Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-66 — Apokalypsy
Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-66 — Apokalypsy
Mpanoratra: Apostoly Jaona
Toerana Nanoratana: Patmo
Vita Tamin’ny: 96 am.f.i. tany ho any
1. a) Raha ny amin’ireo teny ara-panoharana ao amin’ny Apokalypsy, amin’inona moa no iombonan’ireo mpanompon’Andriamanitra hevitra? b) Nahoana no mety ny ametrahana ny Apokalypsy any amin’ny faran’ny Baiboly?
MOA ve ireo teny ara-panoharana ao amin’ny Apokalypsy, na Fanambarana, nokendrena mba hampihorohoro? Tsy izany velively! Mety hitondra horohoro ho an’ny ratsy fanahy ny fahatanterahan’ilay faminaniana, fa ireo mpanompo mahatokin’Andriamanitra kosa dia hiombon-kevitra amin’ilay teny fampidirana ara-tsindrimandry sy amin’ny tenin’ilay anjely eo amin’ny farany, manao hoe: “Sambatra izay mamaky sy ny mihaino ny tenin’ity faminaniana ity”. “Sambatra izay mitandrina ny tenin’ny faminaniana amin’ity [horonam-boky, NW ] ity.” (Apok. 1:3; 22:7). Na dia nosoratana talohan’ireo boky ara-tsindrimandry efatra hafa nataon’i Jaona aza ny Apokalypsy, dia mety ny ametrahana azy any amin’ny faran’ny fitambaran’ireo boky ara-tsindrimandry 66 mahaforona ny Baibolintsika, satria izy io no Fanambarana izay mitondra ny mpamaky azy lavitra any amin’ny hoavy, amin’ny fanomezana fahitana mahafaoka ny zava-drehetra. Izany dia fahitana ny amin’izay kasain’Andriamanitra hatao ho an’ny olombelona, ary mitondra ho amin’ny fara tampony be voninahitra ny loha hevitra malazan’ny Baiboly, izany hoe ny fanamasinana ny anaran’i Jehovah (NW ) sy ny fanamarinana ny fiandrianany amin’ny alalan’ilay Fanjakana tarihin’i Kristy, ilay Taranaka Nampanantenaina.
2. Ahoana no nahatongavan’ny Apokalypsy tamin’i Jaona, ary nahoana no mifanentana indrindra ny lohatenin’ilay boky?
2 Araka ilay andininy iorenan’ny lohateniny, izy itỳ dia “Fanambaran’i Jesosy Kristy, izay nomen’ Andriamanitra Azy (...); ary naniraka ny anjeliny Izy hanambara amin’i Jaona mpanompony”. Koa i Jaona àry dia mpanoratra fotsiny, fa tsy loharanon’ilay fanazavana. Noho izany, dia tsy i Jaona no ilay mpanambara, ary tsy fanambaran’i Jaona koa ilay boky. (1:1). Itỳ fampiharihariana tamin’ny mpanompon’Andriamanitra ny fikasany mahatalanjona ho an’ny hoavy itỳ dia mahatonga ny lohateniny ho mifanentana indrindra, satria ny anaran’ilay boky amin’ny teny grika hoe A·po·kaʹly·psis (Apokalypsy) dia midika hoe “Fampisehoana Izay Miafina” na “Fampiharihariana”.
3. Iza io mpanoratra antsoina hoe Jaona io, araka ny asehon’ny Apokalypsy mihitsy, ary ahoana no anohanan’ny mpanoratra tantara fahiny izany?
3 Iza moa itỳ Jaona izay resahina ho ny mpanoratra ny Apokalypsy ao amin’ny toko voalohany itỳ? Ilazana isika fa mpanompon’i Jesosy Kristy izy, rahalahy sy namana tamin’ny fahoriana, ary koa fa natao sesitany tany amin’ny nosin’i Patmo izy. Miharihary fa fantatr’ireo voalohany hamaky ny bokiny tsara izy, ka tsy nilain’izy ireo ny fampahafantarana fanampiny. Tsy maintsy ho ny apostoly Jaona izy io. Io fanatsoahan-kevitra io dia tohanan’ny ankamaroan’ireo mpanoratra tantara fahiny. I Papias, izay nanoratra tamin’ny tapany voalohany tamin’ny taonjato faharoa am.f.i., dia voalaza fa nihevitra ilay boky ho avy amin’ny apostoly. Hoy i Justin le Martyr, tamin’ny taonjato faharoa, tao amin’ny “Resaka Tamin’i Trypho, Jiosy Iray” (LXXXI): “Nisy lehilahy iray niaraka taminay, i Jaona no anarany, iray tamin’ireo apostolin’i Kristy, izay naminany, tamin’ny alalan’ny fanambarana iray natao taminy.” a I Irénée dia niresaka mivantana momba ny apostoly Jaona ho ny mpanoratra azy io, toy izany koa i Clément avy tany Aleksandria sy i Tertullien, tany amin’ny fifaranan’ny taonjato faharoa sy ny fiandohan’ny taonjato fahatelo. I Origène, nanam-pahaizana manokana momba ny Baiboly tamin’ny taonjato fahatelo, dia nilaza hoe: “Miresaka momba ilay niankina teo an-tratran’i Jesosy aho, momba an’i Jaona, izay namela Filazantsara iray, (...) ary nanoratra ny Apokalypsy koa izy.” b
4. a) Inona no manazava ny fiovana eo amin’ny fomba fanoratra ao amin’ny Apokalypsy raha ampitahaina amin’ireo asa soratr’i Jaona hafa? b) Inona no manaporofo fa ny Apokalypsy dia tapany azo itokiana amin’ireo Soratra ara-tsindrimandry?
4 Ny fanantitranteran’ny asa soratr’i Jaona hafa aoka izany momba ny fitiavana dia tsy midika fa tsy ho afaka nanoratra ny Apokalypsy izay mahery sy feno faharisihana aoka izany, izy. Izy sy i Jakoba rahalahiny no ireo tezitra aoka izany tamin’ireo Samaritana tao amin’ny tanàna iray, hany ka naniry hiantso afo hilatsaka avy tany an-danitra izy ireo. Izany no antony nanomezana azy ireo ny anaram-bosotra hoe “Boanerjesy”, na “Zana-baratra”. (Marka 3:17; Lioka 9:54). Io tsy fitoviana eo amin’ny fomba fanoratra io dia tsy tokony hiteraka fahasahiranana rehefa tadidintsika fa, ao amin’ny Apokalypsy, dia hafa ny foto-kevitra. Izay hitan’i Jaona tao amin’ireo fahitana ireo dia tsy nisy fitoviana tamin’izay hitany hatramin’izay mihitsy. Ny fifanarahan’ilay boky amin’ny fomba mahatalanjona amin’ny tapany sisa amin’ireo Soratra ara-paminaniana dia manaporofo amin’ny fomba tsy azo iadian-kevitra fa tapany azo itokiana amin’ny Tenin’Andriamanitra ara-tsindrimandry izy io.
5. Oviana i Jaona no nanoratra ny Apokalypsy, ary tao anatin’ny toe-javatra toy inona avy?
5 Araka ny teny fanamarinana tany am-boalohany indrindra, i Jaona dia nanoratra ny Apokalypsy tamin’ny 96 am.f.i. tany ho any, tokony ho 26 taona taorian’ny nandringanana an’i Jerosalema. Izany dia nety ho tany amin’ny faran’ny fotoana nanjakan’ny Emperora Domitien. Mba hanamarinana izany, dia izao no nolazain’i Irénée momba ny Apokalypsy, ao amin’ilay hoe “Fanoherana ny Fivadihana Amin’ny Eglizy” (V, xxx) nosoratany: “Izy io dia tsy hita nandritra ny fotoana ela, fa tamin’ny androntsika, tany amin’ny faramparan’ny fotoana nanjakan’i Domitien.” c Samy manaiky io teny fanamarinana io i Eusèbe sy i Jérôme. I Domitien dia rahalahin’i Titus, izay nitarika ireo tafika romana mba handringana an’i Jerosalema. Tonga emperora izy tamin’ny fahafatesan’i Titus, 15 taona talohan’ny nanoratana ny bokin’ny Apokalypsy. Nitaky ny hivavahana taminy toy ny tamin’andriamanitra izy ary naka ny anaram-boninahitra hoe Dominus et Deus noster (izay midika hoe “Tomponay sy Andriamanitray”). d Tsy nanelingelina an’ireo izay nivavaka tamin’andriamani-diso ny fivavahana tamin’ny emperora, kanefa tsy azon’ireo Kristiana tany am-boalohany narahina izany, satria nanda tsy hampanaiky lembenana ny finoany tamin’io raharaha io, izy ireo. Araka izany, tany amin’ny faran’ny fanapahan’i Domitien (81-96 am.f.i.), dia nisy fanenjehana mafy nianjady tamin’ny Kristiana. Heverina fa i Domitien no nanao sesitany an’i Jaona tany Patmo. Rehefa nisy namono ho faty i Domitien tamin’ny 96 am.f.i., dia nodimbasan’ny emperora Nerva nilefitra kokoa, izay niharihary fa nanafaka an’i Jaona. Nandritra ny fanaovana azy an-tranomaizina tany Patmo no nahazoan’i Jaona ireo fahitana notanany an-tsoratra.
6. Ho toy ny inona no tokony hahitantsika ny bokin’ny Apokalypsy, ary ahoana no azo izarana azy io?
6 Tsy maintsy takatsika fa izay hitan’i Jaona sy nasaina nosoratany ho an’ireo kongregasiona (NW ) dia tsy fitohitohizana fahitana tsy misy ifandraisana amin’izy samy izy sy noraketina an-tsoratra araka ny kisendrasendra, fotsiny akory. Tsia, fa ny bokin’ny Apokalypsy manontolo, hatrany amin’ny voalohany ka hatrany amin’ny farany, dia manome antsika sary mifanaraka tsara amin’ny zavatra ho avy. Izy io dia mifindra avy amin’ny fahitana iray ho amin’ny iray hafa mandra-pahatratrarana ny fampiharihariana feno ireo fikasana mifandray amin’ilay Fanjakan’Andriamanitra, amin’ny faran’ireo fahitana. Noho izany, isika dia tokony hahita ny bokin’ny Apokalypsy ho toy ny fitambarana iray ihany, ary voaforona tapany mirindra sy misy ifandraisany amin’izy samy izy, izay mitondra antsika lavitra any amin’ny hoavy, avy teo amin’ny andron’i Jaona. Aorian’ny teny fampidirany, (Apok. 1:1-9), dia azo raisina ho mizara ho fahitana 16 ilay boky: 1) 1:10–3:22; 2) 4:1–5:14; 3) 6:1-17; 4) 7:1-17; 5) 8:1–9:21; 6) 10:1–11:19; 7) 12:1-17; 8) 13:1-18; 9) 14:1-20; 10) 15:1–16:21; 11) 17:1-18; 12) 18:1–19:10; 13) 19:11-21; 14) 20:1-10; 15) 20:11–21:8; 16) 21:9–22:5. Ireo fahitana ireo dia arahina famaranan-teny mandrisika hanao zavatra, ahitana an’i Jehovah, i Jesosy, ilay anjely ary i Jaona samy miteny, ka mandray anjara farany, amin’ny maha-lehibe indrindra azy ireo eo amin’ilay lalana fampitan-kevitra. — 22:6-21.
LOHA HEVITRA RAKETIN’NY APOKALYPSY
7. Inona no lazain’i Jaona momba izay loharanon’ny Apokalypsy, ary zavatra inona avy no lazainy fa iombonany amin’ireo kongregasiona fito?
7 Ny teny fampidirana (1:1-9). Nohazavain’i Jaona fa Andriamanitra no Loharanon’ilay lalana nanomezana ilay fanambarana ary koa fa nandray anjara tamin’izany ny anjely. Ary nanohy ny teniny izy tamin’ny firesahana tamin’ireo tao amin’ireo kongregasiona fito tany Azia. I Jesosy Kristy dia nanao azy ireny “ho fanjakana, dia mpisorona ho an’Andriamanitra Rainy”, i Jehovah Andriamanitra Tsitoha. Nampahatsiaro azy ireny i Jaona fa naman’izy ireny “amin’ny fahoriana ary amin’ny fanjakana sy ny faharetana ao amin’i Jesosy”, ny tenany, noho izy tany an-tsesitany tany Patmo. — 1:6, 9.
8. a) Inona no nasaina nataon’i Jaona? b) Iza no hitany teo afovoan’ny fanaovan-jiro fito, ary inona no nohazavain’Izy Io?
8 Ireo hafatra ho an’ireo kongregasiona fito (1:10–3:22). Rehefa nanomboka ny fahitana voalohany, tamin’ny alalan’ny tsindrimandry (NW ) dia tamin’ny andron’ny Tompo i Jaona. Nisy feo mahery, toy ny feon’ny trompetra, nilaza taminy mba hanoratra izay hitany teo amin’ny horonam-boky iray ary hampitondra izany tany amin’ireo kongregasiona fito, tany Efesosy, Smyrna, Pergamosy, Tyatira, Sardisy, Filadelfia ary Laodikia. Nitodika tany amin’ilay feo i Jaona ka nahita “Anankiray tahaka ny Zanak’olona” teo afovoan’ny fanaovan-jiro fito, nitana kintana fito teny an-tanany ankavanana. Nampahafantatra ny tenany ho ny “Voalohany sy Farany” Izy Io, dia Ilay efa maty nefa velona mandrakizay mandrakizay izao, sady manana ny fanalahidin’ny fahafatesana sy ny Hadesy (f.a.p.). Noho izany, dia i Jesosy Kristy tafatsangana tamin’ny maty izy io. Hoy ny fanazavany: “Ny kintana fito dia ny anjelin’ny [kongregasiona, NW ] fito: ary ny fanaovan-jiro fito dia [kongregasiona, NW ] fito.” — 1:13, 17, 20.
9. Teny fiderana sy torohevitra inona avy no nomena an’ireo kongregasiona tany Efesosy, Smyrna, Pergamosy ary Tyatira?
9 Nilazana i Jaona mba hanoratra tamin’ilay anjelin’ny kongregasionan’i Efesosy, izay, na dia teo aza ny fikelezany aina sy ny fiaretany (NW ) ary ny fandavany tsy handefitra tamin’ny mpanao ratsy, dia efa niala tamin’ny fitiavany voalohany ka tokony hibebaka sy hanao ny asa voalohany. Ny kongregasionan’i Smyrna dia nilazana fa, na dia teo aza ny fahoriany sy ny fahantrany, raha ny tena izy, dia nanankarena izy ka tsy tokony hatahotra: “Aoka ho mahatoky hatramin’ny fahafatesana hianao, dia homeko anao ny satroboninahitra fiainana.” Ny kongregasionan’i Pergamosy, nonina ‘tao amin’ny itoeran’ny seza fiandrianan’i Satana’, dia nitana mafy ny anaran’i Kristy kanefa nisy mpivadi-pinoana teo anivony, ary ireo dia tsy maintsy nibebaka, raha tsy izany dia hamely azy amin’ny sabatry ny vavany i Kristy. Tany Tyatira, ilay kongregasiona dia nanana ‘fitiavana, finoana, fanompoana ary [fiaretana, NW ]’, saingy nandefitra tamin’ilay “vehivavy Jezebela” izy. Kanefa, ireo olona nahatoky izay nifikitra mafy dia hahazo “fahefana amin’ny jentilisa”. — 2:10, 13, 19, 20, 26.
10. Hafatra inona avy no nalefa tany amin’ny kongregasionan’i Sardisy sy i Filadelfia ary Laodikia?
10 Ny kongregasionan’i Sardisy dia nalaza fa velona, nefa maty izy satria tsy tanteraka ny asany eo anatrehan’Andriamanitra. Ireo izay naharesy anefa dia tsy ho voavono ny anarany ao amin’ny bokin’ny fiainana. Ny kongregasionan’i Filadelfia dia nitandrina ny tenin’i Kristy, hany ka nampanantena izy ny hiaro ilay kongregasiona “ho voavonjy amin’ny andro fakam-panahy izay efa hihatra amin’izao tontolo izao”. Izay maharesy dia hataon’i Kristy andry eo amin’ny tempolin’Andriamaniny. Hoy i Kristy: “Hosoratako eo aminy ny anaran’Andriamanitro sy ny anaran’ny tanànan’Andriamanitro, dia Jerosalema vaovao (...) ary ilay anarako vaovao.” Niresaka momba ny tenany ho “Izay niandohan’izao zavatra noharìn’Andriamanitra izao” i Kristy, ka nilaza tamin’ny kongregasionan’i Laodikia fa sady tsy mafana na mangatsiaka izy io, ka haloan’ny vavany. Na dia nirehareha noho ny fananany be aza ireo tao amin’io kongregasiona io, raha ny tena izy dia nahantra sy jamba ary nitanjaka izy ireo. Nila fitafiana fotsy izy ireo, sady nila fanafody maso (NW ) mba hahiratany. Hiditra ao amin’izay mamoha ny varavarana ho azy i Kristy ary hiara-misakafo aminy. Izay maharesy dia havelan’i Kristy hiara-mipetraka aminy eo ambonin’ny seza fiandrianany, dia tahaka ny niarahany nipetraka amin’ny Rainy eo ambonin’ny seza fiandrianany. — 3:10, 12, 14.
11. Fahitana mamirapiratra inona avy eo no nisarihana ny sain’i Jaona?
11 Ny fahitana ny amin’ny fahamasinan’i Jehovah sy ny voninahiny (4:1–5:14). Mitondra antsika eo anoloan’ny seza fiandrianan’ny famirapiratan’i Jehovah any an-danitra, ny fahitana faharoa. Mahazendana ny hakanton’ilay fisehoan-javatra, izay tahaka ny vatosoa ny fanjopiakany. Nanodidina ilay seza fiandrianana dia nisy loholona 24 nipetraka, nanao satroboninahitra. Nisy zavamananaina efatra nilaza fa an’i Jehovah ny fahamasinana, ary ivavahana izy satria mendrika “handray ny voninahitra sy ny haja ary ny hery” amin’ny maha-Mpahary ny zavatra rehetra azy. — 4:11.
12. Iza ihany no mendrika hanokatra ilay horonam-boky nisy tombo-kase fito?
12 “Ilay nipetraka teo ambonin’ny seza fiandrianana” dia nitana horonam-boky iray nisy tombo-kase fito. Iza anefa no mendrika hanokatra ilay horonam-boky? Ilay “Liona avy amin’ny firenen’i Joda, dia ny Solofon’i Davida”, ihany no mendrika! Izy Io, “Ny Zanak’ondry, Izay novonoina” koa, dia nandray ilay horonam-boky avy tany amin’i Jehovah. — 5:1, 5, 12.
13. Fahitana maro loha inona no niaraka tamin’ny famahana ireo tombo-kase enina voalohany?
13 Namaha ireo tombo-kase enin’ilay horonam-boky ny Zanak’ondry (6:1–7:17). Nanomboka izao ny fahitana fahatelo. Nanomboka namaha ireo tombo-kase ilay Zanak’ondry. Voalohany aloha, dia mpitaingin-tsoavaly teo ambony soavaly fotsy no nivoaka “ka naharesy sady mbola haharesy”. Avy eo, ny mpitaingina ny soavaly mena iray dia nanaisotra ny fihavanana tamin’ny tany, ary ny iray hafa, teo ambony soavaly mainty iray, dia nametra ny fizarana ny vary. Nisy soavaly hatsatra notaingenan’ny Fahafatesana, ary nanaraka azy ny Hadesy. Novahana ny tombo-kase fahadimy, ary ireo “izay voavono noho ny tenin’Andriamanitra” dia hita niantso ny hamaliana ny rany. (6:2, 9). Tamin’ny famahana ny tombo-kase fahenina, dia nisy horohoron-tany mafy iray, nihamaizina ny masoandro sy ny volana, ary ireo olo-mahery tamin’ny tany dia nangataka ny tendrombohitra mba hianjera taminy sy hanafina azy tamin’i Jehovah sy tamin’ny fahatezeran’ny Zanak’ondry.
14. Inona no hita nanaraka, nifandray tamin’ireo mpanompon’Andriamanitra sy ny olona betsaka tsy hita isa?
14 Taorian’izany, dia nanomboka ny fahitana fahefatra. Anjely efatra no hita nihazona ny rivotra efatra amin’ny tany mandra-panisy tombo-kase tamin’ny handrin’ireo mpanompon’Andriamanitra. Ny isan’izy ireo dia 144 000. Taorian’izany i Jaona dia nahita olona betsaka tsy hita isa avy tamin’ny firenena rehetra, nitsangana teo anoloan’Andriamanitra sy ny Zanak’ondry, izay nolazain’izy ireo fa nahazoany famonjena, ary nanompo andro aman’alina teo amin’ny tempolin’Andriamanitra izy ireo. Ny Zanak’ondry mihitsy no ‘hitondra azy ireo ho amin’ny loharanon’ny ranon’aina’. — 7:17.
15. Inona no nanaraka ny famahana ny tombo-kase fahafito?
15 Novahana ny tombo-kase fahafito (8:1–12:17). Nangina ny tany an-danitra. Avy eo dia nisy trompetra fito natolotra an’ireo anjely fito. Mahaforona ny fahitana fahadimy ny fitsofana ireo trompetra enina voalohany.
16. a) Inona no niaraka tamin’ny fitsofana nisesy ireo trompetra dimy voalohany, ary inona no voalohany tamin’ireo loza telo? b) Inona no nampandrenesin’ilay trompetra fahenina?
16 Rehefa notsofina nisesy ireo trompetra telo voalohany, dia nisy loza nirotsaka tamin’ny tany sy ny ranomasina ary ny ony mbamin’ny loharano. Teo amin’ny trompetra fahefatra, dia nihamaizina ny ampahatelon’ny masoandro sy ny volana ary ny kintana. Tamin’ny feon’ilay fahadimy, dia nisy kintana iray avy tany an-danitra namoaka loza, dia ny an’ny valala, izay nanafika ireo izay ‘tsy nanana ny tombo-kasen’Andriamanitra teo amin’ny handriny’. Io no “loza anankiray”, ary hisy roa hafa ho avy. Ilay trompetra fahenina dia nampandre ny famahana ireo anjely efatra izay nivoaka mba hahafaty. Nisy mpitaingin-tsoavaly “roa alinalina” nitondra loza sy vonoana olona fanampiny, kanefa mbola tsy nibebaka tamin’ny asany ratsy ihany ny olona. — 9:4, 12, 16.
17. Fisehoan-javatra inona avy no niafara tamin’ny fanambarana fa lasa ny loza faharoa?
17 Rehefa nanomboka ny fahitana fahenina, dia nisy anjely mahery iray koa nidina avy tany an-danitra ary nanambara fa “amin’ny andro hitsofan’ny anjely fahafito (...), dia ho tanteraka ny zava-miafina izay an’Andriamanitra, araka ny [vaovao tsara, NW ]”. Nomena horonam-boky kely mba hohaniny i Jaona. “Mamy tahaka ny tantely” ilay izy teo am-bavany, kanefa nahatonga ny kibony hangidy. (10:7, 9). Nisy vavolombelona roa, nitafy lamba fisaonana, naminany nandritra ny 1 260 andro; avy eo dia novonoin’ilay ‘bibi-dia niakatra avy tamin’ny lavaka tsy hita noanoa’, izy ireo, ary ny fatiny dia navela hateloan’andro sy tapany ‘teny an-dalambe tamin’ilay tanàna lehibe’. Nifaly noho izy ireo ny mponina teo ambonin’ny tany, kanefa nivadika ho tahotra izany, rehefa natsangan’Andriamanitra ho amin’ny fiainana izy ireo. Tamin’izany ora izany, dia nisy horohoron-tany mafy iray. “Lasa ny loza faharoa”. — 11:7, 8, 14.
18. Fanambarana lehibe inona no nitranga tamin’ny fitsofana ny trompetra fahafito, ary fotoana voatondro ho an’inona izao?
18 Izao ilay anjely fahafito dia nitsoka ny trompetrany. Nisy feo avy tany an-danitra nanambara hoe: “Ny fanjakana amin’izao tontolo izao dia efa lasan’ny Tompontsika sy ny Kristiny”. Nivavaka tamin’Andriamanitra ireo “loholona efatra amby roa-polo” ary naneho fisaorana, kanefa tezitra ny firenena maro. Izao no fotoana voatondron’Andriamanitra (NW ) mba hitsarana ny maty sy hamalian-tsoa (NW ) ny olony masina ary ‘hanimbana izay manimba ny tany’. Novohana ny tempoliny, ary hita tao ny fiaran’ny fanekeny. — 11:15, 16, 18.
19. Famantarana sy ady inona avy no hita tany an-danitra, ary inona no niafarany?
19 Nanaraka ny fanambarana ny fampiorenana ilay Fanjakana, ny fahitana fahafito dia nampiseho avy hatrany “famantarana lehibe” iray any an-danitra. Izany dia ny amin’ny vehivavy iray niteraka “zazalahy (...), izay efa hiandry ny firenena rehetra amin’ny tehim-by”. “Nisy dragona mena lehibe” nitsangana teo, vonona ny handrapaka ilay zanany, kanefa novonjena faingana nakarina ho any amin’ny seza fiandrianan’Andriamanitra, ilay zanany. Niady tamin’ilay dragona i Mikaela, ka nazerany tamin’ny tany io “menarana [tany am-boalohany, NW ], izay atao hoe devoly sy Satana”, io. “Loza ho an’ny tany” izany! Nanenjika ilay vehivavy ilay dragona ka lasa nandeha hiady tamin’ny zanany sisa. — 12:1, 3, 5, f.a.p., 9, 12; 8:13.
20. Biby dia roa iza avy no niseho nanaraka tao amin’ny fahitana, ary ahoana no nitaomany ny olona teto an-tany?
20 Ilay biby dia avy tany amin’ny ranomasina (13:1-18). Ny fahitana fahavalo izao dia nampiseho biby dia iray nanan-doha fito sy tandroka folo, niakatra avy tamin’ny ranomasina. Nahazo ny heriny avy tamin’ilay dragona izy io. Ny lohany iray dia toa voa ka efa ho faty, kanefa sitrana ihany, ary ny tany rehetra talanjona (NW ) noho ilay biby dia. Nilaza fitenenan-dratsy an’Andriamanitra izy io ary niady tamin’ireo olona masina. Kanefa, indro i Jaona fa nahita biby dia iray koa, saingy niakatra avy tamin’ny tany indray izy itỳ. Nanana tandroka roa tahaka ny an’ny zanak’ondry izy, kanefa (NW ) niteny tahaka ny dragona. Namitaka ny mponin’ny tany izy ary nilaza tamin’izy ireo mba hanao sary ho an’ilay biby dia voalohany. Noterena (NW ) hivavaka tamin’io sary io ny rehetra, raha tsy izany dia novonoina. Raha tsy nanana ny marika, na ny isan’ilay biby dia, na iza na iza dia tsy afaka nividy na nivarotra. Ny isany dia 666.
21. Inona no hitan’i Jaona teo an-tendrombohitra Ziona, inona no nentin’ireo anjely sy nambarany, ary tamin’ny fomba ahoana no nanesorana ny voaloboky ny tany?
21 Ny “[vaovao tsara, NW ] mandrakizay” sy ireo hafatra nifandray tamin’izany (14:1-20). Ho fifanoheran-javatra mahafaly, tao amin’ny fahitana fahasivy i Jaona dia nahita ny Zanak’ondry teo an-tendrombohitra Ziona, ary nisy 144 000 nomba azy, nanana ny anaran’ny Zanak’ondry sy ny an’ny Ray teo amin’ny handriny. “Mihira toa tonon-kira vaovao eo anoloan’ny seza fiandrianana (...) izy”, izay “navotana avy tamin’ny olona ho voaloham-bokatra ho an’Andriamanitra sy ny Zanak’ondry”. Nisy anjely iray koa niseho teo afovoan’ny lanitra, nitondra “[vaovao tsara, NW ] mandrakizay hotorina” amin’ny firenena rehetra ary nanambara hoe: “Matahora an’Andriamanitra, ka omeo voninahitra Izy”. Ary mbola nisy anjely iray koa nanambara hoe: “Nianjera i Babylona Lehibe!” Nisy iray koa, fahatelo, nanambara fa ireo izay nivavaka tamin’ilay biby dia sy ny sariny dia hisotro ny fahatezeran’Andriamanitra. Nisy “tahaka ny Zanak’olona” nandroso ny fijinjany, ary nisy anjely iray koa nandroso ny fijinjany koa ary nanangona ny voaloboky ny tany, ka nanjera azy io tao amin’ny “famiazana lehibe, dia ny fahatezeran’Andriamanitra”. Rehefa voahitsaka teny ivelan’ny tanàna ny famiazana, dia nisy ra nahadifotra hatramin’ny lamboridin-tsoavaly, “ka lasa hatramin’ny enin-jato amby arivo stadio” (296 kilaometatra eo ho eo). — 14:3, 4, 6-8, NW, 19, 20.
22. a) Iza avy no hita nanaraka ho nanome voninahitra an’i Jehovah, ary nahoana? b) Taiza no naidina ireo lovia fiton’ny fahatezeran’Andriamanitra, ary fisehoan-javatra lehibe inona avy no nanaraka?
22 Ireo anjely nanana ireo loza fito farany (15:1–16:21). Ny fahitana fahafolo dia nanomboka tamin’ny fahitana niserana ny fitsarana any an-danitra. Nanome voninahitra an’i Jehovah, ilay “Mpanjaka mandrakizay”, noho ny asany lehibe sy mahatalanjona, ireo izay naharesy ilay biby dia. Nisy anjely fito nivoaka avy tao amin’ny tabernakelin’ny vavolombelona tany an-danitra, ary nomena lovia volamena fito feno ny fahatezeran’Andriamanitra izy ireo. Ireo enina voalohany dia naidina tamin’ny tany sy ny ranomasina ary ny ony mbamin’ny loharano, ary tamin’ny masoandro sy ny seza fiandrianan’ilay biby dia ary ny ony Eofrata, ka naharitra ny ranony mba hanome lalana ho an’ireo “mpanjaka avy any amin’ny fiposahan’ny masoandro”. Nisy teny (NW ) araka ireo demonia nanangona ‘ny mpanjaka amin’izao tontolo izao ho amin’ny adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra Tsitoha’ ao Hara-magedona. Ireo lovia fahafito dia naidina tamin’ny rivotra, ary teo afovoan’ny fisehoan-javatra araka ny natiora nampihorohoro, dia vaky ho telo toko ilay tanàna lehibe, nianjera ireo tanànan’ireo firenena, ary i Babylona nahazo ‘ny kapoaky ny divain’ny firehetan’ny fahatezeran’Andriamanitra’. — 15:3; 16:12, 14, 19.
23. a) Ahoana no nampiharana ny didim-pitsaran’Andriamanitra tamin’i Babylona Lehibe? b) Fanambarana sy filazana alahelo inona avy no niaraka tamin’ny fianjerany, ary fiderana falifaly inona no nanakoako nanerana ny lanitra?
23 Ny didim-pitsaran’Andriamanitra (NW ) an’i Babylona; ny fampakaram-badin’ny Zanak’ondry (17:1–19:10). Nanomboka ny fahitana faha-11. Indro! Didim-pitsaran’Andriamanitra an’i “Babylona Lehibe, renin’ny mpijangajanga”, “dia ilay nijangajangan’ny mpanjakan’ny tany”, ilay izy. Mamon’ny (NW ) ran’ny olona masina izy, ary nitaingina biby dia iray nivolon-jaky izay nanan-doha fito sy tandroka folo. Io biby dia io “dia teo ihany ary tsy eo izao, nefa efa hiakatra avy amin’ny lavaka”. Ny tandrony folo dia niady tamin’ny Zanak’ondry, kanefa satria io “Tompon’ny tompo sy Mpanjakan’ny mpanjaka”, dia naharesy azy ireo. Nivadika ireo tandroka folo ka nandrapaka ilay vehivavy janga, ary teo am-piandohan’ny fahitana faha-12, dia nisy anjely iray koa, izay nanazava ny tany ny voninahiny, nanambara hoe: “Nianjera izy! Nianjera i Babylona Lehibe!” Nodidiana ny olon’Andriamanitra mba hiala aminy, fandrao hiombon-doza aminy. Nitomany azy ireo mpanjaka sy olo-mahery tamin’ny tany, ka nanao hoe: “Indrisy! indrisy! Babylona, ilay tanàna lehibe! ry ilay tanàna mafy! fa tamin’ny ora iray monja dia tonga ny fitsarana anao.” Foana ny harem-beny. Toy ny vato lehibe fikosoham-bary atsipy any an-dranomasina, dia toy izany koa fa natsipy mafy i Babylona, ka tsy ho hita intsony izy. Voavaly ny ran’ireo olona masin’Andriamanitra, rehefa ela ny ela! Inefatra no nanakoako tany an-danitra ilay antso hoe: “Haleloia [“Miderà an’i Jah, ianareo, ry olona”, NW ]!” Miderà an’i Jah satria nampihatra didim-pitsarana tamin’ilay vehivavy janga lehibe izy! Miderà an’i Jah satria i Jehovah efa nanomboka nanjaka tamin’ny naha-mpanjaka azy! Mifalia sy miravoravoa satria “tonga ny fampakaram-badin’ny Zanak’ondry ka efa niomana ny vadiny”! — 17:2, 5, 8, 14; 18:2, NW, 10; 19:1, 3, 4, 6, 7.
24. a) Nanao ahoana ny fiafarana nanapa-javatr’ilay ady nataon’ny Zanak’ondry? b) Inona no nitranga nandritra ny arivo taona, ary inona no nanaraka rehefa nifarana izy ireo?
24 Niady tamim-pahamarinana ny Zanak’ondry (19:11–20:10). Tao amin’ny fahitana faha-13, dia nitarika antokon’ny miaramila any an-danitra ao amin’ny ady marina ny “Mpanjakan’ny mpanjaka sy ny Tompon’ny tompo”. Tonga faty hohanin’ireo vorona teny amin’ny lanitra ireo mpanjaka sy olona mahery, ary natsipy velona tany amin’ny farihy afo izay nirehitra solifara ilay biby dia sy ilay mpaminany sandoka. (19:16). Rehefa nanomboka ny fahitana faha-14, dia nisy anjely iray hita “nidina avy tany an-danitra, nanana ny fanalahidin’ny lavaka tsy hita noanoa sy gadra lehibe eny an-tànany”. Nosamborina ary nofatorana nandritra ny arivo taona “ilay dragona (...) (dia ilay menarana [tany am-boalohany, NW ], ny devoly sy Satana izany)”. Ireo nanana anjara tamin’ny fitsanganana voalohany dia nanjary ‘mpisoron’Andriamanitra sy i Kristy ary niara-nanjaka taminy arivo taona’. Aorian’izany dia hovahana i Satana ary hivoaka hamitaka ny firenena amin’ny tany, kanefa hatsipy ao amin’ny farihy afo izy mbamin’ireo manaraka azy. — 20:1, 2, 6.
25. Fahitana mampientana inona no nanaraka izany, ary iza avy no handova ireo zavatra hita?
25 Ny Andro Fitsarana sy ny voninahitr’i Jerosalema Vaovao (20:11–22:5). Nanaraka ny fahitana faha-15 mampientana. Notsaraina teo anoloan’ny seza fiandrianana fotsy lehiben’Andriamanitra ny maty, na ny lehibe na ny kely. Natsipy tany amin’ny farihy afo, izany hoe ny “fahafatesana faharoa”, ny fahafatesana sy ny Hadesy, ary niara-natsipy taminy koa izay rehetra tsy hita voasoratra tao anatin’ny bokin’ny fiainana. Nidina avy tany an-danitra i Jerosalema Vaovao, ary nitoetra an-day (f.a.p.) teo amin’ny olona Andriamanitra, ka namafa ny ranomaso rehetra tamin’ny mason’izy ireo. Tsy nisy fahafatesana, na alahelo, na fitarainana, na fanaintainana intsony! Eny, ‘nohavaozin’Andriamanitra ny zavatra rehetra’, ary nanamafy ny fampanantenany izy tamin’ny filazana hoe: “Soraty; fa mahatoky sy marina ireo teny ireo.” Ireo izay maharesy no handova izany zavatra izany, fa ny kanosa (NW ), ny tsy manam-pinoana ary ny maloto fitondran-tena na manao spiritisma (NW ) na fanompoan-tsampy kosa dia tsy handova izany. — 20:14; 21:1, 5.
26. a) Filazalazana inona no nomena momba an’i Jerosalema Vaovao? b) Zavatra mampaharitra ny fiainana inona avy no hita tao amin’ilay tanàna, ary avy taiza ilay fahazavany?
26 Naseho an’i Jaona izao, tao amin’ny fahitana faha-16 sady farany, ny “vadin’ny Zanak’ondry”, dia i Jerosalema Vaovao, niaraka tamin’ireo vavahadiny 12 sy ireo vato (NW ) fanorenany 12 nitondra ny anaran’ireo apostoly 12. Efajoro izy io, ary ny famirapiratany heni-kaja dia asehon’ny jaspy sy ny volamena ary ny perla ao aminy. I Jehovah sy ny Zanak’ondry no tempolin’io tanàna io, ary fahazavan’izy io koa izy ireo. Ireo izay voasoratra tao anatin’ny horonam-bokin’ny fiainan’ny Zanak’ondry ihany no nahazo niditra tao. (21:9). Nisy onin’ny ranon’aina nadio nivoaka avy teo amin’ny seza fiandrianana, ka nidina (NW ) ny lalamben’ilay tanàna, ary teo an-daniny roa dia nisy hazon’aina, izay namoa voa vaovao isam-bolana ary nanana raviny ho fanasitranana. Ho ao amin’ilay tanàna (NW ) ny seza fiandrianan’ Andriamanitra sy ny an’ny Zanak’ondry, ary ny mpanompon’Andriamanitra dia hahita ny tavany. “[I Jehovah, NW ] Andriamanitra no hanazava azy [ireo, NW ]; ary hanjaka mandrakizay mandrakizay izy [ireo, NW ].” — 22:5.
27. a) Toky inona no nomena an’i Jaona mikasika ilay faminaniana? b) Amin’ny fanasana sy fampitandremana maika inona avy no ifaranan’ny Apokalypsy?
27 Ny teny famaranana (22:6-21). Omena izao toky izao: “Mahatoky sady marina ireo teny ireo”. Tena sambatra tokoa izay rehetra mitandrina ny tenin’ilay faminaniana! Rehefa nahare sy nahita ireo zavatra ireo i Jaona, dia niankohoka hivavaka teo anoloan’ilay anjely, izay nampahatsiaro azy fa Andriamanitra ihany no tokony hivavahany. Tsy tokony hasiana tombo-kase ny tenin’ilay faminaniana, “fa antomotra ny andro”. Sambatra ireo izay miditra ao amin’ilay tanàna, fa any ivelany ny maloto sy “izay rehetra tia lainga sady mandainga”. Nanambara i Jesosy fa ny tenany no naniraka io vavolombelona io tany amin’ireo kongregasiona tamin’ny alalan’ny anjeliny, ary koa fa izy no “Solofo sy taranak’i Davida, ny Kintana mamirapiratra fitarika andro”. “Ny Fanahy sy ny ampakarina manao hoe: Avia; ary aoka izay mahare hanao hoe: Avia. Ary aoka ho avy izay mangetaheta; ary izay mety, aoka izy hisotro maimaimpoana amin’ny ranon’aina.” Ary aoka tsy hisy na iza na iza hanampy na hanaisotra amin’ny tenin’itỳ faminaniana itỳ, fandrao hesorina ny anjarany “amin’ny hazon’aina sy amin’ny tanàna masina”. — 22:6, 10, 15-17, 19.
MAHASOA — NAHOANA?
28. Amin’ny alalan’ny ohatra inona avy no ahafahantsika mahatakatra fa manapitra ilay firaketana an-tsoratra natomboka tao amin’ny tapany voalohany amin’ny Baiboly, ny Apokalypsy?
28 Teny famaranana be voninahitra toy inona moa no omen’ny bokin’ny Apokalypsy ho an’ilay fitambarana boky 66 ara-tsindrimandry mahaforona ny Baiboly! Tsy nisy na inona na inona hadino. Tsy nisy tapany natao tsirambina. Izao isika dia mahita mazava tsara ilay fiafarana malaza ary koa ny fiandohana. Manapitra ilay firaketana an-tsoratra izay natomboka tao amin’ny tapany voalohany, ny tapany farany amin’ny Baiboly. Toy ny ilazalazan’ny Genesisy 1:1 ny namoronan’Andriamanitra ny lanitra sy ny tany ara-bakiteny, dia toy izany koa fa ny Apokalypsy 21:1-4 dia milazalaza momba ny lanitra vaovao sy ny tany vaovao ary ireo fitahiana tsy hay lazaina izay hoentina ho an’ny olombelona, araka ny lazain’ny faminaniana ao amin’ny Isaia 65:17, 18; 66:22 sy ny 2 Petera 3:13, koa. Tsy misy hafa amin’ny nilazana tamin’ilay lehilahy voalohany hoe ho faty tokoa izy raha tsy nankato, dia toy izany koa fa nanome toky tokoa Andriamanitra fa ho an’ireo mankato, dia “tsy hisy fahafatesana intsony”. (Gen. 2:17; Apok. 21:4). Rehefa niseho voalohany ny Menarana mba hamitaka ny olombelona, dia nanambara mialoha Andriamanitra ny amin’ny hanorotoroana ny lohany, ary ny Apokalypsy dia mampahafantatra fa ilay menarana tany am-boalohany, izay ny Devoly sy Satana, amin’ny farany dia hatsipy any amin’ny fandringanana. (Gen. 3:1-5, 15; Apok. 20:10). Raha noroahina hiala tamin’ilay hazon’aina tany Edena ny olona tsy nankato, dia hisy hazon’aina ara-panoharana kosa hiseho “ho fanasitranana ny firenena maro” voaforon’ny olombelona mankato. (Gen. 3:22-24; Apok. 22:2). Tsy misy hafa amin’ilay ony iray nivoaka avy tao Edena mba handena ilay saha, dia toy izany koa fa misy ony ara-panoharana iray, manome aina sady mampaharitra ny aina, voalazalaza ho mikoriana avy eo amin’ny seza fiandrianan’Andriamanitra. Izany dia mifanitsy amin’ny fahitan’i Ezekiela teo aloha, ary mampahatsiahy koa an’ireo tenin’i Jesosy momba ny “loharano miboiboika (...) ho fiainana mandrakizay”. (Gen. 2:10; Apok. 22:1, 2; Ezek. 47:1-12; Jaona 4:13, 14). Mifanohitra amin’ny fandroahana tsy ho eo anatrehan’Andriamanitra, toy ny nitranga tamin’ilay lehilahy sy ilay vehivavy voalohany, ireo mpandresy mahatoky kosa dia hahita ny tavany. (Gen. 3:24; Apok. 22:4). Tena mahasoa tokoa ny mandinika ireo fahitana mampientan’ny Apokalypsy ireo!
29. a) Ahoana no ampifamatoran’ny Apokalypsy ireo faminaniana mikasika an’i Babylona? b) Fifanitsian-javatra inona avy no tokony homarihina eo amin’ireo fahitana momba ilay Fanjakana, ary koa momba ireo biby dia, ao amin’ny Daniela sy ao amin’ny Apokalypsy?
29 Mariho koa fa ampifamatorin’ny Apokalypsy ireo faminaniana mikasika an’i Babylona ratsy fanahy. Efa nahita mialoha ny fianjeran’i Babylona ara-bakiteny ela be talohan’ny nitrangany i Isaia, ary efa nanambara hoe: “Nianjera izy! Nianjera i Babylona!” (Isaia 21:9, NW ). I Jeremia koa dia naminany ny hamelezana an’i Babylona. (Jer. 51:6-12). Kanefa ny Apokalypsy dia miresaka amin’ny alalan’ny fanoharana momba an’i “Babylona Lehibe, renin’ny mpijangajanga sy ny zava-betaveta, amin’ny tany”. Tsy maintsy haongana koa izy io, ary i Jaona dia nahita izany tamin’ny fahitana, ka nanambara hoe: “Nianjera izy! Nianjera i Babylona Lehibe!” (Apok. 17:5; 18:2, NW ). Tsaroanao ve ny fahitan’i Daniela momba ny fanjakana iray haorin’Andriamanitra, izay hanorotoro ny fanjakana hafa ary hitoetra “mandrakizay”? Mariho ny ifamatoran’izany amin’ilay fanambarana avy tany an-danitra ao amin’ny Apokalypsy, manao hoe: “Ny fanjakana amin’izao tontolo izao dia efa lasan’ny Tompontsika sy ny Kristiny; ary Izy no hanjaka mandrakizay mandrakizay.” (Dan. 2:44; Apok. 11:15). Ary tsy misy hafa amin’ny nilazalazan’i Daniela fa ‘nisy toy ny zanak’olona avy tamin’ny rahon’ny lanitra mba handray fanapahana sy voninahitra ary fanjakana maharitra iray’, dia toy izany koa fa ny Apokalypsy dia mampahafantatra an’i Jesosy Kristy ho ny “Lehiben’ny mpanjaka amin’ny tany” sy ho toy ny “avy amin’ny rahona”, ary milaza fa “ny maso rehetra hahita Azy”. (Dan. 7:13, 14; Apok. 1:5, 7). Misy fifanitsian-javatra azo antoka tokony homarihina koa eo amin’ireo biby dia ao amin’ireo fahitan’i Daniela sy ireo biby dia ao amin’ny Apokalypsy. (Dan. 7:1-8; Apok. 13:1-3; 17:12). Tena manome saha midadasika hanaovana fianarana manatanjaka ny finoana tokoa ny Apokalypsy.
30. a) Fahitana feno inona no omen’ny Apokalypsy momba ny fanamasinana ny anaran’i Jehovah amin’ny alalan’ilay Fanjakana? b) Inona no antitranterina momba ny fahamasinana, ary iza no voakasik’izany?
30 Fahitana maro loha sady mahatalanjona toy inona moa no omen’ny Apokalypsy mikasika ny Fanjakan’Andriamanitra! Ataony mazava manjopiaka izay nolazain’ireo mpaminany fahiny sy i Jesosy ary ny mpianany mikasika ilay Fanjakana. Ananantsika eto ny fahitana feno momba ny fanamasinana ny anaran’i Jehovah amin’ny alalan’ilay Fanjakana: “Masina, masina, masina [i Jehovah, NW ] Andriamanitra Tsitoha”. Mendrika ny “handray ny voninahitra sy ny haja ary ny hery” izy. Tena izy tokoa no ‘nampiseho ny heriny lehibe ka efa nanjaka’ tamin’ny alalan’i Kristy. Aseho ho be zotom-po toy inona moa io Zanaka sady mpanjaka io, dia ny “Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo”, rehefa hamely ireo firenena ka hanitsaka “ny famiazana ny divain’ny firehetan’ny fahatezeran’Andriamanitra Tsitoha” izy! Rehefa mihamivelatra ny loha hevitra malazan’ny Baiboly, izany hoe ny fanamarinana an’i Jehovah, ka mahatratra ny fara tampony, dia antitranterina fa tsy maintsy ho masina ny olona rehetra sy ny zavatra rehetra mandray anjara amin’ireo fikasany ny amin’ilay Fanjakana. Ny Zanak’ondry, i Jesosy Kristy, izay “manana ny fanalahidin’i Davida”, dia lazaina fa masina, ary toy izany koa ireo anjelin’ny lanitra. Ireo izay manana anjara amin’ny fitsanganana voalohany dia lazaina fa “sambatra sy masina”, ary hamafisina fa “izay tsy masina, na izay manao vetaveta” dia tsy mahazo miditra ao amin’ny “tanàna masina, dia Jerosalema”. Ireo izay novidina tamin’ny ran’ny Zanak’ondry mba ho “fanjakana sy mpisorona ho an’Andriamanitsika” àry dia manana antony mahery mba hihazonana ny fahamasinana eo anatrehan’i Jehovah. Ny “olona betsaka” koa dia tsy maintsy ‘manasa ny akanjony sy mamotsy azy ireo amin’ny ran’ny Zanak’ondry’ mba hahafahany hanolotra fanompoana masina. — Apok. 4:8, 11; 11:17; 19:15, 16; 3:7; 14:10; 20:6; 21:2, 10, 27; 22:19; 5:9, 10; 7:9, 14, 15.
31. Lafin-javatra inona avy ao amin’ilay Fanjakana no tsy isarihana ny saintsika afa-tsy ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy?
31 Ilay fahitana ny amin’io Fanjakan’Andriamanitra misandratra sy masina io dia manjary misy heviny voafaritra tsara ao an-tsaintsika, rehefa marihintsika ny lafin-javatra sasany izay tsy isarihana ny saintsika afa-tsy ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy. Eto isika dia manana fahitana feno ny amin’ireo mpandova ilay Fanjakana teo an-tendrombohitra Ziona miaraka amin’ny Zanak’ondry, mihira tonon-kira vaovao izay izy ireo ihany no mahay mianatra azy. Ny Apokalypsy ihany no milaza amintsika ny isan’ireo izay navotana niala tamin’ny tany mba hiditra ao amin’ilay Fanjakana — 144 000 — ary koa fa io isa io dia ny an’ireo voaisy tombo-kase avy tamin’ireo foko 12 ara-panoharan’ny Isiraely ara-panahy. Ny Apokalypsy ihany no mampiseho fa ireo ‘mpisorona sady mpanjaka’ ireo, izay miara-manana anjara amin’ny fitsanganana voalohany amin’i Kristy, dia hiara-manapaka aminy koa “arivo taona”. Ny Apokalypsy ihany no manome antsika ny fahitana feno ny amin’ny “tanàna masina, dia Jerosalema vaovao”, amin’ny fampisehoana ny voninahiny mamirapiratra, an’i Jehovah sy ny Zanak’ondry ho ny tempoliny, an’ireo vavahadiny sy fanorenany 12, ary ireo mpanjaka izay manjaka ao aminy mandrakizay amin’ny alalan’ilay fahazavana mandrakizay avy amin’i Jehovah. — 14:1, 3; 7:4-8, NW; 20:6; 21:2, 10-14, NW, 22; 22:5.
32. a) Ahoana no amintinan’ilay fahitana ny amin’ny “lanitra vaovao” sy “ny tanàna masina, dia Jerosalema vaovao”, izay rehetra nambara mialoha mikasika ilay Taranaka handova ilay Fanjakana? b) Fitahiana inona avy no anomezan’ilay Fanjakana antoka ho an’ny olombelona eto an-tany?
32 Tena azo lazaina marina fa itỳ fahitana ny amin’ny “lanitra vaovao” sy “ny tanàna masina, dia Jerosalema vaovao”, itỳ dia mamintina izay rehetra nambaran’ny Soratra Masina mialoha, hatrany amin’ny andro fahiny, mikasika ilay Taranaka handova ilay Fanjakana. I Abrahama dia niandry tamim-panantenana ny taranaka iray izay “hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany” ary koa ilay ‘tanàna misy [tena, NW ] fanorenana, izay Andriamanitra no tompo-marika sy Mpanao azy’. Izao, ao amin’ny fahitana ao amin’ny Apokalypsy, io tanàna misy fitahiana io dia ampahafantarina mazava tsara amintsika ho ilay “lanitra vaovao” — fitondram-panjakana vaovao iray, ny Fanjakan’Andriamanitra, voaforon’’i Jerosalema Vaovao (ny ampakarin’i Kristy) sy ilay Mpampakatra azy. Miaraka izy ireo dia hitantana fitondram-panjakana marina iray eo amin’ny tany manontolo. Mampanantena ny olombelona mahatoky i Jehovah fa azon’izy ireo atao ny ho tonga “olony” ao anatin’ny toe-piainana sambatra, tsy hisy fahotana, tsy hisy fahafatesana, toy izay nankafizin’ny olombelona talohan’ny fikomiana tany Edena. Ary ho fanantitranterana izany, dia milaza amintsika indroa ny Apokalypsy fa Andriamanitra dia “hamafa ny ranomaso rehetra amin’ny masony”. — Gen. 12:3; 22:15-18; Heb. 11:10; Apok. 7:17; 21:1-4.
33. a) Fahitana amin’ny ankapobeny mahatalanjona inona no omen’ny Apokalypsy momba ireo fikasan’Andriamanitra izay tanteraka? b) Ahoana no nanaporofoana fa “ara-tsindrimandrin’Andriamanitra sady mahasoa” ny “Soratra rehetra”, ary nahoana izao no fotoana tokony hianarana sy hankatoavana ny Tenin’Andriamanitra?
33 Eny, teny famaranana malaza toy inona moa izy itỳ ho an’ireo Soratra ara-tsindrimandry! Mahatalanjona toy inona moa ireo “zavatra tsy maintsy ho tonga faingana” ireo! (Apok. 1:1). Hamasinina ny anaran’i Jehovah, dia ilay “Andriamanitry ny teny ara-tsindrimandry ho an’ireo mpaminany”. (22:6, NW ). Aseho ho eo an-dalam-pahatanterahana ireo asa soratra ara-paminaniana natao nandritra ny taonjato 16, ary valian-tsoa ireo asam-pinoana nandritra ireo taona an’arivony maro! Maty ilay “menarana tany am-boalohany”, ringana ireo tafiny ary tsy misy faharatsiana intsony. (12:9, NW ). Manapaka amin’ny maha-“lanitra vaovao” azy ny Fanjakan’Andriamanitra, ho fiderana azy. Mivelatra eo anoloan’ny olombelona mandritra ny mandrakizay be voninahitra ireo fitahiana ny amin’ny tany tafaverina amin’ny laoniny, feno sy ampanompoina araka ny fikasan’i Jehovah voambara ao amin’ny toko voalohany ao amin’ny Baiboly. (Gen. 1:28). Tena hita fa “ara-tsindrimandrin’Andriamanitra sady mahasoa ho fampianarana, ho fananarana, ho fandaminan-javatra, ho fifehezana amin’ny rariny”, tokoa ny Soratra rehetra. Nampiasa azy io i Jehovah mba hitarihana ho amin’io andro mahatalanjona io, olona manam-pinoana izay manana fahaizana feno sy tena ampy fitaovana. Noho izany dia izao no fotoana tokony hianarana ireo Soratra Masina ireo mba hanatanjahana ny finoanao. Ankatoavy ireo didy ao aminy mba handraisanao ny fitahian’Andriamanitra. Araho izy ireo eo amin’ilay lala-mahitsy izay mitarika ho amin’ny fiainana mandrakizay. Amin’ny fanaovanao izany, ianao koa dia afaka milaza, amin’ilay fatokiana nanomezan-toky ifaranan’ilay boky farany amin’ny Baiboly hoe: “Amena. Avia, Jesosy Tompo!” — 2 Tim. 3:16, NW; Apok. 22:20.
34. Ahoana no ahafahantsika mahazo fifaliana tsy manam-paharoa dieny izao, ary nahoana?
34 Fifaliana tsy manam-paharoa toy inona moa no azontsika ananana dieny izao amin’ny fihobiana ‘ny fanjakan’ny Tompontsika sy ny Kristiny’, dia ilay Taranaka, rehefa hanamasina mandrakiay ny anarana tsy manan-tsahalan’i “Jehovah Andriamanitra, ilay Tsitoha” izy io! — Apok. 11:15, 17, NW.
[Fanamarihana ambany pejy]
a The Ante-Nicene Fathers, Boky I, pejy 240.
b The Ecclesiastical History, Eusèbe, VI, xxv, 9, 10.
c The Ante-Nicene Fathers, Boky I, pejy 559-560.
d The Lives of the Caesars (Domitian, XIII, 2).
[Fanontaniana]