Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-61 — 2 Petera

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-61 — 2 Petera

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-61 — 2 Petera

Mpanoratra: Petera

Toerana Nanoratana: Babylona (?)

Vita Tamin’ny: 64 am.f.i. tany ho any

1. Zava-misy inona avy no manaporofo ny naha-mpanoratra ny Petera Faharoa an’i Petera?

 REHEFA nanao ny taratasiny faharoa i Petera, dia takany fa tsy maintsy hiatrika fahafatesana izy tsy ho ela. Naniry mafy izy ny hampahatsiahy ireo Kristiana namany ny amin’ny naha-zava-dehibe ny fahalalana araka ny marina (NW ) mba hanampiana azy ireo hihazona ny fiorenany tsara teo amin’ny fanompoany. Hety hisy antony tokony hisalasalana ve fa ny apostoly Petera no nanoratra ilay taratasy (NW ) faharoa mitondra ny anarany? Ilay taratasy ihany dia manaisotra izay fisalasalana rehetra nety ho nipoitra raha ny amin’ny mpanoratra azy. Milaza ilay mpanoratra fa i “Simona Petera, mpanompo sy Apostolin’i Jesosy Kristy” ny tenany. (2 Pet. 1:1). Manondro azy itỳ ho ny “[taratasy, NW ] faharoa soratako ho aminareo” izy. (3:1). Miresaka momba ny tenany ho vavolombelona (NW ) nahita maso ny fiovan’i Kristy tarehy izy, tombontsoa izay niombonany tamin’i Jakoba sy i Jaona, ary nanoratra momba azy io tamin’ny fihetseham-po rehetra tsapan’ny vavolombelona nahita maso izy. (1:16-21). Nilaza izy fa efa nanambara mialoha momba ny hahafatesany i Jesosy. — 2 Pet. 1:14; Jaona 21:18, 19.

2. Inona no manaporofo ny maha-kanônika ny Petera Faharoa?

2 Kanefa, misy mpanao tsikera nanondro ny fahasamihafana eo amin’ny fomba fanoratra ao amin’ireo taratasy roa ho antony iray tokony tsy hinoana fa asan’i Petera ilay taratasy faharoa. Izany anefa tsy tokony hametraka tena zava-manahirana, satria hafa ilay foto-kevitra sy ilay zava-kendrena tamin’ny fanoratana. Fanampin’izany, i Petera dia nanoratra ny taratasiny voalohany “tamin’ny alalan’i Silasy, rahalahy mahatoky”, ary raha toa ka nomena fahalalahana sasantsasany momba ny fomba hilazana ireo fehezanteniny i Silasy, izany dia mety hanazava ilay fahasamihafan’ny fomba fanoratra ao amin’ireo taratasy roa, satria toa tsy nanana anjara tamin’ny fanoratana ilay taratasy faharoa izy. (1 Pet. 5:12, NW ). Nisy nanda koa ny maha-kanônika azy io, satria hoe “tsy misy fanamarihana firy avy amin’ireo Ray”. Kanefa, araka ny azo marihina avy amin’ilay tabilao hoe “Katalaogy Tany Am-boalohany Miavaka Amin’ny Soratra Grika Kristiana”, ny Petera Faharoa dia noheverin’ny fahefana sasantsasany talohan’ny Konsily Fahatelo tany Carthage, ho anisan’ny katalaogin’ny Baiboly. a

3. Oviana ary taiza no toa nanoratana ny Petera Faharoa, ary navantana tamin’iza izy io?

3 Oviana no nosoratana ny taratasin’i Petera faharoa? Azo inoana indrindra fa nosoratana tamin’ny 64 am.f.i. tany ho any izy io, tany Babylona na nanodidina azy, fotoana fohy taorian’ilay taratasy voalohany, nefa tsy misy porofo mivantana, indrindra fa raha ny amin’ny toerana. Tamin’ny fotoana nanoratana azy io, dia efa niely teo amin’ireo kongregasiona ny ankamaroan’ireo taratasin’i Paoly ary efa fantatr’i Petera, izay nihevitra azy ireny ho ara-tsindrimandrin’Andriamanitra ary nandahatra azy ireny niaraka tamin’ny “tapany sisa amin’ny Soratra Masina”. Ny taratasy faharoan’i Petera dia navantana tamin’ireo “izay efa nahazo finoana soa tahaka ny anay”, ary mahafaoka ireo izay efa nivantanan’ny taratasy voalohany ary koa ny hafa izay nitorian’i Petera. Tsy misy hafa amin’ilay taratasy voalohany izay niely tany amin’ny faritra maro, toy izany koa fa ilay taratasy faharoa dia taratasy ankapobeny. — 2 Pet. 3:15, 16, NW; 1:1; 3:1; 1 Pet. 1:1.

LOHA HEVITRA RAKETIN’NY PETERA FAHAROA

4. a) Ahoana no tokony hiezahan’ireo rahalahy mafy mba hahavokatra raha ny amin’ny fahalalana araka ny marina, ary inona no nampanantenaina azy ireo? b) Ahoana no nanaovana ny teny faminaniana ho mafy orina kokoa, ary nahoana izy io no tokony harahina?

4 Fanaovana ny fiantsoana ho any amin’ny Fanjakana any an-danitra ho azo antoka (1:1-21, ampitahao amin’ny NW .) Naneho haingana fiahiana feno fitiavana tamin’ireo “izay efa nahazo finoana” i Petera. Niriny ny hitomboan’izany hatsaram-panahy amin’izay tsy mendrika akory sy fiadanana izany ho azy ireo, “amin’ny fahalalana [araka ny marina, NW ] an’Andriamanitra sy Jesosy Tompontsika”. Nanome malalaka azy ireo “ireo [fampanantenana, NW ] sady soa no lehibe indrindra” Andriamanitra, ka amin’izany no hahatongavan’izy ireo ho mpiray amin’ny fomban’Andriamanitra. Noho izany, amin’ny alalan’ny ezaka amim-pahatsoram-po, dia aoka ny finoan’izy ireo hampiany hatsaran-toetra, fifehezan-tena, fahalalana, fiaretana, fifikirana amin’Andriamanitra, firaiketam-pon-drahalahy ary fitiavana. Raha tondraka ao amin’izy ireo, ireo toetra tsara ireo, dia tsy ho tonga malaina na hoe tsy hahavokatra mihitsy izy ireo raha ny amin’ny fahalalana araka ny marina. Tokony hanao izay farany azony atao ireo rahalahy mba ho azo antoka ny fiantsoana sy ny fifidianana azy, ary koa ny fidirany ao amin’ny Fanjakana mandrakizain’ny Tompony. Noho ny fahafantarany fa ‘ho avy [tsy ho ela, NW ] ny fanesorana ny tranolainy’, dia nazoto i Petera ny hampahatsiaro azy ireo ny amin’izany zavatra izany mba hanononan’izy ireo izany, rehefa maty izy. Vavolombelona nahita maso ny famirapiratan’i Kristy tany an-tendrombohitra masina i Petera rehefa “tonga teo aminy avy tamin’ny voninahitra lehibe indrindra ilay feo nanao hoe: ‘Ity no Zanako malalako Izay sitrako’ ”. Araka izany, dia natao mafy orina kokoa ny teny faminaniana, ary tokony harahina, satria tsy avy tamin’ny sitrapon’ny olona izy io, “fa avy tamin’Andriamanitra no nitenenan’ny olona araka izay nitondran’ny Fanahy Masina azy”. — 1:1, 2, 4, 14, 17, 21.

5. Fampitandremana inona no nomen’i Petera ny amin’ireo mpampianatra sandoka, ary fanoharana mahery inona avy no nampiasaina raha ny amin’ny maha-azo antoka ny didim-pitsaran’Andriamanitra amin’ny olona toy izany?

5 Fampitandremana mafy amin’ny mpampianatra sandoka (2:1-22, ampitahao amin’ny NW .) Hisy mpaminany sy mpampianatra sandoka hahatonga antokom-pivavahana maharingana, mampirisika hanana fitondran-tena tsy voafehy, ary mitondra fahafaham-baraka amin’ny fahamarinana. Tsy rendremana anefa ny fandringanana azy ireo. Tsy niahotra Andriamanitra nanafay ireo anjely nanota, nahatonga safodrano tamin’ny andron’i Noa, ary nanao an’i Sodoma sy i Gomora nanjary lavenona. Namonjy an’i Noa mpitory sy an’i Lota marina anefa izy, koa “fantatr’[i Jehovah, NW ] [àry] izay hamonjeny ny tsara fanahy amin’ny [fisedrana, NW ] sy ny hitehirizany ny olona tsy marina amin’ny [famongorana, NW ] ho amin’ny andro fitsarana”. Ny anton’izany dia satria ireo sahisahy, mitompo teny fantatra, tahaka ny biby tsy manan-tsaina, tsy mahafantatra na inona na inona, mpiteny ratsy, finaritra ao amin’ny fampianarany mamitaka, mpijangajanga, tia fatratra ny harena, ary tahaka an’i Balama izay tia ny tambin’ny tsy fahamarinana. Mampanantena fahafahana izy ireo, nefa ny tenany aza andevon’ny fahalotoana. Ho tsara kokoa tamin’izy ireo raha tsy nahalala ny lalan’ny fahamarinana, satria efa nihatra taminy ilay teny hoe: “ ‘Ny amboa miverina indray amin’ny loany’, ary: Ny kisoavavy efa nisasa dia mihosim-potaka indray.” — 2:9, 22.

6. a) Nahoana i Petera no nanoratra, ary inona no nolazainy mikasika ny fampanantenan’Andriamanitra? b) Mifanohitra amin’ireo mpaniratsira, ahoana no tsy maintsy hitandreman’ny Kristiana tena?

6 Fitadidiana tsara ao an-tsaina ny andron’i Jehovah (3:1-18, ampitahao amin’ny NW.) Nanoratra mba hampifoha ny fahaiza-misaina mazava tsaran’ireo Kristiana i Petera, mba hahatsiarovan’izy ireo ny teny voalaza taloha. Ho avy ny mpaniratsira amin’ny andro farany, ka hanao hoe: ‘Aiza ilay fiavian’i Kristy [nampanantenaina, NW ]?’ Tsy mahalala ireo olona ireo fa nandrava tamin’ny rano ilay tontolo tamin’ny andro fahiny Andriamanitra, ary koa fa “izao lanitra sy tany ankehitriny izao dia hazonin’izany teny izany ho amin’ny afo ka tehirizina ho amin’ny andro fitsarana sy fandringanana ny ratsy fanahy”. Ny arivo taona dia toy ny indray andro amin’i Jehovah, koa “tsy mahela ny [fampanantenany, NW ]” àry i Jehovah, fa mahari-po izy ka tsy tiany hisy ho very. Noho izany, dia tokony hitandrina ny fitondran-tenany ny Kristiana ary tokony hanao asa maneho fifikirana amin’Andriamanitra eo am-piandrasana ny fiavian’ny andron’i Jehovah sy eo am-pitadidiana azy io tsara ao an-tsaina. Izy io no hahamay sy hahalevona ny lanitra ary handoro sy hampiempo ny tenan’ny zavatra rehetra. Hisy “lanitra vaovao sy tany vaovao” anefa araka ny fampanantenan’Andriamanitra. — 3:4, 7, 9, 13.

7. Noho ny fananana izany fahalalana izany rahateo, ahoana no tokony hikelezan’ny Kristiana aina?

7 Noho izany, dia tokony hanao izay farany azony atao izy ireo “mba ho hita tsy manan-tsiny amam-pondro eo anatrehan’ny Tompo amin’ny fihavanana”. Tokony hihevitra ny fahari-pon’ny Tompony ho famonjena izy ireo, tahaka ny nosoratan’i Paoly malala tamin’izy ireo. Noho ny fahafantaran’izy ireo izany rahateo, dia aoka izy ireo hitandrina fandrao ho lavo amin’izay efa niorenan’ny tenany tsara. “Tsia”, hoy ny famaranan-tenin’i Petera, “fa manohiza mitombo ao amin’ny hatsaram-panahy amin’izay tsy mendrika akory sy ny fahalalana an’i Jesosy Kristy, Tompontsika sady Mpamonjy antsika. Ho Azy anie ny voninahitra ankehitriny sy ho amin’ny andro mandrakizay.” — 3:14, 18, NW.

MAHASOA — NAHOANA?

8. a) Ahoana no anamarinan’i Petera ny maha-ara-tsindrimandry ny Soratra Hebreo sy Grika? b) Ahoana no handraisantsika soa avy amin’ny fihazonana mafy ny fahalalana araka ny marina?

8 Tena ilaina toy inona moa ny fahalalana araka ny marina! Nanatsofoka tao amin’ireo hevitra narosony, fahalalana araka ny marina izay azony avy tao amin’ny Soratra Hebreo, i Petera. Hamarininy toy izao fa nanomezan’ny fanahy masina tsindrimandry izy ireo: “Fa tsy nisy faminaniana avy tamin’ny sitrapon’ny olona tany aloha rehetra; fa avy tamin’Andriamanitra no nitenenan’ny olona araka izay nitondran’ny Fanahy Masina azy.” Marihiny koa fa ny fahendren’i Paoly dia “nomena azy”. (1:21; 3:15). Mandray soa be dia be isika amin’ny fandinihana ireo Soratra ara-tsindrimandry rehetra ireo ary amin’ny fihazonana mafy ny fahalalana araka ny marina. Amin’izay dia tsy ho tonga afa-po amin’ny tenantsika na oviana na oviana isika, toy ireo izay lazalazain’i Petera fa nanao hoe: “Maharitra tsy miova ny zavatra rehetra; eny, hatramin’ny nanaovana izao tontolo izao aza.” (3:4). Tsy ho latsaka ao amin’ny fandriky ny mpampianatra sandoka toy ireo izay lazalazain’i Petera ao amin’ny toko faha-2 ao amin’ny taratasiny, koa isika. Tokony handinika tsy tapaka ireo fampahatsiarovana nomen’i Petera sy ireo mpanoratra ao amin’ny Baiboly hafa, kosa isika. Izy ireo dia manampy antsika ‘hiorina tsara amin’ny fahamarinana’ hatrany. Manampy antsika koa izy ireo, ‘hanohy hitombo, amim-paharetana sy amin’ny fiorenana tsara ao amin’ny hatsaram-panahy amin’izay tsy mendrika akory sy ny fahalalana an’i Jesosy Kristy Tompontsika sady Mpamonjy antsika’. — 1:12; 3:18, NW.

9. Ezaka amim-pitandremana inona no ampirisihana hataontsika, ary nahoana?

9 Ho fanampiana iray mba hitomboana amin’ny “fahalalana [araka ny marina, NW ] an’Andriamanitra sy Jesosy Tompontsika”, dia manoro hevitra i Petera mba hanaovana ezaka amim-pahatsoram-po mba hambolena ireo toetra tsara kristiana voatanisa ao amin’ny toko voalohany, andininy faha-5 ka hatramin’ny faha-7. Avy eo, eo amin’ny andininy faha-8, dia manampy teny toy izao izy: “Fa raha anananareo izany zavatra izany sady [tondraka, NW ], dia tsy avelan’izany ho malaina na tsy hahavokatra hianareo amin’ny fahalalana [araka ny marina, NW ] an’i Jesosy Kristy Tompontsika.” Tena marina fa izany dia fampirisihana faran’izay tsara ho amin’ny asa amin’ny maha-mpanompon’Andriamanitra amin’izao andro sarotra izao! — 1:2.

10. a) Fampanantenana inona avy no antitranterin’i Petera, ary inona no ampirisihany mifandray amin’izy ireo? b) Toky inona no omen’i Petera mikasika ireo faminaniana ny amin’ilay Fanjakana?

10 Zava-dehibe toy inona moa ny hikelezan’ny tena aina araka izay farany azo atao mba hahazoana toky fa hahazo “ireo [fampanantenana, NW ] sady soa no lehibe indrindra” nomen’i Jehovah Andriamanitra! Izany no antony ampirisihan’i Petera ireo Kristiana voahosotra hibanjina ny tanjona ny amin’ilay Fanjakana, amin’ny filazana hoe: “[Manaova izay farany azonareo atao, NW ] (...) hampitoetra ny fiantsoana sy ny fifidianana anareo; fa raha manao izany zavatra izany hianareo, dia tsy ho tafintohina akory mandrakizay; fa toy izany no hanomezana malalaka ho anareo ny fidirana ho any amin’ny fanjakana mandrakizay, izay an’i Jesosy Kristy, Tompontsika sy Mpamonjy antsika.” Avy eo i Petera dia nisarika ny saina ho amin’ny famirapiratan’ny voninahitry ny Fanjakan’i Jesosy, izay naha-vavolombelona nahita maso azy tamin’ilay fahitana ny amin’ny fiovan-tarehy, ary nanampy teny toy izao: “Ary manana ny teny faminaniana atao mafy orina kokoa isika”. Marina fa ny faminaniana rehetra mikasika ny Fanjakana mamirapiratr’i Jehovah dia ho tanteraka amin’ny fomba azo antoka. Araka izany, dia amim-patokiana no amerenantsika izao tenin’i Petera nalainy avy tao amin’ny faminanian’i Isaia izao: “Isika, araka ny [fampanantenany, NW ], dia [miandry, NW ] lanitra vaovao sy tany vaovao, izay itoeran’ny fahamarinana.” — 2 Pet. 1:4, 10, 11, 19; 3:13; Isaia 65:17, 18.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Jereo ny tabilao eo amin’ny pejy faha-303.

[Fanontaniana]