Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-60 — 1 Petera

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-60 — 1 Petera

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-60 — 1 Petera

Mpanoratra: Petera

Toerana Nanoratana: Babylona

Vita Tamin’ny: 62-64 am.f.i. tany ho any

1. Nahoana no voatery nandia fisedrana ireo Kristiana, ary nahoana no ara-potoana ny taratasin’i Petera voalohany?

 REHEFA nilaza ny hatsaran’Andriamanitra ireo Kristiana tany am-boalohany, dia nambinina ny asan’ilay Fanjakana ka nitombo nanerana ny Empira Romana. Kanefa, nisy tsy fifankahazoan-kevitra sasany nipoitra mikasika io antokon’olona be zotom-po io. Voalohany aloha, dia tany Jerosalema sy teo amin’ireo Jiosy no niandohan’ny fivavahan’izy ireo, ary nisy nampifangaro azy ireo tamin’ireo Jiosy nirehitra fatratra ara-politika ary nihifika teo ambanin’ny zioga romana ka niteraka zava-nanahirana tsy an-kijanona ho an’ireo governora (NW ) teo an-toerana. Ambonin’izany, dia hafa ireo Kristiana, satria nanda tsy hanao fanatitra ho an’ny emperora na hiharoharo tamin’ireo fankalazan’ny fivavahana mpanompo sampy tamin’izany. Nanaovana teny hanoherana azy izy ireo ary voatery nandia fisedrana maro (NW ) noho ny finoana. Tamin’ny fotoana nety sy tamin’ny fahaiza-mahita zavatra mialoha izay mampahafantatra ny fanomezan’Andriamanitra tsindrimandry, dia nanoratra ny taratasiny voalohany i Petera. Izany dia mba hampirisihana ireo Kristiana hiorina mafy, ary koa mba hanoroana hevitra azy ireo ny amin’ny fomba tokony hitondran’izy ireo tena teo ambanin’ny fitarihan’i Néron, ilay Kaisara tamin’izany fotoana izany. Hita fa ara-potoana indrindra itỳ taratasy itỳ, rehefa jerena ilay tafiotram-panenjehana izay nipoaka saiky taorian’izay avy hatrany.

2. Inona no manaporofo fa i Petera no nanoratra ilay taratasy mitondra ny anarany, ary navantana tamin’iza ilay taratasy?

2 Porofoin’ireo teny fanokafana ny naha-mpanoratra ilay taratasy an’i Petera. Ambonin’izany, i Irénée, i Clément avy tany Aleksandria, i Origène ary i Tertullien dia samy nanonona azy io, ka nilaza an’i Petera ho ny mpanoratra azy io. a Voamarina toy ireo taratasy ara-tsindrimandry hafa rehetra koa ny maha-azo itokiana ny Petera Voalohany. Milaza amintsika i Eusèbe fa ireo loholon’ny fiangonana dia tsy nisalasala nampiasa ilay taratasy; tsy nisy niadian-kevitra ny naha-azo itokiana azy io tamin’ny androny (260-342 am.f.i. tany ho any). I Ignace sy i Hermas ary i Barnabé, tany am-piandohan’ny taonjato faharoa, dia samy nanisy firesahana momba azy io. b Mifanaraka tanteraka amin’ny tapany sisa amin’ireo Soratra ara-tsindrimandry ny Petera Voalohany ary mandefa hafatra mahery iray ho an’ireo Kristiana jiosy sy tsy jiosy, izay toy ny ‘mpivahiny nonina tany am-pielezana tany Ponto, Galatia, Kapadokia, Azia sy Bitynia’ — samy faritra tany Azia Minora. — 1 Pet. 1:1.

3. Inona no porofo raha ny amin’ny fotoana nanoratana ny Petera Voalohany?

3 Oviana no nosoratana ilay taratasy? Ny hevitra azo avy amin’ny fomba fanoratra ao aminy dia mampiseho fa niharan’ny fisedrana ireo Kristiana, na avy tamin’ireo mpanompo sampy na avy tamin’ireo Jiosy tsy niova finoana. Asehony koa anefa fa mbola tsy nanomboka ny fanenjehan’i Néron, izay nalefany tamin’ny 64 am.f.i. Miharihary fa nanoratra ilay taratasy taloha kelin’io i Petera, azo inoana fa teo anelanelan’ny 62 am.f.i. sy ny 64 am.f.i. Manamafy io fanatsoahan-kevitra io ny mbola niarahan’i Marka tamin’i Petera. Nandritra ny nanaovana an’i Paoly an-tranomaizina voalohany tany Roma (59-61 am.f.i. tany ho any), dia niaraka tamin’i Paoly i Marka, kanefa nadiva ho any Azia Minora izy; ary tamin’ny fotoan’ny fanaovana an’i Paoly an-tranomaizina faharoa (65 am.f.i. tany ho any), dia handeha ho any amin’i Paoly tany Roma indray i Marka. (1 Pet. 5:13; Kol. 4:10; 2 Tim. 4:11). Teo anelanelan’izany, dia ho nanana fahafahana hiaraka tamin’i Petera tany Babylona izy.

4, 5. a) Inona no mitsipaka ny filazana fa hoe nanoratra ny taratasiny voalohany tany Roma i Petera? b) Inona no mampiseho fa nanoratra tany Babylona ara-bakiteny izy?

4 Taiza no nosoratana ny Petera Voalohany? Raha mitovy hevitra ireo mpivaofy teny ao amin’ny Baiboly, ny amin’ny maha-azo itokiana sy ny maha-kanônika ilay taratasy, ny amin’ny mpanoratra azy sy ny tokony ho daty nanoratana azy, dia tsy mitovy hevitra kosa izy ireo raha ny amin’ny toerana nanoratana azy. Araka ny teny fanamarinan’i Petera ihany, dia nanoratra ny taratasiny voalohany izy, fony tany Babylona. (1 Pet. 5:13). Misy anefa milaza fa nanoratra tany Roma izy, amin’ny filazana fa ny hoe “Babylona” dia anarana miafina ho an’i Roma. Kanefa tsy manohana io fomba fijery io ny porofo. Na aiza na aiza ny Baiboly dia tsy mampiseho fa hoe manondro an’i Roma amin’ny fomba voafaritra tsara i Babylona. Koa satria navantan’i Petera tamin’ireo tany Ponto, Galatia, Kapadokia, Azia ary Bitynia ara-bakiteny ny taratasiny, dia araka ny fandrindran-kevitra àry fa ny firesahany momba an’i Babylona dia manondro ilay toerana ara-bakiteny nitondra io anarana io. (1:1). Nisy antony tsara ny naha-tany Babylona an’i Petera. Nanankinana (NW ) ‘ny [vaovao tsara, NW ] ho an’ireo izay voafora’ izy, ary nisy mponina jiosy be dia be tany Babylona. (Gal. 2:7-9). Ny Encyclopaedia Judaica, rehefa miresaka momba ny namoahana ny Talmoda babyloniana, dia niresaka momba ireo “sekoly ambony lehibe tany Babylona” izay an’ny Jodaisma, nandritra ny Fanisan-taona Iraisana. c

5 Ireo Soratra ara-tsindrimandry, anisan’izany ireo taratasy roa nosoratan’i Petera, dia tsy manonona ny amin’ny nandehanany tany Roma. I Paoly dia niresaka ny amin’ny naha-tany Roma ny tenany, kanefa tsy niresaka mihitsy ny amin’ny naha-tany an’i Petera. Na dia manonona anarana 35 aza i Paoly ao amin’ny taratasiny ho an’ny Romana ary mandefa fanaovam-beloma ho an’olona 26 tononiny anarana, nahoana izy no tsy manonona an’i Petera? Satria fotsiny tsy tany i Petera tamin’izay! (Rom. 16:3-15). Ilay “Babylona” nanoratan’i Petera ny taratasiny voalohany dia miharihary fa ilay Babylona ara-bakiteny teo amoron’ny Ony Eofrata tany Mezopotamia.

LOHA HEVITRA RAKETIN’NY PETERA VOALOHANY

6. Momba ny fanantenana inona no nanoratan’i Petera, ary miorina amin’inona no hetezan’ny ‘fahaterahana indray’ ho amin’io fanantenana io?

6 Ny fahaterahana indray ho amin’ny fanantenana velona amin’ny alalan’i Kristy (1:1-25). Eo am-piandohana, i Petera dia mitarika ny sain’ny mpamaky ho amin’ny ‘fahaterahana indray ho amin’ny fanantenana velona’ sy ho amin’ny lova tsy mety levona, voatahiry ho azy ireo any an-danitra. Izany dia araka ny famindram-pon’Andriamanitra amin’ny alalan’ny (NW ) fitsanganan’i Jesosy Kristy. Noho izany, dia niravoravo ireo “olom-boafidy”, na dia nampalahelovina tamin’ny fisedrana maro samy hafa aza izy ireo, mba ‘ho hita ho fiderana sy voninahitra ary fankalazana, amin’ny hisehoan’i Jesosy Kristy’, ny fizahan-toetra azy ireo. Ireo mpaminany fahiny, ary na dia ny anjely aza, dia nanontany (NW ) momba io famonjena io. Noho izany, dia tokony hanikina ny sainy ho amin’ny asa (NW ) ireo olom-boafidy ary hametraka ny fanantenany amin’io hatsaram-panahy amin’izay tsy mendrika akory (NW ) io, mba ho masina amin’ny fitondran-tenany rehetra. Moa ve izany tsy araka ny tokony ho izy, rehefa jerena ny nanavotana azy ireo, tsy tamin’ny zavatra mety ho simba, fa tamin’ny “ra [sarobidin’i, NW ] Kristy, toy ny ran’ny zanak’ondry tsy misy kilema ary tsy misy pentimpentina”? Ny ‘fahaterahan’izy ireo indray’ dia amin’ny tenin’ilay Andriamanitra velona sady maharitra, dia i Jehovah, teny izay maharitra mandrakizay sady vaovao tsara notorina tamin’izy ireo. — 1:1, 3, 7, 19, 23.

7. a) Aorina ho inona moa ireo Kristiana, ary ho amin’ny zava-kendrena inona? b) Amin’ny maha-mpivahiny azy ireo, ahoana no tokony hitondran’izy ireo tena?

7 Fihazonana fitondran-tena tsara dia tsara eo amin’ireo firenena (NW ) (2:1–3:22). Tahaka ny vato velona, ny Kristiana dia aorina ho trano ara-panahy (NW ), manatitra fanati-panahy sitrak’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy, ilay fehizoro, izay tonga vato mahatafintohina ho an’ireo tsy mankato. Ireo izay maneho finoana (NW ) dia tonga ‘fanjakà-mpisorona, firenena masina mba hilaza ny hatsaran’ilay niantso azy hiala tamin’ny maizina ho amin’ny fahazavany mahagaga’. Amin’ny maha-mpivahiny teo amin’ny firenena azy ireo, dia aoka izy ireo hifady ny filan’ny nofo ary hihazona fitondran-tena tsara dia tsara. Aoka izy ireo hanaiky “ny olombelona noforonina rehetra”, na ny mpanjaka izany na ireo governora eo aminy. Eny, aoka izy ireo ‘hanaja ny olona rehetra, ho tia ny rahalahy, hatahotra an’Andriamanitra, hanaja ny mpanjaka’. Toy izany koa, aoka ny mpanompo hanaiky ny tompony, amin’ny fieritreretana tsara, amin’ny fiaretana ny fahoriana tsy ara-drariny (NW ). Na dia i Kristy aza, izay tsy nanota akory, dia nanaiky fanevatevana sy fijaliana, ka namela “modely” mba hanarahantsika akaiky ny diany. — 2:9, 13, NW, 17, 21, NW.

8. a) Fananarana marim-pototra inona no omena ny vehivavy sy ny lehilahy manambady? b) Inona no tena ilain’ny olona iray mba hahazoana fieritreretana tsara eo anatrehan’Andriamanitra?

8 Ny fanekena dia mihatra koa amin’ny vehivavy, izay, amin’ny alalan’ny fitondran-tenany madio miaraka amin’ny fanajana lalina (NW ), dia mety hahataona ny vadiny tsy mino mihitsy, na dia tsy amin’ny teny aza. Ny zavatra ahiny dia tsy tokony ho ny firavahana ivelany. Izany dia tokony hitovy amin’ny an’i Saraha nankato, izany hoe ilay “olona miafina ao am-po ao amin’ny fitafiana tsy mety lo, dia ny an’ny saina tony sy malefaka, izay misy vidiny lehibe eo imason’Andriamanitra”. Ny lehilahy dia tokony hanaja ny vadiny amin’ny maha-“fanaka malemilemy kokoa” sady “mpiara-mandova ny fahasoavan’ny fiainana” azy io. Tokony haneho fitiavan-drahalahy ny Kristiana rehetra. “Na iza na iza maniry fiainana (...) aoka izy hiala amin’ny ratsy ka hanao soa; aoka izy hitady fihavanana sy hanaraka azy. Fa ny mason’[i Jehovah, NW ] dia mitsinjo ny marina”. Tsy tokony hatahotra olona izy ireo, fa ho vonona mandrakariva hiaro (NW ) ny fanantenany. Tsaratsara kokoa ny mitondra fahoriana noho ny (NW ) fanaovan-tsoa, satria sitrapon’Andriamanitra izany, toy izay noho ny fanaovan-dratsy. “Fa Kristy koa aza efa nijaly indray mandeha noho ny ota, ny Marina hamonjy ny tsy marina, mba hitondra antsika ho amin’Andriamanitra, ka novonoina tamin’ny nofo, fa novelomina tamin’ny fanahy”. Ny finoan’i Noa, nasehony tamin’ny fanamboarana ilay sambofiara, dia nitarika ho amin’ny fiarovana ny tenany sy ny fianakaviany. Mifanitsy amin’izany koa (NW ), ireo izay, noho ny finoany an’i Kristy tafatsangana tamin’ny maty, dia nanolo-tena ho an’Andriamanitra, ka atao batisa ho marik’izany finoana izany, ary manohy manao ny sitrapon’Andriamanitra, dia voavonjy ary omen’Andriamanitra fieritreretana tsara. — 3:4, NW, 7, 10-12, 18.

9. Saina inona no tokony hananan’ny Kristiana? Na dia eo aza ny inona?

9 Fifaliana amin’ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra amin’ny maha-Kristiana, na dia eo aza ny fijaliana (4:1–5:14). Tokony hanana ny saina mitovy amin’ny an’i Kristy ny Kristiana, ka tsy hiaina afa-tsy ho amin’ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra fa tsy ny an’ireo (NW ) firenena intsony, na dia miteny ratsy azy aza ireo firenena noho izy tsy miara-mihazakazaka aminy “amin’izany fanaranam-po amin’ny ratsy izany” intsony. Koa satria efa antomotra ny faran’ny zavatra rehetra, dia tokony ho hendry izy ireo, hivavaka ary hanana fifankatiavana lalina (NW ), amin’ny fanaovana ny zavatra rehetra mba hankalazana an’Andriamanitra. Rehefa mahamay ny fizahan-toetra mahazo azy ireo, dia tsy tokony ho gaga izy ireo, fa tokony hifaly kosa amin’ny maha-mpiombona amin’ny fijalian’i Kristy azy. Kanefa, aoka tsy hisy hijaly satria mpanao ratsy. Koa satria manomboka amin’ny ankohonan’Andriamanitra ny fitsarana, “izay mitondra fahoriana araka ny sitrapon’Andriamanitra, dia aoka ny fanaovan-tsoa no hanolorany ny fanahiny ho an’Ilay mahatoky, dia ny Mpanao azy”. — 4:4, 19.

10. Torohevitra inona no omena an’ireo loholona sy ireo lehilahy tanora, ary toky mahery inona no ifaranan’ny Petera Voalohany?

10 Tokony hiandry ny andian’ondrin’Andriamanitra (NW ) an-tsitrapo, eny, amim-pahadodonana, ireo loholona. Raha fianarana ho an’ny andian’ondry izy ireo, izany dia hanome toky azy ireo fa ho azony ny satroboninahitra tsy mety simba, amin’ny fisehoan’ny Lohan’ny Mpiandry. Aoka ny lehilahy tanora (NW ) hanaiky ny loholona, ka samy hanana saina tsy manambony tena (NW ) ny rehetra, satria “Andriamanitra manohitra ny miavonavona, fa manome fahasoavana ho an’ny manetry tena”. Aoka izy ireo hiorina tsara amin’ny finoana ary hitandrin-tena amin’ilay “liona mierona”, dia ny Devoly. Eto indray koa, dia manakoako ny teny mahery manome toky, rehefa mamarana ny teny fampirisihany toy izao i Petera: “Ary Andriamanitry ny [hatsaram-panahy rehetra amin’izay tsy mendrika akory, NW ], Izay efa niantso anareo ho any amin’ny voninahiny mandrakizay ao amin’i Kristy, rehefa niaritra fahoriana vetivety hianareo, dia Izy no hahatanteraka sy hampiorina ary hampitoetra anareo. Ho Azy anie ny fanjakana mandrakizay mandrakizay. Amena.” — 5:5, 8, 10, 11.

MAHASOA — NAHOANA?

11. Ahoana no anohizan’i Petera ny torohevitr’i Jesosy sy i Paoly mba hanomezana torohevitra an’ireo mpiandraikitra?

11 Mirakitra torohevitra marim-pototra ho an’ireo mpiandraikitra, ny taratasin’i Petera voalohany. Manohy ny torohevitra nomen’ny tenan’i Jesosy ao amin’ny Jaona 21:15-17 sy ny nomen’i Paoly ao amin’ny Asan’ny Apostoly 20:25-35 i Petera, ka mampiseho indray fa ny asan’ny mpiandraikitra dia asa fiandrasana, izay hatao tsy amim-pitiavan-tena sy an-tsitrapo ary amim-pahadodonana. Ny mpiandraikitra dia mpiandry lefitra, manompo amin’ny fanekena ilay “Lohan’ny mpiandry”, dia i Jesosy Kristy, ary ampamoahina eo anatrehany ny amin’ilay andian’ondrin’Andriamanitra. Ny tombontsoan’ireo no tsy maintsy karakarainy amin’ny maha-fianarana azy sy amin’ny fanetren-tena rehetra. — 5:2-4.

12. a) Fanekena voafetra inona no tsy maintsy atolotra an’ireo mpanapaka sy tompo? b) Inona no fananaran’i Petera momba ny faneken’ny vehivavy ny vadiny sy ny maha-lohany ny lehilahy? d) Toetra tsara kristiana inona no asongadina hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny faran’ilay taratasy?

12 Lafin-javatra maro hafa amin’ny fanekena kristiana no voakasika ao amin’ny taratasin’i Petera, ary torohevitra faran’izay tsara no omena. Ao amin’ny 1 Petera 2:13-17, dia anoroana hevitra ny hananana fanekena araka ny tokony ho izy ny mpanapaka, toy ny mpanjaka sy ny governora. Kanefa, tokony ho fanekena voafetra izany, satria atao noho ny Tompo ary ampiarahina amin’ny ‘tahotra an’Andriamanitra’, izay manana ny Kristiana ho andevony. Ampirisihina ireo mpanompo ao an-trano (NW ) mba hanaiky ny tompony ary hiaritra raha tsy maintsy mijaly, “noho ny fieritreretana ny amin’Andriamanitra”. Ny vehivavy koa dia omena fananarana, izay tsy hay tombanana ny hasarobidiny, mikasika ny fanekena ny vadiny, anisan’izany ireo tsy mino, satria aseho fa ny fitondran-tenany madio sy feno fanajana dia “misy vidiny lehibe eo imason’Andriamanitra” ary mety hahataona ny vadiny ho amin’ny fahamarinana mihitsy aza. Eto i Petera dia mampiasa ny fanoharana ny amin’ny naneken’i Saraha tamim-pahatokiana an’i Abrahama, mba hanamafisana ilay hevitra. (1 Pet. 2:17-20; 3:1-6; Gen. 18:12). Ny lehilahy manambady kosa dia tokony hampihatra ny maha-lohany azy amin’ny fanehoana fiheverana araka ny tokony ho izy ilay “fanaka malemilemy kokoa”. Momba io foto-kevitra io ihany, dia mampirisika toy izao i Petera: “Ary hianareo [lehilahy tanora, NW ] kosa, dia maneke ny loholona.” Ary avy eo, dia antitranteriny ny ilana hanana saina tsy manambony tena, na fanetren-tena, dia toetra tsara kristiana izay asongadina hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny faran’ny taratasiny. — 1 Pet. 3:7-9; 5:5-7; 2:21-25.

13. a) Ahoana no ampisehoan’i Petera mazava tsara ato amin’itỳ taratasiny itỳ ny zava-kendren’ny fiantsoan’Andriamanitra ny kongregasiona kristiana? b) Lova mahafaly inona no tondroin’i Petera, ary iza no mahazo azy io?

13 Tamin’ny fotoana nisian’ny fisedrana sy ny fanenjehana navaivay indray, dia nanome fampirisihana nampahery i Petera, ary tena tsy hay tombanana ny hasarobidiny ho an’ny rehetra miatrika fisedrana toy izany amin’izao andro izao. Mariho fa miorina amin’ny Soratra Hebreo izy mba hanononana ny tenin’i Jehovah manao hoe: “Ho masina hianareo, satria masina Aho.” (1 Pet. 1:16; Lev. 11:44). Avy eo indray koa, ao amin’ny andalan-teny iray izay manisy firesahana be dia be momba ny andinin-teny ara-tsindrimandry hafa, dia asehony fa ny kongregasiona kristiana dia aorina ho trano ara-panahy misy vato velona miorina eo amin’i Kristy. Ary ho amin’ny zava-kendrena inona? Mamaly izany toy izao i Petera: “Hianareo (...) dia taranaka voafidy, ‘fanjakà-mpisorona, firenena masina’, olona nalain’Andriamanitra ho an’ny tenany, mba hilazanareo ny hatsaran’Ilay niantso anareo hiala tamin’ny maizina ho amin’ny fahazavany mahagaga”. (1 Pet. 2:4-10; Isaia 28:16; Sal. 118:22; Isaia 8:14; Eks. 19:5, 6; Isaia 43:21; Hosea 1:10; 2:23). Io “fanjakà-mpisorona” io, izany hoe ny fisoronana ankapobeny mahafaoka ny firenena masin’Andriamanitra manontolo, no notoloran’i Petera ny fampanantenana ny amin’ilay Fanjakana ny amin’ny “lova tsy mety simba, tsy misy loto, tsy mety levona”, “ny satroboninahitra tsy mety simba”, “ny voninahiny mandrakizay ao amin’i Kristy”. Araka izany, dia ampirisihina aoka izany izy ireo mba hanohy (NW ) hifaly mba ‘hiravoravoany indrindra amin’ny fisehoan’ny voninahiny koa’. — 1 Pet. 1:4; 5:4, 10; 4:13.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Cyclopedia, nataon’i McClintock sy i Strong, fanontana vaovao tamin’ny 1981, Boky VIII, pejy 15.

b New Bible Dictionary, fanontana faharoa, 1986, natontan’i J. D. Douglas, pejy 918.

c Jerosalema, 1971, Boky 15, tsanganana 755.

[Fanontaniana]