Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Iza no ho tafita velona?

Iza no ho tafita velona?

Toko Faha-8

Iza no ho tafita velona?

1. Miankina amin’inona moa ny hahatafita velona ny olona iray mba hidirana ao anatin’ny fandaharan-javatra vaovao nampanantenain’Andriamanitra?

 MIFANOHITRA amin’izay mitranga rehefa misy ady ataon’ny olombelona, ny hahatafita velona amin’ny fandringanana an’izao tontolo izao ho avy dia tsy ho raharaha mikasika ny sendrasendra akory. Tsy hiankina amin’ny toerana onenan’ny olona izany na amin’ny fahamailahany hiantoraka ao amin’ny fiarovana na fialofana hafa iray rehefa maneno ny anjomara fanairana. Ny hahatafita velona antsika dia hiankina amin’ny famindrampon’Andriamanitra sy ny fisafidianana an-tsitrapo ho nataontsika alohan’ny fanombohan’ny “fahoriana lehibe” voambara mialoha. Ahoana no azonao anaovana fisafidianana izay handahatra anao ho anisan’ireo ho tafita velona mba hiditra ao anatin’ny fandaharan-javatra vaovao sy milamina?

OHATRA ARA-PAMINANIANA TAMIN’NY LASA

2. Iza moa no manome ny fepetra hahatafita velona, ary aiza no ahitana izany?

2 Tsy vitan’ny hoe manambara fotsiny ny Baiboly fa hisy olona ho tafita velona amin’ny fandringanana an’izao tontolo izao ho avy, fa omeny ny ohatra mahatonga antsika ho afaka hahafantatra hoe karazan’olona manao ahoana no ho tafita velona amin’izany. Koa satria Andriamanitra no manao izay hisian’ny ho tafita velona, dia rariny ny hamerany fepetra amin’izany.

3. Mba hahatonga an’ireo ho tafita velona hahita fiadanana sy filaminana, nahoana moa ny ratsy fanahy no tsy maintsy haringana?

3 Amim-pahamarinana sy fahendrena no hanaovan’Andriamanitra izay hahatonga an’ireo ho tafita velona amin’ny “fahoriana lehibe” ho olona hanao ny tsara ao anatin’ny fandaharan-javatra vaovaony ka tsy hanimba an’izany. Izay tia ny rariny ihany no harovany. Raha hafa noho izany no nataony ka nanome alalana zavaboary tsy marina ho tafita velona izy, dia tsy hisy fiadanana sy filaminana. Mbola ho tandindomin-doza ihany ny tokantrano sy ny fiainan’ny olona mahitsy mihitsy aza. Manome izao fampanantenana izao anefa ny Teniny ara-tsindrimandry: “Fa ny mpanao ratsy hofongorana; ary izay miandry an’i Jehovah no handova ny tany. Fa rehefa afaka kelikely, dia tsy hisy ny ratsy fanahy (...). Fa ny mpandefitra kosa no handova ny tany.” Tena ilaina ny hampiharan’Andriamanitra manontolo ny fotopoto-pitsipika voambara eo, ao amin’ny Salamo 37:9-11, mba hahafahan’ireo ho tafita velona “hiravoravo amin’ny haben’ny fiadanana”, araka ny ampanantenain’izany andalan-teny ao amin’ny Soratra Masina izany eo aoriana. Mba hahafantarana hoe amin’ny fomba ahoana no handraisan’Andriamanitra anjara, dia azo atao ny mihevitra ny fitantarana mampiseho ny fomba, tamin’ny lasa, nahatonga ny faharatsian’ny olona hahavoatery an’Andriamanitra hampiasa fandringanana.

OHATRA NY AMIN’NY NISIAN’NY TAFITA VELONA FAHINY

4-6. a) Inona moa no mampiseho fa ny fandravana an’i Jerosalema tamin’ny taona 70 dia zava-nitranga ara-tantara? b) Nahoana moa ilay tanàna no rava? d) Inona moa no nahatonga ny mpianatr’i Jesosy ho afa-nandositra an’izany?

4 Mbola hita any Roma amin’izao andro izao ny andohalambom-pandresen’i Titus natsangana tamin’ny taonjato voalohany tamin’ny fanisan-taona iraisana. Eo amin’ny rindrina anatiny dia ahitana sary mampiseho miaramila romana nitondra zavatra isan-karazany avy tao amin’ny tempolin’ny Jerosalema taorian’ny nandravana an’io tanàna io tamin’ny taona 70. Izany dia zava-niseho ara-tantara. Ny zava-nitranga ara-tantara hafa koa dia ny nanambaran’i Jesosy Kristy ny amin’izany.

5 Niala tamin’Andriamanitra ny Jiosy; tsy nanaraka an’Andriamanitra na ny teniny intsony izy ireny, fa ny olona sy ny lovantsofin’olombelona ara-pivavahana (Matio 15:3-9). Nino an’ireo filoha ara-politika izy fa tsy ilay Fanjakana nampanantenain’Andriamanitra (Jaona 19:15). Vitany hatramin’ny fandavana sy ny fiadiana mihitsy aza tamin’ny fahamarinana notorin’ny zanak’Andriamanitra sy ireo apostoliny. Nampitandrina azy ireny Jesosy Kristy ny amin’ny tsy maintsy ho vokatry ny fihetsika toy izany eo aminy. — Matio 23:37, 38; 24:1, 2.

6 Tsy nisy hafa tamin’ny nanambaran’ny Baiboly azy ny fitrangan-javatra. Tamin’ny taona 66 amin’ny fanisan-taona iraisana ny Jiosy dia nikomy tamin’i Roma. Rehefa avy niakatra voalohany hamely an’i Jerosalema ny Romana dia nihataka tamin’ny fomba tsy nampoizina. Izany no fotoana sy famantarana nandrasan’ireo izay nino ny Tenin’Andriamanitra, mba hankatoavana ny Zanany, tamin’ny fandosirana, tamin’ny fialana tao amin’ilay tanàna voaheloka sy ny Provans’i Jodia, na toy inona na toy inona fananana tsy maintsy nilaozany. Izany no nataon’ireo tena mpianatr’i Jesosy Kristy. Raha efa izany, tamin’ny taona 70 ny Romana dia niverina indray mba hanao fahirano an’i Jerosalema ka nandrava azy. Ny vavolombelona nahita maso iray, ilay mpanoratra tantara atao hoe Josèphe, dia nilaza fa olona 1 100 000 no maty tao anatin’ny tanàna noho ny mosary, ny aretina sy ny ady an-trano, na tamin’ny sabatry ny Romana. Nefa kosa ny Kristiana izay nanao zavatra tsy nisy fisalasalana ka nampiseho ny finoany tamin’ny fankatoavany, dia afa-nandositra an’io fandringanana io. — Lioka 19:28, 41-44; 21:20-24; Matio 24:15-18.

7. Inona moa no tsy maintsy natao mba hahatafita velona rehefa nandrava an’i Jerosalema ny Babyloniana?

7 Nisy tarehin-javatra sahala amin’izany koa, tokony ho taonjato fito talohan’izay. Tamin’izany fotoana izany Jehovah Andriamanitra dia nanome alalana an’ireo tafika babyloniana notarihin’i Nebokadnezara (II) mpanjaka mba handringana ny firenena isiraelita. Mbola zava-niseho ara-tantara koa izany. Nandritra ireo taona talohan’izany Andriamanitra dia nampiasa ireo mpaminaniny mba hampiomana ny Isiraelita nivadika fa nitarika azy ireny ho amin’ny loza ny fitondrantenany. Nandefa ho azy ireny izao antso izao Andriamanitra: “Mialà, mialà amin’ny làlan-dratsinareo, fa nahoana moa no te-ho faty ianareo (...)?” (Ezekiela 33:11). Tsy nino an’io fampitandremana io ny ankamaroan’ny Isiraelita. Na dia rehefa nataon’ny tafika babyloniana fahirano aza Jerosalema, dia mbola nantenainy ihany fa tsy hitranga ny fandravana azy. Rava anefa Jerosalema, araka ny nanambarana azy. Nitana ny teny nataony anefa Andriamanitra tamin’ny fiarovana an’ireo izay nampiseho finoana azy tamin’ny fankatoavany. — Jeremia 39:15-18; Zefania 2:2, 3.

8-10. a) Nahoana moa Jehovah no nahatonga fandringanana ho an’izao tontolo izao tamin’ny andron’i Noa? b) Nahoana moa Noa sy ny ankohonany no voatsimbina?

8 Taloha lavitra noho izany teo amin’ny tantaran’olombelona, dia hitantsika ny ohatra tranainy indrindra ny amin’ny fisian’ny olona tafita velona, araka ny nolazain’Andriamanitra mialoha. Izany akory tsy fandringanana firenena iray, fa izao tontolo izao. Mbola zava-niseho ara-tantara koa izany. Izany dia safodrano naneran-tany nitranga tao anatin’ireo taona 2370/2369 talohan’ny fanisan-taona iraisana, tamin’ny andron’i Noa. Raha niresaka ny amin’ny toe-piainana nisy talohan’io fandringanana naneran-tany io ny filazana ara-tantara dia nanambara toy izao: “Ary hitan’i Jehovah fa be ny faharatsian’ny olona tambonin’ny tany, ka izay fisainana rehetra avy amin’ny fony dia ratsy ihany mandritra ny andro. Ary simba ny tany teo anatrehan’Andriamanitra sady heni-doza.” — Genesisy 6:5, 11

9 Nahatonga an’Andriamanitra ho voatery handray anjara ny faharatsiana sy ny herisetra. Teto an-tany dia Noa sy ny ankohonany ihany no naneho finoana sy fankatoavana. Mba hamindrana fo tamin’izy ireny sy mba hiarovana ny rariny teto an-tany, Jehovah Andriamanitra dia “tsy nijanona tsy nanasazy ny izao tontolo izao taloha (...) nisy ratsy fanahy”. Noho izany antony izany, “dia niharan’ny fandringanana ny izao tontolo izao tamin’izany fotoana izany rehefa safotry ny rano”. — II Petera 2:5; 3:5-7, MN.

10 Tafita velona anefa Noa sy ny ankohonany. Nahoana? Voalohany indrindra, izy ireny dia tsy mba niaraka tamin’izany “izao tontolo izao nisy ratsy fanahy” izany tamin’ny tsy fahamarinany. Izy ireny dia tsy mba variana tanteraka tamin’ny zavatra fanao andavanandro eo amin’ny fiainana, toy ny fihinanana, ny fisotroana sy ny fampakaram-bady, ka hoe tsy niraharaha ny sitrapon’Andriamanitra na tsy nihaino ny fampiomanany. “Niara-nandeha tamin’Andriamanitra” tao amin’ny fahamarinana Noa. Tsy hoe fihetsika tsy nitondra na inona na inona fotsiny akory izany. Tsy hoe nifady ny fanaovan-dratsy fotsiny akory izy sy ny ankohonany. Nanaraka fihetsika manorina izy ireo; nisy zavatra nataony, dia asa marina. Tena nino ny tenin’Andriamanitra tokoa izy ireny ary nampiseho izany tamin’ny fankatoavany, tamin’ny fanorenana sambo-fiara iray nisy efitra telo nifanongoa, sahala amin’ny vata makadiry maherin’ny 130 metatra ny halavany ary nifanaraka tamin’ny fanoroan’Andriamanitra. “Mpitory ny fahamarinana” koa Noa tamin’ny fanambarana ny fikasan’Andriamanitra sy tamin’ny fiarovana ny lalan’ny fahitsiana. — Genesisy 6:9, 13-16; Matio 24:37-39; Hebreo 11:7.

11. Araka ny asehon’ireo ohatra ireo, inona moa no tokony hataontsika mba hahatafita velona amin’ny fandringanana an’izao tontolo izao ho avy?

11 Tafita velona ireo olona valo ireo noho ny finoany sy ny asam-pinoany. Koa satria ny Zanak’Andriamanitra sy ireo apostoliny niresaka ny amin’io fandringanana maneran-tany io ho sary ara-paminaniana mampiseho izay miandry ny olona amin’izao “andro farany” izao, dia mazava fa tokony hialantsika koa ny fitondran-tena ratsin’izao tontolo izaon’ny olona, izay ratsy toy ny tamin’ny andron’i Noa amin’izao andro izao. Tokony hanao zavatra mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra koa isika. Mba hanantenana ny ho velona, dia tsy afaka ny hianina amin’ny fanarahana ny fotopoto-pitsipika ataon’ny tenantsika ihany isika. Izao no ambaran’ny Tenin’Andriamanitra: “Misy làlana ataon’ny olona ho mahitsy, kanjo làlana mivarina any amin’ny fahafatesana no iafarany.” (Ohabolana 16:25). Tsy ampy hahatafita velona ny fisehoana ivelany ho marina fotsiny, satria mijery ny fo Jehovah Andriamanitra. — Ohabolana 24:12; Lioka 16:15.

IZAY TADIAVIN’I JEHOVAH AO AM-PON’NY OLONA

12, 13. a) Noho ny antony inona moa no anirian’ny olona maro toe-piainana tsaratsara kokoa? b) Nahoana moa izany no tsy ampy hiantoka ho azy ireny ny hahatafita velona ao amin’ny fandaharan-javatra vaovao? d) Mba hahatongavana ho anisan’ireo ho tafita velona, inona moa no tokony hanosika antsika tsy ho faly raha ny amin’ny toe-piainana ankehitriny?

12 Marobe ny olona malahelo noho ny toe-piainana ankehitriny. Asehony izany amin’ny fanakianana, ny fihetsiketsehana, ny fitokonana ary, any amin’ny tany sasany, amin’ny fikomiana mahery vaika. Olona be dia be no tezitra noho ny fitomboan’ny hetra sy ny fisondrontan’ny vidim-piainana. Any amin’ny tany maro dia malahelo izy ireny noho ny fanaovana heloka bevava sy ny loza aterany. Manosika azy ireny haniry fiovana ny tahotra. Nefa moa ve ampy izany mba hiantoka ny hahatafita velona azy sy ny fidirana ao anatin’ny fandaharan-javatra vaovao nampanantenain’Andriamanitra? Tsia. Nahoana?

13 Satria mety tsy ho faly amin’ireny toe-piainana ireny ny olona iray sady hiseho ho tia tena. Mety hankasitrahany aza ny endrika tsy fahamarinana sy fahalotoam-pitondrantena sasany raha mbola tsy mijaly noho izany koa ny tenany. Nefa kosa, rehefa misy olona mahazo fahalalana ny Baiboly, dia tsapany fa izao toe-piainana izao dia tsy inona fa fisehoana ivelany amin’ny tena zava-dratsy iaretan’izao tontolo izao ankehitriny. Takany fa ireny famantarana ivelany ireny dia mampiseho tsy firaharahana ireo fotopoto-pitsipika marina sy Andriamanitra mihitsy koa aza, ary mampiseho tsy firaikana tanteraka raha ny amin’ny fahalalana sy ny fanatontosana ny sitrapon’i Jehovah sy ny fitandremana ny fitsipiny marina. Ny mahasosotra sy tsy mahafaly azy indrindra akory tsy ny tsy fahafahany mampiasa fananana ara-nofo sasany na zo ara-tsosialy sasany na noho ny loza entin’ny fanaovana heloka bevava, ny fandotoana sy ny fandrahonan’ny ady, fa ireny olona tso-po ireny kosa dia ory indrindra rehefa mahita ny olona mandoto ny anaran’Andriamanitra amin’ny fitondrantena ratsiny. Mampahory azy ireny koa ny mahita fa misy hafa koa mijaly noho izany.

14. Olona manao ahoana moa no ‘voaisy marika’ mba hahatafita velona tamin’ny fandravan’ny Babyloniana an’i Jerosalema?

14 Mba hahatongavana ho anisan’ireo ho tafita velona amin’ny fandringanana an’izao tontolo izao ho avy, dia tokony hanahaka an’ireo notsimbinin’Andriamanitra fony izy nanome alalana ny tafika babyloniana handrava an’i Jerosalema, isika. Tantarain’ny Baiboly amintsika fa ireny olona voaisy marika mba ho tafita velona ireny dia ‘nisento sy nitaraina noho ny fahavetavetana rehetra’ natao tao an-tanàna (Ezekiela 9:4). Nampahonena ny toe-javatra tao; nampahorina ny mahantra, ary ny sasany aza notanan’ny mpiray firenena taminy tsy ara-dalàna tao anatin’ny fanandevozana (Jeremia 34:13-16). Ny tarehin-javatra hitan’i Jerosalema sy ny fanjakan’ny Joda dia nanjary ratsy kokoa aza noho izay hitan’ny fanjakan’ny Isiraely sy Samaria renivohiny, izay nahatonga an’i Hosea mpaminany hanoratra toy izao: “Fa fianianana sy lainga sy vonoana sy halatra, (...) ka mifanontona ny fandatsahan-dra.” (Hosea 4:2; Ezekiela 16:2, 51). Ny olona ory fo noho ny tsy rariny sy ny tsy firaharahana an’Andriamanitra ihany no ‘nasiana marika’ mba ho tafita velona. — Ezekiela 9:2, 4-6.

15. Nahoana moa ny olona sasany no tsy manao fiovana ilaina mba hahatongavana ho anisan’ireo ho tafita velona?

15 Amin’izao andro izao dia olona marobe no ho tia ny hafahana amin’ny tahotra, hanana fiadanana sy hiaina ao anatin’ny toe-piainana feno fanambinana sy mahafinaritra. Tsy irin’izy ireny anefa ny hanova ny fomba fiainany amin’ny fianarana ny tenin’Andriamanitra sy amin’ny fanarahana ireo fitsipiny marina. Raha ny marina dia tsy tia ny rariny izy ary tsy mihevitra amim-pahatsorana ny namany. Koa satria ny fandaharan-javatra vaovao nampanantenain’Andriamanitra hiteraka fikambanan’olona vaovao eto an-tany izay “itoeran’ny fahamarinana”, ny vaovao tsara mikasika azy dia tsy manintona afa-tsy ireo olona tia ny fahamarinana; amin’ny hafa izany dia fanamelohana. — II Petera 3:13; II Korintiana 2:14-17.

IZAY AZONAO ATAO DIENY IZAO

16-18. a) Ahoana moa no ‘hahavoaisy marika’ mba hahatafita velona amin’ny fandringanana an’izao tontolo izao ho avy? b) Inona avy moa no dingana mifanesy tokony hatao mikasika ny fivavahan-diso sy ny marina?

16 Jehovah Andriamanitra dia hamonjy ny olona izay maniry amim-pahatsorana ny hotarihin’ny fitondram-panjakany marina. Tsy hanery na iza na iza hiditra ao anatin’ny fandaharan-javatra vaovao nampanantenaina ka hiaina ao anatin’ny toe-piainana tsy iriny izy. Nefa, tsy hoe satria misy zavaboary olombelona tsy maniry izany ka dia tsy hitahy an’ireo tia ny rariny Andriamanitra. Izany no antony hiarovany amin’ny fandringanana an’izao tontolo izao ho avy, ny olona izay manaiky amim-pahatsorana sy dieny izao ny fitondram-panjakany. Mandray ny “marika” tena ilaina mba hahatafita velona izy ireny amin’ny fitafiana ny “toetra vaovao”, amin’ny fampifanarahana ny fiainany amin’ireo lalan’Andriamanitra sy amin’ny fampisehoana fa izy ireny dia tena mpianatry ny Zanak’Andriamanitra nanolo-tena sy vita batisa tokoa. Mandray anjara amim-paharisihana amin’ny fanatontosana ny sitrapon’Andriamanitra izy ireny. Amin’ny fanaovana toy izany, dia ‘mifidy ny fiainana’ sy ny fitahiana izy fa tsy ny fahafatesana (Kolosiana 3:5-10; Deoteronomia 30:15, 16, 19). Hifidy ny fiainana ve ianao?

17 Tena ilaina ny ho mahatoky sy hanaiky an’Andriamanitra, ka tafiditra amin’izany ny fanolorana fanompoam-pivavahana ho azy. Izao no nambaran’i Jesosy Kristy: “Fa avy ny andro, sady tonga ankehitriny raha ny tena mpivavaka hivavaka amin’ny Ray amin’ny fanahy sy ny fahamarinana; fa ny Ray koa mitady ny mpivavaka aminy ho tahaka izany.” (Jaona 4:23). Mba hahatafita velona amin’ny fandringanana an’izao tontolo izao ho avy àry, dia tokony hariantsika ny fivavahan-diso ka handray anjara amim-paharisihana amin’ny fanompoam-pivavahana marina isika.

18 Fitahiana mandrakizay no miandry an’ireo izay manaraka ny lalana hahatafita velona. Aoka hojerentsika izao ny sasantsasany amin’ireo fampanantenana mahatalanjona omen’Andriamanitra an’ireo izay mino ny Teniny ka mampiseho ny finoany amin’ny asa manorina.

[Fanontaniana]