Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-63 — 2 Jaona

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-63 — 2 Jaona

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-63 — 2 Jaona

Mpanoratra: Apostoly Jaona

Toerana Nanoratana: Efesosy, na teo akaiky

Vita Tamin’ny: 98 am.f.i. tany ho any

1. Iza no nety ho nanoratana ny Jaona Faharoa?

 FOHY ny taratasy faharoan’i Jaona — nety ho azo nosoratana tamin’ny takelaka taratasy papyrus tokana ilay izy — kanefa feno heviny. Navantana tamin’“itompokovavy voafidy sy ny zanany” izy itỳ. Koa satria anarana tena nisy ny hoe “Kyria” (teny grika nadika hoe “tompokovavy”) tamin’izany fotoana izany, dia nisy manam-pahaizana manokana momba ny Baiboly nihevitra fa olona iray nitondra io anarana io no niresahana. Etsy an-danin’izany kosa, dia heverin’ny sasany fa nanoratra ho an’ny kongregasiona kristiana iray i Jaona, ka niresaka momba azy io ho “itompokovavy voafidy”. Nety ho natao mba hahavery hevitra ny mpanenjika izany. Raha izany no izy, ireo fanaovam-beloman’ilay ‘rahavaviny’ voatonona eo amin’ny andininy farany dia ny an’ireo mpikambana tao amin’ny kongregasiona hafa iray. Koa tsy nokendrena ho taratasy ankapobe toy ilay taratasy voalohany àry itỳ faharoa, satria miharihary fa nosoratana, na ho an’ny olona iray, na ho an’ny kongregasiona manokana iray. — 2 Jaona And. 1.

2. a) Porofo inona no manondro fa ny apostoly Jaona no nanoratra ny Jaona Faharoa? b) Inona no toa manondro fa nosoratana tany Efesosy na teo akaiky, tamin’ny 98 am.f.i. tany ho any, ilay taratasy, ary inona no manohana ny maha-azo itokiana azy io?

2 Tsy misy antony tokony hisalasalana fa i Jaona no nanoratra itỳ taratasy itỳ. Niantso ny tenany hoe “izaho loholona” ilay mpanoratra. Azo antoka fa nifanentana tamin’i Jaona izany, tsy vitan’ny hoe noho izy efa nandroso taona, fa noho izy iray tamin’ireo “andry”, (Gal. 2:9), sady ilay apostoly sisa velona, koa dia tena “loholona” marina tao amin’ny kongregasiona kristiana izy. Fantatra tsara izy, ary tsy misy fampahafantarana fanampiny nilain’ireo hamaky ny taratasiny. Ny naha-mpanorata azy itỳ an’i Jaona koa dia asehon’ny fitovian’ny fomba fanoratra hita ato sy izay hita ao amin’ilay taratasy voalohany sy ny Filazantsaran’i Jaona. Toy ilay taratasy voalohany, ilay faharoa dia toa nosoratana tany Efesosy na nanodidina azy, tamin’ny 98 am.f.i. tany ho any. Mikasika ny Jaona Faharoa sy Fahatelo, dia manazava toy izao ny Cyclopedia nataon’i McClintock sy i Strong: “Avy amin’ny fitoviana ankapoben’izy ireo, dia azontsika atao ny manombantombana fa nosoratana fotoana fohy taorian’ilay Epistily Voalohany tany Efesosy ireo epistily roa ireo. Izy ireo dia samy mampihatra ireo fotopoto-pitsipika nomena tamin’ny fomba feno tao amin’ilay Epistily Voalohany, tamin’ny ohatra ara-pitondran-tena voafaritra tsara.” a Ho fanohanana ny maha-azo itokiana an’ilay taratasy, dia notononin’i Irénée, tamin’ny taonjato faharoa, izy itỳ, ary neken’i Clément avy tany Aleksandria, tamin’io fe-potoana io ihany. b Afa-tsy izany koa, ireo taratasin’i Jaona dia voatanisa ao amin’ny Fragment de Muratori.

3. Nahoana i Jaona no nanoratra ilay taratasy?

3 Toy ny tamin’ny Jaona Voalohany, ny antony nanoratana itỳ taratasy itỳ dia ny famelezan’ireo mpampianatra sandoka ny finoana kristiana. Naniry hampitandrina ireo hamaky ny taratasiny tamin’ny olona toy izany i Jaona, mba hahafahan’izy ireo hamantatra sy hanalavitra tanteraka azy ireny, no sady hanohy handeha amin’ny fahamarinana, amin’ny fifanehoana fitiavana.

LOHA HEVITRA RAKETIN’NY JAONA FAHAROA

4. Nahoana indrindra i Jaona no nananatra mba hifankatia, ary ahoana no tsy maintsy itondrana ireo izay mialoha mihoatra ny fampianaran’i Kristy?

4 Mifankatiava; lavo ny mpivadi-pinoana (And. 1-13). Rehefa avy naneho ny fitiavany tao amin’ny fahamarinana an’“itompokovavy voafidy sy ny zanany” i Jaona, dia nifaly fa nisy tamin’izy ireo hitany nandeha tamin’ny fahamarinana, araka ny nandidian’ny Ray. Nangatahiny izy ireo mba haneho ny fifankatiavany amin’ny fanohizana mandeha araka ny didin’Andriamanitra. Ny anton’izany dia satria nisy mpamitaka sy antikristy maro lasa tany amin’izao tontolo izao, tsy nanaiky fa efa tonga tamin’ny nofo i Jesosy Kristy. Izay nialoha ka nihoatra ny fampianaran’i Kristy dia tsy nanana an’Andriamanitra, fa izay nitoetra tao amin’io fampianarana io kosa dia “manana ny Ray sy ny Zanaka”. Raha nisy tsy nitondra izany fampianarana izany dia tsy tokony hampiantranoina na harahabaina akory aza. Nanana zavatra maro hosoratana tamin’izy ireo i Jaona, kanefa nantenainy kosa ny ho tonga tany amin’izy ireo ka hiteny taminy nifanatrika, mba ho “tanteraka” ny fifalian’izy ireo. — And. 9, 12.

MAHASOA — NAHOANA?

5. a) Tarehin-javatra inona no nipoitra tamin’ny andron’i Jaona izay efa nipoitra koa tamin’izao andro maoderina izao? b) Toa an’i Jaona, ahoana no ahafahantsika amin’izao andro izao mampiseho fankasitrahana noho ny firaisan-tsain’ny kongregasiona?

5 Tamin’ny andron’i Jaona, ary amin’izao andro maoderina izao koa, dia toa nisy sasany izay tsy afa-po tamin’ny fitoerana tamin’ireo fampianarana mazava tsara sy tsotran’i Kristy. Naniry zavatra amboniny izy ireny, zavatra izay hampifaly ny fitiavan-tenany, zavatra izay hanandratra azy ireny ary hampitovy saranga azy ireny amin’ireo filozofan’izao tontolo izao. Koa vonona izy ireny ny handoto sy hampisaraka ny kongregasiona kristiana mba hanatratrarana ny zava-kendreny feno fitiavan-tena. Noheverin’i Jaona ho sarobidy ny fifandrindran’ny kongregasiona izay niorina tamin’ny fitiavana sy ny fampianarana marina, tafaray tamin’ny Ray sy ny Zanaka. Isika dia tokony hihevitra ho sarobidy toy izany koa ny firaisan-tsain’ny kongregasiona amin’izao andro izao, ka handa mihitsy aza tsy hiaraka amin’ireo izay mivadi-pinoana ho any amin’ny fampianarana hafa mihoatra izay efa noraisiny tamin’ny alalan’ireo Soratra ara-tsindrimandry, sy tsy hiarahaba azy ireo. Amin’ny fanohizantsika mandeha araka ny didin’Andriamanitra, sy ao amin’ny fifaliana tanteraka hita ao amin’ny tena fifaneraserana kristiana, dia afaka mahazo toky isika fa “ho amintsika ny [hatsaram-panahy amin’izay tsy mendrika akory, NW ] sy ny famindrampo ary ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy, Zanaky ny Ray, amin’ny fahamarinana sy ny fitiavana”. (And. 3). Azo antoka fa tena manantitrantitra ny maha-fahasambarana ny firaisan-kina kristiana toy izany, ny taratasy faharoan’i Jaona.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Fanontana vaovao tamin’ny 1981, Boky IV, pejy 955.

b New Bible Dictionary, fanontana faharoa, 1986, natontan’i J. D. Douglas, pejy 605.

[Fanontaniana]