Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fianarana Faha-9 — Ny Arkeolojia sy ny Firaketana An-tsoratra Ara-tsindrimandry

Fianarana Faha-9 — Ny Arkeolojia sy ny Firaketana An-tsoratra Ara-tsindrimandry

Fianarana Momba ny Soratra Ara-tsindrimandry sy ny Tantara Momba Azy

Fianarana Faha-9 — Ny Arkeolojia sy ny Firaketana An-tsoratra Ara-tsindrimandry

Fianarana ny amin’ireo zavatra hitan’ny arkeolojia sy ny amin’ireo firaketana an-tsoratra tranainy momba ny tantara tsy ara-pivavahana izay manamarina ny firaketana an-tsoratra ao amin’ny Baiboly.

1. Inona no tiana holazaina amin’ny hoe a) arkeolojia ara-baiboly? b) artefacts?

 NY ARKEOLOJIA ara-baiboly dia ny fianarana momba ireo vahoaka sy fisehoan-javatra tamin’ny andron’ny Baiboly amin’ny alalan’ny asa soratra, fitaovana, trano, ary sisan-javatra hafa izay hita ao an-kibon’ny tany. Mahafaoka fandinihana amin’ny an-tsipiriany be dia be sy fitaomana tany nisy an-tapitrisany taonina maro ny fikarohana ireo sisan-javatra, na artefacts, tranainy eo amin’ny toerana fahiny voalazan’ny Baiboly. Ny artefact dia izay mety ho zavatra mampiseho asa tanan’olombelona sy manome porofon’ny asa sy fomba fiainan’olona. Ireo artefacts dia mety hahafaoka zavatra sasany toy ny vilany tany, sisan-javatra rava avy amin’ny trano, takelaka tanimanga, soratra voasokitra, tahirin-kevitra, tsangambato, ary tantara voarakitra an-tsoratra eo amin’ny vato.

2. Manao ahoana ny hasarobidin’ny arkeolojia ara-baiboly?

2 Tamin’ny voalohandohan’ny taonjato faha-20, dia nivoatra ny arkeolojia ka nanjary saham-pianarana nisy fitandremana tsara, niaraka tamin’ny fanaovana dia manokana nankany amin’ireo tanin’ny Baiboly, notohanan’ireo oniversite sy tranombakoka lehibe any Eoropa sy Amerika ara-bola. Ho vokatr’izany, dia namongatra fahalalana sarobidy be dia be izay nanazava ny fomban-javatra tamin’ny andron’ny Baiboly ireo arkeology. Indraindray ireo zavatra hitan’ny arkeolojia dia nampiseho ny maha-azo itokiana ny Baiboly sy ny maha-araka ny marina azy hatramin’ny tsipiriany madinika indrindra.

NY ARKEOLOJIA SY NY SORATRA HEBREO

3. Sisan-javatra rava sy firaketana an-tsoratra tranainy inona avy no manamarina ny fisian’ny ziggourats tany Babylona fahiny?

3 Ny Tilikambon’i Babela. Araka ny voalazan’ny Baiboly, ny Tilikambon’i Babela dia asa fanorenana goavana. (Gen. 11:1-9). Mahaliana fa ireo arkeology dia namongatra teo amin’ny sisan-javatra ravan’ny tanànan’i Babylona fahiny sy teo amin’ny manodidina ny toerana niorenan’ny ziggourats vitsivitsy, na tilikambo-tempoly toy ny rirakitso nifanao ambaratonga, anisan’izany ny tempoly ravan’i Etemenanki, izay tao anatin’ny mandan’i Babylona. Ireo firaketana an-tsoratra tranainy mikasika ny tempoly toy ireny dia matetika no mirakitra ireo teny hoe: “Ny tampony dia hahatratra ny lanitra.” Voalaza fa niteny toy izao i Nebokadnezara Mpanjaka: “Nakariko ny tampon’ny Tilikambon’i Etemenanki nisy ambaratonga, hany ka nitehika tamin’ny lanitra ny tampony.” Misy tapatapa-tsoratra iray mitantara ny fianjeran’ny ziggourat iray toy izany amin’izao teny izao: “Nampahatezitra ireo andriamanitra ny fanorenana itỳ tempoly itỳ. Tao anatin’ny indray alina, dia nazerany izay voaorina. Naeliny izy ireo, ary nataony hafahafa ny fiteniny. Nosakantsakanany ny fandrosoany.” a

4. Inona avy ireo zavatra hitan’ny arkeolojia tany Gihona, ary inona no mety hifandraisan’izany amin’ny firaketana an-tsoratra ao amin’ny Baiboly?

4 Ireo tionelin-drano ao amin’ny Loharanon’i Gihona. Tamin’ny 1867, tao amin’ny faritr’i Jerosalema, i Charles Warren dia nahita lakandrano avy tao amin’ny Loharanon’i Gihona nankeny amin’ny havoana, nisy lavaka lalina nitarika niakatra nankany amin’ny Tanànan’i Davida. Teo angamba no lalana nitsofohan’ireo miaramilan’i Davida voalohany nankao amin’ilay tanàna. (2 Sam. 5:6-10). Tamin’ny 1909 ka hatramin’ny 1911, dia voasava ilay rafitra manontolon’ireo tionelina avy tao amin’ny loharanon’i Gihona. Nisy tionelina lehibe iray, izay nisy 1,8 metatra teo ho eo ny haavony tamin’ny antsalany, noloahana teo amin’ny 533 metatra niboroaka tao anatin’ny vatolampy mafy. Izy io dia nitarika avy tao Gihona nankany amin’ny Farihin’i Siloama tao amin’ny Lohasahan’i Tyropeona (tao anatin’ilay tanàna). Ary izy io angamba ilay naorin’i Hezekia. Nisy soratra tamin’ny litera hebreo tany am-boalohany hita teo amin’ny rindrin’ilay tionelina tery. Izao no vakina eo, amin’ny ampahany: “Ary izao no fomba izay nandoahana azy io: — Fony [(...)] mbola (nisy) [(...)] (ireo) famaky, ka ny lehilahy tsirairay nifanitsy tamin’ny namany, ary fony mbola nisy telo hakiho no tokony holoahana, [dia re] ny feon’ny lehilahy iray niantso ny namany, satria nisy fifandraisana teo amin’ny vatolampy teo amin’ny an-kavanana [sy teo amin’ny an-kavia]. Ary rehefa voaloaka ilay tionelina, dia namboatra (ny vatolampy) ireo lehilahy mpipai-bato, ka ny lehilahy tsirairay dia nifanitsy tamin’ny namany sady nifampitehika ny famakiny; ary nikoriana avy tao amin’ny loharano nankany amin’ny fitahirizan-drano nisy 1 200 hakiho ny rano, ary 100 hakiho ny haavon’ny vatolampy teo ambonin’ny lohan’ireo mpipai-bato.” Asana injeniera feno herim-po nahavariana re izany tamin’izany andro izany! b2 Mpanj. 20:20; 2 Tant. 32:30.

5. Inona no porofo araka ny arkeolojia hita tany Karnak momba ny fanafihan’i Sisaka sy ireo anaran-toerana ao amin’ny Baiboly?

5 Sary mivohitra mitantara ny fandresen’i Sisaka. Voatonona impito ao amin’ny Baiboly i Sisaka, mpanjakan’i Egypta. Koa satria i Rehoboama Mpanjaka niala tamin’ny lalàn’i Jehovah, dia namela an’i Sisaka hanafika an’i Joda i Jehovah, tamin’ny 993 al.f.i., kanefa tsy handrava azy tanteraka. (1 Mpanj. 14:25-28; 2 Tant. 12:1-12). Hatramin’ireo taona faramparany, dia tsy nisy afa-tsy ny Baiboly ihany no nirakitra an-tsoratra io fanafihana io. Avy eo, dia nipoitra ny tahirin-kevitra lehibe iray momba an’ilay Farao, izay antsoin’ny Baiboly hoe Sisaka (Sheshonk I). Izany dia tamin’ny endriky ny sary mivohitra mahazendana misy soratra miendrika sary egyptiana tranainy (hiéroglyphes) sy sary eo amin’ny rindrina atsimon’ny tempoly egyptiana malalaka be ao Karnak (Thébès fahiny). Aseho eo amin’io sary mivohitra goavana io i Amona, ilay andriamanitra egyptiana, izay mihazona eo amin’ny tanany havanana, sabatra iray miendrika antsimbary. Mitondra ho an’ny Farao Sisaka, babo palestiniana 156 voafatotra amin’ny tanany, izay mifatotra amin’ny tady hazonin’ny tanany havia, izy. Ny babo tsirairay dia mampiseho tanàna na vohitra iray, izay manana ny anarany aseho amin’ny hiéroglyphes. Anisan’ireo anaran-tanàna izay mbola azo vakina sy fantarina eo ny an’i Rabita, (Josoa 19:20); i Tanaka, i Beti-sana, ary i Megido, (Josoa 17:11); i Sonema, (Josoa 19:18); i Rehoba, (Josoa 19:28); i Hafraima, (Josoa 19:19); i Gibeona, (Josoa 18:25); i Beti-horona, (Josoa 21:22); i Aialona, (Josoa 21:24); i Soko, (Josoa 15:35); ary i Arada. (Josoa 12:14). Ilay tahirin-kevitra dia manisy firesahana koa momba ny “Sahan’i Abrama”, ka io no filazana voalohany indrindra an’i Abrahama ao amin’ny firaketana an-tsoratra egyptiana. c

6, 7. Ahoana ny tantaran’ilay Vato Moabita, ary fanazavana inona no omen’izy io mikasika ny ady teo amin’ny Isiraely sy i Moaba?

6 Ilay Vato Moabita. Tamin’ny 1868, dia nahita zavatra nahavariana ilay misionera alemanina atao hoe F. A. Klein, dia soratra tranainy tao Dhiban (Dibona). Nanjary fantatra hoe ilay Vato Moabita izy io. Nalaina tahaka tamin’ny lasitra ny soratra teo aminy, kanefa ilay vato mihitsy dia novakin’ny Bédouin talohan’ny nahafahana namindra azy. Kanefa, ny ankamaroan’ireo vakivakiny dia azo indray, ary tahirizina any Louvre, any Paris, ilay vato ankehitriny. Ary misy kopia iray ao amin’ny British Museum, any Londres. Najoro tany Dibona, tany Moaba, izy io tany am-boalohany, ary manome ny fitantaran’i Mesa Mpanjaka ny fikomiany tamin’ny Isiraely. (2 Mpanj. 1:1; 3:4, 5). Izao no vakina ao, amin’ny ampahany: “Izaho (no) Mesa, zanak’i Kemosy-[(...)], mpanjakan’i Moaba, ilay Dibonita (...) Raha ny amin’i Omry, mpanjakan’ny Isiraely, dia nampietry an’i Moaba nandritra ny taona (ara-bakiteny: andro) maro izy, satria tezitra tamin’ny taniny i Kemosy [ilay andriamanitr’i Moaba]. Ary nanaraka azy ny zanany lahy ka nilaza koa hoe: ‘Hampietry an’i Moaba aho.’ Tamin’ny androko dia niteny (araka izany) izy, kanefa nandresy azy sy ny ankohonany aho, fony ringana mandrakizay ny Isiraely! (...) Ary hoy i Kemosy tamiko: ‘Mandehana, alao amin’ny Isiraely i Nebo!’ Koa nandeha tamin’ny alina aho ary niady taminy nanomboka tamin’ny nangiran-dratsy ka hatramin’ny mitataovovonana, ka namabo azy sy namono ny rehetra ho faty (...) Ary nobaboiko avy tao ireo [fanak’i] Yahweh, ka notaritiko nankeo anoloan’i Kemosy.” d Mariho ny filazana ny amin’ny anaran’Andriamanitra eo amin’ny fehezanteny farany. Azo atao ny mahita izany eo amin’ny sarin’ilay Vato Moabita miaraka eto. Izany dia amin’ny endriky ny Tetragrama, eo an-kavanan’ilay tahirin-kevitra, eo amin’ny andalana faha-18.

7 Ilay Vato Moabita dia milaza koa ny amin’ireto toerana voalaza ao amin’ny Baiboly manaraka ireto: i Atarota sy i Nebo, (Nom. 32:34, 38); i Arnona, i Aroera, i Medeba, ary i Dibona, (Josoa 13:9); i Bamota-bala, i Beti-bala-meona, i Jahaza, ary i Kiria-taima, (Josoa 13:17-19); i Bezera, (Josoa 20:8), i Horonaima, (Isaia 15:5); sy i Beti-diblataima ary i Keriota. (Jer. 48:22, 24). Araka izany, izy io dia manohana ny maha-ara-tantara ireny toerana ireny.

8. Inona no raketina an-tsoratra ao amin’ny Baiboly mikasika an’i Sankeriba, ary inona no nasehon’ireo famongarana ny lapany?

8 Ny Iraizotongotr’i Sankeriba Mpanjaka. Mirakitra an-tsoratra amin’ny an-tsipiriany be dia be ny fanafihan’ireo Asyriana teo ambany fitarihan’i Sankeriba Mpanjaka, tamin’ny taona 732 al.f.i., ny Baiboly. (2 Mpanj. 18:13–19:37; 2 Tant. 32:1-22; Isaia 36:1–37:38). Nandritra ny taona 1847 ka hatramin’ny 1851 ilay arkeology anglisy atao hoe A. H. Layard, no namongatra ireo sisan-javatra ravan’ny lapa lehiben’i Sankeriba tao Ninive, ao amin’ny faritanin’i Asyria fahiny. Ilay lapa dia hita fa nisy efitrano 70 teo ho eo, izay nisy rindrina efa ho 3 000 metatra mahery voarakotra sila-bato voasokitra. Voarakitra an-tsoratra eo amin’ny varingarina, na iraizotongotra, tanimanga ireo tatitra isan-taona momba ireo fisehoan-javatra, na tantara voalahatra, momba an’i Sankeriba. Ny fandikana farany ireny tantara voalahatra ireny, izay toa natao, fotoana fohy talohan’ny nahafatesany, dia hita eo amin’izay fantatra ho ny Iraizotongotr’i Taylor, voatahiry ao amin’ny British Museum. Kanefa ny Institut Momba ny Atsinanana ao Amin’ny Oniversiten’i Chicago dia manana kopia tsara dia tsara kokoa eo amin’ny iraizotongotra iray izay hita teny akaikin’ny toerana nisy an’i Ninive fahiny, ilay renivohitry ny Empira Asyriana.

9. Inona no noraketin’i Sankeriba an-tsoratra, mifanaraka amin’ny fitantaran’ny Baiboly, nefa inona no tsy nolazainy, ary nahoana?

9 Ao amin’ireo tantara voalahatra farany ireo, i Sankeriba dia nanome ny fitantarany manokana feno fieboeboana toy izao momba ny fanafihany an’i Joda: “Raha ny amin’i Hezekia, ilay Jiosy, dia tsy nanaiky ny ziogako izy, ka nataoko fahirano ny 46 tamin’ireo tanànany mafy sy toby mimanda ary tanàna kely tsy tambo isaina teny amin’ny manodidina azy ireo. Nobaboiko (izy ireny) tamin’ny alalan’ny tohatra (tany) voahosy tsara sy fitaovana fandrodanana manda nentina (araka izany) teny akaikin’(ireo manda), (niaraka tamin’ny) fanafihan’ireo miaramila nandeha an-tongotra, (ka nampiasa) lalana ambanin’ny tany sy lavaka tamin’ny manda, ary koa ny asan’ireo miaramila mpihady ambanin’ny manda. Noroahiko (avy tao amin’izy ireo) ny olona 200 150, tanora sy antitra, lehilahy sy vehivavy, soavaly, ramole, boriky, rameva, andiam-biby fiompy lehibe sy kely tsy tambo isaina, ary noheveriko ho toy ny babo (izy ireny). Ny tenany [Hezekia] kosa dia nohazoniko tany Jerosalema, tao amin’ny toeran’ny mpanjaka nonenany, toy ny vorona voahidy tao anaty tranom-borona. (...) Ireo tanànany izay norobaiko, dia nesoriko tamin’ny taniny ary nomeko an’i Mitinti, mpanjakan’i Asdoda sy i Padi, mpanjakan’i Ekrona ary i Sillibela, mpanjakan’i Gaza. (...) Ny tenan’i Hezekia (...) dia nandefa tany amiko tatỳ aoriana, tany Ninive, tanànan’andriana onenako, niaraka tamin’ny talenta volamena 30, talenta volafotsy 800, vatosoa, antimoanina, vato mena voapaika lehibe, fandriana (nisy haingony) natao tamin’ny ivory (vangin’elefanta), seza-nimedu (nisy haingony) natao tamin’ny ivory, hoditra elefanta, hazo volombodimpona (ébène), hazo buis (ary) karazana harena sarobidy rehetra, ny zanany vavy, vady tsindranony, mpihiralahy sy mpihiravavy (azy manokana). Mba hanaterana ny hetra sy mba hanehoana fankatoavana amin’ny maha-andevo, dia nandefa ny irany (manokana) izy.” e Raha ny amin’io hetra nampandoavin’i Sankeriba an’i Hezekia io, dia manamarina ny talenta volamena 30 ny Baiboly kanefa tsy milaza afa-tsy talenta volafotsy 300. Ambonin’izany, dia mampiseho izy io fa nitranga talohan’ny nandrahonan’i Sankeriba an’i Jerosalema tamin’ny fahirano izany. Tao amin’ilay filazana nampitomboin’i Sankeriba momba ny tantaran’i Asyria, dia niniany tsy nolazaina ny amin’ny fahareseny tanteraka tany Joda, rehefa nandringana 185 000 tamin’ny miaramilany tao anatin’ny alina iray ny anjelin’i Jehovah, ka nanery azy, araka izany, handositra hiverina tany Ninive tahaka ny alika voakapoka. Na dia izany aza, io firaketana an-tsoratra feno fieboeboana voasoratra eo amin’ny Iraizotongotr’i Sankeriba io dia milaza ny amin’ny fanafihana lehibe ny Joda, talohan’ny nampiverenan’i Jehovah ireo Asyriana, rehefa avy nandrahona an’i Jerosalema izy ireo. — 2 Mpanj. 18:14; 19:35, 36.

10, 11. a) Inona no atao hoe ireo Taratasin’i Lakisy, ary manome taratry ny inona izy ireo? b) Ahoana no anohanan’izy ireo ny asa soratr’i Jeremia?

10 Ireo Taratasin’i Lakisy. Voatonona in-20 mahery ao amin’ny Baiboly ilay tanàna mimandan’i Lakisy nalaza. Teo amin’ny 44 kilaometatra andrefana-atsimo-andrefan’i Jerosalema no nisy azy io. Efa nofongarina tamin’ny fomba niitatra ireo sisan-javatra rava taminy. Tamin’ny 1935, tao amin’ny efitra fiambenana teo amin’ny trano vavahady roa sosona, dia nahitana ostraca, na vilany tany 18 nisy soratra (nisy 3 fanampiny hita tamin’ny 1938). Hita fa taratasy maro nosoratana tamin’ny litera hebreo tranainy izy ireo. Io fitambarana taratasy 21 io dia fantatra ankehitriny ho ireo Taratasin’i Lakisy. I Lakisy dia iray tamin’ireo tanàna mimanda farany tany Joda, izay tsy nety nilavo lefona teo anatrehan’i Nebokadnezara, ka nanjary antontana sisan-javatra rava may nandritra ny fe-potoan’ny 609 al.f.i. ka hatramin’ny 607 al.f.i. Ireo taratasy ireo dia nampiseho taratry ny naha-dodona ny fotoana tamin’izay. Hita fa taratasy nosoratana avy tamin’ireo mpisava ranonando sisa tamin’ny tafik’i Joda, ho an’i Yaosy, mpitari-tafika tao Lakisy, izy ireo. Ny iray tamin’izy ireo (laharana faha-IV) dia amakiana toy izao amin’ny ampahany: “Enga anie i YHWH [Tetragrama: “Jehovah”] hamela ny tompoko handre vaovao tsara na dia ankehitriny aza. (...) miandry ireo afo famantarana avy any Lakisy izahay, araka ireo famantarana rehetra nomen’ny tompoko, satria tsy mahita an’i Azeka izahay.” Izany dia fanamafisana miavaka ny Jeremia 34:7, izay manonona an’i Lakisy sy i Azeka ho ny tanàna nimanda roa farany sisa tavela. Toa nilaza io taratasy io fa efa nianjera izao i Azeka. Hita matetika eo amin’ireo taratasy ireo ny anaran’Andriamanitra, amin’ny endriky ny Tetragrama, ka mampiseho fa ny anarana hoe Jehovah dia nampiasaina isan’andro teo anivon’ireo Jiosy tamin’izay fotoana izay.

11 Misy taratasy hafa iray (laharana faha-III) manomboka toy izao manaraka izao: “Enga anie i YHWH [izany hoe i Jehovah] hampandre ny tompoko vaovaon’ny fiadanana! (...) Ary nanaovana tatitra tamin’ny mpanomponao hoe: ‘I Konia, zanak’i Elnatana, ilay mpitari-tafika, dia nidina mba hankany Egypta ary i Hodaviah, zanak’i Ahia sy ireo miaramilany dia nirahiny haka [izay nilaina] tany aminy.’ ” Toa manamafy io taratasy io fa ny Joda dia nidina nankany Egypta mba hitady fanampiana, ho fandikana ny didin’i Jehovah sy ho fandringanana ho azy. (Isaia 31:1; Jer. 46:25, 26). Hita koa ao amin’ny Jeremia 36:12 sy ny Jeremia 42:1 ny anarana hoe Elnatana sy Hosaia, miseho eo amin’ny soratra fenon’io taratasy io. Hita koa ao amin’ny bokin’i Jeremia ao amin’ny Baiboly ny anarana telo hafa voatonona eo amin’ireo taratasy ireo. Izany dia i Gemaria sy i Neria ary i Jazania. — Jer. 32:12; 35:3; 36:10. f

12, 13. Inona no lazalazain’ny Tantaran’i Nabonida, ary nahoana no sarobidy manokana izy io?

12 Ny Tantaran’i Nabonida. Tamin’ny tapany farany tamin’ny taonjato faha-19, ny fihadiana tany teny akaikin’i Bagdad dia nahitana takelaka sy varingarina tanimanga maro izay nanome fanazavana bebe kokoa teo amin’ny tantaran’i Babylona fahiny. Ny iray tamin’izy ireny dia ny tahirin-kevitra tena sarobidy fantatra hoe ny Tantaran’i Nabonida, izay any amin’ny British Museum ankehitriny. I Nabonida Mpanjakan’i Babylona dia rain’i Belsazara, niara-nanjaka taminy. Izy dia niaina ela kokoa noho ny zanany lahy, izay novonoina tamin’ny alina nahazoan’ny tafik’i Kyrosy Persiana an’i Babylona, tamin’ny 5 Oktobra 539 al.f.i. (Dan. 5:30, 31). Manampy amin’ny famaritana ny andro nitrangan’io fisehoan-javatra io ny Tantaran’i Nabonida, firaketana an-tsoratra nahavariana nisy daty voafaritra tsara momba ny fianjeran’i Babylona. Toy izao manaraka izao ny fandikana tapany kely amin’ny Tantaran’i Nabonida: “Tamin’ny volana Tashrito [Tisry (Septambra-Oktobra)], fony nanafika ny tafik’i Akkad tany Opis teo amin’ny Tigra i Kyrosy (...) tamin’ny andro faha-14, dia azo tsy nisy ady i Sippar. Nandositra i Nabonida. Ny andro faha-16 [11 Oktobra 539 al.f.i., kalandrie joliana, na 5 Oktobra, kalandrie gregoriana] dia niditra tao Babylona tsy nisy ady i Gobryas (Ugbaru), ilay governoran’i Gotioma sy ny tafik’i Kyrosy. Taorian’izay, dia voasambotra tao Babylona i Nabonida rehefa niverina (tao) izy. (...) Tamin’ny volana Arahshamno [Marsevana (Oktobra-Novambra)], tamin’ny andro faha-3 [28 Oktobra, kalandrie joliana], dia niditra tao Babylona i Kyrosy, ka navelatra teo anoloany ny rantsankazo maitso — nampiharina an-keriny teo amin’ilay tanàna ny ‘Fiadanana’ (sulmu). Nandefa fiarahabana nanerana an’i Babylona manontolo i Kyrosy. Nametraka governora (lefitra) tao Babylona i Gobryas governorany.” g

13 Azo marihina fa tsy voalaza ao amin’io tantara io i Dariosy Mediana, ary hatramin’izay, dia tsy ahitana filazana an’io Dariosy io ao amin’izay mety ho soratra tsy ara-baiboly rehetra, sady tsy voalaza izy ao amin’izay mety ho tahirin-kevitra ara-tantara tsy ara-pivavahana rehetra talohan’ny andron’i Josèphe (mpanoratra tantara jiosy tamin’ny taonjato voalohany am.f.i.). Noho izany, dia nanolo-kevitra ny sasany fa mety ho ilay Gobryas voalaza eo amin’ilay fitantarana teo ambony izy io. Na dia toa mifanitsy amin’ny fanazavana momba an’i Dariosy aza ny fanazavana eo am-pelatanana mikasika an’i Gobryas, dia tsy azo heverina ho fanatsoahan-kevitra farany ny fanondroana ny tenany toy izany. h Na ahoana na ahoana, ny tantara tsy ara-pivavahana dia manaporofo amin’ny fomba hentitra fa i Kyrosy no olona nanan-toerana lehibe teo amin’ny fandresena an’i Babylona ary koa fa izy tatỳ aoriana no nanapaka tao tamin’ny naha-mpanjaka.

14. Inona no voarakitra an-tsoratra eo amin’ny Varingarin’i Kyrosy?

14 Ny Varingarin’i Kyrosy. Fotoana fohy taorian’ny nanombohan’i Kyrosy nanapaka tamin’ny naha-mpanjakan’ny Herim-panjakana Persiana, dia noraketina an-tsoratra teo amin’ny varingarina tanimanga iray ny famaboany an’i Babylona tamin’ny 539 al.f.i. Voatahiry koa ao amin’ny British Museum io tahirin-kevitra miavaka io. Izao manaraka izao no tapany amin’ny soratra voadika: “Izaho no Kyrosy, mpanjakan’izao tontolo izao, mpanjaka lehibe, mpanjaka ara-dalàna, mpanjakan’i Babylona, mpanjakan’i Sumer sy i Akkad, mpanjakan’ny vazan-(tany) efatra, (...) izaho dia niverina tany amin’ny tanàna masina [ny sasany efa voalaza teo aloha ny anarany] teny andafin’i Tigra, izay ny toerany masina indrindra dia rava nandritra ny fotoana ela, ireo sary izay (nampiasaina) mba hapetraka tao ary nanorina ho azy ireny toerana masina indrindra naharitra. Izaho dia nanangona (koa) ireo mponina (taloha) rehetra tao ka namerina (tamin’izy ireo) ny fonenany.” i

15. Inona no asehon’ny Varingarin’i Kyrosy momba an’i Kyrosy, ary amin’ny ahoana izany no mifanaraka amin’ny Baiboly?

15 Mampahafantatra araka izany ny tetika fitondran’ny mpanjaka ny Varingarin’i Kyrosy, dia ny famerenana ireo vahoaka babo tamin’ny toerana nisy azy taloha. Mifanaraka amin’izany, i Kyrosy dia namoaka ny didiny ho an’ny Jiosy mba hiverina ho any Jerosalema sy hanorina indray ny tranon’i Jehovah tao. Mahaliana fa 200 taona talohan’izay, i Jehovah dia nilaza an’i Kyrosy ara-paminaniana ho ilay haka an’i Babylona eo ambany fifehezany sy hahatonga ny famerenana any amin’ny taniny ny vahoakan’i Jehovah. — Isaia 44:28; 45:1; 2 Tant. 36:23.

NY ARKEOLOJIA SY NY SORATRA GRIKA KRISTIANA

16. Inona no nasehon’ny arkeolojia mifandray amin’ny Soratra Grika?

16 Toy ny nataony tamin’ny Soratra Hebreo, ny arkeolojia dia nampiseho artefacts mahaliana maro ho fanohanana ny firaketana an-tsoratra ara-tsindrimandry ao amin’ny Soratra Grika Kristiana.

17. Ahoana no anohanan’ny arkeolojia ny fanazavan’i Jesosy momba ny raharahan’ny hetra niadian-kevitra?

17 Vola denaria misy soratr’i Tiberio. Mampiseho mazava tsara ny Baiboly fa ny fanompoan’i Jesosy dia nitranga nandritra ny fanapahan’i Tiberio Kaisara. Nanandrana ny hamandrika azy tamin’ny fanontaniana momba ny raharahan’ny fandoavan-ketra ho an’i Kaisara ny sasany tamin’ireo mpanohitra an’i Jesosy. Izao no vakina ao amin’ilay firaketana an-tsoratra: “Fa Izy nahalala ny fihatsarambelatsihiny, ka dia nanao taminy hoe: Nahoana no maka fanahy Ahy hianareo? Itondray denaria etỳ amiko hizahako azy. Dia nitondrany Izy. Ary hoy Izy taminy: An’iza io sary sy soratra io? Ary hoy izy taminy: An’i Kaisara. Dia hoy Jesosy taminy: Aloavy ho an’i Kaisara izay an’i Kaisara, ary ho an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra. Dia gaga taminy ireny.” (Marka 12:15-17). Nahita vola denaria volafotsy nisy ny sarin’ny lohan’i Tiberio Kaisara ireo arkeology! Nampiasaina izy io tamin’ny 15 am.f.i. tany ho any. Izany dia nifanaraka tamin’ny fe-potoana nanapahan’i Tiberio tamin’ny naha-emperora, izay nanomboka tamin’ny 14 am.f.i., ary mitondra fanohanana fanampiny amin’ilay firaketana an-tsoratra izy io fa nanomboka tamin’ny taona faha-15 nanjakan’i Tiberio, na tamin’ny lohataonan’ny taona 29 am.f.i., ny fanompoan’i Jaona Mpanao Batisa. — Lioka 3:1, 2.

18. Inona no zavatra hita manisy firesahana momba an’i Pontio Pilato?

18 Soratr’i Pontio Pilato. Tamin’ny 1961 no nahitan’ny arkeolojia voalohany, zavatra manisy firesahana momba an’i Pontio Pilato. Izany dia sila-bato hita tany Kaisaria, izay nisy ny anaran’i Pontio Pilato tamin’ny teny latina.

19. Inona no mbola mitoetra any Atena, ka manamarina ny toerana nisehoan’ny voalaza ao amin’ny Asan’ny Apostoly 17:16-34?

19 Ny Areopago. Nanao ny iray tamin’ireo lahateniny nalaza indrindra, voarakitra an-tsoratra, tao Atena, any Grisia, i Paoly tamin’ny 50 am.f.i. (Asa. 17:16-34). Izany dia fony naka an’i Paoly ireo Ateniana sasany ary nitondra azy ho any Areopago. Ny Areopago, na Havoanan’i Arès (Havoanan’i Mars), dia anaran’ny havoana mangadihady sy feno vato iray, manana haavo 113 metatra eo ho eo, eo avaratra andrefan’ny Akropolin’i Atena avy hatrany. Mbola hita eo ireo tohatra nolavahana tamin’ny vatolampy mitondra eny amin’ny tampony, izay ahitana dabilio maraorao, vita tamin’ny vato voapaika, ka nahaforona ny lafy telon’ny kianja iray. Mbola mitoetra eo ny Areopago, ka manamarina ny toerana voarakitra an-tsoratra ao amin’ny Baiboly fa nanaovana ny lahatenin’i Paoly nanan-tantara.

20. Mbola manohy manamarina inona hatrany ny Andohalambon’i Titus, ary amin’ny fomba ahoana?

20 Ny Andohalambon’i Titus. Noravan’ny Romana teo ambany fitarihan’i Titus i Jerosalema sy ny tempoliny tamin’ny 70 am.f.i. Ny taona nanaraka, tao Roma, dia nankalaza ny fandreseny i Titus, niaraka tamin-drainy, i Vespasien Emperora. Babo jiosy voafantina fitonjato no nasaina nizotra tamin’ilay filaharan’ny mpandresy. Ireo entana azo babo tamin’ny ady dia nentina nilahatra koa, anisan’izany ireo rakitra tao amin’ny tempoly. Tonga emperora ny tenan’i Titus, ka nitana izany toerana izany nanomboka tamin’ny 79 ka hatramin’ny 81 am.f.i. Ary taorian’ny nahafatesany, dia novitaina ny tsangambato lehibe iray, ny Andohalambon’i Titus, sady natokana ho divo Tito (ho an’i Titus nasandratra ho andriamanitra). Ilay filaharan’ny mpandresy nataony dia aseho eo amin’ny sary vato somary mivohitra, izay natao sokitra eo amin’ny andaniny sy ny ankilan’ny fidirana eo amin’ilay andohalambo. Eo amin’ny andaniny iray, dia aseho an-tsary ireo miaramila romana, mitana lefona tsy misy lohany sady nasiana satroboninahitra lauriers, ka mitondra ny fanaka masina avy tao amin’ny tempolin’i Jerosalema. Anisan’izany ny fitoeran-jiro nisampana fito sy ny latabatry ny mofo aseho, izay ahitana ireo trompetra masina mipetraka eo amboniny. Ny sary vato eo an-kilan’ilay fidirana dia mampiseho an’i Titus mpandresy mitsangana eo amin’ny kalesy taritin’ny soavaly efatra sy entin’ny vehivavy iray, izay mampiseho ny tanànan’i Roma. j Isan-taona, dia mpizaha zava-mahaliana an’arivony maro no mahita an’io Andohalambon’i Titus mpandresy io, izay mbola mijoro any Roma amin’ny maha-vavolombelona manginan’ny fahatanterahan’ny faminanian’i Jesosy sy ny fampiharana mahatahotra ny didim-pitsaran’i Jehovah teo amin’i Jerosalema nikomy. — Matio 23:37–24:2; Lioka 19:43, 44; 21:20-24.

21. a) Tamin’ny ahoana no niara-niasa akaiky tamin’ny fahitana sora-tanana ny arkeolojia? b) Inona no fihetsika araka ny mety tokony hananana mikasika ny arkeolojia?

21 Toy ny nanampian’ny fahitana sora-tanana tranainy tamin’ny famerenana amin’ny laoniny ny soratra madio voalohan’ny Baiboly, dia toy izany koa fa ny fahitana ireo artefacts maro be dia nanaporofo matetika fa azo ianteherana ara-tantara sy araka ny fandaharan-taona ary ara-jeografia hatramin’ireo tsipiriany bitika indrindra ireo zavatra voalazan’ny soratra ao amin’ny Baiboly. Kanefa, dia ho fahadisoana ny hanatsoahana hevitra fa miombon-kevitra amin’ny Baiboly amin’ny toe-javatra rehetra ny arkeolojia. Tsy maintsy tadidina fa ny arkeolojia dia tsy saham-pianarana tsy mety diso. Nohazavain’ny olona araka ny fiheviny fotsiny ireo zavatra hitan’ny arkeolojia ary niova indraindray ny sasany amin’ireny fanazavana ireny. Nanome fanohanana tsy an-tery ho an’ny fahamarinan’ny Tenin’Andriamanitra indraindray ny arkeolojia. Ankoatr’izany, araka ny voalazan’i Sir Frederic Kenyon efa nody mandry, izay tale sy mpikarakara lehibe ny tranomboky tao amin’ny British Museum nandritra ny taona maro, ny arkeolojia dia nahatonga ny Baiboly ho “mora azo kokoa amin’ny alalan’ny fahalalana feno kokoa ny tantarany sy ny toe-javatra nanodidina ny fanoratana azy”. k Kanefa, ny finoana dia tsy maintsy miorina eo amin’ny Baiboly, fa tsy eo amin’ny arkeolojia. — Rom. 10:9; Heb. 11:6.

22. Inona no porofo hodinihina ao amin’ny fianarana manaraka?

22 Ny Baiboly dia mirakitra ao anatiny, porofo tsy misy iadian-kevitra fa izy io tokoa no “tenin’Andriamanitra, izay velona sady maharitra” azo itokiana, araka ny hahitantsika azy ao amin’ny fianarana manaraka. — 1 Pet. 1:23.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Bible and Spade, 1938, S. L. Caiger, pejy 29.

b Ancient Near Eastern Texts, 1974, J. B. Pritchard, pejy 321; Auxiliaire pour une meilleure intelligence de la Bible, pejy 514, 630-631.

c Light From the Ancient Past, 1959, J. Finegan, pejy 91, 126.

d Ancient Near Eastern Texts, pejy 320.

e Ancient Near Eastern Texts, pejy 288.

f Insight on the Scriptures, Boky 1, pejy 151-152; Light From the Ancient Past, pejy 192-195.

g Ancient Near Eastern Texts, pejy 306.

h Auxiliaire pour une meilleure intelligence de la Bible, pejy 367-368.

i Ancient Near Eastern Texts, pejy 316.

j Light From the Ancient Past, pejy 329.

k The Bible and Archeology, 1940, pejy 279.

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 333]

Ilay Vato Moabita

Fanalehibiazana ny Tetragrama, izay hita eo amin’ny soratra tranainy iray, eo amin’ny andalana faha-18, eo an-kavanana

[Sary, pejy 334]

Iraizotongotr’i Sankeriba Mpanjaka

[Sary, pejy 335]

Ny Tantaran’i Nabonida

[Sary, pejy 336]

Vola denaria misy soratr’i Tiberio

[Sary, pejy 337]

Ny Andohalambon’i Titus

[Sary nahazoan-dalana, pejy 337]

Fankasitrahana noho ireo sary eo amin’ny Fianarana Faha-9 nalahatra araka ny pejy:

pejy 333, Musée de Louvre, Paris;

pejy 334, Courtesy of the Oriental Institute, University of Chicago;

pejy 335, Courtesy of the Trustees of the British Museum;

pejy 336, Courtesy of the Trustees of the British Museum.