Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Aorian’ny fandringanana an’izao tontolo izao — ny fiadanana haneran-tany

Aorian’ny fandringanana an’izao tontolo izao — ny fiadanana haneran-tany

Toko Faha-4

Aorian’ny fandringanana an’izao tontolo izao — ny fiadanana haneran-tany

1-3. a) Ny amin’ny karazam-pandringanana haneran-tany inona moa no ampitandreman’ireo mpitondra olombelona antsika? b) Nahoana moa izany no tsy ny karazam-pandringanana izay, araka ny filazan’ny Baiboly, dia tokony hampiditra ny fiadanana sy ny filaminana eto an-tany?

 ARAKA ny faminanian’ny Baiboly, alohan’ny hahafahan’ny taranak’olombelona hifaly amin’ny fiadanana maharitra, dia tsy maintsy hisy fandravana haneran-tany. Fa nahoana? Avy aiza no tokony hiavian’izany fandravana izany? Inona no ho vokany ho an’ny mponina amin’ny tany?

2 Tokony ho fantatsika aloha fa ny fandravana haneran-tany ambaran’ny Baiboly dia tsy misy ifandraisana velively amin’ny loza aman’antambo haneran-tany resahin’ireo mpitondra, manam-pahaizana ary olon-kafa koa. Araka ny filazan’izy ireny, io loza io dia hateraky ny mosary haneran-tany, ny areti-mandringana, ny fandotoana, ny ady ataomika na ny fiarahan’ny maromaro amin’ireo loza ireo koa. Nefa, ny loza aman’antambo toy izany dia tsy hanokatra velively ny lalana ho amin’ny fiadanana sy ny filaminana maharitra eto amin’ny planetantsika. Nahoana?

3 Satria izany hanimba tanteraka ny gilaobintsika ka hahatonga azy tsy ho azo iainana mihitsy, ohatra, noho ny taratra ataomika hateraky ny ady haneran-tany iray; na izany koa dia hamela sisa velona, olona izay tsy ho tsara kokoa — vao mainka ho ratsy kokoa aza angamba — noho ireo ho naringany. Ho araka ny vintana indrindra amin’izany ny mbola hahavelona ihany, na dia ny mahantra aza no azo inoana fa ho voalohany hijaly. Ho afaka hanana fanantenana azo antoka ny ho anisan’ny tafita velona amin’ny loza aman’antambo haneran-tany toy izany ve ianao? Na dia anisan’izany aza ianao, ahoana no hahazoanao antoka fa tsy hahita indray, fiainana feno fivadibadihana sy ady toy ny hitantsika amin’izao andro izao?

MANOME FANANTENANA ANTSIKA IREO FAMINANIAN’NY BAIBOLY

4. Iza moa no tokony hofoanana amin’ny alalan’ny fandringanana haneran-tany voambara ao amin’ny Baiboly?

4 Ny fandringanana haneran-tany ambaran’ny Baiboly dia ho fifantenana sy hisy zava-kendrena. Tsy ho loza aman’antambo hitranga fotsiny ho toy ny “fara herin’ny fahadisoan-kevitra mandrakizain’ny olombelona” akory izy io. Tsy hamafy fahafatesana an-jamba akory io fandringanana io, fa hanaisotra amin’ny tany ireo izay mendrika tokoa ny hanjavona, ireo tompon’andraikitra amin’ny toe-piainana ratsy misy eo amin’ny planetantsika. Izany dia hifanaraka amin’ny fotopoto-pitsipik’Andriamanitra voambara eo amin’ny ohabolana 2:21,22, manao hoe:

 “Fa ny olona mahitsy no honina amin’ny tany, ary ny tsy manan-tsiny ihany no ho sisa mitoetra ao; fa ny ratsy fanahy kosa hofongorana amin’ny tany, ary ny mpivadika hongotana.”

5, 6. a) Inona no hiafaran’ny tany mihitsy amin’io fandringanana io? b) Amin’ny heviny ahoana izany no ho toy ny tamin’ny “andron’i Noa”?

5 Inona àry no haringana? Maro no mihevitra fa ny Baiboly dia manambara fandravana tanteraka amin’ny afo ny planeta Tany sy izay rehetra eo aminy. Tsy izany anefa no izy. Izao no nambaran’i Jesosy Kristy: “Sambatra ny malemy fanahy; fa izy no handova ny tany.” (Matio 5:5). Tsy isalasalana fa tsy ho antontam-pako tsy misy fiainana akory io ‘lova’ io. Ao amin’ny Baiboly, dia manome antoka antsika koa Andriamanitra fa hitoetra mandrakizay ho fonenan’ny olombelona ny tany. — Salamo 104:5; Isaia 45:18; Matio 6:9,10.

6 Mifanaraka amin’io fanomezana antoka io, ny Baiboly dia miresaka ny amin’ireo ho tafita velona izay hijanona eto an-tany aorian’io fandringanana io (Apokalypsy 7:9, 10, 13, 14). Nohantitranterin’i Jesosy fa “tahaka ny andron’i Noa, dia ho tahaka izany koa ny fihavian’ny [fanatrehan’ny, MN] Zanak’olona”. Rehefa tonga anefa ny safodrano naneran-tany tamin’ny andron’i Noa, dia nisy tafita velona koa. — Matio 24:37; II Petera 2:5, 9.

7. Inona no haringana?

7 Ny fandehan-javatra eo amin’izao tontolo izao, natsangan’ny olombelona eto an-tany àry, no haringana, ary koa izay rehetra manohana azy fa tsy mametraka ny fanantenany amin’Andriamanitra sy ny fitondram-panjakana ampanantenainy ho an’ny tany (Salamo 73:27, 28). Noho izany antony izany, dia tsy miresaka ny amin’ny “faran’izao tontolo izao” toy ny ataon’ny fandikan-tenin’ny Baiboly sasany ny fandikan-teny hafa fa mandika marina kokoa ny fitenenana tamin’ny voalohany (amin’ny teny grika) amin’ny hoe “fahataperan’ny taonjato” (Da), “fahataperan’ny fotoana” (Rilliet) na ‘fifaranan’ny fandehan-javatra’. (MN) — Matio 24:3.

8. a) Ho avy aiza izany fandringanana izany? b) Alohan’ny tarehin-javatra inona no tokony hitrangan’izany?

8 Tsy ny olombelona akory no ho loharanon’ny fandringanana haneran-tany ho avy, fa Jehovah Andriamanitra. Tsy ny zava-manahirana amin’ny andro ankehitriny toy ny amin’ny fandotoana sy ny mosary, vokatry ny tsy fahalalana, ny fahadisoana sy ny faharatsian’ny olombelona akory no hiteraka an’izany fandringanana izany. Ireny kosa dia porofon’ny fitiavan-tena sy ny tsy fahombiazana miharihary eo amin’ny fandehan-javatra maneran-tany, hanafoana tanteraka an’io fandehan-javatra io. Mampanantena Andriamanitra fa hisy zavatra hataony alohan’ny hirodanan’ny fandehan-javatra maneran-tany ankehitriny, na handringanany tena (Apokalypsy 11:17, 18). Nefa moa ve ny fandraisana anjara amin’ny fomba mahery vaika toy izany no tena hany fanafodiny?

NAHOANA NY FANDEHAN-JAVATRA MANERAN-TANY ANKEHITRINY NO TSY MAINTSY HANJAVONA MBA HAHAFAHANA MANORINA NY TENA FIADANANA

9-10. Ahoana no ampisehoan’ny tantaran’olombelona fa zavatra tanteraka kokoa noho ny fanitsiana ny fandehan-javatra ankehitriny fotsiny no ilaina?

9 Hihevitra angamba ny sasany fa ho azon’Andriamanitra atao ny hanisy fiovana sasany fotsiny eo amin’ny fandehan-javatra maneran-tany ankehitriny, toy izay handrava azy tanteraka. Asehon’ny Baiboly anefa fa tsapan’Andriamanitra amin’ny fijerena ny zavatra tena misy fa tsy azo sitranina ny fandehan-javatra ankehitriny.

10 Hevero ny fanovana an-jatony maro nataon’ny olona tao anatin’ny taonjato maro. Eritrereto ny endri-pitondram-panjakana rehetra noforonin’ny olombelona: tanàna-fanjakana, fanjakana misy mpanjaka, fanjakana entim-bahoaka, fitondram-panjakana kaominista sy sosialista ary fitondrana tsy refesi-mandidy koa aza. Tadidio ny hoe impiry ny filoham-panjakana teo an-toerana, na ny fitondram-panjakana manontolo mihitsy aza, no naongana sy nosoloana hafa, — tamin’ny alalan’ny fifidianana, ny fanonganam-panjakana na fikomiana, — nefa tsy nanome ny fanafodiny maharitra ho an’ireo zava-manahirana ny taranak’olombelona izany. Na dia ny mpitondra tsara fikasa izay nanandrana nanatsara ny anjaran’ny olombelona aza, dia nahita ny fiezahany foanan’ny fandehan-javatra maneran-tany ankehitriny managadra ny tenany koa: Araka ny voamariky ny mpanjaka hendry dia hendry iray fahizay, raha ny amin’ny fiezahan’olombelona fotsiny “ny meloka tsy mety ho tonga mahitsy”. — Mpitoriteny 1:14,15.

11-13. a) Inona no misakana ny olona tsy hanao fanovàna sasany hahasoa ny olombelona? b)Ahoana no azo anazavana ny maha-zava-dehibe ny fanovàna ilaina?

11 Ohatra, ireo renivohitra lehibe dia faran’izay itambesaran’ny zava-manahirana, nefa tsy afaka mandrava azy ny olona na manomboka indray ny zavatra rehetra. Toy izany koa ny amin’ny fitambaran’ny fandehan-javatra ara-toe-karena sy ara-panaovan-taozavatra eo amin’izao tontolo izao. Ny fitiavan-karena fatratra sy ny fanindrahindram-pirenena dia manembantsembana sy manafoana izay rehetra mety ho tena fanovana hahasoa ny taranak’olombelona amin’ny ankapobeny.

12 Ny fandehan-javatra eo amin’izao tontolo izao manontolo dia azo ampitahaina amin’ny trano iray naorina teo amin’ny fototra ratsy, avy amin’ny planina tsy voakaly sy tamin’ny fitaovana tsy manjary. Inona no ilana ny hanovàna ny fanaka, ny hanamboarana na hanòvana ny trano? Raha mbola ao izy, dia tsy ho afaka ny zava-manahirana, ary hihasimba hatrany. Ny hany zavatra mety dia ny fandrodanana azy sy ny fanorenana hafa iray eo amin’ny fototra tsara.

13 Nampiasa sary sahalahala amin’izany Jesosy Kristy tamin’ny filazana fa “tsy misy manisy divay vaovao ao anaty siny hoditra tonta”. Hanatriatra ny siny tonta ny divay vaovao (Matio 9:17). Tsy nanandrana nanitsy ny fandehan-javatra jiosy niainany àry izy, fa nitory ny Fanjakan’Andriamanitra ho hany fanantenana fiadanana sy filaminana (Lioka 8:1; 11:2; 12:31). Toy izany koa, amin’izao androntsika izao Jehovah Andriamanitra dia tsy hianina amin’ny fandaminana na ny fanarenana ny fandehan-javatra eo amin’izao tontolo izao ankehitriny, satria izany tsy hitondra soa maharitra mihitsy.

14. Moa ve ny lalàna vaovao hitarika ny olona ho tia ny rariny?

14 Soritan’ny Tenin’Andriamanitra ny fahamarinana ilazana fa tsy azo atao ny hanitsy ny fon’ny olona amin’ny lalàna be dia be. Raha tsy tia izay mahitsy izy, ny lalàna, na dia maro be toy inona aza, dia tsy hahatonga azy ho tia ny rariny na oviana na oviana. Izao no vakintsika ao amin’ny Isaia 26:10: “Na dia asiana soa aza ny ratsy fanahy, tsy mety mianatra ny fahamarinana izy; mbola manao meloka ihany ka tsy mety mijery ny fahalehibeazan’i Jehovah.” — Jereo Ohabolana 29:1.

15, 16. Ahoana no ampisehoan’ny olona maro ny tsy fananany ny tena fitiavana, amin’ny fihetsiny eo anoloan’ny sitrapon’Andriamanitra?

15 Ny zava-misy tsy azo lavina dia ny fahamaroan’ireo tia kokoa ny mifikitra hatrany amin’ny fandehan-javatra ankehitriny, na dia ao aza ny tsy fahalavorariany sy ny ratsy eo aminy, toy izay hitodika any amin’ny rariny sy hanaiky ny fitondram-panjakan’Andriamanitra. Tsapany ny fandraisana kolikoly sy ny famitahana eo amin’ireo fandehan-javatra ara-politika, ny maha-tsinontsinona ny ady sy ny fihatsarambelatsihin’ireo fivavahana eo amin’izao tontolo izao; tsapany tsara fa ny siansa sy ny fahaizan-taozavatra dia namorona zava-manahirana bebe kokoa noho izay voalaminy; nefa na dia ao aza izany rehetra izany, dia tsy mety mihevitra an’Andriamanitra sy ny Fanjakany ho hany tena loharanon’ny fiadanana sy ny filaminana izy ireny. Amin’izany izy ireo dia sahala amin’ny israelita noresahin’Andriamanitra toy izao: “Ny mpaminany maminany lainga, ny mpisorona manapaka araka izay atoronireny, ary ny oloko mankasitraka izany [tia izany koa, MN]; koa hanao ahoana re ianareo any am-parany? — Jeremia 5:31; Isaia 30:12, 13.

16 Na dia mety ho toa sarotra aminao aza ny fahatakarana izany, dia tsikaritrao fa be dia be ny olona tsy miraharaha ny porofo mampiseho fa mitarika azy ireny ho amin’ny loza ny lalany. Tsy isalasalana mihitsy ny efa nahitanao olona mifikitra hatrany amin’ny fanao na ny fahazarana fantany fa manimba ny fahasalamany sy ny tsy fananany ahiahy mbamin’ny an’ny ankohonany, ary hanohitra mihitsy aza ny fiezahana ataon’olon-kafa mba hanampiana azy ireny hiova. Nefa, rehefa mandà ny torohevitra sy ny fitarihan’Andriamanitra ny olona iray, dia ratsy lavitra izany. Izay manao toy izany dia mampiseho fa raha ny marina dia tsy tia ny fahamarinana na ny rariny izy. Izany no antony anambaran’ny Baiboly toy izao, mikasika azy ireny: “Fa aseho avy any an-danitra ny fahatezeran’Andriamanitra amin’ny faharatsiana rehetra sy ny tsi-fahamarinan’ny olona izay misakana ny fahamarinana amin’ny fanaovan-dratsy (...). Fa ny fombany tsy hita, dia ny heriny mandrakizay sy ny maha’Andriamanitra Azy, dia miseho hatramin’ny nanaovany an’izao tontolo izao, fa fantatra amin’ny zavatra nataony; ka dia tsy manan-kalahatra ireo.” (Romana 1:18-20). Raha niresaka ny amin’io sokajin’olona io ihany Jesosy Kristy, dia hoy izy: “Fa efa adala ny fon’izao olona izao, ary efa lalodalovana ny sofiny, ary efa nakimpiny ny masony, fandrao hahita ny masony, sy handre ny sofiny, ka hahalala ny fony, dia hibebaka izy, ka hahasitrana azy Aho [Andriamanitra].” — Matio 13:15.

17. Koa satria Andriamanitra tsy finaritra amin’ny fandringanana ny olona, nahoana izy no manomana fandringanana an’izao tontolo izao?

17 Tena ara-drariny tokoa, fa misy fetrany ny faharetana sy ny famindrampon’Andriamanitra. Raha tsy izany, inona no hiafaran’ny fitiavany ny marina? Tsy afaka ny harenina hatrany izy rehefa mitalaho aminy ireny mba hanafaka azy amin’ny fahoriana nampitomboin’ny faharatsiana eto an-tany (Lioka 18:7, 8; Ohabolana 29:2, 16). Mitaky ny handringanana an’izao tontolo izao àry ny toe-javatra; manery an’Andriamanitra hanao zavatra izany raha tiany ny tsy hivadika amin’izay marina sy mahitsy, ka haneho fangorahana an’ireo izay tia ny rariny. Izany anefa akory tsy milaza fa hahafinaritra an’Andriamanitra io fandringanana hamely ny taranak’olombelona io. Izao tokoa no no lazainy: “Moa sitrako akory va ny fahafatesan’ny ratsy fanahy, hoy Jehovah Tompo, fa tsy ny hialany amin’ny alehany mba ho velona izy? (...) koa mibebaha ianareo mba ho velona.” — Ezekiela 18:23, 32.

18. Inona no vidiny tokony haloa mba hanavotana amin’ny ahiahy, ireo tia ny rariny?

18 Ny fandringanana an’ireo mifikitra hatrany amin’ny fandehan-javatra eo amin’izao tontolo izao ankehitriny àry no vidiny tokony haloa mba hanavotana izay tia ny rariny sy hanafahana azy ireny amin’ny ahiahy sy ny fijaliana. Izany dia mifanaraka amin’izao fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly izao: “Ny ratsy fanahy dia ho avotry ny marina.” — Ohabolana 21:18; jereo Isaia 43:1, 3, 4.

VOKANY TSARA

19. Inona avy moa no vato misakana ny fiadanana maneran-tany, hofoanana amin’ny fandringanana an’izao tontolo izao?

19 Hiteraka inona ny fandringanana ny fandehan-javatra maneran-tany ankehitriny sy ireo mpiandany aminy? Izany dia hahatonga hety ny fisian’ny fitondram-panjakana marina iray ho an’ny tany manontolo, ka ao ireo ho tafita velona dia ho afaka hiara-miasa ao anatin’ny firaisan-tsaina, tsy misy fifandrafiana amim-pitiavan-tena. Ho efa nanjavona ireo sisin-tanim-pirenena sy ireo fefy ara-politika, anton-javatra miteraka fisaratsarahana. Tsy hisy intsony ny fefin’ny fadin-tseranana sy ny fameram-bidin-javatra. Ho efa nanjavona koa ny enta-mavesatry ny fandaniana ara-tafika mbamin’ny tsy fitoviana ara-tsosialy izay misakana ny olona tsy hahaforona fianakaviana miray saina maneran-tany. Ny anton-javatra tena lehibe ho fanatanterahana izany firaisan-tsaina izany, dia ny hifampiresahan’ny olona rehetra amin’ny “fiteny madion’ny” fahamarinana ka hanompoany ny Mpamorona Azy “amin’ny fanahy sy ny fahamarinana”, rehefa tsy ho voazarazaran’ny finoanoam-poana sy ny lovan-tsofina ara-pivavahana mbamin’ny fampianaran’olombelona intsony izy ireo. — Zefania 3:8, 9, Da; Jaona 4:23, 24.

20. Araka ny Salamo 72, toe-piainana manao ahoana no hisy amin’izany eto an-tany izany?

20 Koa satria tsy hisy hitondra ny tany manontolo intsony afa-tsy ny fitondram-panjakan’Andriamanitra tarihin’i Jesosy Kristy Zanany, dia hahita fahatanterahana lehibe kokoa tsy toy ny tamin’ny andron’ny Isiraely fahizay ity salamo tranainy ao amin’ny Baiboly manaraka ity: “Ny marina hitrebona amin’ny androny, ary ho be ny fiadanana, mandra-paha-tsy hisy volana intsony. Ary hanjaka hatramin’ny ranomasina ka hatramin’ny ranomasina izy, ary hatramin’ny Ony ka hatramin’ny faran’ny tany.” — Salamo 72:7, 8

21. Ahoana no andraisan’ny planeta mihitsy soa amin’ny fandringanana an’izao tontolo izao ho avy?

21 Handray soa avy amin’ny fandringanana an’izao tontolo izao ho avy na dia ny planetantsika koa aza. Tsy haloto intsony izy noho ny ataon’ny olona matimatin-karena mandoto sy manimba azy tsy misy fifehezan-tena. Tsy ho fanarian-doto intsony ny farihy, ny renirano, ny ranomasina sy ny rivotra, ka tsy ho ela dia ho voadio. Hasehon’Andriamanitra amin’izany fa tsy namela ny fikasany tamin’ny voalohany izy, dia ny hananana tany madio sy paradisa, onenan’ny zavaboary olombelona mampiseho taratry ny toetrany tsara dia tsara. — Genesisy 1:26-28; Isaia 45:18; 55:10, 11.

22. Amin’ny heviny ahoana moa izany fandringanana izany no tsy mifanohitra amin’ny maha-‘Andriamanitry ny fiadanana’ an’Andriamanitra?

22 Ny fandringanan’Andriamanitra an’izao tontolo izao àry dia tsy hifanohitra amin’ny maha-‘Andriamanitry ny fiadanana’ azy sy amin’ny maha-“Andrianan’ny fiadanana” an’i Jesosy, mpanjaka Mesianikany. Noho ny fitiavany ny fiadanana sy ny fahitsiana no hanaovan’Andriamanitra sy Jesosy Kristy toy izany mba hanorenana indray ny rariny sy ny fahadiovana eto an-tany. — I Korintiana 14:33; Isaia 9:5, 6.

23, 24. Mba handraisana soa amin’ny fiadanana sy ny filaminana ho avy, inona no tena ilaina hatao eo amin’ny lafiny mikasika ny isam-batan’olona?

23 Fa inona no azontsika atao isam-batan’olona? Nasehon’i Jesosy Kristy fa ireo izay tsy niraharaha ny didin’Andriamanitra nampianariny dia nanorina ny fanantenany teo amin’ny “fasika” ka tsy hahatohitra ny tafiodrivotry ny fahoriana ny trano toy izany. Nohantitranteriny fa mba hahitana ho avy misy fiadanana sy filaminana, dia tena iankinan’ny aina ny hanorenana ny fanantenantsika amin’ny fankatoavana ny Tenin’Andriamanitra. — Matio 7:24-27.

24 Fa nahoana Andriamanitra no niandry hatramin’izao mba handraisana anjara sy hamaranana ny faharatsiana amam-pijaliana? Mamaly an’io fanontaniana io ny Baiboly ary mampiharihary izay nataon’Andriamanitra tao anatin’ireo taonjato maro ho fanatanterahana ny fikasany.

[Fanontaniana]