Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-54 — 1 Timoty

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-54 — 1 Timoty

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-54 — 1 Timoty

Mpanoratra: Paoly

Toerana Nanoratana: Makedonia

Vita Tamin’ny: 61 – 64 am.f.i. tany ho any

1, 2. a) Fifanoherana inona no hita eo amin’ny filazalazana ny amin’ny fanaovana an-tranomaizina an’i Paoly ao amin’ny Asan’ny Apostoly sy ao amin’ny Timoty Faharoa? b) Oviana no toa nanoratana ny Timoty Voalohany, ary nahoana?

 NY FITANTARAN’I Lioka momba ny fiainan’i Paoly ao amin’ny bokin’ny Asan’ny Apostoly dia mifarana amin’ny fiandrasan’i Paoly tao Roma ny fiafaran’ny fangatahany handahatra teo anatrehan’i Kaisara. Naseho ho nitoetra tao an-trano nohofany i Paoly, nitory ny fanjakan’Andriamanitra tamin’izay rehetra tonga teo aminy, ary nanao izany “tamin’ny fahasahiana be, ary tsy nisy fisakanana”. (Asa. 28:30, 31). Ao amin’ny taratasiny (NW ) faharoa ho an’i Timoty anefa, dia hoy ny nosoratan’i Paoly: ‘Niaritra fahoriana hatramin’ny fatorana aho, ohatra ny mpanao ratsy’, ary niresaka momba ny fahafatesany ho toy ny efa akaiky izy. (2 Tim. 2:9; 4:6-8). Fiovan-javatra re izany! Tao amin’ilay fitantarana voalohany izy dia nentina toy ny mpigadra nanan-kaja, tao amin’ilay faharoa kosa, toy ny mpanao meloka. Inona no nitranga teo anelanelan’ny fotoana niresahan’i Lioka momba ny tarehin-javatra nisy an’i Paoly tamin’ny 61 am.f.i., tamin’ny faran’ireo roa taona naha-tany Roma azy, sy ny nanoratan’ny tenan’i Paoly ho an’i Timoty momba ny toe-javatra nisy azy, izay toa fotoana fohy talohan’ny nahafatesany?

2 Manahirana ny mampiditra ny nanoratana ireo taratasin’i Paoly ho an’i Timoty sy i Titosy ao amin’ilay fe-potoana voafaokan’ny bokin’ny Asan’ny Apostoly. Izany dia nitarika ny mpivaofy teny ao amin’ny Baiboly sasany hanatsoaka hevitra fa nahita fahombiazana i Paoly tamin’ny fangatahany handahatra teo anatrehan’i Kaisara ary nafahana tamin’ny 61 am.f.i. tany ho any. Hoy ny The New Westminster Dictionary of the Bible: “Ny andininy mamarana ny Asan’ny Apostoly dia mifanaraka kokoa amin’io fomba fihevitra io [hoe nafahana i Paoly rehefa avy nohazonina roa taona] toy izay amin’ny fiheverana hoe nifarana tamin’ny fanamelohana sy ny fahafatesan’ilay apostoly ilay fanaovana an-tranomaizina voalazalaza ao. I Lioka dia nanantitrantitra fa tsy nisy nanakantsakana ny asany, ka azo antoka fa mahatonga hihevitra araka izany fa tsy akaiky ny faran’ny asany.” a Tamin’ny fe-potoana teo anelanelan’ny nanafahana azy avy tamin’ny fanaovana azy an-tranomaizina voalohany tany Roma sy ny fanaovana azy an-tranomaizina tany farany, na tany amin’ny 61-64 am.f.i. tany ho any, no nanoratana ny Timoty Voalohany.

3, 4. a) Raha vao afaka avy tao an-tranomaizina i Paoly, inona no niharihary fa nataony? b) Taiza no nanoratany ny Timoty Voalohany?

3 Raha vao afaka avy tao an-tranomaizina i Paoly, dia miharihary fa nanao indray ny asany misionera niaraka tamin’i Timoty sy i Titosy. Tsy azo antoka raha tonga tany Espaina, araka ny heverin’ny sasany, i Paoly na tsia. Nanoratra i Clément avy tany Roma (95 am.f.i. tany ho any) fa i Paoly dia tonga “tany amin’ny farany And[refana] indrindra”, izay nety ho nahafaoka an’i Espaina. b

4 Taiza no nanoratan’i Paoly ny taratasiny voalohany ho an’i Timoty? Ny 1 Timoty 1:3 dia manondro fa nanao fandaharana mba hikarakaran’i Timoty raharahan’ny kongregasiona (NW ) sasany tany Efesosy i Paoly, fa ny tenany kosa nankany Makedonia. Toa tany no nanoratany ny taratasiny ho an’i Timoty izay nijanona tany Efesosy.

5. Inona no teny fanamarinana ny amin’ny maha-azo itokiana ireo taratasy ho an’i Timoty?

5 Ireo taratasy roa ho an’i Timoty dia nekena hatramin’ny fotoana tany am-boalohany indrindra ho nosoratan’i Paoly ary ho anisan’ireo Soratra ara-tsindrimandry. Ireo mpanoratra kristiana tany am-boalohany, anisan’izany i Polycarpe sy i Ignace ary i Clément avy tany Roma, dia samy nanaiky izany, ary nampidirina tao amin’ireo katalaogy tamin’ireo taonjato vitsivitsy voalohany ho toy ny asa soratr’i Paoly ireo taratasy ireo. Hoy ny nosoratan’ny fahefana iray: “Vitsy ireo asa soratra ao amin’ny T[estamenta] V[aovao] manana fanamarinana mahery kokoa (...) Noho izany, ireo fanoherana ny maha-azo itokiana azy ireo dia tsy maintsy raisina ho toy ny fampidirana hevi-baovao maoderina mifanohitra amin’ny porofo mahery avy tamin’ny fiangonana tany am-boalohany.” c

6. a) Noho ny antony maromaro inona avy no nanoratan’i Paoly ny Timoty Voalohany? b) Nanao ahoana ny fiainan’i Timoty tamin’ny lasa, ary inona no manondro fa mpiasa matotra izy?

6 Nanoratra itỳ taratasy voalohany itỳ ho an’i Timoty i Paoly mba hanoritana mazava tsara ny fomba fanaovan-javatra ara-pandaminana sasany tao amin’ny kongregasiona. Nisy nilana koa ny nampitandremany an’i Timoty mba hitandrin-tena tamin’ireo fampianaran-diso, sy mba hanatanjaka ireo rahalahy mba hanohitra ny ‘fahalalana tsy izy’ toy izany. (1 Tim. 6:20). Ny tanànan’i Efesosy feno raharaham-barotra koa dia nanome fakam-panahy ho tia fatratra ny zavatra ara-nofo sy ho ‘tia vola’, koa ho tonga amin’ny fotoana mety àry ny hanomezana torohevitra sasany momba izany koa. (6:10). Azo antoka fa nanana fanandraman-javatra sy fampiofanana tsara dia tsara teo amin’ny fiainany i Timoty, ka azo nampiasaina tamin’io asa io. Nateraky ny ray grika sy ny reny jiosy natahotra an’Andriamanitra izy. Tsy fantatra tsara hoe oviana i Timoty no nifandray voalohany tamin’ny Kristianisma. Fony i Paoly nitsidika an’i Lystra tamin’ny diany misionera faharoa, azo inoana fa tany amin’ny faran’ny taona 49 am.f.i. na tany am-piandohan’ny taona 50 am.f.i., i Timoty (angamba taloha kely na taoriana kelin’ny faha-20 taonany) dia efa “tsara laza teo amin’ny rahalahy tany Lystra sy Ikonioma”. Koa nanao fandaharana àry i Paoly mba hanaovan’i Timoty ny dia niaraka taminy sy i Silasy. (Asa. 16:1-3, f.a.p.). Tononina anarana in-11 i Timoty ao amin’ireo taratasin’i Paoly 14 ary koa ao amin’ny bokin’ny Asan’ny Apostoly. Naneho fiheveran-dray taminy foana i Paoly ary tamin’ny toe-javatra maromaro dia nanendry azy hitsidika sy hanampy kongregasiona samy hafa — porofo fa nanao asa tsara teo amin’ny saha misionera i Timoty ary nanana ireo toetra nilaina mba hiantsorohana andraikitra mavesatra. — 1 Tim. 1:2; 5:23; 1 Tes. 3:2; Fil. 2:19.

LOHA HEVITRA RAKETIN’NY TIMOTY VOALOHANY

7. Nahoana i Paoly no nampirisika an’i Timoty mba hijanona tao Efesosy?

7 Fampirisihana ho amin’ny finoana amin’ny fieritreretana tsara (1:1-20). Rehefa avy niarahaba an’i Timoty, izay ‘tena zanany tao amin’ny finoana’ i Paoly, dia nampirisika azy mba hitoetra tao Efesosy. Tokony hanitsy ireo izay nampianatra “foto-pampianarana hafa” izy, satria izany dia nitarika ho amin’ny ady hevitra tsy nisy nilana azy, fa tsy nampandroso tamin’ny finoana. Nilaza i Paoly fa ny anton’ilay didy dia “fitiavana avy amin’ny fo madio sy ny fieritreretana tsara ary ny finoana tsy mihatsaravelatsihy”. Nanampy teny toy izao izy: “Tamin’ny fiviliana hiala tamin’ireo zavatra ireo, ny sasany dia nania ho amin’ny taria foana”. — 1:2, 3, NW; 5, 6, NW.

8. Inona no antitranterin’ny namindrana fo tamin’i Paoly, ary ady tsara inona no nampirisihany hiadian’i Timoty?

8 Na dia mpiteny ratsy an’Andriamanitra sy mpanenjika aza i Paoly taloha, dia be indrindra ny hatsaram-panahin’ny Tompo amin’izay tsy mendrika akory (NW ) “tamin’ny finoana sy ny fitiavana, izay ao amin’i Kristy Jesosy”, hany ka namindrana fo izy. Izy no lohany tamin’ny mpanota; ary araka izany dia tonga fampisehoana ny fahari-pon’i Kristy Jesosy, izay ‘tonga tetỳ ambonin’ny tany mba hamonjy ny mpanota’, izy. Mendrika toy inona moa ny Mpanjaka tsy manan-taloha mba hahazo ny laza sy ny voninahitra mandrakizay! Nanome toromarika an’i Timoty mba hiady ny ady tsara i Paoly, ary ‘hitana ny finoana sy ny fieritreretana tsara’. Tsy tokony ho tahaka ireo izay ‘vaky sambo ny amin’ny finoana’ izy, toa an’i Hymeneo sy i Aleksandro, izay nofaizin’i Paoly noho ny fitenenan-dratsy an’Andriamanitra (NW ). — 1:14, 15, 19.

9. a) Vavaka inona avy no tokony hatao, ary nahoana? b) Inona no nolazaina momba ny vehivavy ao amin’ny kongregasiona?

9 Toromarika momba ny fanompoam-pivavahana sy ny fahaiza-mandamin-javatra ao amin’ny kongregasiona (2:1–6:2). Tokony hisy vavaka (NW ) hatao ho an’ny olona rehetra, anisan’izany ireo izay nanana fahefana, mba hahafahan’ny Kristiana hiaina amim-piadanana amin’ny fifikirana amin’Andriamanitra (NW ). Tian’Andriamanitra, Mpamonjy, ‘ny olona rehetra hovonjena ka ho tonga amin’ny fahalalana ny marina. Fa iray no Andriamanitra, ary iray no mpanalalana amin’Andriamanitra sy ny olona, dia i Kristy Jesosy, izay olona, sady nanolotra ny tenany ho avotra hisolo ny olona rehetra’. (2:4-6). Notendrena ho apostoly sy ho mpampianatra ireo zavatra ireo i Paoly. Koa nangataka ny lehilahy mba hivavaka amim-pahatokiana (NW ) izy, ary ny vehivavy mba hitafy amim-pahamaotinana sy amim-pahendrena, araka izay mahamendrika izay manaiky ny fivavahana amin’Andriamanitra. Tsy maintsy mianatra mangingina ny vehivavy ka tsy hanapaka ny lehilahy, “fa Adama no natao voalohany, vao Eva”. — 2:13.

10. Inona avy ireo toetra ilain’ireo mpiandraikitra sy mpikarakara momba ny asa, ary nahoana i Paoly no nanoratra ireo zavatra ireo?

10 Izay lehilahy miezaka ny ho mpiandraikitra (NW ) dia maniry asa tsara. Avy eo i Paoly dia mitanisa ireo toetra tokony hananan’ny mpiandraikitra sy ny mpikarakara momba ny asa (NW ). Ny mpiandraikitra dia tsy maintsy ho “tsy manan-tsiny, manam-bady tokana, mahonon-tena, hendry, tia filaminana, mampiantrano vahiny, mahay mampianatra, tsy mpimamo lian-ady, tsy mpikapoka, fa mandefitra, tsy mpila ady, tsy mpitia vola, manapaka tsara ny ankohonany, mampanaiky ny zanany amin’ny fahamaotinana tsara (...), tsy izay zazavao amin’ny fivavahana, (...) ary tsy maintsy ho tsara laza koa amin’izay eny ivelany izy”. (3:2-7). Misy fepetra mitovy amin’izany koa takina amin’ny mpikarakara momba ny asa, ary tokony hozahan-toetra ireo, alohan’ny hanompoany. Nanoratra ireo zavatra ireo i Paoly mba hahafantaran’i Timoty izay tokony hitondrany tena ao amin’ny kongregasionan’Andriamanitra, izay “andry sy fiorenan’ny fahamarinana”. — 3:15.

11. a) Zava-manahirana inona avy no hiseho any aoriana? b) Inona no tokony hanehoan’i Timoty fiheverana, ary nahoana?

11 Amin’ny fotoana aoriana, dia hihemotra amin’ny finoana ny sasany noho ny fampianaran’ny demonia. Hisy mpihatsaravelatsihy mpilaza lainga handrara tsy hanambady ary hampifady hanina izay nataon’Andriamanitra mba horaisina amin’ny fisaorana. Tamin’ny naha-mpanompo tsara azy, i Timoty dia tsy maintsy nanda ireo anganongano ratsy ‘fanaom-bavy antitra’. Etsy an-danin’izany kosa izy dia tokony hampiofan-tena amin’ny fametrahana ny fifikirana amin’Andriamanitra ho zava-kendrena (NW ). “Izany no ikelezanay aina sy iezahanay”, hoy i Paoly, “satria izahay manantena an’Andriamanitra velona, Izay Mpamonjy ny olona rehetra, indrindra fa izay mino.” Noho izany, i Timoty dia tsy maintsy nandidiany sy nampianariny ireo zavatra ireo. Tsy tokony hamela na iza na iza hanao tsinontsinona ny fahatanorany izy, fa ho tonga fianarana kosa amin’ny fitondran-tena sy ny fanompoana araka an’Andriamanitra. Tokony hikely aina fatratra amin’ireo zavatra ireo izy ary hitandrina ny tenany sy ny fampianarany, satria raha naharitra tamin’ireo zavatra ireo izy, dia hamonjy ‘ny tenany sy izay nihaino azy’. — 4:7, 10, 16.

12. Torohevitra inona no nomena raha ny amin’ny fifampiraharahana amin’ny mpitondratena sy ny hafa ao amin’ny kongregasiona?

12 Nanome torohevitra an’i Timoty momba ny fomba ifampiraharahana amin’ny isam-batan’olona i Paoly: ny antitra toy ny ray, ny tanora toy ny rahalahy, ny vehivavy antitra toy ny reny, ny tanora toy ny anabavy. Nisy fandaharana nety tsara natao ho an’ireo izay tena mpitondratena. Kanefa, ny fianakavian’ilay mpitondra tena no tokony hikarakara azy, raha mbola mety koa. Ny tsy fanaovana izany dia ratsy noho ny fandavana ny finoana. Raha 60 taona fara fahakeliny ny mpitondratena iray, dia azo nosoratana tao amin’ny lisitra (NW ), raha “tsara laza amin’ny asa tsara”. (5:10). Fa ireo mpitondra tena tanora kosa, izay namela ny filany firaisan’ny lahy sy ny vavy hifehy ny tenany, dia tokony holavina. Tokony havela hanambady sy hiteraka izy ireo, fa tsy handehandeha sy hiresadresa-poana (NW ), mba tsy hanome antony (NW ) ho an’ny fahavalo mba hitenenana ratsy.

13. Fiheverana manao ahoana no tokony haseho an’ireo loholona, ahoana no tokony hitondrana ireo izay zatra manota, ary andraikitra inona no mipetraka amin’ireo andevo?

13 Ny loholona izay mitondra tsara dia tokony hahazo fanajana roa heny, “indrindra fa izay mikely aina amin’ny teny sy ny fampianarana”. (5:17). Tsy tokony horaisina ny teny hiampangana ny loholona iray raha tsy rehefa misy porofo avy amin’ny vavolombelona roa na telo. Ireo olona zatra (NW ) manota dia tokony hanarina eo anatrehan’ny olona rehetra, kanefa tsy tokony hisy fandraisana an-tendrony na fiangarana amin’ireo zavatra ireo. Ireo andevo dia tokony hanaja ny tompony, amin’ny fanaovana soa, indrindra fa amin’ny rahalahy, izay “mino sy malala”. — 6:2.

14. Inona no nolazain’i Paoly momba ny eboebo sy ny fitiavam-bola, mifandray amin’ny “fifikirana amin’Andriamanitra omban’ny fianinana”?

14 Torohevitra momba ny “[fifikirana amin’Andriamanitra, NW ] ombanin’ny fianinana” (6:3-21). Izay olona tsy manaiky ny teny tsy misy kilema dia mieboebo ary adala amin’ny fiadian-kevitra, mitarika ho amin’ny fifandirana lalandava. Etsy an-danin’izany kosa, “ny [fifikirana amin’Andriamanitra, NW ] omban’ny fianinana” dia misy tombony lehibe tokoa. Tokony hianina amin’ny hanina sy ny fitafiana ny olona iray. Ny fahatapahan-kevitra (NW ) hanan-karena dia fandrika mitarika ho amin’ny fandringanana, ary ny fitiavam-bola no “fototry ny ratsy rehetra”. Nampirisika mafy an’i Timoty, tamin’ny naha-lehilahin’Andriamanitra azy, i Paoly mba handositra ireo zavatra ireo, hiezaka hitady toetra tsara kristiana, hiady ny ady tsaran’ny finoana ary ‘hihazona ny fiainana mandrakizay’. (6:6, 10, 12). Tsy maintsy nitandrina (NW ) ny didy “tsy hanan-tsiny amam-pondro” izy hatramin’ny fisehoan’i Jesosy Kristy Tompo. Ny mpanan-karena dia tsy tokony “hatoky ny harena miovaova, fa Andriamanitra”, mba hihazonany ny tena fiainana. Ho famaranana, i Paoly dia nampirisika an’i Timoty mba hitahiry ilay foto-pampianarana (NW ) natolotra azy ary mba hiala amin’ny fibedibedena foana izay mandoto ary amin’ny “fanoherana avy amin’izay atao hoe fahalalana, kanjo tsy izy”. — 6:14, 17, 20.

MAHASOA — NAHOANA?

15. Fampitandremana inona no nomena momba ny fanombantombanana sy ny ady hevitra?

15 Itỳ taratasy itỳ dia manome fampitandremana hentitra ho an’ireo izay mitsabatsabaka tsy amin’ny antony amin’ny fanombantombanana sy ny ady hevitra filozofika. Mifandray akaiky amin’ny eboebo ny “fiadian-teny” ka tokony hohalavirina, satria milaza amintsika i Paoly fa izy ireo dia manakana ny fitomboana kristiana, ka tsy manome afa-tsy “ady hevitra, fa tsy mampandroso ny fitondrana araka an’Andriamanitra amin’ny finoana”. (6:3-6; 1:4). Miaraka amin’ny asan’ny nofo, ireny fifandirana ireny dia “manohitra ny fampianarana tsy misy kilema, araka ny [vaovao tsara be voninahitr’ilay, NW ] Andriamanitra finaritra”. — 1:10, 11.

16. Torohevitra inona no nomen’i Paoly momba ny fitiavana fatratra zavatra ara-nofo?

16 Toa nila torohevitra momba ny fiadiana tamin’ny fitiavana fatratra zavatra ara-nofo sy ireo fanelingelenana entiny, ireo Kristiana tao Efesosy, tanàna nahitana faniriam-bola mihoa-pampana. Nanome izany torohevitra izany i Paoly. Izao tontolo izao dia tsy misalasala manonona ny teniny hoe ‘Ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra’, kanefa vitsy toy inona moa no manaraka ireo teniny ireo! Mifanohitra amin’izany anefa, ny Kristiana marina dia mila ny manaraka io torohevitra io mandrakariva. Iankinan’ny ain’izy ireo izany. Mila ny mandositra ny fandrika mandratran’ny fitiavana fatratra zavatra ara-nofo izy ireo, ka hatoky, tsy “ny harena miovaova, fa Andriamanitra, Izay manome antsika malalaka ny zavatra rehetra mba hifaliantsika”. — 6:6-12, 17-19.

17. Torohevitra nomena an’i Timoty inona no tonga amin’ny fotoana mety koa ho an’ireo mpanompo tanora be zotom-po rehetra amin’izao andro izao?

17 Ny taratasin’i Paoly dia mampiseho fa ny tenan’i Timoty dia ohatra tsara dia tsara tokony harahin’ny tanora kristiana. Na dia mbola tanora ihany aza izy, raha ny amin’ny taona, dia matotra raha ny amin’ny fitomboana ara-panahy. Niezaka izy hanana ireo toetra ilaina mba ho mpiandraikitra ary nahazo fitahiana tondraka teo amin’ireo tombontsoa nananany. Tahaka ny mpanompo tanora be zotom-po rehetra amin’izao andro izao anefa, dia nila ny tsy hitsahatra ny hihevitra ireo zavatra ireo izy, sy hikely aina fatratra amin’izany mba handrosoana tsy tapaka. Tonga amin’ny fotoana mety izao torohevitr’i Paoly izao ho an’izay rehetra mitady fifaliana tsy tapaka eo am-panaovana fandrosoana kristiana: “Tandremo ny tenanao sy ny fampianaranao, ka mahareta amin’izany; fa raha manao izany hianao, dia hamonjy ny tenanao sy izay mihaino anao.” — 4:15, 16.

18. Fandaharana milamina ao amin’ny kongregasiona inona avy no soritana mazava tsara, ary ahoana no nampiasan’i Paoly ny Soratra Hebreo ho fahefana?

18 Itỳ taratasy ara-tsindrimandry itỳ dia manome fahatakarana ny fandaharana milamin’Andriamanitra. Asehony fa samy azon’ny lehilahy sy ny vehivavy atao ny manao ny anjarany avy mba hihazonana ny firindrana teokratika ao amin’ny kongregasiona. (2:8-15). Avy eo izy io dia manohy mandinika ireo toetra ilain’ireo mpiandraikitra sy mpikarakara momba ny asa. Araka izany, ny fanahy masina dia manondro ireo fepetra tokony hofenoin’ireo izay manompo amin’ny toerana manokana. Mampirisika ny mpanompo nanolo-tena rehetra mba hahafeno ireo fari-pitsipika ireo koa ilay taratasy, ka milaza hoe: “Raha misy olona maniry ny asan’ny [mpiandraikitra, NW ], dia maniry asa tsara izy.” (3:1-13). Dinihina amin’ny fomba mety ny tokony ho fihetsiky ny mpiandraikitra eo anatrehan’ireo antokon’olona samy hafa taona sy eo anatrehan’ny lehilahy sy ny vehivavy ao amin’ny kongregasiona, ary koa ny fandaminana ireo teny fiampangana eo anoloan’ny vavolombelona. Mba hanantitranterana fa mendrika ny hahazo fanajana roa heny ny loholona izay mikely aina amin’ny teny sy ny fampianarana, dia nampiasa indroa toy izao ny Soratra Hebreo ho fahefana i Paoly: “Fa hoy ny Soratra Masina: ‘Aza manakombona ny vavan’ny omby mively vary hianao’. Ary koa: ‘Ny mpiasa mendrika hahazo ny karamany’.” — 1 Tim. 5:1-3, 9, 10, 19-21, 17, 18; Deot. 25:4; Lev. 19:13.

19. Ahoana no nanasongadinana ny fanantenana ny amin’ilay Fanjakana, ary fananarana inona no nomena niorina tamin’izany?

19 Rehefa avy nanome ireo torohevitra tsara dia tsara ireo i Paoly, dia nanampy teny fa tokony hotahirizina tsy hanan-tsiny amam-pondro ny didy ‘hatramin’ny fisehoan’i Jesosy Kristy Tompo amin’ny maha-Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo azy’. Miorina amin’io fanantenana ny amin’ilay Fanjakana io, ilay taratasy dia mifarana amin’ny fananarana mahery iray ho an’ny Kristiana mba “hanao soa, mba hanan-karena amin’ny asa tsara, hazoto manome sy miantra, ka dia hihary fanorenana tsara ho an’ny tenany ho amin’ny andro ho avy, mba hihazonany ny tena fiainana”. (1 Tim. 6:14, 15, 18, 19). Tena mahasoa tokoa ny fampianarana tsara dia tsara rehetra ao amin’ny Timoty Voalohany!

[Fanamarihana ambany pejy]

a 1970, natontan’i H. S. Gehman, pejy 721.

b The Ante-Nicene Fathers, Boky I, pejy 6, “Ny Epistola Voalohan’i Clément ho An’ireo Korintiana”, toko V.

c New Bible Dictionary, fanontana faharoa, 1986, natontan’i J. D. Douglas, pejy 1203.

[Fanontaniana]