Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fianarana Faha-2 — Ny Fotoana sy ny Soratra Masina

Fianarana Faha-2 — Ny Fotoana sy ny Soratra Masina

Fianarana Momba ny Soratra Ara-tsindrimandry sy ny Tantara Momba Azy

Fianarana Faha-2 — Ny Fotoana sy ny Soratra Masina

Filazalazana ireo fizaram-potoana ampiasaina ao amin’ny Baiboly, ireo kalandrie fampiasa mahazatra, ireo daty fototra ho an’ny Baiboly ary ireo hevitra mahaliana mahakasika “ny fandehan’ny fotoana”.

1, 2. Inona no nosoratan’i Solomona mikasika ny fotoana, ary amin’ny fijerena ny toetra mihelin’ny fotoana, dia inona no tokony hataontsika aminy?

 NY OLONA dia mahatsapa lalina ny fandehan’ny fotoana. Isaky ny fipaiky ny famantaranandro, dia mandroso izy manao dingana iray lavitra kokoa eo amin’ny lalan’ny fotoana. Hendry tokoa izy raha mampiasa amin’ny fomba mety ny fotoanany. Milaza izany toy izao i Solomona Mpanjaka: “Ny zavatra rehetra samy manana ny fotoany avy, ary samy manana ny androny avy ny raharaha rehetra atỳ ambanin’ny lanitra: ao ny andro ahaterahana, ary ao ny andro ahafatesana; ao ny andro ambolena, ary ao ny andro anongotana ny nambolena; ao ny andro amonoana, ary ao ny andro anasitranana; ao ny andro andravana, ary ao ny andro ananganana; ao ny andro itomaniana, ary ao ny andro ihomehezana”. (Mpit. 3:1-4). Mihelina toy inona moa ny fotoana! Ireo 70 taonan’ny androm-piainana ara-dalàna dia fotoana fohy loatra mba handraisan’ny olona iray fahalalana tondraka sy hankafizany ireo zavatra tsara hafa rehetra nomen’i Jehovah ho an’ny olona eto amin’itỳ tany itỳ. “Nanao ny zava-drehetra ho tsara tarehy amin’ny fotoany avy izy. Na dia ny fotoana tsy voafetra aza dia napetrany tao am-pon’izy ireo, mba tsy hahafantaran’ny olombelona na oviana na oviana ny asa nataon’ilay Andriamanitra marina hatrany am-piandohana ka hatramin’ny fiafarany.” — Mpit. 3:11, NW; Sal. 90:10.

2 Ny tenan’i Jehovah dia velona mandrakizay. Raha ny amin’ny zavaboariny, dia nahafinaritra azy ny nametraka azy ireo tao anatin’ny fandehan’ny fotoana. Ireo anjelin’ny lanitra, anisan’izany na dia i Satana mpikomy aza, dia mahalala amin’ny fomba feno ny fandehan’ny fotoana. (Dan. 10:13; Apok. 12:12). Momba ny taranak’olombelona dia izao no voasoratra: “Ny fotoana sy ny sampona dia samy mahazo azy rehetra.” (Mpit. 9:11). Sambatra ny olona izay mampiditra mandrakariva an’Andriamanitra ao anatin’ny fisainany ary mandray tsara ny fanomezan’Andriamanitra “hanina amin’ny fotoana”! — Matio 24:45.

3. Inona no iombonan’ny fotoana sy ny habakabaka?

3 Iray monja ny zotran’ny fotoana. Na dia misy manerana izao rehetra izao aza ny fotoana, dia tsy misy olona velona afaka milaza hoe inona moa izy io. Tsy hita pesipesenina tahaka ny habakabaka izy io. Tsy misy afaka manazava hoe taiza no nanomboka ny fandehan’ny fotoana na hoe mandeha ho aiza izy io. Ireo zavatra ireo dia anisan’ny fahalalana tsy misy fetra ananan’i Jehovah, izay voalazalaza ho Andriamanitra “hatramin’ny taloha indrindra ka mandrakizay”. — Sal. 90:2.

4. Inona no azo lazaina ny amin’ny firoson’ny fotoana?

4 Etsy an-danin’izany, ny fotoana dia manana toetra mampiavaka azy sasany izay azon’ny saina takarina. Azo refesina ny toa hafainganam-pandehany. Fanampin’izany, dia mandeha manaraka zotra iray monja izy. Tahaka ny fifamoivoizana amin’ny arabe tsy azo ifanenana, ny fotoana dia miroso tsy miova amin’izany zotra tokana izany — mankany aloha hatrany hatrany. Na manao ahoana na manao ahoana ny hafainganan’ny firosony mankany aloha, dia tsy azo afotitra na oviana na oviana ny fotoana. Miaina ao anatin’ny ankehitriny vetivety ihany isika. Kanefa, io ankehitriny io dia mihetsika, ka mandeha tsy an-kijanona mankany amin’ny lasa. Tsy misy mahajanona izany.

5. Nahoana no azo lazaina fa nahazoana fandresena na faharesena ny lasa?

5 Ny lasa. Efa dify ny lasa, tantara sisa, ary tsy azo averina intsony. Izay fanandramana rehetra hamerina ny lasa dia tsy mety, tahaka ny tsy azo anandramana hampiakatra ny zotran’ny rian-drano na hampiverina ny zana-tsipìka amin’ny tsipìka izay nitifirana azy. Ireo fahadisoantsika dia namela soritra teo amin’ny fandehan’ny fotoana, soritra izay i Jehovah irery ihany no afaka mamono azy. (Isaia 43:25). Toy izany koa, ireo asa tsara nataon’ny olona iray tamin’ny lasa dia notahirizina ka “hitsingerina aminy” miaraka amin’ny fitahiana avy amin’i Jehovah. (Ohab. 12:14; 13:22). Ny lasa dia nahazoana fandresena na faharesena. Tsy misy azo ifehezana azy intsony. Izao no voasoratra momba ny ratsy fanahy: “Fa hojinjana faingana tahaka ny ahitra izy ka halazo tahaka ny ahi-maitso.” — Sal. 37:2.

6. Amin’ny ahoana ny hoavy no samy hafa amin’ny lasa, ary nahoana no tokony ho liana manokana ny amin’izany isika?

6 Ny hoavy. Samy hafa amin’izany ny hoavy. Mandeha manatona antsika hatrany izy io. Noho ny fanampian’ny Tenin’Andriamanitra, dia afaka mamantatra ireo vato misakana izay mandondona eo anoloantsika isika ary miomana mba hiatrika azy ireny. Afaka mihary ho an’ny tenantsika ‘harena any an-danitra’ isika. (Matio 6:20). Ireny harena ireny dia tsy hindaosin’ny fandehan’ny fotoana. Hitoetra hiaraka amintsika izy ireny ary haharitra hatrany amin’ny hoavy mandrakizay feno fitahiana. Mahaliana antsika ny fampiasana amim-pahendrena ny fotoana, noho izy io manan-kery amin’izany hoavy izany. — Efes. 5:15, 16, NW.

7. Inona avy ireo fanondroana ny fotoana nomanin’i Jehovah ho an’ny olona?

7 Ireo fanondroana ny fotoana. Ireo famantaranandrontsika amin’ny andro maoderina dia fanondroana ny fotoana. Ampiasaina ho fitaovam-pandrefesana ny fotoana izy ireny. Tahaka izany koa, i Jehovah, ilay Mpamorona, dia nampihetsika fanondroana ny fotoana goavana — ny tany mihodina amin’ny tezany (axe) sy ny volana mihodidina ny tany ary ny masoandro — hany ka azo ampahafantarina ny olona araka ny marina ny fotoana, avy eto amin’ny toerany eto an-tany. “Ary Andriamanitra nanao hoe: Misia fanazavana eny amin’ny habakabaky ny lanitra hampisaraka ny andro sy ny alina; ary aoka ho famantarana sy ho fotoana ary ho andro sy taona ireo.” (Gen. 1:14). Araka izany, toy ny zavatra sesehena manana zava-kendrena mifamatotra, ireny tenan-javatra eny amin’ny lanitra ireny dia miroso amin’ny tsingeriny lavorary, ka mandrefy tsy misy farany sy tsy mety diso ny firoson’ny fotoana manana zotra iray.

8. Amin’ny heviny samy hafa inona avy no ampiasana ny teny hoe “andro” ao amin’ny Baiboly?

8 Ny andro. Ny teny hoe “andro” ao amin’ny Baiboly dia ampiasaina amin’ny heviny samy hafa maromaro, tsy misy hafa amin’ny fampiharana azy samihafa amin’izao andro maoderina izao. Rehefa manao fihodinana feno iray eo amin’ny tezany ny tany, dia mamaritra andro iray misy 24 ora. Amin’izay heviny izay, dia voaforon’ny andro sy ny alina ny andro iray, ka 24 ora ny tontaliny. (Jaona 20:19). Kanefa, ny fe-potoana misy hazavan’ny andro mihitsy, izay misy 12 ora amin’ny antsalany, dia antsoina koa hoe andro. “Ary Andriamanitra nanao ny mazava hoe ‘andro’; ary ny maizina nataony hoe ‘alina’.” (Gen. 1:5). Izany no nanome ny fiandohan’ny teny filazam-potoana hoe “alina”, ny fe-potoan’ny haizina mazàna misy 12 ora amin’ny antsalany. (Eks. 10:13). Ny heviny hafa iray koa dia rehefa manisy fitenenana ny amin’ny fe-potoana iray tamin’ny andron’ny olona niavaka iray ny teny hoe “(ireo) andro”. Ohatra, i Isaia dia nahita ny fahitany “tamin’ny andron’i Ozia sy Jotama sy Ahaza ary Hezekia”, (Isaia 1:1), ary ny andron’i Noa sy i Lota dia voalaza fa ara-paminaniana. (Lioka 17:26-30). Ohatra hafa ny amin’ny fampiasana afaka miovaova na ara-panoharana ny teny hoe “andro” dia ny filazan’i Petera fa “ny indray andro amin’ny Tompo dia toy ny arivo taona”. (2 Pet. 3:8). Ao amin’ny fitantaran’ny Genesisy, dia fe-potoana iray lava kokoa aza ny andro famoronana — an’arivony taona maromaro. (Gen. 2:2, 3; Eks. 20:11). Ny teny manodidina ao amin’ny Baiboly no manondro ny hevitra izay ampiharana ny teny hoe “andro”.

9. a) Ahoana no niandohan’ny fizarana ny andro ho 24 ora izay misy 60 minitra ny ora tsirairay? b) Fanondroana ny fotoana inona avy no voatonona ao amin’ny Soratra Hebreo?

9 Ny ora. Ny fizarana ny andro ho 24 ora dia hita tany Egypta. Ny fizarantsika amin’ny andro maoderina ny ora ho 60 minitra dia niandoha avy tamin’ny matematika babyloniana, izay rafitra taenimpolo (nifototra tamin’ny isa 60). Tsy misy firesahana ny fizarana ho ora ao amin’ny Soratra Hebreo. a Tsy mizara ny andro ho ora voafaritra tsara ny Soratra Hebreo, fa mampiasa kosa fitenenana toy ny hoe “maraina” sy “mitataovovonana” ary “harivariva” ho fanondroana ny fotoana. (Gen. 24:11; 43:16; Deot. 28:29; 1 Mpanj. 18:26). Ny alina dia nozaraina ho fe-potoana telo nantsoina hoe “fiambenan-alina”, (Sal. 63:6), ka ny roa taminy dia nantsoina niavaka tsara tao amin’ny Baiboly hoe: “ny fiambenana faharoa”, (Mpits. 7:19), sy “ny fiambenana maraina”. — Eks. 14:24; 1 Sam. 11:11.

10. Ahoana no fomba fanisan’ny Jiosy ora tamin’ny andron’i Jesosy, ary amin’ny ahoana ny fahafantarana izany no hanampy antsika hanondro ny fotoana nahafatesan’i Jesosy?

10 Misy firesahana matetika ny amin’ny “ora” anefa ao amin’ny Soratra Grika Kristiana. (Jaona 12:23, NW; Matio 20:2-6). Ireo ora dia nisaina nanomboka teo amin’ny fiposahan’ny masoandro, na tamin’ny 6 ora maraina teo ho eo. Ny Baiboly dia miresaka ny amin’ny “ora fahatelo”, izay nety ho tamin’ny 9 ora maraina teo ho eo. Ny “ora fahenina” dia resahina ho ny fotoana izay naha-maizina an’i Jerosalema tamin’ny fanomboana an’i Jesosy. Izany dia ho nifanandrify tamin’ny 12 ora antoandro amintsika. Ny fialan’i Jesosy aina teo amin’ny hazo fijaliana dia nambara fa nitranga “tokony ho tamin’ny ora fahasivy”, na tamin’ny 3 ora tolakandro teo ho eo. — Marka 15:25; Lioka 23:44; Matio 27:45, 46. b

11. Hafiriana izay no nampiasana ny “herinandro” ho fandrefesana fotoana?

11 Ny herinandro. Teo am-piandohan’ny tantarany no efa nanomboka nanisa ny androny tamin’ny tsingerina fito ny olona. Tamin’ny fanaovana izany izy dia nanaraka ny ohatry ny Mpamorona azy, izay namarana tamim-pahombiazana ireo andro famoronany enina tamin’ny fe-potoana fahafito nantsoina koa hoe andro. Nanisa ireo andro tamin’ny tsingerina fito i Noa. Amin’ny teny hebreo, ny hoe “herinandro” dia manisy fitenenana ara-bakiteny ny amin’ny venty na fe-potoana impito. — Gen. 2:2, 3; 8:10, 12; 29:27.

12. Inona no atao hoe volana araka ny fihodinan’ny volana, ary amin’ny ahoana no hafa noho ireo volana maoderina ampiasaintsika izy io?

12 Ireo volana araka ny fihodinan’ny volana (mois lunaires). Miresaka ny amin’ “ireo volana araka ny fihodinan’ny volana” ny Baiboly. (Eks 2:2, NW; Deot. 21:13, NW; 33:14, NW; Ezra 6:15, NW ). Ireo volana maoderina ampiasaintsika dia tsy volana araka ny fihodinan’ny volana akory, satria tsy faritana amin’ny alalan’ny volana izy ireo. Tsy inona izy ireny fa fizarana anjoanjo fotsiny ny taona araka ny fihodinan’ny tany amin’ny masoandro (année solaire) ho 12. Ny volana iray araka ny fihodinan’ny volana, dia volana faritana amin’ny alalan’ny tsinam-bolana. Ny volana dia misy fisehoana efatra, izay mahaforona fe-potoana iray misy 29 andro sy 12 ora ary 44 minitra amin’ny antsalany. Mijery ny endriky ny volana fotsiny ny olona iray mba hamantarana hoe tokony ho andro inona amin’ny volana araka ny fihodinan’ny volana ilay andro.

13. Ahoana no niraketana an-tsoratra tamin’ny fomba araka ny marina ny Safodrano raha ny amin’ny fotoana?

13 Tsy nampiasa tamin’ny fomba hentitra ireo volana araka ny fihodinan’ny volana i Noa, fa toa nirakitra an-tsoratra kosa ireo fisehoan-javatra araka ireo volana nisy 30 andro avy. Tamin’ny alalan’ny diary notanan’i Noa tao anatin’ny sambo fiara, isika dia mahatakatra fa ireo ranon’ny Safodrano dia tsy nitsahatra nanafotra ny tany nandritra ny fe-potoana nisy dimy volana, na “dimam-polo amby zato andro”. Taorian’ny 12 volana sy 10 andro vao maina ny tany ka afaka nivoaka ireo tao anaty sambo fiara. Araka izany, ireny fisehoan-javatra niavaka ireny dia voarakitra an-tsoratra araka ny marina raha ny amin’ny fotoana. — Gen. 7:11, 24; 8:3, 4, 14-19.

14. a) Tamin’ny fomba ahoana no nanaovan’i Jehovah fandaharana ny amin’ireo vanin-taona? b) Hafiriana no hitohy ny fandaharana ny amin’ny vanin-taona?

14 Ireo vanin-taona. Tamin’ny fanomanana ny tany ho fonenana, i Jehovah dia nanao ny fandaharana feno fahendrena sy fitiavana ny amin’ireo vanin-taona. (Gen. 1:14, NW ). Izy ireo dia vokatry ny fihilanan’ny tany, na ny firaikany, izay mahaforona zoro mirefy 23,5 ° amin’ny lemaky ny zotrany manodidina ny masoandro. Izany dia miteraka ny fihilanan’ny Ila Bolan-tany Atsimo aloha mankany amin’ny masoandro, ary avy eo, enim-bolana aorian’izay, ny an’ny Ila Bolan-tany Avaratra, hany ka milahatra tsara ireo vanin-taona. Izany fiovan’ny vanin-taona izany dia manome fahasamihafana sy fifanoheran-javatra ary mifehy ny fotoana fambolena sy fijinjana. Manome toky antsika ny Tenin’Andriamanitra fa izany fandaharana ho an’ny fiovana sy ny fifanoheran’ny vanin-taona mandritra ny taona izany dia hitohy mandrakizay. “Raha mbola maharitra koa ny tany, dia tsy hanam-pitsaharana ny taom-pamafazana sy ny taom-pijinjana, ary ny hatsiaka sy ny hafanana ary ny fahavaratra sy ny ririnina, ary ny andro sy ny alina.” — Gen. 8:22.

15, 16. a) Ahoana no mety hizarana ny vanin-taona manorana ao amin’ny Tany Nampanantenaina? b) Lazalazao ireo vanin-taonan’ny orana sy ny fifandraisan’ireny vanin-taona ireny amin’ny asa fambolena.

15 Amin’ny ankapobeny, dia azo zaraina ho ny vanin-taona manorana sy ny vanin-taona maina ny taona ao amin’ny Tany Nampanantenaina. Manomboka amin’ny antenatenan’ny Aprily eo ho eo ka hatramin’ny antenatenan’ny Oktobra, dia tsy misy firy ny orana. Ny vanin-taona manorana dia azo zaraina ho “loha-orana”, na orana amin’ny fararano (Oktobra-Novambra); ny oram-be amin’ny ririnina sy ny toetr’andro mangatsiaka kokoa (Desambra-Febroary); ary ny “fara-orana”, na orana amin’ny lohataona (Martsa-Aprily). (Deot. 11:14; Joela 2:23). Ireo fizarana ireo dia tsy hentitra, satria mifanitsaka ireo vanin-taona noho ireo fiovaovan’ny toe-tany any amin’ny faritra samy hafa ao amin’ilay tany. Ny loha orana dia manalemy ny tany maina, hany ka ny Oktobra-Novambra no fotoana ho an’ny “fiasana ny tany” sy ho an’ny ‘famafazana’. (Eks. 34:21, NW; Lev. 26:5). Mandritra ny oram-be amin’ny ririnina manomboka amin’ny Desambra ka hatramin’ny Febroary, dia fahita ny firotsahan’ny oram-panala, ary amin’ny Janoary sy Febroary, dia mety hidina ambanin’ny zero degre ny maripana eny amin’ny toerana avo kokoa. Ny Baiboly dia miresaka ny amin’i Benaia, iray amin’ny lehilahy maherin’i Davida, ho namono liona iray “tamin’ilay andro nisy orampanala iny”. — 2 Sam. 23:20.

16 Ireo volana Martsa sy Aprily (tokony ho ireo volana hebreo Nisana sy Iara) no ireo volan’ny “fara-orana”. (Zak. 10:1). Io no fara orana, izay ilaina mba hampitomboana ny voa nambolena tamin’ny fararano, hany ka mety ho tsara ny vokatra. (Hosea 6:3; Jak. 5:7). Izy io koa no vanin-taonan’ny vokatra aloha, ary nandidy ny Isiraely Andriamanitra mba hanolotra ireo voaloham-bokatra amin’ny 16 Nisana. (Lev. 23:10; Rota 1:22). Izany dia fotoan’ny hatsaran-tarehy sy ny fahafinaretana. “Miposaka eo amin’ny tany ny voninkazo; tonga ny taona fanaovam-peo fifaliana, ary re atỳ amin’ny tanintsika ny feon’ny domohina. Ny aviavy mahamanitra ny voany tanora, mamony ny voaloboka ka mamerovero tsara.” — Tonon. 2:12, 13.

17. a) Ahoana no amelomana ireo voly mandritra ny vanin-taona maina? b) Diniho ilay tabilao hoe “Ny Taona teo Amin’ireo Isiraelita” ary zarao ny taona, arakaraka ny vanin-taona voaresaka eo amin’ny fehintsoratra faha-15-17. d) Oviana no tonga ny voaloham-bokatra sy ny fijinjana ny voamadinika ary ny fotoana niotazana ny voankazo rehetra, ary andro firavoravoana inona avy no nifanandrify tamin’ireo fisehoan-javatra ireo?

17 Eo antenatenan’ny Aprily eo ho eo no manomboka ny vanin-taona maina, kanefa saika hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny faran’io fe-potoana io, ary indrindra fa eny amin’ny lemaka amoron-tsiraka sy ireo ilan-kavoana andrefan’ny tendrombohitra, dia mamelona ireo voly amin’ny fahavaratra ny ando be dia be. (Deot. 33:28). Mandritra ny May, dia jinjaina ny voly voamadinika, ary tamin’ny faran’io volana io no nankalazaina ny Andro Firavoravoana Amin’ireo Herinandro (Pentekosta). (Lev. 23:15-21). Avy eo, rehefa mihamafana kokoa ny toetr’andro sady mihamaina kokoa ny tany, dia masaka ny voaloboka ary otazana. Manaraka izany ny fiotazana ireo voankazo masaka fahavaratra hafa, toy ny oliva sy ny antrendry ary ny aviavy. (2 Sam. 16:1). Tamin’ny fifaranan’ny vanin-taona maina sy ny fanombohan’ireo loha orana, dia efa voajinja avokoa ireo vokatr’ilay tany rehetra, ary tamin’izay (tany am-piandohan’ny Oktobra tany ho any) no natao ny Andro Firavoravoana Fitoerana Amin’ny Trano Rantsan-kazo, na Tabernakely. — Eks. 23:16; Lev. 23:39-43.

18. a) Nahoana no mifanentana tsara ny hevitry ny teny hebreo hoe “taona”? b) Inona no atao hoe taona marina araka ny fihodinan’ny tany amin’ny masoandro raha ny amin’ny tany?

18 Ny taona. Ny fianarantsika momba ny fotoana ao amin’ny Baiboly izao dia mitondra antsika ho amin’ny fitenenana hoe “taona”. Hatramin’ny fiandohan’ny tantaran’olombelona, dia voaresaka izy io. (Gen. 1:14). Ny teny hebreo ilazana ny “taona” dia hoe sha·nahʹ, avy amin’ny fototeny izay midika hoe “mamerina, manao indray” ary mifono ny hevitra hoe tsingerim-potoana. Nifanentana izany, satria isan-taona dia niverina ny tsingerin’ireo vanin-taona. Ny taona iray eto an-tany dia ny fotoana lanin’ny tany hanaovana fihodinana, na dia, feno iray manodidina ny masoandro. Ny fotoana marina lanintsika eto an-tany hamitana izany dia izany dia 365 andro sy 5 ora sy 48 minitra ary 46 segondra, na tokony ho 365 andro sy 1/4. Io no antsoina hoe taona marina araka ny fihodinan’ny tany amin’ny masoandro.

19. a) Ahoana no nanisana ireo taona fahiny ao amin’ny Baiboly? b) “Taona ara-pivavahana” inona no navoakan’i Jehovah ho didy tatỳ aoriana?

19 Ireo taona ao amin’ny Baiboly. Araka ny fanisana ara-baiboly fahiny, ny taona dia nanomboka tamin’ny fararano ka nifarana tamin’ny fararano. Izany dia nety indrindra tamin’ny fambolena, ka ny taona dia nanomboka tamin’ny fiasana ny tany sy ny famafazana, teo amin’ny tapany voalohany amin’ny volana Oktobra ampiasaintsika, ary nifarana tamin’ny fanangonana ny vokatra. Nanisa ny taona ho nanomboka tamin’ny fararano i Noa. Nirakitra an-tsoratra ny Safodrano ho nanomboka “tamin’ny volana faharoa”, izay nifanandrify tamin’ny tapany farany amin’ny volana Oktobra sy ny tapany voalohany amin’ny volana Novambra, izy. (Gen. 7:11, NW, f.a.p.). Hatramin’izao andro izao, dia mponina maro eto an-tany no mbola manomboka ny taombaovaony amin’ny fararano. Tamin’ny fotoan’ny Fifindrana Rodobe avy tany Egypta, tamin’ny 1513 al.f.i., dia namoaka didy i Jehovah fa ny Abiba (Nisana) no tokony hanjary ho “voaloham-bolana” ho an’ny Jiosy, hany ka nanana taona ara-pivavahana izy ireo izao, nanomboka tamin’ny lohataona ka nifarana tamin’ny lohataona. (Eks. 12:2). Kanefa, ireo Jiosy amin’izao androntsika izao dia manaraka taona tsy ara-pivavahana, na sivily, taona izay manomboka amin’ny fararano, ka ny Tisry no volana voalohany.

20. Ahoana no nanitsiana ny taona araka ny fihodinan’ny volana mba hifanandrify tamin’ny taona araka ny fihodinan’ny tany amin’ny masoandro ary inona no atao hoe taona araka ny masoandro sy ny volana?

20 Ny taona araka ny masoandro sy ny volana (année luni-solaire). Hatramin’ny andron’i Kristy, dia nampiasa taona araka ny fihodinan’ny volana ny ankamaroan’ireo firenena mba hanisana ny fotoana, ka nampiasa fomba samihafa nanitsiana ny taona mba hifanandrify kokoa tamin’ny taona araka ny fihodinan’ny tany amin’ny masoandro. Ny taona araka ny fihodinan’ny volana mahazatra misy 12 volana araka ny fihodinan’ny volana dia misy 354 andro, ka ireo volana dia misy 29 na 30 andro, arakaraka ny fisehoan’ny tsinam-bolana tsirairay. Noho izany, ny taona araka ny fihodinan’ny volana dia latsaka 11 andro sy 1/4 eo ho eo raha oharina amin’ny taona marina araka ny fihodinan’ny tany amin’ny masoandro misy 365 andro sy 1/4. Ireo Hebreo dia nanaraka ny taona araka ny fihodinan’ny volana. Tsy hazavaina ao amin’ny Baiboly ny fomba nanitsian’izy ireo io taona io mba hifanandrify amin’ny taona araka ny fihodinan’ny tany amin’ny masoandro sy ireo vanin-taona. Kanefa tsy maintsy ho nanampy volana amboniny, na natsofoka, izy ireo rehefa nilaina izany. Tatỳ aoriana, tamin’ny taonjato fahadimy al.f.i., dia nalamina mba hahaforona izay fantatra ankehitriny hoe ny tsingerina métonien, ny fandaharana ireo volana natsofoka. Izany dia namela ny fanampiana impito ilay volana natsofoka isaky ny 19 taona, ary tao amin’ny kalandrie jiosy, dia nanampy taorian’ny Adara, volana faha-12 izy io, ary nantsoina hoe Veadara, na “Adara faharoa”. Rehefa nahitsy toy izany tamin’ny masoandro ny kalandrie araka ny fihodinan’ny volana, ireo taona izay nisy 12 na 13 volana dia nanjary fantatra hoe taona araka ny masoandro sy ny volana.

21. a) Inona no atao hoe kalandrie joliana? b) Nahoana no araka ny marina kokoa ny kalandrie gregoriana?

21 Kalandrie joliana sy gregoriana. Ny kalandrie iray dia rafitra famerana ny fiandohan’ny taona sy ny halavany ary ireo fizarany, sady rafitra fandaharana ireny fizarana ireny. Ny kalandrie joliana dia nampidirin’i Jules César tamin’ny 46 al.f.i., mba hanomezana ho an’ny vahoaka romana fomba fandaharana ny fotoana miorina amin’ny taona araka ny fihodinan’ny tany amin’ny masoandro, ho solon’ny taona araka ny fihodinan’ny volana. Ny kalandrie joliana dia misy 365 andro ao anatin’ny herintaona, afa-tsy isaky ny taona fahefatra (taona bissextile), izay ampiana andro iray, mba hahalasa azy ho 366 andro. Kanefa, arakaraka ny fandehan’ny fotoana, dia hita fa ny taona araka ny kalandrie joliana, raha ny marina, dia mihoatra 11 minitra mahery kely amin’ny taona marina araka ny fihodinan’ny tany amin’ny masoandro. Tamin’ny taonjato faha-16 am.f.i., dia nihandrona ny elanelana folo andro feno. Araka izany, tamin’ny 1582, dia nampiditra fanitsiana kely ny Papa Gregoire XIII, ka nanorina izay fantatra ankehitriny hoe ny kalandrie gregoriana. Tamin’ny alalan’ny didy navoakan’ny papa dia nanesorana folo andro ny taona 1582, hany ka lasa 15 Oktobra ny andro nanaraka ny 4 Oktobra. Ny kalandrie gregoriana dia nametraka ho fepetra fa ireo taonjato tsy azo zaraina amin’ny isa 400 dia tsy ho azo heverina ho taona bissextile. Ohatra, tsy toy ny taona 2000, ny taona 1900 dia tsy natao ho taona bissextile satria ny isa 1 900 dia tsy azo zaraina amin’ny isa 400. Ny kalandrie gregoriana ankehitriny no fampiasa any amin’ny ankamaroan’ny faritra eo amin’izao tontolo izao.

22, 23. Hafiriana ny faharetan’ny taona ara-paminaniana iray?

22 “Taona” ara-paminaniana. Ao amin’ny faminanian’ny Baiboly ny teny hoe “taona” dia matetika ampiasaina amin’ny heviny manokana ho mitovy amin’ny 12 volana, ka misy 30 andro ny volana tsirairay, izany hoe 360 andro ny tontaliny. Mariho izay nolazain’ny fahefana iray tamin’ny fanazavana ny Ezekiela 4:5, 6: “Tsy maintsy mihevitra isika fa nahafantatra taona iray nisy 360 andro i Ezekiela. Tsy taona marina araka ny fihodinan’ny tany amin’ny masoandro izy io no sady tsy taona araka ny fihodinan’ny volana. Taona amin’ny ‘antsalany’ izy io, izay misy 30 andro ny volana tsirairay ao aminy.” c

23 Antsoina koa hoe “fetr’andro” iray ny taona ara-paminaniana iray ary ny fandinihana ny Apokalypsy 11:2, 3 sy ny 12:6, 14 dia mampiharihary ny fomba fanisana ny “fetr’andro” iray ho 360 andro. Ao amin’ny faminaniana, ny taona iray indraindray dia aseho ara-panoharana koa ho “andro” iray. — Ezek. 4:5, 6.

24. Tamin’ny fomba ahoana no nanombohan’ireo olona fahiny ny fanisany?

24 Tsy misy taona zero. Ireo olona fahiny, anisan’izany ireo Grika nahita fianarana sy ireo Romana ary ireo Jiosy dia tsy nahalala ny isa zero. Ho azy ireo dia nisaina nanomboka tamin’ny isa iray ny zava-drehetra. Rehefa nianatra ireo tarehimarika romana ianao tany an-tsekoly (I, II, III, IV, V, X, sns.), nianaranao ve ny marika zero? Tsia, satria tsy nanana azy io ny Romana. Koa satria tsy nampiasa ny isa zero ny Romana, dia tsy nanomboka tamin’ny taona zero ny Fanisan-taona Iraisana, fa tamin’ny taona 1 am.f.i. Izany koa dia nampipoitra ny fandaharana isa filazana filaharana, toy ny voalohany, ny faharoa (faha-2), ny fahatelo (faha-3), ny fahafolo (faha-10) ary ny fahazato (faha-100). Amin’ny matematika maoderina, ny olona dia mihevitra fa ny zava-drehetra dia manomboka amin’ny tsy misy na zero. Noforonin’ny Hindoa angamba ny zero.

25. Inona no maha-samy hafa ny isa tsotra sy ny isa filazana filaharana?

25 Araka izany, isaky ny ampiasaina ireo isa filazana filaharana, dia tsy maintsy manala isa iray mandrakariva isika mba hahazoana ny isa feno. Ohatra, rehefa miresaka ny amin’ny daty iray ao anatin’ny taonjato faha-20 am.f.i. isika, midika ve izany fa misy taonjato 20 feno amin’izany? Tsia, fa midika kosa izany hoe taonjato 19 feno ampiana taona sasantsasany. Mba hilazana isa feno, dia mampiasa isa tsotra toy ny 1, 2, 3, 10 ary 100 ny Baiboly sy ny matematika maoderina. Izy ireny dia antsoina koa hoe “isa tsy mivaky”.

26. Ahoana no anisanao a) ireo taona manomboka amin’ny 1 Oktobra 607 al.f.i. ka hatramin’ny 1 Oktobra 1914 am.f.i.? b) ireo 2 520 taona manomboka amin’ny 1 Oktobra 607 al.f.i.?

26 Izao àry, satria ny Fanisan-taona Iraisana tsy nanomboka tamin’ny taona zero fa tamin’ny taona 1 am.f.i., ary satria ny kalandrie ho an’ireo taona talohan’ny Fanisan-taona Iraisana dia tsy nisaina niverina nanomboka tamin’ny taona zero fa tamin’ny taona 1 al.f.i., dia isa filazana filaharana, raha ny marina, ny marika ampiasaina ho an’ny taona amin’ny daty rehetra. Izany dia midika hoe ny taona 1990 am.f.i. dia mampiseho 1989 taona feno raha ny marina, avy teo amin’ny fiandohan’ny Fanisan-taona Iraisana, ary ny daty 1 Jolay 1990, dia mampiseho 1 989 taona ampiana antsasa-taona avy teo amin’ny fiandohan’ny Fanisan-taona Iraisana. Izany fotopoto-pitsipika izany ihany no ampiharina amin’ireo daty al.f.i. Koa mba hahafantarana ny isan’ireo taona teo anelanelan’ny 1 Oktobra 607 al.f.i. sy ny 1 Oktobra 1914 am.f.i., dia ampio 606 taona (ampiana ireo telo volana farany tamin’ny taona teo aloha) ny 1 913 (ampiana ireo sivy volana voalohany tamin’ny taona nanaraka), ary ny valiny dia 2 519 (ampiana 12 volana), na 2 520 taona. Na raha tianao ny hahafantatra hoe inona no daty 2 520 taona aorian’ny 1 Oktobra 607 al.f.i., dia tadidio fa isa filazana filaharana ny 607 — mampiseho 606 taona feno izy io raha ny marina — ary satria isika manisa, tsy manomboka amin’ny 31 Desambra 607 al.f.i. fa manomboka amin’ny 1 Oktobra 607 al.f.i., dia tsy maintsy ampiantsika ireo telo volana tamin’ny faran’ny 607 al.f.i. ny 606. Izao dia analao 606 sy 1/4 ny 2 520 taona. Ny ambiny dia 1 913 sy 3/4. Izany dia midika fa ireo 2 520 taona manomboka amin’ny 1 Oktobra 607 al.f.i., dia mitondra antsika 1 913 taona sy 3/4 ho atỳ amin’ny Fanisan-taona Iraisana — ny 1 913 taona feno dia mitondra antsika ho amin’ny fiandohan’ny taona 1914 am.f.i., ary ireo telo ampahefatry ny taona fanampiny dia mitondra antsika ho amin’ny 1 Oktobra 1914 am.f.i. d

27. Inona no atao hoe daty fototra, ary nahoana no sarobidy indrindra izy ireny?

27 Ireo daty fototra. Ny fandaharan-taona azo itokiana ao amin’ny Baiboly dia miorina amin’ny daty fototra sasany. Ny daty fototra iray dia daty iray teo amin’ny tantara izay manana fototra mafy orina azo ekena sady mifanandrify amin’ny fisehoan-javatra voafaritra tsara voarakitra an-tsoratra ao amin’ny Baiboly. Izy io àry dia azo ampiasaina ho daty fiaingana azo amaritana amin’ny fomba azo antoka eo amin’ny kalandrie ny fitohitohizana fisehoan-javatra ao amin’ny Baiboly. Rehefa voafaritra tsara io daty fototra io, ireo asa marika mandroso na miverina hatramin’io daty io dia atao avy amin’ny firaketana an-tsoratra araka ny marina ao amin’ny Baiboly mihitsy. Ohatra ny amin’izany ireo androm-piainan’olona na ny faharetan’ny fotoana nanjakan’ireo mpanjaka, voambara ao. Noho izany, amin’ny fanombohana avy amin’ny daty voafaritra iray, isika dia afaka mampiasa ny fandaharan-taona azo itokiana ao amin’ny Baiboly mihitsy, amin’ny fikarohana ny datin’ireo fisehoan-javatra maro ao amin’ny Baiboly.

28. Daty fototra inona no omena ho an’ny Soratra Hebreo?

28 Daty fototra ho an’ny Soratra Hebreo. Ny fisehoan-javatra malaza iray voarakitra an-tsoratra ao amin’ny Baiboly sy ao amin’ny tantara tsy ara-pivavahana dia ny fanjeran’ny Mediana sy ny Persiana teo ambany fitarihan’i Kyrosy, ny tanànan’i Babylona. Mirakitra an-tsoratra io fisehoan-javatra io ny Baiboly ao amin’ny Daniela 5:30. Loharanon-kevitra ara-tantara samihafa (anisan’izany i Diodore, i Africanus, i Eusèbe, i Ptolémée, ary ireo takelaka babyloniana) no manohana ny taona 539 al.f.i. ho ny taona nanjeran’i Kyrosy an’i Babylona. Ny Tantaran’i Nabonida dia manome ny volana sy ny andro nianjeran’ilay tanàna (tsy ao ny taona). Ireo mpandahatra taona tsy ara-pivavahana dia nametra araka izany ny datin’ny fianjeran’i Babylona ho ny 11 Oktobra 539 al.f.i., araka ny kalandrie joliana, na ny 5 Oktobra araka ny kalandrie gregoriana. e

29. Oviana no navoaka ny didin’i Kyrosy, ka nanome fahafahana ho an’ny inona izany?

29 Nanaraka ny fianjeran’i Babylona sy nandritra ny taona voalohany nanapahany teo amin’i Babylona azo babo, i Kyrosy dia namoaka ilay didiny malaza izay namela ireo Jiosy hiverina tany Jerosalema. Raha jerena ny firaketana an-tsoratra ao amin’ny Baiboly, dia azo inoana fa navoaka tany amin’ny faran’ny taona 538 al.f.i. ilay didy, na nanakaiky ny lohataonan’ny taona 537 al.f.i. Izany dia nanome fahafahana malalaka ho an’ireo Jiosy hanorim-ponenana indray tany amin’ny tanindrazany sy hiakatra ho any Jerosalema mba hamerina amin’ny laoniny ny fanompoam-pivavahana tamin’i Jehovah tamin’ny “volana fahafito”, Tisry, na tamin’ny 1 Oktobra 537 al.f.i. tany ho any. — Ezra 1:1-4; 3:1-6. f

30. Ahoana no amaritana fa ny 29 am.f.i. dia daty fototra iray ho an’ny Soratra Grika Kristiana?

30 Daty fototra ho an’ny Soratra Grika Kristiana. Ny daty fototra iray ho an’ny Soratra Grika Kristiana dia faritana avy amin’ilay daty izay nandimbasan’i Tiberio Kaisara ny Emperora Aogosto. Maty tamin’ny 17 Aogositra 14 am.f.i. (kalandrie gregoriana) i Aogosto; notendren’ny Antemieran-doholona romana ho emperora i Tiberio tamin’ny 15 Septambra 14 am.f.i. Voalaza ao amin’ny Lioka 3:1, 3 fa nanomboka ny fanompoany tamin’ny taona faha-15 nanjakan’i Tiberio i Jaona Mpanao Batisa. Raha nisaina avy teo amin’ny nahafatesan’i Aogosto ireo taona, ny taona faha-15 dia nanomboka tamin’ny Aogositra 28 am.f.i. ka hatramin’ny Aogositra 29 am.f.i. Raha nisaina avy teo amin’ny nanendren’ny Antenimieran-doholona an’i Tiberio ho emperora ilay taona, dia nanomboka tamin’ny Septambra 28 am.f.i. ka hatramin’ny Septambra 29 am.f.i. Tsy ela taorian’izay, dia tonga mba hatao batisa i Jesosy, izay zandrin’i Jaona Mpanao Batisa enim-bolana teo ho eo, rehefa “tokony ho efa telo-polo taona” izy. (Lioka 3:2, 21-23; 1:34-38). Izany dia mifanaraka amin’ny faminaniana ao amin’ny Daniela 9:25 fa 69 “herinandro” (herinandro ara-paminaniana misy 7 taona avy, ka araka izany dia mitontaly ho 483 taona) no ho lasa hatramin’ny “hivoahan’ny didy hanavaozana sy hanamboarana an’i Jerosalema” sy ny mandany ka hatramin’ny fisehoan’ny Mesia. (Dan. 9:24, NW, f.a.p.). Io “didy” io dia nanomezan’i Artaksersesy (Longimanus) lalana tamin’ny 455 al.f.i. ary nataon’i Nehemia nanan-kery tany Jerosalema tamin’ny tapany farany tamin’io taona io. Ary 483 taona tatỳ aoriana, tamin’ny tapany farany tamin’ny 29 am.f.i., rehefa nataon’i Jaona batisa i Jesosy, dia voahosotry ny fanahy masina avy tamin’Andriamanitra koa izy, ka noho izany dia tonga ny Mesia, na Ilay Voahosotra. Ny hoe natao batisa sy nanomboka ny fanompoany tamin’ny tapany farany tamin’io taona io i Jesosy, dia mifanaraka koa amin’ilay faminaniana fa hovonoina ‘amin’ny antsasaky ny herinandro’ taona (na aorian’ny telo taona sy tapany) izy. (Dan. 9:27). Koa satria izy maty tamin’ny lohataona, dia tsy maintsy ho nanomboka tany akaikin’ny fararanon’ny taona 29 am.f.i. ny fanompoany izay naharitra telo taona sy tapany. g Marihina kely eto fa ireo fanaporofoan-kevitra roa ireo koa dia miara-manamarina fa teraka tamin’ny fararanon’ny taona 2 al.f.i. i Jesosy, satria ny Lioka 3:23 dia mampiseho fa 30 taona teo ho eo i Jesosy rehefa nanomboka ny asany. h

31. a) Nahoana no miseho ho miovaova ny hafaingan’ny fandehan’ny fotoana? b) Inona no tombontsoa ananan’ny tanora araka izany?

31 Ny antony mampandeha ny fotoana haingana kokoa. Misy fitenenana tranainy iray milaza hoe “andrandrain-tsy tonga, nefa nony avela, tonga ho azy”. Marina fa rehefa mijery fotoana isika, rehefa mahatsapa azy io isika, rehefa miandry zavatra hitranga isika, dia toa mandeha miadana aoka izany izy io amin’izay. Kanefa, raha sahirana miasa isika, raha liana sy variana amin’ny zavatra ataontsika isika, dia toa tena “mihazakazaka ny fotoana” amin’izay. Ambonin’izany, dia toa mandeha haingana kokoa ny fotoana amin’ireo olona be taona kokoa, tsy toy ny amin’ireo ankizy. Nahoana no toy izany? Ny taona iray anampy ny fiainan’ny zaza herintaona dia midika ho fitomboana 100 isan-jato amin’ny fanandraman-javatra hitany eo amin’ny fiainana. Ny taona iray anampy ny fiainan’ny olona 50 taona dia midika ho 2 isan-jato monja amboniny. Ho an’ny zaza iray, dia toa fotoana lava be ny herintaona. Ny olon-dehibe, raha sahirana miasa sy salama tsara, dia mahita fa ireo taona dia toa mihazakazaka haingana kokoa hatrany. Manjary mahazo amin’ny fomba lalina kokoa ny hevitr’ireto tenin’i Solomona ireto izy: “Tsy misy zava-baovao akory atỳ ambanin’ny masoandro”. Etsy an-danin’izany, ireo tanora dia mbola ao anatin’ireo taona iforonan’ny maha-izy azy toa mandeha miadana kokoa. Azon’izy ireo atao ny mampiasa ireny taona ireny amin’ny fomba ahitam-boka-tsoa toy ny hoe mitondra harena ho azy ireo ny fanandraman-javatra araka an’Andriamanitra, toy izay ‘hisambo-drivotra foana’ miaraka amin’izao tontolo izao tia fatratra zavatra ara-nofo. Tonga amin’ny fotoana mety ireto tenin’i Solomona fanampiny ireto: “Ary tsarovy ny Mpanao anao amin’ny andro fahatanoranao, dieny tsy mbola tonga ny andro mahory, ary tsy mbola mihatra ny taona izay hanaovanao hoe: Tsy sitrako izao”. — Mpit. 1:9, 14; 12:1.

32. Ahoana no ahafahan’ny olombelona ho tonga amin’ny fahatakarana amin’ny fomba feno kokoa ny fomba fijerin’i Jehovah ny fotoana?

32 Ny fotoana — rehefa hiaina mandrakizay ny olona. Mivelatra eo anoloantsika anefa ireo andro mahafaly izay tsy hahory velively. Ireo tia ny rariny, izay ‘eo an-tanan’i Jehovah ny androny’, dia afaka miandry amim-panantenana ny fiainana mandrakizay ao anatin’ny faritra hotapahin’ny Fanjakan’Andriamanitra. (Sal. 31:14-16; Matio 25:34, 46). Eo ambanin’ny fitondran’ilay Fanjakana, dia tsy hisy intsony ny fahafatesana. (Apok. 21:4). Ho efa nanjavona ny fidonanaham-poana, ny aretina, ny fahasorisorena ary ny zava-poana. Hisy asa hatao, hahavariana sy hahaliana, izay hitaky fanehoana ireo fahaizan’ny olona lavorary sady hitondra fahafaham-po lalina ny fanatanterahana azy. Ireo taona dia ho toa mandeha haingana kokoa, ary ireo saina mahay mankasitraka sy mitadidy zavatra dia hofenoina tsy an-kijanona amin’ny fahatsiarovana ireo fisehoan-javatra mahafaly. Rehefa mandeha ireo taona an’arivony maro, dia tsy isalasalana fa hanjary hahatakatra amin’ny fomba feno kokoa ny fomba fihevitr’i Jehovah ny fotoana ireo olombelona eto an-tany: ‘Fa eo imason’i Jehovah ny arivo taona dia toy ny fandalon’ny omaly.’ — Sal. 90:4.

33. Raha ny amin’ny fotoana, fitahiana inona no voadidin’i Jehovah?

33 Amin’ny fijerena ny fandehan’ny fotoana avy eto amin’ny toerantsika olombelona ankehitriny sy amin’ny fiheverana ny fampanantenan’Andriamanitra tontolo vaovao anjakan’ny rariny, dia mahafaly toy inona moa ny fahatsinjovana ireo fitahiana amin’izany andro izany: “Fa voadidin’i Jehovah ho eo ny fitahiana, dia fiainana ho mandrakizay”! — Sal. 133:3.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Ny teny hoe “ora” dia miseho ao amin’ny King James Version ao amin’ny Daniela 3:6, 15; 4:19, 33; 5:5, avy tamin’ny teny aramiana; kanefa ny Concordance, Hebrew and Chaldee Dictionary nataon’i Strong, dia manome ny hevitr’ilay teny ho “indray mipy maso, izany hoe fotoana fohy”. Adika hoe “fotoana fohy” izy io ao amin’ny Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao.

b Jereo ny fanamarihana ambany pejy ao amin’ireo andinin-teny ireo ao amin’ny Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao.

c Biblical Calendars, 1961, nataon’i J. Van Goudoever, pejy 75.

d Auxiliaire pour une meilleure intelligence de la Bible, pejy 281.

e Insight on the Scriptures, Boky 1, pejy 453-454; Auxiliaire pour une meilleure intelligence de la Bible, pejy 282, 1058.

f Auxiliaire pour une meilleure intelligence de la Bible, pejy 356.

g Auxiliaire pour une meilleure intelligence de la Bible, pejy 1412-1415.

h Auxiliaire pour une meilleure intelligence de la Bible, pejy 805-806.

[Fanontaniana]

[Tabilao, pejy 281]

NY TAONA TEO AMIN’IREO ISIRAELITA

Anaran’ny Volana Nisana (Abiba)

Mifanandrify Amin’ny Martsa - Aprily

Taona Ara-pivavahana Volana voalohany

Taona Tsy Ara-pivavahana Volana faha-7

Fakan-teny Eks. 13:4; Neh. 2:1

Andro Firavoravoana 14 Nisana Paska

15-21 Nisana Andro Firavoravoana Amin’ny Mofo Tsy Misy Masirasira

16 Nisana Fanolorana ny voaloham-bokatra

Anaran’ny Volana Iara (Ziva)

Mifanandrify Amin’ny Aprily - May

Taona Ara-pivavahana Volana faha-2

Taona Tsy Ara-pivavahana Volana faha-8

Fakan-teny 1 Mpanj. 6:1

Anaran’ny Volana Sivana

Mifanandrify Amin’ny May - Jona

Taona Ara-pivavahana Volana faha-3

Taona Tsy Ara-pivavahana Volana faha-9

Fakan-teny Est. 8:9

Andro Firavoravoana 6 Sivana Andro Firavoravoana

Amin’ireo Herinandro (Pentekosta)

Anaran’ny Volana Tamoza

Mifanandrify Amin’ny Jona - Jolay

Taona Ara-pivavahana Volana faha-4

Taona Tsy Ara-pivavahana Volana faha-10

Fakan-teny Jer. 52:6

Anaran’ny Volana Aba

Mifanandrify Amin’ny Jolay - Aogositra

Taona Ara-pivavahana Volana faha-5

Taona Tsy Ara-pivavahana Volana faha-11

Fakan-teny Ezra 7:8

Anaran’ny Volana Elola

Mifanandrify Amin’ny Aogositra - Septambra

Taona Ara-pivavahana Volana faha-6

Taona Tsy Ara-pivavahana Volana faha-12

Fakan-teny Neh. 6:15

Anaran’ny Volana Tisry (Etanima)

Mifanandrify Amin’ny Septambra - Oktobra

Taona Ara-pivavahana Volana faha-7

Taona Tsy Ara-pivavahana Volana voalohany

Fakan-teny 1 Mpanj. 8:2

Andro Firavoravoana 1 Tisry Andro fitsofana ny trompetra

10 Tisry Andro Fanavotana

15-21 Tisry Andro Firavoravoana Fitoerana

Amin’ny Trano Rantsankazo

22 Tisry Fivoriana manetriketrika

Anaran’ny Volana Hesvana (Bola)

Mifanandrify Amin’ny Oktobra - Novambra

Taona Ara-pivavahana Volana faha-8

Taona Tsy Ara-pivavahana Volana faha-2

Fakan-teny 1 Mpanj. 6:38

Anaran’ny Volana Kisleva

Mifanandrify Amin’ny Novambra - Desambra

Taona Ara-pivavahana Volana faha-9

Taona Tsy Ara-pivavahana Volana faha-3

Fakan-teny Neh. 1:1

Anaran’ny Volana Tebeta

Mifanandrify Amin’ny Desambra - Janoary

Taona Ara-pivavahana Volana faha-10

Taona Tsy Ara-pivavahana Volana faha-4

Fakan-teny Est. 2:16

Anaran’ny Volana Sebata

Mifanandrify Amin’ny Janoary - Febroary

Taona Ara-pivavahana Volana faha-11

Taona Tsy Ara-pivavahana Volana faha-5

Fakan-teny Zak. 1:7

Anaran’ny Volana Adara

Mifanandrify Amin’ny Febroary - Martsa

Taona Ara-pivavahana Volana faha-12

Taona Tsy Ara-pivavahana Volana faha-6

Fakan-teny Est. 3:7

Anaran’ny Volana Veadara

Mifanandrify Amin’ny (Volana natsofoka)

Taona Ara-pivavahana Volana faha-13