Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-55 — 2 Timoty

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-55 — 2 Timoty

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-55 — 2 Timoty

Mpanoratra: Paoly

Toerana Nanoratana: Roma

Vita Tamin’ny: 65 am.f.i. tany ho any

1. Fanenjehana inona no nirongatra tany Roma tamin’ny 64 am.f.i. tany ho any, ary toa noho ny antony inona?

 NIGADRA tany Roma indray i Paoly. Kanefa, ny toe-javatra tamin’itỳ fanaovana azy an-tranomaizina faharoa itỳ dia mafy kokoa noho ny tamin’ny voalohany. Tokony ho ny taona 65 am.f.i. tamin’izay. Nisy hain-tanàna lehibe namely an’i Roma iray manontolo tamin’ny Jolay 64 am.f.i., ka niteraka fahasimbana be tamin’ny 10 tamin’ireo faritra 14 tao amin’ilay tanàna. Araka an’ilay mpanoratra tantara romana nantsoina hoe Tacite, ny Emperora Néron dia tsy afaka “nanafoana ilay finoana nahatahotra fa hoe vokatry ny baiko iray ilay afo nanimba. Noho izany, mba hampanjavonana ilay tatitra, ilay fahamelohana dia nailik’i Néron tamin’ny kilasin’olona iray izay nankahalaina noho ireo zava-naharikoriko nataony, ary nantsoin’ny sarambabem-bahoaka hoe Kristiana, ka nampiharany ny fampijalijaliana faran’izay nahatsiravina indrindra. (...) Olona sesehena no nomelohina, tsy dia noho ilay heloka bevava ho fandoroana ilay tanàna loatra, fa noho ny fankahalany ny olombelona. Izao karazana fanesoana rehetra izao no nanampy ny fahafatesany. Norakofana hodi-biby izy ireo, ka noviravirain’ny alika ary dia maty, na nofantsihina tamin’ny lakroa, na niafara teo amin’ny lelafo ka nodorana, mba hanome fahazavana tamin’ny alina, rehefa lasa ny fahazavan’ny andro. Nanolotra ireo zaridainany mba hijerena ilay fampisehoana i Néron (...) Nisy fahatsapana fangoraham-po nipoitra; satria toa tsy hoe mba hahasoa ny vahoaka no nandringanana azy ireny, fa mba hahafa-po ny halozan’ny lehilahy iray”. a

2. Tao anatin’ny toe-javatra toy inona avy no nanoratan’i Paoly ny Timoty Faharoa, ary nahoana izy no niresaka tamim-pankasitrahana momba an’i Onesiforosy?

2 Azo inoana fa tany amin’ny fotoana nipoahan’io onjam-panenjehana feno herisetra io no naha-mpigadra indray an’i Paoly tany Roma. Tamin’itỳ indray mandeha itỳ izy dia nasiana gadra. Tsy nanantena ny hafahana izy fa niandry fotsiny ny fitsarana azy farany sy ny famonoana azy ho faty. Vitsy ireo mpitsidika azy. Na iza na iza nampahafantatra ny tenany an-karihary ho Kristiana tokoa dia nety ho nosamborina na novonoina tamin’ny alalan’ny fampijalijaliana. Noho izany, dia afaka nanoratra tamim-pankasitrahana toy izao mikasika ilay mpitsidika azy avy tany Efesosy i Paoly: “Homen’ny Tompo famindrampo anie ny ankohonan’i Onesiforosy; satria namelombelona ny fanahiko matetika izy, fa tsy menatra ny gadrako; fa raha tany Roma izy, dia nitady ahy fatratra ka nahita”. (2 Tim. 1:16, 17). Nanoratra teo ambanin’ny fandrahonan’ny fahafatesana i Paoly, ka niantso ny tenany hoe “Apostolin’i Kristy Jesosy noho ny sitrapon’Andriamanitra, mba ho mpitory ny teny fikasana milaza ny fiainana izay [tafaray, NW ] amin’i Kristy Jesosy”. (1:1). Fantatr’i Paoly fa niandry azy ny fiainana izay tafaray amin’i Kristy. Nitory tany amin’ny maro tamin’ireo tanàna lehibe indrindra teo amin’ilay tontolo fantatra tamin’izay izy, hatrany Jerosalema ka hatrany Roma, ary angamba aza hatrany Espaina (Spania) mihitsy. (Rom. 15:24, 28). Nahatanteraka ny fihazakazahany tamim-pahatokiana izy. — 2 Tim. 4:6-8.

3. Oviana no nosoratana ny Timoty Faharoa, ary ahoana no nandraisan’ny Kristiana soa nandritra ireo taonjato rehetra?

3 Azo inoana fa nosoratana tamin’ny 65 am.f.i. tany ho any ilay taratasy (NW ), talohan’ny nahafatesan’i Paoly ho maritiora avy hatrany. Azo inoana fa mbola tany Efesosy i Timoty, satria nampirisihin’i Paoly mba hijanona tany izy. (1 Tim. 1:3). Izao dia nampirisika mafy an’i Timoty indroa i Paoly mba hankany aminy faingana, ary nangataka azy mba hitondra an’i Marka hiaraka aminy, ary koa ilay kapaoty sy ireo boky navelan’i Paoly tany Troasy. (2 Tim. 4:9, 11, 13, 21). Nosoratana tamin’ny fotoana sarotra aoka izany itỳ taratasy itỳ, ary dia mirakitra fampaherezana mahery ho an’i Timoty, ary mbola manohy manome fampaherezana mahasoa ho an’ny Kristiana marina nandritra ireo taonjato rehetra hatramin’izay.

4. Inona no manaporofo fa azo itokiana sady kanônika ny Timoty Faharoa?

4 Azo itokiana sady kanônika ny bokin’i Timoty Faharoa, araka ireo antony efa nodinihina momba ny Timoty Voalohany. Neken’ireo mpanoratra sy mpivaofy teny tany am-boalohany, anisan’izany i Polycarpe tamin’ny taonjato faharoa am.f.i., izy io, ary nampiasain’izy ireo.

LOHA HEVITRA RAKETIN’NY TIMOTY FAHAROA

5. Karazana finoana nanao ahoana no nitoetra tao amin’i Timoty, kanefa tsy tokony hitsahatra ny hanao inona izy?

5 ‘Fitanana ny mariky ny teny tsy misy kilema’ (1:1–3:17, ampitahao amin’ny NW.) Nilaza tamin’i Timoty i Paoly fa tsy nanadino azy na oviana na oviana tao amin’ireo vavaka nataony izy ary koa fa naniry hahita azy. Tsaroany ‘ny finoana tsy nihatsaravelatsihy’ izay tao amin’i Timoty ary efa nitoetra taloha tao anatin’i Loisa renibeny sy i Eonika reniny. Tokony hamelona toy ny afo ilay fanomezana tao anatiny i Timoty, ‘satria tsy nanome fanahy osa Andriamanitra, fa fanahy mahery sy fitiavana ary fahononan-tena’. Noho izany, dia aoka izy tsy ho menatra ny hanao fanambarana na ny hiombom-pahoriana noho ny vaovao tsara satria efa naharihary tamin’ny nisehoan’i Kristy Jesosy, Mpamonjy, ny hatsaram-panahin’Andriamanitra amin’izay tsy mendrika akory. I Timoty dia tokony ‘[tsy hitsahatra, NW ] ny hitana ny mariky ny teny tsy misy kilema’ izay reny tamin’i Paoly, ary hitahiry izany ho toy ny zavatra tsara natolotra azy. — 1:5, 7, 13.

6. Torohevitra inona no nomen’i Paoly momba ny fampianarana, ary ahoana no nahafahan’i Timoty ho mpiasa nahazo sitraka sy ho fanaka mendri-kaja?

6 Ireo zavatra nianaran’i Timoty tamin’i Paoly dia tokony hatolony “ny olona mahatoky, izay hahay mampianatra ny sasany kosa”. Tokony ho hita ho miaramila tsaran’i Kristy Jesosy i Timoty. Mandositra tsy ho voafatopatotry ny raharaham-barotra ny miaramila. Ambonin’izany, ilay satrohana satroboninahitra amin’ireo lalao dia manezaka araka ny lalàna. Mba hahazoana fahaiza-manavaka, dia tokony handinika tsy tapaka izay nolazain’i Paoly i Timoty. Ireo zava-dehibe tokony hotsaroana sy hampahatsiahivina ny hafa dia ny hoe “Jesosy Kristy [efa] natsangana tamin’ny maty, dia Ilay avy tamin’ny taranak’i Davida”, sy ny hoe ny famonjena sy ny voninahitra mandrakizay ao amin’i Kristy, amin’ny maha-mpanjaka miara-manapaka aminy, no valisoan’ireo olom-boafidy izay miaritra. Tokony hanao izay farany azony atao i Timoty mba hisehoana ho mpiasa mahazo sitraka eo anatrehan’Andriamanitra, amin’ny fanalavirana ireo lahateny foana izay mandika izay masina ary mihanaka tahaka ny gangrena (f.a.p.). Tsy misy hafa amin’ny fihazonana ny fanaka mendri-kaja hisaraka amin’ny fanaka tsy manan-kaja ao amin’ny trano lehibe iray, dia toy izany koa fa nananatra an’i Timoty i Paoly mba ‘handositra ny filan’ny tanora fanahy ary hiezaka hitady fahamarinana, finoana, fitiavana, fihavanana amin’izay miantso ny Tompo amin’ny fo madio’. Mila ny ho malemy fanahy amin’ny olona rehetra ny mpanompon’ny Tompo, hahay hampianatra, hananatra amin’ny fahamoram-panahy. — 2:2, 8, 22.

7. Nahoana ireo Soratra ara-tsindrimandry no mahasoa “amin’ny andro farany” indrindra indrindra?

7 “Amin’ny andro farany”, dia hisy fotoan-tsarotra tsy ho mora setraina sy olona izay ho hita fa sandoka ny fampiderany fifikirana amin’Andriamanitra, ‘hianatra mandrakariva, nefa tsy hahatratra ny fahalalana ny marina’. I Timoty anefa nanaraka tsara ny fampianarana sy ny fitondran-tenan’i Paoly ary ny fanenjehana nahazo azy nefa nanafahan’ny Tompo azy. “Eny”, hoy ny teny nanampiny, “izay rehetra te-ho velona amin’ny [fifikirana amin’Andriamanitra, NW ], izay ao amin’i Kristy Jesosy, dia henjehina.” I Timoty anefa tokony haharitra amin’izay zavatra nianarany hatry ny fony vao zaza, izay nampahahendry azy ho amin’ny famonjena, satria “ny Soratra rehetra dia ara-tsindrimandrin’Andriamanitra sady mahasoa”.3:1, NW, 7, 12, 16, NW.

8. Inona no nampirisihan’i Paoly mafy mba hataon’i Timoty, ary, mifandray amin’izany, ahoana no niravoravoan’i Paoly?

8 Fanatanterahana ny fanompoana amin’ny fomba feno (NW ) (4:1-22). Nanome toromarika an’i Timoty mba ‘hitory ny teny’ amim-pahamaikana (NW ) i Paoly. (4:2). Ho avy ny fotoana izay tsy hahazakan’ny olona ny fampianarana tsy misy kilema ka hitodihany any amin’ny mpampianatra sandoka, kanefa aoka i Timoty hahonon-tena, ‘hanao ny asan’ny evanjelisitra, hanatanteraka ny fanompoany [amin’ny fomba feno, NW ]’. Takatr’i Paoly fa antomotra ny hahafatesany, ka niravoravo izy satria niady ny ady tsara, nahatanteraka ny fihazakazahany ary nitahiry ny finoana. Izao izy dia manantena amim-patokiana ny valisoa (NW ), dia ny “satroboninahitry ny fahamarinana”. — 4:5, 8.

9. Fatokiana inona momba ny herin’ny Tompo no nolazain’i Paoly?

9 Nampirisika mafy an’i Timoty mba hankany aminy faingana i Paoly ary nanome azy toromarika mikasika ny diany. Fony i Paoly nandahatra voalohany hanala tsiny ny tenany, dia nanda azy ny rehetra, kanefa ny Tompo nampahery azy, mba hotanterahina amin’ny fomba feno ny fitorian-teny amin’ny jentilisa. Eny, natoky izy fa hanafaka azy amin’ny asa ratsy rehetra ny Tompo ka hamonjy azy ho any amin’ny Fanjakany any an-danitra.

MAHASOA — NAHOANA?

10. a) Soa manokana inona avy amin’ny “Soratra rehetra” no antitranterina ao amin’ny Timoty Faharoa, ary tokony hiezaka mafy mba ho tonga inona ny Kristiana? b) Hery mitaona inona no tokony hohalavirina, ary ahoana no azo anaovana izany? d) Inona no mbola ilaina maika ihany?

10 “Ny Soratra rehetra dia ara-tsindrimandrin’Andriamanitra sady mahasoa”. Mahasoa ho amin’inona? Milaza izany amintsika toy izao i Paoly ao amin’ny taratasiny faharoa ho an’i Timoty: “Ho fampianarana, ho fananarana, ho fandaminan-javatra, ho fifehezana amin’ny rariny, mba hahay tsara ny lehilahin’Andriamanitra, ho vonona tsara ho amin’ny asa tsara rehetra.” (3:16, 17, NW ). Ny soa avy amin’ny “fampianarana”, ohatra, dia antitranterina ato amin’itỳ taratasy itỳ. Izay rehetra tia ny fahamarinana amin’izao andro izao dia haniry hanaraka ny torohevitra feno fahendrena ao amin’ilay taratasy, amin’ny fiezahana mafy mba ho tonga mpampianatra ny Teny sy amin’ny fanaovana izay farany azony atao mba ho mpiasa mahazo sitraka amin’Andriamanitra, “mampiasa tsara ny tenin’ny fahamarinana”. Toy ny tany Efesosy tamin’ny andron’i Timoty, dia toy izany koa amin’izao taonjato maoderina izao, fa eo ireo izay mitsabatsabaka amin’ny “fanontaniana adaladala tsy misy antony”, ireo izay “mianatra mandrakariva, nefa tsy mahatratra ny fahalalana ny marina”, ary ireo izay mandà “ny fampianarana tsy misy kilema” fa aleony ireo mpampianatra mampifaly (NW ) ny sofiny araka ny itiavany azy amim-pitiavan-tena. (2:15, NW, 23; 3:7; 4:3, 4). Mba hanalavirana io hery mitaona mandoto avy amin’izao tontolo izao io, dia tena ilaina ny ‘[tsy mitsahatra, NW ] ny mitana ny mariky ny teny tsy misy kilema’ amin’ny finoana sy ny fitiavana. Ambonin’izany, dia misy ilana maika ny hisian’ny olona betsaka kokoa ihany hanjary ‘hahay hampianatra ny sasany’, tsy ao anatin’ny kongregasiona ihany fa any ivelany koa, tahaka an’i Timoty, ilay “lehilahin’Andriamanitra”. Sambatra tokoa izay rehetra miantsoroka io andraikitra io, ka nanjary ‘mahay mampianatra amim-pahamoram-panahy’, ary mitory ny teny “amin’ny fahari-po sy ny fampianarana rehetra”! — 1:13; 2:2, 24, 25; 4:2.

11. Torohevitra inona no omena mifandray amin’ny tanora?

11 Araka ny nambaran’i Paoly, i Timoty dia efa nahafantatra ireo asa soratra masina “hatry ny fony vao zaza” noho ny fampianarana nataon’i Loisa sy i Eonika tamim-pitiavana. Ny hoe “hatry ny fony vao zaza” dia manondro koa ny fotoana tokony hanombohana ny fampianarana ny Baiboly amin’ny ankizy amin’izao andro izao. Ahoana anefa raha toa, any aoriana, ka manomboka mihamaty ireo afon’ny zotom-po tany am-boalohany? Ny torohevitr’i Paoly dia ny hamelomana izany afo izany indray amin’ny “fanahy mahery sy fitiavana ary fahononan-tena”, amin’ny fihazonana finoana tsy mihatsaravelatsihy. “Amin’ny andro farany”, hoy izy, dia hisy fotoan-tsarotra, miaraka amin’ireo zava-manahirana mifandray amin’ny fandikan-dalàna sy ny fampianaran-diso. Izany no antony tena ilan’ny tanora indrindra indrindra, sy ny hafa rehetra koa, ‘hahonon-tena amin’ny zavatra rehetra, sy hanatanteraka ny fanompoany [amin’ny fomba feno, NW ]’. — 3:15; 1:5-7; 3:1-5, NW; 4:5.

12. a) Ahoana no nisarihan’i Paoly ny saina ho amin’ilay Taranaka handova ilay Fanjakana, ary fanantenana inona no nolazainy? b) Ahoana no ahafahan’ireo mpanompon’Andriamanitra amin’izao andro izao manana toe-tsaina mitovy amin’ny an’i Paoly?

12 Mendrika ny hanaovana ny ezaka ilay loka. (2:3-7). Mifandray amin’izany, dia nisarika ny saina ho amin’ilay Taranaka handova ilay Fanjakana i Paoly, tamin’ny filazana hoe: “Tsarovy Jesosy Kristy Izay natsangana tamin’ny maty, dia Ilay avy tamin’ny taranak’i Davida, araka ny [vaovao tsara, NW ]”. Ny fanantenan’i Paoly dia ny hitoetra ho tafaray amin’io Taranaka io. Tatỳ aoriana kokoa, dia niresaka momba ny famonoana azy ho faty nihananatona izy tamin’ireto teny nilaza fandresena ireto: “Hatrizao dia tehirizina ho ahy ny satroboninahitry ny fahamarinana, izay homen’ny Tompo, Mpitsara marina, ho ahy amin’izay andro izay; ary tsy ho ahy ihany, fa ho an’izay rehetra tia ny fisehoany koa.” (2:8; 4:8). Toy inona moa ny hasambaran’izay rehetra afaka mitodika any amin’ireo taona maro tamin’ny lasa nanaovany fanompoana tamim-pahatokiana, ka hilaza zavatra mitovy amin’izany! Kanefa, izany dia mitaky ny hanompoana amin’ny tsy fivadihana ankehitriny, amin’ny fitiavana ny fisehoan’i Jesosy Kristy, ary amin’ny fanehoana fatokiana mitovy amin’ny an’i Paoly, rehefa nanoratra izy hoe: “Ary ny Tompo hanafaka ahy amin’ny asa ratsy rehetra ka hamonjy ahy ho any amin’ny fanjakany any an-danitra; ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena.” — 4:18.

[Fanamarihana ambany pejy]

a The Complete Works of Tacitus, 1942, natontan’i Moses Hadas, pejy 380-381.

[Fanontaniana]