Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Boky ao Amin’ny Baiboly Voalohany — Genesisy

Boky ao Amin’ny Baiboly Voalohany — Genesisy

Boky ao Amin’ny Baiboly Voalohany — Genesisy

Mpanoratra: Mosesy

Toerana Nanoratana: Tany an’efitra

Vita Tamin’ny: 1513 al.f.i.

Fe-potoana Voafaoka: “Tamin’ny voalohany” ka hatramin’ny 1657 al.f.i.

1. Inona avy ny sasany amin’ireo foto-kevitra tena lehibe voafaoka ao amin’ny Genesisy?

 ALAO sary an-tsaina ny hoe mandray boky iray tsy misy afa-tsy toko fohy 50 ka mahita ao amin’ireo pejiny voalohany ny hany fitantarana araka ny marina ny amin’ny tantaran’ny olombelona tany am-boalohany indrindra ary koa firaketana an-tsoratra mampiseho ny fifandraisana nananan’ny olombelona tamin’Andriamanitra, Mpamorona azy, ary koa tamin’ny tany sy ireo zavaboary an’aliny maro ao aminy! Ao amin’ireo pejy vitsivitsy ireo koa ianao dia mahazo fahatakarana hevi-dalina feno momba ny fikasan’Andriamanitra fony izy nametraka ny olombelona teto an-tany. Rehefa mandroso kely fotsiny ianao amin’ny famakian-teninao, ka mahita ny antony ahafatesan’ny olombelona sy ny anton’ny toe-piainana mikorontana misy azy ankehitriny, dia mahita fanazavana momba ny tena fototry ny finoana sy ny fanantenana, ary momba ny fahafantarana ilay fitaovana hampiasain’Andriamanitra ho amin’ny famonjena mihitsy aza — dia ilay Taranaky ny fampanantenana. Ilay boky miavaka misy izany zavatra rehetra izany dia ny Genesisy, ny voalohany amin’ireo boky 66 ao amin’ny Baiboly.

2. Inona no hevitry ny anarana hoe Genesisy, ary tapany voalohany amin’inona izy io?

2 Ny hoe “Genesisy” dia midika hoe “Fiandohana, Fahaterahana”, ka io anarana io dia nalaina avy tamin’ny teny nandikan’ny fandikan-teny grikan’ny Septante an’io boky io. Ao amin’ireo sora-tanana hebreo, ny anarany dia ilay teny fanokafana hoe Bereʼ·shithʹ, “tamin’ny voalohany” (Grika: en ar·kheiʹ ). Ny Genesisy no boky voalohany amin’ny Pentateuque (avy amin’ny teny grika midika hoe “horonam-boky dimy” na hoe “boky dimy sosona”). Miharihary fa tamin’ny voalohany izy io dia boky iray ihany nantsoina hoe Torah (Lalàna) na “ny bokin’ny lalàn’i Mosesy”, saingy nozaraina ho horonam-boky dimy tatỳ aoriana mba ho mora kokoa ny fandraisana azy. — Josoa 23:6, NW; Ezra 6:18.

3. a) Iza no Loharanon’ny Genesisy, kanefa iza no nanoratra azy io? b) Tamin’ny fomba ahoana no nety ho nahazoan’i Mosesy ny fanazavana nampidiriny tao amin’ny Genesisy?

3 I Jehovah Andriamanitra no Loharanon’ny Baiboly, fa nanome tsindrimandry an’i Mosesy izy mba hanoratra ny bokin’ny Genesisy. Avy taiza no nahazoan’i Mosesy ny fanazavana noraketiny an-tsoratra ao amin’ny Genesisy? Ny sasany dia nety ho azony nivantana tamin’ny alalan’ny fanambarana avy tamin’Andriamanitra, ary ny hafa, tamin’ny alalan’ny fampitana am-bava, teo ambanin’ny fitarihan’ny fanahy masina. Nety ho nanana soratra notahirizin’ireo razambeny ho toy ny firaketana an-tsoratra sarobidy momba ny niandohan’ny taranak’olombelona, koa i Mosesy. a

4. a) Taiza ary oviana no namitan’i Mosesy ny fanoratany? b) Ahoana no nety ho nahazoan’i Mosesy ilay fanazavana nampidiriny tao amin’ny tapany farany amin’ny Genesisy?

4 Nety ho tany an’efitr’i Sinay tamin’ny 1513 al.f.i. no namitan’i Mosesy nahazo tsindrimandry ny fanoratany. (2 Tim. 3:16; Jaona 5:39, 46, 47). Taiza no nahazoan’i Mosesy ny fanazavana ho an’ny tapany farany amin’ny Genesisy? Koa satria i Levy, rain’ny raibeny, dia rahalahin’i Josefa iray ray taminy, dia tsy maintsy ho fantatra araka ny marina tsara tao amin’ny fianakaviany ireo tsipirian-javatra ireo. Nety ho nisy fotoana nahaveloman’i Amrama, rain’i Mosesy, tamin’ny fotoana naha-velona an’i Levy mihitsy aza. Ankoatra izany, teto indray koa ny fanahin’i Jehovah dia tsy maintsy ho nanao izay hahazoana antoka fa marina tsara ny firaketana an-tsoratra io tapany amin’ny Soratra Masina io. — Eks. 6:16, 18, 20; Nom. 26:59.

5. Porofo ao anatin’ny Baiboly inona no manamarina ny naha-mpanoratra an’i Mosesy?

5 Tsy misy iadian-kevitra ny amin’izay nanoratra ny Genesisy. Ny hoe “ny bokin’ny lalàn’i Mosesy” sy ny teny mitovy amin’izany manondro ireo boky dimy voalohany ao amin’ny Baiboly, izay anisany ny Genesisy, dia hita matetika nanomboka tamin’ny fotoana niainan’i Josoa, mpandimby an’i Mosesy. Raha ny tena izy aza, dia misy teny eo amin’ny 200 manondro an’i Mosesy ao amin’ny 27 amin’ireo boky farany ao amin’ny Baiboly. Ny naha-mpanoratra an’i Mosesy dia tsy zavatra nisalasalan’ireo Jiosy mihitsy. Ny Soratra Grika Kristiana dia manonona matetika an’i Mosesy ho toy ny mpanoratra “ny lalàna”, ka ny fanamarinana fara tampony dia ny an’i Jesosy Kristy. I Mosesy dia nanoratra araka ny baikon’i Jehovah nivantana sy teo ambanin’ny tsindrimandriny. — Eks. 17:14; 34:27; Josoa 8:31; Dan. 9:13; Lioka 24:27, 44.

6. Inona no toa manondro fa ny fahaiza-manoratra dia nanomboka tany am-piandohan’ny tantaran’ny olombelona?

6 Hoy ny fanontanian’ny mpisalasala sasany: Tamin’ny fomba ahoana anefa no nahaizan’i Mosesy sy ireo nialoha azy nanoratra? Moa ve ny fahaiza-manoratra tsy fivoaran-javatra teo amin’ny olombelona tatỳ aoriana? Miharihary fa ny fahaiza-manoratra dia nanam-piandohana aloha be teo amin’ny tantaran’ny olombelona, angamba talohan’ny Safo-drano tamin’ny andron’i Noa, izay nitranga tamin’ny 2370 al.f.i. Misy porofo ve ny amin’ny fahaizan’ny olombelona nanoratra tany aloha tany? Na dia marina aza fa nanome daty talohan’ny 2370 al.f.i. ho an’ny takelaka tanimanga sasany nofongariny ireo arkeology, ny daty toy izany dia fanombantombanana fotsiny. Kanefa tokony homarihina fa ny Baiboly dia mampiseho mazava tsara fa ny fanorenana tanàna, ny fanamboarana zavamaneno ary ny fanefena fiasana vy dia nanam-piandohana ela talohan’ny Safo-drano. (Gen. 4:17, 21, 22). Araka ny fandrindran-kevitra àry fa tsy sarotra tamin’ny olona ny nanamboatra fomba fanoratana iray.

7. Inona no porofo ivelan’ny fivavahana ny amin’ny nisian’ny safo-drano naneran-tany sy ny sampana telo amin’ny taranak’olombelona, araka ny voalazalaza ao amin’ny fitantaran’ny Baiboly?

7 Amin’ny lafiny maro hafa, ny Genesisy dia mahatalanjona fa mifanaraka tsara amin’ny zava-misy voaporofo. Ny Genesisy irery no manome fitantarana marina sy araka ny tena izy ny amin’ny Safo-drano sy ireo tafita velona, na dia ahitana fitantarana ny amin’ny safo-drano iray sy ny amin’ny nahatafita velona olombelona tamin’izany (noho izy ireo voatsimbina tao amin’ny sambo iray, ao amin’ny maro amin’ireo fitantarana ireo) aza ireo anganon’ny sampany maro amin’ny fianakavian’ny olombelona. Ny fitantaran’ny Genesisy koa dia mampahafantatra ireo toerana nonenan’ireo sampany samy hafa amin’ny taranak’olombelona tany am-boalohany, izay avy tamin’ireo zanak’i Noa telo mirahalahy — i Sema sy i Hama ary i Jafeta. b Hoy ny Dr. Melvin G. Kyle, ao amin’ny Seminera Ara-teolojian’i Xenia, any Missouri, any Etazonia: “Tsy azo toherina velively ny nifindran’ny sampana avy tamin’i Hama nankany atsimo andrefana, ny sampana avy tamin’i Jafeta nankany avaratra andrefana ary ny sampana avy tamin’i Sema ‘niantsinanana’ nankany amin’ny ‘tanin’i Sinara’, avy teo amin’ny toerana teo afovoany iray, tany Mezopotamia tany ho any.” c

8. Karazana porofo hafa inona avy no manamarina ny maha-azo itokiana ny Genesisy?

8 Ny maha-azo itokiana ny Genesisy ho anisan’ny firaketana an-tsoratra araka an’Andriamanitra koa dia asehon’ny firindrany anaty, sy ny fifanarahany tanteraka amin’ny tapany hafa rehetra amin’ireo Soratra ara-tsindrimandry. Ny fahatsorany dia manome taratry ny mpanoratra iray izay natahotra an’i Jehovah sy tia ny fahamarinana ary tsy nisalasala nanoratra momba ny fahotana teo amin’ny Isiraely, ka tsy ny an’ilay firenena ihany fa ny an’ireo nitana toerana ambony koa. Ambonin’ny zavatra rehetra, ny fahatanterahan’ireo faminaniana ao aminy araka ny marina tsara, araka ny haseho any amin’ny faran’itỳ toko itỳ, dia manamarika ny Genesisy ho toy ny ohatra miavaka iray ny amin’ny asa soratra azo tamin’ny tsindrimandrin’i Jehovah Andriamanitra. — Gen. 9:20-23; 37:18-35; Gal. 3:8, 16.

LOHA HEVITRA RAKETIN’NY GENESISY

9. a) Inona no voatantara ao amin’ny toko anokafana ny Genesisy momba ny famoronana nataon’Andriamanitra? b) Tsipirian-javatra fanampiny inona avy no omen’ny toko faharoa momba ny olombelona?

9 Famoronana ny lanitra sy ny tany, ary ny fanomanana ny tany ho tonga fonenan’ny olombelona (1:1–2:25). Miharihary fa miresaka ny amin’ny fotoana tany amin’ny an’arivo tapitrisany taona maro lasa ny Genesisy, ka manomboka amin’ny fomba tsotra sady manaitra hoe: “Tamin’ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany.” Tena zava-dehibe fa io fehezanteny fanokafana io dia mampahafantatra fa Andriamanitra no Mpamorona ary ny lanitra sy ny tany no zavatra noforoniny. Amin’ny alalan’ny teny mendri-kaja sy voafantina tsara, ny toko voalohany dia manohy manome fitantarana ankapobeny ny amin’ny asa famoronana nifandray tamin’ny tany. Izany dia vita tao anatin’ny fe-potoana enina antsoina hoe andro, ka ny tsirairay tamin’izany dia nanomboka tamin’ny hariva iray, rehefa tsy voafaritra ny asa famoronana natao tamin’izany fe-potoana izany, ary nifarana tao anatin’ny fahazavan’ny maraina iray, rehefa nanjary niharihary mazava ny voninahitr’ilay asa famoronana. Tao anatin’ny “andro” nisesy dia niseho ny fahazavana; ny habakabaka manodidina ny tany; ny tany maina sy ny zavamaniry; ireo fanazavana hampisaraka ny andro sy ny alina; ny hazandrano sy ny vorona; ny biby an-tanety ary farany dia ny olombelona. Teto Andriamanitra dia nampahafantatra ny lalàny mifehy ireo karazana, dia ilay fefy tsy azo ihoarana ka mahatonga ny karazana iray tsy ho afa-mivoatra ho tonga karazana hafa iray. Rehefa avy nanao ny olona tahaka ny endriny Andriamanitra, dia nanambara ny fikasany telo sosona momba ny olombelona eto an-tany: hameno ny tany amin’ny taranaka marina sy hampanompo azy io ary hanjaka eo amin’ny biby noforonina. Ny “andro” fahafito dia notahin’i Jehovah sy nohamasininy, ary dia ‘nitsahatra tamin’ny asany rehetra izay efa nataony’ izy. Avy eo, ilay fitantarana dia manome fandinihana akaiky kokoa, na misy tsipirian-javatra kokoa, momba ny asa famoronan’Andriamanitra mifandray amin’ny olombelona. Lazalazainy ny amin’ny sahan’i Edena sy ny toerana nisy azy, ambarany ny lalàn’Andriamanitra momba ilay hazo voarara, tantarainy ny amin’ny nanomezan’i Adama anarana ireo biby, ary avy eo dia ny amin’ny nanorenan’i Jehovah ny fanambadiana voalohany tamin’ny famoronana vady iray avy tamin’ny vatan’i Adama ihany sy tamin’ny fitondrana azy io teo amin’i Adama.

10. Ahoana no anazavan’ny Genesisy ny niandohan’ny ota sy ny fahafatesana, ary fikasana lehibe inona no ampahafantarina eto?

10 Tafiditra teto amin’izao tontolo izao ny ota sy ny fahafatesana; nambara mialoha ilay “taranaka” ho mpamonjy (3:1–5:5). Nihinana ilay voankazo voarara ravehivavy ary nandresy lahatra ny vadiny mba hanaraka azy tamin’io fikomiana io, hany ka nanjary simban’ny tsy fankatoavana i Edena. Avy hatrany Andriamanitra dia nanondro ny fomba hanatanterahany ny fikasany: “Ary hoy Jehovah Andriamanitra tamin’ny menarana [Satana, ilay mpampirisika tsy hita maso ho amin’ny fikomiana]: (...) Dia hampifandrafesiko hianao sy ny vehivavy ary ny taranakao sy ny taranany; izy hanorotoro ny lohanao, ary hianao kosa hanorotoro ny ombelahin-tongony.” (3:14, 15). Voaroaka avy tao amin’ilay saha ny olombelona, mba hiaina tao anatin’ny fahoriana sy ny fiasana mafy tamim-pahatsembohana teo anivon’ny tsilo sy ny hery. Farany, dia tsy maintsy ho faty sy hiverina tamin’ny tany nanalana azy, izy. Ny taranany ihany no mahazo manantena ilay Taranaka nampanantenaina.

11. Ahoana no nitohizan’ny fandravana nateraky ny ota tany ivelan’i Edena?

11 Nitohy tany ivelan’i Edena ny fandravana nateraky ny ota. I Kaina, zanak’olombelona teraka voalohany, dia nanjary mpamono an’i Abela rahalahiny, mpanompon’i Jehovah nahatoky. Noroahin’i Jehovah i Kaina mba ho any amin’ny tanin’ny Firenirenena, izay niterahany taranaka izay horinganin’ny Safo-drano atỳ aoriana. Nanan-janakalahy hafa iray i Adama, dia i Seta, izay nanjary rain’i Enosy; tamin’io fotoana io ny olona dia nanomboka niantso ny anaran’i Jehovah tamim-pihatsarambelatsihy. Maty teo amin’ny faha-930 taonany i Adama.

12. Ahoana no nahatonga ny tany ho simba tamin’ny andron’i Noa?

12 Nanimba ny tany ireo olombelona sy anjely ratsy fanahy; nampisy ny Safo-drano Andriamanitra (5:6–11:9). Omena eto ny taranaka avy tamin’i Seta. Ny niavaka indrindra tamin’ireo taranak’i Seta dia i Enoka, izay nanamasina ny anaran’i Jehovah tamin’ny ‘fiarahana nandeha tamin’Andriamanitra’. (5:22). Ny lehilahy nanaraka nanana finoana mendrika homarihina dia i Noa, zafiafin’i Enoka, teraka 1 056 taona taorian’ny namoronana an’i Adama. Nandritra io fotoana io dia nisy zavatra nitranga izay nampitombo ny herisetra teto an-tany. Nandao ny fonenany tany an-danitra ireo anjelin’Andriamanitra mba hanambady ireo zanakavavy tsara tarehin’ny olombelona. Io fiaraha-mitoetra tsy nahazoan-dalana io dia niteraka firazanana safiotra voaforona olona goavam-be fantatra ho ny Nefilima (midika hoe “Mpanjera”), izay nampahalaza ny tenany, fa tsy Andriamanitra. Noho izany, dia nanambara tamin’i Noa i Jehovah fa handringana ny olona sy ny biby Izy, noho ny faharatsiana nitohin’ny taranak’olombelona. I Noa ihany no nahita fitia teo anatrehan’i Jehovah.

13. Ahoana izao no nanamasinan’i Jehovah ny anarany?

13 Niteraka an’i Sema sy i Hama ary i Jafeta i Noa. Rehefa nitohy ny herisetra sy ny fanimbana tambonin’ny tany, dia nanambara tamin’i Noa i Jehovah fa hanamasina ny anarany tamin’ny alalan’ny safo-drano lehibe iray Izy, ary nandidy an’i Noa mba hanao fiara iray ho fiarovana azy, ka nanome azy drafi-panorenana tamin’ny an-tsipiriany. Nankato avy hatrany i Noa ka namory ny fianakaviany nisy valo mianaka, ary koa biby sy vorona; avy eo, teo amin’ny faha-600 taonany (2370 al.f.i.), dia nanomboka ny Safo-drano. Nitohy nandritra ny 40 andro ny ranonorana nivatravatra, mandra-panaron’ny rano 15 hakiho (7 metatra teo ho eo) mihitsy ireo tendrombohitra avo. Rehefa afaka nitondra ny fianakaviany hivoaka ilay sambofiara i Noa tamin’ny farany, rehefa afaka herintaona, ny zavatra voalohany nataony dia ny nanolotra fanatitra lehibe ho fanehoam-pisaorana an’i Jehovah.

14. Didy inona sy fanekena inona izao no nomen’i Jehovah, ary fisehoan-javatra inona avy no namarana ny fiainan’i Noa?

14 Izao i Jehovah dia nitso-drano an’i Noa sy ny fianakaviany ary nandidy azy ireo mba hameno ny tany tamin’ny taranany. Ny lalàn’Andriamanitra dia nanome lalana hihinana nofo, kanefa nangataka ny hifadiana ny ra, dia ny fanahy (âme), na ain’ny nofo, ary nitaky ny hamonoana ny mpamono olona. Ny faneken’Andriamanitra tsy hitondra safo-drano amin’ny tany intsony mihitsy dia nohamafisin’ny fisehoan’ny avana teny amin’ny lanitra. Tatỳ aoriana, i Hama dia nampiseho tsy fanajana an’i Noa, mpaminanin’i Jehovah. Rehefa fantatr’i Noa izany, dia nanozona an’i Kanana, zanakalahin’i Hama, izy, kanefa nanampy tsodrano mba hampisehoana fa i Sema dia hahazo fitia manokana ary i Jafeta koa dia hotahina. Maty teo amin’ny faha-950 taonany i Noa.

15. Ahoana no nitadiavan’ny olona hampahalaza ny tenany, ary tamin’ny ahoana i Jehovah no nampandamòka ny fikasan’izy ireo?

15 Nahatanteraka ny didin’Andriamanitra mba ho maro anaka ireo zanak’i Noa telo mirahalahy, ka niteraka fianakaviana 70, dia ireo razamben’ny taranak’olombelona ankehitriny. I Nimroda, zafikelin’i Hama, dia tsy nisaina ho anisan’ireo, miharihary fa noho izy nanjary “mpihaza mahery nanohitra an’i Jehovah”. (10:9, NW ). Nanangana fanjakana iray izy ary nanomboka nanorina tanàn-dehibe maro. Tamin’io fotoana io, ny tany rehetra dia mbola tsy nanana afa-tsy fiteny iray ihany. Tsy niely nanerana ny tany mba hameno azy sy hiasa azy ny olona fa nanapa-kevitra kosa ny hanorina tanàn-dehibe iray sy tilikambo iray, izay hahatakatra ny lanitra ny tampony mba hahafahany hahazo laza ho an’ny tenany. Nampandamòka ny fikasan’izy ireo anefa i Jehovah tamin’ny fanorokoroana ny fiteniny, ary dia nampiely azy ireo. Ny anaran’ilay tanàna dia hoe Babela (midika hoe “Fanorokoroana”).

16. a) Nahoana ny tetirazana avy amin’i Sema no zava-dehibe? b) Tamin’ny ahoana i Abrama no nanjary nantsoina hoe “sakaizan’Andriamanitra”, ary fitahiana inona avy no azony?

16 Ireo fifampiraharahan’Andriamanitra tamin’i Abrahama (11:10–25:26). Soritana amin’ny an-tsipiriany ilay firazanana lehibe avy tamin’i Sema ka hatramin’i Abrama, zanak’i Tera, ka izany dia manome ireo fitohizana eo amin’ny fandehan’ny fotoana koa. Tsy nitady ny hahazo laza ho an’ny tenany i Abrama, fa naneho finoana an’Andriamanitra kosa. Nandao an’i Ora, tanàna kaldeana, araka ny nandidian’Andriamanitra, izy teo amin’ny faha-75 taonany, ka nita an’i Eofrata teny an-dalana ho any amin’ny tany Kanana, sady niantso ny anaran’i Jehovah. Noho ny finoany sy ny fankatoavany, dia nanjary nantsoina hoe “sakaizan’Andriamanitra” izy, ary dia nanorina fanekena taminy Andriamanitra. (Jak. 2:23; 2 Tant. 20:7; Isaia 41:8). Niaro an’i Abrama sy ny vadiny nandritra ny fivahiniany vetivety tany Egypta Andriamanitra. Rehefa tafaverina tany Kanana i Abrama dia nampiseho ny fahalalahan-tanany sy ny fitiavany fihavanana tamin’ny famelana an’i Lota, zana-drahalahiny sady mpiara-mivavaka taminy, hifidy ny faritra tsara indrindra tamin’ilay tany. Tatỳ aoriana dia namonjy an’i Lota avy teo an-tanan’ny mpanjaka efatra izay namabo azy, izy. Avy eo, rehefa niverina avy tany amin’ilay ady i Abrama, dia nifanena tamin’i Melkizedeka, mpanjakan’i Salema, izay nitso-drano an’i Abrama tamin’ny naha-mpisoron’Andriamanitra azy, sady nomen’i Abrama ny ampahafolon’ny fananany.

17. Ahoana no nanitaran’Andriamanitra ny fanekeny, ary inona no naharihary momba ny taranak’i Abrama?

17 Tatỳ aoriana Andriamanitra dia niseho tamin’i Abrama, ka nanambara fa Izy no ampingan’i Abrama sady nanitatra ilay fampanantenana nifandray tamin’ilay fanekena tamin’ny fampahafantarana fa ho toy ny kintana eny amin’ny lanitra ny isan’ny taranak’i Abrama. Nilazana i Abrama fa ny taranany dia hiharan’ny fampahoriana mandritra ny 400 taona, kanefa hovonjen’Andriamanitra, izay hitsara ilay firenena hampahory azy. Rehefa 85 taona i Abrama, dia nanome azy an’i Hagara, mpanompovaviny egyptiana, i Saray vadiny, izay mbola tsy nanan-janaka, mba hanomezany zanaka ho azy. Teraka i Isimaela ary noheverina ho ilay mpandova. Hafa anefa ny fikasan’i Jehovah. Rehefa 99 taona i Abrama, dia novan’i Jehovah ho Abrahama ny anarany, ary novany ho Saraha ny anaran’i Saray, ary nampanantena izy fa hiteraka zazalahy i Saraha. Nomena an’i Abrahama ny fanekena ny amin’ny famorana, ary avy hatrany dia noforany ny ankohonany.

18. Zava-nitranga mendrika homarihina inona avy no nanamarika ny fiainan’i Lota?

18 Izao Andriamanitra dia nanambara tamin’i Abrahama sakaizany ny fahatapahan-keviny handringana an’i Sodoma sy i Gomora satria navesatra ny fahotan’izy ireo. Nampitandrina an’i Lota ireo anjelin’i Jehovah ary nanampy azy handositra an’i Sodoma niaraka tamin’ny vadiny sy ny zanany roa vavy. Ny vadiny anefa dia nitaredretra mba hiherika hijery ireo zavatra tany aoriana, ka tonga vongan-tsira. Mba hahazoana taranaka, dia nampisotro divay an-drainy mandra-pahamamony, ireo zanak’i Lota roa vavy, ary rehefa avy nanao firaisana taminy, dia niteraka zanakalahy roa, izay tonga rain’ny firenen’i Moaba sy ny firenen’i Amona.

19. Fitsapana inona mifandray amin’ilay Taranaka no natrehin’i Abrahama tamim-pahombiazana, ary inona no nahariharin’i Jehovah koa mba hanamafisana ny fampanantenany?

19 Niaro an’i Saraha tsy ho voaloton’i Abimeleka Filistina Andriamanitra. Teraka i Isaka, ilay mpandova nampanantenaina, rehefa 100 taona i Abrahama, ary 90 taona teo ho eo i Saraha. Dimy taona teo ho eo taorian’izay, dia nihomehy an’i Isaka, ilay mpandova, i Isimaela, 19 taona, ka izany dia nitarika ho amin’ny fandroahana an’i Hagara sy i Isimaela, zavatra izay nankasitrahan’Andriamanitra. Taona vitsivitsy taorian’izay, dia nitsapa an’i Abrahama Andriamanitra tamin’ny fandidiana azy hanolotra an’i Isaka zanany ho sorona teo amin’ny iray tamin’ireo tendrombohitr’i Moria. Tsy nihozongozona akory ny finoana lehibe an’i Jehovah nananan’i Abrahama. Nitady hanolotra ny zanany sady mpandova azy izy, kanefa nosakanan’i Jehovah, izay nanome ondrilahy ho solony hatao sorona. Nanamafy indray ny fampanantenany tamin’i Abrahama i Jehovah, tamin’ny filazana fa hahamaro ny taranak’i Abrahama, mba ho tahaka ny kintana eny amin’ny lanitra sy ny fasika izay any amoron-dranomasina, Izy. Nasehony fa ny taranany dia hahazo ny vavahadin’ny fahavalony ary koa fa amin’ny Taranany no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany.

20. Fitandremana inona no nasehon’i Abrahama tamin’ny fanomezana vady ho an’i Isaka, ary ahoana no nahatongavan’i Isaka ho ny hany mpandova?

20 Maty teo amin’ny faha-127 taonany i Saraha ary nalevina tao amin’ny tany iray novidin’i Abrahama tamin’ny taranak’i Heta. Izao i Abrahama dia naniraka ny lehiben’ny mpanompony tao an-tranony mba haka vady ho an’i Isaka tany amin’ny tanin’ny havany. Nitarika ilay mpanompo ho any amin’ny fianakavian’i Betoela, zanakalahin’i Nahora, i Jehovah, ary natao ny fandaharana mba hiverenan’i Rebeka hiaraka aminy. Niaraka taminy an-tsitrapo i Rebeka, izay nahazo ny tso-dranon’ny fianakaviany ary tonga vadin’i Isaka. I Abrahama kosa naka vady hafa iray, i Ketora, izay niteraka zanaka enina mirahalahy ho azy. Kanefa nomeny fanomezana ireo ary dia nasainy nandeha, mba ho i Isaka irery no ho mpandova azy. Avy eo, teo amin’ny faha-175 taonany, dia maty i Abrahama.

21. Ahoana no nahazoan’i Isaka sy i Rebeka zanaka kambana?

21 Araka ny efa nambaran’i Jehovah mialoha, i Isimaela, rahalahin’i Isaka iray ray taminy, dia tonga filohan’ny firenena lehibe iray, izay niorina tamin’ireo zanany lahy 12 izay andriana. Nandritra ny 20 taona i Rebeka dia momba, kanefa tsy nitsahatra nitalaho tamin’i Jehovah i Isaka, ary dia niteraka kambana izy, dia i Esao sy i Jakoba, ka ny zandriny taminy dia hanompo ny zokiny araka ny nolazain’i Jehovah taminy. Enimpolo taona izao i Isaka.

22. Tamin’ny fomba ahoana avy no nandraisan’i Esao sy i Jakoba ilay fanekena natao tamin’i Abrahama, ary inona avy no vokatr’izany?

22 Jakoba sy ireo zanany 12 lahy (25:27–37:1). Tonga olona tia nihaza i Esao. Tsy nankasitraka ilay fanekena natao tamin’i Abrahama izy, ka rehefa niverina avy nihaza indray andro, dia nivarotra ny fizokiany tamin’i Jakoba ho takalon’ny hanina indraim-bava. Nanambady vehivavy hetita roa (sy vehivavy isimaelita iray tatỳ aoriana) koa izy, ka ireo dia nanjary nangidy tamin’ny fanahin’ny ray aman-dreniny. Noho ny fanampian-dreniny, dia nisalotra ny fitafian’i Esao i Jakoba mba hahazoana ny tso-dranon’ny lahimatoa. I Esao, izay tsy nampahafantatra tamin’i Isaka fa namidiny ny fizokiany, dia nikasa ny hamono an’i Jakoba izao, rehefa fantany izay nataon’i Jakoba, hany ka nanoro hevitra an’i Jakoba mba handositra ho any Harana, any amin’i Labana anadahiny, i Rebeka. Talohan’ny handehanan’i Jakoba, dia nitso-drano azy indray i Isaka ary nanoro azy mba haka vady, tsy avy teo amin’ny mpanompo sampy, fa avy teo amin’ny ankohonan-dreniny. Tao Betela, teny an-dalana ho any Harana, tao amin’ny nofy iray izy dia nahita an’i Jehovah, izay nanome toky azy ary nanamafy taminy ilay fampanantenana momba ilay fanekena nataony taminy.

23. a) Ahoana no nahazoan’i Jakoba zanaka 12 mirahalahy? b) Ahoana no namoizan’i Robena ny fizokiany?

23 Tany Harana, dia niasa ho an’i Labana i Jakoba, ka nanambady ny zanany vavy roa, i Lea sy i Rahely. Na dia azony noho ny fitaka nataon’i Labana taminy aza io fanambadiana fampirafesana io, dia notahin’Andriamanitra tamin’ny fanomezana zanakalahy 12 sy zanakavavy iray an’i Jakoba, avy tamin’ireo vadiny sy ny mpanompovaviny roa, dia i Zilpa sy i Bila. Nataon’Andriamanitra izay hitomboan’ireo ondry aman’osiny be dia be, ary avy eo dia nasainy hiverina tany amin’ny tanin’ireo razambeny, izy. Nenjehin’i Labana izy, kanefa nanao fanekena izy ireo teo amin’ny toerana nantsoina hoe Galeda sy Ny Fitazanana, na Ny Tilikambo Fiambenana (NW ) (Hebreo: ham·Mits·pahʹ ). Rehefa nanohy ny diany i Jakoba dia nahazo toky avy tamin’ireo anjely, ary nitolona nandritra ny alina tamin’ny anjely iray, izay nitso-drano azy tamin’ny farany ka nanova ny anarany hoe Jakoba ho Isiraely. Nanomana fihaonana tamim-pihavanana tamin’i Esao i Jakoba ka nanao dia ho any Sekema. Tao i Dina, zanany vavy dia nosavihin’ny zanakalahin’ny andriana hivita. Namaly faty i Simeona sy i Levy anadahiny tamin’ny famonoana ho faty ireo lehilahin’i Sekema. Nahatezitra an’i Jakoba izany, satria nanome azy laza ratsy teo amin’ilay tany, tamin’ny naha-solontenan’i Jehovah azy. Nasain’Andriamanitra nankany Betela mba hanorina alitara iray tany izy. Teny an-dalana niala avy tao Betela, dia maty teo am-piterahana an’i Benjamina, zanakalahin’i Jakoba faha-12, i Rahely. Nisavika an’i Bila, mpanompovavin’i Rahely sady renin’ny roa tamin’ireo zanakalahin’i Jakoba, i Robena, ka noho izany dia namoy ny fizokiany. Tsy ela taorian’izany, dia maty i Isaka, teo amin’ny faha-180 taonany, ary nandevina azy i Esao sy i Jakoba.

24. Nahoana i Esao sy ny ankohonany no nifindra nankany an-tendrombohitra Seïra?

24 Nifindra nankany an-tendrombohitra Seïra i Esao sy ny ankohonany, satria be loatra ny harena voangon’i Esao sy i Jakoba ka tsy afaka niara-nipetraka intsony izy ireo. Omena ny lisitry ny taranak’i Esao ary koa ireo loham-pirenena sy mpanjakan’i Edoma. I Jakoba kosa mbola nanohy nonina tany Kanana.

25. Fisehoan-javatra inona avy no nitarika ho amin’ny nahatongavan’i Josefa ho andevo tany Egypta?

25 Nankany Egypta ho famonjena aina (37:2–50:26). Noho ny fankasitrahan’i Jehovah sy ny nofy sasany nomeny azy, dia nanjary nankahala an’i Josefa ireo zokiny lahy. Nitetika ny hamono azy izy ireo kanefa nivarotra azy kosa tamin’ny mpandranto isimaelita nandalo. Natsobok’izy ireo tamin’ny ran’ny zanak’osy ny akanjon’i Josefa, ka nasehony an’i Jakoba ho toy ny porofo fa hoe novonoin’ny biby dia iray ilay zatovolahy 17 taona. Nentina tany Egypta i Josefa ary namidy tamin’i Potifara, mpifehy ny mpiambin’i Farao.

26. Nahoana no zava-dehibe ny fitantarana ny amin’ny nahaterahan’i Fareza?

26 Mivaona kely ny toko faha-38 mba hanomezana fitantarana ny amin’ny niterahan’i Tamara an’i Fareza. Nampiasa tetika feno hafetsena i Tamara ka nahatonga an’i Joda rafozan-dahiny hanambady azy araka ny mendrika azy sy ny tokony ho nataon’ny zanany lahy. Io fitantarana io dia manamafy indray koa ny fitandremana fatratra niraketan’ny Soratra Masina an-tsoratra ny fitrangan-javatra tsirairay nitarika ho amin’ilay Taranaky ny fampanantenana. I Fareza zanakalahin’i Joda dia tonga iray tamin’ireo razamben’i Jesosy. — Lioka 3:23, 33.

27. Ahoana no nahatongavan’i Josefa ho praiminisitr’i Egypta?

27 Nandritra izany fotoana izany, dia nitahy an’i Josefa tany Egypta i Jehovah, ary dia tonga lehibe tao an-tranon’i Potifara i Josefa. Kanefa tsy nitsaha-nanaraka azy ny zava-nanahirana rehefa nanda tsy hanala baraka ny anaran’Andriamanitra tamin’ny fijangajangana tamin’ny vadin’i Potifara izy, hany ka niharan’ny fiampangana diso ary dia nampidirina an-tranomaizina. Tao izy dia nampiasain’i Jehovah mba hilaza ny hevitry ny nofin’ny mpiara-migadra taminy roa lahy, dia ny mpitondra kapoakan’i Farao sy ny mpanao mofony. Tatỳ aoriana, rehefa nanonofy zavatra iray izay nampanahy azy mafy i Farao, dia nampahafantarina azy ny amin’ny fahaizan’i Josefa, hany ka nentina haingana tany amin’i Farao avy tany an-davaka izy. Nilaza an’Andriamanitra ho tompon’andraikitra ny amin’ny fahaizany i Josefa ary dia nilaza ny hevitr’ilay nofy izay nampahafantatra mialoha fa hisy fito taona zina harahina fito taona mosarena. Niaiky i Farao fa “ny Fanahin’Andriamanitra” dia teo amin’i Josefa ary nanendry azy ho praiminisitra hikarakara ilay tarehin-javatra izy. (Gen. 41:38). Teo amin’ny faha-30 taonany izao i Josefa, ary nitantana ny raharaha tamim-pahendrena tamin’ny fanangonana hanina nandritra ireo fito taona zina. Avy eo, nandritra ilay mosary naneran-tany nanaraka izay, dia nivarotra vary tamin’ireo olona avy tao Egypta sy avy tamin’ny firenena hafa izay tonga nitady hanina tao Egypta, izy.

28. Fisehoan-javatra inona avy no nitarika ho amin’ny fifindran’ny ankohonan’i Jakoba honina tany Egypta?

28 Tamin’ny farany i Jakoba dia naniraka ireo zanany lahy folo zokiny indrindra mba hitady vary tany Egypta. Nahafantatra azy ireo i Josefa, fa izy ireo kosa tsy nahafantatra azy. Nihazona an’i Simeona ho takalon’aina izy, ary nangataka azy ireo mba hitondra ilay zandriny faralahy niaraka taminy rehefa hitady vary tamin’ny diany nanaraka izy ireo. Rehefa niverina niaraka tamin’i Benjamina izy sivy mirahalahy, dia nampahafantatra ny tenany i Josefa, naneho ny famelany ny helok’ireo folo mirahalahy meloka ary nanome toromarika azy ireo mba haka an’i Jakoba sy hifindra tao Egypta mba hahasoa azy ireo nandritra ilay mosary. Araka izany, dia nidina nankany Egypta i Jakoba niaraka tamin’ny 66 tamin’ny taranany. Nomen’i Farao ny tsara indrindra tamin’ny taniny, dia ny tanin’i Gosena, izy ireo, mba honenany.

29. Fitohitohizam-paminaniana lehibe inona avy no notononin’i Jakoba rehefa ho faty izy?

29 Rehefa nihananatona ny fahafatesana i Jakoba, dia nitso-drano an’i Efraima sy i Manase, zanakalahin’i Josefa, ary avy eo dia nampiantso ireo zanany 12 mirahalahy ho eo aminy mba hilazana taminy izay hanjo azy ireo “any am-parany”. (49:1). Izao izy dia nanome fitohitohizam-paminaniana tamin’ny an-tsipiriany, ka ny rehetra tamin’izany dia tanteraka tamin’ny fomba mahagaga hatramin’izay. d Teto izy dia nanambara mialoha fa ny tehim-panjakana dia hitoetra tao amin’ny fokon’i Joda mandra-pahatongan’i Silo (midika hoe “Ilay Manana Azy Io, Ilay Tompony”), dia ilay Taranaka nampanantenaina. Rehefa avy nitso-drano ny lohan’ireo foko 12 sy nanome didy momba ny fandevenana azy tamin’ny hoavy tany amin’ny Tanin’ny Fampanantenana i Jakoba, dia maty teo amin’ny faha-147 taonany. Nanohy nikarakara ny rahalahiny sy ny ankohonan’izy ireo i Josefa mandra-pahatongan’ny fahafatesan’ny tenany teo amin’ny faha-110 taonany, ka nilazany ny finoany fa hamerina ny Isiraely indray any amin’ny taniny Andriamanitra, sy nangatahany ny hitondrana ny taolany tany amin’ny Tanin’ny Fampanantenana koa.

MAHASOA — NAHOANA?

30. a) Inona no fototra omen’ny Genesisy mba hahatakarana ny hevitr’ireo boky manaraka ao amin’ny Baiboly? b) Zava-kendrena araka ny tokony ho izy inona no tondroin’ny Genesisy?

30 Amin’ny maha-fiandohan’ny Tenin’Andriamanitra ara-tsindrimandry azy, dia tsy hay tombanana ny soa entin’ny Genesisy noho izy mampahafantatra ireo fikasana be voninahitr’i Jehovah Andriamanitra. Endre ny fototra omeny mba hahatakarana ny hevitr’ireo boky manaraka ao amin’ny Baiboly! Zavatra maro be no tafiditra ao aminy, satria izy io dia milazalaza ny niandohan’ny tontolo marina tao Edena sy ny niafarany, ny nitomboan’ny tontolon’olon-dratsy voalohany sy ny loza nampanjavona azy, ary ny nipoiran’ny tontolo ratsy ankehitriny. Tena miavaka fa manome ny loha hevitry ny Baiboly manontolo izy io, izany hoe ny fanamarinana an’i Jehovah amin’ny alalan’ilay Fanjakana hotapahin’ilay “taranaka” nampanantenainy. Asehony ny antony ahafatesan’ny olona. Manomboka eo amin’ny Genesisy 3:15 — ary indrindra fa ao amin’ny firaketana an-tsoratra momba ny fifampiraharahan’Andriamanitra tamin’i Abrahama sy i Isaka ary i Jakoba — izy io dia miresaka be dia be momba ny fanantenana fiainana ao amin’ny tontolo vaovao eo ambanin’ny Fanjakan’ilay Taranaka. Mahasoa izy io satria manondro ny zava-kendrena araka ny tokony ho izy ho an’ny taranak’olombelona rehetra — ny ho mpihazona tsy fivadihana sy ho mpanamasina ny anaran’i Jehovah. — Rom. 5:12, 18; Heb. 11:3-22, 39, 40; 12:1; Matio 22:31, 32.

31. Amin’ny fijerena ilay tabilao miaraka amin’itỳ toko itỳ, asehoy fa ao amin’ny Genesisy dia misy a) faminaniana lehibe sy b) fotopoto-pitsipika sarobidy.

31 Ny Soratra Grika Kristiana dia manonona ny fisehoan-javatra sy olona miavaka tsirairay voarakitra an-tsoratra ao amin’ny bokin’ny Genesisy. Ambonin’izany, araka ny aseho hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny faran’ny Soratra Masina, ireo faminaniana voarakitra an-tsoratra ao amin’ny Genesisy dia tanteraka tsy nisy diso. Ny iray amin’izany, ireo “efa-jato taona” nampahoriana ny taranak’i Abrahama, dia nanomboka rehefa nihomehy an’i Isaka tamin’ny 1913 al.f.i. i Isimaela, ary nifarana tamin’ny fanafahana avy tao Egypta tamin’ny 1513 al.f.i. e (Gen. 15:13). Ny ohatra ny amin’ny faminaniana lehibe hafa sy ny fahatanterahan’izy ireo dia aseho ao amin’ilay tabilao miaraka amin’itỳ toko itỳ. Afa-tsy izany koa, ny mitondra soa tsy hay lazaina mba hanorenana finoana sy fahazoana hevi-javatra dia ireo fotopoto-pitsipik’Andriamanitra voalaza voalohany ao amin’ny Genesisy. Ireo mpaminany taloha, ary koa i Jesosy sy ireo mpianany, dia nanonona sy nampihatra matetika teny avy ao amin’ny bokin’ny Genesisy. Haneho fahendrena isika raha manaraka ny ohatr’izy ireo, ary ny fianarana ilay tabilao miaraka amin’itỳ toko itỳ dia tokony hanampy antsika hanao izany.

32. Fanazavana lehibe inona momba ny fanambadiana sy ny tetirazana ary ny fanisana ny fotoana, no raketin’ny Genesisy?

32 Ny Genesisy dia mampiharihary mazava tsara ny sitrapon’Andriamanitra sy ny fikasany momba ny fanambadiana, ny fifandraisana araka ny tokony ho izy eo amin’ny lehilahy sy ny vadiny, ary ireo fotopoto-pitsipika ny amin’izay lohany sy ny fampiofanana ao amin’ny fianakaviana. Ny tenan’i Jesosy mihitsy dia niorina tamin’io fanazavana io, ka nanonona ireo toko roa voalohany amin’ny Genesisy tao anatin’ny fanambarana iray ihany: “Tsy mbola novakinareo va ny teny, fa Izay nahary azy tamin’ny voalohany dia nahary azy ho lahy sy vavy, ka dia nanao hoe: ‘Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin’ny vadiny; ary dia ho nofo iray ihany izy roroa’?” (Matio 19:4, 5; Gen. 1:27; 2:24). Ny firaketana an-tsoratra ao amin’ny Genesisy dia tena ilaina mba hahafantarana ny tetirazan’ny fianakavian’ny olombelona ary koa mba hamaritana ny fotoana nisian’ny olombelona teto an-tany. — Gen., toko 5, 7, 10, 11.

33. Manonòna fotopoto-pitsipika sy fanao sasany teo amin’ny fitambaran’olona notarihin’ny patriarka izay tena lehibe mba hahatakarana ny hevitry ny Baiboly.

33 Ankoatra izany, dia mitondra soa marina ho an’ny mpianatra ny Soratra Masina ny fianarana omen’ny Genesisy momba ny fitambaran’olona notarihin’ny patriarka. Ny fitambaran’olona notarihin’ny patriarka no karazana fiaraha-monina nitondrana ny fianakaviana ka nanjaka teo amin’ny vahoakan’Andriamanitra nanomboka tamin’ny andron’i Noa mandra-panome ny Lalàna teo amin’ny Tendrombohitra Sinay. Maro tamin’ireo tsipirian-javatra nampidirina tao amin’ny faneken’ny Lalàna no efa nampiharina teo amin’ny fitambaran’olona notarihin’ny patriarka. Ny fotopoto-pitsipika toy ny an’ny fahamendrehana iombonana, (18:32), ny andraikitra iombonana, (19:15), ny fanamelohana ho faty sy ny fahamasinan’ny ra sy ny aina, (9:4-6), ary ny fankahalan’Andriamanitra ny fankalazana olombelona, (11:4-8), dia nisy fiantraikany teo amin’ny taranak’olombelona nandritra ny tantara manontolo. Fanao sy teny araka ny lalàna maro no manolotra fanazavana momba ny fisehoan-javatra tatỳ aoriana, ka hatramin’ny andron’i Jesosy mihitsy aza. Ny lalàn’ny patriarka nanapaka ny amin’ny fikarakarana olona sy fananana, (Gen. 31:38, 39; 37:29-33; Jaona 10:11, 15: 17:12; 18:9), sy ny fomba famindrana fananana avy amin’ny olona iray ho amin’ny olona hafa, (Gen. 23:3-18), ary koa ny lalàna manapaka ny amin’ny lovan’ny olona iray nahazo ny zon’ny lahimatoa, (48:22), dia tsy maintsy fantatsika raha tiantsika ny hanana ny fahalalana ny toe-javatra nanodidina ny fanoratana ny Baiboly, izay ilaina mba hahatakarantsika azy io mazava tsara. Ny fanao hafa teo amin’ny fitambaran’olona notarihin’ny patriarka ka nampidirina tao amin’ny Lalàna dia ireo fanatitra, ny famorana (nomena voalohany an’i Abrahama), ny fanaovana fanekena, ny fitondrana loloha, (38:8, 11, 26), ary ny fianianana ho fanamafisana zavatra iray. — 22:16; 24:3. f

34. Fianarana inona avy, izay sarobidy ho an’ny Kristiana, no azo raisina avy amin’ny fianarana ny Genesisy?

34 Ny Genesisy, ny boky anokafana ny Baiboly, dia manome fianarana maro momba ny tsy fivadihana, ny finoana, ny fahatokiana, ny fankatoavana, ny fanajana, ny fahalalam-pomba ary ny herim-po. Indreto misy ohatra vitsivitsy: Ny finoan’i Enoka sy ny herim-pony tamin’ny fiaraha-nandeha tamin’Andriamanitra teo anatrehan’ny fahavalo nahery setra; ny fahamarinan’i Noa sy ny tsy fananany tsiny ary ny fankatoavany tsy nisy fihambahambana; ny finoan’i Abrahama sy ny fahatapahan-keviny ary ny fiaretany, ny fahaizany nahatsapa andraikitra tamin’ny naha-filoham-pianakaviana sady mpampianatra ny didin’Andriamanitra tamin’ny zanany azy, ny fahalalahan-tanany sy ny fitiavany; ny faneken’i Saraha an’ilay vadiny sady filohany sy ny fahazotoany niasa; ny fahalemem-panahin’i Jakoba sy ny fiahiany momba ny fampanantenan’Andriamanitra; ny fankatoavan’i Josefa ny rainy, ny fahitsiany ara-pitondran-tena, ny herim-pony, ny fitondran-tenany tsara tao an-tranomaizina, ny fanajany ireo manam-pahefana ambony, ny fanetren-tenany tamin’ny fanomezana voninahitra an’Andriamanitra ary ny famelany ny helok’ireo rahalahiny tamim-pamindram-po; ny faniriana miredareda nananan’izy rehetra ireo hanamasina ny anaran’i Jehovah. Ireo toetra fakan-tahaka ireo dia miavaka eo amin’ny fiainan’ireo izay niara-nandeha tamin’Andriamanitra nandritra ilay fe-potoana lava naharitra 2 369 taona nanomboka tamin’ny famoronana an’i Adama ka hatramin’ny fahafatesan’i Josefa, dia ilay fe-potoana voafaoka ao amin’ny bokin’ny Genesisy.

35. Mba hanatanjahana ny finoana, inona moa no tondroin’ny Genesisy?

35 Tena marina fa ny fitantarana ao amin’ny Genesisy dia mahasoa mba hanatanjahana ny finoana, satria manolotra ohatra mahatalanjona aoka izany ny amin’ny finoana izy io, dia ilay finoana voazaha toetra izay miezaka hahatratra ilay tanàna izay Andriamanitra no tompo-marika sy mpanao azy, izany hoe ny fitondrana amin’ny alalan’ilay Fanjakany izay natombony nomanina fotoana ela be izay tamin’ny alalan’ilay Taranaky ny fampanantenana, dia ilay mpanamasina voalohany ny anarana lehiben’i Jehovah. — Heb. 11:8, 10, 16.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Insight on the Scriptures, Boky 1, pejy 919-920; Boky 2, pejy 1212.

b Insight on the Scriptures, Boky 1, pejy 328-329.

c Biblical History in the Light of Archaeological Discovery, 1934, D. E. Hart-Davies, pejy 5.

d Ny Tilikambo Fiambenana (frantsay), 1962, pejy 408-422, 440-456.

e Auxiliaire pour une meilleure intelligence de la Bible, pejy 283, 506.

f Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy), 1952, pejy 432-445.

[Fanontaniana]

[Tabilao, pejy 18]

GENESISY—ARA-TSINDRIMANDRY SADY MAHASOA

Genesisy Fotopoto-pitsipika Fakan-teny Ataon’ny

Mpanoratra Hafa

1:27; 2:24 Fahamasinana, faharetan’ny

fatoran’ny fanambadiana Matio 19:4, 5

2:7 Ny olona dia fanahy (âme) 1 Kor. 15:45

2:22, 23 Izay lohany 1 Tim. 2:13;

1 Kor. 11:8

9:4 Fahamasinan’ny ra Asa. 15:20, 29

20:3 Ratsy ny fanitsakitsaham-bady 1 Kor. 6:9

24:3; 28:1-8 Mpino ihany vadina 1 Kor. 7:39

28:7 Fankatoavana ray aman-dreny Efes. 6:1

Faminaniana Tanteraka sy Fifanitsiana Ara-paminaniana

12:1-3; Fampahafantarana ny Taranak’i

22:15-18 Abrahama Gal. 3:16, 29

14:18 Tandindon’i Kristy i Melkizedeka Heb. 7:13-15

16:1-4, 15 Hevitra asehon’i Saraha,

i Hagara, i Isimaela, i Isaka Gal. 4:21-31

17:11 Hevitra asehon’ny

famorana Rom. 2:29

49:1-28 Tsodranon’i Jakoba ho an’ireo

foko 12 Josoa 14:1–21:45

49:9 Liona avy amin’ny

fokon’i Joda Apok. 5:5

Andininy Hafa Nampiasain’ny Mpaminany sy i Jesosy ary ireo Mpianatra — Ao Amin’ny Fanoharana, Fampiharana, na Ohatra — Izay Manome Porofo Fanampiny ny Amin’ny Maha-azo Itokiana ny Genesisy

1:1 Namorona ny lanitra sy ny tany

Andriamanitra Isaia 45:18; Apok. 10:6

1:26 Natao araka ny endrik’Andriamanitra ny olona 1 Kor. 11:7

1:27 Natao ho lahy sy vavy ny olona Matio 19:4; Marka 10:6

2:2 Nitsahatra tamin’ny andro fahafito Andriamanitra Heb. 4:4

3:1-6 Namitaka an’i Eva ny menarana 2 Kor. 11:3

3:20 Avy amin’ny mpivady voalohany ny taranak’olombelona

rehetra Asa. 17:26

4:8 Namono an’i Abela i Kaina Joda 11; 1 Jaona 3:12

4:9, 10 Ny ran’i Abela Matio 23:35

Toko 5, 10, 11

Tetirazana Lioka, toko 3

5:21 Enoka Joda 14

5:29 Noa Ezek. 14:14;

Matio 24:37

6:13, 17-20 Safo-drano Isaia 54:9; 2 Pet. 2:5

12:1-3, 7 Fanekena abrahamika Gal. 3:15-17

15:6 Finoan’i Abrahama Rom. 4:3; Jak. 2:23

15:13, 14 Fonenana tany Egypta Asa. 7:1-7

18:1-5 Fahaiza-mampiantrano vahiny Heb. 13:2

19:24, 25 Ringana i Sodoma sy i

Gomora 2 Pet. 2:6; Joda 7

19:26 Vadin’i Lota Lioka 17:32

20:7 Mpaminany i Abrahama Sal. 105:9, 15

21:9 Nihantsy an’i Isaka tamim-panarabiana i Isimaela Gal. 4:29

22:10 Nitady hanolotra an’i Isaka i

Abrahama Heb. 11:17

25:23 Jakoba sy Esao Rom. 9:10-13; Mal. 1:2, 3

25:32-34 Nivarotra ny fizokiany i Esao Heb. 12:16, 17

28:12 Tohatra fifandraisana

amin’ny lanitra Jaona 1:51

37:28 Namidy ho any Egypta i Josefa Sal. 105:17

41:40 Natao praiminisitra i Josefa Sal. 105:20, 21