Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-8 — Rota

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-8 — Rota

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-8 — Rota

Mpanoratra: Samoela

Toerana Nanoratana: Isiraely

Vita Tamin’ny: 1090 al.f.i. tany ho any

Fe-potoana Voafaoka: 11 taona nandritra ny fanapahan’ireo mpitsara

1. a) Nahoana ny bokin’i Rota no tsy tantaram-pitiavana fotsiny? b) Tononina amin’ny fomba manokana ahoana i Rota ao amin’ny Baiboly?

 NY BOKIN’I Rota dia tantara mampihetsi-po lalina sady mahafinaritra izay mivelatra mba ho tonga ny tantaram-pitiavana kanton’i Boaza sy i Rota. Kanefa tsy tantaram-pitiavana fotsiny akory izy io. Tsy natao hampanariana dia akory ny zava-kendreny. Manasongadina ny fikasan’i Jehovah hampipoitra mpandova ilay Fanjakana ilay boky, ary manandratra ny hatsaram-panahiny miharo fitiavana. (Rota 1:8, NW; 2:20, NW; 3:10, NW ). Ny fahaizan’ny fitiavan’i Jehovah miitatra dia hita tamin’ny fifidianany vehivavy Moabita iray, izay mpivavaka tamin’ilay andriamanitra sampy atao hoe Kemosy taloha, nefa niova ho amin’ny fivavahana marina, mba ho tonga iray tamin’ireo razamben’i Jesosy Kristy. I Rota dia iray amin’ireo vehivavy efatra voatonona anarana ao amin’ny tetirazana manomboka amin’i Abrahama ka hatramin’i Jesosy. (Matio 1:3, 5, 16). I Rota, miaraka amin’i Estera, dia iray amin’ireo vehivavy roa izay nomena boky ao amin’ny Baiboly ny anarany.

2. Oviana no nitranga ireo fisehoan-javatra ao amin’ny Rota, oviana no nosoratana izy io, ary iza no nanao izany?

2 “Ary tamin’ny andro nitsaran’ny mpitsara (...)”. Amin’ny alalan’ireo teny fanokafana ireo, ny bokin’i Rota dia manomboka ny fitantarany mampientana. Avy amin’ireo teny ireo dia fantatra fa nosoratana tatỳ aoriana, tamin’ny andron’ireo mpanjakan’ny Isiraely, ilay boky. Kanefa ireo fisehoan-javatra voatantara ao aminy dia mahafaoka fe-potoana eo amin’ny 11 taona eo ho eo tamin’ny andron’ireo mpitsara. Na dia tsy voalaza aza ny anaran’ny mpanoratra azy, dia tena azo inoana fa i Samoela izany, izay toa nanoratra koa ny Mpitsara sady ilay olona niavaka noho ny fahatokiany teo am-piandohan’ny andron’ireo mpanjaka. Koa satria ireo andininy famaranana dia mampiseho fa i Davida dia efa nanomboka nalaza, izany dia mametraka ny fanoratana ilay boky ho tany amin’ny 1090 al.f.i. tany ho any. I Samoela, izay nahafantatra tsara ny fampanantenan’i Jehovah hamoaka “liona” iray avy tamin’ny fokon’i Joda, sady nampiasain’i Jehovah mba hanosotra an’i Davida avy tamin’io foko io mba ho mpanjaka teo amin’ny Isiraely, dia ho liana aoka izany ny hirakitra an-tsoratra ilay tetirazana hatramin’i Davida. — Gen. 49:9, 10; 1 Sam. 16:1, 13; Rota 1:1; 2:4; 4:13, 18-22.

3. Zava-misy inona avy no manamarina ny maha-kanônika ny Rota?

3 Tsy nisalasalana na oviana na oviana ny fahefana ananan’ny Rota amin’ny maha-kanônika azy. Ampy ny fanamarinana nomena ny amin’izany rehefa nanomezan’i Jehovah tsindrimandry ny fitanisana an’i Rota tao amin’ny tetirazan’i Jesosy ao amin’ny Matio 1:5. Ny bokin’i Rota dia neken’ireo Jiosy foana ho anisan’ny kanôna hebreo. Tsy mahagaga àry raha nahitana tapany taminy teo amin’ireo boky kanônika hafa tao amin’ireo Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty hita nanomboka tamin’ny 1947. Ankoatra izany, ny bokin’i Rota dia mifanaraka tanteraka amin’ny zava-kendren’ny Fanjakan’i Jehovah ary koa amin’ireo zavatra notakin’ny Lalàn’i Mosesy. Na dia norarana tsy hanambady Kananita sy Moabita mpanompo sampy aza ireo Isiraelita, izany dia tsy nahafaoka ny fanambadiana hafa firenena toa an’i Rota izay nanaiky avy hatrany ny fanompoam-pivavahana tamin’i Jehovah. Ao amin’ny bokin’i Rota, dia arahina amin’ny an-tsipiriany rehetra ny lalàna momba ny havana mahavotra sy ny fitondrana loloha. — Deot. 7:1-4; 23:4, 5; 25:5-10.

LOHA HEVITRA RAKETIN’NY ROTA

4. Fanapahan-kevitra inona no natrehin’i Rota, ary inona no nasehon’ny safidy nataony raha ny amin’ny fanompoam-pivavahany?

4 Ny fanapahan-kevitr’i Rota hifikitra tamin’i Naomy (1:1-22). Ilay tantara dia nanomboka tamin’ny vanin-taona nisian’ny mosary teo amin’ny Isiraely. Nisy lehilahy iray avy tany Betlehema, i Elimeleka, nita an’i Jordana niaraka tamin’i Naomy vadiny sy ny zanany roa lahy, i Malona sy i Kiliona, mba hanorim-ponenana kelikely tany amin’ny tanin’i Moaba. Tany ireo zanany lahy dia nanambady vehivavy Moabita, i Orpa sy i Rota. Namely ilay fianakaviana ny loza, tamin’ny fahafatesan’ilay raim-pianakaviana aloha, ary tatỳ aoriana dia tamin’ny fahafatesan’ny zanany roa lahy. Vehivavy mpanano tena telo samy tsy nanan-janaka sisa no tavela, ka tsy namela taranaka ho an’i Elimeleka. Ren’i Naomy fa nampitodika ny sainy (NW ) ho amin’ny Isiraely indray i Jehovah tamin’ny fanomezana azy hanina, ka nanapa-kevitra izy ny hiverina tany amin’ny tanin’i Joda niaviany. Niara-niainga taminy ireo vinantony roa vavy. Niangavy azy mirahavavy mba hiverina tany Moaba i Naomy, ka nangataka ny hatsaram-panahin’i Jehovah miharo fitiavana (NW ) mba hanome azy ireo vady, avy tamin’ny firenen’izy ireo ihany. Tamin’ny farany, i Orpa dia “lasa nody ho any amin’ny fireneny sy ny andriamaniny”, fa i Rota kosa, feno fahatsoram-po sy fahatanjahana raha ny amin’ny fiovany ho amin’ny fanompoam-pivavahana tamin’i Jehovah, dia nifikitra tamin’i Naomy. Asehon’ireto teniny ireto amin’ny fomba kanto ny fanapahan-keviny: “Izay alehanao no halehako ary izay itoeranao no hitoerako, ny firenenao no ho fireneko, ary ny Andriamanitrao no ho Andriamanitro; izay tany hahafatesanao no hahafatesako, sady any koa no handevenana ahy; hataon’i Jehovah amiko anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha tsy ny fahafatesana ihany no hampisaraka antsika.” (1:15-17). Kanefa i Naomy tonga mpanano tena sy tsy nanan-janaka, izay midika hoe “Mahafinaritra” ny anarany, dia nanipy hevitra ny hiantsoana azy hoe Mara, izay midika hoe “Mangidy”.

5. Toetra tsara dia tsara inona avy no nasehon’i Rota, ary ahoana no nampaherezan’i Boaza azy?

5 Nitsimpona izay latsaka tamin’ny fijinjana tao amin’ny tanimbarin’i Boaza i Rota (2:1-23). Rehefa tonga tao Betlehema izy ireo, dia nahazo lalana tamin’i Naomy hitsimpona izay latsaka tamin’ny fijinjana ny vary hordea, i Rota. Nahamarika azy i Boaza, ny tompon’ilay tanimbary, izay lehilahy jiosy efa nandroso taona sady havana akaiky an’i Elimeleka, rafozan-dahiny. Na dia nanome azy ny zo hitsimpona izay latsaka tamin’ny fijinjana aza ny lalàn’Andriamanitra, dia naneho halemem-panahy i Rota tamin’ny fangatahana lalana hiasa tao amin’ilay tanimbary. (Lev. 19:9, 10). Nomena azy avy hatrany izany, ary nilaza taminy i Boaza mba hitsimpona izay latsaka tamin’ny fijinjana tao amin’ny tanimbariny ihany niaraka tamin’ireo zatovovaviny. Nilaza izy fa reny ny amin’ny tsy fivadihany teo anatrehan’i Naomy, ary nampahery azy tamin’izao teny izao izy: “Hamaly ny nataonao anie Jehovah, ka homen’i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, valim-pitia lehibe anie hianao, satria avy hialoka eo ambanin’ny elany hianao.” (Rota 2:12). Tamin’iny hariva iny, i Rota dia nizara tamim-pahalalahan-tanana ny vokatry ny asany tamin’i Naomy ary nanazava fa ny fahombiazan’ny fitsimponany izay latsaka tamin’ny fijinjana dia noho ny fankasitrahan’i Boaza. Nahita ny fitarihan’i Jehovah tao ambadik’izany i Naomy, ka nilaza hoe: “Hotahin’i Jehovah anie izay tsy nitsahatra hanao soa amin’ny velona sy ny maty. (...) Havantsika akaiky ihany ralehilahy, ka isan’izay mahavotra antsika izy.” (2:20). Eny, i Boaza dia havana akaiky, izay ho afaka hanome taranaka ho an’i Naomy ara-dalàna amin’ny anaran’i Elimeleka efa maty. Nanohy nitsimpona izay latsaka tao amin’ireo tanimbarin’i Boaza i Rota mandra-pahatapitry ny fijinjana ny vary hordea sy ny varimbazaha (NW ).

6. Tamin’ny fomba ahoana no nangatahan’i Rota ny fanambadiana nahavotra, ary inona no valin-teny nomen’i Boaza?

6 Nanambady an’i Rota i Boaza, ilay havana nahavotra (3:1–4:22). Noho i Naomy efa antitra loatra ka tsy afaka ny hanan-janaka, dia nanome toromarika an’i Rota izy mba haka ny toerany raha ny amin’ny fanambadiana hahavotra. Tamin’ny vanin-taona lehibe toy io, dia fanaon’ny tompon-tany ny nanara-maso manokana ny fikororohana ny vary, izay natao ny hariva mba hanararaotana ny fitsokan’ny rivo-malefaka taorian’ny andro nafana iray. Fanaon’i Boaza ny natory teo am-pamoloana, ary teo no nahitan’i Rota azy. Nanatona azy moramora izy, nanonga ny lamba teo an-tongony, ary dia nandry teo. Rehefa nifoha tamin’ny namatonalina i Boaza, dia nampahafantatra ny tenany i Rota, ary ho fanoavana ny fanao nahazatra narahin’ireo vehivavy nitaky ny zon’ny fitondrana loloha, dia nangataka azy mba handrakotra azy tamin’ny lambany. a Nanambara i Boaza hoe: “Hotahin’i Jehovah anie hianao, anaka”, ary dia nanao teny fiderana azy izy noho izy tsy nanaraka ireo zatovolahy tamim-pahamaimaizana na faniriana mihoa-pampana. Tsy nitovy tamin’ireo vehivavy nanasa hanana firaisana maloto velively i Rota, fa nalaza ho “vehivavy [faran’izay, NW ] tsara” kosa. (3:10, 11). Kanefa, araka ny nolazain’i Boaza taminy izao, dia nisy havana nahavotra hafa iray izay akaiky azy kokoa noho ny tenany; handeha hifandinika taminy izy ny ampitso marainan’io. Nandry teo an-tongony i Rota mandra-pahamangiran-dratsin’ny andro. Avy eo i Boaza dia nanome vary an’i Rota, ary dia niverina tany amin’i Naomy izay may ny hanontany ny amin’ny niafaran’ilay raharaha, i Rota.

7. Tamin’ny fomba ahoana no nandaminan’i Boaza ilay fanambadiana, ary inona ny fitahiana naterak’izy io?

7 Nankany amin’ny vavahadin’ny tanàna vao maraina i Boaza mba hitady an’ilay havana nahavotra. Naka folo lahy tamin’ny loholona tao an-tanàna mba ho vavolombelona izy, ary nanome an’io havana akaiky io ny fahafahana voalohany hanavotra izay fananan’i Elimeleka rehetra. Hanao izany ve io? “Eny” avy hatrany ny valin-teniny, rehefa toa hita fa afaka ny hampitombo ny harenany izy. Kanefa, raha vantany vao fantany fa ny fepetra notakina taminy dia ny hitondrany loloha an’i Rota, dia nanjary natahotra noho ny lovany manokana izy, ka nampahafantatra ny fandavany tamin’ny fomba ara-dalàna, tamin’ny fanesorana ny kirarony. Ao amin’ny firaketana an-tsoratra ao amin’ny Baiboly dia navela tsy hanana anarana izy, fa nomena fotsiny ny fiantsoana tsy mihaja hoe “Ranona iry”. Teo anoloan’ireo vavolombelona ireo ihany, i Boaza avy eo dia nanavotra an’i Rota ho vadiny. Moa ve izany noho ny antony feno fitiavan-tena? Tsia, fa “mba tsy ho faty maso ny anaran’ny maty”. (4:1, 10). Ireo mpitazana rehetra dia nangataka ny fitahian’i Jehovah tamin’io fandaharana feno fitiavana io, ary hita fa tena nahatalanjona tokoa izany fitahiana izany! Niteraka zanakalahy ho an’i Boaza i Rota, tamin’ny fahanteran’io, ary i Naomy dia tonga mpitaiza ilay zaza. Nantsoina hoe “zazalahy (...) ho an’i Naomy” izy ary nomena ny anarana hoe Obeda. — 4:17.

8. Zavatra hafa inona no mampiseho fa ny famokarana ilay Taranaky ny fampanantenana dia noho ny fandaharana nataon’i Jehovah?

8 Ireo andininy mamarana ny Rota dia manome ny tetirazana nanomboka tamin’i Fareza ka hatramin’i Davida, ary nandalo tamin’i Boaza. Ny mpanao tsikera sasany dia nilaza fa tsy voatanisa ao avokoa ireo taranaka rehetra satria hoe lava loatra ilay fe-potoana ho an’ireo olona vitsy ireo. Marina ve izany? Sa kosa notahina tamin’ny fanomezana azy fiainana lava aoka izany, sy zanaka tamin’ny fahanterany, ny tsirairay taminy? Itỳ fanatsoahan-kevitra farany no mety ho marina, ka manantitrantitra fa ny fampipoirana ilay Taranaka nampanantenaina dia noho ny fandaharan’i Jehovah sy ny hatsaram-panahiny amin’izay tsy mendrika akory, fa tsy noho ny herin’ny olona tsotra akory. Tamin’ny toe-javatra hafa i Jehovah dia naneho ny heriny tamin’izany fomba izany koa, toy ny tamin’ny nahaterahan’i Isaka sy i Samoela ary i Jaona Mpanao Batisa. — Gen. 21:1-5; 1 Sam. 1:1-20; Lioka 1:5-24, 57-66.

MAHASOA — NAHOANA?

9. Tamin’ny heviny ahoana avy ireo mpandray anjara lehibe indrindra ao amin’ny tantara mampihetsi-po lalina ao amin’ny Rota no ohatra tsara dia tsara ho antsika amin’izao andro izao?

9 Io firaketana an-tsoratra mahafinaritra io dia tena mahasoa tokoa, satria manampy ireo tia ny rariny hanorina finoana matanjaka. Ireo mpandray anjara lehibe indrindra rehetra ao amin’io tantara mampitaintaina sady mampientana io dia samy nampiseho finoana niavaka an’i Jehovah, ary “nahazo laza tsara noho ny finoana”. (Heb. 11:39). Tonga ohatra tsara dia tsara ho antsika amin’izao andro izao izy ireo. I Naomy dia naneho fatokiana lalina ny hatsaram-panahin’i Jehovah miharo fitiavana. (Rota 1:8, NW; 2:20, NW ). I Rota dia nandao an-tsitrapo ny taniny mba hanaraka ny fanompoam-pivavahana tamin’i Jehovah; niseho ho tsy nivadika sy naneho fanekena ary vonona ny hiasa izy. Ny fankasitrahan’i Boaza lalina ny lalàn’i Jehovah sy ny fanekeny tamim-panetren-tena hanao ny sitrapon’i Jehovah, ary koa ny fitiavany an’i Naomy nahatoky sy an’i Rota nazoto niasa, no nitarika azy hanatanteraka ny tombontsoany momba ny fanambadiana nahavotra.

10. Nahoana ilay firaketana an-tsoratra ao amin’ny Rota no tokony hanamafy ny fitokiantsika amin’ireo fampanantenana mifandray amin’ilay Fanjakana?

10 Ny fandaharan’i Jehovah ny amin’ny fanambadiana, ary tamin’itỳ toe-javatra itỳ, ny fanambadiana nahavotra, dia nampiasaina ho fiderana azy. I Jehovah no Ilay nandamina ny fanambadian’i Boaza sy i Rota, ary nitahy azy io izy araka ny hatsaram-panahiny miharo fitiavana; nampiasa azy io izy mba hiarovana tsy ho tapaka ilay tarana-mpanjakan’i Joda nitarika ho amin’i Davida ary farany dia ho amin’ilay Davida Lehibe, dia i Jesosy Kristy. Ny fikarakaran’i Jehovah tamim-pitandremana ny fampipoirana ny Mpandova ilay Fanjakana araka ny fandaharany ara-dalàna dia tokony hanamafy ny toky ananantsika ary hahatonga antsika hanantena amim-pitokiana ny fahatanterahan’ireo fampanantenana rehetra mifandray amin’ilay Fanjakana. Izany dia tokony handrisika antsika mba ho be zavatra hatao amin’ilay asa fijinjana amin’ny andro maoderina, noho ny fitokiana amin’ny valim-pitia lehibe avy amin’i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ara-panahy, izay nohatonintsika mba ‘hialoka teo ambanin’ny elany’, sady mandroso amim-boninahitra ho amin’ny fahatanterahany feno ireo fikasany mifandray amin’ilay Fanjakana. (2:12). Ny bokin’i Rota dia fampitohizana tena ilaina hafa iray ao amin’ny firaketana an-tsoratra mitarika ho amin’izany Fanjakana izany!

[Fanamarihana ambany pejy]

a Auxiliaire pour une meilleure intelligence de la Bible, pejy 1330.

[Fanontaniana]