Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-6 — Josoa

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-6 — Josoa

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-6 — Josoa

Mpanoratra: Josoa

Toerana Nanoratana: Kanana

Vita Tamin’ny: 1450 al.f.i. tany ho any

Fe-potoana Voafaoka: 1473 al.f.i. – 1450 al.f.i. tany ho any

1. Tojo tarehin-javatra inona ny Isiraely tamin’ny 1473 al.f.i.?

 NY TAONA 1473 al.f.i. tamin’izay. Nanaitra sady nampientana indrindra ilay zava-niseho. Ireo Isiraelita, izay nitoby teo amin’ireo Lemak’i Moaba, dia vita fiomanana tsara mba hiditra tao Kanana, ny Tany Nampanantenaina. Io faritany teny ampitan’i Jordana io dia nonenan’ny fanjakana kely maro, izay samy nanana ny tafiny manokana avy. Nisaratsaraka izy ireo ary nihanalemy noho ny fifehezana feno haratsiana nampiharin’i Egypta taminy nandritra ny taona maro. Kanefa, ho an’ny firenen’Isiraely, dia nahatahotra aoka izany ilay fanoherana. Ireo tanàna nimanda sy nahery maro, toa an’i Jeriko, i Ay, i Hazora ary i Lakisy, dia tsy maintsy noresena raha tian’izy ireo ny hampanompo ilay tany. Fotoan-tsarotra no niandry azy ireo. Ady ho fanapahan-javatra no tsy maintsy nataony sy nandreseny, ka i Jehovah mihitsy no nandray anjara tamin’ny alalan’ny fahagagana mahery ho famonjena ny vahoakany, mba hanatanterahana ny fampanantenany hampitoetra azy ireo tao amin’ilay tany. Tsy isalasalana fa ireo fisehoan-javatra manohina ny fo ireo, izay niavaka aoka izany teo amin’ny fifampiraharahan’i Jehovah tamin’ny vahoakany, dia tsy maintsy noraketina an-tsoratra, ary vavolombelona nahita maso no tsy maintsy nanao izany. Olona iza no ho tsara toerana kokoa mba hanao izany noho i Josoa mihitsy, ilay notendren’i Jehovah ho mpandimby an’i Mosesy! — Nom. 27:15-23.

2. Nahoana no mifanentana tsara ny fifidianana an’i Josoa mba ho mpitarika sy ho mpirakitra an-tsoratra?

2 Ny nifidianana an’i Josoa, mba ho mpitarika sy ho mpirakitra an-tsoratra ireo fisehoan-javatra nadiva hitranga, dia tena nifanentana indrindra. Niaraka akaiky aoka izany tamin’i Mosesy izy nandritra ireo 40 taona teo aloha, tany an’efitra. “Nanompo an’i Mosesy hatry ny fony tanora” izy, ka izany dia nampiseho fa nahafeno fepetra izy mba ho mpitarika ara-panahy sy ara-tafika. (Nom. 11:28; Eks. 24:13; 33:11; Josoa 1:1). Tamin’ny 1513 al.f.i., ny taona nandaozan’ny Isiraely an’i Egypta, dia kapiteny tao amin’ny tafiky ny Isiraely izy mba handresy ny Amalekita. (Eks. 17:9-14). Tamin’ny naha-sakaiza tsy nivadik’i Mosesy sady mpitari-tafika tsy nanan-tahotra azy, dia nandeha ho azy avy hatrany ny fifidianana azy mba hisolo tena ny fokon’i Efraima rehefa natao ny fifidianana lehilahy iray avy tamin’ny foko tsirairay mba hamita ilay iraka nampidi-doza ho fisafoana ny tanin’i Kanana. Ny herim-pony sy ny fahatokiany tamin’io toe-javatra io dia nanome antoka ny fahafahany hiditra tao amin’ny Tany Nampanantenaina. (Nom. 13:8; 14:6-9, 30, 38). Eny, izany lehilahy izany, dia i Josoa, zanak’i Nona, dia ‘lehilahy nanam-panahy [esprit]’, lehilahy izay “tanteraka tamin’ny fanarahana an’i Jehovah”, lehilahy “feno ny fanahim-pahendrena”. Tsy mahagaga raha “nanompo an’i Jehovah ny Isiraely tamin’ny andro rehetra niainan’i Josoa”. — Nom. 27:18; 32:12; Deot. 34:9; Josoa 24:31.

3. Inona no manaporofo fa i Josoa dia mpanompon’i Jehovah tena nisy, sady mpanoratra ilay boky mitondra ny anarany?

3 Raha heverina ny fanandraman-javatra hitany sy ny fiofanana azony ary ny fizahan-toetra azy tamin’ny naha-mpivavaka tamin’i Jehovah marina azy, dia tena tsara toerana tokoa i Josoa mba hampiasaina ho iray amin’ireo mpanoratra ny ‘Soratra ara-tsindrimandrin’Andriamanitra’. I Josoa dia tsy olona avy amin’ny angano fotsiny akory fa mpanompon’i Jehovah tena nisy. Voatonona anarana ao amin’ireo Soratra Grika Kristiana izy. (Asa. 7:45; Heb. 4:8). Araka ny fandrindran-kevitra fa, tsy misy hafa amin’ny nampiasana an’i Mosesy mba hanoratra momba ireo fisehoan-javatra tamin’ny androm-piainany, dia toy izany koa fa ny mpandimby azy, i Josoa, dia hampiasaina mba handray an-tsoratra ireo fisehoan-javatra natrehin’ny tenany maso. Ny hoe nanoratan’ny olona iray nanatri-maso ireo fisehoan-javatra ilay boky dia asehon’ny Josoa 6:25. Ny lovantsofina jiosy dia milaza fa i Josoa no nanoratra ilay boky, ary ilay boky mihitsy dia manambara hoe: “Dia nosoratan’i Josoa tao amin’ny bokin’ny lalàn’Andriamanitra ireo teny ireo”. — Josoa 24:26.

4. Ahoana no nanaporofoan’ny fahatanterahan’ny faminaniana sy ny fanamarinan’ny mpanoratra ao amin’ny Baiboly tatỳ aoriana ny maha-azo itokiana ny bokin’ny Josoa?

4 Tamin’ny fotoana nandringanana an’i Jeriko, i Josoa dia nilaza fanozonana ara-paminaniana raha ny amin’ny fanorenana indray an’io tanàna io, faminaniana izay nanana fahatanterahana niavaka tamin’ny andron’i Ahaba, mpanjakan’ny Isiraely, 500 taona teo ho eo tatỳ aoriana. (Josoa 6:26; 1 Mpanj. 16:33, 34). Ny maha-azo itokiana ny bokin’ny Josoa dia mahazo fanamarinana fanampiny avy amin’ireo firesahana maro nataon’ny mpanoratra ao amin’ny Baiboly tatỳ aoriana momba ireo fisehoan-javatra voarakitra an-tsoratra ao aminy. Imbetsaka ireo mpanao salamo no nanisy firesahana momba azy ireo (Sal. 44:1-3; 78:54, 55; 105:42-45; 135:10-12; 136:17-22), toy izany koa i Nehemia, (Neh. 9:22-25), i Isaia, (Isaia 28:21), ny apostoly Paoly, (Asa. 13:19; Heb. 11:30, 31), ary i Jakoba mpianatra, (Jak. 2:25).

5. a) Fe-potoana toy inona no voafaoka ao amin’ny bokin’ny Josoa? b) Nahoana no mifanentana tsara ny anarana hoe Josoa?

5 Ny bokin’ny Josoa dia mahafaoka fe-potoana maherin’ny 20 taona, nanomboka tamin’ny nidirana tao Kanana tamin’ny 1473 al.f.i. ka hatramin’ny 1450 al.f.i. tany ho any, taona nety ho nahafatesan’i Josoa. Ilay anarana hoe Josoa mihitsy (Hebreo: Yehoh·shuʹaʽ ), izay midika hoe “I Jehovah dia Famonjena”, dia nety indrindra raha heverina ny anjara asan’i Josoa tamin’ny naha-mpitarika teo amin’ny Isiraely azy nandritra ny fanafihana ilay tany. Nanome ny voninahitra rehetra ho an’i Jehovah, tamin’ny naha-Mpanafaka azy, izy. Ao amin’ny Septante, ilay boky dia antsoina hoe I·e·sousʹ (ny teny grika mifanitsy amin’ny hoe Yehoh·shuʹaʽ ), ary avy tamin’io anarana io no niavian’ny anarana hoe Jesosy. Noho ireo toetrany tsara dia tsara, dia ny herim-po sy ny fankatoavana ary ny tsy fivadihana, dia tena tandindona ara-paminaniana faran’izay tsaran’i “Jesosy Kristy Tompontsika” marina i Josoa. — Rom. 5:1.

LOHA HEVITRA RAKETIN’NY JOSOA

6. Mizara avy hatrany ho tapany inona avy ny bokin’ny Josoa?

6 Mizara avy hatrany ho tapany efatra ilay boky: 1) ny fitana hiditra tao amin’ny Tany Nampanantenaina, 2) ny fanafihana an’i Kanana, 3) ny fizarana ilay tany, ary 4) ireo fananarana nomen’i Josoa ho fanaovam-beloma. Ilay fitantarana manontolo dia voalaza mazava tsara aoka izany ary hipoka tarehin-javatra manaitra sady mampientana.

7. Fampaherezana sy torohevitra inona no nomen’i Jehovah an’i Josoa?

7 Fitana hiditra tao amin’ny Tany Nampanantenaina (1:1–5:12). Nahafantatra ireo fitsapana ho avy i Jehovah ka nanome toky sy torohevitra marim-pototra toy izao an’i Josoa teo am-piandohana: “Koa mahereza sy matanjaha tsara hianao (...) Aoka tsy hiala amin’ny vavanao ity bokin’ny lalàna ity, fa saintsaino andro aman-alina, hitandremanao hanao araka izay rehetra voasoratra eo; ary amin’izany dia hahalavorary ny làlanao hianao sady hambinina. Tsy efa nandidy anao va Aho? Koa mahereza sy matanjaha (...) fa momba anao Jehovah Andriamanitrao amin’izay rehetra alehanao.” (1:7-9). Nilaza i Josoa fa i Jehovah no tena Mpitarika sy Mpitari-tafika teo amin’izy ireo ary niomana avy hatrany ny hita an’i Jordana araka ny nandidiana azy izy. Nanaiky azy ho mpandimby an’i Mosesy ireo Isiraelita, ary nianiana ny tsy hivadika. Atombohy àry ny fanafihana an’i Kanana!

8. a) Ahoana no nampisehoan’i Rahaba ny finoany? b) Ahoana no nisehoan’i Jehovah ho “Andriamanitra velona” teo anivon’ny Isiraely?

8 Lehilahy roa no nirahina hisafo an’i Jeriko. Nanararaotra ny tarehin-javatra i Rahaba janga mba hanehoana ny finoany an’i Jehovah tamin’ny fanafenana ireo mpisafo tany, kanefa tamin’ny fanaovana vivery ny ainy. Ho valin’izany, dia nianiana ireo mpisafo tany fa ho voaro ny ainy rehefa horinganina i Jeriko. Niverina nanome tatitra ireo mpisafo tany fa ketraka avokoa ny mponina tao amin’ilay tany noho ireo Isiraelita. Koa satria tsara ilay tatitra, dia nifindra avy hatrany nankany amin’ny Onin’i Jordana izay tondraka, i Josoa. Izao i Jehovah dia nanome porofo azo notsapain-tanana fa nanohana an’i Josoa izy, ary koa fa, tsy misy hafa amin’ny tamin’ny andron’i Mosesy, dia nisy “Andriamanitra velona” teo anivon’ny Isiraely. (3:10). Rehefa niroboka tao Jordana ireo mpisorona nitondra ny fiaran’ny fanekena, dia niangona ireo rano avy tany ambony, ka namela ny Isiraelita hita tamin’ny tany maina. Naka vato 12 teo afovoan’ilay ony ho fahatsiarovana i Josoa ary nametraka vato 12 hafa tao amin’ilay ony, teo amin’ny nijoroan’ireo mpisorona, ary avy eo, dia nita ireo mpisorona ka dia niverina ho tondraka indray ireo rano.

9. Nanaraka izany, inona moa no nitranga tao Gilgala?

9 Raha vao tody teny ampita ilay vahoaka, dia nitoby tao Gilgala, teo anelanelan’i Jordana sy i Jeriko, ary teto i Josoa dia nanangana ireo vato fahatsiarovana ho vavolombelona ho an’ireo taranaka tamin’ny andro ho avy, ary koa “mba ho fantatry ny firenena rehetra ambonin’ny tany fa mahery ny tànan’i Jehovah, ary mba hatahorany an’i Jehovah Andriamanitrareo mandrakizay”. (4:24) (Ny Josoa 10:15 dia manondro fa taorian’izay i Gilgala dia nety ho nampiasaina ho toby fototra nodian’izy ireo nandritra ny fotoana kelikely.) Teto no namorana ireo zanak’Isiraely, satria tsy nisy famorana natao nandritra ilay dia tany an’efitra. Nankalazaina ny Paska, nitsahatra ny mana, ary nanomboka nihinana ny vokatr’ilay tany amin’izay ireo Isiraelita.

10. Inona no toromarika nomen’i Jehovah an’i Josoa momba ny fakana an’i Jeriko, ary fanaovan-javatra nampitaintaina inona no nanaraka izany?

10 Fanafihana an’i Kanana (5:13–12:24). Efa ho tratra izao ilay tanjona voalohany. Amin’ny fomba ahoana anefa no hakana an’io tanànan’i Jeriko izay “nihidy mafy” io? (6:1). I Jehovah mihitsy no nanome ireo tsipirian-javatra momba ny fomba hanaovana izany, tamin’ny fanirahana ny “Komandin’ny miaramilan’i Jehovah” mba hanome toromarika an’i Josoa. (5:14). Indray mandeha isan’andro, nandritra ny henemana, ireo tafik’Isiraely dia tsy maintsy nanodidina ny tanàna, ka ireo mpanafika no nitari-dalana, narahin’ny filaharana mpisorona nitsoka anjomara mafy faneno sy mpisorona hafa nitondra ny fiaran’ny fanekena. Tamin’ny andro fahafito, dia tsy maintsy nanodidina impito izy ireo. Nampita ireo baiko tamin’ny vahoaka tamim-pahatokiana i Josoa. Araka izay nandidiana azy ireo tsara, dia nanodidina an’i Jeriko ireo tafika. Tsy nisy niloa-bava na dia iray aza. Tsy nisy feo re afa-tsy ny fingadon’ny tongotra sy ny fanenon’ny anjomara notsofin’ireo mpisorona. Avy eo, tamin’ny andro farany, rehefa tapitra ny fihodidinana fahafito, dia nanome baiko azy ireo mba hanakora i Josoa. “Nanakora mafy” tokoa izy ireo, ary dia nirodana ny mandan’i Jeriko! (6:20). Niaraka avokoa izy rehetra nihazakazaka nankany amin’ilay tanàna, nanafika azy ary nandevona azy tamin’ny afo. I Rahaba nahatoky sy ny ankohonany ihany no nahazo famonjena.

11. Ahoana no nanitsiana ilay toe-javatra tsy nampoizina tany am-boalohany tany Ay?

11 Andeha àry hiankandrefana ho any Ay! Nivadika ho fahakiviana mafy ny fatokiana hahazo fandresena mora azo hafa iray, rehefa nampandositra an’ireo miaramila isiraelita 3 000 nirahina mba hanafika ilay tanàna ireo lehilahy tao Ay. Inona no nitranga? Moa ve i Jehovah nandao azy ireo? May mafy i Josoa ny hanontany an’i Jehovah. Ho valiny, dia nampahafantatra i Jehovah fa, nifanohitra tamin’ny baikony mba handringana ny zava-drehetra tao Jeriko, dia nisy olona tao amin’ny toby tsy nankato fa nangalatra zavatra ary nanafina izany. Io fahalotoana io dia tsy maintsy nesorina tamin’ilay toby talohan’ny hahafahan’ny Isiraely hahazo ny fitahian’i Jehovah indray. Teo ambany fitarihan’Andriamanitra, dia tratra i Akana, ilay mpanao ratsy, ka notoraham-bato ho faty izy sy ny ankohonany. Niverina tamin’ireo Isiraelita indray ny fankasitrahan’i Jehovah, ka nandroso hanafika an’i Ay izy ireo izao. Teto indray koa dia i Jehovah mihitsy no nampiharihary ny tetika tokony hampiasaina. Voafitaka hivoaka ny tanànany mimanda ireo lehilahy tao Ay (NW ) ka tafiditra tao anaty otrika. Azo ilay tanàna ary ringana niaraka tamin’ny mponina rehetra tao. (8:26-28). Tsy nisy fanekena lembenana teo anoloan’ny fahavalo!

12. Baiko avy tamin’Andriamanitra inona no notanterahin’i Josoa nanaraka izany?

12 Ho fankatoavana ny baikon’i Jehovah nomeny tamin’ny alalan’i Mosesy, nanaraka izany i Josoa dia nanorina alitara iray tao an-tendrombohitra Ebala ary nanoratra teo amboniny “ny dikan’ny lalàn’i Mosesy”. (8:32). Avy eo izy dia namaky ny tenin’ny Lalàna, nisy ireo fitahiana sy ireo fanozonana, tamin’ilay firenena manontolo nitsangana teo, ny antsasany nanandrify ny Tendrombohitra Gerizima ary ny antsasany nanandrify ny Tendrombohitra Ebala. — Deot. 11:29; 27:1-13.

13. Inona avy no vokatry ny ‘hafetsen’ireo Gibeonita’?

13 Nivadi-po noho ny fandroson’ilay fanafihana haingana ny sasany tamin’ireo fanjakana kely tao Kanana ka niray hina mba hisakanana ny fandrosoan’i Josoa. Kanefa, rehefa ‘ren’ny Gibeonita izay nataon’i Josoa tamin’i Jeriko sy i Ay, dia nanao hafetsena’ izy ireo. (Josoa 9:3, 4). Mody nilaza izy ireo fa avy tany amin’ny tany iray lavitra an’i Kanana ary nanao fanekena tamin’i Josoa “mba tsy hamono azy”. Rehefa tratra ilay hafetsena, dia nanaja ilay fanekena ihany ireo Isiraelita, saingy nataony “ho mpikapa hazo sy ho mpantsaka rano”, toy ny ‘andevo’, ireo Gibeonita, ho fahatanterahan’ny tapany tamin’ilay ozona ara-tsindrimandry nomen’i Noa an’i Kanana, zanak’i Hama. — Josoa 9:15, 27; Gen. 9:25.

14. Ahoana no nampisehoan’i Jehovah tany Gibeona fa niady ho an’ny Isiraely izy?

14 Tsy zavatra kely akory io fivadihan’ny Gibeonita tamin’ny teny nataony io, satria “tanàna lehibe Gibeona (...) sady lehibe noho Ay, ary nahery ny lehilahy rehetra teo”. (Josoa 10:2). Nandray izany ho toy ny fandrahonana azy sy ireo fanjakana hafa tao Kanana i Adoni-zedeka, mpanjakan’i Jerosalema. Tsy maintsy nisy ohatra nomena mba hampijanonana ny fivadihana hafa ho amin’ny fahavalo. Nifandamina àry i Adoni-zedeka sy ny mpanjaka efatra hafa (ny an’ny fanjakan’i Hebrona, i Jarmota, i Lakisy ary i Eglona) mba hamely an’i Gibeona. Nanaja ilay fanekena nataony tamin’ireo Gibeonita i Josoa ka nanao lava alina mba hanampiana azy ireo ary nampandositra ny tafik’ireo mpanjaka dimy. Teo indray koa i Jehovah dia niditra an’ady, ka nampiasa hery sy famantarana tsy takatry ny fahaizan’olombelona, izay niteraka fandravana aoka izany. Nisy havandra goavana nilatsaka avy tany an-danitra ka namono fahavalo be lavitra noho izay novonoin’ny tafika Isiraelita. Ary avy eo, dia hagagana moa izany rehefa “nijanona teo afovoan’ny lanitra ny masoandro ka tsy nandroso hilentika tokony ho indray andro maninjitra”. (10:13). Noho izany, dia azo novitaina ny asa fanadiovana. Mety hanandrana ny hanambany io fahagagana io ireo olon-kendry eo amin’izao tontolo izao, kanefa ireo olona manam-pinoana dia manaiky ilay firaketana an-tsoratra avy amin’Andriamanitra, noho ny fahafantarana tsara ny herin’i Jehovah hifehy ireo hery eo amin’izao rehetra izao sy hitarika azy ireo araka izay tiany. Marina tokoa fa ‘niady ho an’ny Isiraely i Jehovah’. — 10:14.

15. Lazalazao ny amin’ny fizotran’ilay fanafihana sy ny fara heriny tao Hazora.

15 Rehefa avy namono ireo mpanjaka dimy i Josoa, dia nandringana an’i Makeda. Nianatsimo haingana izy ka nandringana tanteraka an’i Libna, i Lakisy, i Eglona, i Hebrona ary i Debira — tanàna tany amin’ireo havoana teo anelanelan’ny Ranomasina Maty sy ny Ranomasina Lehibe. Izao dia efa niely nanerana an’i Kanana ny vaovao momba ilay fanafihana. Tany avaratra, ny baiko dia nomen’i Jabina, mpanjakan’i Hazora. Hatraiza hatraiza, teo amin’ny lafiny roan’i Jordana, dia nandefa teny izy mba hiaraha-mamely an’ireo Isiraelita. Rehefa nitoby teo akaikin’ireo ranon’i Meroma, teo ambanin’ny Tendrombohitra Hermona, ireo tafiky ny fahavalo tafaray, dia “toy ny fasika eny amoron-dranomasina ny hamaroany”. (11:4). Nanome toky an’i Josoa ny amin’ny fandresena indray i Jehovah ary nanoritra ny tetik’ady. Ny vokany? Faharesena namaivay hafa iray ho an’ireo fahavalon’ny vahoakan’i Jehovah! Nodorana tamin’ny afo i Hazora, ary ireo tanàna nanampy azy sy ny mpanjakany avy dia naringana. Noho izany dia nanitatra ny faritry ny fanapahana isiraelita nanerana ny sakan’i Kanana sy ny lavany i Josoa. Mpanjaka 31 no resy.

16. Nanao ahoana ny fizarana ilay tany?

16 Fizarana ilay tany (13:1–22:34). Na dia teo aza ireo fandresena maro ireo, sy ny fandringanana tanàna mimanda fototra maro ary ny fandravana ny fanoherana voalamina tamin’izao fotoana izao, dia “be dia be ny tany sisa tsy mbola azo”. (13:1). Kanefa i Josoa izao dia 90 taona teo ho eo, sady mbola nisy asa goavana hafa iray tsy maintsy natao — ny fizarana ilay tany ho lovan’ireo foko feno sivy sy ny antsasaky ny fokon’i Manase. I Robena sy i Gada ary ny antsasaky ny fokon’i Manase dia efa nahazo ny tany lovany tany atsinanan’i Jordana, ary ny fokon’i Levy dia tsy tokony hahazo na inona na inona, fa “Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, no lovany”. (13:33). Noho ny fanampian’i Eleazara mpisorona, i Josoa izao dia nizara ireo tany tany andrefan’i Jordana. I Kaleba, izay efa 85 taona izao, dia dodona ny hiady tamin’ireo fahavalon’i Jehovah hatramin’ny farany, ka nangataka ary nahazo ny faritr’i Hebrona feno Anakita. (14:12-15). Rehefa avy nahazo ny lovany tamin’ny filokana avy ireo foko, dia nangataka ny tanànan’i Timnata-sera tany amin’ny havoanan’i Efraima i Josoa, ary dia nomena azy izany “araka ny tenin’i Jehovah”. (19:50). Ny tranolay fihaonana dia natsangana tao Silo, izay tany amin’ny tany havoanan’i Efraima.

17. Fandaharana inona no natao raha ny amin’ireo tanàna fandosirana sy ireo tanàna fonenan’ireo Levita?

17 Tanàna fandosirana enina ho an’izay namono olona tsy nahy no natokana, ka telo avy teo amin’ny lafiny roan’i Jordana. Ireo izay tany andrefan’i Jordana dia i Kadesy tany Galilia, i Sekema tany Efraima ary i Hebrona tany amin’ny tany be havoanan’i Joda. Ireo izay tany atsinanana dia i Bezera tany amin’ny faritanin’i Robena sy i Ramota tany Gileada ary i Golana tany Basana. Ireo dia nomena “toetra masina”. (20:7, NW ). Tanàna 48 niaraka tamin’ny kijanany (NW ) avy no notendrena araka ny filokana noho ny toerany ara-poko, ho tanàna fonenan’ireo Levita. Tafiditra tamin’izany ireo tanàna fandosirana enina. Araka izany, dia ‘nandova ilay tany ny Isiraely ka nonina tao’. Araka ny nampanantenain’i Jehovah azy tsara, dia “tanteraka avokoa izany rehetra izany”. — 21:43, 45.

18. Zava-tsarotra inona no niseho teo amin’ireo foko tany atsinanana sy tany andrefana, kanefa ahoana no nandaminana azy?

18 Ireo lehilahy mpiady tamin’ny fokon’i Robena sy i Gada ary tamin’ny antsasaky ny fokon’i Manase, izay niaraka tamin’i Josoa foana hatramin’io fotoana io, izao dia niverina nankany amin’ny lovany tany ampitan’i Jordana, ary nitondra niaraka taminy ireo tenin’i Josoa nampirisika azy ireo mba hahatoky, ary koa ny tsodranony. Teny an-dalana, rehefa tonga teo akaikin’i Jordana izy ireo, dia nanangana alitara lehibe iray. Izany dia nahatonga zava-tsarotra iray. Koa satria ny toerana voatokana ho amin’ny fanompoam-pivavahana tamin’i Jehovah dia teo amin’ny tranolay fihaonana tany Silo, ireo foko tany andrefana dia natahotra sao hisy famitahana sy fivadihana, ka niomana hiady tamin’ireo noheveriny ho mpikomy. Kanefa voasakana ny fandatsahan-dra rehefa voazava fa tsy natao hanaovana fanatitra akory ilay alitara, fa “vavolombelona [fotsiny] ho amintsika roa tonta [ny Isiraely tany atsinanana sy ny Isiraely tany andrefan’i Jordana] fa Jehovah no Andriamanitra”. — 22:34.

19, 20. a) Fananarana ho fanaovam-beloma inona avy no nomen’i Josoa? b) Inona ilay tena raharaha napetrany teo anoloan’ny Isiraely, ary ahoana no nanantitranterany ny safidy tsara tokony hataon’ny Isiraely?

19 Fananarana nomen’i Josoa ho fanaovam-beloma (23:1–24:33). “Ary rehefa ela, taorian’ny nanomezan’i Jehovah fitsaharana ho an’ny Isiraely ho afaka amin’ny fahavalony rehetra manodidina, ary Josoa dia efa zoki-olona sady nandroso fahanterana”, dia niantso ny Isiraely rehetra izy mba hanomezana fananarana feno fampaherezana ho fanaovam-beloma. (23:1). Nanetry tena hatramin’ny farany izy ka nilaza an’i Jehovah ho tompon’andraikitra ny amin’ireo fandresena lehibe rehetra azo tamin’ireo firenena. Aoka ny rehetra izao hahatoky hatrany! “Mahereza tsara hianareo hitandrina sy hanao izay rehetra voasoratra ao amin’ny bokin’ny làlan’i Mosesy, mba tsy hivilianareo hiala aminy, na ho amin’ny ankavanana, na ho amin’ny ankavia”. (23:6). Tsy maintsy nandositra ireo andriamani-diso izy ireo ka ‘hitandrina tsara ny fanahiny mba ho tia an’i Jehovah Andriamaniny’. (23:11). Tsy tokony hisy fanekena lembenana teo anoloan’ireo Kananita farany tavela, na fifanambadiana na firaisam-pinoana taminy, satria izany dia hampirehitra ny fahatezeran’i Jehovah tamin’izy ireo.

20 Nanangona ny foko rehetra tao Sekema i Josoa nanaraka izany ary niantso ny mpifehy solontenan’izy ireo teo anatrehan’i Jehovah, ka nilaza ny nitantaran’i Jehovah manokana ny nifampiraharahany tamin’ny vahoakany nanomboka tamin’ny fotoana niantsoany an’i Abrahama sy nitondrany azy tany Kanana ka hatramin’ny nandresena ny Tanin’ny Fampanantenana ary nanorenam-ponenana tao. Nampitandrina ny Isiraely tamin’ny fivavahan-diso indray i Josoa, ka nilaza taminy mba ‘hatahotra an’i Jehovah sy hanompo azy amin’ny fahitsiana sy ny fahamarinana’. Eny, “manompoa an’i Jehovah”! Avy eo izy dia nanambara ilay tena raharaha tamin’ny fomba mazava tsy nisy ohatra izany hoe: “Fidionareo anio ary izay hotompoinareo, na ny andriamanitra izay notompoin’ny razanareo (...) na ny andriamanitry ny Amorita, izay mponina teto amin’ny tany onenanareo; fa raha izaho sy ny ankohonako kosa, dia hanompo an’i Jehovah izahay.” Tamim-piekena izay nahatonga hahatsiaro an’i Mosesy, dia nampahatsiahy ny Isiraely izy fa i Jehovah dia ‘Andriamanitra masina, Andriamanitra mitaky fifikirana tsy mizarazara’. Koa, esory àry ireo andriamani-kafa! Voatosika araka izany mba hiara-milaza toy izao ilay vahoaka manontolo: “Jehovah Andriamanitray no hotompoinay, ary ny feony no hohenoinay!” (24:14, 15, 19, 24, NW ). Talohan’ny nampandehanana azy ireo, dia nanao fanekena tamin’izy ireo i Josoa, ka nanoratra ireo teny ireo tao amin’ny bokin’ny lalàn’Andriamanitra, ary nanangana vato lehibe iray ho vavolombelona. Avy eo dia maty i Josoa rehefa tratra antitra tsara teo amin’ny faha-110 taonany ary nalevina tao Timnata-sera.

MAHASOA — NAHOANA?

21. Anatra feno fahendrena inona ao amin’ny bokin’ny Josoa no mitondra soa miavaka amin’izao andro izao?

21 Rehefa mamaky ireo fananarana momba ny fanompoana amim-pahatokiana nomen’i Josoa ho fanaovam-beloma ianao, moa ve izany tsy manohina ny fonao? Moa ve ianao tsy hamerina ireo tenin’i Josoa izay nolazainy maherin’ny 3 400 taona izay, nanao hoe: “Raha izaho sy ny ankohonako kosa, dia hanompo an’i Jehovah izahay”? Na, raha manompo an’i Jehovah ao anatin’ny fisedrana na ny fitokanana lavitra an’ireo olo-mahatoky hafa ianao, moa ve ianao tsy mahazo fampaherezana avy amin’ireo tenin’i Jehovah tamin’i Josoa, izay nolazainy tany am-piandohan’ilay dia hiditra tao amin’ny Tanin’ny Fampanantenana, nanao hoe: “Mahereza sy matanjaha tsara hianao”? Ankoatra izany, moa ve ianao tsy mahazo soa tsy hay tombanana amin’ny fanarahana ny anatra omeny mba ‘hamaky [ny Baiboly] moramora andro aman’alina, mba hahatomombana ny lalanao’? Azo antoka fa izay rehetra manaraka izany torohevitra feno fahendrena izany dia hahita fa tena mahasoa aoka izany izy io. — 24:15; 1:7-9, NW.

22. Toetra tsara fototry ny fanompoam-pivavahana marina inona avy no asongadina?

22 Ireo fisehoan-javatra voarakitra an-tsoratra amin’ny fomba toy ny hitan’ny maso aoka izany ao amin’ny bokin’i Josoa dia tsy tantara tranainy fotsiny akory. Izy ireo dia manasongadina fotopoto-pitsipika araka an’Andriamanitra — ka ny miavaka indrindra dia hoe tena zava-dehibe mba hahazoana ny fitahiany ny finoana sy fankatoavana tsy misy fihambahambana an’i Jehovah. Noraketin’ny apostoly Paoly an-tsoratra fa “finoana no nampirodana ny màndan’i Jeriko, rehefa nohodidinina hafitoana”, ary koa fa “finoana no tsy nahafaty an-dRahaba janga niaraka tamin’ny tsy nino”. (Heb. 11:30, 31). I Jakoba dia nanonona an’i Rahaba toy izany koa ho toy ny ohatra mahasoa ho an’ny Kristiana raha ny amin’ny fanaovana asam-pinoana. — Jak. 2:24-26.

23. Fampahatsiahivana mahery inona avy no raketin’ny Josoa?

23 Ireo fisehoan-javatra tsy araka ny natiora tsy mahazatra voarakitra an-tsoratra ao amin’ny Josoa 10:10-14, fony nijanona ny masoandro ary nijanona koa ny volana, ary koa ireo fahagagana maro hafa nataon’i Jehovah ho famonjena ny vahoakany, dia fampahatsiahivana mahery ny fahaizan’i Jehovah sy ny fikasany hamongotra ireo ratsy fanahy mpanohitra an’Andriamanitra rehetra. I Gibeona, izay toerana nanaovana ady tamin’ny andron’i Josoa sy tamin’ny andron’i Davida, dia ampifandraisin’i Isaia amin’ny fitsanganan’i Jehovah amim-pahatezerana mba hanao io famongorana io, “mba hanaovany ny asany — hafahafa ny asany — ary mba hahavitany ny ataony — tsy mahazatra ny ataony”. — Isaia 28:21, 22, NW.

24. Amin’ny ahoana no ifamatoran’ny bokin’ny Josoa amin’ireo fampanantenana momba ilay Fanjakana, ary toky inona no omeny fa hoe ho ‘tanteraka avokoa izy rehetra’?

24 Manondro ny Fanjakan’Andriamanitra ve ireo fisehoan-javatra ao amin’ny Josoa? Izany dia izany tokoa! Ny hoe tokony hampifandraisana ny fandresena ny Tany Nampanantenaina sy ny fanorenam-ponenana tao, amin’ny zavatra lehibe lavitra iray dia nasehon’ny apostoly Paoly toy izao: “Fa raha Josoa no nanome azy fitsaharana, dia tsy mba ho nilaza andro hafa [Andriamanitra, NW ] tao aorian’izany. Koa dia mbola misy sabata fitsaharana ho an’ny olon’Andriamanitra.” (Heb. 4:1, 8, 9). Mandroso izy ireo mba hahazoana antoka ny amin’ny “fidirana ho any amin’ny fanjakana mandrakizay, izay an’i Jesosy Kristy, Tompontsika sy Mpamonjy antsika”. (2 Pet. 1:10, 11). Araka ny asehon’ny Matio 1:5, i Rahaba dia nanjary iray tamin’ireo razamben’i Jesosy Kristy. Araka izany, ny bokin’ny Josoa dia manome fifampitohizana tena lehibe hafa iray ao amin’ilay firaketana an-tsoratra mitarika ho amin’ny Taranaka handova ilay Fanjakana. Manome toky mafy orina izy io fa ireo fampanantenana mifandray amin’ny Fanjakan’i Jehovah dia tsy maintsy ho tanteraka. Rehefa miresaka momba ny fampanantenana nomen’Andriamanitra an’i Abrahama sy i Isaka ary i Jakoba ka naverina tamin’ny Isiraelita, taranak’izy ireo, ny firaketana an-tsoratra, dia manambara toy izao momba ny andron’i Josoa: “Tsy nisy latsaka na dia kely akory aza ny [fampanantenana tsara rehetra, NW ] izay nolazain’i Jehovah tamin’ny taranak’Isiraely; fa tanteraka avokoa izany rehetra izany.” (Josoa 21:45; Gen. 13:14-17). Toy izany koa ny amin’ny “fampanantenana tsara” nomen’i Jehovah momba ilay Fanjakan’ny lanitra feno fahamarinana — ho tanteraka avokoa izy rehetra!

[Fanontaniana]