba hahafahan’i Jesosy Kristy sy ny Ray, izay nanome tamim-pitiavana fampiononana sy fanantenana mandrakizay, ‘hampahery azy ireo amin’ny asa sy ny teny tsara rehetra’. (2:13, 17). Nangataka azy ireo mba hivavaka i Paoly “mba handehanan’ny tenin’ny Tompo faingana ka hankalazaina”. (3:1). Ny Tompo, izay mahatoky, dia hampahery sy hiaro azy ireo tsy ho azon’ilay (f.a.p.) ratsy, ary ny vavak’i Paoly dia ny mba hanitsian’ny Tompo ny lalan’ny fon’izy ireo ho amin’ny fitiavana an’Andriamanitra sy ho amin’ny fiaretana ho an’i (NW ) Kristy.

8. Fananarana mafy inona no nomena, ary tamin’inona no namelan’i Paoly sy ilay antokon’olona nisy azy ohatra?

8 Nanaraka toy izao ny fananarana mahery iray: “Ary mandidy anareo izahay, ry rahalahy, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy Tompontsika, mba hialanareo amin’ny rahalahy rehetra izay [mandeha tsy milamina, NW ] ka tsy manaraka ny fampianarana natolotra izay noraisiny taminay.” (3:6). Nampahatsiahy azy ireo ny ohatra nomen’ilay antokona misionera nisy azy ilay apostoly, fony izy ireo niasa andro aman’alina tamin’ny fikelezana aina mba tsy hahavaky tratra azy ireo, ka nahafahan’izy ireo nanome ilay baiko hoe: “Raha misy tsy mety miasa, dia aoka tsy hihinana izy.” Izao anefa dia ren’izy ireo fa nisy olona tsy nilamina sasany izay tsy niasa ary mpiraharaha ny an’olona. Tokony hanomboka hiasa mba hihinanany izay azy ihany ireny olona ireny. — 2 Tes. 3:10; 1 Tes. 4:11.

9. Inona no nolazain’i Paoly momba ny fanaovan-tsoa sy ny fanaovana izay hahamenatra ny tsy mankato, ary ahoana no namaranany ny taratasiny?

9 Tsy tokony ho ketraka amin’ny fanaovan-tsoa ireo rahalahy. Raha nisy anefa tamin’izy ireo tsy nankato (NW ) ny taratasin’i Paoly, dia tokony hampahamenatra azy ny kongregasiona amin’ny fanamarihana azy sy amin’ny tsy fifaneraserana (NW ) aminy intsony, kanefa amin’ny fananarana azy toy ny rahalahy kosa. Nivavaka i Paoly mba hanomezan’ny Tompon’ny fiadanana azy ireo “fiadanana mandrakariva amin’ny zavatra rehetra”, ary namarana ny taratasiny tamin’ny fanaovam-beloma nataon’ny tanany izy. — 2 Tes. 3:16.

MAHASOA — NAHOANA?

10. Inona avy no sasany amin’ireo fampianarana sy fotopoto-pitsipika fototra voafaoka ao amin’ny Tesaloniana Faharoa?

10 Itỳ taratasy fohy ara-tsindrimandry ho an’ny Tesaloniana itỳ dia mahakasika lafin-javatra maro samy hafa amin’ny fahamarinana kristiana, ka mahasoa ny fandinihana azy rehetra. Diniho ireto fampianarana sy fotopoto-pitsipika fototra manaraka ireto, izay voafaoka ao: I Jehovah no Andriamanitry ny famonjena, ary manamasina amin’ny alalan’ny fanahy sy ny finoana ny marina izy, (2:13); tsy maintsy miaritra fahoriana ny Kristiana mba hatao ho mendrika ny Fanjakan’Andriamanitra, (1:4, 5); hangonina ho amin’i Jesosy Kristy Tompo amin’ny fanatrehany ny Kristiana, (2:1, NW ); hampihatra fitsarana marina amin’ireo izay tsy mankato ny vaovao tsara i Jehovah, (1:5-8, NW ); hankalazaina rehefa tafaray amin’i Kristy Jesosy ireo izay antsoina, araka ny hatsaram-panahin’Andriamanitra amin’izay tsy mendrika akory, (1:12, NW ); antsoina amin’ny alalan’ny fitoriana ny vaovao tsara izy ireo, (2:14, NW ); zavatra takina tena lehibe ny finoana, (1:3, 4, 10, 11; 2:13; 3:2); araka ny tokony ho izy ny hiasana mba hameloman-tena ao amin’ny fanompoana; raha tsy miasa ny olona iray, dia mety hanjary kamo ary hanomboka hiraharaha zavatra tsy mahakasika azy, (3:8-12); mifandray amin’ny fiaretana ny fitiavana an’Andriamanitra. (3:5). Tahirim-panazavana mampahery toy inona moa no hita ao amin’ny taratasy fohy ara-tsindrimandry iray!

11. Fanazavana sy toky lehibe inona no atolotra, mifandray amin’ilay Fanjakana?

11 Tato amin’itỳ taratasy itỳ i Paoly dia nampiseho fiahiana lalina ny fahasalamana ara-panahin’ireo rahalahiny tany Tesalonika, ary koa ny firaisan-kina sy ny fanambinana an’ilay kongregasiona. Nahitsiny izy ireo momba ny fotoan’ny andron’i Jehovah, tamin’ny fampisehoana fa tsy maintsy miseho aloha “ilay lehilahin’ota”, mba hipetraka eo amin’ny ‘tempolin’Andriamanitra ka hanao ny tenany ho Andriamanitra’. Kanefa, azon’ireo izay ‘natao ho mendrika ny fanjakan’Andriamanitra’ atao ny manana toky tanteraka fa haseho avy any an-danitra amin’ny fotoana mety i Jesosy Tompo, mba hanao famaliana amin’ny afo midedadeda, “raha tonga Izy mba hankalazaina eo amin’ny olony masina sy higagana eo amin’izay rehetra mino amin’izany andro izany”. — 2:3, 4; 1:5, 10.

[Fanontaniana]