Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-56 — Titosy

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-56 — Titosy

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-56 — Titosy

Mpanoratra: Paoly

Toerana Nanoratana: Makedonia (?)

Vita Tamin’ny: 61 – 64 am.f.i. tany ho any

1. a) Asa inona no nankinina tamin’i Titosy? b) Tao anatin’ny tontolo nanao ahoana no nipoiran’ireo kongregasiona tany Kreta, ary inona no nilain’ireo Kristiana tany Kreta natao?

 “PAOLY, mpanompon’Andriamanitra sy Apostolin’i Jesosy Kristy (...) ho an’i Titosy, tena zanako araka ny finoana iombonantsika”. (Tit. 1:1, 4). Toy izany no anombohan’ny taratasin’i (NW ) Paoly ho an’i Titosy, mpiara-miasa taminy sady mpiaraka taminy hatramin’ny ela, izay navelany tany amin’ny nosin’i Kreta mba handamina ireo kongregasiona (NW ) tamin’ny fomba tsaratsara kokoa. Asa be no niandry an’i Titosy. Io nosy io, izay voalaza fa fonenan’ny “rain’ny andriamanitra sy ny olona” fahiny, no loharanon’ilay fitenenana hoe “Natao Kretana ny Kretana Iray”, izay midika hoe “mpanjono voajono”. a Nanjary fomba fiteny ny tsy fahamarinan’ny mponina tao aminy, hany ka nanonona izao tenin’ny mpaminanin’izy ireo izao mihitsy i Paoly: “Mpandainga mandrakariva ny Kretana, biby ratsy, kamo be tenda.” (1:12). Nolazalazaina toy izao manaraka izao koa ireo Kretana tamin’ny andron’i Paoly: “Ilay vahoaka dia niovaova toetra, tsy tso-po ary tia ady; nirona ho amin’ny faniriana mihoa-pampana izy ireny, ho amin’ny fanaranam-po tamin’ny fahalotoam-pitondran-tena, ho amin’ny lainga ary ny fimamoana, sady tsy tamin’ny fetra kely fotsiny; ary ireo Jiosy izay nanorim-ponenana teo amin’izy ireo dia toa nanao nihoatra noho ireo teratany teo amin’ny fahalotoam-pitondran-tena.” b Tao anatin’ny tontolo toy izany mihitsy no nipoiran’ireo kongregasionan’i Kreta; ka noho izany dia tena nilain’ireo mpino indrindra indrindra ny ‘nanda izay toe-panahy tsy araka an’Andriamanitra sy ny filan’izao tontolo izao ary ho velona amin’ny onony sy ny marina ary ny [fifikirana amin’Andriamanitra, NW ]’, araka ny fampirisihan’i Paoly. — 2:12.

2, 3. a) Inona no fifaneraserana nananan’i i Titosy sy i Paoly? b) Taiza no azo inoana fa nanoratan’i Paoly ho an’i Titosy, ary noho ny zava-kendrena inona?

2 Ny bokin’i Titosy aloha dia tsy manome fanazavana firy momba ny fifaneraseran’i Paoly sy i Titosy. Avy amin’ireo firesahana momba an’i Titosy ao amin’ireo taratasin’i Paoly hafa anefa, dia azo itsimponana fanazavana be dia be. Niaraka tamin’i Paoly matetika i Titosy, izay Grika, ary indray mandeha fara fahakeliny dia niara-niakatra taminy tany Jerosalema izy. (Gal. 2:1-5). Niresaka momba azy ho ny “namako (...) sady mpiara-miasa amiko” i Paoly. I Titosy no nirahin’i Paoly nankany Korinto rehefa avy nanoratra ny taratasiny voalohany ho an’ireo Korintiana izy avy tany Efesosy. Fony tany Korinto i Titosy, dia nanjary voaray tamin’ilay famoriam-bola natao ho an’ireo rahalahy tany Jerosalema, ary nanaraka izay izy dia niverina tany mba hamita ilay famoriam-bola, araka ny baikon’i Paoly. Tamin’ilay diany niverina nankany Korinto rehefa avy nihaona tamin’i Paoly tany Makedonia i Titosy no nampiasaina mba hitondra ny taratasin’i Paoly faharoa ho an’ireo Korintiana. — 2 Kor. 8:16-24; 2:13; 7:5-7.

3 Rehefa avy nafahana avy tamin’ny fanaovana azy an-tranomaizina voalohany tany Roma i Paoly, dia nifanerasera indray tamin’i Timoty sy i Titosy nandritra ireo taona farany tamin’ny fanompoany. Toa tafiditra tamin’izany ny fanompoana tany Kreta sy Grisia ary Makedonia. Farany, i Paoly dia voalaza fa nankany Nikopolia, tany amin’ny faritra avaratra-andrefan’i Grisia, izay toa nisamborana azy sy nitondrana azy tany Roma ho amin’ny fanaovana azy an-tranomaizina farany sy ny famonoana azy ho faty. Nandritra io fitsidihana an’i Kreta io no namelan’i Paoly an’i Titosy tao mba ‘handaminan’io izay mbola tsy tanteraka sy hanendreny loholona tamin’ny isan-tanàna’, nifanaraka tamin’ireo toromarika nomeny an’i Titosy. Ny taratasin’i Paoly dia toa nosoratana fotoana fohy taorian’ny namelany an’i Titosy tany Kreta, azo inoana indrindra fa avy tany Makedonia. (Tit. 1:5; 3:12; 1 Tim. 1:3; 2 Tim. 4:13, 20). Toa nahatratra zava-kendrena nitovy tamin’ny an’ny Timoty Voalohany izy io, izany hoe mba hampaherezana ilay mpiara-miasa tamin’i Paoly ary mba hanomezana azy fanohanan’ny fahefana iray teo amin’ny adidiny.

4. Oviana no tsy maintsy ho nanoratana ny taratasy ho an’i Titosy, ary inona no porofon’ny maha-azo itokiana azy io?

4 I Paoly dia tsy maintsy ho nanoratra ilay taratasy teo anelanelan’ny nanaovana azy an-tranomaizina tany Roma voalohany sy faharoa, na tamin’ny 61 am.f.i. ka hatramin’ny 64 am.f.i. tany ho any. Ny porofo mahery ny amin’ny maha-azo itokiana ny taratasy ho an’i Titosy dia mitovy amin’ny an’ireo taratasy ho an’i Timoty izay tamin’ny fotoana nitovy ihany, ka ireo boky telo ao amin’ny Baiboly ireo dia nantsoina matetika hoe ireo “taratasin’ny mpiandry” nosoratan’i Paoly. Mitovy ny fomba fanoratra. Samy naka teny avy tao amin’ny Titosy i Irénée sy i Origène, ary misy fahefana tranainy maro hafa koa manamarina ny maha-kanônika ilay boky. Hita ao amin’ireo Sora-tanana Sinaïticus sy Alexandrinus izy itỳ. Any amin’ny Tranomboky John Rylands dia misy tapatapa-taratasy papyrus, P32, izay takelaka kodeksa iray tany amin’ny taonjato fahafatelo am.f.i. tany ho any ary mirakitra ny Titosy 1:11-15 sy 2:3-8. c Tsy misy iadian-kevitra fa tapany azo itokiana amin’ireo Soratra ara-tsindrimandry ilay boky.

LOHA HEVITRA RAKETIN’NY TITOSY

5. a) Toetra ilain’ny mpiandraikitra inona avy no nantitranterin’i Paoly, ary nahoana no tena ilaina izany? b) Nahoana no tsy maintsy nananatra mafy i Titosy, ary inona no nolazaina momba ireo olona voaloto?

5 Tokony hampirisika amin’ny alalan’ny fampianarana tsy misy kilema ireo mpiandraikitra (NW ) (1:1-16). Taorian’ny fiarahabana feno firaiketam-po maneho fitiavana, i Paoly dia nanoritra ireo toetra nilain’ireo mpiandraikitra. Nantitranterina fa ny mpiandraikitra dia tsy maintsy ho “tsy manan-tsiny”, tia ny tsara, marina, tsy mivadika (NW ), ho lehilahy “mitana mafy ny teny [mahatoky, NW ] araka ny efa nampianarina, mba hahaizany hananatra amin’ny fampianarana tsy misy kilema sady handresy lahatra ny mpanohitra”. Nilaina izany rehefa jerena ireo “mpamitaka” izay nampivadika mpianakavy maro mihitsy aza mba hahazoany harena maloto. Koa i Titosy àry dia tsy maintsy ‘nananatra azy ireny mafy mba hatanjaka amin’ny finoana ka tsy hitandrina ny anganonganon’ny Jiosy’. Nety ho nanaiky ampahibemaso (NW ) fa nahalala an’Andriamanitra ireo olona voaloto, kanefa nanda azy tamin’ny asany nampiseho tsy fankatoavana (NW ). — 1:6-10, 13, 14.

6. Torohevitra inona no nomena momba ny fitondran-tena kristiana?

6 Velona amin’ny onony sy ny marina ary ny fifikirana amin’Andriamanitra (2:1–3:15). Ireo lehilahy be taona sy vehivavy be taona (NW ) dia tokony ho maotina sy mendrika. Ireo vehivavy tanora dia tokony ho tia ny vadiny sy ny zanany ary hanaiky ny vadiny “mba tsy hitenenana ratsy ny tenin’Andriamanitra”. Ireo lehilahy tanora kosa dia tokony ho ohatra raha ny amin’ny asa tsara sy ny teny tsy misy kilema. Ny mpanompo nanaiky dia tokony haneho “toe-panahy mahatoky indrindra”. Ny hatsaram-panahin’Andriamanitra amin’izay tsy mendrika akory (NW ), izay mitarika ho amin’ny famonjena, dia efa niseho ary nampirisika ny hananan’ireo izay nodiovin’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Kristy Jesosy, onony sy ny marina ary ny fifikirana amin’Andriamanitra, mba ho “olona ho an’ny tenany, sady ho mazoto indrindra amin’ny asa tsara”. — 2:5, 10, 14.

7. Inona no nohamafisin’i Paoly momba ny fanekena sy ny famonjena ary ny asa tsara?

7 Nanamafy ny ilana hanekena sy hankatoavana ireo fitondram-panjakana (NW ) ary ny ‘hanehoana ny halemem-panahy rehetra amin’ny olona rehetra’, i Paoly. I Paoly sy ireo Kristiana namany dia ratsy toy ny hafa rehetra ihany fahiny. Tsy avy tamin’ny asa nataon’ny tenany akory, fa noho ny hatsaram-panahin’Andriamanitra (NW ) sy ny fitiavany ary ny famindram-pony no namonjen’ny fanahy masina azy ireo ka nahatongavany ho mpandova araka ny fanantenana ny fiainana mandrakizay. Koa ireo izay nino an’Andriamanitra àry dia tokony ‘hitandrina ny hanao asa tsara’. Tokony hanalavitra ny fanontaniana adala sy ny fifandirana ny amin’ny Lalàna izy ireo, ary ilay olona nampirisika hanaraka antokom-pivavahana iray, dia tokony hialan’izy ireo, rehefa avy nanarina indray maka na indroa. Nangataka an’i Titosy mba hankany aminy tany Nikopolia i Paoly ary, rehefa nanome toromarika hafa momba ny asa misionera, dia nanamafy indray ny ilana hanaovana asa tsara, fandrao tsy hisy vokatra. — 3:2, 7, 8.

MAHASOA — NAHOANA?

8. Inona tamin’ny torohevitr’i Paoly ao amin’ny taratasy ho an’i Titosy no “sady tsara no mahasoa” ho antsika amin’izao andro izao, ary nahoana?

8 Niaina tao amin’ny tontolo iray feno lainga sy fahasimbana ara-pitondran-tena ary faniriana mihoa-pampana ireo Kristiana kretana. Tokony hanara-drenirano fotsiny ve izy ireo? Sa hanao dingana hentitra kosa mba hihatahana tanteraka ka hanompo amin’ny maha-vahoaka nohamasinina ho an’i Jehovah Andriamanitra? Tamin’ny fampahafantarana tamin’ny alalan’i Titosy fa tokony ‘hitandrina ny hanao asa tsara’ ireo Kretana, dia hoy i Paoly: “Sady tsara no mahasoa ny olona izany zavatra izany.” Amin’izao andro izao, ao amin’ny tontolo iray izay tafalentika ao anatin’ny tsy fahamarinana sy ny fanao tsy marina mandrevo, dia “sady tsara no mahasoa” koa ny ‘hianaran’ny Kristiana marina hanao asa tsara’, ka hahavokarany eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra. (3:8, 14). Ny fanamelohan’i Paoly rehetra ny fahalotoam-pitondran-tena sy ny faharatsiana izay nandrahona ireo kongregasiona tany Kreta dia fampitandremana ho antsika ankehitriny rehefa ‘mampianatra antsika ny [hatsaram-panahin’Andriamanitra amin’izay tsy mendrika akory, NW ] mba handa izay toe-panahy tsy araka an’Andriamanitra sy ny filan’izao tontolo izao, ary ho velona amin’ny onony sy ny marina ary ny [fifikirana amin’Andriamanitra, NW ] eo amin’izao [fandehan-javatra, NW ] izao’. Tokony ho “vonona ho amin’ny asa tsara rehetra” koa ny Kristiana amin’ny fankatoavana ireo fitondram-panjakana, ka hihazona fieritreretana tsara. — 2:11, 12; 3:1.

9. Ahoana no anamafisana ny maha-zava-dehibe ny fampianarana tsara, indrindra fa amin’ny maha-andraikitry ny mpiandraikitra azy io?

9 Manampy ny 1 Timoty 3:2-7 ny Titosy 1:5-9 mba hampisehoana izay takin’ny fanahy masina amin’ireo mpiandraikitra. Izany dia manantitrantitra fa tokony ‘hitana mafy ny teny [mahatoky, NW ]’ ny mpiandraikitra ary ho mpampianatra ao amin’ny kongregasiona. Toy inona moa ny ilana izany mba hitondrana ny rehetra ho amin’ny fahamatorana! Raha ny tena izy, dia antitranterina imbetsaka ao amin’ny taratasy ho an’i Titosy io filana fampianarana tsara io. Nananatra an’i Titosy i Paoly mba ‘hilaza izay mendrika ny fampianarana tsy misy kilema’. Ireo vehivavy be taona dia tokony ho “mpampianatra ny zavatra tsara”, ary ny mpanompo dia tokony ‘hampahamendrika ny fampianaran’Andriamanitra, Mpamonjy azy, amin’ny zavatra rehetra’. (Tit. 1:9; 2:1, 3, 10). Nanamafy ny ilan’i Titosy, tamin’ny naha-mpiandraikitra azy, ho hentitra sy tsy hanan-tahotra teo amin’ny fampianarany, i Paoly, ka nilaza hoe: “Izany no lazao sy ananaro ary andrarao amin’ny fahefana rehetra.” Ary momba ireo izay tsy nankato, dia nilaza izy hoe: “Anaro mafy izy mba hatanjaka amin’ny finoana”. Araka izany, ny taratasin’i Paoly ho an’i Titosy dia ‘mahasoa indrindra indrindra ho fampianarana, ho fananarana, ho fandaminan-javatra, ho fifehezana amin’ny rariny’. — Tit. 2:15; 1:13; 2 Tim. 3:16, NW.

10. Mampirisika antsika ho amin’inona ny taratasy ho an’i Titosy, ary fanantenana mahafinaritra inona no andrisihany?

10 Ny taratasy ho an’i Titosy dia mampitombo ny fankasitrahantsika ny hatsaram-panahin’Andriamanitra amin’izay tsy mendrika akory. Mampirisika antsika koa izy io hiala amin’ny toe-panahy tsy araka an’Andriamanitra eo amin’izao tontolo izao, ‘eo am-piandrasantsika ny fanantenana mahafinaritra sy ny fisehoan’ny voninahitr’Andriamanitra lehibe sy ny an’i Jesosy Kristy, Mpamonjy antsika’. Amin’ny fanaovana izany, dia azon’ireo izay nohamarinina tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy atao ny ho tonga “mpandova araka ny fanantenana ny fiainana mandrakizay” ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra. — Tit. 2:13, f.a.p.; 3:7.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Cyclopedia, nataon’i McClintock sy i Strong, Fanontana vaovao tamin’ny 1981, Boky II, pejy 564; The New Schaff-Herzog Encyclopedia of Religious Knowledge, 1958, Boky III, pejy 306.

b Cyclopedia, nataon’i McClintock sy i Strong, Fanontana vaovao tamin’ny 1981, Boky X, pejy 442.

c The Text of the New Testament, nataon’i Kurt sy i Barbara Aland, nadikan’i E. F. Rhodes, 1987, pejy 98.

[Fanontaniana]