Fampianarana araka ny Baiboly hafa koa voazava
Fampianarana araka ny Baiboly hafa koa voazava
Ho tianao ve hahafantatra izay ampianarin’ny Baiboly mikasika ny foto-kevitra hafa? Raha izany no izy dia vakio Ny fahamarinana izay mitarika ho amin’ny fiainana mandrakizay. Io boky mifono baoritra 192 pejy io, azo atao am-paosy, dia hanazava ireto hevitra ireto, ankoatry ny zavatra hafa:
✔ Aiza moa ireo maty?
✔ Ny fomba famantatra ny fivavahana marina.
✔ Ny fanaon’ny olona sy ny Baiboly.
✔ Ahoana no amitahan’ireo fanahy ratsy ny olombelona.
✔ Ny fomba hananana fiainam-pianakaviana sambatra.
Irinao amim-pahatsorana ve ny hahafantatra ny hevitr’Andriamanitra mikasika ireo fanontaniana ireo? Hahafaly ny vavolombelon’i Jehovah ny hanampy anao hahalala izany. Amin’ny fomba ahoana? Amin’ny fiaraha-manao fifanakalozan-kevitra momba ny Baiboly aminao, maimaimpoana, ao an-tokantranonao, hadiny iray isan-kerinandro, mandritra ny enim-bolana.
Raha mila fanazavana, dia manorata amin’ny Watch Tower, amin’ny anankiray amin’ireto adiresy ireto: