Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-59 — Jakoba

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-59 — Jakoba

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-59 — Jakoba

Mpanoratra: Jakoba

Toerana Nanoratana: Jerosalema

Vita: Talohan’ny 62 am.f.i.

1. Inona no nampipoitra fanontaniana ny amin’ny naha-mpanoratra ilay boky mitondra ny anarana hoe Jakoba, an’i Jakoba?

 “EFA very saina Izy.” Izany no noeritreretin’ny havan’i Jesosy momba azy. Nandritra ny fotoan’ny fanompoany teto an-tany, ‘ny rahalahiny dia tsy nino azy’, ary i Jakoba, niaraka tamin’i Josefa sy i Simona ary i Jodasy, dia tsy nisaina ho anisan’ireo mpianatr’i Jesosy tany am-boalohany. (Marka 3:21; Jaona 7:5; Matio 13:55). Noho ny antony inona avy àry no ahafahana milaza fa i Jakoba, ilay rahalahin’i Jesosy iray reny taminy, no nanoratra ilay boky ao amin’ny Baiboly mitondra ny anarana hoe Jakoba?

2. Hevitra inona no manaporofo fa ilay rahalahin’i Jesosy iray reny taminy no nanoratra ny Jakoba?

2 Asehon’ilay firaketana an-tsoratra fa niseho tamin’i Jakoba i Jesosy tafatsangana tamin’ny maty, ka tsy isalasalana fa izany dia nampiaiky azy tamin’ny fomba tsy azo lavina fa i Jesosy no Mesia. (1 Kor. 15:7). Ny Asan’ny Apostoly 1:12-14 dia milaza fa, na dia talohan’ny Pentekosta aza, dia niara-nivory tamin’ireo apostoly mba hivavaka tao amin’ny efitrano ambony rihana (NW ) iray tany Jerosalema, i Maria sy ireo rahalahin’i Jesosy. Tsy ny iray tamin’ireo apostoly nantsoina hoe Jakoba ve anefa no nanoratra ilay taratasy (NW )? Tsia, satria eo am-piandohana, ilay mpanoratra dia mampahafantatra ny tenany, tsy ho apostoly, fa ho ‘mpanompon’i Jesosy Kristy Tompo’. Ambonin’izany, ireo teny fampidirana ny Joda, mitovy amin’ny an’ny Jakoba, dia manonona an’i Joda (na Jodasy) koa ho “mpanompon’i Jesosy Kristy sady rahalahin’i Jakoba”. (Jak. 1:1; Joda 1). Avy amin’izany, dia afaka manatsoaka hevitra amin’ny fomba azo itokiana isika fa i Jakoba sy i Joda, rahalahy ara-nofon’i Jesosy izay iray reny taminy, no nanoratra ireo boky ao amin’ny Baiboly mitondra ny anarany avy.

3. Inona avy ireo toetra ilaina mba hanoratana nananan’i Jakoba?

3 Nanana ireo toetra nilaina tamin’ny fomba niavaka i Jakoba mba hanoratana taratasy iray nisy torohevitra ho an’ny kongregasiona (NW ) kristiana. Nohajaina aoka izany izy, tamin’ny naha-mpiandraikitra tao amin’ny kongregasionan’i Jerosalema azy. Niresaka momba an’i “Jakoba, rahalahin’ny Tompo” ho iray tamin’ireo “andry” tao amin’ny kongregasiona niaraka tamin’i Kefasy sy i Jaona, i Paoly. (Gal. 1:19; 2:9). Ny toerana niavaka notanan’i Jakoba dia asehon’ny nandefasan’i Petera teny avy hatrany ho an’i “Jakoba sy ny rahalahy”, taorian’ny nanafahana azy avy tao an-tranomaizina. Ary tsy i Jakoba ve no nisolo tena “ny Apostoly sy ny loholona”, rehefa nankany Jerosalema i Paoly sy i Baranabasy mba hangataka fanapahan-kevitra momba ny famorana? Marihina kely eto fa io fanapahan-kevitra io sy ny taratasin’i Jakoba dia samy manomboka amin’ny fiarahabana mitovy ihany hoe “Arahabaina ianareo!” — zavatra hafa iray mampiseho fa nitovy ny mpanoratra azy ireo. — Asa. 12:17; 15:13, 22, 23, NW; Jak. 1:1, NW.

4. Inona no mampiseho fa nosoratana fotoana fohy talohan’ny 62 am.f.i. ny taratasin’i Jakoba?

4 Milaza amintsika ilay mpanoratra tantara natao hoe Josèphe fa i Ananus (Ananiasy) Mpisoronabe, Sadoseo iray, no tompon’andraikitra tamin’ny fitoraham-bato an’i Jakoba nahafaty azy. Izany dia taorian’ny nahafatesan’ilay governora romana natao hoe Festosy, tamin’ny 62 am.f.i. tany ho any, ary talohan’ny nandraisan’i Albinus, mpandimby azy, ny asany. a Oviana anefa no nanoratan’i Jakoba ny taratasiny? Navantan’i Jakoba avy tany Jerosalema ho an’ireo “foko roa ambin’ny folo izay miparitaka”, na ara-bakiteny hoe “(ireo izay) any am-pielezana” ny taratasiny. (Jak. 1:1, NW, f.a.p.). Ho nila fotoana ny fielezan’ny Kristianisma taorian’ny nilatsahan’ny fanahy masina tamin’ny taona 33 am.f.i., ary ho nila fotoana koa ny fitomboan’ireo toe-javatra nampivadi-po voalaza ao amin’ilay taratasy. Ankoatra izany, ilay taratasy dia mampiseho fa tsy antokon’olom-bitsy intsony ireo Kristiana fa voalamina ho kongregasiona nisy ‘loholona’ matotra izay afaka nivavaka ho an’ireo osa sy nanohana azy ireo. Fanampin’izany, dia nisy fotoana ampy nitsofohan’ny fahatsapana fahafaham-po amin’ny tena sy fombafombam-pivavahana ivelany fotsiny. (2:1-4; 4:1-3; 5:14; 1:26, 27). Noho izany, dia azo inoana indrindra fa i Jakoba dia nanoratra ny taratasiny tamin’ny daty iray tatỳ aoriana, angamba fotoana fohy talohan’ny 62 am.f.i., raha marina tsara ny fitantaran’i Josèphe momba ireo fisehoan-javatra nanodidina ny fahafatesan’i Festosy sy ireo loharanon-kevitra izay mametraka ny fahafatesan’i Festosy ho tamin’ny 62 am.f.i. tany ho any.

5. Inona no manaporofo ny maha-azo itokiana ny Jakoba?

5 Raha ny amin’ny maha-azo itokiana ny Jakoba, izy io dia voarakitra ao amin’ireo sora-tanana Vaticanus No. 1209 sy Sinaïticus ary Alexandrinus. Nampidirina ao amin’ny katalaogy tranainy folo fara fahakeliny talohan’ny Konsilin’i Carthage tamin’ny 397 am.f.i. izy io. b Notononin’ireo mpanoratra ao amin’ny fiangonana tany am-boalohany imbetsaka izy io. Misy firindrana anaty lalina amin’ny tapany sisa amin’ireo Soratra ara-tsindrimandry miharihary aoka izany ao amin’ny asa soratr’i Jakoba.

6. a) Toe-javatra inona avy no nitaky ny hanoratan’i Jakoba ny taratasiny? b) Tsy manohitra ireo hevitra naroson’i Paoly momba ny finoana i Jakoba, fa ahoana kosa no nanampiany azy ireo?

6 Nahoana i Jakoba no nanoratra itỳ taratasy itỳ? Ny fandinihana amim-pitandremana ilay taratasy dia mampiharihary fa nisy toe-javatra anaty niteraka fahasahiranana teo amin’ireo rahalahy. Nampidinina, eny, tsy noraharahaina mihitsy aza, ireo fari-pitsipika kristiana, hany ka nanjary mpijangajanga ara-panahy ny sasany raha ny amin’ny fisakaizana tamin’izao tontolo izao. Dodona ny hamorona izay noheveriny fa fifanoheran-javatra ny sasany, ka nilaza fa ny fampirisihan’ny taratasin’i Jakoba ny hanehoana ny finoana amin’ny asa, dia manafoana ny asa soratra nataon’i Paoly momba ny famonjena amin’ny alalan’ny finoana, fa tsy amin’ny alalan’ny asa. Kanefa, ireo teny manodidina dia mampiharihary fa miresaka momba ny finoana tohanan’ny asa, fa tsy ny teny fotsiny, i Jakoba, ary koa fa ny tian’i Paoly holazaina mazava tsara kosa dia ny asan’ny Lalàna. Raha ny tena izy, dia manampy ireo hevitra naroson’i Paoly i Jakoba, ka manazava izany bebe kokoa amin’ny filazalazana momba ny fomba hanehoana ny finoana. Azo ampiharina indrindra ny torohevitr’i Jakoba satria mahafaoka ireo zava-manahirana hitan’ny Kristiana isan’andro.

7. Ahoana no nanahafan’i Jakoba ireo fomba fampianatr’i Jesosy, ary nitondra vokatra inona izany?

7 Misy fanoharana avy amin’ny fiainana andavanandro, anisan’izany ny biby, ny sambo, ny mpiasa tany ary ny zavamaniry, izay manome fanohanana feno loko an’ireo hevitra aroson’i Jakoba momba ny finoana sy ny faharetana ary ny fiaretana (NW ). Io fanahafana ny fomba fampianatra mahombin’i Jesosy io dia mahatonga ny toroheviny ho faran’izay mahery. Ataon’itỳ taratasy itỳ latsa-paka ao amin’ny tena ny fahaizan’i Jakoba manavaka amin’ny fomba matsilo ireo antony manosika ny isam-batan’olona.

LOHA HEVITRA RAKETIN’NY JAKOBA

8. Inona no ho vokatry ny fiaretana amim-paharetana, nefa inona kosa ny an’ny filan-dratsy?

8 Fiaretana amim-paharetana amin’ny maha-“mpankatò ny teny” (1:1-27, ampitahao amin’ny NW.) Nanomboka tamin’izao teny fampaherezana izao i Jakoba: “Ry rahalahiko, ataovy ho fifaliana avokoa, raha iharan’ny fizahan-toetra samy hafa hianareo”. Amin’ny alalan’ny fiaretana amim-paharetana dia ho tanteraka izy ireo. Raha tsy manam-pahendrena ny olona iray, dia tokony tsy hitsahatra ny hangataka amin’Andriamanitra izy, tsy amim-pisalasalana toy ny onjan-dranomasina asamboaravoaran’ny rivotra akory, fa amin’ny finoana. Hasandratra izay ambany, fa ny manankarena kosa halazo toy ny voninkazo izay levona. Sambatra izay olona afaka miaritra fisedrana, satria “handray ny satroboninahitra fiainana, izay nolazain’[i Jehovah, NW ] homena izay tia Azy” izy. Tsy maka fanahy olona amin’ny zavatra ratsy mba hahalavo azy, Andriamanitra. Ny filan-dratsin’ny tena ihany, no torontoronina ka miteraka ota, ary io kosa no miteraka fahafatesana. — 1:2, f.a.p., 12, 22.

9. Inona no tafiditra amin’ny hoe “mpankatò ny teny”, ary fivavahana inona no ankasitrahan’Andriamanitra?

9 Avy aiza ireo fanomezan-tsoa rehetra? Avy amin’ilay “Rain’ny fanazavana” tsy miovaova na oviana na oviana. “Tamin’ny sitrapony”, hoy i Jakoba, “no niterahany antsika tamin’ny teny fahamarinana, mba ho santatry ny zavatra noforoniny isika.” Ny Kristiana àry dia tokony halady hihaino, ho malai-miteny, ho malain-ko tezitra, ary tokony hanary ny fahalotoana sy ny faharatsiana ara-pitondran-tena rehetra ary hanaiky ny fambolena ny tenin’ny famonjena. “Aoka ho mpankatò ny teny hianareo, fa aza mpihaino fotsiny ihany”. Ny anton’izany dia satria izay mandinika ao amin’ny lalàn’ny fahafahana tahaka ny fitaratra, ka maharitra amin’izany, dia “ho sambatra [noho ny fanaovany izany, NW ]”. Zava-poana ny fivavahan’ny olona iray izay tsy mamehy ny lelany, satria “izao no fivavahana madio sady tsy misy loto eo anatrehan’Andriamanitra Ray: ny [mikarakara, NW ] ny kamboty sy ny mpitondratena amin’ny fahoriany, sy ny miaro ny tena tsy hisy pentimpentina avy amin’izao tontolo izao”. — 1:17, 18, 22, 25, 27.

10. a) Fiangarana inona avy no tokony handosirana? b) Inona no fifandraisana misy eo amin’ny asa sy ny finoana?

10 Tonga lavorary (NW ) amin’ny alalan’ny asa tsara ny finoana (2:1-26). Nampiseho fiangarana ireo rahalahy, ka naleony ny nanankarena toy izay ny nahantra. Tsy marina ve anefa fa Andriamanitra dia ‘nifidy ny [mahantra, NW ] amin’izao fiainana izao ho mpanan-karena amin’ny finoana sy ho mpandova ny fanjakana’? Tsy mpampahory ve ny manankarena? Tokony hampihatra (NW ) ilay didy ambony indrindra manao hoe “Tiava ny namanao tahaka ny tenanao” ireo rahalahy, ary tokony handositra ny fizahan-tavan’olona. Aoka izy ireo hampihatra koa ny famindram-po, satria, raha ny amin’ny Lalàna, na iza na iza meloka amin’ny zavatra iray loha, dia meloka amin’izy rehetra. Tsy misy dikany ny finoana tsy misy asa, toy izany koa ny filazana amin’ny rahalahy na ny anabavy iray mahantra hoe “mamindroa, mivokisa” kanefa tsy misy fanomezana azy fanampiana azo tsapain-tanana. Azo atao ve ny maneho finoana tsy misy asa? Moa ve ny finoan’i Abrahama tsy tonga lavorary tamin’ny alalan’ny asa, tamin’ny nanolorany an’i Isaka teo ambonin’ny alitara? Mitovy amin’izany koa, i Rahaba janga dia “nohamarinina tamin’ny asa”. Koa maty àry ny finoana, raha tsy misy asa. — 2:5, 8, 16, 19, 25.

11. a) Amin’ny fampiasana fanoharana inona avy no ampitandreman’i Jakoba mikasika ny lela? b) Ahoana no tokony hampisehoana ny fahendrena sy ny fahazoana hevi-javatra?

11 Fifehezana ny lela mba hampianarana fahendrena (3:1-18). Tokony ho malina ireo rahalahy raha ny amin’ny hoe ho mpampianatra, fandrao hiharan’ny fitsarana mafimafy kokoa. Tafintohina amin’ny zavatra maro ny rehetra. Toy ny ifehezan’ny lamboridy ny tenan’ny soavaly sy ny familiana kely ny sambo lehibe iray, dia toy izany koa fa manan-kery lehibe io rantsana kely io. Toy ny afo izay afaka mandrehitra ala (f.a.p.) lehibe iray, izy io! Azo folahina mora kokoa noho ny lela ny biby dia. Ny lela no isaoran’ny olona an’i Jehovah, kanefa anozonany koa ny olona tahaka azy. Tsy mety izany. Mamoaka rano mangidy sy mamy ve ny loharano iray? Mety mamoa voan’oliva ve ny aviavy? na mamoa voan’aviavy ny voaloboka? na ivoahan’ny rano mamy ny rano masirasira? Manontany toy izao i Jakoba: “Iza eo aminareo no hendry sy [mahazo hevi-javatra, NW ]?” Aoka izy hampiseho ny asany amim-pahamoram-panahy ary hanalavitra ny fifampiandaniana, ny fireharehana araka ny biby (NW ) manohitra ny fahamarinana. Ny anton’izany dia satria “ny fahendrena izay avy any ambony dia madio aloha, ary tia fihavanana, mandefitra, mora alahatra, be famindrampo sy be voka-tsoa, tsy miangatra na mihatsaravelatsihy”. — 3:13, 17, f.a.p.

12. a) Toe-javatra ratsy inona avy no nisy tao amin’ny kongregasiona, ary inona no loharanon’izy ireo? b) Fihetsika inona no tokony hohalavirina ary toetra tsara inona no tokony hambolena mba hahazoana ny fankasitrahan’i Jehovah?

12 Mandosira ny fahafinaretana araka ny nofo, ny fisakaizana amin’izao tontolo izao (4:1-17). “Avy aiza ny fifandirana eo aminareo?” Namaly ny fanontanian’ny tenany toy izao ihany i Jakoba: “Ny filanareo [fahafinaretan’ny nofo, NW ]”! Ratsy ny antony nanosika nananan’ny sasany. “Mpisintaka mijangajanga” ireo izay ho sakaizan’izao tontolo izao, ary tonga fahavalon’Andriamanitra. Noho izany, dia mampirisika toy izao izy: “Manohera ny devoly, dia handositra anareo izy. Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo Izy.” Hanandratra ny manetry tena i Jehovah. Koa tokony hitsahatra (NW ) tsy hifampitsara intsony àry ireo rahalahy. Ary satria tsy misy afaka mahazo antoka anio ny amin’izay ho fiainany rahampitso, dia tokony hilaza izy ireo hoe: “Raha sitrapon’[i Jehovah, NW ], ka velona izahay, dia hataonay izao na izany.” Ratsy ny fireharehana, ary heloka ny hoe mahalala hanao soa, nefa tsy manao. — 4:1, 4, 7, 8, 15.

13. a) Nahoana no misy loza miandry ny manankarena? b) Ahoana no ampisehoan’i Jakoba an’ohatra ny ilana faharetana sy fiaretana, ary mitondra vokatra inona avy izany?

13 Sambatra izay miaritra ao amin’ny fahamarinana! (5:1-20). ‘Mitomania sy midradradradrà, ianareo manankarena!’, hoy ny nambaran’i Jakoba. ‘Ny harafesin’ny harenareo dia ho vavolombelona hiampanga anareo. Efa ren’[i Jehovah, NW ], Tompon’ny maro, ny fitarainan’ny mpijinja izay tsy nomenareo izay tokony ho azy. Efa velona tao amin’ny fy sy ny [fahafinaretan’ny nofo, NW ] ianareo, ary nanameloka sy namono ny marina.’ Kanefa, noho ny fahakekezan’ny fanatrehan’ny (NW ) Tompo, dia tokony haharitra tsara ireo rahalahy, toy ny mpiasa tany miandry ny fijinjany, ary handinika ny fianarana nomen’ireo mpaminany, “izay niteny tamin’ny anaran’[i Jehovah, NW ]”. Sambatra izay niaritra! Tokony hotsaroan’ireo rahalahy ny fiaretan’i Joba sy ny faran’ny nataon’i Jehovah taminy, “fa miantra indrindra [i Jehovah, NW ] sady be famindrampo”. — 5:1-6, 10, 11.

14. Torohevitra famaranana inona no omena mikasika ny fiekena heloka sy mikasika ny vavaka?

14 Aoka izy ireo tsy hianiana intsony. Aoka kosa ny ‘Eny lazain’izy ireo hidika hoe eny’ ary ny ‘Tsia lazain’izy ireo hidika hoe Tsia’. Tokony hifampiaiky heloka izy ireo ary hivavaka ho an’izy samy izy. Araka ny asehon’ireo vavak’i Elia, “ny fivavaky ny marina dia mahery indrindra”. Raha misy miala amin’ny fahamarinana, ilay mampiverina azy dia “hamonjy fanahy tsy ho faty sady hanarona heloka be”. — 5:12, NW, 16, 20.

MAHASOA — NAHOANA?

15. Ahoana no ampiharan’i Jakoba ny Soratra Hebreo? Asehoy amin’ny ohatra.

15 Na dia tsy nanonona ny anaran’i Jesosy afa-tsy indroa aza i Jakoba, (1:1; 2:1), dia manao fampiharana eo amin’ny lafiny azo tsapain-tanana ireo fampianaran’ilay Mpampianatra, araka ny ahariharin’ny fampitahana amim-pitandremana ny taratasin’i Jakoba sy ny Toriteny teo An-tendrombohitra. Etsy an-danin’izany, ny anaran’i Jehovah dia miseho in-13 (Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao), ary ireo fampanantenany dia asongadina ho valisoa ho an’ny Kristiana mihazona ny finoana. (4:10; 5:11). Miorina imbetsaka amin’ny Soratra Hebreo i Jakoba mba hakana fanoharana sy fakan-teny mety tsara mba hamelabelarana ny toroheviny azo ampiharina. Mampahafantatra toy izao ny loharanon’ireo teny ampiasainy izy: “araka ny Soratra Masina hoe”, “tanteraka ny Soratra Masina manao hoe” ary ‘miteny ny Soratra Masina’; ary dia manohy ny teniny izy amin’ny fampiharana ireo andininy ireo amin’ny fomba fiaina kristiana. (2:8, 23; 4:5). Mba hanomezana torohevitra voafaritra tsara sy hanorenana finoana ny Tenin’Andriamanitra amin’ny maha-fitambarana mirindra tsara azy io, i Jakoba dia manisy firesahana amin’ny fomba mety tsara ny amin’ny asam-pinoan’i Abrahama, ny fanehoan’i Rahaba finoana tamin’ny asa, ny fiaretan’i Joba tamim-pahatokiana ary ny fianteheran’i Elia tamin’ny vavaka. — Jak. 2:21-25; 5:11, NW, 17, 18; Gen. 22:9-12; Josoa 2:1-21; Joba 1:20-22; 42:10; 1 Mpanj. 17:1; 18:41-45.

16. Torohevitra sy fampitandremana inona avy no omen’i Jakoba, ary inona no loharanon’ny fahendrena azo ampiharina toy izany?

16 Tsy hay tombanana ny hasarobidin’ny torohevitr’i Jakoba mba ho mpankato ny teny fa tsy ho mpihaino fotsiny, mba tsy hitsahatra hanaporofo ny finoana amin’ny asam-pahamarinana, mba hahita fifaliana amin’ny fiaretana fisedrana samihafa, mba tsy hitsahatra hangataka fahendrena amin’Andriamanitra, mba hanatona azy amin’ny vavaka mandrakariva ary hampihatra ilay didy ambony indrindra hoe “Tiava ny namanao tahaka ny tenanao”. (Jak. 1:22; 2:24; 1:2, NW, 5; 4:8; 5:13-18; 2:8). Mahery ireo fampitandremany momba ny fampianarana hevi-diso, ny fampiasana ny lela hanaovan-dratsy, ny fiangarana ao amin’ny kongregasiona, ny filana fahafinaretan’ny nofo ary ny fitokiana amin’ny harena mora simba. (3:1, 8; 2:4; 4:3, NW; 5:1, 5). Ataon’i Jakoba mazava tsara fa ny fisakaizana amin’izao tontolo izao dia mitovy amin’ny fijangajangana ara-panahy sy ny fandrafiana an’Andriamanitra, ary omeny toy izao ny hevitry ny fivavahana azo ampiharina izay madio eo imason’Andriamanitra: “ny [mikarakara, NW ] ny kamboty sy ny mpitondratena amin’ny fahoriany, sy ny miaro ny tena tsy hisy pentimpentina avy amin’izao tontolo izao”. (4:4; 1:27). Ireo torohevitra rehetra ireo, azo ampiharina sy mora azo aoka izany, no antenaina indrindra avy amin’io ‘andrin’ny’ kongregasiona kristiana tany am-boalohany io. (Gal. 2:9). Ny hafatra mampiseho hatsaram-panahy avy amin’izy ireo dia mbola mpitari-dalana ihany ho an’ny Kristiana amin’izao fotoana mikorontana misy antsika izao, satria izy ireo dia “fahendrena izay avy any ambony”, izay mamoa “ny vokatry ny fahamarinana”. — 3:17, 18.

17. Antony mahery inona no aseho mba hiaretana amin’ny asa atao amim-pahatokiana?

17 May i Jakoba ny hanampy ireo rahalahiny hahatratra ny tanjona, dia ny fiainana ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Koa mampirisika azy ireo mafy toy izao àry izy: “Mahareta koa hianareo, mampahereza ny fonareo, fa efa mby akaiky ny [fanatrehan’ny, NW ] Tompo.” Sambatra izy ireo raha manohy miaritra fisedrana, satria ny fankasitrahan’Andriamanitra dia midika ho fandraisana “ny satroboninahitra fiainana, izay nolazain’[i Jehovah] homena izay tia Azy”. (5:8; 1:12). Araka izany, ny fampanantenan’Andriamanitra hanome ny satroboninahitra fiainana — na ny fiainana tsy misy fahafatesana any an-danitra izany na ny fiainana mandrakizay eto an-tany — dia asongadina ho antony mahery iray hiaretana amin’ny asa atao amim-pahatokiana. Itỳ taratasy mahatalanjona itỳ dia tena hampirisika ny rehetra hiezaka hahatratra ny tanjona, dia ny fiainana mandrakizay, na any an-danitra izany na ao amin’ny tontolo vaovaon’i Jehovah hotapahin’ilay Taranaka handova ilay Fanjakana, dia i Jesosy Kristy Tompo. — 2:5.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Jewish Antiquities, XX, 197-200 (ix, 1); Webster’s New Biographical Dictionary, 1983, pejy 350.

b Jereo tabilao, pejy 303.

[Fanontaniana]