Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-65 — Joda

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-65 — Joda

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-65 — Joda

Mpanoratra: Joda

Toerana Nanoratana: Palestina (?)

Vita Tamin’ny: 65 am.f.i. tany ho any

1. Noho ny toe-javatra inona avy tao anatin’ny kongregasiona no nahitan’i Joda fa tena nilaina ny nanoratra ny taratasiny natanjaka ho an’ireo rahalahiny?

 NOTANDINDOMIN-DOZA ireo rahalahy kristian’i Joda! Nandritra ny fotoana lasa hatramin’ny nahafatesan’i Kristy Jesosy sy nitsanganany tamin’ny maty, dia nisy olona avy tany ivelany nisisika an-tsokosoko tao amin’ny kongregasiona kristiana. Nitsofoka ilay fahavalo mba hampihena ny finoana, dia araka ny nampitandreman’ny apostoly Paoly, 14 taona teo ho eo talohan’izay. (2 Tes. 2:3). Ahoana no tokony hanairana ireo rahalahy sy hampitandremana azy ireo ny amin’ilay loza? Nanome ny valiny ny taratasin’i Joda sy ny fanambarany tsy miolakolaka, izay sady matanjaka no mahery. I Joda mihitsy no nanambara mazava tsara toy izao ny toerana noraisiny, eo amin’ny andininy faha-3 sy faha-4: ‘[Hitako fa tena ilaina ny manoratra aminareo, NW ], fa misy olona sasany efa niditra misokosoko, dia olona ratsy fanahy, izay mamadika ny [hatsaram-panahin’Andriamanitsika amin’izay tsy mendrika akory, ho fialan-tsiny ho amin’ny fitondran-tena tsy voafehy, NW ].’ Ny fanorenan’ny foto-pampianarana sy ny fari-pitondran-tena marim-pototra mihitsy no voarahona. Nahatsiaro tena ho voatosika hiady ho an’ny tombontsoan’ireo rahalahiny i Joda, mba hiezahan’izy ireo mafy indray kosa hiaro ny finoana.

2. a) Iza moa i Joda? b) Fifandraisana inona tamin’i Jesosy no noheverin’i Joda ho lehibe indrindra?

2 Iza anefa i Joda? Milaza amintsika ireo teny fanokafana fa ilay taratasy dia nosoratan’i “Joda, mpanompon’i Jesosy Kristy sady rahalahin’i Jakoba [ho an’ireo] olona voantso”. Apostoly ve i Joda, na Jodasy, satria ny 2 tamin’ireo apostolin’i Jesosy 12 tany am-boalohany dia nantsoina hoe Jodasy? (Lioka 6:16). Tsy niresaka momba ny tenany ho toy ny apostoly i Joda, fa niresaka kosa momba ireo apostoly tamin’ny alalan’ny mpisolo anarana hoe “izy”, ka miharihary fa tsy nampiditra ny tenany tamin’izany izy. (Joda 17, 18). Ambonin’izany, izy dia niantso ny tenany hoe “rahalahin’i Jakoba”, izay manondro miharihary ilay mpanoratra ny taratasin’i Jakoba, rahalahin’i Jesosy iray reny taminy. (And. 1). Tamin’ny naha-iray tamin’ireo ‘andrin’ny’ kongregasiona tany Jerosalema azy, io Jakoba io dia fantatra tsara, ka noho izany, i Joda dia nampahafantatra ny tenany araka ny fifandraisana nananany taminy. Izany dia manao an’i Joda ho rahalahin’i Jesosy iray reny taminy koa, ary tononina ho izany izy. (Gal. 1:19; 2:9; Matio 13:55; Marka 6:3). Kanefa, tsy nanararaotra ny fifandraisany ara-nofo tamin’i Jesosy izy, fa nanantitrantitra tamim-panetren-tena kosa ny fifandraisany ara-panahy tamin’ny naha-“mpanompon’i Jesosy Kristy” azy. — 1 Kor. 7:22; 2 Kor. 5:16; Matio 20:27.

3. Inona no manaporofo ny maha-azo itokiana ny taratasin’i Joda?

3 Ny maha-azo itokiana itỳ boky ao amin’ny Baiboly itỳ dia tohanan’ny fanononana azy ao amin’ny Fragment de Muratori, tamin’ny taonjato faharoa am.f.i. Fanampin’izany, i Clément avy tany Aleksandria (taonjato faharoa am.f.i.) dia nanaiky azy io ho kanônika. Niresaka momba azy io ho toy ny asa soratra “tsy misy afa-tsy andalana vitsivitsy, kanefa feno teny mahasoan’ny fahasoavana any an-danitra” i Origène. a I Tertullien koa dia nihevitra azy io ho azo itokiana. Tsy misy isalasalana fa anisan’ireo Soratra ara-tsindrimandry hafa izy io.

4. Karazana taratasy manao ahoana ny Joda, taiza izy io no azo inoana fa nosoratana, ary inona no toa tondroina raha ny amin’ny fotoana nanoratana azy?

4 Nanoratra ho an’ireo “olona voantso” i Joda, ka tsy namaritra kongregasiona na olona manokana, hany ka ny epistiliny dia taratasy ankapobe natao haely tany amin’ny Kristiana rehetra. Na dia tsy voambara aza izy io, ny toerana azo inoana indrindra fa nanoratana azy dia i Palestina. Sarotra koa ny mametra amin’ny fomba azo antoka ny daty nanoratana azy. Kanefa, dia tsy maintsy ho efa lasa lavitra ny fitomboan’ny kongregasiona kristiana, satria nisarika ny saina ho amin’ny “teny voalazan’ny Apostolin’i Jesosy Kristy Tompontsika fahiny” i Joda ary toa manonona ny 2 Petera 3:3. (Joda 17, 18). Ambonin’izany, dia misy fitoviana be eo amin’ny Joda sy ny toko faharoa amin’ny Petera Faharoa. Izany dia mampiseho fa nanoratra tany amin’ny fotoana nanoratan’i Petera koa izy, satria samy niahy lalina ny amin’ilay loza nandrahona ilay kongregasiona tamin’izay fotoana izay izy mirahalahy. Noho izany, dia ny 65 am.f.i. no toa tondroina ho tokony ho ny daty nanoratana azy. Mahazo fanohanana hafa koa io daty io satria tsy nanonona ny fidiran’i Cestus Gallus hampitsahatra ny fikomian’ny Jiosy tamin’ny 66 am.f.i. i Joda, no sady tsy nanonona ny nianjeran’i Jerosalema tamin’ny 70 am.f.i. Ato amin’itỳ epistiliny itỳ i Joda dia miresaka momba ny didim-pitsaran’Andriamanitra voafaritra tsara nampiharina (NW ) tamin’ny mpanota. Araka ny fandrindran-kevitra àry fa, raha toa ka efa nianjera i Jerosalema tamin’izay, dia ho nanamafy kokoa ihany ny hevitra narosony i Joda, tamin’ny fanononana iny fampiharana didim-pitsarana iny, indrindra fa satria efa nanambara mialoha momba ilay fisehoan-javatra i Jesosy. — Joda 5-7; Lioka 19:41-44.

LOHA HEVITRA RAKETIN’NY JODA

5. a) Nahoana no hitan’i Joda fa tena nilaina ny nanoratana ho an’ireo voantso mba ‘hiezaka mafy hiaro ny finoana’? b) Ohatra fampitandremana inona avy no notononin’i Joda?

5 Fampitandremana amin’ny fijangajangana sy ny fandavana ny manana fahalehibiazana (and. 1-16, ampitahao amin’ny NW .) Rehefa avy nampita fiarahabana nampiseho fitiavana tamin’ireo “olona voantso” i Joda, dia nilaza fa nikasa hanoratra “ny amin’ny famonjena iombonantsika” ny tenany, kanefa hitany indray izao fa tena nilaina ny hanoratana ho azy ireo ‘mba hiezahan’izy ireo mafy hiaro ny finoana’. Fa nahoana? Satria nisy olona ratsy fanahy niditra nisokosoko, namadika ny hatsaram-panahin’Andriamanitra amin’izay tsy mendrika akory ho fialan-tsiny ho amin’ny fitondran-tena tsy voafehy. Ireo olona ireo, hoy i Joda, dia “mandà ny Andrian-tokana, dia Jesosy Kristy Tompontsika”. (And. 1, 3, 4). Nampahatsiaro azy ireo izy fa na dia namonjy ny olona ho afaka tany Egypta aza i Jehovah, dia “naringany ihany tao aorian’izany izay tsy nino”. Fanampin’izany, dia voahazon’i Jehovah “ho amin’ny andro fitsarana lehibe” ireo anjely izay nandao ny fonenany. Mitovy amin’izany koa, ny famaizana mandrakizay nampiharina tamin’i Sodoma sy i Gomora mbamin’ireo tanàna nanodidina azy dia ohatra fampitandremana ny amin’izay hanjo ireo izay ‘nijangajanga [tamin’ny fomba tafahoatra, NW ] ka lasa nanaraka nofo [ho amin’ny fampiasana azy io tsy araka ny natiora, NW ]’. — And. 5-7.

6. Nanaram-po tamin’inona ireo olona ratsy fanahy, ary ahoana no nampisehoan’i Joda an’ohatra ny maha-ratsy ny fitondran-tenan’izy ireo sy ny ho fiafarany?

6 Ankehitriny, dia toy izany koa fa ireo lehilahy ratsy fanahy dia “mandoto ny nofo sady mandà ny manana fahalehibiazana ary miteny ratsy ny manana voninahitra”. Na dia i Mikaela arikanjely aza dia tsy niteny ratsy ny Devoly, fony izy nifanditra momba ny fatin’i Mosesy, fa nilaza fotsiny hoe: “Hananatra anao anie Jehovah.” Kanefa ireo olona ireo dia mampiasa teny ratsy ary mandoto (f.a.p.) ny tenany tahaka ny biby tsy manan-tsaina. Efa nandeha tamin’ny lalan’i Kaina sy i Balama ary i Kora mpiodina izy ireo. Tahaka ny harambato voasaron-drano izy ireo, tahaka ny rahona tsy misy rano, tahaka ny hazo tsy misy voany, indroa maty ary voafongotra, tahaka ny onjan-dranomasina izay mamorivory ny fahamenarany ary tahaka ny kintana mifindrafindra. Ho an’ireo, dia “voatahiry (...) mandrakizay ny fahamaintisan’ny maizina”. (And. 8, 9, 13). Naminany i Enoka fa hampihatra didim-pitsarana amin’ireo olona ratsy fanahy ireo i Jehovah. Mpimonomonona sy mpitaraina izy ireo ary mpandoka olona amim-pitiavan-tena.

7. a) Ahoana no nampitandreman’ireo apostoly tamin’ireo mpaniratsira? b) Rehefa jerena ny fanantenana ny amin’ny fiainana mandrakizay, inona no tokony hataon’ireo “malala” ho an’ny tenany sy ny hafa?

7 Torohevitra momba ny fitoerana ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra (and. 17-25). Nampahatsiaro an’ireo rahalahy i Joda fa ireo apostolin’i Jesosy Kristy Tompo dia efa nampitandrina azy ireo fa “amin’ny andro farany dia hisy mpaniratsira, mandeha araka ny filan’ny haratsiam-panahiny”. Ireo mpanakorontana ireo dia “olona araka ny [biby, NW ] ihany, fa tsy mba manana ny Fanahy”. Noho izany, ireo “malala” dia tokony hanao izay handrosoany amin’ny finoana sy hitahiry ny tenany ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra, teo am-piandrasany ny famindram-pon’i Kristy “ho fiainana mandrakizay”. Aoka indray kosa izy ireo haneho famindram-po amin’ireo izay miroa saina ka hanampy azy ireo. Namarana ny taratasiny i Joda amin’ny filazana fa ‘an’Andriamanitra Mpamonjy antsika’, dia Ilay maharo azy ireo tsy ho tafintohina, ny voninahitra, amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompo. — And. 18-21, 25.

MAHASOA — NAHOANA?

8. Ahoana no nampiasan’i Joda ireo Soratra ara-tsindrimandry sy “ny bokin’ny natiora” mba hananarana ireo rahalahiny?

8 Hitan’ny tenan’i Joda mihitsy fa ireo Soratra ara-tsindrimandry dia mahasoa ho fampitandremana, ho fampirisihana, ho fampaherezana, ho fampianarana ary ho fananarana ireo “malala”. Tamin’ny fanalana sarona ny fahotana lehiben’ireo ratsy fanahy mpiditra an-keriny, dia nampiasa fanoharana milaza hevitra tsara avy tamin’ny Soratra Hebreo izy, toy ireo Isiraelita naniasia sy ireo anjely nanota, ary ireo mponin’i Sodoma sy i Gomora, mba hampisehoana fa izay rehetra manana fahazaran-dratsy toy izany dia hiharan’ny famaizana mitovy amin’izany koa. Nampitahainy tamin’ny biby tsy manan-tsaina ireo olona simba fitondran-tena, ary nilaza izy fa nandeha tamin’ny lalan’i Kaina izy ireny, nimaona fatratra hanaraka ny fahadisoan’i Balama ary ringana tahaka an’i Kora noho ny fiodinany. Nisintona sary toy ny hitan’ny maso avy amin’ny “bokin’ny natiora” koa izy. Ny taratasy tsy miolakolak’i Joda koa dia nanjary anisan’ny “Soratra rehetra”, natao hianarana miaraka amin’ny tapany sisa amin’ny Soratra Masina, ho fananarana mba hananana fitondran-tena tsara “amin’ny andro farany”. — Joda 17, 18, 5-7, 11-13; Nom. 14:35-37; Gen. 6:4; 18:20, 21; 19:4, 5, 24, 25; 4:4, 5, 8; Nom. 22:2-7, 21; 31:8; 16:1-7, 31-35.

9. Nahoana no mbola ilaina ihany amin’izao fotoana izao ny fampitandreman’i Joda, ary amin’ny lafiny inona avy no tsy maintsy anohizan’ireo Kristiana manao izay handrosoany?

9 Ny fanoherana sy ny fisedrana avy tany ivelany dia tsy nampijanona ny fitomboan’ny Kristianisma, fa izao kosa ireo rahalahy dia notandindomin’ny lozan’ny fahasimbana avy tao anatiny. Nisy harambato voasarona tao ambany, nandrahona ny handrava ilay kongregasiona manontolo. Takatr’i Joda fa nety hanapotika kokoa aza io loza io, hany ka nandroso hevitra tamin-kery izy mba ‘hiezahana mafy hiaro ny finoana’. Ny taratasiny dia tena amin’ny fotoana mety amin’izao andro izao toy ny tamin’izay koa. Mbola ilaina ihany ny fampitandremana mitovy amin’izany. Mbola tsy maintsy arovana sy anaovana ezaka ihany ny finoana, fongorana ny fahalotoam-pitondran-tena, ampiana amim-pamindram-po sy ‘sarihina avy amin’ny afo’ ireo misalasala, raha azo atao izany. Ho fiarovana ny fahatokiana ara-pitondran-tena sy ny fahitam-bokatra ara-panahy ary ny fanompoam-pivavahana marina, ny Kristiana amin’izao andro izao dia tsy maintsy manohy manao izay handrosoany amin’ny finoana masina indrindra. Tsy maintsy miandany amin’ny fotopoto-pitsipika marina izy ireo ary manatona an’Andriamanitra amin’ny alalan’ny vavaka. Mila ny manana fanajana araka ny tokony ho izy ny “fahalehibiazana” koa izy ireo, ka hanaja ny fahefana avy amin’Andriamanitra ao amin’ny kongregasiona kristiana. — Joda 3, 23, 8.

10. a) Ahoana no tsy maintsy itondran’ny kongregasiona ireo olona araka ny biby, ary hitarika ho amin’inona izany? b) Valisoa inona no miandry ireo mpandova ilay Fanjakana, ary hanao inona no hiarahan’izy ireo amin’i Joda?

10 Ireo “olona araka ny [biby, NW ] ihany, fa tsy mba manana ny Fanahy”, dia tsy hiditra ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra na oviana na oviana, ary hahatandindomin-doza fotsiny ny hafa izay eo amin’ny lalana mankany amin’ny fiainana mandrakizay. (Joda 19; Gal. 5:19-21). Tsy maintsy ampitandremana ny amin’izy ireo ny kongregasiona, ary tsy maintsy manaisotra azy ireo avy ao aminy! Araka izany, ny “famindrampo sy ny fiadanana ary ny fitiavana” dia hampitomboina eo anatrehan’ireo malala, izay hitahiry ny tenany ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra, ‘eo am-piandrasany ny famindram-pon’i Jesosy Kristy Tompony ho fiainana mandrakizay’. Andriamanitra Mpamonjy dia hametraka ireo mpandova ilay Fanjakana “tsy hanan-tsiny eo anoloan’ny voninahiny amin’ny firavoravoana”. Azo antoka fa ireo dia hiaraka amin’i Joda mba hanome Azy “ny voninahitra sy ny fahalehibiazana, ny fanjakana sy ny fahefana” amin’ny alalan’i Jesosy Kristy. — Joda 2, 21, 24, 25.

[Fanamarihana ambany pejy]

a The Canon of the New Testament, 1987, nataon’i B. M. Metzger, pejy 138.

[Fanontaniana]