Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fianarana Voalohany — Fitsidihana ny Tany Nampanantenaina

Fianarana Voalohany — Fitsidihana ny Tany Nampanantenaina

Fianarana Momba ny Soratra Ara-tsindrimandry sy ny Tantara Momba Azy

Fianarana Voalohany — Fitsidihana ny Tany Nampanantenaina

Ireo faritra ao amin’ilay tany, ireo lafin-toetrany ara-fizika, ireo tendrombohiny sy lohasahany, ireo reniranony sy farihiny, ary koa ny toe-taniny sy ny karazan-taniny ary ny zavamaniriny samihafa.

1. a) Nahoana no mety indrindra ny fiantsoana hoe “Tany Nampanantenaina”? b) Fahatsinjovan-javatra be voninahitra inona no mety ho tonga ao an-tsaintsika eo am-pandinihana ny jeografian’ilay tany?

 IREO sisin-tanin’ny (NW ) Tany Nampanantenaina fahiny dia noferan’i Jehovah Andriamanitra. (Eks. 23:31; Nom. 34:1-12; Josoa 1:4). Nandritra ny taonjato maro io faritra io dia resahin’ny sasany ho ny tanin’i Palestina, anarana avy amin’ny teny latina hoe Palaestina sy ny teny grika hoe Pa·lai·stiʹne. Io teny farany io dia nalaina avy tamin’ny teny hebreo hoe Peleʹsheth. Adika hoe “Filistia” ny Peleʹsheth ao amin’ny Soratra Hebreo, ary izy io dia manondro fotsiny ny faritanin’ny Filistina, izay fahavalon’ny vahoakan’Andriamanitra. (Eks. 15:14). Kanefa, satria i Jehovah nampanantena io tany io an’i Abrahama nahatoky sy ny taranany, dia mety indrindra ny fiantsoana hoe “Tany Nampanantenaina”, na “Tanin’ny Fampanantenana”. (Gen. 15:18; Deot. 9:27, 28, NW; Heb. 11:9, NW ). Mahavariana io tany io raha ny amin’ny jeografiany manana toetra samihafa, satria manambatra ao anatin’io faritra kely io ny maro amin’ireo lafin-toetra sy fifanoherana miavaka izay hita manerana ny tany. Raha afaka nanome ho lova ho an’ireo vavolombelony fahiny, tanin’ny fampanantenana toy izany nisy zavatra samihafa sady kanto i Jehovah, dia azo antoka àry fa mbola ho afaka hanome ho an’ireo mpivavaka aminy vita fanoloran-tena, tontolo vaovao iray be voninahitra zary paradisa hiitatra haneran-tany, hisy tendrombohitra, lohasaha, renirano ary farihy izy, mba hitondrana fahafinaretana ho azy ireo. Aoka isika izao hampifantoka tsara ny saina amin’ireo lafin-toetra ara-jeografian’ny Tanin’ny Fampanantenana, eo am-pitsidihantsika azy io amin’ny dia iray alaina sary an-tsaina. a

VELARANA AMIN’NY ANKAPOBENY

2. Hatraiza amin’ny Tany Nampanantenaina no nanorenan’ny Jiosy fonenana, ary tamin’ny faritany fanampiny taiza?

2 Mifanaraka amin’ny sisin-tany nomen’Andriamanitra azy izay voalaza ao amin’ny Nomery 34:1-12, ilay tany nampanantenaina ny Isiraely dia tokony ho faritany lava sady kely velarana. Izy io dia 480 kilaometatra teo ho eo hatrany avaratra ka hatrany atsimo ary 56 kilaometatra teo ho eo ny sakany, tamin’ny antsalany. Tamin’ny fotoana nanjakan’i Davida sy i Solomona Mpanjaka vao voafehy ara-tafika ilay faritra nampanantenaina manontolo, tamin’ny fametrahana vahoaka maro teo ambany fifehezany. Kanefa, ny tapany tena nanorenan’ny Jiosy fonenana dia lazalazaina amin’ny ankapobeny ho ilay nahafaoka ny hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba, izay nisy elanelana 240 kilaometatra teo ho eo hatrany avaratra ka hatrany atsimo. (1 Mpanj. 5:5). Ny elanelana mamakivaky ilay tany hatrany amin’ny Tendrombohitra Karmela ka hatrany amin’ny Ranomasin’i Galilia dia 51 kilaometatra eo ho eo, ary eo atsimo, eo amin’ilay iolahan’ny moron’i Mediterane tsikelikely mankany atsimo andrefana, izy io dia mihoatra ny 80 kilaometatra hatrany Gaza ka hatrany amin’ny Ranomasina Maty. Tsy nahafaoka afa-tsy 15 000 kilaometatra tora-droa teo ho eo io faritra nanorenam-ponenana teo andrefan’ny Ony Jordana io. Kanefa, fanampin’izany, ireo Isiraelita dia nanorim-ponenana tao amin’ireo tany teo atsinanan’i Jordana (tany tsy tafiditra tao anatin’ny sisin-tany nampanantenaina tany am-boalohany), hany ka nanjary nisy latsaka kelin’ny 26 000 kilaometatra tora-droa ny tontalin’ny faritany nanorenam-ponenana.

IREO FARITRA VOAJANAHARY

3. Amin’ny fampiasana ny sarintany “Ireo Faritra Voajanaharin’ny Tany Nampanantenaina” miaraka amin’ny fehintsoratra, dia fantaro vetivety ireo faritra tafiditra amin’ireto fizarana voajanaharin’ilay tany manaraka ireto: a) ireo lemaka eo andrefan’i Jordana, b) ireo faritra be tendrombohitra eo andrefan’i Jordana, d) ireo tendrombohitra sy lembalemba eo atsinanan’i Jordana.

3 Ny fitsidihantsika ny Tany Nampanantenaina dia hitondra antsika hamakivaky ireto fizarana voajanaharin’ilay tany manaraka ireto. Manome ny fanazavana momba ilay sarintany miaraka amin’itỳ fianarana itỳ, izay mampiseho ny tokony ho sisin-tanin’ireo faritra resahina, ny drafitra eto ambany.

Faritra ara-jeografia

A. Moron’ny Ranomasina Lehibe. — Josoa 15:12.

B. Ireo Lemaka eo Andrefan’i Jordana

1. Lemak’i Asera. — Mpits. 5:17.

2. Ny Faritr’i Dora Lava Sady Kely Velarana Amoron-tsiraka. — Josoa 12:23.

3. Tany Kijanan’i Sarôna. — 1 Tant. 5:16, NW.

4. Lemak’i Filistia. — Gen. 21:32; Eks. 13:17.

5. Lohasaha Afovoany Miantsinanana sy Miankandrefana

a. Lemak’i Megido (Esdraelona). — 2 Tant. 35:22, NW.

b. Tany Lemaka Jezirela. — Mpits. 6:33.

D. Ireo Faritra Be Tendrombohitra eo Andrefan’i Jordana

1. Ireo Havoanan’i Galilia. — Josoa 20:7; Isaia 9:1.

2. Ireo Havoanan’i Karmela. — 1 Mpanj. 18:19, 20, 42.

3. Ireo Havoanan’i Samaria. — Jer. 31:5; Amosa 3:9

4. Sefela. — Josoa 11:2, f.a.p.; Mpits. 1:9, f.a.p.

5. Ny Tany Havoanan’i Joda. — Josoa 11:21.

6. Efitr’i Joda (Jesimona). — Mpits. 1:16; 1 Sam. 23:19, NW.

7. Negeba. — Gen. 12:9, NW; Nom. 21:1, NW.

8. Efitra Parana. — Gen. 21:21; Nom. 13:1-3.

E. Ilay Arabà Lehibe (ny Lohasaha Mitsefaka). — 2 Sam. 2:29, f.a.p.; Jer. 52:7, f.a.p.

1. Farihin’i Houla

2. Faritra Manodidina ny Ranomasin’i Galilia. — Matio 14:34; Jaona 6:1.

3. Zara-tanin’ny Lohasahan’i Jordana (Ghor). — 1 Mpanj. 7:46, NW; 2 Tant. 4:17, NW; Lioka 3:3.

4. Ny Ranomasin-tsira (Maty) (Ranomasin’i Arabà). — Nom. 34:3; Deot. 4:49, f.a.p.; Josoa 3:16, f.a.p.

5. Arabà (mianatsimo avy eo amin’ny Ranomasin-tsira). — Deot. 2:8, f.a.p.

F. Ireo Tendrombohitra sy Lembalemba eo Atsinanan’i Jordana. — Josoa 13:9, 16, 17, 21, NW; 20:8, NW.

1. Tany Basana. — 1 Tant. 5:11; Sal. 68:15.

2. Tany Gileada. — Josoa 22:9.

3. Tanin’ny Amonita sy ny Moabita. — Josoa 13:25; 1 Tant. 19:2; Deot. 1:5.

4. Tendrombohitra Lembalemban’i Edoma. — Nom. 21:4; Mpits. 11:18.

G. Ireo Tendrombohitr’i Libanona. — Josoa 13:5.

A. MORON’NY RANOMASINA LEHIBE

4. Inona avy ireo toetra mampiavaka sy toe-tanin’ny moron-dranomasina?

4 Amin’ny fanombohana ny fitsidihantsika hatrany andrefana, dia mahita voalohany ny moron-dranomasina mitohy manaraka an’i Mediterane manga tsara tarehy isika. Noho ireo dongom-pasika mivelatra mitohy, dia ao Jopa no misy ny hany seranan-tsambo tsara voajanahary eo ambanin’ny Tendrombohitra Karmela; kanefa eo avaratr’i Karmela dia misy seranan-tsambo tsara voajanahary vitsivitsy. Tonga vahoaka mpiantsambo nalaza ireo Fenisiana, izay nipetraka tao amin’ilay tany nanaraka io tapany tamin’ilay moron-dranomasina io. Ny antsalan’ny maripana ao anatin’ny taona manaraka ilay moron-dranomasina azon’ny hainandro dia 19 o C. mahafinaritra, na dia mafana be aza ny fahavaratra, ka misy antsalan’ny maripana 34 o C. eo ho eo ao Gaza mandritra ny andro.

B-1 LEMAK’I ASERA

5, 6. Lazalazao fohy ny amin’ny a) Lemak’i Asera, b) faritr’i Dora lava sady kely velarana amoron-tsiraka.

5 Io lemaka amoron-tsiraka io dia manomboka eo amin’ny Tendrombohitra Karmela ka mivelatra mankany avaratra eo amin’ny 40 kilaometatra eo ho eo. Ny sakany lehibe indrindra dia 13 kilaometatra eo ho eo, ary io no tapany amin’ny tany voatondro ho an’ny fokon’i Asera. (Josoa 19:24-30). Lemaka lava sady kely velarana lonaka sy namokatra tsara izy io, ka nanome sakafo naroso teo amin’ny latabatr’i Solomona Mpanjaka. — Gen. 49:20; 1 Mpanj. 4:7, 16.

B-2 NY FARITR’I DORA LAVA SADY KELY VELARANA AMORON-TSIRAKA

6 Io tany lava sady kely velarana io dia manamorona ny Tandavan-tendrombohitra Karmela eo amin’ny 32 kilaometatra eo ho eo. Efatra kilaometatra eo ho eo monja ny velarany. Tany lava sady kely velarana amoron-tsiraka eo anelanelan’i Karmela sy i Mediterane izy io, raha ny marina. Any amin’ny tapany atsimo no misy an’i Dora tanàna seranan-tsambo, ary eo atsimon’izy io no manomboka ireo dongom-pasika. Ireo havoana ao ambadik’i Dora dia namokatra sakafo tsara dia tsara ho an’ireo fanasana nataon’i Solomona. Nanambady ny mpiadidy avy tao amin’io faritra io ny iray tamin’ireo zanakavavin’i Solomona. — 1 Mpanj. 4:7, 11.

B-3 TANY KIJANAN’I SARÔNA

7. a) Amin’ny fomba ahoana no iresahana an’i Sarôna ao amin’ny faminaniana, ary nahoana? b) Tamin’inona no nampiasana io faritra io tamin’ny andron’ny Hebreo?

7 Raha jerena ny hatsaran-tarehin’ireo voninkazony nahatonga ohabolana, dia mety ny hanononana an’i Sarôna ao amin’ny fahitana ara-paminanian’i Isaia ny amin’ny tanin’ny Isiraely naverina tamin’ny laoniny. (Isaia 35:2). Izy io dia tany lonaka, azon-drano tsara. Izy io dia lemaka izay miovaova hatramin’ny 16 ka hatramin’ny 19 kilaometatra ny sakany, ka miitatra tokony ho 64 kilaometatra mianatsimo avy any amin’ny faritr’i Dora lava sady kely velarana amoron-tsiraka. Tamin’ny andron’ny Hebreo dia naniry tany amin’ny tapany avaratr’i Sarôna ireo alan’oaka. Maro ireo andiam-biby fiompy niraoka ahitra teo, taorian’ny nanapahana ireo voly voamadinika. Noho izany antony izany no niantsoana azy io hoe tany kijanan’i Sarôna. Tamin’ny andron’i Davida Mpanjaka, dia nokarakaraina tao Sarôna ny andiam-biby fiompin’ny mpanjaka. (1 Tant. 27:29). Ahitana fambolena voasarimakirana midadasika amin’izao andro izao ao amin’io faritra io.

B-4 LEMAK’I FILISTIA

8. Aiza no misy ny Lemak’i Filistia, ary inona avy ireo lafin-toetrany?

8 Io tapany amin’ilay tany io dia eo atsimon’ny tany kijanan’i Sarôna, ka miitatra eo amin’ny 80 kilaometatra manaraka ny moron-dranomasina ary tokony ho 24 kilaometatra mankany afovoan-tany. (1 Mpanj. 4:21). Indraindray dia mitsofoka hatramin’ny efa ho enina kilaometatra ny dongom-pasika manaraka ilay morona. Izy io dia lemaka be fiakarana sy fidinana, izay miakatra toy ireny fatrana (steppe) ireny, any amin’ny 30 metatra ka hatramin’ny efa ho 200 metatra any ambadik’i Gaza any atsimo. Lonaka ny karazan-taniny; kanefa dia tsy tena betsaka ny orana, ary mandrahona mandrakariva ny lozan’ny hain-tany.

B-5 LOHASAHA AFOVOANY MIANTSINANANA SY MIANKANDREFANA

9. a) Inona avy ireo tapany roa mahaforona ny lohasaha afovoany miantsinanana sy miankandrefana ary nanao ahoana ny hasarobidiny? b) Amin’ny fampiasana ny soritsary misy “Ireo Fira Nampiavaka ny Tany Nampanantenaina”, dia lazalazao ny amin’ny vohon-tany ankapoben’io faritra io.

9 Ny lohasaha afovoany miantsinanana sy miankandrefana dia voaforon’ny tapany roa, raha ny marina, dia ny Lohasaha Lemak’i Megido, na Esdraelona, eo andrefana, sy ny Tany Lemaka Jezirela eo atsinanana. (2 Tant. 35:22, NW; Mpits. 6:33). Io lohasaha afovoany manontolo io dia nanolotra lalana mora hivezivezena tao amin’ilay tany hatrany amin’ny lohasaha mitsefak’i Jordana ka hatrany amin’ny Moron’i Mediterane, ary tonga lalana lehibe nalehan’ny mpanao raharaham-barotra izy io. Ny rano eo amin’ny Lemak’i Megido dia faohin’ny lohasahan-driaka Kisona, izay mivoaka amin’ny lalan-kely tery eo anelanelan’ny Tendrombohitra Karmela sy ireo havoanan’i Galilia ho any amin’ny Lemak’i Asera ary avy eo dia mankany amin’i Mediterane. Maina tanteraka io lalan-drano kelikely io mandritra ireo volana amin’ny fahavaratra, kanefa misondrotra lasa riaka amin’ny fotoana hafa. — Mpits. 5:21, NW.

10. a) Lazalazao ny amin’ny Tany Lemaka Jezirela. b) Fisehoan-javatra ao amin’ny Baiboly inona avy no nifandray tamin’io faritra io?

10 Ny rano eo amin’ny Tany Lemaka Jezirela dia mivarina mianatsimo atsinanana mankany amin’i Jordana. Io lohasaha lavalava io, izany hoe ny Lemak’i Jezirela, dia manana velarana 3,2 kilaometatra eo ho eo ary mahafaoka elanelana efa ho 19 kilaometatra. Manomboka eo amin’ny 90 metatra mahery ny haavony ary avy eo dia mitsontsorika tsy an-kijanona hatramin’ny 120 metatra eo ho eo ambanin’ny haavon’ny ranomasina any akaikin’i Beti-sana. Ilay lohasaha afovoany manontolo dia tena lonaka, ka ny tapany atao hoe Jezirela no iray amin’ireo lonaka indrindra ao amin’ilay tany manontolo. I Jezirela mihitsy dia midika hoe “Andriamanitra no Hamafy Voa”. (Hosea 2:22). Miresaka ny amin’ny toetoetra mahafinaritra sy ny hakanton’io zara-tany io ny Soratra Masina. (Gen. 49:15). I Megido sy i Jezirela dia samy toerana stratejika tamin’ireo ady nifanaovan’ny Isiraely sy ireo firenena nanodidina, ary teo i Baraka, i Gideona, i Saoly Mpanjaka ary i Jeho no niady. — Mpits. 5:19-21; 7:12; 1 Sam. 29:1; 31:1, 7; 2 Mpanj. 9:27.

D-1 IREO HAVOANAN’I GALILIA

11, 12. a) Nanao ahoana ny toerana notanan’i Galilia tamin’ny fanompoan’i Jesosy, ary iza no avy tao amin’io zara-tany io? b) Ampitahao ny tsy fitovian’i Galilia Ambany sy i Galilia Ambony.

11 Teo amin’ny tapany atsimon’ireo havoanan’i Galilia (sy nanodidina ny Ranomasin’i Galilia) i Jesosy no nanao ny tapany lehibe indrindra tamin’ny asa fanambarany ny anaran’i Jehovah sy ilay Fanjakana. (Matio 4:15-17; Marka 3:7). Ny ankamaroan’ireo mpanara-dia an’i Jesosy, anisan’izany ireo apostoliny nahatoky 11 rehetra, dia samy avy tao Galilia. (Asa. 2:7). Tena mahafinaritra tokoa ny tany, ao amin’io zara-tany io, izay antsoina matetika hoe Galilia Ambany, satria ireo havoana dia tsy tafakatra ambony kokoa noho ny 600 metatra. Ampy tsara ny orana eo amin’io tany mahafinaritra io, manomboka amin’ny fararano ka hatramin’ny lohataona, ary noho izany dia tsy faritra karakaina izy io. Amin’ny lohataona dia marevaky ny voninkazo ny ilan-kavoana rehetra, ary feno voly voamadinika ny lempona an-dohasaha rehetra. Eny amin’ireo lembalemba kely, dia misy karazan-tany lonaka ho an’ny fambolena, ary mety tsara ho amin’ny fanirian’ny hazo oliva sy voaloboka ireo havoana. Ireo tanàna malaza ao amin’ny Baiboly ao amin’io faritra io dia i Nazareta sy i Kana ary i Naina. (Matio 2:22, 23; Jaona 2:1; Lioka 7:11). Nanome an’i Jesosy fototra maro izay niorenany mba hilazana ireo fanoharany io faritra io. — Matio 6:25-32; 9:37, 38.

12 Any amin’ny tapany avaratra, na Galilia Ambony, dia tafakatra ho ambony lavitra noho ny 1 100 metatra ireo havoana, ka zary fototr’ireo Tendrombohitra Libanona amin’izany. Mihataka kokoa i Galilia Ambony sady mandrivotra ary be orana. Tamin’ny andron’ny Baiboly dia feno ala matevina ny ilany miankandrefana. Voatondro ho an’ny fokon’i Naftaly io faritra io. — Josoa 20:7.

D-2 IREO HAVOANAN’I KARMELA

13. a) Inona moa i Karmela, raha ny marina? b) Inona no filazana momba azy io ao amin’ny Baiboly?

13 Ny Tendrombohitra Karmela dia mandondona manerinerina eo amin’ny Ranomasina Mediterane. I Karmela, raha ny marina, dia tandavan-kavoana, 48 kilaometatra eo ho eo ny halavany, izay tafakatra ho 545 metatra ambonin’ny ranomasina. Miitatra avy eo amin’ireo havoanan’i Samaria ka hatrany amin’i Mediterane izy io, ary ny tendrony, izay mahaforona ny tandavan-kavoana lehibe indrindra any amin’ny farany avaratra-andrefana, dia tsy ho hay hadinoina amin’ny endriny mahafinaritra sy ny hakantony. (Tonon. 7:5). Ny anarana hoe Karmela dia midika hoe “Saham-boankazo”, izay mifanentana tokoa amin’io tampon-kavoana lonaka io, voatafin’ireo tanimboalobony sy hazony fihinam-boa ary hazo olivany malaza. Ny Isaia 35:2 (NW ) dia mampiasa azy io ho fanoharana ny amin’ny voninahitra niroborobo nananan’ny tanin’ny Isiraely naverina tamin’ny laoniny, manao hoe: ‘Tsy maintsy homena azy ny famirapiratan’i Karmela.’ Teo i Elia no nihaika ireo mpisoron’i Bala sady teo koa no “latsaka ny afon’i Jehovah” ho porofon’ny maha-Fara Tampony azy, ary avy teo an-tampon’i Karmela i Elia no nisarika ny saina ho amin’ilay rahona kely izay tonga oram-batravatra, ka namarana tamin’izany tamin’ny fomba mahagaga ilay hain-tany teo amin’ny Isiraely. — 1 Mpanj. 18:17-46.

D-3 IREO HAVOANAN’I SAMARIA

14. Foko iza avy no nanorim-ponenana teo amin’ireo havoanan’i Samaria, ary mety amin’ny voly inona avy io faritra io?

14 Ny tapany atsimo amin’io faritra io dia be havoana indrindra, tafakatra mihoatra ny 900 metatra any atsinanana. (1 Sam. 1:1). Ao amin’io faritra io, dia misy rotsakorana be kokoa sy azo antoka kokoa noho ny any Joda any atsimo. Nanorenan’ireo taranak’i Efraima, faralahin’i Josefa, fonenana io faritra io. Ny tapany avaratra amin’io faritra io, izay nomena ho anjaran’ny antsasaky ny fokon’i Manase, lahimatoan’i Josefa, dia mahafaoka ireo lempona lohasaha sy lemaka kely voahodidin’ny havoana. Tsy dia lonaka loatra ilay tany be havoana, na dia misy tanimboaloboka sy fambolena oliva aza, izay azo natao tamin’ny alalan’ny fanaovana ireo ilan-kavoana ambany kokoa ho voly an-tanan-tohatra niitatra. (Jer. 31:5). Kanefa, ireo lempona lohasaha lehibe kokoa dia tena tsara ho an’ny voly voamadinika sy ny fambolena amin’ny ankapobeny. Nisy tanàna maro tetsy sy teroa tao amin’io faritra io tamin’ny andron’ny Baiboly. Nandritra ny andron’ny fanjakana tany avaratra, i Manase dia nanampy renivohitra telo nifanarakaraka — i Sekema sy i Tirza ary i Samaria — ary nanjary nantsoina hoe Samaria, araka ny anaran’ilay renivohitra ilay faritra manontolo. — 1 Mpanj. 12:25; 15:33; 16:24.

15. a) Tamin’ny fomba ahoana no nahatanteraka ny tsodrano nataon’i Mosesy ho an’i Josefa tao amin’ny faritr’i Samaria? b) Tamin’ny fomba ahoana no nitahiana be kokoa io tany io tamin’ny andron’i Jesosy?

15 Tanteraka tokoa ny tsodrano nataon’i Mosesy ho an’i Josefa momba io tany io. “Ny amin’i Josefa dia hoy izy: — Hotahin’i Jehovah anie ny taniny amin’ny zava-tsoan’ny lanitra, dia amin’ny ando, (...) ary amin’ny zava-tsoa vokatry ny masoandro sy ny voan-javatra soa vokatry ny volana, ary amin’ny zava-malaza avy amin’ny tendrombohitra fahagola sy ny zava-tsoa avy amin’ny havoana mandrakizay”. (Deot. 33:13-15). Eny, tany nahafinaritra izy io. Ireo tendrombohiny dia feno ala matevina, ireo lohasahany dia namokatra, ary nanjary feno tanàna nanankarena sy be mponina izy io. (1 Mpanj. 12:25; 2 Tant. 15:8). Tatỳ aoriana, dia nitory tao amin’ny tanin’i Samaria i Jesosy, toy izany koa ireo mpianany, ary nahita mpanohana azy maro tao ny Kristianisma. — Jaona 4:4-10; Asa. 1:8; 8:1, 14.

D-4 SEFELA

16. a) Inona no mampiavaka an’i Sefela? b) Inona no naha-zava-dehibe io zara-tany io tamin’ny andron’ny Baiboly?

16 Na dia midika hoe “Tany Iva” aza ny anarana hoe Sefela, dia faritra be havoana izy io, raha ny marina, ka mahatratra haavo 450 metatra eo ho eo any amin’ny tapany atsimo ary tapahin’ny lohasaha mitomandavana avy eo atsinanana ka hatrany andrefana. (2 Tant. 26:10, NW ). Tafakatra mivantana eo atsinanan’ny lemak’i Filistia amoron-tsiraka izy io ary tsy heverina ho tany iva raha tsy rehefa ampitahaina amin’ireo havoanan’i Joda avo kokoa lavitra kokoa eny atsinanana. (Josoa 12:8). Ireo havoanany, izay voarakotry ny hazo aviavy taloha, dia misy tanimboaloboka sy fambolena oliva kosa ankehitriny. (1 Mpanj. 10:27). Nanana tanàna maro izy io. Ao amin’ny tantaran’ny Baiboly, izy io dia nampiasaina ho faritra nampisaraka ny Isiraely sy ny Filistina na izay tafika nanafika hafa rehetra nanandrana niditra tao Joda avy tany amin’ny lemaka amoron-tsiraka. — 2 Mpanj. 12:17; Obad. 19.

D-5 NY TANY HAVOANAN’I JODA

17. a) Nanao ahoana ny fahavokaran’ny tany havoanan’i Joda tamin’ny andron’ny Baiboly, ary manao ahoana ny amin’izao andro izao? b) Noheverina ho toerana tsara ho amin’inona i Joda?

17 Izy io dia faritra avo be vatolampy tokony ho 80 kilaometatra ny halavany ary latsaka ny 32 kilaometatra ny sakany, ka manana haavo miovaova eo amin’ny 600 ka hatramin’ny 1 000 metatra ambonin’ny haavon’ny ranomasina. Tamin’ny andron’ny Baiboly, ilay faritra dia voarakotry ny hazo maniry ary tamin’ny ilany andrefana indrindra, ireo havoana sy lohasaha dia rakotry ny tanimbolim-boamadinika sy hazo oliva ary tanimboaloboka. Izy io dia zara-tany izay namokatra voamadinika tsara sy diloilo ary divay be dia be ho an’ny Isiraely. Ny faritra nanodidina an’i Jerosalema indrindra indrindra dia niharan’ny fanafoanana ala be dia be hatramin’ny andron’ny Baiboly, ary noho izany dia hita ho ngazana raha ampitahaina amin’izay naha-izy azy fahizay. Amin’ny ririnina, indraindray ny orampanala dia milatsaka eny amin’ny haavo ambony kokoa, any afovoan-tany, toy ny any Betlehema. Tamin’ny andro fahiny, i Joda dia noheverina ho toerana tsara hanorenana tanàna sy manda, ary tamin’ny fotoana nampitebiteby dia afaka nandositra namonjy ireo tendrombohitra ireo ny olona mba hahitana fiarovana. — 2 Tant. 27:4.

18. a) Oviana i Jerosalema no tonga renivohitr’i Isiraely sy i Joda? b) Inona avy ireo lafin-toetra mahaliana sasantsasany momba io tanàna io?

18 Miavaka indrindra amin’ny tantaran’i Joda sy i Isiraely i Jerosalema, antsoina koa hoe Ziona, araka ny anaran’ny mandany. (Sal. 48:1, 2). Tany am-boalohany, dia i Jebosy, tanàna kananita, izy io, niorina teo amin’ny toerana avo ambonin’ny fihaonan’ny Lohasahan’i Hinoma sy ny Lohasaha Kidrona. Taorian’ny namaboan’i Davida azy sy nanaovany azy ho ny renivohitra, dia nitarina nankany avaratra-andrefana izy io, ary nahafaoka koa ny Lohasahan’i Tyropoeona tamin’ny farany. Rehefa nandeha ny fotoana, dia nanjary nantsoina hoe Gehena ny Lohasahan’i Hinoma. Noho ireo Jiosy nanao sorona fanompoan-tsampy teo, dia nambara fa naloto izy io ary navadika ho fanariana fako mbamin’ny fatin’ny mpanao heloka bevava naharikoriko. (2 Mpanj. 23:10; Jer. 7:31-33). Araka izany, ireo afony dia nanjary fanoharana ny amin’ny fanafoanana tanteraka. (Matio 10:28; Marka 9:47, 48). Voafetra ihany ny rano nilain’i Jerosalema nalainy avy tamin’ny Farihin’i Siloama, eo andrefan’ny Lohasaha Kidrona, ary niaro azy io i Hezekia tamin’ny fanorenana manda ivelany mba hihazonana azy ho ao anatin’ny tanàna. — Isaia 22:11; 2 Tant. 32:2-5.

D-6 EFITR’I JODA (JESIMONA)

19. a) Amin’ny ahoana no mifanentana amin’ny anarany i Jesimona? b) Fisehoan-javatra ao amin’ny Baiboly inona avy no nitranga tao amin’io faritra io?

19 Jesimona no anaran’ny Efitr’i Joda ao amin’ny Baiboly. Midika hoe “Tany karakaina” izy io. (1 Sam. 23:19, NW, f.a.p.). Mahalaza zavatra sy mifanentana toy inona moa io anarana io! Ilay efitra dia voaforon’ireo ilan-kavoana atsinanan’i Joda izay mikitoantoana ary tsy inona fa taniravo ngazana. Izy io dia mitsontsorika avy amin’ny haavo 900 metatra mahery eo amin’ny 24 kilaometatra rehefa manakaiky ny Ranomasina Maty, izay misy hantsana kitso loha toy ny manda. Tsy misy tanàna ao Jesimona fa vohitra vitsy ihany. Tao amin’io efitr’i Joda io no nandosiran’i Davida an’i Saoly Mpanjaka, teo anelanelan’io efitra io sy i Jordana no nitorian’i Jaona Mpanao Batisa, ary tao amin’io faritra io no nitokanan’i Jesosy rehefa nifady hanina 40 andro izy. b1 Sam. 23:14; Matio 3:1; Lioka 4:1.

D-7 NEGEBA

20. Lazalazao ny amin’i Negeba.

20 Eo atsimon’ireo havoanan’i Joda no misy an’i Negeba, izay nonenan’i Abrahama sy i Isaka patriarka nandritra ny taona maro. (Gen. 13:1-3, NW; 24:62, NW ). Ny Baiboly dia miresaka koa ny tapany atsimo amin’io faritra io ho “ny efitra Zina”. (Josoa 15:1). Ny faritr’i Negeba saika ngazana dia mivelatra avy eo amin’ny zara-tanin’i Beri-sheba any avaratra ka hatrany Kadesi-barnea any atsimo. (Gen. 21:31; Nom. 13:1-3, 26; 32:8). Ilay tany dia mitsontsorika avy any amin’ireo havoanan’i Joda amin’ny alalan’ny havoana mitomandavana, izay miantsinanana sy miankandrefana, ka mampiseho fefy voajanahary misakana ny fifamoivoizana na fanafihana avy any atsimo. Ilay tany dia mihamidina avy eo amin’ireo havoana any amin’ny tapany atsinanan’i Negeba ka hatrany amin’ny lemaka karakaina eo andrefana, manaraka ny moron-dranomasina. Amin’ny fahavaratra dia hita ho ngazana toy ny tany karakaina ilay tany, afa-tsy ny eny akaikin’ny lohasahan-driaka sasany. Kanefa, mety ho azo amin’ny alalan’ny fihadiana lavaka fantsakana ny rano. (Gen. 21:30, 31). Ny Fanjakan’i Isiraely maoderina dia mitari-drano ho ao amin’i Negeba sy mampivoatra ireo tapany aminy. “Ny onin’i Egypta” no namaritra ny faritany atsimo andrefan’i Negeba sady anisan’ny faritany atsimon’ny Tany Nampanantenaina. — Gen. 15:18.

D-8 EFITRA PARANA

21. Aiza no misy an’i Parana, ary inona no anjara noraisiny tao amin’ny tantaran’ny Baiboly?

21 Eo atsimon’i Negeba sady mitambatra amin’ny Efitra Zina ny Efitra Parana. Tamin’ny fandaozana an’i Sinay, ireo Isiraelita dia namakivaky ilay efitra tamin’ny fandehanany ho any amin’ny Tany Nampanantenaina, ary avy tao Parana no naniraka ireo mpisafo tany 12 i Mosesy. — Nom. 12:16–13:3.

E. ILAY ARABÀ LEHIBE (NY LOHASAHA MITSEFAKA)

22. Amin’ny fampiasana ny sarintany eo amin’ny pejy faha-272 sy ireo soritsary eo amin’ny pejy faha-273, miaraka amin’itỳ fehintsoratra itỳ, dia lazalazao fohy ireo lafin-toetra lehiben’i Arabà (Lohasaha Mitsefaka) sy ny fifandraisany amin’ny faritany manodidina.

22 Iray amin’ireo firafitry ny tany tsy fahita indrindra eto ambonin’itỳ tany itỳ ny Lohasaha Mitsefaka lehibe. Ao amin’ny Baiboly, ny faritra mamakivaky ny Tany Nampanantenaina hatrany avaratra ka hatrany atsimo dia antsoina hoe “Arabà”. (Josoa 18:18, f.a.p.). Ao amin’ny 2 Samoela 2:29 (NW ), dia lazalazaina ho toy ny lakandrano io tresaka eo amin’ny hodi-tany io. Eo avarany no misy ny Tendrombohitra Hermona. (Josoa 12:1). Avy eo am-pototr’i Hermona, ilay Lohasaha Mitsefaka dia mitsontsorika haingana mianatsimo tokony ho 800 metatra ambanin’ny haavon’ny ranomasina any amin’ny fanambanin’ny Ranomasina Maty. Manomboka amin’ny farany atsimon’ny Ranomasina Maty dia mitohy i Arabà, ka tafakatra mihoatra ny 200 metatra ambonin’ny haavon’ny ranomasina eo amin’ny antsasa-dalana eo ho eo anelanelan’ny Ranomasina Maty sy ny Helodranon’i ‘Aqaba. Rehefa avy eo dia midina haingana mankany amin’ny rano matimatin’ny tanjona atsinanan’ny Ranomasina Mena izy io. Mampiseho ny fifandraisan’ny Lohasaha Mitsefaka amin’ny tany manodidina ny sarintanin’ireo fira (coupes) miaraka amin’itỳ fianarana itỳ.

E-1 FARIHIN’I HOULA

23. Nifandray tamin’inona ny faritr’i Houla tamin’ny andron’ny Baiboly?

23 Manomboka eo am-pototry ny Tendrombohitra Hermona, ny Lohasaha Mitsefaka dia milatsaka tampoka hatrany amin’ny 490 metatra mahery mankany amin’ny faritra Houla, izay eo amin’ny haavon’ny ranomasina eo ho eo. Azon-drano tsara ary mitoetra ho maitso mavana io zara-tany io na dia mandritra ireo volana amin’ny fahavaratra mafana aza. Tao amin’io faritra io ny taranak’i Dana no nanorim-ponenana tao Dana tanànany, izay nampiasaina ho foiben’ny fanompoam-pivavahana tamin’ny sampy hatramin’ny andron’ireo mpitsara ka hatramin’ny andron’ny fanjakan’ny foko folon’ny Isiraely. (Mpits. 18:29-31; 2 Mpanj. 10:29). Tao Kaisaria-filipo, tanàna iray eo akaikin’ny toerana nisy an’i Dana fahiny, no nanamafisan’i Jesosy tamin’ireo mpianany fa izy no Kristy, ary maro no mino fa teo amin’ny Tendrombohitra Hermona teo akaiky teo no nisehoan’ny fiovan-tarehy rehefa afaka henemana taorian’izay. Avy eo Houla, ny Lohasaha Mitsefaka dia midina mankany amin’ny Ranomasin’i Galilia, izay 210 metatra eo ho eo ambanin’ny haavon’ny ranomasina. — Matio 16:13-20; 17:1-9.

E-2 FARITRA MANODIDINA NY RANOMASIN’I GALILIA

24. a) Anarana hafa inona avy no iantsoana ny Ranomasin’i Galilia ao amin’ny Baiboly? b) Nanao ahoana ny endriky ny faritra nanodidina azy tamin’ny andron’i Jesosy?

24 Mahafinaritra ny Ranomasin’i Galilia sy ireo manodidina azy. c Mitombo ny fahalianana amin’io faritra io noho ireo fisehoan-javatra maro teo amin’ny fanompoan’i Jesosy izay niseho tao. (Matio 4:23). Ilay ranomasina dia antsoina koa hoe ny Farihin’i Genesareta, na Kinereta, sy ny Ranomasin’i Tiberiasy. (Lioka 5:1; Josoa 13:27; Jaona 21:1). Izy io dia farihy miendrika fo araka ny tena izy, efa ho 21 kilaometatra ny halavany ary tokony ho 11 kilaometatra ny sakany eo amin’ny velarany lehibe indrindra, ary mahaforona tahirin-drano lehibe ho an’ilay tany manontolo izy io. Voahodidin’ireo havoana akaiky saika amin’ny lafiny rehetra izy io. Ny fanambonin’ilay farihy dia tokony ho 210 metatra ambanin’ny haavon’ny ranomasina, ka miteraka ririnina mafampana mahafinaritra sy fahavaratra mafana maharitra ela. Tamin’ny andron’i Jesosy, dia izy io no foiben’ny indostrian’ny jono nandroso be, ary ireo tanànan’i Korazina, Betsaida, Kapernaomy ary Tiberiasy niroborobo dia niorina teo amin’ny moron’ilay farihy na teny akaikiny. Ny fahatonian’ilay farihy dia mety ho voakorontan’ireo tafio-drivotra vetivety. (Lioka 8:23). Ny lemaka kelin’i Genesareta, miendrika telolafy, dia eo amin’ny avaratra-andrefan’ilay farihy. Lonaka ny karazan-tany eo, ka mamokatra saika ny karazam-bokatra rehetra fantatra any amin’ny Tany Nampanantenaina. Amin’ny lohataona, ireo ilan-kavoana miloko marevaka dia manjelatra amin’ny fampirapiratana izay tsy hita na aiza na aiza eo amin’ny tanin’ny Isiraely. d

E-3 ZARA-TANIN’NY LOHASAHAN’I JORDANA (GHOR)

25. Inona avy ireo lafin-toetra lehiben’ny Lohasahan’i Jordana?

25 Io lohasaha mitsontsorika manontolo miendrika lakandrano io dia antsoina koa hoe “Arabà”. (Deot. 3:17, f.a.p.). Amin’izao andro izao ireo Arabo dia miresaka azy io ho Ghor, izay midika hoe “Lempona”. Manomboka eo amin’ny Ranomasin’i Galilia ilay lohasaha ary malalaka amin’ny ankapobeny — ka tokony ho 19 kilaometatra ny velarany amin’ny toerana sasany. Ny Ony Jordana mihitsy dia tokony ho 46 metatra ambanin’ilay lemaka an-dohasaha, ka misy fihodinana sy fiolahana mahatratra 320 kilaometatra mba hahavitana 105 kilaometatra hatrany amin’ny Ranomasina Maty. e Mitsambikimbikina amin’ny rian-drano 27 izy io, ka mianjera tokony ho 180 metatra rehefa mahatratra ny Ranomasina Maty. Ny moron’i Jordana ambany dia ahitana hazo sy kirihitra matevina, indrindra fa ireo tamariska sy lauriers-roses ary hazomalahelo, izay nisy ireo liona sy ny zanany namitsaka tamin’ny andron’ny Baiboly. Izy io dia fantatra amin’izao andro izao ho Zor ary tondra-drano ny faritra sasany aminy amin’ny lohataona. (Jer. 49:19). Miakatra eo ambonin’ny lafiny roa amin’io faritra lava sady kely velarana toy ny ala mikirindro tery io i Qattara, sisin-tany tsy manintona sady tany ngazana voaforon’ny lembalemba kely sy ilan-kavoana mikitoantoana, izay mitarika ho any amin’ny lemak’i Ghor mihitsy. Ireo lemaka eo amin’ny tapany avaratr’i Ghor, na Arabà, dia voavoly tsara. Na dia eo amin’ny tapany atsimo aza, mankany amin’ny Ranomasina Maty, dia voalaza fa namokatra karazana antrendry maro ary koa voankazon’ny tany mafana hafa maro taloha ny lembalemban’i Arabà, izay tena karakaina ankehitriny. I Jeriko no tanàna nalaza indrindra, sady mbola toy izany ihany, tao amin’ny Lohasahan’i Jordana. — Josoa 6:2, 20; Marka 10:46.

E-4 NY RANOMASIN-TSIRA (MATY)

26. a) Inona avy ireo zava-misy mahavariana sasany momba ny Ranomasina Maty? b) Porofo manaitra inona no omen’io faritra io mahakasika ny didim-pitsaran’i Jehovah?

26 Izy io no iray amin’ny velaran-drano mahavariana indrindra eto ambonin’ny tany. Antsoina amin’ny fomba mety hoe maty izy io, satria tsy misy trondro velona ao anatin’ilay ranomasina ary tsy misy afa-tsy zavamaniry vitsivitsy eny amin’ny morony. Ny Baiboly dia miantso azy io hoe ny Ranomasin-tsira, na ny Ranomasin’i Arabà, noho izy eo amin’ny lohasaha mitsefak’i Arabà. (Gen. 14:3; Josoa 12:3, f.a.p.). Ilay ranomasina dia tokony ho 75 kilaometatra avy eo avaratra ka hatrany atsimo ary 15 kilaometatra amin’ny savaivony. Ny fanamboniny dia 400 metatra eo ho eo ambanin’ny an’ny Ranomasina Mediterane, ka mahatonga azy ho ny toerana iva indrindra eto an-tany. Eo amin’ny tapany avaratra, dia tokony ho 400 metatra ny halaliny. Eo amin’ny lafiny roa, dia voahodidina havoana ngazana sy hantsana mideza ilay ranomasina. Na dia mitondra rano mamy aza ny Ony Jordana, dia tsy misy fivoahan’ny rano afa-tsy amin’ny alalan’ny fietona (évaporation), izay mandeha haingana tahaka ny fidiran’ny rano. Ilay rano mihandrona dia misy zavatra mivaingana levona 25 isan-jato eo ho eo, izay sira ny ankabeazany, ary manapoizina ny trondro sy mampanaintaina ny mason’olombelona. Ireo mpitsidika ny ankabeazan’ilay faritra manodidina ny Ranomasina Maty matetika dia heniky ny fahatsapana fahafoanana sy faharavana. Toeran’ny maty izy io. Na dia “azon-drano (...) tahaka ny sahan’i Jehovah” aza ilay faritra manontolo fahizay, amin’ny ankapobeny ny faritra manodidina ny Ranomasina Maty dia saika “tany lao” ankehitriny ary toy izany hatrany efa ho 4 000 taona izao. Izany dia manome porofo manaitra ny amin’ny tsy fiovan’ny didim-pitsaran’i Jehovah izay nampiharina teo tamin’i Sodoma sy i Gomora. — Gen. 13:10; 19:27-29; Zef. 2:9.

E-5 ARABÀ (MIANATSIMO AVY EO AMIN’NY RANOMASIN-TSIRA)

27. Karazana faritany inona no mahaforona an’i Arabà atsimo, ary iza no nanapaka azy io tamin’ny andro fahiny?

27 Io fizarana faran’ny Lohasaha Mitsefaka io dia mitoraka mianatsimo eo amin’ny 160 kilaometatra fanampiny. Saika tany karakaina avokoa io faritra io. Tsy misy firy ny orana, ary mamely mafy ny hainandro. Miantso azy io koa hoe “Arabà” ny Baiboly. (Deot. 2:8, f.a.p.). Eo amin’ny antsasa-dalana eo ho eo, dia mahatratra ny fara tampony izy io eo amin’ny 200 metatra mahery ambonin’ny haavon’ny ranomasina ary avy eo dia midina mianatsimo indray mankany amin’ny Helodranon’i ‘Aqaba, ny tendro atsinanan’ny Ranomasina Mena. Teo amin’io toerana io, teo amin’ny seranan-tsambon’i Ezion-gebera i Solomona no nanamboatra andian-tsambo iray. (1 Mpanj. 9:26). Tamin’ny ankamaroan’ny andron’ireo mpanjakan’i Joda, dia teo ambany fanapahan’ny fanjakan’i Edoma io tapany amin’i Arabà io.

F. IREO TENDROMBOHITRA SY LEMBALEMBA EO ATSINANAN’I JORDANA

28. Nanao ahoana ny hasarobidin’ny tany Basana sy Gileada teo amin’ny fambolena, ary tamin’ny fomba ahoana no nahatafiditra ireo faritra ireo tao amin’ny tantaran’ny Baiboly?

28 ‘Ny lafy atsinanan’i Jordana’ dia miakatra haingana avy any amin’ny Lohasaha Mitsefaka mba hahaforona lembalemba mitomandavana. (Josoa 18:7; 13:9-12, NW; 20:8, NW ). Eo avaratra no misy ny tany Basana (F-1), izay, miaraka amin’ny antsasak’i Gileada, dia nomena ny fokon’i Manase. (Josoa 13:29-31). Izy io dia tanin’ny fiompiana, tany ho an’ny mpamboly sy mpiompy, lembalemba lonaka tokony ho 600 metatra amin’ny antsalany, ambonin’ny haavon’ny ranomasina. (Sal. 22:12; Ezek. 39:18; Isaia 2:13; Zak. 11:2). Tamin’ny andron’i Jesosy io faritra io dia nanondrana voamadinika be dia be, ary mamokatra amin’ny fambolena izy io amin’izao andro izao. Avy eo, eo atsimo no misy ny tany Gileada (F-2), ka ny tapany ambany taminy dia voatondro ho an’ny fokon’i Gada. (Josoa 13:24, 25). Faritra be tendrombohitra mahatratra 1 000 metatra, tondraky ny orana tsara amin’ny ririnina ary ny ranonando be dia be amin’ny fahavaratra, izy io koa dia tany tsara ho an’ny biby fiompy ary nalaza manokana noho ny balsamany. Amin’izao andro izao izy io dia malaza noho ireo voalobony tsara dia tsara. (Nom. 32:1; Gen. 37:25; Jer. 46:11). Tany amin’ny tany Gileada no nandosiran’i Davida an’i Absaloma, ary teo amin’ny tapany andrefana i Jesosy no nitory tao amin’ny “tany Dekapolisy”. — 2 Sam. 17:26-29; Marka 7:31.

29. Eo atsinanan’i Jordana, tany inona avy no mivelatra mankany atsimo, ary voamarika noho ny inona izy ireo?

29 “Ny tanin’ny taranak’i Amona” (F-3) dia eo atsimon’i Gileada avy hatrany, ary nomena ny fokon’i Gada ny antsasany tamin’izy io. (Josoa 13:24, 25; Mpits. 11:12-28). Izy io dia lembalemba be fiakarana sy fidinana, mety indrindra amin’ny firaofan’ny ondry ahitra. (Ezek. 25:5). Mbola lavitra kokoa eny atsimo no misy ny “tany Moaba”. (Deot. 1:5). Mpiandry ondry niavaka ireo Moabita mihitsy, ary hatramin’izao androntsika izao dia ny fiompiana ondry no asa aman-draharaha lehibe indrindra ao amin’io faritra io. (2 Mpanj. 3:4). Avy eo, eo atsimo atsinanan’ny Ranomasina Maty, dia tonga eo amin’ny lembalemban’i Edoma voaforona tendrombohitra (F-4) isika. Mbola ao ihany hatramin’izao ireo sisan-javatra ravan’ireo toerana mimanda fivarotana lehibe, toa an’i Petra. — Gen. 36:19-21; Obad. 1-4.

30. Inona no mamaritra ireo lembalemba eo atsinanana?

30 Eo atsinanan’ireo havoana sy lembalemba ireo no misy ny efitra be vatolampy midadasika izay manakana tanteraka ny fifamoivoizana mivantana eo amin’ny Tany Nampanantenaina sy i Mezopotamia, ka mahatonga ireo mpandranto miray dia hanalavi-dalana kilaometatra maro mianavaratra. Eo atsimo dia mihaona amin’ny dongom-pasiky ny tany karakaina lehiben’i Arabia io efitra io.

G. IREO TENDROMBOHITR’I LIBANONA

31. a) Inona no mahaforona ireo tendrombohitr’i Libanona? b) Inona avy ireo lafin-toetran’i Libanona mitoetra ho tahaka izay naha-izy azy tamin’ny andron’ny Baiboly?

31 Mandondona eo amin’ny tany taka-mason’ny Tany Nampanantenaina ireo tendrombohitr’i Libanona. Tandavan-tendrombohitra roa mirazotra izy ireo, raha ny marina. Ny fototry ny Tandavan-tendrombohitra Libanona manontolo dia mitohy hatrany Galilia Ambony. Any amin’ny toerana maro ireo havoana ireo dia tonga hatrany amin’ny moron-dranomasina mihitsy. Ny tendrony avo indrindra amin’io tandavan-tendrombohitra io dia 3 000 metatra eo ho eo ambonin’ny haavon’ny ranomasina. Ny tendrony avo indrindra amin’ny Tohi-tandavan-tendrombohitra mifanolotra amin’i Libanona dia ny Tendrombohitra Hermona tsara tarehy, izay tafakatra ho 2 814 metatra ambonin’ny haavon’ny ranomasina. Ny ranomandriny miempo dia manome loharano lehibe ho an’ny Ony Jordana sy loharanon’ando mandritra ny fe-potoana maina amin’ny lohataona. (Sal. 133:3). Malaza indrindra noho ireo sederany makadiry ireo Tendrombohitr’i Libanona. Ny hazo tamin’izy ireny dia nanan-toerana lehibe teo amin’ny fanorenana ny tempoly nataon’i Solomona. (1 Mpanj. 5:6-10). Na dia fambolena sedera vitsivitsy monja aza no tavela ankehitriny, ireo ilan-kavoana ambany kokoa dia mbola misy tanimboaloboka sy fambolena oliva ary saham-boankazo, toy ny tamin’ny andron’ny Baiboly. — Hosea 14:6-8.

32. Tamin’ny fomba ahoana no nilazalazan’i Mosesy araka ny marina ny Tanin’ny Fampanantenana?

32 Raha mamarana amin’izany ny fitsidihantsika ny Tanin’ny Fampanantenan’i Jehovah, izay voafefin’ny efitra sarotra aleha any atsinanana sy ny Ranomasina Lehibe, isika, dia afaka manao sary an-tsaina ny voninahitra nandrakotra azy io fahizay tamin’ny andron’ny Isiraely. Marina tokoa fa “tany tsara indrindra (...) tondra-dronono sy tantely” izy io. (Nom. 14:7, 8; 13:23). Nanisy firesahana azy io tamin’izao teny izao i Mosesy: “Jehovah Andriamanitrao efa hampiditra anao any amin’ny tany soa, dia tany misy renirano sy loharano ary rano lalina eny amin’ny lohasaha sy ny tendrombohitra, — tany misy vary tritika sy vary hordea sy voaloboka sy aviavy ary ampongabendanitra, — tany misy hazo oliva sy tantely, — tany izay hihinananao hanina amin’ny fanaranam-po, sady tsy hanan-java-mahory akory eo hianao, — tany misy vy ny vato ao aminy, ary ao amin’ny tendrombohiny no hihadianao varahina. Ary rehefa nihinana hianao ka voky [dia tsy maintsy, NW ] misaotra an’i Jehovah Andriamanitrao noho ny tany soa izay nomeny anao”. (Deot. 8:7-10). Enga anie izay rehetra tia an’i Jehovah amin’izao fotoana izao haneho fisaorana toy izany satria mikasa ny hanao ny tany manontolo ho paradisa be voninahitra izy, araka ny modelin’ny Tanin’ny Fampanantenany fahiny. — Sal. 104:10-24.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Insight on the Scriptures, Boky 1, pejy 332-333.

b Insight on the Scriptures, Boky 1, pejy 335.

c Insight on the Scriptures, Boky 1, pejy 336.

d Insight on the Scriptures, Boky 2, pejy 737-740.

e Insight on the Scriptures, Boky 1, pejy 334.

[Fanontaniana]

[Sarintany, pejy 272]

(Jereo ny boky)

IREO FARITRA VOAJANAHARIN’NY TANY NAMPANANTENAINA

(sy ny faritany fanampiny)

MI 0 10 20 30 40 50 60

KM 0 20 40 60 80

(Ny amin’ny fira S—S, T—T, V—V, Y—Y, ary Z—Z, dia jereo ny pejy manaraka)

FANAZAVANA IREO TAREHIMARIKA

RANOMASINA MEDITERANE

A Moron’ny Ranomasina Lehibe

Jopa

B-1 Lemak’i Asera

B-2 Ny Faritr’i Dora Lava Sady Kely Velarana Amoron-tsiraka

Dora

B-3 Tany Kijanan’i Sarôna

B-4 Lemak’i Filistia

Asdoda

Askelona

Ekrona

Gata

Gaza

B-5 Lohasaha Afovoany Miantsinanana sy Miankandrefana

(Lemak’i Megido, Tany Lemaka Jezirela)

Beti-sana

D-1 Ireo Havoanan’i Galilia

Kana

Naina

Nazareta

Tyro

D-2 Ireo Havoanan’i Karmela

D-3 Ireo Havoanan’i Samaria

Betela

Jeriko

Samaria

Tirza

Sekema

D-4 Sefela

Lakisy

D-5 Ny Tany Havoanan’i Joda

Betlehema

Geba

Hebrona

Jerosalema

D-6 Efitr’i Joda (Jesimona)

D-7 Negeba

Beri-sheba

Kadesi-barnea

Onin’i Egypta

D-8 Efitra Parana

E-1 Farihin’i Houla

Dana

Kaisaria-filipo

E-2 Faritra Manodidina ny Ranomasin’i Galilia

Betsaida

Kapernaomy

Korazina

Ranomasin’i Galilia

Tiberiasy

E-3 Zara-tanin’ny Lohasahan’i Jordana (Ghor)

Ony Jordana

E-4 Ny Ranomasin-tsira (Maty) (Ranomasin’i Arabà)

Ranomasin-tsira

E-5 Arabà (mianatsimo avy eo amin’ny Ranomasin-tsira)

Ezion-gebera

Ranomasina Mena

F-1 Tany Basana

Damaskosy

Edrehy

F-2 Tany Gileada

Raba

Ramota-gileada

Lohasahan-driaka Jaboka

F-3 Tanin’ny Amonita sy ny Moabita

Hesbona

Kira-hareseta

Medeba

Lohasahan-driaka Arnona

Lohasahan-driaka Zereda

F-4 Tendrombohitra Lembalemban’i Edoma

Petra

G Ireo Tendrombohitr’i Libanona

Sidona

Tendrombohitr’i Libanona

Tendrombohitr’i Hermona

[Sarintany, pejy 273]

(Jereo ny boky)

IREO FIRA (COUPES) NAMPIAVAKA NY TANY NAMPANANTENAINA

(Mba hahafantarana ny toerana nisy ireo tanàna, dia jereo ny pejy etsy an-kilany)

Avo 10 heny eo ho eo amin’ny refy mahitsy ny haavo

Fira Andrefana-Atsinanana Manapaka an’i Efraima (S—S)

Ranomasina Mediterane

B-3 Tany Kijanan’i Sarôna

D-3 Havoanan’i Samaria

E-3 Arabà na Lohasahan’i Jordana (Ghor)

Qattara

Zor

F-2 Tany Gileada

MI 0 5 10

KM 0 8 16

Tarehimarika eto an-kavia: METATRA Tarehimarika eto an-kavanana: PIEDS

+900 +3 000

+600 +2 000

+300 +1 000

0 (Haavon’ny Ranomasina) 0

−300 −1 000

−600 −2 000

Fira Andrefana-Atsinanana Manapaka an’i Joda (T—T)

Ranomasina Mediterane

B-4 Dongom-pasika

Lemak’i Filistia

D-4 Sefela

D-5 Tany Havoanan’i Joda

Jerosalema

D-6 Efitr’i Joda

E-4 Lohasaha Mitsefaka

F-3 Tanin’ny Amonita sy ny Moabita

MI 0 5 10

KM 0 8 16

Tarehimarika eto an-kavia: METATRA Tarehimarika eto an-kavanana: PIEDS

+900 +3 000

+600 +2 000

+300 +1 000

0 (Haavon’ny Ranomasina) 0

−300 −1 000

−600 −2 000

Fira Andrefana-Atsinanana Manapaka an’i Joda (V—V)

Ranomasina Mediterane

B-4 Dongom-pasika

Lemak’i Filistia

D-4 Sefela

D-5 Tany Havoanan’i Joda

D-6 Efitr’i Joda

E-4 Lohasaha Mitsefaka

Ranomasin-tsira

F-3 Tanin’ny Amonita sy ny Moabita

MI 0 5 10

KM 0 8 16

Tarehimarika eto an-kavia: METATRA Tarehimarika eto an-kavanana: PIEDS

+900 +3 000

+600 +2 000

+300 +1 000

0 (Haavon’ny Ranomasina) 0

−300 −1 000

−600 −2 000

Fira Atsimo-Avaratra Manaraka Ireo Tendrombohitra Andrefan’i Jordana (Y—Y)

D-7 Negeba

D-5 Tany Havoanan’i Joda

D-3 Havoanan’i Samaria

B-5 Tany Lemaka Jezirela

D-1 Havoanan’i Galilia

G

MI 0 5 10

KM 0 8 16

Tarehimarika eto an-kavia: METATRA Tarehimarika eto an-kavanana: PIEDS

+900 +3 000

+600 +2 000

+300 +1 000

0 (Haavon’ny Ranomasina) 0

−300 −1 000

−600 −2 000

Fira Atsimo-Avaratra Manaraka an’i Arabà na Lohasaha Mitsefaka (Z—Z)

E-5

E-4 Ranomasin-tsira

E-3 Arabà na Lohasahan’i Jordana (Ghor)

E-2 Ranomasin’i Galilia

E-1 Farihin’i Houla

G

MI 0 5 10

KM 0 8 16

Tarehimarika eto an-kavia: METATRA Tarehimarika eto an-kavanana: PIEDS

+900 +3 000

+600 +2 000

+300 +1 000

0 (Haavon’ny Ranomasina) 0

−300 −1 000

−600 −2 000