Ilaina ny fanajana ny fahefana mba hiainana amim-piadanana
Toko Faha-12
Ilaina ny fanajana ny fahefana mba hiainana amim-piadanana
1-3. a) Inona moa no nitondra tsy fahampian’ny fanajana ny fahefana fahita aoka izany amin’izao andro izao? b) Ahoana moa no ihariharian’io fitiavana fikomiana io? d) Aiza no ahatsapana ny vokatr’io toe-tsaina io?
ANKEHITRINY izao tontolo izao dia vonton’ny fitiavana fiolonolonana aoka izany. Niseho indrindra ny fironana handa ny fahefana tao anatin’ny taranaka teraka nanomboka tamin’ny Ady Lehibe Faharoa. Nahoana? Ny anankiray amin’ny antony dia satria talohan’ny nahaterahan’ireny tanora ireny ny ray aman-dreniny dia nahita na niharan’ny fampahoriana tsy mbola nisy toy izany ary nijaly noho ny fanao feno fanjakazakana sy fandraisana kolikoly avy amin’ny olona nitana fahefana. Nanimba ny fanajany ny fahefana izany, hany ka rehefa tonga ray aman-dreny izy ireny dia marobe taminy no tsy nampianatra izany fanajana izany ny zanany. Tetsy an-daniny koa dia tsy nihatsara ny tarehin-javatra tamin’ny tsy rariny hitan’ny mason’ireo zanaka mihitsy. Tamin’izany no nahatonga ny fikomiana amin’ny fahefana ho fisehoan-javatra fahita.
2 Mety hiseho amin’ny fomba isan-karazany ny fikomiana. Indraindray izany dia ho fomba fitafy sasany, famantarana ny fandavana ny “hevitra tsara noraisina”, indraindray izany dia ho fihaikana atao ampahibemaso amin’ny polisy, ka tonga hatramin’ny fanaovana herisetra misy fandatsahan-dra. Tsy izay ihany anefa. Na dia eo amin’ireo olona tsy maneho an-karihary ny fikomiany aza, firy aminy moa no tsy misalasala ny manolana ny lalàna sy ny fitsipika raha tsy mifanaraka amin’izany izy ireny na mihevitra fa hahitany tombontsoa ny fandikana azy?
3 Nanova aoka izany ny rivo-piainana manjaka ao an-tokantrano, any an-tsekoly sy any am-piasana mbamin’ny fifandraisan’ny mpitondra sy ny entina izany tarehin-javatra izany. Mihamaro ny olona tsy tia fotsiny ny handray baiko na avy amin’iza na avy amin’iza. Maniry izay inoany ho fahafahana bebe kokoa izy ireny. Rehefa heverina izany tarehin-javatra izany, inona no hataonao?
4. Mampiseho ny toerana tanantsika ny amin’ny raharaha inona moa isika amin’ny ataontsika?
4 Tsy azo lavina fa hampiharihary ny toerana tananao eo anoloan’ny maha-ara-dalàna ny fiandrianan’i Jehovah manerana izao rehetra izao ny ataonao. Ekenao tokoa ho Loharanon’ny tena fiadanana sy filaminana ve Jehovah? Irinao ve ny hianatra sy hampihatra eo amin’ny fiainanao ireo torohevitra voarakitra ao amin’ny Teniny? Sa aleonao manaraka ny olona voafitak’i Satana izay mihevitra fa manana zo ny hanapaka ny amin’izay tsara sy izay ratsy ny tenany ihany? — Genesisy 3:1-5; Apokalypsy 12:9.
5. a) Inona no mitranga matetika rehefa manaraka an’ireo mampanantena “fahafahana” ny tena? b) Afaka ve ny olona manao ny sitrapon’Andriamanitra?
5 Izay rehetra mamela ny “maro indrindra” hitarika ny fisainany dia ho voafandrika tsy ho ela (Jeremia 8:6, MN). Fiarovana kosa anefa ny fahalalana marina ny Baiboly. Izany dia hisakana anao tsy ho lavo amin’ny tarehin-javatra iray mankeo amin’ny iray hafa noho ny fihainoana olona ‘mampanantena fahafahana’, nefa “ny tenany aza dia andevon’ny fahalotoana”. Raha manaraka olona toy izany ianao dia hiaraka ho andevo aminy. (II Petera 2:18, 19). Tsy azo ny tena fahafahana raha tsy amin’ny fianarana sy ny fanatanterahana ny sitrapon’Andriamanitra. “Lalàna tanteraka, dia lalàn’ny fahafahana”, ny lalàny. (Jakoba 1:25.) Tsy mametra tsy amin’ny antony ny fahafahantsika akory Jehovah amin’ny fandidiana antsika hanaraka fitsipika mahasosotra. Mitari-dalana antsika izy mba hamelana antsika hitana fifandraisana tsara dia tsara aminy sy ny mpiara-belona amintsika, ka izany dia mitondra fiadanana sy filaminana ho antsika. Moa tsy izany ve no irinao?
6, 7. a) Iza moa no tsara toerana indrindra mba hitondra fanafodin’ny fanamparam-pahefana ao anatin’ny fandehan-javatra ankehitriny? b) Araka ny filazan’i Jesosy, inona moa no mitranga amin’ireo izay mandika ny didy?
6 Fantatr’Andriamanitra mihoatra noho ny olon-kafa rehetra ny halehiben’ny faharatsiana sy ny fanamparam-pahefana eo anivon’ny fandehan-javatra ankehitriny. Efa nilaza fa na toy inona na toy inona laharan’ireo mpampahory, dia hampamoaka azy ireny izy (Romana 14:12). Amin’ny ora noferany, ‘ny ratsy fanahy dia hofongorana amin’ny tany, ary ny mpivadika hongotana’. (Ohabolana 2:22). Nefa tsy hahazo soa maharitra mihitsy isika amin’ny fisehoana ho tsy maharitra sy amin’ny fandikana ny lalàna. — Romana 12:17-19.
7 Nanipika an’io fahamarinana io Jesosy teo anatrehan’ireo apostoliny tamin’ny alina namadihana azy sy nisamborana azy tao amin’ny sahan’i Getsemane. Noho ny toe-piainana nanjaka tao amin’io tany io, toy ny loza avy amin’ny bibi-dia, ankoatry ny zavatra hafa, dia matetika ny Jiosy no nitondra fiadiana. Tamin’io takariva io ireo apostolin’i Jesosy dia nanana sabatra roa (Lioka 22:38). Inona no nitranga? Tao anatin’ny alina dia tonga ny mpisambotra an’i Jesosy tsy nisy antony azo nekena. Teo anoloan’izany fanaovana ny tsy rariny an-karihary izany dia nanatsoaka ny sabany avy hatrany ny apostoly Petera ka namely ny anankiray tamin’ireo lehilahy ary nahafaka ny sofiny. Nositranin’i Jesosy anefa io lehilahy io ary hoy ny nambarany tamin’i Petera: “Ampidiro amin’ny tranony ny sabatrao; fa izay rehetra mandray sabatra no hovonoina amin’ny sabatra.” (Matio 26:52). Amin’izao androntsika izao dia olona maro no ho nisoroka fahafatesana alohan’ny fotoana raha nanaraka an’io torohevitra io. — Ohabolana 24:21, 22.
FIHETSIKA METY EO ANATREHAN’NY MANAM-PAHEFANA IVELAN’NY FIVAVAHANA
8. a) Araka ny Romana 13:1, 2, ahoana moa no tokony hiheveran’ny kristiana ny fahefana ivelan’ny fivavahana? b) Amin’ny heviny ahoana moa ireo manam-pahefana no hoe “napetraka eo amin’ny toerany voafetran’Andriamanitra”?
8 Tao amin’ny taratasy iray ara-tsindrimandrin’Andriamanitra, ny apostoly Paoly dia nanazava tamin’ny kristiana tany Roma ny amin’ny fomba tokony hitondran’izy ireny tena teo anatrehan’ireo manam-pahefana ivelan’ny fivavahana. Izao no nosoratany: “Aoka ny olona rehetra samy hanaiky ny fahefana lehibe. Fa tsy misy fahefana afa-tsy izay avy amin’Andriamanitra [avahan’Andriamanitra, MN]; fa izay misy dia voatendrin’Andriamanitra [mipetraka eo amin’ny toerany voafetran’Andriamanitra, MN]. Koa izay manohitra ny fahefana dia manohitra ny voatendrin’Andriamanitra [ny fandaharan’Andriamanitra, MN]; ary izay manohitra dia hahazo fahamelohana.” (Romana 13:1, 2). Tokony hoheverina ve fa nanendry an’ireo mpitondra ivelan’ny fivavahana ho eo amin’ny fahefana Andriamanitra? Tsia no valiny hentitra omen’ny Baiboly (Lioka 4:5, 6; Apokalypsy 13:1, 2). Misy noho ny mbola famelany anefa ireny fahefana ireny ary noferany ny ‘toerana voafetra’ notanany tao anatin’ny fotoana nisian’ny tantaran’olombelona. Inona izany toerana izany?
9. Raha ratsy ireo mpanao raharaham-panjakana, amin’ny heviny ahoana moa no tokony hanajantsika azy ireny?
9 Ny andinin-teny voatonona eo aloha dia mampiseho fa izany dia toerana ‘ambony’. Tsy mety àry ny tsy ampy fanajana an’ireo solontenan’ny fitondram-panjakana. Tsy tokony tsy horaharahaina ireo lalàna asainy tandremana. Tsy milaza akory izany fa hoe tokony hoderaina ny olona ambony toerana, na hankasitrahana izy ireny raha ratsy. Nefa mety ny hanajana ny raharahany. — Titosy 3:1, 2.
10. Ahoana moa no tokony hiheverana ny hetra, ary nahoana?
10 Araka ny fitsipika ankapobeny dia mitondra soa ho an’ny olona ny lalàna ivelan’ny fivavahana. Manampy amin’ny fitanana ny filaminana izany ary miaro amin’ny fetra sasany ny olona sy ny fananany (Romana 13:3, 4). Ankoatr’izany, ny ankamaroan’ny fitondram-panjakana dia mampanorina lalàna, miahy ny amin’ny fahasalamam-bahoaka, mandamina fikambanan’ny mpamonjy trano may, manomana sekoly ary miantoka sampan-draharaha mahasoa hafa koa. Moa ve izy ireny manana zo ny handoavam-bola noho ireny sampan-draharaha ireny ary, mifamadika amin’izany, moa ve isika manana adidy ny handoa hetra? Fanontaniana lehibe izany, noho ny fampiasana matetika ny volam-bahoaka amin’ny fomba ratsy. Tamin’ny andron’ny fanompoan’i Jesosy teto an-tany io fanontaniana io dia efa nisy vokany ara-politika. Tsy neken’i Jesosy ho nanamarina ny fandavana tsy handoa hetra anefa ny tarehin-javatra. Niresaka ny amin’ny vola nataon’ny emperora romana izy ka nanambara toy izao: “Aloavy ho an’i Kaisara ary izay an’i Kaisara, ary ho an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra.” (Matio 22:17-21; Romana 13:6, 7.) Noho ny fahafantarany ny mety ho vokany dia tsy nankasitrahan’i Jesosy ny hevitra hoe handika ny lalàna.
11, 12. a) Ahoana moa no ampisehoan’ireo andinin-teny ao amin’ny Baiboly nodinihina fa misy fahefana iray hafa koa tafiditra amin’izany? b) Inona no hataonao raha toa ireo manam-pahefana ivelan’ny fivavahana ka mandrara anao tsy hanaraka ny baikon’Andriamanitra, ary nahoana?
11 Aoka homarihintsika anefa fa tao amin’ny valin-teniny Jesosy dia tsy nanambara hoe ny fanjakana no hany fahefana noresahina. Tsy ambony noho Andriamanitra na mitovy aminy akory aza ny “fahefana lehibe”. Izy ireny kosa aza dia “mipetraka eo amin’ny toerana voafetran’Andriamanitra”. (Romana 13:1, MN) Voafetra fa tsy feno ny fahefan’izy ireny. Izany no antony mahatonga ny kristiana ho teo anatrehan’ny fanapahan-kevitra sarotra matetika. Tokony hanao izany fanapahan-kevitra izany koa ny tenanao. Raha mitaky aminao izay an’Andriamanitra ireo olona eo amin’ny fahefana, inona no hataonao? Raha mandrara anao tsy hanao izay andidian’Andriamanitra izy ireny, iza no hankatoavinao?
12 Nifidy ny hanohana ny fiandrianan’i Jehovah ireo apostolin’i Jesosy Kristy ka nampahafantatra ny toerany tamim-panajana sy fijoroana tsara tamin’ireo anisan’ny fitsarana tampony tany Jerosalema tamin’izao teny izao: “Tsaraonareo na marina eo imason’Andriamanitra, na tsia, ny hanaiky anareo mihoatra noho Andriamanitra. Fa izahay tsy maintsy milaza izay zavatra efa hitanay sy renay. (...) Andriamanitra no tokony hekena mihoatra noho ny olona.” (Asan’ny apostoly 4:19, 20; 5:29). Mety handidy ny hamerana ny isan’ny olona mahazo miara-mivory ny fitondram-panjakana ara-politika, ary koa mandrara asa ampahibemaso sasany. Ny Tenin’Andriamanitra anefa tsy mitaky ny tsy maintsy hivorian’ny olony ao amin’ny fivoriambe malaza mba hivavahana aminy, ary tsy milaza koa izy hoe iray monja ny fomba tsara fanatonana ny olona mba hiresahana aminy ny amin’ny sitrapon’Andriamanitra. Nefa kosa raha misy fandaharana avy amin’ny fitondram-panjakana manao izay tsy hahafahantsika manefa ny adidintsika amin’Andriamanitra, inona no tokony hataontsika? Iza no handa fa ny zavatra tsara tokony hatao dia ny ‘fanekena an’Andriamanitra mihoatra noho ny olona’?
13, 14. a) Nahoana moa isika no tokony hitandrin-tena mba tsy handika ny lalàna noho ny antony manokana? b) Hazavao amin’ny alalan’ny Soratra masina ny antony.
13 Izany dia tsy tokony hampifangaroina velively amin’ny fitondrantenan’ireo izay, noho ny fitiavana fiolonolonana, dia tsy miraharaha ny lalàna mba hiasana ho an’ny tombontsoany feno fitiavan-tena. Marina fa araka ny fiheverana manokana, ny lalàna sasany dia mety ho tafahoatra na hampihatra fanerena tsy azo hamarinina firy. Nefa moa ve izany antony tokony handikana azy? Inona no hitranga raha toa ny tsirairay avy tsy nankato afa-tsy ireo lalàna mitondra tombontsoa ho azy? Fanjakan’Ibaroa no ho hita.
14 Mampidi-doza tokoa ny tsy firaharahana ny fahefana sy ny fanaovana ny danin’ny kibon’ny tena satria hoe tsy mety ho voasazy avy hatrany ny tena. Amin’ny voalohany izany dia mety ho fandikan-dalàna kely tsy dia manao ahoana, nefa ny tsy nahavoasazy dia mety hanosika ny olona iray hanao fahadisoana lehibe kokoa, hany ka mipetraka eo amin’ny ratsy izy. Mikasika izany, dia izao no vakintsika ao amin’ny Mpitoriteny 8:11: “Saingy tsy tanterahina vetivety ny famaliana ny ratsy atao, dia izany no ikirizan’ny fon’ny zanak’olombelona amin’ny fanaovan-dratsy.” Inona no tena antony tokony hanarahan-dalàna? Noho ny tahotra ny sazy fotsiny ve? Amin’ny kristiana dia misy antony mahery lavitra, dia izay antsoin’ny apostoly Paoly hoe “antony lehibe”; tsy inona izany fa ny faniriana hitana fieritreretana madio (Romana 13:5). Izay manana fieritreretana efa nampianarina hifanaraka amin’ny Soratra masina dia mahalala fa raha mandika lalàna izy, dia “manohitra ny fandaharan’Andriamanitra”. Tsy mampaninona raha tsy mahalala izay ataontsika ny olon-kafa, fantatr’Andriamanitra izany, ary miankina aminy ny fanantenantsika fiainan-ko avy. — I Petera 2:12-17.
15. a) Inona no tokony hametra ny fihetsika asehontsika eo anatrehan’ny mpampianatra sy ny mpampiasa? b) Ny tsy hahavoatariky ny toe-tsaina manao ahoana moa no tokony hohalavirintsika?
15 Mihatra koa io fitsipika io amin’ny fihetsika tokony harahin’ny tanora kristiana eo anoloan’ny mpampianatra azy sy ny an’ny kristiana olon-dehibe eo anatrehan’ny mpampiasa azy. Ny fanaovan’ny olona marobe manodidina antsika ratsy akory tsy tokony hametra ny fitondrantenantsika. Tsy tafiditra amin’izany akory ny fahafantaran’ny mpampianatra na ny mpampiasa antsika na tsia izay ataontsika. Izao no fanontaniana tokony hapetratsika amin’ny tenantsika: Inona no fitsi-pitondrantena tsara ankasitrahan’Andriamanitra? Amin’ny ankapobeny ny mpampianatra dia mpiasam-panjakana, ary amin’ny maha-solontenan’ny “fahefana lehibe” azy, dia manana zo ny hohajaintsika izy ireny. Fa raha ny amin’ny fifandraisantsika amin’ny mpampiasa antsika, ny Baiboly dia manoro hevitra antsika mba “hanao ny sitrapony” sy hiseho ho manana “toe-panahy mahatoky indrindra, mba hampahamendrika ny fampianaran’Andriamanitra, Mpamonjy antsika, amin’ny zavatra rehetra”. (Titosy 2:9, 10). Raha manao toy izany isika dia hanaporofo fa tsy nekentsika ny ho voatarik’i Satana izay ny sainy dia “miasa ankehitriny ao anatin’ny zanaky ny tsi-fanarahana”. Hanao ny anjarantsika marina tokoa aza isika mba hiainana amim-pilaminana amin’ny mpiara-belona amintsika. — Efesiana 2:2, 3.
NY FAHEFANA EO ANIVON’NY TOKANTRANO
16. Inona moa no fotopoto-pitsipika velabelarina ao amin’ny I Korintiana 11:3 mitondra fifandrindrana ao anatin’ny fianakaviana?
16 Ny fianakaviana dia lafiny hafa iray koa aniriana tanteraka ny fifandraisana milamina. Matetika no tsy misy izany fifandraisana izany, hany ka henjana ny fiarahan’ny mpianakavy ary tapaka mihitsy aza indraindray. Ahoana no azo anatsarana ny tarehin-javatra toy izany? Ny fepetra iray tena lehibe dia ny fanajana ny fotopoto-pitsipika momba ny fahefana naorin’i Jehovah. Io fotopoto-pitsipika io dia velabelarina toy izao ao amin’ny I Korintiana 11:3: “Kristy no lohan’ny lehilahy rehetra; ary ny lehilahy kosa no lohan’ny vehivavy; ary Andriamanitra no lohan’i Kristy”.
17. a) Mikasika ny fahefana, inona moa no toeran’ny lehilahy? b) ahoana moa no nampisehoan’i Kristy ohatra ho an’ny lehilahy manambady?
17 Mariho fa io andinin-teny io dia manomboka amin’ny filazalazana ny toeran’ny lehilahy. Manintona ny saintsika voalohany indrindra izy, tsy ho amin’ny fahefan’ny lehilahy, fa hoe, ao anatin’ny fandaharana naorin’i Jehovah, ny lehilahy dia tokony hanaiky hotarihin’olon-kafa ka hanaraka ny ohatra nomeny. Tsy iza izany fa Kristy, lohan’ny lehilahy izay, amin’ny fifandraisany amin’ny kongregasionany oharina amin’ny vady, dia nampiseho ny fomba azon’ny lehilahy iray ampiharana ny fahefany amim-pahombiazana. Mampiasa ny faneken’ny mpianany an-tsitrapo Kristy. Tsy manao toy ny lehibe masiaka sy mila voatsiary velively Jesosy fa ‘malemy fanahy sady tsy miavona am-po’ tamin’izy ireny, hany ka nahita “fitsaharana” ho an’ny fanahiny izy ireny (Matio 11:28-30). Moa ve izy nanambany azy ireny noho ny fahadisoany? Natolony ho sorona kosa aza ny fiainany mba hanadio azy tamin’ny fahotany (Efesiana 5:25-30). Moa ve ny lehilahy iray izay hiezaka amim-pahatsorana mba hanaraka ny ohatra nomeny tsy hitondra soa ao an-tokantranony?
18. a) Ahoana moa no azon’ny vehivavy iray anaporofoana fa manaja ny fahefan’ny lahy izy? b) Ahoana no azon’ny zanaka anehoana fanajana ny ray aman-dreniny, ary nahoana?
18 Rehefa mampihatra toy izany ny fahefany eo anivon’ny tokantrano ny lehilahy, dia tsy sarotra amin’ny vavy ny manaja azy, ary mora mankato kokoa ny ray aman-dreniny ny zanaka. Nefa mety handray anjara be dia be amin’ny fitondrana fahasambarana ao amin’ny fianakaviana ny reny sy ny zanaka. Raha mikarakara tsara ny tranony ny vehivavy, manaiky ny fanapahan-kevitry ny lahy ary manampy azy mba hampiharihary fa tsara ny fanapahan-keviny, dia hanaporofo izy fa tena ‘manaja ny lahy’ tokoa. Izany ve no hita ao an-tokantranonao (Efesiana 5:33; Ohabolana 31:10-15, 27, 28)? Raha ny amin’ny zanaka, raha mankato an-tsitrapo ny ray sy ny reny izy dia mampiseho amin’izany fa manaja ny ray aman-dreniny ary izany no takin’Andriamanitra aminy (Efesiana 6:1-4). Tsy ekenao ve fa hisy fiadanana sy filaminana kokoa eo anivon’ny fianakaviana toy izany tsy toy ny ao amin’ny tokantrano iray tsy misy fanajana ny fahefana?
19. Inona no hataonao raha toa ka ianao no hany mpianakavy manaiky hotarihin’ny Tenin’Andriamanitra?
19 Afaka mitondra fahasambarana ao an-tokantranonao ianao. Na mifidy ny hanaraka ny lalan’i Jehovah na tsia ny mpianakavy hafa, dia afaka mampiseho ohatra tsara aminy ianao, amin’ny fanantenana fa hanahaka anao izy (I Korintiana 7:16; Titosy 2:6-8). Na dia tsy manao toy izany aza izy dia ho efa nasehonao azy ny finoanao an’Andriamanitra sy ny fahamarinan’ny lalany, ary zavatra sarobidy tokoa izany. — I Petera 3:16, 17.
20, 21. a) Ahoana no ampisehoan’ny Baiboly fa tsy feno akory ny fahefan’ny lehilahy manambady sy ny ray aman-dreny? b) Inona moa no fanapahan-kevitra mety hasaina hataon’ny vehivavy kristiana iray na ny zanaka mpino, nefa amin’ny fananana toe-tsaina manao ahoana no hanaovany zavatra?
20 Aza hadinoina fa avy amin’Andriamanitra ny fototry ny fahefana eo anivon’ny fianakaviana. Amin’izany dia tokony hisy fiheverana azy, moa tsy izany ve? Izany no antony ilazana amin’ny vehivavy mba hanaiky ny lahy “araka izay mety hatao ao amin’ny Tompo”. Ary tokony hankato ny ray aman-dreniny ny zanaka, “fa ankasitrahana ao amin’ny Tompo izany”. (Kolosiana 3:18, 20) Tokony hotsoahina avy amin’izany fa voafetra ny fahefana ampiharin’ny lehilahy amin’ny vadiny sy ampiharin’ny ray aman-dreny amin’ny zanany. Mety tsy hahafaly ny vady na ny ray aman-dreny tsy mpino aloha izany. Nefa raha mieritreritra izy ireny dia hiaiky fa mandray soa avy amin’izany koa ny tenany, satria ireo mpianakavy mpino dia manaja sy mendrika itokisana kokoa.
21 Hita avy hatrany fa raha toa ny lehilahy iray ka mangataka amin’ny vadiny mba tsy hanao zavatra “araka izay mety hatao ao amin’ny Tompo”, dia tokony hasehony na ‘matahotra an’Andriamanitra’ izy na tsia. (Mpitoriteny 12:13.) Toy izany koa, rehefa ampy taona ny zanaka mba hahatakarana ny hevitry ny Tenin’Andriamanitra ka hanarahana izany, raha tsy miray hevitra aminy amin’ny faniriana ny hanompo an’i Jehovah ny ray aman-dreniny, dia tokony hanapa-kevitra ireny tanora kristiana ireny na hiseho ho mahatoky eo anatrehan’Andriamanitra, na hanaraka ny ray aman-dreniny. Tafiditra amin’izany ny fanantenany ho velona mandrakizay (Matio 10:37-39). Nefa, sady hanatontosa ny adidiny voalohany dia ny fankatoavana an’Andriamanitra, ny zanaka no tokony hanaiky ny ray aman-dreniny “amin’ny zavatra rehetra”, na dia mangataka aminy mba hanao zavatra sasany tsy mahafinaritra azy aza ny ray aman-dreniny (Kolosiana 3:20). Raha manao toy izany izy ireny dia angamba ho afaka hanampy ny ray aman-dreniny hanaiky ny famonjena atolotr’i Jehovah. Rehefa manao zavatra tsy amin’ny fananana toe-tsaina tsy mankato sy tia fiolonolonana ny kristiana iray, fa amin’ny fahatokiana an’i Jehovah sy ny lalany marina, dia “ankasitrahana ao amin’ny Tompo izany”.
EO ANIVON’NY KONGREGASIONA KRISTIANA
22, 23. a) Amin’ny fomba ahoana moa no iarovan’ireo mpiandraikitra ny mpikambana ao amin’ny kongregasiona? b) Araka ny Hebreo 13:17, ahoana moa no tokony ho fiheverantsika an’ireny rahalahy ireny?
22 Izany toe-tsaina tia tsy fivadihana amin’i Jehovah izany ihany koa no tokony ho hita eo amin’ny fihetsika asehontsika eo anatrehan’ny kongregasionany kristiana sy ireo izay miahy ny amin’ny hahasoa azy. Nanendry mpiandraikitra izay tokony hiandry ny “ondry” Jehovah. Tsy mandray karama na dia kely akory aza izy ireny, fa mandany hery kosa, satria mihevitra amim-pahatsorana an’ireo rahalahiny sy anabaviny ao anatin’ny kongregasiona kristiana (I Tesaloniana 2:8, 9). Manampy ny kongregasiona hanatontosa ny asa manokana nankinina taminy izy ireny, dia ny fitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. Miahy ny amin’ny tsirairay avy amin’ny mpikambana ao anatin’ny kongregasiona koa izy ireny, amin’ny fanampiana ny tsirairay avy hampihatra eo amin’ny fiainany ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly. Ankoatr’izany, raha toa ny mpikambana iray ao amin’ny kongregasiona izay mahalala ny didin’Andriamanitra ka mikiry minia manao fahadisoana lehibe, dia manao ny fandroahana azy ireo mpiandraikitra manana adidy amin’izany, mba hiarovana ny olon-kafa sisa ao amin’ny kongregasiona amin’ny fitaomany manimba. — I Korintiana 5:12, 13.
23 Ho fankasitrahana an’i Jehovah noho ny nanomanany izany fandaharana maneho fahamoram-panahy izany mba hiantoka ny fiadanana eo amin’ny vahoakany, dia tokony harahintsika ity torohevitra omena ao amin’ny Hebreo 13:17 ity: “Manekè ny mpitondra anareo, ka manoava azy; fa izy miambina ny fanahinareo araka izay tokony hataon’ny olona mbola hampamoahina, mba hanaovany izany amin’ny fifaliana, fa tsy amin’ny fisentoana; fa tsy hahasoa anareo izany.”
24, 25. a) Nahoana moa isika no tokony hanaja an’ireo loholona noho ny fampianarany? b) Amin’ny fotoana toy inona ary aiza moa isika no tokony hampihatra ireo fampianarana ao amin’ny Baiboly? Nahoana?
24 Nefa ny hoe mankatò “ny mpitondra” akory tsy milaza fitadiavana hahazo sitraka amin’ny olona. Araka ny filazan’ny Baiboly, ny anankiray amin’ny antony lehibe indrindra tokony hanajantsika an’ireo mpiandraikitra na loholona dia noho izy ireny mampianatra “ny tenin’Andriamanitra”. (Hebreo 13:7; I Timoty 5:17). Mikasika izany teny izany, dia izao no vakintsika ao amin’ny Hebreo 4:12, 13: “Fa velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra ka maranitra noho ny sabatra roa lela, ka manindrona hatramin’ny fampisarahana ny aina sy ny fanahy ary ny tonona sy ny tsoka, ka mahay mamantatra ny eritreritra sy ny fisainan’ny fo. Ary tsy misy zavatra ary na inona na inona izay tsy miseho eo anatrehany; fa ny zavatra rehetra dia mihanjahanja sy aharihary eo imason’Izay iafaran’ny ataontsika.
25 Ahariharin’ny “tenin’Andriamanitra” izay maha-izy ny olona iray ao anatiny. Asehony ny tsy fitovian’izay toa toetrany sy ny fihetsika manapaka eo aminy izay manosika azy hiteny sy hanao zavatra. Raha tena manana finoana an’Andriamanitra sy faniriana amim-pahatsorana ny hahazo sitraka amin’ny Mpamorona azy izy, dia tsy hanao ratsy raha vao tsy mahita azy ireo loholona ao amin’ny kongregasiona. Tsy hanao zavatra melohin’ny Soratra masina koa izy satria hoe tsy fahadisoana lehibe mitarika fandroahana tsy ho ao anatin’ny kongregasiona izany. Ny faniriany dia tsy ny hanota akory, fa ny hanome taratry ny “voninahitra avy amin’Andriamanitra”. (Romana 3:23.) Ankoatr’izany, raha toa ny olona iray mirona ho amin’ny fandikana ny torohevitra avy amin’ny Tenin’Andriamanitra, dia tokony hodinihiny amim-pitandremana ny fihetsiny eo anatrehan’Andriamanitra. Moa ve izy manomboka manao sahala amin’ny olona resahin’ny Salamo 14:1 amin’izao teny izao: “Ny adala manao anakampo [fa tsy ampahibemaso] hoe: Tsy misy Andriamanitra.”
26, 27. a) Nahoana moa no zava-dehibe ny tsy hanaovana ho ambanin-javatra ny “teny rehetra” avy amin’i Jehovah? b) Inona moa no vokatry ny fanajana ny fahefana eo amin’ny fiainantsika?
26 Rehefa nalain’ny Devoly fanahy Jesosy Kristy dia nanambara tamin’ny fomba hentitra hoe: ‘Ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra no hiveloman’ny olona.’ (Matio 4:4). Miaiky toa azy ny amin’izany ve ianao? Inoanao ve fa ny “teny rehetra” avy amin’i Jehovah dia zava-dehibe ka mendrika ny hoheverinao tokoa? Tsy ampy ny manaraka ny didin’i Jehovah sasany, sady hihevitra ny hafa ho tsy dia manao ahoana. Na, manohana ny maha-ara-dalàna ny fiandrianan’i Jehovah isika, na, miandany amin’ny Devoly, amin’ny fanorenana izay heverin’ny tenantsika ho tsara sy ratsy. Sambatra izay manaporofo ny tena fitiavany ny lalàn’i Jehovah! — salamo 119:165.
27 Ireo izay tia ny lalàn’Andriamanitra dia tsy manaiky ho voaloton’ny toe-tsain’izao tontolo izao tia fisaratsarahana. Tsy arahiny koa ny fitondrantena mahamenatra ananan’ireo izay mampanaram-po ny fahamaimaizany. Mahatonga ny fiainany tsy hihilangilana tokoa ny fanajana lalina an’i Jehovah sy ny lalany marina.
[Fanontaniana]