Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fianarana Faha-6 — Ny Soratra Grika Kristiana ao Amin’ny Soratra Masina

Fianarana Faha-6 — Ny Soratra Grika Kristiana ao Amin’ny Soratra Masina

Fianarana Momba ny Soratra Ara-tsindrimandry sy ny Tantara Momba Azy

Fianarana Faha-6 — Ny Soratra Grika Kristiana ao Amin’ny Soratra Masina

Ny fanaovana kopia ny soratra ao amin’ny Soratra Grika; ny fampitana azy tamin’ny teny grika sy fiteny hafa hatramin’izao andro izao; ny maha-azo itokiana ny soratra maoderina.

1. Ahoana no nampandehanana ny fandaharam-pampianarana kristiana?

 IREO Kristiana tany am-boalohany dia mpampianatra sy mpitory naneran-tany ny ‘tenin’i Jehovah’ voasoratra. Izy ireo dia nanaraka tamim-pitandremana ny teny nolazain’i Jesosy taloha kelin’ny niakarany ho any an-danitra, nanao hoe: “Hahazo hery hianareo amin’ny hilatsahan’ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran’i Jodia sy Samaria ary hatramin’ny faran’ny tany.” (Isaia 40:8, NW; Asa. 1:8). Araka ny nambaran’i Jesosy mialoha, dia nahazo ny fanahy masina niaraka tamin’ny heriny mampahatanjaka ireo mpianatra voalohany 120. Izany dia tamin’ny andro Pentekosta 33 am.f.i. Tamin’io andro io ihany, i Petera dia nitarika ilay fandaharam-pampianarana vaovao tamin’ny fanomezana fanambarana feno, ka ny vokany dia olona maro no nandray ilay hafatra tamin’ny fony manontolo ary 3 000 teo ho eo no nanampiana ilay kongregasiona kristiana naorina vao haingana. — Asa. 2:14-42.

2. Vaovao tsara inona izao no nambara, ary fampisehoana inona moa io asa fanambarana io?

2 Voatosika hanao zavatra tsy toy izay antokon’olona hafa teo amin’ny tantara rehetra ireny mpianatr’i Jesosy Kristy ireny, ka nanome fiaingana tsara ho an’ny fandaharam-pampianarana izay tamin’ny farany dia nanenika ny toerana lavitra rehetra teo amin’ny tontolo fantatra tamin’izay. (Kol. 1:23). Eny, ireny vavolombelon’i Jehovah be fandavan-tena ireny dia dodona ny hampiasa ny tongony, nandeha isan-trano sy isan-tanàna ary isaky ny tany ka nanambara ny “vaovao tsaran’ny zava-tsoa”. (Rom. 10:15, NW ). Io vaovao tsara io dia niresaka momba ny fandaharan’avotra nomen’i Kristy sy ny fanantenana fananganana amin’ny maty ary ny Fanjakan’Andriamanitra nampanantenaina. (1 Kor. 15:1-3, 20-22, 50; Jak. 2:5). Mbola tsy nisy fanambarana nahakasika ny zavatra tsy hita maso toy izany mihitsy naseho tamin’ny olombelona teo aloha. Izy io dia nanjary “fampisehoana miharihary ny zavatra tena izy na dia tsy hita aza”, fanehoam-pinoana ho an’ny maro izay nanaiky an’i Jehovah ho Tompony Manam-piandrianana izao, nifototra tamin’ny soron’i Jesosy. — Heb. 11:1, NW; Asa. 4:24; 1 Tim. 1:14-17.

3. Inona no nampiavaka ireo mpitory kristiana tamin’ny taonjato voalohany am.f.i.?

3 Ireny mpitory kristiana ireny, lehilahy sy vehivavy, dia mpanompon’Andriamanitra nanam-pahalalana. Afaka namaky teny sy nanoratra izy ireo. Nampianarina tao amin’ny Soratra Masina izy ireo. Olona nahafantatra ireo zava-nitranga teo amin’izao tontolo izao izy ireo. Zatra ny nanao dia lavitra izy ireo. Tahaka ny valala izy ireo raha ny amin’ny tsy famelany na inona na inona hanakana ny zotrany nandroso ho any aloha tamin’ny fampielezana ny vaovao tsara. (Asa. 2:7-11, 41; Joela 2:7-11, 25). Tamin’io taonjato voalohany amin’ny Fanisan-taona Iraisana io, izy ireo dia niasa teo anivon’ny olona izay tena nitovy indrindra tamin’ny lafiny maro amin’olona amin’ny andro ankehitriny.

4. Teo ambanin’ny tsindrimandrin’i Jehovah sy ny fitarihany, dia fanoratana inona no natao tamin’ny andron’ny kongregasiona kristiana tany am-boalohany?

4 Tamin’ny naha-mpitory “ny tenin’ny fiainana” tia fandrosoana azy, ireo Kristiana tany am-boalohany dia nampiasa tsara izay horonam-bokin’ny Baiboly rehetra nety ho azony. (Fil. 2:15, 16; 2 Tim. 4:13). Ny efatra taminy, izany hoe i Matio, i Marka, i Lioka, ary i Jaona dia nahazo tsindrimandry tamin’i Jehovah mba hanoratra “ny vaovao tsara momba an’i Jesosy Kristy”. (Marka 1:1, NW; Matio 1:1). Ny sasany taminy, toa an-dry Petera, Paoly, Jaona, Jakoba, ary Joda dia nanoratra taratasy teo ambanin’ny tsindrimandry. (2 Pet. 3:15, 16). Ny hafa dia tonga mpanao kopia an’ireny hevitra nampitaina ara-tsindrimandry ireny, izay nampifanakalozana mba ho tombontsoan’ireo kongregasiona nihanitombo. (Kol. 4:16). Ankoatr’izany, “ny Apostoly sy ny loholona tany Jerosalema” dia nanao fanapahan-kevitra momba ny foto-pampianarana teo ambany fitarihan’ny fanahin’Andriamanitra, ary izany dia noraketina an-tsoratra mba hampiasaina tatỳ aoriana. Io fitambara-mpitantana foibe io dia nandefa koa taratasy nisy toro lalana ho an’ireo kongregasiona niely patrana. (Asa. 5:29-32; 15:2, 6, 22-29; 16:4). Ary tamin’izany, dia tsy maintsy ho nanana ny fomba fandefasany taratasy manokana izy ireo.

5. a) Inona no atao hoe kodeksa? b) Hatraiza no nampiasan’ireo Kristiana tany am-boalohany ny kodeksa, ary inona avy ireo soa azo avy taminy?

5 Mba hanafainganana ny fampielezana ireo Soratra Masina sy mba hanomezana azy ireo endrika nanamora ny fijerena andininy, tsy ela ireo Kristiana tany am-boalohany dia nanomboka nampiasa ny endrika kodeksa ho an’ny sora-tanana, ho solon’ny horonam-boky. Ny kodeksa dia mitovy endrika amin’ny boky maoderina, izay azo amadihana mora foana ny takelaka amin’ny fijerena andininy iray, ho solon’ny famelarana be izay tsy maintsy natao matetika tamin’ny horonam-boky iray. Ambonin’izany, ny endrika kodeksa dia nahatonga hety ny fanakambanana ireo asa soratra kanônika, fa ireo tamin’ny endrika horonam-boky kosa dia matetika no notanana tamin’ny horonana samy hafa. Ireo Kristiana tany am-boalohany dia mpisava lalana tamin’ny fampiasana ny kodeksa. Mety ho izy ireo mihitsy aza no namorona azy io. Na dia elaela aza vao nampiasain’ireo mpanoratra tsy kristiana ny kodeksa, ny ankabeazan’ireo taratasy papyrus nampiasain’ny Kristiana tamin’ny taonjato faharoa sy fahatelo kosa dia tamin’ny endrika kodeksa. a

6. a) Oviana ny fe-potoan’ny teny grika kilasika, inona no tafiditra tamin’io fiteny io, ary oviana ny fiteny koine, na grika niombonana, no nivoatra? b) Tamin’ny fomba ahoana ary hatraiza no nanjary nampiasan’ny besinimaro ny teny koine?

6 Ny fiteny koine (grika niombonana): fitaovana fampitan-kevitra. Ny fe-potoana nantsoina hoe kilasika ho an’ny teny grika dia niitatra nanomboka tamin’ny taonjato fahasivy al.f.i. ka hatramin’ny taonjato fahefatra al.f.i. Izany dia fe-potoan’ny fitenim-paritra ateniana sy ioniana. Nandritra izany fotoana izany, ary indrindra tamin’ny taonjato fahadimy sy fahefatra al.f.i., no niroborobo ireo mpanao teatira, poety, mpikabary, mpanoratra tantara, filozofa, sy mpahay siansa maro, anisan’izany i Homère, i Hérodote, i Socrate, sy i Platon, ary ireo hafa izay nanjary nalaza. Ny fe-potoana nanomboka tamin’ny taonjato fahefatra al.f.i. tany ho any ka hatramin’ny taonjato fahenina am.f.i. tany ho any dia ny vanim-potoan’izay fantatra hoe fiteny koine, na grika niombonana. Voalohany indrindra, ny fivoaran’io teny io dia noho ireo fanafihana ara-tafika nataon’i Aleksandra Lehibe, izay ny tafiny dia voaforon’ireo miaramila avy tany amin’ny faritra rehetra tany Grisia. Niteny fitenim-paritra grika samy hafa izy ireo, ary tamin’ny fifangaroan’ireny fitenim-paritra ireny, dia nivoatra sy nanjary nampiasain’ny besinimaro ny teny koine, fitenim-paritra niombonana iray. Ny fandresen’i Aleksandra an’i Egypta sy i Azia hatrany India, dia nanaparitaka ny teny koine tamin’ny vahoaka maro, hany ka nanjary fiteny niraisam-pirenena izy io ary nitoetra ho toy izany nandritra ny taonjato maro. Ny voambolana grika ao amin’ny Septante dia ny teny koine fampiasa tany Aleksandria, any Egypta, nandritra ny taonjato fahatelo sy faharoa al.f.i.

7. a) Ahoana no anamarinan’ny Baiboly ny fampiasana ny teny koine tamin’ny andron’i Jesosy sy ireo apostoliny? b) Nahoana no nifanentana tsara tamin’ny fampitana ny Tenin’Andriamanitra ny teny koine?

7 Tamin’ny andron’i Jesosy sy ireo apostoliny, ny teny koine dia fiteny niraisam-pirenena tao amin’ny faritra nanjakan’ny Romana. Ny Baiboly mihitsy dia manamarina izany zava-nisy izany. Rehefa nofantsihana teo amin’ny hazo i Jesosy, dia nilaina ny nametahana ilay soratra teo ambony lohany, tsy tamin’ny teny hebreo ihany, ny fitenin’ny Jiosy, fa tamin’ny teny latina koa, ny fiteny ofisialy teo amin’ilay tany, ary tamin’ny teny grika, izay nitenenana teny amin’ny araben’i Jerosalema efa ho nitovy tamin’ny tany Roma, Aleksandria, na Atena mihitsy. (Jaona 19:19, 20; Asa. 6:1). Ny Asan’ny Apostoly 9:29 dia mampiseho fa nitory ny vaovao tsara tao Jerosalema tamin’ireo Jiosy niteny grika i Paoly. Ny teny koine tamin’izay fotoana izay dia fiteny nahery sy velona ary nivoatra tsara — fiteny efa teo am-bava ary nifanentana tsara tamin’ny fikasan’i Jehovah mendri-kaja tamin’ny fampitana bebe kokoa ny Tenin’Andriamanitra.

NY SORATRA GRIKA SY NY FAMPITANA AZY

8. Nahoana isika izao no mandinika ny fitahirizana ireo sora-tanana amin’ny Soratra Grika?

8 Tao amin’ny fianarana teo aloha, dia nianatra isika fa i Jehovah dia nitahiry ny ranom-pahamarinany tao anatin’ny fitahirizana tahirin-kevitra voasoratra: ny Soratra Hebreo ara-tsindrimandry. Kanefa, nanao ahoana ny Soratra Masina nosoratan’ireo apostoly sy mpianatr’i Jesosy Kristy hafa? Moa ve izy ireny voatahiry ho antsika tamim-pitandremana toy izany ihany? Ny fandinihana ilay fitahirizana lehibe mirakitra sora-tanana amin’ny teny grika sy ny fiteny hafa koa dia mampiseho fa voatahiry toy izany izy ireny. Araka ny efa nohazavaina, io tapany amin’ny kanônan’ny Baiboly io dia mahafaoka boky 27. Hevero ny fomba nampitana ny soratra tamin’ireo boky 27 ireo, fomba mampiseho ny nitahirizana hatramin’izao andro izao ny soratra tamin’ny teny grika tany am-boalohany.

9. a) Tamin’ny fiteny inona no nanoratana ny Soratra Kristiana? b) Inona no fiavahana marihina momba ny Matio?

9 Ny loharanon’ireo sora-tanana grika. Ireo boky kanônika 27 amin’ny Soratra Kristiana dia nosoratana tamin’ny teny grika niombonana tamin’izany andro izany. Kanefa, ny bokin’i Matio dia toa nosoratana voalohany tamin’ny teny hebreo fampiasa tao amin’ny Baiboly mba hampiasain’ny vahoaka jiosy. I Jérôme, ilay mpandika ny Baiboly tamin’ny taonjato fahefatra, dia niresaka ny amin’izany, tamin’ny filazana fa nadika ho amin’ny teny grika izy io tatỳ aoriana. b Azo inoana fa ny tenan’i Matio mihitsy no nanao io fandikan-teny io — noho izy mpamory hetra, mpiasam-panjakana romana, dia tsy isalasalana fa nahay ny teny hebreo sy latina ary grika izy. — Marka 2:14-17.

10. Ahoana no nahatongavan’ireo asa soratra ao amin’ny Baiboly hatratỳ amintsika?

10 Ireo mpanoratra Baiboly kristiana hafa, dia i Marka, i Lioka, i Jaona, i Paoly, i Petera, i Jakoba, ary i Joda, dia samy nanoratra avokoa ny tahirin-keviny tamin’ny teny koine, fiteny niombonana sy velona izay azon’ireo Kristiana sy ny ankamaroan’ireo firenena hafa tamin’ny taonjato voalohany. Ny farany tamin’ireo tahirin-kevitra tany am-boalohany dia nosoratan’i Jaona tamin’ny 98 am.f.i. tany ho any. Araka izay fantatra, dia tsy misy na dia iray aza amin’ireny sora-tanana 27 tany am-boalohany tamin’ny teny koine ireny naharitra hatramin’izao andro izao. Kanefa, nanomboka tamin’io loharano tany am-boalohany io, dia nanjary tondraka ho amintsika ireo kopian’ireny sora-tanana voalohany ireny sy ireo kopiana kopia ary ireo vondrona kopia, mba hahaforona fitahirizana lehibe mirakitra sora-tanana ho an’ny Soratra Grika Kristiana.

11. a) Tahiry mirakitra kopiana sora-tanana inona no eo am-pelatanana ankehitriny? b) Ahoana no ifanoheran’izy ireny amin’ny asa soratra kilasika raha ny amin’ny habetsahana sy ny fahelany?

11 Fitahirizina misy sora-tanana 13 000 mahery. Misy tahiry goavana mirakitra kopian’ny sora-tanana ho an’ireo boky kanônika 27 rehetra eo am-pelatanana ankehitriny. Ny sasany amin’izy ireny dia mahafaoka ampahany lehibe amin’ny Soratra Masina; ny hafa dia tapatapany ihany. Araka ny asa marika iray, dia misy sora-tanana 5 000 mahery amin’ny teny grika tany am-boalohany. Ho fanampin’izany, dia misy sora-tanana 8 000 mahery amin’ny fiteny isan-karazany hafa — ny tontaliny dia mihoatra ny sora-tanana 13 000 amin’ny fitambarany. Izy rehetra, izay natao tany amin’ny taonjato faha-2 am.f.i. ka hatramin’ny taonjato faha-16 am.f.i., dia manampy avokoa amin’ny famantarana ny soratra marina tany am-boalohany. Ny tranainy indrindra amin’ireny sora-tanana maro ireny dia ny tapatapa-taratasy papyrus misy ny Filazantsaran’i Jaona any amin’ny Tranomboky John Rylands any Manchester, any Angletera, fantatra amin’ny tarehimarika P52, izay nosoratana tamin’ny tapany voalohany tamin’ny taonjato faharoa, angamba tamin’ny 125 am.f.i. tany ho any. c Araka izany, io kopia io dia nosoratana ampahefa-taonjato monja na nitovitovy tamin’izany, taorian’ilay sora-tanana voalohany. Rehefa heverintsika ny fanaovana ho azo antoka ny soratra nataon’ny ankamaroan’ireo mpanoratra kilasika, dia sora-tanana azo isaina amin’ny rantsantanana no eo am-pelatanana sady mahalana izy ireny no natao tamin’ny taonjato nanoratana azy voalohany. Isika àry dia afaka mankasitraka ireo porofo be dia be misy izay manampy amin’ny fahazoana soratra manam-pahefana amin’ny Soratra Grika Kristiana.

12. Tamin’inona no nanoratana ireo sora-tanana voalohany?

12 Sora-tanana amin’ny taratasy papyrus. Toy ireo kopia tany am-boalohan’ny Septante, ireo sora-tanana voalohan’ny Soratra Grika Kristiana dia nosoratana tamin’ny taratasy papyrus, ary nampiasaina hatrany izany ho an’ireo sora-tanana amin’ny Baiboly hatramin’ny taonjato fahefatra am.f.i. tany ho any. Ireo mpanoratra ny Baiboly koa dia toa nampiasa taratasy papyrus rehefa nandefa taratasy tany amin’ireo kongregasiona kristiana.

13. Fahitana taratasy papyrus lehibe inona no naseho ampahibemaso tamin’ny taona 1931?

13 Asa soratra tamin’ny taratasy papyrus maro be no hita tany amin’ny faritanin’i Faiyūm, any Egypta. Tamin’ny faramparan’ny taonjato faha-19 dia nisy taratasy papyrus ara-baiboly maro hita. Ny iray tamin’ny sora-tanana lehibe indrindra hita tamin’ny andro maoderina dia izay naseho ampahibemaso tamin’ny taona 1931. Izy io dia voaforon’ny tapany amin’ny kodeksa 11, mirakitra ampahany amin’ny boky 8 samy hafa ao amin’ny Soratra Hebreo ara-tsindrimandry sy boky 15 ao amin’ny Soratra Grika Kristiana, ka amin’ny teny grika izy rehetra. Nilahatra nanomboka tamin’ny taonjato faharoa ka hatramin’ny taonjato fahefatra amin’ny Fanisan-taona Iraisana ny daty nanoratana ireny taratasy papyrus ireny. Maro amin’ireny ampahany amin’ny Soratra Grika Kristiana ireny no ao amin’ny Fanangonam-boky Chester Beatty ankehitriny ary nosokajina ho P45 sy P46 ary P47, ka ny marika “P” dia midika hoe “Papyrus”.

14, 15. a) Inona avy ireo sora-tanana niavaka sasany tamin’ny taratasy papyrus ho an’ny Soratra Grika Kristiana, voatanisa eo amin’ilay tabilao eo amin’ny pejy faha-313? b) Asehoy ny fomba nampiasain’ny Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao ireny sora-tanana ireny. d) Inona no hamarinin’ireo kodeksa tany am-boalohany tamin’ny taratasy papyrus?

14 Navoaka tany Genève, any Soisa, nanomboka tamin’ny 1956 ka hatramin’ny 1961 ireo taratasy papyrus-n’ny fitambaram-boky hafa nahavariana. Izy ireny dia fantatra hoe ireo Papyrus Bodmer ary mahafaoka soratra tany am-boalohan’ny Filazantsara roa (P66 sy P75), izay natao nanomboka tany am-piandohan’ny taonjato fahatelo am.f.i. Ilay tabilao mialoha itỳ fianarana itỳ dia mitanisa ny sasantsasany amin’ireo Baiboly tranainy tamin’ny taratasy papyrus niavaka ho an’ny Soratra Hebreo sy ny Soratra Grika Kristiana. Eo amin’ny tsanganan-tsoratra farany, dia misy andalan-teny voatonona avy ao amin’ny Ny Soratra Masina — Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao, izay anomezan’ireny sora-tanana tamin’ny taratasy papyrus ireny fanohanana ny dika teny natao, ary izany dia tondroina eo amin’ny fanamarihana ambany pejy eo amin’ireo andininy ireo.

15 Ireny taratasy papyrus hita ireny dia manome porofo fa ny kanônan’ny Baiboly dia novitaina aloha be. Amin’ireo Papyrus Chester Beatty, dia misy kodeksa roa — ny iray manambatra ireo tapany amin’ny Filazantsara efatra sy ny Asan’ny Apostoly (P45) ary ny faharoa mirakitra 9 amin’ny taratasin’i Paoly 14 (P46) — mampiseho fa ny Soratra Grika Kristiana ara-tsindrimandry dia natambatra fotoana fohy taorian’ny nahafatesan’ireo apostoly. Koa satria nety ho naka fotoana ny fielezan’ireny kodeksa ireny sy ny fahatongavany hatrany Egypta, dia miharihary fa ireny Soratra Masina ireny dia nangonina tamin’ny endriny nahazatra, fara fahelany tamin’ny taonjato faharoa. Araka izany, tamin’ny faran’ny taonjato faharoa, dia tsy nisy isalasalana fa nifarana ny kanônan’ny Soratra Grika Kristiana, ka namita ny kanônan’ny Baiboly manontolo.

16. a) Sora-tanana onciaux inona avy ho an’ny Soratra Grika Kristiana no naharitra hatramin’izao andro izao? b) Hatraiza no nampiasan’ny Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao ireo sora-tanana onciaux, ary nahoana?

16 Ireo sora-tanana amin’ny taratasy hodi-janak’omby sy hodi-biby. Araka ny nianarantsika tamin’ny fianarana teo aloha, ny taratasy mateza kokoa, karazana taratasy tsara dia tsara natao tamin’ny hodi-janak’omby, hodi-janak’ondry, na hoditr’osy dia natomboka nampiasaina tamin’ny fanoratana sora-tanana ho solon’ny taratasy papyrus, nanomboka tamin’ny taonjato fahefatra am.f.i. tany ho any. Sora-tanana sasany amin’ny Baiboly tena lehibe misy ankehitriny no noraketina an-tsoratra tamin’ny taratasy hodi-janak’omby. Efa nodinihintsika ny momba ireo sora-tanana amin’ny taratasy hodi-janak’omby sy hodi-biby ho an’ny Soratra Hebreo. Ilay tabilao eo amin’ny pejy faha-314 dia mitanisa sora-tanana sasany amin’ny taratasy hodi-janak’omby sy hodi-biby malaza indrindra ho an’ny Soratra Grika Kristiana sy ny Soratra Hebreo. Ireo voatanisa ho an’ny Soratra Grika ireo dia nosoratana manontolo tamin’ny sora-baventy ary nolazaina hoe onciaux. Ny New Bible Dictionary dia manao tatitra ny amin’ny sora-tanana onciaux 274 ho an’ny Soratra Grika Kristiana, ary izy ireny dia natao nanomboka tamin’ny taonjato fahefatra am.f.i. ka hatramin’ny taonjato fahafolo am.f.i. Avy eo, dia misy sora-tanana 5 000 mahery amin’ny soratra cursifs, na zanatsoratra, natao tamin’ny fomba fanoratra amin’ny tanana. d Izy ireny, tamin’ny taratasy hodi-janak’omby koa, dia nosoratana nanomboka tamin’ny taonjato fahasivy am.f.i. ka hatramin’ny fanombohan’ny fanaovana pirinty. Noho izy ireny natao taloha be sady araka ny marina amin’ny ankapobeny, ireo sora-tanana onciaux dia nampiasain’ny Komitin’ny Fandikan-tenin’ny Baibolin’Izao Tontolo Izao Vaovao bebe kokoa tamin’ny fanaovana dika teny tamim-pitandremana avy tamin’ny soratra amin’ny teny grika. Izany dia asehon’ilay tabilao hoe “Sora-tanana Sasany Amin’ny Taratasy Hodi-janak’omby sy Hoditra Malaza Indrindra”.

VANIM-POTOAM-PITSIKERANA SY FANATSARANA

17. a) Fisehoan-javatra roa inona avy no nitarika ho amin’ny fitomboan’ny fianarana ny soratra tamin’ny teny grika ao amin’ny Baiboly? b) Asa inona no nampahalaza an’i Érasme? d) Ahoana no nanaovana ny soratra fiaingana vita pirinty iray?

17 Soratra nataon’i Érasme. Nandritra ireo taonjato lava nisian’ny Vanim-potoan’ny Haizina, rehefa nanjaka ny teny latina ary teo ambanin’ny fifehezana henjana nampiharin’ny Eglizy Katolika i Eoropa Andrefana, dia latsaka ambany ny fandalinam-pahaizana sy ny fianarana. Kanefa, tamin’ny famoronan’ny Eoropeanina ny fanaovana pirinty tamin’ny lohavy afa-mihetsika tamin’ny taonjato faha-15 sy tamin’ny fahatongavan’ny Réforme (Fanavaozana) tamin’ny voalohandohan’ny taonjato faha-16, dia nahazo vahana ny fahafahana misimisy kokoa, ary nisy ny fahalianana indray ho amin’ny teny grika. Nandritra izany fifohazana indray tany am-boalohany ho amin’ny fianarana izany no namoaka ny fanontany voalohany soratra fiaingana tamin’ny teny grika ho an’ny “Testamenta Vaovao” i Didier Érasme, ilay manam-pahaizana neherlandey nalaza. (Ny soratra fiaingana vita pirinty toy izany dia nomanina tamin’ny fampitahana tamim-pitandremana sora-tanana maro sy tamin’ny fampiasana ireo teny nekena tamin’ny ankapobeny ho tany am-boalohany, izay matetika no nahafaoka fanamarihana momba izay filazana hevi-teny misy fiovana kely rehetra tao amin’ny sora-tanana sasany, teo amin’ny fanazavana fanampiny ho enti-manao fitsikerana teo ambany.) Io fanontana voalohany io dia natao pirinty tany Bâle, any Soisa, tamin’ny 1516, herintaona talohan’ny nanombohan’ny Réforme tany Alemaina. Be diso ilay fanontana voalohany, kanefa nisy soratra nohatsaraina, navoaka tamin’ireo fanontana nisesy tamin’ny 1519, 1522, 1527, ary 1535. Tsy nanana teo am-pelatanany afa-tsy sora-tanana cursifs farany vitsy monja i Érasme hanamarinana sy hanomanana ny soratra fiaingana navoakany.

18. Nahatonga ny inona hety ny soratra nataon’i Érasme, ary iza no nampiasa tsara azy io?

18 Ny soratra tamin’ny teny grika nohatsaraina nataon’i Érasme dia nanjary ny fototra ho an’ny fandikan-teny tsara kokoa ho amin’ny fiteny eoropeanina tandrefana vitsivitsy. Izany dia nahatonga hety ny famoahana dikan-teny ambony noho ireo izay nadika teo aloha avy tamin’ny Vulgate latina. Ny voalohany nampiasa ny soratra nataon’i Érasme dia i Martin Luther avy tany Alemaina, izay namita ny fandikany ny Soratra Grika Kristiana ho amin’ny teny alemanina tamin’ny 1522. Teo anatrehan’ny fanenjehana mafy, dia nanaraka izany tamin’ny fandikan-teniny anglisy avy tamin’ny soratra nataon’i Érasme, i William Tyndale avy tany Angletera, ka namita azy io fony izy tany an-tsesitany tany amin’ny kontinentan’i Eoropa, tamin’ny 1525. I Antonio Brucioli avy tany Italia dia nandika ny soratra nataon’i Érasme ho amin’ny teny italianina, tamin’ny 1530. Tamin’ny fahatongavan’ny soratra tamin’ny teny grika nataon’i Érasme, dia nisokatra izao ny vanim-potoam-pitsikerana soratra. Ny fitsikeran-tsoratra no fomba nampiasaina tamin’ny fanorenana indray sy famerenana tamin’ny laoniny ny soratra ao amin’ny Baiboly tany am-boalohany.

19. Inona no tantaran’ny fizaran’ny Baiboly ho toko sy andininy, ary nahatonga ny inona hety izany?

19 Fizarana ho toko sy andininy. I Robert Estienne, na i Stephanus, dia niavaka tamin’ny naha-mpanao pirinty sy mpampanonta tamin’ny taonjato faha-16, tany Paris. Noho izy mpampanonta, dia nahita ny soa azo tamin’ny fampiasana ny rafitra nisy toko sy andininy hijerena andininy vonona avy hatrany izy, ka nampiditra io rafitra io tao amin’ny Testamenta Vaovao tamin’ny teny grika sy latina nataony tamin’ny 1551. Ireo Masoreta no nanao voalohany ireo fizarana ho andininy ho an’ny Soratra Hebreo, kanefa ny Baiboly frantsay nataon’i Stephanus tamin’ny 1553 no nampiseho voalohany ny fizarana hita ankehitriny ao amin’ny Baiboly manontolo. Izy io dia narahin’ny Baiboly anglisy ary nahatonga hety ny famoahana konkordansa ao amin’ny Baiboly toy ny nataon’i Alexander Cruden tamin’ny 1737 sy ireo konkordansa feno roa ho an’ny Dikan-tenin’ny Baiboly Anglisy Nanomezan-dalana — nataon’i Robert Young, navoaka voalohany tany Edinburgh tamin’ny 1873 sy nataon’i James Strong, navoaka tany New York tamin’ny 1894.

20. Inona moa ny Textus Receptus, ary nanjary fototra ho an’inona izy io?

20 Textus Receptus. I Stephanus dia namoaka koa fanontana vitsivitsy tamin’ny “Testamenta Vaovao” tamin’ny teny grika. Izy ireny dia nifototra voalohany indrindra tamin’ny soratra nataon’i Érasme, niaraka tamin’ny fanitsiana araka ny Polyglott Complutensis tamin’ny 1522 sy sora-tanana cursifs 15 farany natao tamin’ny taonjato vitsivitsy teo alohan’izay. Ny fanontana fahatelon’ny soratra tamin’ny teny grika nataon’i Stephanus tamin’ny 1550 dia nanjary ny Textus Receptus (teny latina midika hoe “soratra voaray”), raha ny tena izy, izay niorenan’ny dikan-teny anglisy hafa tamin’ny taonjato faha-16 sy ny King James Version tamin’ny 1611.

21. Soratra nohatsaraina inona avy no navoaka nanomboka tamin’ny taonjato faha-18, ary ahoana no nampiasana azy ireny?

21 Soratra tamin’ny teny grika nohatsaraina. Tatỳ aoriana, ireo manam-pahaizana momba ny teny grika dia namoaka soratra nohatsaraina nihanitombo hatrany. Niavaka indrindra ilay navoakan’i J. J. Griesbach. Izy dia nanana fahafahana hijery ireo sora-tanana an-jatony maro tamin’ny teny grika izay nanjary teo am-pelatanana hatramin’ny faran’ny taonjato faha-18. Ny fanontana tsara indrindra amin’ny soratra amin’ny teny grika manontolo nataon’i Griesbach dia navoaka tamin’ny 1796 ka hatramin’ny 1806. Ny soratra fiaingana nataony no sady fototra ho an’ny fandikan-teny anglisy nataon’i Sharpe tamin’ny 1840 no soratra tamin’ny teny grika natao pirinty tao amin’ny The Emphatic Diaglott, navoaka voalohany tamin’ny endriny feno tamin’ny 1864. Nisy soratra faran’izay tsara hafa navoakan’i Konstantin von Tischendorf (1872) sy i Hermann von Soden (1910), ka itỳ farany dia nampiasaina ho fototra ho an’ny dikan-teny anglisy nataon’i Moffatt tamin’ny 1913.

22. a) Soratra tamin’ny teny grika inona no nanjary neken’ny besinimaro? b) Ho fototry ny fandikan-teny anglisy inona avy no nampiasana azy io?

22 Soratra nataon’i Westcott sy i Hort. Soratra fiaingana iray izay nanjary neken’ny besinimaro ny navoakan’i B. F. Westcott sy i F. J. A. Hort, manam-pahaizana tao amin’ny Oniversiten’i Cambridge, tamin’ny 1881. Nojeren’ny Komitin’ny Fanavaozana Britanika, izay anisany i Westcott sy i Hort, ireo kopian’ny fanitsiana nataon’i Westcott sy i Hort, mba hanavaozany ny “Testamenta Vaovao” tamin’ny 1881. Io soratra fiaingana io dia ilay nampiasaina voalohany indrindra tamin’ny fandikana ny Soratra Grika Kristiana ho amin’ny teny anglisy tao amin’ny Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao. Io soratra io koa no fototr’ireto fandikan-teny anglisy manaraka ireto: The Emphasised Bible, ny American Standard Version, An American Translation (Smith-Goodspeed), ary ny Revised Standard Version. e Io fandikan-teny farany io dia nampiasa koa ny soratra nataon’i Nestle.

23. Soratra hafa inona avy no nampiasaina ho an’ny Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao?

23 Ny soratra tamin’ny teny grika nataon’i Nestle (ny fanontana faha-18, 1948) dia nampiasain’ny Komitin’ny Fandikan-tenin’ny Baibolin’Izao Tontolo Izao Vaovao koa mba hanaovana fampitahana. Ilay komity dia nijery koa ny an’ireo manam-pahaizana katolika jesoita atao hoe José M. Bover (1943) sy i Augustinus Merk (1948). Ny soratra nataon’ny Fikambanana Mpampiely Baiboly Mitambatra tamin’ny 1975 sy ny soratra nataon’i Nestle-Aland tamin’ny 1979 dia nojerena mba hampifanarahana tamin’ny zava-nisy ireo fanamarihana ambany pejy amin’ny Fanontana Misy Fakan-teny tamin’ny 1984. f

24. Dikan-teny tranainy inona avy koa no nasian’ny Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao firesahana? Inona avy no ohatra sasany amin’izany?

24 Dikan-teny tranainy avy tamin’ny teny grika. Ho fanampin’ireo sora-tanana tamin’ny teny grika, dia eo am-pelatanana koa mba hianarana ankehitriny ireo sora-tanana maro amin’ny fandikana ny Soratra Grika Kristiana ho amin’ny fiteny hafa. Misy tapatapany 30 eo ho eo amin’ny dikan-teny amin’ny teny latina tranainy ary sora-tanana an’arivony maro amin’ny Vulgate latina nataon’i Jérôme. Ny Komitin’ny Fandikan-tenin’ny Baibolin’Izao Tontolo Izao Vaovao dia nanisy firesahana momba azy ireo sy ny dikan-teny amin’ny fitenin’ny Coptes sy teny armeniana ary syriaque. g

25. Mahaliana manokana amin’inona ireo dikan-teny amin’ny teny hebreo nasiana firesahana ao amin’ny Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao?

25 Fara fahelany, nanomboka tamin’ny taonjato faha-14, dia navoaka ireo fandikana ny Soratra Grika ho amin’ny teny hebreo. Mahaliana izy ireny satria maro aminy no namerina amin’ny toerany ny anaran’Andriamanitra ao amin’ny Soratra Kristiana. Ny Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao dia manisy firesahana maro momba ireny dikan-teny hebreo ireny, eo ambanin’ny marika hoe “J” miaraka amin’ny isa mihantona. Mba hahafantarana ny tsipiriany, dia jereo ny sasin-teny ao amin’ny Ny Soratra Masina — Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao Misy Fakan-teny (anglisy), pejy faha-9-10 sy ny appendice 1D hoe: “Ny Anaran’Andriamanitra ao Amin’ny Soratra Grika Kristiana”.

FIOVAOVANA EO AMIN’NY SORATRA SY NY HEVINY

26. Ahoana no nipoiran’ny fiovaovana teo amin’ny soratra sy ny vondrona sora-tanana?

26 Eo amin’ireo sora-tanana 13 000 mahery amin’ny Soratra Grika Kristiana, dia misy fiovaovana maro eo amin’ny soratra. Ireo sora-tanana 5 000 amin’ny teny grika fotsiny dia mampiseho tsy fitoviana maro toy izany. Mety ho azontsika tsara fa ny kopia tsirairay natao avy tamin’ny sora-tanana tany am-boalohany dia samy nirakitra fahadisoan’ny mpanora-dalàna izay nampiavaka azy manokana avy. Tamin’ny fandefasana ireny sora-tanana tany am-boalohany ireny tany amin’ny faritra iray mba hampiasaina, dia ho naverimberina ireny fahadisoana ireny teo amin’ireo kopia tao amin’io faritra io ary nanjary nampiavaka ireo sora-tanana hafa tao. Tamin’izany fomba izany no nitomboan’ny isan’ny vondrona sora-tanana nitovy. Moa àry ve ireo fahadisoana an’arivony maro nataon’ireo mpanora-dalàna tsy tokony hoheverina fa mampahatahotra? Moa ve izy ireny tsy manondro tsy fisian’ny fahatokiana teo amin’ny fampitana ilay soratra? Tsy izany velively!

27. Toky inona no ananantsika raha ny amin’ny fanarahan’ny soratra amin’ny teny grika ny tany am-boalohany?

27 I J. F. A. Hort, izay niara-namoaka ny soratra nataon’i Westcott sy i Hort, dia nanoratra toy izao: “Ny ampahany lehibe amin’ireo teny ao amin’ny Testamenta Vaovao dia misongadina eo ambonin’ny fitsikerana feno fanavakavahana rehetra, satria tsy misy fiovaovana izy ireo ary mila ny hadika fotsiny. (...) Raha atokana ireo zava-madinika entina mampitaha (...), ireo soratra mbola mampisalasala dia zara raha hisy ampaharivon’ny Testamenta Vaovao manontolo, araka ny hevitray.” h

28, 29. a) Inona no tsy maintsy ho fanombanantsika farany ny hasarobidin’ny soratra amin’ny teny grika nohatsaraina? b) Fanambarana manam-pahefana inona no ananantsika momba izany?

28 Fanombanana ny hasarobidin’ny fampitana ny soratra. Ahoana àry ny amin’ny fanombanana farany ny hasarobidin’ny soratra mifanaraka amin’ny tany am-boalohany sy ny maha-azo itokiana azy, taorian’ireny taonjato maro nampitana azy ireny? Tsy vitan’ny hoe misy sora-tanana an’arivony maro azo ampitahaina, fa ireo sora-tanana ara-baiboly tranainy kokoa hita nandritra ireo am-polony taona lasa vitsivitsy koa, dia mampiseho soratra amin’ny teny grika taloha be tany amin’ny taona 125 am.f.i. tany ho any, roapolo taona monja taorian’ny nahafatesan’ny apostoly Jaona tamin’ny taona 100 am.f.i. tany ho any. Ireny porofo sora-tanana ireny dia manome antoka mahery fa manana soratra amin’ny teny grika azo ianteherana amin’ny endriny nohatsaraina isika izao. Mariho ny fanombanana ny hasarobidiny nataon’i Sir Frederic Kenyon, tale sy mpikarakara teo aloha ny tranomboky ao amin’ny British Museum, manao hoe:

29 “Ny elanelana eo amin’ireo datin’ny fanoratana voalohany sy ny porofo taloha indrindra misy dia nanjary kely aoka izany, hany ka tsy misy dikany, raha ny tena izy. Ary ireo antony farany mamela hisalasala ny amin’ny fahamarinan’ny Soratra Masina izay tonga hatratỳ amintsika dia voaesotra ankehitriny. Ny maha-azo itokiana sy ny tsy fiovana ankapobe eo amin’ireo boky ao amin’ny Testamenta Vaovao dia azo heverina ho voaorina tamin’ny farany. Ny tsy fiovana ankapobe anefa dia zavatra iray, ary ny maha-azo antoka ireo tsipiriany dia zavatra hafa.” i

30. Nahoana isika no afaka matoky fa ny Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao dia manome ho an’ireo mpamaky azy ny “tenin’i Jehovah” mahatoky?

30 Mikasika ilay fanamarihana farany hoe “maha-azo antoka ireo tsipiriany”, dia mahafaoka izany ny teny nalaina tamin’ny Dr. Hort eo amin’ny fehintsoratra faha-27. Asan’ireo mpanao fanatsarana ny soratra ny manitsy ireo tsipiriany, ary izany dia nataon’izy ireo tamin’ny ambaratonga lehibe. Noho izany antony izany, ny soratra amin’ny teny grika nohatsaraina nataon’i Westcott sy i Hort dia ekena amin’ny ankapobeny ho iray faran’izay tsara indrindra. Ny ampahany ao amin’ny Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao atao hoe Soratra Grika Kristiana, izay nifototra tamin’io soratra amin’ny teny grika faran’izay tsara io àry dia afaka manome ho an’ny mpamaky azy ny “tenin’i Jehovah” mahatoky, araka izay nitahirizina azy ho antsika tamin’ny fomba nampitolagaga tao anatin’ny fitahirizana sora-tanana tamin’ny teny grika. — 1 Pet. 1:24, 25, NW.

31. a) Inona no asehon’ireo zavatra hita maoderina raha ny amin’ny soratra ho an’ny Soratra Grika? b) Ahoana no ampisehoan’ilay tabilao eo amin’ny pejy faha-309 ny loharanon-kevitra lehibe nakana ny ampahany ao amin’ny Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao atao hoe Soratra Grika Kristiana, ary inona avy ny sasany amin’ny loharanon-kevitra fanampiny nampiasaina?

31 Mahaliana koa ny fanazavana nomen’i Sir Frederic Kenyon ao amin’ny bokiny hoe Our Bible and the Ancient Manuscripts, tamin’ny 1962, eo amin’ny pejy faha-249: “Tsy maintsy ho afa-po isika mahafantatra fa ny maha-azo itokiana amin’ny ankapobeny ny soratra ao amin’ny Testamenta Vaovao dia notohanan’ny zavatra hita maoderina tamin’ny fomba nahavariana, izay nampihena aoka izany ny elanelana teo amin’ny sora-tanana voalohany sy ireo sora-tanana ananantsika taloha indrindra. Ary ny tsy fitoviana eo amin’ny fanononana, na dia mahaliana aza, dia tsy misy heriny eo amin’ny fampianarana fototra amin’ny finoana kristiana.” Araka ny aseho eo amin’ny pejy faha-309 eo amin’ilay tabilao hoe: “Loharanon-kevitry ny Soratra ho An’ny Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao — Soratra Grika Kristiana”, ireo tahirin-kevitra voalaza rehetra dia nampifandraisina mba hanome soratra amin’ny teny anglisy voadika araka ny marina. Ireo fanamarihana ambany pejy sarobidy dia manohana ireny dika teny mahatoky rehetra ireny. Ny Komitin’ny Fandikan-tenin’ny Baibolin’Izao Tontolo Izao Vaovao dia nampiasa ireo vokatra tsara indrindra azo tamin’ny fahaizana manokana momba ny Baiboly izay nivoatra nandritra ireo taonjato, tamin’ny famoahany ny fandikan-teniny tsara dia tsara. Toy inona moa ny fatokiana azontsika ananana ankehitriny fa ny Soratra Grika Kristiana, izay eo am-pelatanantsika izao, dia mirakitra tokoa “ny mariky ny teny tsy misy kilema” araka ny nanoratan’ireo mpianatr’i Jesosy Kristy nahazo tsindrimandry azy. Enga anie isika hihazona ireny teny sarobidy ireny amim-pinoana sy amim-pitiavana! — 2 Tim. 1:13.

32. Nahoana no nanokanana toerana lehibe teto ny fandinihana ireo sora-tanana sy soratra ho an’ny Soratra Masina, ary inona no vokany mahafa-po azo?

32 Itỳ fianarana itỳ sy ilay teo aloha dia natokana ho amin’ny fandinihana ireo sora-tanana sy soratra ho an’ny Soratra Masina. Nahoana no nanaovana fianarana feno toy izany izy io? Ny zava-kendrena dia ny hampisehoana amin’ny fomba tsy azo lavina fa ireo soratra ao amin’ny Soratra Hebreo sy ny Soratra Grika dia mitovy, amin’ny fotony, amin’ny soratra araka ny marina sy voalohany izay nanomezan’i Jehovah tsindrimandry ireo olona nahatoky fahizay mba horaketiny an-tsoratra. Ireny asa soratra voalohany ireny dia ara-tsindrimandry. Ireo mpanao kopia, na dia nahay aza, dia tsy nahazo tsindrimandry. (Sal. 45:1; 2 Pet. 1:20, 21; 3:16). Koa amin’izany, dia tena nilaina ny nanasivana tao amin’ilay fitahirizana lehibe mirakitra kopiana sora-tanana mba hamantarana mazava sy amin’ny fomba tsy misy diso ny ranom-pahamarinana madio araka izay nipoirany tany am-boalohany avy tamin’ilay Loharano Lehibe, dia i Jehovah. Ho an’i Jehovah anie ny fisaorana rehetra noho ilay fanomezana mahatalanjona, dia ny Teniny, ny Baiboly ara-tsindrimandry, sy ny hafatra momba ilay Fanjakana mamelombelona izay mikoriana avy ao anatin’ireo pejiny!

[Fanamarihana ambany pejy]

a Auxiliaire pour une meilleure intelligence de la Bible, pejy 919.

b Jereo pejy 176, fehintsoratra 6.

c Insight on the Scriptures, Boky 1, pejy 323; New Bible Dictionary, fanontana faharoa, 1986, J. D. Douglas, pejy 1187.

d New Bible Dictionary, fanontana faharoa, pejy 1187.

e Jereo ny tabilao “Fandikan-tenin’ny Baiboly Malaza Indrindra Sasany Amin’ny Fiteny Lehibe Fito”, eo amin’ny pejy 322.

f The Kingdom Interlinear Translation of the Greek Scriptures, 1985, pejy 8-9.

g Jereo ny fanamarihana ambany pejy ao amin’ny Lioka 24:40; Jaona 5:4; Asan’ny Apostoly 19:23; 27:37; ary Apokalypsy 3:16, ao amin’ny Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao Misy Fakan-teny (anglisy).

h The New Testament in the Original Greek, 1974, Boky I, pejy 561.

i The Bible and Archaeology, 1940, pejy 288-289.

[Fanontaniana]