Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-58 — Hebreo

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-58 — Hebreo

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-58 — Hebreo

Mpanoratra: Paoly

Toerana Nanoratana: Roma

Vita Tamin’ny: 61 am.f.i. tany ho any

1. Mifanaraka amin’ny asa inona nanirahana azy hataony no nanoratan’i Paoly ny taratasy ho an’ny Hebreo?

 FANTATRA indrindra amin’ny hoe apostoly ho an’ny “jentilisa” i Paoly. Moa ve anefa voafetra ho an’ny tsy Jiosy ny fanompoany? Tsy izany velively! Talohan’ny nanaovana batisa an’i Paoly sy nanendrena azy hanao ny asany, dia hoy i Jesosy Tompo tamin’i Ananiasy: “Fanaka voafidy izy [Paoly] ho fitondrana ny anarako eo anatrehan’ny jentilisa sy ny mpanjaka ary ny Zanak’Isiraely”. (Asa. 9:15; Gal. 2:8, 9). Tena mifanaraka marina amin’ny asa nanirahana an’i Paoly hitondra ny anaran’i Jesosy tany amin’ny zanak’Isiraely ny nanoratana ny bokin’ny Hebreo.

2. Ahoana no azo anaporofoana fa diso ireo hevitra aroso manohitra ny naha-mpanoratra ny Hebreo an’i Paoly?

2 Kanefa, misy mpanao tsikera misalasala ny amin’ny naha-mpanoratra ny Hebreo an’i Paoly. Ny fanoherana iray dia hoe tsy miseho ao amin’ilay taratasy (NW ) ny anaran’i Paoly. Tsy tena vato misakana anefa izany, satria boky kanônika maro hafa no tsy manonona ny anaran’ny mpanoratra azy, izay matetika no ampahafantarin’ny porofo anatiny. Ambonin’izany, dia misy mihevitra fa nety ho ninian’i Paoly tsy nampidirina ny anarany rehefa nanoratra ho an’ireo Kristiana hebreo tany Jodia izy, satria ny anarany dia nanjary nankahalain’ny Jiosy tany. (Asa. 21:28). Ny fiovan’ny fomba fanoratra oharina amin’ny an’ireo epistiliny hafa koa dia tsy tena fanoherana ny amin’ny naha-mpanoratra azy io an’i Paoly. Na niresaka tamin’ny mpanompo sampy i Paoly, na tamin’ny Jiosy, na tamin’ny Kristiana, dia nampiseho foana ny fahaizany ho “tonga zavatra rehetra (...) amin’ny olona rehetra” izy. Eto ny fanjohian-kevitra ataony dia aseho amin’ireo Jiosy ho toy ny avy amin’ny Jiosy iray, amin’ny fandrosoana hevitra izay ho azon’izy ireo sy hankasitrahan’izy ireo amin’ny fomba feno. — 1 Kor. 9:22.

3. Porofo anatiny inona no sady manohana ny naha-mpanoratra ny Hebreo an’i Paoly no manondro fa nanoratra voalohany indrindra ho an’ny Jiosy izy?

3 Ny porofo anatin’ilay boky dia samy manohana ny naha-mpanoratra azy io an’i Paoly. Tany Italia ilay mpanoratra ary nifanerasera tamin’i Timoty. Mety amin’i Paoly ireo zava-misy ireo. (Heb. 13:23, 24). Ankoatra izany, dia mampiavaka an’i Paoly ilay foto-pampianarana, na dia aseho avy amin’ny fomba fijerin’ny Jiosy iray aza ireo hevitra aroso, ary nokendrena hanohinana ilay kongregasiona (NW ) tsy nisy afa-tsy Hebreo, izay namantanana ilay taratasy. Momba io hevitra io, dia izao no nolazain’ny Commentary nataon’i Clarke, Boky faha-6, pejy faha-681, mikasika ny Hebreo: “Ny hoe nosoratana ho an’ny Jiosy, izany hoe ireo araka ny nofo, izy io, dia porofoin’ny rafitr’ilay epistily manontolo. Raha toa ka nosoratana ho an’ny Jentilisa izy io, dia tsy ho nisy iray tao anatin’ny iray alina tamin’ireo ho nahatakatra ilay hevitra naroso, satria tsy nahafantatra ny fandehan-javatra jiosy izy ireny; fahalalana izay hita hatraiza hatraiza fa noheverin’ny mpanoratra itỳ epistily itỳ fa nananan’ny mpamaky azy.” Izany dia manampy hanazava ny fahasamihafana eo amin’ny fomba fanoratra, rehefa ampitahaina amin’ireo taratasin’i Paoly hafa izy io.

4. Inona no porofo fanampiny ny amin’ny naha-mpanoratra ny Hebreo an’i Paoly?

4 Ny fahitana ny Papyrus Chester Beatty No. 2 (P46) tamin’ny 1930 tany ho any dia nanome porofo fanampiny ny amin’ny naha-mpanoratra ny Hebreo an’i Paoly. Rehefa nanome fanazavana momba io kodeksa tamin’ny taratasy papyrus io, izay nosoratana taonjato iray sy tapany monja taorian’ny nahafatesan’i Paoly, ilay mpanao tsikera Anglisy nalaza nantsoina hoe Sir Frederic Kenyon, dia hoy izy: “Mora marihina fa apetraka ao aorian’ny Romana avy hatrany ny Hebreo (toerana saiky mbola tsy hita mihitsy hatramin’izay), ka izany dia mampiseho fa tamin’ilay daty tany am-boalohany nanoratana io sora-tanana io, dia tsy nisy fisalasalana tsapa fa i Paoly no nanoratra azy io.” a Momba io fanontaniana io ihany, dia manambara mivantana toy izao ny Cyclopedia nataon’i McClintock sy i Strong: “Tsy misy porofo lehibe, ivelany na anatiny, manohana izay mety ho mihambo ho nanoratra io epistily io, ankoatra an’i Paoly.” b

5. Ahoana no anaporofoan’ireo loha hevitra raketin’ny Hebreo fa ara-tsindrimandry izy io?

5 Ankoatra ny faneken’ireo Kristiana tany am-boalohany an’ilay boky, ireo loha hevitra raketin’ny Hebreo dia manaporofo fa “ara-tsindrimandrin’Andriamanitra” izy io. Misarika tsy tapaka ny sain’ny mpamaky ho amin’ny faminaniana ao amin’ny Soratra Hebreo izy io, ary manisy firesahana maro momba ireo asa soratra tany am-boalohany, ka mampiseho ny nahatanterahan’izy rehetra ireo tamin’i Kristy Jesosy. Ao amin’ny toko voalohany fotsiny, dia fakan-teny tsy latsaka ny fito avy amin’ny Soratra Hebreo no ampiasaina rehefa velabelarina ilay hevitra fa ambony kokoa noho ireo anjely izao ny Zanaka. Mankalaza tsy tapaka ny Tenin’i Jehovah sy ny anarany izy io, amin’ny fanondroana an’i Jesosy ho ny Fiasana Lehibe Indrindra (NW ) ho an’ny fiainana, ary ny Fanjakan’Andriamanitra tarihin’i Kristy ho hany fanantenan’ny taranak’olombelona.

6. Inona no tondroin’ny porofo raha ny amin’ny toerana sy ny fotoana nanoratana ny Hebreo?

6 Raha ny amin’ny fotoana nanoratana azy, dia efa naseho fa nanoratra ilay taratasy i Paoly, fony izy tany Italia. Ho famaranana ilay taratasy, dia hoy izy: “Aoka ho fantatrareo fa efa afaka Timoty rahalahintsika; koa raha tàhiny handeha faingana izy, dia hiaraka aminy hamangy anareo aho.” (13:23). Izany dia toa mampiseho fa nanantena ny hafahana aloha avy tao an-tranomaizina i Paoly, ary nanantena ny hiaraka tamin’i Timoty, izay natao an-tranomaizina koa, kanefa efa nafahana. Araka izany, ny taona farany tamin’ny fanaovana azy an-tranomaizina voalohany tany Roma dia toa tondroina ho ny daty nanoratana azy io, izany hoe ny taona 61 am.f.i.

7. Karazana fanoherana inona no natrehin’ireo Kristiana jiosy tany Jerosalema, ary inona no nilain’izy ireo?

7 Nandritra ny fotoan’ny faran’ny fandehan-javatra jiosy, dia nisy fe-potoam-pitsapana tena lehibe nodiavin’ireo Kristiana hebreo tany Jodia, ary indrindra fa tamin’ireo tany Jerosalema. Noho ny fandroson’ny vaovao tsara (NW ) sy ny fielezany, dia nanjary tezitra mafy sy feno firehetana tafahoatra ireo Jiosy teo amin’ny fanoherany ny Kristiana. Taona vitsivitsy monja talohan’izay, ny fisehoan’i Paoly tao Jerosalema fotsiny dia efa niteraka rotaka, ka ireo Jiosy tia fivavahana no nilelalela hoe: “Esory amin’ny tany ilehio, fa tsy tokony hovelomina izy!” Jiosy maherin’ny 40 no niozona sy nianiana fa tsy hihinana na hisotro mandra-pamonony azy, ary nila antoko-miaramila be dia be nitam-piadiana mba hanotrona sy hitondra azy hidina hatrany Kaisaria tamin’ny alina. (Asa. 22:22; 23:12-15, 23, 24). Tao anatin’io rivo-piainana nanjakan’ny firehetana ara-pivavahana sy ny fankahalana ny Kristiana io, no tsy maintsy niainan’ilay kongregasiona sy nitoriany ary niorenany mafy tao amin’ny finoana. Tsy maintsy nanana fahalalana sy fahazoana hevi-javatra marim-pototra momba ny nanatanterahan’i Kristy ny Lalàna izy ireo, mba hahafahan’izy ireo tsy hihemotra indray ho any amin’ny Jodaisma sy ny fitandremana ny Lalàn’i Mosesy niaraka tamin’ireo fanolorana fanatitra biby, izay tsy inona izao fa fombafomba foana fotsiny.

8. Nahoana i Paoly no ampy fitaovana tamin’ny fomba mahatalanjona mba hanoratra itỳ taratasy ho an’ny Hebreo itỳ, ary filaharana hevitra narosony inona avy no atolony?

8 Tsy nisy nahazo tsara kokoa noho ny apostoly Paoly ny fanerena sy ny fanenjehana nampiharina tamin’ireo Kristiana jiosy. Tsy nisy ampy fitaovana kokoa noho i Paoly, ilay Fariseo taloha, mba hanome azy ireo hevitra naroso mahery mba hanaporofoana ny maha-diso ny lovantsofina jiosy. Niorina tamin’ny fahalalany tsara momba ny Lalàn’i Mosesy, izay nianarany teo an-tongotr’i Gamaliela, izy ka nampiseho porofo tsy azo nolavina fa i Kristy no fahatanterahan’ny Lalàna sy ireo fitsipika sy fanatitra tao amin’izy io. Nasehony fa ireny izao dia nosoloana ny zavatra tena izy be voninahitra lavitra, ary mitondra soa lehibe kokoa tsy hay tombanana, eo ambanin’ny fanekena iray vaovao sy tsara kokoa. Nandahatra porofo an-kisesy tamin’ny filaharana mazava tsara sady mampiaiky, ny sainy matsilo. Ny faran’ny faneken’ny Lalàna sy ny fahatongavan’ny fanekena vaovao, ny maha-ambony kokoa ny fisoronan’i Kristy noho ny fisoronan’i Arona, ny tena vidin’ny soron’i Kristy raha ampitahaina amin’ny fanatitra omby sy osy, ny nidiran’i Kristy tao amin’ny fanatrehan’i Jehovah tany an-danitra mihitsy fa tsy tao amin’ny tabernakely tsotra teto an-tany — ireo fampianarana vaovao nanaitra rehetra ireo, izay fankahala fatratra teo imason’ireo Jiosy tsy nino, dia naseho teto tamin’ireo Kristiana hebreo tamin’ny porofo tondraka aoka izany avy tamin’ny Soratra Hebreo, hany ka tsy nisy Jiosy nisaina tsara, tsy ho afaka ny tsy hiaiky.

9. Tonga fiadiana nahery inona ny taratasin’ny Hebreo, ary tamin’ny ahoana izy io no fanehoana ny fitiavan’i Paoly?

9 Tamin’ny fananana io taratasy io ho fitaovana enti-miady, ireo Kristiana hebreo dia nanana fiadiana vaovao sy nahery mba hanakombonana ny vavan’ireo Jiosy mpanenjika, ary koa hevitra naroso iray nandresy lahatra mba hampiekena sy hanovana finoana ireo Jiosy tso-po nitady ny fahamarinan’Andriamanitra. Ilay taratasy dia mampiseho ny fitiavana lalin’i Paoly an’ireo Kristiana hebreo sy ny faniriany nidedadeda hanampy azy ireo tamin’ny fomba azo tsapain-tanana tamin’io fotoana tena nilan’izy ireo izany io.

LOHA HEVITRA RAKETIN’NY HEBREO

10. Inona no ambaran’ireo teny fanokafana ny Hebreo momba ny toerana tanan’i Kristy?

10 Ny toerana misandratra tanan’i Kristy (1:1–3:6). Mampifantoka ny saina amin’i Kristy toy izao ireo teny fanokafana: “Rehefa nampitenenin’Andriamanitra tamin’ny razana fahiny ny mpaminany tamin’ny andro samy hafa sy ny fanao samy hafa; dia amin’izao andro farany izao kosa no nampitenenany tamintsika ny Zanany”. Io Zanaka io dia ilay voatendry ho Mpandova ny zavatra rehetra sady famirapiratan’ny voninahitry ny Rainy. Rehefa avy nanao fanadiovana hahafaka ny fahotantsika (NW ) izy, dia efa “nipetraka teo amin’ny tànana ankavanan’ny Lehibe any amin’ny avo” izao. (1:1-3). Nanonona andininy an-kisesy i Paoly mba hanaporofoana ny maha-ambony kokoa noho ireo anjely an’i Jesosy.

11. a) Nahoana i Paoly no manoro hevitra ny hampifantohana ny saina bebe kokoa noho ny mahazatra amin’izay efa rentsika? b) Noho ireo fanandraman-javatra hitany sy ny toerana misandratra tanany, zavatra inona avy no azon’i Jesosy tanterahina?

11 Nanoratra i Paoly fa ‘tena ilaintsika ny mampifantoka ny saina bebe kokoa noho ny mahazatra’ (NW ). Fa nahoana? Satria, hoy ny hevitra naroson’i Paoly, raha nisy famaliana mafy ny tsy fankatoavana (NW ) “ny teny izay nampilazaina ny anjely, (...) hataontsika ahoana no fandositra, raha tsy mitandrina izao famonjena lehibe izao isika? dia ilay nampilazaina ny Tompo tamin’ny voalohany”. Nataon’Andriamanitra ambany kely noho ny anjely ilay “zanak’olombelona”, kanefa ankehitriny dia hitantsika io Jesosy io “voasatroka voninahitra aman-daza (...), mba hanandrana fahafatesana hamonjy ny olona rehetra noho ny [hatsaram-panahin’Andriamanitra amin’izay tsy mendrika akory, NW ]”. (2:1-3, 6, 9). Tamin’ny fitondrana zanaka maro tany amin’ny voninahitra, Andriamanitra dia ‘[nanao ilay Fiasana Lehibe Indrindra ho amin’ny, NW ] famonjena azy ireo [ho tanteraka, NW ] tamin’ny alalan’ny fahoriana’ aloha. Izy io no handringana ny Devoly ary hanafaka “izay rehetra nandany ny fiainany rehetra tamin’ny fahandevozana noho ny tahotra ny fahafatesana”. Tonga “Mpisoronabe mamindra fo sy mahatoky” araka izany i Jesosy. Ary mahatalanjona fa, noho izy nijaly tao anatin’ny fitsapana (NW ), dia “mahavonjy izay [azon’ny fitsapana, NW ] koa Izy”. (2:10, 15, 17, 18). Noho izany, dia natao mendrika ny hanam-boninahitra noho i Mosesy i Jesosy.

12. Lalana inona no tsy maintsy halavirin’ny Kristiana raha tian’izy ireo ny hiditra ao amin’ny fitsaharan’Andriamanitra?

12 Fidirana ao amin’ny fitsaharan’Andriamanitra amin’ny alalan’ny finoana sy ny fankatoavana (NW ) (3:7–4:13). Ny Kristiana indrindra, amin’ny olona rehetra, no tokony handray fampitandremana avy amin’ny ohatr’ireo Isiraelita tsy nahatoky, fandrao hisy hanana “fo ratsy tsy mino ka hiala amin’Andriamanitra velona”. (Heb. 3:12; Sal. 95:7-11). Noho ny tsy fankatoavana sy ny tsy finoana, ireo Isiraelita nandao an’i Egypta dia tsy tafiditra tao amin’ny fitsaharana na Sabatan’Andriamanitra, izay tsy nanaovany asa famoronana intsony raha ny amin’ny tany. Kanefa manazava toy izao i Paoly: “Mbola misy sabata fitsaharana ho an’ny olon’Andriamanitra. Fa izay niditra tao amin’ny fitsaharany, dia Izy koa no nitsahatra tamin’ny asany, tahaka an’Andriamanitra tamin’ny Azy.” Tokony hohalavirina ny ohatra mampiseho tsy fankatoavana nomen’ny Isiraely. “Fa velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra ka maranitra noho ny sabatra roa lela, (...) ka mahay mamantatra ny eritreritra sy ny fisainan’ny fo.” — Heb. 4:9, 10, 12.

13. a) Ahoana no nahatongavan’i Kristy ho “Mpisorona mandrakizay”, tompon’andraikitra ny amin’ny famonjena mandrakizay? b) Nahoana i Paoly no nampirisika mafy ny Hebreo mba handroso ho amin’ny fahamatorana?

13 Fomba fijery matotra ny maha-ambony kokoa ny fisoronan’i Kristy (4:14–7:28). Nampirisika mafy an’ireo Hebreo i Paoly mba hihazona an’i Jesosy izay efa nekeny, dia ilay Mpisoronabe lehibe izay lasa namaky ny lanitra, mba hahitan’izy ireo famindram-po. Tsy nanandra-tena i Kristy, fa ny Ray no nilaza hoe: “Hianao no Mpisorona mandrakizay araka ny fanaon’i Melkizedeka.” (Heb. 5:6; Sal. 110:4). Voalohany aloha, dia natao lavorary ho an’ny toeran’ny mpisoronabe i Kristy, tamin’ny fianarana fankatoavana tamin’ny alalan’ny fahoriana, mba ho tonga loharanon’ny famonjena mandrakizay ho an’izay rehetra mankato azy. Nanana “teny maro (...) sady sarotra ambara” i Paoly, nefa ireo Hebreo dia mbola zaza-bodo tokony homen-dronono ihany, kanefa, raha ny tena izy, dia efa tokony ho mpampianatra izy ireo. “Ho an’izay efa lehibe ny ventin-kanina, dia ho an’izay manana ny saina efa zatra nampiasaina tsara ka mahay manavaka ny tsara sy ny ratsy.” Nampirisika azy ireo mafy mba “handroso ho amin’ny [fahamatorana, NW ]” ilay apostoly. — Heb. 5:11, 14; 6:1.

14. Ahoana no ahazoan’ny mpino mandova ny fampanantenana, ary ahoana no nampiorenana ny fanantenan’izy ireo?

14 Tsy azo havaozina indray ho amin’ny fibebahana izay efa nahalala ny tenin’Andriamanitra nefa nihemotra, “satria manombo ny Zanak’Andriamanitra indray amin’ny hazofijaliana ka manao Azy ho fahamenarana”. Amin’ny finoana sy ny faharetana ihany no ahafahan’ny mino mandova ny teny fikasana natao tamin’i Abrahama — teny fikasana izay natao mafy sy tsy mihetsika tamin’ny alalan’ny zavatra roa loha tsy mety miova: ny tenin’Andriamanitra sy ny fianianany. Ny fanantenan’izy ireo, izay toy ny “vatofantsiky ny aina sady mafy no tsy mihetsika”, dia nampiorenina tamin’ny fidiran’i Jesosy tany “anatin’ny efitra lamba” tamin’ny naha-Mpialoha sady Mpisoronabe araka ny fanaon’i Melkizedeka azy. — 6:6, 19.

15. Inona no mampiseho fa ny fisoronan’i Jesosy, izay araka ny fanaon’i Melkizedeka, dia ho ambony kokoa noho ny an’i Levy?

15 Io Melkizedeka io dia sady “mpanjakan’i Salema” no “mpisoron’Andriamanitra Avo Indrindra”. Na dia i Abrahama ilay patriarka aza dia nandoa ny ampahafolon-karena taminy, ary tamin’ny alalany, i Levy, izay mbola tao an-kibon’i Abrahama, dia nanao izany koa. Ny nitsofan’i Melkizedeka rano an’i Abrahama àry, araka izany, dia nitarina ho amin’i Levy mbola tsy teraka, ka izany dia nampiseho fa ambany kokoa noho ny fisoronan’i Melkizedeka ny an’i Levy. Ankoatra izany, raha tonga tamin’ny alalan’ny fisoronana levitikan’i (NW ) Arona ny fahatanterahana, moa ve hisy hilana mpisorona hafa iray “araka ny fanaon’i Melkizedeka”? Ambonin’izany, satria novana ny fisoronana, “dia tsy maintsy ovana koa ny lalàna”. — 7:1, 11, 12.

16. Nahoana ny fisoronan’i Jesosy no ambony kokoa noho ny fisoronana teo ambanin’ny Lalàna?

16 Ny Lalàna, raha ny tena izy, dia tsy nanao na inona na inona ho lavorary fa hita ho nalemy sy tsy nanasoa. Maro ireo mpisorona satria maty foana izy ireny, fa i Jesosy kosa “manana fisoronana tsy dimbasana, satria maharitra mandrakizay Izy; koa amin’izany dia mahavonjy tokoa izay manatona an’Andriamanitra amin’ny alalany Izy, satria velona mandrakizay hanao fifonana ho azy”. Io Mpisoronabe io, i Jesosy, dia “masina, tsy misy tsiny, tsy misy loto, voasaraka amin’ny mpanota”, fa ireo mpisoronabe notendren’ny Lalàna kosa dia nalemy, ka voatery nanatitra fanatitra, noho ny otan’ny tenany aloha, alohan’ny nahafahany nanelanelana ho an’ny hafa. Koa ny tenin’ny fianianan’Andriamanitra àry dia “manendry ny Zanaka, Izay [natao lavorary, NW ] ho mandrakizay”. — 7:24-26, 28.

17. Amin’ny ahoana ny fanekena vaovao no ambony kokoa?

17 Ny maha-ambony kokoa ny fanekena vaovao (8:1–10:31). Aseho ho ny “Mpanalalana amin’ny fanekena tsara lavitra, izay natao tamin’ny teny fikasana tsara lavitra”, i Jesosy. (8:6). Nanonona ny Jeremia 31:31-34 manontolo i Paoly, mba hampisehoana fa ireo ao amin’ny fanekena vaovao dia manana ireo lalàn’Andriamanitra voasoratra ao an-tsainy sy ao am-pony, mba hahalalan’izy rehetra an’i Jehovah, ary koa mba ‘tsy hotsarovan’i Jehovah intsony ny fahotany’. Io “fanekena vaovao” (NW ) io dia nahatonga ilay voalohany (ny faneken’ny Lalàna) ho lany andro (NW ), ka “efa madiva ho levona”. — Heb. 8:12, 13.

18. Fampitahana inona no nataon’i Paoly momba ny raharaha ny amin’ny fanatitra mifandray amin’ireo fanekena roa?

18 Nolazalazain’i Paoly ho “fitsipika [araka ny lalàna, NW ] (...) voatendry hatao mandra-pihavin’ny andro fanovana” ireo fanatitra natao isan-taona tao amin’ny tabernakelin’ilay fanekena voalohany. Kanefa, rehefa tonga ho Mpisoronabe i Kristy, dia nitondra ny ra sarobidin’ny tenany, fa tsy ny an’ny osilahy na ny zanak’omby akory. Nampanan-kery (NW ) ilay fanekena voalohany sady nanadio ilay tabernakely tandindona ny famafazan’i Mosesy ny ran’ireo biby, nefa tena nilaina ny fanatitra tsara kokoa ho an’ireo zavatra tena izy any an-danitra mifandray amin’ilay fanekena vaovao. “Fa Kristy tsy mba niditra tao amin’izay fitoerana masina nataon-tànana, izay tandindon’ny tena fitoerana masina, fa ho any an-danitra tokoa, mba hiseho eo anatrehan’Andriamanitra ankehitriny ho antsika”. Tsy voatery manao fanatitra isan-taona, toy ny nataon’ny mpisoronaben’ny Isiraely, i Kristy, satria “ankehitriny dia efa naseho indray mandeha tamin’izao andro farany izao Izy mba hanafaka ny ota tamin’ny nanaterany ny tenany”. — 9:10, 24, 26.

19. a) Inona no tsy vitan’ny Lalàna, ary nahoana? b) Inona no sitrapon’Andriamanitra mifandray amin’ny fanamasinana?

19 Ho famintinana, dia nilaza i Paoly fa “ny lalàna [dia] misy aloky ny zava-tsoa ho avy”, koa tsy afaka nanaisotra ny “fieritreretany ny amin’ny ota” àry ireo fanatitra naverimberina tao amin’izy io. Kanefa tonga teto amin’izao tontolo izao i Jesosy mba hanao ny sitrapon’Andriamanitra. “Amin’izany sitrapo izany”, hoy i Paoly, “no nanamasinana antsika tamin’ny nanaterana ny tenan’i Jesosy Kristy indray mandeha.” Noho izany, dia aoka ireo Hebreo hihazona mafy ny fanambarana ampahibemaso (NW ) ny finoany ka tsy hihozongozona, ary “hifampandinika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara” sy tsy hahafoy ny fiarahany miangona. Raha nanohy ninia nanota izy ireo, rehefa avy nahazo ny fahalalana tsara ny marina, dia ‘tsy nisy fanatitra noho ny ota intsony’. — 10:1, 2, 10, 24, 26.

20. a) Inona moa ny finoana? b) Sarin-teny mamirapiratra inona avy ny amin’ny finoana no lokoan’i Paoly?

20 Hazavaina sy aseho an’ohatra ny finoana (10:32–12:3). Izao i Paoly dia nilaza tamin’ireo Hebreo hoe: “Tsarovy ny andro fahiny izay naharetanareo ny ady mafy tamin’ny fahoriana, rehefa nohazavaina hianareo”. Aoka izy ireo tsy hanary ny fahasahiany, izay misy valisoa (NW ) lehibe, fa aoka kosa izy ireo hiaritra (NW ) mba hahazoany izay lazain’ny teny fikasana sy ‘[hananany finoana, NW ] ho amin’ny famonjena ny fanahy’. Finoana! Eny, izany no ilaina. Voalohany aloha, dia namaritra azy io toy izao i Paoly: “Ny finoana dia fiandrasana nanomezan-toky ny zavatra antenaina, ny fampisehoana miharihary ny zavatra tena izy na dia tsy hita aza.” Avy eo, ao amin’ny toko mamelombelona iray izy dia nandoko tao anatin’ny fifandimbasana haingana sarin-teny fohy momba ny lehilahy fahiny izay niaina, niasa, niady, niaritra ary tonga mpandova ny fahamarinana tamin’ny alalan’ny finoana. “Finoana” no nanantenan’i Abrahama, nitoetra an-day niaraka tamin’i Isaka sy i Jakoba, “ny tanàna misy fanorenana”, ary Andriamanitra no Tompo-marika tamin’izy io. “Finoana” no naharetan’i Mosesy, “toy ny mahita Izay tsy hita”. “Inona koa no holazaiko?”, hoy i Paoly nanontany. “Fa [tsy hanam-potoana aho, NW ], raha milaza an’i Gideona sy Baraka sy Samsona ary Jefta (...), Davida koa sy Samoela ary ny mpaminany, izay nandresy fanjakana tamin’ny finoana, niasa fahamarinana, nahazo teny fikasana”. Ny sasany koa dia niaritra fanesoana, kapoka, fatorana ary fampijalijaliana, nefa nanda tsy hafahana “mba hahazoany fitsanganana tsara lavitra”. Tena marina fa ‘tsy mendrika ho nitoerany akory izao tontolo izao’. Ireo rehetra ireo dia nahazo laza tsara noho ny finoana, nefa mbola tsy nandray ny fahatanterahan’ny (NW ) teny fikasana. “Koa amin’izany”, hoy i Paoly nanohy ny teniny, “satria misy vavolombelona maro be toy izany manodidina antsika toy ny rahona, dia aoka isika koa hanaisotra izay rehetra mitambesatra amintsika mbamin’ny ota izay malaky mahazo antsika, ary aoka isika hihazakazaka amin’ny faharetana amin’izao fihazakazahana filokana napetraka eo anoloantsika izao, mijery an’i Jesosy, [Fiasana Lehibe Indrindra ho an’ny finoantsika sady Mpandavorary, NW ] azy”. — 10:32, 39; 11:1, NW, 8, 10, 27, 32, 33, 35, 38; 12:1, 2.

21. a) Ahoana no ahazoan’ny Kristiana miaritra ao amin’ny adin’ny finoana? b) Inona no antony mahery kokoa tokony hihainoana ny fampitandreman’Andriamanitra, nomen’i Paoly?

21 Fiaretana ao amin’ny adin’ny finoana (12:4-29). Nampirisika ireo Kristiana hebreo mba hiaritra ao amin’ny adin’ny finoana i Paoly, satria nanafay azy ireo toy ny zanaka i Jehovah. Izao no fotoana anatanjahana ny tanana sy ny lohalika nalemy ary anaovana lala-mahitsy halehan’ny tongotr’izy ireo. Tsy maintsy nitandrin-tena mafy izy ireo tsy hampiditra faka nisy poizina (NW ) na fahalotoana izay nety ho nitarika ho amin’ny fandavana azy ireo, toy ny tamin’i Esao, izay tsy nanaja ny masina. Teo amin’ny tendrombohitra ara-bakiteny iray, dia hoy i Mosesy: “Matahotra loatra sy mangovitra indrindra aho” noho ilay fahitana naharaiki-tahotra ny amin’ilay afo nirehitra sy ilay rahona (NW ) ary ilay feo. Izy ireo anefa dia nanatona zavatra nahatahotra lavitra — ny Tendrombohitra Ziona sy i Jerosalema any an-danitra, anjely tsy omby alinalina, ny kongregasionan’ny Lahimatoa, Andriamanitra, Mpitsara ny olona rehetra ary i Jesosy, Mpanalalana ny fanekena vaovao sady tsara lavitra. Izao dia vao mainka nisy antony bebe kokoa ihany hihainoana ny fampitandreman’Andriamanitra (NW )! Tamin’ny andron’i Mosesy, ny feon’Andriamanitra dia nampihorohoro ny tany, fa izao kosa izy dia nampanantena (NW ) ny hampihorohoro ny lanitra sy ny tany. Nataon’i Paoly latsa-paka toy izao ilay hevitra: “Koa satria mandray fanjakana tsy azo ampihorohoroina isika, dia aoka isika (...) [hanao] izay fanompoana sitrak’Andriamanitra amin’ny fanajana sy ny fahatahorana; fa Andriamanitra dia afo mandevona.” — 12:21, 28, 29.

22. Torohevitra mampahery inona no namaranan’i Paoly ny taratasiny ho an’ny Hebreo?

22 Fampirisihana samihafa momba ny raharaha ny amin’ny fanompoam-pivavahana (13:1-25). Namarana ny taratasiny tamin’ny hevitra iray nisy ireto torohevitra mampahery ireto i Paoly: Aoka haharitra ny fitiavana ny rahalahy, aza manadino ny fampiantranoam-bahiny, aoka hanan-kaja amin’ny olona rehetra ny fanambadiana, aoka ho afaka hatrany (NW ) amin’ny fitiavam-bola, maneke ny mpitondra anareo, ary aza mety havilin’izay fampianarana hafahafa. Farany dia “aoka isika hanatitra ny fanati-piderana amin’ny alalany [Jesosy] ho an’Andriamanitra mandrakariva, dia ny vokatry ny molotra izay manaiky ny anarany”. — 13:15.

MAHASOA — NAHOANA?

23. Inona no hevitra naroson’i Paoly raha ny amin’ny Lalàna, ary ahoana no nanohanany izany heviny izany?

23 Amin’ny maha-hevitra araka ny lalàna aroso ho fiarovana an’i Kristy azy, ny taratasy ho an’ny Hebreo dia sangan’asa iray tsy misy afaka mihaika azy sy voavoatra amin’ny fomba lavorary ary miorina amin’ny porofo maro be avy amin’ny Soratra Hebreo. Mandray ireo lafin-javatra samihafa tao amin’ny Lalàn’i Mosesy izy io — ny fanekena, ny ra, ny mpanalalana, ny tabernakely nanaovana fanompoam-pivavahana, ny fisoronana, ireo fanatitra — ary mampiseho fa izy ireny dia tsy inona fa modely (NW ) nomen’Andriamanitra ary nanondro zavatra lehibe lavitra amin’ny hoavy, izay samy nahatratra ny fara tampony tamin’i Kristy Jesosy sy ny sorony, dia ny fahatanterahan’ny Lalàna. Ny Lalàna “izay [lany andro, NW ] sy mihantitra dia efa madiva ho levona”, hoy i Paoly. Kanefa “i Jesosy Kristy no tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay”. (8:13; 13:8; 10:1). Hafaliana toy inona moa no tsy maintsy ho tsapan’ireny Hebreo ireny tamin’ny famakiana ilay taratasy ho azy ireo!

24. Fandaharana inona no hazavaina ao amin’ny Hebreo ka mitondra soa tsy hay tombanana ho antsika amin’izao andro izao?

24 Amin’ny ahoana anefa no maha-sarobidy azy io ho antsika amin’izao andro izao, izay ao anatin’ny toe-javatra hafa? Koa satria tsy eo ambanin’ny Lalàna isika, moa ve isika afaka mahita zavatra mahasoa avy amin’ny hevitra aroson’i Paoly? Azo antoka indrindra fa eny. Soritana ho antsika eto ilay fandaharana lehibe ny amin’ny fanekena vaovao miorina amin’ilay fampanantenana nomena an’i Abrahama hoe amin’ny alalan’ny Taranany no hitahiana ny fianakaviana rehetra amin’ny tany. Izy io no fanantenantsika hahazoana fiainana, ny hany fanantenantsika, ny fahatanterahan’ilay fampanantena fitahiana nataon’i Jehovah fahiny amin’ny alalan’ny Taranak’i Abrahama, dia i Jesosy Kristy. Na dia tsy eo ambanin’ny Lalàna aza isika, dia teraka tao anatin’ny ota satria taranak’i Adama, ary mila mpisoronabe mamindra fo, mpisoronabe iray manao fanatitra noho ny ota manan-kery (NW ), mpisoronabe iray afaka miditra eo anatrehan’i Jehovah any an-danitra mihitsy sy manelanelana ho antsika rehefa any. Mahita azy isika eto, dia ilay Mpisoronabe izay afaka mitarika antsika ho any amin’ny fiainana ao amin’ny tontolo vaovaon’i Jehovah, sy mahay miara-mitondra ny fahalementsika, satria “efa [notsapaina, NW ] tamin’ny zavatra rehetra tahaka antsika”, ary manasa antsika mba “hanatona ny seza fiandrianan’ny fahasoavana amin’ny fahasahiana, mba hahazoantsika famindrampo sy hahitantsika fahasoavana ho famonjena amin’izay andro mahory”. — 4:15, 16.

25. Fampiharana ny Soratra Hebreo mitondra fahazavana inona avy no nataon’i Paoly?

25 Ankoatra izany, ao amin’ny taratasin’i Paoly ho an’ny Hebreo, isika dia mahita porofo mampihetsi-po fa tanteraka tatỳ aoriana tamin’ny fomba mahatalanjona ny faminaniana noraketina an-tsoratra efa ela be tao amin’ny Soratra Hebreo. Ho fianarana sy ho fampiononana antsika amin’izao andro izao izany rehetra izany. Ohatra, ao amin’ny Hebreo, i Paoly dia mampihatra indimy amin’i Jesosy Kristy, ireo teny momba ny faminaniana ny amin’ilay Fanjakana ao amin’ny Salamo 110:1, amin’ny maha-Taranaka handova ilay Fanjakana azy, izay “efa mipetraka eo amin’ny ankavanan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra” mba hiandry “mandra-panaony ny fahavalony ho fitoeran-tongony”. (Heb. 12:2; 10:12, 13; 1:3, 13; 8:1). Ankoatra izany, dia nanonona ny Salamo 110:4 i Paoly mba hanazavana ny anjara toerana lehibe tanan’ny Zanak’Andriamanitra amin’ny maha-“Mpisorona mandrakizay araka ny fanaon’i Melkizedeka” azy. Toa an’i Melkizedeka fahiny, izay, araka ny firaketana an-tsoratra ao amin’ny Baiboly, dia “tsy manan-dray, tsy manan-dreny, tsy manana tantaram-pirazanana, tsy manana voalohan’andro na faran’ny fiainana”, i Jesosy dia sady Mpanjaka no “mpisorona mandrakariva” mba hitantana ireo soa mandrakizay avy amin’ny sorom-panavotany ho an’izay rehetra mametraka ny tenany amim-pankatoavana eo ambanin’ny fanapahany. (Heb. 5:6, 10; 6:20; 7:1-21). Io Mpanjaka sady Mpisorona io ihany no noresahin’i Paoly, rehefa nanonona ny Salamo 45:6, 7 toy izao izy: “Ny seza fiandriananao, Andriamanitra ô, dia mandrakizay doria; ary ny tehim-pahitsiana no tehim-panjakanao; tianao ny fahamarinana, fa halanao ny heloka; koa Andriamanitra, dia Andriamanitrao, efa nanoso-diloilo fifaliana Anao mihoatra noho ny namanao.” (Heb. 1:8, 9). Rehefa maka teny avy amin’ny Soratra Hebreo i Paoly ary mampiseho ny fahatanterahan’izy ireo eo amin’i Kristy Jesosy, dia hitantsika fa mipetraka tsara eo amin’ny toerany avy ireo lafin-javatra mahaforona ilay modely araka an’Andriamanitra, ho fahazavana ho antsika.

26. Fampaherezana inona no omen’ny Hebreo mba hihazakazahana amim-pinoana sy fiaretana?

26 Araka ny asehon’ny taratasy ho an’ny Hebreo mazava tsara, i Abrahama dia niandry tamim-panantenana ilay Fanjakana, ilay “tanàna misy fanorenana (...), Andriamanitra no Tompo-marika sy Mpanao izany” — dia tanàna “any an-danitra”. “Finoana” no niezahany hahatratra ilay Fanjakana, ary nanao sorona lehibe maro izy mba hahafahany hahazo ireo fitahiana avy amin’izy io amin’ny alalan’ny “fitsanganana tsara lavitra”. Ohatra manaitra toy inona moa no hitantsika amin’i Abrahama sy ireny lehilahy sy vehivavy nanam-pinoana hafa ireny — ireo “vavolombelona maro be (...) toy ny rahona” lazalazain’i Paoly ao amin’ny toko faha-11 amin’ny Hebreo! Rehefa mamaky io firaketana an-tsoratra io isika, dia miravoravo sy mientan-kafaliana ny fontsika, mankasitraka ny tombontsoa sy ny fanantenana ananantsika miaraka amin’ireny mpihazona tsy fivadihana nahatoky ireny. Mahazo fampirisihana araka izany isika mba “hihazakazaka [amim-piaretana, NW ] amin’izao fihazakazahana filokana napetraka eo anoloantsika izao”. — 11:8, 10, 16, 35; 12:1.

27. Fahatsinjovan-javatra ny amin’ilay Fanjakana be voninahitra inona avy no asongadina ao amin’ny Hebreo?

27 Naka teny avy tao amin’ny faminanian’i Hagay i Paoly, ka nisarika ny saina ho amin’ny fampanantenan’Andriamanitra toy izao: “Indray maka koa tsy ny tany ihany no hampihorohoroiko, fa ny lanitra koa.” (Heb. 12:26; Hagay 2:6). Kanefa, ny Fanjakan’Andriamanitra tarihin’i Kristy Jesosy, ilay Taranaka, dia hitoetra mandrakizay. “Koa satria mandray fanjakana tsy azo ampihorohoroina isika, dia aoka isika hanana fahasoavana ho entintsika manao izay fanompoana sitrak’Andriamanitra amin’ny fanajana sy ny fahatahorana”. Itỳ firaketana an-tsoratra mampientana itỳ dia manome toky antsika fa miseho fanindroany i Kristy “tsy amin’ota, amin’izay miandry Azy, ho famonjena”. Amin’ny alalany àry, dia “aoka isika hanatitra ny fanati-piderana (...) ho an’Andriamanitra mandrakariva, dia ny vokatry ny molotra izay manaiky ny anarany”. Enga anie ny anarana lehiben’i Jehovah Andriamanitra hohamasinina mandrakizay amin’ny alalan’i Jesosy Kristy, ilay Mpanjaka sady Mpisorona voatendriny! — Heb. 12:28; 9:28; 13:15.

[Fanamarihana ambany pejy]

a The Story of the Bible, 1964, pejy 91.

b Fanontana vaovao tamin’ny 1981, Boky IV, pejy 147.

[Fanontaniana]