Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-64 — 3 Jaona

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-64 — 3 Jaona

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-64 — 3 Jaona

Mpanoratra: Apostoly Jaona

Toerana Nanoratana: Efesosy, na teo akaiky

Vita Tamin’ny: 98 am.f.i. tany ho any

1. Tamin’iza no navantana ny Jaona Fahatelo, ary inona no fantatra momba azy?

 ITỲ taratasy itỳ dia nosoratana ho an’i Gaio, Kristiana nahatoky iray izay tena tian’i Jaona marina (NW ). Anarana fahita ny hoe Gaio tamin’ny andron’ny kongregasiona (NW ) tany am-boalohany. Miseho inefatra ao amin’ny toerana hafa ao amin’ny Soratra Grika Kristiana izy io, ka manondro lehilahy samy hafa telo fara fahakeliny ary angamba efatra. (Asa. 19:29; 20:4; Rom. 16:23; 1 Kor. 1:14). Tsy misy fanazavana azo raisina mety hampahafantatra amin’ny fomba voafaritra tsara hoe iza tamin’ireo hafa ireo ilay Gaio nanoratan’i Jaona. Ny hany fantatsika momba an’i Gaio dia hoe mpikambana tao amin’ny kongregasiona kristiana iray izy, naman’i Jaona manokana, ary koa hoe navantana taminy manokana ilay taratasy, ka izany no antony isehoan’ny hoe “hianao”, milaza tokana, foana.

2. Inona no mampahafantatra ilay nanoratra ny Jaona Fahatelo, ary koa ny fotoana sy ny toerana nanoratana azy io?

2 Koa satria ny fomba fanoratra ao amin’ireo fiarahabana fanokafana sy ireo fanaovam-beloma famaranana dia mitovy amin’ireo ao amin’ny Jaona Faharoa, ary mampahafantatra ny tenany amin’ny hoe “izaho loholona” indray ilay mpanoratra, dia tsy mety hisy hiadian-kevitra fa ny apostoly Jaona koa no nanoratra itỳ taratasy itỳ. (2 Jaona 1). Ny fitovian’ny loha hevitra raketiny sy ny fomba fiteny ao aminy koa dia toa manondro fa nosoratana tany Efesosy na teo akaiky, tamin’ny 98 am.f.i. tany ho any, toy ireo taratasy roa hafa, izy itỳ. Noho ny hafohiny, dia mahalana vao notononin’ireo mpanoratra tany am-boalohany izy itỳ, kanefa hita ao amin’ireo katalaogy tany am-boalohany amin’ireo Soratra ara-tsindrimandry, miaraka amin’ny Jaona Faharoa. a

3. Naneho inona i Jaona hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny faran’ny Jaona Fahatelo, ary fahitana miserana mahaliana inona no azontsika momba ny firahalahian’ireo Kristiana tany am-boalohany?

3 Ato amin’itỳ taratasiny itỳ i Jaona dia maneho fankasitrahana noho ny fahaiza-mampiantrano vahiny nasehon’i Gaio tamin’ireo rahalahy mpitety faritany, ary tononiny ny zava-nanahirana sasany nifandray tamin’ny olona iray feno fanirian-daza natao hoe Diotrefa. Ilay Demetrio voatonona eto dia toa ilay nitondra itỳ taratasy itỳ tany amin’i Gaio. Koa nety ho nirahin’i Jaona izy ary nila ny fahaizan’i Gaio nampiantrano vahiny nandritra ny diany, zavatra izay tokony ho azony antoka noho ilay taratasy. Toy ny amin’i Gaio, dia tsy mahafantatra na inona na inona momba an’i Diotrefa sy i Demetrio isika, ankoatra izay vakintsika eto. Kanefa, ilay taratasy dia manome fahitana miserana mahaliana ny amin’ny firahalahiana akaiky iraisam-pirenen’ireo Kristiana tany am-boalohany. Ankoatra ny zavatra hafa, izany dia nahafaoka ny fahazarana naneho fahaiza-mampiantrano vahiny, tamin’ny fandraisana ireo izay nitety faritany ‘noho ilay anarana’, na dia nety ho tsy fantatr’ireo nampiantrano azy manokana aza izy ireny. — 3 Jaona And. 7.

LOHA HEVITRA RAKETIN’NY JAONA FAHATELO

4. Noho ny inona no nideran’i Jaona an’i Gaio, tsy fanehoana fanekena nanao ahoana no nomelohiny, ary torohevitra marim-pototra inona no nomeny?

4 Nanoro hevitra ny hanehoana fahaiza-mampiantrano vahiny sy ny hanaovana asa tsara ilay apostoly (and. 1-14). Faly i Jaona nandre fa mbola “mandeha araka ny fahamarinana” i Gaio. Noderainy i Gaio noho izy nanao asa nahatoky, dia ny fanehoana fiahiana tamim-pitiavana an’ireo rahalahy mpitsidika. “Manana adidy isika”, hoy i Jaona, “ny handray ny olona toy izany amim-pahaiza-mampiantrano vahiny, mba hahatongavantsika ho mpiara-miasa aminy ao amin’ny fahamarinana.” Nanoratra ho an’ny kongregasiona i Jaona teo aloha, kanefa i Diotrefa mpanandra-tena dia tsy nandray tamim-panajana na inona na inona avy tamin’i Jaona, na avy tamin’izay hafa rehetra nanana andraikitra. Raha tonga i Jaona, dia hampamoaka azy noho izy ‘nibedibedy foana sy nanaratsy’. Notoroana hevitra i Gaio malala mba ‘haka tahaka, tsy ny ratsy, fa ny tsara’. Notononina ho toy ny ohatra mendrika hoderaina i Demetrio. Tsy nanoratra zavatra maro i Jaona, fa naneho kosa ny fanantenana hahita an’i Gaio mifanatrika tsy ho ela. — And. 4, 8, NW, 10, 11.

MAHASOA — NAHOANA?

5. a) Tamin’ny ahoana i Jaona no hita ho mpiandraikitra fakan-tahaka, ary toe-tsaina inona no zava-dehibe ny hitsimbinana azy? b) Nahoana i Jaona no tsy niroa teny aoka izany mba hanoherana an’i Diotrefa? d) Tokony ho be zotom-po ho amin’inona isika amin’izao andro izao, mifanaraka amin’ny fotopoto-pitsipika inona nambaran’i Jaona?

5 Hita ho mpiandraikitra fakan-tahaka ny apostoly Jaona, teo amin’ny zotom-pony hiaro ny kongregasiona tamin’ny fitaomana nandoto. Mendri-piderana ny toe-tsaina naneho fitiavana sy fahaiza-mampiantrano vahiny izay hita nanerana ilay kongregasiona, ary tena adidin’izy ireo tokoa ny nitsimbina io toe-piainana sambatra io. Izany dia mba hahafahan’ireo rahalahy teo an-toerana sy ireo “vahiny” (olona tsy fantatr’ilay Kristiana mpampiantrano azy ireo teo aloha) tonga teo amin’izy ireo, hiara-manompo amin’ny maha-“mpiara-miasa aminy amin’ny fahamarinana”. (And. 5, 8). Kanefa, i Diotrefa dia nanana maso niavonavona, zavatra izay halan’i Jehovah, sady tsy nanaja ny fahefana teokratika, ka nibedibedy foana an’i Jaona tamin-karatsiam-panahy mihitsy aza. (Ohab. 6:16, 17). Nametraka sakana teo amin’ny lalan’ny fahaiza-mampiantrano vahiny kristiana narahin’ny kongregasiona izy. Tsy mahagaga raha tsy niroa teny aoka izany i Jaona mba hanoherana io zava-dratsy io sy hankasitrahana ny fitiavana kristiana marina ao amin’ny kongregasiona. Tokony ho be zotom-po tsy misy hafa amin’izany koa isika amin’izao andro izao, eo amin’ny fihazonana fanetren-tena, ny fandehanana ao amin’ny fahamarinana ary ny fampiharana ny fitiavana sy ny fahalalahan-tanana araka an’Andriamanitra, mifanaraka amin’ilay fotopoto-pitsipika nambaran’i Jaona hoe: “Izay manao ny tsara no avy amin’Andriamanitra; fa izay manao ny ratsy tsy mba mahita an’Andriamanitra.” — 3 Jaona 11.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Jereo ny tabilao hoe “Katalaogy Tany Am-boalohany Miavaka Amin’ny Soratra Grika Kristiana”, pejy 303.

[Fanontaniana]