Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-9 — 1 Samoela

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-9 — 1 Samoela

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-9 — 1 Samoela

Mpanoratra: Samoela, Gada, Natana

Toerana Nanoratana: Isiraely

Vita Tamin’ny: 1078 al.f.i. tany ho any

Fe-potoana Voafaoka: 1180 al.f.i. tany ho any – 1078 al.f.i.

1. Fiovana lehibe inona teo amin’ny fandaminana ny firenen’Isiraely no nitranga tamin’ny 1117 al.f.i., ary toe-javatra nanao ahoana avy no nanaraka izany?

 TAMIN’NY taona 1117 al.f.i., dia nisy fiovana lehibe teo amin’ny fandaminana ny firenen’ny Isiraely. Notendrena ny mpanjaka olombelona iray! Izany dia nitranga tamin’ny fotoana nanompoan’i Samoela tamin’ny naha-mpaminanin’i Jehovah teo amin’ny Isiraely azy. Na dia nahafantatra mialoha sy nilaza mialoha momba izany aza i Jehovah, dia mbola nahankona an’i Samoela ihany io fiovana ho amin’ny fanjakana nangatahin’ny vahoakan’ny Isiraely io. Noho izy feno fandavan-tena teo amin’ny fanompoana an’i Jehovah hatramin’ny nahaterahany, ary noho izy niaiky tamim-panajana feno ny naha-mpanjaka an’i Jehovah, i Samoela dia efa nahita mialoha sahady ireo vokatra feno loza hahazo ireo anisan’ny firenena masin’Andriamanitra tahaka azy. Noho ny fitarihan’i Jehovah ihany vao nanaiky ny fangatahan’izy ireo i Samoela. “Ary Samoela nilaza tamin’ny olona [ny amin’ny tokony homena ara-dalàna ho an’ny fanjakana, NW ], dia nosoratany tamin’ny taratasy izany ka napetrany teo anatrehan’i Jehovah.” (1 Sam. 10:25). Araka izany, dia nifarana ny fe-potoana nanapahan’ireo mpitsara, ary nanomboka ny fe-potoana nanjakan’ny mpanjaka olombelona izay hahita ny Isiraely hisandratra ho amin’ny hery sy laza mbola tsy hita hatramin’izay, kanefa mba ho latsaka tao anatin’ny fahafaham-baraka sy ny famoizana ny sitrak’i Jehovah tamin’ny farany.

2. Iza avy no nanoratra ny Samoela Voalohany, ary inona avy ireo fepetra nofenoin’izy ireo?

2 Iza no hahafeno fepetra mba hanao firaketana an-tsoratra araka an’Andriamanitra an’io fe-potoana lehibe io? Tena nety ny nifidianan’i Jehovah an’i Samoela nahatoky mba hanomboka ilay fanoratana. Ny hoe Samoela dia midika hoe “Anaran’Andriamanitra” (NW ), ary tena niavaka izy tamin’ny naha-mpanohana ny anaran’i Jehovah tamin’izany andro izany. Toa i Samoela no nanoratra ireo toko 24 voalohany amin’ilay boky. Avy eo, rehefa maty izy, dia nandray ny fanoratana i Gada sy i Natana, ka namita ireo taona vitsivitsy farany amin’ilay firaketana an-tsoratra hatramin’ny nahafatesan’i Saoly. Izany dia asehon’ny 1 Tantara 29:29 izay amakiana hoe: “Ary ny tantaran’i Davida mpanjaka, na ny voalohany na ny farany, indro fa efa voasoratra ao amin’ny bokin’i Samoela mpahita sy ao amin’ny bokin’i Natana mpaminany ary ao amin’ny bokin’i Gada mpahita izany”. Tsy mitovy amin’ny Mpanjaka sy ny Tantara ireo bokin’i Samoela fa tsy manisy firesahana velively momba ireo firaketana an-tsoratra teo aloha, noho izany i Samoela sy i Gada ary i Natana, izay niaina tamin’ny andron’i Davida, no voamarina fa mpanoratra azy io. Izy telo mirahalahy ireo dia nihazona toeram-pitokiana tamin’ny naha-mpaminanin’i Jehovah azy ary nanohitra ny fanompoan-tsampy izay nikiky ny tanjak’ilay firenena.

3. a) Ahoana no nahatongavan’ny Samoela Voalohany ho boky ao amin’ny Baiboly mitokana? b) Oviana no vita izy io, ary fe-potoana toy inona no voafaokany?

3 Ireo boky roan’i Samoela tany am-boalohany dia horonam-boky, na boky, iray ihany. Ny Samoela dia nozaraina ho boky roa rehefa natonta io tapany amin’ny Septante grika io. Ao amin’ny Septante, ny Samoela Voalohany dia nantsoina hoe Fanjakana Voalohany. Io fizarana io sy ny anarana hoe Mpanjaka Voalohany dia noraisin’ny Vulgate latina ary mbola ao amin’ireo Baiboly katolika hatramin’izao. Ny hoe nahaforona boky iray ihany ny Samoela Voalohany sy Faharoa dia asehon’ny fanamarihana masoretika ho an’ny 1 Samoela 28:24, izay manambara fa io andinin-teny io dia ao afovoan’ny bokin’i Samoela. Toa vita tany amin’ny 1078 al.f.i. tany ho any ilay boky. Noho izany, ny Samoela Voalohany dia azo inoana fa mahafaoka fe-potoana naharitra mahery kelin’ny zato taona, nanomboka tamin’ny 1180 al.f.i. tany ho any ka hatramin’ny 1078 al.f.i.

4. Inona no manohana ny maha-araka ny marina ny firaketana an-tsoratra ao amin’ny Samoela Voalohany?

4 Tondraka ny porofo ny amin’ny maha-araka ny marina ilay firaketana an-tsoratra. Ireo toerana jeografika dia mifanentana amin’ireo fisehoan-javatra voalazalaza. Mahaliana fa ny fanafihana nahomby nataon’i Jonatana tamin’ny miaramila filistina tany Mikmasy, izay nitarika ho amin’ny fampandosirana tanteraka ny Filistina, dia naverin’ny manamboninahitra iray tao amin’ny Tafika Britanika tamin’ny Ady Lehibe Voalohany, izay voalaza fa nampandositra tanteraka ireo Tiorka tamin’ny fanarahana ireo toerana voalazalaza ao amin’ny firaketana an-tsoratra ara-tsindrimandry nataon’i Samoela. — 14:4-14. a

5. Ahoana no anamarinan’ireo mpanoratra ao amin’ny Baiboly ny maha-marina tsara ny Samoela Voalohany?

5 Kanefa misy porofo mahery kokoa aza ny amin’ny maha-ara-tsindrimandry sy ny maha-azo itokiana ilay boky. Izy io dia misy ny fahatanterahana mahavarianan’ny faminanian’i Jehovah fa hoe hangataka mpanjaka ny Isiraely. (Deot. 17:14; 1 Sam. 8:5). Taona maro tatỳ aoriana, i Hosea dia nanamarina io firaketana an-tsoratra io tamin’ny fanononana ny tenin’i Jehovah nanao hoe: “Nomeko mpanjaka hianao tamin’ny fahatezerako, ary nesoriko izy tamin’ny fahavinirako.” (Hosea 13:11). I Petera dia toa nilaza fa nahazo tsindrimandry i Samoela rehefa nampahafantatra an’i Samoela ho mpaminany iray izay ‘nanambara ny andron’i Jesosy’ izy. (Asa. 3:24). Nanonona ny 1 Samoela 13:14 i Paoly rehefa nampisongadina vetivety ny tantaran’ny Isiraely. (Asa. 13:20-22). Ny tenan’i Jesosy mihitsy dia nanamarika ilay fitantarana ho azo itokiana tamin’ny fanontaniana ireo Fariseo tamin’ny androny hoe: ‘Tsy mbola novakinareo va ny teny milaza ilay nataon’i Davida, raha noana izy mbamin’izay nanaraka azy?’ Avy eo izy dia nilaza ilay fitantarana momba ny nangatahan’i Davida ny mofo aseho. (Matio 12:1-4; 1 Sam. 21:2-7). I Ezra koa dia nanaiky fa marina tsara ilay fitantarana, araka ny efa voalaza. — 1 Tant. 29:29.

6. Porofo avy ao anatin’ny Baiboly hafa inona no mampiseho fa azo itokiana ny Samoela Voalohany?

6 Koa satria fitantarana voalohany ny amin’ireo zavatra nataon’i Davida izy itỳ, ny fanononana rehetra an’i Davida ao amin’ny Soratra Masina, hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany, dia manamarina fa anisan’ny Teny ara-tsindrimandrin’Andriamanitra ny bokin’i Samoela. Ny sasany amin’ireo fisehoan-javatra voalaza ao aza dia asiana firesahana ao amin’ireo teny fampidiran’ireo salamon’i Davida, toy ny ao amin’ny Salamo faha-59, (1 Sam. 19:11), ny Salamo faha-34, (1 Sam. 21:14, 15), ary ny Salamo faha-142, (1 Sam. 22:1 na 1 Sam. 24:2, 4). Araka izany, ny porofo avy ao anatin’ny Tenin’Andriamanitra mihitsy dia manamafy tsy misy iadian-kevitra ny maha-azo itokiana ny Samoela Voalohany.

LOHA HEVITRA RAKETIN’NY SAMOELA VOALOHANY

7. Mahakasika ny fiainan’ny mpitarika teo amin’ny Isiraely iza avy ny tantara voarakitra ao amin’ilay boky?

7 Ilay boky dia mitantara, tapany na manontolo, ny fiainan’ny mpitarika efatra teo amin’ny Isiraely: I Ely mpisoronabe, i Samoela mpaminany, i Saoly mpanjaka voalohany ary i Davida izay nohosorana mba ho ny mpanjaka nanaraka.

8. Inona avy ireo toe-javatra nanodidina ny nahaterahan’i Samoela sy ny nahatongavany ho “mpanompon’i Jehovah”?

8 Fony i Ely mpitsara ary fony i Samoela mbola kely (1:1–4:22). Rehefa manomboka ilay fitantarana, dia ampahafantarina antsika i Hana, ilay vady tian’i Elkana Levita indrindra. Tsy nanan-janaka izy ka noharabian’i Penina, ilay vadin’i Elkana hafa. Rehefa nandeha nanao ny iray tamin’ireo dia fanaony isan-taona nankany Silo, nisy ny fiaran’ny faneken’i Jehovah, ny fianakaviana, dia nivavaka tamin-kafanam-po tamin’i Jehovah i Hana mba hahazo zanakalahy. Nampanantena izy fa, raha voavaly ny vavaka nataony, dia hatokany ho an’ny fanompoana an’i Jehovah ilay zaza. Novalian’Andriamanitra ny vavaka nataony, ary dia niteraka zanakalahy iray, i Samoela, izy. Nony efa maoty io, dia nentiny tany an-tranon’i Jehovah ka napetrany hokarakarain’i Ely mpisoronabe, tamin’ny naha-“voatolotra ho an’i Jehovah” azy. (1:28). Avy eo i Hana dia naneho ny fankasitrahany sy ny fahasambarany tamin’ny hira feno haravoana. Tonga “mpanompon’i Jehovah teo anatrehan’i Ely mpisorona” ilay zaza. — 2:11, NW.

9. Ahoana no nahatongavan’i Samoela ho mpaminany teo amin’ny Isiraely?

9 Nisy zavatra tsy nety anefa teo amin’ny fiainan’i Ely. Efa antitra izy, ary ny zanany roa lahy dia nanjary fatritran’olona tsy nisy nilana azy izay “tsy nanaiky an’i Jehovah”. (2:12, NW ). Nampiasa ny toerany tamin’ny naha-mpisorona azy mba hanomezana fahafaham-po ny faniriany mihoa-pampana sy ny faniriany hanao fahalotoam-pitondran-tena, izy ireo. Tsy nanitsy azy ireo i Ely. Noho izany i Jehovah dia nandefa hafatra araka an’Andriamanitra namely ny taranak’i Ely, mba hampitandremana azy ireo fa “tsy hisy lehilahy ho tratrantitra amin’ny taranakao” ary koa fa ho faty ao anatin’ny indray andro ny zanak’i Ely mirahalahy. (1 Sam. 2:30-34; 1 Mpanj. 2:27). Farany dia naniraka an’i Samoela zaza ho any amin’i Ely Izy, mba hampita hafa-pitsarana nampangintsingintsina sofina. Tamin’izany i Samoela tanora dia nomena ny fahefana ho mpaminany teo amin’ny Isiraely. — 1 Sam. 3:1, 11.

10. Ahoana no nampiharan’i Jehovah didim-pitsarana tamin’ny taranak’i Ely?

10 Tamin’ny farany i Jehovah dia nampihatra ny didim-pitsarany tamin’ny fanirahana ny Filistina. Rehefa hita fa tsy nahavoa ny Isiraely tamin’ilay ady, dia nihiaka mafy (NW ) ireo Isiraelita ka nitondra ny fiaran’ny fanekena avy tany Silo ho ao amin’ny fitobian’ny tafiny. Rehefa ren’ireo Filistina ilay hiaka ka fantany fa nentina tao amin’ny toby isiraelita ilay Fiara, dia nampahery tena izy ireo ka nandresy tamin’ny fandresena nanaitra aoka izany, ary nampandositra tanteraka ireo Isiraelita. Voasambotra ilay Fiara, ary maty ireo zanak’i Ely roa lahy. Niemponempona ny fon’i Ely nahare ilay tatitra. Rehefa noresahina ny amin’ilay Fiara, dia lavo tamin’ny sezany nankany aoriana (NW ) izy ary maty noho ny vozony folaka. Nifarana toy izany ireo 40 taona naha-mpitsara azy. Tena marina fa “Afaka tamin’ny Isiraely ny voninahitra”, satria ilay Fiara dia nampiseho ny fanatrehan’i Jehovah teo amin’ny vahoakany. — 4:22.

11. Tamin’ny fomba ahoana no nanaporofoana fa tsy zavatra majika mahatsara vintana ilay Fiara?

11 Nitsara ny Isiraely i Samoela (5:1–7:17). Izao ireo Filistina koa dia voatery nianatra tamin’alahelo lehibe fa ny fiaran’i Jehovah dia tsy tokony hampiasaina ho toy ny zavatra majika mahatsara vintana. Rehefa nentin’izy ireo tao amin’ny tempolin’i Dagona tao Asdoda ilay Fiara dia potraka nihohoka tamin’ny tany ilay andriamaniny. Ny ampitson’iny ihany dia potraka nihohoka teo an-tokonam-baravarana indray i Dagona, ka tamin’itỳ indray mandeha itỳ dia tapaka ny lohany sy ny felatanany. Izany no fiandohan’ilay fanao feno finoanoam-poanan’ny Filistina ‘tsy nanitsaka ny tokonam-baravaran’i Dagona’. (5:5). Nitondra haingana ilay Fiara tany Gata, avy eo dia tany Ekrona, ireo Filistina, kanefa very maina foana izany! Tonga ny fampijaliana tamin’ny endriky ny tahotra mafy (NW ) sy ny vay ary ny fanafihan’ny totozy. Ireo andrianan’ny Filistina, ho hany fara heriny teo anoloan’ny fitomboan’ny isan’ny maty, dia namerina ilay Fiara tany amin’ny Isiraely teo ambony sariety vaovao notaritin’ny ombivavy roa nitaiza. Tao Beti-semesy dia nisy loza nihatra tamin’ny sasany tamin’ny Isiraelita satria nijerijery ilay Fiara izy ireo. (1 Sam. 6:19; Nom. 4:6, 20). Farany, dia nijanona tao amin’ny tranon’i Abinadaba tao Kiriata-jearima, tanàna Levita, ilay Fiara.

12. Fitahiana inona avy no vokatry ny fanohanan’i Samoela ny fanompoam-pivavahana tsara?

12 Nandritra ny 20 taona dia nijanona tao amin’ny tranon’i Abinadaba ilay Fiara. Efa lehilahy lehibe izao i Samoela, ary nampirisika ny Isiraely mba hanary hiala teo aminy ireo Bala sy Astarta, ary mba hanompo an’i Jehovah tamin’ny fony rehetra. Izany no nataon’izy ireo. Rehefa nivory tao Mizpa mba hanolotra fanompoam-pivavahana izy ireo, dia nanararaotra izany fahafahana izany mba hiadiana sy hanatratrarana tampoka ny Isiraely ireo andrianan’ny Filistina. Niantso an’i Jehovah tamin’ny alalan’i Samoela ny Isiraely. Nisy feo mafy nikotroka avy tamin’i Jehovah nampifanaritaka ny Filistina, ary dia nahazo fandresena niezinezina ny Isiraelita, izay nampaherezin’ny fanaovana sorona sy ny vavaka. Nanomboka tamin’izay fotoana izay, ‘ny tanan’i Jehovah dia namely ny Filistina tamin’ny andro rehetra niainan’i Samoela’. (7:13). Kanefa, tsy nisy fahafahana hitsahatra tamin’ny asa ho an’i Samoela. Nandritra ny fiainany manontolo izy dia tsy nitsahatra nitsara ny Isiraely, ka nanao fitetezan-tanàna isan-taona nanomboka teo Rama, tany avaratr’i Jerosalema, ka hatrany Betela sy Gilgala ary Mizpa. Tao Rama izy dia nanorina alitara ho an’i Jehovah.

13. Ahoana no nanjary nandavan’ny Isiraely an’i Jehovah tsy ho Mpanjaka, ary ny amin’ny vokatra inona avy no nampitandreman’i Samoela azy ireo?

13 Saoly, mpanjakan’ny Isiraely voalohany (8:1–12:25). Antitra tao amin’ny fanompoana an’i Jehovah i Samoela, kanefa ny zanany tsy nanaraka ny dian-drainy, fa nandray kolikoly sy nanao fitsarana miangatra. Tamin’izay fotoana izay, ireo loholon’ny Isiraely dia nanatona an’i Samoela ka nangataka hoe: “Manendre mpanjaka ho anay hitsara anay, tahaka ny firenena rehetra.” (8:5). Tohina mafy i Samoela ka nitady an’i Jehovah tamin’ny vavaka. Namaly i Jehovah hoe: “Tsy hianao no laviny, fa Izaho no laviny tsy hanjaka aminy. (...) Ary ankehitriny, henoy ihany ny teniny”. (8:7-9). Kanefa i Samoela tsy maintsy nampitandrina azy ireo momba ireo ho vokatra mahatahotra hateraky ny fangatahany feno fikomiana: fandaminana henjana, fampandoavana hetra, famoizana ny fahafahana, ary farany dia alahelo mafy sy fitomaniana amin’i Jehovah. Tsy laitra nahodina tamin’ny faniriany ny vahoaka fa nangataka mpanjaka ihany.

14. Ahoana no nanjary nanendrena an’i Saoly ho mpanjaka?

14 Izao isika dia mihaona amin’i Saoly, zanakalahin’i Kisy avy tamin’ny fokon’i Benjamina sady ny lehilahy tsara tarehy indrindra sy lava indrindra teo amin’ny Isiraely. Notarihina nankany amin’i Samoela izy ka io dia nanome voninahitra azy teo amin’ny sakafo fankalazana iray, nanosotra azy ary avy eo dia nampahafantatra azy tamin’ny Isiraely rehetra teo amin’ny fivoriambe iray tao Mizpa. Na dia niery tao amin’ny entana aza aloha i Saoly, tamin’ny farany izy dia naseho ho toy ilay nofidin’i Jehovah. Nampahatsiahy ny Isiraely ny amin’ny tokony homena ara-dalàna ho an’ny fanjakana indray i Samoela, ka nanoratra izany tao amin’ny boky iray. Kanefa, taorian’ny nandreseny ireo Amonita, izay nanala ny fahirano tany Jabesi-gileada, vao nihamafy ny toeran’i Saoly tamin’ny naha-mpanjaka azy, hany ka nanamafy ny naha-mpanjaka azy tao Gilgala ny vahoaka. Nampirisika azy ireo indray mba hatahotra sy hanompo ary hankato (NW ) an’i Jehovah i Samoela ary niantso an’i Jehovah mba handefa famantarana iray niendrika kotrokorana sy orana tsy ara-potoana tamin’ny fotoan’ny fijinjana. Tao anatin’ny fampisehoana nahatahotra, i Jehovah dia nampiseho ny fahatezerany noho ny fandavan’izy ireo azy tsy ho Mpanjaka.

15. Fahotana feno fahasahisahian-dratsy inona no nitarika ho amin’ny tsy fahombiazan’i Saoly?

15 Ny tsy fankatoavan’i Saoly (13:1–15:35). Noho ireo Filistina nanohy nanafika ny Isiraely tsy an-kijanona, dia namely ny miaramilan’ny Filistina i Jonatana, zanaka be herim-pon’i Saoly. Mba hamaliana izany, ny fahavalo dia nandefa tafika goavana iray, izay “tahaka ny fasika eny amoron-dranomasina” ny isany, ary nitoby tany Mikmasy. Nifanaritaka ny tao amin’ny laharan’ny Isiraelita. ‘Raha mba tonga mantsy i Samoela mba hanome antsika ny fitarihan’i Jehovah!’ Tsy nahandry an’i Samoela i Saoly ka nanota rehefa nanolotra tamim-pahasahisahiana fanatitra dorana. Tampoka teo dia niseho i Samoela. Nanilika ireo fialan-tsiny narefo naroson’i Saoly izy ka nanambara ny didim-pitsaran’i Jehovah hoe: “Koa izao dia tsy haharitra ny fanjakanao; Jehovah efa nitady lehilahy ho Azy araka ny fony, ary izay no voatendrin’i Jehovah ho mpanapaka ny olony, satria tsy nitandrina izay nandidian’i Jehovah anao hianao.” — 13:14.

16. Nitarika ho amin’ny zava-nanahirana inona avy ny fahamaikan’i Saoly?

16 I Jonatana, be zotom-po ho an’ny anaran’i Jehovah, dia nanafika indray miaramila filistina sasany, ka niaraka tamin’ny mpitondra fiadiany ihany izy tamin’itỳ indray mandeha itỳ, ary namely haingana 20 lahy teo ho eo. Nampitombo ny fisafotofotoan’ny fahavalo ny horohoron-tany iray. Nampandositra azy ireo izany, ary ny Isiraely nanenjika mafy avy tao aoriana. Kanefa, ny herin’ilay fandresena dia nohalefahin’ny fianianana nataon’i Saoly tamim-pahamaikana ka nandrarany ireo mpiady tsy hihinana talohan’ny hahavitan’ny ady. Mora reraka ireo lehilahy ka nanota tamin’i Jehovah tamin’ny fihinanana henam-biby vao avy novonoina kanefa tsy nakany fotoana handatsahana ny rany. I Jonatana kosa dia namelombelon-tena tamin’ny tantely talohan’ny nandrenesany momba ilay fianianana, izay nambarany tamim-pahasahiana fa nanakantsakana. Voavonjin’ny vahoaka tamin’ny fahafatesana izy noho ny famonjena lehibe nentiny ho an’ny Isiraely.

17. Fandavana fanampiny an’i Saoly inona no nanaraka ilay fahotana lehibe faharoa nataony?

17 Izao dia tonga ny fotoana hanatanterahana ny didim-pitsaran’i Jehovah tamin’ireo Amalekita tsinontsinona. (Deot. 25:17-19). Tokony hofongorana tanteraka izy ireo. Tsy tokony hisy hiangana, na olona na biby. Tsy tokony hisy zavatra hatao babo. Tsy maintsy noringanina avokoa ny zavatra rehetra. Kanefa tsy nankato i Saoly ka nitsimbina an’i Agaga, ilay mpanjaka amalekita, sy ny tsara indrindra tamin’ny ondry aman’osy sy ny omby, mba hoe hanaovana fanatitra ho an’i Jehovah, hono. Izany dia nahatezitra ilay Andriamanitry ny Isiraely aoka izany, ka nanome tsindrimandry an’i Samoela izy mba haneho fandavana an’i Saoly fanindroany. Tsy niraharaha ireo fialan-tsiny nataon’i Saoly mba tsy hahafa-baraka i Samoela ka nanambara hoe: “Sitrak’i Jehovah moa ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hafa alatsa-dra mihoatra noho ny [mankato an’i, NW ] Jehovah? He! ny manaraka no tsara noho ny fanatitra (...) Satria nandà ny tenin’i Jehovah hianao, dia nolaviny tsy ho mpanjaka kosa.” (1 Sam. 15:22, 23). Avy eo i Saoly dia nitalaho tamin’i Samoela ka nihazona ny akanjony, nefa rovitra ilay izy rehefa nohazoniny. Nanome toky azy i Samoela fa handriatra tsy misy hafa amin’izany ny fanjakana hiala tamin’i Saoly i Jehovah, ka hanome azy ho an’ny lehilahy iray tsara kokoa. I Samoela mihitsy no naka sabatra, namono an’i Agaga ary niamboho an’i Saoly ka tsy hahita azy intsony mihitsy.

18. Niorina tamin’inona i Jehovah mba hifidianana an’i Davida?

18 Fanosorana an’i Davida, ny herim-pony (16:1–17:58). Nanaraka izany i Jehovah dia nitarika an’i Samoela ho any an-tranon’i Jese tany Betleheman’i Joda mba hifidy sy hanosotra ny mpanjaka nanaraka. Nifandimby nandalo teo anatrehany ny zanakalahin’i Jese, saingy nolavina. Nampahatsiahy an’i Samoela toy izao i Jehovah: “Tsy mba toy ny fijerin’ny olona no fijerin’i Jehovah; fa ny olona mijery ny miseho eo ivelany, fa Jehovah kosa mijery ny fo.” (16:7). Farany, i Jehovah dia nilaza ny fankasitrahany an’i Davida, ilay faralahy, voalaza ho ‘mena volo sady bary maso no tsara tarehy’, ary dia nanosotra azy tamin’ny diloilo i Samoela. (16:12). Tonga tamin’i Davida izao ny fanahin’i Jehovah, fa i Saoly kosa nanjary nanana toe-tsaina ratsy.

19. Fandresena inona no azon’i Davida tamin’ny anaran’i Jehovah tany am-piandohana?

19 Nanafika ny Isiraely indray ireo Filistina, ka nampideradera an’i Goliata, lehilahy mpihantsy ady iray teo amin’izy ireo, izay olona goavana nahatratra enina hakiho sy irain-jehy (tokony ho 2,9 m.) ny halavany. Goavana aoka izany izy, ka nilanja tokony ho 57 kilao ny akanjony varahina ary tokony ho 6,8 kilao ny lelalefony. (17:4, 5, 7). Isan’andro vaky io Goliata io dia nihaika ny Isiraely tamim-pitenenan-dratsy sy tamim-panamavoana mba hifidy lehilahy iray ka hamela azy hivoaka hiady, kanefa tsy nisy namaly na dia iray aza. Toran-kovitra tao an-dainy i Saoly. I Davida anefa nanjary nahare ireo fanebahana (NW ) nataon’ilay Filistina. Tamim-pahatezerana ara-drariny sy tamin-kerim-po avy tamin’Andriamanitra, i Davida dia nihiaka hoe: “Zinona moa io Filistina tsy mifora io, no dia hihaika ny miaramilan’Andriamanitra velona?” (17:26). Nanda ny akanjo fiadian’i Saoly i Davida satria mbola tsy nanandrana (NW ) azy io, ka nandeha mba hiady, tsy nanana afa-tsy tehin’ny mpiandry ondry iray sy antsamotady iray ary vato kilonjy dimy fotsiny. Nihevitra ny fiadiana tamin’io ankizilahy mpiandry ondry io ho toy ny tsy mendrika ny fahamboniany i Goliata, ka nanozona an’i Davida. Nanakoako toy izao ny valin-teny feno fatokiana: “Hianao manatona ahy amin’ny sabatra sy ny lefona ary ny lefom-pohy; fa izaho kosa manatona anao amin’ny anaran’i Jehovah, Tompon’ny maro”. (17:45). Vato iray voakendry tsara no nanidina avy tamin’ny antsamotadin’i Davida, ary dia nidaraboka ilay mpihantsy adin’ny Filistina! Nihazakazaka nankeny aminy teo imason’ireo tafika roa tonta i Davida, nisintona ny sabatr’ilay goavambe ary nampiasa azy io mba hanapahana ny lohan’ilay tompony. Endre izany famonjena lehibe vitan’i Jehovah! Endre izany fifaliana tao amin’ny tobin’ny Isiraely! Maty izao ilay mpiaro azy, ka dia nandositra ireo Filistina, ireo Isiraelita feno haravoana nanenjika mafy tao aoriany.

20. Tamin’ny ahoana ny fihetsik’i Jonatana teo anoloan’i Davida no nifanohitra tamin’ny an’i Saoly?

20 Fanenjehan’i Saoly an’i Davida (18:1–27:12). Ny zavatra nataon’i Davida tsy tamin-tahotra mba hiarovana ny anaran’i Jehovah dia nanokatra fisakaizana nahatalanjona ho azy. Izany dia ny fisakaizana tamin’i Jonatana, zanak’i Saoly ary ilay nanaraka avy hatrany teo amin’ny laharana handova ny fanjakana. Nanjary “tia azy hoatra ny tenany mihitsy” i Jonatana, hany ka nanao fanekem-pisakaizana izy mirahalahy. (18:1-3). Rehefa nankalazaina teo amin’ny Isiraely ny lazan’i Davida, dia nitady hamono azy i Saoly noho ny fahatezerana, nefa sady nanome an’i Mikala zanany vavy ho vadiny. Nihanitombo ihany ny fankahalan’i Saoly ka nanjary toy ny hadalana, hany ka tamin’ny farany i Davida dia voatery nandositra noho ny fanampiana feno fitiavan’i Jonatana. Nitomany izy mirahalahy teo am-pisarahana, ary nanamafy indray ny tsy fivadihany tamin’i Davida i Jonatana tamin’ny filazana hoe: “Jehovah no vavolombelona amiko sy aminao ary amin’ny taranako sy ny taranakao mandrakizay.” — 20:42.

21. Fisehoan-javatra inona avy no nanamarika ny fandosiran’i Davida teo anoloan’i Saoly?

21 Teo am-pandosirana an’i Saoly feno fahatezerana, i Davida sy ireo mpanohana vitsy azy izay mosarena dia tonga tao Noba. Teo i Ahimeleka mpisorona, rehefa avy nahazo toky fa tsy naloto tamim-behivavy i Davida sy ireo lehilahy niaraka taminy, dia namela azy ireo hihinana ny mofo aseho masina. Nanana ny sabatr’i Goliata ho fiadiana izao i Davida ka nandositra nankany Gata tany amin’ny faritany filistina, ary nody adala tany. Avy eo izy dia nanohy nankany amin’ny zohin’i Adolama, avy eo dia tany Moaba, ary tatỳ aoriana, noho ny torohevitr’i Gada mpaminany, dia niverina nankany amin’ny tanin’ny Joda. Natahotra ny hisian’ny fikomiana ho fanohanana an’i Davida i Saoly feno fialonana tonga hatramin’ny hadalana mihitsy, ka nanasa an’i Doega Edomita mba hamono ho faty ny taranaky ny mpisorona tao Noba, ka i Abiatara ihany no afa-nandositra mba hiaraka tamin’i Davida. Nanjary mpisorona ho an’ilay antokon’olona izy.

22. Ahoana no nanehoan’i Davida tsy fivadihana teo anatrehan’i Jehovah sy fanajana ny fandaminany?

22 Tamin’ny naha-mpanompon’i Jehovah tsy nivadika azy, i Davida izao dia nanao ady anaty akata nahomby tamin’ireo Filistina. Kanefa i Saoly dia nanohy ny ady nataony tamin’ny heriny rehetra mba hahazoana an’i Davida, ka namory ireo lehilahy mpiadiny ary nihaza azy tany “an-efitr’i En-jedy”. (24:2). I Davida, ilay tian’i Jehovah, dia nahavita nialoha ireo mpanenjika foana. Indray mandeha izy dia nanana fahafahana hamono an’i Saoly, kanefa nifehy tena tsy hanao izany, fa nanapaka ny sisin’ny kapaotin’i Saoly fotsiny ho porofo fa nitsimbina ny ainy izy. Na dia izay zavatra tsy nisy tsiny izay aza dia namely ny eritreritr’i Davida, satria nihevitra izy fa nanao zavatra tamin’ny voahosotr’i Jehovah ny tenany. Endre izany fanajana tsara dia tsara nananany ho an’ny fandaminan’i Jehovah!

23. Ahoana no nihavanan’i Abigaila tamin’i Davida sy nahatongavany ho vadiny tamin’ny farany?

23 Na dia noraketina an-tsoratra aza izao ny nahafatesan’i Samoela (25:1), ilay mpanora-dalàna nandimby azy dia nanohy ilay fitantarana. Nangataka an’i Nabala, tao Maona tany Joda, i Davida mba hanome hanina ho azy sy ireo lehilahy niaraka taminy ho valin’ny nanehoan’izy ireo fisakaizana tamin’ireo mpiandry ondrin’i Nabala. Tsy nanao afa-tsy ‘nihiakiaka teny fanakianana’ tamin’ireo lehilahin’i Davida i Nabala, ka nivonona mba hanafay azy i Davida. (25:14, NW ). Tsapan’i Abigaila, vadin’i Nabala, ilay loza, ka nitondra hanina mangingina ho an’i Davida izy ary dia nanalefaka azy. Nisaotra azy i Davida noho io zavatra feno fahendrena nataony io ary nandefa azy hiverina tamim-piadanana. Rehefa nampahafantatra an’i Nabala momba izay nitranga i Abigaila, dia voa ny fon’i Nabala, ary folo andro tatỳ aoriana, dia maty izy. Ny tenan’i Davida izao no nanambady an’i Abigaila nahafinaritra sady tsara tarehy.

24. Ahoana no nitsimbinan’i Davida ny ain’i Saoly indray?

24 Fanintelony izao i Saoly no nanenjika an’i Davida tamim-pirehetana fatratra, ary teo indray koa izy dia niharan’ny famindram-pon’i Davida. “Nataon’i Jehovah renoky ny torimaso” i Saoly sy ny lehilahy niaraka taminy. Izany dia nahatonga an’i Davida ho afaka hiditra ilay toby sy haka ny lefon’i Saoly, kanefa nifehy tena tsy haninjitra ny tanany “hamely ny voahosotr’i Jehovah” izy. (26:11, 12). Voatery nandositra fanindroany tany amin’ireo Filistina mba hiaro tena i Davida, ary nomen’ireo an’i Ziklaga ho toeram-ponenany. Avy teo izy no nandeha hamely ireo fahavalon’ny Isiraely hafa.

25. Fahotana lehibe fahatelo inona no nataon’i Saoly?

25 Famonoan’i Saoly tena tamin’ny farany (28:1–31:13). Ireo andrianan’ny Filistina dia nandefa tafika nitambatra nankany Sonema. Ho fanoherana izany, i Saoly dia naka toerana teo an-tendrombohitra Gilboa. Nitady fitarihana toy ny adala izy, nefa tsy nety nahazo valiny avy tamin’i Jehovah. Raha mba azo natao mantsy ny nifandray tamin’i Samoela! Nanova tarehy i Saoly ka nanao fahotana lehibe hafa iray rehefa nandeha nitady olona iray nihambo ho nahay nifandray tamin’ny maty tany Andora, tany ambadiky ny tafika filistina. Rehefa nahita azy izy, dia niangavy azy mba hifandray tamin’i Samoela ho azy. May ny hanatsoaka hevitra avy hatrany i Saoly, ka nihevitra fa i Samoela efa maty ilay fisehoana. Kanefa tsy nanana hafatra nampionona ho an’ilay mpanjaka i “Samoela”. Ho faty izy ny ampitson’iny, ary araka ny tenin’i Jehovah, dia hesorina aminy ny fanjakana. Tany amin’ilay toby ilany, dia vonona ny hiady ireo andrianan’ny Filistina. Rehefa nahita an’i Davida sy ireo lehilahy teo anivony ireo, dia nanjary feno ahiahy ka nandefa azy ireo hody. Tafaverina tany Ziklaga ara-potoana tsara ireo lehilahy niaraka tamin’i Davida! Nisy antokona Amalekita mpanafika nitondra ho babo ny fianakaviana sy fananan’i Davida sy ireo lehilahy niaraka taminy, kanefa nanenjika i Davida sy ireo lehilahy niaraka taminy, ka dia azo soa aman-tsara avokoa ny rehetra.

26. Ahoana no niafaran’ny fanjakana feno lozan’ny mpanjakan’ny Isiraely voalohany?

26 Nifanena mba hiady teo an-tendrombohitra Gilboa izao ireo tafika. Niharan’ny faharesena nampalahelo ny Isiraely, ary nanjary nifehy faritra stratejika tamin’ilay tany ireo Filistina. Voavono i Jonatana sy ireo zanaka hafan’i Saoly, ary i Saoly naratra mafy dia nanatsato-tena tamin’ny sabany ihany — famonoan-tena. Ireo Filistina nandresy dia nanantona ny fatin’i Saoly sy ireo zanany telo lahy teo amin’ny mandan’i Beti-sana, kanefa nesorin’ireo lehilahy tao Jabesi-gileada avy teo amin’io toerana nampietry io izy ireo. Nifarana tamin’ny loza nampalahelo ny fanjakana feno lozan’ny mpanjakan’ny Isiraely voalohany.

MAHASOA — NAHOANA?

27. a) Ahoana no tsy nahombiazan’i Ely sy i Saoly? b) Tamin’ny heviny ahoana avy i Samoela sy i Davida no ohatra tsara dia tsara ho an’ireo mpiandraikitra sy ho an’ireo mpanompo tanora?

27 Endre izany tantara raketin’ny Samoela Voalohany! Manaitra ny filazany ny marina amin’ny an-tsipiriany rehetra, no sady mampiharihary ny fahalemena sy ny herin’ny Isiraely miaraka. Indreo mpitarika efatra teo amin’ny Isiraely, ka ny roa taminy dia nitandrina ny lalàn’Andriamanitra ary ny roa hafa tsy nitandrina. Mariho ny tsy nahombiazan’i Ely sy i Saoly: Irỳ voalohany tsy nanao na inona na inona, ary itỳ faharoa nanao zavatra tamim-pahasahisahiana. Tetsy an-danin’izany, i Samoela sy i Davida dia samy nampiseho fitiavana ny lalan’i Jehovah hatramin’ny fahazazany, ka dia nambinina noho izany. Endre izany lesona sarobidy hitantsika eto ho an’ny mpiandraikitra rehetra! Tena ilaina aoka izany ny haha-hentitra azy ireo, ny hitandremany ny fahadiovana sy ny filaminana ao amin’ny fandaminan’i Jehovah, ny hanajany ireo fandaharany, ny tsy hananany tahotra, ny ho tony, ny ho be herim-po ary ny hanehoany fiheverana feno fitiavana ny hafa! (2:23-25; 24:6, 8; 18:5, 14-16). Mariho koa fa ireo roa nahita fahombiazana dia nanana fampiofanana teokratika tsara hatramin’ny fahazazany ho tombony, sady efa be herim-po hatramin’ny fahakeliny teo amin’ny firesahana momba ny hafatr’i Jehovah sy ny fiarovana ireo tombontsoa nankininy taminy. (3:19; 17:33-37). Enga anie ireo tanora mpivavaka amin’i Jehovah rehetra amin’izao andro izao ka ho tonga “Samoela” sy “Davida” tanora!

28. Ahoana no nanantitranterana ny fankatoavana, ary torohevitra inona ao amin’ny Samoela Voalohany no averin’ny Mpanoratra ao amin’ny Baiboly hafa?

28 Ny tokony hotadidina mazava tsara amin’ireo teny mahasoa rehetra ao amin’itỳ boky itỳ dia ireo nanomezan’i Jehovah tsindrimandry an’i Samoela mba hambarany ho fitsarana an’i Saoly noho izy tsy ‘namono ny fahatsiarovana ny Amalekita tsy ho eo ambanin’ny lanitra intsony’. (Deot. 25:19). Ilay fianarana fa hoe ‘ny fankatoavana dia tsara noho ny fanatitra’ dia averina ao amin’ny toe-javatra samihafa ao amin’ny Hosea 6:6 sy Mika 6:6-8 ary Marka 12:33. (1 Sam. 15:22, NW ). Tena ilaina ny handraisantsika amin’izao andro izao soa avy amin’io firaketana an-tsoratra ara-tsindrimandry io amin’ny fankatoavana an-tsakany sy an-davany ny feon’i Jehovah Andriamanitsika! Ny fankatoavana mifandray amin’ny fanekena ny fahamasinan’ny ra koa dia isarihana ny saintsika ao amin’ny 1 Samoela 14:32, 33. Ny fihinanana nofo nefa tsy nandatsahana ny ra araka ny tokony ho izy dia noheverina ho toy ny ‘fanotana tamin’i Jehovah’. Izany koa dia mihatra amin’ny kongregasiona kristiana, araka ny nolazaina mazava ao amin’ny Asan’ny Apostoly 15:28, 29.

29. Mampiseho ny vokatry ny fahadisoan’ny firenen’Isiraely inona ny Samoela Voalohany, ka manome fampitandremana inona ho an’ireo olona mitompo teny fantatra?

29 Ny bokin’i Samoela Voalohany dia ohatra tsara ny amin’ny fahadisoana nampalahelo nataon’ny firenena iray izay nanjary nihevitra ny fanapahan’Andriamanitra avy any an-danitra ho tsy fanehoana fahendrena. (1 Sam. 8:5, 19, 20; 10:18, 19). Ireo fandrika sy ny maha-tsinontsinona ny fanapahan’olombelona dia aseho tsara amin’ny fomba hita maso ary koa ara-paminaniana. (8:11-18; 12:1-17). I Saoly dia naseho ho toy ny lehilahy nihevi-tena ho araka ny tena izy izay nanana ny fanahin’Andriamanitra, (9:21; 11:6), kanefa nihamaizina ny fahaizany nitsara zavatra ary dia nanjary feno fahatezerana ny fony rehefa nihanihena ny fitiavany ny rariny sy ny finoany an’Andriamanitra. (14:24, 29, 44). Ny zotom-pony fantatra tany am-piandohana dia nofoanan’ireo zavatra nataony tatỳ aoriana izay nampiseho fahasahisahian-dratsy sy tsy fankatoavana ary fivadihana tamin’Andriamanitra. (1 Sam. 13:9; 15:9; 28:7; Ezek. 18:24). Ny tsy fananany finoana dia niteraka tsy fahatsapana fatokian-tena, ka nivadika ho fitsiriritana, fankahalana ary famonoana olona. (1 Sam. 18:9, 11; 20:33; 22:18, 19). Maty toy ny niainany izy, izany hoe nandiso fanantenana ny Andriamaniny sy ny vahoakany, sy ho toy ny fampitandremana ho an’izay rehetra mety ho tonga ‘mpitompo teny fantatra’ toa azy. — 2 Pet. 2:10-12.

30. Toetra tsara inona avy nananan’i Samoela no azon’ireo mpanompo amin’ny andro ankehitriny ambolena ka hahitany soa?

30 Kanefa, misy ny tsara izay nifanohitra tamin’izany. Mariho, ohatra, ny lalana narahin’i Samoela nahatoky, izay nanompo ny Isiraely nandritra ny fiainany manontolo tsy nisy fanaovana an-keriny, na fanavakavahana na fanehoana fiheverana manokana. (1 Sam. 12:3-5). Dodona ny hankato izy hatramin’ny fahakeliny, (3:5), nahalala fomba sy nahay nanaja, (3:6-8), azo nianteherana raha ny amin’ny fanatanterahana ireo adidiny, (3:15), tsy nihozongozona teo amin’ny fanoloran-tenany sy ny fifikirany, (7:3-6, NW; 12:2), feno fahavononana ny hihaino, (8:21), vonona ny hanohana ireo fanapahan-kevitr’i Jehovah, (10:24), hentitra teo amin’ny fitsarany na iza na iza olona tafiditra, (13:13), nahery ho amin’ny fankatoavana, (15:22), ary feno fikirizana teo amin’ny fanatanterahana asa iray nanirahana azy. (16:6, 11). Olona nanaovan’ny hafa tatitra fankasitrahana koa izy. (2:26; 9:6). Tsy ny fanompoana nataony fony izy zatovo ihany no tokony hampirisika ny tanora hiditra ao amin’ny fanompoana amin’izao andro izao, (2:11, 18), fa ny fanohizany tsy nisy fitsaharana hatramin’ny faran’ny fiainany dia tokony hanohana ireo reraka noho ny fahanterana koa. — 7:15.

31. Amin’ny ahoana i Jonatana no ohatra tsara dia tsara?

31 Avy eo dia eo ny ohatra faran’izay tsaran’i Jonatana. Tsy nampiseho fahatezerana izy noho i Davida voahosotra hahazo ilay fanjakana nety ho nolovany. Nanaiky ireo toetra tsara dia tsaran’i Davida kosa izy ary nanao fanekem-pisakaizana taminy. Ny fisakaizana tsy misy fitiavan-tena toy izany dia afaka ny hampahery sy hampirisika indrindra eo amin’ireo izay manompo an’i Jehovah amim-pahatokiana amin’izao andro izao. — 23:16-18.

32. Lafin-toetra tsara dia tsara inona avy no hita tamin’i Hana sy i Abigaila?

32 Ho an’ireo vehivavy kosa, dia eo ny ohatr’i Hana, izay niaraka tamin’ny vadiny tsy tapaka nankany amin’ilay toerana nanolorana fanompoam-pivavahana ho an’i Jehovah. Vehivavy feno fandavan-tena sy fanetren-tena izy, ary nahafoy ny fiarahana tamin’ny zanany lahy mba hitanana ny teniny sy hanehoana ny fankasitrahany noho ny hatsaram-panahin’i Jehovah. Nahatalanjona tokoa ny valisoa azony rehefa hitany fa niditra tao amin’ny fanompoana nahomby an’i Jehovah nandritra ny fiainany manontolo ny zanany. (1:11, 21-23, 27, 28). Ankoatra izany, dia eo ny ohatr’i Abigaila, izay naneho fanekena tokony hasehon’ny vehivavy sy fahendrena izay nahazo ny fideran’i Davida, hany ka tatỳ aoriana dia nanjary vadiny izy. — 25:32-35.

33. Ny fitiavana tsy nisy tahotra sy ny tsy fivadihana nasehon’i Davida dia tokony hanosika antsika hanaraka lalana inona?

33 Ny fitiavan’i Davida an’i Jehovah dia aseho amin’ny fomba mampihetsi-po ao amin’ireo salamo izay nataon’i Davida fony izy nataon’i Saoly, ilay “voahosotr’i Jehovah” nania, haza lambo tany an’efitra. (1 Sam. 24:7; Sal. 34:7, 8; 52:8; 57:1, 7, 9). Ary tamim-pankasitrahana feno fahatsorana toy inona moa no nanamasinan’i Davida ny anaran’i Jehovah rehefa nihaika tamin-kery an’i Goliata mpanebaka izy! “Izaho kosa manatona anao amin’ny anaran’i Jehovah, Tompon’ny maro (...). Anio no hanoloran’i Jehovah anao amin’ny tànako, (...) mba ho fantatry ny tany rehetra fa manana Andriamanitra tokoa ny Isiraely. Ary ho fantatr’izao fiangonana rehetra izao fa tsy sabatra sy lefona no amonjen’i Jehovah; fa an’i Jehovah ny ady, ary hanolotra anareo ho eo an-tànanay Izy.” (1 Sam. 17:45-47). I Davida, ilay ‘voahosotr’i Jehovah’ be herim-po sy tsy nivadika, dia nankalaza an’i Jehovah tamin’ny maha-Andriamanitry ny tany rehetra sady ilay hany Loharano marin’ny famonjena azy. (2 Sam. 22:51). Enga anie isika ka hanaraka ny ohatra nomeny tsy nisy tahotra!

34. Ahoana no ivelaran’ireo fikasana momba ny Fanjakan’i Jehovah bebe kokoa mifandray amin’i Davida?

34 Inona no lazain’ny Samoela Voalohany momba ny fivelaran’ireo fikasan’ny Fanjakan’Andriamanitra? Izany dia mitondra antsika ho amin’ilay tena hevitra misongadina ao amin’io boky ao amin’ny Baiboly io! Eto mantsy no ahafantarantsika an’i Davida voalohany, ka ny anarany dia azo inoana fa midika hoe “Ilay tiana”. I Davida dia tian’i Jehovah sady nofidina tamin’ny naha-‘lehilahy araka ny fony’, dia ilay mendrika ho mpanjaka teo amin’ny Isiraely. (1 Sam. 13:14). Araka izany, ilay fanjakana dia nifindra tamin’ny fokon’i Joda, nifanaraka tamin’ny tsodranon’i Jakoba ao amin’ny Genesisy 49:9, 10, ary ilay fanjakana dia tokony hijanona tao amin’ny fokon’i Joda mandra-pahatongan’ilay Mpanapaka izay tokony hankatoavan’ny olona rehetra.

35. Amin’ny ahoana ny anaran’i Davida no nanjary nifandray tamin’ny an’ilay Taranaka handova ilay Fanjakana, ary toetra tsaran’i Davida inona avy no mbola hasehon’io Taranaka io?

35 Fanampin’izany, ny anaran’i Davida dia mifandray amin’ny an’ny Taranaka handova ilay Fanjakana, izay teraka tao Betlehema koa ary avy amin’ny firazanan’i Davida. (Matio 1:1, 6; 2:1; 21:9, 15). Izy io dia i Jesosy Kristy nomem-boninahitra, dia “ny Liona avy amin’ny firenen’i Joda, dia ny Solofon’i Davida”, ary ny “Solofo sy taranak’i Davida, ny Kintana mamirapiratra fitarika andro”. (Apok. 5:5; 22:16). Manjaka ao amin’ny herin’ilay Fanjakana io “zanak’i Davida” io ka hampiseho ny fahatokiana sy ny herim-pon’ilay razambeny nalaza rehefa hiady amin’ireo fahavalon’Andriamanitra hatramin’ny fahalavoan’ireo ka hanamasina ny anaran’i Jehovah amin’ny tany rehetra, izy. Endre ny hamafin’ny fatokiantsika io Taranaka handova ilay Fanjakana io!

[Fanamarihana ambany pejy]

a The Romance of the Last Crusade, 1923, Major Vivian Gilbert, pejy 183-186.

[Fanontaniana]