Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-62 — 1 Jaona

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-62 — 1 Jaona

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-62 — 1 Jaona

Mpanoratra: Apostoly Jaona

Toerana Nanoratana: Efesosy, na teo akaiky

Vita Tamin’ny: 98 am.f.i. tany ho any

1. a) Toetra tsara inona no hita manerana ireo asa soratr’i Jaona, kanefa inona no mampiseho fa tsy olona mora mihetsi-po tafahoatra izy? b) Nahoana no tonga tamin’ny fotoana nety ireo taratasiny telo?

 I JAONA, ilay apostoly malalan’i Jesosy Kristy, dia nanana fitiavana mahery ny fahitsiana. Izany dia nanampy azy hanana fahatakarana hevi-dalina momba ny sain’i Jesosy. Noho izany dia tsy gaga isika raha ny fitiavana no loha hevitra manjaka ao amin’ireo asa sorany. Tsy olona mora mihetsi-po tafahoatra anefa izy, satria niresaka momba azy ho toy ny iray tamin’ireo “Zana-baratra [Boanerjesy]” i Jesosy. (Marka 3:17). Raha ny tena izy, dia ho fiarovana ny fahamarinana sy ny fahitsiana no nanoratany ireo taratasiny (NW ) telo, satria efa nanjary niharihary ilay fivadiham-pinoana nambaran’ny apostoly Paoly mialoha. Tena tonga tamin’ny fotoana nety tokoa ireo taratasy telon’i Jaona, satria fanampiana mba hampahatanjahana ireo Kristiana tany am-boalohany teo amin’ny ady nataon’izy ireo tamin’ny fanitsakitsahan’“ilay ratsy”, izy ireo. — 2 Tes. 2:3, 4, NW; 1 Jaona 2:13, 14; 5:18, 19.

2. a) Inona no mampiseho fa ireo taratasin’i Jaona dia nosoratana ela be taorian’ny Matio sy ny Marka ary ireo taratasy misionera? b) Oviana ary taiza no toa nanoratana ireo taratasy?

2 Raha tsaraina avy amin’ireo loha hevitra raketiny, ireo taratasy ireo dia nosoratana tamin’ny fe-potoana taoriana lavitra ny an’ireo Filazantsaran’i Matio sy i Marka — taoriana kokoa noho ny an’ireo taratasy misioneran’i Petera sy i Paoly koa. Niova ny toe-javatra. Tsy misy firesahana momba ny Jodaisma ao, dia ilay fandrahonana lehibe ho an’ireo kongregasiona (NW ) tamin’ny andron’ny fahazazany; ary toa tsy misy fakan-teny mivantana avy amin’ny Soratra Hebreo na dia iray aza. Etsy an-danin’izany kosa, i Jaona dia miresaka momba ny “ora farany” sy ny fisehoan’ny ‘antikristy maro’. (1 Jaona 2:18). Miresaka momba ireo mpamaky azy amin’ny alalan’ny teny toy ny hoe “anaka”, sy momba ny tenany ho ilay “loholona”, izy. (1 Jaona 2:1, 12, 13, 18, 28; 3:7, 18; 4:4; 5:21; 2 Jaona 1; 3 Jaona 1). Izany rehetra izany dia toa manondro daty iray tatỳ aoriana ho an’ireo taratasiny telo. Afa-tsy izany koa, ny 1 Jaona 1:3, 4 dia toa mampiseho fa nosoratana tamin’io fotoana io koa ny Filazantsaran’i Jaona. Inoana mazàna fa ireo taratasy telon’i Jaona dia vita tamin’ny 98 am.f.i. tany ho any, fotoana fohy talohan’ny nahafatesan’ilay apostoly, ary koa fa nosoratana tany amin’ny manodidina an’i Efesosy izy ireo.

3. a) Inona no manamarina ny hoe iza no nanoratra ny Jaona Voalohany sy ny maha-azo itokiana azy? b) Fanazavana inona no nanampy tatỳ aoriana, kanefa inona no manaporofo fa diso izy io?

3 Ny hoe tena nosoratan’i Jaona, ilay apostoly, ny Jaona Voalohany dia asehon’ny fitoviany be amin’ilay Filazantsara fahefatra, izay tsy azo lavina fa nosoratany. Ohatra, mampiditra ny taratasiny izy amin’ny filazalazana ny tenany ho vavolombelona nahita maso “ny Teny Fiainana (...) ny fiainana mandrakizay, izay tao amin’ny Ray ka efa naseho taminay”, fitenenana mitovy amin’ny fomba manaitra amin’ireo izay anokafany ny Filazantsaran’i Jaona. Ny maha-azo itokiana azy io dia hamarinin’ny Fragment de Muratori sy ny mpanoratra tany am-boalohany toa an’i Irénée sy i Polycarpe ary i Papias, samy tamin’ny taonjato faharoa am.f.i. a Araka an’i Eusèbe (260-342 am.f.i. tany ho any), dia tsy niadian-kevitra mihitsy ny maha-azo itokiana ny Jaona Voalohany. b Kanefa, tokony homarihina fa ny toko faha-5 dia nampian’ny fandikan-teny tranainy kokoa sasany an’ireto teny manaraka ireto, eo amin’ny faran’ny andininy faha-7 sy ny fiandohan’ny andininy faha-8: “Any an-danitra, ny Ray sy ny Teny, ary ny Fanahy Masina: ary iray ihany izy telo ireo. Ary misy telo manao fanambarana eto an-tany.” (King James Version). Io andinin-teny io anefa dia tsy hita ao amin’ireo sora-tanana grika tany am-boalohany, na inona izany na inona, ary miharihary fa nanampy mba hanamafisana ny foto-pampianarana momba ny Trinite. Ny ankamaroan’ireo fandikan-teny maoderina, na katolika na protestanta, dia tsy mampiditra ireo teny ireo ao amin’ilay tena andalan-tsoratra. — 1 Jaona 1:1, 2. c

4. Tamin’iza no niezahan’i Jaona niarovana ireo Kristiana namany, ary fampianarana inona no noporofoiny fa diso?

4 Nanoratra i Jaona mba hiarovana ireo ‘malalany’, ireo ‘ankiziny’, tamin’ny fampianaran-dison’ireo ‘antikristy maro’ izay niala avy tamin’izy ireo ihany ary nitady hamitaka azy ireo hiala tamin’ny fahamarinana. (2:7, 18). Ireny antikristy nivadi-pinoana ireny dia nety ho niharan’ny fitaoman’ny filozofia grika, anisan’izany ny Gnosticisme tany am-boalohany, izay nihambo ho nanana karazam-pahalalana manokana tsy takatry ny saina, avy tamin’Andriamanitra, ny mpanaraka azy io. d Niandany mafy tamin’ny fanoherana ny fivadiham-pinoana i Jaona ka niresaka be dia be momba ny loha hevitra telo: ny fahotana sy ny fitiavana ary ny antikristy. Asehon’ireo fanambarana nataony momba ny fahotana sy ho fanohanana ny soron’i Jesosy noho ny fahotana, fa ireo antikristy ireo dia nihambo tamim-panamarinan-tena ho tsy nanana ota ka tsy nila ny sorom-panavotan’i Jesosy. Ny “fahalalana” tsy nifantoka afa-tsy tamin’ny tenany nananan’izy ireo dia nahatonga azy ireo ho tia tena sy tsy hanam-pitiavana, toetra iray izay nalan’i Jaona sarona rehefa nanantitrantitra tsy tapaka ny fitiavana kristiana marina izy. Ambonin’izany, dia toa niady tamin’ny foto-pampianarana dison’izy ireo izy, rehefa nanazava fa i Jesosy no Kristy, fa nanana fiainana talohan’ny naha-olombelona azy izy ary koa fa tonga tamin’ny nofo tamin’ny naha-Zanak’Andriamanitra azy izy mba hitondra famonjena ho an’ny olona mino. (1:7-10; 2:1, 2; 4:16-21; 2:22; 1:1, 2; 4:2, NW, 3, 14, 15). Nopetahin’i Jaona ny anarana mazava tsara hoe “antikristy” ireny mpampianatra sandoka ireny, ary nanome fomba sasantsasany hamantarana ireo zanak’Andriamanitra sy ireo zanaky ny Devoly, izy. — 2:18, 22; 4:3.

5. Inona no mampiseho fa natao ho an’ny kongregasiona kristiana manontolo ny Jaona Voalohany?

5 Koa satria tsy misy kongregasiona manokana iray amantanany ny taratasiny, dia miharihary fa natao ho an’ny fitambaran’ny Kristiana manontolo ilay izy. Mampiseho izany koa ny tsy fisian’ny fiarahabana eo am-piandohana sy fampamangiana amin’ny farany. Nisy aza nilazalaza itỳ asa soratra itỳ ho famelabelarana fa tsy taratasy. Ny fampiasana ny hoe “hianareo”, milaza maro, hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany dia mampiseho fa navantan’ilay mpanoratra tamin’antokon’olona, fa tsy tamin’ny olona iray, ny teniny.

LOHA HEVITRA RAKETIN’NY JAONA VOALOHANY

6. Fifanoherana inona no soritan’i Jaona eo amin’ireo izay mandeha ao amin’ny mazava sy ireo izay ao amin’ny maizina?

6 Fandehanana ao amin’ny mazava, fa tsy ao amin’ny maizina (1:1–2:29). “Izao zavatra izao no soratanay”, hoy i Jaona, “mba ho tanteraka ny fifaliantsika.” Koa satria “Andriamanitra dia mazava”, dia ireo izay “mandeha eo amin’ny mazava” ihany no “manana firaisana aminy” sy amin’izy samy izy (NW ). Voadio ho afaka amin’ny ota ireo, “noho ny ran’i Jesosy Zanany”. Etsy an-danin’izany, ireo izay “mandeha amin’ny maizina” ary mihambo ho “tsy manana ota”, dia mamita-tena, ary ny marina tsy ao anatiny. Raha miaiky ny fahotany izy, dia hahatoky Andriamanitra ka hamela ny fahotany. — 1:4-8.

7. a) Ahoana no ampisehoan’ny olona iray fa mahafantatra sady tia an’Andriamanitra ny tenany? b) Ahoana no ahafantarana ny antikristy?

7 I Jesosy Kristy dia ampahafantarina ho “avotra” noho ny fahotana sy “Solovava ao amin’ny Ray”. Izay mihambo ho mahafantatra an’Andriamanitra kanefa tsy mitandrina ny didiny dia mpandainga. Izay tia ny rahalahiny dia mitoetra ao amin’ny mazava, fa izay mankahala ny rahalahiny kosa dia mandeha ao amin’ny maizina. Manoro hevitra mafy i Jaona mba tsy hitiavana izao tontolo izao na izay zavatra eo amin’izao tontolo izao, satria hoy izy: “Raha misy olona tia izao tontolo izao dia tsy ao anatiny ny fitiavana ny Ray.” Antikristy maro no tonga, ary “avy tamintsika ihany no niala ireo”, hoy ny fanazavan’i Jaona, satria “tsy mba namantsika izy”. Ny antikristy dia ilay mandà an’i Jesosy tsy ho Kristy. Sady mandà ny Ray izy no mandà ny Zanaka. Aoka ireo antsoiny hoe “anaka” hitoetra amin’izay nianaran’izy ireo hatramin’ny voalohany, mba ‘hitoerany ho [tafaray, NW ] amin’ny Zanaka sy ny Ray’, araka ny hosotra izay avy aminy sady marina. — 2:1, 2, 15, 18, 19, 24.

8. a) Inona no mampiavaka ireo zanak’Andriamanitra amin’ireo an’ny Devoly? b) Tamin’ny ahoana ireo antsoina hoe “anaka” no nanjary nahafantatra ny fitiavana, ary fandinihana ny fony ahoana no tsy maintsy ataon’izy ireo tsy tapaka?

8 Tsy zatra manota (NW ) izay zanak’Andriamanitra (3:1-24). Noho ny fitiavan’ny Ray, dia antsoina hoe “zanak’Andriamanitra” izy ireo, ary amin’ny fisehoan’Andriamanitra, dia ho tahaka azy izy ireo ary ‘ho hitany Izy, dia izay tena endriny tokoa’. Ny ota dia fandikana ny lalàna, ary ireo izay mitoetra ho tafaray amin’i Kristy dia tsy zatra manota. Izay manohy (NW ) manota dia avy amin’ny Devoly, izay horavan’ilay Zanak’Andriamanitra ny asany. Miharihary araka izao izay zanak’Andriamanitra sy izay zanaky ny Devoly: Izay avy amin’Andriamanitra dia mifankatia, fa izay avy amin’ilay ratsy kosa dia tahaka an’i Kaina, izay nankahala sy namono ny rahalahiny. Nilaza tamin’ireo nantsoiny hoe “anaka” i Jaona fa nanjary (NW ) nahafantatra ny fitiavana izy ireo, satria “Izy no nanolotra ny ainy hamonjy” azy ireo, ary nananatra azy ireo izy mba tsy ‘hihirim-belona’ amin’ny rahalahiny. Aoka izy ireo “tsy ho tia amin’ny teny na amin’ny lela (...), fa amin’ny asa sy amin’ny marina”. Mba hahafantarany raha “avy amin’ny marina” ny tenany, dia tsy maintsy mandinika ny fony izy ireo ka hijery raha “manao izay ankasitrahana eo [imason’Andriamanitra]”. Tsy maintsy mitandrina ny didiny izy ireo mba ‘hinoany ny anaran’i Jesosy Kristy Zanany sy hifankatiavany’. Araka izany no hampisehoan’izy ireo fa mitoetra ho tafaray aminy izy ireo, ary izy kosa amin’izy ireo amin’ny alalan’ny fanahy. — 3:1, 2, 16-19, 22, 23.

9. a) Fitsapana inona momba ireo teny ara-tsindrimandry no tokony hatao? b) Inona no manantitrantitra ny adidy hifankatia?

9 Fifankatiavana amin’ny maha-tafaray amin’Andriamanitra azy ireo (4:1–5:21). Tokony hotsapaina ireo teny ara-tsindrimandry (NW ). Ireo teny ireo, izay mandà fa tonga tamin’ny nofo i Kristy, dia “tsy mba avy amin’Andriamanitra” fa an’ny antikristy. Avy amin’izao tontolo izao izy ireny ary tafaray amin’izy io, fa ny teny ara-tsindrimandrin’ny fahamarinana kosa dia avy amin’Andriamanitra. Hoy i Jaona: “Andriamanitra dia fitiavana”, ary “izao no fitiavana: tsy ny nitiavantsika an’Andriamanitra, fa ny nitiavany antsika, ka nirahiny ny Zanany ho avotra noho ny fahotantsika”. Lehibe toy inona àry ny adidy (NW ) hifankatia! Ireo izay tia ny hafa dia manana an’Andriamanitra tafaray aminy, ka natao lavorary (NW ) araka izany ny fitiavana mba ‘hananan’izy ireo fahasahiana [hiteny, NW ]’, ka handroaka ny tahotra. “Isika tia”, hoy i Jaona, “satria Izy efa tia antsika taloha.” “Izay tia an’Andriamanitra dia tsy maintsy tia ny rahalahiny koa.” — 4:3, 8, 10, 17, 19, 21.

10. a) Ahoana no ahafahan’ireo zanak’Andriamanitra mandresy izao tontolo izao, ary fatokiana inona no ananany? b) Fihetsika inona no tsy maintsy ananan’izy ireo eo anoloan’ny fahotana sy ny fanompoan-tsampy?

10 Ny fanehoana fitiavana amin’ny maha-zanak’Andriamanitra dia midika ho fitandremana ny didiny, ary izany dia mitarika ho amin’ny fandresena izao tontolo izao, amin’ny alalan’ny finoana. Mikasika ireo izay mino ny Zanak’Andriamanitra, dia nanome teny vavolombelona (NW ) Andriamanitra fa nanome azy ireo “fiainana mandrakizay, (...) ary ao amin’ny Zanany izany fiainana izany”. Araka izany, dia mahazo manana fatokiana (NW ) izy ireo fa mihaino azy ireo izy, na inona na inona angatahin’izy ireo araka ny sitrapony. Ota avokoa ny tsy fahamarinana rehetra, ary anefa (NW ) misy ota tsy mahafaty. Izay rehetra naterak’Andriamanitra dia tsy manao ny fahotana ho fahazarana. Na dia ‘mipetraka eo amin’ilay ratsy avokoa aza izao tontolo izao, dia efa tonga ilay Zanak’Andriamanitra’, ary nanome ho an’ny mpianany ny “fahaizana ara-tsaina” hahazoana ny fahalalana momba ilay Andriamanitra marina izy, ary tafaray aminy izao izy ireo “amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Zanany”. Tsy maintsy mitandrin-tena amin’ny sampy koa izy ireo! — 5:11, 19, 20, NW.

MAHASOA — NAHOANA?

11. Ahoana no ahafahan’ny Kristiana amin’izao andro izao miady amin’ireo antikristy sy ireo filan’izao tontolo izao?

11 Tsy misy hafa amin’ny tamin’ireo taona namarana ny taonjato voalohany amin’ny Fanisan-taona Iraisana, dia toy izany koa amin’izao andro izao fa misy ‘antikristy maro’ izay tsy maintsy ampitandremana ny Kristiana marina. Ireo Kristiana marina ireo dia tsy maintsy mihazona mafy ‘ilay teny izay efa reny hatramin’ny voalohany hoe: mifankatiava’, ary mitoetra ho tafaray amin’Andriamanitra sy ny fampianarana marina, manao ny marina amin’ny fahasahiana miteny. (2:18; 3:11; 2:27-29, NW ). Ny zava-dehibe indrindra koa dia ilay fampitandremana amin’ny “filan’ny nofo sy ny filan’ny maso ary ny fampideraderana ny fananan’ny tena”, dia ireo zava-dratsy ara-nofo sy araka an’izao tontolo izao izay naharendrika ny ankamaroan’ireo Kristiana anarana. Handositra izao tontolo izao sy ny filany ireo Kristiana marina, noho ny fahafantarana fa “izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no mitoetra mandrakizay”. Amin’itỳ taonjaton’ny filana sy ny fitokotokoana ary ny fankahalan’izao tontolo izao itỳ, dia tena mahasoa toy inona moa ny mianatra ny sitrapon’Andriamanitra amin’ny alalan’ireo Soratra ara-tsindrimandry sy ny manao izany sitrapo izany! — 2:15-17, NW.

12. Fifanoherana inona avy no soritan’ny Jaona Voalohany mba handraisantsika soa, ary ahoana no ahafahantsika mandresy izao tontolo izao?

12 Mba handraisantsika soa no ampisehoan’ny Jaona Voalohany mazava tsara ireo fifanoherana eo amin’ny mazava, izay avy amin’ny Ray, sy ny maizina mpandrava ny fahamarinana, avy amin’ilay ratsy, eo amin’ireo fampianaran’Andriamanitra manome fiainana sy ireo lainga mamitaka avy amin’ny antikristy, eo amin’ny fitiavana izay manenika ny kongregasiona manontolon’ireo izay tafaray amin’ny Ray miaraka amin’ny Zanaka, sy ny fankahalana mitarika ho amin’ny famonoana olona, sahala amin’ny an’i Kaina, izay ao amin’ireo izay “avy tamintsika ihany [ka] niala (...), mba haseho fa tsy isantsika izy rehetra”. (2:19; 1:5-7; 2:8-11, 22-25; 3:23, 24, 11, 12). Amin’ny fananana izany fahatakaran-javatra izany, dia tokony ho ny faniriantsika mafana ny ‘haharesy izao tontolo izao’. Ary ahoana no azontsika anaovana izany? Amin’ny fananana finoana matanjaka sy amin’ny fananana “fitiavana an’Andriamanitra”, izay midika hoe fitandremana ny didiny. — 5:3, 4.

13. a) Amin’ny ahoana no anasongadinana ny fitiavana an’Andriamanitra ho hery tena miseho amin’ny asa? b) Tokony ho karazana manao ahoana ny fitiavan’ny Kristiana, ka hiafara amin’ny firaisana inona?

13 Ny “fitiavana an’Andriamanitra” — mahatalanjona toy inona moa ny fanasongadinana io hery manome antony manosika io, hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny faran’ilay taratasy! Ao amin’ny toko faha-2 isika dia mahita fanoritana fifanoherana mazava tsara eo amin’ny fitiavana izao tontolo izao sy ny fitiavana ny Ray. Any aoriana kokoa dia isarihana ny saintsika fa “Andriamanitra dia fitiavana”. (4:8, 16). Ary karazam-pitiavana miseho amin’ny asa toy inona moa izy io! Hita teo amin’ny nanirahan’ny Ray “ny Zanany ho Mpamonjy izao tontolo izao” ny fanehoana io fitiavana io tamin’ny fomba mamirapiratra. (4:14, NW ). Izany dia tokony hamelona fitiavana feno fankasitrahana sy tsy manan-tahotra ao am-pontsika, mifanaraka amin’ireto tenin’ilay apostoly ireto: “Isika tia, satria Izy efa tia antsika taloha.” (4:19). Tokony hitovy karazana amin’ny an’ny Ray sy ny Zanaka ny fitiavantsika — karazam-pitiavana miseho amin’ny asa, vonona ho amin’ny fahafoizan-tena. Tsy misy hafa amin’ny nanoloran’i Jesosy ny ainy ho antsika, dia “[manana adidy hanolotra, NW ] ny aintsika hamonjy ny rahalahy” koa isika, eny, tsy hihirim-belona raha ny amin’ny fitiavantsika ny rahalahintsika, tsy amin’ny teny ihany, fa “amin’ny asa sy amin’ny marina”. (3:16-18). Araka ny asehon’ny taratasin’i Jaona mazava tsara aoka izany, dia io fitiavana io, ampiarahina amin’ny fahalalana marina an’Andriamanitra, no mampifamatotra ireo izay manohy miara-mandeha amin’Andriamanitra amin’ny maha-tafaray azy amin’ny Ray sy ny Zanaka amin’ny fomba tsy azo ravana. (2:5, 6, NW ). Amin’ireo mpandova ilay Fanjakana ao amin’io fatoram-pitiavana voatahy io no ilazan’i Jaona hoe: “Ary isika dia [tafaray, NW ] amin’Ilay marina, [amin’ny alalan’i, NW ] Jesosy Kristy Zanany. Izy no Andriamanitra marina sy fiainana mandrakizay.” — 5:20.

[Fanamarihana ambany pejy]

a The International Standard Bible Encyclopedia, Boky 2, 1982, natontan’i G. W. Bromiley, pejy 1095-1096.

b The Ecclesiastical History, III, XXIV, 17.

c Auxiliaire pour une meilleure intelligence de la Bible, pejy 486.

d New Bible Dictionary, fanontana faharoa, 1986, natontan’i J. D. Douglas, pejy 426, 604.

[Fanontaniana]