Mitondra Soa Mandrakizay Ireo Soratra Ara-tsindrimandry
Fianarana Momba ny Soratra Ara-tsindrimandry sy ny Tantara Momba Azy
Mitondra Soa Mandrakizay Ireo Soratra Ara-tsindrimandry
1. Fahitana be voninahitra inona no nosokafan’ny fandinihantsika indray ny “Soratra rehetra” teo anoloantsika?
NANOKATRA teo anoloan’ny masontsika fahitana be voninahitry ny fiandrianan’i Jehovah sy ny fikasany momba ilay Fanjakana ny fandinihantsika indray ny “Soratra rehetra (...) ara-tsindrimandrin’Andriamanitra”. Nomarihintsika fa ny Baiboly dia Boky tokana, manana loha hevitra tokana mahery — ny fanamarinana ny fiandrianan’i Jehovah sy ny fahatanterahana faran’ny fikasany ho an’ny tany amin’ny alalan’ny Fanjakany eo ambany fitarihan’i Kristy, ilay Taranaka Nampanantenaina. Manomboka eo amin’ireo pejy fanokafana ny Baiboly, dia velabelarina miandalana sy hazavaina amin’ny alalan’ireo asa soratra izay manaraka avy eo io loha hevitra tokana io, mandra-panazava ny zava-misy be voninahitry ny fikasana lehiben’Andriamanitra amin’ny alalan’ny Fanjakany, eo amin’ireo toko famaranana azy. Boky mahavariana tokoa ny Baiboly! Manomboka amin’ny famoronana mahatahotra ny lanitra ara-bakiteny sy ny tany mbamin’ny fiainan’ny zavaboary eo aminy, ny Baiboly dia manome antsika ny fitantarana ara-tsindrimandry sy azo itokiana momba ny fifandraisan’Andriamanitra amin’ny taranak’olombelona hatramin’izao androntsika izao. Mitondra antsika koa hatramin’ny fahatanterahana fenon’ny famoronana be voninahitra “lanitra vaovao sy tany vaovao”, hataon’i Jehovah izy io. (Apok. 21:1). Amin’ny fahatanterahan’ny fikasany lehibe, amin’ny fomba feno, amin’ny alalan’ny Fanjakan’ilay Taranaka, dia hita i Jehovah Andriamanitra manana fifandraisan’ny Ray tsara fanahy iray amin’ny fianakavian’olombelona tafaray sady sambatra, izay hiaraka amin’ireo tafiky ny lanitra amin’ny fiderana azy sy ny fanamasinana ny anarany masina.
2, 3. Ahoana no amelabelarana miandalana ilay loha hevitra mahafaoka ilay Taranaka hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny faran’ny Soratra Masina?
2 Mampitolagaga toy inona moa ny fomba amelabelarana miandalana io loha hevitra izay mahafaoka ilay Taranaka io, hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny faran’ny Soratra Masina! Tamin’ny filazany ny faminaniana ara-tsindrimandry voalohany, Andriamanitra dia nanome fampanantenana fa hanorotoro ny menarana eo amin’ny lohany ‘ny taranak’ilay vehivavy’. (Gen. 3:15). Lasa ny 2 000 taona mahery, ary hoy Andriamanitra tamin’i Abrahama nahatoky: “Amin’ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany”. Maherin’ny 800 taona tatỳ aoriana, i Jehovah dia nanome fampanantenana toy izany ho an’ny iray tamin’ny taranak’i Abrahama, dia i Davida Mpanjaka tsy nivadika, ka nampiseho fa ho mpanjaka ilay Taranaka. Rehefa nandeha ny fotoana, ireo mpaminanin’i Jehovah dia nandray anjara tamim-pientanam-po tamin’ny fanambarana mialoha ny voninahitry ny fanapahan’ilay Fanjakana. (Gen. 22:18; 2 Sam. 7:12, 16; Isaia 9:5, 6; Dan. 2:44; 7:13, 14). Avy eo, dia nipoitra ilay Taranaka mihitsy, rehefa afaka 4 000 taona mahery taorian’ny fampanantenana voalohany nomena tany Edena. Izy io, izay ‘taranak’i Abrahama’ koa, dia i Jesosy Kristy, “Zanaky ny Avo Indrindra”, ary omen’i Jehovah azy “ny seza fiandrianan’i Davida rainy”. — Gal. 3:16; Lioka 1:31-33.
3 Na dia notorotoroin’ny taranak’ilay Menarana teto an-tany tamin’ny fahafatesana aza io Taranaka io, izay Mpanjaka voahosotr’Andriamanitra, dia nanangana azy tamin’ny maty Andriamanitra ary nanandratra azy ho eo an-tanany an-kavanana, izay iandrasany ny fotoana mety amin’Andriamanitra mba ‘hanorotoroana ny lohan’i Satana’. (Gen. 3:15; Heb. 10:13; Rom. 16:20). Avy eo, ny Fanambarana (Apokalypsy) dia mitondra ilay fahitana manontolo ho amin’ny fiafarany malaza sy be voninahitra. Miditra ao amin’ny fahefam-panjakany i Kristy ary manjera “ilay menarana [tany am-boalohany, NW ], izay atao hoe devoly sy Satana”, avy any an-danitra ho etỳ an-tany. Mandritra ny fotoana fohy, ny Devoly dia mitondra loza ho an’ny tany ary mandeha miady amin’ny ‘zanaky ny vehivavy vadin’Andriamanitra sisa’. Kanefa i Kristy, amin’ny maha-“Mpanjakan’ny mpanjaka”, dia mamely ireo firenena. Atsipy ao amin’ny lavaka tsy hita noanoa ilay Menarana tany am-boalohany, dia i Satana, ary tsy maintsy horinganina mandrakizay avy eo, amin’ny farany. Mandra-pahatongan’izany, amin’ny alalan’i Jerosalema Vaovao, ilay ampakarin’ny Zanak’ondry, ireo soa entin’ny soron’i Kristy dia ampiharina amin’ny olombelona rehetra ho fitahiana ireo fianakaviana rehetra eto an-tany. Araka izany, ilay loha hevitra kanto aoka izany ao amin’ireo Soratra ara-tsindrimandry dia mivelatra eo anoloantsika amin’ny fahamboniany rehetra mampientana! — Apok. 11:15; 12:1-12, 17; 19:11-16; 20:1-3, 7-10; 21:1-5, 9; 22:3-5.
FANDRAISANA SOA AVY AMIN’IO FIRAKETANA AN-TSORATRA ARA-TSINDRIMANDRY IO
4. Ahoana no ahafahantsika mandray soa faran’izay betsaka indrindra avy amin’ny Soratra Masina, ary nahoana?
4 Ahoana no ahafahantsika mandray soa faran’izay betsaka indrindra avy amin’ny Soratra Masina? Afaka mandray soa isika amin’ny famelana ny Baiboly hiasa eo amin’ny fiainantsika. Amin’ny fianarana sy fampiharana isan’andro ireo Soratra ara-tsindrimandry, dia afaka ny hahazo fitarihana avy amin’Andriamanitra isika. “Velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra”, ary mety ho hery mahagaga ho amin’ny rariny eo amin’ny fiainantsika izy io. (Heb. 4:12). Raha tsy mitsahatra mianatra sy manaraka ny fitarihan’ny Tenin’Andriamanitra isika, dia hanjary ‘hitafy ny toetra vaovao, izay noforonina araka an’Andriamanitra amin’ny fahitsiana sy ny fahamasinana momba ny fahamarinana’. Hohavaozina isika amin’ny hery manetsika ny saintsika, ary hiova amin’ny fanovana ny saintsika, mba hamantarantsika “ny sitrapon’Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no marina”. — Efes. 4:23, 24; Rom. 12:2.
5. Inona no azontsika ianarana avy amin’ny fihetsika sy ohatra navelan’i Mosesy?
5 Afaka mianatra be dia be isika amin’ny fandinihana ny fomba nandraisan’ireo mpanompon’Andriamanitra nahatoky hafa soa tamin’ny fianarana ny Tenin’Andriamanitra sy ny fisaintsainana izany. Ohatra, tao i Mosesy, ‘ilay nalemy fanahy mihoatra noho ny olona rehetra’, izay azo nampianarina sy vonona hianatra mandrakariva. (Nom. 12:3). Tokony hanana fankasitrahana amim-pahatsorana mandrakariva ny fiandrianan’i Jehovah isika, toy ny nataony. I Mosesy no nilaza hoe: “[Jehovah ô, NW ], efa fonenanay hatramin’ny taranaka rehetra Hianao. Fony tsy mbola ary ny tendrombohitra, na voaforonao ny tany sy izao rehetra izao, dia Andriamanitra Hianao hatramin’ny taloha indrindra ka mandrakizay.” Nahafantatra tsara ny fahendren’Andriamanitra i Mosesy, satria nampiasain’i Jehovah izy tamin’ny fanoratana ireo boky fanokafana ny Baiboly. Koa azony tamin’izany ny maha-zava-dehibe ny fitadiavana isan’andro ny fahendrena avy tamin’i Jehovah. Nivavaka tamin’Andriamanitra izy, ohatra, hoe: “Mampianara anay hanisa ny andronay, hahazoanay fo hendry.” Koa satria “ny andron’ny taonanay” dia mety ho vitsy, 70 taona monja, na 80 raha ho an’ireo manana “tanjaka manokana” (NW ), dia hendry isika raha miravoravo isan’andro amin’ny Teniny, satria amin’izay ‘ny fahasoavan’[i Jehovah, NW ] Andriamanitsika’ dia ‘ho amintsika’, toy ny naha-izany azy tamin’i Mosesy mpanompony nahatoky. — Sal. 90:1, 2, 10, 12, 17.
6. Ahoana no mety hanaovantsika izay hahalavorary ny lalantsika, tahaka ny nataon’i Josoa?
6 Ilaina tokoa ny misaintsaina isan’andro ny Tenin’Andriamanitra! Nampiseho mazava izany tamin’i Josoa, mpandimby an’i Mosesy, i Jehovah, ka hoy izy taminy: “Koa mahereza sy matanjaha tsara, hitandremanao hanao araka ny lalàna rehetra, izay nandidian’i Mosesy mpanompoko anao; aza miala aminy, na ho amin’ny ankavanana, na ho amin’ny ankavia, mba hambinina hianao amin’izay rehetra alehanao. Aoka tsy hiala amin’ny vavanao ity bokin’ny lalàna ity, fa saintsaino andro aman-alina, hitandremanao hanao araka izay rehetra voasoratra eo; ary amin’izany dia hahalavorary ny làlanao hianao sady hambinina.” Moa ve ny famakian’i Josoa tsy an-kijanona ny Lalàn’i Jehovah ‘nahatonga ny lalany ho lavorary’? Manome ny valiny ny fitahian’i Jehovah ny ezaka manokana nampiseho herim-po nataony tany Kanana. — Josoa 1:7, 8, NW; 12:7-24.
7. Ahoana no nilazan’i Davida ny fankasitrahany ny fahendrena avy amin’Andriamanitra, ary ahoana no nilazana ny fankasitrahana toy izany ao amin’ny Salamo faha-119?
7 Hevero koa i Davida malala, mpanompon’Andriamanitra hafa izay nihevitra ho sarobidy aoka izany ny fahendrena avy amin’i Jehovah. Toy inona moa ny fankasitrahana tamim-pahatsorana nasehony ho an’ny “lalàn’i Jehovah”, ‘teny fampahatsiahivany’ (NW ), ‘fandidiany’, ‘didiny’ ary ‘fitsipiny’! Araka ny nilazan’i Davida izany hoe: “Irina noho ny volamena ireny, eny, noho ny tena volamena betsaka aza; ary mamy noho ny tantely, eny noho ny tantely mitete avy amin’ny tohotra.” (Sal. 19:7-10). Io loha hevitra mahafaly indrindra io dia nitarin’ny mpanao salamo hafa sy naveriny tamin’ny hakanto mampientana ny fo hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny faran’ny Salamo faha-119. Rehefa mianatra isan’andro ny Tenin’Andriamanitra isika ka maharitra manaraka ny toroheviny feno fahendrena, dia enga anie isika ho afaka hilaza amin’i Jehovah hatrany hoe: “Fanilon’ny tongotro sy fanazavana ny làlako ny teninao. Mahagaga ny [teny fampahatsiahivanao, NW ], ka dia mitandrina azy ny fanahiko.” — Sal. 119:105, 129.
8. Inona avy ireo tenin’i Solomona tokony horaisintsika ho antsika mihitsy?
8 Tamin’ny andron’ny fahatokiany, i Solomona zanak’i Davida dia niaina koa nifanaraka tamin’ny Tenin’Andriamanitra, ary ao amin’ny teniny koa, dia afaka mahita filazam-pankasitrahana manosika hanao zavatra isika, ka manao ny tsara isika raha mandray izany ho antsika mihitsy. Amin’ny alalan’ny famakiana sy ny fampiharana isan’andro ny Baiboly, dia ho tonga amin’ny fahazoana amin’ny fomba feno ny halalin’ny hevitr’ireto tenin’i Solomona ireto isika: “Sambatra izay olona mahita fahendrena sy izay olona mahazo fahalalana. Fa andro maro no eo an-tànany ankavanana; ary harena sy voninahitra no eo an-tànany ankavia. Làlana mahafinaritra ny làlany, ary fiadanana ny alehany rehetra. Hazon’aina ho an’izay rehetra mifikitra aminy izy; ary izay rehetra mitana azy no hatao hoe sambatra.” (Ohab. 3:13, 16-18). Ny fianarana sy ny fankatoavana ny Tenin’Andriamanitra isan’andro dia mitarika ho amin’ny fahasambarana lehibe indrindra ankehitriny, miaraka amin’ny fananana antoka ny amin’ny “andro maro” — fiainana mandrakizay ao amin’ny tontolo vaovaon’i Jehovah.
9. Fampaherezana inona no azontsika raisina avy amin’ny ohatra navelan’i Jeremia?
9 Tsy tokony hodian-tsy hita eo amin’ireo izay nankamamy sy nankato ireo Soratra ara-tsindrimandry ireo mpaminanin’Andriamanitra nahatoky. I Jeremia, ohatra, dia nahazo asa nanendrena tena sarotra. (Jer. 6:28). Izao no nolazainy: “Ny tenin’i Jehovah dia atao fanakorana sy fihomehezana ahy isan-andro”. Kanefa nohatanjahin’ny fianarany ny Tenin’Andriamanitra izy, ary raha ny marina, dia nampiasaina ny tenany mba hanoratra boky efatra ao amin’ireo Soratra ara-tsindrimandry: Mpanjaka Voalohany mbamin’ny Faharoa sy Jeremia ary Fitomaniana. Koa inona no nitranga rehefa toa namely an’i Jeremia ny fahaketrahana, sady nihevitra izy fa hitsahatra tsy hitory ny “tenin’i Jehovah”? Aoka i Jeremia mihitsy no hamaly: “Izany dia tonga toy ny afo mirehitra ato am-poko, voahidy ato amin’ny taolako; ary sasatra ny niaritra aho ka tsy mahazaka.” Voatery nanambara ny tenin’i Jehovah izy, ary tamin’ny fanaovana izany, dia nahita izy fa nomba azy “toy ny lehilahy mahery mahatahotra”, i Jehovah. Raha mianatra sy tsy mitsahatra mianatra ny Tenin’Andriamanitra isika, hany ka tonga toy ny efa tapany amintsika izy io, tahaka ny naha-toy izany azy tamin’i Jeremia, dia homba antsika toy izany koa amin’izay ny herin’i Jehovah tsy mety resy, ary ho afaka handresy izay mety ho vato misakana rehetra isika amin’ny fanohizana milaza ny fikasany momba ilay Fanjakany be voninahitra. — Jer. 20:8, 9, 11.
10. Inona no anjara asan’ny Soratra Masina teo amin’ny fiainan’i Jesosy, ary ny amin’inona no nivavahany ho an’ireo mpianany?
10 Ahoana izao ny amin’ilay modelintsika lehibe indrindra, “ilay Fiasana Lehibe sady Mpandavorary ny finoantsika, dia i Jesosy”? Moa ve izy nahafantatra tsara ireo Soratra ara-tsindrimandry tahaka ireo mpaminany sy olona nahatoky hafa rehetra teo alohany? Azo antoka fa izany no izy, araka ny asehon’ny fakan-teny maro nampiasainy sy ny fomba fiainany nifanaraka tamin’ny Soratra Masina mazava. Tamin’ny fieritreretana ny Tenin’Andriamanitra no nampisehoany ny tenany toy izao mba hanao ny sitrapon’ny Rainy tetỳ an-tany: “Inty Aho tonga — ao amin’ny horonam-boky no nanoratana Ahy — ny hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô, no sitrako; ary ny lalànao no ato anatiko.” (Heb. 12:2, NW; Sal. 40:7, 8; Heb. 10:5-7). Ny Tenin’Andriamanitra, araka izany, dia nanan-toerana lehibe tamin’ny fanamasinan’i Jehovah an’i Jesosy, na tamin’ny fanokanana azy hanompo azy. Nivavaka toy izao i Jesosy mba hohamasinina toy izany koa ireo mpanara-dia azy: “Manamasìna azy amin’ny fahamarinana; ny teninao no fahamarinana. Tahaka ny nanirahanao Ahy ho amin’izao tontolo izao no mba nanirahako azy kosa ho amin’izao tontolo izao. Ary ho an’ireto no anamasinako ny tenako, mba hanamasinan’ny fahamarinanao azy.” — Jaona 17:17-19.
11. a) Inona no nantitranterin’i Petera tamin’ireo Kristiana voahosotra momba ny Tenin’Andriamanitra? b) Nahoana no zava-dehibe koa ho an’ny vahoaka betsaka ny fianarana ny Baiboly?
11 Noho izy ireo nohamasinina tamin’ny ‘fahamarinana’, dia tsy maintsy ‘maharitra amin’ny teniny’ ireo mpanara-dia an’i Jesosy nateraka sy voahosotry ny fanahy mba ho tena mpianany tokoa. (Jaona 8:31). Araka izany, i Petera, tamin’ny fanoratana ho an’“izay efa nahazo finoana”, dia nanantitrantitra ny ilana ny fianarana sy ny fiheverana nitohy ny Tenin’Andriamanitra toy izao: “Koa hazoto mandrakariva hampahatsiaro anareo ny amin’izany zavatra izany aho, na dia efa fantatrareo aza, ka efa naorina tsara amin’ny fahamarinana izay efa eo aminareo.” (2 Pet. 1:1, 12). Ireo teny fampahatsiahivana tsy tapaka, toy izay hita amin’ny famakiana sy ny fianarana ny Tenin’Andriamanitra isan’andro, dia zava-dehibe koa ho an’izay rehetra manantena ny ho anisan’ny “vahoaka betsaka” izay hitan’i Jaona tao amin’ny fahitana, taorian’ny filazalazana momba ireo 144 000 voaisy tombo-kase avy amin’ny fokon’ny Isiraely ara-panahy. Satria, raha mitsahatra tsy mandray ny ranom-pahamarinana manome fiainana izy ireo, ahoana no ahafahan’io vahoaka betsaka io ‘tsy mitsahatra miantso amin’ny feo mahery amim-pahakingan-tsaina hoe: “Ny famonjena dia avy amin’Andriamanitsika, izay mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana, sy avy amin’ny Zanak’ondry”’? — Apok. 7:9, 10, NW; 22:17.
12. Nahoana no tsy maintsy misaintsaina tsy tapaka ny Tenin’Andriamanitra isika?
12 Tsy azontsika ialana izany! Ny fomba ahazoana ny soa lehibe indrindra avy amin’ireo Soratra ara-tsindrimandry, ny fomba ahitana famonjena ho any amin’ny fiainana mandrakizay, dia ny mianatra ireny Soratra Masina ireny sady miaina mifanaraka amin’izy ireny isan’andro eo amin’ny fiainantsika. Tsy maintsy misaintsaina tsy tapaka ny Tenin’Andriamanitra isika, amin’ny fananana fihetsika feno fankasitrahana amim-pahatsorana mitovy amin’izay nasehon’ilay mpanao salamo toy izao: “[Hahatsiaro, NW ] ny asan’i Jehovah aho, fa ta-hahatsiaro ny fahagagana nataonao fony taloha. Eny, hisaina ny asanao rehetra aho ary hihevitra ny nataonao.” (Sal. 77:11, 12). Hanentana antsika mba harisika amin’ny asa tsara dia tsara, amin’ny fanantenana ny fiainana mandrakizay, ny fisaintsainana ireo ‘fahagagana sy asa’ nataon’i Jehovah. Ny zava-kendrena amin’itỳ boky “Ny Soratra rehetra dia ara-tsindrimandrin’Andriamanitra sady mahasoa” itỳ dia ny hampaherezana izay rehetra tia ny rariny mba hahazo anjara amin’ny soa mandrakizay sy mahafa-po izay mitombo avy amin’ny fianarana sy ny fampiharana mitohy ny Tenin’Andriamanitra.
AMIN’NY “FOTOAN-TSAROTRA”
13. Miaina amin’ny “fotoan-tsarotra” inona moa isika?
13 Izao fe-potoana maoderina izao no fotoan-tsarotra indrindra eo amin’ny tantaran’olombelona. Fe-potoam-pihenjanana izy io ary mety hitrangan-javatra mahatahotra. Azo lazaina marina fa ny tena fitohizan’ny fiainan’ny taranak’olombelona no tandindomin-doza. Mety indrindra àry ireto tenin’ny apostoly Paoly ireto: “Fa aoka ho fantatrao izao, fa amin’ny andro farany dia hisy fotoan-tsarotra tsy ho mora setraina. Fa ny olona ho tia ny tenany, ho tia vola, ho mpieboebo, ho mpiavonavona, ho mpiteny ratsy, tsy hanoa ray aman-dreny, tsy hahay hankasitraka, hivadika, tsy hanana firaiketam-po voajanahary, tsy ho azo ifampiraharahana, ho mpanendrikendrika, tsy hanana fifehezan-tena, ho lozabe, tsy hanam-pitiavana izay tsara, ho mpamadika, ho mafy hatoka, hibontsina [noho ny fieboeboana], ho tia fahafinaretana fa tsy ho tia an’Andriamanitra, hanana endriky ny fifikirana amin’Andriamanitra kanefa ho hita fa handa ny heriny; ary ireo dia ialao.” — 2 Tim. 3:1-5, NW.
14. Raha jerena ny fotoana, torohevitr’i Paoly inona no tokony harahintsika?
14 Nahoana no ialana ny olona toy ireny? Satria ny lalany mampiseho tsy finoana ny fisian’Andriamanitra dia tsy maintsy hifarana tsy ho ela ao anatin’ny fandringanana! Aoka kosa isika, miaraka amin’ireo olona tso-po rehetra, hitodika any amin’ny fampianarana mahasoa hita ao amin’ireo Soratra ara-tsindrimandry, ka hanao ireny Soratra Masina ireny ho ny fototry ny fiainantsika isan’andro mihitsy. Aoka isika hanaraka ireto tenin’i Paoly ho an’i Timoty tanora ireto: “Fa hianao kosa dia mahareta amin’izay zavatra nianaranao sy nampinoana anao”. (2 Tim. 3:14). Eny, “mahareta” amin’izany, hoy i Paoly. Amin’ny fanaovana izany, isika dia tsy maintsy mamela amim-panetren-tena ny Soratra Masina hampianatra antsika, hananatra antsika, handamin-javatra ho antsika, ary hifehy antsika amin’ny rariny. Mahafantatra izay ilaintsika i Jehovah, satria ny fiheviny dia avo lavitra noho ny antsika. Amin’ny alalan’ny Soratra nomeny ara-tsindrimandry, dia milaza amintsika izay mahasoa antsika izy, hany ka afaka ny ho ampy fitaovana sy ampy fahaizana feno isika ho amin’ny asa tsara fanambarana ny anarany sy ny Fanjakany. Manome izao torohevitra miavaka izao i Paoly ao amin’ny teny manodidina milazalaza ny “fotoan-tsarotra” izay tonga “amin’ny andro farany” hoe: “Ny Soratra rehetra dia ara-tsindrimandrin’Andriamanitra sady mahasoa ho fampianarana, ho fananarana, ho fandaminan-javatra, ho fifehezana amin’ny rariny, mba hanana fahaizana feno, ho tena ampy fitaovana ho amin’ny asa tsara rehetra, ny olon’Andriamanitra.” Enga anie isika rehetra ho tafita velona amin’izao fotoan-tsarotra izao, amin’ny fanarahana io torohevitra ara-tsindrimandry io! — 2 Tim. 3:16, 17, NW; Isaia 55:8-11.
15. a) Inona no vokatry ny tsy fankatoavana? b) Fahafahana be voninahitra inona no nisokatra tamin’ny fankatoavan’i Kristy?
15 Tokony ho zava-kendrentsika ny fankatoavana ireo Soratra ara-tsindrimandry. Tamin’ny tsy fankatoavana ny teny sy ny didin’i Jehovah no nahalavo tao amin’ny fahotana sy ny fahafatesana ilay lehilahy voalohany, “ka nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana”. Koa verin’ny olona ny fahafahana izay nety ho nananany tao amin’ny paradisa tao Edena mba ‘haka koa ny hazon’aina, ary hohaniny, ka ho velona mandrakizay izy’. (Rom. 5:12; Gen. 2:17; 3:6, 22-24). Kanefa, tamin’ny fankatoavan’i Kristy sy niorina tamin’ny soron’io “Zanak’ondrin’Andriamanitra” io, i Jehovah dia hahatonga ny “onin’ny ranon’aina, manganohano tahaka ny vato krystaly” hikoriana mba ho tombontsoan’ireo olona rehetra izay nanolo-tena ho Azy tamin’ny fankatoavana. Toy izao no nahitan’ny apostoly Jaona azy tao amin’ny fahitana: “Ary teny an-daniny roa amin’ny ony nisy hazon’aina mamoa voa roa ambin’ny folo samy hafa sady mamoa isam-bolana; ary ny ravin’ny hazo dia ho fanasitranana ny firenena maro”. — Jaona 1:29; Apok. 22:1, 2; Rom 5:18, 19, NW.
16. Soa mandrakizay inona no entin’ireo Soratra ara-tsindrimandry?
16 Eto indray, ny lalana mankany amin’ny fiainana mandrakizay dia misokatra eo anatrehan’ny olombelona rehetra. Sambatra àry ireo izay manaraka ny soratra ara-tsindrimandry hoe: “Mifidiana ny fiainana, mba ho velona hianao sy ny taranakao, dia ny ho tia an’i Jehovah Andriamanitrao hianao ka hihaino ny feony sy hifikitra aminy; fa izy no fiainanao sy fahamaroan’ny andronao”. (Deot. 30:19, 20, f.a.p.). Hoderaina anie i Jehovah, ilay Andriamanitra sy Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika, izay nanao io fandaharana lehibe hanomezana fiainana io tamin’ny alalan’ny soron’ny Zanany sy amin’ny alalan’ny Fanjakany maharitra mandrakizay. Toy inona moa ny halehiben’ny fifaliantsika sy ny fankasitrahantsika fa azontsika atao ny mamaky sady mamerina mamaky sy mianatra sady mamerina mianatra ary misaintsaina ireny fahamarinana sarobidy ireny, satria tokoa “ny Soratra rehetra dia ara-tsindrimandrin’Andriamanitra sady mahasoa”, ka mitarika ho any amin’ny fiainana mandrakizay, na any an-danitra na eo amin’ny tany tonga paradisa. (Jaona 17:3; Efes. 1:9-11). Amin’izay, ny zava-drehetra dia ho ‘fahamasinana ho an’i Jehovah’. — Zak. 14:20, NW; Apok. 4:8.
[Fanontaniana]