Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Afaka miantoka fiadanana sy filaminana maharitra ve ny olombelona

Afaka miantoka fiadanana sy filaminana maharitra ve ny olombelona

Toko Faha-2

Afaka miantoka fiadanana sy filaminana maharitra ve ny olombelona

1. Nahoana moa no zava-dehibe ny hanorenana ny fanantenantsika fiadanana sy filaminana amin’ny zavatra tena misy sy ny fahamarinana?

 NY TENA fanantenana dia miorina amin’ny zavatra tena izy sy ny fahamarinana. Manafina fotsiny ny tena fanantenana sy mamitaka ny olona ny fanantenana sandoka. Amin’ny fotoan-tsarotra toy izay diavintsika ankehitriny, dia mety hamoizantsika ny aina ny fanantenana tsinontsinona.

2, 3. a) Inona avy moa no fanontaniana tokony hapetratsika amin’ny tenantsika, mikasika ny zava-manahirana ny amin’ny fiadanana sy filaminana? b) Inona moa no fanontaniana hafa koa mipetraka amin’ireo izay milaza ho mino an’Andriamanitra?

2 Tokony hanontany tena toy izao àry isika: Takatsika mazava ve ny halehiben’ny zava-manahirana tsy maintsy alamina mba hiantoka ny tena fiadanana sy filaminana? Tsapantsika ve ny haratsin’ny tarehin-javatra? Inona no porofo ananantsika fa hisy vokany eo amin’ny tarehin-javatra ny fanafodiny atolotry ny olombelona?

3 Ankoatr’izany, moa ve isika sady afaka mametraka ny fanantenantsika amin’Andriamanitra no mametraka izany amin’ireo filoha eo amin’izao tontolo izao? Ny sasany tsy mahita hotoherina amin’izany mihitsy. Mihevitra izy ireny fa ny fiezahan’olombelona ho amin’ny fanorenana fiadanana maharitra dia tohanan’Andriamanitra. Nefa moa ve marina izany? Koa satria lehibe tokoa ny loka, dia tsara ny handinihantsika ny zava-misy.

MANOSIKA NY OLONA HANAO ZAVATRA NY FAHARATSIAN’NY TAREHIN-JAVATRA SY NY TAHOTRA

4-6. Tonga amin’ny fanatsoahan-kevitra hoe ahoana moa ireo mpitondra eo amin’izao tontolo izao, mikasika ny halehiben’ny zava-manahirana tsy maintsy alamin’ny olombelona?

4 Very maina foana ny fitadiavan’ny olona hanorina fiadanana sy filaminana maharitra, hatramin’ny an’arivo taonany maro. Misy tarehin-javatra vaovao mitombo anefa amin’izao andro izao, hany ka betsaka ny olona mino fa afaka misetra ny zava-manahirana sy mandamina azy ny olombelona. Inona moa izany tarehin-javatra vaovao izany?

5 Izany dia avy amin’ny fiaiken’ireo mpitondra eo amin’izao tontolo izao voalohany fa tsy maintsy misafidy izy, na ny fandriampahalemana maneran-tany, na ny famonoan-tena maneran-tany. Eken’izy ireny fa hitondra fandringanana aoka izany ny ady noklehera haneran-tany iray, ka tsy hisy handresy; ho resy daholo ny rehetra. Afa-tsy izany dia mihevitra ny manam-pahaizana marobe fa tandindomin-doza mbola lehibe kokoa ihany izao tontolo izao noho ny fitaran’ny fandotoana sy ny “fihoaran’ny isam-bahoaka” miteraka fitaran’ny mosary, ny areti-mifindra ary ny fikorontanana ara-tsosialy. Araka ny filazan’izy ireny dia izao indrindra no fotoana tokony hanombohan’ireo firenena hiara-mientana raha tiany ny hisoroka loza aman’antambo haneran-tany. Izao no nambaran’ny filazana iray navoaka tany Washington:

 “Tsitapitapitr’izay, tany amin’ny tany maro tsy nisy fitovian-kevitra, — Etazonia, Grande-Bretagne, Frantsa, Alemaina, Italia, Soeda, Tsekoslovakia, Firaisana sovietika, India, Japon, — dia nisy olona to-teny nanjary nahatsapa ny loza mananontanona tsy mbola nisy toy izany teo amin’ny tantaran’olombelona rehetra. Ireo mpanombantombana dia miresaka ny amin’izany ho toy ny fahasahiranana tsy misy toy izany, ho fara tampon’ny fahadisoan-kevitry ny olombelona tsy manam-pahataperana.” — Washington Post.  2

6 Sady mieritreritra ireny manam-pahaizana ireny fa mety ho mbola velona ihany ny olombelona amin’ny anankiray monja amin’ireny fahasahiranana ireny no manaiky fa tsy hitohy ny fahavelomany raha toa ireny zava-manahirana rehetra ireny, na ny maromaro aminy fotsiny aza ka miara-mitranga. Tokony ho fantatra anefa raha toa ny tahotra ny loza aman’antambo toy izany ka hampiala ny olombelona amin’ny fisaratsarahana sy ny ady, ary hitondra azy ao amin’ny lalan’ny tena fandriampahalemana sy filaminana.

HAHOMBY VE NY OLOMBELONA AMIN’NY FAMORONANA IZAO TONTOLO IZAO TSY HISY ADY?

7-11. a) Inona moa no ahariharin’ireo pejin’ny tantara raha ny amin’ny fahefan’ny olona hamarana ny ady? b) Moa ve fanorenana mafy ho an’ny fandriampahalemana ny tahotra ny ady ataomika? d) Mety hiantoka ny fandriampahalemana maharitra ve ny fifanarahana hampihena ny fitaovam-piadiana sy ny fanekem-pihavanana?

7 Misy antony tsara tokony hinoana ve fa ho afaka hamarana ny ady ny olona amin’ny farany? Inona no ahariharin’ny pejin’ny tantara amintsika?

8 Marina fa ny planeta Tany onenantsika dia tsy nisy ady nandritra ny taona vitsivitsy, nefa tsy maro akory izy ireny. Araka ny fanisana nataon’ilay mpandahatra tantaran’ady atao hoe Hanson Baldwin, tao anatin’ireo 3 457 taona nisian’ny tantara voasoratra, dia nisy 3 230 taona mahery nisy ady ary 227 taona monja no nisy fandriampahalemana 3.

9 Nefa moa ve ny fifampahatahorana amin’ny ady ataomika iray tsy nanova ny tarehin-javatra? Aza hadinoina fa nianatra natahotra ny fiadiana noklehera ny olombelona, efa maherin’ny ampahefatry ny taonjato izao, rehefa ravan’ny baomba ataomika ny tanàna japone roa. Nefa hatramin’izay, inona no vokatr’io tahotra io teo amin’ny olona? Izany dia nanosika azy ireo hanao tahiry bebe kokoa ihany amin’ny fitaovam-piadiana toy izany, na hamorona hafa koa aza, faran’izay hitondra fandravana kokoa.

10 Tsy heverinao ve fa tsy miantoka velively ny tena fandriampahalemana ny fahatahorana ny famelezan’ny hafa fa vao mainka aza mampitombo ny fiahiahiana sy ny fahadisadisana? Raha mihavana amin’ny mpiara-monina aminao ianao noho ny fahafantaranao fotsiny fa mitana fiadiana izy ary vonona ny hampiasa azy, moa ve izany azo lazaina ho tena fihavanana? Hahatsiaro tsy hanana ahiahy ve ianao raha mbola monina eo akaiky eo ihany io mpifanila trano io? Ny ahiahy toy izany dia mety hiteraka mora foana, fanaovan-javatra tampoka, tsy voahevitra sy mahery vaika. Azo antoka fa tsy fanorenana mafy ho an’ny fandriampahalemana maharitra ny “fifandanjan’ny tahotra” tratran’ireo filoha eo amin’izao tontolo izao.

11 Marina fa ireo solon-tenam-pirenena dia manao sonia fifanarahana mikasika ny fampihenana ny fitaovam-piadiana sy fanekem-pihavanana. Taratasy an’arivony maro toy izany no nosoniavina tao anatin’ny taonjato maro. Nefa raha vao ampy hery ny fitiavana ady, dia tsy nisy vidiny toy ny poti-taratasy ireny fanekena ireny. Fiheverana ny zavatra tena misy ve ny hieritreretana fa hoe hitana ny teny nataony ireo mpitondra ankehitriny raha vao tafiditra ny tombontsoany manokana na ny an’ireo fireneny? Ny mbola zava-dehibe kokoa, moa ve ianao vonona ny hanorina ny fanantenanao hiaina ao amin’ny fiadanana sy filaminana amin’ny fampanantenan’olona toy izany?

12, 13. a) Mikasika ny fiezahan’olombelona mba hanorina fandriampahalemana maharitra, moa ve ireo faminanian’ny Baiboly mifanitsy amin’ny zavatra tena misy? b) Araka ny filazan’ny Baiboly, inona moa no tena antony miteraka ady?

12 Ahoana ny amin’ny Baiboly? Moa ve izy mamporisika antsika hametraka ny fanantenana sy ny fitokisantsika amin’ny fiezahan’olombelona hitondra fandriampahalemana, na dia ao aza ny porofo rehetra fa tsy afaka manafoana ny ady ny olona? Ambarany hatramin’ny elabe kosa aza fa tsy ho afaka hanorina fandriampahalemana maharitra na oviana na oviana ny olombelona irery. Nolazainy mialoha fa na dia mandritra ny fe-potoana hialoha avy hatrany ny fandringanan’ny Fanjakan’Andriamanitra ny mponina rehetra amin’ny tany tsy tena tia ny rariny aza, dia hisy “ady” sy “tabataba”, “firenena (...) hamely firenena, ary fanjakana (...) hamely fanjakana” ao amin’ny ady hanerantany (Lioka 21:9, 10, 31; Apokalypsy 6:1-4). Ny famonoana olona lehibe indrindra teo amin’ny tantaran’olombelona dia natao tao anatin’izao taranaka misy antsika izao, tamin’ny alalan’ny ady lehibe roa. Ary hatramin’ny nahavitan’ny Ady Lehibe Faharoa, dia nisy ady na fikomiana mahery vaika maherin’ny telonjato izany hoe iray isam-bolana, raha atao ara-keviny! Mifanitsy amin’ny zavatra tena misy ireo faminanian’ny Baiboly. Tsy manome antsika fanantenana sandoka io boky io.

13 Ampahafantarin’ny Baiboly koa ny tena anton’ny zava-manahirana. Asehony fa tsy ny bala, ny baomba na ny sambo mpiady mifono vy no miteraka ady, fa ny olombelona, ny fitiavan-tenan’olombelona (Jakoba 4:1-3). Mba hahazoana antoka ny amin’ny fandriampahalemana maharitra, dia ilaina aloha ny hanovana ny toe-tsain’ny olona maneran-tany. Nefa, raha tsaraina amin’izay hitan’ny olombelona tao anatin’ny taonjato maro, hilaza ve ianao fa azo inoana ny fiovana toy izany? Ahoana ny amin’ny taranaka ankehitriny? Azo atao ve ny milaza fa akaiky ny fiovana toy izany, fa hatraiza hatraiza ny olona dia miala amin’ny fitiavan-tenany, ny fisaratsaraham-pireneny, ny fankahalany ara-pirazanana ary ny fitiavany tombony fatratra amin’ny varotra? Ny mifanohitra lavitra amin’izany aza no hita! Marina ny lazain’ny Baiboly amin’ny fanambarana fa raha ho fanatanterahana ny fikasany feno fitiavan-tena fotsiny no ikatsahan’ny olona ny fiadanana, dia tsy hahomby na oviana na oviana izy. — Isaia 57:19-21; 59:7, 8.

HO AFAKA HISAKANA NY “FIHOARAN’NY ISAM-BAHOAKA” VE NY OLOMBELONA?

14-17. a) Moa ve mitombo ny isan’ny mponina eo amin’izao tontolo izao, ary moa ve zava-manahirana ny amin’ny sakafo? b) Raha ny amin’ny fanafodiny, inona moa no lazain’ireo manam-pahaizana?

14 Nahatratra voalohany ny arivo tapitrisa ny isan’ny mponina amin’ny tany teo amin’ny voalohandohan’ny taonjato fahasivy ambin’ny folo. Tamin’ny 1930 izy dia nahatratra roa arivo tapitrisa. Amin’izao fotoana izao ny tany dia ahitana mponina maherin’ny 3 600 tapitrisa, ary araka ny fanombanana, io isa io dia hihoatra ny enina arivo tapitrisa ao anatin’ny telopolo taona ho avy! Inona no holazaina ny amin’izany?

15 Milaza izany fa isan’andro dia mitombo 200 000 ny vava hofahanana, ka ny ankamaroany dia any amin’ny faritra ahitana olona an-tapitrisany maro efa mijaly noho ny fahantrana, ny hanoanana sy ny aretina. Mikasika izany dia nanambara toy izao Georg Borgstrom, mpampianatra momba ny fambolena ao amin’ny oniversite any Michigan:

 “Izay rehetra mihevitra fa hisava ho azy izao tsy fahampian’ny “protéines”maneran-tany izao, dia tokony hitadidy izao zava-misy izao: Mitombo haingana kokoa avy roa heny ireo noana eo amin’izao tontolo izao tsy toy ny olona tsara sakafo 4.”

16 Nefa moa ve ireo manam-pahaizana momba ny fambolena tsy nahita karazam-bary, varimbazaha sy katsaka vaovao mamokatra be dia be, mitondra izay nantsoina hoe “fanovana maitso”? Marina izany, nefa moa ve handamina ny zava-manahirana momba ny hanoanana eo amin’izao tontolo izao izany? Manam-pahaizana mihamaro hatrany no mamaly hoe tsia. Marobe amin’izy ireny aza no milaza fa ireo karazam-boa vaovao dia mety hiteraka mosary. Ahoana izany? Tamin’ny 1971 ny filazam-baovaon’ny Associated Press dia nanambara toy izao:

 “Tsy mahatohitra ny aretina sahala amin’ireo karazana tranainy kokoa ihany ny voa vaovao metisy. Ny vokatra ao amin’ny tany iray manontolo, — na maneran-tany mihitsy aza, — dia mety ho simban’ny aretim-baovao iray. Saika nitranga izany tamin’ny taona lasa tany Etazonia, tamin’ny katsaka 5.”

17 Raha ny marina, ireo manam-pahaizana mihitsy aza dia matetika no miaiky fa tsy mahita fanafodin’io zava-manahirana io. Nanambara toy izao mikasika izany ny manam-pahaizana mpandinika ny zava-manana aina fanta-daza iray:

 “Misy mihevitra fa efa tsy nahazoana fandresena ny ady natao ho famelomana ny mponina eo amin’izao tontolo izao ary tsy maintsy hisy mosary maneran-tany mandra-pahatongan’ny 1985, ary olona an-jato tapitrisany maro no ho fatin’ny hanoanana. Voatery miaiky aho fa amin’izao ora izao dia tsy hitako mihitsy izay fandaharana lehibe mitana ny toerana voalohany mahatonga ahy ho afaka tsy hanaiky an’io fanatsoahan-kevitra io 6.”

18-21. a) Nanambara ny amin’izany tarehin-javatra izany ve ny Baiboly? b) Moa ve handamina ny zava-manahirana ny fihenan’ny fandaniana ara-tafika? d) Nahoana moa no nitombo izany tarehin-javatra ratsy izany?

18 Na dia ao aza ny fahaizany momba ny fambolena rehetra, dia tsy afaka nisoroka ny toe-javatra voalazan’ny Baiboly mialoha ny fitambaran’olona amin’ny andro ankehitriny. Nambaran’ny Baiboly tamin’ny fomba hentitra fa hisy tsy fahampian-kanina lehibe mandritra ny “fifaranan’ny fandehan-javatra”. — Matio 24:3, 7; Apokalypsy 6:5-8.

19 Ny mahatonga an’io zava-manahirana io indrindra dia tsy ny fomba fambolena, fa ny olona ihany izay manao zavatra mifanohitra amin’ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly. Hatramin’ny am-polo taonany maro ireo firenena dia mandany vola tsy toko tsy forohana hananana fitaovam-piadiana, nefa olona an-tapitrisany maro saika hatraiza hatraiza maneran-tany no mila ho faty noana. Ny rapaoron’ny O.N.U. dia mampiharihary fa tao anatin’ireo taona faramparany ireo firenena dia nandany 2 tapitrisa tapitrisa dolâra isan-taona amin’ny herin’ny tafiny. Io vola io dia mihoatra noho ny tontalin’ny vola miditra isan-taona amin’ny ampahatelon’ny mponina amin’ny tany!

20 Na dia ho azo ialana aza izany fandaniana ara-tafika tsy toko tsy forohana izany, dia mbola tsy ho voalamina ihany ny zava-manahirana, noho ny fisaratsarahana misy eo anivon’ny fandaharana ara-toe-karena eo amin’izao tontolo izao. Na dia rehefa misy zava-pihinana azo ampiasaina aza, ny faniriana hahazo tombony be dia matetika misakana ireo mpanao raharaham-barotra lehibe tsy handefa izany any amin’ireo mila azy. Any amin’ny tany sasany ny fitondram-panjakana dia manakarama an’ireo mpamboly mba tsy hamboly zavatra sasany, ary indraindray dia simbana mihitsy aza ny vokatra raha mety hampihena ny vidiny ny fahabetsahany loatra.

21 Endrey ny fahasamihafan’izany rehetra izany amin’ireo fotopoto-pitsipika voambara ao amin’ny Baiboly, izay mamporisika ny mpamaky azy haneho fitiavana ny mahantra (Deoteronomia 24:19-21)! Tamin’ny fitiavan-tena no nanorenan’ny olona ny fandaharany ara-toe-karena, hany ka tsy nanohana ny fandriampahalemana sy ny filaminana izy ireny, fa namorona tarehin-javatra mety hisy vokany mahatsiravina. Na ela na haingana, dia ‘mijinja izay nafafiny’ ny olona, araka ny nilazan’ny Baiboly azy. — Galatiana 6:7.

AFAKA NY HIHAVANA AMIN’NY TANY VE NY OLONA?

22-25. a) Lehibe ve ny zava-manahirana ny amin’ny fandotoana? b) Na dia mitodika any amin’ny siansa ataon’ny olombelona aza ny olona sasany mba hahitana ny fanafodiny, inona moa no lazain’ireo manam-pahaizana mihitsy?

22 Hatramin’ny taona maro ny olona dia miady amin’ny planeta onenany. Ahoana izany? Amin’ny fandotoana maneran-tany. Ny potipoti-javatra misy poizina avy amin’ny fanaovan-taozavatra dia nandoto ny rano sotrointsika, ny rivotra fohintsika sy ny sakafo hanintsika. Amin’izany ny olona dia mahatandindomin-doza ny zavatra tena lehibe iankinan’ny ainy.

23 Ireo izay miantehitra amin’ny olombelona mba hiantoka ny fiadanana sy ny filaminana dia milaza fa hahita fomba mbola hahavelona ihany amin’izao fahasahiranana izao izy, toy ny tamin’ny lasa. Heveriny fa hanome ny fanafodiny ny siansa avy amin’ny olombelona.

24 Aoka anefa homarihintsika indray mandeha indray fa ny fisalasalana lehibe indrindra mikasika izany dia lazain’ny tenan’ny manam-pahaizana mihitsy. Vakio izao manaraka izao:

 “Nanambara vao haingana ny Dr William McElroy, tonian’ny Fanorenam-pirenena amin’ny Siansa, fa ny fandraisana avy hatrany ny loza mananontanona entin’ny fandotoana dia ny filazana fa nitohy ny fahaveloman’ny olona tamin’ny loza hafa, ka mbola hitohy ihany ny fahavelomany na dia ao aza ny fandotoana. Mampalahelo anefa fa ‘tsy mifanaraka velively amin’ny zava-misy izany fiheverana izany. Ny fahamarinana madio sy tsotra dia ny hoe tsy azo antoka velively ny fitohizan’ny fahaveloman’ny olombelona ao anatin’ny fitambaran’olona azo ekena. (...) Tena mety hisy ny fandringanan-tena amin’ny fiharatsian’ny toerana manodidina’.” — Atlanta Journal 7.

25 Afaka mamorona sy mamoaka fitambarana milina ny olona, ka mamorona fikambanana fanaovan-taozavatra amin’izany. Nefa manimba ny toerana misy ny tenany izy amin’ny fampiasany an’ireny milina ireny. Nilaza toy izao ny manam-pahaizana iray amin’io zavatra io, dia ny Dr René Dubos:

 “Araka ny hevitro, dia tsy misy mihitsy fanampoizana ny handaminana ny zava-manahirana ny amin’ny fandotoana, na ny zava-manahirana hafa mahatandindomin-doza ny fiainan’olombelona, — raha ekentsika ny hevitra hoe tokony hanapaka ny ho avintsika ny fahaizana taozavatra 8.”

26-28. a) Moa ve ny Baiboly efa nanambara mialoha ny amin’ny tarehin-javatra sarotra manjaka eto an-tany amin’izao fotoana izao? b) Inona moa no tena antony miteraka ny zava-manahirana ny amin’ny fandotoana? d) Raha ny amin’ny zava-manahirana mikasika ny fandotoana, inona moa no fahalalana tena ilaina tsy ananan’ireo manam-pahaizana, fa iza kosa no manana azy?

26 Eo koa ny Baiboly dia nanambara fa tsy ho ampy fahendrena ny olombelona eo amin’ny fampiasany ireo vokatry ny tany. Ny faminanian’ny Fanambarana na Apokalypsy 11:18 dia miresaka ny amin’ny fotoana tsy maintsy hanaovan’i Jehovah zavatra mba ‘hanimbany izay manimba ny tany’.

27 Asehon’ny Baiboly indray koa ny tena anton’ny zava-manahirana ny amin’ny fandotoana. Moa ve ny fanaovan-taozavatra sy ny milina no mahatonga izany? Tsia, tsy izany no antony voalohany. Ny olona indrindra no miteraka fandotoana. Manao izany izy noho ny fitiavan-karena fatratra na noho ny tsy fahalalana, na noho ireo antony roa ireo miaraka. Namorona ny fandaharana ara-toe-karena ankehitriny araka ny faniriany izy, nefa tsapany izao fa ireny fandaharana ireny dia manimba izay ilainy mba hifaliana amin’ny fiainana.

28 Marina fa amin’izao andro izao ny olona dia miresaka be dia be ny amin’ny “écologie” (fandinihana ny toerana sy ny fifandraisana amin’ny zava-manana aina iankinan’ny aina) mbamin’ny zava-manahirana ny amin’ny toerana manodidina. Nefa tsy fantatr’ireo manam-pahaizana tanteraka ny fandaharana mikasika ny tany araka ny “écologie”. Nanoratra toy izao mikasika izany ny revio Time:

 “Na dia ny tsotra indrindra aminy aza [amin’ny fandaharana “écologiques”] dia be kojakojany aoka izany, hany ka tsy ho afaka hanambara ny zava-miafina rehetra aminy na dia ny “ordinateurs” lehibe indrindra aza 9.”

 Miharihary tokoa fa tsy fantatry ny olona ny fisian’ny zavatra maro loha amin’ny toerana misy azy eto an-tany. Mahafantatra an’io toerana io anefa Andriamanitra, satria izy no namorona azy. Moa ve tsy fanehoana fahendrena miseho amin’ny atao ny fitodihana any amin’ny Mpamorona mba hahitana ny fanafodin’ireny zava-manahirana ireny?

NY FILAMINANA AMIN’NY FANAFOANANA NY HELOKA BEVAVA

29-31. a) Lehibe ve ny zava-manahirana ny amin’ny fanaovana heloka bevava? b) Nahoana moa no tsy ampy ny famoahana lalàna vaovao mba hanafoanana ny fanaovana heloka bevava? d) Inona moa no mampiseho fa tsy hahalamina ny zava-manahirana akory ny fananana harena ara-nofo?

29 Na dia mahatandindomin-doza ny zavatra tena ilaina amin’ny fahaveloman’ny olombelona aza ny fandotoana, dia ny fitomboan’ny fanaovana heloka bevava no mampahatahotra ny ankamaroan’ny olona. Mihamanaisotra amin’ny olona ny tsy fananana ahiahy manokana ireo mpanao ratsy ao an-tanàn-dehibe, ary na dia any amin’ny vohitra sy ambanivohitra aza. Tsy ny fananantsika ihany no tandindomin-doza, fa toy izany koa matetika ny tenantsika. Moa ve ny olona afaka miaro antsika amin’ny loza toy izany?

30 Hahavita izany amin’ny lalàna vaovao ve izy? Efa misy lalàna an-jatony maro, na an’arivony maro akory aza, nefa izy ireny tsy nahasakana ny fitomboan’ny fanaovana heloka bevava. Etsy andaniny koa, ny fandraisana kolikoly dia mitombo matetika eo amin’ireo tokony hampanaja ny lalàna. Na dia miseho ho marina toy inona aza ny polisy, dia foana ny fiezahany rehetra raha tsy marina ireo lehibeny. Na ahoana na ahoana, dia tsy azo atao ny mampiditra ny fahamarinana ao am-pon’ny olona amin’ny famoahana lalàna.

31 Moa ve ny fanafodiny dia ny fitadiavana fomba vaovao fikarohana ny meloka sy fisakanana ny heloka bevava? Isaky ny fomba vaovao ampiasaina, dia hahita fomba vaovao hanoherana mafy azy ireo mpanao heloka bevava. Moa àry ve ho voalamina ny zava-manahirana rehefa mitombo ny haren’ny ankapoben’olona sy amin’ny “fotoam-piadanana” ampanantenain’ireo mpitondra? Ho fahadisoana ny hiheverana fa mampiavaka ny mahantra ny fanaovana heloka bevava. Ho ohatra dia aoka horaisintsika izao fitantarana manaraka izao:

 “Nitombo avo tamin’ny fomba mahazendana ny isan’ny fanaovana heloka bevava tany Aostralia, vitan’ireo mpanao raharaham-barotra lehibe sy ireo mpanao asa ara-tsaina, tato anatin’ny roa na telo taona farany.” — The Australian 10.

 Toy izany koa, ny New York Times dia nanambara fa “fanao matetika” ny halatra ao amin’ny Wall Street, foiben’ny vola any New York, ka nanampy teny koa izy hoe: “Mangalatra daholo ny olona rehetra: ny ankizilahy ao amin’ny birao, ny mpanampy ny mpivarotra, ary na dia ny mpifehy aza 11.” Ahariharin’ny zava-misy fa betsaka kokoa ny fanaovana heloka bevava any amin’ireo tany manan-karena be fanaovan-taozavatra. Ankoatr’izany, dia tsy tokony hohadinoina ny fitomboan’ny fampiasana fanafody mahankona.

32. Tanteraka ve ireo faminanian’ny Baiboly mikasika izany?

32 Ny mitranga amin’izao fotoana izao dia mifanitsy amin’ny faminanian’ny Baiboly, izay manambara toy izao, ankoatry ny zavatra hafa: “Any am-parany any dia hisy andro mahory. Fa ny olona ho tia tena, (...) tsy mahonom-po, lozabe, tsy tia ny tsara, (...) tia ny fahafinaretana mihoatra noho ny fitiavany an’Andriamanitra.” (II Timoty 3:1-4). Tsara indrindra ny manamarika fa, araka ny voalazan’io faminaniana io, ireo toe-javatra ireo dia hisy eo amin’ny olona mihambo ho mino an’Andriamanitra, nefa mandà azy amin’ny fitondrantenany (andininy faha-5). Ary anefa, moa ve tsy marina fa amin’izao andro izao dia ireo firenena ao anatin’ny fivavahana lazaina fa kristiana indrindra no voakasiky ny fanaovana heloka bevava mbamin’ny loza ara-tsosialy hafa koa? Nambaran’i Jesosy koa ny amin’ny “haben’ny tsy fankatoavan-dalàna” mandritra ny fe-potoana mialoha ny fandringanana ny ratsy fanahy sy ny fanafahana “ny malemy fanahy (...) handova ny tany”. Vavolombelona mahita maso ny “haben’ny tsy fankatoavan-dalàna” isika. — Matio 24:12; 5:.

IREO ZAVA-MANAHIRANA LEHIBE INDRINDRA

33-38. a) Na dia afaka nandamina izany zava-manahirana rehetra izany aza ny olombelona, inona moa ireo fahavalon’ny fiadanana sy ny filaminana lehibe kokoa mbola tsy maintsy resena? b) Inona moa no fanantenan’ireo mpahay siansa raha ny amin’ny hahitana haingana ny fanafodin’ireo aretina lehibe mampahory ny olombelona?

33 Na dia ho afaka handamina an’ireo zava-manahirana mikasika ny ady, ny fahantrana, ny hanoanana, ny fandotoana, ny fanaovana heloka bevava sy ny fampiasana fanafody mahankona aza ny olombelona, moa ve izany hitondra tanteraka ho anao ny fiadanana sy ny filaminana? Tsia, satria mbola hisy zavatra tsy ho ampy aminao ihany. Mbola hahatandindomin-doza ny tsy fanananao ahiahy ihany ny aretina sy ny fahafatesana. Inona tokoa moa no hilana ny fanafodin’ireny zava-manahirana hafa rehetra ireny raha toa mbola hahita mpianakavy tiana iray marary na maty ihany, na raha mbola ho voan’ny aretina mahafaty ihany ny tenanao?

34 Tao anatin’izao taona faramparany izao ny siansa ara-pitsaboana dia nahavita fandrosoana mahagaga. Nefa moa ve izy tena mitondra tsy fananana ahiahy ho antsika tokoa? Inona no ambaran’ireo anisan’ny fikambanana ara-pitsaboana?

35 Eo ambanin’ny lohateny hoe “Tsy mahomby ny siansa eo amin’ny ady atao amin’ny aretina any amin’ny tany mahantra”, ny fitantarana iray navoaka tao amin’ny Wall Street Journal 12 dia mampiharihary fa amin’izao andro izao ny aretina telo (ny tazo, ny trachome [karazana areti-maso] sy ny bilharziose) dia mahavoa olona 800 tapitrisa any amin’ireny tany ireny. Ankoatr’izany, lazain’ny rapaoro ara-pitsaboana fa tsy mitsahatra mitombo ny olona voan’ireo aretina ireo. Araka izany, ireo aretina telo ireo monja dia nahavoa efa ho ny ampahefatry ny mponina eran-tany.

36 Ahoana ny amin’ireo firenena manan-karena kokoa? Any, dia ny aretim-po no miteraka fahafatesana be indrindra. Tamin’ny kongresy iray natao vao haingana, araka ny foto-kevitra hoe “Ny hanoanana sy ny faharatsian-tsakafo”, dia nolazaina fa “mahazo ny besinimaro” ny aretim-po. Any Kanada izy dia mamely olon-dehibe iray amin’ny efatra. Any Etazonia dia maherin’ny 50 isan-jato amin’ny fahafatesana isan-taona no ateraky ny aretim-po, ka mihakely hatrany ny taonan’ireo voa. Nefa, araka ny lahatsoratra iray navoaka tao amin’ny New York Times, “ny Dr Moses, anisan’ny Fikambanana amerikana momba ny fandinihana ny fo sy ny aretina mpahazo azy, dia nanambara fa miaiky ny amin’ny tsy fahaizany ‘manaisotra’ ny aretim-po ireo mpitsabo 13.”

37 Tsy mitsahatra mitombo ny isan’ny voan’ny aretina mahatsiravina hafa iray koa, dia ny “cancer” na homamiadana. Inona no fanantenana hahita ny fanafodiny? Izao no nambaran’Andriamatoa Harry Grundfest, mpampianatra momba ny fandidiana ao amin’ny Oniversite any Columbia: “Raha ny amin’ny tena toetoetry ny zava-manahirana momba ny “cancer”, dia tsy manana afa-tsy famantarana maizimaizina izahay, — tsy resahina intsony ny amin’ny fanafodiny 14.”

38 Na dia ireo mpanao siansa mijery ny lafitsaran-javatra indrindra aza dia miaiky fa tsy misy fanantenana firy ny hahitana ao anatin’ny taranaka misy antsika, ny fanafodin’ny aretim-po, ny “cancer”, ny tazo, mbamin’ny aretina mahafaty hafa. Na dia ho marina aza ny mifanohitra amin’izany dia tsy hanalava firy ny fiainan’ny ankamaroan’olona. Mbola hihantitra sy ho faty ihany izy. Raha izany no izy, inona no fanantenana azon’ny olona atolotra mba hiarovana antsika amin’ny aretina, ny fahanterana sy ny fahafatesana?

39. Aiza moa no mety hahafantarantsika ny antony mahatonga ny fiainan’olombelona ho fohy toy izao?

39 Marina loatra ireto teny manaraka notsoahina avy ao amin’ny Baiboly ireto, na dia nosoratana efa an’arivo taonany maro lasa aza izay (Joba 14:1, 2): “Ny olona tera-behivavy dia vitsy andro sady vontom-pahoriana. Mitsimoka tahaka ny voninkazo izy ka jinjana, ary mihelina tahaka ny aloka izy ka tsy mitoetra.” Manazava ny antony koa ny Baiboly, amin’ny fampahafantarana ny fototra lehibe indrindra sy tsy hita maso miteraka ny zava-manahirana ny olombelona rehetra. Izany dia ho hitantsika any aoriana.

AIZA NO HAMETRAHANAO NY FANANTENANAO?

40, 41. Araka ny hevitrao, inona moa no fanantenana misy fiheverana ny zavatra tena misy tokoa, ny fanantenana hahita ny olona hahalamina izany zava-manahirana rehetra izany, sa ny fanantenana ny hahita an’Andriamanitra hahalamina azy? Nahoana?

40 Raha tsorina, moa ve ho fiheverana ny zavatra tena misy ny hianteherana amin’ireo mpitondra eo amin’izao tontolo izao na amin’ny olon-kafa mba handaminana ireo zava-manahirana ny olombelona? Moa ve tsy ho fiheverana ny zavatra tena misy kokoa ny hanekena ny fanafodiny omen’ny Baiboly, dia ny fandraisan’Andriamanitra anjara amin’ny alalan’ny fitondram-panjakana iray any an-danitra sy araka ny rariny? Nanoratra toy izao fahiny ny mpanao salamo nahazo tsindrimandry:

 “Aza matoky ny lehibe, na ny zanak’olombelona izay tsy mahavonjy. Miala ny fofonainy, ka miverina amin’ny taniny izy; ary amin’izay indrindra no hahafoanan’ny fikasany. Sambatra izay manana an’Andriamanitr’i Jakoba ho Mpanampy azy sady manantena an’i Jehovah Andriamaniny, Izay nanao ny lanitra sy ny tany, ny ranomasina sy izay rehetra ao anatiny.” — Salamo 146:3-6.

41 Aza hadinoina na oviana na oviana fa na toy inona na toy inona fahatsorana, hery sy tanjak’ireo filoha eo amin’izao tontolo izao, izy rehetra dia samy olona mety maty. Izy aza tsy afaka mamonjy tena, ka ahoana no hahafahany hamonjy olon-kafa?

[Fanontaniana]