Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-7 — Mpitsara

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-7 — Mpitsara

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-7 — Mpitsara

Mpanoratra: Samoela

Toerana Nanoratana: Isiraely

Vita Tamin’ny: 1100 al.f.i. tany ho any

Fe-potoana Voafaoka: 1450 al.f.i. tany ho any – 1120 al.f.i. tany ho any

1. Tamin’ny heviny ahoana avy ny fe-potoana nisian’ireo mpitsara no niavaka?

 ITỲ dia pejy iray teo amin’ny tantaran’ny Isiraely izay feno hipoka zava-niseho, mampifandimby ny fisafotofotoana nampidi-doza tamin’ny fivavahana tamin’ireo demonia sy ny famonjen’i Jehovah tamim-pangoraham-po ny vahoakany nibebaka, tamin’ny alalan’ny mpitsara notendren’Andriamanitra. Manome finoana ireo asa mahery nataon’i Otniela, i Ehoda, i Samgara ary ireo mpitsara hafa nanaraka azy ireo. Hoy ny filazan’ny mpanoratra ny Hebreo: “Ho lany ny andro, raha milaza an’i Gideona sy Baraka sy Samsona ary Jefta aho, (...) izay nandresy fanjakana tamin’ny finoana, niasa fahamarinana, (...) raha nalemy dia nampahatanjahina, tonga nahery tamin’ny ady, dia nampandositra ny miaramilan’ny firenena hafa.” (Heb. 11:32-34). Mba hamenoana ny isan’ireo mpitsara nahatoky 12 tamin’io fe-potoana io, dia teo koa i Tola, i Jaïra, i Ibzana, i Elona ary i Abdona. (I Samoela mazàna dia tsy isaina ho anisan’ireo mpitsara.) Niady ny adin’ireo mpitsara ho azy ireo i Jehovah, ary ny fanahy dia nanindry azy ireo teo am-panaovan’izy ireo ny asany nampiseho fahakingana. Nilaza ny Andriamaniny ho tompon’andraikitra ny amin’izany rehetra izany izy ireo sady nanome ny voninahitra rehetra ho azy.

2. Amin’ny heviny ahoana ny anaran’ny bokin’ny Mpitsara amin’ny teny hebreo no mety tsara?

2 Ao amin’ny Septante, ilay boky dia antsoina hoe Kri·taiʹ, ary ao amin’ny Baiboly hebreo izy io dia hoe Sho·phetimʹ, izay adika hoe “Mpitsara”. Ny hoe Sho·phetimʹ dia avy amin’ny matoanteny hoe sha·phatʹ, izay midika hoe “mitsara, manamarina, manasazy, manapaka”, izay maneho tsara ny asan’ireny notendren’ilay “Andriamanitra, Mpitsara ny olona rehetra”, tamin’ny fomba teokratika ireny. (Heb. 12:23). Izy ireny dia lehilahy natsangan’i Jehovah tamin’ny toe-javatra manokana mba hamonjy ny vahoakany tamin’ny fanandevozan’ny hafa firenena.

3. Oviana no nosoratana ny Mpitsara?

3 Oviana no nosoratana ny Mpitsara? Fitenenana roa ao amin’ilay boky no manampy antsika hahita ny valin’izany. Ny voalohany dia hoe: “Fa ny Jebosita dia [monina] (...) any Jerosalema ihany mandraka androany.” (Mpits. 1:21). Koa satria i Davida Mpanjaka nahafaka “ny batery fiarovana, dia Ziona” avy teo an-tanan’ireo Jebosita tamin’ny taona fahavalo nanjakany, na tamin’ny taona 1070 al.f.i., dia tsy maintsy ho nosoratana talohan’io daty io ny Mpitsara. (2 Sam. 5:4-7). Ilay fitenenana faharoa dia miseho inefatra manao hoe: “Tamin’izany andro izany tsy nisy mpanjaka tamin’ny Isiraely”. (Mpits. 17:6; 18:1; 19:1; 21:25). Noho izany, ilay fitantarana dia noraketina an-tsoratra tamin’ny fotoana nisian’ny “mpanjaka tamin’ny Isiraely”, izany hoe taorian’ny nahatongavan’i Saoly ho ny mpanjaka voalohany tamin’ny 1117 al.f.i. Noho izany dia tsy maintsy ho teo anelanelan’ny 1117 sy ny 1070 al.f.i. no nanoratana azy io.

4. Iza no mpanoratra ny Mpitsara?

4 Iza no mpanoratra azy? Tsy isalasalana fa mpanompon’i Jehovah be fandavan-tena izy io. I Samoela irery no niavaka ho mpiaro lehibe indrindra ny fanompoam-pivavahana tamin’i Jehovah tamin’io fe-potoana tetezamita avy teo amin’ireo mpitsara ka hatramin’ireo mpanjaka io, ary izy koa no voalohany tamin’ny laharan’ny mpaminany nahatoky. Tamin’ny naha-izany azy, dia araka ny fandrindran-kevitra raha i Samoela no ilay nirakitra an-tsoratra ny tantaran’ireo mpitsara.

5. Amin’ny fomba ahoana no azo amaritana ny fe-potoana voafaoka ao amin’ny Mpitsara?

5 Hafiriana ny fe-potoana voafaokan’ny Mpitsara? Izany dia azo faritana avy amin’ny 1 Mpanjaka 6:1, izay mampiseho fa i Solomona dia nanomboka nanorina ny tranon’i Jehovah tamin’ny taona fahefatra nanjakany, izay “ny taona fahavalo-polo amby efa-jato taorian’ny nialan’ny Zanak’Isiraely tamin’ny tany Egypta”. (Koa satria isa milaza filaharana ny hoe “fahavalo-polo amby efa-jato”, izy io dia manondro 479 taona feno.) Ireo fe-potoana fantatra fa tafiditra tao amin’ireo 479 taona ireo dia ireo 40 taona teo ambany fitarihan’i Mosesy tany an’efitra, (Deot. 8:2), ireo 40 taona nanjakan’i Saoly, (Asa. 13:21), ireo 40 taona nanjakan’i Davida, (2 Sam. 5:4, 5), ary ireo 3 taona feno voalohany nanjakan’i Solomona. Rehefa anesorana io tontalin’isa misy 123 taona io ireo 479 taona voalaza ao amin’ny 1 Mpanjaka 6:1, dia 356 taona no tavela ho an’ny fe-potoana teo anelanelan’ny nidiran’ny Isiraely tao Kanana sy ny niandohan’ny fanjakan’i Saoly. a Ireo fisehoan-javatra noraketina an-tsoratra ao amin’ny bokin’ny Mpitsara, izay nanomboka teo amin’ny nahafatesan’i Josoa ka hatramin’ny andron’i Samoela, dia mahafaoka eo amin’ny 330 taona teo ho eo tamin’io fe-potoana nisy 356 taona io.

6. Inona no manaporofo ny maha-azo itokiana ny Mpitsara?

6 Tsy misy isalasalana velively ny maha-azo itokiana ny Mpitsara. Ireo Jiosy dia nanaiky azy io mandrakariva ho anisan’ny kanônan’ny Baiboly, na ho iray amin’ireo boky ekena ho anisan’ny Baiboly. Mpanoratra maro tao amin’ny Soratra Hebreo sy ny Soratra Grika Kristiana no samy naka teny avy tao amin’ny firaketana an-tsoratra ao aminy, ohatra, ny ao amin’ny Salamo 83:9-18 sy Isaia 9:3; 10:26 ary Hebreo 11:32-34. Amim-pahatsorana, izy io dia tsy manafina na inona na inona tamin’ireo kileman-toetra sy faniasiavan’ny Isiraely, no sady manandratra ny hatsaram-panahin’i Jehovah miharo fitiavana tsy manam-petra. I Jehovah, fa tsy mpitsara olombelona tsotra akory, no nahazo ny voninahitra tamin’ny naha-Mpanafaka ny Isiraely.

7. a) Ahoana no anohanan’ny arkeolojia ny firaketana an-tsoratra ao amin’ny Mpitsara? b) Nahoana i Jehovah no nandidy araka ny rariny ny hamongorana ireo mpivavaka tamin’i Bala?

7 Ambonin’izany, ireo zavatra hitan’ny arkeolojia dia manohana ny maha-marina ny Mpitsara. Ny manaitra indrindra amin’ireo dia izay nahaforona ny fivavahana tamin’i Bala narahin’ireo Kananita. Ivelan’ireo firesahana momba azy io ao amin’ny Baiboly, dia tsy nisy zavatra firy fantatra momba ny fivavahana tamin’i Bala mandra-pamoaka avy tamin’ny tany an’i Ugarit, tanàna tranainy kananita (i Ras Shamra maoderina eo amin’ny moron-tsiraka syriana eo am-pitan’ny tendrony avaratra-atsinanan’ny nosin’i Chypre), nanomboka tamin’ny 1929. Teto dia naharihary fa voamariky ny fitiavana fatratra zavatra ara-nofo sy ny fanindrahindram-pirenena tafahoatra ary ny fanompoam-pivavahana tamin’ny maha-lahy sy ny maha-vavy, ny fivavahana tamin’i Bala. Ny tanàna kananita tsirairay dia niharihary fa samy nanana ny tempoliny ho an’i Bala avy ary koa toeram-pivavahana nantsoina hoe fitoerana avo. Tao anatin’ireo toeram-pivavahana ireo dia nety ho nisy sarin’i Bala, ary teo akaikin’ireo alitara teo ivelany dia nahitana andry vato — angamba famantarana an’i Bala nampiseho ny filahiana. Nisy fanatitra olombelona feno fahavetavetana nameno ra ireny toeram-pivavahana ireny. Rehefa nanjary voaloton’ny fivavahana tamin’i Bala ny Isiraelita, dia nanolotra ny zanany lahy sy ny zanany vavy ho fanatitra toy izany koa. (Jer. 32:35). Nisy tsato-kazo masina (NW ) nampiseho an’i Asera, renin’i Bala. I Astarta, vadin’i Bala, izay andriamani-bavin’ny fahafaha-miteraka, dia notolorana fanompoam-pivavahana tamin’ny alalan’ny fombafomba vetaveta nifandray tamin’ny maha-lahy sy ny maha-vavy, ka nisy lehilahy sy vehivavy nampiasaina ho amin’ny fijangajangana “masina” tao amin’ny tempoly. Tsy mahagaga raha nandidy ny hamongorana ny fivavahana tamin’i Bala sy ireo mpanaraka azy toy ny biby, i Jehovah. “Aoka tsy hiantra azy ny masonao; ary aza manompo ny andriamaniny”. — Deot. 7:16. b

LOHA HEVITRA RAKETIN’NY MPITSARA

8. Mizara ho azy ho tapany telo inona avy ny Mpitsara?

8 Mizara ho azy ho tapany telo ilay boky. Ireo toko roa voalohany dia milazalaza ireo toe-piainana teo amin’ny Isiraely tamin’izany fotoana izany. Ny toko faha-3 ka hatramin’ny faha-16 dia milazalaza ireo famonjena nentin’ireo mpitsara 12. Avy eo ny toko faha-17 ka hatramin’ny faha-21 dia milazalaza ny fisehoan-javatra sasany nahakasika ady an-trano teo amin’ny Isiraely.

9. Fanazavana inona no omen’ireo toko roa voalohany amin’ny Mpitsara?

9 Ny toe-piainana teo amin’ny Isiraely tamin’ny andron’ny mpitsara (1:1–2:23). Nolazalazaina ny amin’ireo fokon’ny Isiraely teo am-pielezany mba hanorim-ponenana tao amin’ireo faritany voatondro ho azy avy. Kanefa, tsy nandroaka ireo Kananita rehetra izy ireo, fa nasainy nanao asa an-tery vozona (NW ) ny maro taminy, ka navelany hitoetra teo anivon’ny Isiraelita. Noho izany, dia hoy ny nambaran’ny anjelin’i Jehovah: “Ho tsilo eo amin’ny tehezanareo sy ho fandrika aminareo ny andriamaniny.” (2:3). Araka izany, rehefa nitsangana ny taranaka vaovao iray izay tsy nahalala an’i Jehovah na ny asany, tsy ela dia nandao azy ny vahoaka mba hanompo ireo Bala sy andriamani-kafa. Satria namely azy ny tanan’i Jehovah ka nampahory azy, dia “ory indrindra” izy ireo. Noho ny ditran’izy ireo sy ny fandavany tsy hihaino na dia ireo mpitsara aza, dia tsy nandroaka na dia iray aza tamin’ireo firenena izay mbola tsy resy i Jehovah, mba hizahana toetra ny Isiraely. Io toe-javatra nanodidina ny fanoratana ilay boky io dia manampy mba hahazoana ny hevitr’ireo fisehoan-javatra nanaraka. — 2:15.

10. Hery inona no nitsaran’i Otniela, ary inona no vokatr’izany?

10 Otniela Mpitsara (3:1-11). Tao anatin’ny fahoriana ny zanak’Isiraely noho ny famaboan’ny Kananita, ka nitaraina tamin’i Jehovah. Nanangana an’i Otniela ho mpitsara izy aloha. Moa ve i Otniela nitsara tamin’ny alalan’ny hery sy ny fahendren’olombelona? Tsia, satria hoy ny vakintsika: “Ny Fanahin’i Jehovah no tao aminy” mba handresy ireo fahavalon’ny Isiraely. “Dia nandry ny tany efa-polo taona.” — 3:10, 11.

11. Tamin’ny fomba ahoana no nampiasan’i Jehovah an’i Ehoda mba hamonjena ny Isiraely?

11 Ehoda Mpitsara (3:12-30). Rehefa avy nofehezin’i Eglona, mpanjakan’i Moaba, nandritra ny 18 taona ny zanak’Isiraely, dia nahare ny fitarainan’izy ireo indray i Jehovah ka nanangana an’i Ehoda Mpitsara. Nahazo fihaonana nitokana tamin’ny mpanjaka i Ehoda izay kavia, ary nanatsoaka ilay sabatra namboarin’ny tenany ihany avy tao ambanin’ny akanjony ivelany ka namono an’i Eglona tamin’ny fanatsatohana ilay sabatra lalina tao amin’ny kibon’i Eglona natavy be. Niandany haingana tamin’i Ehoda ny Isiraely teo amin’ny ady nataony tamin’i Moaba, ary dia nahazo fiadanana avy tamin’Andriamanitra indray ilay tany, nandritra ny 80 taona.

12. Inona no mampiseho fa ny fandresen’i Samgara dia noho ny herin’Andriamanitra?

12 Samgara Mpitsara (3:31). I Samgara dia namonjy ny Isiraely tamin’ny famelezana Filistina 600. Ny hoe tamin’ny alalan’ny herin’i Jehovah no nahazoany ny fandresena dia asehon’ilay fiadiana nampiasainy — fanindronan’omby tsotra iray.

13. Fisehoan-javatra nampitaintaina inona avy no nifarana tamin’ny hiram-pandresen’i Baraka sy i Debora?

13 Baraka Mpitsara (4:1–5:31). Nanaraka izany ny Isiraely dia nanjary nofehezin’i Jabina, mpanjaka kananita, sy i Sisera, komandin’ny miaramilany, izay nirehareha noho ireo kalesy vy 900 nananany. Rehefa niantso an’i Jehovah indray ny Isiraely, dia nanangana an’i Baraka Mpitsara, izay notohanan’i Debora mpaminanivavy tamim-pahombiazana, Izy. Mba tsy hananan’i Baraka sy ny miaramilany antony hireharehana, dia nampahafantatra i Debora fa ho eo ambany fitarihan’i Jehovah ilay ady, ary dia naminany izy hoe: “Ho eo an-tànam-behivavy no hivarotan’i Jehovah an’i Sisera.” (4:9). Nanangona ireo lehilahin’i Naftaly sy i Zebolona ho any an-tendrombohitra Tabara i Baraka. Avy eo dia nidina mba hiady ny tafiny nisy 10 000 lahy. Ny finoana mafy nananan’izy ireo no nanampy azy ireo. ‘Nampifanaritahin’i Jehovah i Sisera sy ny kalesy rehetra ary ny miaramila rehetra’, ka noreseny tamin’ny alalan’ny tondra-drano tampoka teo amoron’ny ony Kisona. “Tsy nisy niangana na dia iray akory aza.” (4:15, 16). I Jaela, vadin’i Hebera Kenita, izay tany amin’ny lainy no nandosiran’i Sisera, dia nitondra ilay famonoana ho amin’ny fara tampony tamin’ny famantsihana ny lohan’i Sisera tamin’ny tany tamin’ny alalan’ny tsima-day iray. ‘Dia naetrin’Andriamanitra i Jabina.’ (4:23). Nifaly aoka izany tamin’ny alalan’ny hira iray i Debora sy i Baraka, ka nankalaza ny herin’i Jehovah tsy hay resena, izay nahatonga na dia ireo kintana aza hiady tamin’i Sisera, avy teo amin’ny lalana narahin’izy ireo (NW ). Tena marina fa fotoana ‘hiderana an’i Jehovah’ tamin’izay! (5:2). Efapolo taonam-piadanana no nanaraka izany.

14, 15. Famantarana inona ny amin’ny fanohanan’i Jehovah no azon’i Gideona, ary tamin’ny ahoana no nanamafisana indray io fanohanana io tamin’ny fandresena farany ny Midianita?

14 Gideona Mpitsara (6:1–9:57). Nanao izay ratsy indray ny zanak’Isiraely, hany ka nofongoran’ny Midianita tonga nanafika tampoka ilay tany. Tamin’ny alalan’ny anjeliny i Jehovah dia nanendry an’i Gideona ho mpitsara, ary ny tenan’i Jehovah mihitsy no nanampy toky tamin’ny teny hoe “Homba anao tokoa Aho”. (6:16). Ny asa nampiseho herim-po voalohany nataon’i Gideona dia ny nandrava ny alitaran’i Bala tao amin’ny tanànany mihitsy. Ireo tafika nikamban’ny fahavalo izao dia nita ka tonga tao Jezirela, ary ‘ny fanahin’i Jehovah dia nanindry an’i Gideona’ rehefa niantso ny Isiraely mba hiady izy. (6:34). Tamin’ny alalan’ny fitsapana iray, dia ny an’ny volon’ondry natao ho tratran’ny ando teo amin’ny famoloana, i Gideona dia nahazo famantarana roa sosona fa nomba azy Andriamanitra.

15 Nilaza tamin’i Gideona i Jehovah fa lehibe loatra ny tafiny nisy 32 000 lahy, ary koa fa nety hitarika ny olona hirehareha noho ilay fandresena ny habetsahany. Ireo natahotra no nasaina nody voalohany, ka 10 000 sisa no tavela. (Mpits. 7:3; Deot. 20:8). Avy eo, tamin’ny alalan’ny fitsapana iray, dia ny an’ny fisotroana rano, dia nesorina avokoa ny rehetra, afa-tsy ny lehilahy 300 izay nitandrina sy niambina. Nisafo ny toby midianita tamin’ny alina i Gideona ary nahazo toky rehefa nahare lehilahy iray nanome ny hevitry ny nofy iray, dia ny hoe: “Tsy zavatra hafa izany, fa ny sabatr’i Gideona (...) mihitsy: efa natolotr’Andriamanitra eo an-tànany ny Midiana sy ny toby rehetra.” (Mpits. 7:14). Nanolotra fanompoam-pivavahana ho an’Andriamanitra i Gideona ary avy eo dia nizara ireo lehilahy ho toko telo nanodidina ny toby midianita. Tampoka teo, ny fahatoniana tamin’ny alina dia rava noho ny fitsofana anjomara, ny famakiana sinin-drano, ny fitselatry ny fanilo ary ny fihiakan’ireo lehilahy 300-n’i Gideona, nanao hoe: “Ny sabatr’i Jehovah sy Gideona!” (7:20). Velona ny fifanjevoana tao an-tobin’ny fahavalo. Niady tamin’izy samy izy ireo lehilahy sady nandositra. Nanenjika ny Isiraely, ka nandripaka azy ireo ary namono ireo andrianany. Nangataka an’i Gideona mba hanapaka teo amin’izy ireo izao ny vahoakan’ny Isiraely, kanefa nanda izy ka nanao hoe: “Jehovah ihany no hanapaka anareo.” (8:23). Nanao efoda iray tamin’izay babo tamin’ny ady anefa izy, ka izany dia nanjary nankamasinina be loatra ka tonga fandrika ho an’i Gideona sy ny ankohonany. Nahita fiadanana naharitra 40 taona ilay tany nandritra ny fotoana nitsaran’i Gideona.

16. Fiafarana ratsy inona no nanjo an’i Abimeleka mpandrombaka fahefana?

16 I Abimeleka, iray tamin’ireo zanak’i Gideona tamin’ny vady tsindrano iray, dia nandroba ny fahefana taorian’ny fahafatesan’i Gideona, ka namono ho faty ireo rahalahiny iray ray taminy 70. I Jotama, faralahin’i Gideona, no hany afaka nandositra, ary nanambara ny fiafarana ratsy hanjo an’i Abimeleka, avy teny an-tampon’ny Tendrombohitra Gerizima. Tao amin’io fanoharana momba ny hazo io izy dia nampitaha ny ‘fanjakan’i Abimeleka’ tamin’ny an’ny tsilo ambany iray. Tsy ela i Abimeleka dia tratra tao anatin’ny ady an-trano tany Sekema ka nampietrena tamin’ny fahafatesany, rehefa novonoin’ny vehivavy iray izay nahavoa azy nivantana tamin’ny vato fikosoham-bary iray natsipiny avy tany an-tampon’ny tilikambon’i Tebeza, ka nahavaky ny karandohany. — Mpits. 9:53; 2 Sam. 11:21.

17. Inona no lazain’ilay firaketana an-tsoratra momba an’i Tola sy i Jaïra Mpitsara?

17 Tola sy Jaïra Mpitsara (10:1-5). Nanaraka izany, dia ireo no nitondra famonjena tamin’ny alalan’ny herin’i Jehovah, ka ny voalohany nitsara nandritra ny 23 taona ary itỳ faharoa nandritra ny 22 taona.

18. a) Famonjena inona no nentin’i Jefta? b) Voady nataony tamin’i Jehovah hoe ahoana no notanterahin’i Jefta tamim-pahatokiana? Tamin’ny fomba ahoana?

18 Jefta Mpitsara (10:6–12:7). Rehefa nikiry nitodika tany amin’ny fanompoan-tsampy ny Isiraely, dia nirehitra tamin’ilay firenena indray ny fahatezeran’i Jehovah. Niharan’ny fampahorian’ny Amonita sy ny Filistina izao ilay vahoaka. Nantsoina avy tany amin’ny fahababoana i Jefta mba hitarika ny Isiraely tamin’ilay ady. Iza anefa no tena mpitsara tamin’io fifandirana io? Nanome ny valiny ny tenin’i Jefta ihany tamin’ny hoe: “Aoka Jehovah Mpitsara no hitsara ny Zanak’Isiraely sy ny taranak’i Amona anio.” (11:27). Rehefa tonga tao aminy ny fanahin’i Jehovah, dia nivoady izy fa rehefa tafaverina soa aman-tsara avy tany Amona ny tenany, dia hatokany ho an’i Jehovah izay hivoaka voalohany avy tao an-tranony mba hitsena azy. Naharesy an’i Amona i Jefta ka be dia be no maty. Rehefa nody tany aminy tany Mizpa izy, dia ny zanany vavy no nihazakazaka nitsena azy tamim-pifaliana noho ny fandresen’i Jehovah. Nanatanteraka ny voadiny i Jefta — tsia, tsy tamin’ny alalan’ny fanatitra olombelona fanaon’ny mpanompo sampy araka ny fombafomban’i Bala akory, fa tamin’ny fanokanana kosa ny zanany vavy tokana ho amin’ny fanompoana tsy nizarazara tao an-tranon’i Jehovah ho fiderana Azy.

19. Fisehoan-javatra inona avy no nitarika ho amin’ilay fitsapana momba ny hoe “Shiboleta”?

19 Nitaraina izao ireo lehilahin’i Efraima satria tsy nantsoina mba hiady tamin’i Amona, ary nandrahona an’i Jefta, izay voatery naharesy tosika azy ireo. Tamin’ny fitambarany, dia Efraimita 42 000 no ripaka, ka ny maro tamin’ireo dia teo amin’ny fitana tao Jordana, izay nahafantarana azy noho ny tsy fahaizany nanonona marina ilay teny famantarana hoe “Shiboleta”. Nanohy nitsara ny Isiraely nandritra ny enin-taona i Jefta. — 12:6.

20. Mpitsara telo iza avy no voatonona manaraka?

20 Ibzana sy Elona ary Abdona Mpitsara (12:8-15). Na dia kely aza no voalaza momba azy ireo, ny fotoana nitsarany dia voalaza fa fito taona ho an’irỳ voalohany, folo taona ho an’ilay faharoa ary valo taona ho an’itỳ fahatelo.

21, 22. a) Asa nahery inona avy no notanterahin’i Samsona, ary tamin’ny hery inona? b) Ahoana no nandresen’ny Filistina an’i Samsona? d) Fisehoan-javatra inona avy no nifarana tamin’ilay asa niavaka indrindra nataon’i Samsona, ary iza no nahatsiaro azy tamin’io ora io?

21 Samsona Mpitsara (13:1–16:31). Lasa babon’ny Filistina indray koa ny Isiraely. Tamin’itỳ indray mandeha itỳ, dia i Samsona no natsangan’i Jehovah ho mpitsara. Nanokana azy ho Nazirita hatramin’ny nahaterahany ny ray aman-dreniny, ka izany dia nitaky ny tsy hikasihan’ny hareza ny lohany. Teo am-pitomboany, dia nitahy azy i Jehovah, ary ‘nanindry azy ny fanahin’i Jehovah’. (13:25). Ny tsiambaratelon’ny tanjaka nananany dia tsy avy tamin’ny nofon’olombelona akory, fa avy tamin’ny hery nomen’i Jehovah. Fony ‘nilatsaka taminy ny fanahin’i Jehovah’ no nahazoany hery mba hamonoana liona iray tamin’ny tanam-polo ary tatỳ aoriana mba hamaliana ny famitahan’ny Filistina tamin’ny famonoana lehilahy 30 taminy. (14:6, 19). Rehefa nanohy nampiasa fitaka ny Filistina teo amin’ny raharaha nifandray tamin’ny nanambadian’i Samsona vehivavy filistina iray, dia naka amboahaolo 300 izy ary, rehefa avy nampifanendry ny rambon’ny tsiroaroa tamin’ireo, dia nametraka fanilo teo anelanelan’ny rambony ka nandefa azy ireo mba handoro ny tanimbary, ny tanimboaloboka ary ny voly olivan’ny Filistina. Avy eo izy dia nahafaty Filistina be dia be, “ka nampisavovona ranjo sy fe”. (15:8, NW ). Nandresy lahatra ireo Isiraelita mpiray firenena taminy, dia ireo lehilahin’i Joda, ny Filistina, mba hamatotra an’i Samsona sy hanolotra azy teo an-tanan’izy ireo, kanefa ‘nilatsaka taminy indray ny fanahin’i Jehovah’, hany ka toy ny niempo (NW ) ka afaka avy tamin’ny tanany ireo fatorana. Namono Filistina arivo lahy i Samsona — “antontany iray, eny, antontany roa”. (15:14-16). Inona no fiadiana nanaovany izany fandringanana izany? Valanoranom-boriky vaovao iray. Namelombelona ilay mpanompony izay sasatra i Jehovah tamin’ny fanaovana izay hivoahan’ny loharano tamim-pahagagana teo amin’ilay toeram-piadiana.

22 Nanaraka izany i Samsona dia nilasy indray alina tao an-tranon’ny vehivavy janga iray tao Gaza, izay nanodidinan’ny Filistina azy moramora. Kanefa dia teo aminy indray ny fanahin’i Jehovah rehefa nifoha izy nony namatonalina, nanongotra ny vavahadin’ny tanàna mbamin’ny tolana roa, ary nitondra azy ireo hatrany an-tampon’ny tendrombohitra iray tandrifin’i Hebrona. Taorian’izany izy dia raiki-pitia tamin’i Delila mpamadika. Nanaiky ho fitaovana hampiasain’ny Filistina io, ka nanorisory an’i Samsona tsy an-kijanona mandra-panambarany taminy fa ny naha-Nazirita natokana ho an’i Jehovah azy, izay nasehon’ny volony lava, no tena loharanon’ny tanjaka lehibe nananany. Rehefa natory i Samsona, dia nasain’i Delila noharatana ny volony. Tamin’itỳ indray mandeha itỳ, dia tsy nisy vokany ny nifohazany mba hiady, satria ‘efa niala taminy i Jehovah’. (16:20). Nisambotra azy ny Filistina, namotsitra ny masony, ary nanao azy ho andevo mpitoto vary tao an-trano famatorana. Rehefa tonga ny fotoana ho an’ny andro firavoravoana lehibe ho fankalazana an’i Dagona andriamanitr’izy ireo, dia nitondra an’i Samsona tany ivelany ny Filistina mba hanao lalao ho azy ireo. Tsy nanisy fiheverana ny volony izay nandrobona fatratra (NW ) indray izy ireo, ka namela ny hampitoerana azy teo anelanelan’ireo andry goavana roan’ilay trano nanaovana fanompoam-pivavahana ho an’i Dagona. Niantso an’i Jehovah toy izao i Samsona: “Jehovah Tompo ô, mifona aminao aho, tsarovy aho, ka ampaherezo izao indray mandeha izao monja”. Nahatsiaro azy tokoa i Jehovah. Nandray ireo andry i Samsona ary ‘niankina tamin-kery’ (NW ) — ny herin’i Jehovah — ‘ka dia nianjera ny trano. Ary ny maty izay novonoiny teo amin’ny nahafatesany dia be lavitra noho izay novonoiny tamin’ny andro niainany’. — 16:28-30.

23. Fisehoan-javatra inona avy no voatantara ao amin’ny toko faha-17 ka hatramin’ny faha-21, ary oviana no nitranga izy ireo?

23 Izao isika dia tonga eo amin’ny toko faha-17 ka hatramin’ny faha-21, izay milazalaza momba ny sasany amin’ireo ady an-trano izay nampalahelo fa nampahory ny Isiraely nandritra io fotoana io. Ireo fisehoan-javatra ireo dia nitranga tany am-piandohan’ny fe-potoana nisian’ireo mpitsara, araka ny asehon’ny filazana fa tamin’izay dia mbola velona i Jonatana sy i Finehasa, zafikelin’i Mosesy sy i Arona.

24. Tamin’ny fomba ahoana no nanorenan’ny Danita sasany fivavahana ho an’ny tenany manokana?

24 Mika sy ireo Danita (17:1–18:31). I Mika, lehilahy iray tany Efraima, dia nanorina ny trano fivavahan’ny tenany manokana, dia “tranon’andriamanitra” fanompoan-tsampy, izay nisy hatramin’ny sarin-javatra voasokitra sy mpisorona Levita iray. (17:5). Ireo lehilahin’ny fokon’i Dana dia nandalo teo aminy teo am-pandehanan’izy ireo hitady lova tany avaratra. Nandroba ny fitaovana ara-pivavahan’i Mika sy ny mpisorony izy ireo, ary dia nandeha hatrany avaratra lavitra be mba handringana ny tanànan’i Laisy tsy nanana ahiahy. Nanorina an’i Dana, ny tanànan’ny tenany manokana, teo amin’ny toerany izy ireo ary nanorina ny sarin-javatra voasokitr’i Mika tao. Araka izany, dia nanaraka ny fivavahana nofidin’ny tenany manokana izy ireo, kanefa nandritra izany fotoana rehetra izany, ny trano nanolorana fanompoam-pivavahana marina ho an’i Jehovah dia tany Silo.

25. Tamin’ny fomba ahoana no nifaranan’ny ady an-trano teo amin’ny Isiraely tao Gibea?

25 Ny fahotan’i Benjamina tao Gibea (19:1–21:25). Ny fisehoan-javatra voarakitra an-tsoratra manaraka dia nahatonga an’i Hosea hilaza ireto teny ireto tatỳ aoriana: “Hatramin’ny andro fony tany Gibea no efa nanotanao, ry Isiraely”. (Hosea 10:9). Rehefa nody niaraka tamin’ny vady tsindranony ny Levita iray avy tany Efraima dia nivahiny indray alina tao an-tranon’ny lehilahy anti-panahy iray tao Gibea an’i Benjamina. Nisy olona tena ratsy fanahy avy tao amin’ilay tanàna nanodidina ilay trano, ka nangataka ny hanana firaisana (NW ) tamin’ilay Levita. Kanefa, nanaiky ny vady tsindranony ho solony izy ireo ary dia nanao an-keriny azy nandritra ny alina manontolo. Hita maty teo an-tokonana izy io ny ampitson’iny. Nentin’ilay Levita nody ny fatiny, norasarasainy ho 12, ary nalefany tany amin’ny Isiraely rehetra ireo. Notsapaina tamin’izany fomba izany ireo foko 12. Moa ve izy ireo hanafay an’i Gibea ka hanala ny fahalotoam-pitondran-tena teo amin’ny Isiraely? Nanala tsiny io heloka faran’izay naharikoriko io ny Benjamina. Nivory ho an’i Jehovah tao Mizpa ireo foko hafa, ka nanapa-kevitra tao ny handeha araka ny filokana mba hamely an’i Benjamina tao Gibea. Taorian’ny faharesena roa nandatsahan-dra, ireo foko hafa dia nandresy tamin’ny alalan’ny otrika iray ka saiky nandringana tanteraka ny fokon’i Benjamina, izay tsy nisy afa-tsy 600 lahy sisa nandositra nankany amin’ny harambaton’i Rimona. Tatỳ aoriana, dia nalahelo ny Isiraely satria fongotra teo aminy ny foko iray. Nisy fahafahana hita mba hanomezana vady ho an’ireo Benjamita mbola velona, avy tamin’ireo zanakavavin’i Jabesi-gileada sy i Silo. Izany no mamarana ny firaketana an-tsoratra iray momba ny ady sy fiokoana teo amin’ny Isiraely. Milaza izany toy izao ireo teny famaranan’ny Mpitsara, izay mamerina hoe: “Tsy nisy mpanjaka teo amin’ny Isiraely tamin’izany andro izany; fa samy nanao izay nataony ho marina avy izy rehetra.” — Mpits. 21:25.

MAHASOA — NAHOANA?

26. Fampitandremana mahery inona avy, hita ao amin’ny Mpitsara, no mihatra koa amin’izao andro izao?

26 Tsy firaketana an-tsoratra momba ny ady sy fandatsahan-dra tsotra fotsiny akory ny bokin’ny Mpitsara fa manandratra an’i Jehovah amin’ny maha-Mpanafaka lehibe ny vahoakany azy. Izy io dia mampiseho ny nanehoany ny famindram-pony sy ny fahari-pony tsy manan-tsahala tamin’ilay vahoaka nitondra ny anarany rehefa nanatona azy tamin’ny fo nibebaka izy ireo. Ny Mpitsara dia mahasoa indrindra raha ny amin’ny fanohanany tsy misy fihambahambana ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah sy ireo fampitandremana mahery momba ny maha-fahadalana ny fivavahana amin’ny demonia sy ny fanakambanam-pinoana ary ny fifandraisana maloto. Ny fanamelohan’i Jehovah mafy ny fanompoam-pivavahana tamin’i Bala dia tokony hanosika antsika hisaraka tanteraka amin’izay mifanitsy aminy amin’izao andro maoderina izao, dia ny fitiavana fatratra zavatra ara-nofo, ny fanindrahindram-pirenena ary ny fahalotoam-pitondran-tena eo amin’ny lahy sy ny vavy. — 2:11-18.

27. Amin’ny ahoana no mety hahazoantsika amin’izao andro izao soa avy amin’ny ohatra tsaran’ireo mpitsara?

27 Ny fandinihana ny finoana tsy nisy tahotra sady feno herim-po nananan’ireo mpitsara dia tokony hiteraka finoana toy izany ao am-pontsika. Tsy mahagaga raha voatonona amim-pankasitrahana miredareda aoka izany izy ireo ao amin’ny Hebreo 11:32-34! Mpiady ho an’ny fanamasinana ny anaran’i Jehovah izy ireny, kanefa tsy noho ny herin’ny tenany manokana akory. Fantany ny loharanon’ny heriny, dia ny fanahin’i Jehovah, ary nanaiky izany tamim-panetren-tena izy ireny. Toy izany koa, isika amin’izao andro izao dia afaka mandray ny “sabatry ny Fanahy”, dia ny Tenin’Andriamanitra, noho ny fatokiana fa hanome hery antsika Andriamanitra, toy ny nataony tamin’i Baraka, i Gideona, i Jefta, i Samsona ary ireo hafa koa. Eny, mba handresena vato misakana goavana, noho ny fanampian’ny fanahin’i Jehovah, dia afaka ny hahery ara-panahy toy ny naha-nahery ara-batana an’i Samsona isika, raha mivavaka amin’i Jehovah sy miantehitra aminy fotsiny. — Efes. 6:17, 18; Mpits. 16:28.

28. Ahoana no anondroan’ny bokin’ny Mpitsara ny fanamasinana ny anaran’i Jehovah amin’ny alalan’ilay Taranaka handova ilay Fanjakana?

28 I Isaia mpaminany dia manonona ny Mpitsara indroa mba hampisehoana fa i Jehovah dia tsy maintsy hanapaka ny zioga (NW ) napetraky ny fahavalony teo amin’ny vahoakany, tsy misy hafa amin’ny nataony tamin’ny andron’ny Midiana. (Isaia 9:3; 10:26). Izany dia mampahatsiahy antsika koa ny hiran’i Debora sy i Baraka, izay mifarana amin’itỳ vavaka mafana itỳ: “Ho levona tahaka izany anie ny fahavalonao rehetra, Jehovah ô; fa aoka izay tia Azy kosa ho tahaka ny masoandro, raha miposaka amin’ny heriny izy.” (Mpits. 5:31). Ary iza moa ireo tia azy ireo? Nasehon’ny tenan’i Jesosy Kristy mihitsy fa izy ireo dia ireo mpandova ilay Fanjakana, tamin’ny fampiasana fitenenana nitovy tamin’izany ao amin’ny Matio 13:43, nanao hoe: “Ary amin’izany ny marina dia hamirapiratra tahaka ny masoandro any amin’ny fanjakan’ny Rainy.” Araka izany, ny bokin’ny Mpitsara dia manondro ilay fotoana hampiharan’ilay Mpitsara marina sady Taranaka handova ilay Fanjakana, dia i Jesosy, ny fahefany. Amin’ny alalany, i Jehovah dia hanome voninahitra sady hanamasina ny anarany, araka ny vavak’ilay mpanao salamo momba ireo fahavalon’Andriamanitra manao hoe: “Ataovy tahaka ny Midiana izy, ary tahaka an’i Sisera sy Jabina teo amin’ny ony Kisona (...) ary aoka ho fantany fa Hianao irery ihany, Izay atao hoe Jehovah, no Ilay Avo Indrindra ambonin’ny tany rehetra.” — Sal. 83:9, 18; Mpits. 5:20, 21.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Ny ankamaroan’ireo fandikan-teny maoderina dia manamarina fa ireo “tokony ho dimam-polo amby efa-jato taona” ao amin’ny Asan’ny Apostoly 13:20 dia tsy mifanitsy amin’ny andron’ireo mpitsara akory fa mialoha azy kosa; toa mahafaoka ny fe-potoana nanomboka tamin’ny nahaterahan’i Isaka tamin’ny 1918 al.f.i. ka hatramin’ny nizarana ny Tanin’ny Fampanantenana tamin’ny 1467 al.f.i., izy io. (Auxiliaire pour une meilleure intelligence de la Bible, pejy 284-285). Ny filaharan’ny nisehoan’ireo mpitsara voalaza ao amin’ny Hebreo 11:32 dia hafa noho izay hita ao amin’ny bokin’ny Mpitsara, kanefa izany dia tsy voatery hanondro fa hoe tsy manaraka ny filaharana araka ny fandehan’ny fotoana ireo fisehoan-javatra ao amin’ny Mpitsara, satria azo antoka fa i Samoela dia tsy nanaraka an’i Davida.

b Auxiliaire pour une meilleure intelligence de la Bible, pejy 159-160; Insight on the Scriptures, pejy 948.

[Fanontaniana]