Ahoana no fiheveranao ny amin’ny lahy sy ny vavy?
Toko Faha-13
Ahoana no fiheveranao ny amin’ny lahy sy ny vavy?
1-3. a) Ahoana no ampisehoan’ny Baiboly, fa ankasitrahan’Andriamanitra ny firaisan’ny mpivady? b) Ho tsara ve ny hampiasana amin’ny fomba mihoa-pampana ny mahalahy na mahavavy?
MIHEVITRA ny olona sasany fa tsy ankasitrahan’ny Baiboly izay rehetra mikasika ny lahy sy ny vavy. Miharihary fa tsy izany no izy. Rehefa avy nitantara ny amin’ny namoronan’Andriamanitra ny lehilahy voalohany ny Baiboly dia nanampy teny toy izao: “Ary Andriamanitra nitso-drano azy hoe: Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany.” — Genesisy 1:27, 28.
2 Ankasitrahan’Andriamanitra àry ny firaisan’ny lahy sy ny vavy. Nefa tsy misy fepetra mihitsy ve amin’izany? Raha izany no fiheverantsika, moa ve isika handray fifaliana lalina avy amin’ny fiainana? Moa ve izany hitondra ho antsika sy ireo manodidina antsika, ny tena fiadanana sy filaminana?
3 Sahala amin’ny faritra hafa rehetra amin’ny tena, ny mahalahy sy ny mahavavy dia mety hampiasaina amin’ny fomba ratsy. Mahafinaritra sy tena ilaina ny mihinana; mety hanimba ny fahasalamana sy hanafohy ny androm-piainana anefa ny hatendan-kanina. Tena ilaina koa ny torimaso; nefa ny torimaso tafahoatra dia misakana tsy hanana fiainana feno faharisihana ary mety hampahaosa ny tena mihitsy aza. Tsy misy hafa amin’ny hatendan-kanina, ny fimamoana sy ny hakamoana, ny fampiasana mihoa-pampana ny mahalahy na mahavavy dia tsy mitondra ny tena fahasambarana. Izany no asehon’ny fanandramana nataon’ny olona tao anatin’ny an’arivo taonany maro. Moa ve isika tsy maintsy mandalo amin’ny fanandramana mangidy toy izany vao hahatsapa azy? Misy fomba tsaratsara kokoa.
4. Inona no tokony hanosika antsika hanaja ireo fotopoto-pitsipik’Andriamanitra mikasika ny lahy sy ny vavy?
4 Ny Tenin’Andriamanitra dia manome antsika, mikasika ny lahy sy ny vavy, fiheverana voalanjalanja tsara izay hiaro ny fahasambarantsika ankehitriny sy ho avy. Tokony hotadiavintsika izay hahalalana sy hanajana ireo fotopoto-pitsipik’Andriamanitra mikasika ny fampiasana ny mahalahy na mahavavy nomeny ny olombelona, tsy hoe mba hahitana fiadanana sy filaminana fotsiny, fa ho fanajana ny Mpamorona antsika indrindra. Moa ve isika miandany aminy tokoa amin’ny raharaha mikasika ny maha-ara-dalàna ny fiandrianany? Raha izany no izy, amin’io lafiny io koa dia hanaiky amim-pifaliana ny fahendreny sy ny fahefany ambony isika, satria izy no Tompom-piandrianana manerana izao rehetra izao. — Jeremia 10:10, 23.
AOKA HATAONTSIKA HO MENDRI-KAJA MANDRAKARIVA NY FANAMBADIANA
5. Inona no lazain’ny Baiboly mikasika ny firaisan’ny lahy sy ny vavy any ivelan’ny fanambadiana?
5 Manome izao fananarana izao ny Baiboly: Aoka hanan-kaja amin’ny olona rehetra ny fanambadiana, ary aoka tsy ho voaloto ny fandriana: fa ny mpijangajanga sy ny mpaka vadin’olona dia hohelohin’Andriamanitra.” (Hebreo 13:4). Melohin’Andriamanitra àry ireo izay manana firaisan’ny lahy sy ny vavy any ivelan’ny fanambadiana. Araka ny fandrindran-kevitra tanteraka izany, satria, fony nanome vady ho an’ny lehilahy voalohany Andriamanitra dia nasehony fa ny sitrapony dia ny hahatongavan’ny lehilahy sy ny vadiny ho “nofo iray ihany” ao anatin’ny fanambadiana maharitra. Tokony ho efatra arivo taona taty aoriana, dia nasehon’ny Zanak’Andriamanitra fa tsy navelan’ny Rainy io fotopoto-pitsipika io (Genesisy 2:22-24; Matio 19:4-6). Nefa moa ve izany fameperana tsy mahasoa? Moa ve izany manaisotra zavatra tsara ho antsika? Aoka hojerentsika ny amin’izany.
6. Inona moa no mampiseho fa natao hahasoa antsika ny lalàn’Andriamanitra manameloka ny fanitsakitsaham-bady?
6 Mandika ny fitsipik’Andriamanitra ny mpanitsakitsa-bady, ary mampanantena Jehovah Andriamanitra fa ho avy ‘faingana’ “ho vavolombelona” hanohitra ny mpijangajanga mba hanameloka azy ireny (Malakia 3:5). Ny voka-dratsy ateraky ny firaisan’ny lahy sy ny vavy eo amin’ny olona tsy mpivady dia manipika ny fahendren’ny lalàn’Andriamanitra. Mandrava ny fitokisana ny fanitsakitsaham-bady. Miteraka tsy filaminana sy mandrava ny fiadanana eo amin’ny fanambadiana izany. Matetika ny alahelo sy ny lolom-po no miteraka fisaraham-panambadiana. Mijaly ny zanaka amin’ny fahitana ny tokantranony simba. Amin’ny fieritreretana izany zavatra izany, moa tsy ekenao ve fa matoa Andriamanitra manameloka ny fanitsakitsaham-bady, dia mba hahasoa antsika? Asehon’ny Teniny fa izay tia amim-pahatsorana ny namany dia tsy hanitsakitsa-bady. — Romana 13:8-10
7. Hazavao izay voafaokan’ny teny hoe “fijangajangana” amin’ny hevitry ny teny omen’ny Baiboly?
7 Araka ny efa hitantsika, dia asehon’ny Baiboly amintsika koa fa manameloka ny mpijangajanga Andriamanitra. Fa inona marina tokoa moa no tokony handraisana ny hevitry ny hoe “fijangajangana”? Io teny io, araka ny ampiasana azy ao amin’ny Baiboly, dia mahafaoka ny firaisan’ny lahy sy ny vavy amin’ny olona tsy mpivady, ary koa ny fanitsakitsaham-bady; manana heviny malalaka lavitra anefa izy io. Ao amin’ireo andinin-teny mitantara ny fanambarana nataon’i Jesosy sy ny mpianany, ny teny grika nadika hoe “fijangajangana” dia pornéia. Izy io dia mitovy fototra amin’ny teny fampiasa amin’ny andro ankehitriny hoe “pornographie” (momba ny soratra na sary maloto). Ny hoe “pornéia” dia nampiasaina tamin’ny andron’ny Baiboly mba hiresahana ny amin’ny firaisana tsy ara-dalàna rehetra mikasika ny lahy sy ny vavy (The Vocabulary of the Greek New Testament nosoratan’i Moulton sy Milligan). Voafaokany amin’izany, tsy ny firaisan’ny lahy sy ny vavy araka ny natiora eo amin’ny olon-droa tsy mpivady ihany, fa ny firaisana novàna ho ratsy eo amin’ny lahy sy ny vavy koa. Araka ny filazan’ny boky hafa iray fakàan-teny, ny hoe pornéia dia “mety ho ‘fahazaran-dratsy tsy araka ny natiora’ koa, (...) ny sodomia 36”.
8. Noho ny antony lehibe inona moa no nananaran’ny apostoly Paoly ny kristiana mba ‘hifady ny fijangajangana’?
8 Rehefa nananatra an’ireo rahalahiny kristiana mba ‘hifady ny fijangajangana’ ny apostoly Paoly dia nanome antony lehibe tokony hanaovana toy izany; hoy izy taminy: “Mba tsy hanao saina hifetsy ny rahalahiny amin’izany; fa ny Tompo [Jehovah, MN] no mpamaly ny amin’izany zavatra rehetra izany (...). Fa Andriamanitra tsy niantso antsika ho amin’ny fahalotoana (...). Koa izay mandà, dia tsy olona no laviny fa Andriamanitra.” — I Tesaloniana 4:3-8.
9, 10. a) Nahoana moa no fahita ny olona manao tokantranomaso tsy mety mivady ara-dalàna? b) Na dia mijangajanga an-tsitrapo aza ireo olon-droa, amin’ny heviny ahoana moa izany no ‘fanaovana saina hifetsy ny namany’?
9 Izay rehetra mijangajanga dia ‘manao saina hifetsy ny namany’. Ohatra, marina izany amin’ny olona iray manao tokantranomaso. Nahoana izy ireny no manao toy izany? Matetika tokoa dia satria izany mahatonga azy ireny ho afaka hisaraka raha vao tiany ny hanao toy izany. Amin’ny fiarahana toy izany dia tsy manome antoka mihitsy ho an’ilay olona iarahany izy, araka ny tokony ho hita amin’ny fanambadiana marina. Fa ahoana raha toa ireo olon-droa miaraka ka miditra an-tsitrapo amin’ny lalan’ny fijangajangana amin’ny fifanarahana? Mbola azo atao ihany ve ny milaza fa ‘manao saina hifetsy ny namany’ izy? Eny, tsy isalasalana fa izany no izy.
10 Voalohany indrindra, izay rehetra mijangajanga dia manimba ny fieritreretan’ny miaraka aminy sy ny fahadiovany eo anatrehan’Andriamanitra. Ilay mpijangajanga koa dia mampanary an’ilay olona iray izay rehetra mety ho fahafahana hanorina fanambadiana ao anatin’ny toe-piainana madio. Ary koa, izany dia azo inoana fa antony miteraka fanamavoana, fahafaham-baraka sy alahelo ho an’ny fianakavian’izy ireo avy. Mety hahatandindomin-doza ny fahasalamana ara-tsaina, ara-pihetseham-po sy ara-batan’ilay olona iray koa izany. Matetika ny aretin-dratsy toy ny tety no vokatry ny fahalotoam-pitondrantena. Na dia ilay nitarika ny fijangajangana indrindra aza no tompon’andraikitra amin’izany zava-dratsy izany, dia samy meloka izy roroa.
11. Nahoana moa no tsy misy antony tokony hinoana mihitsy fa handefitra ny fijangajangana Andriamanitra?
11 Mety hanosika ny olona sasany hanakimpy ny masony tsy hijery izany voka-dratsiny izany ny fahamaimaizana. Nefa heverina ve fa noho ny fahamarinany, Andriamanitra dia hinia tsy hijery ny tsy firaharahana ny zon’ny hafa toy izany? Ny Tenin’Andriamanitra dia manasa antsika ho tia ny namantsika tahaka ny tenantsika ka ‘hanaja’, fa tsy hanamavo na hanilika ny fandaharana nataon’Andriamanitra, dia ny fanambadiana. — Matio 22:39; Hebreo 13:4.
12. a) Inona moa no fiheveran’Andriamanitra mikasika ny fivadian’ny samy lehilahy na samy vehivavy? b) Miaro amintsika amin’inona moa ny lalàn’Andriamanitra mikasika ny fivadian’ny samy lehilahy na samy vehivavy?
12 Ahoana ny amin’ny fivadian’ny samy lehilahy na samy vehivavy? Araka ny efa hitantsika, io fanao io dia tafiditra ao amin’ny teny hoe pornéia (“fijangajangana”) nampiasain’i Jesosy sy ny mpianany. Nampiasa an’io teny io Joda mpianatra mba hiresahana ny amin’ny fanao tsy araka ny natiora nataon’ny olona tany Sodoma sy Gomora (Joda 7). Ny fivadian’ny samy lehilahy izay nitarika ireny olona ireny ho amin’ny faharatsiana dia nahatonga ‘fitarainana’ sy niteraka fandravan’Andriamanitra an’ireo tanàna ireo sy ny mponina ao aminy (Genesisy 18:20; 19:23, 24). Niova ve ny fiheveran’Andriamanitra hatramin’izay? Tsia. Ohatra, ao amin’ny I Korintiana 6:9, 10 (MN ), ny “lehilahy mandry amin’ny lehilahy” dia alahatra ho anisan’ireo izay tsy handova ny Fanjakan’Andriamanitra raha manohy manao zavatra toy izany. Niresaka koa ny amin’ireo izay ‘manala voninahitry ny tenany ho amin’ny fahalotoana’ ka “namela ny fanao amin’ny vehivavy” [nandeha ho amin’ny nofo hampiasa azy tsy araka ny natiora, MN]” ny apostoly ka nanoratra fa izy ireny dia “maimay tamin’ny fifampilany samy lehilahy nifanao izay mahamenatra, dia nandray tao amin’ny tenany ny valiny izay tokony ho azy noho ny fiviliany”. (Romana 1:24, 27). Tsy vitan’ny hoe latsaka eo ambany famelezan’ny fanamelohan’Andriamanitra fotsiny ny olona toy ireny, fa mandray ho “valiny” koa ny fahasimbana ara-tsaina sy ara-batana. Ohatra, lehilahy mandry amin’ny lehilahy maro no voan’ny farasisa. Tsy manaisotra zavatra tsara amintsika velively ireo fotopoto-pitsipika ambony ao amin’ny Tenin’Andriamanitra fa miaro antsika amin’ny loza toy izany.
AOKA HEKENTSIKA NY FIHEVERAN’ANDRIAMANITRA MIKASIKA NY FISARAHAM-PANAMBADIANA
13. Inona moa no maha-zava-dehibe ny tsy fivadihana amin’ny voady natao mikasika ny fanambadiana?
13 “Halany ny fisaoram-bady.” Toy izany no nilazana ny tsy fankasitrahan’i Jehovah lalina an’ireo izay ‘namitaka’ ny vadiny (Malakia 2:14-16, MN). Ny Teniny dia manome ho an’ny olona torohevitra maro mba hahavanona ny fanambadiany sy hanalavirana ny alahelo vokatry ny fisaraham-panambadiana. Asehony amin’ny fomba mazava dia mazava koa fa Andriamanitra dia mihevitra ny tsy fivadihana amin’ny voady natao tamin’ny vady ho andraikitra masina.
14, 15. a) Inona moa no hany antony azo ekena mba hisaraham-panambadiana? b) Moa ve ny “fijangajangana” manapaka avy hatrany ny fatoram-panambadiana? d) Araka ny fepetra inona no anomezan-dalana hanambady indray?
14 Manipika izany ny tsy fanekeny afa-tsy anton-javatra tokana hahazoana misara-panambadiana nahariharin’ny Zanany: “Fa lazaiko aminareo: Na zovy na zovy no misaotra ny vadiny, afa-tsy noho ny fijangajangana [pornéia] ihany, ka mampakatra ny hafa, dia mijangajanga.” (Matio 19:9; 5:32). Araka ny efa hitantsika, ny teny hoe pornéia dia mahafaoka ny firaisana mikasika ny lahy sy ny vavy maloto rehetra, araka ny natiora na tsy araka ny natiora, any ivelan’ny fanambadiana.
15 Raha meloka ho nanao “fijangajangana” ny anankiray amin’ny mpivady, moa ve izany manapaka avy hatrany ny fatoran’ny fanambadiana? Tsia, afaka manapa-kevitra ny hamela heloka na tsia ilay vady tsy diso. Raha mifidy ny hisara-panambadiana ilay kristiana izay manaiky ny fahefana ara-dalàn’ireo fitondram-panjakana eo amin’izao tontolo izao dia hampanafoana ara-dalàna ny fanambadiany amin’ny fampiasana antony marina sy ara-dalàna (Romana 13:1, 2). Rehefa voatonona ny fisaraham-panambadiana, dia ho afaka ny hanambady indray izy. Nefa, araka ny torohevitry ny Soratra masina, dia tokony ho kristiana hafa iray no hovadiny, izany hoe tena “ao amin’ny Tompo” tokoa. — I Korintiana 7:39.
16. Any amin’ny tany tsy anomezan-dalana hisara-panambadiana, na inona na inona antony, ahoana moa no ampisehoan’ny vavolombelon’i Jehovah ny fanajany ny lalàn’Andriamanitra?
16 Inona no hatao raha toa ny lalàn’ny tany iray mandrara ny fisaraham-panambadiana na dia amin’ny faharatsiam-pitondrantena aza? Amin’ny toe-javatra toy izany dia angamba ny vady tsy diso iray ho afaka hahazo fisaraham-panambadiana any amin’ny tany iray anomezan-dalana hanao izany. Mazava ho azy fa mety hahatonga ny toe-javatra tsy ho azo atao izany. Nefa, raha toa ireo manam-pahefana ao amin’ny taniny ka manaiky karazam-pisaraham-panambadiana ara-dalàna, dia ho azony hatao ny hangataka izany. Na manao ahoana na manao ahoana ny toe-javatra dia afaka misaraka amin’ny vadiny meloka ilay vady tsy diso ka mampiseho ireo porofon’ny antony araka ny Baiboly nisarahana, amin’ireo loholona mahaforona ny komity mpitsara ao amin’ny kongregasion’ny vavolombelona kristianin’i Jehovah eo an-toerana. Raha toa aty aoriana ka tapa-kevitra ny hanambady indray izy, dia tsy hanao fandaharam-pandroahana azy mihitsy ny kongregasiona, toy ny hoe mpanitsakitsa-bady izy, nefa tokony hanome fanambarana an-tsoratra ny kongregasiona izy. Izany dia tokony hirakitra voady milaza tsy fivadihana amin’ilay vady vaovao ary hilaza fanekena hahazo taratasim-panambadiana ara-dalàna, raha maty ilay vady nisarahana. Nefa tokony hizaka ny mety ho vokatry ny toerany ilay kristiana, fara-faharatsiny any ivelan’ny kongregasiona. Mandrakariva tokoa izao tontolo izao dia tsy manaiky fa ambony noho ny an’ny olombelona ny lalàn’Andriamanitra ary voafetra ihany ny fahefan’ny lalàn’olombelona. — Jereo Asan’ny apostoly 5:29.
FAHENDRENA NY HANARIANA IZAY REHETRA METY HO FAHALOTOANA SY FANIRIANA MIHOA-PAMPANANA MIKASIKA NY LAHY SY NY VAVY
17. Araka ny Soratra masina, inona moa no toerana ara-dalàna tanan’ny firaisan’ny lahy sy ny vavy eo amin’ny fiainan’ny olona manambady?
17 Mazava ho azy fa mitana toerana ara-dalàna eo amin’ny fiainan’ny olona manambady ny firaisan’ny lahy sy ny vavy. Andriamanitra dia nanome ho an’ny olona faritra mahalahy na mahavavy mba hiterahana sy ho loharanom-pahafaham-po sy fahafinaretana ho an’ny ray aman-dreny (Genesisy 9:1; Ohabolana 5:18, 19; I Korintiana 7:3-5). Nampitandrina ny amin’ny fampiasana tafahoatra an’io fanomezana io anefa izy.
18, 19. a) Nahoana moa no tokony harian’ny kristiana ny “masturbation”? b) Inona no mety hanampy ny olona iray hanary an’io fanao io?
18 Noho ny vahoaka amin’ny andro ankehitriny manipika indrindra ny amin’ny lahy sy ny vavy, dia tanora marobe no mahatsiaro faniriana mikasika izany alohan’ny hahatongavana amin’ny taona tokony hanambadiana. Izany no mahatonga ny sasany aminy hitady izay hahazoana fahafinaretana amin’ny fikasikasihana ny faritra mahalahy na mahavavy. Mety sy mampiseho fahendrena ve io fanao io, dia ny “masturbation”?
19 Manome izao torohevitra izao ny Soratra masina: “Koa vonoy ny momba ny tenanareo izay ety an-tany, dia fijangajangana, fahalotoana, firehetam-po, fanirian-dratsy ary fieremana, [faniriana mihoa-pampana, MN]”. (Kolosiana 3:5). Moa ve izay manaraka “masturbation” ‘mamono ny momba ny tenany amin’izay mikasika ny firehetam-po’? Vao mainka aza manaitra an’io firehetana io izany. Ampitomboiny ny faniriany mbola tsy ara-dalàna, raha efa izany dia omeny fahafaham-po amin’ny fomba maloto izany (Efesiana 4:19). Ny Baiboly dia mananatra ny olona toy izany hanary ny hevitra sy ny fitondrantena mamorona an’io karazan-java-manahirana io, sady hanolo izany amin’ny asa mahasoa ka hampitombo fifehezan-tena (Filipiana 4:8; Galatiana 5:22, 23). Amin’ny fiezahana amim-pahatsorana, dia azo atao ny mamela ny “masturbation”, ka izany dia mitondra soa ara-tsaina, ara-pihetseham-po sy ara-panahy.
20. Inona moa no mampiseho fa tsy afaka manilika ny fepetra rehetra ny mpivady raha ny amin’ny firaisan’izy ireo?
20 Izay lazain’ny Baiboly mikasika ny “fahalotoana, firehetam-po, fanirian-dratsy” dia mikasika ny kristiana rehetra, manambady na tsia. Marina fa manome alalana ny lehilahy iray sy ny vadiny hanana firaisan’ny lahy sy ny vavy sy hahazo fahafinaretana avy amin’izany ny Soratra masina sy ny lalàna. Nefa moa ve izany milaza fa azon’izy ireny atao ny mamela izay rehetra mety ho fameperana? Manohitra ny fiheverana toy izany ny Tenin’Andriamanitra amin’ny fananarana ny kristiana rehetra mba hamboly fifehezan-tena (II Petera 1:5-8). Tsy nilain’ny mpanoratra ny Baiboly nahazo tsindrimandry ny nanazava tamin’ny olona manambady ny fomba araka ny natiora ifamenoan’ny faritra fiterahana amin’ny lehilahy iray sy ny vadiny. Miharihary fa tsy afaka manaja izany fitsipika araka ny natiora izany ny firaisan’ny samy lehilahy na samy vehivavy. Ny lehilahy mandry amin’ny lehilahy na vehivavy mandry amin’ny vehivavy, dia voatery mampiasa endri-piraisana hafa, mba hanomezana fahafaham-po, araka ny nolazain’ny apostoly, ny “filan-dratsy mahavoafady” ka hanaraka fanao “mahamenatra”. (Romana 1:24-32). Moa ve misy mpivady ho afaka ara-drariny hanahaka an’ireny fanaon’ny samy lehilahy na ny samy vehivavy ireny eo amin’ny fiainany miafina amin’ny maha-mpivady, ka tsy hoheverin’Andriamanitra ho “filan-dratsy mahavoafady” na “fanirian-dratsy”?
21. Na manao ahoana na manao ahoana karazam-piainan’ny olona iray tamin’ny lasa, inona moa no azony atao?
21 Amin’ny fiheverana izay lazain’ny Soratra masina, dia mety hisy ho afaka hahatsapa fa ny fomba fisainany taloha mikasika ireo zavatra ireo dia voavolavolan’olona izay, araka ny filazan’ny Baiboly, dia ‘tsy mahay manavaka ny tsara sy ny ratsy intsony’. Azo atao anefa ny miova. Noho ny fanampian’Andriamanitra dia azo atao ny “mitafy ny toetra vaovao”, izay mifanaraka amin’ny fahamarinana (Efesiana 4:17-24). Izay manao toy izany dia mampiseho fa tena manana fahatsorana tokoa izy rehefa manizingizina fa maniry hanatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra.
MISY VOKANY LEHIBE EO AMIN’NY FIADANANAO SY NY FILAMINANAO NY FIHEVERANAO
22. Inona moa no soa mivantana entin’ny fampiharana ireo torohevitry ny Baiboly mikasika ny fitsipi-pitondrantena ny amin’ny lahy sy ny vavy?
22 Raha ny marina dia tsy enta-mavesatra akory ny fampiharana ireo torohevitry ny Tenin’Andriamanitra mikasika ny fitsipi-pitondrantena ny amin’ny lahy sy ny vavy. Jereo ny fifanoheran’ny vokatry ny fitsipika ara-pitondrana atoron’ny Baiboly sy ny an’izao tontolo izao: ny habetsahan’ny isan-jaton’ny fisaraham-panambadiana, ny tokantrano rava, ny ankizy maditra, ny fivarotan-tena, ny herisetra sy ny vonoana olona amim-pirehetana (Ohabolana 7:10, 25-27). Miharihary ny fahendren’ny Tenin’Andriamanitra. Raha lavinao ny hevitr’izao tontolo izao miorina amin’ny faniriana feno fitiavan-tena sy ny fitiavan-karena mihoa-pampana ary raha ampifanarahinao amin’ny torohevitr’i Jehovah ny hevitrao, dia hatanjaka tokoa ny fonao mba hamboly faniriana tsara. Tsy hitady fahafinaretana mihelina avy amin’ny fahalotoam-pitondrantena ianao fa hanana fieritreretana madio sy fiadanan-tsaina mandrakariva. Noho ny fifampitokisana lalina kokoa eo amin’ny mpivady sy ny fanajana lehibe kokoa avy amin’ny zanaka, dia hihamafy ny fatoram-panambadiana sy fianakaviana.
23. Ahoana moa no idiran’ny fiheveran’ny olona iray ny amin’ny lahy sy ny vavy amin’ny ‘fanasiana marika’ mba ho tafita velona ka hiditra ao amin’ny “tany vaovao” nampanantenain’Andriamanitra?
23 Aza hadinoina koa fa tafiditra amin’izany ny fanantenanao fiainana mandrakizay. Ny fitondrantena tsara miorina amin’ny Soratra masina dia hitondra ho anao, zavatra mihoatra noho ny fahasalamana amin’izao fotoana izao (Ohabolana 5:3-11). Izany dia ho porofo miharihary fa mampalahelo anao tokoa ireo zavatra maharikoriko ataon’ny olona milaza amim-pihatsarambelatsihy ho mino an’Andriamanitra ka ‘voaisy marika’ ianao mba ho tafita velona ka hiditra ao amin’ny “tany vaovao” nomanin’Andriamanitra, izay hanjakan’ny fahamarinana. Tena iankinan’ny aina àry ny hanananao ‘fahazotoana mba ho hita tsy manan-tsiny amam-pondro eo anatrehan’Andriamanitra amin’ny fihavanana’ — Ezekiela 9:4-6; II Petera 3:11-14.
[Fanontaniana]