Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fianarana Faha-4 — Ny Baiboly sy ny Kanônany

Fianarana Faha-4 — Ny Baiboly sy ny Kanônany

Fianarana Momba ny Soratra Ara-tsindrimandry sy ny Tantara Momba Azy

Fianarana Faha-4 — Ny Baiboly sy ny Kanônany

Ny fiandohan’ny teny hoe “Baiboly”; famaritana ireo boky anisan’ny Tahirim-bokin’Andriamanitra ara-dalàna; fandavana ny Apokrifa.

1, 2. a) Inona moa no hevitra ankapoben’ny teny grika hoe bi·bliʹa? b) Ahoana no ampiasana azy io sy ireo teny mifandray aminy, ao amin’ny Soratra Grika Kristiana? d) Ahoana no nahatongavan’ny teny hoe “Baiboly” tao amin’ny fiteny malagasy?

 KOA satria lazaina amin’ny fomba mahazatra ho ny Baiboly ny Soratra ara-tsindrimandry, dia mahaliana ny manadihady ny amin’ny fiandohana sy ny dikan’ny teny hoe “Baiboly”. Izy io dia avy amin’ny teny grika bi·bliʹa, izay midika hoe “boky kely”. Io indray dia avy amin’ny biʹblos, teny ilazalazana ny faritra anatiny amin’ny zavamaniry atao hoe papyrus (karazan-jozoro) izay avy taminy no nanaovana “taratasy” fanoratana, tamin’ny andro fahiny. (Nanjary nantsoin’ny Grika hoe Byblos i Gebala, seranan-tsambo fenisiana, izay nampandalovana ny papyrus nohafarana avy tany Egypta. Jereo ny Josoa 13:5, NW, f.a.p.) Hevitra nampitaina an-tsoratra samihafa natao teo amin’io karazana fitaovana io no nanjary fantatra tamin’ny teny hoe bi·bliʹa. Araka izany, ny bi·bliʹa dia nanjary nilazalazana izay nety ho asa soratra, horonam-boky, boky, tahirin-kevitra, na fitambaran-tsoratra na fitambarana boky kely ho an’ny tahirim-boky mihitsy aza.

2 Mahagaga fa ny teny hoe “Baiboly” mihitsy mazàna dia tsy hita ao amin’ny soratra ho an’ny fandikana ny Soratra Masina amin’ny fiteny malagasy na fiteny hafa. Kanefa, tamin’ny taonjato faharoa al.f.i., ny fitambaran’ireo boky ara-tsindrimandry ao amin’ny Soratra Hebreo dia noresahina tamin’ny fiteny grika ho ta bi·bliʹa. Ao amin’ny Daniela 9:2 dia nanoratra toy izao ilay mpaminany: “Izaho Daniela nahalala tamin’[ireo, NW ] boky (...)”. Mampiasa ny biʹblois, endriky ny fameno milaza maro ho an’ny biʹblos eto ny Septante. Ao amin’ny 2 Timoty 4:13, dia nanoratra i Paoly hoe: “Ento, raha mankatỳ hianao, (...) ny [horonam-boky, NW ] [Grika: bi·bliʹa]”. Amin’ireo endriny ara-pitsipi-pitenenana maromaro dia miseho in-40 mahery ireo teny grika bi·bliʹon sy biʹblos ao amin’ny Soratra Grika Kristiana ary adika mazàna hoe “(ireo) horonam-boky” na “(ireo) boky”. Nampiasaina tamin’ny teny latina ho teny milaza tokana ny bi·bliʹa tatỳ aoriana, ary avy tamin’ny teny latina, dia tonga tao amin’ny fiteny malagasy ny teny hoe “Baiboly”.

3. Ahoana no nanaporofoan’ireo mpanoratra ny Baiboly fa Tenin’Andriamanitra ara-tsindrimandry izy io?

3 Tenin’Andriamanitra izy io. Tenin’Andriamanitra ny Baiboly, amin’ny heviny feno indrindra, fanambarany manokana ara-tsindrimandry ho an’ny olona, na dia lehilahy samihafa aza no nampiasaina tamin’ny fanoratana azy io ara-tsindrimandry ary mbola nisy hafa koa nandray anjara tamin’ny fandikana azy avy tamin’ny fiteny tany am-boalohany ho amin’ny fiteny azo soratana ankehitriny. Nihevitra azy io toy izany ny tenan’ireo mpanoratra nahazo tsindrimandry, araka ny porofoin’ny fampiasany fomba fitenenana toy ny hoe ‘[teny, NW ] aloaky ny vavan’i Jehovah’, (Deot. 8:3), ‘teny nolazain’i Jehovah’, (Josoa 24:27), “lalàn’i Jehovah”, (Ezra 7:11), “lalàn’i Jehovah”, (Sal. 19:7), “tenin’i Jehovah”, (Isaia 38:4), “tenin’i Jehovah”, (Matio 4:4, NW ), ary “tenin’i Jehovah”. (1 Tes. 4:15, NW ).

NY TAHIRIM-BOKIN’ANDRIAMANITRA

4. Inona no mahaforona ny Baiboly, ary iza no nametra izany?

4 Izay fantatr’olona amin’izao andro izao ho ny Baiboly dia fitambarana tahirin-kevitra tranainy ara-tsindrimandrin’Andriamanitra raha ny tena izy. Nalahatra sy natambatra tamin’ny endriny voasoratra nandritra ny fe-potoana naharitra taonjato 16 izy ireo. Amin’ny fitambarany, io fitambarana tahirin-kevitra io dia mahaforona izay nolazalazain’i Jérôme tsara tamin’ny teny latina hoe ny Bibliotheca Divina, na ny Tahirim-bokin’Andriamanitra. Io tahirim-boky io dia manana katalaogy na lisitra ofisialin’ireo zavatra vita an-tsoratra, izay voafetra ho amin’ireo boky voakasika amin’ny zava-kendren’io tahirim-boky io sy ny fampiasana manokana azy io. Tsy tafiditra amin’izany ireo boky rehetra tsy nanomezan-dalana. I Jehovah Andriamanitra no ilay Mpitahiry Boky Lehibe izay mametraka ny fari-pitsipika amaritana hoe inona avy no asa soratra tokony hampidirina. Koa manana katalaogy raikitra izay mirakitra boky 66 ny Baiboly, ary vokatry ny fitarihan’ny fanahy masin’Andriamanitra izy rehetra.

5. Inona moa no atao hoe ny kanônan’ny Baiboly, ary ahoana no niandohan’io fiantsoana io?

5 Ny fitambarana, na lisitr’ireo boky ekena fa marina sy Soratra ara-tsindrimandry dia resahina matetika ho ny kanônan’ny Baiboly (ireo boky ekena ho anisan’ny Baiboly). Tany am-boalohany, ny volotara (Hebreo: qa·nehʹ ) dia nampiasaina ho tsorakazo fandrefesana raha toa ka tsy nisy ny tapakazo iray. Ny apostoly Paoly dia nampihatra ny teny grika ka·nonʹ amin’ny hoe “fitsipi-pitondran-tena” ary koa amin’ny hoe “faritany” voafetra izay nanendrena azy. (Gal. 6:16, NW, f.a.p.; 2 Kor. 10:13, NW ). Koa ireo boky kanônika dia ireo izay marina sy ara-tsindrimandry ary mendrika ny hampiasaina ho fitsipika mahitsy hamaritana ny finoana sy ny foto-pampianarana ary ny fitondran-tena marina. Raha mampiasa boky izay tsy “mahitsy” toy ny tadinjidina isika, dia tsy ho marina ny “fanorenantsika”, ary tsy hahomby izy io amin’ny fitsapan’ilay Mpisafo Lehibe.

6. Inona avy ireo anton-javatra sasany mamaritra ny maha-kanônika ny boky iray?

6 Famaritana ny maha-kanônika. Inona no sasany amin’ireo filazana avy tamin’Andriamanitra izay namaritra ny maha-kanônika ireo boky 66 ao amin’ny Baiboly? Voalohany indrindra, ireo tahirin-kevitra dia tsy maintsy miresaka momba ireo raharahan’i Jehovah eto an-tany, ka mampitodika ny olona ho amin’ny fanompoam-pivavahana aminy sady mandrisika fanajana lalina ho an’ny anarany sy ny asany ary ny fikasany eto an-tany. Tsy maintsy manome porofon’ny maha-ara-tsindrimandry azy izy ireny, izany hoe, ny maha-vokatry ny fanahy masina azy ireny. (2 Pet 1:21). Tsy tokony hisy fanintonana ho amin’ny finoanoam-poana na fivavahana amina zavaboary izany, fa fanintonana kosa ho amin’ny fitiavana sy ny fanompoana an’Andriamanitra. Tsy tokony hisy ao amin’ireo asa soratra tsirairay zavatra izay hanohitra ny firindrana anatin’ny fitambarany, fa ny boky tsirairay kosa, amin’ny firaisany amin’ny hafa, dia tsy maintsy manohana fa tokana ny loharanony, dia i Jehovah Andriamanitra. Manantena koa isika fa ireo asa soratra dia hanome porofon’ny maha-araka ny marina azy hatramin’ny tsipiriany madinika indrindra. Ho fanampin’ireo zavatra tena ilaina fototra ireo, dia misy filazana voafaritra tsara hafa ny maha-ara-tsindrimandry, ka noho izany dia ny maha-kanônika, mifanaraka amin’ny toetoetry ny loha hevitra raketin’ny boky tsirairay. Nodinihina tato anatin’itỳ boky itỳ izany ao amin’ny teny fampidirana ny boky tsirairay ao amin’ny Baiboly. Misy toe-javatra manokana koa izay mihatra amin’ny Soratra Hebreo ary misy hafa izay mihatra amin’ny Soratra Grika Kristiana ka manampy amin’ny fanorenana ny kanônan’ny Baiboly.

NY SORATRA HEBREO

7. Tamin’ny dingana niandalana inona avy no namitana ny kanôna hebreo, ary tamin’inona no tokony ho nifanarahan’izay tapany vaovao kokoa?

7 Tsy tokony hoheverina fa ny fanekena izay mahaforona ny Soratra ara-tsindrimandry dia voatery niandry mandra-pahavitan’ny kanôna hebreo tamin’ny taonjato fahadimy al.f.i. Ireo asa soratr’i Mosesy teo ambany fitarihan’ny fanahin’Andriamanitra, hatrany am-piandohana mihitsy, dia neken’ireo Isiraelita ho ara-tsindrimandry, nanana an’Andriamanitra ho loharanony. Rehefa feno ny Pentateuque dia nahaforona ny kanôna hatramin’io fotoana io. Nilain’ireo fanambarana fanampiny mikasika ireo fikasan’i Jehovah nomeny ny olona teo ambany tsindrimandry ny hanaraka araka ny fandrindran-kevitra sy ny hifanaraka amin’ireo fotopoto-pitsipika fototra mikasika ny fanompoam-pivavahana marina izay nohazavaina tsara tao amin’ny Pentateuque. Nahita isika fa marina izany rehefa nandinika ireo boky samy hafa ao amin’ny Baiboly, indrindra rehefa miresaka mivantana momba ny loha hevitra lehibe ao amin’ny Baiboly sy ny fanamasinana ny anaran’i Jehovah ary ny fanamarinana ny fiandrianany amin’ny alalan’ny Fanjakana tarihin’i Kristy, ilay Taranaka Nampanantenaina, izy ireny.

8. Inona no manorina ny maha-kanônika ireo boky ara-paminaniana ao amin’ny Baiboly?

8 Ny Soratra Hebreo indrindra no feno faminaniana. Ny tenan’i Jehovah mihitsy, tamin’ny alalan’i Mosesy, dia nanome ny fototra ho amin’ny fanorenana ny maha-marina ny faminaniana, na avy tamin’Andriamanitra tokoa izany na tsia, ary izany dia nanampy mba hamaritana ny maha-kanônika ny boky ara-paminaniana iray. (Deot. 13:2-4; 18:20-22). Ny fandinihana ny boky ara-paminaniana tsirairay ao amin’ny Soratra Hebreo miaraka amin’ny Baiboly amin’ny fitambarany sy ny tantara tsy ara-pivavahana dia mampiorina tsy misy isalasalana mihitsy fa “ny teny” nolazain’ireo mpaminany dia nataony tamin’ny anaran’i Jehovah. Tsy misy isalasalana koa fa izy io dia ‘efa na tanteraka’, na tamin’ny fomba feno na tamin’ny ambaratonga kely dia kely na tamin’ny ampahany rehefa tokony ho nifandray tamin-javatra mbola ho avy, sady nampitodika ny olona ho amin’Andriamanitra. Ny fahafenoana ireo fepetra ireo dia nampiorina fa marina sy ara-tsindrimandry ilay faminaniana.

9. Anton-javatra lehibe inona no tsy maintsy hotadidina rehefa mandinika ny raharaha momba ny kanônan’ny Baiboly ny olona iray?

9 Ny fakan-teny nataon’i Jesosy sy ireo mpanoratra ny Soratra Grika Kristiana nahazo tsindrimandry dia manome fomba mivantana hanorenana ny maha-kanônika ny maro amin’ireo bokin’ny Soratra Hebreo, na dia tsy azo ampiharina amin’ny rehetra aza izany fari-pitsipika izany, ohatra, amin’ny bokin’i Estera sy ny Mpitoriteny. Amin’ny fandinihana ny raharaha momba ny maha-kanônika àry, dia tsy maintsy hotadidina ao an-tsaina ny anton-javatra lehibe indrindra iray hafa, izay mihatra amin’ny kanônan’ny Baiboly manontolo. Toy ny nanomezan’i Jehovah tsindrimandry olona mba hanoratra ireo hevitra nampitainy ho fampianarana sy fampaherezana ary fampirisihana azy ireny tamin’ny fivavahana sy fanompoana azy, dia araka ny fandrindran-kevitra fa i Jehovah dia ho nitondra sy nitarika ny fandaharana ireo asa soratra ara-tsindrimandry mbamin’ny fanorenana ny kanônan’ny Baiboly. Ho nanao izany izy mba tsy hampisy fisalasalana ny amin’izay nahaforona ny Tenim-pahamarinany sy ny fitsipika maharitra famaritana ny fanompoam-pivavahana marina. Eny tokoa, tamin’io fomba io ihany no nahafahan’ireo zavaboary teto an-tany nanohy nahazo ‘fahaterahana indray tamin’ny tenin’Andriamanitra’ sy nanaporofo fa “ny tenin’[i Jehovah, NW ] maharitra mandrakizay”. — 1 Pet. 1:23, 25.

10. Oviana no nofaritana tsara ny kanônan’ny Soratra Hebreo?

10 Fanorenana ny kanôna hebreo. Manaiky ny lovantsofina jiosy fa i Ezra no nanomboka ny fanambàrana sy ny fanaovana ny katalaogin’ny kanônan’ny Soratra Hebreo, ary lazainy fa novitain’i Nehemia izany. Azo antoka fa ampy fitaovana tsara i Ezra ho amin’ny asa toy izany, satria izy mihitsy dia anisan’ireo mpanoratra ny Baiboly nahazo tsindrimandry sady mpisorona sy nanam-pahaizana manokana ary mpanao kopia ofisialin’ireo asa soratra masina. (Ezra 7:1-11). Tsy misy antony tokony hisalasalana ny amin’ny fiheverana araka ny lovantsofina fa ny kanônan’ny Soratra Hebreo dia nofaritana tsara tamin’ny faran’ny taonjato fahadimy al.f.i.

11. Ahoana no itanisan’ny kanôna jiosy araka ny lovantsofina ny Soratra Hebreo?

11 Manana lisitra boky 39 ho an’ny Soratra Hebreo isika ankehitriny; ny kanôna jiosy araka ny lovantsofina dia manisa azy ireo ho 24, sady ampidiriny ao anefa ireo boky ireo ihany. Nanisa ireo boky ho 22 ireo fahefana sasany, tamin’ny fampiarahana ny Rota tamin’ny Mpitsara sy ny Fitomaniana tamin’ny Jeremia, saingy mbola nitana tanteraka ireo asa soratra kanônika ireo ihany. a Nahatonga ny isan’ireo boky ara-tsindrimandry hitovy tamin’ny isan’ireo litera tamin’ny abidy hebreo izany. Manaraka eto ny lisitr’ireo boky 24, araka ny kanôna jiosy araka ny lovantsofina:

Ny Lalàna (Ny Pentateuque)

1. Genesisy

2. Eksodosy

3. Levitikosy

4. Nomery

5. Deoteronomia

Ireo Mpaminany

6. Josoa

7. Mpitsara

8. Samoela (Voalohany sy Faharoa nitambatra ho boky iray)

9. Mpanjaka (Voalohany sy Faharoa nitambatra ho boky iray)

10. Isaia

11. Jeremia

12. Ezekiela

13. Ireo Mpaminany Roa Ambin’ny Folo (Hosea, Joela, Amosa, Obadia, Jona, Mika, Nahoma, Habakoka, Zefania, Hagay, Zakaria, sy Malakia, nitambatra ho boky iray)

Ireo Asa Soratra (Hagiographes)

14. Salamo

15. Ohabolana

16. Joba

17. Tonon-kiran’i Solomona

18. Rota

19. Fitomaniana

20. Mpitoriteny

21. Estera

22. Daniela

23. Ezra (Natambatra tamin’ny Ezra ny Nehemia)

24. Tantara (Voalohany sy Faharoa nitambatra ho boky iray)

12. Inona koa no manamarina ny kanôna hebreo, ary asa soratra inona avy no namarana azy io?

12 Io no katalaogy na kanôna izay neken’i Kristy Jesosy sy ny kongregasiona kristiana tany am-boalohany ho Soratra ara-tsindrimandry. Avy tamin’ireo asa soratra ireo ihany no nakan’ireo mpanoratra ny Soratra Grika Kristiana nahazo tsindrimandry teny, ary tamin’ny fampidirana fakan-teny toy izany niaraka tamin’ny fitenenana toy ny hoe “araka ny voasoratra hoe”, dia nanamafy izy ireo fa Tenin’Andriamanitra izy ireny. (Rom. 15:9). Nanisy firesahana momba ireo zavatra voarakitra an-tsoratra ao amin’ny “lalàn’i Mosesy sy ny mpaminany ary ny Salamo” i Jesosy, tamin’ny firesahana ny amin’ny Soratra ara-tsindrimandry manontolo voasoratra hatreo amin’ny fotoan’ny fanompoany. (Lioka 24:44). Eto ny “Salamo”, amin’ny maha-boky voalohan’ny Hagiographes azy, dia ampiasaina mba hiresahana io tapany manontolo io. Ny Nehemia no boky ara-tantara farany nampidirina tao amin’ny kanôna hebreo. Ny naha-teo ambany fitarihan’ny fanahin’Andriamanitra azy io dia hita amin’ny hoe io boky io irery ihany no manome ny daty fiaingana amin’ny fanisana ao amin’ny faminanian’i Daniela niavaka fa “hatramin’ny hivoahan’ny didy hanavaozana sy hanamboarana an’i Jerosalema” mandra-pahatongan’ny Mesia dia ho nisy fe-potoana 69 herinandro ara-paminaniana. (Dan. 9:25; Neh. 2:1-8; 6:15). Manome koa ny toe-javatra ara-tantara nanodidina ny fanoratana ny Malakia, boky ara-paminaniana farany, ny bokin’i Nehemia. Tsy azo isalasalana ny maha-anisan’ny kanônan’ny Soratra ara-tsindrimandry ny Malakia, satria naka teny imbetsaka avy tao na dia i Jesosy, ilay Zanak’Andriamanitra, aza. (Matio 11:10, 14). Na dia nisy fakan-teny tahaka izany aza natao avy tamin’ny ankamaroan’ireo bokin’ny kanôna hebreo, izay samy nosoratana talohan’ny Nehemia sy ny Malakia avokoa, ireo mpanoratra ny Soratra Grika Kristiana dia tsy nampiasa kosa na dia fakan-teny iray aza avy tamin’izay nety ho asa soratra nolazaina fa ara-tsindrimandry nosoratana taorian’ny andron’i Nehemia sy i Malakia ka hatramin’ny andron’i Kristy. Manamafy ny fiheveran’ny Jiosy araka ny lovantsofina sy ny zavatra ninoan’ny kongregasiona kristiana tamin’ny taonjato voalohany am.f.i. koa izany fa ny kanônan’ny Soratra Hebreo dia nifarana tamin’ireo asa soratr’i Nehemia sy i Malakia.

IREO BOKY APOKRIFA AO AMIN’NY SORATRA HEBREO

13. a) Inona moa ireo boky apokrifa? b) Ahoana no nahatonga azy ireny ho nekena ho ao amin’ny kanônan’ny Katolika?

13 Inona moa ireo boky apokrifa? Asa soratra izay nampidirin’ny sasany tao amin’ny Baiboly sasany izy ireny kanefa nolavin’ny hafa satria tsy manana porofo fa ara-tsindrimandrin’Andriamanitra. Ny teny grika hoe a·poʹkry·phos dia manisy firesahana momba ireo zavatra ‘niafina [tsara, NW ]’. (Marka 4:22; Lioka 8:17; Kol. 2:3). Ilay teny dia ampiharina amin’ireo boky izay manalasala ny loharanony na ny fahefany na ireo izay, na dia heverina ho misy vidiny ihany aza amin’ny vakiteny manokana, dia tsy nanana porofo fa ara-tsindrimandrin’Andriamanitra. Natokana sady tsy novakina ampahibemaso ireny boky ireny, ary izany no nahatonga ilay hevitra hoe ‘niafina’. Tao amin’ny Konsilin’i Carthage, tamin’ny 397 am.f.i., no nanoloran-kevitra fa ny fito tamin’ireo boky apokrifa dia hanampiana ny Soratra Hebreo, niaraka tamin’ny fanampiny ho an’ny boky kanônikan’i Estera sy i Daniela. Kanefa, efa tamin’ny 1546, tao amin’ny Konsilin’i Trente, vao nanamafy tamin’ny fomba hentitra ny Eglizy Katolika fa nekeny ny hampidirana ireo fanampiny ireo ho ao amin’ny katalaogin’ireo boky ao amin’ny Baiboly nananany. Ireo fanampiny ireo dia Tobia, Jodita, fanampiny amin’ny Estera, Fahendrena, Eklesiastika, Baroka, fanampiny telo amin’ny Daniela, Makabeo Voalohany ary Makabeo Faharoa.

14. a) Amin’ny heviny ahoana no mahaliana ny Makabeo Voalohany? b) Fahefana iza avy no tsy niresaka mihitsy momba ny Apokrifa, ary nahoana?

14 Mirakitra fanazavana izay mahaliana ara-tantara ny bokin’ny Makabeo Voalohany, na dia tsy isaina velively ho boky ara-tsindrimandry aza. Izy io dia manome fitantarana momba ny ezaka mafy nataon’ireo Jiosy nandritra ny taonjato faharoa al.f.i. mba hahazoana fahaleovan-tena teo ambany fitarihan’ny fianakaviana mpisorona Makabeo. Feno angano sy finoanoam-poana ary fahadisoana ny sisa amin’ireo boky apokrifa. Tsy nasian’i Jesosy na ireo mpanoratra ny Soratra Grika Kristiana firesahana na nanaovany fakan-teny mihitsy izy ireny.

15, 16. Ahoana no nampisehoan’i Josèphe sy i Jérôme hoe boky inona no kanônika?

15 I Flavius Josèphe, ilay mpanoratra tantara jiosy tamin’ny taonjato voalohany am.f.i., dia nanisy firesahana momba ireo boky rehetra izay neken’ireo Hebreo ho masina, ao amin’ny bokiny hoe Against Apion (I, 38-41 [8]). Nanoratra izy hoe: “Tsy manana boky an’alinaliny miovaova ka mifanohitra amin’izy samy izy isika. Ny bokintsika, ireo izay ekena ho ara-dalàna amin’ny fomba ara-drariny, dia tsy misy afa-tsy roa sy roapolo [mitovy amin’ireo 39 ananantsika ankehitriny, araka ny asehon’ny fehintsoratra faha-11], ary misy ny firaketana an-tsoratra ny fotoana rehetra. Amin’izy ireo, dia dimy no bokin’i Mosesy, ka mahafaoka ny lalàna sy ny tantara araka ny lovantsofina nanomboka tamin’ny fiandohan’ny olona ka hatramin’ny nahafatesan’ilay mpanome lalàna. (...) Nanomboka tamin’ny nahafatesan’i Mosesy ka hatramin’i Artaksersesy, izay nandimby an’i Ksersesy tamin’ny naha-mpanjakan’i Persia, ireo mpaminany nanaraka an’i Mosesy dia nanoratra ny tantaran’ireo fisehoan-javatra tamin’ny androny tao anatin’ny boky telo ambin’ny folo. Mirakitra hira fiderana an’Andriamanitra sy fitsipika amin’ny fitondrana ny fiainan’olombelona ireo boky efatra sisa.” Araka izany, i Josèphe dia nampiseho fa ny kanônan’ny Soratra Hebreo dia nofaritana tsara ela be talohan’ny taonjato voalohany am.f.i.

16 I Jérôme, manam-pahaizana momba ny Baiboly, izay namita ny fandikan-tenin’ny Baiboly Vulgate tamin’ny teny latina tamin’ny 405 am.f.i. tany ho any dia tena hentitra ny amin’ny toerana tanany momba ireo boky apokrifa. Taorian’ny nitanisany ireo boky ara-tsindrimandry sy ny nampiasany ny fomba fanisan’i Josèphe, izay fanisana ireo boky 39 ara-tsindrimandry ao amin’ny Soratra Hebreo ho 22, dia nanoratra toy izao izy tao amin’ny sasin-teniny ho an’ny bokin’ny Samoela sy Mpanjaka tao amin’ny Vulgate: “Araka izany dia misy boky roa amby roapolo (...) Itỳ sasin-tenin’ny Soratra Masina itỳ dia azo ampiasaina ho tari-dresaka voaorina mafy ho an’ireo boky rehetra izay adikantsika avy amin’ny teny hebreo ho amin’ny teny latina; koa afaka ny hahafantatra isika fa na inona na inona ankoatra azy ireo dia tsy maintsy hatao ao anatin’ny apokrifa.”

NY SORATRA GRIKA KRISTIANA

17. Andraikitra inona no ihamboan’ny Eglizy Katolika fa ananana, nefa iza raha ny marina no mamaritra hoe boky inona no mahaforona ny kanônan’ny Baiboly?

17 Mihambo ny Eglizy Katolika fa tompon’andraikitra amin’ny fanapahan-kevitra hoe inona no boky tokony hampidirina ho ao amin’ny kanônan’ny Baiboly, ary lazainy fa tamin’ny Konsilin’i Carthage (397 am.f.i.) no namolavolana ny katalaogin’ireo boky. Ny mifanohitra amin’izany anefa no marina, satria ny kanôna, anisan’izany ny lisitr’ireo boky mahaforona ny Soratra Grika Kristiana, dia efa napetraka hatramin’izay, izany hoe, tsy tamin’ny alalan’ny didy navoakan’izay mety ho konsily, fa tamin’ny alalan’ny fitarihan’ny fanahy masin’Andriamanitra — ilay fanahy izay nanomezana tsindrimandry ny fanoratana ireo boky ireo tamin’ny voalohany ihany. Ny fanambarana nataon’ireo mpanao katalaogy tsy nahazo tsindrimandry tatỳ aoriana dia tsy misy vidiny afa-tsy ho fanekena ny kanônan’ny Baiboly, izay nanomezan’ny fanahin’Andriamanitra lalana.

18. Famaranan-kevitra lehibe inona avy no azo tsoahina avy amin’ilay tabilao izay mampiseho ireo katalaogy tany am-boalohany amin’ny Soratra Grika Kristiana?

18 Ny porofo omen’ny katalaogy tany am-boalohany. Ny topy maso amin’ny tabilao miaraka amin’itỳ fianarana itỳ dia mampiharihary fa misy katalaogy maromaron’ny Soratra Kristiana tamin’ny taonjato fahefatra, natao talohan’ilay konsily voaresaka etsy ambony, mifanaraka tanteraka amin’ny kanôna ananantsika ankehitriny, ary ny sasany dia manonona ny rehetra afa-tsy ny Apokalypsy ihany. Talohan’ny faran’ny taonjato faharoa, dia nisy fanekena niombonana ny Filazantsara efatra sy ny Asan’ny Apostoly ary ny 12 tamin’ireo taratasin’ny apostoly Paoly. Vitsy monja tamin’ireo asa soratra kely kokoa no nampisalasala tany amin’ny faritra sasany. Azo inoana fa nitranga izany satria voafetra ny fivezivezen’ireny asa soratra ireny voalohany noho ny antony iray na hafa ary nitaky fotoana ela kokoa araka izany vao nanjary nekena ho kanônika izy ireny.

19. a) Tahirin-kevitra niavaka inona no hita tany Italia, ary oviana ny datiny? b) Ahoana no amaritany ny kanôna nekena tamin’izany fotoana izany?

19 Iray amin’ireo katalaogy tany am-boalohany mahaliana indrindra ny tapatapa-tsoratra (fragment) hitan’i L. A. Muratori tao amin’ny Tranom-bokin’i Ambrose, ao Milan, any Italia, ary navoakany tamin’ny 1740. Na dia tsy eo aza ny fanombohany, ny firesahany ny Lioka ho Filazantsara fahatelo dia mampiseho fa nanonona voalohany ny Matio sy ny Marka izy io. Natao tamin’ny tapany faramparan’ny taonjato faharoa am.f.i. ny Fragment de Muratori (Tapatapa-tsoratra hitan’i Muratori), izay amin’ny teny latina. Tahirin-kevitra tena mahaliana indrindra izy io, araka ny asehon’izao fandikana ampahany manaraka izao: “Ny boky fahatelo ao amin’ny Evanjely dia nosoratan’i Lioka. Nanoratra azy io tamin’ny anarany manokana i Lioka, ilay dokotera fanta-daza (...) Ny boky fahefatra ao amin’ny Evanjely dia ny an’i Joany, iray tamin’ireo mpianatra. (...) Ary noho izany dia tsy nisy tsy fifanarahana teo amin’ny finoan’ireo mpino, na dia nisy safidy samy hafa aza nomena avy tamin’ireo zava-misy ao anatin’ireo boky tsirairay ao amin’ny Evanjely, satria ao amin’izy rehetra, teo ambany fitarihan’ny Fanahy iray dia nambara ny zava-drehetra momba ny nahaterahan’[i Jeso], ny fijaliany, ny fananganana azy tamin’ny maty, ny resadresaka nataony tamin’ireo mpianany, ary ny fiaviany indroa, ny voalohany tao amin’ny fanalana baraka avy tamin’ny fanarabiana, izay efa nitranga, ary ny faharoa ao amin’ny voninahitry ny herin’ny mpanjaka, izay mbola ho avy. Koa mahagaga àry ve raha nanome ho ohatra tamin’ny fomba tsy niovaova aoka izany ireny zavatra maromaro ireny i Joany tao amin’ireo epistolàny tamin’ny filazan’ny tenany mihitsy hoe: ‘izay efa hitan’ny masonay sy izay efa renay ary izay efa notsapain’ny tananay, ireny zavatra ireny no nosoratanay’. Tamin’izany dia niaiky izy fa tsy vavolombelona nahita maso fotsiny fa nihaino koa sy nitantara ireo zavatra nahatalanjona rehetra nataon’ny Tompo, araka ny filaharany. Ambonin’izany, dia voasoratra ao anatin’ny boky iray ny asan’ireo apostoly rehetra. [Koa] nampiditra azy ireny i Lioka ho an’i Teofily tena tsara indrindra (...) Ireo epistolàn’i Paoly izao, izay naha-izy azy ireny, ny loharanony na ny antony nandefasana azy, dia izy ireny ihany no hanazava amin’izay hahazo ny heviny. Voalohany indrindra dia nanoratra tamin’ny an-tsipiriany ho an’ny Korintiana izy mba hisakanana ny fisaratsarahana noho ny fialana amin’ny finoana, avy eo dia ho an’ny Galata [ho fanoherana] ny famorana, ary ho an’ny Romana araka ny filaharan’ny Soratra Masina, ka nampahafantatra koa fa i Kristy no foto-kevitra lehibe ao amin’izy ireny — ny tsirairay aminy dia ilaintsika hodinihina, amin’ny fahitana fa i Paoly ilay Apostoly voatahy mihitsy, izay nanaraka ny ohatr’i Joany nodimbasany, dia nanoratra ho an’ny fiangonana tsy mihoatra ny fito, araka izao filaharany amin’ny anarany manaraka izao: ho an’ny Korintiana (voalohany), ho an’ny Efeziana (faharoa), ho an’ny Filipiana (fahatelo), ho an’ny Kolosiana (fahefatra), ho an’ny Galata (fahadimy), ho an’ny Tesalonisiana (fahenina), ho an’ny Romana (fahafito). Kanefa na dia nanoratra indroa ho fanitsiana ny Korintiana sy ny Tesalonisiana aza izy, dia haseho [? izany hoe tamin’ny alalan’itỳ fanoratana fito sosona itỳ] fa fiangonana iray ihany no niely nanerana ny tany manontolo; ary i Joany koa tao amin’ny Apokalyspa dia niresaka tamin’ny rehetra, na dia nanoratra ho an’ny fiangonana fito aza izy. Kanefa, [izy dia nanoratra] noho ny firaiketam-po sy ny fitiavana, taratasy iray ho an’i Filemona sy iray ho an’i Tito ary roa ho an’i Timote; [ary izy ireny] dia notanana ho masina ao anatin’ny fankasitrahana feno fanajan’ny Eglizy. (...) Ankoatr’izany, dia nisaina ny epistolàn’i Joda sy ny epistolà roa mitondra ny anaran’i Joany (...) Isika dia mahazo ny apokalypsa nosoratan’i Joany sy i Piera ihany, izay [itỳ farany] dia tsy tian’ny sasany amintsika ny hamakiana azy ao am-piangonana.” — The New Schaff-Herzog Encyclopedia of Religious Knowledge, 1956, Boky VIII, pejy 56.

20. a) Ahoana no anazavana ny tsy firesahana ny amin’ny iray amin’ny taratasin’i Jaona sy ny iray an’i Petera? b) Ahoana àry no ifanandrifian’io katalaogy io amin’ny fomba akaiky amin’ny katalaogy ananantsika ankehitriny?

20 Marihina fa eo amin’ny faran’ilay Fragment de Muratori, dia epistilin’i Jaona roa monja no resahina. Kanefa, momba izany dia manamarika ilay firaketana voalaza etsy ambony, ao amin’ny pejy faha-55, fa ireo epistilin’i Jaona roa ireo “dia mety ho ny faharoa sy ny fahatelo fotsiny, izay iantsoan’ny mpanoratra ny tenany ho ny ‘anti-dahy’ ihany. Noho ilay mpanoratra efa niresaka momba ilay voalohany, na dia sendrasendra fotsiny aza, nifandray tamin’ny Filazantsara Fahefatra ka nanambara teo ny finoany tsy nisy fisalasalana fa i Joany no nanoratra izany, dia nahatsiaro ho afaka nianina tamin’ireo taratasy roa kely kokoa izy eto”. Raha ny amin’ny toa tsy firesahana mihitsy ny epistily voalohany nosoratan’i Petera, dia manohy toy izao io loharanon-kevitra io: “Ny petrakevitra mety hitombina indrindra dia ny hoe fahaverezan’ny teny vitsivitsy, na andalana iray, izay ilazana fa voaray ny I Piera sy ny Apokalypsan’i Joany.” Noho izany, dia mamarana toy izao io firaketana io, eo amin’ny pejy faha-56, amin’ny fomba fijery toy ny an’ny Fragment de Muratori: “Ny Testamenta Vaovao dia heverina amin’ny fomba hentitra ho voaforon’ny Evanjely efatra, ny Asan’ny Apostoly, ireo epistolàn’i Paoly telo ambin’ny folo, ny Apokalypsa nosoratan’i Joany mbamin’ny epistolàny telo angamba, ny Joda ary angamba ny I Piera, na dia mbola tsy nampanginina aza ny fanoherana ilay asa soratr’i Piera hafa.”

21. a) Inona no mahaliana amin’ny fanazavan’i Origène momba ireo asa soratra ara-tsindrimandry? b) Inona no neken’ireo mpanoratra tatỳ aoriana kokoa?

21 Tamin’ny taona 230 am.f.i. tany ho any, i Origène dia nanaiky fa anisan’ny Soratra ara-tsindrimandry ny bokin’ny Hebreo sy ny Jakoba, izay samy tsy hita tao amin’ny Fragment de Muratori. Na dia nilaza aza izy fa ny sasany dia nisalasala ny amin’ny maha-kanônika ireo boky ireo, dia mampiseho koa izany fa tamin’izany fotoana izany, dia nekena ny maha-kanônika ny ankamaroan’ny Soratra Grika, ary fa vitsivitsy monja no nisalasala ny amin’ireo epistily tsy dia fanta-daza loatra. Tatỳ aoriana, dia nanaiky ny amin’ny famaranana ireo lisitra tany am-boalohany i Athanase sy i Jérôme ary i Augustin tamin’ny famaritana ireo boky 27 izay ananantsika ankehitriny ireo ihany ho ny kanôna. b

22, 23. a) Ahoana no nanomanana ny lisitr’ireo katalaogy eo amin’ilay tabilao? b) Nahoana no toa tsy nisy lisitra toy izany talohan’ny Fragment de Muratori?

22 Ny ankamaroan’ireo katalaogy eo amin’ny tabilao dia lisitra voafaritra tsara mampiseho hoe boky inona no nekena ho kanônika. Ny an’i Irénée, i Clément avy tany Aleksandria, i Tertullien ary i Origène dia novitaina avy tamin’ny fakan-teny nataony, izay mampiharihary ny fomba niheverany ireo asa soratra nasiany firesahana. Nofenoina fanampiny avy tamin’ny firaketana an-tsoratra nataon’i Eusèbe, mpanoratra tantara tany am-boalohany izy ireny. Kanefa, ny tsy firesahan’ireny mpanoratra ireny ireo asa soratra kanônika sasany dia tsy manohitra ny maha-kanônika azy. Izao fotsiny: tsy niresaka ny aminy izy ireny tao amin’ny asa sorany na noho ny safidy izany na noho ny foto-kevitra nodinihina. Nahoana anefa isika no tsy mahita lisitra marina taloha kokoa noho ny Fragment de Muratori?

23 Efa tamin’ny fahatongavan’ny mpanao tsikera toa an’i Marcion teo antenatenan’ny taonjato faharoa am.f.i. vao nipoitra ny raharaha niadian-kevitra ny amin’ny hoe boky inona no tokony heken’ny Kristiana. Nanorina ny kanônany manokana i Marcion mba hifanaraka tamin’ny foto-pampianarany, ka naka sasany fotsiny tamin’ny taratasin’ny apostoly Paoly sy ny Filazantsaran’i Lioka efa nanalana. Izany, niaraka tamin’ny fitambaran’ny zavatra vita an-tsoratra apokrifa izay niely nanerana izao tontolo izao hatramin’izay, dia nitarika ho amin’ny filazan’ireo mpanao katalaogy hoe inona no boky neken’izy ireo ho kanônika.

24. a) Inona no mampiavaka ireo asa soratry ny “Testamenta Vaovao” apokrifa? b) Inona no lazain’ireo manam-pahaizana momba azy ireny?

24 Asa soratra apokrifa. Misy porofo anatiny manamarina ny fizarana mazava izay natao tamin’ny asa soratra kristiana ara-tsindrimandry sy ireo asa soratra sandoka na tsy ara-tsindrimandry. Ambany lavitra ary feno hevi-dravina sy hevi-jaza matetika ireo asa soratra apokrifa. Tsy araka ny marina izy ireny matetika. c Mariho ireto filazana nataon’ny manam-pahaizana manaraka ireto, momba ireny boky tsy kanônika ireny:

“Tsy misy iadian-kevitra ny amin’ny hoe fanesoran’olona azy ireny avy tao amin’ny Testamenta Vaovao: nanaisotra ny tenany samy irery izy ireny.” — M. R. James, The Apocryphal New Testament, pejy xi, xii.

“Mampitaha fotsiny ireo bokintsika ao amin’ny Testamenta Vaovao amin’ny fitambarany amin’ny zavatra vita an-tsoratra karazan’ireny isika mba hahatsapana hoe manao ahoana ny halalin’ny hantsana mampisaraka azy ireo. Ireo filazantsara tsy kanônika, dia voalaza matetika fa porofo tsara indrindra ho an’ny kanônika raha ny marina.” — G. Milligan, The New Testament Documents, pejy 228.

“Tsy azo atao ny milaza ny asa soratra singany iray izay notahirizina ivelan’ny Testamenta Vaovao ho antsika nanomboka tamin’ny fe-potoana voalohany nisian’ny Fiangonana, fa izy io dia azo anampiana araka ny mety ny Kanôna ankehitriny.” — K. Aland, The Problem of the New Testament Canon, pejy 24.

25. Zava-misy inona avy, momba ireo mpanoratra tsirairay ao amin’ny Soratra Grika Kristiana, no manome ny antony maha-ara-tsindrimandry ireo asa soratra nosoratany ireo?

25 Mpanoratra nahazo tsindrimandry. Mahaliana itỳ hevitra fanampiny itỳ. Ireo mpanoratra ny Soratra Grika Kristiana rehetra, na tamin’ny fomba iray na tamin’ny fomba hafa, dia nifandray akaiky tamin’ny fitambara-mpitantan’ny kongregasiona kristiana tany am-boalohany, izay nahatafiditra ireo apostoly nofidin’ny tenan’i Jesosy manokana. Anisan’ireo apostoly 12 voalohany i Matio sy i Jaona ary i Petera, ary nofidina ho apostoly i Paoly tatỳ aoriana kanefa tsy nisaina ho iray tamin’ireo 12. d Na dia tsy teo aza i Paoly tamin’ny fandatsahana manokana ny fanahy tamin’ny Pentekosta, dia teo kosa i Matio sy i Jaona ary i Petera, niaraka tamin’i Jakoba sy i Joda ary angamba i Marka. (Asa. 1:13, 14). Nihevitra tamin’ny fomba voafaritra tsara ireo taratasin’i Paoly ho anisan’ny “[sisa, NW ] amin’ny Soratra Masina” i Petera. (2 Pet. 3:15, 16). Mpiara-miasa akaiky sady naman’i Paoly sy i Petera tamin’ny dia nataony i Marka sy i Lioka. (Asa. 12:25; 1 Pet. 5:13; Kol. 4:14; 2 Tim. 4:11). Ireny mpanoratra rehetra ireny dia nahazo ny fahaizana mahagaga avy tamin’ny fanahy masina, na tamin’ny filatsahan’izy io manokana toy izay nitranga tamin’ny Pentekosta sy tamin’ny niovan’i Paoly finoana, (Asa. 9:17, 18), na, tsy isalasalana fa toy ny tamin’i Lioka, tamin’ny fametrahan’ny apostoly tanana. (Asa. 8:14-17). Novitaina nandritra ny fotoana izay niasan’ny fanomezana manokana ny fanahy ny fanoratana ny Soratra Grika Kristiana rehetra.

26. a) Inona moa no ekentsika fa Tenin’Andriamanitra, ary nahoana? b) Ahoana no tokony hampisehoantsika fankasitrahana ny Baiboly?

26 Ny finoana ilay Andriamanitra tsitoha, ilay Mpanome tsindrimandry sy Mpitahiry ny Teniny tsy ho simba, dia mahatonga antsika hatoky fa izy no ilay nitarika ny fanangonana mitambatra ireo tapany samihafa amin’izy io. Koa isika dia manaiky amim-patokiana ireo boky 27 ao amin’ny Soratra Grika Kristiana miaraka amin’ireo 39 ao amin’ny Soratra Hebreo ho Baiboly iray, nataon’i Jehovah Andriamanitra, ilay Loharano tokana. Mpitari-dalana antsika ny Teniny ao anatin’ireo bokiny 66, ary ny firindrany sy ny fifandanjany manontolo dia manaporofo ny fahafenoany. Ho an’i Jehovah Andriamanitra, ilay Mpamorona io boky tsy manan-tsahala io, anie ny fiderana rehetra! Afaka manome fitaovana antsika amin’ny fomba feno izy io sy mametraka ny tongotsika eo amin’ny lalan’ny fiainana. Aoka isika hampiasa azy io amim-pahendrena isaky ny misy fahafahana hanao izany.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Encyclopaedia Judaica, 1973, Boky 4, tsanganana 826, 827.

b The Books and the Parchments, 1963, F. F. Bruce, pejy 112.

c Insight on the Scriptures, Boky 1, pejy 122-125.

d Auxiliaire pour une meilleure intelligence de la Bible, pejy 93.

[Fanontaniana]

[Tabilao, pejy 303]

Katalaogy Tany Am-boalohany Miavaka Amin’ny Soratra Grika Kristiana

E - Ekena tsy misy isalasalana fa anisan’ny Soratra Masina sy kanônika

I - Isalasalana any amin’ny faritra sasany

IE - Isalasalana any amin’ny faritra sasany, saingy nanaiky azy io ho anisan’ny Soratra Masina sy kanônika ny mpanao katalaogy

? - Manam-pahaizana tsy mahazo antoka ny famakiana ny soratra na ny fomba fiheverana ilay boky voatonona

- Ny banga dia milaza fa tsy nampiasain’ilay fahefana na notononiny ilay boky

Anarana sy Toerana

Fragment de Irénée, Clément Tertullien,

Muratori, Azia avy tany Afrika Av.

Italia Minora Aleksandria

Daty manakaiki-

kaiky am.f.i. 170 180 190 207

Matio E E E E

Marka E E E E

Lioka E E E E

Jaona E E E E

Asan’ny Apostoly E E E E

Romana E E E E

1 Korintiana E E E E

2 Korintiana E E E E

Galatiana E E E E

Efesiana E E E E

Filipiana E E E E

Kolosiana E E E E

1 Tesaloniana E E E E

2 Tesaloniana E E E E

1 Timoty E E E E

2 Timoty E E E E

Titosy E E E E

Filemona E E

Hebreo I IE IE

Jakoba ?

1 Petera E? E E E

2 Petera I? E

1 Jaona E E IE E

2 Jaona E E IE

3 Jaona E?

Joda E IE E

Apokalypsy E E E E

Anarana sy Toerana

Origène, Eusèbe, Cyril Lisitra

Aleksandria Palestina avy tany Cheltenham,

Jerosalema Afrika Av.

Daty manakaiki-

kaiky am.f.i. 230 320 348 365

Matio E E E E

Marka E E E E

Lioka E E E E

Jaona E E E E

Asan’ny Apostoly E E E E

Romana E E E E

1 Korintiana E E E E

2 Korintiana E E E E

Galatiana E E E E

Efesiana E E E E

Filipiana E E E E

Kolosiana E E E E

1 Tesaloniana E E E E

2 Tesaloniana E E E E

1 Timoty E E E E

2 Timoty E E E E

Titosy E E E E

Filemona E E E E

Hebreo IE IE E

Jakoba IE IE E

1 Petera E E E E

2 Petera IE IE E I

1 Jaona E E E E

2 Jaona IE IE E I

3 Jaona IE IE E I

Joda IE IE E

Apokalypsy E IE E

Anarana sy Toerana

Athanase, Epiphane, Grégoire Amphiloque,

Aleksandria Palestina Nazianze, Azia Minora

Azia Minora

Daty manakaiki-

kaiky am.f.i. 367 368 370 370

Matio E E E E

Marka E E E E

Lioka E E E E

Jaona E E E E

Asan’ny Apostoly E E E E

Romana E E E E

1 Korintiana E E E E

2 Korintiana E E E E

Galatiana E E E E

Efesiana E E E E

Filipiana E E E E

Kolosiana E E E E

1 Tesaloniana E E E E

2 Tesaloniana E E E E

1 Timoty E E E E

2 Timoty E E E E

Titosy E E E E

Filemona E E E E

Hebreo E E E IE

Jakoba E E E E

1 Petera E E E E

2 Petera E E E I

1 Jaona E E E E

2 Jaona E E E I

3 Jaona E E E I

Joda E E E I

Apokalypsy E IE I

Anarana sy Toerana

Philastre, Jérôme, Augustin, Konsily

Italia Italia Afrika Av. Fahatelon’i

Carthage,

Afrika Av.

Daty manakaiki-

kaiky am.f.i. 383 394 397 397

Matio E E E E

Marka E E E E

Lioka E E E E

Jaona E E E E

Asan’ny Apostoly E E E E

Romana E E E E

1 Korintiana E E E E

2 Korintiana E E E E

Galatiana E E E E

Efesiana E E E E

Filipiana E E E E

Kolosiana E E E E

1 Tesaloniana E E E E

2 Tesaloniana E E E E

1 Timoty E E E E

2 Timoty E E E E

Titosy E E E E

Filemona E E E E

Hebreo IE IE E E

Jakoba E IE E E

1 Petera E E E E

2 Petera E IE E E

1 Jaona E E E E

2 Jaona E IE E E

3 Jaona E IE E E

Joda E IE E E

Apokalypsy IE IE E E