Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontaniana iray mikasika anao

Fanontaniana iray mikasika anao

Toko Faha-5

Fanontaniana iray mikasika anao

1. Nahoana moa no sarotra amin’ny olona ny mahatakatra ny antony namelan’Andriamanitra ny zava-dratsy hisy?

 NA DIA ao aza ny fanirian’ny ankapoben’olona ny fiadanana sy ny filaminana, saika vao teo am-piandohany ny tantaran’ny olombelona dia voapentin’ny fandatsahan-dra sy ny zava-dratsy hafa koa. Koa satria asehon’ny Baiboly fa mankahala ny ratsy Andriamanitra, nahoana izany no tsy nofaranany aloha kokoa? Tsy isalasalana fa tsy ny tsy firaikany amin’izao tarehin-javatra izao akory no mahatonga izany. Ny Baiboly mihitsy sy ny hasoan’ny zavatra noforonin’Andriamanitra eto an-tany dia manamarina tsara fa tia ny olona sy miahy azy Andriamanitra (I Jaona 4:8). Ary ny zavatra mbola lehibe kokoa dia ny maha-tafiditra amin’izany ny voninahitry ny anaran’Andriamanitra, satria olona marobe no nanome tsiny azy noho ny toe-piainana nanjaka. Noho izany, inona no antony nety ho nahatarika an’andriamanitra nizaka nandritra ny an’arivo taonany maro, tsy fahafaliana sy herisetra be dia be toy izao?

2. a) Inona moa no tapany ao amin’ny Baiboly manazava ny antony nandeferan’Andriamanitra ny ratsy hatramin’ny ela be toy izao? b) Inona no mahatonga ho afaka hilaza marina fa zavatra tena nisy ny fitantarana mikasika an’i Adama sy Eva?

2 Ny valiny dia hita ao amin’ny boky voalohany ao amin’ny Baiboly, mikasika an’i Adama sy Eva. Tsy angano akory izany. Zava-nitranga ara-tantara no resahina. Mirakitra filazana firazanana mazava tsara, avy eo amin’ny taonjato voalohany amin’ny fanisan-taona iraisana ka hatreo amin’ny lehilahy voalohany, ny Baiboly (Lioka 3:23-38; Genesisy 5:1-32; 11:10-32). Mihatra amintsika rehetra ny vokatry ny nataon’i Adama razambentsika. Ny fitantarana araka ny Baiboly mikasika azy dia manampy antsika hahafantatra ny antony nahatonga ny tarehin-javatra hitantsika amin’izao andro izao.

3. Inona moa no nomen’Andriamanitra ho an’ny mpivady voalohany?

3 Ahariharin’ny Baiboly fa tsara dia tsara daholo izay rehetra nomen’Andriamanitra ho an’ny lehilahy voalohany sy ny vehivavy voalohany. Nananan’izy ireo daholo izay nilaina mba hahasambatra: saha iray ho fonenana tao amin’ny faritra atao hoe Edena, sakafo maro karazana, asa mahavariana sy fanantenana ny hahita ny ankohonany hitombo sy hameno ny tany; farany, dia nanana ny fitahian’ny Mpamorona azy izy ireo (Genesisy 1:28, 29; 2:8, 9, 15). Ny amin’inona no azony nitarainana ara-drariny?

4. a) Raha vao teo am-pamoronana azy, inona moa no tsy nitovian’ny olombelona tamin’ny zavaboary hafa? b) Inona moa no nomen’Andriamanitra ny olombelona mba hitari-dalana azy?

4 Ny bokin’ny Genesisy ara-tsindrimandry dia mampiharihary fa nitana toerana tsy nanam-paharoa teto an-tany ny olombelona. Izy irery no natao “tahaka ny endrik’Andriamanitra”. (Genesisy 1:27.) Tsy mba sahala amin’ny biby izy fa nanana fahaizana hanavaka ny tsara sy ny ratsy ary nanana safidy. Izany no antony nanomezan’Andriamanitra azy fahaiza-mihevitra sy mitsara. Mba hitarihan-dalana an’i Adama, dia nametrahan’Andriamanitra fieritreretana tao aminy, hany ka tamin’ny naha-lehilahy tanteraka azy noforonina “araka ny endriky” ny Mpamorona, ny fironany ara-dalàna dia ho amin’ny tsara (Romana 2:15). Tetsy andaniny koa, Andriamanitra dia niresaka tamin’ny zanany teto an-tany, mba hanazavana taminy ny antony nisiany, ny adidy tsy maintsy notontosainy, ary iza no nanome azy ny zava-mahatalanjona rehetra nanodidina azy (Genesisy 1:28-30). Ambonin’izany, avy aiza ny toe-piainana ratsy manjaka amin’izao andro izao eto an-tany?

5. a) Inona moa no baiko tsotra dia tsotra nomen’Andriamanitra ny olombelona, ary nahoana? b) Nahoana moa no tafiditra tamin’izany ny fahatsinjovan’ny olona ny ho avy?

5 Asehon’ny Soratra masina fa ny fanontaniana iray mikasika ny tsirairay avy amintsika amin’izao andro izao dia nipetraka noho ny tarehin-javatra iray izay nitombo, fotoana fohy taorian’ny namoronana ny mpivady olombelona voalohany. Nomen’Andriamanitra ny olombelona ny fahafahana hampiseho, amin’ny fanarahana baiko iray tsotra dia tsotra, ny fitiavany sy ny fankasitrahany ny Mpamorona. Io baiko io dia tsy nampahafantatra velively fa ny olombelona dia nanana fironana mampiseho fitiavan-tena, ratsy mihitsy aza, izay tsy maintsy nofeheziny. Izany kosa dia nikasika asa ara-dalàna sy nety: dia ny fihinanana. Izao no nolazain’Andriamanitra tamin’ny olombelona: “Ny hazo rehetra eo amin’ny saha dia azonao ihinanana ihany; fa ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy dia aza ihinanana; fa amin’ny andro izay ihinananao azy dia ho faty tokoa hianao.” (Genesisy 2:16, 17). Io baiko io akory tsy nanaisotra tamin’ny olona, zavatra iray nilaina teo amin’ny fiainana. Azony natao ny nihinana ny voan’ny hazo hafa rehetra. Tafiditra tamin’izany anefa ny fahatsinjovany ny ho avy, ary rariny izany. Nahoana? Satria Ilay nanome azy an’io baiko io no Loharano sy Mpanohana ny fiainan’ny olombelona.

6, 7. a) Tamin’ny fiheverana ny fahamarinana fototra inona moa ireo ray aman-drenintsika voalohany no nety ho afaka ny ho velona mandrakizay? b) Nahoana moa Adama no tokony hankato an’andriamanitra?

6 Ny fikasan’Andriamanitra dia tsy ny hahafaty ny olombelona akory. Tsy niresaka tamin’i Adama ny amin’ny fahafatesana afa-tsy ho toy ny sazin’ny tsy fankatoavana izy. Ireo ray aman-drenintsika voalohany àry dia nanana teo anoloany ny fanantenana kanto ny ho velona mandrakizay tao anatin’ny saha milamina nonenany. Inona no fepetra tsy maintsy nofenoiny? Tokony heken’izy ireo fotsiny fa ny tany dia an’Andriamanitra izay nanao azy, ary amin’ny maha-Mpamorona azy, dia izy no Tompom-piandrianana ara-dalàna eo amin’ny zavaboariny (Salamo 24:1, 10). Moa ve izay nanome ny zavatra rehetra ho an’ny olombelona, na dia ny aina aza, tsy mendrika ny fankasitrahany sy ny fankatoavany? Izany dia izany tokoa, nefa tsy an-tery akory no tokony hankatoavan’ny olona azy; tokony ho amim-pitiavana no hanaovany izany. — I Jaona 5:3.

7 Tsy naneho fitiavana toy izany Adama. Nahoana?

NY NIANDOHAN’NY FANOHERANA NY FITONDRAM-PANJAKAN’ANDRIAMANITRA

8. a) Araka ny filazan’ny Baiboly, taiza moa no teraka ny fanoherana ny fitondram-panjakan’Andriamanitra? b) Nahoana moa no ara-dalàna ny hinoana ny fisian’ny faritra ara-panahy?

8 Ahariharin’ny Baiboly fa ny fanoherana ny fitondram-panjakan’Andriamanitra dia nanomboka, tsy teto an-tany akory, fa tany amin’ny faritra any an-danitra tsy hitan’ny mason’olombelona. Toy ny ataon’ny maro, moa ve isika tokony hisalasala ny amin’ny fisian’izany faritra izany, noho izy tsy hita maso fotsiny? Tsia, tsy ho ara-dalàna izany. Tsy azo atao ny mahita, na ny “pesanteur” na ny rivotra. Hita anefa ny asan’ireo hery ireo. Toy izany koa, ny faritra ara-panahy dia misy vokany azo dinihina. “Andriamanitra dia Fanahy”, ary manodidina antsika ny asany. Raha mino azy anefa isika, dia voatery miaiky ny amin’ny fisian’ny faritra ara-panahy. (Jaona 4:24; Romana 1:20). Fa olona hafa iza moa no monina any amin’izany faritra izany?

9. Inona moa ny anjely?

9 Fanahy, anjely an-tapitrisany maro no noforonina talohan’ny olombelona (Salamo 103:20). Tanteraka daholo izy ireny; tsy nisy na dia iray aza taminy nanana fironan-dratsy. Nefa, sahala amin’ny olombelona noforonina taty aoriana, dia nomen’Andriamanitra safidy izy ireny. Azony natao àry ny nifidy ny fivadihana na tsy fivadihana tamin’Andriamanitra.

10, 11. a) Nahoana moa ny zavaboary tanteraka iray no mety hihevitra ny hanao ratsy? b) Ahoana no nahatonga ny anankiray tamin’ny anjely ho Satana?

10 Olona maro be no manontany tena toy izao: Ahoana no mety hahatonga zavaboary tanteraka iray hihevitra ny hanao ratsy? Fantatsika rehetra, araka ny fanandramana nataon’ny tenantsika, fa ny tarehin-javatra iray dia mety hitranga ka hanolotra antsika fahafahana hanao zavatra maro, tsara na ratsy. Ny famelan’ny saintsika hamantatra ny fahafahana hanao ratsy dia tsy mandahatra antsika avy hatrany ho anisan’ny ratsy fanahy akory, sa tsy izany? Ny zavatra rehetra dia miankina amin’ny fitsipi-pitondrantena hampifantohantsika ny saintsika sy ny fontsika. Raha mampifantoka ny eritreritsika amin’ny ratsy isika, dia hamboly fanirian-dratsy ao am-pontsika, ka tsy isalasalana fa izany faniriana izany dia hiafara amin’ny fanosehana amintsika hanao ratsy. Toy izao no anazavan’i Jakoba mpanoratra ny Baiboly antsika ny amin’ny fahaterahan’ny ota: “Fa samy alaim-panahy ny olona, raha tarihin’ny filany sy fitahiny izy. Ary ny filana, rehefa torontoronina, dia miteraka ota; ary ny ota, rehefa tanteraka, dia miteraka fahafatesana”. — Jakoba 1:14, 15.

11 Ahariharin’ny Soratra masina fa ny anankiray tamin’ireo zanaka ara-panahin’Andriamanitra dia namela ny fanirian-dratsy hitombo tao aminy. Hitany fa ny zavaboary olombelona dia azo notarihina hanaiky azy fa tsy hanaiky an’Andriamanitra, ary toa nanomboka naniry fatratra izy ny haka ho an’ny tenany, fara faharatsiny ny tapany amin’ny fanompoam-pivavahana tokony ho an’Andriamanitra (Lioka 4:5-8). Niasa nifanaraka tamin’ny faniriany izy, ka nanomboka nanohitra ny Mpamorona. Izany no antony iantsoan’ny Baiboly azy hoe Satana, teny izay ny dikany dia hoe Mpanohitra. — Joba 1:6.

12. Inona avy moa no antony mafy orina mampiseho amintsika fa tena misy tokoa Satana?

12 Mazava ho azy fa amin’izao taonjato faharoapolo fatra-pitia ny zavatra hita maso izao, ny finoana ny fisian’i Satana fanahy (esprit) dia tsy be mpanaraka akory. Nefa tsy toetra mampiavaka na oviana na oviana ny fahamarinana akory ny hevitra be mpanaraka. Eo amin’ny fitsaboana, ny hevitra fa misy mikraoba tsy hita maso mety hiteraka aretina, dia tsy nekena foana akory; amin’izao andro izao dia fantatra tsara ny maha-fototr’aretina azy. Tsy azo lavina fa ny tarehin-javatra manjaka ankehitriny eo amin’izao tontolo izao dia mampiharihary fa tsy mpitari-dalana azo antoka akory ny hevitra raisina. Afaka nanazava izany tamim-pahalalana tsara Jesosy Kristy izay avy any amin’ny faritra ara-panahy. Niresaka an’i Satana ho fanahy manan-kery mety hampitranga fisedrana mafy eo amin’ny fiainan’ny olona anefa izy (Jaona 8:23; Lioka 13:16; 22:31). Raha tiantsika ny hahafantatra ny amin’ny niandohan’ny toe-piainana ratsy manjaka eto an-tany, dia voatery miaiky ny amin’ny fisian’io fahavalo ara-panahy io isika.

13. Ahoana moa no fomba niresahan’i Satana tamin’i Eva, ary nahoana izy no nampiasa izany fomba izany?

13 Ny fitantarana ara-tsindrimandry voasoratra ao amin’ny Genesisy, toko faha-3, dia manazava ny fomba nanomezan’i Satana fahafaham-po ny fanirian-dratsiny. Nanatona an’i Eva vehivavy tao amin’ny saha Edena izy, nefa tamin’ny fomba misy hafetsen-dratsy, tamin’ny fanafenana ny tena maha-izy azy. Tsy hitan’ny mason’i Eva izy, ary hatreo izy dia tsy afaka nampiasa iraka olona azony natao mpanelanelana. Izany no antony nampiasany bibilava iray, dia biby fantatr’ireo mpivady voalohany tsara. Somary nanao toy ny olona mahay miteny avy any an-kibo izy, ka nataony izay hivoahan’ny teniny toy ny avy tamin’ny vavan’ny menarana, izay ny fahamalinany voa-janahary dia nety tsara tamin’ny fihetsiky ny saina tian’i Satana hoforonina. — Genesisy 3:1; Apokalypsy 12:9.

14. Inona no nambaran’i Satana tamin’i Eva, ary inona no nokendreny tamin’izany?

14 Tsy nanandrana nivantana nitarika an-dravehivavy hihevitra azy ho filohany Satana, fa namafy fisalasalana tao an-tsainy aloha, tamin’ny fanontaniana azy toy izao: “Hanky! efa nataon’Andriamanitra hoe: Aza ihinananareo ny hazo rehetra eo amin’ny saha?” Raha ny marina, ny tiany holazaina dia hoe: “Fahavoazana lehibe ny nilazan’Andriamanitra fa tsy azonareo ihinanana ny hazo rehetra ao amin’ny saha!” Ny tiany holazaina tamin’izany dia hoe nanaisotra zavatra tsara taminy angamba Andriamanitra. Namaly Eva tamin’ny fanononana ny fandraran’Andriamanitra tsy nikasika afa-tsy hazo iray ihany, sy tamin’ny fanononana ny fanamelohana ho faty hihatra aminy raha tsy mankatò izy. Tamin’izay dia nanandrana nampihena ny fanajany ny lalàn’Andriamanitra Satana, tamin’ny filazana taminy hoe: “Tsy ho faty tsy akory ianareo; fa fantatr’Andriamanitra fa amin’izay andro hihinananareo azy dia hahiratra ny masonareo, ka ho tahaka an’Andriamanitra hianareo, hahalala ny tsara sy ny ratsy.” (Genesisy 3:1-5). Ao anatin’ny tarehin-javatra toy izany, inona no ho nataonao?

15. a) Nahoana moa Eva no nanaiky ho voatariky ny fakam-panahy nentin’i Satana? b) Inona moa no nataon’i Adama?

15 Asehon’ny Baiboly fa Eva dia nanaiky ho voatariky ny faniriany feno fitiavan-tena. Nohaniny ny voankazo nandraran’Andriamanitra. Taty aoriana, rehefa nasainy Adama vadiny, dia nihinana koa, ka niandany taminy fa tsy tamin’ny Mpamorona azy. Inona no vokany? — Genesisy 3:6; I Timoty 2:14.

16. Avy aiza àry ny fanaovana heloka be vava, ny herisetra, ny aretina sy ny fahafatesana nanamarika ny fiainan’ny olombelona hatramin’i Adama?

16 Tafalatsaka tao anatin’ny ota sy ny tsy fahatanterahana ny fianakavian’olombelona manontolo. Tsy afaka namindra tamin’ny zanany ny fahatanterahana veriny Adama. Raha misy tsininy ny lasitra iray, dia ho toy izany koa ny zavatra alaina lasitra rehetra. Izany no antony nahaterahan’ny taranak’i Adama rehetra tao anatin’ny fahotana, manana fironana ho amin’ny fitiavan-tena nolovana (Genesisy 8:21). Ireny fironana tsy voafehy ireny no miteraka ny halatra, ny fisavihana, ny famonoana olona mbamin’ny fanaovan-dratsy hafa rehetra nanaisotra tamin’ny olona ny fiadanana sy ny filaminana. Izany fandovana ny ota izany ihany koa no niteraka ny aretina sy ny fahafatesana. — Romana 5:12.

NY FANONTANIANA NIPETRAKA

17, 18. a) Ny amin’ny fanontaniana lehibe inona moa no tokony hoheverina mba hahatakarana ny antony nizakan’Andriamanitra hatramin’ny elabe izany tarehin-javatra izany? b) Raha ny marina, inona moa no hevitra notohanan’i Satana?

17 Rehefa heverina amin’izany toe-javatra izany, dia manontany tena toy izao indray isika: Nahoana Andriamanitra no nizaka izany tarehin-javatra izany ka namela azy hitombo sy hahatratra ny haratsiny amin’izao fotoana izao? Noho ny fanontaniana nipetraka sy ny vokany teo amin’izao rehetra izao manontolo. Ahoana izany?

18 Tamin’ny fanamarinana fa tsy tsara ho an’ny olombelona ny lalàn’Andriamanitra nomena an’i Adama sy tamin’ny fandavana izay ho vokatry ny fankatoavana, dia nolavin’i Satana ny zon’Andriamanitra hanapaka. Tsy notoheriny akory ny maha-Tompom-piandrianana an’Andriamanitra. Ny fanontaniana nipetraka kosa dia nikasika ny maha-ara-dalàna ny fitondram-panjakan’i Jehovah sy ny maha-ara-drariny ny lalany. Nilaza tamin-dainga Satana fa ho tsara kokoa ny olombelona raha nanao zavatra tsy niankina tamin’Andriamanitra sy nanao fanapahan-kevitra avy amin’ny tenany ihany, fa tsy nanaiky ny fitarihan’Andriamanitra (Genesisy 3:4, 5). Raha ny marina, rehefa nanao toy izany ny olombelona, dia nipetraka teo ambany fitarihan’ilay fahavalon’Andriamanitra.

19. a) Iza koa moa no voakasika tamin’io raharaha io, ary boky inona ao amin’ny Baiboly no manaporofo izany? b) Nahoana moa io fanontaniana io no mikasika antsika?

19 Tsy izay ihany. Koa satria ireo zavaboarin’Andriamanitra ireo niodina nanohitra azy tany Edena, inona no hataon’ny hafa? Taty aoriana, tamin’ny andron’i Joba, dia nanizingizina an-karihary Satana fa ny zavaboary manompo an’i Jehovah dia manao izany, tsy noho ny fitiavana azy sy ny fitondram-panjakany, fa noho Andriamanitra manome azy ireo ny zavatra rehetra. Te hilaza Satana fa ao anatin’ny fitsapana dia tsy hisy olona hanohana amin-kitsim-po mihitsy ny fiandrianan’i Jehovah. Niahiahy ny amin’ny fahatokiana sy ny tsy fivadihan’ny zavaboary manan-tsaina rehetra any an-danitra sy eto an-tany izy. Araka izany dia mikasika anao ny fanontaniana nipetraka. — Joba 1:8-12; 2:4, 5.

20, 21. Tamin’ny fampihemorana ny fandringanana an’ireo mpikomy, nomen’i Jehovah fahafahana hanao inona moa ny anjely sy ny olombelona?

20 Inona no hataon’i Jehovah nohaikena? Nety ho azony natao mora foana sy ara-drariny tokoa ny nandringana an’i Satana ary Adama sy Eva tamin’ny fotoana nikomian’izy ireo tany Edena. Ho nasehony tamin’izany ny heriny lehibe. Nefa moa ve izany ho namaly ny fanontaniana nipetraka hatreo tao an-tsain’ny zavaboarin’Andriamanitra rehetra izay nandinika izay nitranga? Ny fiadanana sy ny filaminana mandrakizay eo amin’izao rehetra izao dia nitaky ny hanapahana tanteraka an’ireo fanontaniana ireo, indray mandeha. Ankoatr’izany dia nampangaina ny tsy fivadihana sy ny fahatokian’ny zavaboarin’Andriamanitra manan-tsaina rehetra. Raha tia an’Andriamanitra tokoa izy ireo, dia ho tiany ho ny tenany mihitsy no hampiseho ny tsy fahamarinan’izany fiampangana lainga izany. Nanapa-kevitra àry Jehovah fa hanome azy ireo fahafahana hanao izany, mba hahitana ny fandraisan’ny fon’izy ireo ny fitondram-panjakana lehibe. Etsy andaniny koa, amin’ny famelana an’i Adama sy Eva hiteraka (na dia tsy tanteraka aza) dia hataon’Andriamanitra izay tsy hahafoana ny taranak’olombelona mbola tsy maintsy hateraka, dia fianakaviana izay anisany isika rehetra. Araka izany, ny taranak’ireo mpivady voalohany dia hanana fahafahana hifidy raha tiany na tsia ny hanaraka ny fitondram-panjakan’Andriamanitra. Eo anoloan’izany fisafidianana izany koa anefa ny tenanao!

21 Noho izany antony izany dia tsy nampihatra teo noho eo ny fanamelohana ho faty tany Edena Jehovah fa nanome alalana an’ireo mpikomy ho velona mandritra ny fotoana kelikely. Noroahina avy tao Edena Adama Sy Eva ary maty talohan’ny nahatratrarana 1 000 taona (Genesisy 5:5; ampitahao ny Genesisy 2:17 sy ny II Petera 3:8). Amin’ny fotoana voatendry koa Satana dia haringana, toy ny menarana izay notorotoroina ny lohany. — Genesisy 3:15; Romana 16:20.

IZAY NAHARIHARIN’NY FOTOANA

22, 23. a) Raha ny amin’ny fitondram-panjakana, ahoana moa no nanararaotan’i Satana sy ny olombelona ny fotoana navelan’Andriamanitra ho azy ireo? b) Manamarina inona moa ireo enina arivo taona nisian’ny fitondram-panjakana tsy niankina tamin’Andriamanitra?

22 Novalian’Andriamanitra àry ny fihaikana mikasika ny maha-ara-dalàna ny fiandrianany. Inona no vokatr’izany? Tamin’ny fihainoana an’ilay fahavalon’Andriamanitra sy tamin’ny fanandramana nitondra ny tenany, moa ve nitondra tombontsoa ho an’ny tenany ny olombelona? Nomen’Andriamanitra alalana Satana mba hanangona “hery ara-panahy ratsy” sy handamina izany ho ‘fanapahana sy fahefana sy filohan’izao tontolo izao’. (Efesiana 6:11, 12, MN.) Azon’ny olombelona natao ny nanandrana izao karazam-pitondram-panjakana azo noforonin’ny saina rehetra izao. Tsy taranaka vitsivitsy monja akory no nomen’i Jehovah alalana ho velona. Tsy nofaranany ny fiezahan’olombelona, talohan’ny nihariharian’ny vokany feno. Raha nandray anjara izy, taonjato iray lasa izay, dia ho lasa aloha loatra. Tamin’izay ny olombelona dia niditra tao amin’ny “fotoan’ny fahaizan-taozavatra” ary nanomboka nidera tena fotsiny ny amin’izay rehetra ho azony tontosaina.

23 Nefa amin’izao ora izao, moa ve mbola tokony hiandry taonjato iray ihany mba hahatsapana ny vokatry ny tsy fiankinan’ny olombelona tamin’Andriamanitra? Na dia ireo manam-pahaizana ara-pitondram-panjakana sy ara-tsiansa aza dia miaiky fa raha araka ny fandehan’ny zavatra dia tandindomin’ny fandravana mafy ny tany sy ny endri-javatra velona eo aminy. Tsy isalasalana fa tsy mila ny hiandry ny haharava tanteraka ny tany akory Andriamanitra vao hanaporofo fa tsy mahomby tanteraka ny fiezahan’olombelona hanapaka tsy miankina aminy. Rehefa jerena amin’ny vokatra tsy manjarin’ny enina arivo taona nisian’ny fitondram-panjakana tsy misy an’Andriamanitra, dia tsy ho azon’ny olombelona, na ireo fanahy nikomy atao na oviana na oviana ny hilaza fa tsy nanana fotoana ampy izy ireo mba hanaporofoana ny maha-ara-drariny ny fihaikana nataon’izy ireo. Hamarinin’ny zava-mitranga fa tsy misy fitondram-panjakana tsy miankina amin’Andriamanitra na dia iray aza, afaka miantoka ho an’ny olombelona, ny tena fiadanana sy filaminana.

24. Inona no hitranga tsy ho ela mba hahatonga ny tany hotapahin’ny fitondram-panjakana marin’ny Zanak’Andriamanitra?

24 Araka ny ho hitantsika aoriana, mialoha ela sy tsy nisy fifandisoana tamin’ny fomba nahagaga, dia nomarihin’i Jehovah ny taranaka ankehitriny ho izay ao anatiny no hanadiovany izao rehetra izao amin’izay rehetra mety ho fikomiana amin’ny fitondram-panjakan’Andriamanitra. Haringana mandrakizay ny olona ratsy fanahy, fa Satana sy ireo demoniany kosa dia hogadraina toy ny ao amin’ny lavaka tsy hita noanoa izay tsy hahafahany hanan-kery na inona na inona eo amin’ny raharahan’ny olona sy ny anjely. Amin’izany dia ho azo atao ny hitondra ny tany amin’ny rariny, amin’ny alalan’ny fitondram-panjakan’ny Zanak’Andriamanitra. Mandritra ny fe-potoana misy arivo taona io fitondram-panjakana io dia hitondra ny fanafodin’ny ratsy rehetra nandritra ny an’arivo taonany maro nisian’ny fitondram-panjakan’olombelona tia tena. Hanorina paradisa kanto eto an-tany izy ary hanome ho an’ny olona mankatò, fahafahana hahita indray ny fahatanterahana tao Edena. — Apokalypsy 20:1, 2; 21:1-5; I Korintiana 15:25, 26.

25. a) Nahoana moa Satana sy ireo demoniany no hovahana amin’ny fahataperan’ny arivo taona? b) Inona no ho vokatr’izany?

25 Araka ny filazan’ny Baiboly, eo amin’ny fahataperan’io fanjakana arivo taona io ilay fahavalon’Andriamanitra sy ireo demoniany dia hovahana kelikely aloha. Nahoana? Mba hanomezana ho an’ny velona rehetra, fahafahana sy tombontsoa hanome valiny farany sy manakoako amin’ilay fanontaniana nipetraka, amin’ny fisehoana tsy mivadika sy manohana amin’ny fo rehetra ny fitondram-panjakan’i Jehovah Andriamanitra ambony indrindra. Amin’ny fitsanganan’ny maty, dia olona tsy tambo isaina no ho velona indray. Amin’ny marobe amin’izy ireny, dia izany no fahafahana voalohany haneho, ao anatin’ny fitsapana, ny fifikirany amin’ilay Tompon’ny aina, Jehovah Andriamanitra sy ny fitiavan’izy ireo azy. Na dia ireo niaritra fitsapana tamin’ny lasa aza, fony izy ireny tsy tanteraka ka niaina teo anivon’ny toe-piainana ratsy eo amin’ny fandehan-javatra ankehitriny, dia ho afaka haneho tsy fivadihany amin’ny maha-olombelona tanteraka sy ao anatin’ny toerana sahala amin’ny saha Edena. Raha ny marina ny fanontaniana dia ho sahala amin’ilay nipetraka tany Edena, dia ny hoe: Moa ve izy ireny ho vonona ny hanaiky ny fiandrianan’i Jehovah amin’ny fankatoavany amim-pahatokiana sy amin’ny tsy fivadihana tsy azo hozongozonina eo anoloan’ny sitrapony voaseho? Tsy maniry hanana vahoaka afa-tsy ireo izay mifikitra aminy amim-pitiavana Jehovah. Ireo izay ho tia kokoa ny hiandany amin’ilay fahavalon’Andriamanitra sy ireo demoniany amin’ny fiezahana mety hataon’ireo mba hanakorontanana indray mandeha koa ny fiadanana eo amin’izao rehetra izao dia hanana fahafahana hanao izany fisafidianana izany. Nefa amin’ny fandavana toy izany ny fitondram-panjakan’Andriamanitra, izy ireny dia ho mendrika ny fandringanana, ary amin’io indray mitoraka io izy dia ho avy tampoka, toy ny avy amin’ny afo midina avy any an-danitra. Ny mpikomy rehetra, — fanahy sy olombelona, — dia ho ringana mandrakizay. — Apokalypsy 20:7-10.

26, 27. Ahoana moa no nahatonga ny faharetan’i Jehovah hitondra soa ho an’ny tsirairay avy amintsika?

26 Marina fa hatramin’ny an’arivo taonany maro ny olombelona dia niaritra fahoriana be dia be, nefa vokatry ny fisafidianana nataon’ny olona voalohany izany. Tsy an’Andriamanitra akory ny fahadisoana amin’izany. Nandritra izany fotoana rehetra izany Andriamanitra dia niaritra fanalam-baraka sy nizaka zavatra halany. Nefa Jehovah izay ny ‘arivo taona dia toy ny indray andro’ aminy, dia afaka mandini-javatra lavitra, ka izany dia ho tombontsoan’ny zavaboariny. Izao no nosoratan’ny apostoly nahazo tsindrimandry iray: “Ny Tompo [Jehovah, MN] tsy mahela ny teny fikasany, araka izay ataon’ny sasany ho fahelany; fa mahari-po aminareo izy, ka tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin’ny fibebahana izy rehetra.” (II Petera 3:9). Raha tsy naneho faharetana sy fahari-po Andriamanitra, dia tsy ho nisy na dia iray aza amintsika ho velona amin’izao andro izao hanana fahafahana hahazo ny famonjena.

27 Tsy tokony hanatsoaka hevitra anefa isika fa hoe tao anatin’ny enina arivo taona lasa Andriamanitra dia nipetraka fotsiny tamin’izao, nandefitra fotsiny teo anoloan’ny faharatsiana nitombo, tsy nanao na inona na inona. Araka ny ho hitantsika manaraka, dia ny mifanohitra tanteraka amin’izany no porofoin’ny zava-mitranga.

[Fanontaniana]