Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fianarana Faha-7 — Ny Baiboly Amin’ny Andro Maoderina

Fianarana Faha-7 — Ny Baiboly Amin’ny Andro Maoderina

Fianarana Momba ny Soratra Ara-tsindrimandry sy ny Tantara Momba Azy

Fianarana Faha-7 — Ny Baiboly Amin’ny Andro Maoderina

Ny tantaran’ireo fikambanana mpampiely Baiboly; ny asa fanaovam-pirinty sy famoahana Baiboly ataon’ny Fikambanana Watch Tower; ny fanaovana ny Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao.

1. a) Ho amin’ny fikasana inona avy moa no nanomezana ireo hevitra nampitain’Andriamanitra, ary noho izany, nahoana ny sasany no tsy noraketina an-tsoratra? b) Baiko voafaritra tsara inona avy no nomen’i Jehovah ny maro tamin’ireo mpaminany, ary nitondra soa inona ho antsika amin’izao “andro farany” izao izany?

 IREO Soratra Masina, ireo boky ara-tsindrimandry 66 izay fantatsika ankehitriny hoe ny Baiboly, dia mirakitra “ny tenin’i Jehovah” natao an-tsoratra. (Isaia 66:5). Nandritra ireo taonjato maro dia nikoriana nalalaka avy tamin’i Jehovah nankany amin’ireo mpaminaniny sy mpanompony teto an-tany io ‘teny’ io. Ireny hevitra nampitain’Andriamanitra ireny dia nahatanteraka ny fikasany teo no ho eo sady nanome koa faminaniana mahery momba ny fisehoan-javatra azo antoka fa hitranga any amin’ny hoavy lavitra tamin’izay. Tsy notakina tamin’ireo mpaminanin’Andriamanitra foana ny hanaovany an-tsoratra “ny tenin’i Jehovah” izay nampitaina taminy. Ohatra, ny teny nolazain’i Elia sy i Elisa sasany izay natao ho an’ny taranaka tamin’ny androny dia tsy notahirizina tamin’ny endriny vita an-tsoratra. Etsy an-danin’izany, ireo mpaminany toa an-dry Mosesy, Isaia, Jeremia, Habakoka ary ireo hafa dia nahazo baiko voafaritra tsara mba ‘hanoratra’ na ‘hanoratra amin’ny boky [na horonam-boky, NW ]’ “ny tenin’i Jehovah” izay naharihary taminy. (Eks. 17:14; Isaia 30:8; Jer. 30:2; Hab. 2:2; Apok. 1:11). Araka izany, “ny teny voalazan’ny mpaminany masina rahateo” dia notahirizina, niaraka tamin’ny asa soratra masina hafa, mba hanairana ny fahaiza-misaina mazavan’ireo mpanompon’i Jehovah ary indrindra mba hanomezana fitarihana mikasika “ny andro farany”. — 2 Pet. 3:1-3.

2. Fe-potoana inona avy teo amin’ny tantara no voamarika tamin’ny asa nitombo hatrany tamin’ny fanaovana kopia sy fandikana ny Baiboly?

2 Kopia maron’ny Soratra Hebreo ara-tsindrimandry no natao nanomboka tamin’ny andron’i Ezra. Nanomboka tamin’ny taonjato voalohany amin’ny Fanisan-taona Iraisana, dia nataon’ireo Kristiana tany am-boalohany kopia niverimberina ny Baiboly ary nampiasaina tamin’ny fanaovana fanambarana mikasika ny fikasan’i Jehovah momba ny Kristiny nanerana ny lavany sy ny sakany tamin’ny tontolo fantatra tamin’izay. Rehefa nanjary nahazatra (nanomboka tamin’ny taonjato faha-15) ny fanaovana pirinty avy amin’ny lohavy afa-mihetsika, dia nisy faharisihana be kokoa ho amin’ny fampitomboana sy ny fizarana ny Baiboly. Fandikan-teny ary koa fanaovam-pirinty maro no nosahanin’ireo antokon’olona tsy niankina tamina fikambanana tamin’ny taonjato faha-16 sy faha-17. Vao tamin’ny 1800, dia niseho manontolo na tamin’ny ampahany tamin’ny fiteny 71 ny Baiboly.

IREO FIKAMBANANA MPAMPIELY BAIBOLY

3. Anton-javatra inona no nandray anjara lehibe tamin’ny fitomboan’ny fizarana Baiboly hatramin’ny fiandohan’ny taonjato faha-19?

3 Nahazo fampirisihana be kokoa io asa io tamin’ny taonjato faha-19 sy faha-20 rehefa nanomboka nandray anjara tamin’ny asa goavana, dia ny fizarana ny Baiboly, ireo fikambanana mpampiely Baiboly vao niforona. Ny iray anisan’ny tany am-boalohany indrindra tamin’ireny fikambanana mpampiely Baiboly ireny dia ny Fikambanana Mpampiely Baiboly Britanika sy Vahiny, izay natsangana tany Londres tamin’ny 1804. Nitarika ny fanorenana fikambanana toy izany maro kokoa ny fananganana io fikambanana mpampiely Baiboly io. a

4. a) Inona avy no antontan’isa manaporofo fa manenika ny tany tokoa ny tenin’ny fiainana? b) Fanazavana ilaina inona no omena eo amin’ilay tabilao eo amin’ny pejy faha-322, momba ireo dikan-tenin’ny Baiboly samy hafa voatanisa eo? Asehoy amin’ny alalan’ny ohatra izany amin’ny firesahana dikan-tenin’ny Baiboly sasany voafaritra tsara.

4 Noho ny fiasan’ireo fikambanana mpampiely Baiboly maro toy izany, dia niroborobo ny asa fampielezana ny Baiboly. Tamin’ny taona 1900, dia niseho manontolo na tamin’ny ampahany tamin’ny fiteny 567 ny Baiboly, ary tamin’ny 1928, dia tamin’ny fiteny 856. Tamin’ny 1938 dia nihoarana ny tampon’isa arivo, ary ankehitriny ny Baiboly dia misy amin’ny fiteny 1 900 mahery. Manenika ny tany ny tenin’ny fiainana mamelombelona avy amin’i Jehovah! Araka izany, dia manjary azon’ny olona avy amin’ny firenena rehetra atao ny mamaly itỳ fanasana itỳ: “Miderà an’i Jehovah, ry jentilisa rehetra, ary aoka hankalaza Azy ny firenena rehetra”. (Rom. 15:11). Ilay tabilao eo amin’ny pejy faha-322 hoe: “Fandikan-tenin’ny Baiboly Sasany Malaza Indrindra Amin’ny Fiteny Lehibe Fito”, dia manome fanazavana bebe kokoa momba ny fizarana ny Baiboly amin’ny andro maoderina.

5. Inona no zava-dehibe kokoa noho ny fizarana Baiboly, kanefa velom-pankasitrahana ny amin’inona ny Vavolombelon’i Jehovah?

5 Na dia asa mendri-piderana aza ny fanaovana izay haha-eo am-pelatanan’ny vahoaka maro eto an-tany ny Baiboly, dia asa mbola lehibe kokoa ny fanaovana izay hampiasana ireny Baiboly ireny amin’ny fanomezana ho an’ny olona ny fahazoana ny hevitry ny Baiboly. Ny fampitana ‘ny hevitry’ ny teny no zava-dehibe tamin’ny andron’ny Jiosy sy ireo Kristiana tany am-boalohany, fony mbola Baiboly vitsy no teo am-pelatanana, ary mbola izany ihany no zava-dehibe indrindra. (Matio 13:23, NW; Neh. 8:8). Kanefa, io asa fampianarana ny Tenin’Andriamanitra amin’ireo olona any amin’ny tany rehetra io dia nohafainganin’ny fizarana ny Baiboly niely patrana. Koa satria ireo Vavolombelon’i Jehovah mandroso hatrany amin’izao andro izao amin’ny asany fampianarana Baiboly maneran-tany, dia velom-pankasitrahana izy ireo fa Baiboly an-tapitrisany maro ankehitriny no azo raisina any amin’ny tany maro sy amin’ny fiteny maro.

NY VAVOLOMBELON’I JEHOVAH AMIN’NY MAHA-MPAMPANONTA BAIBOLY

6. Niavaka tamin’ny asa inona moa ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny toy ny tamin’ny andro taloha?

6 Olona tia mamoaka Baiboly ny Vavolombelon’i Jehovah. Toy izany koa tamin’ny andron’i Ezra. Toy izany koa tamin’ny andron’ireo mpianatr’i Jesosy Kristy tany am-boalohany, izay nameno aoka izany ny tontolo fahizay tamin’ny kopian’ny Baiboly nataony tanana, hany ka nihoatra ny an’izay haisoratra tranainy hafa rehetra ny lova be dia be noraisintsika avy tamin’ny sora-tanany. Ankehitriny, amin’izao andro maoderina izao, dia mbola mampiavaka ny Vavolombelon’i Jehovah io asa mafy famoahana Baiboly io.

7. Fikambanana ara-dalàna inona no noforonin’ny Vavolombelon’i Jehovah? oviana? ary ahoana no nanombohan’izy ireo nampitombo ny fanompoany tamin’izay fotoana izay?

7 Tamin’ny 1884, ny Vavolombelon’i Jehovah dia nanorina fikambanana ara-dalàna mba hikarakarana ny asa famoahany Baiboly, ka izao ilay fikambanana dia fantatra ankehitriny hoe ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania. Tamin’ny voalohany, ireo Baiboly dia novidina avy tamin’ny fikambanana mpampiely Baiboly hafa mba hozarain’ireny Vavolombelona ireny indray, izay na dia tamin’izay aza dia nampitombo ny fanompoany isan-trano nampiavaka azy. Ny King James Version tamin’ny 1611 amin’ny teny anglisy no nampiasainy ho dikan-teny fototra tamin’ny fianarana Baiboly.

8. a) Ahoana no naha-marina araka ny anarany ny Watch Tower Bible and Tract Society? b) Ahoana no nampiasan’ny Fikambanana ireo fandikan-tenin’ny Baiboly maro, ary noho ny fikendrena inona?

8 Marina, araka ny anarany, fa ny Watch Tower Bible and Tract Society dia nandray ho raharaha ny fizarana Baiboly ary koa ny famoahana boky sy taratasy mivalona ary zavatra vita an-tsoratra kristiana hafa. Ho fikendrena ny hampianatra marina ny Tenin’Andriamanitra izany. Ny fampianarany Baiboly dia nanampy ireo tia ny fahamarinana hisaraka tamin’ny lovantsofina ara-pivavahana diso mbamin’ny filozofian’izao tontolo izao ary hiverina tamin’ny fahafahana omen’ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly araka izay naharihary tamin’ny alalan’i Jesosy sy ireo mpitondra tenin’i Jehovah be fandavan-tena hafa. (Jaona 8:31, 32). Hatramin’ny fotoana nanombohana namoaka ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1879, ireo zavatra vita an-tsoratry ny Fikambanana Watch Tower dia naka teny sy nanonona ary nanisy firesahana momba ireo fandikan-tenin’ny Baiboly maro samy hafa tsy voatanisa. Araka izany, ny Fikambanana dia niaiky ny amin’ny hasarobidin’izy rehetra ary nampiasa izay tsara tao amin’izy rehetra noho izy ireny sarobidy tamin’ny fampisavana ny fisafotofotoana ara-pivavahana sy tamin’ny fanazavana tsara ny hafatra avy tamin’Andriamanitra.

9. Ahoana no nidiran’ny Fikambanana tao amin’ny sahan’asan’ny famoahana Baiboly?

9 Baibolin’i Rotherham sy i Holman. Vao tany amin’ny 1890 tany, ireo Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny alalan’ny Fikambanana Watch Tower, dia niditra nivantana teo amin’ny sahan’asa tamin’ny naha-mpampanonta sy mpizara ny Baiboly. Nanomboka tamin’izay, dia azo tamin’ilay mpandika tenin’ny Baiboly anglisy atao hoe Joseph B. Rotherham ireo zo ara-dalàna hanao pirinty mba hamoahana tany Etazonia ny fanontana faharoan’ny New Testament nataony. Teo amin’ny pejy nisy ny lohateny tamin’ireny natao pirinty ireny, dia nahitana ny anaran’ny Watch Tower Bible and Tract Society, Allegheny, any Pennsylvania, izay nisy ny foiben’ny Fikambanana tamin’izay fotoana izay. Tamin’ny 1901, dia natao ny fandaharana ho amin’ny fanaovana pirinty manokana ny Holman Linear Bible, izay nirakitra fanamarihana nisy fanazavana teo an-tsisim-pejy avy tamin’ny zavatra vita an-tsoratry ny Fikambanana, nanomboka tamin’ny 1895 ka hatramin’ny 1901. Ilay Baiboly mihitsy dia nampiseho ny King James Version sy ny Revised Version ho an’ny Soratra Hebreo sy Soratra Grika. Nozaraina tamin’ny taona 1903 ilay fanontana manontolo nisy 5 000 vita pirinty.

10. Dikan-tenin’ny Soratra Grika inona no naha-mpampanonta ny Fikambanana tamin’ny 1902?

10 Ny The Emphatic Diaglott. Tamin’ny 1902, ny Fikambanana Watch Tower dia tonga ny hany nanan-jo hanao pirinty sady hany mpampanonta sy mpizara ny The Emphatic Diaglott. Io dikan-tenin’ny Soratra Grika Kristiana io dia nomanin’i Benjamin Wilson, ilay mpandika tenin’ny Baiboly teratany anglisy, avy tany Geneva, Illinois. Vita izy io tamin’ny 1864. Izy io dia nampiasa ny soratra tamin’ny teny grika nataon’i J. J. Griesbach, niaraka tamin’ny fandikan-teny anglisy ara-bakiteny eny anelanelan’ny andalan-tsoratra sy ny dikan-tenin’i Wilson manokana teo an-kavanana, izay nampiasa ireo marika fanamafisana azy manokana.

11. Oviana ny Fikambanana no namoaka ny “Fanontana ho An’ny Mpianatra ny Baiboly”, ary inona no noraketin’izy io?

11 Fanontana iray ho an’ny Mpianatra ny Baiboly. Tamin’ny 1907, ny Fikambanana Watch Tower dia namoaka “Fanontana ho An’ny Mpianatra ny Baiboly” iray amin’ny Baiboly. Io boky io dia nirakitra ny Dikan-tenin’ny Baibolin’ny King James vita pirinty nazava sady nahafaoka fanamarihana an-tsisim-pejy faran’izay tsara, niaraka tamin’ny appendice sarobidy nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah. Ilay appendice, izay nitarina ho 550 pejy mahery tatỳ aoriana, dia nantsoina hoe ny “Bokin’ireo Mpampianatra ny Baiboly Beriana” sady navoaka tamin’ny endrika boky nitokana koa. Izy io dia nirakitra famelabelarana fohy momba ireo andininy maro ao amin’ny Baiboly, niaraka tamin’ny fakan-teny tao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana sy ireo boky fianaran’ny Fikambanana ary famintinana foto-dresaka momba ny foto-pampianarana niaraka tamin’ny andinin-teny fototra mba hanamora ny fampisehoana azy tamin’ny hafa. Nitovy endrika tamin’ny zavatra vita an-tsoratry ny Fikambanana tatỳ aoriana atao hoe “Assurez-vous de toutes choses” izy io. Voafaoka tao koa ny indeksa araka ny foto-dresaka iray, fanazavana andininy sarotra, lisitra andalan-teny sandoka, indeksa araka ny andinin-teny iray, fandaharan-taona fampitahana, ary sarintany 12. Io Baiboly faran’izay tsara io dia nampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah nandritra ny am-polo taonany maro tamin’ny asany fitoriana ampahibemaso.

FIKAMBANANA MANAO PIRINTY BAIBOLY

12. Oviana ny Fikambanana no niditra tamin’ny sahan’asan’ny fanaovam-pirinty Baiboly?

12 Nanakarama kompania teny ivelany mba hanao ny tena asa fanaovam-pirintin’ny Baiboliny manokana ny Fikambanana Watch Tower, nandritra ny 30 taona. Kanefa, tamin’ny Desambra 1926, ny The Emphatic Diaglott dia nanjary ny dikan-tenin’ny Baiboly voalohany natao pirinty tamin’ny milina manokan’ny Fikambanana tao Brooklyn, any New York. Ny fanaovam-pirinty io fanontana ny Soratra Grika Kristiana io dia nampitombo ny fanantenana fa hisy Baiboly manontolo hatao pirinty amin’ny milin’ny Fikambanana indray andro any.

13. a) Inona moa ilay Baiboly iray manontolo nataon’ny Fikambanana pirinty voalohany, ary oviana no navoaka izy io? b) Fanampiana inona avy no noraketin’izy io?

13 Ny King James Version. Ny Ady Lehibe Faharoa dia nanasongadina ny ilana fanontana ny Baiboly mihitsy, nahaleo tena. Fony nahatratra ny fara tampony ilay ady naneran-tany, ny Fikambanana dia nahomby tamin’ny fividianana plakin’ny Dikan-tenin’ny Baibolin’ny King James manontolo. Tamin’ny 18 Septambra 1942, tao amin’ny Fivoriambe Teokratikan’Izao Tontolo Izao Vaovao nalamin’ny Vavolombelon’i Jehovah, izay tao Cleveland, any Ohio ny foibeny, dia niresaka ny amin’ilay foto-kevitra hoe “Fampisehoana ‘ny Sabatry ny Fanahy’ ”, ny prezidàn’ny Fikambanana. Ho famaranana io lahateny manokana io, dia namoaka io Baiboly manontolo natao pirinty voalohany tao amin’ny fanontam-pirintin’ny Fikambanana Watch Tower any Brooklyn io izy. Teo amin’ny appendice-ny, izy io dia nanome lisitra anarana manokana mbamin’ny heviny sy “Konkordansan’ireo Teny sy Fitenenana ao Amin’ny Baiboly” voaomana manokana ary fanampiana hafa. Nasiana lohateny nifanentana isaky ny ambony pejy. Ohatra, ny hoe “Voady tamim-pahatsorana nataon’i Jefta” dia nasolo ny hoe “Voady maimaika nataon’i Jefta” nahazatra tao amin’ny Mpitsara toko faha-11, ary hita tao amin’ny Jaona toko voalohany ny hoe “Fisian’ny Tenin’Andriamanitra talohan’ny naha-olombelona azy sy ny nahaterahany ho olombelona”.

14. Fandikan-tenin’ny Baiboly nohatsaraina inona no nataon’ny Fikambanana pirinty tamin’ny 1944, ary lafin-javatra inona avy no mampiavaka io Baiboly io?

14 Ny American Standard Version. Fandikan-tenin’ny Baiboly lehibe hafa iray ny American Standard Version tamin’ny 1901. Izy io dia manana ny lafiny tena mendri-piderana indrindra, dia ny fandikana ny anaran’Andriamanitra hoe “Jehovah” efa ho in-7 000 ao amin’ny Soratra Hebreo. Taorian’ny fifampiraharahana naharitra ela, ny Fikambanana Watch Tower dia afaka nividy ny fampiasana ny plakin’ny Dikan-tenin’ny Baibolin’ny American Standard manontolo, tamin’ny 1944, mba hatao pirinty tamin’ny miliny manokana. Tamin’ny 10 Aogositra 1944, tao Buffalo, any New York, izay tanàna foiben’ireo fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah 17 niara-natao, nampifandraisina tamin’ny alalan’ny telefaonina manokana, dia nampifaly ny mpihaino azy maro ny prezidàn’ny Fikambanana tamin’ny famoahan’ny Watch Tower ny fanontana American Standard Version. Ny appendice dia nahafaoka “Konkordansan’ireo Teny sy Anarana ary Fitenenana ao Amin’ny Baiboly” niitatra sy nilaina indrindra. Navoaka tamin’ny 1958 ny fanontana tamin’ny endriny fanao am-paosy tamin’io Baiboly io ihany.

15. Fandikan-teny inona no navoakan’ny Fikambanana tamin’ny 1972?

15 Ny The Bible in Living English. Tamin’ny 1972 ny Fikambanana Watch Tower dia namoaka ny The Bible in Living English, nataon’i Steven T. Byington izay nody mandry vao haingana. Nandika tamin’ny fomba tsy niova ny anaran’Andriamanitra hoe “Jehovah” izy io.

16. Araka izany, asa indroa miantoana inona no noraisin’ny Vavolombelon’i Jehovah ho raharaha?

16 Araka izany, ny Vavolombelon’i Jehovah dia tsy mitory fotsiny any amin’ny tany sy nosy maherin’ny 200 manerana ny tany ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra efa niorina, fa tonga mpanao pirinty sy mpampanonta, amin’ny ambaratonga lehibe, ilay Boky sarobidy izay mirakitra ny hafatra momba ilay Fanjakana, ilay Soratra Masina nomen’ny tsindrimandrin’i Jehovah Andriamanitra, koa izy ireo.

NY SORATRA MASINA — FANDIKAN-TENIN’IZAO TONTOLO IZAO VAOVAO

17. a) Tamin’ny fomba ahoana no nahasoa ireo dikan-tenin’ny Baiboly maro ary inona anefa no tsinin’izy ireny? b) Nanomboka tamin’ny 1946, inona no notadiavin’ny prezidàn’ny Fikambanana Watch Tower?

17 Ny Vavolombelon’i Jehovah dia miaiky fa velom-pankasitrahana noho ireo dikan-tenin’ny Baiboly maro rehetra izay nampiasainy tamin’ny fianarany ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Kanefa, ireny fandikan-teny rehetra ireny, na dia ireo izay vao haingana indrindra aza, dia nanana ny tsininy. Nisy dika teny niovaova na tsy nahafa-po, izay simban’ny lovantsofina nampitsitokotoko na filozofian’izao tontolo izao tao amin’izy ireny, koa tamin’izany dia tsy nifanaraka tamin’ny fomba feno tamin’ny fahamarinana masina izay noraketin’i Jehovah an-tsoratra tao amin’ny Teniny. Nanomboka tamin’ny 1946 indrindra, ny prezidàn’ny Watch Tower Bible and Tract Society dia teo am-pitadiavana fandikan-tenin’ny Soratra Masina nahatoky avy tamin’ny fiteny tany am-boalohany — fandikan-teny ho mora azon’ireo mpamaky maoderina tahaka ny naha-mora azon’ireo olon-tsotra nanan-tsaina tamin’ny vanim-potoan’ny fanoratana ny Baiboly mihitsy ireo asa soratra tany am-boalohany.

18. Ahoana no nahatongavan’ny Fikambanana ho mpampanonta sy mpanao pirinty ny Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao?

18 Tamin’ny 3 Septambra 1949, tao amin’ny foiben’ny Fikambanana tao Brooklyn, ny prezidà dia nanambara tamin’ny Fitambaran’ny Mpitantan-draharaha ny fisian’ny Komitin’ny Fandikan-tenin’ny Baibolin’Izao Tontolo Izao Vaovao sy ny nahavitan’izy io fandikan-teny iray maoderina ho an’ny Soratra Grika Kristiana. Novakina ny tahirin-kevitr’ilay komity, ka tamin’izany ilay komity dia namindra tamin’ny Fikambanana, ny fananana sy ny fahefana ary ny famoahana ilay fandikan-teny tamin’ny fiekena ny asa tsy nisy fitokotokoana nataon’io Fikambanana io ho fampandrosoana ny fampianarana Baiboly nanerana ny tany. Nisy ampahany tamin’ilay sora-tanana koa novakina, ho ohatra momba ny maha-izy sy ny hatsaran’ilay fandikan-teny. Niombon-kevitra avokoa ireo mpitantan-draharaha tamin’ny fanekena ilay fanomezana dia ilay fandikan-teny, ary natao ireo fandaharana mba hanaovana pirinty azy avy hatrany. Nanomboka tamin’ny 29 Septambra 1949 ny fandaharana ireo pejy hatao pirinty, ary tamin’ny voalohandohan’ny fahavaratry ny taona 1950, dia nisy an’aliny maro vita tamin’ny endriny nifono baoritra.

19. a) Ahoana no nisehoan’ny Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao tamin’ny tapatapany? b) Ezaka inona no natao tamin’ny fanomanana ireny boky ireny?

19 Famoahana ny Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao amin’ny tapatapany. Tamin’ny alarobia 2 Aogositra 1950, tamin’ny andro fahefatra tamin’ny fivoriambeny niraisam-pirenena tao amin’ny Yankee Stadium, any New York, dia nandray tamin’ny fony manontolo ny famoahana ny Ny Soratra Grika Kristiana — Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao ireo mpanatrika Vavolombelon’i Jehovah 82 075 notampohina tanteraka. Noho ny fampirisihana azony tamin’ilay fandraisana feno hafanam-po voalohany, ary koa tamin’ny teny fanehoam-pankasitrahana tatỳ aoriana noho ny hatsaran’ilay fandikan-teny, ilay Komity dia nisahana nanaraka izany ny asa fandikana niitatra ny Soratra Hebreo. Niseho tamin’ny boky dimy fanampiny, izay navoaka nisesy nanomboka tamin’ny 1953 ka hatramin’ny 1960, izy io. Nahaforona fitahirizam-bokin’ny Baiboly manontolo tamin’ny teny anglisy maoderina ny fitambaran’ireo boky enina. Ny boky tsirairay avy koa dia nirakitra fanampiana sarobidy ho an’ny fianarana Baiboly. Araka izany, dia nisy tahiry lehibe amin’ny fanazavana ny Soratra Masina natao teo am-pelatanan’ny mpianatra ny Baiboly amin’ny andro maoderina. Natao ny ezaka mafy mba hampifandraisana ireo loharanon-kevitra rehetra azo itokiana amin’ny fanazavana ho an’ilay soratra, mba hilazan’ny Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao mazava tsara sy araka ny marina ny hafatra maherin’ny Soratra Masina ara-tsindrimandry tany am-boalohany.

20. Fanampiana sarobidy inona avy no noraketin’ny fanontana voalohan’ny Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao teo amin’ny a) fanamarihany ambany pejy, b) fakan-teniny an-tsisim-pejy, sy d) sasin-teniny ary appendice-ny?

20 Anisan’ny fanampiana amin’ny fianarana ny Baiboly tao amin’ilay fanontana voalohan’ny Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao nisy fizarana enina dia tao ny fanangonana fanamarihana ambany pejy sarobidy, izay nanome fanazavana ho an’ireo dika teny. Teo amin’ireny fanamarihana ireny dia nasiana fanaporofoan-kevitra mahery ho fiarovana ny Soratra Masina. Nampidirina koa ny rafitra nisy fakan-teny nitandahatra sarobidy. Ireny filaharan-teny momba ny foto-pampianarana lehibe ireny dia natao mba hisarihana ny sain’ilay mpianatra ho amin’ny fitohitohizana andinin-teny fototra momba ireny foto-kevitra ireny. Nisy fakan-teny nifampitohitohy maro teo an-tsisim-pejy. Izy ireny dia nisarika ny sain’ny mpamaky ho amin’ny a) teny nifanitsy, b) fiheverana sy hevitra ary fisehoan-javatra nifanitsy, d) fanazavana momba ny tantaram-piainana, e) fanazavana ara-jeografia, f) fahatanterahan’ny faminaniana, ary g) fakan-teny nivantana tao na avy tao amin’ny tapany hafa ao amin’ny Baiboly. Tao amin’ireo boky dia nisy sasin-teny lehibe koa, sarin’ireo sora-tanana tranainy sasany, appendice mbamin’ny indeksa nilaina, ary sarin’ireo tany sy toerana ao amin’ny Baiboly. Io fanontana voalohan’ny Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao io dia nanome fitaovana be dia be ho an’ny fianarana manokana ny Baiboly sy ny fampianaran’ny Vavolombelon’i Jehovah nahasoa ireo olona tso-po. Nisy fanontana manokana ho an’ny mpianatra, natonta ho boky tokana tamin’ny fanaovam-pirinty boky 150 000, navoaka tatỳ aoriana tamin’ny 30 Jona 1963, tamin’ny fanombohan’ny Fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah natao hoe “Vaovao Tsara Mandrakizay” tao Milwaukee, Wisconsin, any Etazonia.

21. a) Inona avy ireo toe-javatra nahatonga ny famoahana ny Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao nohavaozina? b) Inona avy no lafin-javatra nampiavaka azy sasany?

21 Fanontana nohavaozina natao boky tokana. Tamin’ny fahavaratry ny taona 1961, tamin’ny fitohitohizana fivoriambe nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Etazonia sy Eoropa, dia nisy fanontana nohavaozina amin’ny Ny Soratra MasinaFandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao manontolo natao boky tokana mora ampiasaina, navoaka mba hozaraina. Tamim-pifaliana no nandraisan’ireo olona ana hetsiny maro izay nanatrika ireny fivoriambe ireny azy io. Nifono baoritra maitso izy io, nisy 1 472 pejy sady nanana konkordansa faran’izay tsara sy appendice misy ireo foto-dresaka ao amin’ny Baiboly ary sarintany.

22, 23. Fanontana fanampiny inona avy no navoaka, ary inona avy no lafin-javatra sasany nampiavaka azy ireo?

22 Fanontana fanampiny. Tamin’ny 1969 dia navoaka ny The Kingdom Interlinear Translation of the Greek Scriptures, ka ny fanontana faharoa dia tamin’ny 1985. Io boky io dia manome ny fandikan-teny anglisy ara-bakitenin’ny soratra tamin’ny teny grika natontan’i Westcott sy i Hort, ary koa ny dika teny anglisy maoderina ho an’ny fanontana tamin’ny 1984 ny Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao. Araka izany, izy io dia manolotra ho an’ny mpianatra ny Baiboly mazoto izay nolazain’ny teny grika voalohany tamin’ny fotony, na izay nolazainy ara-bakiteny.

23 Navoaka tamin’ny 1970 ny fanavaozana faharoan’ny Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao, ary nanaraka tamin’ny 1971 ny fanavaozana fahatelo nisy fanamarihana ambany pejy. Tamin’ny fivoriamben’ny distrika “Ny Fitomboan’ilay Fanjakana” nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny 1984, dia navoaka ny fanontana nisy fakan-teny nohavaozina tamin’ny teny anglisy. Izy io dia mahafaoka fakan-teny an-tsisim-pejy mifampitohitohy mifanaraka amin’ny zava-misy sy nohavaozina manontolo izay naseho voalohany tamin’ny teny anglisy nanomboka tamin’ny 1950 ka hatramin’ny 1960. Natao ho an’ny mpianatra ny Baiboly mazoto izy io sady mirakitra fakan-teny an-tsisim-pejy 125 000 mahery, fanamarihana ambany pejy 11 000 mahery, konkordansa miitatra, sarintany, ary lahatsoratra 43 eo amin’ny appendice. Tamin’ny 1984 koa, dia nasiana fanontana tsotra ilay nohavaozina tamin’ny 1984, niaraka tamin’ny fakan-teny an-tsisim-pejy, saingy tsy nisy fanamarihana ambany pejy.

24. a) Inona avy ny tombony sasany amin’ny fanontana tsotra sy misy fakan-teny? b) Asehoy amin’ny alalan’ny ohatra ny fampiasana ireo lohateny.

24 Tombony sasany. Mba hanampiana ny mpamaky hahita haingana izay ilainy, dia samy mirakitra lohateny isaky ny ambony pejy natao tamim-pitandremana ireo fanontana tsotra sy misy fakan-teny. Ireny lohateny ireny dia milazalaza ny lahatsoratra eo ambany, ary izy ireny dia nomanina manokana mba hanampy ny mpitory ilay Fanjakana amin’ny fahitana haingana ny toerana misy ireo andininy hamaliana ireo fanontaniana izay mety hatao aminy. Ohatra, mety hanandrana hitady ny toerana misy ny torohevitra momba ny fitaizana zanaka izy. Tonga eo amin’ny pejy faha-860 (fanontana tsotra) ao amin’ny Ohabolana izy dia mahita ny filazana fohy fototra farany hoe: “Laza tsara”. Koa satria io no filazana fohy farany eo amin’ilay lohateny, dia manondro izy io fa ho hita eo amin’ny faramparan’ilay pejy ilay foto-kevitra, ary eo no ahitany azy, ao amin’ny Ohabolana 22:1. Ny andinin-teny asehon’ny tapany voalohany amin’ny lohateny eo amin’ny pejy faha-861 hoe: “Zaro ny zaza”, dia hitany alohaloha eo amin’ilay pejy, eo amin’ny andininy faha-6. Ny tapany manaraka amin’ilay lohateny dia amakiana hoe: “Tsy mitsitsy tsora-kazo”. Io andininy io dia hita eo akaikin’ny faran’ny tsanganana voalohany, eo amin’ny andininy faha-15. Ireny lohateny eo ambony pejy ireny dia afaka manampy be dia be ny mpitory ilay Fanjakana izay mahafantatra ny toerana misy amin’ny ankapobeny ireo andinin-teny tadiaviny. Afaka manokatra ny Baiboly ho amin’ny fanaovan-javatra haingana izy ireo.

25. Konkordansa inona no omena ao, ary ho amin’ny fampiasana ilaina inona no mety ho nanaovana azy tao?

25 Any amin’ny faran’ireo fanontana tsotra sy misy fakan-teny amin’io Baiboly io, dia samy misy fizarana antsoina hoe “Teny ao Amin’ny Baiboly Nalahatra ho Indeksa”. Eo no ahitana an’arivony maro amin’ny teny lehibe ao amin’ny Baiboly miaraka amin’ny andalan’ny teny manodidina. Araka izany, dia misy konkordansa azo ampiasaina, anisan’izany ny fitohitohizana teny vaovao sy mahalaza zavatra ampiasaina ao amin’ilay soratra. Ho an’ireo izay zatra ny dika tenin’ny King James Version, dia misy fanampiana omena amin’ny fanamarihana ireo fiampitana avy amin’ny teny anglisy tranainy kokoa ao amin’ny Baiboly ho amin’ny teny anglisy maoderina kokoa. Raiso, ohatra, ny teny hoe “fahasoavana” ao amin’ny King James Version. Izy io dia voatanisa ao amin’ilay indeksa, ka mitarika ilay mpianatra ho amin’ny hoe “hatsaram-panahy ho an’izay tsy mendrika akory”, fitenenana maoderina kokoa ampiasaina ao amin’ilay fandikan-teny vaovao. Ilay indeksan’ny teny dia ahafahana mahita ny toerana misy ireo andininy ao amin’ny Soratra Masina momba ireo foto-kevitry ny foto-pampianarana, toy ny hoe “fanahy âme” na “avotra”, ka manohana fianarana amin’ny an-tsipiriany mivantana avy amin’ny andininy ao amin’ny Baiboly. Ny mpitory ilay Fanjakana iray izay angatahina mba hitory momba ny iray amin’ireny foto-kevitra miavaka ireny dia afaka mampiasa avy hatrany ny ampahany fohy amin’ny teny manodidina omena ao amin’io konkordansa io. Fanampin’izany, dia tanisaina ireo fakan-teny lehibe ho an’ireo anarana manokana miavaka, anisan’izany ireo toerana ara-jeografia ary koa ireo olona malaza ao amin’ny Baiboly. Fanampiana tsy hay tombanana, araka izany, no omena an’ireo mpianatra ny Baiboly rehetra mampiasa io fandikan-teny io.

26. Asehoy amin’ny alalan’ny ohatra iray ny fomba anampian’ny appendice ao amin’ny Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao.

26 Misy appendice ho an’izay tia mandalina, manolotra fanazavana araka ny marina bebe kokoa izay mahasoa ho amin’ny fampianarana. Ireo lahatsoratr’ilay appendice dia nalahatra tamin’ny fomba izay azo ampiasana azy ireny ho fanampiana eo amin’ny fanazavana foto-pampianarana ao amin’ny Baiboly sy izay zavatra mifandray amin’izany. Ohatra, amin’ny firesahana ny amin’ny foto-kevitra hoe “fanahy âme”, ilay appendice, eo ambanin’ny lohateny valo samy hafa, dia mitanisa andinin-teny izay mampiseho ireo fomba samihafa ampiasana ny teny hoe “fanahy âme” (Hebreo: neʹphesh). Omena ao amin’ny lahatsoratr’ilay appendice koa ireo soritsary sy sarintany. Ny Reference Bible (Baiboly Misy Fakan-teny) dia mirakitra appendice miitatra kokoa ary koa fanamarihana ambany pejy ilaina izay manome fanazavana lehibe ho an’ny soratra, amin’ny fomba tsotra. Araka izany, ny Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao dia miavaka noho ny fitohitohizana fanampiana atolony mba hanomezana haingana fahalalana araka ny marina, ho azon’ny mpamaky azy ampiasaina.

27, 28. Hazavao sady asehoy amin’ny alalan’ny ohatra ny fomba anondroan’ny Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao ny fanononana anarana manokana.

27 Fanampiana amin’ny fanononana anarana ao amin’ny Baiboly. Ao amin’ny soratra amin’ny teny anglisy mihitsy, dia manome fanampiana amin’ny fanononana anarana manokana ireo fanontana rehetra amin’ny Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao. Mitovy amin’izay novolavolain’ny manam-pahaizana iray ho an’ny Revised Standard Version tamin’ny 1952 ilay rafitra. Zaraina ho vaninteny izay sarahina amin’ny alalan’ny teboka na ny mari-tsindrimpeo (ʹ), ilay anarana manokana. Ilay mari-tsindrimpeo dia eo aorian’ilay vaninteny izay tokony hasiana fanasongadinana lehibe amin’ny fanononana ilay teny. Raha toa ka miafara amin’ny zanatsoratra ilay vaninteny misy tsindrimpeo, dia mitarazoka ny fanononana ilay zanatsoratra amin’izay. Raha miafara amin’ny renisoratra ny vaninteny iray, dia fohy ny fanononana ilay zanatsoratra amin’izay ao amin’io vaninteny io.

28 Ohatra, mariho ny Joba 4:1. Miresaka ny amin’i “Elʹi·phaz the Teʹman·ite” (Elifaza Temanita) izy ao. Na dia samy eo amin’ny vaninteny voalohany aza ilay tsindrimpeo eo amin’ireo teny roa ireo, dia tokony hotononina amin’ny fomba samy hafa ilay litera “e”. Eo amin’ny hoe “Elʹi·phaz”, ilay tsindrimpeo eo aorian’ilay renisoratra “l” dia mahatonga ilay zanapeo “e” ho fohy, toy ny ao amin’ny “erỳ”. Ao amin’ny hoe “Teʹman·ite” kosa, ilay tsindrimpeo eo aorian’ilay zanatsoratra “e” (tononina hoe “i”) avy hatrany dia mahatonga azy io hitarazoka, toy ny “i” voalohany ao amin’ny “isika”. Rehefa mikambana ireo zanatsoratra “a” sy “i”, toy ny ao amin’ny “Morʹde·cai” (Mordekay) ao amin’ny Estera 2:5 sy “Siʹnai” (Sinay) ao amin’ny Eksodosy 19:1, dia tononina mitarazoka fotsiny ny “ai”.

29. Moa ve ny Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao fanavaozana fotsiny ireo fandikan-teny teo aloha kokoa, ary lafin-javatra manokana inona avy no manohana ny valin-teninao?

29 Fandikan-teny vao haingana. Ny Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao dia fandikan-teny vao haingana avy amin’ny fiteny tany am-boalohany nanoratana ny Baiboly, dia teny hebreo sy aramiana ary grika. Tsy fanavaozana velively izay mety ho fandikan-teny anglisy hafa rehetra izy io na kopian’izay mety ho dikan-teny hafa rehetra raha ny amin’ny fomba fanoratra, voambolana, na fingadona. Ho an’ny fizarana amin’ny teny hebreo-aramiana, dia nampiasaina ny soratra nohatsaraina tsara sy neken’ny besinimaro nataon’i Rudolf Kittel, dia ireo fanontana faha-7 sy faha-8 ary faha-9 (1951-1955) tamin’ny Biblia Hebraica. Nisy fanontana vaovaon’ny soratra amin’ny teny hebreo fantatra hoe Biblia Hebraica Stuttgartensia, natao tamin’ny 1977, nampiasaina ho amin’ny fampifanarahana amin’ny zava-misy ny fanazavana aseho eo amin’ny fanamarihana ambany pejy ao amin’ny Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao Misy Fakan-teny. Ny fizarana amin’ny teny grika dia nadika voalohany indrindra avy tamin’ny soratra fiaingana amin’ny teny grika nomanin’i Westcott sy i Hort, navoaka tamin’ny 1881. Kanefa, ny Komitin’ny Fandikan-tenin’ny Baibolin’Izao Tontolo Izao Vaovao dia nijery koa soratra amin’ny teny grika hafa, anisan’izany ny soratra amin’ny teny grika nataon’i Nestle (1948). Aseho eo amin’ny Fianarana Faha-5 sy Faha-6 amin’itỳ boky itỳ ny filazalazana momba ireo soratra fiaingana faran’izay tsara ireo. Ny komitin’ny fandikan-teny dia nanao fandikan-tenin’ny Baiboly mahery sy araka ny marina, ary ny vokany dia soratra mazava sy velona, ka manokatra ny lalana ho amin’ny fahazoana lalina kokoa sy mahafa-po kokoa ny hevitry ny Tenin’Andriamanitra.

30. Inona no fanombanana ny hasarobidin’io fandikan-teny io nataon’ny mpanao tsikera iray?

30 Mariho ny fanombanan’ny mpanao tsikera iray ny hasarobidin’io fandikan-teny io: “Faran’izay vitsy ny dika teny tany am-boalohan’ny Soratra Hebreo ho amin’ny teny anglisy. Noho izany, dia manome antsika fifaliana be dia be ny fandraisana ny famoahana ny tapany voalohany amin’ny Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao [Ny Soratra Hebreo], dia ny Genesisy ka hatramin’ny Rota. (...) Io dikan-teny io dia niharihary fa nanao ezaka manokana mba hahamora vakina ny ao anatiny manontolo. Tsy misy afaka milaza fa tsy ampy ny maha-vao haingana sy maha-manokana azy. Ny voambolany manokana dia tsy miorina velively eo amin’ny an’ireo dikan-teny teo aloha.” b

31. Ahoana no nanombanan’ny manam-pahaizana momba ny teny hebreo iray ny hasarobidin’ny Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao?

31 Ny Profesora Benjamin Kedar avy any Isiraely, manam-pahaizana momba ny teny hebreo, dia nanombana toy izao manaraka izao ny hasarobidin’ny Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao, tao amin’ny fanadinadinana niaraka tamin’ny solontenan’ny Fikambanana Watch Tower: “Ao amin’ny fikarohana ataoko momba ny famakafakan-teny mifandray amin’ny Baiboly hebreo sy ny fandikan-teny, dia maka teny matetika ao amin’ny fanontana anglisy amin’ilay fantatra hoe ny Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao aho. Amin’ny fanaovana izany, dia hitako fa voamarina matetika ny fahatsapako fa manome taratry ny fiezahana amim-pahamarinana hanatratra ny fahatakarana ny hevitry ny soratra mba ho marina araka izay azo atao, io boky io. Amin’ny fanomezana fitsipika malalaka amin’ny fiteny tany am-boalohany, dia mandika ny teny tany am-boalohany ho amin’ny fiteny faharoa mora takatra izy, ary tsy mihataka tsy aman’antony amin’ny firafitra manokan’ny teny hebreo. (...) Ny famelabelarana fiteny rehetra dia manome fahalalahana eo amin’ny filazana hevi-teny na fandikan-teny. Noho izany, ny valin’ny famakafakan-teny amin’ny toe-javatra rehetra na inona na inona dia mety ho azo iadian-kevitra. Nefa tsy nahita mihitsy aho na dia iray aza tao amin’ny Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao fikasana ratsy hamaky zavatra tsy hita ao amin’ny soratra tany am-boalohany akory.” c

32. Hatraiza no ara-bakiteny ny Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao, ary inona no soa azo avy amin’izany?

32 Fandikan-teny ara-bakiteny. Ny fahatokiana teo amin’ny fandikan-teny dia aseho koa amin’ny maha-ara-bakiteny azy. Izany dia mitaky fifanandrifian’ny teny, tsy misy latsaka, eo amin’ny dika teny anglisy sy ny soratra amin’ny teny hebreo sy grika. Eo amin’ny fampisehoana ilay soratra amin’ny fiteny izay andikana azy, ny ambaratongan’ny maha-ara-bakiteny dia tokony ho ambony araka izay amelan’ny fomba fitenenana amin’ny fiteny voalohany azy. Ankoatr’izany, ny fandikana ara-bakiteny dia mitaky ny hitovian’ny filaharan’ny teny eo amin’ny ankamaroan’ny dika teny, amin’ny an’ny teny hebreo na grika, ka hitahiry araka izany ny fanamafisana hita amin’ny asa soratra tany am-boalohany. Amin’ny alalan’ny fandikan-teny ara-bakiteny, dia mety ho voampita araka ny marina ny hanitra sy ny loko ary ny fingadon’ny asa soratra tany am-boalohany.

33. Ahoana no nanamarihana ny fialana tsindraindray tamin’ny soratra ara-bakiteny?

33 Nisy fialana tsindraindray tamin’ny soratra ara-bakiteny, mba ho fikendrena ny hampita amin’ny teny mora azo ny fomba fitenenana sarotra hebreo na grika. Kanefa, ao amin’ny fanontana misy fakan-tenin’ny Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao, dia nisarihana ny sain’ny mpamaky izy ireny, tamin’ny alalan’ny fanamarihana ambany pejy izay manome ny dika teny ara-bakiteny.

34. a) Inona no vokatry ny fialana tamin’ny fandikan-teny ara-bakiteny? b) Asehoy amin’ny alalan’ny ohatra izany.

34 Mpandika tenin’ny Baiboly maro no niala tamin’ny fandikana ara-bakiteny ho amin’izay noheveriny ho hakanton’ny fiteny sy ny endriny. Miady hevitra izy ireo fa ny dika teny ara-bakiteny dia tsy milefitra sy henjana ary maneritery. Kanefa, ny fialany tamin’ny fandikan-teny ara-bakiteny dia nitondra fihatahana maro avy tamin’ny filazam-pahamarinana araka ny marina tany am-boalohany, tamin’ny fampidirana filazana teny amin’ny fomba hafa sy filazana ny hevitry ny teny. Izy ireo, raha ny marina, dia nanatsatso ny tena fiheveran’Andriamanitra. Ohatra, indray mandeha ny lehiben’ny oniversite amerikana efa misotro ronono iray dia niampanga ny Vavolombelon’i Jehovah ho nanimba ny hatsaran-tarehy sy ny hakanton’ny Baiboly. Ny tiany holazaina tamin’ny hoe ny Baiboly dia ny King James Version, izay nohajaina fatratra hatramin’ny ela ho filamatry ny teny anglisy kanto. Hoy izy: ‘Jereo ny nanaovanareo ny Salamo faha-23. Nosimbanareo ny fingadony sy ny hakantony amin’ny fanaovanareo hoe “Jehovah no mpiandry ahy [amin’ny teny anglisy io fehezanteny io dia misy vanin-teny fito]”. Vanin-teny fito fa tsy enina. Manafintohina izany. Tsy mifandanja izany. Tsy misy fingadona. Mety ny an’ny King James amin’ny vanin-teniny enina mifandanja tsara hoe “Ny Tompo no mpiandry ahy [amin’ny teny anglisy io fehezanteny io dia misy vanin-teny enina]”.’ Notoherina ilay profesora fa zava-dehibe kokoa ny manao azy araka ny fomba nanaovan’i Davida, ilay mpanoratra Baiboly, azy. Moa ve i Davida nampiasa ny teny ankapobeny hoe “Tompo”, sa izy nampiasa ny anaran’Andriamanitra? Niaiky ilay profesora fa nampiasa ny anaran’Andriamanitra i Davida, kanefa mbola niady hevitra ihany izy fa tokony ho nekena ny teny hoe “Tompo” ho an’ny hatsaran-tarehy sy ny hakanton’ny soratra. Fialan-tsiny maivana re izany ho an’ny fanesorana ny anaran’i Jehovah miavaka noho ny fahamboniany ao amin’io salamo natao hiderana azy io!

35. Noho ny inona no isaorantsika an’Andriamanitra, ary inona no fanantenantsika sy vavaka ataontsika?

35 Dika teny an’arivony maro no natao sorona tamin’izany fomba izany teo amin’ny alitaran’ny fiheveran’ny olona ny hakanton’ny fiteny, ka niteraka fahadisoana tao amin’ny fandikan-tenin’ny Baiboly maro. Isaorana Andriamanitra noho izy nanome ny Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao, miaraka amin’ny soratra ao anatiny mazava sy araka ny marina! Enga anie ny anarany lehibe hoe Jehovah hohamasinina ao am-pon’ireo olona rehetra izay mamaky azy io!

[Fanamarihana ambany pejy]

a Anisan’ireo fikambanana mpampiely Baiboly maro niforona nanomboka tamin’ny 1804 dia tao ny Fikambanana Mpampiely Baiboly Amerikana (1816), niforona avy tamin’ny fikambanana efa nisy teo an-toerana, ary koa ny Fikambanana Mpampiely Baiboly tao Edinburgh (1809) sy ny Fikambanana Mpampiely Baiboly tao Glasgow (1812), ka izy roa ireo tatỳ aoriana dia samy nitambatra (1861) tamin’ny Fikambanam-pirenena Mpampiely Baiboly tany Ecosse. Tamin’ny 1820, dia niforona koa tany Soisa, Irlande, Frantsa, Failandy, Soeda, Danemarka, Norvezy, Pays-Bas, Islande, Rosia, ary Alemaina ireo fikambanana mpampiely Baiboly.

b Alexander Thomson, The Differentiator, Jona 1954, pejy 131.

c 12 Jona 1989, nadika avy tamin’ny teny alemanina.

[Fanontaniana]

[Tabilao, pejy 322]

FANDIKAN-TENIN’NY BAIBOLY SASANY MALAZA INDRINDRA AMIN’NY FITENY LEHIBE FITO

Anaran’ilay Natonta Soratra Fototra Nandikana Soratra Fototra

Dikan-teny Voalohany ho An’ny ny Anaran’ ho An’ny

Soratra Hebreo Andriamanitra Soratra Grika

ANGLISY

Rheims-Douay* 1582-1610 Vulgate Tompo Vulgate

(ADONAI,

indroa)

King James 1611 M TOMPO Soratra

Version* (Jehovah, Voaray

vitsivitsy)

Young 1862-1898 M Jehovah Soratra

Voaray

English 1881-1895 M TOMPO Westcott

Revised* (Jehovah, sy Hort

vitsivitsy)

Emphasised 1878-1902 M (Ginsburg) Yahweh Westcott

Bible sy Hort,

Tregelles

American 1901 M Jehovah Westcott

Standard sy Hort

An American 1923-1939 M TOMPO Westcott

Translation (Yahweh, sy Hort

(Smith- vitsivitsy)

Goodspeed)*

Revised 1946-1952 M TOMPO Westcott

Standard* sy Hort,

Nestle

New English 1961-1970 M (BHK) TOMPO Soratra

Bible* (Jehovah, notsongaina

vitsivitsy) vaovao

Today’s 1966-1976 M (BHK) TOMPO UBS

English

Version

New King 1979-1982 M (BHS) TOMPO Soratra

James Bible/ (YAH, amin’ny

Revised vitsivitsy) ankamaroany

Authorised

Version

New Jerusalem 1985 M Yahweh Grika

Bible*

ESPANIOLA

Valera 1602 M Jehová Soratra

Voaray

Moderna 1893 M Jehová Scrivener

Nácar-Colunga* 1944 M Yavé Grika

Evaristo 1964 M Yavé Grika

Martín

Nieto*

Serafín 1965 M (BHK) Yahvéh, Nestle-

de Ausejo* Señor Aland

Biblia de 1967 M Yahveh Grika

Jerusalén*

Cantera- 1975 M (BHK) Yahveh Grika

Iglesias*

Nueva 1975 M Señor Grika

Biblia

Española*

PORTOGAY

Almeida 1681, M Jehovah Soratra

1750 Voaray

Figueiredo* 1778-1790 Vulgate Senhor Vulgate

Matos Soares* 1927-1930 Vulgate Senhor Vulgate

Pontifício 1967 M Javé Merk

Instituto

Bíblico*

Jerusalém* 1976, M Iahweh Grika

1981

ALEMANINA

Luther* 1522, M HErr Erasme

1534

Zürcher 1531 M Herr, Jahwe Grika

Elberfelder 1855, M Jehova Soratra

1871 Voaray

Menge 1926 M HErr Grika

Luther 1964, M HERR Grika

(nohavaozina)* 1984

Bibel in 1967 M (BHS) Herr Nestle-

heutigem Aland, UBS

Deutsch

(Gute

Nachricht)*

Einheit- 1972, M Herr, Grika

sübersetzung* 1974 Jahwe

Revidierte 1975, M HERR, Grika

Elberfelder 1985 Jahwe

FRANTSAY

Darby 1859, M Eternel Grika

1885

Crampon* 1894-1904 M Jéhovah Merk

Jérusalem* 1948-1954 Vulgate, Yahvé Vulgate,

Hebreo Grika

TOB Baiboly 1971-1975 M (BHS) Seigneur Nestle,

Eokiomenika* UBS

Osty* 1973 M Yahvé Grika

Segond 1978 M (BHS) Eternel Nestle-

Nohavaozina Aland,

Black,

Metzger,

Wikgren

Français 1982 M (BHS) Seigneur Nestle,

courant UBS

NEHERLANDEY (PAYS-BAS)

Staten- 1637 M HEERE Soratra

vertaling Voaray

Leidse 1899-1912 M Jahwe Nestle

Vertaling

Petrus- 1929-1939 M Jahweh Nestle

Canisius-

vertaling*

NBG-vertaling 1939-1951 M HERE Nestle

Willibrord- 1961-1975 M Jahwe Nestle

vertaling*

Groot Nieuws 1972-1983 M Heer Nestle

Bijbel*

ITALIANA

Diodati 1607, M Signore Grika

1641

Riveduta 1925 M Eterno Grika

(Luzzi)

Nardoni* 1960 M Signore, Grika

Jahweh

Pontificio 1923-1958 M Signore, Merk

Istituto Jahve

Biblico*

Garofalo* 1960 M Jahve, Grika

Signore

Concordata* 1968 M (BHK) Signore, Nestle,

Iavè Merk

CEI* 1971 M Signore Grika

Parola del 1976-1985 M (BHS) Signore UBS

Signore*

* Ny marika toy ny kintana dia milaza fa nampidirina ny Apokrifa kanefa mety tsy ho hita tao amin’ny fanontana rehetra.

“M” manondro ny soratra masoretika. Rehefa mitokana izy io dia tsy misy fanontana manokana ho an’ny soratra masoretika voafaritra tsara.

“BHK” manisy firesahana momba ny Biblia Hebraica nataon’i Kittel.

“UBS” manisy firesahana momba ny The Greek New Testament, nataon’ny Fikambanana Mpampiely Baiboly Mitambatra (United Bible Societies).

“BHS” manondro ny Biblia Hebraica Stuttgartensia.

“Grika” manondro fandikan-teny natao avy tamin’ny teny grika, saingy tsy nisy soratra manokana voalaza.