Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-57 — Filemona
Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-57 — Filemona
Mpanoratra: Paoly
Toerana Nanoratana: Roma
Vita Tamin’ny: 60 – 61 am.f.i. tany ho any
1. Inona avy no sasany amin’ireo toetra mampiavaka ny taratasy ho an’i Filemona?
ITỲ taratasin’i (NW ) Paoly feno fahaiza-mandanjalanja sy fitiavana itỳ dia mahaliana aoka izany ny Kristiana amin’izao andro izao. Tsy vitan’ny hoe ny epistily fohy indrindra voatahiry avy tamin’ny tanan’ilay “Apostolin’ny jentilisa” izy itỳ, fa ao amin’ny Baiboly manontolo dia ny Jaona Faharoa sy Fahatelo ihany no mirakitra fanazavana vitsy kokoa noho izy. Afa-tsy izany koa, izy itỳ no hany taratasin’i Paoly “manokana”, satria tsy navantana tamin’ny fomba ofisialy tamina kongregasiona iray na ny mpiandraikitra nitana andraikitra iray izy itỳ, fa navantana tamin’olona manokana iray ary tsy niresaka afa-tsy momba ilay zava-nanahirana manokana tian’i Paoly hodinihina niaraka tamin’io rahalahy kristiana io, dia i Filemona izay toa nanankarena, ary nonina tao amin’ny tanànan’i Kolosia, tany Frygia, tany afovoan’i Azia Minora. — Rom. 11:13.
2. Nanodidina toe-javatra nanao ahoana ary noho ny zava-kendrena inona no nanoratana ny taratasy ho an’i Filemona?
2 Naharihary mazava tsara ny zava-kendren’ilay taratasy: Nandritra ny fanaovana an-tranomaizina voalohany an’i Paoly tany Roma (59-61 am.f.i.), dia nanana fahalalahana lehibe hitory ny Fanjakan’Andriamanitra izy. Anisan’ireo izay nihaino ny fitoriany i Onesimosy, andevo iray nandositra avy tao amin’ny ankohonan’i Filemona, naman’i Paoly. Vokatr’izany, dia tonga Kristiana i Onesimosy, ary nanapa-kevitra i Paoly, niaraka tamin’ny faneken’i Onesimosy, ny handefa azy hiverina tany amin’i Filemona. Tamin’io fotoana io koa no nanoratan’i Paoly taratasy ho an’ireo kongregasiona tany Efesosy sy Kolosia. Tao amin’ireo taratasy roa ireo izy dia nanome torohevitra tsara ho an’ireo mpanompo sy tompo kristiana, momba ny tokony hitondrany tena araka ny tokony ho izy teo amin’io fifandraisana io. (Efes. 6:5-9; Kol. 3:22–4:1). Kanefa, ambonin’izany sady zava-dehibe noho izany, dia nanao taratasy iray ho an’i Filemona i Paoly, nitalahoany manokana ho an’i Onesimosy. Taratasy nosoratany tamin’ny tanany izy itỳ — zavatra tsy fanaon’i Paoly. (Filem. 19). Io fanaovan-javatra manokana avy taminy io dia nanampy hery ilay fitalahoany.
3. Oviana no azo inoana indrindra fa nanoratana ny taratasy ho an’i Filemona, ary ahoana no nandefasana azy?
3 Azo inoana indrindra fa nosoratana tamin’ny 60-61 am.f.i. tany ho any ilay taratasy, satria toa ampy tsara mba hiovan’ny olona finoana ny fotoana nitorian’i Paoly tao Roma. Afa-tsy izany koa, satria naneho ny fanantenana ny hafahana izy, eo amin’ny andininy faha-22, dia afaka manatsoaka hevitra isika fa ilay taratasy dia nosoratana rehefa avy nandany fotoana sasantsasany tao an-tranomaizina izy. Toa nalefa niaraka tamin’i Tykiko sy i Onesimosy ireo taratasy telo ireo, dia ilay ho an’i Filemona sy ireo ho an’ny kongregasiona tany Efesosy sy Kolosia. — Efes. 6:21, 22; Kol. 4:7-9.
4. Inona no manaporofo fa i Paoly no nanoratra ny Filemona sy ny maha-azo itokiana azy io?
4 Ny hoe i Paoly no mpanoratra ny Filemona dia miharihary avy amin’ny andininy voalohany, izay anononana ny anarany. Neken’i Origène sy i Tertullien ho izany izy. a Ny maha-azo itokiana ilay boky koa dia tohanan’ny nitanisana azy, miaraka amin’ireo epistilin’i Paoly hafa, ao amin’ny Fragment de Muratori tamin’ny taonjato faharoa am.f.i.
LOHA HEVITRA RAKETIN’NY FILEMONA
5. a) Fiarahabana sy teny fiderana inona avy no anokafana ilay taratasy? b) Inona no nolazain’i Paoly tamin’i Filemona momba an’i Onesimosy andevony?
5 Nampodina tany amin’ny tompony indray, ho “mihoatra noho ny andevo”, i Onesimosy (And. 1-25). Nandefa fiarahabana mafana ho an’i Filemona, ho an’i Apia “anabavinay”, ho an’i Arkipo “miaramila namantsika” ary ho an’ny kongregasiona tao an-tranon’i Filemona, i Paoly. Nidera an’i Filemona (izay midika hoe “Tia” ny anarany) izy noho ny fitiavana sy ny finoana nananany ho an’i Jesosy Tompo sy ho an’ny olona masina. Nitondra fifaliana sy fiononana ho an’i Paoly ny tatitra momba ny fitiavan’i Filemona. I Paoly, izay efa be taona (NW ) sady mpifatotra izao, dia nilaza tamin’ny fahasahiana be, ny heviny mikasika an’i Onesimosy, izay ‘naterany’ tao amin’ny fifatorany. Tsy nahasoa an’i Filemona i Onesimosy (izay midika hoe “Mahasoa” ny anarany) fahiny, kanefa izao izy dia nahasoa azy mirahalahy, dia i Filemona sy i Paoly. — And. 2, 10.
6. Karazana fitondrana nanao ahoana no anoroan’i Paoly hevitra mba hampiharina amin’i Onesimosy, ary tamin’ny alalan’ny fanjohian-kevitra feno fahaiza-mandanjalanja ahoana?
6 Saiky nohazonin’ilay apostoly mba hanompo azy tao an-tranomaizina i Onesimosy, kanefa tsy hanao izany tsy nisy ny faneken’i (NW ) Filemona izy. Koa dia nampodiny àry izy, “tsy toy ny andevo intsony anefa, fa efa mihoatra noho ny andevo, dia rahalahy malala”. Nangataka ny handraisana an’i Onesimosy tamin-katsaram-panahy (NW ) i Paoly, mitovy amin’ny handraisana ny tenan’i Paoly. Raha nanao izay tsy marina tamin’i Filemona i Onesimosy, dia aoka izany haloan’i Paoly vola (NW ), satria, hoy i Paoly tamin’i Filemona: “Mitrosa ny tenanao amiko aza hianao”. (And. 16, 19). Nanantena i Paoly fa nety hafahana tsy ho ela sy hitsidika an’i Filemona ny tenany, ary dia namarana ny taratasiny tamin’ny fanaovam-beloma izy.
MAHASOA — NAHOANA?
7. Raha ny amin’i Onesimosy, ahoana no tsy nialan’i Paoly tamin’ilay fiantsoana ambony azy ho apostoly?
7 Araka ny asehon’itỳ taratasy itỳ, dia tsy nitory “filazantsara ara-tsosialy” akory i Paoly, ka hoe nitady ny hamarana ilay fandehan-javatra nisy tamin’izay, niaraka tamin’ireo zavatra niorina tao aminy, toy ny fanandevozana. Tsy nanafaka araka ny nahim-pony fotsiny na dia ireo andevo kristiana aza izy, fa nandefa an’i Onesimosy, andevo nandositra, kosa, hanao ilay dia nisy 1 400 kilaometatra mahery, avy tany Roma nankany Kolosia, mba hiverina tany amin’i Filemona tompony. Araka izany, dia tsy niala tamin’ilay fiantsoana ambony azy ho apostoly i Paoly, ka nifikitra akaiky tamin’ny asa nanirahan’Andriamanitra azy ‘hitory ny fanjakan’Andriamanitra sy hampianatra ny amin’i Jesosy Kristy Tompo’. — Asa. 28:31; Filem. 8, 9.
8. Fampiharana amin’ny fomba azo tsapain-tanana inona ny fotopoto-pitsipika kristiana no asehon’ny Filemona an’ohatra?
8 Ny taratasy ho an’i Filemona dia mampiharihary zavatra, satria mampiseho ny fitiavana sy ny firaisan-kina nisy teo amin’ireo Kristiana tamin’ny taonjato voalohany. Ianarantsika avy ao fa nifampiantso hoe “rahalahy” sy ‘anabavy’ ireo Kristiana tany am-boalohany. (Filem. 2, 20). Fanampin’izany, dia aharihariny ho an’ny Kristiana amin’izao andro izao ny fampiharana amin’ny fomba azo tsapain-tanana, fotopoto-pitsipika kristiana eo amin’ny mpirahalahy kristiana. Avy amin’i Paoly isika dia mahita ny fanehoana fitiavan-drahalahy, ny fanajana ny fifandraisana sivily sy ny fananan’ny hafa, ny fahaiza-mandanjalanja mandaitra ary ny fanetren-tena mendri-piderana. Tsy nitady ny hanery an’i Filemona hamela an’i Onesimosy i Paoly, tamin’ny fampiasana ny herin’ny fahefana nananany tamin’ny naha-mpiandraikitra mpitarika tao amin’ny kongregasiona kristiana azy. Nitalaho taminy tamim-panetren-tena kosa i Paoly, niorina tamin’ny fitiavana kristiana sy ny fisakaizana manokana. Afaka mandray soa avy amin’ny fomba feno fahaiza-mandanjalanja nanatonan’i Paoly an’i Filemona ireo mpiandraikitra amin’izao andro izao.
9. Tamin’ny fanekena ny fangatahan’i Paoly, modely tsara dia tsara inona, izay mahaliana ny Kristiana amin’izao andro izao, no navelan’i Filemona?
9 Miharihary fa nanantena an’i Filemona hanaiky ny fangatahany i Paoly, ary ny fanaovan’i Filemona izany dia ho fampiharana amin’ny fomba azo tsapain-tanana izay nolazain’i Jesosy ao amin’ny Matio 6:14 sy izay nolazain’i Paoly ao amin’ny Efesiana 4:32. Azo antenaina fa ho feno hatsaram-panahy (NW ) sy hamela ny ratsy nataon’ny rahalahy iray toy izany koa ny Kristiana amin’izao andro izao. Raha afaka namela ny andevo iray izay azy sady nananany zo ara-dalàna ny hoentina tamin’ny fomba ratsy araka izay tiany i Filemona, ny Kristiana amin’izao andro izao dia tokony ho afaka ny hamela ny ratsy nataon’ny rahalahy iray — zavatra izay mora lavitra ny fanaovana azy.
10. Ahoana no ihariharian’ny fiasan’i fanahin’i Jehovah ao amin’ny taratasy ho an’i Filemona?
10 Hita miharihary aoka izany ny fiasan’ny fanahin’i Jehovah ato amin’itỳ taratasy ho an’i Filemona itỳ. Izany dia miseho amin’ny fomba feno hakingana nandaminan’i Paoly ny zava-nanahirana iray nitaky fahaiza-mandanjalanja aoka izany. Izany dia miharihary amin’ny fahaiza-mipetraka eo amin’ny toeran’ny hafa sy ny firaiketam-po maneho fitiavana ary ny fatokiana ny Kristiana namana iray, nasehon’i Paoly. Izany dia hita amin’ny fampianaran’ny taratasy ho an’i Filemona, toy ny Soratra Masina hafa, fotopoto-pitsipika kristiana, amin’ny fampirisihany ny hanehoana firaisan-kina kristiana, ary amin’ny fanandratany ny fitiavana sy ny finoana izay tondraka eo amin’ireo “olona masina”, izay manantena ny Fanjakan’Andriamanitra ary manana fitondran-tena ahitana taratry ny hatsaram-panahin’i Jehovah miharo fitiavana (NW ). — And. 5.
[Fanamarihana ambany pejy]
a The International Standard Bible Encyclopedia, natontan’i G. W. Bromiley, Boky 3, 1986, pejy 831.
[Fanontaniana]