Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fianarana Faha-5 — Ny Soratra Hebreo ao Amin’ny Soratra Masina

Fianarana Faha-5 — Ny Soratra Hebreo ao Amin’ny Soratra Masina

Fianarana Momba ny Soratra Ara-tsindrimandry sy ny Tantara Momba Azy

Fianarana Faha-5 — Ny Soratra Hebreo ao Amin’ny Soratra Masina

Ny fomba nanaovana kopia ny Soratra Hebreo, tamin’ny naha-tapany amin’ny Tenin’Andriamanitra ara-tsindrimandry azy sy ny fomba nitahirizana azy mba hifanaraka amin’ny soratra tany am-boalohany ary ny fomba nampitana azy hatramin’izao andro izao.

1. a) Amin’ny ahoana ‘ny tenin’i Jehovah’ no hafa noho ireo rakitry ny lasa hafa? b) Fanontaniana inona avy no mipoitra momba ny fitahirizana ny Tenin’Andriamanitra?

 AZO ampitovina amin’ny ranom-pahamarinana nangonina tao anatin’ny fitahirizina mahavariana ho an’ny tahirin-kevitra ara-tsindrimandry ny ‘tenin’i Jehovah’ voatana an-tsoratra. Afaka ny ho feno fankasitrahana toy inona moa isika noho ny nanaovan’i Jehovah izay hanangonana niaraka ireny “rano” ireny nandritra ny fe-potoan’ireny fampitan-kevitra avy tany an-danitra ireny mba ho tonga loharanom-pahalalana manome fiainana tsy mety ritra! Ireo rakitry ny lasa hafa, toy ny satroboninahitry ny mpanjaka sy ny lova tsy nifindra ary ny tsangambaton’olona dia nihamatroka, voakiky na nirodana noho ny fandehan’ny fotoana, kanefa haharitra mandrakizay kosa ireo tenin’Andriamanitsika toy ny harena. (Isaia 40:8). Mipoitra anefa ny fanontaniana raha nisy fandotoana ireny ranom-pahamarinana ireny taorian’ny nampidirana azy tao anatin’ilay fitahirizana, na tsia. Nitoetra ho tsy misy fangarony ve izy ireny? Nampitaina tamim-pahatokiana avy tamin’ny soratra tamin’ny fiteny tany am-boalohany ve izy ireny, ka ny vokany dia hoe azo itokiana izay eo am-pelatanan’olona avy amin’ny fiteny rehetra eto an-tany amin’izao andro izao? Ho hitantsika fa fianarana mampientana ny fandinihana ilay fizarana ao amin’io fitahirizana io izay fantatra ho ny soratra hebreo. Homarihintsika ny fitandremana natao mba hiarovana ny maha-araka ny marina azy, ary koa ny fandaharana mahatalanjona natao mba hampitana azy, sy mba hahazoan’ny firenena rehetra azy amin’ny alalan’ny dikan-teny mbamin’ny fandikan-teny vaovao hatrany.

2. Ahoana no nitahirizana ireo asa soratra ara-tsindrimandry hatramin’ny andron’i Ezra?

2 Ireo tahirin-kevitra voalohany tamin’ny fiteny hebreo sy aramiana dia voarakitra an-tsoratra tamin’ny alalan’ireo mpitantsoratra olombelona nampiasain’Andriamanitra, nanomboka tamin’i Mosesy tamin’ny 1513 al.f.i. ka hatramin’ny taoriana kelin’ny 443 al.f.i. Araka ny fantatra amin’izao andro izao, dia tsy misy na dia iray aza amin’ireny asa soratra tany am-boalohany ireny, ankehitriny. Kanefa, hatrany am-piandohana, dia nisy fitandremana lehibe natao tamin’ny fiarovana ireo asa soratra ara-tsindrimandry, anisan’izany ireo kopian’izy ireny nanomezan-dalana. Tamin’ny 642 al.f.i. tany ho any, tamin’ny andron’i Josia Mpanjaka, ‘ny bokin’ny lalàn’i’ Mosesy, izay tsy isalasalana fa ny kopia tany am-boalohany, dia hita voatahiry tsara tao an-tranon’i Jehovah. Voatahiry tamim-pahatokiana nandritra ny 871 taona izy io hatramin’izay fotoana izay. Nampiseho fahalianana lehibe tamin’io zavatra hita io i Jeremia mpanoratra ao amin’ny Baiboly, hany ka nanao firaketana an-tsoratra an’izany izy ao amin’ny 2 Mpanjaka 22:8-10, ary tamin’ny 460 al.f.i. tany ho any, i Ezra dia nanisy firesahana indray ny amin’io fisehoan-javatra io ihany. (2 Tant. 34:14-18). Nahaliana azy ireny zavatra ireny, satria “mpanora-dalàna izy sady nahay ny lalàn’i Mosesy, izay efa nomen’i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely”. (Ezra 7:6). Tsy isalasalana fa nanana fahafahana hijery ireo horonam-bokin’ny Soratra Hebreo hafa izay voatambatra hatramin’ny androny i Ezra, anisan’izany angamba ny tany am-boalohany tamin’ireo asa soratra ara-tsindrimandry sasany. Toa mpiambina ny asa soratra avy tamin’Andriamanitra tokoa i Ezra tamin’ny androny. — Neh. 8:1, 2.

VANIM-POTOAN’NY FANAOVANA KOPIA NY SORA-TANANA

3. Inona no filana nitombo raha ny amin’ireo kopia fanampin’ny Soratra Masina, ary ahoana no nanomezana fahafaham-po izany?

3 Nanomboka tamin’ny andron’i Ezra, dia nisy fitomboan’ny filana ireo kopian’ny Soratra Hebreo. Tsy ireo Jiosy rehetra no niverina tany Jerosalema sy Palestina tamin’ny famerenana tany amin’ny taniny tamin’ny 537 al.f.i. sy taorian’izay. An’arivony maro kosa no nijanona tany Babylona, ary ny sasany dia nifindra monina noho ny fandraharahana nahazoam-bola sy ny antony hafa. Ho vokany dia hita tany amin’ny ankamaroan’ireo foibe ara-barotra lehibe teo amin’ny tontolo fahiny izy ireny. Jiosy maro no nanao fitsidihana tany masina isan-taona niverina tany Jerosalema ho amin’ireo andro firavoravoana samihafa nankalazaina tao amin’ny tempoly, ary nandray anjara tamin’ny fanompoam-pivavahana notarihina tamin’ny teny hebreo fampiasan’ny Baiboly izy ireo tany. Tamin’ny andron’i Ezra, ireo Jiosy tany amin’ireny tany lavitra maro ireny dia nampiasa toeram-pivoriana teo an-toerana fantatra hoe synagoga, izay nanaovana famakiana sy dinika momba ny Soratra Hebreo. a Noho ny fahamaroan’ireo toeram-pivavahana niely patrana, dia voatery nampitombo ny isan’ireo sora-tanana nilaina ireo mpanao kopia.

4. a) Inona no atao hoe guéniza, ary ahoana no nampiasana azy io? b) Fahitan-javatra sarobidy inona no niseho tao amin’ny iray tamin’izy ireny tamin’ny taonjato faha-19?

4 Ireny synagoga ireny mazàna dia nanana efitrano fitahirizana fantatra hoe guéniza. Rehefa nandeha ny fotoana, ny Jiosy dia nametraka tao amin’ny guéniza ireo sora-tanana tsy nilaina intsony izay nanjary rovitra na tonta noho ny fahelany, ka nanolo azy ireny tamin’ny vaovao mba hampiasain’ny synagoga tamin’izay fotoana izay. Indraindray, ireo zavatra noraketin’ny guéniza dia nalevina tamim-panajana tao anaty tany, mba tsy ho voatevateva ilay soratra nirakitra ny anarana masin’i Jehovah. Nandritra ireo taonjato, dia sora-tanana tranainy amin’ny Baiboly an’arivony maro tamin’ny teny hebreo no nanjavona tamin’izany fomba izany. Kanefa, ny guéniza nanana tahiry tsara tao amin’ny synagogan’i Le Caire tranainy dia tsy niharan’izany fampanjavonana izany, angamba noho izy io nohidiana tao anaty rindrina ary nohadinoina hatreo amin’ny antenatenan’ny taonjato faha-19. Tamin’ny 1890, rehefa namboarina ilay synagoga, dia nodinihina indray ireo zavatra noraketin’ilay guéniza ary namidy na natao fanomezana tsikelikely ireo rakiny. Avy tamin’io loharano io, dia nisy sora-tanana saika feno mbamin’ny tapatapa-tsoratra an’arivony maro (nolazain’ny sasany ho tamin’ny taonjato fahenina am.f.i.), tonga tany amin’ny Tranombokin’ny Oniversiten’i Cambridge sy ireo tranomboky hafa any Eoropa sy Amerika.

5. a) Sora-tanana hebreo tranainy inona avy no natao katalaogy izao, ary firy taona moa izy ireny? b) Inona no ahariharin’ny fandinihana azy ireny?

5 Ankehitriny, any amin’ny tranomboky samihafa eo amin’izao tontolo izao, dia nanisana sy nanaovana katalaogy sora-tanana angamba 6 000 amin’ny Soratra Hebreo, manontolo na ampahany. Tsy ela izay, dia tsy nisy izany sora-tanana (afa-tsy tapatapa-tsoratra vitsy) tranainy kokoa noho ny tamin’ny taonjato fahafolo am.f.i. izany. Avy eo, tamin’ny 1947, teo amin’ny faritry ny Ranomasina Maty, dia nisy horonam-bokin’i Isaia hita, ary tamin’ireo taona nanaraka dia nisy horonam-bokin’ny Soratra Hebreo sarobidy fanampiny hita rehefa namoaka rakitra sarobidin’ny sora-tanana izay nafenina efa ho 1 900 taona ireo zohy ao amin’ny Ranomasina Maty. Ireo manam-pahaizana izao dia nanome ny datin’ny sasany tamin’ireny ho natao kopia tamin’ny taonjato vitsivitsy faramparany al.f.i. Ny fandinihana arahina fampitahana ireo sora-tanana ho an’ny Soratra Hebreo efa ho 6 000 dia manome fototra mafy ho amin’ny fanorenana ny soratra hebreo sady mampiharihary fa nisy fahatokiana teo amin’ny fampitana ilay soratra.

NY TENY HEBREO

6. a) Inona no tantara tany am-boalohan’ny teny hebreo? b) Nahoana no ampy fahaizana i Mosesy mba hanoratra ny Genesisy?

6 Izay antsoin’ny olona ankehitriny hoe ny teny hebreo dia ny fiteny izay nitenenan’i Adama tao amin’ny sahan’i Edena, tamin’ny endriny tany am-boalohany. Noho izany antony izany dia azo resahina ho fitenin’olombelona izy io. Io no fiteny nitenenana tamin’ny andron’i Noa, na dia nisy voambolana nitombo kokoa aza tamin’izay. Tamin’ny endriny mbola niitatra kokoa, dia io no fiteny fototra izay mbola velona rehefa nampisafotofoto ny fitenin’olombelona i Jehovah tao amin’ny Tilikambon’i Babela. (Gen. 11:1, 7-9). Ny teny hebreo dia anisan’ny vondrona fiteny semitika, ka izy no loha laharana amin’izany. Toa nifandray tamin’ny fitenin’i Kanana tamin’ny andron’i Abrahama izy io, ary avy tamin’ny sampany hebreo, ireo Kananita dia namorona fitenim-paritra samihafa. Ao amin’ny Isaia 19:18, izy io dia resahina ho “ny fitenin’i Kanana”. Nanam-pahaizana i Mosesy tamin’ny androny, nandalina fianarana, tsy tamin’ny fahendren’ny Egyptiana ihany, fa tamin’ny teny hebreo nampiasain’ny razany koa. Noho izany antony izany, dia tsara toerana izy mba hamaky ireo tahirin-kevitra tranainy tonga teo am-pelatanany, ary izy ireny dia nety ho nanome fototra ho an’ny fanazavana sasany noraketiny an-tsoratra tao anatin’izay fantatra ankehitriny ho ny bokin’ny Genesisy ao amin’ny Baiboly.

7. a) Fivoaran’ny teny hebreo inona no nitranga tatỳ aoriana? b) Nampiasaina tamin’inona ny teny hebreo fampiasan’ny Baiboly?

7 Tatỳ aoriana, tamin’ny andron’ireo mpanjaka jiosy, dia tonga izay fantatra hoe ny “teny Jiosy” ny fiteny hebreo. (2 Mpanj. 18:26, 28). Tamin’ny andron’i Jesosy, ireo Jiosy dia niteny endriky ny teny hebreo vaovao kokoa na niitatra, ary mbola tatỳ aoriana kokoa dia nanjary teny hebreo rabinika izy io. Kanefa, tokony homarihina fa ao amin’ny Soratra Grika Kristiana, dia mbola resahina ho ny teny ‘hebreo’ fa tsy aramiana ilay fiteny. (Jaona 5:2; 19:13, 17; Asa. 22:2; Apok. 9:11). Hatramin’ny fotoana tany am-boalohany indrindra, ny teny hebreo fampiasan’ny Baiboly dia ny fiteny fampitan-kevitra nampiray, azon’ny ankamaroan’ireo vavolombelon’i Jehovah talohan’ny vanim-potoana kristiana sy ireo vavolombelona kristiana tamin’ny taonjato voalohany.

8. Amin’ny fieritreretana ny zava-kendren’ny Soratra Masina, dia afaka ny ho velom-pankasitrahana noho ny inona tokoa isika?

8 Ny Soratra Hebreo dia nampiasaina ho fitahirizana ranom-pahamarinana manganohano toy ny kristaly, izay nampitaina sy nangonina teo ambanin’ny tsindrimandrin’Andriamanitra. Kanefa, ireo izay afaka namaky ny teny hebreo ihany no afaka nandray soa nivantana tamin’ireny rano nomen’Andriamanitra ireny. Ahoana no nahafahan’ireo olona avy tamin’ny fiteny maro samihafa koa nahita fomba hisotroana ireny ranom-pahamarinana ireny, ka tamin’izany dia hahazo ny fitarihan’Andriamanitra sy famelombelomana ho an’ny fanahiny? (Apok. 22:17). Ny fomba tokana dia ny fandikan-teny avy tamin’ny teny hebreo ho amin’ny teny hafa, ka nampitombo tamin’izany ny fikorianan’ny fahamarinana avy tamin’Andriamanitra ho an’ireo vahoaka maro be. Afaka ny ho velom-pankasitrahana an’i Jehovah Andriamanitra tokoa isika fa nanomboka tamin’ny taonjato fahefatra na fahatelo al.f.i. tany ho any ka hatramin’ny andro ankehitriny, dia nadika ho amin’ny fiteny maherin’ny 1 900 ireo ampahany ao amin’ny Baiboly. Hita ho fitahiana ara-potoana re izany ho an’ny olona rehetra nirona ho amin’ny rariny, izay afaka nahita ny ‘fahafinaretany’ tokoa tamin’ireny rano sarobidy ireny! — Sal. 1:2, NW; 37:3, 4.

9. a) Inona no fanomezam-pahefana ho an’ny fandikan-teny, omen’ny Baiboly mihitsy? b) Ho amin’ny fikasana tsara fanampiny inona no nampiasana ireo fandikan-tenin’ny Baiboly tranainy?

9 Moa ve ny Baiboly mihitsy manome fahefana na fanamarinana ny fandikana azy ho amin’ny fiteny hafa? Eny tokoa! Ny tenin’Andriamanitra ho an’ny Isiraely hoe: “Mihobia, ry jentilisa mbamin’ny olony”, sy ny didin’i Jesosy ara-paminaniana ho an’ny Kristiana hoe: “Hotorina amin’ny tany onenana manontolo itỳ vaovao tsaran’ny Fanjakana itỳ ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra”, dia tsy maintsy ho tanteraka. Mba hisehoan’izany, dia zavatra tena nilaina ny fandikana ny Soratra Masina. Amin’ny fanaovana jery todika amin’ny fandikana ny Baiboly nandritra ny efa ho taonjato 24, dia mazava fa nomba io asa io ny fitahian’i Jehovah. Ambonin’izany, ireo fandikan-teny tranainin’ny Baiboly izay naharitra tamin’ny endriky ny sora-tanana dia nampiasaina koa mba hanamarinana ny fahambonian’ny fahatokiana tamin’ny soratra ao amin’ilay fitahirizam-pahamarinana tamin’ny teny hebreo. — Deot. 32:43; Matio 24:14, NW.

DIKAN-TENY TANY AM-BOALOHANY INDRINDRA

10. a) Inona moa ny Pentateuque samaritana, ary nahoana no ilaintsika izy io amin’izao andro izao? b) Manomeza ohatra ny amin’ny fampiasana ny Pentateuque samaritana ao amin’ny Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao.

10 Ny Pentateuque samaritana. Misy dikan-teny fantatra hoe ny Pentateuque samaritana, natao tany am-boalohany, izay mirakitra ireo boky dimy voalohany monja amin’ny Soratra Hebreo, araka ny asehon’ny anarany. Izy io, raha ny marina, dia fanoratana ny soratra hebreo tamin’ny abidy samaritana, izay nivoatra avy tamin’ny abidy hebreo tranainy. Izy io dia manome filazana an-kolaka nilaina ho an’ny soratra hebreo tamin’izay fotoana izay. Io fanoratana io dia nataon’ny Samaritana — taranak’ireo navela tao Samaria taorian’ny nandresena ny fanjakan’ny foko folon’ny Isiraely tamin’ny 740 al.f.i. sy ireo izay nentin’ny Asyriana hipetraka tao tamin’izay fotoana izay. Nampifangaro ny fanompoam-pivavahan’ny Isiraely tamin’ny an’ireo andriamaniny sampy ireo Samaritana, ary nanaiky ny Pentateuque. Heverina fa nanao io dika soratra io tokotokony ho tamin’ny taonjato fahefatra al.f.i. izy ireo, na dia manome soso-kevitra aza ny manam-pahaizana sasany fa nety ho tamin’ny taonjato faharoa al.f.i. izany. Rehefa mamaky azy io izy ireo, dia manonona ny teny hebreo raha ny tena izy. Na dia mirakitra fiovana 6 000 eo ho eo amin’ny soratra hebreo aza ilay kopia, dia tsipiriany madinika ny maro amin’izy ireny. Vitsy amin’ireo kopia sora-tanana misy no tranainy kokoa noho ny tamin’ny taonjato faha-13 am.f.i. Misy firesahana sasany momba ny Pentateuque samaritana eo amin’ny fanamarihana ambany pejy ao amin’ny Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao. b

11. Inona moa ireo Targums, ary inona no soa azo avy amin’izy ireo mifandray amin’ny soratra ao amin’ny Soratra Hebreo?

11 Ireo Targums aramiana. Ny teny aramiana ilazana hoe “filazana ny hevitry ny teny” na “filazana teny amin’ny fomba hafa” dia hoe targum. Nanomboka tamin’ny andron’i Nehemia, ny aramiana dia nanjary nampiasaina ho fiteny niombonana ho an’ny Jiosy maro nipetraka tao amin’ny faritanin’i Persia, ary noho izany dia tena nilaina ny fampiarahana ny famakiana ny Soratra Hebreo tamin’ny fandikana azy tamin’io fiteny io. Azo inoana fa nahazo ny endriny farany ahitana azy amin’izao andro izao izy ireo taorian’ny taonjato fahadimy am.f.i. tany ho any. Na dia filazana malalaka ny soratra hebreo amin’ny fomba hafa fotsiny aza izany, fa tsy fandikan-teny araka ny marina, dia manome fototra maro ho an’ilay soratra ary manome fanampiana amin’ny famantarana andalan-tsoratra sarotra sasany. Misy firesahana imbetsaka momba ireo Targums eo amin’ny fanamarihana ambany pejy ao amin’ny Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao. c

12. Inona moa ny Septante, ary nahoana no zava-dehibe aoka izany izy io?

12 Ny Septante grika. Ny tena lehibe indrindra amin’ny dikan-tenin’ny Soratra Hebreo tany am-boalohany sady ny tena fandikan-teny nosoratana voalohany avy tamin’ny teny hebreo dia ny Septante (midika hoe “Fitopolo”) grika. Natomboky ny manam-pahaizana jiosy 72 avy tany Aleksandria, any Egypta, tamin’ny 280 al.f.i. tany ho any ny fandikana azy, araka ny lovantsofina. Tatỳ aoriana, dia nanjary nampiasaina ny isa 70, ary araka izany dia nantsoina hoe ny Septante ilay dikan-teny. Mazava ho azy fa vita izy io tamin’ny taonjato faharoa al.f.i. tany ho any. Nampiasaina ho Soratra Masina izy io ho an’ireo Jiosy niteny grika ary nampiasaina tamin’ny fomba niitatra hatramin’ny andron’i Jesosy sy ireo apostoliny. Ao amin’ny Soratra Grika Kristiana, ny ankamaroan’ireo fakan-teny mivantana miisa 320 sy ny fitambaran’ny fakan-teny mbamin’ny firesahana momba ny Soratra Hebreo miisa 890 angamba dia miorina amin’ny Septante.

13. Tapatapany sarobidy inona avy amin’ny Septante no naharitra hatramin’izao andro izao, ary manao ahoana ny hasarobidiny?

13 Mbola eo am-pelatanana mba hianarana ankehitriny ny tapatapany maro be amin’ny Septante nosoratana teo amin’ny taratasy papyrus. Tena sarobidy izy ireny satria natao tamin’ny vanim-potoana kristiana tany am-boalohany, ary na dia andininy na toko vitsy monja aza izy ireny matetika, dia manampy amin’ny fanombanana ny hasarobidin’ny soratra ao amin’ny Septante. Ny Papyrus Fouad 266 dia hita tany Egypta ary fantatra fa natao tamin’ny taonjato voalohany al.f.i. Mirakitra ampahany amin’ny bokin’ny Genesisy sy Deoteronomia izy io. Tsy hita ny anaran’Andriamanitra ao amin’ny tapatapany amin’ny Genesisy, satria tsy ary fomba ny fitahirizana azy io. Kanefa, ao amin’ny bokin’ny Deoteronomia, dia hita amin’ny toerana samihafa izy io, voasoratra amin’ny litera hebreo miendrika efa-joro ao anatin’ny soratra grika. d Natao tamin’ny taonjato fahefatra am.f.i. tany ho any ireo hafa nosoratana tamin’ny taratasy papyrus, rehefa natomboka nampiasaina tamin’ny sora-tanana ny taratasy mateza kokoa, karazana parchemin tsara dia tsara izay mandrakariva dia vita tamin’ny hodi-janak’omby, hodi-janak’ondry, na hoditr’osy.

14. Inona no nohamarinin’i Origène momba ny Septante? b) Oviana ary tamin’ny fomba ahoana no nanovana ny Septante? d) Fanambarana inona no tsy maintsy nomen’ireo Kristiana tany am-boalohany tamin’ny fampiasana ny Septante?

14 Mahaliana fa ny anaran’Andriamanitra, amin’ny endriky ny Tetragrama, dia hita koa ao amin’ny Septante-n’ny Hexaples misy tsanganan-tsoratra enina nataon’i Origène, vita tamin’ny 245 am.f.i. tany ho any. Tamin’ny fanazavana ny Salamo 2:2, dia hoy ny nosoratan’i Origène momba ny Septante: “Ao amin’ireo sora-tanana araka ny marina indrindra, dia hita amin’ny litera hebreo ILAY ANARANA, na dia tsy amin’ny [litera] hebreo amin’izao andro izao aza, fa amin’ny litera tena tranainy indrindra.” e Ilay porofo dia toa manome fanatsoahan-kevitra fa ny Septante dia novana taloha be, ka ny Kyʹri·os (Tompo) sy ny The·osʹ (Andriamanitra) dia nasolo ny Tetragrama. Koa satria ireo Kristiana tany am-boalohany nampiasa sora-tanana nirakitra ny anaran’Andriamanitra, dia tsy azo heverina fa nanaraka ny lovantsofina jiosy tamin’ny tsy fanononana “ILAY ANARANA” izy ireo nandritra ny fanompoany. Tsy maintsy ho afaka nanambara ny anaran’i Jehovah nivantana avy tamin’ny Septante grika izy ireo.

15. a) Amin’ny fampiasana ny tabilao eo amin’ny pejy faha-314, dia lazalazao ny momba ireo sora-tanana tamin’ny hodi-janak’omby sy ny hodi-biby amin’ny Septante. b) Inona no firesahana ataon’ny Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao momba azy ireny?

15 Mbola misy sora-tanana an-jatony maro amin’ny Septante grika natao tamin’ny hodi-janak’omby sy hoditra. Maro amin’izy ireny, izay navoaka teo anelanelan’ny taonjato fahefatra am.f.i. sy ny fahasivy am.f.i., no zava-dehibe satria mahafaoka ampahany lehibe amin’ny Soratra Hebreo. Fantatra hoe onciaux izy ireny satria nosoratana manontolo tamin’ny sora-baventy lehibe sady misy elanelana. Ny ambiny dia antsoina hoe zanatsoratra satria nosoratana tamin’ny fomba fanoratra kely kokoa sy cursif (tsy misy elanelana, toy ny nosoratan-tanana). Ny sora-tanana amin’ny zanatsoratra, na cursif, dia nitoetra ho nalaza nanomboka tamin’ny taonjato fahasivy ka hatramin’ny nanombohan’ny fanaovana pirinty. Ireo sora-tanana onciaux niavaka natao tamin’ny taonjato fahefatra sy fahadimy, izany hoe ny Vaticanus No. 1209 sy ny Sinaïticus ary ny Alexandrinus dia samy mirakitra avokoa ny Septante grika miaraka amin’ny fiovana kely sasany. Misy firesahana imbetsaka momba ny Septante eo amin’ny fanamarihana ambany pejy sy ny fanazavana ao amin’ny Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao. f

16. a) Inona moa ny Vulgate latina, ary nahoana izy io no sarobidy aoka izany? b) Manomeza ohatra ny amin’ny firesahan’ny Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao momba azy io.

16 Ny Vulgate latina. Io dikan-teny io dia soratra fototra nampiasain’ireo mpandika teny katolika maro tamin’ny famoahana dikan-teny hafa tamin’ny fiteny be dia be nampiasain’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana tandrefana. Ahoana no niandohan’ny Vulgate? Ny teny latina vulgatus dia midika hoe “mahazatra, izay an’ny besinimaro”. Rehefa navoaka voalohany ny Vulgate, dia natao tamin’ny teny latina mahazatra, na ny an’ny besinimaro tamin’izay fotoana izay, hany ka azon’ny olon-tsotra tao amin’ny Empira Romana tandrefana mora foana izy io. Ilay manam-pahaizana atao hoe Jérôme, izay nanao io fandikan-teny io, dia efa nanao fanavaozana indroa ny Salamo tamin’ny teny latina tranainy teo aloha, tamin’ny fanaovana fampitahana tamin’ny Septante grika. Kanefa, ny fandikany ny Baiboly Vulgate dia nataony nivantana avy tamin’ny teny hebreo sy grika tany am-boalohany ka noho izany dia tsy dikan-tenin’ny dikan-teny izy io. Nanao io fandikany tamin’ny teny latina avy tamin’ny teny hebreo io i Jérôme tamin’ny 390 am.f.i. tany ho any ka hatramin’ny 405 am.f.i. Na dia nirakitra boky apokrifa, izay tao anatin’ny kopian’ny Septante tamin’izay fotoana izay, aza ilay Baiboly vita, i Jérôme dia nanavaka mazava tsara ireo boky kanônika sy ireo tsy toy izany. Ny Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao dia miresaka imbetsaka momba ny Vulgate nataon’i Jérôme eo amin’ny fanamarihany ambany pejy. g

IREO SORATRA AMIN’NY TENY HEBREO

17. Iza moa ireo mpanora-dalàna, na Soferima, ary noho ny inona no nanamelohan’i Jesosy azy ireo?

17 Ny Soferima. Ireo lehilahy izay nanao kopia ny Soratra Hebreo nanomboka tamin’ny andron’i Ezra ka nitohy hatramin’ny andron’i Jesosy dia nantsoina hoe mpanora-dalàna, na Soferima. Rehefa nandeha ny fotoana, dia nanomboka ho sahisahy nanao fanovana teo amin’ny soratra izy ireo. Raha ny tena izy, dia ny tenan’i Jesosy mihitsy no nanameloka tsy tamim-pihambahambana ireny tokony ho mpiambina ny Lalàna ireny noho ny nakany fahefana izay tsy azy akory. — Matio 23:2, 13.

18. a) Iza moa ireo Masoreta, ary fanazavana sarobidy inona no nataony momba ny soratra hebreo? b) Inona avy no ohatra sasany amin’ny fanitsiana nataon’ny Soferima, araka ny nomarihin’ny Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao?

18 Mampiharihary ireo fanovana ny Masora. Ireo mpanora-dalàna nandimby ireo Soferima nandritra ireo taonjato taorian’i Kristy dia nanjary fantatra ho ny Masoreta. Izy ireo dia nanamarika ny fanovana nataon’ireo Soferima teo aloha, ka nirakitra an-tsoratra azy ireny teo an-tsisim-pejy na teo amin’ny faran’ny soratra hebreo. Ireny fanamarihana an-tsisim-pejy ireny dia nanjary fantatra hoe ny Masora. Ny Masora dia nitanisa tsipiriany miavaka 15 nataon’ny Soferima, izany hoe teny na fehezanteny 15 tao amin’ny soratra hebreo izay nomarihina tamin’ny teboka na tsipika kely. Ny sasany tamin’ireny tsipiriany miavaka ireny dia tsy misy vokany eo amin’ny fandikan-teny anglisy na ny filazana ny hevitry ny teny, saingy ny sasany kosa dia misy ary tena lehibe mihitsy. h Ny Soferima dia namela ny tahony feno finoanoam-poana tamin’ny fanononana ny anarana hoe Jehovah, hamandrika azy ireo ka nitarika ny fanovana azy io tamin’ny famakiana hoe ʼAdho·naiʹ (Tompo) tamin’ny toerana 134 sy hoe ʼElo·himʹ (Andriamanitra) tamin’ny toerana sasany. Mitanisa ireny fanovana ireny ny Masora. i Ny Soferima na mpanora-dalàna tany am-boalohany dia omen-tsiny koa noho ny fanaovana fanitsiana 18 fara fahakeliny, araka ny fanamarihana iray eo amin’ny Masora, na dia niharihary aza fa nisy maro kokoa noho izany. j Ireny fanitsiana ireny dia tena azo inoana fa natao noho ny fikasana tsara, satria ny andalan-teny tany am-boalohany dia toa nampiseho na tsy fanajana an’Andriamanitra na tsy fanajana ireo solontenany teto an-tany.

19. Inona no atao hoe ny soratra amin’ny renisoratra hebreo, ary oviana izy io no nanjary nanana endrika voafaritra tsara?

19 Ny soratra amin’ny renisoratra. Ny abidy hebreo dia voaforon’ny renisoratra 22, tsy misy zanatsoratra. Tany am-boalohany, ny mpamaky dia tsy maintsy nanampy ny zanapeo avy tamin’ny fahalalany ilay fiteny. Ny soratra hebreo dia tahaka ny soratra nohafohezina. Na dia amin’ny teny malagasy aza dia misy fanafohezana ampiasain’ny olona izay ahitana renisoratra fotsiny. Ohatra, ny sns. dia fanafohezana ny sy ny sisa. Toy izany koa, ny teny hebreo dia nahafaoka fitohitohizan-teny voaforon’ny renisoratra fotsiny. Araka izany, ny dikan’ny hoe “soratra amin’ny renisoratra” dia soratra hebreo tsy nisy mari-janatsoratra. Ny soratra amin’ny renisoratra tao amin’ny sora-tanana hebreo dia nanjary nanana endriny voafaritra tsara teo anelanelan’ny taonjato voalohany sy faharoa am.f.i., na dia nitohy aza ny fivezivezen’ny sora-tanana nisy soratra niova kely nandritra ny fotoana sasany. Tsy nisy fanovana natao intsony, toy ny tamin’ny fe-potoan’ny Soferima teo aloha.

20. Inona no nataon’ireo Masoreta momba ny soratra hebreo?

20 Ny soratra masoretika. Tamin’ny tapany faharoa tamin’ny arivo taona voalohany am.f.i., ireo Masoreta (Hebreo: ba·ʽalehʹ ham·ma·soh·rahʹ, midika hoe “ireo Mpampianatra ny Lovantsofina”) dia nanorina rafitra nisy teboka zanatsoratra sy mari-tsindrimpeo. Izy ireny dia nampiasaina ho fanampiana voasoratra ho amin’ny famakiana sy ny fanononana ny zanapeo, na dia nampitaina tamin’ny alalan’ny lovantsofina am-bava aza teo aloha ny fanononana. Ny Masoreta dia tsy nanao fanovana na inona na inona tamin’ny soratra izay nampitainy fa nirakitra an-tsoratra kosa ireo fanamarihana an-tsisim-pejy teo amin’ny Masora, rehefa hitany fa nety ny fanaovana izany. Nampiseho fitandremana lehibe izy ireo mba tsy hanao fanovana ny soratra. Fanampin’izany, teo amin’ny Masora nataony, dia nitarika ny saina ho amin’ny toetra mampiavaka manokana ny soratra izy ireo ary nanome fomba famakiana voahitsy izay noheveriny fa tena ilaina.

21. Inona no atao hoe soratra masoretika?

21 Nisy sekoly telon’ny Masoreta nandray anjara tamin’ny fanatsarana ny fanisiana zanatsoratra sy mari-tsindrimpeo teo amin’ny soratra amin’ny renisoratra, dia ny tany Babylona sy Palestina ary Tiberiasy. Ny soratra hebreo amin’izao andro izao aseho eo amin’ireo fanontana vita pirintin’ny Baiboly hebreo dia fantatra ho ny soratra masoretika ary mampiasa ny rafitra noforonin’ny sekoly tany Tiberiasy. Io rafitra io dia nohatsarain’ireo Masoreta tany Tiberiasy, tanàna eo amin’ny morona andrefan’ny Ranomasin’i Galilia. Ny fanamarihana ambany pejy ao amin’ny Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao dia miresaka imbetsaka momba ny soratra masoretika (eo ambanin’ny marika hoe M) sy ny fanamarihany an-tsisim-pejy, ny Masora (eo ambanin’ny marika hoe Mmargin). k

22. Sora-tanana inona anisan’ny soratra natao tany Babylona no nanjary teo am-pelatanana, ary ahoana no ampitahana azy io amin’ny soratra natao tany Tiberiasy?

22 Ny sekoly tao Palestina dia nametraka mari-janatsoratra teo ambonin’ny renisoratra. Vitsy monja tamin’ireny sora-tanana ireny no tonga hatratỳ amintsika, ka nampiseho izany fa io rafitra fanisiana zanatsoratra io dia tsy lavorary. Ny rafitra fanisiana zanatsoratra natao tany Babylona dia nanisy zanatsoratra nihantona toy izany koa. Ny Kodeksa Pétersbourg Momba Ireo Mpaminany natao tamin’ny 916 am.f.i., izay tahirizina ao amin’ny Tranombokim-bahoaka any St. Pétersbourg, U.R.S.S. teo aloha, dia sora-tanana iray mampiseho ny rafitra fanisiana zanatsoratra natao tany Babylona. Io kodeksa io dia mirakitra ny Isaia, ny Jeremia, ny Ezekiela, ary ny mpaminany “madinika”, miaraka amin’ny fanamarihana an-tsisim-pejy (Masora). Nandinika tamim-pahadodonana io sora-tanana io ireo manam-pahaizana ary nampitaha azy tamin’ny soratra natao tany Tiberiasy. Na dia mampiasa ny rafitra fanisiana zanatsoratra mihantona aza izy io, dia manaraka ny soratra natao tany Tiberiasy raha ny tena izy, momba ny soratra amin’ny renisoratra sy ireo zanatsoratra ary Masora ampiasainy. Ny British Museum dia manana kopian’ny Pentateuque amin’ny soratra natao tany Babylona, izay hita fa nifanaraka tamin’ny soratra natao tany Tiberiasy, amin’ny fotony.

23. Fitohitohizana sora-tanana hebreo inona avy no hita teny akaikin’ny Ranomasina Maty?

23 Ireo Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty. Tamin’ny 1947, dia nanomboka ny toko vaovao iray nampientana tamin’ny tantaran’ny sora-tanana hebreo. Tao anatin’ny zohy iray tany Wadi Qumran (Nahal Qumeran), teo amin’ny faritry ny Ranomasina Maty, dia hita ny horonam-bokin’i Isaia voalohany, niaraka tamin’ny horonam-boky ara-baiboly sy tsy ara-baiboly hafa. Fotoana fohy taorian’izay, dia navoaka ho an’ny manam-pahaizana mba hodinihiny ny kopia fenon’io horonam-bokin’i Isaia (1QIsa) voatahiry tsara io nalaina sary. Inoana fa ny datin’izy io dia tamin’ny faran’ny taonjato faharoa al.f.i. Fahitan-javatra mahatalanjona loatra tokoa izy io — sora-tanana hebreo tranainy kokoa eo amin’ny arivo taona eo ho eo noho ny sora-tanana tranainy indrindra misy, dia ny soratra masoretikan’ny Isaia nekena! l Namoaka tapatapany amin’ny horonam-boky 170 mahery izay mampiseho ampahany amin’ireo boky rehetra ao amin’ny Soratra Hebreo, afa-tsy ny Estera, ireo zohy hafa tao Qumran. Mbola eo an-dalam-panaovana azy ny fandinihana ireo horonam-boky ireo.

24. Inona no azo amin’ny fampitahana ireny sora-tanana ireny amin’ny soratra masoretika, ary amin’inona no ampiasan’ny Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao azy ireny?

24 Nanao tatitra ny manam-pahaizana iray fa ny famakafakany ny Salamo 119 lava be tao amin’ny Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty Momba ny Salamo (11QPSa), izay horonam-boky lehibe iray, dia mampiseho azy io ho saika mifanaraka tanteraka, tsy misy latsaka, amin’ny soratra masoretika amin’ny Salamo 119. Nanamarika toy izao ny Profesora J. A. Sanders momba ny Horonam-bokin’ny Salamo: “Ny ankamaroan’ireo [zavatra niova] dia ara-pitsipi-panoratana ary tsy zava-dehibe afa-tsy ho an’ireo manam-pahaizana izay liana momba ny fanazavana ny fanononana ny teny hebreo fahiny, sy ny toy izany.” a Ireo ohatra hafa amin’ireny sora-tanana tranainy nahavariana ireny dia tsy nanondro fiovana lehibe saika teo amin’ny lafiny rehetra. Ny horonam-bokin’i Isaia mihitsy, na dia mampiseho tsy fitoviana sasany amin’ny fomba fanoratana ny teny sy ny rafitra ara-pitsipi-pitenenana aza, dia tsy miova raha ny amin’ny foto-kevitra ara-poto-pampianarana. Io horonam-bokin’i Isaia navoaka io dia nodinihina teo amin’ireo fiovany, tamin’ny fanomanana ny Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao, ary misy ny firesahana momba azy io. b

25. Soratra hebreo inona avy no voadinika izao, ary manome toky antsika ny amin’inona ny fandinihana azy ireny?

25 Voadinika izao ireo fomba lehibe nampitana ny Soratra Hebreo. Voalohany indrindra, dia tao ny Pentateuque samaritana, ireo Targums aramiana, ny Septante grika, ny soratra hebreo natao tany Tiberiasy, ny soratra hebreo natao tany Palestina, ny soratra hebreo natao tany Babylona, ary ny soratra hebreo ao amin’ny Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty. Vokatry ny fandinihana sy ny fampitahana ireny soratra ireny dia matoky isika fa ny Soratra Hebreo dia tonga hatratỳ amintsika ankehitriny, amin’ny fotony, amin’ny endrika izay niraketan’ireo mpanompon’Andriamanitra nahazo tsindrimandry an-tsoratra azy ireny tamin’ny voalohany.

NY SORATRA HEBREO NOHATSARAINA

26. a) Oviana no nampandrosoana ny fandinihana nisy fitsikerana ny soratra hebreo, ary inona no soratra fiaingana sasany natao pirinty? b) Ahoana no nampiasana ny soratra nataon’i Ginsburg?

26 Ny fanontana vita pirinty nekena amin’ny Baiboly hebreo tamin’ny taonjato faha-19 dia ny Baiboly Rabinika Faharoa nataon’i Jacob ben Chayyim, navoaka tamin’ny 1524 ka hatramin’ny 1525. Efa tamin’ny taonjato faha-18 ireo manam-pahaizana vao nanomboka nampandroso ny fandinihana nisy fitsikerana ny soratra hebreo. Tamin’ny 1776 ka hatramin’ny 1780, tany Oxford, i Benjamin Kennicott dia namoaka filazana hevi-teny misy fiovana kely avy tamin’ny sora-tanana hebreo 600 mahery. Avy eo, tamin’ny 1784 ka hatramin’ny 1798, tany Parme, ilay manam-pahaizana italiana atao hoe J. B. de Rossi dia namoaka filazana hevi-teny misy fiovana kely avy tamin’ny sora-tanana 800 mahery. I S. Baer koa, manam-pahaizana momba ny teny hebreo, avy tany Alemaina, dia namoaka soratra fiaingana. Vao haingana kokoa, i C. D. Ginsburg dia nandany taona maro namoahana soratra fiaingana nisy fitsikerana ho an’ny Baiboly hebreo. Nivoaka voalohany izy io tamin’ny 1894, ary niaraka tamin’ny fanavaozana farany tamin’ny 1926. c Nampiasa ny fanontana 1894 tamin’io soratra io i Joseph Rotherham tamin’ny famoahana ny fandikan-teniny anglisy, The Emphasised Bible, tamin’ny 1902, ary nampiasa ny soratra nataon’i Ginsburg sy i Baer ny Profesora Max L. Margolis sy ireo mpiara-miasa taminy, tamin’ny famoahana ny fandikany ny Soratra Hebreo tamin’ny 1917.

27, 28. a) Inona no atao hoe Biblia Hebraica, ary ahoana no nivoaran’izy io? b) Ahoana no nampiasan’ny Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao io soratra io?

27 Tamin’ny 1906, i Rudolf Kittel, manam-pahaizana momba ny teny hebreo, dia namoaka tany Alemaina ny fanontana voalohany (ary tatỳ aoriana, fanontana faharoa) amin’ny soratra hebreo nohatsarainy nitondra ny lohateny hoe Biblia Hebraica, na “Ny Baiboly Hebreo”. Tao amin’io boky io, i Kittel dia nanome fanazavana fanampiny ho enti-manao fitsikerana ho an’ny soratra tamin’ny alalan’ny fanamarihana ambany pejy niitatra, izay nanamarina na nampitaha ireo sora-tanana hebreo maro amin’ny soratra masoretika teo am-pelatanana tamin’izay fotoana izay. Nampiasa ny soratra nataon’i Jacob ben Chayyim, nekena tamin’ny ankapobeny ho soratra fototra, izy. Rehefa nanjary teo am-pelatanana ny soratra tranainy sy ambony lavitra nataon’ny Masoreta Ben Asher, izay nekena tamin’ny taonjato faha-10 am.f.i. tany ho any, dia nanomboka namoaka fanontana fahatelo hafa tanteraka tamin’ny Biblia Hebraica, i Kittel. Io asa io dia novitain’ny mpiombon-draharaha taminy taorian’ny nahafatesany.

28 Ny Biblia Hebraica nataon’i Kittel, ny fanontana faha-7 sy faha-8 ary faha-9 (1951-1955), dia nanome ny soratra fototra nampiasaina ho an’ny fizarana hebreo ao amin’ny Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao amin’ny teny anglisy. Ny fanontana vaovao iray amin’ny soratra hebreo, izany hoe ny Biblia Hebraica Stuttgartensia, natao tamin’ny 1977, dia nampiasaina mba hampifanarahana tamin’ny zava-nisy ny fanazavana naseho teo amin’ny fanamarihana ambany pejy ao amin’ny Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao navoaka tamin’ny 1984.

29. Lafiny inona amin’ny Biblia Hebraica no nisy vidiny manokana tamin’ny famerenana amin’ny toerany ny anaran’Andriamanitra?

29 Ny fampisehoan’i Kittel ny Masora eo an-tsisim-pejy, izay manasongadina ireo fanovana maro ny soratra nataon’ireo mpanora-dalàna talohan’ny vanim-potoana kristiana, dia nandray anjara tamin’ny fandikana araka ny marina tao amin’ny Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao, anisan’izany ny famerenana amin’ny toerany ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah. Ny sahan’asa tsy mitsaha-mitombon’ny fahaizana manokana momba ny Baiboly dia azo raisina hatrany amin’ny alalan’ny Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao.

30. a) Amin’ny fampiasana ny tabilao eo amin’ny pejy faha-308, izay mampiseho ireo loharanon-kevitry ny ampahany atao hoe Soratra Hebreo ao amin’ny Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao, dia sorito ny tantaran’ny soratra hebreo hatramin’ny Biblia Hebraica izay loharanon-kevitra lehibe indrindra ho an’ny Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao. b) Inona avy no loharanon-kevitra hafa sasany izay nasian’ny Komitin’ny Fandikana ny Baibolin’Izao Tontolo Izao Vaovao firesahana?

30 Miaraka amin’itỳ fianarana itỳ ny tabilao iray izay mandahatra ireo loharanon-kevitry ny soratra ho an’ny Soratra Hebreo ao amin’ny Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao. Io tabilao io dia mampiseho amin’ny fomba fohy ny fivoaran’ny soratra hebreo hatreo amin’ny Biblia Hebraica nataon’i Kittel, izay ny loharanon-kevitra lehibe indrindra nampiasaina. Ireo loharanon-kevitra fanampiny izay nojerena dia aseho amin’ny alalan’ny tsipika mitapatapaka fotsy. Izany dia tsy nokendrena mba hanondroana fa nojerena ireo kopia tany am-boalohany amin’ireo dikan-teny ireo, toy ny Vulgate latina sy ny Septante grika. Very ankehitriny ny tany am-boalohany tamin’ireny dikan-teny ireny, toy ny an’ny asa soratra hebreo ara-tsindrimandry mihitsy. Ireny loharanon-kevitra ireny dia nojerena tamin’ny alalan’ireo fanontana azo antoka an’ireo soratra na avy tamin’ny fandikan-teny tranainy sy famelabelarana nisy fitsikerana azo itokiana. Tamin’ny fijerena ireny loharanon-kevitra samihafa ireny, dia afaka nampiseho fandikan-tenin’ny Soratra Hebreo tany am-boalohany ara-tsindrimandry manam-pahefana sy azo antoka ny Komitin’ny Fandikana ny Baibolin’Izao Tontolo Izao Vaovao. Ireny loharanon-kevitra ireny dia voatondro avokoa eo amin’ny fanamarihana ambany pejy ao amin’ny Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao.

31. a) Vokatry ny inona moa, noho izany, ny ampahany ao amin’ny Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao atao hoe Soratra Hebreo? b) Fisaorana sy fanantenana inona no azontsika ambara noho izany?

31 Araka izany, ny ampahany atao hoe Soratra Hebreo ao amin’ny Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao, dia vokatry ny fahaizana manokana momba ny Baiboly sy ny fikarohana maharitra. Izy io dia mifototra amin’ny soratra mifanaraka akaiky amin’ny tany am-boalohany, izay vokatra feno azo tamin’ny fampitana ny soratra tamim-pahatokiana. Amin’ny fomba misosa tsara sy ny fomba fanoratra manaitra ny saina, izy io dia manolotra fandikan-teny izay sady milaza ny marina no araka ny marina ho an’ny fianarana Baiboly amim-pitandremana. Isaorana i Jehovah, ilay Andriamanitra tia mampita hevitra, fa ny Teniny dia velona sady manan-kery amin’izao andro izao! (Heb. 4:12, NW ). Enga anie ireo olona tso-po ka hanohy hanorina finoana amin’ny alalan’ny fianarana ny Tenin’Andriamanitra sarobidy sy hahazo fampirisihana hanao ny sitrapon’i Jehovah mandritra izao andro manan-tantara izao. — 2 Pet. 1:12, 13.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Tsy fantatra hoe oviana no naorina ny fampiasana synagoga. Nety ho nandritra ny sesitany 70 taona tany Babylona izay tsy nisian’ny tempoly izany, na nety ho fotoana fohy taorian’ny fiverenana avy tany an-tsesitany tamin’ny andron’i Ezra.

b Jereo ny hoe “Sam” eo amin’ny fanamarihana ambany pejy, ao amin’ny Genesisy 4:8; Eksodosy 6:2; 7:9; 8:15; ary Eks. 12:40, ao amin’ny Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao Misy Fakan-teny (anglisy). Io fandikana farany io dia manampy antsika hahatakatra ny Galatiana 3:17.

c Jereo ny “T” eo amin’ny fanamarihana ambany pejy ao amin’ny Nomery 24:17 sy Deoteronomia 33:13 ary Salamo 100:3, ao amin’ny Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao Misy Fakan-teny (anglisy).

d Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao Misy Fakan-teny (anglisy), appendice (pejy fanampiny) 1C, “Ny Anaran’Andriamanitra ao Amin’ny Dikan-teny Grika Tranainy”.

e Insight on the Scriptures, Boky 2, pejy 9.

f Ny Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao Misy Fakan-teny (anglisy) dia manamarika ireny fiovana ireny amin’ny alalan’ny marika LXXא ho an’ny Sinaïticus sy LXXA ho an’ny Alexandrinus ary LXXB ho an’ny Vaticanus. Jereo ny fanamarihana ambany pejy ao amin’ny 1 Mpanjaka 14:2 sy 1 Tantara 7:34; 12:19.

g Jereo ny hoe “Vg” eo amin’ny fanamarihana ambany pejy ao amin’ny Eksodosy 37:6, ao amin’ny Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao Misy Fakan-teny (anglisy).

h Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao Misy Fakan-teny (anglisy), appendice 2A, “Tsipiriany Miavaka”.

i Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao Misy Fakan-teny (anglisy), appendice 1B, “Fanovana Nataon’ny Mpanora-dalàna Nahatafiditra ny Anaran’Andriamanitra”.

j Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao Misy Fakan-teny (anglisy), appendice 2B, “Fanitsiana Nataon’ny Soferima”.

k Jereo ny fanamarihana ambany pejy ao amin’ny Salamo 60:5; 71:20; 100:3; ary Sal. 119:79, ao amin’ny Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao Misy Fakan-teny (anglisy).

l Insight on the Scriptures, Boky 1, pejy 322.

a The Dead Sea Psalms Scroll, 1967, J. A. Sanders, pejy 15.

b Jereo ny “1QIsa” eo amin’ny fanamarihana ambany pejy ao amin’ny Isaia 7:1; 14:4, ao amin’ny Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao Misy Fakan-teny (anglisy).

c Jereo ny hoe “Gins.” eo amin’ny fanamarihana ambany pejy ao amin’ny Levitikosy 11:42, ao amin’ny Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao Misy Fakan-teny (anglisy).

[Fanontaniana]

[Tabilao, pejy 313]

(Jereo ny boky)

SORA-TANANA SASANY AMIN’NY TARATASY PAPYRUS MALAZA INDRINDRA

Ho An’ny Soratra Hebreo

Anaran’ilay Sora-tanana Papyrus Nash

Daty Taonj. 2 na voal. al.f.i.

Fiteny Hebreo

Any Cambridge, Angletera

Izay Tokony Horaketiny Andalana 24 amin’ny Didy Folo sy andininy

sasany amin’ny Deoteronomia toko 5, 6

Anaran’ilay Sora-tanana Rylands 458

Marika 957

Daty Taonj. 2 al.f.i.

Fiteny Grika

Any Manchester, Angletera

Izay Tokony Horaketiny Tapatapa-tsoratra amin’ny Deoteronomia

toko 23-28

Anaran’ilay Sora-tanana Fouad 266

Daty Taonj. voal. al.f.i.

Fiteny Grika

Any Le Caire, Egypta

Izay Tokony Horaketiny Ampahany amin’ny Genesisy sy Deoteronomia

Andininy sasany ao amin’ny Deot. 18:5; Asa. 3:22; appendice 1C

NW Misy Fakan-teny

(jereo ny f.a.p.)

Anaran’ilay Sora-tanana Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty

Momba ny Levitikosy

Marika 4Q LXX Levb

Daty Taonj. voal. al.f.i.

Fiteny Grika

Any Jerosalema, Isiraely

Izay Tokony Horaketiny Tapatapa-tsoratra amin’ny Levitikosy

Andininy sasany ao amin’ny Lev. 3:12; 4:27

NW Misy Fakan-teny

(jereo ny f.a.p.)

Anaran’ilay Sora-tanana Chester Beatty 6

Marika 963

Daty Taonj. 2 am.f.i.

Fiteny Grika

Any Dublin, Irlande, sy Ann Arbor, Michigan,

Etazonia

Izay Tokony Horaketiny Ampahany amin’ny Nomery sy Deoteronomia

Anaran’ilay Sora-tanana Chester Beatty 9, 10

Marika 967/968

Daty Taonj. 3 am.f.i.

Fiteny Grika

Any Dublin, Irlande, sy Princeton,

New-Jersey, Etazonia

Izay Tokony Horaketiny Ampahany amin’ny Ezekiela, Daniela,

ary Estera

Ho An’ny Soratra Grika Kristiana

Anaran’ilay Sora-tanana Oxyrhynchus 2

Marika P1

Daty Taonj. 3 am.f.i.

Fiteny Grika

Any Philadelphie, Pa., Etazonia

Izay Tokony Horaketiny Matio 1:1-9, 12, 14-20

Anaran’ilay Sora-tanana Oxyrhynchus 1228

Marika P22

Daty Taonj. 3 am.f.i.

Fiteny Grika

Any Glasgow, Ecosse

Izay Tokony Horaketiny Tapatapa-tsoratra amin’ny Jaona

toko 15, 16

Anaran’ilay Sora-tanana Michigan 1570

Marika P37

Daty Taonj. 3/4 am.f.i.

Fiteny Grika

Any Ann Arbor, Michigan, Etazonia

Izay Tokony Horaketiny Matio 26:19-52

Anaran’ilay Sora-tanana Chester Beatty 1

Marika P45

Daty Taonj. 3 am.f.i.

Fiteny Grika

Any Dublin, Irlande; Vienne, Aotrisy

 

Izay Tokony Horaketiny Tapatapa-tsoratra amin’ny Matio, Marka,

Lioka, Jaona, ary Asan’ny Apostoly

Andininy sasany ao amin’ny Lioka 10:42; Jaona 10:18

NW Misy Fakan-teny

(jereo ny f.a.p.)

Anaran’ilay Sora-tanana Chester Beatty 2

Marika P46

Daty 200 am.f.i. t.h.a.

Fiteny Grika

Any Dublin, Irlande; Ann Arbor, Michigan,

Etazonia

Izay Tokony Horaketiny Sivy amin’ny taratasin’i Paoly

Andininy sasany ao amin’ny Rom. 8:23, 28; 1 Kor. 2:16

NW Misy Fakan-teny

(jereo ny f.a.p.)

Anaran’ilay Sora-tanana Chester Beatty 3

Marika P47

Daty Taonj. 3 am.f.i.

Fiteny Grika

Any Dublin, Irlande

Izay Tokony Horaketiny Apok. 9:10–17:2

Andininy sasany ao amin’ny Apok. 13:18; 15:3

NW Misy Fakan-teny

(jereo ny f.a.p.)

Anaran’ilay Sora-tanana Rylands 457

Marika P52

Daty 125 am.f.i. t.h.a.

Fiteny Grika

Any Manchester, Angletera

Izay Tokony Horaketiny Jaona 18:31-33, 37, 38

Anaran’ilay Sora-tanana Bodmer 2

Marika P66

Daty 200 am.f.i. t.h.a.

Fiteny Grika

Any Genève, Soisa

Izay Tokony Horaketiny Ankabeazan’ny Jaona

Andininy sasany ao amin’ny Jaona 1:18; 19:39

NW Misy Fakan-teny

(jereo ny f.a.p.)

Anaran’ilay Sora-tanana Bodmer 7, 8

Marika P72

Daty Taonj. 3/4 am.f.i.

Fiteny Grika

Any Genève, Soisa sy Tranombokin’ny Vatikana

any Roma, Italia

Izay Tokony Horaketiny Joda, 1 Petera, sy 2 Petera

Anaran’ilay Sora-tanana Bodmer 14, 15

Marika P75

Daty Taonj. 3 am.f.i.

Fiteny Grika

Any Genève, Soisa

Izay Tokony Horaketiny Ankabeazan’ny Lioka sy ny Jaona

Andininy sasany ao amin’ny Lioka 8:26; Jaona 1:18

NW Misy Fakan-teny

(jereo ny f.a.p.)

[Tabilao, pejy 314]

(Jereo ny boky)

SORA-TANANA SASANY AMIN’NY TARATASY HODI-JANAK’OMBY SY HODITRA MALAZA INDRINDRA

Ho An’ny Soratra Hebreo (amin’ny teny hebreo)

Anaran’ilay Sora-tanana Kodeksa Aleppo

Marika Al

Daty 930 am.f.i.

Fiteny Hebreo

Any Taloha tany Aleppo, Syria.

Any Isiraely ankehitriny.

Izay Tokony Horaketiny Tapany lehibe amin’ny Soratra Hebreo

(soratra nataon’i Ben Asher)

Andininy sasany ao amin’ny Josoa 21:37

NW Misy Fakan-teny

(jereo ny f.a.p.)

Anaran’ilay Sora-tanana Kodeksa Or4445 British Museum

Daty Taonj. 10 am.f.i.

Fiteny Hebreo

Any Londres, Angletera

Izay Tokony Horaketiny Ankabeazan’ny Pentateuque

Anaran’ilay Sora-tanana Kodeksa Caraïte Le Caire

Marika Ca

Daty 895 am.f.i.

Fiteny Hebreo

Any Le Caire, Egypta

Izay Tokony Horaketiny Mpaminany taloha sy taoriana kokoa

Andininy sasany ao amin’ny Josoa 21:37; 2 Sam. 8:3

NW Misy Fakan-teny

(jereo ny f.a.p.)

Anaran’ilay Sora-tanana Kodeksa Leningrad

Marika B 19A

Daty 1008 am.f.i.

Fiteny Hebreo

Any St. Pétersbourg, U.R.S.S. teo aloha

Izay Tokony Horaketiny Soratra Hebreo

Andininy sasany ao amin’ny Josoa 21:37; 2 Sam. 8:3; appendice 1A

NW Misy Fakan-teny

(jereo ny f.a.p.)

Anaran’ilay Sora-tanana Kodeksa Pétersbourg Momba Ireo Mpaminany

Marika B 3

Daty 916 am.f.i.

Fiteny Hebreo

Any St. Pétersbourg, U.R.S.S. teo aloha

Izay Tokony Horaketiny Mpaminany taoriana kokoa

Andininy sasany ao amin’ny appendice 2B

NW Misy Fakan-teny

(jereo ny f.a.p.)

Anaran’ilay Sora-tanana Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty

Voalohany Momba ny Isaia

Marika 1QIsa

Daty Farany tamin’ny taonj. 2 al.f.i.

Fiteny Hebreo

Any Jerosalema, Isiraely

Izay Tokony Horaketiny Isaia

Andininy sasany ao amin’ny Isaia 11:1; 18:2; 41:29

NW Misy Fakan-teny

(jereo ny f.a.p.)

Anaran’ilay Sora-tanana Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty

Momba ny Salamo

Marika 11QPsa

Daty Taonj. voal. am.f.i.

Fiteny Hebreo

Any Jerosalema, Isiraely

Izay Tokony Horaketiny Ampahany 41 amin’ny ampahatelony farany

amin’ireo Salamo

Ho An’ny Septante sy ny Soratra Grika Kristiana

Anaran’ilay Sora-tanana Sinaïticus

Marika 01( א)

Daty Taonj. 4 am.f.i.

Fiteny Grika

Any Londres, Angletera

Izay Tokony Horaketiny Tapany amin’ny Soratra Hebreo sy ny

Soratra Grika manontolo mbamin’ny

asa soratra apokrifa sasany

Andininy sasany ao amin’ny 1 Tant. 12:19; Jaona 5:2; 2 Kor. 12:4

NW Misy Fakan-teny

(jereo ny f.a.p.)

Anaran’ilay Sora-tanana Alexandrinus

Marika A (02)

Daty Taonj. 5 am.f.i.

Fiteny Grika

Any Londres, Angletera

Izay Tokony Horaketiny Soratra Hebreo sy Soratra Grika manontolo

(very na simba ny ampahany kely sasany)

mbamin’ny asa soratra apokrifa sasany

Andininy sasany ao amin’ny 1 Mpanj. 14:2; Lioka 5:39; Asa. 13:20;

NW Misy Fakan-teny Heb. 3:6

(jereo ny f.a.p.)

Anaran’ilay Sora-tanana Vaticanus 1209

Marika B (03)

Daty Taonj. 4 am.f.i.

Fiteny Grika

Any Tranombokin’ny Vatikana, Roma, Italia

Izay Tokony Horaketiny Baiboly manontolo tany am-boalohany. Tsy

misy ankehitriny: Gen. 1:1–46:28;

Sal. 106-137; Hebreo aorian’ny 9:14;

2 Timoty; Titosy; Filemona; Apokalypsy

Andininy sasany ao amin’ny Marka 6:14; Jaona 1:18; 7:53–8:11

NW Misy Fakan-teny

(jereo ny f.a.p.)

Anaran’ilay Sora-tanana Ephraemi Syri rescriptus

Marika C (04)

Daty Taonj. 5 am.f.i.

Fiteny Grika

Any Paris, Frantsa

Izay Tokony Horaketiny Tapany amin’ny Soratra Hebreo

(takelaka 64) sy amin’ny

Soratra Grika (takelaka 145)

Andininy sasany ao amin’ny Asa. 9:12; Rom. 8:23, 28, 34

NW Misy Fakan-teny

(jereo ny f.a.p.)

Anaran’ilay Sora-tanana Kodeksa Bezae Cantabrigiensis

Marika Dea (05)

Daty Taonj. 5 am.f.i.

Fiteny Grika-Latina

Any Cambridge, Angletera

Izay Tokony Horaketiny Ankabeazan’ny Filazantsara efatra sy

Asan’ny Apostoly, andininy vitsivitsy

amin’ny 3 Jaona

Andininy sasany ao amin’ny Matio 24:36; Marka 7:16; Lioka 15:21

NW Misy Fakan-teny (fakan-teny aseho fotsiny

(jereo ny f.a.p.) amin’ny marika hoe “D”)

Anaran’ilay Sora-tanana Kodeksa Claromontanus

Marika DP (06)

Daty Taonj. 6 am.f.i.

Fiteny Grika-Latina

Any Paris, Frantsa

Izay Tokony Horaketiny Epistilin’i Paoly (anisan’izany

ny Hebreo)

Andininy sasany ao amin’ny Gal. 5:12 (fakan-teny aseho fotsiny

NW Misy Fakan-teny amin’ny marika hoe “D”)

(jereo ny f.a.p.)

[Kisary, pejy 308]

(Jereo ny boky)

Loharanon-kevitry ny Soratra ho An’ny Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao — Soratra Hebreo

Asa Soratra Hebreo Voalohany sy Kopia Tany Am-boalohany

Targums aramiana

Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty

Pentateuque samaritana

Septante grika

latina tranainy

copte sy etiopiana ary armeniana

Soratra amin’ny renisoratra hebreo

Vulgate latina

Dikan-teny grika — Aquila, Théodotion, Symmaque

Peshito syriaque

Soratra masoretika

Kodeksa Le Caire

Kodeksa Pétersbourg Momba Ireo Mpaminany

Kodeksa Aleppo

Soratra hebreo Ginsburg

Kodeksa Leningrad B 19A

Biblia Hebraica (BHK), Biblia Hebraica Stuttgartensia (BHS)

Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao

Soratra Hebreo — Anglisy; Avy Amin’ny Teny Anglisy ho Amin’ny Fiteny Maoderina Maro Hafa

[Kisary, pejy 309]

(Jereo ny boky)

Loharanon-kevitry ny Soratra ho An’ny Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao Soratra Grika Kristiana

Asa Soratra Grika Voalohany sy Kopia Tany Am-boalohany

Dikan-teny arameniana

Dikan-teny coptes

Dikan-teny syriaques — Cureton, Philoxénienne, Héracléenne,

Palestinienne, Sinaïticus, Peshito

latina tranainy

Vulgate latina

Soratra latina nohatsaraina Sixtine sy Clémentine

Sora-tanana grika cursifs

Soratra Érasme

Soratra Estienne

Textus Receptus

Soratra grika Griesbach

Emphatic Diaglott

tamin’ny taratasy papyrus (oh.: Chester Beatty P45, P46, P47;

Bodmer P66, P74, P75)

Sora-tanana amin’ny renisoratra grika tany am-boalohany

Vaticanus 1209 (B), Sinaïticus (א), Alexandrine (A), Ephraemi

Syri rescriptus (C), Bezae (D)

Soratra grika Wescott sy Hort

Soratra grika Bover

Soratra grika Merk

Soratra grika Nestle-Aland

Soratra grika Fikambanana Mpampiely Baiboly Mitambatra

Dikan-teny hebreo 23 (taonjato faha-14-20), nadika, na avy

tamin’ny teny grika na avy tamin’ny Vulgate latina, ka

mampiasa ny Tetragrama amin’ny anaran’Andriamanitra

Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao

Soratra Grika Kristiana — Anglisy; Avy Amin’ny Teny Anglisy ho Amin’ny Fiteny Maoderina Maro Hafa